Plateau Malagasy: translationNotes Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 Timothy 1

2 Timothy 1:1

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Amin'ity boky ity, raha tsy hoe nasiana fanamarihana, ny teny hoe "isika" dia maneho an'i Paoly sy Timoty (ilay iray izay nanoratana ity taratasy ity), tahaka an'ireo mpino rehetra.

Paoly

Ny fiteninao dia mety manana fomba manokana hampidirana ny mpanoratra ny taratasy. DH: "Izaho, Paoly, dia manoratra ity taratasy ity."

tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra

"nohon'ny sitrapon'Andriamanitra" na "Satria Andriamanitra nitady izany." Paoly dia tonga apostoly satria tian'Andriamanitra ho aposotoly izy fa tsy nohon'ny nifidianan'ny olombelona azy.

araka ny

Ireo mety ho dikany: 1) "ho an'ny tanjon'ny." Izany dia midika fa Andriamanitra nanondro an'i Paoly mba hilaza ny hafa momban'ny fampanantenan'Andriamanitra ny fiainana ao amin'i Jesosy na 2) "amin'ny fitazonana ny." Izany Ity dia midika fa tahaka ny fampanantenan'Andriamanitra fa Jesosy manome ny fiainana, dia nanao an'i Paoly ho apostoly izy.

ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy

Paoly dia milaza momban'ny "fiainana" tahaka ny hoe zavatra ao anatin'iJesosy. Ity dia maneho ny fiainana raisin'ny olona izay vokatry ny maha-an'i Kristy. DH: "ny fiainana izay raisintsika vokatry ny maha-an'i Kristy"

zanaka tiana

"ry zaza malala" na "zanaka izay tiako. Timoty dia niova fo tamin'ny alalan'i Paoly, ka noho izany dia nanao azy ho toy ny zanany Paoly. DH: "izay toy ny zanaka malalako"

Fahasoavana, fiantrana, ary fiadanana avy amin'

"Ny fahasoavana, fiantrana, ary ny fiadanana anie ho anareo avy amin'ny" na "hiaina hatsaram-panahy, fahasoavana, fiantrana, ary fiadanana ao anatinao anie ianao avy amin'ny"

Andriamanitra ilay Ray

"Andriamanitra, izay Raintsika". Ity dia fiantsoana manan-danja an'Andrimanitra.

sy Kristy Jesosy Tompontsika

"Ary Kristy Jesosy, izay Tompontsika"

2 Timothy 1:3

izay tompoiko avy amin'ireo razambeko

"Izay tompoiko tahaka ny nataon'ireo razambeko"

miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio

Paoly dia miresaka momban'ny feon'ny fieritreretana tahaka ny hoe mety hadio ara-batana izany. Izany dia midika fa ny olona iray dia tsy mahatsiaro ho meloka satria niezaka nanao izay marina mandrakariva izy. DH: "Nahafantarana fa nanao ny mafy indrindra vitako aho mba hanao ny marina"

tahaka ny hahatsiarovako anao mandrakariva

"rehefa mahatsiaro anareo mandrakariva aho" na "rehefa mahatsiaro anareo amin'ny fotoana rehetra aho"

andro aman'alina

Eto ny hoe "alina sy andro" dia nampiasaina miaraka mba hilazana ny hoe "mandrakariva." DH: "Mandrakariva" na "foana"

maniry mafy ny hahita anao aho

"te-ahita mafy anao aho"

mety ho feno hafaliana aho

Paoly dia miresaka momban'ny tenany tahaka ny hoe daba izay afaka fenoin'ny olona iray izany. DH: "Mety ho feno hafaliana aho" na "mety manana fifaliana feno aho"

ny hahatsiarovako ireo ranomasonao

Paoly dia mampiasa "ranomaso" mba hilazana fijaliana. DH: "Mahatsiaro ny zavatra rehetra izay nampijaly anao aho"

Nampahatsiahivina tamiko ny finoanao

DH : "Tadidiko ihany koa ny finoanao" na " tsaroako ihany koa ny finoanao"

ny finoanao marina

"Ny finoanao izay tena izy" na "finoanao izay tso-po"

izay niaina voalohany tao amin'ny renibeanao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy lahatra aho izao fa miaina ao aminao ihany koa izany

Paoly dia miresaka momban'ny finoan'izy ireo toy ny hoe zavatra izay velona ary miaina ao amin'izy ireo. Paoly dia milaza fa manana karazana finoana mitovy izy ireo. DH: "Loisa, renibeanao, sy Eonisa, reninao, no nanana ny tena finoana voalohany, ary mahatoky aho fa ianao ihany koa dia manana ny tena finoana"

Loisa... Eonisa,

Ireo dia anaram-behivavy.

2 Timothy 1:6

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Paoly dia mankahery an'i Timoty mba hiaina amin'ny hery, fitiavana, sy fitsipika ary tsy ho menatra amin'ny fijalian'i Paoly any am-ponja nohon'ny finoany (finoan'i Paoly) an'i Kristy.

Izany no antony

"noho izany antony izany" na "nohon'ny finoanareo marina an'i Kristy"

hampiasanao indray ny fanomezan' Andriamanitra

Paoly dia miresaka momban'ny filàn'i Timoty hanomboka ny fampiasana ny fanomezany indray toy ny hoe mamerina mandehitra afo. DH: "Mba hanomboka hampiasa ny fanomezana indray"

ny fanomezan'Andriamanitra ao aminao amin'ny alalan'ny fametrahako tanana

"ny fanomezan'Andriamanitra izay noraisinareo tamin'ny alalan'ny fametrahako ny tanana" Izany doia milaza ny lanonana izay nametrahan'i Paoly tanana teo amin'ny Timoty ary nivavaka Fa Andriamanitra dia hamela azy hanao ny asa izay nodidiny ho atao.

Fa Andriamanitra

"Satria Andriamanitra"

Fa Andriamanitra tsy nanome fanahin'ny tahotra antsika, fa ny hery sy fitiavana ary fifehezan-tena.

Ireo mety ho dikany: 1) ny "fanahy" dia maneho ny "Fanahy Masina." DH: " Ny Fanahy Masin' Andriamanitra dia tsy mahatonga antsika hatahotra. Mahatonga antsika hanana hery sy fitiavana ary fifehezan-tena izany" na 2) ny "fanahy" dia maneho ny toetra. DH: "Andriamanitra dia tsy mahatonga antsika hatahotra fa mba hanana hery sy fitiavana ary fifehezan-tena"

fifehezan-tena

Ireo mety ho dikany: 1) ny hery hamehezana ny tenantsika na 2) ny hery mba hanitsiana ny olona hafa izay manao ny tsy mety.

