Plateau Malagasy: translationNotes Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Colossians 1

Colossians 1:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Na dia avy amin'i Paoly sy Timoty ho an'ireo mpino Kolosiana aza ity taratasy ity, aoriana ao amin'ny taratasin'i Paoly dia ho fantatra mazava fa izy no mpanoratra. Fa Timoty anefa dia niaraka taminy ary nanoratra ny teny nolazain'i Paoly.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Amin'io taratasy io ny teny hoe: "isika," "izahay," ary "-tsika" dia maneho an'ireo Kolosiana raha tsy misy fanamarihana hafa. Ny teny hoe: "-nareo" sy "anareo" dia maneho an'ireo mpino Kolosiana raha tsy hoe misy fanamarihana hafa.

apostolin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra,

"izay nofidin'Andriamanitra ho apostolin'i Kristy Jesosy"

Manome ... Tompontsika ... mandrakariva

Tsy ao anatin'ireo ny Kolosiana.

Colossians 1:4

Efa renay

Paoly dia manala ireo mpihaino azy.

ny finoanareo an'i Kristy Jesosy

"ny finoanareo ao amin'i Kristy Jesosy"

noho ny fanantenana azo antoka natokana ho anareo any an-danitra

Eto ny hoe: "fanantenana azo antoka" dia maneho izay fanantenana azo antoky ny mpino, izany hoe, ny zavatra izay nampanantenain'Andriamanitra hatao amin'ny mpino rehetra. Ireo zavatra ireo dia resahina toy ny hoe zavatra mivaingana izay tazomin'Andriamanitra any an-danitra ho an'ny mpino aty aoriana. DH: "satria dia ianareo ireo mihitsy no efa nampanantenain'Andriamanitra izay any an-danitra, fa hanao zavatra tsara izay nampanantenainy anareo Izy"

mitondra vokatra ary mitombo

Paoly eto dia miresaka ny filazantsara toy ny hoe zava-maniry izay mitombo ka manome vokatra.

eran'izao tontolo izao

Ny filazantsara dia miparitaka sy mitombo manerana izao tontolo fantatra izao.

ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'ny marina

"ny fahasoavana marin'Andriamanitra"

Colossians 1:7

malalantsika, izay mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny anarantsika.

Tsy tafiditra ao anatin'ny teny hoe: "-tsika" ireo Kolosiana.

ny filazantsara izay araka ny nianaranareo tamin'ny Epafra, ilay mpiara-manompo malalantsika, izay

"ny filazantsara. Ity dia izay efa nianaranareo tao amin'i Epafra mihitsy, ilay mpiara-manompo malalantsika ary izay" na "ny filazantsara. Ity dia izay efa nampianarin'i Epafra, ilay mpiara-manompo malalantsika, anareo. Izy dia"

Epafra, ilay mpiara-manompo malalantsika, izay mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny anarantsika

Eto ny hoe: "ny anarantsika" dia midika fa Epafra nanao ny asa ho an'i Kristy izay tokony nataon'i Paoly raha tsy tany an-tranomaizina izy.

Epafra

ilay lehilahy izay mitory ny filazantsara amin'ny olona ao Kolosia.

ny fitiavanareo ny Fanahy

Paoly dia miresaka ny Fanahy Masina toy ny hoe toerana izay misy an'ireo mpino. DH: "ny fomba namelan'ny Fanahy Masina anareo hitia ireo mpino"

Colossians 1:9

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Satria ny Fanahy dia namela azy ireo hitia ny hafa, Paoly dia mivavaka ho azy ireo ary miteny azy ireo eto ny fomba fivavahany ho azy ireo.

Noho io fitiavana io

"Satria ny Fanahy Masina dia namela anareo hitia ireo mpino hafa"

nahenonay ... tsy nitsahatra izahay ... Nangataka izahay ... Nivavaka izahay

Ireo Kolosiana dia tsy anisan'ireo.

hatramin'ny andro nahenonay izany

"hatramin'ny andro nitenenan'i Epafra anay ireo zavatra ireo"

mba ho feno fahalalana ny sitrapony ianareo

Paoly dia miresaka ireo mpino Kolosiana toy ny hoe daba izy ireo. DH: "fa Andriamanitra dia hameno anareo amin'izay ilainareo ho fantatra mba hahafahanareo manao ny sitrapony"

amin'ny fahendrena rehetra sy fahalalana ara-panahy

", ka mba hampahendry anareo ny Fanahy Masina ary hahalala izay tian'Andriamanitra ho ataonareo ianareo"

mba handehanareo am-pahamendrehana ao amin'ny Tompo

Ny fandehanana eto dia midika ho toetra eo amin'ny fiainana. DH: "mba hiaina ny fomba tian'Andriamanitra hiainanareo ianareo"

amin'ireo fomba ankasitrahana

"amin'ireo fomba izay ankasitrahan'ny Tompo"

mba hamokatra

Paoly dia miresaka ireo mpino Kolosiana toy ny hoe hazo na zava-maniry. Tahaka ny hazo mitombo sy manome voa, dia toy izany koa ireo mpino mahalala tsara an'Andriamanitra ary manao ireo asa tsara.

Colossians 1:11

Mivavaka izahay

Ny teny hoe: "izahay" dia maneho an'i Paoly sy Timoty fa tsy ireo Kolosiana.

amin'ny fiaretana sy ny faharetana

Paoly dia miresaka ny mpino Kolosiana toy ny hoe Andriamanitra no hamindra azy ireo amin'ny toeran'ny fiaretana sy faharetana. Amin'ny tena izy, izy dia mivavaka mba tsy hitsahatra hatoky an'Andriamanitra izy ireo ary ho feno faharetana eo am-panomezam-boninahitra Azy.

nahafahanareo hanana anjara

"namela anareo hanana anjara"

nahafahanareo

Eto Paoly dia mifantoka amin'ireo mpamakiny amin'ny maha-mpandray ny fitahian'Andriamanitra azy ireo. Kanefa izy tsy miteny fa izy tenany dia tsy manana anjara amin'ireo fitahiana.

hanana anjara

Mandray izay nampanantenain'Andriamanitra ireo mpino dia resahina toy ny hoe mahazo tany sy harena avy amin'ny olona tsirairay ao amin'ny fianakaviana.

amin'ny fahazavana

Io hevitra io dia mifanohitra amin'ny hevitry ny fanapahan'ny haizina ao amin'ny andininy manaraka. DH: "ao amin'ny voninahitry ny fanatrehany"

Colossians 1:13

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia miresaka momba ny fomba izay maha-lafatra an'i Kristy.

