Plateau Malagasy: translationNotes Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Corinthians 1

1 Corinthians 1:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly sy Sostena miarahaba ireo Korintiana mpino ao am-piangonana.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Raha tsy misy fanamarihana manokana, ny teny toy ny hoe: "ianareo" sy "anareo" no ampiasaina satria maneho an'ireo mpihaino an'i Paoly.

Paoly ... ho an'ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto

Ny fitenim-paritrao dia mety manana ny fombany manokana hampahafantarana ny mpanoratra ny taratasy sy ireo mpamaky izany. DH: "Izaho, Paoly, nanoratra ity taratasy ity ho anareo izay mino an'Andriamanitra any Korinto"

Sostena rahalahintsika

Izany dia midika fa i Paoly sy ireo Korintiana dia samy nahalala an'i Sostena. DH: "Sostena ilay rahalahy izay fantatrareo sy fantatro"

Ireo rehetra izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy

Eto ny hoe: "nohamasinina" dia maneho ny olona izay natokan'Andriamanitra hanome voninahitra Azy. DH: "ho an'ireo izay natokan'i Kristy Jesosy ho an'Andriamanitra" na "ho an'ireo izay natokan'Andriamanitra ho Azy satria izy ireo dia an'i Kristy Jesosy"

izay nantsoina ho olomasina

Afaka atao hoe: "Izay nantsoin'Andriamanitra ho olomasina" Ireo mety ho dikany: 1) "izay natokan'Andriamanitra ho Azy" na 2) "izay nantsoin'Andriamanitra mba hanasaraka ny tenan'izy ireo amin'ny fahotana" na "izay nantsoin'Andriamanitra mba tsy hanota"

Ny Tompon'izy ireo sy antsika

Jesosy dia Tompon'i Paoly sy ireo Korintiana no sady Tompon'ny fiangonana rehetra.

1 Corinthians 1:4

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

I Paoly dia mamaritra ny toeran'ny mpino sy ny fiombonana ao amin'i Kristy tahaka ny hoe miandry ny fahatongavany izy ireo.

noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomen'i Kristy Jesosy anareo

Ny fahasoavana dia oharin'i Paoly amin'ny zavatra mivaingana izay nataon'i Jesosy ho fanomezana an'ireo Kristiana. DH: "satria nataon'i Kristy Jesosy ho azon'Andriamanitra tanterahina ny ho tsara fanahy aminareo"

Nataony nanan-karena ianareo

Ireo mety ho dikany: 1) "Nataon'i Kristy manan-karena ianareo" na 2) "Nataon'Andriamanitra mpanan-karena ianareo."

Nataony nanan-karena tamin'ny fomba rehetra ianareo

Fomba amin'ny anakapobeny no resahan'i Paoly. DH: "naha-mpanan-karena anareo tamin'ny karazam-pitahiana ara-panahy rehetra"

tamin'ny fiteny rehetra

Nataon'Andriamanitra afaka milaza amin'ny hafa momba ny hafatr'Andriamanitra amin'ny fomba maro ianareo.

ny fahalalana rehetra

Nataon'Andriamanitra afaka mahatakatra ny hafatr'Andriamanitra amin'ny fomba maro ianareo.

raha vao voaporofo teo aminareo fa marina ny fanambarana momban'i Kristy

Ireo mety ho dikany: 1) "Ianareo mihitsy no nahita fa izay voalazanay momba an'i Kristy dia marina" na "ny olona sasany dia nahafantatra tamin'ny alalan'ny fahitana ny fomba fiainanareo ankehitriny fa izay voalazanay sy voalazanareo momba an'i Kristy dia marina."

1 Corinthians 1:7

Noho izany

"Vokatr'izany"

tsy ory fanomezam-pahasoavana

"manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra"

ny fanambarana an'i Jesosy Kristy Tompontsika

Ireo mety ho dikany: 1) "amin'ny fotoana hanambaran'Andriamanitra an'ilay Tompo Jesosy Kristy" na 2) "amin'ny fotoana hanambaran'i Jesosy Kristy Tompo ny tenany."

tsy hanan-tsiny ianareo

Tsy hisy antony hanamelohan'Andriamanitra anareo.

Mahatoky Andriamanitra

"Andriamanitra dia hanao izay rehetra nolazainy fa ho ataony"

ny Zanany

Izany dia fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.

1 Corinthians 1:10

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

I Paoly dia mampatsiahy an'ireo Korintiana mpino fa izy ireo dia tokony hiaina ao anaty fiombonana amin'izy samy izy sy ny hafatry ny hazofijalian'i Kristy, fa tsy ny batisa tamin'ny alalan'ny olona, no mamonjy.

ry rahalahy,

Eto izany dia midika hoe namana Kristiana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy.

mba hifanaraka ianareo rehetra

"mba hiaina ao anaty fifanarahana ianareo tsirairay"

ary tsy hisy fisarahana eo aminareo

"mba tsy hisy fizarana antoko eo aminareo"

mba hikambana amin'ny saina mitovy sy tanjona mitovy ianareo

"miray hina"

ny vahoakan'i Kloa

Maneho an'ireo isam-piankohonana izany, ireo mpanompo, ary ireo hafa izay isan'ny ankohonan'i Kloa, vehivavy iray, izay lohany.

misy fifampiandaniana eo aminareo

"ao anaty antoko izay mifamaly amin'ny hafa ianareo"

1 Corinthians 1:12

Ny tsirairay aminareo samy manao hoe

Maneho ny toetry ny fizarazarana amin'ny ankapobeny i Paoly.

Voazarazara ve Kristy?

Paoly dia te-hanamafy ny marina fa i Kristy dia tsy mizarazara fa iray. "Tsy afaka zarazaraina araka izao fomba ataonareo izao i Kristy!"

Paoly ve no nomboana ho anareo?

Paoly dia te-hanamafy fa Kristy, fa tsy Paoly na Apolosy, no nomboana. Afaka atao ihany koa hoe: "Azo antoka fa tsy Paoly no novonoin'izy ireo teo amin'ny hazofijaliana ho famonjena anareo!"

Tamin'ny anaran'i Paoly ve no nanaovana batisa anareo?

Paoly dia te-hanamafy fa natao batisa tamin'ny anaran'i Kristy isika rehetra. DH: "Tsy tamin'ny anaran'i Paoly no nanaovana batisa ny olona!"

1 Corinthians 1:14

Misaotra an'Andriamanitra aho

Naneho fankasitrahana i Paoly tamin'ny tsy fanaovana batisa olona betsaka tao Korinto.

fa tsy nisy ... taminareo, afa-tsy

" ... irery ihany"

Krispo

Mpanapaky ny synagoga izay lasa Kristiana izy.

Gaio

Nandeha niaraka tamin'i Paoly Apostoly izy.

Izany dia mba tsy hahafahan'iza na iza miteny hoe tamin'ny anarako no nanaovana batisa anareo

"Tsy nanao batisa olona hafa aho satria natahotra aho sao hirehareha izy ireo hoe nataoko batisa any aoriana"

ny ankohonan'i Stefanasy

Izany dia maneho ny isam-piankohonana sy ireo mpanompo ao amin'ny tranon'i Stefanasy, lehilahy iray, izay lohany.

1 Corinthians 1:17

Fa Kristy dia tsy naniraka ahy mba hanao batisa

Izany dia midika fa tsy ny batisa no tanjona voalohan'ny asa fanompoan'i Paoly.

ny tenin'ny fahendren'ny olombelona, mba tsy ho foana ny herin'ny hazofijalian'i Kristy.

Oharin'i Paoly amin'ny olona ny "tenin'ny fahendren'olombelona" , ny hazofijaliana toy ny fitoeran-javatra, ary ny hery toy ny zavatra mivaingana izay afaka apetrak'i Jesosy ao amin'io fitoeran-javatra io. DH: "ny tenin'ny fahendren'ny olombelona ... ireo tenin'ny fahendren'olombelona dia tsy tokony hahafoana ny hazofijalian'i Kristy amin'ny heriny" na "ny tenin'ny fahendren'ny olombelona ... ny olona dia tsy tokony hitsahatra hino ny hafatra momba an'i Jesosy Kristy ka hihevitra fa Izaho dia manan-danja kokoa noho i Jesosy"

1 Corinthians 1:18

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manantitrantitra ny fahendren'Andriamanitra i Paoly fa tsy ny fahendren'ny olombelona.

ny hafatra momba ny hazo fijaliana

"ny fitoriana momba ny fanomboana amin'ny hazofijaliana" na "ny hafatra momba an'i Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana"

dia fahadalana

"tsy misy dikany" na "adaladala"

amin'ireo izay ho faty

Eto ny hoe: "ho faty" dia manambara ny dingan'ny fahafatesana ara-panahy.

dia herin'Andriamanitra izany

"Andriamanitra no miasa amin-kery ho antsika"

Ho foanako ny fahalalanan'ny mahay

"Ho afangaroko ny olona mahay" na "Hataoko izay tsy hahatanteraka ny fikasan'ny olona mahay"

1 Corinthians 1:20

Aiza ny olon-kendry? Aiza ny manam-pahaizana? Aiza ny mpiady hevitra an'izao tontolo izao?

Paoly dia manamafy fa tsy hita na aiza na aiza ny tena olon-kendry. DH: "Oharina amin'ny fahendren'ny filazantsara, dia tsy misy olon-kendry, tsy misy manam-pahaizana, tsy misy mpiady hevitra!"

ny manam-pahaizana

olona iray izay fantatra fa nianatra zavatra be

ny mpiady hevitra

olona iray izay milaza ny zavatra fantany na izay mahay fandresan-dahatra tahaka izany

Moa tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren'izao tontolo izao?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly mba hanamafisana izay zava-bitan'Andriamanitra tamin'ny fahendren'izao tontolo izao. DH: "Nampiseho Andriamanitra fa ny zavatra rehetra izay nantsoin'izy ireo hoe fahendrena dia tena fahadalana"

ireo izay mino

Ireo mety ho dikany dia 1) "izay rehetra mino ilay hafatra" na "izay rehetra mino an'i Kristy."

1 Corinthians 1:22

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "izahay" dia maneho an'i Paoly sy ireo mpampianatra Baiboly hafa.

Kristy voahombo

"momba an'i Kristy, izay maty teo amin'ny hazofijaliana"

vato fanafintohinana

Toy ny olona iray mety ho tafintohina amin'ny vato eny an-dalana, ny hafatry ny famonjena amin'ny alalan'ny fanomboana an'i Kristy ihany koa dia miaro ny Jiosy tsy hino an'i Jesosy. DH: "tsy azo ekena" na "tena manafintohina"

1 Corinthians 1:24

ho an'ireo izay nantsoin'Andriamanitra

"ho an'ny olona izay nantsoin'Andriamanitra"

mitory an'i Kristy ... izahay

"mampianatra ny momba an'i Kristy izahay" na "miteny ny momba an'i Kristy amin'ny olona rehetra izahay"

Kristy tahaka ny hery sy fahendren'Andriamanitra

Ireo mety ho dikany: 1) "Niasa tamin-kery sy am-pahendrena Andriamanitra tamin'ny fandefasana an'i Kristy ho faty ho antsika" na "tamin'ny alalaní Kristy no nanehoan'Andriamanitra fa mahery sy manam-pahendrena Izy."

ny hery ... an'Andriamanitra

Ny mety ho dikany hafa dia hoe i Kristy dia mahery ary tamin'ny alalan'i Kristy no hamonjen'Andriamanitra antsika.

fahendren'Andriamanitra

Ny mety ho dikany hafa dia hoe: Andriamanitra nampiseho ny votoatin'ny fahendreny tamin'ny alalan'i Kristy.

ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen'Andriamanitra dia matanjaka noho ny olona

Izay antsoin'ny olona hoe fahadalan'Andriamanitra dia hendry tokoa noho izay antsoin'ny olona hoe fahendrena, ary izay antsoin'ny olona hoe fahalemenÁndriamanitra dia mahery tokoa noho ny herin'ny olona"

1 Corinthians 1:26

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manambara ny toeran'ny mpino manoloana an'Andriamanitra i Paoly.

Tsy maro ... Tsy maro ... Tsy maro

"Tena vitsy ... Tena vitsy ... Tena vitsy"

hendry raha ny amin'ny maha olombelona

"izay antsoin'ny ankamaroan'ny olona hoe hendry"

avo firazanana

"miavaka satria manan-danja ny fianakavianareo"

Andriamanitra dia nisafidy ... ny hendry. Andriamanitra dia nisafidy ... izay matanjaka.

Mamerina teny mitovy ao amin'ny fehezanteny roa i Paoly izay midika zavatra mitovy ihany mba hanamafisana ny fahasamihafana eo amin'ny fomba fanaon'Andriamanitra ireo zavatra sy ny hevitry ny olona ny amin'ny tokony hanaovan'Andriamanitra an'ireo.

Andriamanitra dia nisafidy ireo zavatra adalan'izao tontolo izao mba hampamenatra ny hendry

"Andriamanitra nisafidy ny hampiasa ireo izay heverin'izao tontolo izao fa fahadalana mba hahamenatra ireo izay heverin'izao tontolo izao ho hendry"

Andriamanitra dia nisafidy izay malemy eo amin'izao tontolo izao mba hampahamenatra izay matanjaka

"Andriamanitra nisafidy ny hampiasa ireo izay heverin'izao tontolo izao ho malemy mba hahamenatra ireo heverin'izao tontolo izao ho matanjaka"

1 Corinthians 1:28

izay ambany sy hamavoina

ireo olona izay lavin'izao tontolo izao. DH: "ireo olona izay manetry tena sy nolavina"

ireo zavatra izay noheverina ho tsinontsinona

Afaka atao hoe: "izay matetika jeren'ny olona ho tsy manan-danja"

tsinontsinona, mba hahatonga tsinontsinona ireo zavatra izay atao ho manan-danja

"tsinontsinona. Nataony izany mba hahafahany mampiseho fa ireo zavatra izay hatao ho manan-danja dia tena tsy misy dikany"

ireo zavatra izay atao ho sarobidy

DH: "ireo zavatra izay heverin'ny olona ho mitovy lanja amin'ny vola" na "ireo zavatra izay heverin'ny olona ho mendrika haja"

Nataony izany

"Andriamanitra nanao izany"

1 Corinthians 1:30

Nohon'ny nataon'Andriamanitra

Izany dia maneho ny asan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana.

antsika ... -ntsika

Ireo teny ireo dia maneho an'i Paoly, ireo izay miaraka aminy, ary ireo Korintiana.

Kristy Jesosy, izay lasa fahendrena ho antsika avy amin'Andriamanitra

Ireo mety ho dikany: 1) "Kristy Jesosy, izay nanambara mazava tamintsika ny fahendren'Andriamanitra" na 2) "Kristy Jesosy, izay efa nanome antsika ny fahendren'Andriamanitra."

Aoka izay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo

"Raha misy olona mirehareha, dia tokony hirehareha amin'ny fahalebiazan'ny Tompo izy"

1 Corinthians 2

1 Corinthians 2:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampifanohitra ny fahendren'ny olona sy ny fahendren'Andriamanitra i Paoly. Manantitrantitra izy fa ny fahendrena ara-panahy dia avy amin'Andriamanitra.

ry rahalahy

Eto izany dia hilazana ireo Kristiana namana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy.

Fa nanapa-kevitra tsy hahalala na inona na inona aho ... afa-tsy Jesosy Kristy

Momba ny fanomboana an'i Kristy no resahan'i Paoly fa tsy ny hevitr'olombelona. DH: "Tapa-kevitra ny hiresaka betsaka araka izay azoko natao aho ... momba an'i Jesosy Kristy"

1 Corinthians 2:3

niaraka taminareo aho

"Niara-namangy taminareo aho"

amin'ny fahalemena

Ireo mety ho dikany: 1) "malemy ara-batana" na 2) "mahatsapa toa tsy afaka manao izay tokony ho nataoko aho."

ny teny fandresen-dahatry ny fahendrena

ireo teny izay toa maneho fahendrena ary izay antenain'ny mpiteny hahatonga ny olona hanao na hino zavatra iray

1 Corinthians 2:6

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nahaton'i Paoly ny fandresen-dahatra fototra mba hanazavany izay tiany ho lazaina amin'ny hoe: "fahendrena" ary ny olona tiany no resahany.

Ankehitriny dia miresaka ... isika

Ny teny hoe: "Ankehitriny" dia ampiasaina eto mba hanamarihana fiatoana eo amin'ny fampianarana fototra. Manomboka manazava i Paoly fa ny fahendrena marina dia ny fahendren'Andriamanitra.

miresaka fahendrena

"milaza ireo tenin'ny fahendrena"

ireo matotra

"ireo mpino matotra"

talohan'ireo vaninandro

"talohan'ny namoronan'Andriamanitra ny zavatra rehetra"

Ho voninahitsika

"mba hiarovana ny voninahitsika ho avy"

1 Corinthians 2:8

ilay Tompon'ny voninahitra

"Jesosy, ilay Tompo be voninahitra"

Ireo zavatra izay tsy nisy maso nahita ... eritreritra nahazo an-tsaina, ireo zavatra ... ho an'ireo tia Azy

Fehezanteny tsy feno io. Ireo dikan-teny sasany dia manao izany ho fehezanteny feno: "Ireo zavatra izay tsy nisy maso nahita ... nahazo an-tsaina; ireo no zavatra ... izay tia azy." Ireo dikan-teny hafa dia mamela izany tsy ho feno: "Ireo zavatra izay tsy nisy maso nahita ... nahazo an-tsaina, ireo zavatra ... izay tia azy'-"

Ireo zavatra izay tsy nisy maso nahita, tsy nisy sofina nandre, tsy nisy eritreritra nahazo an-tsaina

Izany dia zavatra telo izay manambara ny olona manontolo mba hanamafisana fa tsy nisy olona nahafantatra ireo zavatra izay efa nomanin'Andriamanitra.

ireo zavatra izay nomanin' Andriamanitra ho an'ireo tia Azy

Namorona zavatra tsy ampoizina mahatalanjona any an-danitra ho an'ireo izay tia Azy ny Tompo.

1 Corinthians 2:10

Ireo no zavatra

Milaza ny fahamarinana momba an'i Jesosy sy ny hazofijaliana i Paoly.

Fa iza no mahafantatra ny fisainan'ny olona iray afa-tsy ny fanahin'ny olona ao aminy?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly mba hanamafisany fa tsy misy na iza na iza mahalala ny eritreritry ny olona afa-tsy ilay olona irery ihany. DH: "Tsy misy na iza na iza mahalala ny eritreritry ny olona afa-tsy ny fanahin'izany olona izany ihany"

ny fanahin'ny olona

Izany dia maneho ny toetra anatin'ny olona iray, ny toetrany manokana ara-panahy.

tsy misy mahafantatra ireo zavatra lalin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra

"Ny fanahin'Andriamanitra ihany no mahalala ireo zavatra lalin'Andriamanitra"

1 Corinthians 2:12

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "isika" dia ahitana an'i Paoly sy ireo mpamaky.

omena antsika maimaimpoana avy amin'Andriamanitra

"izay nomen'Andriamanitra antsika maimaimpoana" na "izay efa nomen'Andriamanitra antsika maimaimpoana"

Ny Fanahy no mandika ny teny ara-panahy miaraka amin'ny fahendrena ara-panahy

Ny Fanahy Masina dia mampita ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ireo mpino ao amin'ny tenin'ny Fanahy manokana sady manome azy ireo ny fahendreny manokana.

mandika

"manazava"

1 Corinthians 2:14

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "izahay" dia ahitana an'i Paoly sy ireo mpihaino azy.