2 Timothy 1:8

amin'ny fijoroana vavolombelona

"ny fijoroana vavolombelona" na "amin'ny fitenenana ny hafa"

ilay gadrany

"voafonja nohon'ny aminy" na "voafonja satria nijoro vavolombelona momban'ny Tompo"

mizarà amin'ny fahoriana ny filazantsara

Paoly dia miresaka momban'ny fahoriany toy ny hoe zavatra izay afaka zaraina teo amin'ny olona izany. DH: "miaraka ory amiko ho an'ny filazantsara"

araka ny herin'Andriamanitra

"mamela an'Andriamanitra hanao anao ho mafy"

tamin'ny antso masina

"miaraka amin'ny antso izay manokana antsika ho olony" na" mba ho olo-masiny"

Nanao izany Izy

"namonjy sy niantso antsika Izy"

tsy hoe noho ireo asantsika

"tsy nohon'ny nanaovantsika ny zavatra rehetra mba ho mendrika an'izany"

fa nohon'ny drafitra izay efa nataony sy ny fahasoavany

"fa nohon'ny fikasany hampiseho hatsaram-panahy amintsika"

Na dia mbola tsy niandoha aza ny fotoana

"talohan'ny niandohan'izao tontolo izao" na "talohan'ny niandohan'ny fotoana"

ny famonjen'Andriamanitra dia nambara

Paoly dia miresaka momban'ny famonjena toy ny hoe zavatra izay afaka haharihary sy ampisehoina amin'ny olona izany. DH: "Andriamanitra dia nampiseho ny fomba hamonjeny antsika"

tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesosy Mpanavotra antsika

"tamin'ny alalan'ny fandefasana an'i Kristy Jesosy mpamonjy antsika"

izay nanafoana ny fahafatesana

Paoly mdia miresaka momban'ny fahafatesana toy ny hoe dingana tsy miankina fa tsy zava-miseho amin'ny fahafatesan'ny olona. DH: "izay nandrava ny fahafatesana" na "izay nanao izany ho azo atao amin'ny olona izay tsy mitoetra amin'ny fahafatesana mandrakizay"

mba hanazava amin'ny alalan'ny filazantsara

I Paoly dia miresaka momban'ny fampianarana ny fiainana mandrakizay tahaka ny ho zavatra izay afaka entina avy amin'ny fahamaizinana ho amin'ny fahazavana mba hahafahan'ny olona mahita izany. DH"nampianatra momban'ny fiainana izay tsy misy fiafarany dia amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazantsara"

voatondro ho mpitory teny aho

DH: "Andriamanitra nifidy ahy ho mpitory"

2 Timothy 1:12

Fa noho izany antony izany

"Satria apostoly aho"

mijaly amin'ireny zavatra ireny ihany koa aho

Paoly dia milaza ny maha-gadra azy.

mitazona izay efa nankiniko taminy Izy

Paoly dia mampiasa sarinteny momban'ny olona misintaka amin'ny zavatra iray miaraka amin'ny olona hafa izay tokony hiaro izany mandra-pameriny izany amin'ilay olona voalohany. Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia mahatoky an'i Kristy hanampy azy hitoetra am-pahatokisana na 2) I Paoly dia mahatoky fa hanome antoka Jesosy fa ny olona dia hanohy hanaparitaka ny hafatry ny filazantsara.

izany andro izany

Ity dia maneho ny andro hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra.

Tazomy ny ohatra momba ireo hafatry ny finoana izay henonareo tamiko

"tohizo ny fampianarana ny hevitra marina izay nampinariko anareo" na " ampiasao ny fomba nampianarako anareo toy ny modely hoe amin'ny fomba inona na ahoana ny tokony ampianaranareo"

miaraka amin'ny finoana sy fitiavana izay ao amin'i Kristy Jesosy

"tahaka ny fahatokisanareo an'i Jesosy Kristy sy ny fitiavanareo Azy"

Ny zavatra tsara

Ity dia maneho ny asa fitoriana tsara ny filazantsara.

ambeno... izany

Timoty dia mila mailo satria ny olona dia hanohitra ny asany, hiezaka ny anajanona azy, ary hanova izay lazainy.

amin'ny alalan'ny Fanahy Masina

"miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina"

2 Timothy 1:15

nivadika tamiko

Paoly dia miresaka momban'ny fanatsaharan'izy ireo ny fanampiana toy ny hoe niala taminy ara-batana izy iroe. Namela an'i Paoly izy ireo satria nalefan'ny fahefana tany am-ponja izy. DH: "nitsahatra nanampy ahy"

Fizelio sy ireo Hermozena ... Onesiforo

Anaran-dehilahy ireo.

amin'ny tokantranon'

"Amin'ny fianakaviana"

tsy menatra tamin'ny gadrako

Eto ny hoe "gadrako" dia hevitra ambadika amin'ny hoe any am-ponja. Onesiforo dia tsy mentra hoe tany am-ponja Paoly fa tonga namangy azy matetika izy. DH: "Tsy menatra hoe tany am-ponja aho"

Ny Tompo anie hampiseho azy ka hahitany famindram-po avy aminy

"Onesiforo anie handray ny famindram-po avy amin'ny Tompo" na "ny Tompo anie hampiseho famindram-po aminy"

hahitany famindram-po avy aminy

Paoly dia miresaka momban'ny fiantrana toy ny hoe zavatra izay mety ho hita izany.

amin'izany andro izany

Ity dia maneho ny andro hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra.