Namonjy

"Andriamanitra ilay Ray namonjy"

ny fanapahan'ny haizina

Ny haizina dia sary hiombonana ao amin'ny Soratra masina ho an'ny ratsy. DH: "ny herin'ny ratsy"

Zanany lahy malalany

"Andriamanitra ilay Rain'ny Zanaka malala, dia i Jesosy Kristy"

Ao amin'ny Zanany lahy no ananantsika ny fanavotana

Paoly matetika dia miresaka ireo mpino toy ny hoe "ao" amin'i Jesosy Kristy na "ao" amin'Andriamanitra. Eto izany fitenenana izany dia afaka adika hoe "amin'ny alalan'ny Zanany lahy no hahazoantsika ny fanavotana"

ny famelana ireo fahotana

"; ny Zanany lahy mamela ny fahotantsika" na "; ny Ray mamela antsika amin'ny alalan'ny Zanany"

Colossians 1:15

Ny Zanaka lahy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita maso

Eto ny hoe: "endrika" dia tsy midika hoe zavatra iray izay tsy hita maso. Fa kosa, ny "endrika" eto dia midika fa amin'ny alalan'ny fahafantarana ny Zanaka, dia mahafantatra ny endrik'Andriamanitra isika.

Zanaka lahy

Izany dia fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy, ilay Zanaka lahin'Andriamanitra.

Izy ilay teraka voalohany

"Ny Zanaka lahy no teraka voalohany." Ny fitenenana hoe: "teraka voalohany" dia tsy maneho ny fahaterahan'i Jesosy tao Betlehema. Fa kosa, izany dia maneho ny toeran'ny Zanaka lahy mandrakizain'Andriamanitra ilay Ray. Amin'izany, ny "teraka voalohany" dia sarin-teny midika hoe: "manan-danja indrindra." Jesosy dia manan-danja indrindra ary "Zanaka lahitokan'Andriamanitra". Izy dia Andriamanitra. Ny teny hoe: "Zanaka lahy" dia mampiseho ny fifandraisana manokana amin'ny Ray. Izany fifandraisana izany dia tsy takatra raha tsy mampiasa ny teny hoe: "zanaka lahy" sy ny hoe: "ray" amin'ny fitenim-paritrao ianao."

Fa tamin'ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra

Izany dia afaka atao hoe: "Satria ny Zanaka no namorona ny zavatra rehetra"

Na ireo seza fiandrianana, na ireo fanapahana, na ireo fitondram-panjakana, na ireo manam-pahefana, ireo zavatra rehetra dia nohariana tamin'ny alalany sy ho azy

Ny Zanaka lahy dia namorona ny zavatra rehetra ho azy, ao anatin'izany ireo seza fiandrianana, ireo fanapahana, ireo maha-mpanjaka, ary ireo fahefana.

Izy no alohan'ny zavatra rehetra

"Izy dia nisy talohan'ny zavatra rehetra"

ao aminy no haharetan'ny zavatra rehetra

Paoly eto dia miresaka ny fahefana amin'ny zavatra rehetra toy ny hoe: mitazona miaraka ireny izy. "izy dia mitazona ny zavatra rehetra miaraka"

Colossians 1:18

Izy no lohany

"Jesosy Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra, no lohany"

Izy no lohan'ny vatana, sy ny fiangonana

Paoly dia miresaka ny toeran'i Jesosy amin'ny fiangonana toy ny hoe lohan'ny vatan'olombelona Izy. Tahaka ny maha-loha mitondra ny vatana, Jesosy ihany koa dia manapaka ny fiangonana.

fiandohana

"ny fiandohan'ny fahefana." Izy no lehiben'ny mpanorina voalohany.

teraka voalohany avy eo anivon'ireo maty

Jesosy no olona voalohany maty sy niverina avy tamin'ny fahafatesana, ary tsy maty intsony mandrakizay.

Zanaka lahy

Fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.

tamin'ny alalan'ny ràn'ny hazo fijaliany

"amin'ny alalan'ny ràn'i Jesosy nikoriana teo amin'ny hazofijaliana"

ny ràn'ny hazo fijaliany

Eto ny hoe: "rà" dia maneho ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana.

Colossians 1:21

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mampazava izay nambaran'Andriamanitra ankehitriny fa Kristy dia nanakalo ny fahamasinany tamin'ny fahotan'ireo mpino Jentilisa.

ianareo ihany koa

"Ary ianareo mpino Kolosiana ihany koa"

dia vahiny tamin'Andriamanitra

"tahaka ny olona izay tsy fantatr'Andriamanitra" na "nanilika an'Andriamanitra"

mba hanaovana anareo ho masina, tsy hanam-pondro eo anatrehany, ary nanala baraka azy noho ny fanaratsiana

Paoly dia mamaritra ireo Kolosiana ho voadio ara-batana tamin'ny alalan'i Jesosy, nampiakanjo madio azy ireo, ary nitondra azy ireo eo anoloan'Andriamanitra Ray.

tsy hanam-pondro ... ary nanala baraka

Paoly dia mampiasa ireo teny roa ireo izay mitovy dika tanteraka mba hanamafisana ny fahatsarana. DH: "tonga lafatra"

eo anatrehany

Io fitenenana momba ny toerana io dia maneho ny hoe: "eo imason'Andriamanitra" na "ao an-tsain'Andriamanitra"

izay nambara

izay nambaran'ireo mpino

tamin'ny olona rehetra nohariana ambanin'ny lanitra

"amin'ny olona rehetra eto an-tany"

filazantsara izay, nahatonga ahy, Paoly, ho mpanompo

Paoly dia mpanompon'Andriamanitra ankehitriny. DH: "ny filazantsara dia hoe: Izaho, Paoly, manompo an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitoriana"