Ny olona izay tsy manam-panahy

Olona tsy Kristiana, izay tsy nandray ny Fanahy Masina

satria famantarana ara-panahy ireny

"Satria ny fahazoana ireny zavatra ireny dia mila ny fanampian'ny Fanahy"

Izay manam-panahy

"Ny mpino izay nandray ny Fanahy"

Fa iza no afa-mahalala ny fisainan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra Azy?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly mba hanamafisany fa tsy misy olona mahalala ny fisainan'ny Tompo, noho izany tsy misy olona afaka ny hampianatra Azy izay zavatra efa fantany"

1 Corinthians 3

1 Corinthians 3:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ankehitriny Paoly dia mampatsiahy an'ireo mpino Korintiana ny amin'ny fomba fiainan'izy ireo amin'izao raha tokony hanana toetra araka ny toeran'izy ireo eo anatrehan'Andriamanitra kosa izy ireo. Mampatsiahy izy fa ny olona izay mampianatra azy ireo dia tsy manan-danja noho Andriamanitra izay manome ny fitomboan'izy ireo.

ry rahalahy

Eto izany dia hilazana ireo namana Kristiana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy.

ny olona izay manam-panahy

ireo olona izay mankato ny Fanahy

ny olona ara-nofo

ireo olona izay manaraka ny fanirian'izy ireo manokana

tahaka ny zazakely ao amin'i Kristy

Ampitahaina amin'ny ankizy mbola zaza amin'ny taona sy amin'ny fahazavan-tsaina ireo Korintiana. DH: "tahaka ireo mpino mbola zaza ao amin'i Kristy"

Nofahanako ronono ianareo, fa tsy ventin-kanina

Fahamarinana tsotra ihany no takatr'ireo Korintiana tahaka ny zazakely izay ronono ihany no afaka sotroiny. Tsy ampy fahamatoran-tsaina tsara hahatakarana fahamarinana lehibe kokoa tahaka ny ankizy lehibe izay efa afaka mihinana ventin-kanina izy ireo.

mbola tsy vonona ianareo

"Mbola tsy vonona ny hahatakatra ny fampianarana sarotra kokoa momba ny fanarahana an'i Kristy ianareo"

1 Corinthians 3:3

mbola araky ny nofo

mbola manana toetra araka ny faniriana feno ota na fanirian'izao tontolo izao

tsy miaina araky ny nofo ve ianareo, ary tsy mandeha amin'ny fenitry ny olombelona?

Mibedy ireo Korintiana i Paoly noho ny fitondran-tena feno fahotan'izy ireo. DH: "tokony ho menatra ianareo satria manao toetra araka ny fanirian-dratsinareo ary miaina araka ny fomban'ny olombelona!"

tsy miaina tahaka ny olombelona ihany ve ianareo?

Paoly dia mibedy ireo Korintiana. DH: "tokony ho menatra ianareo satria miaina tahaka ny fomba fiainan'ny olona izay tsy manana Fiainam-panahy"

Iza ary Apolosy? Iza Paoly?

Manamafy i Paoly fa tsy loharano nipoiran'ny filazantsara izy sy Apolosy, ka noho izany dia tsy tokony hanaraka azy ireo ny Korintiana. DH: "Diso ny fananganana vondrona mba hanarahana an'i Apolosy na i Paoly!"

Iza i Paoly

Miresaka ny tenany toy ny hoe miresaka olon-kafa i Paoly. "Iza moa aho?" na DH: "Tsy manan-danja aho!"

Mpanompo izay tamin'ny alalany no ninoanareo

Paoly ihany no namaly ny fanontaniany tamin'ny filazana fa izy sy Apolosy dia mpanompon'Andriamanitra. DH: "Paoly sy Apolosy dia mpanompon'i Kristy, ary ianareo nino an'i Kristy satria manompo Azy izahay"

ninoanareo, izay nomen'ny Tompo asa avy

"nino. Izahay dia olona izay nomen'ny Tompo asa fotsiny ihany"

1 Corinthians 3:6

namboly

Ny fahalalan'Andriamanitra dia oharina amin'ny voa izay tsy maintsy hambolena mba haniry.

nanondraka

Toy ny voa mila rano, ny finoana dia mila fampianarana bebe kokoa mba hitomboany.

nampitombo

Toy ny zava-maniry mitombo sy mivelatra, no hitomboan'ny finoana sy ny fahalalana ihany koa ao amin'Andriamanitra ka tonga lalina sy mafy orina.

na izy izay mamboly ... dia tsy misy dikany. Fa Andriamanitra no mampitombo

Manantitrantitra i Paoly fa tsy izy na i Apolosy no tompon'andraikitra amin'ny fitomboana ara-panahin'ireo mpino, fa Andriamanitra no manao izany.

mampitombo

Oharin'i Paoly amin'ny zavatra mivaingana izay azon'Andriamanitra omena ireo zava-maniry na ho an'ireo Korintiana ny fahafahana mitombo. "hahafahan'ireo zava-maniry mitombo" na "hahafahan'ireo Kristiana mahalala Azy tsara kokoa"

1 Corinthians 3:8

izy izay mamboly sy izy izay manondraka dia iray

Oharin'i Paoly amin'ny hoe mamboly sy manondraka zava-maniry ny filazana vaovao mahafaly amin'ny olona sy ny fampianarana an'ireo izay nanaiky izany. Resahiny toy ny hoe manana asa mitovy izy ireo satria samy raisiny ho manan-danja.

ny karamany

vola izay raisin'ny mpiasa tamin'ny asany

izahay

Maneho an'i Paoly sy Apolosy fa tsy ny fiangonana Korintiana.

mpiara-miasa amin' Andriamanitra

Paoly dia mihevitra ny tenany sy i Apolosy ho toy ny hoe miara-miasa.

sahan'Andriamanitra

Andriamanitra dia mikarakara ireo mpino Korintiana, tahaka ny olona iray izay mikarakara zaridaina mba hahatonga izany hamokatra.

tranon'Andriamanitra

Andriamanitra dia nanamboatra sy namorona ireo Korintiana mpino, toy ny olona iray izay manorina trano.

1 Corinthians 3:10

Araka ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy

"Araka ny asa maimaimpoana izay nomen'Andriamanitra ahy ho ataoko"

nametraka ny fototra aho

Paoly dia mampitovy ny fampianarana momba ny finoana sy ny famonjena ao amin'i Jesosy Kristy amin'ny fametrahana fototra ho an'ny trano iray.

ary hafa no manorina eo amboniny

Paoly dia maneho ny olona na ireo olona izay mampianatra an'ireo Korintiana tamin'izany fotoana izany tahaka ny hoe izy ireo no mpandrafitra izay manorina ny trano eo ambonin'ny fototra.

aoka ny lehilahy tsirairay

Izany dia entina hilazana ireo mpiasan'Andriamanitra amin'ny ankapobeny. DH: '''aoka ny olona tsirairay izay manompo an'Andriamanitra"

tsy misy olona afaka mametraka fototra afa-tsy ilay iray izay napetraka

DH: "efa nametraka ny fototra tokana izay afaka apetraky ny olona rehetra aho" na "Tsy misy olona afaka mametraka fototra ankoatra ny fototra izay napetrako, Paoly"

1 Corinthians 3:12

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Paoly dia miresaka momba izay ataon'ny mpanao trano matetika rehefa manangana trano mba hamaritana izay ataon'ireo mpampianatra any Korinto. Ireo mpanorina trano matetika dia mampiasa volamena, volafotsy, na vato sarobidy ho fandravahana ireo trano.

Ankehitriny raha misy olona manorina eo ambonin'ny fototra amin'ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hazo, bozaka, na mololo

Ireo fitaovana ampiasaina hananganana trano vaovao dia ampitahaina amin'ny soatoavina ara-panahy ampiasaina hanorenana ny fitondran-tenan'ny olona iray sy ireo asa ataony mandritra ny androm-piainany. DH: "na manorina miaraka amin'ny fitaovana sarobidy izay haharitra ny olona na miaraka amin'ny fitaovana mora izay mora mirehitra"

vato sarobidy

"vato lafo vidy"

haseho ny asany

DH: "Ho asehon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra ny zava-bitan'ny mpanori-trano"

fa ny andro mazava no haneho izany

Ny "andro mazava" eto dia sarin-teny hilazana ny fotoana hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra. Rehefa hampiseho ny zava-bitan'ireo mpampianatra amin'ny olona rehetra Andriamanitra, dia ho toy ny masoandro izay vao miposaka mba hampiseho izay mitranga mandritra ny alina izany.

Satria haseho amin'ny afo izany. Ny afo no hitsapana ny hatsaran'ny nataon'ny tsirairay

Tahaka ny afo izay haneho ireo hery na handrodana ny fahalemen'ny trano, ny afon'Andriamanitra dia hitsara ny ezaka sy ny asa nataon'ny olona. DH: "Andriamanitra dia hampiasa afo mba hanehoana ny hatsaran'ny asany"

1 Corinthians 3:14

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe: "ilay olona," "izy" ary "izy tenany" dia maneho ireo mpino.

mitoetra

"maharitra" na "velona"

fa raha may ny asan'ilay olona

Azo atao hoe: "raha mandoro ny asan'ilay olona ilay afo" na "raha manimba ny asan'ilay olona ilay afo"

dia ho fatiantoka izy, fa izy tenany dia ho vonjena

Azo atao hoe: DH: "ho very ny asany sy ny valisoa mety ho azony tamin'io asa io raha tafavoaka velona tamin'ny afo izany asa izany, kanefa Andriamanitra hamonjy azy"

1 Corinthians 3:16

Tsy fantatrareo ve fa ianareo dia tempolin' Andriamanitra ary ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao aminareo?

Mibedy ireo Korintiana i Paoly. DH: "Ianareo dia manao toy ny hoe tsy fantatrareo fa tempolin'Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin'Andriamanitra dia monina ao aminareo!"

1 Corinthians 3:18

Aza avela hisy olona hamita-tena

Tsy misy olona tokony hino lainga hoe izy dia hendry eto amin'izao tontolo izao.

amin'izao vanim-potoana izao

Araka ny fomba izay heverin'ny olona tsy mino ny atao hoe hendry.

avelao izy ho lasa "adala"

"tokony ho vonona ny ho antsoin'ny olona hoe adala izy"

Nahatratra ny hendry tao amin'ny hafetsen'izy ireo Izy

Tratran'Andriamanitra ireo olona izay mihevi-tena ho mahay sy mampiasa ny teti-dratsiny mba hamandrika azy ihany.

Ny Tompo dia mahalala fa ny fihevitry ny hendry dia zava-poana.

"Ny Tompo mahalala fa ny zavatra eritreretin'ny olona izay mihevi-tena ho hendry dia zava-poana"

zava-poana

Tsy misy ilana azy

1 Corinthians 3:21

ianareo dia an'i Kristy, ary Kristy dia an'Andriamanitra

"an'i Kristy ianareo, ary Kristy dia an'Andriamanitra"

1 Corinthians 4

1 Corinthians 4:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa avy nampatsiahy ny olona mba tsy hirehareha ny amin'izay nampianatra azy ireo ny mahakasika ny Tompo sy izay nanao batisa azy ireo, i Paoly dia mampatsiahy ireo mpino Korintiana fa ireo mpino rehetra dia tokony ho mpanompo manetri-tena.

Amin'izany fifandraisana izany

"Satria isika no mpitandrina azy ireo"

dia fepetra takiana amin'ireo mpitandrina ny maha-mendri-pitokiana azy ireo

Paoly dia miresaka ny tenany toy ny hoe miresaka olon-kafa. DH: "Isika dia ilaina mba"

1 Corinthians 4:3

dia zavatra kely dia kely no tokony hitsaranareo ... ahy

Paoly dia mampitaha ny fahasamihafana eo amin'ny fitsaran'ny olona sy ny fitsaran'Andriamanitra. Ny fitsaran'ny olona dia tsy manan-danja raha ampitahaina amin'ny fitsarana marin'Andriamanitra amin'ny olombelona.

Izaho dia tsy mahafantatra izay fiampangana natao tamiko

"Tsy naheno olona nanendrikendrika ahy ho nanao ny tsy nety aho"

izany dia tsy midika fa tsy manan-tsiny aho. Ny Tompo no mitsara ahy

"Ny tsy fahampian'ny fiampangana dia tsy manaporofo fa tsy manan-tsiny aho. Ny Tompo no mahalala raha tsy manan-tsiny aho na meloka"

1 Corinthians 4:5

Noho izany aza manonona fitsarana

Satria Andriamanitra no hitsara rehefa tonga Izy, dia tsy tokony hitsara isika.

hitondra ireo zava-miafin'ny haizina ho amin'ny fahazavana ary hampiseho ny fikasàn'ny fo

Andriamanitra dia hampahafantatra ny eritreritry ny olona sy ny fikasany. Tsy misy na inona na inona hiafina eo anatrehan'Andriamanitra.

ny fo

"ny fon'ny olona"

1 Corinthians 4:6

ry rahalahy

Eto izany dia midika hoe: namana Kristiana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy.

nohon'ny aminareo

"mba hahasoa anareo"

eo aminao ... anananao ka tsy noraisinao ... noraisinao maimaimpoana ... ianao no mirehareha ... toy ny tsy nanao toy izany

Paoly dia miresaka ireo Kristiana toy ny hoe olona iray ihany, noho izany dia: "ianao" no ampiasaina eto.

Fa iza no mahita fahasamihafana eo aminao sy ireo hafa?

Mibedy ireo Korintiana izay mihevitra ho tsara noho ireo izay nandre ny filazantsara avy amin'ny olon-kafa i Paoly. DH: "Tsy ambony noho ny olona hafa ianao"

Inona no anananao ka tsy noraisinao maimaimpoana?

Paoly dia manamafy fa Andriamanitra no nanome azy ireo izay hananan'izy ireo maimaimpoana. DH: "Andriamanitra nanome anareo ny zavatra rehetra izay azonareo maimaimpoana"

nahoana ianao no mirehareha toy ny tsy nanao toy izany?

Paoly dia mibedy azy ireo noho ny fireharehana ny amin'izay azon'izy ireo. DH: "Tsy manana zo hirehareha ianao" na "Aza mirehareha akory"

1 Corinthians 4:8

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manao fanesoana i Paoly eto mba hahamenatra ireo Korintiana ary hampahafantatra azy ireo fa manota izy ireo rehefa mirehareha amin'ny tenan'izy ireo sy ireo mpampianatr'izy ireo.

Andriamanitra dia nametraka antsika ho apostoly miharihary

Maneho fomba roa izay nametrahan'Andriamanitra miharihary ireo apostoliny eo amin'izao tontolo izao i Paoly.

nametraka antsika ... miharihary

Nampiharihary ireo apostoly tahaka ireo voafonja any amin'ny faran'ny matson'ny miaramila Romana Andriamanitra, izay nalaina baraka talohan'ny namonoana azy ireo.

tahaka ny olona voaheloka ho faty

Andriamanitra nampiharihary ireo apostoly tahaka ireo olona izay efa ho vonoina.

ho an'izao tontolo izao—ho an'ireo anjely, ary ny ho an'ny olombelona

Ireo mety ho dikan'izany: 1) "izao tontolo izao" dia ahitana ny mihoatra ny voajanahary ('ireo anjely") sy ny voajanahary ("ny olombelona") na 2) "ho an'izao tontolo izao, ireo anjely, ary ho an'ny olombelona."

1 Corinthians 4:10

Izahay dia adala ... nalaim-baraka

Mampiasa fanesoana i Paoly mba hahamenatra ireo Korintiana mba hiheveran'izy ireo izay lazainy.

Ianareo dia nomem-boninahitra

"Ny olona dia mitondra anareo Korintiana toy ny hoe olona manan-danja"

fa izahay kosa nalaim-baraka

"manala baraka anay apostoly ny olona"

Mandrak'ankehitriny

"Hatramin'izao"

voakapoka mafy

Izany dia hilazana ny famelezana amin'ny tanana, fa tsy amin'ny karavasy na langilangy. Azo adika hoe: "Kapohin'ny olona izahay"

tsy manan-kialofana

Ny tian'i Paoly ho lazaina dia hoe: manana toerana hialofana izy ireo, nefa izy ireo dia mifindrafindra amin'ny toerana iray mankany amin'ny toerana iray hafa. Tsy manana trano fonenana manokana izy ireo.

1 Corinthians 4:12

Rehefa latsaina izahay, dia mitahy

"Rehefa misy olona mandatsa anay, dia mitso-drano azy ireo izahay" na "Rehefa misy olona manala baraka anay, dia mitso-drano azy ireo izahay"

Rehafa henjehina izahay

"Rehefa misy olona manenjika anay"

Rehefa voaendrikendrika izahay

"Rehefa misy olona manendrikendrika anay"

Izahay dia niova, ary mbola raisina ho, fako

"Nanomboka nihevitra antsika-ary mbola mihevitra antsika-ho fako hatrany ny olona"

1 Corinthians 4:14

Izaho dia tsy nanoratra ireo zavatra ireo mba hahamenatra anareo, fa manitsy anareo

"Tsy mitady ny hahamenatra anareo aho, fa hanatsara anareo" na "Tsy manao izay hahamenatra anareo aho, fa te-hanitsy anareo"

manitsy

"mampitandrina"

mpiambina iray alina

Fanitarana ny isan'ny olona izay mitarika azy ireo izany, mba hanamafisana ny lanjan'ilay ray ara-panahy iray. DH: "Tena mpiambina maro be" na ''mpiambina maro dia maro"

zanaka ... ray

Satria Paoly no nitondra azy ireo ho an'i Kristy, dia toy ny ray ho an'ireo Korintiana izy.

Fa izaho dia lasa rainareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny filazantsara

Voalohany i Paoly dia manamafy fa ny fifandraisana miaraka amin'ireo Korintiana no tena manan-danja indrindra "ao amin'i Kristy," faharoa dia ny fahatongavan'izany satria nilazany vaovao mahafaly izy ireo, ary fahatelo dia izy ilay iray izay toy ny ray ho azy ireo. "Izany dia satria Andriamanitra nampiombona anareo tamin'i Kristy rehefa nilaza anareo ny vaovao mahafaly aho fa Izaho ilay iray izay tonga rainareo"

1 Corinthians 4:17

zanaka malalako sady mahatoky ao amin'ny Tompo

"izay tiako ary izay ampianariko ny momba ny Tompo toy ny hoe zanako izy"

Ankehitriny

Izany teny izany dia midika fa manova ny lohaheviny Paoly mba ho fibedesana ny fitondran-tena mahamenatr'ireo mpino Korintiana.

1 Corinthians 4:19

ho avy any aminareo aho

"Hamangy anareo aho"

Inona no tadiavinareo?

Nanao antso farany ho an'ireo Korintiana Paoly, satria nibedy azy ireo noho ny fahadisoana nataon'izy ireo izy. DH: "Lazao ahy izay tianareo hiseho izao"

Tokony ho avy any aminareo miaraka amin'ny tsorakazo ve aho sa miaraka amin'ny fitiavana feno halemem-panahy

Paoly dia manolotra toetra roa mifanohitra izay azony ampiasaina rehefa manatona ireo Korintiana. DH: "Raha tianareo, dia afaka tonga hanasazy anareo aho, na afaka tonga hampiseho aminareo ny fitiavako anareo amin'ny alalan'ny halemem-panahy"

halemem-panahy

"hatsaram-panahy" na "fahatsoram-po"

1 Corinthians 5

1 Corinthians 5:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ankehitriny i Paoly dia manambara manokana momba ny fahotan'izy ireo izay reny, sy ny fomba hireharehan'ireo mpino Korintiana amin'ny faneken'izy ireo izany lehilahy izany ary ny fahotany.

izay tsy azo atao akory eo amin'ireo Jentilisa

Afaka atao hoe: "fa na ireo Jentilisa aza tsy mahazo alalana"

ny vadin-drainy

ny vadin'ny rainy, nefa mety tsy ho tena reniny

Fa tsy tokony alahelo ve ianareo?

Izany fanontaniana fampisainana izany dia ampiasaina mba hananarana ireo Korintiana. DH: "Tokony hisaona noho ny amin'izany kosa ianareo!"