2 Timothy 2

2 Timothy 2:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mamaritra ny fiainan'ny Kristianin'i Timoty tahaka ny fiainan'ny miaramila, tahaka ny fiainan'ny mpamboly, ary tahaka ny fiainan'ny atleta.

ry zanako

Paoly dia nanao an'i Timoty ho toy ny zanany satria nampianatra an'i Timoty mba hino an'i Kristy izy. DH: "izay toy ny zanako"

mahereza ao amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Jesosy Kristy

Paoly dia miresaka momban'ny fahazotoana sy ny fanapahan-kevitra izay navelan'ny fahasaoavan'Andriamanitra hananan'ireo mpino. DH: "Aoka Andriamanitra hampiasa ny fahasoavana izay nomeny anareo tamin'ny alalan'ny fifandraisanareo tamin'i Jesosy Kristy mba hanao anareo ho mahery"

teo anatrehan'ny vavolombelona maro

"miaraka amin'ny vavolombelona maro teo izay manaiky fa izay voalazako dia marina"

hankino amin'ny olona mahatoky

Paoly dia miresaka momban'ireo torolalany amin'i Timoty toy ny hoe zavatra izay afaka omen'i Timoty amin'ny olona hafa ary hahatokisany azy ireo fa hampiasa izany tsara. DH: "manaiky azy ireo" na "mampianatra azy ireo"

2 Timothy 2:3

Mihareta zava-tsarotra miaraka amiko

Ireo mety ho dikany: 1) "mihareta fijaliana tahaka ny niainako" na 2) "mizara amin'ny fijaliako"

toy ny miaramila tsaran'i Jesosy Kristy

Paoly dia mampitaha ny fijalian'i Jesosy Kristy amin'ny fijaliana izay hiaretan'ny miaramila tsara.

Tsy misy miaramila manompo raha mbola voafandrik'ireo rahaharan'izao fiainana izao

"Tsy misy miaramila nanompo rehefa ao anatin'ny rahararahan'ny andavanandrom-piainana izy" na "rehefa manompo ireo miaramila, dia tsy ho variana amin'ireo zavatra tsotra izay ataon'ny olona izy ireo" Ireo mpanompon'i Kristy dia tsy tokony mamela ny fiainana andavanandro hitazona azy ireo amin'ny fiasana ho an'i Kristy.

mbola voafandriky

Paoly dia miresaka momban'ity fandrembirebena ity toy ny hoe harato izay mamandrika ny olona eny am-pandehanana.

ny lehibeny

"Ilay iray izay nandrotsaka azy ho miaramila" na " ilay iray izay mibaiko azy"

toy ny atleta, dia tsy mandray ny satro-boninahitra izy raha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika

Paoly dia miresaka an'ireo mpanompon'i Kristy toy ny hoe atleta izy ireo.

tsy mandray ny satro-boninahitra izy raha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika

DH: "raha mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika ihany izy vao homen'izy ireo ny satro-boninahitra toy ny mpandresy"

tsy mandray ny satro-boninahitra izy

"tsy mahazo ny loka izy." Ny atleta tamin'ny andron'i Paoly dia nomena satro-boninahitra miaraka amin'ny fehiloha vita ay amin'ny ravin-java-maniry rehefa mandresy amin'ny fifaninana.

mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika

"mifaninana araka ireo fitsipika" na "mankatoa tanteraka ireo fitsipika"

2 Timothy 2:6

Ilaina ny fandraisan'ilay mpamboly izay miasa mafy ny anjara vokany voalohany

Ity no sarinteny fahatelo izay omen'i Paoly an'i Timoty momban'ny asa. Ny mpamaky dia tokony hahazo fa ny mpanompon'i Kristy dia mila miasa mafy.

Saino ny momba izay lazaiko

Paoly dia nanome sarinteny tamin'i Timoty, fa tsy nanazava tsara ireo dikany. Nanantena an'i Timoty hahazo an-tsaina izay nolazainy momban'ireo mpanompon'i Kristy izy.

fa ny Tompo

"satria ny Tompo"

2 Timothy 2:8

Fampifandraisan ny foto-kevitra

Paoly dia manome torolalana an'i Timoty ny amin'ny fomba tokony hiainana ho an'i Kristy, ahoana ny hijaliana ho an'i Kristy, ary ahoana ny hampianarana ny hafa mba hiaina ho an'i Kristy.

avy amin'ny taranak'i Davida

DH: "izay taranak'i Davida"

izay natsangana tamin'ireo maty

DH: "izay natsangan'Andriamanitra"

araka ny hafatry ny filazantsarako

Paoly dia miresaka momban'ny hafatry ny filazantsara toy ny hoe azy manokana izany. Milaza izy fa ity no hafatry ny filazantsara izay ambarany. DH: "izay araky ny hafatrin'ny filazantsara izay toriko"

ny amin'ny hoe voafatotra

Eto ny hoe "voafatotra" dia midika ny hoe any am-ponja. DH: "Ao anatin'izany ny figadrana"

ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafatotra

Eto ny hoe "voafatotra" dia maneho ny hoe figadrana. DH: "Tsy misy olona afaka mametraka ny tenin'Andriamanitra any am-pigadrana" na "tsy misy olona afaka misakana ny tenin' Andriamanitra"

an'ireo voafidy

DH: "Ho an'ireo olona izay nofidian'Andiamanitra"

mba ho afaka handray ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy ihany koa izy ireo

Paoly dia miresaka ny famonjena toy ny hoe zavatra izay azo samborina izany. DH: "handray ny famonjena avy amin'i Jesosy Kristy"

amin'ny voninahitra mandrakizay

"ary mba ho ao aminy mandrakariva izy ireo ao amin'ny toeram-boninahitra izay misy azy"

2 Timothy 2:11

Raha maty niaraka taminy isika.. tsy afaka mandà ny tenany izy

Ity dia mitovy kokoa amin'ny hira na tononkalo izay notsongain'i Paoly.

maty niaraka taminy

Paoly dia mampiasa ity fomba fiteny ity mba hilazana fa mizara ny fahafatesan'i Krtisty ny olona rehefa mahatoky Azy, mandà izay irian'izy ireo, ary mankatoa Azy.