Colossians 1:24

izaho dia nameno ny nofoko izay tsy ampy amin'ireo fahorian'i Kristy

Paoly dia miresaka momba ny fijaliana izay hiainany hatrany. Izy eto dia mety mampahafantatra fa mbola misy fijaliana maro izay tsy maintsy hiaretany sy hiaretan'ireo Kristiana hafa alohan'ny fahatongavan'i Kristy indray, ary Kristy ara-panahy hiaraka amin'izy ireo hiaina izany fijaliana izany. Paoly dia tsy miteny mihitsy akory hoe ny fijalian'i Kristy irery dia tsy ampy hamonjena ireo mpino.

izaho dia nameno ny nofoko

Paoly dia miresaka ny vatany toy ny hoe daba izay afaka fenoina fijaliana.

noho ny vatany, dia ny fiangonana

Paoly matetika dia miresaka ny fiangonana, ny vondron'ny mpino Kristiana rehetra, toy ny hoe vatan'i Kristy.

mba hahatanteraka ny tenin'Andriamanitra

Izany dia midika hoe mamantatra ny tanjon'ny hafatry ny filazantsaran'Andriamanitra, izay notoriana sy ninoana.

Io no fahamarinanana miafina izay nafenina

Izany dia afaka atao hoe: "Ity no marina miafina izay nafenin'Andriamanitra"

nandritry ny taona maro sy ho an'ireo taranaka

Ireo teny hoe: "taona maro" sy "taranaka" dia maneho ny fotoana nanomboka tamin'ny fanorenana izao tontolo izao ka hatramin'ny fotoana nitoriana ny filazantsara.

Fa ankehitriny dia efa niseho izany

Izany dia afaka atao hoe: "ankehitriny Andriamanitra dia nanambara izany"

ireo haren'ny voninahitr'ity fahamarinana miafina

Paoly dia miresaka ny lanjan'ity marina miafina momba an'Andriamanitra ity toy ny hoe harena mivaingana. "harena"

Kristy no ao aminao

Paoly dia miresaka ireo mpino toy ny hoe daba fasian-javatra ankehitriny izay misy an'i Kristy ao anatiny. Izany dia iray amin'ireo fomba fanehoany ny fifandraisan'ny mpino amin'i Kristy.

ilay tokin'ny voninahitra ho avy

"ka ianao dia afaka mahatoky ny fananana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra"

Colossians 1:28

ilay notorianay ... Nananatra izahay ... nampianatra ... mba hanolorantsika

Tsy tafiditra ao anatin'izany ireo Kolosiana.

Nananatra ny olona rehetra izahay

"Nampitandrina ny olon-drehetra izahay"

mba hanolorantsika ny olona rehetra

"mba hanolorantsika ny olona rehetra amin'Andriamanitra"

feno

"matotra ara-panahy"

Colossians 2

Colossians 2:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manohy mankahery an'ireo mpino ao Kolosia sy Laodikia mba hahafantatra fa Kristy dia Andriamanitra ary miaina ao amin'ireo mpino Izy, ka izy ireo dia tokony hiaina tahaka ny handraisan'izy ireo Azy.

halehiben'ny tolona nataoko ho anareo

Paoly dia nanao ezaka lehibe tamin'ny famolavolana ny fahadiovan'izy ireo sy ny fahatakarana ny filazantsara.

ireo any Laodikia

Izany dia tanàna izay tena akaiky an'i Kolosia toerana izay misy fiangonana izay hivavahan'i Paoly ihany koa.

sy ho an'ireo maro mbola tsy nahita ny tavako tamin'ny nofo

Eto ny hoe: "tavako tamin'ny nofo" dia maneho olona. DH: "ireo rehetra izay tsy mbola nahita Ahy manokana" na "ireo rehetra izay tsy mbola nifanatri-tava tamiko"

mba hampahery ny fon'izy ireo

Paoly dia mampiditra ireo Galatiana na dia mampiasa anarana hafa aza izy. DH: "mba hampahery ny fon'izy ireo sy ny anareo"

fampiraisana azy ireo miaraka

Izany dia midika hoe entina amin'ny fifandraisana akaiky.

ny harena rehetra amin'ny fahalalana azo antoka

Paoly dia miresaka ny olona iray toy ny hoe mahatoky tanteraka fa ireo vaovao mahafaly dia marina tahaka ny maha-mpanan-karena ny olona iray amin'ny zavatra mivaingana.

ny fahamarinana miafin'Andriamanitra

Izany dia fahalalana izay Andriamanitra irery ihany no afaka manambara azy.

izany hoe, i Kristy

Jesosy Kristy no ilay fahamarinana miafina izay ambaran'Andriamanitra.

Ao aminy ny haren'ny fahendrena sy izay fahalalana rehetra no miafina

Kristy irery ihany no afaka manambara ny fahendrena sy fahalalana marina. DH: "Andriamanitra dia nanafina ny haren'ny fahendrena sy fahalalana rehetra tao amin'i Kristy"

ny haren'ny fahendrena sy izay fahalalana

Paoly dia miresaka ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra toy ny hoe harena mivaingana. DH: "ny fahendrena sy fahalalana sarobidy indrindra"

ny fahendrena sy fahalalana

Ireo teny ireo dia mitovy dika eto. Paoly dia mampiasa ireo miaraka mba hanamafisana ny fahalalana ara-panahy izay avy amin'i Kristy.

Colossians 2:4

hitarika

Izany dia midika hoe hahatonga ny olona hino zavatra tsy marina, ka hiasa amin'izany finoana izany izy, ary hijaly mafy vokatr'izany.

lahateny mandresy lahatra

lahateny izay hahatonga ny olona iray hihevitra amin'ny fomba hafa

tsy miaraka aminareo ao amin'ny nofo

"tsy eo anatrehanareo ara-batana"

miaraka aminareo ao amin'ny fanahy

"mieritreritra ny momba anareo hatrany Aho"

filaminanareo tsara

manao zavatra madio

ny tanjakin'ny finoanareo

"tsy misy zavatra na olona afaka manajanona anareo amin'ny finoana"

Colossians 2:6

Mifotora mafy aminy ... miorena ao aminy .. miorena ... mazotoa

Ireo teny ireo dia manazava ny dikan'ny hoe: "mandeha miaraka Aminy."

