Plateau Malagasy: translationNotes Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

James 1

James 1:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Aorian'ny fiarahabana fanokafana, i Jakoba dia milaza amin'ireo mpino fa ny anton'ny olana dia hitsapana ny finoana.

Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Tompo Jesosy Kristy

DH: "Izaho, Jakoba, dia mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo''

Jakoba

Jakoba dia rahalahy tsy iray rà amin'i Jesosy.

ho an'ireo foko roa ambin'ny folo niparitaka

Io fomba fiteny io dia mety manondro ny kristiana Jiosy monina ivelan'Israely , na, ireo Kristiana rehetra monina eto amin'izao tontolo izao.

foko roa ambin'ny folo

Ny fomba fiteny hoe "foko roa ambin'ny folo" dia ilazana ny vahoakan'Israely raha ny tokony ho izy, satria nizara ho foko roa ambin'ny folo izy ireo. Eto amin'ity andalana ity, na izany aza, ny "foko roa ambin'ny folo" dia manondro ireo kristiana Jiosy na, ireo kristiana manerana izao tontolo izao. Eto ny "foko roa ambin'ny folo" dia ampiasaina ho fiantsoana, ary ny isa "roa ambin'ny folo" dia tokony atao soratra, fa tsy tarehimarika.

niparitaka

Ny teny hoe "niparitaka" raha ny tokony ho izy dia ilazana ireo Jiosy niparitaka tany amin'ny firenen-kafa, lavitr'Israely izay tany niavian'izy ireo. Eto amin'ity andalana ity, anefa, ny hoe "niparitaka" dia ilazana ireo kristiana Jiosy rehetra ivelan'Israely, na, ireo kristiana rehetra manerana izao tontolo izao.

arahaba

fomba fiarahabana, toy ny hoe "manao ahoana" na "salama"

Raiso ho fifaliana avokoa izany, ry rahalahy, rehefa misedra olana samihafa ianareo

"Ry namako mpino, hevero ho zavatra ho ankalazaina ireo karazana olana mahazo anareo"

ny fitsapana ny finoanareo dia mahantonga faharetana

Ny teny hoe "fitsapana," "ny finoanareo," ary ny "faharetana" dia anarana ilazana ny asa. Andriamanitra no manao ny fitsapana, izany hoe, hitany hoe toy ny ahoana ny fahatokiana sy fankatoavan'ireo mpino Azy. Ireo mpino dia mino Azy ary miaritra fahoriana. DH: "rehefa miaritra zava-tsarotra ianareo, dia hitan'Andriamanitra ny fahatokianareo Azy. Vokatr'izany, dia hanjary ho afaka ny hiaritra na zava-tsrotra mihoatra noho izany aza ianareo"

James 1:4

Avelao ny faharetana hahatanteraka ny asany

Eto ny faharetana dia resahina toy ny hoe olona miasa. DH: "Mianatra miaritra ady sarotra"

hivoatra sy ho feno tanteraka

afaka ny hatoky an'i Kristy sy hankatoa Azy amin'ny teo-javatra rehetra

tsy ho ory na inona na inona

Azo atao hoe DH: "manana izay rehetra ilainareo" na "mba ho izay rehetra irinareo ianareo"

aoka izy hangataka izany amin'Andriamanitra, ilay iray izay manome

"mangataha izany. Fa Izy ilay iray izay manome"

manome an-tsitrapo sy tsy mandatsa izay rehetra mangataka

"manome malalaka sady tsy mandatsa"

omeny azy izany

"ho ataon'Andriamanitra izany" na "hamaly ny vavakareo Andriamanitra"

James 1:6

amin'ny finoana, tsy misalasala amin'inona na inona

Azo atao hoe DH: "amin'ny fahazoana antoka tanteraka fa hamaly Andriamanitra"

Fa izay misalasala dia tahaka ny onjan-dranomasina izay entin'ny rivotra sy mitopatopa

Izay rehetra misalasala fa hanampy azy Andriamanitra dia resahina toy ny rano eny amin'ny ranomasina na farihy midadasika, izay mitopatopa hatrany.

miroa saina

Ny teny hoe "miroa-saina" dia ilazana ny fisainan'ny olona iray rehefa tsy mahavita manapa-kevitra izy. DH: "tsy afaka manapa-kevitra raha hanaraka an'i Jesosy izy na tsia"

miovaova amin'ny lalany rehetra

Eto io olona io dia resahina toy ny hoe olona tsy afaka mijanona eo amin'ny lalana iray fa mandeha mivezivezy kosa.

James 1:9

ny rahalahy mahantra

"ny mpino izay tsy dia manam-bola"

hanao ny fisandratany ho reharehany

Ny olona izay nomen'Andriamanitra voninahitra dia resahina ho toy ny olona mijoro eo amin'ny toerana ambony.

fa ny olona manan-karena

"fa ny olona izay manana vola be.'' Ireo mety ho dikany dia 1) mpino ilay lehilahy mpanan-karena na 2) tsy mpino ilay lehilahy mpanan-karena.

amin'ny fietreny

Tokony ho faly ny mpino iray raha entin'Andriamanitra amin'ny fahoriana. DH: "tokony ho faly fa nomen'Andriamanitra izany toerana izany"

izy dia hilofika tahaka ny voninkazo-dia eny amin'ny ahitra

Atao mitovy amin'ny voninkazo-dia ny olona mpanan-karena, izay velona vetivety ihany.

olona manan-karena dia halazo eny amin'ny atsasaky ny diany

Eto ny fampitahana amin'ny voninkazo dia mbola mitohy. Toy ny voninkazo izay tsy maty tampoka fa malazo ao anatin'ny fotona fohy, toy izany koa ny olona manan-karena dia tsy voatery ho faty tampoka saingy vetivety monja dia manjavona.

atsasaky ny diany

Ny asa ataon'ny mpanan-karena andavanandro dia raisina toy ny dia izay ataony. Ity sarin-teny ity dia ilazana fa tsy nahazo eritritra ny amin'ny fiavian'ny fahafatesany izy, ary mahavoa azy tampoka izany.

James 1:12

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy ireo mpino izay nandositra i Jakoba fa tsy mahatonga fakam-panahy Andriamanitra; milaza amin'izy ireo ny fomba hialana amin'ny fakam-panahy izy.

Sambatra

Voatahy

miaritra fitsapana

mijanona ho mahatoky amin'Andriamanitra mandritra ny ady sarotra

avy nandalo fitsapana

neken'Andriamanitra

handray ny satroboninahitry ny fiainana

Ny fiainana mandrakizay dia raisina toy ny hoe fehi-loha vita amin'ny ravin-kazo izay apetraka eo amin'ny lohan'ny atleta mpandresy. DH: "handray ny fiainana mandrakizay ho valim-pitiany"

nampanantenaina tamin'ireo izay tia an' Andriamanitra

Azo atao hoe DH: "Nampanantena ny satro-boninahitry ny fiainana ho an'ireo izay tia Azy Andriamanitra"

halaim-panahy

"rehefa maniry ny hanao zavatra ratsy izy"

Andriamanitra no naka fanahy ahy

Azo atao hoe DH: "Mitady hampanao zavatra ratsy ahy Andriamanitra"

Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaina fanahy

Azo atao hoe DH: "Tsy maniry ny hanao zavatra ratsy Andriamanitra"

sady tsy mba maka fanahy na an'iza na iza

"ary Andriamanitra tsy mitady izay hanaovan'iza na iza ratsy"

James 1:14

samy alaim-panahy amin'ny faniriany manokana ny olona tsirairay

Ny filan'ny olona iray dia raisina toy ny hoe olona iray hafa izay maka fanahy azy mba hanota.

izay mampiemotra sy mandresy azy

Mbola raisina toy ny olona afaka misintona olona iray hafa ihany ny fanirian-dratsy.

mandresy

Misintona, mandresy lahatra ny hanao ratsy

Rehefa avy torontoronina ny faniriana, dia miteraka fahotana izany. Ary rehefa mitombo tanteraka ny ota, dia miteraka fahafatesana

Mbola raisina toy ny olona ihany ny filana, amin'ity indray mitoraka ity dia atao mazava toy ny vehivavy izay mitoe-jaza izany. Ilay zaza dia raisina hoe fahotana. Ny fahotana dia atao toy ny hoe zaza vavy izay mitombo, ary miteraka fahafatesana. Ity sarin-teny mitohitohy ity dia kisarisarin'ny olona iray izay miafara amin'ny fahafatesana sady ara-panahy no ara-nofo nohon'ny filan'ny nofony sy ny fahotany.