Raha tsy mahatoky isika

"na dia tsy nahomby tamin'Andriamanitra aza isika" na " na dia tsy manao izay hinoantsika fa tian'Andriamanitra ho ataontsika aza isika"

tsy afaka mandà ny tenany izy

"Tsy maintsy miasa araka ny toetrany foana Izy" na "tsy afaka miasa amin'ny fomba manohitra ny tena toetrany Izy"

2 Timothy 2:14

Fampahafantarana amin'ny anakapobeny

Ny teny hoe "izy ireo" dia maneho ireo "mampianatra" na "ireo olona ao amin'ny fiangonana"

eo anatrehan'Andriamanitra

Paoly dia miresaka momban'ny fahafantaran'Andriamanitra an'i Paoly toy ny hoe eo anatrehan'Andriamanitra izy. Izany dia midika fa Andriamanitra dia ho vavolombelon'i Timoty. DH: "eo anatrehan'Andriamanitra" na "miaraka amin'Andriamanitra ho vavolombelonao"

mba tsy hifamaly momba ireo teny

"mba tsy hifamaly amin'ny dikan'ny teny" na "mba tsy hifamaly momban'ireo zavatra adala lazain'ny olona"

Noho io dia tsy misy zavatra ilaina

"tsy manome tombontsoa an'iza na iza izany"

Noho io dia misy fahasimbana ho an'ireo izay mihaino

Ny sary dia firodanan'ny trano iray. Ireo izay maheno ny fifamaliana dia mitsahatra ny manaja ny hafatra Kristiana. Rava ny finoan'izy ireo. DH: " Ity dia manimba ny finonan'ireo izay mihaino ihany"

mba hanoloranao tena ho an'Andriamanitra tahaka ilay ankatoavina, mpiasa izay tsy manana antony hahamenarana

"mba hanolorana ny tenanao ho an'Andriamanitra tahaka ny olona izay noporofoina ho mendrika sy tsy misy antony mahamenatra.

tahaka ilay ankatoavina, mpiasa

"toy ny mpiasa lahy" na "toy ny mpiasa." Paoly dia mampiseho ny hevitr'i Timoty tsara amin'ny fanazavana ny tenin'Andriamanitra toy ny hoe mpiasa mahay izy.

mampianatra ny tenin'ny fahamarinana amin'ny tokony ho izy

Eto ny hoe "teny" dia midika hoe hafatra. DH: "manazava tsara ny hafatra marina"

2 Timothy 2:16

izay mitondra tsikelikely any amin'ny faharatsim-panahy

Paoly dia miresaka momban'izany karazana fiteny izany toy ny hoe zavatra afaka mietsika amin'ny toerana hafa izany, ary miresaka momban'ny faharatsim-panahy toy ny hoe toerana hafa. DH: "Izay mahatonga ny olona ho ratsy fanahy tsikelikely"

Ny resak'izy ireo dia hiely toy ny fery mandoaka

Tahaka ny fery mandoaka miparitaka aingana dia aingana amin'ny vatan'ny olona iray ary manimba azy, dia hiparitaka amin'ny olona iray mankany amin'ny olona iray hafa ary mandratra ny finoan'ireo izay mandre izany koa izay nolazain'ireny olona ireny. DH: "izay lazain'izy ireo dia hiparitaka toy ny areti-mifindra" na "ny tenin'izy ireo dia hiparitaka aingana ary hahatonga faharavana toy ny fery mandoaka"

ny fery mandoaka

"noho maty, mihintsana." Ny fomba manokana hitazonana ny fery mandoaka amin'ny fiparitahana sy famonoana ilay olona marary dia ny fanalana ny faritra voakasika.

Hymeneo sy Fileto

Anaran-dehilahy ireo.

tsy mba nahalala ny marina

Paoly dia miresaka momban'ny fahamarinana toy ny hoe tanjona izay ho tratrarina izany. Paolydia milaza fa ireo lehilahy ireo dia tsy nahalala ny fahamarinana ary mampianatra zavatra diso.

ny fitsanganana amin'ny maty dia efa nitranga

"Andriamanitra dia efa nanangana ireo mpino maty ho amin'ny fiainana mandrakizay"

Simbain'izy ireo ny finoan'ny sasany

Paoly dia miresaka momban'ny faharavan'ny finoan'ny olona toy ny hoe nazera ny finoan'izy ireo. DH: "Nosimbain'izy ireo ny finoan'ny olona sasany" na "Nahatonga ny olona hitsahatra amin'ny finoana izy ireo"

2 Timothy 2:19

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Tahaka ny fitoeran-javatra sarobidy sy iombonana afaka hampiasaina amin'ny fomba mendrika ao amin'ny trano manan-karena, dia afaka ampiasain'Andriamanitra amin'ny fomba feno voninahitra amin'ny fanaovana asa tsara izay olona mitodika amin'Andriamanitra .

ny fototra mafy orin'Andriamanitra dia mijoro

Ireo mety ho dikany: 1) "ny fahamarinan' Andriamanitra dia toy ny fototra mafy orina" na 2) "Andriamanitra dia nanorina ny olony toy trano amin'ny fototra tsara orina na "3) "ny fahatokisan' Andriamanitra dia toy ny fototra mafy orina." Amin'ny tranga rehetra, dia miresaka ny heviny toy ny fanorenan-trano natao teo amin'ny tany Paoly.

Izay rehetra manonona ny anaran'ny Tompo

"Izay miantso ny anaran'ny Tompo." Eto ny hoe "anaran'ny Tompo" dia maneho ny Tompo tenany ihany. DH: "izay miantso ny Tompo" na "izay milaza fa izy dia mpino ao amin'i Kristy"

miala amin'ny tsy fahamarinana

Paoly dia miresaka ny tsy fahamarinana toy ny hoe toerana afaka hiainantsika izany. DH: "atsaharo ny faharatsiana" na "atsaharo ny fanaovana ireo zavatra ratsy"

ireo fitoeran'ny volamena sy volafotsy... ireo fitoeran'ny hazo sy tanimanga

Eto ny hoe "fitoerana" dia teny ankapobeny amin'ny vilia baolina, vilia ary vilany, izay ametrahan'ny olona sakafo na zava-pisotro ao anatiny na eo amboniny. Paoly dia mampiasa ity toy ny sarinteny mba hamaritana ireo karazan'olona.

ampiasaina am-boninahitra...amin'ny fanalam-baraka

Ireo mety ho dikany: 1) "fotoana manokana... fotoana tsotra" na 2) " ireo karazana fiaraha-mientana ataon'ny olona ampahibemaso ... Ireo karazana fiaraha-mientana ataon'ny olona an-tsokosoko."

manadio ny tenany ho afaka amin'ny fahafaham-baraka

Ireo mety ho dikany: 1) "manasaraka ny tenany amin'ny olona tsy mendrika" na 2) manao ny tenany ho madio." Amin'ny tranga rehetra, Paoly dia miresaka momban'ity dingana ity toy ny hoe olona manasa ny tenany.

fitoerana manan-kaja izy

Paoly dia miresaka momban'ity olona ity toy ny hoe fitoerana manan-kaja. DH: "Izy dia toy ny fitoerana izay azo ampisaina amin'ny fotoana manokana" na "izy dia toy ny fitoerana izay azo ampiasaina amin'ny fiaraha-mientana izay ataon'ny olona tsara ampahibemaso"

Izy dia voatokana, ilain'ny Tompony, ary voaomana amin'ny asa tsara rehetra

DH: "Ny Tompo dia manokana azy, ary vonona ho ampiasain'ny Tompo amin'ny asa tsara rehetra izy"

Izy dia voatokana

Tsy natokana ara-batana izy na amin'ny hevitry ny toerana, fa kosa mba hanatanteraka ny tanjona.