Mifotora mafy aminy

Paoly dia miresaka ny olona iray manam-pinoana marina ao amin'i Kristy toy ny hoe hazo izay manana faka lalina sy mitombo.

miorena ao aminy

Paoly dia miresaka ny olona iray manam-pinoana marina ao amin'i Kristy toy ny hoe fanorenana izay manana fototra matanjaka.

miorena amin'ny finoana

"matokia an'i Jesosy amin'ny zava-drehetra"

izay efa nampianarina anareo

Tsara ny tsy fitenenana na fanononana ny anaran'ilay nampianatra, dia i Epafra eto (1:7). Afaka atao hoe: "arak'izay efa nianaranareo" na "araka izay nampianarin'izy ireo anareo" na "araka izay efa nampianariny anao"

mazotoa manome fisaorana

Paoly dia miresaka ny fisaorana toy ny hoe zavatra izay afaka azon'ny olona iray. DH: "meteza ho be fisaorana an'Andriamanitra"

Colossians 2:8

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mankahery ireo mpino mba hitandrina mba tsy hanova ny teny na hanapaka eo amin'ny hafa satria tsy misy na inona na inona afaka ampiana amin'ny fahafenoan'Andriamanitra izay hananan'ny mpino ao amin'i Kristy.

Mitandrema

"Ataovy azo antoka fa"

hisambotra anareo

Paoly dia miresaka ny fomba afaka hinoan'ny olona iray ireo fampianarana diso (satria izy ireo dia mino zavatra diso na tia zavatra diso) toy ny hoe olona iray izay voasambotra ara-batana sy nitazona io olona io tamin-kery.

filozofia

fampianarana ara-pivavahana sy ara-pinoana izay tsy avy amin'ny tenin'Andriamanitra fa avy amin'ny eritreritry ny olombelona momba an'Andriamanitra sy ny fiainana

fitaka foana

Paoly dia miresaka ny hevitra diso izay tsy miteraka na inona na inona ary tsy misy vidiny toy ny daba fasian-javatra izay tsy misy na inona na inona ao anatiny.

araky ny fanaon'ny olona ... ny endrik'izao tontolo izao

Ny fombafomba Jiosy sy pagana (Jentilisa) momba ny ara-pinoana dia zava-poana. "Ny endrik'izao tontolo izao" dia mety hoe maneho ny fanahy ratsy izay milaza hanapaka ny tany sy voaravaky ny olona. Kanefa ny mpandika teny sasany dia nahita "ny endrik'izao tontolo izao" ho fampianaran'ny olona momba ny tany.

ao Aminy no mitoetra ny fahatsaran'ny tenan'Andriamanitra rehetra

"Ny maha-izy Azy an'Andriamanitra feno dia miforona ao amin'i Kristy"

Colossians 2:10

Tao Aminy ihany koa ianareo no noforaina

Paoly dia miresaka an'ireo izay an'i Kristy toy ny hoe ao anatin'ny vatan'i Kristy izy ireo. DH: "Rehefa miray amin'ny fiangonana amin'ny batisa ianareo, dia forain'Andriamanitra"

Feno ianareo ao Aminy

Paoly dia miresaka ny olona toy ny hoe daba fasian-javatra izay nametrahan'Andriamanitra an'i Kristy. DH: "feno ianareo ao amin'i Kristy"

Izy no lohany

Kristy no mpanapaka

famorana izay tsy nataon'ny olombelona

Amin'izany sarin-teny izany, Paoly dia miteny fa Andriamanitra nanao ny mpino Kristiana ho azony ekena amin'ny fomba izay mampahatsiahy azy ny famorana, ny fankalazana izay nampidirana ny zazalahy ao amin'ny vondron'Israely.

Niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ianareo

Paoly dia miresaka ny vita batisa sy ny firaisana ao amin'ny vondron'ny mpino toy ny hoe niara-nalevina tamin'i Kristy. DH: "Andriamanitra nandevina anao niaraka tamin'i Kristy rehefa niray tamin'ny fiangonana tamin'ny batisa ianao"

ary tao Aminy no nananganana anareo

Amin'ity sarin-teny ity, Paoly dia miresaka ny fiainana ara-panahy vaovaon'ny mpino, ho misy satria Andriamanitra nanao an' i Kristy ho velona indray. DH: "satria ianareo nampiray ny tenanareo tamin'i Kristy, Andriamanitra dia nanangana anareo"

Colossians 2:13

Fony ianareo maty

Paoly dia miresaka ny tsy firaikan'ny olona amin'Andriamanitra toy ny hoe fahafatesana. DH: "rehefa tsy afaka mamaly an'Andriamanitra ianareo mpino Kolosiana"

Fony ianareo maty ... izy no namelona anareo

Amin'ity sarin-teny ity Paoly dia miresaka ny fahatongavana amin'ny fiainam-panahy vaovao toy ny hoe fiverenana amin'ny fiainana ara-batana.

maty tamin'ireo fahotana sy ny tsy fahavitan'ny nofonareo famorana

Maty ianareo amin'ny fomba roa: 1) maty ara-panahy ianareo, miaina fiainam-pahotana manohitra an'i Kristy ary 2) tsy voafora araka ny lalàn'i Mosesy ianareo.

namela antsika tamin'ireo fahotantsika rehetra

"izy dia namela antsika, Jiosy sy ianareo Jentilisa, tamin'ny fahotantsika rehetra"

Nofafany ny rakitsoratrin'ny trosam-panafahana sy ireo fitsipika nifanohitra tamintsika

Paoly dia miresaka ny fomba namelan'Andriamanitra ny fahotantsika toy ny hoe olona iray, izay manana trosam-bola sy fananana, mamotika ny raki-tsoratry ny trosa ka tsy voatery handoa aminy.