Ny iray izay nanao izany dia tsy maintsy alàna eto aminareo

Azo adika hoe: "Tsy maintsy esorina eo aminareo ilay iray izay nanao izany"

1 Corinthians 5:3

tsy eo ara-batana aho ... fa eo ara-panahy

"Izaho dia ... mieritreritra anareo hatrany"

efa nitsara ilay iray izay nanao izany sahady ... aho

"hitako fa meloka ilay olona izay nanao izany"

miara-mivory

"mihaona"

amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika

fomba fiteny iray hilazana ny fahatongavana hiara-hanompo ny Tompo Jesosy

Nataoko izany

"Nitsara izany olona izany aho"

mba hanolorana izany lehilahy izany ho an'ny Satana

Izany dia hilazana ny fanalana ilay olona avy amin'ny olon'Andriamanitra, mba hiainany any amin'ny fanjakan'i Satana, ilay tontolo ivelan'ny fiangonana.

ho famotehana ny nofo

mba harary ara-batana noho ny otany amin'ny famaizan'Andriamanitra azy ilay olona

1 Corinthians 5:6

Tsy tsara ny fireharehanareo

"Ratsy ny fireharehanareo"

Tsy fantatrareo ve fa ny lalivay kely dia manova ny mofo manontolo?

Tahaka ny fiparitahan'ny lalivay kely amin'ny mofo manontolo, no fiantraikan'ny fahotana kely eo amin'ny fiaraha-monin'ny mpino rehetra.

Kristy, ilay Zanak'ondrintsika tamin'ny Paska, dia natao sorona

Tahaka ny fandrakofan'ny zanak'ondrin'ny Paska amin'ny finoana isan-taona ny fahotan'Israely, no nandrakofan'ny fahafatesan'i Kristy mandrakizay ihany koa ny fahotan'izay rehetra matoky Azy amin'ny finoana. DH: "Nataon'ny Tompo sorona i Kristy, ilay zanak'ondrin'ny Paska ho antsika"

1 Corinthians 5:9

olona mpijangajanga

Izany dia maneho ireo olona izay milaza ho mpino an'i Kristy kanefa manana toetra toy izany.

ny olona mpijangajangan'izao tontolo izao

Ireo olona izay nisafidy ny hiaina amin'ny fomba fiainana maloto, dia ireo tsy mpino.

ireo tsy mahonon-tena

"ireo izay vonona hanao ny tsy marina mba hahazoana izay hananan'ny hafa"

ireo mpisoloky

Izany dia hilazana ny olona izay mamitaka mba hahazoana ny fananan'ny hafa.

mila miala amin'izao tontolo izao ianareo

"mila miala amin'ny olon-drehetra ianareo"

1 Corinthians 5:11

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia milaza amin'izy ireo ny fomba handraisana ireo mpino tsy manaiky ny hotsaraina ao am-piangonana noho ny fidiran'izy ireo an-tsehatra amin'ny fijangajangana sy ny fahotana miharihary hafa eo anatrehan'ny hafa.

na iza na iza izay antsoina hoe

"na iza na iza miantso ny tenany"

rahalahy

Eto izany dia midika hoe namana Kristiana, na lahy na vavy.

Fa ahoana no idirako amin'ny fitsarana ireo izay any ivelan'ny fiangonana?

Paoly dia manamafy fa izy dia tsy ilay iray izay tokony hitsara ireo olona ivelan'ny fiangonana. DH: "Tsy izaho ilay iray izay tokony hitsara ireo olona izay tsy isan'ny fiangonana"

ianareo ve tsy tokony hitsara ireo izay ao anatin'ny fiangonana?

Mananatra ireo Korintiana i Paoly. "tokony hahalala ianareo fa ianareo ireo no tokony hitsara ireo izay ao anatin'ny fiangonana"

1 Corinthians 6

1 Corinthians 6:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manazava ny fomba handaminana ny tsy fifanarahana amin'ireo mpino hafa i Paoly.

ady

"tsy fifanarahana" na "ady hevitra"

sahy handeha any amin'ny fitsarana ... ireo mpino ... ve izy?

Manamafy i Paoly fa ireo Kristiana dia tsy maintsy mandamina ny tsy fifanarahana. DH: "Tsy tokony ho sahy handeha izy ... ireo mpino!" na "tokony hatahotra an'Andriamanitra izy ary tsy handeha ... ireo mpino!"

fitsarana

toerana izay handinihan'ny mpitsaran'ny governemanta eo an-toerana ny toe-javatra iray ary hanapahany hoe iza no marina

Moa tsy fantatrareo ve fa ireo mpino no hitsara an'izao tontolo izao?

Manao izay hahamenatra ireo Korintiana i Paoly noho ny fanaovan'izy ireo fihetsika tsy am-piheverana.

Raha izany, ianareo no hitsara an'izao tontolo izao, moa tsy mahavita mandamina raharaha madinika ve ianareo?

Satria izy ireo dia homena andraikitra lehibe kokoa any aoriana any, dia tokony ho tompon'andraikitra amin'ny zavatra maivamaivana izy ireo ankehitriny. DH: "Hitsara an'izao tontolo izao ianareo amin'ny ho avy, ka tokony ho afaka hamaha izany olana izany ianareo izao"

raharaha

"disadisa" na "tsy fitovian-kevitra"

Moa tsy fantatrareo ve fa hitsara ireo anjely isika?

Gaga i Paoly fa toa tsy mahafantatra izy ireo. "Fantatrareo fa hitsara an'ireo anjely isika"

isika

Mampiditra ny tenany sy ireo Korintiana ao anatin'izany i Paoly.

Toy ny ahoana, noho izany, ny fihoaran'ny fahafahantsika mitsara ireo raharaha amin'ity fiainana ity?

"Satria fantatsika fa hitsara ireo anjely isika, afaka matoky isika fa hamela antsika hitsara ny zava-misy eto amin'ity fiainana ity Andriamanitra"

1 Corinthians 6:4

Raha toa ary ka afaka mitsara ny zavatra izay miseho amin'ny andavanandrom-piainana ianao, nahoana ianao no mametraka karazana tranga tahaka izany eo anatrehan'ireo izay tsinontsinona ao amin'ny fiangonana?

Ireo mety ho dikany: 1) fanontaniana fampisainana io na 2) fanambarana io: "Tamin'ny taloha rehefa nandamina raharaha izay manan-danja amin'ity fiainana ity ianareo, dia tsy nanolotra ady eo amin'ny Kristiana ho eo amin'ny tsy mpino ianareo" na 3) "didy io, "Rehefa mandamina raharaha izay manan-danja amin'ity fiainana ity ianareo, na izay tsinontsinona ao am-piangonana ihany koa aza dia tokony hanoloranareo ny ady mila halamina!"

Raha toa ary ka afaka mitsara ny zavatra izay miseho amin'ny andavanandrom-piainana ianao

"Raha toa ianareo ka voaantso handray fanapahan-kevitra momba ny fiainana andavanandro" na "Raha toa ka tsy maintsy mandamina raharaha manan-danja eo amin'ny fiainana ianareo"

nahoana ianao no mametraka karazana tranga tahaka izany

"Tsy tokony hametraka karazana tranga tahaka izany ianareo"

ireo izay tsinontsinona ao amin'ny fiangonana

Paoly dia mibedy ireo Korintiana ny amin'ny fomba fiahian'izy ireo ireo toe-javatra ireo. Ireo mety ho dikany: 1) "tokony hatsahatrareo ny fanolorana toe-javatra tahaka izany eo amin'ny olona izay any ivelan'ny fiangonana" na 2) "afaka manolotra ireo tranga ireo na dia amin'ireo vondrona ao amin'ny fiangonana izay tsy dia heverin'ireo mpino hafa ho tsara aza ianareo."

Hahamenatra anareo

"ho amin'ny fahafaham-barakanareo" na "hampisehoana aminareo fa diso ianareo amin'izany resaka izany"

Moa ve tsy mba misy ampy fahendrena na dia iray akory aza eo aminareo handamina ny disadisa eo amin'ny mpirahalahy?

Manao izay hahamenatra ireo Korintiana i Paoly. DH: "Tokony ho menatra ianareo nohon'ny tsy fahafahanareo mahita mpino manam-pahendrena handamina ady eo amin'ireo mpino"

mpirahalahy

Eto izany dia entina hilazana an'ireo namana Kristiana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy.

disadisa

"ady hevitra" na "tsy fitovian-kevitra"

Fa kosa

"Fa ankehitriny"

mpino iray mandeha mifanatrika amin'ny mpino hafa eo amin'ny fitsarana, ary izany raharaha izany dia hapetraka eo anatrehan'ny mpitsara izay tsy mpino

"ireo mpino izay manana ady amin'ny tsirairay dia mangataka ny mpitsara tsy mpino mba handray fanapahan-kevitra ho azy ireo"

izany raharaha izany dia hapetraka

"izany raharaha izany dia apetraky ny mpino iray"

1 Corinthians 6:7

faharesena

"tsy fahombiazana" na "fatiantoka"

Fa tsy aleo ve mijaly amin'ny fahadisoana? Fa tsy aleo ve avela ho voafitaka ny tenanareo?

Manohy manao izay mahamenatra an'ireo Korintiana i Paoly. DH: "Ho tsara kokoa raha mamela ny sasany hanaratsy anareo sy hamitaka anareo ianareo toy izay hitondra azy ireo any amin'ny fitsarana."

rahalahinareo ihany

Ireo mpino rehetra ao amin'i Kristy dia mpirahalahy sy mpirahavavy. "Ireo mpino namanareo ihany"

1 Corinthians 6:9

Moa ve tsy fantatrareo fa

Manamafy i Paoly fa izy ireo dia tokony hahalala ny fahamarinana. DH: "Efa fantatrareo fa"

handova

Ny fandraisana izay efa nampanantenain'Andriamanitra ho an'ireo mpino dia atao toy ny hoe mandova fananana sy harena avy amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana.

handova ny fanjakan'Andriamanitra

Andriamanitra dia tsy hitsara azy ireo ho marina any amin'ny fitsarana, ary tsy hiditra any amin'ny fiainana mandrakizay izy ireo.

ireo lehilahy mpivaro-tena, ireo izay miara-mandry amin'ny samy lehilahy

Ireo mety ho dikany: 1) hilazana ny resaka fiarahan'ny lahy samy lahy izany na 2) milaza asa roa samy hafa i Paoly.

ireo lehilahy mpivaro-tena

Ireo mety ho dikany: 1) Ireo lehilahy izay mamela lehilahy hafa handry miaraka amin'izy ireo na 2) ireo lehilahy izay mamela lehilahy hividy azy ireo mba handry miaraka amin'izy ireo na 3) ireo lehilahy izay mamela lehilahy hafa handry miaraka amin'izy ireo ho toy ny asam-pivavahana.

ireo izay miara-mandry amin'ny samy lehilahy

ireo lehilahy izay miara-mandry amin'ny lehilahy iray hafa

mpangalatra

"ireo olona mangalatra amin'ny hafa" na "ireo mpandroba"

ireo tsy mahalala onona

ireo olona vonona ny hampiasa fomba ratsy mba hakana ny fananan'ny hafa

ireo mpanao an-keriny

"mpangalatra" na "ireo izay mangalatra amin'ny olona izay matoky azy ireo"

Fa efa voadio ianareo

DH: "Efa nanadio anareo Andriamanitra"

nohamasinina ianareo

DH: "Efa natokan'Andriamanitra ho Azy ianareo"

voamarina teo amin'Andriamanitra ianareo

DH: "Efa nanao anareo ho marina miaraka Aminy Andriamanitra"

1 Corinthians 6:12

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy an'ireo mpino Korintiana i Paoly fa tian'Andriamanitra hadio izy ireo satria novidian'i Kristy tamin'ny fahafatesany. Ankehitriny ny vatan'izy ireo dia tempolin'Andriamanitra.

Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko

Ireo mety ho dikany: 1) Mamaly izay mety ho eritreritry ny Korintiana sasany i Paoly, "Ny sasany milaza hoe: "Afaka manao na inona na inona aho" na 2) Milaza izay heveriny fa marina i Paoly: "Andriamanitra mamela ahy hanao na inona na inona."

fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa

Paoly dia mamaly izay rehetra miteny hoe: "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko." DH: "fa tsy ny zavatra rehetra no tsara ho ahy"

fa tsy ho andevozin'ny iray amin'ireo aho

Azo adika hoe: "Tsy hamela an' ireo zavatra ireo hibaiko ahy tahaka ny Tompo aho"

"Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo natao ho an'ny hanina," fa Andriamanitra dia hanafoana azy roa ireo

Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia manitsy ny mety ho eritreritr' ireo Korintiana sasany hoe: "Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo dia an'ny hanina," amin'ny alalan'ny famaliana fa samy hataon'Andriamanitra ho foana ny kibo sy ny hanina na 2) Paoly dia manaiky ankehitriny fa "ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo dia an'ny hanina," saingy mbola nanampy izy fa hanafoana ireo roa ireo Andriamanitra.

Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo natao ho an'ny hanina

Ny mety ho dikany iray dia hoe: miresaka amin' ny fomba tsy mivantana momba ny vatana sy ny firaisana ara-nofo ny mpandahan-teny, saingy tokony adikanao ara-bakiteny hoe: "kibo" sy ny " hanina" ireo.

hanafoana

"hamotika"

1 Corinthians 6:14

nanangana ny Tompo

nahatonga an' i Jesosy ho velona indray

Moa tsy fantatrareo ve fa ny tenanareo dia rantsam-batan'i Kristy?

Tahaka ny maha-rantsan'ny vatantsika ny sandritsika sy ireo tongotsika , no maha-ratsam-batan' i Kristy ny vatantsika, ilay fiangonana. DH: "Ny vatanareo dia ampahan' i Kristy"

Ka ho entiko ve izany ireo rantsam-batan'i Kristy ary hampiray azy ireo amin'ny mpivaro-tena?

Paoly dia mampiasa ny tenany ho ohatra mba hampianarana azy ireo. DH: "Izaho dia ampahan'i Kristy. Tsy hanala ny tenako amin' i Kristy aho ary hampiray izany amin'ny mpivaro-tena!" na "Ratsam-batan'i Kristy isika. Tsy tokony hanala ny tenantsika amin'i Kristy isika ka hampiray izany amin'ny mpivaro-tena!"

Tsy hisy anie izany!

"Tsy tokony hitranga mihitsy izany!"

1 Corinthians 6:16

Moa tsy fantatrareo ve fa ... aminy?

Manomboka mampianatra an'ireo Korintiana amin'ny fanamafisana ny marina izay efa fantatr'izy ireo i Paoly. "Te-hampatsiahy anareo aho fa ... aminy."

izay miray amin'ny mpivaro-tena dia lasa nofo iray aminy

Azo atao hoe: "Rehefa misy olona iray mampiray ny tenany amin'ny mpivaro-tena, dia toy ny hoe lasa iray ihany ny tenan'izy ireo"

Fa izy izay miray amin'ny Tompo dia lasa fanahy iray Aminy

Azo adika hoe: "rehefa akamban'ny Tompo amin'ny fanahin'ny olona ny fanahiny, dia toy ny lasa fanahy iray ny fanahin'izy ireo"

1 Corinthians 6:18

Hialao

Resahin' i Paoly toy ny hoe mandositra ny loza ny olona izay mandà ny fahotana ara-nofo. DH: "Mialà amin'ny"

ny fijangajangana! Ny fahotana hafa rehetra izay ataon'ny olona dia ivelan'ny tena, fa

Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia mampiseho fa ny fahotana ara-nofo dia tena ratsy satria izany dia tsy amin'ny hafa ihany no mihatra fa mihatra amin'ny tenan'ilay mpanota ihany koa na 2) Paoly dia nitanisa izay noheverin'ireo Korintiana, tahaka ny nataony tao amin'ny 6:12 "Fitondran-tena maloto! Ny sasany aminareo dia milaza hoe: "Ny fahotana rehetra izay ataon'ny olona iray dia ivelan'ny tena," nefa lazaiko fa."

1 Corinthians 6:19

Moa ve tsy fantatrareo fa ... Andriamanitra? ... tsy anareo ny tenanareo?

Manohy ny fampianarany amin'ireo Korintiana amin'ny fanamafisana izay efa fantatr'izy ireo i Paoly. DH: "Te-hampatsiahy anareo aho ... Andriamanitra ary ianareo dia tsy fanananareo."

ny vatanareo

ny vatan'ny kristiana tsirairay dia tempolin'ny Fanahy Masina

tempolin'ny Fanahy Masina

Ny tempoly dia natokana ho an'ireo olon'Andriamanitra, ary ao amin'izany ihany koa no hitoeran'izy ireo. Tahaka izany ihany koa, ny vatan'ireo mpino Korintiana tsirairay dia toy ny tempoly satria ny Fanahy Masina dia ao anatiny.

Fa olom-boavidy ianareo

Andriamanitra dia nanonitra ny fahafahanareo Korintiana tamin'ny fanandevozan'ny fahotana. Azo adika hoe: "Andriamanitra nividy ny fahafahanareo"

Noho izany

"Satria marina izany"

1 Corinthians 7

1 Corinthians 7:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manome fampianarana manokana ho an'ireo mpino momba ny fanambadiana i Paoly.

Ary

Mampiditra lohahevitra vaovao amin'ny fampianarany i Paoly.

olana izay nosoratanareo momba ny hoe

Ireo Korintiana dia nanoratra taratasy ho an'i Paoly mba hangataka valim-panontaniana maromaro.

momba ny hoe: "Tsara ho an'ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy." Nefa noho

Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia mamerina izay nosoratan'ireo Korintiana, "momba ny hoe: nanoratra ianareo hoe: 'Tsara amin'ny lehilahy ny tsy mikasika ny vehivavy' Marina izany, nefa satria" na 2) Paoly dia milaza izay eritreriny, 'ny valinteniko dia eny, tsara amin'ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy. Fa satria"

Tsara

"Tena manampy izany," fa tsy hoe ratsy ny "mikasika"

ho an'ny lehilahy

Ireo mety ho dikany: 1) vady lehilahy na 2) izay lehilahy rehetra.

ny tsy mikasika vehivavy.

Ireo mety ho dikany: 1) "tsy manao firaisana ara-nofo miaraka amin'ny vehivavy," vadin'ny lehilahy no resaka eto, na 2) "tsy manambady mihitsy"

Nefa noho ireo fakam-panahy amin'ny fahavetavetana maro isan-karazany, dia

"Kanefa Satana dia maka fanahy ny olona mba hanao fahotana ara-nofo, dia" na "Nefa haniry ny hanao ny fahotana ara-nofo isika nohon'ny toetra maha-mpanota antsika, dia"

1 Corinthians 7:3

zo ara-panambadiana

Ireo lehilahy sy ireo vehivavy dia samy tsy maintsy miara-mandry matetika miaraka amin'ny vadin'izy ireo.

1 Corinthians 7:5

Aza mifanakatsakana ianareo tsirairay

Ny teny hoe: "manakatsakana" dia midika hoe fihazonana zavatra iray hananan'olon-kafa zo hahazo izany. "Aza mandà ny hanana firaisana ara-panambadiana miaraka amin'ny vadinao"

mba hahafahanareo manokan-tena amin'ny vavaka

mba hananana fotoana manokana ho an'ny vavaka

manokan-tena

"manolo-tena"

hiara-hatory indray ianareo

"hiara-handry indray"

nohon'ny tsy fanananareo fifehezan-tena

fifehezana - "satria aorian'ny andro vitsivitsy, dia ho sarotra ny hifehy ny filàna ara-nofonareo"

izaho dia milaza ireo zavatra ireo aminareo am-pahalalahana fa tsy didy akory

Mety hidika izany fa i Paoly dia milaza amin'ireo Korintiana fa mamela azy ireo izy, fa tsy mandidy azy ireo mba 1) hanambady sy hiara-mandry na 2) tsy hiara-mandry amin'ny fotoana iray.

ho toa ahy

Na tsy nanambady mihitsy aza i Paoly na maty aza ny vadiny. Tsy voatery hoe nandalo fisaraham-panambadiana akory izy.

Fa ny tsirairay dia samy manana ny fanomezam-pahasoavany manokana avy amin'Andriamanitra. Ny iray manana ity karazam-panomezam-pahasoavana ity, ary ny iray hafa manana karazany hafa koa.