Aza mety ho fitahina

"Aza avela hisy hamitaka anareo" na "Atsaharo ny famitahana ny tenanareo"

James 1:17

Ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra

Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mitovy hevitra ihany. Ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana fa ny zava-tsoa rehetra izay hananan'ny olona iray dia avy amin'Andriamanitra.

Rain'ny fahazavana

Andriamanitra, ilay mpahary ny fahazavana rehetra eny an-danitra (masoandro, volana, kintana), dia voalaza fa "Rain'izy ireo."

Miaraka aminy dia tsy misy fiovana na aloka nohon'ny fiodinana

Ity fomba fiteny ity dia maneho ny kisarisarin'Andriamanitra izay toy ny fahazavana tsy mba miova, tsy tahaka ny masoandro, volana, planeta, ary kintana, izay mifindrafindra eny amin'ny lanitra ary miova ny famirapiratany. DH: "Andriamanitra dia tsy miova toy ny ataon'ny masoandro, volana, ary kintana, izay miseho dia manjavona"

hanome ... antsika

Ny teny hoe "antsika" eto dia manondro an'i Jakoba sy ireo mpamaky.

hanome fahaterahana antsika

Andriamanitra, izay nitondra fiainana mandrakizay ho antsika, dia raisina toy ny hoe niteraka antsika.

ny tenin'ny fahamarinana

Ny hafatra marin'Andriamanitra. Atao toy ny hoe izany no fomba "niterahan'Andriamanitra" antsika.

karazana voaloham-bokatr'ireo

Mampiasa ny hevitry ny voaloham-bokatra ara-pomban'ny Hebreo i Jakoba mba hamaritana ny lanjan'ny Kristiana eo amin'Andriamanitra. Milaza amin'ny fomba tsy mivantana izy fa hisy mpino maro mihoatra izany amin'ny ho avy.

James 1:19

Fantatrareo izany

Ireo mety ho dikany dia 1) "Fantaro izao" toy ny hoe baiko, mba hahaliana anareo amin'izay ho soratako na 2) "Fanatrareo izao" toy ny hoe teny tsotra, fa hampatsiahy zavatra izay efa fatatrareo aminareo aho.

aoka ny olona rehetra halaky hihaino, tsy hiteny haingana

Tokony hihaino tsara ny olona aloha, ary avy eo mihevitra tsara izay lazain'izy ireo. Ny hoe "tsy hiteny haingana" dia tsy midika hoe miteny miadana akory.

tsy halaky ho tezitra

"tsy ho mora tezitra"

hatezeran'ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinan'Andriamanitra

Rehefa tezitra ny olona iray, dia tsy afaka manao ny asan'Andriamanitra, izay marina.

esory ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana rehetra

Eto ny teny hoe "fahalotoana" sy "faharatsiana" dia mitovitovy hevitra ihany. Ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana ny amin'ny faharatsian'ny fahotana. DH: "aoka izay ny fanaovana ireo karazan-toetra feno fahotana rehetra"

fahalotoana

Eto ny "Fahalotoana," izany hoe loto, dia ilazana ny fahotana sy ny ratsy.

Amim-panetre-tena

"tsy am-pireherehana" na "tsy am-pieboeboana"

raiso ny teny efa napetraka

Ny teny hoe "napetraka" dia midika fametrahana zavatra ao anatin'ny iray hafa. Eto ny tenin'Andriamanitra dia raisina toy ny zava-maniry natao mba hitombo ao anatin'ny mpino. DH: "ankatoavy ny hafatra izay nolazain'Andriamanitra taminareo"

raiso ny teny efa napetraka

Eto ny "teny," izany hoe "tenin'Andriamanitra" dia ilazana ny hafatry ny famonjena ao amin'i Kristy Jesosy izay ambaran'Andriamanitra amin'ireo mpino. Rehefa mino izany izy ireo. dia vonjen'Andriamanitra.

mamonjy ny fanahinareo

Azo atao mazava kokoa io. DH: "vonjeo amin'ny fitsaran'Andriamanitra ny fanahinareo"

fanahinareo

Eto ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ilay olona manontolo.

James 1:22

Aoka ho mpankatoa ny teny

Mila mankatoa ireo teny sy didin'Andriamanitra izy ireo.

Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mpankatoa, dia tahaka ny olona izay mandinika ny tarehiny voajanahary anaty fitaratra izy

Ny olona izay mihaino ny tenin'Andriamanitra kanefa tsy mankatoa izany dia raisina toy ny olona izay mijery fitaratra ary avy eo dia manadino ny endriny.

tarehiny voajanahary

ny tarehiny araka ny tena izy

Mandinika ny tenany izy ... manadino avy hatrany

Ny olona izay mijery ny tarehiny ary manadino ny endrik'izay hitany avy hatrany dia tahaka ny olona izay mandre ny tenin'Andriamanitra ary manadino izay reny.

Fa ny olona izay mandinika tsara ny lalànan'ny fahafahana tonga lafatra

Mbola tohin'ny kisarisarin'ny lalàna izay toy ny fitaratra ihany io.

lalànan'ny fahafahana tonga lafatra

"ny lalàna tonga lafatra izay mamela ny olona ho afaka''

ho tahiana amin'ireo asany izany olona izany

Azo atao hoe DH: "Hitahy io lehilahy io Andriamanitra raha mankatoa ny lalàna izy"

James 1:26

mihevi-tena ho mpivavaka

"mihevitra fa mivavaka araka ny tokony ho izy"

ny lelany

Ny fifehezana ny lela dia ilazana ny fifehezana ny teny avoaka. DH: "izay lazainy"

mamitaka

"mandiso lalana"

ny fony

Eto ny "fo" dia ilazana ny finoany na ny eritreriny. DH: "ny tenany"

tsy misy vidiny ny fivavahany

"mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny tsy misy dikany izy"

fivavahana madio sy tsy misy pentina

I Jakoba dia miresaka momba ny fivavahana sy ny fomba fivavahan'ny olona iray amin'Andriamanitra, toy ny hoe afaka ny ho madio sy tsy misy pentina izany. Ireo dia fomba filazan'ny Jiosy ny zavatra izay azo ekena eo amin'Andriamanitra. DH: "Azo ekena tanteraka"

mpitondratena amin'ny fahorian'izy ireo

Ireo vehivavy izay mijaly satria maty ny vadin'izy ireo.

miaro ny tena mba tsy hisy pentina avy amin'izao tontolo izao

tsy mamela ny ratsy eo amin'izao tontolo izao hahatonga ny olona iray hanota

James 2

James 2:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy milaza amin'ireo mpino Jiosy izay niparitaka momba ny fiainana amin'ny fifankatiavana i Jakoba ary mampatsiahy azy ireo mba tsy hiangatra amin'ireo olona mpanan-karena manoloana ireo rahalahy mahantra.

Ry rahalahiko

Raisin'i Jakoba ho mpino Jiosy ireo mpamaky. DH: "Ry namako mpino" na "Ry rahalahiko sy anabaviko ao amin'i Kristy"

mihazona ny finoana an'i Tompontsika Jesosy Kristy

Ny finoana an'i Jesosy Kristy dia raisina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona iray hifikirana.