Izy dia nanao fampisehoana ampahibemaso an'izy ireo

Tamin'ny andron'ny Romana, dia fomban'ny tafika Romana ny manana fandresena rehefa miverina mody izy ireo, maneho an'ireo gadra izay voasambotr'izy ireo sy ny entana azon'izy ireo. Andriamanitra dia nandresy ny hery sy ny fahefan'ny ratsy.

tamin'ny hazo fijaliana

Eto ny hoe: "ny hazofijaliana" dia maneho ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana.

Colossians 2:16

amin'ny fihinana na amin'ny fisotroana

Ny lalàn'i Mosesy dia mampiditra izay azon'ny iray hohanina sy sotroina. "fa izay hohaninao sy sotroinao"

amin'ny andro fety na amin'ny volana vaovao, na amin'ny andro Sabata

Ny lalàn'i Mosesy dia mamaritra ireo andro hankalazana, hiderana, ary hanolorana sorona. "fa ny fomba hankalazanao ireo andron'ny fankalazana na tsinam-bolana na Sabata"

alok'ireo zavatra ho avy

Ny aloka dia hevitra mivelatry ny bika sy ny toetry ny zavatra iray. Amin'ny fomba mitovy amin'izany, ny fomba ara-pivavahana toy ny lalàn'i Mosesy dia tsy afaka mampiseho afa-tsy ny tena izy amin'i Jesosy Kristy.

fa ny tena izy dia

ilay zavatra izay mandroaka ny "aloka."

Colossians 2:18

Aza avela hisy na iza na iza ... hitsara anareo ka tsy hahazoanareo ny lokanareo

Eto Paoly dia manondro ireo mpampianatra sandoka toy ny hoe manao kolikoly ny fitsarana amin'ny fifaninanana atletika izay hanala tsy ara-drariny ireo mpino amin'ny fandresena ny loka izay ho azy ireo, ary miteny an'i Kristy namonjy olona iray toy ny hoe Kristy manome loka an'izay mpandresin'ny fifaninanana tahaka izany. DH: "Aza avela hisy na iza na iza ... hanala anareo amin'ny fandresena ny lokanareo"

izay mila ny fanetren-tena

Ny teny hoe: "fanetren-tena" dia hevitra ambadiky ny asa izay ataon'ny olona iray ka hampieritreritra ny hafa fa io olona iray io dia manetry tena. DH: "izay mila anao manao zavatra mampiseho fa manetry tena ianao"

miditra amin'ny zavatra hitany

Eto Paoly dia miresaka momba ny olona izay manambara hoe manana nofy sy fahitana avy amin'Andriamanitra ary miteny am-pireharehana momba azy ireny.

ary manjary voatevateva amin'ny fisainan'ny nofony

Eto Paoly dia miteny fa ny fomba fisainana feno fahotana dia mahatonga ny olona hiavonavona. DH: "mieboebo amin'ny fomba fisainany ara-nofo"

mieboebo

Eto ny olona iray izay mirehareha dia resahina toy ny hoe zavatra izay nasian'ny olona rivotra mba hampivelatra azy.

ny fomba fisainany ara-nofo

Eto ny hevitry ny nofo dia maneho ny maha-olombelona mpanota. "fisainana feno fahotana izay eritreretiny"

Tsy mihazona izy

Paoly dia miresaka ny fahatokisana an'i Kristy toy ny hoe misambotra an'i Kristy amin'ny tanana iray. DH: "Tsy misambotra azy mafy izy" na "Tsy misarangotra izy," tahaka ny fitazoman'ny zanaka mafy ny ray aman-dreniny.

Izany dia avy amin'ny loha izay nomen'Andriamanitra ny vatana manontolo manerana ireo vanin-taolany sy ny hozany izay manome ka mihazona izany rehetra izany mitambatra

Paoly dia miresaka ny fiangonana, izay entin'i Kristy sy tohanany hery, toy ny hoe vatan'olombelona. "Izany dia avy amin'ny loha izay nanome ny vatana manontolo amin'ny alalan'ny vanin-taolany sy ny hozany ka mihazona izany mitambatra"

Colossians 2:20

Raha maty niaraka tamin'i Kristy ianareo tamin'ireo endrik'izao tontolo izao

Amin'izany sarin-teny izany, Paoly dia miresaka ny mpino ho toy ny olona iray izay miombona ara-panahy miaraka amin'i Kristy: maty i Kristy, ka ny mpino dia maty ara-panahy; velona indray Kristy, ka ny mpino dia velona indray amin'ny fiainana ara-panahy, izany hoe, mba ho firaikena amin'Andriamanitra.

nahoana ary ianareo no miaina toy ny voatery amin'ny tany: ''Aza ... mikasika''?

Paoly dia mampiasa io fanontaniana io mba hibedesana ireo Kolosiana nohon'ny fanarahana finoana dison'ny tany. DH: "atsaharo ny fanekena ny finoana ny tany! Atsaharo ny finoana azy ireny rehefa miteny izy ireny, 'Aza ... mikasika'!"

miaina toy ny voatery amin'ny tany

"mieritreritra fa tsy maintsy mankato ny fanirian'ny tany"

ny tany

ireo fisainana, ireo faniriana, ary ireo fanandratan-tenan'ny ankabetsahan'ny olona feno fahotanan'izao tontolo izao.

ho an'ny fahalovana

"maty." Paoly eto dia mampiasa sarin-teny ho an'ny vatana lo (fahalovana) ao am-pasana.

Ireny fitsipika ireny dia manana fahendren'ny fomba fivavahana, ny fanetren-tena izay nataon'ny tenany manokana ary ny fampahoriana ny vatana

"Ireny fitsipika ireny dia toa hendry amin'ny tsy finoan'ny olona satria mamela ireo izay manaraka azy ireo hiseho ho manetry tena satria mampijaly ny vatan'izy ireo manokana"

tsy manan-danja manohitra ny fanarahana filan'ny nofo

"tsy manampy anao hanajanona ny fanirian'ny vatanao"

Colossians 3

Colossians 3:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mampitandrina ireo mpino satria izy ireo dia iray miaraka amin'i Kristy, izy ireo dia voarara hanao zavatra sasantsasany.