2 Timothy 2:22

Mandosira an'ireo filàn'ny tanora

Paoly dia miresaka momban'ny filàn'ny tanora toy ny hoe olona mampidi-doza na biby izay tokony handosiran'i Timoty izany. DH: "Andosiro tanteraka ireo filàn'ny tanora" na "aza manaiky ny hanao ireo zavatra ratsy izay hirian'ny olona tanora hatao mafy mihintsy"

Mikatsaha fahamarinana

Eto ny hoe "mikatsaha" dia mifanohitra amin'ny hoe "Mandosira." Paoly dia miresaka momban'ny fahamarinanana toy ny hoe zavatra tsara izay hanao an'i Timoty ho tsara ka mba hihazakazaka amin'izany izy. DH: "hezaho ny tsara indrindra aminao mba hahazoana ny fahamarinana"na "tadiavo ny fahamarinana"

miaraka amin'ireo

Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia maniry an'i Timoty mba hiaraka amin'ireo mpino hafa rehetra amin'ny fanenjehana ny fahamarinana , finoana, fitiavana, ary fiadanana, na 2) Paoly dia maniry an'i Timoty mba hiadana ary tsy hifamaly amin'ireo mpino hafa.

ireo izay miantso ny Tompo

Eto ny hoe "miantso ny Tompo" dia fomba fiteny izay midika hoe mahatoky sy midera ny Tompo. DH: "Ireo izay midera ny Tompo"

amin'ny fo madio

Paoly dia miresaka momban'ireo antony hiantsoana an'Andriamanitra toy ny hoe antony ara-batana izany, mivoaka avy ao am-pony. DH: "amin'ny antony tsara"

fo madio

Paoly dia miresaka momban'ireo antony tsara amin'ny fanaovana zavatra iray toy ny hoe avy ao am-po izay madio ara-batana izany.

mandàva ireo fanontaniana adala sy tsy misy fotony

"mandàva ny hamaly ireo fanotaniana adala sy tsy misy fotony." Paoly dia milaza fa ny olona izay mametraka fanotaniana toy izany dia adala sy tsy misy fotony. DH: "aza mety mamaly ireo fanotaniana izay tian'ireo olona adala tsy te- hahalala ny marina anotaniana"

fa miteraka ady ireo

Paoly dia miresaka momban'ireo fanotaniana tsy misy fotony toy ny hoe vehivavy miteraka izany. DH: "mahatonga fifamaliana ireo"

2 Timothy 2:24

ao amin'ny fahalemem-panahy

"fanekena amim-pahatsorana" na "moramora"

no ampianarany

"no hanitsianay ireo"

Fa angamba Andriamanitra mety hanome azy ireo fibebahana

Paoly dia miresaka momban'ny fibebabhana toy ny hoe zavatra izay afaka omen'Andriamanitra ny olona izany. DH: "Andriamanitra dia mety hanome azy ireo ny fahafahana hibebaka"

ho an'ny fahalalana ny marina

"mba hafantaran'izy ireo ny marina"

Mety hody indray ny fisainan'izy ireo

Paoly dia miresaka momba ireo mpanota mianatra ny hieritreritra tsara momban' Andriamanitra toy ny hoe olona mamo izy ireo ka mety hody indray ny fisainan'izy ireo. DH: "Mety hieritreritra tsara indray izy ireo"

ary handao ny fandriky ny devoly

Paoly dia miresaka momban'ny fahaizan'ny devoly mandresy lahatra ireo Kristiana mba hanota toy ny hoe fandrka izany. DH: "ary hatsaharo ny fanaovana izay irian'ny devoly atao"

rehefa avy nosamboriny tamin'ny sitrapony

Paoly dia miresaka momban'ny devoly raha mandresy lahatra ireo Kristiana hanota izy toy ny hoe nosamboran'ny devoly izy ireo ary natao ho andevo. DH: "taorian'ny namitahany azy ireo mba hankatoa ny sitrapony"

2 Timothy 3

2 Timothy 3:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

I Paoly dia namela an'i Timoty ahafantatra fa any aoriana any dia hiala amin'ny marina ny olona; ary na dia hisy fanenjehana aza, afaka miankina amin'ny soratra masin'Andriamanitra izy.

amin'ireo andro farany

Ireo mety ho dikany dia 1) Fotoana aorian'ny andron'i Paoly izany. DH: "any aoriana any mialohan'ny fiverenan'i Kristy" na 2) izany dia manambara ny vaninandro Kristiana, ao anatin'izany ny andron'i Paoly. DH: "amin'izao fotoana izao, mialohan'ny farany"

fotoan-tsarotra

Ireo no andro, volana, na ny taona izay hiaretan'ny Kristiana fijaliana sy loza.

tia tena

Eto ny "tia" dia ilazana ny fitiavana ara-pirahalahiana na fitiavana ny namana na isan'ny ao amin'ny fianakaviana, fitiavan'ny olombelona misy eo amin'ireo mpinamana sy ireo mpihavana. Tsy ilay karazana fitiavana avy amin'Andriamanitra izany."

mpirehareha

miresaka momban'ny tenany amin'ny fireharehana

Tsy hanam-pitiavana

"tsy mitia ny fianakavian'izy ireo akory"

mpanohitohitra

"tsy manaiky an'iza na iza" na "tsy miaina am-pihavanana amin'iza na iza"

mpanendrikendrika

"ireo mpiampanga lainga"

hahery setra

"masiaka" na "matetika manao zavatra handratrana olona hafa"

tsy ho tia ny tsara

"mpankahala ny tsara"

tsy misy eritreritra

"maimaika" na "tsy mitandrina." Midika hoe manao zavatra tsy am-piheverana ny mety ho vokatr'izany.

mpanambony tena

"mihevitra fa izy ireo dia tsara kokoa noho ny olona hafa"

2 Timothy 3:5

Hanana ny toetra toy ny an'Andriamanitra

Resahin'i Paoly toy ny hoe zavatra manana endrika ny toetra araka an'Andriamanitra sy fahazarana manome voninahitra Azy. DH: "miseho amin'ny toetra araka an'Andriamanitra" na "miseho ho manome voninahitra an'Andriamanitra"

handà ny heriny

Resahin'i Paoly toy ny hoe zavatra manana hery ny toetra araka an'Andriamanitra. Ireo mety ho dikany 1) "handà ny hanaiky ny hery izay tena tian'Andriamanitra omena azy ireo" na 2) "ny fiainan'izy ireo dia tsy hanamporofo ny toetran'Andriamanitra izay lazaina izy ireo fa hananany."