Tompontsika Jesosy Kristy

Tafiditra ao anatin'io mpisolo-tena tampisaka "-tsika" io i Jakoba sy ireo namany mpino.

amin'ny fiangarana amin'ny olona sasany

faniriana hanampy ny olona sasany mihoatra noho ny hafa

Ataovy hoe misy olona

Manomboka mamaritra toe-javatra izay mety hanomezan'ireo mpino haja ny mpanan-karena mihoatra noho ny olona mahantra i Jakoba.

manao peratra volamena sy akanjo tsara

"miakanjo tahaka ny olona mpanefoefo"

mitoera eto amin'ny toerana tsara

hipetraka eto amin'ity fitoeran'ny manan-kaja ity

Mitsangàna ianao ery

mihisaka eny amin'ny toerana tsy manan-kaja

Mipetraha eto an-tongotro

mifindra eny amin'ny toerana mietry

moa tsy mifampitsara aminareo ianareo? Moa tsy lasa mpitsara amin'ny eritreri-dratsy ianareo?

Mampiasa fanontaniana fampisainana i Jakoba mba hampianarana ary koa hibedesana ireo mpamaky. DH: "Mifampitsara eo aminareo ianareo ary lasa mpitsara manana fisainana ratsy"

James 2:5

Mihainoa, ry rahalahy malalako

Mananatra ireo mpamaky toy ny fianakaviana i Jakoba. "Mitandrema, ry namana mpino malalako"

tsy efa nofidian' Andriamanitra ve ... tia Azy?

Eto i Jakoba dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hampianarana ireo mpamaky tsy hiangatra. Azo atao teny tsotra io. DH: "efa nofidian'Andriamanitra ... tia Azy"

ny mahantran'izao

"ireo olo-mahantra"

hanankarena amin'ny finoana

Ny fananana finoana bebe kokoa dia raisina toy ny hoe olona mpanefoefo na mpanan-karena. DH: "finoana mafy an'i Krsity"

mpandova

Ireo olona izay nanaovan'Andriamanitra ny fampanantenana dia raisina toy ny hoe handova tany sy harena avy amina olona iray ao amin'ny fiankaviana.

Fa ianareo dia

Miresaka amin'ny mpamaky rehetra i Jakoba.

nanala baraka ny mahantra

"nahamenatra ireo olo-mahantra ianareo"

Moa tsy ny mpanan-karena ve no mampahory anareo?

Eto i Jakoba dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hanitsiana ireo mpamaky. DH: "Ireo olona mpanan-karena no mampahory anareo."

ny mpanan-karena

Ireo olona mpanan-karena

mampahory anareo

'ratsy fitondrana aminareo"

Moa tsy ireo va no ... fitsarana?

Eto i Jakoba dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hanitsiana ireo mpamaky. Azo atao teny tsotra io. DH: "Ireo olona mpanan-karena no ... fitsarana."

mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana

"mitondra anareo an-keriny any amin'ny fitsarana mba hiampanga anareo eo anatrehan'ny mpitsara"

moa tsy izy ireo ... anareo?

Eto i Jakoba dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hanitsiana ireo mpamaky. Azo atao teny tsotra io. DH: "ireo olona mpanan-karena ... anareo."

ny anarana tsara

"ny anaran'i Kristy." Fomba ilazana ny anaran'i Kristy io. DH: "Kristy, izay anareo"

izay anareo?

"izay hamantarana anareo"

James 2:8

raha manatanteraka

Manondro ireo mpino Jiosy io.

manatanteraka ny lalàn'ny mpanjaka

"mankatoa ny lalàn'Andriamanitra." Tany am-boalohany dia nomen'Andriamanitra an'i Mosesy ny lalàna, izay voarakitra ao amin'ny bokin'ny Testamenta Taloha.

Tiava ny namanao tahaka ny tenanao

Mamerina ny teny avy ao amin'ny bokin'ny Levitikosy i Jakoba.

ny namanao

"ny olon-drehetra"

dia manao ny tsara ianareo

"manao ny mety ianareo"

Fa raha manome sitraka

"miangatra" na "manome haja"

dia manota

Izany hoe, mandika lalàna.

voaheloka toy ny mpandika lalàna.

Eto ny lalàna dia raisina toy ny hoe mpitsara araka ny nofo. DH: "meloka nohon'ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra"

James 2:10

kanefa lavo amin'ny lalana iray monja ... lalàna rehetra

Ny hoe lavo dia mianjera raha mbola miezaka ny handeha. Ny tsy fankatoavana ny lalana iray dia raisina ho toy ny fahalavoana eo am-pandehanana.

amin'ny lalana iray monja

nohon'ny tsy fankatoavana ny fitakiana iray monja ao amin'ny lalàna

Fa ilay niteny hoe

Ilazana an'Andriamanitra nanome ny lalàna an'i Mosesy io.

Raha ... kanefa ... dia

Na dia nanoratra ho ana mpino Jiosy maro aza i Jakoba, eto izy dia toa manoratra ho an'ny olona tsirairay.

James 2:12

Noho izany mitenena sy manaova

"Koa tsy maintsy miteny ary mankatoa." Mandidy ireo olona hanao izany i Jakoba.

izay ho tsaraina amin'ny lalàn'ny fahafahana

Azo atao hoe DH: "izay mahafantatra fa Andriamanitra dia hitsara azy ireo amin'ny lalàn'ny fahafahana"

amin'ny lalàn'ny

Misy hevitra ambadika io teny io fa Andriamanitra no hitsara araka ny lalàny.

lalàn'ny fahafahana

"ny lalàna izay manome fahafahana marina"

ny famindram-po dia mandresy

"Tsara kokoa ny famindram-po noho ny" na "Ny famindram-po dia maharesy ny." Eto ny famindram-po sy ny fahamarinana dia raisina toy ny hoe olona.

James 2:14

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampahery ireo mpino niparitaka i Jakoba mba hampiseho ny finoan'izy ireo eo anatrehan'ny hafa, tahaka ny nampisehoan'i Abrahama ny finoany tamin'ny hafa.

Inona no soa, ry rahalahiko, raha milaza ny olona iray fa manam-pinoana izy, kanefa tsy misy asa?

Mampiasa fanontaniana fampisainana i Jakoba mba hampianarana ny mpamaky. DH: "Tsy mahasoa akory, ry mpino namako, raha milaza fa manana finoana ny olona iray, kanefa tsy misy asa."

manam-pinoana

Resahin'i Jakoba toy ny zavatra mivaingana ny finoana an'Andriamanitra.

tsy misy asa

Resahin'i Jakoba toy ny zavatra mivaingana ny asa, toy ny fanaovana asa soa.

Afaka hamonjy azy ve izany finoana izany?

Raisin'i Jakoba toy ny hoe misy hery manokana afaka mamonjy olona ny finoana an'Andriamanitra. Ny hevitra ambadin'izany dia hoe tsy ampy ny finoana. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Tsy afaka hamonjy azy ny finoana"

hamonjy azy

"hanafaka azy amin'ny fitsaran'Andriamanitra"

manaova mafana

Ny dikan'izany dia "manana fitafy ampy hanaovana" na "manana toerana hatoriana."

mivokisa

"mihinana izay sahaza"

ho an'ny vatana

Mihinana, mitafy, ary miaina finaritra

inona no mahatsara izany?

Mampiasa fanontaniana fampisainana i Jakoba mba hampianarana ireo mpamaky. DH: "tsy tsara izany"

ahalahy na anabavy

Ireo namana mpino ao amin'i Kristy, na lahy na vavy.

ny finoana ... dia maty

Raisin'i Jakoba ho toy ny velona ny finoana ary manao asa tsara, ary ny finoana iray dia maty rehefa tsy manao asa tsara.

ny finoana ... misy asa

Resahina toy ny hoe olona manao asa tsara ny finoana.

James 2:18

Nefa mety misy olona miteny hoe

Mamaritra toe-javatra izay mbola tombatombana izay hanoheran'ny olona ny fampianarany i Jakoba. Mikatsaka ny hanitsy ny fahatakaran'ireo mpamaky ny amin'ny finoana sy ny asa izy.