Andriamanitra no nanangana anareo niaraka tamin'i Kristy

Satria Andriamanitra no nanangana an'i Kristy ho any an-danitra, Andriamanitra dia hanisa ireo mpino Kolosiana toy ny nananganany azy ireo ihany koa ho any an-danitra.

ireo zavatra any ambony

"ireo zavatra any an-danitra"

Fa efa maty ianareo

Satria maty i Kristy ankehitriny, Andriamanitra dia hanisa ireo mpino Kolosiana toy ny hoe maty miaraka amin'i Kristy.

ny fiainanareo dia miafina miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra

Paoly dia miresaka ny fiainan'ny olona toy ny hoe zavatra izay afaka afenina anaty daba fasian-javatra ary miresaka an'Andriamanitra toy ny hoe daba fasian-javatra. DH: Ireo mety ho dikany: 1) "izany dia tahaka ny nandraisan'Andriamanitra ny fiainanareo sy nanafenana izany niaraka tamin'i Kristy teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra" na 2) "Andriamanitra irery ihany no mahafantatra izay tena fiainanareo marina, ary hanambara izany Izy rehefa hanambara an'i Kristy"

izay fiainanareo

Kristy dia ilay iray izay manome fiainana ara-panahy ny mpino.

Colossians 3:5

Vonoy, avy eo, ireo mpikambana izay eto an-tany

Paoly dia miresaka ny faniriana feno fahotana toy ny hoe ampahan'ny vatan'ny olona ampiasaina mba hanome fahafaham-po azy ireo.

fahalotoana

"toetra maloto"

firehetan'ny filana

"faniriana mahery sy fahavetavetana"

ary fahatendana, izay fanompoan-tsampy

"ary fahatendana, izay mitovy amin'ny fanompoan-tsampy" na "ary aza tia tena satria izany dia mitovy amin'ny fanompoan-tsampy"

fahatezeran'Andriamanitra

Ny fahatezeran'Andriamanitra manohitra ireo izay manao ny ratsy tamin'alalan'izay nataony mba hanasaziana azy ireo.

zanaky ny tsy fankatoavana

"zanak'olombelona tsy mankato" na olona izay tsy mankato Azy"

Tao amin'ireny zavatra izay nandehananareo ireny taloha

Paoly dia miresaka ny fahazaran'ny olona iray toy ny hoe lalana izay handehanan'ny olona iray. DH: "Ireo dia zavatra izay nahazatra anao"

rehefa mbola niaina tao amin'ireny ianareo

Ireo mety ho dikany: 1) "rehefa nanao ireny zavatra ireny ianareo" na 2) "rehefa niaina teo amin'ny olona izay tsy nankato an'Andriamanitra ianareo"

fahatezerana, fahavinirana

Ny teny hoe: "fahatezerana" eto dia maneho ny fahatezeran'ny olona iray amin'ireo izay tsy nahafaly azy tamin'ny fihetsika nataony, izay mandratra olona.

fahavinirana

fahatezerana mafy

ny filan-dratsy

"faniriana hanao asa ratsy"

fanevatevana

lahateny ampiasaina mba handratrana ny hafa

teny fahavetavetana

ireo teny izay tsy mahalala fomba

avy amin'ny vavanareo

Eto ny teny hoe: "vava" dia hevitra ambadiky ny firesahana. "amin'ny firesahanareo"

Colossians 3:9

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manohy miteny amin'ireo mpino ny fomba fiainana sy mampatsiahy azy ireo fa ny Kristiana dia tokony hitondra ny tsirairay amin'ny fomba mitovy.

efa narianareo ny toetra taloha miaraka amin'ireo fampiharana izany, ary notafinareo ny toetra vaovao

Eto Paoly dia miresaka ny fanarian'ny Kristiana ny fahotan'izy ireo taloha toy ny hoe akanjo tonta izay esoriny mba hahafahany manao akanjo vaovao. Hiraisana izany teo amin'ireo Israelita toa an'i Paoly miteny ny toetra tsara toy ny hoe tapa-damba.

ny endrika

Izany dia maneho an'i Jesosy Kristy.

tsy misy Grika sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, barbariana, Skytiana, andevo, olon'afaka

Ireo teny ireo dia ohatra amin'ny karazan'olona izay tenenin'i Paoly ho misy lanjany eo amin'Andriamanitra. Andriamanitra dia mahita ny olon-drehetra mitovy amin'izany, tsy amin'ny firazanana, finoana, fiaviana, na toerana. DH: "ny firazanana, ny fivavahana, ny fombafomba, ary ny fiaviana dia tsy ilaina"

barbariana

vahiny izay tsy mahafantatra ireo fombafomba eo an-toerana

Skytiana

Io dia olona iray avy any amin'ny tanin'i Skytia, izay any ivelan'ny Fanjakana Romana. Ireo Grika sy ireo Romana dia mampiasa io teny io ho an'ny olona iray izay lehibe tao amin'ny toerana iray nanaovan'ny olon-drehetra zavatra ratsy isan'andro isan'andro.

Kristy no rehetra, ary ao amin'ny rehetra

Tsy misy na iza na iza alàna na miala amin'ny fanapahan'i Kristy. DH: "Kristy no manan-danja indrindra ary mivelona ao amin'ny olony rehetra"

Colossians 3:12

Koa, mitafia ... famindram-po

Tahaka ny olona iray miakanjo, no hampisehoan'ireo mpino famindram-po ary toetra tsara hafa amin'ny tsirairay. Ny famindram-po dia heverina matetika fa foiben'ny fihetsem-pon'ny fangorahana. Ny mpandika teny dia mety hanova io lahateny io araka ny hevitr'izy ireo. DH: "Mamindrà fo isan'andro isan'andro"

Koa

"Satria izay vao avy nolazaiko dia marina"

araka ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra

Izany dia afaka atao hoe: DH: "tahaka ireo izay nofidin'Andriamanitra ho Azy, izay iriny hahita Azy mitokana, ary ireo izay tiany"

hatsaram-panahy

"fahatsorana"

fanetren-tena

"fanetren-tena ara-tsaina"

fahalemem-panahy

"fahatsorana"

