Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Exodus 1

Exodus 1:1

Tanàna taiza no nandehanan'ireo zanaka lahin'Israely niaraka tamin'i Jakoba?

Nandeha tany Egypta niaraka tamin'i Jakoba ireo zanaka lahin'Israely.

Firy ny taranak'i Jakoba tany?

Fitopolo ny isan'ny taranak'i Jakoba rehetra.

Exodus 1:8

Iza no tsy niraharaha ny fahatsiarovana an'i Josefa?

Ny mpanjaka vaovao nitsangana nanapaka an'i Egypta, no tsy nahafantatra ny fahatsiarovana an'i Josefa.

Inona no noeritreretin'ny mpanjakan'ireo Egyptiana fa hitranga raha tsy mifampiraharaha am-pahendrena amin'ireo Israelita izy ireo?

Natahotra ny mpanjakan'ireo Egyptiana fa hitombo hatrany ireo Israelita, ary raha vaky ny ady, dia hanatevin-daharana ireo fahavalony izy ireo, hiady amin'izy ireo ary handao ny tany izy ireo.

Exodus 1:11

Ahoana no nampahorian'ireo mpifehy ireo Israelita?

Nampahory ireo Israelita tamin'ny asa mafy ireo mpifehy.

Inona no nitranga rehefa nampahory kokoa ireo Israelita ireo Egyptiana?

Rehefa nampahory kokoa ireo Israelita ireo Egyptiana, dia vao maika nitombo an'isa sy niparitaka ireo Israelita.

Exodus 1:15

Inona no lazain'ny mpanjakan'i Egypta mba hataon'ireo mpampivelona raha lahy ny zaza?

Nolazain'ny mpanjakan'i Egypta azy ireo fa raha lahy ny zaza, dia tsy maintsy vonoin'izy ireo.

Nahoana no tsy nanao araka izay nandidian'ny mpanjakan'i Egypta azy ireo ny mpampivelona?

Natahotra an'Andriamanitra ireo mpampivelona ka tsy nanao izay nandidian'ny mpanjakan'i Egypta azy ireo.

Exodus 1:18

Ahoana no nolazain'ireo mpampivelona fa tsy mitovy amin'ireo vehivavy Hebreo ireo vehivavy Egyptiana?

Nolazain'izy ireo fa matanjaka izy ireo ka efa nahavita namoaka zaza mialohan'ny hatongavan'ny mpampivelona any amin'izy ireo.

Exodus 1:20

Inona no nandidian'i Farao mba hataon'ny olony rehetra amin'ireo zazalahy?

Nandidy ireo vahoakany rehetra Farao hoe: "Tsy maintsy harianareo any amin'ny renirano ny zazalahy rehetra izay vao teraka."

Exodus 2

Exodus 2:1

Hafiriana no nanafenan'ilay vehivavin'i Levy ny zanany lahy?

Nafenin'ilay vehivavin'i Levy nandritra ny telo volana ny zanany lahy.

Exodus 2:3

Tamin'ny inona no nandraiketan'ilay vehivavin'i Levy ny sobika norariana tamin'ny ahitra?

Noraiketiny tamin'ny ditin-tany sy dity ny sobika norariana tamin'ny ahitra.

Nahoana no nijoro teny lavidavitra ny anabavin'ilay zaza?

Nijoro avy lavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy.

Exodus 2:5

Inona no nataon'ny zanaka vavin'i Farao raha nandehandeha nanaraka ny moron'ny ony ireo mpanompony?

Nidina nandro teny amin'ny ony ny zanakavavin'i Farao raha nandehandeha nanaraka ny moron'ny ony ireo mpanompony.

Exodus 2:7

Iza no nalain'ilay tovovavy mba hitaiza ilay zaza ho an'ny zanaka vavin'i Farao?

Nandeha ary nitady ny renin'ilay zaza mba hitaiza ilay zaza ho an'ny zanaka vavin'i Farao ilay tovovavy.

Exodus 2:9

Iza no nanome ny anaran'ilay zaza hoe Mosesy?

Ny zanaka vavin'i Farao no nanome anarana ilay zaza hoe Mosesy.

Exodus 2:11

Taiza no nanafenan'i Mosesy ny fatin'ilay Egyptiana izay novonoiny?

Novonoin'i Mosesy ilay Egyptiana ary nafeniny tao anaty fasika ny fatiny.

Exodus 2:13

Rehefa niady ireo lehilahy Hebreo roa, dia iza no nanontanian'i Mosesy hoe: "Nahoana ianao no mikapoka ny namanao?"

Rehefa niady ireo lehilahy Hebreo roa, dia hoy Mosesy tamin'ilay iray izay diso hoe: "Nahoana ianao no mikapoka ny namanao?"

Exodus 2:15

Nahoana no tsy namono an'i Mosesy i Farao?