Manam- pinoana ianao, ary izaho manan'asa

"Azo ekena raha manam-pinoana ny olona iray ary ny iray hafa manao asa tsara." Manazava ny fomba mety hifandiran'ny olona iray hanohitra ny fampianarany i Jakoba.

hasehoko anao koa ny finoako amin'ny alalan'ny asako

I Jakoba dia miresaka momba ny finoana toy ny hoe hita izany rehefa manao asa tsara ny olona iray. DH: "Hampiseho ny finoako amin'ny alalan'ny asa tsara aho"

Manam- pinoana ianao, ary izaho manan'asa ... Asehoy ahy ny finoanao

Miresaka momba ny finoana sy ny asa toy ny hoe zavatra izay mety hananan'ny olona iray ary hasehony amin'ny hafa i Jakoba.

Fa na ireo demonia aza mino izany, ka dia mangovitra izy ireo

"mino koa ireo demonia, fa mihovitrovitra amin-tahotra izy ireo.'' Oharin'i Jakoba amin'ireo izay milaza fa mino kanefa tsy manao asa tsara ny demonia. Ambaran'i Jakoba fa hendry kokoa ireo demonia satria matahotra an'Andriamanitra izy ireo raha tsy matahotra kosa ny hafa.

Tianareo ho fantatra va, ry lehilahy adala, fa ny finonana tsy misy asa dia tsy misy ilaina azy?

Ity dia fanontaniana fampisainana izay ampiasaina mba hibedesana ny olona izay tsy hihaino an'i Jakoba. DH: "Ry adala! Ny tsy fetezanareo hihaino ahy dia manaporofo fa tsy misy ilaina azy ny finoana tsy misy asa."

Tianareo ho fantatra ... tsy misy ilaina azy?

Mametraka ity fanontaniana ity i Jakoba mba hanehoana ny fampianarany manaraka. DH: "Hampisehoko aminareo, ... tsy misy ilaina azy."

James 2:21

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Satria izy ireo dia Mpino Jiosy, dia nahafantatra ny tantaran'i Abrahama, izay nambaran'Andriamanitra tamin'izy ireo hatry ny ela tamin'ny teniny.

Tsy tamin'ny asa koa ve no nanamarinana an'i Abrahama raintsika

Ity fanontaniana fampisainana ity dia ampiasaina mba hanoherana ny tenin'ilay lehilahy adala ao amin'ny 2:18, izay mandà tsy hino fa miara-miasa ny finoana sy ny asa. DH: "Abrahama raintsika dia nohamarinina tokoa"

Tsy tamin'ny asa koa ve no nanamarinana

Resahin'i Jakoba toy ny hoe zavatra azo atao fananana ny asa. DH: "voamariana tamin'ny fanaovana asa tsara"

raintsika

Eto ny "ray" dia ilazana ny hoe "razambe"

Hitanareo

Manondro olona iray mbola tsy fantatra io. Miresaka amin'ny mpamaky rehetra toy ny hoe olona iray ihany i Jakoba.

Hitanao

DH: "fantaro"

ny finoana dia niasa niaraka tamin'ny asany

I Jakoba dia miresaka ny amin'ny finoana toy ny hoe manao asa tsara izany. Ny finoan'i Abrahama an'Andriamanitra nanoloana an'i Isaka no nahavitan'i Anbrahama nankatoa an'Andriamanitra na dia sarotra aza izany. Tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra, dia nihamatotra ny finoan'i Abrahama.

ary amin'ny asa dia nivoatra tanteraka ny finoany

Ny fahatokian'i Abrahama an'Andriamanitra dia raisina toy ny zavatra izay afaka amboarina ho tonga amin'ny endriny tsara indrindra mba hahatanterahany ny tanjony. DH: "satria nankatoa an'Andriamanitra i Abrahama, dia nanjary nahatoky Azy tanteraka"

tanteraka ny Soratra Masina

Azo atao hoe DH: "nahatanteraka ny Soratra Masina izany"

nisaina taminy ho fahamarinana izany

"noraisin'Andriamanitra ho fahamarinana ny finoany." Ny finoana sy fahamarinan'i Abrahama dia noraisina ho toy ny hoe afaka ny homen-danja izany.

Hitanareo

Miresaka amin'ireo mpamaky mivantana indray i Jakoba.

amin'ny asa no hanamarinana ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany

"ny asa sy ny finoana no manamarina ny olona iray, fa tsy finoana ihany.'' Resahin'i Jakoba toy ny hoe zavatra azo atao fananana.

James 2:25

Toy izany koa ... nohamarinina tamin'ny asa

Milaza ny nahamarina an'i Abrahama i Jakoba ary ny nahamarina an'i Rahaba ihany koa. Izy ireo dia samy nohamarinina tamin'ny asa.

Rahaba mpivaro-tena tsy nohamarinina tamin'ny asa koa ve izy ... lalan-kafa?

Mampiasa ity fanontaniana fampisainana ity i Jakoba mba hampianarana ny mpamaky. DH: "izay nataon'i Rahaba mpivaro-tena no nanamarina azy ... lalan-kafa."

Rahaba mpivaro-tena

Ilay vehivavy antsoina hoe Rahaba ao amin'ny tantaran'ny Testamenta Taloha no andrasan'i Jakoba mba ho fantatry ny mpamaky.

nohamarinina tamin'ny asa

Miresaka momba ny asa toy ny hoe zavatra zao atao ho fananana i Jakoba.

ireo iraka

Resahin'i Jakoba toy ny hoe zavatra azo atao fananana ny asa.

nandefa azy ireo tamin'ny lalan-kafa

"ary avy eo nanampy azy ireo handositra ny tanàna"

Fa maty ny tena raha misaraka amin'ny fanahy, dia toy izany ihany koa, ny finoana tsy misy asa dia maty

Resahin'i Jakoba toy ny hoe vatana maty tsy misy fanahy ny finoana tsy arahan'asa.

James 3

James 3:1

Tsy olona maro

"Tsy maro aminareo." Miresaka amin'ny olona amin'ny olona amin'ny ankapobeny i Jakoba.

ry rahalahiko

"ry mpino namako"

fa handray fitsarana mafy kokoa isika

Ity andalana ity dia miresaka ny amin'ny fitsarana mafimafy kokoa avy amin'Andriamanitra ho an'ireo izay mampianatra ny hafa momba Azy. DH: "Hitsara antsika mafimafy kokoa Andriamanitra satria mahafantatra ny teniny tsara kokoa noho ireo hafa izay nampianarintsika isika"

fa handray

Havondron'i Jakoba ireo izay mampianatra ny soratra masina miaraka aminy. Na dia te ho mpampianatra ny soratra masina aza ny sasany amin'ireo izay handray ity taratasy ity, dia tsy ho izany ny ankamaroany.

Fa isika rehetra dia tafintohina

Raha ny mahakasika ny hoe "isika," dia averin'i Jakoba ampidirina ao indray ireo mpamaky rehetra.

tafintohina

Ny fahotana dia resahina toy ny hoe tafintohina eo am-pandehanana. DH: "lavo" na "manota"

tsy tafintohina amin'ireo teny

"tsy manota amin'ny fitenenana zavatra ratsy"

lehilahy matotra tanteraka izy

"matotra ara-panahy izy"

mifehy na dia ny tenany iray manontolo aza

Maneho ny fo, fihetsem-po ary asan'ny olona iray i Jakoba. DH: "mifehy ny toetrany" na "mifehy izay ataony"

James 3:3

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mamakafaka hevitra momba ireo zavatra kely mifehy zavatra lehibe i Jakoba.

Ary raha asiantsika lamboridy eo ambavan'ireo soavaly

Miresaka momba ny lamboridin-tsoavaly i Jakoba. Ny lamboridy dia tapa-by kely izay apetraka eo amin'ny vavan'ny soavaly mba hibaikoana izay alehany.