Mifampitondrà tsara

"Aza avela ho mora tezitra faingana amin'ny hafa ny tenanareo" na "Mifankatiava na dia mifandiso fanantenana aza ianareo"

Mifamelà

"Ataovy tsara kokoa noho izay hitondran'ny hafa anao ny fitondranao azy ireo"

manana fitarainana momba ny olona hafa

"mitaraina ny amin'ny"

izay mamatotra antsika amin'ny fahatanterahana

" izay mamatotra antsika amin'ny fahalavorariana"

Colossians 3:15

Aoka ny fiadanan'i Kristy hanapaka ao amin'ny fonareo

Paoly dia miresaka ny fiadanana izay nomen'i Kristy toy ny hoe fanapahana. Ireo mety ho dikany 1) "Ataovy izay rehetra hahazoanareo fifandraisana feno fiadanana" na 2) "Avelao Andriamanitra hanome fiadanana ao am-ponareo"

ao am-ponareo

Mandeha ho azy ho an'i Paoly ny miresaka ny fo toy ny hoe toerana izay hahatsapan'ny olona ny fepetra faran'izay mafy toy ny fiadanana. Tokony ampiasainao eto ny teny izay mamaritra ny fahatsapana ny fiadanana amin'ny fitenim-paritrao.

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo

Paoly dia miresaka ny tenin'i Kristy toy ny hoe olona iray izay afaka miaina ao anatin'ny olona hafa. "Matokia lalandava ny fampanantenan'i Kristy"

mifananara

"mifampitandrema ary mifampahereza"

amin'ireo salamo sy fihirana ary hira ara-panahy

"amin'ny karazan-kira fiderana an'Andriamanitra"

amin'ny fisaorana ao am-ponareo

"fo feno fisaorana"

amin'ny teny na amin'ny asa

fitenenana na fiasana

amin'ny anaran'ny Tompo Jesosy

"mba hanome voninahitra ny Tompo Jesosy" na "amin'ny fahefan'ny Tompo Jesosy"

amin'ny alalany

Ireo mety ho dikany: 1) satria Izy nanao ireo asa lehibe na 2) satria Izy nahatonga ny olona afaka miresaka amin'Andriamanitra ka manome fisaorana Azy.

Colossians 3:18

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly avy eo dia nanome torolalana manokana an'ireo reny, ray, zanaka, raibe, ary tompo.

Ry vehivavy, maneke ny

"Ry vehivavy, mankatoava"

izany no mety

"izany no marina"

aza masiaka amin'izy ireo

"aza ratsy fanahy amin'ny" na "aza tezitra amin'ny"

aza manao izay mampalahelo ireo zanakareo

"aza manao izay mampatezitra ny zanakareo amin'ny tsy misy antony"

Colossians 3:22

mankatoava ny tomponareo araka ny nofo

"ankatoavy ireo tomponareo ara-nofo"

zavatra rehetra, tsy amin'ny asa eo imaso toy ny olona mpila sitraka

"zavatra. Aza atao hoe rehefa mijery ihany ny tomponareo vao mankato ianareo, tahaka ny hoe mila sitraka amin'ny olona fotsiny ianareo"

ho an'ny Tompo

"toy ny fiasanao ho an'ny Tompo"

ny valisoan'ny lova

"ny lova ho valisoanareo"

ny lova

Ny fandraisana izay nampanantenain'Andriamanitra ireo mpino dia resahina toy ny hoe fandovana tany sy harena avy amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana.

izay manao ny tsy fahamarinana dia handray ny sazy

"Andriamanitra dia hanasazy izay rehetra manao ny tsy fahamarinana"

manao ny tsy fahamarinana

izay manao karazana fahadisoana

tsy misy fizahan-tava

"Andriamanitra dia mitsara ny olon-drehetra amin'ny fomba mitovy"

Colossians 4

Colossians 4:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa avy niresaka tamin'ireo tompo, Paoly dia namarana ny torolalana manokany tamin'ireo karazana mpino ao amin'ny fiangonana ao Kolosia.

marina sy rariny

Ireo teny ireo dia mitovy dika tanteraka ary ampiasaina mba hanamafisana ny zavatra izay marina ara-tsaina.

ianareo ihany koa manana tompo iray any an-danitra

Ny fifandraisana eo amin'ny tompo sy ny andevony dia tian'Andriamanitra ho tia ny lalan'Andriamanitra, ilay tompo any an-danitra, hitia ireo mpanompony ety an-tany, ao anatin'izany ireo andevon'ireo tompo ety an-tany.

Colossians 4:2

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manohy ny fanomezany torolalana an'ireo mpino ny amin'ny fomba fiainana sy fitenenana.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "izahay" dia maneho an'i Paoly sy Timoty fa tsy ireo Kolosiana.

Mahareta mandrakariva amin'ny fivavahana

"Mivavaha am-pinoana hatrany" na "Mivavaha mandrakariva"

hanokafan'Andriamanitra varavarana

"Andriamanitra dia hanome fahafahana"

ny fahamarinana miafin'i Kristy

Izany dia maneho ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, izay tsy fantatra talohan'ny fahatongavan'i Kristy.