Nitady ny hamono an'i Mosesy i Farao. Saingy nandositra an'i Farao i Mosesy ka nipetraka tany amin'ny tanin'ny Midiana.

Iza no niezaka handroaka ireo zanaka vavin'ny mpisoron'i Midiana?

Tonga ireo mpiandry ondry ka niezaka nandroaka ireo zanaka vavin'ny mpisoron'i Midiana.

Exodus 2:23

Oviana no nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba Andriamanitra?

Rehefa ren'Andriamanitra ny senton'izy ireo, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba Andriamanitra.

Exodus 3

Exodus 3:1

Iza no rafozan-dahin'i Mosesy?

Jetro, mpisoron'ny Midiana, no rafozan-dahin'i Mosesy

Ahoana no nisehoan'ny anjelin'ny Tompo tamin'i Mosesy?

Niseho tamin'i Mosesy tamin'ny lelan'afo tao anaty voaroy ny anjelin'ny Tompo.

Exodus 3:4

Iza no niantso an'i Mosesy tao amin'ny voaroy?

Niantso an'i Mosesy tao amin'ny voaroy Andriamanitra.

Nahoana no nilaza tamin'i Mosesy ny mba hanalany ny kapany amin'ny tongony Andriamanitra?

Dia hoy Andriamanitra hoe: "Aza manakaiky loatra! Esory eny an-tongotrao ny kiraronao, fa ny toerana izay ijoroanao dia tany efa voatokana ho Ahy."

Exodus 3:7

Nahoana no nidina Yaveh?

Nidina Yaveh mba hanafaka azy ireo amin'ny fahefan'ireo Egyptiana ary hitondra azy ireo hiakatra avy amin'izany tany izany ho any amin'ny tany soa, sy midadasika, ho any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.

Exodus 3:9

Nahoana no naniraka an'i Mosesy ho any amin'i Farao Yaveh?

Naniraka an'i Mosesy ho any amin'i Farao Yaveh mba hahafahany hitondra ny vahoakan'i Yaveh, ireo Israelita, hiala ao Egypta

Exodus 3:11

Inona no ho famantarana amin'i Mosesy fa naniraka Azy Yaveh?

Ny famantarana ho an'i Mosesy fa naniraka Azy Yaveh dia rehefa tafavoakany avy ao Egypta ny vahoaka, dia hanompo Azy eo amin'izany tendrombohitra izany izy.

Exodus 3:13

Rehefa hanontany an'i Mosesy ireo Israelita hoe iza no anaran'Andriamanitra, dia inona no tokony holazainy amin'izy ireo?

Rehefa hanontany an'i Mosesy ireo Israelita hoe iza no anaran'Andriamanitra, dia tokony hilaza izy hoe: "IZAHO NO IZAHO."

Exodus 3:16

Mandra-pahoviana no handehanan'ireo Israelita hankany an'efitra, mba ahafahan'izy ireo manao sorona ho an'i Yaveh, ny Andriamanitr'izy ireo?

Handeha hateloana any an'efitra ireo Israelita, mba hahafahan'izy ireo hanao sorona ho an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo.

Exodus 3:19

Tsy hamela ireo Israelita handeha ny mpanjakan'ny Egyptiana raha tsy inona no mitranga?

Tsy hamela ireo Israelita handeha ny mpanjakan'ny Egyptiana raha tsy hoterena ny tanany.

Exodus 4

Exodus 4:1

Inona no teo an-tanan'i Mosesy?

Tehina no teo an-tanan'i Mosesy.

Exodus 4:4

Lasa inona ny tehin'i Mosesy rehefa nanipy izany teo amin'ny tany izy?

Lasa bibilava ny tehin'i Mosesy rehefa nanipy izany teo amin'ny tany izy.

Amin'ny inona no tokony handraisan'i Mosesy ilay bibilava?

Tokony handray ilay bibilava amin'ny rambony Mosesy.

Exodus 4:6

Rehefa namoaka voalohany ny tanany tao amin'ny akanjony Mosesy, dia inona no nitranga?

Rehefa namoaka voalohany ny tanany tao amin'ny akanjony Mosesy, dia boka izany.

Exodus 4:10

Iza no ho vavan'i Mosesy ary hampianatra azy izay holazaina?

Yaveh no ho vavan'i Mosesy sy hampianatra azy izay ho lazaina.

Exodus 4:14

Rehefa mahita an'i Mosesy i Arona, dia inona no ho tsapany?

Rehefa mahita an'i Mosesy i Arona, dia ho faly ao am-pony izy.

Ho tahaka an'iza i Mosesy amin'i Arona?

Ho tahaka an'Andriamanitra i Mosesy amin'i Arona.

Exodus 4:18

Nahoana no afaka miverina any Egypta Mosesy?

Afaka miverina any Egypta Mosesy, satria efa maty ireo lehilahy rehetra izay niezaka ny hifofo ny ainy.