Ary raha

"Raha" na "Rehefa"

soavaly

Ny soavaly dia biby lehibe izay ampiasaina hitondrana zavatra na olona.

Jereo ihany koa fa ireo sambo ... voavilin'ny familiana tena kely

Ny familiana dia vy fisaka ao aorian'ny sambo izay ampiasaina mba hibaikoana izay alehan'ny sambo. Ny teny hoe "familiana" dia azo adika ihany koa hoe "fitaovana."

entin'ny rivo-mahery

Azo atao hoe DH: "rehefa atosiky ny rivo-mahery"

dia voavilin'ny familiana tena kely any amin'izay rehetra tian'ny mpanamory

"misy fitaovana kely izay azon'ny olona ampiasaina mba hibaikoana izay alehan'ny sambo"

James 3:5

Toy izany koa

Io teny io dia manamarika ny fanoharana momba ny lela sy ny lamboridin-tsoavaly ary ny familian-tsambo voalaza teo amin'ny andininy teo aloha. DH: "Mitovy amin'izany koa"

mihambo zavatra betsaka

Eto ny hoe "zavatra" dia teny amin'ny ankapobeny ilazana ny zavatra rehetra mampirehareha ireo olona ireo.

Jereo ihany koa

"Hevero"

ny hakelin'ny afo izay mandoro ala be

Mba hanampiana ny olona hahatakatra ny loza mety ho vitan'ny lela, dia miresaka momba ny loza mety ho vitan'ny afo kely i Jakoba. DH: "ny hakelin'ny afo izay mirehitra ka mandoro hazo maro"

Ny lela ihany koa dia afo

Ny lela dia ilazana izay lazain'ny olona. Antsoin'i Jakoba hoe afo izany nohon'ny fahasimbana lehibe izay mety haterany. DH: "Toy ny afo ny lela" na "Izay lazain'ny olona dia mety hiteraka olona goavana toy ny afo"

tontolon'ny fahotana napetraka teo amin'ny ratsam-batantsika

Ny voka-dratsy goavana hateraky ny teny feno fahotana dia raisina toy ny hoe tontonlo mihitsy.

Izany dia manisy pentipentina ny vatana iray manontolo

Ny teny feno fahotana dia sarin-teny toy ny hoe manisy tasy ny vatan'olona iray. Ary ny hoe tsy azo ekena eo amin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe misy loto eo amin'ny vatana.

lalam-piainana. Arehitrin'ny helo ny tenany

Ny teny hoe "tenany" dia maneho ny lela. Ary koa, ny hoe "helo" eto dia maneho ny herin'ny ratsy na ny devoly. Azo atao hoe DH: "lalam-piainana satria ampiasain'ny devoly ho amin'ny ratsy izany"

James 3:7

Fa ny karazam-bibidia rehetra ... olombelona

Ny teny hoe "karazana" dia ilazana ny bibidia rehetra na karazany maro. Azo adika hoe DH: "Nianatra nifehy ireo karazam-bibidia, vorona, biby mandady, ary hazan-dranomasina maro ny olona''

biby mandady

Biby mikisaka amin'ny tany.

zava-boaharin-dranomasina

Biby velona any anaty ranomasina.

Fa momban'ny lela, tsy misy olona mahavita mamolaka izany

Oharin'i Jakoba amin'ny bibidia ny lela. Eto ny "lela" dia maneho ny fanirian'ny olona hilaza fisainan-dratsy.

ratsy tsy hay fehezina

Raisina ho toy ny mitovy amin'ny ratsy, izay tsy misy afaka mifehy ny lela. Maneho ny fanirian'ny olona hanambara fisainan-drasty io.

feno poizina mahafaty

Oharin'i Jakoba amin'ny bibilava na zava-maniry misy poizina ny fahafahan'ny olona iray miteny. Ny poizina no loza hateraky ny teny eo amin'ny olona iray.

James 3:9

Amin'io no hiderantsika

"ny lela no ampiasaintsika hilazana teny izay"

hanozonantsika olona

Ny atao hoe manozona dia magataka an'Andriamanitra hamely ny hafa.

izay natao nitovy tamin'Andriamanitra

Azo atao hoe DH: "Izay namboarin'Andriamanitra hitovy aminy"

Avy amin'izany vava izany ihany no hivoahan'ny fitahiana sy fanozonana

Oharina amin'ny zavatra mivoaka avy amin'ny vavan'ny olona iray ny teny izay mitondra fitahiana na ozona.

Ry rahalahiko

"Ry kristiana namako"

tsy tokony hitranga ireo zavatra ireo

"tsy mety izany"

James 3:11

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Taorian'ny nanindrian'i Jakoba fa ny tenin'ny mpino dia tsy tokony ho sady fitahiana no ho ozona, dia manome ohatra avy amin'ny natiora izy mba hampianarana ireo mpamaky fa ny olona izay manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fiderana Azy dia tokony hiaina araka ny mety ihany koa.

Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy avy amin'ny fivoahany?

Mampiasa fanontaniana fampisainana i Jakoba mba hampatsiahivana ireo mpino momba izay mitranga eo amin'ny natiora. DH: "Ny loharano dia tsy mamoaka rano mamy no sady mamoaka rano mangidy."

ry rahalahiko

"Ry mpino namako"

Moa ny hazon'ny aviavy va, ry rahalahiko, mamoa oliva? Na ny voaloboka, mamoa aviavy?

Mbola mampiasa fanontaniana fampisainana ihany i Jakoba mba hampatsiahivana ireo mpino momba izay mitranga eo amin'ny natiora. DH: "Ny hazon'aviavy tsy afaka mamoa oliva, na ny voaloboka tsy afaka mamoa aviavy."

James 3:13

Iza no hendry sy mahalala eo anivonareo?

Mampiasa io fanontaniana io i Jakoba mba hampianarana ireo mpamaky momba ny toetra mety. Ny teny hoe "hendry" sy "mahalala" eto dia mitovy. DH: "Hilaza aminareo ny amin'ny fomba tokony ataon'ny olona hendry sy mahalala aho"

hampiseho fiainana tsara

Mazava ho azy fa ny asa eto dia oharina amina zavatra izay afaka ampisehon'ny olona iray ny hafa. DH: "mampiharihary fiainana tsara"

amin'ny asany amin'ny fanetren-tenan'ny fahendrena

"amin'ny asa tsara sy ny fanetren-tena no hiavian'ny tena fahendrena marina"

fialonana mangidy ianareo ary fanirian-daza ao am-ponareo

Ny teny hoe "am-ponareo" dia ilazana ny fiheteham-po na ny eritreritra. DH: "maniry mafy izay hananan'ny olona iray na hiainany, ary mitady ny tombontsoanareo manokana ka tsy miraharaha ny an'ny hafa ianareo"

fialonana mangidy ianareo ary fanirian-daza

Oharina amina zavatra izay mety hisy ao anatin'ny olona iray ireo fihetseham-po ireo. Ny fanirian-daza eto dia ilazana ny faniriana ny ho lasa lavitra mihoatra ny olona hafa.

aza mihambo na mandainga manohitra ny marina

"aza maniratsira ny marina amin'ny fandaingana hoe mirehareha amin'izany"

James 3:15

Izany dia tsy

Ny hoe "izany" dia manondro ireo "fialonana mangidy sy fanirian-daza" voalaza teo amin'ireo andininy teo aloha.

fahendrena izay nidina avy any ambony

Ny hatsaran'ny fahendrena avy any ambony dia oharina amin'ny zavatra izay nalefan'Andriamanitra avy any an-danitra.

ambony

Eto ny "ambony" dia ilazana an'Andriamanitra.

avy amin'ny tany

Ny teny hoe "avy amin'ny tany" dia maneho ny lanja sy toetran'ny olona izay tsy manaja an'Andriamanitra. DH: "tsy manaja an'Andriamanitra"

tsy ara-panahy

"tsy avy amin'ny Fanahy Masina"

demoniaka

"avy amin'ny demonia"