Mialà amin'ireny

I Paoly dia miresaka momba ny fialana ara-batana amin'ireny olona ireny, saingy amin'ny ankapobeny dia maniry ireo mpamaky izy mba hanao izay rehetra azo atao mba hialana amin'ireny. DH: "hiala amin'ireny olona ireny"

vehivavy adala

"ireo vehivavy malemy ara-panahy." izany dia satria izy ireo dia tsy nahomby tamin'ny fahatongavana ho araka ny toetran'Andriamanitra na satria izy ireo dia malaina sady be fahotana.

izay tsy afaka amin'ny fahotana

Ireo mety ho dikany 1)"izay manota matetika'' na 2) izay mahatsiaro tena ho meloka satria nanohy ny fahotana." Ny hevitra tiana haseho amin'zany dia hoe afaka misarika moramora ireo vehivavy ireo lehilahy ireo satria tsy afa-mitsahatra ny hanota ireo vehivavy ireo.

voatarika amin'ireo filàna samihafa

Resahin'i Paoly toy ny hoe afaka mitarika olona hafa ireo filàna samihafa. DH : "ary izy ireo dia maniry ny hanota amin'ny fomba maro fa tsy hankatoa an'i Kristy"

2 Timothy 3:8

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

I Paoly dia manome ohatra ny amin'ny ireo mpampianatra sandoka tamin'ny andron'i Moesy ary mampifandray izany amin'ny olona ho avy. Mankahery an'i Timoty mba hanaraka ny ohatr'i Paoly ary hitoetra amin'ny tenin'Andriamanitra izy.

Jana sy i Jambra

Ireo anarana olona roa ireo dia ato amin'ny Baiboly ihany no ahitana azy. Misy miantso azy ireo hoe mpanao ody Egyptiana izay nanohitra an'i Mosesy tao amin'ny Eksodosy.

nitsangana...hanohitra

Resahin'i Paoly toy ny hoemitsangana manohitra azy ireo ny olona izay mifamaly amin'ny olona iray hafa. DH: "nanohitra"

hanohitra ny marina

"manohitra ny filazantsara an'i Jesosy"

ireo dia lehilahy simba fisainana

"Izy ireo dia tsy afaka ny hihevitra tsara"

tsy nankasitrahana tamin'ny finoana

Notsapaina tamin'ny fomba nitokina'izy ireo tamin'i Kristy sy ny fankatoavana Azy izy ireo, ary tsy nahomby tamin'ny fitsapana. DH: "tsy manana finoana marina" na "ary voaporofo fa ny finoan'izy ireo dia tsy tena izy"

tsy handroso lavitra izy ireo

I Paoly dia mampiasa fomba fiteny momban'ny fihetsehana ara-batana mba hilazana fa ireo mpampianatra sandoka dia tsy hahomby velively eo amin'ireo mpino. DH: "tsy hahomby velively izy ireo"

hadalany

"tsy fahampian-tsaina" na "fahadalana"

hita mazava

"mora fantatra"

ireo lehilahy ireo

"i Jana sy i Jambra"

2 Timothy 3:10

ianareo ... nanaraka ny fampianarako

Ataon'i Paoly toy ny hoe manaraka azy ireo rehefa mandeha ny fandinihana tsara ireo zavatra ireo. DH: "nandinika ianareo" na "nandinika tsara ny fampianarako ianareo"

Fampianarana

"torolalana"

fitondrana

"Fomba fiaina"

ny faharetam-po

"faharetana amin'ny olona"

faharetana

"fiaretana manoloana ny zava-tsarotra"

Avy amin'ireo rehetra ireo, dia namonjy ahy ny Tompo

Ataon'i Paoly toy ny hoe noesorin'Andriamanitra tamin'ny toerana iray izy rehefa nampitsaharin'Andriamanitra tamin'ny fiaretana fijaliana sy loza.

hiaina araka ny fomban'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy

"mba hiaina ny fiainana araka ny toetran'Andriamanitra tahaka ny mpanara-dia an'i Jesosy"

dia ho enjehina

Azo atao hoe DH: "dia tsy maintsy hiaritra fanenjehana"

mpisandoka

"ireo mpamitaka" na "ireo olona izay mihambo ho hafa noho ny tena izy"

ho any amin'ny ratsy kokoa hatrany

"Hiha-ratsy kokoa"

hitarika ireo olon-kafa ho any amin'ny lalan-diso

"hahatonga ny olona tsy hankatoa an'i Kristy"

izy ireo tenany dia ho voatarika amin'izany

Azo atao hoe DH: "ary ireo olona hafa dia hahatonga azy ireo tsy hankatoa an'i Kristy"

2 Timothy 3:14

mitoera ao amin'ireo zavatra izay efa nianaranareo

Ataon'i Paoly toy ny hoe toerana izay afaka hijanonan'i Timoty ny fampianarana ara-baiboly. DH: "aza manadino izay nianaranareo ianareo" na "tohizo ny fampiharana izay efa nianaranareo"

soratra masina ianareo. Ireny dia ahavita hampahendry anareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy.