"Andriamanitra mamela ny olona hanao zavatra isan-karazany. Mamela ny olona hanao zavatra iray ary mamela olona iray hafa hanao zavatra hafa Izy"

1 Corinthians 7:8

tsy manambady

"ireo izay tsy manam-bady"

ireo mpitondra tena

"ireo vehivavy izay efa maty vady"

fa tsara

Adikao tahaka izay ao amin'ny 7:1.

ampirehetin'ny filàna ara-nofo

"miaina miaraka amin'ny faniriana tsy tapaka ny handry miaraka amin'ny olona iray"

1 Corinthians 7:10

tsy tokony hisaraka aminy

Ireo mpamaky ny bokin'i Paoly dia nahalala ny fahasamihafan'ny misaraka sy ny misara-bady. Ny fitsaharana miara-mitoetra amin'ny olona iray no atao hoe faran'ny fanambadiana. DH: "tsy tokony hisara-panambadiana"

koa miverena mihavana aminy

"izy dia tokony hihavana amin'ny vadiny ary miverina aminy"

tsy tokony hisaraka

Ireo mpamaky ny bokin'i Paoly dia nahalala ny fahasamihafan'ny fisaraham-panambadiana sy ny fisarahana tsotra. Samy mamarana ny fanambadiana ny fanaovana ireo. DH: "tsy tokony hisaraka amin'ny"

1 Corinthians 7:12

mahafaly

"afa-po"

Satria ny lehilahy tsy mpino dia natokana noho ny amin'ny vadiny

Ireo mety ho dikany: 1) "Fa Andriamanitra nanokana ny lehilahy tsy mpino ho Azy noho ny amin'ny finoan'ilay vadiny" na 2) Andriamanitra dia mitondra ilay lehilahy tsy mpino ho toy ny fitondrany zanaka lahy noho ny amin'ny vadiny izay mpino"

Satria ny lehilahy tsy mpino dia natokana noho ny amin'ny vadiny

Ireo mety ho dikany: 1) "Andriamanitra nanokana ireo vehivavy tsy mpino ho Azy noho ny amin'ny vadiny izay mino na 2) "Andriamanitra mitondra ilay vehivavy tsy mpino ho toy ny fitondrany ny zanaka vavy noho ny amin'ny vadiny izay mino"

Ny rahalahy

ilay lehilahy mpino na vady

voatokana izy ireo

Ireo mety ho dikany: 1) "Andriamanitra nanokana azy ireo ho Azy" na 2) "Andriamanitra nitondra azy ireo toy ny fitondrany ireo zanany"

1 Corinthians 7:15

Amin'ny toe-javatra toy izany, ny rahalahy na ny rahavavy dia tsy voafatotr'ireo voadin'izy ireo

"Amin'ny toe-javatra toy izany, Andriamanitra dia tsy mitaky ny hanohizan'ilay vadiny hankato ny voadim-panambadiana"

ahoana no ahalalanao, ry vehivavy ... ho voavonjinao ny vadinao ... ahoana no ahalalanao, ry lehilahy ... ho voavonjinao ny vadinao

Paoly dia miresaka amin'ireo Korintiana toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, ka noho izany dia "-nao" no ampiasaina eto.

ahoana no ahalalanao, ry vehivavy, raha ho voavonjinao ny vadinao?

Afaka lazaina mivantana izany. DH: "Ianao dia tsy afaka ny hahalala raha hamonjy ny vadinao izay tsy mino ianao"

ahoana no ahalalanao, ry lehilahy, raha ho voavonjinao ny vadinao

Afaka lazaina mivantana izany. DH: "Ianao dia tsy afaka ny hahalala raha hamonjy ny vadinao izay tsy mino ianao"

1 Corinthians 7:17

ny tsirairay

"ny mpino tsirairay"

Io no fitsipiko ao amin'ny fiangonana rehetra

Mampianatra ireo mpino ao amin'ny fiangonana rehetra i Paoly mba hanao araka izany fomba izany.

Efa voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina mba hino

Mitodika amin'ireo voafora (ireo Jiosy) i Paoly. DH: "ho an'ireo izay voafora, tamin'Andriamanitra niantso anareo mba hino, dia efa voafora ianareo"

Tsy voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina ho amin'ny finoana

Miresaka amin'ireo izay tsy voafora i Paoly eto. DH: "Ho an'ireo izay tsy voafora, tamin'ny niantsoan'Andriamanitra anareo mba hino, dia tsy voafora ianareo"

1 Corinthians 7:20

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "antsika" sy "isika" dia maneho ireo Kristiana rehetra

hijanona amin'ny fiantsoana

Eto ny "fiantsoana" dia manambara ny asa na ny toerana ara-tsosialy izay nidiranareo an-tsehatra. DH: "miaina sy miasa tahaka ny nataonareo"

Andevo ve ianao ... niantso anao? Aza miahiahy ... raha mety ho afaka

Paoly dia miresaka amin'ireo Korintiana tahaka ny hoe olona iray ihany izy ireo.

Andevo ve ianao fony Andriamanitra niantso anao? Aza miahiahy ny amin'izany

DH: "Ho an'ireo izay andevo tamin'ny niantsoan'Andriamanitra anareo mba hino, hoy aho hoe: aza miahiahy"

olona afaky ny Tompo

Izany olona afaka izany dia voavelan'Andriamanitra ary noho izany dia afaka amin'i Satana sy ny fahotana.

Ianareo dia voavidy

Azo adika hoe: "Kristy dia nividy anareo tamin'ny fahafatesana ho anareo"

Ry rahalahy

Eto izany dia midika hoe: namana Kristiana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy.

fony isika nantsoina mba hino

"rehefa niantso antsika mba hino Azy Andriamanitra"

1 Corinthians 7:25

Ary mahakasika ireo izay tsy nanambady mihitsy, izaho dia tsy manana didy avy any amin'ny Tompo

Paoly dia tsy mahalala fampianaran'i Jesosy izay miresaka momba izany toe-javatra izany. DH: "Ny Tompo dia tsy mbola nandidy ahy hilaza na inona na inona amin'ireo olona izay mbola tsy nanambady mihitsy"

izaho dia manome ny hevitro

"Milaza anareo ny hevitro aho"

Noho izany

"Ka izao no hevitro" (13:25)

1 Corinthians 7:27

Voafatotra ... Aza mitady ... Afaka amin'ny ... Aza mitady ... Raha ny vehivavy ... dia tsy nanota

Paoly dia miresaka amin'ireo Korintiana toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany ny tranga rehetra misy hoe: "Ianao" sy ny didy hoe: "aza mitady" eto dia manondro olon-tokana.

Voafatotra amin'ny vehivavy ve ianao? Aza mitady

Paoly dia miresaka amin'ireo lehilahy manambady. DH: "Raha efa manambady ianao, dia aza mitady..."

Afaka amin'ny vadinao ve ianao? Aza mitady

Paoly dia miresaka amin'ireo lehilahy izay tsy mbola manambady. DH: "Raha tsy mbola manambady ianao ankehitriny, dia aza mitady"

Aza mitady vady

"aza manandrana ny hanambady akory"

nanota

"nahavita"

ary izaho dia te hanala anao amin'izany

"Tsy tiko hanana azy ireo ianareo"

1 Corinthians 7:29

Fohy ny fotoana

"Kely ny fotoana" na "efa ho dila ny fotoana"

mitomany

"malahelo amin-dranomaso"

ireo izay mampiasa izao tontolo izao

"ireo izay mifampiraharaha isan'andro amin'ireo tsy mpino"

tsy tokony hanao tahaka ny mampiasa izany tanteraka

"tokony hampiseho amin'ny asany izy ireo fa manana fanantenana ao amin'Andriamanitra"

1 Corinthians 7:32

afaka amin'ireo ahiahy

"tony" na "tsy miahiahy"

miahiahy ny amin'ny

"mifantoka amin'ny"

mizarazara izy

"miezaka ny hampifaly an'Andriamanitra izy sady hampifaly ny vadiny ihany koa"

1 Corinthians 7:35

sakantsakana

"famerana"

hanolo-tena ho

"afaka mifantoka amin'ny"

1 Corinthians 7:36

fahotana, feno fahotana, mpanota, manota

Ny teny hoe "fahotana" dia hilazana ireo asa, fisainana, ary ireo teny izay manohitra ny sitrapon'Andriamanitra sy ny lalàna. Ny fahotana ihany koa dia maneho ny tsy fanaovana zavatra izay tian'Andriamanitra hataontsika.

1 Corinthians 7:39

raha mbola velona ralehilahy

"mandra-pahafatiny"

izay tiany

"izay olona tiany"

ao amin'ny Tompo

"raha mpino ilay vadiny vaovao"

ny fitsarako

"ny fahazoako ny tenin'Andriamanitra"

faly

faly kokoa, faly tanteraka

izy raha miaina amin'izao ihany

"hijanona ho tsy manambady"

1 Corinthians 8

1 Corinthians 8:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy ireo mpino i Paoly fa na tsy manana hery aza ny sampy, ireo mpino dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hisy fiantraikany amin'ireo mpino malemy izay mety hihevitra fa miahy ny amin'ny sampy izy ireo. Miteny amin'ireo mpino mba hitandrina amin'ny fahafahana izay hananan'ireo mpino ao amin'i Kristy izy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny "Isika" dia maneho an'i Paoly, na dia nosoratana ho an'ireo Korintiana manokana aza, dia tafiditra ao anatin'izany ihany koa ireo mpino rehetra.

Ary mahakasika ny

Mampiasa izany andian-teny izany i Paoly mba hifindrana amin'ny fanontaniana manaraka izay nanontanian'ireo Korintiana azy.

hanina atao sorona ho an'ny sampy

Ireo mpivavaka Jentilisa dia nanome voa, hazandrano, vorona na hena, ho an'ny andriamanitr'izy ireo. Ireo mpisorona dia nandoro ny ampahan'izany teo amin'ny alitara. Miresaka ny ampahany izay averin'ny mpisorona amin'ilay mpivavaka mba hohanina na ho varotana eny an-tsena i Paoly.

fantantsika fa: "Isika rehetra dia manam-pahalalana."

Paoly dia mamerina teny iray izay ampiasain'ireo Korintiana. DH: "Isika rehetra mahalala, araka izay tianareo ho lazaina, fa 'isika rehetra dia manana fahalalana."'

Ny fahalalana mampirehareha

Miresaka momba izay fantatry ny olona toy ny hoe olona iray mahatonga ny olon-kafa ho lehibe kokoa noho izay tokony ho izy i Paoly. DH: "Ny olona izay mahalala betsaka dia mihevitra fa izy ireo dia tsara kokoa noho ny tena izy amin'izay momba azy ireo"

fa ny fitiavana manangana

Paoly dia miresaka momba ny fitiavana ho toy ny hoe olona, ary ny fanampiana ny hafa ho toy ny fanonerana trano. DH: "Ny fitiavana dia tena manampy marina ny olona"

mihevitra ny tenany fa mahafanta-javatra

"mino fa fantany ny zava-drehetra momba ny zavatra iray"

dia fantany izany olona izany

Azo adika hoe: "Andriamanitra mahafantatra izany olona izany"

1 Corinthians 8:4

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny "isika" sy "antsika" eto dia maneho an'ireo mpino rehetra.

dia fantantsika fa "ny sampy eto amin'izao tontolo izao dia tsinontsinona" ary "fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany

Paoly dia mety ho milaza fehezanteny izay fampiasan'ireo Korintiana. "Isika rehetra mahalala, araka ny filazanareo, 'fa ny sampy dia tsy misy hery na misy dikany eo amintsika' ary araka izay lazainareo hoe, 'tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany."

sampy eto amin'izao tontolo izao dia tsinontsinona

"ny sampy dia tsy manan-kery eto amin'ity tany ity"

mody antsoina hoe andriamanitra

antsoina hoe andriamanitra - "ireo zavatra izay antsoin'ireo olona ho andriamanitra"

ny hamaron'ireo "andriamanitra" sy ny hamaron'ireo "tompo."

Tsy mino ny fisian'ireo andriamanitra sy ireo tompo i Paoly, kanefa izy mahafantatra fa ireo mpanompo sampy dia mino fa misy ireo.

Fa ho antsika, "Iray ihany ... nisiantsika."

"Na inona na inona lazaina na heverin'ny olona hafa, isika mino fa 'iray ihany ... misy."

1 Corinthians 8:7

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Paoly eto dia miresaka momba ireo rahalahy "malemy," olona izay tsy mahay manasaraka ny hanina natao sorona ho an'ny sampy amin'ny fanompoana ireo sampy ireo. Raha misy Kristiana mihinana hanina izay efa natao sorona ho an'ny sampy, dia mety hieritreritra ireo rahalahy malemy fa hamela azy ireo hanompo ny sampy amin'ny fihinanana ilay hanina Andriamanitra. Na dia nanompo an'ilay sampy aza ilay mpihinana fa mihinana an'ilay hanina fotsiny ihany, dia mbola nanimba ny feon'ny fieritreretan'ilay rahalahy malemy ihany izy.

tsirairay ... sasany

"ny olona rehetra ... olona sasany izay efa Kristiana ankehitriny"

simba

"voaratra"

1 Corinthians 8:8

Fa tsy ny hanina no hanolotra antsika eo amin'Andriamanitra

Oharin'i Paoly amin'ny olona iray izay afaka hanao an'Andriamanitra handray antsika ny hanina. DH: "ny sakafo dia tsy manome sitraka antsika eo amin'Andriamanitra" na "ny sakafo izay hanintsika dia tsy mahatonga an'Andriamanitra ho faly amintsika"

Fa tsy ratsy indrindra isika raha tsy mihinana, na koa hoe tsara kokoa raha mihinana izany

"Mety hihevitra ny olona sasany fa raha tsy mihinana ny zavatra sasany isika, dia ho kelikely kokoa ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Saingy ho diso izy ireo. Ireo izay mihevitra fa ho tia antsika bebe kokoa Andriamanitra raha mihinana ireo zavatra ireo isika dia diso ihany koa"

olona osa

ireo mpino tsy matanjaka amin'ny finoan'izy ireo

mahita ianao, izay manana

Resahin'i Paoly toy ny hoe olona iray ireo Korintiana.

ny fieritreretany

izay heveriny ho marina na diso

nasahiany hihinana

"nandrisika azy hihinana"

1 Corinthians 8:11

ny fahalalanao

Paoly dia miresaka amin'ireo Korintiana toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, ka noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.

ilay malemy iray ... dia very

Ny rahalahy na anabavy izay tsy matanjaka amin'ny finoana dia hanota na ho very finoana.

Noho izany

"Satria izay vao avy nolazaiko dia marina"

raha ny sakafo no mahatonga

Ny "sakafo" eto dia hevitra ambadika hilazana olona izay mihinana ny sakafo. DH: "raha mahatonga ... amin'ny fihinanana aho" na "raha, noho ny fihinanako, no mahatonga"

1 Corinthians 9

1 Corinthians 9:1

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manazava ny fomba ampiasany ny fahafahana izay hananany ao amin'i Kristy i Paoly.

Tsy olona afaka ve aho?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Paoly mba hampatsiahivana an'ireo Korintiana ny zo izay hananany. DH: "Olona afaka aho."

Tsy apostoly ve aho?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Paoly mba hampatsiahivana an'ireo Korintiana ny zo hananany sy hoe iza izy. DH: "Apostoly aho"

Tsy nahita an'i Jesosy Tompontsika ve aho?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Paoly mba hampatsiahivana an'ireo Korintiana hoe iza izy. DH: "Efa nahita an'i Jesosy Tompontsika aho."

Tsy asako ao amin'ny Tompo ve ianareo?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Paoly mba hampatsiahivana an'ireo Korintiana ny fifandraisan'izy ireo aminy. DH: "Mino an'i Kristy ianareo satria niasa araka izay tian'ny Tompo aho."

Fa ianareo no porofo amin'ny maha-apostoly ahy ao amin'ny Tompo

Ny "porofo" dia hevitra ilaina mba hanamarinana zavatra iray. DH: "Ianareo no porofo ilaina izay hahafahako manamarina fa ny Tompo dia nifidy ahy mba ho apostoly"

1 Corinthians 9:3

Izao no fiarovako ... ahy: Moa

Ireo mety ho dikany: 1) ireo teny manaraka dia ny fiarovan-tenan'i Paoly na 2) ireo teny ao amin'ny 9:1 dia fiarovan-tenan'i Paoly, "Izao no fiarovan-tenako ... ahy.Moa."

Moa ve izahay tsy mahazo alalana ny hihinana sy hisotro?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Manana zo tanteraka hahazo hanina sy zava-pisotro avy amin'ireo fiangonana izahay."

izahay

Eto ny hoe: "izahay" dia maneho an'i Paoly sy Barnabasy.

Moa ve izahay tsy manana zo hitondra vady izay mpino, tahaka ny ataon'ireo apostoly sasany, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Raha manana vady mpino izahay, dia manana zo hitondra azy ireo miaraka aminay tahaka ny ataon'ireo apostoly hafa mitondra ny azy ireo, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy."

Sa Barnabasy sy izaho irery no tsy maintsy miasa?

Manao izay hahamenatra an'ireo Korintiana i Paoly. DH: "toa mieritreritra ianareo fa ny olona izay mila miasa mba hahazo vola dia i Barnabasy sy izaho irery ihany."

1 Corinthians 9:7

Iza no manao fanompoana miaramila amin'ny fandaniany manokana?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Isika rehetra dia mahalala fa tsy misy miaramila tsy maintsy mividy ny fitaovany manokana." na "Isika rehetra dia mahafantatra fa ny miaramila rehetra dia mahazo fitaovana avy amin'ny governemanta."

Iza no mamboly voaloboka ary tsy mihinana ny voany?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Isika rehetra dia mahafantatra fa ilay iray izay mamboly voaloboka dia hihinana ny voany foana." na "Isika rehetra dia mahafantatra fa tsy misy olona izay mamboly voaloboka ka tsy hihinana ny voany."

Na iza no miandry ondry ka tsy misotro ny ronono avy amin'izany?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanamafisana hoe fantany fa manaiky izay lazainy ireo Korintiana. DH: "Isika rehetra dia mahalala fa ireo izay miandry ondry dia hahazo ny ronono avy amin'ny ondry."

Moa ve izaho milaza ireo zavatra ireo mifototra amin'ny fahefan'ny olombelona?

Maneso ireo Korintiana i Paoly. DH: "Toa mieritreritra ianareo fa mifototra amin'ny fahefan'olombelona no hilazako ireo zavatra ireo."

Tsy milaza izany koa ve ny lalàna?

Maneso ireo Korintiana i Paoly. DH: "Ataonareo toy ny hoe tsy fantatrareo fa izany dia voasoratra ao amin'ny lalàna."

1 Corinthians 9:9

Aza asiana

Mosesy dia miresaka amin'ireo zanak'Israely toy ny hoe olona iray izy ireo, ka io didy io dia manondro olon-tokana.

Tena ilay omby tokoa ve no raharahin'Andriamanitra?

Mametraka fanontaniana i Paoly mba hahafahan'ireo Korintiana mieritreritra izay lazainy na tsy misy azy miteny aza. DH: "Ianareo dia tokony hahalala na tsy misy ahy miteny aminareo aza fa tsy ny omby irery ihany no raharahin'Andriamanitra indrindra."

Tsy miresaka momba anay ve izy?

Mametraka fanontaniana i Paoly mba hanindriana ny fanambarana izay ataony. DH: "Fa kosa, Andriamanitra dia miresaka ny momba anay tokoa."

momba anay

Eto ny hoe: "anay" dia manondro an'i Paoly sy Barnabasy.

moa be loatra aminay ve ny mijinja zavatra ara-materialy avy aminareo?

Mametraka fanontaniana i Paoly mba hahafahan'ireo Korintiana mieritreritra izay lazainy na dia tsy misy azy miteny izany aza. DH: "'Ianareo dia tokony hahafantatra na tsy misy ahy miteny aminareo akory aza fa tsy be loatra aminay ny mandray ireo fanohanana ara-materialy izay avy aminareo."

1 Corinthians 9:12

Raha mampihatra izany ... hafa, moa ve izahay tsy manana mihoatra?

Mametraka fanontaniana i Paoly mba hahafahan'ireo Korintiana mieritreritra izay lazainy na dia tsy misy azy miteny aza. Eto ny hoe: "izahay" dia manondro an'i Paoly sy Barnabasy. DH: "Ny sasany nampihatra ... aminareo, ka fantatrareo na dia tsy misy ahy miteny aza fa manana izany zo izany bebe kokoa izahay."