Fa any amin'izay misy fialonana sy fanirian-daza

Eto ny hoe "fialonana" dia maneho ireo faniriana ny hanana sy hiaina izay hananan'ny olona sy hataon'izy ireo, ary ny fanirian-daza dia maneho ny fikatsahana ny hahazo tombontsoa ka tsy miraharaha ny an'ny hafa.

misy fifanjevona

"misy korontana"

fanaovana ny ratsy rehetra

"ireo karazana toetra ratsy rehetra" na "ireo karzana asa rasty rehetra"

madio aloha

"masina aloha"

mihevitra ny hafa

miraharaha ny olona hafa

vokatra tsara

Oharina amin'ny voankazo eny ambony hazo ny asa tsara. DH: "asa tsara"

tsotra

"marina"

Ny vokatry ny fahamarinana dia voafafy am-piadanana eo anivon'ireo izay mampihavana

Oharina amin'ny vokatra izay nafafin'ny mpamboly ny voka-tsoan'ny fahamarinana. DH: "Ireo izay miaina am-pihavanana dia manao izay lazain'Andriamanitra fa tsara"

mampihavana

"miaina amim-pihavanana." DH: "mahatonga ny hiaina amim-piahavanana"

James 4

James 4:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mananatra ireo mpino ireo i Jakoba noho ny amin'ny fiainan'izy ireo araka ny fanaon'izao tontolo izao sy ny tsy fananan'izy ireo fanetren--tena. Mamporisika azy ireo indray izy mba hitandrina ny amin'ny fomba fifampiresahan'izy ireo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto amin'ny ampahan y iray ity, ny teny hoe "ianareo" dia manondro ireo mpino izay nanoratan'i Jakoba avokoa.

Avy aiza no niavian'ireo ady ... fifandirana

Ny teny hoe "ady" sy "fifandirana" dia mitovitovy hevitra ihany. Ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana fa miresaka momba izay karazana ady rehetra misy eo amin'ny olona izy.

ady sy ireo fifandirana

Ireo fihestika ireo dia raisina toy ny hoe zavatra avy amina toerana samihafa.

Moa va ireo tsy avy amin'ny fanirianareo izay miady

Mampiasa io fanontaniana io i Jakoba mba hananarana ireo mpamaky. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Satria manana fanirian-dratsy ianareo" na "satria maniry ny hanao zavatra ratsy ianareo"

Moa va ireo tsy avy amin'ny fanirianareo izay miady amin'ny mpikambana eo anivonareo?

Raisin'i Jakoba toy ny hoe fahavalo izay mahatonga ady eo amin'ireo mpino ny faniriana. Amin'ny tena izy, mazava ho azy fa ireo olona manana ireo faniriana ireo no mifampiady. DH: "Maniry zava-dratsy ianareo, ary ny mifandratra no hiafaranareo"

mpikambana eo anivonareo

Ireo mety ho dikany dia 1) misy ady eo amin'ireo mpino teo an-toerana, na 2) ny ady, izany hoe: fifandirana, dia ao anatin'ny mpino tsirairay.

Mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy afaka ny ahazo

Ny andian-teny hoe "mamono ianareo" dia maneho ny faharatsian'ny toetran'ny olona mba hahazoana izay tian'izy ireo. Azo adika hoe: "Manao ireo karazana zava-drasty rehetra ianareo mba hahazoana izay tsy azonareo"

Miady sy mifanditra ianareo

Ny teny hoe "miady" sy "mifanditra" dia mitovitovy hevitra ihany. Ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana ny fiadiana eo amin'ny olona. DH: "Miady foana ianareo"

ratsy fangataka

Ireo mety ho dikany dia 1) "Ny anton'ny fangatahanareo dia tsy mety" na "mangataka amin'ny toetra ratsy ianareo" na 2) "diso fangataka ianareo" na "mangataka zavatra ratsy ianareo"

James 4:4

Ianareo ry Mpijanganjanga!

Oharin'i Jakoba amina vehivavy miara-mandry amina lehilahy hafa fa tsy ny vadiny ireo mpino. DH: "Tsy mandrafy an'Andriamanitra ianareo!"

Moa tsy fantatrareo ve ... Andriamanitra?

Mampiasa io fanontaniana io i Jakoba mba hampianarana ny mpamaky. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Fantatrareo ... Andriamanitra!"

fisakaizana amin'izao tontolo

Ity andian-teny ity dia ilazana ny fanarahana ny soa-toavina sy toetran'izao tontolo izao.

fisakaizana amin'izao tontolo

Ny rafitry ny soa-toavin'izao tontolo izao dia oharina amin'ny olona iray izay azon'ny olona hafa atao namana.

ny fisakaizana amin'izao tontolo izao dia fandrafiana manohitra an'Andriamanitra

Ny fisakaizana amin'izao tontolo izao dia midika fa fahavalon'Andriamanitra ny olona iray. Eto ny "fisakaizana amin'izao tontolo izao" dia ilazana ny olona sakaizan'izao tontolo izao, ary ny "fandrafiana manohitra an'Andriamanitra" dia ilazana ireo olona mandrafy an'Andriamanitra. DH: "ireo sakaizan'izao tontolo izao dia fahavalon'Andriamanitra"

Sa ianareo va mieritreritra fa ny Soratra Masina dia miteny zava-poana

Io dia fanontaniana fampisainana izay ampiasain'i Jakoba hananarana ireo mpamaky. Ny miteny zava-poana dia miteny amin'ny tsy misy dikany. DH: "Misy antony ny nilazan'ny soratra masina fa"

Ny Fanahy izay nataony niaina tao amintsika

Ao amin'ny dikan-teny sasany, ao anatin'izany ny UDB sy ny ULB, dia raisina hoe Fanahy Masina io. Ao amin'ny dikan-teny hafa kosa dia misy mandika izany hoe "ny fanahy" mba hilazana ny fanahin'olombelona izay nahariana ny olona tsirairay avy.

James 4:6

Fa Andriamanitra manome fahasoavana bebe kokoa

Azo atao mazava ny fifandraisan'ity fehezanteny ity amin'ilay andininy teo aloha: "Fa, na dia mety haniry izay tsy ho azontsika aza ny fanahintsika, dia manome fahasoavana miambiampy Andriamanitra, raha manetri-tena isika"

manome fahasoavana bebe kokoa

Raisina toy ny hoe zavatra mivaingana azo omena ny fahasoavana.

ny mpirehareha

"ireo olona mieboebo"

ny mpanetry tena

"ireo olona manetri-tena"

Ka

"Noho izany"

maneke an'Andriamanitra

"mankatoava an'Andriamanitra"

Tohero ny devoly

"Aza manao izay tian'ny devoly"

anareo

Manondro ireo mpamakin'i Jakoba io mpisolo-tena io.

James 4:8

Fampahafantarana amin'ny nakapobeny:

Ny teny hoe "ianareo" eto dia manondro ireo mpino niparitaka izay nanoratan'i Jakoba.

Manakaikeza an'Andriamanitra, dia hanakaiky anareo izy

Eto ny hevitry ny hoe manakaiky dia ilazana hoe marina sy misokatra amin'Andriamanitra.

Diovy ny tananareo

Io fomba fiteny io dia baiko ho an'ny olona mba hanao asa marina fa tsy asa tsy marina. DH: "Manàna toetra izay manaja an'Andriamanitra"

diovy ny fonareo

Eto hy "fo" dia ilazana ny saina sy fihetseham-pon'ny olona iray. DH: "manajà an'Andriamanitra amin'ny sainareo"

mpiroa saina

Ny teny hoe "mpiroa saina" dia ilazana ny olona izay tsy mahavita mandray fanapahan-kevitra entitra momba ny zavatra iray. DH: "ireo olona mpiroa-saina" na "ry olona tsy mahavita manapa-kevitra raha te hankatoa an'Andriamanitra ianareo na tsia"

Malahelova, misaonà, ary mitomania

Ireo teny telo ireo dia mitovy hevitra. Miaraka ampiasain'i Jakoba ireo mba hanindriana fa tokony halahelo tokoa ny olona nohon'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra. Ambaran'i Jakoba toy ny hoe baiko izany eto.