Nohon'ny amin'izany, dia voafatotra aho

Eto ny hoe: "voafatotra" dia hevitra ambadiky ny hoe any an-tranomaizina. DH: "Nohon'ny fitoriana ny hafatr'i Jesosy Kristy no mahatonga ahy ho aty an-tranomaizina ankehitriny"

Mivavaha mba ahafahako manazava izany

"mivavaha mba ho afaka miteny mazava ny hafatr'i Jesosy Kristy aho"

Colossians 4:5

Mandehana amin'ny fahendrena any amin'ireo izay any ivelany

Ny hevitry ny hoe mandeha matetika dia ampiasaina amin'ny hevitry ny fitondran'ny olona iray ny fiainany. DH: "Mandehana amin'ny fomba fiainana tahaka izany mba hahitan'ireo izay tsy mpino fa hendry ianareo"

ary araraoty ny fotoana

"manaova ny zavatra tsara indrindra izay afaka ataonao amin'ny fotoanao" na "ampiasao amin'izay tsara ny fotoana"

Aoka ny teninareo hiaraka amin'ny fahasoavana hatrany. Aoka ireo ho vonton-tsira

Ny sakafo misy sira dia sarin-tenin'ireo teny izay mampianatra ny hafa ary tian'ny hafa ny mihaino azy. "Aoka ny resakareo mba hiaraka amin'ny fahasoavana hatrany ary mahasarika"

mba hahafahanareo mahalala ny fomba tokony hamalianareo

"ny fomba hamalianareo ireo fanontaniana avy amin'iza na iza momba an'i Jesosy Kristy" na "mba ho afaka hitondra tsara ny olon-drehetra ianareo"

Colossians 4:7

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mamarana amin'ny torolalana manokana momba ny olona sasany sy fanaovam-beloma ho an'ny sy avy amin'ny mpino tsirairay.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Onesimosy dia andevon'i Filemona tany Kolosia. Nangalatra vola tamin'i Filemona izy ary nitsoaka tao Roma tao amin'izay nahalasa azy ho Kristiana tamin'ny alalan'ny asa fanompoan'i Paoly. Ankehitriny dia i Tykiko sy Onesimosy no mitondra ireo hafatr'i Paoly ho any Kolosia.

ireo zavatra momba ahy

"ny zava-drehetra izay niseho tamiko"

mpiara-manompo

Satria olon'afaka i Paoly, dia nahita ny tenany tahaka ny mpanompon'i Kristy izy ary nahita an'i Tykiko tahaka ny mpiara-manompo.

momba anay

Tsy tafiditra ao anatin'izany ireo Kolosiana.

ahafahany mampahery ny fonareo

Ny fo dia heverina ho foiben'ny fihetsem-po maro. DH: "mba hankahery anareo"

mahatoky sady malala

Paoly dia miantso an'i Onesimosy ho namana Kristiana ary mpanompon'i Kristy.

Izy ireo no hilaza

"Tykiko sy Onesimosy hilaza"

ny zava-drehetra izay efa nitranga taty

Izy ireo dia hilaza ireo amin'ireo mpino Kolosiana izay rehetra niseho amin'ny fotoana tsy maha-eo an'i Paoly. Ny tantara dia milaza fa Paoly dia tao Roma tany an-tranomaizina tamin'izany fotoana izany.

Colossians 4:10

Aristarko

Tany an-tranomaizina niaraka tamin'i Paoly tao Efesosy izy tamin'i Paoly nanoratra taratasy ho an'ireo Kolosiana.

raha mankany aminareo izy

"raha mankany aminareo i Marka"

Jesosy ihany koa izay antsoina hoe Josto

Lehilahy izay niara-niasa tamin'i Paoly ihany koa io.

Ireo avy amin'ny voafora ireo ihany no mpiara-miasa amiko ho an'ny fanjakan'Andriamanitra

Paoly eto dia mampiasa ny "famorana" mba hanehoana ireo Jiosy satria, eo ambanin'ny lalàn'ny Testamenta Taloha, ny Jiosy rehetra dia tsy maintsy voafora. DH: "Ireo lehilahy telo ireo ihany no Jiosy mpino miara-miasa amiko mba hitory an'Andriamanitra ho mpanjaka amin'ny alalan'i Kristy Jesosy"

Ireo avy amin'ny voafora

"Ireo lehilahy ireo- Aristakosy, Marka, ary Josto- izay avy amin'ny voafora"

Colossians 4:12

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Laodikia sy Hierapolia dia tao amin'ny tanàna akaiky an'i Kolosia.

Epafra

Epafra dia lehilahy iray izay nitory ny vaovao mahafaly tamin'ny olona tao Kolosia. (Jereo ny 1:7)

Iray aminareo

"avy amin'ny tanànanareo" na "lehilahy mpiray tanàna aminareo"

mpanompon'i Kristy Jesosy

"mpianatr'i Kristy Jesosy"

Mitolona am-bavaka ho anareo foana izy

"mivavaka ho anao hatrany"

mba hahatanteraka anareo ary hahazo antoka tanteraka

"tokony ho matotra sy mahatoky ianareo"

mijoro vavolombelona ho azy aho, fa miasa mafy ho anareo izy

"Izaho dia nahita fa miasa mafy ho anareo izy"

Demasy

mpiara-miasa amin'i Paoly iray hafa io.

Colossians 4:15

rahalahy

Midika hoe namana Kristiana izany eto, ao anatin'izany ny lehilahy sy vehivavy.

any Laodika

tanàna iray izay tena akaiky an'i Kolosia toerana izay misy fiangonana ihany koa

Nymfa, ary ny fiangonana izay ao an-tranony

Vehivavy iray izay atao hoe Nymfa nampiantrano fiangonana iray. DH: "Nymfa sy ireo vondron'ireo mpino nihaona tao an-tranony"

Lazao i Arikipo hoe: "Tandremo ny asa fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo, fa tokony ho tanterahinareo izany."

Paoly dia mampatsiahy an'i Arikipo ny asan'Andriamanitra nomena azy fa izy, Arikipo, dia eo ambanin'ny adidy amin'Andriamanitra hanatanteraka izany. Ireo teny hoe: "Tandremo," "izay noraisinao," ary "tokony hotanterahinao" dia samy maneho an'i Arikipo avokoa ka tokony atao hoe: ianao.

Colossians 4:18

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mamarana ny taratasiny amin'ny fanaovana veloma voasoratry ny tanany manokana.

Tsarovy ny fifatorako

Paoly miteny ny fatotra izay midika hoe izy tany an-tranomaizina. DH: "Tadidio aho ary mivavaha ho ahy rehefa any am-pigadrana aho"

Ho aminareo anie ny fahasoavana

Eto ny hoe: "fahasoavana" dia maneho an'Andriamanitra, izay mampiseho fahasoavana ary malemy fanahy amin'ireo mpino. DH: "Mivavaka aho mba hanome fahasoavana anareo rehetra hatrany ny Tompontsika Jesosy Kristy"