Raha mampihatra izany zo izany ... ireo hafa

Paoly sy ireo Korintiana dia samy mahalala fa ireo hafa dia mampihatra izany zo izany. "Satria ny hafa dia mampihatra izany zo izany"

ireo hafa

ireo mpiasa momba ny filazantsara hafa.

izany zo izany

ny zo hanampian'ireo mpino any Korinto amin'ny fandaniana ara-piveloman'ireo izay nilaza tamin'izy ireo ny vaovao mahafaly

sakana ho an'ny

"ho enta-mavesatra ho an'ny" na "mampitsahatra ny fampielezana ny"

Moa ve tsy fantatrareo fa ireo izay manompo ao amin'ny tempoly dia mahazo ny sakafon'izy ireo avy ao amin'ny tempoly?

Mampatsiahy an'ireo Korintiana an'izay fantatr'izy ireo i Paoly mba hahafahany manampy fampahafantarana vaovao. DH: "Mampatsiahy anareo aho fa ireo izay manompo ao amin'ny tempoly dia mahazo ny sakafon'izy ireo avy amin'ny tempoly."

moa ve tsy fantatrareo fa ireo izay manompo eny amin'ny alitara dia mahazo anjara amin'izay natao fanatitra teo amin'ny Alitara?

Mampatsiahy an'ireo Korintiana an'izay fantatr'izy ireo i Paoly mba hahafahany manampy fampahafantarana vaovao. DH: "'Mampatsiahy anareo aho fa ireo izay manompo ao amin'ny alitara dia hahazo ireo sakafo sy hena izay omen'ny olona eo amin'ny alitara."

hahazo ny fiveloman'izy ireo avy amin'ny filazantsara

Ny teny hoe: "filazantsara" eto dia hevitra ambadiky ny 1) olona izay hilazan'izy ireo ny filazantsara, "hahazo ny sakafon'izy ireo sy zavatra hafa izay ilaina avy amin'ireo izay ampianarin'izy ireo ny vaovao mahafaly izy ireo." na 2) ny vokatry ny fiasana amin'ny fanambarana ny vaovao mahafaly: "handray ny sakafon'izy ireo sy zavatra hafa izay ilaina izy ireo satria miasa amin'ny fanambarana ny vaovao mahafaly."

1 Corinthians 9:15

ireo zo ireo

"ireo zavatra izay mendrika ho ahy"

mba mety hisy zavatra hatao ho ahy

Afaka adika hoe: "mba hanaovanareo zavatra ho ahy"

hanaisotra amiko izany rehareha izany

"hanala izany fahafahako mirehareha izany"

tsy maintsy manao izany aho

"tsy maintsy mitory ny filazantsara aho"

loza ho ahy

"hijaly amin'ny fahavoazana anie aho raha"

1 Corinthians 9:17

Fa raha manao izany an-tsitrapo aho

"raha mitory an-tsitrapo aho"

an-tsitrapo

"am-pifaliana" na "satria te-hanao izany aho"

dia mbola manana ny andraikitra izay nankinina tamiko aho

Azo adika hoe: "Tsy maintsy manao izany asa izay nitokian'Andriamanitra ho vitaiko izany aho"

Inona ary izany no valisoako?

Manomana azy ireo ho amin'ny fampahafantarana vaovao mahafaly izay homeny azy ireo i Paoly. DH: "Izany no valisoako."

rehefa mitory aho, dia afaka manolotra ny filazantsara tsy misy fandoavam-bola

"Ny valisoako amin'ny fitoriana ny vaovao mahafaly dia ny fahafahako mitory nefa tsy mandray karama"

manolotra ny filazantsara

"mitory ny filazantsara"

ka mba tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara

"ary mba tsy hangataka olona hanohana ahy raha mandeha sy mitory aho"

1 Corinthians 9:19

hahazoako bebe kokoa

"handresy lahatra ny hafa mba hino" na "hanampy ny hafa hino an'i Kristy"

lasa toy ny Jiosy aho

"nanao toy ny jiosy aho" na "nanao ny fomban'ny jiosy aho"

lasa toy ny olona izay ambanin'ny lalàna aho

"Lasa toy ny iray izay nanolo-tena hanaraka izay takian'ny fomba fitarihana Jiosy aho, amin'ny fanekena ny fahazoan'izy ireo ny Soratra masin'ny Jiosy"

1 Corinthians 9:21

ivelan'ny lalàna

"izay tsy manaraka ireo lalàn'i Mosesy"

1 Corinthians 9:24

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manazava ny fampiasany ny fahafahana izay hananany ao amin'i Kristy mba hifehezana ny tenany.

Moa ve tsy fantatrareo fa amin'ny fihazakazahana iray ny mpihazakazaka rehetra dia manao ny fihazakazahana, nefa iray ihany no mahazo ny loka?

Mampatsiahy ireo Korintiana ny amin'izay efa fantatr'izy ireo i Paoly mba hahafahany manome fampahafantarana vaovao. "Mamelà ahy hampatsiahy anareo fa na dia mihazakazaka amin'ny fifaninanana ara-hazakazaka avokoa aza ny mpihazakazaka rehetra, dia mpihazakazaka iray ihany no hahazo ny loka."

mifaninana ara-pihazakazahana

Mampitaha ny fiainana Kristiana sy ny fiasana ho an'Andriamanitra amin'ny fihazakazahana sy ny maha-atleta i Paoly. Toy ny amin'ny fifaninanana ara-pihazakazahana, ny fiainana Kristiana sy ny asa dia mitaky fitsipi-pifehezana mafy avy amin'ny mpihazakazaka, ary, toy ny amin'ny hazakazaka, dia manana tanjona manokana ny Kristiana.

mihazakazaha mba hahazo ny loka

Paoly dia miresaka ny loka izay omen'Andriamanitra an'ireo olony mahatoky toy ny hoe loka omena amin'ny fifaninanana atletika.

handray satro-boninahita izay mety simba ... satro-boninahitra tsy mety simba

Ny satro-boninahitra dia ravin-kazo maro narandrana miaraka. Ny satro-boninahitra dia nomena ho loka ho an'ireo izay mpihazakazaka naharesy ny lalao sy ny hazakazaka. Paoly dia miresaka ny fiainana mandrakizay toy ny hoe satro-boninahitra izay tsy halazo mandrakizay.

tsy mihazakazaka amin'ny tsy misy antony aho na mamely totohondry amin'ny rivotra

"Fantatro tsara ny antony hihazakazahako, ary fantatro izay hataoko rehefa mamely totohondry aho"

mba tsy ho lavina ny tenako

DH: "ny mpitsara dia hilaza fa nankato ireo lalàna aho." Amin'izany toe-javatra izany ny "mpitsara," ilay iray izay tsy handà an'i Paoly, dia sarin-teny hilazana an'Andriamanitra"

1 Corinthians 10

1 Corinthians 10:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy azy ireo ny ohatra momba ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampy niainan'ireo Jiosy razan'izy ireo taloha i Paoly.

ireo raintsika

Paoly dia maneho ny andron'i Mosesy ao amin'ny bokin'ny Eksodosy rehefa nandositra namakivaky ny Ranomasina mena nohon'ny fanenjehan'ireo miaramila Egyptiana ny Israely. Ny teny hoe: "-ntsika" dia manondro ny tenany sy ireo Korintiana.

namakivaky ny ranomasina

Izany ranomasina izany dia fantatra amin'ny anarana hoe: Ranomasina Mena.

namakivaky

"nandeha namakivaky"

Ny rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy

"Nanaraka izy rehetra ary nanolo-tena ho an'i Mosesy"

tao amin'ny rahona

tamin'ny rahona izay naneho ny fanatrehan'Andriamanitra ary nitarika ireo zanak'Israely nandritra ny andro

nisotro ranom-panahy mitovy ... vatolampim-panahy

"Nisotro ilay rano izay navoakan'Andriamanitra tamin'ny fomba nihoatra ny voajanahary ary tamin'ny vatolampy ... vato mihoatra ny voajanahary"

dia Kristy izany vatolampy izany

DH: "Kristy no niasa tamin'izany vatolampy izany"

1 Corinthians 10:5

dia tsy nankasitraka tsara

"tsy faly" na "tezitra"

ankamaroan'izy ireo

Ireo rain'ny zanak'Israely

ny fatin'izy ireo dia naparitaka tany

"Naparitak'Andriamanitra teo amin'ny manodidina ny fatin'izy ireo" na "Novonoin'Andriamanitra izy ireo ary naparitany ny fatin'izy ireo"

tany an'efitra

ilay tany efitra eo anelanelan'ny Egypta sy Israely izay nandalovan'ireo zanak'Israely nandritra ny 40 taona

1 Corinthians 10:7

manompo sampy

"olona izay manompo sampy"

nipetraka mba hihinana sy hisotro

"nipetraka mba hihinan-kanina"

hilalao

Paoly dia mamerina teny izay ao amin'ny Soratra Masina Jiosy. Takatr'ireo mpamaky tamin'izany teny iray izany fa ireo olona dia nanompo sampy tamin'ny fihirana sy fandihizana ary tamin'ny fahavetavetana, fa tsy fankafizana ny tsy fialam-boly tsotra fotsiny.

Tao anatin'ny iray andro, dia olona telo arivo sy roa alina no maty nohon'ny amin'izany

olona telo arivo no maty - "Andriamanitra namono olona 23.000 tao anatin'ny iray andro"

nohon'ny amin'izany

"satria nanao ireo asa tsy manara-dalàna sy vetaveta izy ireo"

1 Corinthians 10:9

toy ny nataon'ny maro tamin'izy ireo ka naringan'ireo menarana

Afaka adika hoe: "vokatr'izany, naringan'ny menarana izy ireo"

mimonomonona

mitaraina

nataon'ny maro ... ka naringan'ny anjelin'ny fahafatesana

Azo adika hoe: "vokatr'izany, naringan'ny anjelin'ny fahafatesana izy ireo"

1 Corinthians 10:11

ireny zavatra ireny no nitranga tamin'izy ireo

"Andriamanitra dia nanasazy ny razambentsika"

ohatra ho antsika

Eto ny hoe: "isika" dia manondro an'ireo mpino rehetra.

Nosoratana mba ho fampianarana antsika izy ireny

Azo adika hoe: "Andriamanitra dia nampanoratra ireo an'i Mosesy mba hahafahantsika mianatra ny marina"

ny fara-andro

"ireo andro farany"

mba tsy hianjera

tsy manota na mandà an'Andriamanitra

Tsy nisy fakam-panahy nahatratra anareo izay tsy iraisan'ny olombelona rehetra

Azo adika hoe: "Ireo fakam-panahy izay mihatra aminareo dia fakam-panahy hiainan'ny olona rehetra"

Tsy hamela anareo ho alaim-panahy mihoatra izay zakanareo Izy

"Izy dia hamela anareo ho alaim-panahy araka ny hery ampy hanoheranareo izany ihany"

Tsy hamela anareo ho alaim-panahy

Azo adika hoe: "tsy hamela an'iza na iza haka fanahy anareo"

1 Corinthians 10:14

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manohy ny fampatsiahivana azy ireo mba hadio sy hiala lavitry ny fanompoan-tsampy sy fitondran-tena maloto, eo am-piresahana ny momba ny fiombonana, izay maneho ny rà sy ny vatan'i Kristy.

mandosira lavitry ny fanompoan-tsampy

Miresaka ny fampiharana ny fanompoan-tsampy toy ny hoe zavatra mivaingana tahaka ny biby i Paoly. DH: "ataovy izay rehetra azonareo atao mba hialanareo amin'ny fanompoan-tsampy"

Ny kapoakan'ny fisaorana

Paoly dia miresaka ny fitahian'Andriamanitra toy ny hoe divay ao anaty kapoaka izay ampiasaina amin'ny Fanasan'ny Tompo.

izay isaorantsika

"izay isaorantsika an'Andriamanitra"

moa ve izany tsy fiombonana amin'ny ràn'i Kristy?

Paoly dia mampatsiahy an'ireo Korintiana ny zavatra efa fantatr'izy ireo, fa ilay kapoaka misy ny divay izay zaraintsika dia maneho antsika miombona amin'ny ràn'i Kristy. DH: "miombona amin'ny ràn'i Kristy isika."

Ny mofo izay vakiantsika, moa ve izany tsy fiombonana amin'ny vatan'i Kristy?

Paoly dia mampatsiahy an'ireo Korintiana ny zavatra efa fantatr'izy ireo. DH: "Miombona ao amin'ny vatan'i Kristy isika rehefa mizara ny mofo."

fiombonana

"mandray anjara amin'ny" na "mandray anjara miaraka amin'ny hafa amin'ny"

ny mofo

mofo iray izay notapatapahina mialohan'ny hihinanana azy

1 Corinthians 10:18

moa ve ireo izay mihinana ireo fanatitra tsy mpandray anjara eo amin'ny alitara?

Mampatsiahy an'ireo Korintiana ny zavatra efa fantatr'izy ireo i Paoly mba hahafahany manome fampahafantarana vaovao. DH: "Ireo izay mihinana ireo fanatitra dia miombona amin'ny asa sy ny fitahian'ny alitara"

Inona ary no ho lazaiko?

Mampatsiahy an'ireo Korintiana ny zavatra efa fantatr'izy ireo i Paoly mba hahafahany manome fampahafantarana vaovao. DH: "Mba hanehoana izay lazaiko" na "Izao no tiako ho lazaina."

Hoe tsy misy dikany ve izany ny sampy?

Tian'i Paoly ireo Korintiana mba hamaly ny fanontaniana ao an-tsain'izy ireo mba tsy hilazany izany amin'izy ireo. DH: "Fantatrareo fa izaho dia tsy miteny hoe ny sampy dia zavatra tena misy."

Sa ny sakafo izay natao fanatitra tamin'ny sampy no tsy misy dikany?

Tian'i Paoly ireo Korintiana mba hamaly ny fanontaniana ao an-tsain'izy ireo mba tsy hilazany izany amin'izy ireo. DH: "Fantatrareo fa izaho dia tsy miteny hoe ny sakafo izay atao sorona ho an'ny sampy dia tsy manan-danja."

1 Corinthians 10:20

Tsy afaka misotro ny kapoakan' ny Tompo sy ny kapoakan'ny demonia ianareo

Paoly dia miresaka ireo olona misotro amin'ny kapoaka ho tahaka ny demonia mba ho porofo fa izany olona izany dia naman'ny demonia. DH: "tsy ho vitanareo ny hisakaiza marina amin'ny Tompo sy ny demonia"

Tsy afaka miray eo amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr'ireo demonia ianareo

"Tsy vitanareo ny ho tena iray miaraka amin'ny olon'ny Tompo ary ihany koa miaraka amin'ireo demonia"

Sa manao izay mahasaro-piaro ny Tompo ve isika?

Tian'i Paoly mba hamaly ny fanontaniana ao an-tsain'izy ireo ireo Korintiana. DH: "Ianareo dia tokony hahafantatra na dia tsy miteny aza aho fa tsy mety ny mitarika ny Tompo ho saropiaro ."

manao izay

mampatezitra na mandrangitra

Mahery noho Izy ve isika?

Tian'i Paoly mba hamaly ny fanontaniana ao an-tsain'izy ireo ireo Korintiana. DH: "tokony hahafantatra ianareo na dia tsy miteny aza aho fa isika dia tsy mahery noho Andriamanitra."

1 Corinthians 10:23

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy azy ireo hatrany ny amin'ny lalànan'ny fahafahana sy ny fanaovana ny zavatra rehetra ho tombon-tsoan'ny hafa i Paoly.

Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna

Ireo mety ho dikany: 1) Mamaly izay mety ho eritreretin'ireo Korintiana sasany i Paoly, "Ny sasany manao hoe: 'Afaka manao ny zava-drehetra aho"' na 2) Paoly dia tena milaza izay heveriny fa marina, "Andriamanitra mamela ahy hanao ny zavatra rehetra." Tokony ho adika araka ny ao amin'ny 6:12 io.

mampandroso ny olona

Paoly dia miresaka ny fanampiana ireo olona toy ny hoe fananganan-trano. DH: "manampy ny olona." Jereo izay nandikanao ny "manangana" ao amin'ny 8:1.

1 Corinthians 10:25

anoloanareo ka aza mametra-panontaniana ny amin'ny fieritreretana

"anareo. Tian'Andriamanitra hihinana ny sakafo miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio ianareo"

1 Corinthians 10:28

Fa raha misy miteny aminao ... fa ny fieritreretan'ny olon-kafa

Ny dikan-teny sasany dia mametraka ireo teny ireo ao anaty farango sosona satria 1) "aminao" no ampiasaina eto, fa Paoly dia mampiasa ny teny manondro olona maro eo aloha sy ao aoriana ary 2) ny teny hoe: "Fa nahoana ny fahafahako no tokony ho tsarain'ny fieritreretan'ny hafa?" dia toa mifototra amin'ny hoe: "hano izay rehetra mipetraka eo anoloanareo ka aza mametra-panontaniana ny amin'ny fieritreretana" (10:25) fa tsy hoe "ny feon'ny fieritreretan'ny olon-kafa."

miteny aminao hoe ... aza mihinana ... nampahafantatra anareo ... ny fieritreretanao manokana

Paoly dia miresaka amin'ireo Korintiana toy ny hoe miresaka amin'ny olona iray, ka "anao" sy "ny anao" no ampiasaina eto.

Fa nahoana ... ny fieritreretan'ny hafa? Raha mandray anjara ... nanomezako fisaorana?

Ireo mety ho dikany: 1) ny teny hoe: "fa" dia maneho ny ao amin'ny 10:29, "tsy hanontany fanontaniana amin'ny feon'ny fieritreretana aho, koa nahoana ... feon'ny fieritreretana? Raha mandray anjara ... nanomezako fisaorana? na 2) Paoly dia milaza izay eritreritr'ireo Korintiana, "Tahaka ny sasany aminareo dia mety mieritreritra, "Fa nahoana ... feon'ny fieritreretana? ... Raha ... fisaorana aho?"'

Fa nahoana ny fahafahako no tokony ho tsarain'ny fieritreretan'ny hafa?

Ny mpandahan-teny dia mila ny mpihaino mba hamaly ny fanontaniana ao an-tsainy. DH: "'Ianareo dia tokony hahafantatra na dia tsy miteny aminareo aza aho fa tsy misy olona afaka miteny fa manao ratsy aho satria izany olona izany dia manana hevitra momba ny marina sy diso izay hafa amin'ny ahy."

Raha mandray anjara amin'ny sakafo am-pankasitrahana aho, nahoana no tevatevaina amin'izay nanomezako fisaorana?

Ny mpandahan-teny dia mila ny mpihaino mba hamaly ny fanontaniana ao an-tsainy. DH: "mandray anjara amin'ny sakafo am-pankasitrahana aho, ka tsy misy olona tokony haniratsira ahy amin'izay nanomezako fisaorana."

Raha mandray anjara amin'ny sakafo am-pankasitrahana aho

Raha tsy milaza izay mety eritreretin'ireo Korintiana i Paoly, ny "Aho" dia maneho an'ireo izay mihinan-kenam-pankasitrahana. "Raha misy olona mandray anjara" na "Raha misy olona mihinana"

am-pankasitrahana

"ary misaotra an'Andriamanitra amin'izany" na "misaotra ilay olona izay nanome izany ahy"

1 Corinthians 10:31

Aza manome fanafintohinana ny Jiosy na ny Grika

"Aza manao izay hanafintohina ireo Jiosy na ireo Grika" na "Aza manao izay mahatezitra ireo Jiosy na ireo Grika"

hahafaly ny olon-drehetra

"ampifalio ny olon-drehetra"

Tsy mitady ny tombontsoako aho

"Tsy manao zavatra izay iriko ho an'ny tenako aho"

ny an'ny maro

olona betsaka araka izay azo atao

1 Corinthians 11

1 Corinthians 11:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Taorian'ny nampatsiahivana azy ireo hanaraka azy araka ny fomba hanarahany an'i Kristy, Paoly dia manome torolalana manokana amin'ny fomba fiainan'ny vehivavy sy lehilahy amin'ny maha-mpino.

mahatsiaro

"mieritreritra" na "mihevitra"

Ary tiako ho

Ireo mety ho dikany: 1) "Noho izany, dia tiako na 2) "Kanefa, tiako."

no lohan'ny

manana fahefana eo amin'ny

ny lahy no lohan'ny vavy

Ireo mety ho dikany: 1) ny lehilahy dia manana fahefana eo amin'ny vehivavy" na 2) "ny lehilahy dia manana fahefana amin'ny vadiny"

misaron-doha

"ary manao toy izany aorian'ny nametrahany lamba na voaly eo amin'ny lohany"

manala voninahitra ny lohany

Ireo mety ho dikany: 1) "mitondra fahafaham-baraka ho azy" na 2) "mitondra fahamenarana ho an'i Kristy, izay lohany."