Aoka ny fiomehezanareo hody fitomaniana, ary ny fifalianareo ho fanjoretana

Mitovy ihany ny zavatra ambaran'io saingy amin'ny fomba samihafa mba hanamafisana. Ny fiomehezana dia raisina toy ny zavatra izay azo avadika ho alahelo. Tahaka izany ihany koa ny amin'ny fifaliana sy ny fanjoretana. DH: "Atsaharo avy hatarany ny fiomehezanareo ary manomboha milaza amin'Andriamanitra ny fifonanareo"

Manetre-tena eo anatrehan'ny Tompo

"Mietre eo anatrehan'Andriamanitra." Ny fihetsika atao amin'Andriamanitra any an-tsaina dia raisina toy ny hoe fihetsika atao eo amin'ny fanatrehany.

hanandratra anareo Izy

Ny fanomezan'Andriamanitra voninahitra ny olona manetri tena dia ataon'i Jakoba toy ny hoe ho sintonin'Andriamanitra hiala amin'ny tany mihitsy ilay olona.

James 4:11

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manondro ireo mpino izay nanoratan'i Jakoba avaokoa ny "ianareo" ato amin'ity ampahany ity.

mifanaratsy

"manohitra" na "milaza zavatra ratsy momba"

ry rahalahy

Ataon'i Jakoba toy ny hoe mpirahalahy iray rà ireo mpino. DH: "ry mpino namako"

fa mpitsara

"fa manao toy ny olona izay manome ny lalàna ianareo"

Iray ihany no manome lalàna sy mitsara

Manondro an'Andriamanitra io. "Andriamanitra ihany no manome ny lalàna sy mitsara ny olona"

Iza moa ianao, izay mitsara ny namanao?

Io dia fanontaniana fampisainana izay ampiasain'i Jakoba mba hibedesana ireo mpamaky. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Olombelona ihany ianao ka tsy afaka ny hitsara olombelona"

James 4:13

hijanona herintaona

Ataon'i Jakoba toy ny hoe fandaniana vola ny fandaniana fotoana. "hijanona any mandritra ny herintaona"

Iza no mahalala izay hitranga rahampitso

Mampiasa io fanontaniana io i Jakoba mba hanitsiana ireo mpamaky. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Tsy misy mahalala izay hiseho rahampitso"

ary inona ny fiainanareo

Mampiasa io fanontaniana io i Jakoba mba hampianarana ireo mpino fa tsy dia manan-danja tahaka ny inona ny fiainana ara-nofo. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "ary hevero ny fiainanareo ara-nofo"

Fa zavona mipoitra vetivety ianareo ary avy eo dia levona

Oharin'i Jakoba amin'ny zavona izay mipoitra ary manjavona vetivety foana ny olona. DH: "fotoana kely ihany no ahavelomanareo, ary avy eo dia maty ianareo"

James 4:15

Fa kosa, tokony hilaza ianareo hoe

"Fa kosa, ny toetranareo dia tokony"

ho velona isika

Ny teny hoe "isika" dia tsy manondro mivantana an'i Jakoba na ireo mpamaky fa ohatra anehoana ny tokony ho ataon'ireo mpamakin'i Jakoba izany.

hanao an'itsy na hanao an'iroa

"hanao izay nokasaintsika hatao"

an'izay rehetra mahalala manao ny tsara nefa tsy manao izany, dia heloka ho azy izany

Izay rehetra tsy manao ny tsara izay fantany fa tokony ho ataony dia meloky ny fahotana.

James 5

James 5:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampitandrina ireo mpanan-karena ny amin'ny fifantohan'izy ireo amin'ny fahafinaretana sy harena i Jakoba.

ianareo izay manan-karena

Ireo mety ho dikany dia 1) Manome fampitandremana mafonja ho an'ireo mpino mpanefoefo i Jakoba na 2) Miresaka momba ireo mpanefoefo tsy mpino i Jakoba. DH: "Ianareo izay mpanan-karena ka milaza anareo ho manaja an'Andriamanitra"

noho ireo fahoriana tonga aminareo

Ambaran'i Jakoba fa ireo olona ireo dia hijaly mafy amin'ny ho avy ary ny fahorian'izy ireo dia toy ny zavatra izay mandroso manatona zy ireo. DH: "fa hijaly mafy ianareo amin'ny ho avy"

Ny harenareo efa lo, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao. Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo dia efa harafesina

Resahin'i Jakoba toy ny hoe tranga efa niseho sahady io.

Harenareo ... fitafianareo ... volamenanareo

Voatonona eto ireo zavatra ireo mba ho ohatra anehoana ireo zavatra izay sarobidy amin'ireo olona mpanan-karena.

Ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo

Ny "harafesina" dia fomba ilazana ny fahasimban'ny vy. Io fahasimbana io dia oharin'i Jakoba amin'ny olona iray izay ao amin'ny efitrano fitsarana ary miampanga ireo ratsy fanahy nohon'ny heloka be vava nataon'izy ireo. DH: "Ary rehefa mitsara anareo Andriamanitra, dia ho toy ny olona iray izay miampanga anareo eo amin'ny fitsarana ireo harena efa simbanareo"

Handoro ... tahaka ny afo

Oharina amin'ny afo izay mandoro ny tompony ny harafesina eto.

ny nofonareo

Eto ny "nofo" dia ilazana ny vatana.

afo

Ny hevitry ny afo eto hitarihina ny olona mba hahatsiaro fa ny afo matetika dia maneho ny famaizan'Andriamanitra izay ho avy eo amin'ny ratsy fanahy rehetra.

ho amin'ny ireo andro farany

Io dia maneho ny fotoana mialohan'ny hiavian'Andriamanitra mba hitsara ny olona rehetra. Mihevitra ireo ratsy fanahy fa nanangona harena ho amin'ny ho avy izy ireo, saingy nanagona fitsarana anefa no ataon'izy ireo. DH: "fa rehefa hitsara anareo Andriamanitra"

James 5:4

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampitandrina ireo mpanan-karena ny amin'ny fifantohan'izy ireo amin'ny fahafinaretana sy harena i Jakoba.

ny karaman'ireo mpiasa dia mitaraina _ny karama izay nohazoninareo tsy ho an'ireo izay nampamokatra ny sahanareo

Ny vola izay tokony ho naloa dia atao toy hoe ny olona mihiakiaka nohon'ny tsy rariny natao taminy. DH: "ny tsy nandoavanareo ny karaman'ireo nasainao niasa teny amin'ny sahanareo dia mampiseho fa nanao ny tsy mety ianareo"

ireo fitarainan'ny mpijinja dia efa tonga any an'tsofin'ny Tompon'ny maro

Ny fihiakiak'ireo mpijinja dia atao toy ny hoe re any an-danitra. DH: "ren'ny Tompon'ny maro ny hiakiak'ireo mpinjinja"

any an'tsofin'ny Tompon'ny maro

Raisina toy ny hoe manan-tsofina toy ny olombelona Andriamanitra. DH: "ren'ny Tompon'ny maro"

Natavezinareo ny fonareo ho an'ny andro famonoana

Eto ny olona dia raisina toy ny hoe biby fiompy, novokisana tsara tamin'ny voa mba hihatavy ary ho vonoina hanaovana fety. Na izany aza, tsy hisy hanao fety amin'ny andron'ny fitsarana. DH: "Ny fahatendanareo dia nanomana anareo ho amin'ny fahamafisan'ny fitsarana mandrakizay fotsiny"

ny fonareo

Eto ny "fo" dia ampiasaina mba hilazana ny ivon'ny filan'ny olombelona. Io teny io eto dia maneho ilay olona manontolo.