Ataon'i Paoly toy ny hoe olona iray izay afaka manome fahendrena ny olona iray hafany ny soratra masina . DH: "fa rehefa mamaky ny tenin'Andriamanitra ianareo, dia hanjary hanam-pahendrena mba hahazahoana famonjena avy amin'i Kristy Jesosy amin'ny finoana"

2 Timothy 3:16

Ny Soratra Masina rehetra dia avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra

"Ny soratra masina rehetra dia bitsik'Andriamanitra." Izany dia midika fa Andriamanitra dia nanao ny soratra masina tamin'ny alalan'ny Fanahy izay manoro ny olona izay tokony ho soratana. Azo atao hoe DH: "Andriamanitra nilaza ny soratra masina rehetra tamin'ny alalan'ny Fanahiny"

Izany dia tombony

"tena ilaina izany" na "ahazoana tombony izany"

ho an'ny fanitsiana

"fanitsiana ireo diso"

ho an'ny fampiofanana amin'ny fahamarinana

"ho fampianarana ny olona mba ho marina"

ny lehilahin'Andriamanitra

Ilazana ny mpino ao amin'Andriamanitra na lahy na vavy io. DH: "ireo mpino rehetra"

hahay tsara, sy ho voaomana

"mba ho vonona tanteraka"

2 Timothy 4

2 Timothy 4:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampatsiahy an'i Timoty hatrany i Paoly mba ho mahatoky, ary ambarany fa vonona ho faty izy.

ity didy entitra ity

"didy matotra"

eo anatrehan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy

"eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy." Mandroso hevitra izany fa Andriamanitra sy Jesosy no vavolombelon'i Paoly. DH: ''miaraka amin'Andriamanitra sy i Kristy Jesosy ho vavolombeloko"

ny velona sy ny maty

Eto ny "velona" sy ny "maty" dia miara-ampaisaina mba hilazana ny olona rehetra. DH: "Ny olona rehetra izay efa velona"

ary noho ny fisehoany sy ny fanjakany

Eto ny "fanjakana" dia ilazana ny fanapahan'i Kristy amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "rehefa miverina mba hanapaka amin'ny maha mpanjaka Azy Izy"

ny Teny

Eto ny "teny" dia entina ilazana ny hafatra. DH: "ny hafatra momba an'i Kristy"

tsy amin'ny fotoanany

Eto ny hevitry ny hoe "fotoanany" dia efa fantatra. DH: "rehefa tsy mety izany"

Mananàra

"Lazao amin'ny olona rehefa meloka izy ireo" na "lazao amin'ny olona izay tsy nety nataon'izy ireo"

mamporisiha, am-paharetana sy amin'ny fampianarana rehetra

''mamporisiha, mampianara ny olona, ary manàna faharetana mandrakariva amin'izy ireo"

2 Timothy 4:3

Satria ho avy ny fotoana

"Satria any aoriana any"

ny olona

Izany dia maneho ireo olona ireo dia ho isan'ny fivondronan'ny mpino.

tsy hazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema

"tsy haniry haheno ny feon'ny fampianarana"

ny fampianarana tsy misy kilema

Izany dia ilazana ny fampianarana izay marina, araka ny tenin'Andriamanitra.

izy ireo dia hisafidy mpampianatra ho azy araka ireo faniriany manokana

DH: "izy ireo dia hihaino ireo mpampianatra maro izay manome toky azy ireo fa tsy misy maha-diso ny filan-dratsin'izy ireo"

Ireo dia hanitikitika ny sofin'izy ireo

Io dia fomba fiteny izay midika fa hankafy hihaino fampianarana hafa sy vaovao ny olona. DH: "amin'izany, izy ireo dia hitady zava-baovao sy hafa hianarana"

Hanala ny sofiny amin'ny fahamarinana izy ireo

Ataon'i Paoly toy ny hoe miala lavitra mba tsy handre mihitsy ireo olona izay tsy liana intsony. DH: "tsy hitandrina ny marina intsony izy ireo"

ary hivily ho any amin'ireo angano

Ataon'i Paoly toy ny hoe mitodika amin'ny angano mihitsy ny olona manomboka liana amin'ny anganongano. DH: "ho liana amin'ny fampianarana izay tsy marina izay ireo"

eritrereto tsara

Tian'i Paoly ireo mpamaky mba hihevitra tsara momba ny zava-drehetra, ary ataon'i Paoly toy ny hoe tiany ho vori-saina tsara izy ireo fa tsy mamon-divay. DH: "mihevitra tsara"

ny asan'ny evanjelista

Izany dia midika filazana amin'ny olona ny amin'ny hoe iza i Jesosy, inona no nataony ho azy ireo, ary ahoana no tokony ho fomba hiainan'izy ho Azy.

2 Timothy 4:6

Satria efa ho atolotra sahady aho

I Paoly dia miresaka momban'ny fahavononany ho faty tahaka ny hoe kapoaka divay izay hararaka ho fanatitra ho an'Andriamanitra.

Efa tonga ny fotoana hialako

Eto ny teny hoe "hialako" dia fomba mihaja ilazana ny fahafatesana. DH: "tsy ho ela dia ho faty aho ary hiala amin'izao tontolo izao"

Izaho dia efa nahavita ny ady tsara

I Paoly dia miresaka momban'ny asa mafiny tahaka ny hoe atelta iray mifaninana mba hahazo ny loka izany. DH: "nanao ny tsara indrindra vitako aho"

efa nahavita ny hazakazaka aho

I Paoly dia miresaka mombn'ny fiainany amin'ny fanompoana an'Andriamanitra tahaka ny hoe nihazakazaka tamin'ny fihazakazaka tamin'ny tongotra izy. DH: "Efa nahita izay tokony nataoko aho"

notazomiko ny finoana

I Paoly dia miresaka momban'ny fahatokisana an'i Kristy sy ny fankatoavana an'Andriamanitra tahaka ny hoe zavatra manan-danja izay afaka hazoniny ho azy izany. Ireo mety ho dikany 1) Izaho dia nahatoky tamin'ny fanaovana ny asa fanompoako" na 2) "nitazona ny fampianarana momban'izay hinoantsika avy amin'ny fahadisoaana aho"

Ny satro-boninahitry ny fahamarinana dia efa voatokana ho ahy

Azo atao hoe DH: "Andriamanitra dia nanokana ny satro-boninahitry ny fahamarinana ho ahy"

Ny satro-boninahitry ny fahamarinana

Ireo mety ho dikany 1) ny satro-boninahitra no loka omen'Andriamanitra ny olona izay niaina tamin'ny fomba marina na 2) ny satro-boninahitra dia sarin-teny maneho ny fahamarinana. Toy ny fanomezan'ny mpitsara ny hazakazaka satro-boninahitra ho an'ny mpandresy, rehefa tapitra ny ain'i Paoly, dia hanambara Andriamanitra fa marina i Paoly.