1 Corinthians 11:5

manala voninahitra ny lohany ireo vehivavy izay mivavaka

Ireo mety ho dikany: 1)"ny vehivavy izay mivavaka ... mitondra fahafaham-baraka amin'ny tenany" na 2) "ny vadin-dralehilahy izay mivavaka ... mitondra fahamenarana ho an'ny vadiny."

tsy misaron-doha

Izany hoe, tsy misarona lamba izay hanaovana mba hanaronana ny volo sy soroka.

mitovy amin'ny hoe vehivavy manaratra ny lohany izany

Tahaka ny hoe naratany tamin'ny fanaratana avokoa ny volo teo amin'ny lohany.

Raha mahamenatra ny vehivavy

Mariky ny fahamenarana na fahafaham-baraka amin'ny vehivavy ny fananana volo naratana na notapahina fohy.

hanarona ny lohany

fametrahana ny lamba eo an-tampon-dohany ary manarona ny volo ary ny soroka.

1 Corinthians 11:7

tsy tokony hanarona ny lohany

DH: "Ireo mety ho dikany: 1) tsy voatery manarona ny lohany" na "2) "tsy mila manarona ny lohany"

voninahitry ny lehilahy

Toy ny lehilahy izay hitarafana ny fahalebiazan'Andriamanitra, ny vehivavy dia taratry ny toetry ny lehilahy.

Fa ny lehilahy dia tsy natao avy tamin'ny vehivavy. Fa kosa, ny vehivavy no natao avy tamin'ny lehilahy

Andriamanitra namorona ny vehivavy tamin'ny fangalana taolana avy amin'ny lehilahy ary nanamboatra ny vehivavy tamin'izany taolana izany. Afaka atao hoe: DH: "Andriamanitra dia tsy nanao ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy. Fa kosa, nanao ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy"

1 Corinthians 11:9

Fa tsy misy ... ho an'ny lehilahy

Ireo teny ireo sy ny 11:7 manontolo dia afaka atao anaty fonon-teny mba hahafahan'ny mpamaky mahalala fa ny teny hoe: "izany" ao amin'ny "izany no tokony ... ireo anjely" dia maneho mazava ny teny hoe: "ny vehivavy dia voninahitry ny lehilahy" ao amin'ny 11:7.

hananan'ny vehivavy ny mariky ny fahefana eo amin'ny lohany

Ireo mety ho dikany: 1) "mba ho marika fa manana ny lahy ho lohany izy" na 2) "mba ho marika fa manana fahefana hivavaka na haminany izy."

1 Corinthians 11:11

Na izany aza

"Raha marina avokoa izay vao nolazaiko, dia izao no zava-dehibe indrindra."

ao amin'ny Tompo

Ireo mety ho dikany: 1) "eo amin'ireo Kristiana, izay an'Andriamanitra" na 2) "eto an-tany amin'ny maha-voaarin'Andriamanitra."

tsy mahaleo-tena amin'ny lehilahy ny vehivavy, na ny lehilahy mahaleo-tena amin'ny vehivavy

Azo adika hoe: DH: "Ny vehivavy dia miankina amin'ny vadiny, ary ny lehilahy dia miankina amin'ny vehivavy"

Ary avy amin'Andriamanitra ny zava-drehetra

"Andriamanitra namorona ny zava-drehetra"

1 Corinthians 11:13

Tsarao ny tenanareo

"Tsarao araka ny fomba eo an-toerana sy ireo fanaon'ny fiangonana izay fantatrareo izany olana izany"

Mety amin'ny vehivavy ve ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy misaron-doha?

Miandry ireo Korintiana hiombon-kevitra aminy i Paoly. Azo adika hoe: "Ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra, ny vehivavy dia tokony hivavaka amin'Andriamanitra miaraka amin'ny fanaronan-doha."

Tsy mampianatra anareo ve ny natiora ... ho azy?

Miandry ireo Korintiana hiombon-kevitra aminy i Paoly. DH: "Ny natiora aza mampianatra anareo ... ho azy." Izy dia miresaka ny fomba fihetsik'ireo olona ao amin'ny fiaraha-monina toy ny hoe olona mpampianatra. DH: "Fantatrareo amin'ny fomba fandinihana ny fomba fanaon'ny olona mahazatra fotsiny ... ho azy."

Fa nomena azy ny volony

"Fa noharin'Andriamanitra misy volo ny vehivavy"

1 Corinthians 11:17

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eo am-piresahana momba ny fiombonana, ny fanasan'ny Tompo, dia mampatsiahy azy ireo mba hanana ny toetra araka ny tokony ho izy sy firaisan-kina i Paoly. Mampatsiahy azy ireo izy fa raha tsy mahavita an'ireo zavatra ireo amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo izy ireo, dia harary sy ho faty, tahaka ny efa niseho tamin'ny sasany tamin'izy ireo.

anatin’ireo torolalana manaraka, dia tsy midera anareo aho. Fa rehefa

Ny mety ho dikany hafa dia hoe: "eo am-panomezana anareo ireo fampianarana ireo aho, dia misy zavatra izay tsy afaka hiderako anareo: rehefa"

fampianarana

"torolalana"

miara-tonga

"miara-mivory" na "mihaona"

tsy ho amin'ny tsara izany fa ho amin'ny ratsy indrindra

"tsy mifanampy ianareo, fa kosa, mifamely"

ao amin'ny fiangonana

"amin'ny maha-mpino." Paoly dia tsy miresaka momba ny hoe ao anatin'ilay trano.

misy fizarazarana eo aminareo

"mizarazara ho vondrona maro ianareo"

mba hankasitrahana eo aminareo ireo izay nekena

Ireo mety ho dikany: 1) "mba hahafantaran'ny olona ireo mpino tsara laza indrindra eo aminareo" na 2) "mba hahafahan'ny olona mampiharihary izany fankasitrahana izany amin'ny hafa eo aminareo." Mety nampiasa eso, amin'ny filazana ny mifanohitra amin'izay tiany ho takatr'ireo Korintiana i Paoly, mba hahamenatra azy ireo.

hankasitrahana eo aminareo

Ireo mety ho dikany: 1) "izay neken'Andriamanitra" na 2) "izay ekenareo, fiangonana."

1 Corinthians 11:20

miangona ianareo

"miara-mivory"

tsy ny Fanasan'ny Tompo no hohaninareo

"mety mino ianareo fa mihinana ny Fanasan'ny Tompo, kanefa dia tsy mandray izany am-panajana ianareo"

isakafoana sy isotroana

"izay hiangonana mba hisakafoana"

tsinontsinoavina

mankahala na tsy manaja amin'ny tsy fanomezam-boninahitra

hahetrinareo

manala baraka na manao izay mahamenatra

Inona no tokony ho teneniko aminareo? Tokony hidera anareo ve aho?

Mibedy an'ireo Korintiana i Paoly. DH: "Tsy afaka milaza na inona na inona tsara momba izany aho. Tsy afaka ny hidera anareo aho."

1 Corinthians 11:23

Fa noraisiko avy amin'ny Tompo ihany koa izay ampitaiko anareo, fa ny Tompo Jesosy

"Fa avy amin'Andriamanitra no nahenoako izay nolazaiko taminareo, ka izao izany: ny Tompo"

tamin'ny alina izay namadihana Azy

Azo atao hoe: "Tamin'ny alina izay namadihan'i Jodasy Iskariota Azy"

nanapaka izany izy

"nanapaka sombiny tamin'izany izy"

Ity ny vatako

"Ny mofo izay hazoniko dia ny vatako"

1 Corinthians 11:25

ny kapoaka

Ny tsara indrindra dia ny mandika izany ara-bakiteny. Ireo Korintiana dia nahafantatra ny kapoaka izay noraisiny, ka tsy "kapoaka tsotra" izany na "kapoaka sasany" na "kapoaka." Ireo mety ho dikany: 1) ny kapoakan-divay izay mety andrasan'ny olona ho ampiasainy na 2) ilay kapoaka fahatelo na fahaefatra amin'ny kapoakan-divay efatra izay nisotroin'ny Jiosy tamin'ny sakafon'ny paska.

Ataovy matetika izao fisotroana izao

"Misotroa amin'ity kapoaka ity, ary isaky ny misotro amin'izany ianareo"

manambara ny fahafatesan'ny Tompo

mampianatra ny momba ny fanomboana sy ny fitsanganana amin'ny maty

mandra-piaviny

Ny toerana hahatongavan'i Jesosy dia afaka faritana mazava. DH: "Mandra-piverin'i Jesosy eto an-tany"

1 Corinthians 11:27

mihinana ny mofo na misotro amin'ny kapoakan'ny Tompo

"mihinana ny mofon'ny Tompo na misotro ny kapoakan'ny Tompo"

handinika

Paoly dia miresaka olona iray izay mandinika ny fifandraisany amin'Andriamanitra sy ny fomba niainany ho toy ny hoe mandinika zavatra izay tiany hovidiana. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe: "hitsapana ny hatsaran'ny" ao amin'ny 3:12.

ka tsy mahafantatra ny vatana

Ireo mety ho dikany: 1) "ary tsy mahafantatra fa ny fiangonana dia vatan'ny Tompo" na 2) "ary tsy mihevitra fa izy dia mihazona ny vatan'ny Tompo."

osa sy marary

Ireo teny ireo dia mitovy dika ary afaka hatambatra.

1 Corinthians 11:31

mandinin-tena

Paoly dia miresaka olona iray izay mandinika ny fifandraisany amin'Andriamanitra sy ny fomba niainany ho toy ny hoe mandinika zavatra izay tiany hovidiana. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 11:27.

tsy ho tsaraina

Azo adika hoe: DH: "Andriamanitra tsy hitsara antsika"

voatsaran'ny Tompo isika, dia mpanara-dalàna, mba tsy ho voaheloka

Azo adika hoe: "tsarain'ny Tompo isika, mananatra antsika izy, mba tsy hanamelohany antsika"

1 Corinthians 11:33

miangona mba hihinana

miara-mihinana sakafo mialohan'ny hankalazana ny Fanasan'ny Tompo

mifampiandrasa

"avelao ny hafa ho tonga alohan'ny hanatrehana izany fihinanana izany"

aoka izy hihinana any an-trano

"aoka izy hihinana alohan'ny hanatrehana izany fihaonana izany"

tsy ho amin'ny fitsarana izany

"tsy irika hahafahan'Andriamanitra mananatra anareo izany"

1 Corinthians 12

1 Corinthians 12:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mamela azy ireo hahalala i Paoly fa Andriamanitra dia nanome fanomezana manokana ho an'ireo mpino. Ireo fanomezana ireo dia hanampiana ny tenan'ireo mpino.

tsy tiako tsy hahafantatra ianareo

Azo atao hoe: "Tiako ho fantatrareo"

dia voavily nankany amin'ireo sampy tsy manam-peo ianareo

Azo atao hoe: "ianareo dia mino lainga ary manompo sampy izay tsy misy feony"

tany amin'izay lalana rehetra nitarihin'ireny anareo

Azo atao hoe: "ary nitarika anareo tamin'ny fomba maro izy ireo"

tsy misy olona izay miteny amin'ny Fanahin'Andriamanitra afaka miteny hoe

Ireo mety ho dikany: 1) "tsy misy Kristiana manana ny Fanahin'Andriamanitra ao aminy ka afaka ny hiteny hoe:" na 2) "tsy misy olona maminany amin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra afaka hilaza hoe."

Jesosy dia voaozona

"Andriamanitra dia hanasazy an'i Jesosy" na "Andriamanitra dia hampijaly an'i Jesosy"

1 Corinthians 12:4

manao azy ireo ho azo atao amin'ny tsirairay

"mahatonga ny olona hanana azy ireo"

1 Corinthians 12:7

ho an'ny tsirairay no nanomezana

Andriamanitra ilay iray izay nanao ny fanomezana (12:4). DH: "Andriamanitra nanome ny tsirairay"

ho an'ny olona iray no nanomezana avy amin'ny Fanahy ny tenin'ny fahendren

Azo atao hoe: "amin'ny alalan'ny Fanahy no hanomezan'Andriamanitra ny teny ny olona iray"

avy amin'ny Fanahy

Andriamanitra manome ny fanomezana amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy.

fahendrena ... fahalalana

Ny fahasamihafan'ireo teny roa ireo dia tsy manan-danja satria Fanahy iray mitovy ihany no omen'Andriamanitra azy ireo.

ny tenin'ny fahendrena

Paoly dia mampifandray hevitra iray amin'ny teny roa. DH: "teny hendry"

ny tenin'ny fahalalana

Paoly dia mampifandray hevitra iray amin'ny teny roa. DH: "teny izay mampiseho fahalalana"

1 Corinthians 12:9

dia nomena

DH: "Andriamanitra manome." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 12:7.

amin'ny alalan'ny Fanahy mitovy

Andriamanitra manome fanomezana amin'ny alalan'ny asan'ilay Fanahy Masina iray sady tokana. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 12:7.

ireo karazana fiteny samihafa

"ny fahaizana miteny amin'ny fiteny samihafa"

ny fandikana teny

Ny fahaizana milaza izay lazain'ny olona miteny amin'ny fiteny hafa.

ny fandikana teny

Izany dia filazana izay nolazain'ny olona iray tamina fiteny iray amin'ireo hafa izay tsy mahazo izany fiteny izany. Jereo ny fomba nandikana ny hoe: "mandika teny" ao amin'ny 2:12.

Fanahy iray sy mitovy

Paoly dia mampatsiahy an'ireo mpamaky ny hoe: "fanahy mitovy ... ilay Fanahy iray" (andininy faha-9)

1 Corinthians 12:12

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy ny firesahany momba ireo karazana fanomezana izay omen'Andriamanitra ho an'ireo mpino i Paoly, Andriamanitra manome fanomezana samihafa ho an'ireo mpino samihafa, kanefa tian'i Paoly hahafantatra izy ireo fa ny mpino rehetra dia natao ho vatana iray ihany, izay antsoina hoe vatan'i Kristy. Noho izany antony izany dia tokony hanana firaisan-kina ireo mpino.

Fa tamin'ny alalan'ny Fanahy iray no nanaovana batisa antsika rehetra

Ireo mety ho dikany: 1) ny Fanahy Masina no ilay iray izay manao batisa antsika, "Fa Fanahy iray no nanao batisa antsika" na 2) fa izany fanahy izany, toy ny rano fanaovam-batisa, no mpanalalana izay nanaovana batisa antsika ho tena iray, "Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika"

ny rehetra dia natao mba hisotro amin'ny Fanahy iray

Azo atao hoe: "Andriamanitra nanome Fanahy mitovy antsika rehetra, ary isika dia mizara izany fanahy izany tahaka ny fizaran'ny olona ny zava-pisotro.

1 Corinthians 12:14

dia ho aiza ny fandrenesana? ... dia ho aiza ny fanimboloana?

Azo atao fanambarana tsotra izany. DH: "tsy afaka handre na inona na inona ianao ... tsy afaka ny hanimbolo ianao"

1 Corinthians 12:18

rantsana mitovy

Ny teny hoe: "rantsana" dia hilazana ny rantsam-batana amin'ny ankapobeny, toy ny loha, sandry, na lohalika. DH: "ny rantsam-batana mitovy"

aiza no hisy ny vatana?

Afaka atao fanambarana tsotra izany. DH: "tsy hisy vatana"

1 Corinthians 12:21

tsy dia manan-danja

"ambany lanja"

tsy fampiseho

Izany dia mety hilazana ny faritra tsy fampiseho amin'ny vatana, izay saronan'ny olona.

1 Corinthians 12:25

tsy hisy fisarahana eo amin'ny vatana

"mba ho tafaray ny vatana, fa"

omen-danja ny rantsana iray

Azo atao hoe: "manome lanja ny rantsana iray ny olona iray"

Ary ianareo dia

Eto ny teny hoe: "ary" dia ampiasaina mba hisintonana ny saina ho amin'ny hevitra manaraka.

1 Corinthians 12:28

ireo apostoly no voalohany

Ireo mety ho dikany: 1) Ny fanomezam-pahasoavana voalohany izay ho tononiko dia ireo apostoly" na 2) "ny tena manan-danja amin'ny fanomezana dia ireo apostoly."

ireo izay manome fanampiana

"ireo izay manome fanampiana ho an'ireo mpino hafa"

ireo izay manao ny asan'ny fitantanan-draharaha

"ireo izay mitantana ny fiangonana"

ary ireo izay manana karazana fiteny samihafa

olona iray izay afaka miteny amin'ny fiteny vahiny iray na maromaro kanefa tsy nianatra an'io fiteny io akory

Apostoly ve izy rehetra? Mpaminany avokoa ve? Mpampianatra avokoa ve? Manao asa mahagaga avokoa ve ny rehetra?

Mampatsiahy an'ireo mpamaky ny zavatra izay efa fantatr'izy ireo i Paoly. DH: "Ny sasany amin'izy ireny ihany no apostoly. Ny sasany amin'izy ireny ihany no mpaminany. Ny sasany amin'izy ireny ihany no mpampianatra. Ny sasany amin'izy ireny ihany no manao asa mahagaga.

1 Corinthians 12:30

Manana fanomezam-panahy hanasitrana ve izy rehetra?

Afaka atao fanambarana tsotra izany. DH: "tsy izy rehetra no manana ny fanomezam-pahasoavan'ny fanasitranana."

Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ve izy rehetra?

Afaka atao fanambarana tsotra izany. DH: "tsy izy rehetra no miteny amin'ny fiteny maro."

Mandika teny ve izy rehetra?

Afaka atao fanambarana tsotra izany. DH: "tsy izy rehetra no miteny amin'ny fiteny maro."

Mandika

Izany dia filazana izay nolazain'ny olona iray tamina fiteny iray amin'ireo hafa izay tsy mahazo izany fiteny izany. Jereo ny fomba nandikana ny hoe: "mandika teny" ao amin'ny 2:12.

Katsaho fatrara ireo fanomezam-panahy lehibe kokoa. Fa

Ireo mety ho dikany: 1) "tsy maintsy mitady fatratra avy amin'Andriamanitra ireo fanomezam-pahasoavana izay tena manampy ny fiangonana ianareo. Ary" na 2) "Ianareo dia mitady fatratra ireo fanomezana izay heverinareo fa lehibe kokoa satria mihevitra ianareo fa mahafinaritra kokoa ny manana izany. Saingy"

1 Corinthians 13

1 Corinthians 13:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa avy niresaka momba ireo fanomezam-pahasoavana izay nomen'Andriamanitra an'ireo mpino i Paoly, dia manambara izay tena manan-danja kokoa.

ny fitenin'ireo ... anjely

Ireo mety ho dikany: 1) Manao fanitarana i Paoly mba ho fiantraikan'izany fotsiny ihany ary tsy mino fa miteny ny fitenin'ireo anjely ny olona na 2) Paoly dia mihevitra fa ireo izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ankehitriny dia miteny amin'ny fiteny izay ampiasain'ireo anjely.

tonga vy maneno na kipantsona mikarantsam-peo aho

Tonga tahaka ny zava-maneno izay mamoaka feo mafy, sy manorisory

vy maneno

Toy ny lovia, vy boribory manify izay velesina amin'ny hazo kely lavalava mba hamoaka feo mafy

kipantsona mikarantsam-peo

takelaka roa manify, boribory izay miaraka velesina mba hamoaka feo mafy

Homeko mba ho dorana ny tenako

Azo atao hoe: DH: "mamela an'ireo izay nanenjika ahy mba handoro ahy ho faty aho"

1 Corinthians 13:4

Ny fitiavana dia mahari-po sady tsara fanahy ... miaritra ny zavatra rehetra

Eto i Paoly dia miresaka momba ny fitiavana toy ny hoe olona iray.