Nanameloka ... ny olo-marina ianareo

Mety tsy ho ilay "nanameloka" any amin'ny fitsarana izay hanomezan'ny mpitsara fanamelohana ho faty ny mpanao ratsy io. Fa kosa, mety maneho ireo ratsy fanahy sy olona manam-pahefana izay manapa-kevitra ny hampijaly ireo mahantra mandra-pahafatin'izy ireo io.

ny olo-marina

"ireo olona manao ny marina." Io fomba fiteny io dia maneho ireo olo-marina amin'ny ankapobeny fa tsy hoe olona iray izay voafaritra mazava.

James 5:7

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ovain'i Jakoba ho famporisihina ireo mpino ny loha-hevitra momba ny fananarana ireo olona mpanan-karena teo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eo am-pamaranana, dia mampatsiahy ireo mpino momba ny fiavian'ny Tompo i Jakoba ary manome lesona fohifohy maromaro ny amin'ny fomba fiainana ho an'ny Tompo.

Koa mahareta

"Noho izany, miandrasa ary mitonia"

mandra-piavin'ny Tompo

Io fehezan-teny io dia maneho ny fiverenan'i Jesosy, rehefa hanomboka ny fanjakany eto an-tany Izy ary hitsara ny olona rehetra. DH: "mandra-piverin'i Kristy"

ny mpamboly

Mampiasa fanoharana momba ny mpamboly sy ireo mpino i Jakoba mba hampianarana ny hevitry ny faharetana.

Hatanjaho ny fonareo

Mikasika ny fon'ireo mpino i Jakoba mba hahavonona azy ireo hanolo-tena hatrany. DH: "Manolora-tena hatrany" na "hamafiso hatrany ny finoanareo"

efa akaiky ny fiavian'ny Tompo

"hiverina tsy ho ela ny Tompo"

James 5:9

Aza mifampitaraina, ry rahalahy ... ianareo

Manoratra ho an'ireo mpino Jiosy niparitaka i Jakoba.

mba tsy ho tsaraina ianareo

Azo adika hoe DH: "tsy hitsara anareo i Kristy"

ny mpitsara mijoro eo am-baravarana

Oharin'i Jakoba amin'ny olona iray izay efa hiditra amin'ny varavarana i Jesosy, ilay mpitsara, mba hanindriana ny amin'ny fiverenan'i Jesosy faingana eto amin'izao tontolo izao. DH: "hiverina tsy ho ela ny mpitsara"

ny fijaliana sy faharetan'ireo mpaminany

"ny fomba niharetan'ireo mpaminany ny fanenjehana tamim-paharetana"

niteny tamin'ny anaran'ny Tompo

"niteny tamin'ny olona ho an'ny Tompo"

Indro

Eto ny hoe "Indro" dia manindry izay ho lazaina manaraka. DH: "Henoy tsara" na "Tsarovy"

ireo izay efa niharitra

"ireo izay nanohy nankatoa an'Andriamanitra na dia tamin'ny ady sarotra aza"

James 5:12

Fa ambonin'ny rehetra

"Zava-dehibe izao" na "Indrindra"

ry rahalahiko

"ry mpino namako"

aza mianiana

Ny atao hoe "mianiana" dia ny milaza fa hanao zavatra iray, na milaza fa marina ny zavatra iray, ary mitazona ny fahefana ambony kokoa ho tompon'Andraikitra amin'izany. DH: "aza manao voady" na "aza manao fianianana"

na amin'ny lanitra na amin'ny tany

Ny teny hoe "lanitra" sy "tany" dia ilazana ireo fahefana ara-panahy na an'olombelona izay misy eto an-tany sy any an-danitra.

Fa kosa, aoka ny teninareo hoe: "Eny" ho "Eny" ary ny "Tsia" ho "Tsia,"

"ataovy izay nolazainareo ho atao ka aza manao voady"

mba tsy hiditra amin'ny fitsarana ianareo

Ny hoe voaheloka dia raisina toy ny hoe nianjera ny olona iray, ary voatorotoron'ny vesatry ny zavatra mavesatra iray. DH: "mba tsy ho faizin'Andriamanitra ianareo"

James 5:13

Misy olona va eo aminareo mijaly amin'ny ady sarotra? Aoka izy hivavaka

"Raha misy mandalo olana, tokony hivavaka izy"

Misy marary va eo anivonareo? Aoka izy hiantso

"Raha misy marary, dia tokony hiantso"

Ny fivavakin'ny finoana dia hanasitrana ilay olona marary, ary ny Tompo hanangana azy

Rehefa mivavaka ho an'ny olona marary ny mpino, dia handre ny fivavak'izy ireo ny Tompo ary hanasitrana ireo olona ireo. DH: "Handre ireo mpino mivavaka amin'ny finoana ny Tompo, ary hanasitrana ilay olona marary Izy"

James 5:16

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Satria mpino Jiosy ireo, dia mampatsiahy azy ireo mba hivavaka i Jakoba, amin'ny fampatsiahivana ny iray amin'ireo mpaminany sy fampatsiahivana ny amin'ny asan'ny fivavak'ireo mpaminany.

Koa mifaneke heloka ianareo

Izany dia manaiky eo amin'ireo mpino hafa ny zavatra ratsy nataonao mba ho voavela heloka ianao.

mba ho sitrana ianareo

"mba ho sitranin'Andriamanitra ianareo"

Ny vavaka ataon'ny olo-marina dia tena matanjaka amin'ny fiasany

Ny vavaka dia faritana toy ny hoe zavatra matanjaka sy mahery. DH: "Rehefa mivavaka ny olona mankatoa an'Andriamanitra, dia hanao zavatra lehibe Andriamanitra"

mafy

"am-po"

telo ... enina

"3 ... 6"

Ny lanitra dia nanome ranon'orana

"Ny lanitra" dia mety hilazana ny habakabaka, izay maneho ny loharano hipoiran'ny orana. DH: "Nilatsaka avy any an-danitra ny orana"

ary ny tany namoa ny vokany

Eto ny tany dia anehoana ny fiavian'ny vokatra.

vokany

Eto ny "vokatra" dia ilazana ny vokatry ny mpamboly.

James 5:19

Ry rahalahiko

"Ry mpino namako"

raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampiverina azy

Atao toy ny hoe ondry nania niala tamin'ireo namany ny mpino iray izay nitsahatra tsy nino an'Andriamanitra. Ny olona izay mandresy lahatra azy hatoky an'Andriamanitra indray dia raisina ho toy ny mpiandry ondry izay nandeha nitady ilay ondry very. DH: "na oviana na oviana misy olona mitsahatra tsy mankatoa an'Andriamanitra, ka misy olona hafa manampy azy hanomboka hankatoa Azy indray"

fa na iza na iza manala ny mpanota iray amin'ny lalan-diso ... hanarona fahotana marobe

Ny tian'i Jakoba ho lazaina dia hoe: ho ampiasain'Andriamanitra handresena lahatra ny mpanota mba hibebaka ka ho voavonjy ny fihetsik'izany olona izany. Saingy resahin'i Jakoba toy ny hoe io olona io mihitsy no namonjy ny fanahin'ilay mpanota tamin'ny fahafatesana.

dia hamonjy azy amin'ny fahafatesana, ary hanarona fahotana marobe

Eto ny "fahafatesana" dia maneho ny fahafatesana ara-panahy, ilay fisarahana amin'Andriamanitra mandrakizay. DH: "hamonjy azy amin'ny fahafatesana ara-panahy, ary Andriamanitra hamonjy ilay mpanota amin'ny fahotany rehetra"

hanarona fahotana marobe

Ireo mety ho dikany dia 1) ny olona izay mamerina ny rahalahy nania dia ho voavela ny helony na 2) ny rahalahy nania, rehefa miverina amin'ny Tompo, dia ho voavela heloka. Atao toy ny hoe zavatra izay afaka saronan'Andriamanitra ny fahotana mba tsy hahitany izany, ary mba hamelany izany.