Ny satro-boninahitry

Fehiloha iray vita tamin'ny ravina zava-maniry izay nomena ny mpandresy amin'ny fifaninanana hazakazaka.

izany andro izany

"Amin'izany andro izany rehefa miverina indray ny Tompo" na "amin'ny andro hitsaran'Andriamanitra ny olona"

fa ihany koa ho an'ireo rehetra izay efa nitia ny fisehoany

Ataon'i Paoly toy ny hoe efa niseho ireo tranga ireo. Izany dia afaka lazaina toy ny tranga mbola ho avy. DH: "fa homeny ho an'ireo izay miandry fatratara ny fiverenany ihany koa izany"

2 Timothy 4:9

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Miresaka momba ny olona voafaritra sy ny fitondran-tenan'izy ireo, ary momba ny asan'Andriamanitra taminy i Paoly, ary avy eo dia mamarana amin'ny fanaovam-beloma ny olona sy avy amin'ny olona sasany.

haingana

''Faran'izay hiangana"

Demasy... Kreska...Titosy

Anaran-dehilahy ireo.

izao tontolo izao

Eto "izao tontolo izao" dia ilazana ireo zavatra araka an'izao tontolo izao izay manohitra ireo zavatr'Andriamanitra. Ireo mety ho dikany dia 1) tiany ny fampiononana vonjimaika eto amin'ity tany ity na 2) matahotra ny ho faty izy raha mijanona miaraka amin'i Paoly.

Kreska dia nankany... ary Titosy nankany

Ireo lehilahy roa ireo dia nandao an'i Paoly, fa tsy milaza i Paoly fa "tia an'izao tontolo izao" koa tahaka an'i Demasy izay ireo.

Dalmatia

Anarana tany ao amin'ny faritra iray izany.

2 Timothy 4:11

ilaiko amin'ny asa izy

Ireo mety ho dikany dia 1) "afaka manampy ahy amin'ny asa fanompoana izy" na 2) "afaka manampy ahy amin'ny fanompoana ahy izy."

lamba

lamba mavesatra anaovana ivelan'ny akanjo

Karpo

Anarana lehilahy iray izany.

ireo boky

Io karazam-boky io dia horonan-taratasy lava vita amin'ny ravin-kazo na hoditra. Aorian'ny fanoratana ny horonan-taratasy na ny famakiana izany, dia ahorin'ny olona amin'ny alalan'ny fampiasana hazo kely eo amin'ny sisiny izany.

mifono hoditra

Azo adika hoe DH: "indrindra ireo vita tamin'ny hodi-biby"

2 Timothy 4:14

Aleksandro

Anarana lehilahy iray io.

Izany dia anarana lehilahy iray.

"izay miasa manefy vy"

nanisy asa ratsy maro tamiko

Ataon'i Paoly toy ny hoe haharihary ny fanaovana asa ratsy. DH: "nanao zavatra ratsy maro tamiko"

Ny Tompo dia hamaly azy araka ireo asany

"hanasazy azy ny Tompo nohon'ny zavatra nataony"

azy

Manondro an'i Aleksandro io.

manohitra mafy ireo teninay

Eto "ireo teny" dia entina ilazana ny hafatra na fampianarana. DH: "manohitra ny hafatra izay ampianarinay"

Tamin'ny fiarovan-tenako voalohany

"Rehefa niseho voalohany tany amin'ny fitsarana aho ary nanazava ireo asako"

sy nisy nanohana ahy

"tsy nisy olona nijanona niaraka tamiko ary nanampy ahy"

Aoka mba tsy ho voaheloka amin'izany izy ireo

Azo adika hoe DH: "Tsy ho isain'Andriamanitra ho helony anie izany" na "mivavaka aho mba tsy hanasazian'Andriamanitra ireo mpino nohon'ny fialana tamiko"

2 Timothy 4:17

ny Tompo dia nitsangana teo anilako

I Paoly dia miresaka toy ny hoe mitsangana miaraka aminy ny Tompo. DH: "ny Tompo nanampy ahy"

mba, amin'ny alalako, ny fanambarana dia afaka tanterahina tanteraka,

Azo atao hoe DH: "mba hahafahako milaza ny hafatr'Andriamanitra rehetra"

Izaho dia avotra tamin'ny vavan'ny liona.

Ataon'i Paoly toy ny hoe misy liona mampitahotra azy rehefa miresaka momba ny loza izy. Izany loza izany dia mety ho ara-nofo, ara panahy, na izy roa mitambatra. DH: "avotra tamin'ny loza lehibe aho"

2 Timothy 4:19

ankohonan'i Onesiforosy

Eto ny "trano" dia ilazana ny olona izay monina ao amin'izany. DH: "Fianakavian'i Onesiforosy"

Onesiforosy

Anarana lehilahy iray io.

Erasto...Trofimo...Eolobolo...Poda, Lino

Anaran-dehilahy avokoa ireo.

Mileto

Anaran-toerana any atsimon'ny Efesosy izany.

Omeo izay tsara indrindra avy aminao mba hahatongavana

"Manamboara lalana mba handehanana"

alohan'ny ririnina

"mialohan'ny vanim-potoana mangatsiaka"

ary Poda ihany koa, Lino, Klaodio, ary ireo rahalahy rehetra

Izany dia afaka hadika amin'ny fehezanteny vaovao. DH: " Poda, Lino, Klaodio, ary ireo rahalahy rehetra dia manao veloma anareo"

Klaodio

Anarana vehivavy anakiray io.

ireo rahalahy rehetra

Eto "ireo rahalahy" dia ilazana ireo mpino rehetra na lahy na vavy. DH: "ireo mpino rehetra eto"

Hiaraka amin'ny fanahinao anie ny Tompo

"Mivavaka aho mba hanomezan'ny Tompo hery ny fanahinao." Eto ny hoe "ianao" dia milaza olo-tokana ary manondro an'i Timoty.

Ho aminareo anie ny fahasoavana

"mivavaka aho mba hanehoan'ny Tompo ny fahasoavany aminareo rehetra. Eto ny hoe "ianareo" dia manondro olona maro ary ilazana ireo mpino rehetra.

fahasoavana

"ny famindram-pony" na "ny fankasitrahany"