Tsy mora tezitra

Azo atao hoe: "Tsy misy olona afaka mampalaky tezitra azy"

Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana. Fa kosa, mifaly amin'ny fahamarinana

"Mifaly amin'ny fahamarinana sy ny marina irery ihany"

1 Corinthians 13:8

ny fitiavana

Ny mitia olona iray dia miahy izany olona izany ary manao ireo zavatra izay hahasoa azy. Misy heviny maro samihafa ny teny hoe: "fitiavana" izay mety ampiasaina amin'ny teny hafa. Ny fitiavana izay avy amin'Andriamanitra dia mifantoka amin'ny soa ho an'ny hafa, na dia tsy mahasoa ny tena aza. Izany karazana fitiavana izany dia miahy ireo hafa, na inona na inona hataon'izy ireo. Andriamanitra mihitsy no fitiavana ary loharanon'ny fitiavana marina.

faminaniana, maminany, mpaminany, mpahita, mpaminany vavy

Ny "mpaminany" dia olona izay milaza ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny vahoaka. Ny vehivavy izay manao izany dia antsoina hoe: "mpaminany vavy."

fitenenana

Misy dikany maromaro ny hoe: "fiteny" ao amin'ny Baiboly.

mahafantatra, fahalalana, ampahafantarina

Ny hoe: "fantatra" dia midika fahazoana na fahalalana ny zava-misy.

lafatra

Ao amin'ny Baiboly , ny teny hoe: "lafatra" dia midika fahamatorana amin'ny fiainana maha-Kristiana antsika. Ny fanaovana ny zavatra iray ho lafatra dia midika hoe miasa amin'izany mba hahatonga izany ho tanteraka sy tsy misy kianina.

1 Corinthians 13:11

Fa ankehitriny isika dia mahita tsy mivantana amin'ny fitaratra

Ny fitaratra tamin'ny andron'i Paoly dia vita tamin'ny vy mangirana fa tsy fitaratra ary manome taratra manjavozavo.

ankehitriny isika dia mahita

Ireo mety ho dikany: 1) "ankehitriny mahita an'i Kristy isika" na 2) "ankehitriny mahita an'Andriamanitra isika."

fa rahatrizay dia hifanatri-tava

"fa rahatrizay dia hifanatri-tava amin'i Kristy isika." Izany dia midika fa ho eo anatrehan'i Kristy mivantana isika."

hahafantatra tanteraka

"Hahafantatra tanteraka an'i Kristy aho"

toy ny nahafantarana ahy tanteraka

Azo atao hoe: "toy ny nahafantaran'i Kristy ahy tanteraka"

Fa ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra

"Zava-dehibe ny ... ankehitriny. Zava-dehibe ny ... Ary zava-dehibe ny"

ny finoana, ny fanantenana rahatrizay, ary ny fitiavana

"matoky an'i Kristy isika, ary azontsika antoka fa hanao ny zavatra rehetra izay efa nampanantenainy ho antsika Izy, ary isika tia Azy dia mifankatia"

1 Corinthians 14

1 Corinthians 14:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Tian'i Paoly ho fantatr'izy ireo fa na dia manan-danja kokoa aza ny fampianarana satria mampianatra ny olona izany, dia tsy maintsy atao am-pitiavana izany.

Mitadiava fitiavana

Paoly dia miresaka momba ny fitiavana toy ny hoe: olona. "Araho ny fitiavana" na "Miasà mafy mba hitia ny olona"

indrindra fa ny mba haminanianareo

"ary miasà mafy kokoa mba ho afaka haminany"

manorina

Resahin'i Paoly toy ny hoe fananganana trano ny fanampiana olona. DH: "manampy ny olona." Jereo izay nandikanao ny "manorina" ao amin'ny 8:1.

1 Corinthians 14:5

Izay maminany dia lehibe kokoa

Hantitraterin'i Paoly fa ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana dia lehibe kokoa noho ny fanomezam-pahasoavan'ny fiteny. DH: "Ilay iray izay maminany dia manana fanomezam-pahasoavana lehibe kokoa"

mandika teny

Izany dia filazana izay nolazain'ny olona tamin'ny fiteny iray amin'ny olona hafa izay tsy mahazo izany fiteny izany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 2:12.

inona no tombon-tsoa omeko anareo amin'izany

Afaka atao fanambarana tsotra izany. DH: "tsy hahazo tombony amiko ianareo" na "tsy nahavita na inona na inona izay manampy anareo aho"

1 Corinthians 14:7

tsy mamoaka lantom-peo samihafa ireo

Maneho ireo feo avy amin'ireo tady na lavaka samihafa izay mamoaka ny melodia izany, fa tsy ny fahasamihafana eo amin'ny feon-tsodina na feon-dokanga.

ahoana no hahafantaran'ny olona izay melodia avoakan'ny sodina na ny lokanga?

Tian'i Paoly ho valin'ireo Korintiana io fanontaniana io. DH: "tsy hisy na iza na iza hahafantatra ny feo avoakan'ny sodina na lokanga."

ahoana no hahafantaran'ny olona rehefa fotoana hiomanana amin'ny ady?

Tian'i Paoly hovalian'ireo Korintiana io fanontaniana io. DH: "tsy hisy hahafantatra ny fahatongavan'ny fotoana tokony hiomanana ho amin'ny ady."

1 Corinthians 14:10

ary tsy misy hoe tsy misy dikany izy ireny

DH: "samy manana ny dikany avy izy rehetra"

1 Corinthians 14:12

ny fihetsehan'ny Fanahy

"afaka manao ireo zavatra izay mampiseho fa ny Fanahy no mibaiko anareo"

zotom-po mba hiroborobo amin'ny fanorenana ny fiangonana

Resahin'i Paoly toy ny hoe trano izay azon'ny olona iray hatsangana ny fiangonana ary toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona jinjaina ny asa fanorenana ny fiangonana. "mba hahombiazana tanteraka amin'ny fanaovana ireo vahoakan'Andriamanitra ho afaka hanompo an'Andriamanitra"

mandika teny

Izany dia filazana izay nolazain'ny olona tamin'ny fiteny iray amin'ny olona hafa izay tsy mahazo izany fiteny izany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 2:12.

ny saiko tsy mamoa

"tsy takatro ny teny izay lazaiko"

1 Corinthians 14:15

Inona no tokony ho ataoko?

Mampiditra ny famaranany i Paoly. DH: "Izao no ho hataoko"

Hivavaka amin'ny Fanahiko ... hivavaka amin'ny saiko ... Hihira miaraka amin'ny Fanahiko aho ... hihira miaraka amin'ny saiko

Ny vavaka sy ireo hira dia tsy maintsy atao amin'ny fiteny izay azon'ny olona manatrika eo.

miaraka amin'ny saiko

"miaraka amin'ireo teny izay azoko"

raha midera an'Andriamanitra ... manome fisaorana ianao ... izay lazainao

Na dia "ianao" aza no ampiasaina eto, dia ny olon-drehetra izay mivavaka amin'ny fanahy ihany no resahin'i Paoly amin'izany, fa tsy izay mivavaka amin'ny saina.

ahoana no hitenenan'ny vahiny hoe "Amena"

DH: "ny vahiny dia tsy hahay hiteny mihitsy hoe "Amena" ..."

ny vahiny

Ireo mety ho dikany: 1) "olona hafa" na 2) "olona vaovao ao amin'ny vondronao."

hiteny hoe "Amena"

"afaka miombon-kevitra"

1 Corinthians 14:17

ianao dia tena manome

Paoly dia miresaka amin'ireo Korintiana toy ny hoe amin'ny olona iray, ka "ianao" no ampiasaina eto.

tsy miorina

Miresaka ny fanampiana ny olona ho toy ny hoe fanorenana trano i Paoly. DH: "tsy manampy." Jereo ny fomba nandikanao ny hoe: "miorina" ao amin'ny 8:1.

iray alina amin'ny fiteny

"teny 10.000" na "teny tsy hita isa"

1 Corinthians 14:20

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Paoly dia milaza amin'izy ireo fa ny miteny amin'ny fiteny samihafa dia efa voalazan'Isaia mpaminany taona maro talohan'ny nisehoan'izany fitenenana tamin'ny fiteny hafa izany tamin'ny fanombohan'ny fiangonan'i Kristy.

zaza

"ireo olona izay azo fitahana mora foana"

Ao amin'ny lalàna dia voasoratra hoe:

DH: "voasoratry ny mpaminany ao amin'ny lalàna ireo teny ireo:"

Amin'ny alalan'ny olona hafa fiteny sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahiny

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy dika ary miaraka ampiasaina mba ho fanamafisana.

1 Corinthians 14:22

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manome torolalana manokana ny amin'ny fomba hampiasana ny fanomezam-pahasoavana ao amin'ny fiangonana i Paoly.

tsy ho an'ireo tsy mpino, fa ho an'ireo mpino

DH: "ho an'ireo mpino irery ihany"

tsy ho lazain'izy ireo fa adala ve ianareo?

DH: "hiteny izy ireo fa adala ianareo."

1 Corinthians 14:24

dia ho resy lahatra amin'izay rehetra henony izy. Ho tsaraina amin'ny alalan'izay rehetra voalaza izy

Paoly dia milaza zavatra mitovy indroa mba ho fanamafisana. DH: "ho fantany fa meloka noho ny fahotana izy satria mandre izay lazainareo"

Ho ambara ny tsiambaratelo ao am-pony

DH: "Andriamanitra dia hanambara aminy ireo tsiambaratelon'ny fony"

1 Corinthians 14:26

Inona izany no manaraka

"Satria marina ny zavatra rehetra izay efa nolazaiko anareo, dia izao no tokony hataonareo"

handika ny teny izay voalaza

DH: "mandika izay nolazain'izy ireo"

fandikan-teny ... handika teny

Izany dia filazana izay lazain'ny olona amin'ny fiteny iray amin'ny olona hafa izay tsy mahazo izany fiteny izany. Jereo ny fomba nandikana izany ao amin'ny 2:12.

1 Corinthians 14:29

Avelao hiteny ny mpaminany roa na telo

Ireo mety ho dikany: 1) mpaminany roa na telo no miteny ao amin'ny fivoriana iray na 2) mpaminany roa na telo ihany no mifandimby miteny amin'ny fotoana iray.

izay voalaza

DH: "izay voalazan'izy ireo"

raha misy fahitana omena izay

DH: "raha manome fahitana ny olona iray Andriamanitra"

1 Corinthians 14:31

mifandimby maminany

Olona iray ihany no tokony haminany amin'ny fotoana iray.

mba hahery ny rehetra

DH: "tokony hampaherezinareo ny rehetra"

Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana

Andriamanitra dia tsy namorona toe-javatra mampikorontan-tsaina amin'ny fampitenenana miaraka amin'ny fotoana iray ireo olona rehetra .

1 Corinthians 14:34

hitazona fahanginana

Ireo mety ho dikany: 1) mitsahatra miteny, 2) mitsahatra miteny rehefa misy olona maminany, na 3) mangina tanteraka mandritra ny fanompoam-pivavahana.

Avy aminareo ve no niavian'ny tenin'Andriamanitra? Ianareo irery ve no voakasik'izany?

Manamafy i Paoly fa tsy ireo Korintiana irery ihany no mahazo izay tian'Andriamanitra ataon'ireo Kristiana. DH: "Ny tenin'Andriamanitra dia tsy avy aminareo ao Korinto; tsy ianareo irery no olona afaka mahatakatra ny sitrapon'Andriamanitra."

1 Corinthians 14:37

tokony hanaiky izy

Ny tena mpaminany na ny tena olona ara-panahy dia manaiky fa avy amin'ny Tompo izay nosoratan'i Paoly.

dia aoka izy tsy hahalala izany

DH: "tsy tokony hahalala azy ianareo"

1 Corinthians 14:39

ary aza mandrara an'iza na iza hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra

Ataon'i Paoly mazava fa ny miangona miresaka amin'ny teny tsy fantatra ao am-piangonana dia azo atao sy azo ekena.

Fa avelao ny zava-drehetra atao araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana

Manantitrantitra i Paoly fa ny fivoriam-piangonana dia tokony hatao amin'ny fomba milamina. DH: "Fa ataovy araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana ny zavatra rehetra" na "Fa ataovy amin'ny fomba milamina, manara-dalàna ny zavatra rehetra"

1 Corinthians 15

1 Corinthians 15:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia mampatsiahy azy ireo fa ny filazantsara dia mamonjy azy ireo ary milaza amin'izy ireo indray ny dikan'ny filazantsara izy. Avy eo izy dia manome azy ireo tantara fohy hakana lesona, izay mifarana amin'ny zavatra vao hitranga.

mampahatsiahy anareo

"manampy anareo hahatadidy"

izay hijoroanareo

Oharin'i Paoly amin'ny trano ireo Korintiana ary ny filazantsara toy ny hoe fototra izay hitsanganan'ny trano.

hahavoavonjy anareo

DH: "Andriamanitra hamonjy anareo"

1 Corinthians 15:3

zava-dehibe voalohany ho anareo

Ireo mety ho dikany: 1) ho manan-danja indrindra amin'ny zavatra maro na 2) ho voalohany amin'ny zavatra rehetra

ho an'ny fahotantsika

"hanonitra ireo ota" na "mba hahafahan'Andriamanitra mamela ny fahotantsika"

araka ny Soratra Masina

Paoly dia miresaka momba ny soratra ao amin'ny Testamenta Taloha.

nalevina Izy

DH: "nalevin'izy ireo Izy"

Izy dia natsangana

DH: "Andriamanitra nanangana Azy" na "nitsangana Izy"

1 Corinthians 15:5

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Raha ilainao atao fehezanteny feno ny andininy faha-5, dia farano amin'ny faingo ny 15:3 mba hahafahan'ny andininy faha-5 mameno ny fehezanteny izay nanomboka tao amin'ny 15:3.

dia niseho

"naneho ny tenany tamin'ny"

dimanjato

500

1 Corinthians 15:8

Farany indrindra

"Farany, taorian'ny nisehoany tamin'ny hafa"

ny zaza teraka tsy tonga volana

Izany dia fomba fiteny izay mety hilazan'i Paoly fa niova ho Kristiana taoriana kelin'ny apostoly hafa izy. Na ihany koa ny tiany ho lazaina dia hoe: tsy tahaka ireo apostoly hafa, tsy nijoro vavolombelona tamin'ny asa fanompoan'i Jesosy nandritra ny telo taona ngarangidina izy. DH: "olona iray izay tsy nahita ny zavatra niainan'ny hafa"

1 Corinthians 15:10

ny fahasoavan'Andriamanitra no naha-toy izaho ahy

Ny fahasoavan'Andriamanitra na ny hatsaram-panahiny no nahatonga an'i Paoly ho toy ny maha-izy azy amin'izao fotoana izao.

tsy foana ny fahasoavany ato amiko

Paoly dia manambara amin'ny alalan'ny fanalefahan-teny fa Andriamanitra dia miasa amin'ny alalan'i Paoly. DH: "satria nalemy fanahy tamiko izy, dia afaka manao asa tsara maro aho"

ny fahasoavan'Andriamanitra izay miaraka amiko

Paoly dia miresaka ny asa izay afaka nataony satria Andriamanitra dia naneho hatsaram-panahy taminy toy ny hoe nanao io asa io ny fahasoavana. DH: Ireo mety ho dikany: 1) izany dia marina ara-bakiteny, ary Andriamanitra dia nanao ny asa ary nampiasa an'i Paoly ho fitaovana tamin'ny hatsaram-panahy na 2) Paoly dia mampiasa sarinteny ary milaza fa Andriamanitra dia tsara fanahy ka namela an'i Paoly hanao ilay asa ary mba hahatonga ny asan'i Paoly hanana vokatra tsara.

1 Corinthians 15:12

ahoana no hahafahan'ny sasany aminareo milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty?

Mampiasa izany fanontaniana izany Paoly mba hanombohana hevitra vaovao. DH: "tsy tokony hilaza ianareo fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty!"

raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsy natsangana akory Kristy

Ny filazana fa tsy misy fitsanganana amin'ny maty dia toy ny milaza fa tsy nitsangana tamin'ny maty Kristy.

1 Corinthians 15:15

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Tian'i Paoly hahazo antoka izy ireo fa Kristy dia nitsangana tamin'ny maty.

hita ho vavolombelona diso momban' Andriamanitra izahay

Maneho hevitra i Paoly fa raha tsy nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia mitondra fijoroana vavolombelona diso izy ireo na mandainga ny amin'ny fahatongavan'i Kristy ho velona indray.

hita ho ... izahay

"ny olona rehetra dia afaka mahita fa isika dia"

dia foana ny finoanareo ary dia mbola ao amin'ny fahotanareo ianareo

Ny finoan'izy ireo dia mifototra amin'i Kristy nitsangana tamin'ny maty, koa raha tsy niseho izany, dia tsy hahasoa azy ireo ny finoan'izy ireo.

1 Corinthians 15:18

amin'ny olona rehetra

"amin'ny olona rehetra, ao anatin'izany ny mpino sy tsy mpino"

isika no mampahonena indrindra amin'ny olona rehetra

"ny olona dia tokony halahelo bebe kokoa antsika noho izay ataon'izy ireo ho an'ny olon-kafa"

1 Corinthians 15:20

ankehitriny ... Kristy

"araka izany, Kristy" na "izao no marina: Kristy dia"

natsangana tamin'ny maty Kristy

DH: "Andriamanitra nanangana an'i Kristy"

1 Corinthians 15:22

Adama

Adama dia ilay olona iray izay noharian'Andriamanitra voalohany. Izy sy Eva vadiny dia natao araka ny endrik'Andriamanitra.

fahafatesana, maty

Ireo teny ireo dia ampiasaina mba hilazana ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Raha ara-batana, dia hilazana ny fotoana hahataperan'ny ain'ny olona iray. Raha ara-panahy, dia hilazana ny fisarahan'ny mpanota iray amin'Andriamanitra masina noho ny fahotany.

Kristy, Mesia

Ny teny hoe: "Mesia" sy "Kristy" dia midika hoe: "Ilay Voaosotra" ary maneho an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.

fiainana, miaina, velona

Ireo teny ireo dia maneho ny fahavelomana ara-batana. Ampiasaina ho sarinteny ihany koa ireo mba hanehoana ny fahavelomana ara-panahy.

voaloham-bokatra

Ny teny hoe: "voaloham-bokatra" dia hilazana ny ampahany amin'ny voaloham-bokatra sy legioma izay jinjaina isaky ny fotoan'ny fiakaram-bokatra.

1 Corinthians 15:24

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "izy" sy " -ny" dia maneho an'i Kristy.

hanafoana ny fitsipika rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery Izy

"hampitsahatra ireo olona izay manapaka, manana fahefana, ary izay manana hery hanaovana izay ataon'izy ireo izy"

mandra-pametrany ny fahavalony rehetra ao ambanin'ny tongony

Ireo mpanjaka izay nandresy tamin'ny ady dia hametraka ny tongotr'izy ireo eo amin'ny tendan'izay resin'izy ireo. DH: "mandra-pamotehan'Andriamanitra tanteraka ireo fahavalon'i Kristy"

Ny fahavalo farany ho haringana dia ny fahafatesana

Oharin'i Paoly amin'ny olona iray izay hovonoin'Andriamanitra ny fahafatesana eto. DH: "'Ny fahavalo farany izay hopotehan'Andriamanitra dia ny fahafatesana"

1 Corinthians 15:27

Napetrany teo ambanin'ny tongony avokoa ny zavatra rehetra

Ireo mpanjaka izay nandresy tamin'ny ady dia hametraka ny tongotr'izy ireo eo amin'ny tendan'izay resin'izy ireo. DH: "Andriamanitra dia efa namotika tanteraka ireo fahavalon'i Kristy." Jereo ny fomba nandikana ny teny hoe: "mametraka ... ambanin'ny tongony" ao amin'ny 15:24.

manaiky Azy ny zavatra rehetra

DH: "Andriamanitra nampanaiky ny zavatra rehetra an'i Kristy"

ny Zanaka mihitsy no hanaiky

DH: "ny Zanaka mihitsy no ho tonga mpanaiky"

ny Zanaka mihitsy

Ao amin'ireo andininy teo aloha dia natao hoe: "Kristy" izy. DH: "Kristy, izany hoe, ny Zanaka izy tenany"

Zanaka ... Ray

Fiantsoana manan-danja izay mamaritra ny fifandraisana eo amin'i Jesosy sy Andriamanitra.

1 Corinthians 15:29

Na koa inona no ilaina ireo izay vita batisa ho an'ny maty?

Tian'i Paoly hahafantatra ireo Korintiana na dia tsy misy azy miteny azy ireo aza. DH: "Raha tsy izany dia ho tsy misy dikany ho an'ireo Kristiana ny fandraisana ny batisa ho an'ny maty."

nahoana izy ireo no natao batisa ho an'izy ireo?

Tian'i Paoly hahafantatra ireo Korintiana na dia tsy misy azy miteny azy ireo aza. DH: "tsy misy antony ho azy ireo ny fandraisana ny batisa ho an'ny olona maty."

Nahoana ary, isika no am-bava loza isan'ora?

DH: "tsy mahazo na inona na inona isika na dia am-bava loza isan'ora aza."

1 Corinthians 15:31

Miatrika fahafatesana isan'andro aho! Izany dia azo antoka tahaka ny fireharehako ny aminareo

"Mirehareha ny aminareo aho, mba hahafantaran'ny olona rehetra fa miteny ny marina aho rehefa milaza fa miatrika fahafatesana isan'andro"

Miatrika fahafatesana isan'andro aho

Paoly dia mety miresaka ny amin'ny 1) fanehoana isan'andro ny fahafatesan'i Kristy amin'ny famonoana ny filàny manokana hanota na 2) fiainana isan'andro amin'ny fahafantarana fa ny olona dia miezaka ny hamono azy ara-batana.

ny fireharehako ny aminareo

"ny fomba hilazako ny fahatsaranareo amin'ireo olona hafa"

Inona no tombony azoko, avy amin'ny fomba fijerin'ny olombelona, raha niady tamin'ny biby tao Efesosy aho ... tsy natsangana?

Irian'i Paoly ireo Korintiana hahafantatra na dia tsy misy azy miteny azy ireo aza. DH: "Tsy mahazo na inona aho ... tamin'ny alalan'ny fiadiana tamin'ireo biby tany Efesosy ... tsy natsangana."

niady tamin'ny biby tao Efesosy aho

Paoly dia maneho zavatra izay efa vita ankehitriny. Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia niresaka momba ny fifandirana tamin'ireo mpanompo sampy na tamin'ny fifanoherana tamin'ny hafa tamin'ireo olona izay naniry ny hamono azy na 2) nentina teo amin'ny kianja izy mba hiady amin'ireo biby lozabe.

Aoka isika hihinana sy hisotro, satria ho faty isika rahampitso

Faranan'i Paoly amin'ny hoe: raha tsy misy fiainana intsony aorian'ny fahafatesana, dia tsara kokoa ho antsika ny mankafy an'ity fiainana ity araka izay tratrantsika, satria rahampitso ny fiainantsika dia hifarana ary tsy misy fanantenana hafa.

1 Corinthians 15:33

Manimba ny fisainana tsara ny naman-dratsy

Raha niara-niaina tamin'ny olon-dratsy ianareo, dia hanao toa azy ireo. Paoly dia nampiasa fomba fiteny mahazatra.

Mandiniha

"Tsy maintsy mieritreritra tsara ny momba izany ianareo"

1 Corinthians 15:35

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manome antsipiriany kely momba ny fitsanganan'ny vatan'ireo mpino amin'ny maty i Paoly. Manome sarisarin'ireo vatana ara-nofo sy ara-panahy izy ary mampitaha an'i Adama lehilahy voalohany amin'i Adama farany, dia i Kristy.

Fa ny olona iray hiteny hoe: "Ahoana no nananganana ny maty, ary amin'ny karazana vatana inona no hahatongavan'izy ireo?"

Ireo mety ho dikany: 1) Manontany am-pahamatorana ilay olona iray na 2) mampiasa fanontaniana ilay olona iray mba hanesoana ny hevitry ny fananganana amin'ny maty. DH: "Fa ny sasany hilaza fa tsy afaka hahazo an-tsaina ny fomba hananganan'Andriamanitra ny maty izy ireo, ary vatana toy ny ahoana no homen'Andriamanitra azy ireo amin'ny fananganana amin'ny maty."

olona iray hiteny hoe:

"olona iray hanontany hoe:"

amin'ny karazana vatana inona no hahatongavan'izy ireo

Izany hoe, ho vatana ara-nofo ve izany sa ara-panahy? Ho tahaka ny ahoana ny endriky ny vatana? Ho vita amin'ny inona izany vatana izany?

Tsy mahalala na inona na inona ianao! Izay hafafinareo

Ataon'i Paoly toy ny hoe olona iray ireo Korintiana, ka "ianao" no ampiasaina eto.

Tsy mahalala na inona na inona ianao

"Tsy mahafantatra ny momba izany ianao"

Izay hafafinao dia tsy hanomboka hitombo raha tsy maty izany

Ny voa dia tsy hitombo raha tsy nalevina any amin'ny tany aloha voalohany. Toy izany koa, ny olona iray dia tsy maintsy maty aloha izay vao afaka hatsangan'Andriamanitra amin'ny maty izy.

1 Corinthians 15:37

Izay nafafinareo dia tsy ny vatana izay ho avy

Mampiasa sarinteny momba ny voa indray i Paoly mba hilazana fa Andriamanitra dia hanangana ny vatana mangatsiakan'ny mpino, fa izany vatana izany dia tsy ho tahaka ny teo aloha.

Izay nafafinao

Ataon'i Paoly toy ny miresaka amin'ny olona iray ny miresaka amin'ireo Korintiana, ka "ianao" no ampiasaina eto.

Andriamanitra hanome ny vatana araka izay nosafidiany

"Andriamanitra dia hanapa-kevitra izay karazam-batana homeny"

nofo

Raha ny resaka momban'ny biby, "ny nofo" dia afaka adika toy ny hoe "vatana," "hoditra," na "hena."

1 Corinthians 15:40

ireo vatana any an-danitra

Ireo mety ho dikany: 1) ny masoandro, ny volana, ireo kintana, ary ireo karazana fahazavana hafa hita eny amin'ny lanitra na 2) zavatry ny lanitra, tahaka ireo anjely na ireo zava-boaary mihoatra ny natiora.

ireo vatan'ny eto an-tany

Izany dia maneho ny olombelona.

karazana iray ihany ny voninahitry ny vatana any an-danitra ary hafa ny voninahitry ny eto an-tany

"ny voninahitra izay hananan'ny vatana any an-danitra dia samihafa amin'ny voninahitry ny vatan'olombelona"

voninahitra

Eto ny hoe: "voninahitra" dia manambara ny famirapiratan'ny zavatra eny amin'ny lanitra amin'ny mason'ny olombelona.

1 Corinthians 15:42

Izay afafy ... izay hatsangana ... Afafy ... afafy

Ataon'ny mpanoratra toy ny hoe olona mamafy voan-java-maniry izay hamoa ny olona mametraka faty ao am-pasana. DH: "Izay miditra ao am-pasana ... izay mivoaka avy ao am-pasana ... dia miditra ao am-pasana ... mivoaka avy ao am-pasana" na "Izay alevin'ny olona ... izay hatsangan'Andriamanitra ... Ny olona mandevina izany ... Andriamanitra manangana izany"

mety simba ... tsy mety simba

"mety lo ... tsy mety lo"

1 Corinthians 15:45

Fa tsy ny ara-panahy no tonga voalohany fa ny voajanahary, ary avy eo ny ara-panahy

"ny voajanahary no tonga voalohany. Ny ara-panahy avy amin'Andriamanitra ary tonga taty aoriana."

voajanahary

noforonina araka ny fomban-tany, ary mbola tsy nisy fifandraisana tamin'Andriamanitra

1 Corinthians 15:47

Ny olona voalohany dia avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny vovoka

Andriamanitra nanao an'ilay lehilahy voalohany, dia i Adama, avy tamin'ny vovoka.

vovoka

"fotaka"

olona any an-danitra

Jesosy Kristy

ireo izay avy any an-danitra

"ireo izay an'Andriamanitra"

hitondra

"manaiky sy manahaka"

1 Corinthians 15:50

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia maniry azy ireo ho tonga saina fa misy ireo mpino sasany dia tsy ho faty ara-batana fa mbola hitsangana amin'ny maty amin'ny alalan'ny fandresen'i Kristy.

fa ny nofo aman-drà dia tsy afaka ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na izay mety simba handova izay tsy mety simba

Ireo mety ho dikany: 1) ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. DH: "ireo olombelona izay ho faty tokoa dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra maharitra" na 2) ny fehezanteny faharoa dia mamarana ny hevitr'ilay voalohany. DH: "ireo olombelona malemy dia tsy afaka ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na ireo izay tena maty dia tsy handova ny fanjakana izay haharitra mandrakizay"

nofo aman-drà

Ireo monina ao amin'ny vatana izay voaheloka ho faty.

handova

Handray ny fampanantenana nomen'Andriamanitra an'ireo mpino toy ny hoe mandova fananana sy harena amin'ny olona tsirairay ao amin'ny fianakaviana.

mety simba ... tsy mety simba

"mety lo ... tsy mety lo." Jereo ny fomba nandikana ireo teny ireo ao amin'ny15:42.

fa hovaina avokoa isika rehetra

DH: "Andriamanitra hanova antsika rehetra"

1 Corinthians 15:52

Hiova isika

"Andriamanitra hanova antsika"

ao anatin'ny indray mipi-maso

Izany dia hitranga haingana dia haingana tahaka ny olona iray izay mipi-maso.

amin'ny trompetra farany

"rehefa maneno ny trompetra farany"

mety simba ... ity vatana mety simba ity ... tsy mety simba

"amin'ny endrika iray izay tsy mety lo ... izany vatana izany dia mety lo ... tsy mety lo." Jereo ny fandikana ny fehezanteny mitovy amin'ireo ao amin'ny 15:42.

tsy maintsy hitafy

Paoly dia miresaka ny fanaovan'Andriamanitra ny vatantsika mba tsy ho faty intsony toy ny hoe mampitafy fitafiana vaovao antsika Izy.

1 Corinthians 15:54

tsy mety simba ity vatana mety simba ity

"tsy mety lo izany vatana izany ... tsy mety lo." Jereo izay ao amin'ny 15:42.

Ry fahafatesana, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana, aiza ny fanindronanao?

Paoly dia milaza izany mba hanamavoana ny herin'ny fahafatesana izay efa resin'i Kristy. DH: "Ny fahafatesana dia tsy manam-pandresena. Ny fahafatesana dia tsy manana fanindronana."

1 Corinthians 15:56

Ny ota no fanindron'ny fahafatesana

Amin'ny alalan'ny fahotana no nandaharana antsika hiatrika ny fahafatesana, izany hoe ho faty.

ny herin'ny ota dia ny lalàna

Ny lalàn'Andriamanitra izay nampitainy tamin'i Mosesy dia mamaritra ny fahotana sy mampiseho antsika ny fomba nanotantsika teo anatrehan'Andriamanitra.

manome antsika ny fandresena

"nandresy ny fahafatesana ho antsika"

1 Corinthians 15:58

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Tian'i Paoly hahatsiaro ny fiovana, ny fitsanganan'ny vatana izay homen'Andriamanitra azy ireo ireo mpino rehefa miasa ho an'ny Tompo.

miorena tsara ary aza miozongozona

Oharin'i Paoly amin'ny hoe tsy afa-mihetsika ara-batana ny olona iray izay tsy mamela na inona na inona hanakana azy hanatanteraka ny fanapahan-keviny. DH: "manapaha hevitra"

Miroboroboa mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo

Paoly dia miresaka ny ezaka izay natao tamin'ny fiasana ho an'ny Tompo toy ny hoe zavatra mivaingana izay azon'ny olona raisina. DH: "Miasà am-pahatokiana mandrakariva ho an'ny Tompo"

1 Corinthians 16

1 Corinthians 16:1

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ao amin'ny fanamarihana ny famaranany, Paoly dia mampatsiahy ireo Korintiana mpino mba hanangona ny vola ho an'ireo mpino mila fanampiana any Jerosalema. Mampatsiahy azy ireo fa ho avy any amin'izy ireo Timoty alohan'ny handehanany any amin'i Paoly.

ho an'ireo mpino

Nanangona ny vola avy amin'ireo fiangonana ho an'ireo Jiosy Kristiana mahantra any Jerosalema sy Jodia i Paoly.

araka ny nanoroako lalana

"tahakan'ny nanomezako torolalana manokana"

hitahiry izany

Ireo mety ho dikany: 1) "avelao any an-trano izany" na 2) "avelao miaraka amin'ny fiangonana izany"

mba tsy hisian'ny fanangonam-bola rehefa tonga aho

"mba tsy ho voatery hanangona vola be ianareo rehefa miaraka aminareo aho"

1 Corinthians 16:3

na iza na iza ekenareo

Paoly dia miresaka amin'ny fiangonana mba hisafidy ny sasany amin'ny olon'izy ireo mba hakana ny fanomezan'izy ireo ho an'i Jerosalema. "na iza na iza safidinareo" na "ny olona izay voatondronareo"

alefako miaraka amin'ny taratasy

Ireo mety ho dikany: 1) "alefako miaraka amin'ny taratasy izay hosoratako" na 2) "Alefako miaraka amin'ny taratasy izay hosoratanareo."

1 Corinthians 16:5

mba hahafahanareo manampy ahy amin'ny diako

Izany dia midika fa mety hanome vola na zavatra hafa izay ilain'i Paoly izy ireo mba hahafahany izy sy ny vondron'ny asa fanompoany manohy ny dia.

1 Corinthians 16:7

tsy maniry ny hahita anareo

Paoly dia manambara fa maniry ny hamangy azy ireo mandritra ny fotoana lava izy aoriana ao, fa tsy fotoana fohy.

Pentekosta

Paoly dia hijanona any Efesosy mandra-pahatongan'ny fety, izay atao isaky ny May na Jona, 50 andro aorian'ny Paka. Handeha hamakivaky an'i Makedonia izy, ary avy eo hiezaka ny ho tonga any Korinto mialohan'ny ririnina izay manomboka ny Novambra.

varavarana malalaka no nisokatra

Resahin'i Paoly toy ny hoe varavarana izay nosokafan'Andriamanitra mba hahafahany miditra amin'ny alalan'izany ny fahafahana nomen'Andriamanitra azy mba hahazo olona ho amin'ny filazantsara.

1 Corinthians 16:10

ezaho mba tsy hatahotra izy miaraka aminareo

"tandremo mba tsy hisy antony hatahorany miaraka aminareo"

Aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy

Satria Timoty dia tanora kokoa noho i Paoly, ka indraindray dia tsy mampiseho ny fanajana izay mendrika ny asa fanompoana ho an'ny filazantsara izy.

Apolosy rahalahintsika

Eto ny teny hoe: "antsika" dia maneho an'i Paoly sy ireo mpamaky ny bokiny.

1 Corinthians 16:13

Miambena, mijoroa tsara amin'ny finoana, miasà tahaka ny lehilahy, mahereza

Faritan'i Paoly toy ny hoe manome baiko efatra ho an'ny miaramila an'ady ny zavatra tiany ho ataon'ireo Korintiana. Ireo baiko efatra ireo dia saika mitovy dika ary ampiasaina mba ho fanamafisana.

Miambena

Resahin'i Paoly toy ny hoe mpiambina tanàna na tanim-boaloboka ny fahafantarana izay zavatra mitranga. DH: "Mitandrema amin'izay hinoanareo" na "Mitandrema amin'ny loza"

mijoroa tsara amin'ny finoana

Resahin'i Paoly toy ny hoe miaramila tsy manaiky hilavo lefona rehefa tafihan'ny fahavalo ny olona manohy mino an'i Kristy araka ny fampianarany. Ireo mety ho dikany: 1) "minoa hatrany hatrany izay nampianarinay anareo" na 2) "mahatokia hatrany hatrany an'i Kristy"

miasà tahaka ny lehilahy

Ao anatin'ny fiaraha-monina izay niainan'i Paoly sy ny mpihaino azy, matetika ireo lehilahy dia mamelona ny fianakaviana amin'ny fanaovana asa mafy sy fiadiana amin'ny mpanafika. DH: "mandraisa andraikitra"

Aoka ho atao am- pitiavana izay ataonao rehetra

"ny zavatra rehetra izay hataonao dia tokony haneho amin'ny olona fa tianao izy ireo"

1 Corinthians 16:15

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manomboka mamarana ny taratasy sy manao veloma avy amin'ireo fiangonana hafa, ary koa avy amin'i Priska, Akila, ary Paoly izy tenany.

ny ankohonan'i Stefanasy

Stefanasy dia ilay iray tamin'ireo mpino voalohany tao amin'ny fiangonana Korinto.

Asaia

Anarana faritany Grika iray.

1 Corinthians 16:17

Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy

Ireo lehilahy ireo no mpino Korintiana voalohany na loholom-piangonana izay mpiara-miasa tamin'i Paoly.

Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy

Anaran-dehilahy ireo.

Nameno ny tsy naha-teo anareo izy ireo

"Izy ireo no nameno ny tsy naha-teo anareo."

Fa namelombelona ny fanahiko

Milaza i Paoly fa nahery nohon'ny famangian'izy ireo.

1 Corinthians 16:19

fiangonana, Fiangonana

Ao amin'ny Testamenta vaovao, ny teny hoe: "fiangonana" dia maneho ireo vondron'ny mpino an'i Jesosy izay mivory matetika mba hivavaka sy handre ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra. Ny teny hoe: "Fiangonana" dia matetika maneho an'ireo Kristiana rehetra.

Asia

Tamin'ny andron'ny Baiboly, "Asia" dia anaran'ny faritanin'ny Fanjakana Romana. Any andrefan'ny firenena izay efa antsoina hoe Torkia ankehitriny.

Akila

Akila dia ilay Jiosy Kristiana avy amin'ny faritanin'i Ponto, ilay faritra any amin'ny morontsiraka atsimon'ny Ranomasina Mainty.

Pritsila

Pritsila sy Akila vadiny dia Jiosy Kristiana izay niasa niaraka tamin'i Paoly Apostoly tamin'ny asa misionera nataony.

Tompo

Ny teny hoe: "Tompo" dia hilazana ny olona izay manana ny fananana na fahefana amin'ny olona. Rehefa atao sora-baventy izany, dia fiantsoana hilazana an'Andriamanitra. (Marihina nefa fa rehefa ampiasaina toy ny endrika hiresahana olona na any amin'ny fanombohana fehezanteny dia afaka atao sora-baventy izany ary midika hoe: "tompo" na "andriamatoa."

masina, fahamasinana

Ny teny hoe: "masina" sy "fahamasinana" dia maneho ny toetran'Andriamanitra izay voatokana tanteraka ary misaraka amin'ny zavatra rehetra izay feno fahotana sy tsy tonga lafatra.

oroka

Ny oroka dia fihetsika iray izay hametrahan'ny olona iray ny molony amin'ny molotra na tarehin'olona iray hafa. Izany teny izany ihany koa dia afaka ampiasaina tsy ara-bakiteny.

1 Corinthians 16:21

1Izaho, Paoly, manoratra ity amin'ny tanako

Ataon'i Paoly mazava tsara fa ireo fampianarana ao amin'ity taratasy ity dia avy aminy, na dia ny iray amin'ireo mpiara-miasa aminy aza no manoratra izay lazain'i Paoly ao amin'ny ambin'ny taratasy. Ny tanan'i Paoly mihitsy no nanoratra ny ampahany farany.

enga anie mba ho voaozona izy

"enga anie Andriamanitra mba hanozona azy." Jereo ny fomba nandikana ny "voahozona" ao amin'ny 12:1.