Exodus 4:21

Nahoana no hanamafy ny fon'i Farao Yaveh?

Hanamafy ny fon'i Farao Yaveh, dia tsy hamela ireo vahoaka handeha i Farao.

Satria nandà ny hamela ireo zanaka lahimatoa an'i Yaveh mba handeha Farao, dia inona no hataon'i Yaveh amin'ny zanaka lahimatoan'i Farao?

Satria nandà ny hamela ireo zanaka lahimatoa an'i Yaveh mba handeha Farao, dia hamono ny zanaka lahimatoan'i Farao tokoa Yaveh.

Exodus 4:24

Rehefa nijanona ny alina izy ireo, dia inona no nokasain'Yaveh mba hatao amin'i Mosesy?

Rehefa nijanona fa alina izy ireo, dia nihaona tamin'i Mosesy ary nikasa hamono azy Yaveh.

Exodus 4:27

Taiza no nihaonan'i Arona tamin'i Mosesy?

Nihaona tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitr'Andriamanitra i Arona.

Exodus 4:29

Iza no nampiharihary ireo famantarana ny herin'i Yaveh teo imason'ireo vahoaka?

Arona no nampiharihary teo imason'ireo vahoaka ireo famantarana ny herin'i Yaveh.

Exodus 5

Exodus 5:1

Nahoana no tokony hamela ny vahoakan'Yaveh mba handeha Farao?

Tokony hamela ny vahoakan'Yaveh mba handeha izy ireo, mba ahafahan'izy ireo manao firavoravoana ho Azy any an'efitra.

Exodus 5:3

Nahoana no tokony andeha hateloana any an'efitra ary hanao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ny Israelita?

Tokony andeha hateloana any an'efitra ary hanao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ny Israelita mba tsy hanafihany azy ireo amin'ny loza na amin'ny sabatra.

Exodus 5:6

Iza no nomen'i Farao baiko mba tsy hanome mololo hanaovan'ny Israelita biriky intsony?

Nanome baiko ireo mpampiasa sy ireo mpiambina mba tsy hanome mololo hanaovan'ny Israelita biriky intsony Farao.

Exodus 5:10

Na dia tsy maintsy mandeha aza ireo Israelita ary haka mololo na aiza na aiza ahitan'izy ireo izany, dia inona no tsy hihena?

Na dia tsy maintsy mandeha aza ireo Israelita ary haka mololo na aiza na aiza ahitan'izy ireo izany, dia tsy hihena ny asan'izy ireo.

Exodus 5:12

Iza no nikapoka ireo mpampiasa izay an'i Farao?

Nikapoka ny mpiambina Israelita ireo mpampiasan'i Farao, ireo lehilahy izay efa nampiandraiketin'izy ireo an'ireo mpiasa ihany.

Exodus 5:15

Fahadisoan'iza no nikapohana ireo mpiambina Israelita?

Fahadisoan'ny vahoakan'i Farao ihany no nikapohana ireo mpiambina Israelita.

Exodus 5:19

Taiza Mosesy sy Arona raha nandeha avy tao amin'i Farao izy ireo?

Nijoro tany ivelan'ny lapa Mosesy sy Arona raha nandeha avy tao amin'i Farao izy ireo.

Exodus 5:22

Iza no nolazain'i Mosesy fa nahatonga korontana ho an'ny vahoakan'Israely?

Nolazain'i Mosesy fa nahatonga korontana ho an'ny vahoakan'Israely ny Tompo.

Exodus 6

Exodus 6:1

Nahoana no hamela ny vahoakan'Israely handeha Farao?

Hamela ny vahoakan'Israely handeha nohon'ny tanan'i Yaveh mahery Farao.

Exodus 6:2

Ahoana no nisehoan'i Yaveh tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'i Jakoba?

Amin'ny maha-Andriamanitra Tsitoha Azy no nisehoany tamin'i Abrahama, tamin'Isaka ary tamin'i Jakoba.

Inona no ren'Yaveh, ary inona no tadidiny?

Nandre ny fitarainan'ny Israelita izay nandevozin'ny Egyptianina Yaveh, ary nahatsiaro ny fanekeny Izy.

Exodus 6:8

Inona no homen'Yaveh ho an'ny Israelita ho fananan'izy ireo?

Hanome ny tany izay nianiany mba homena an'i Abrahama, an'Isaka, ary an'i Jakoba ho an'ireo Israelita ho fananan'izy ireo Yaveh.

Exodus 6:10

Nahoana Mosesy no mieritreritra fa hihaino azy Farao?

Heverin'i Mosesy fa tsy hihaino azy Mosesy, satria tsy mahay mandaha-teny izy.

Exodus 6:16

Hafiriana no niainan'i Kehata?

Niaina hatramin'ny naha-133 taona azy Kehata.

Exodus 6:20

Iza no novadian'i Amrama?

Nanambady an'i Jekebeda, anabavin'ny rainy i Amrama.

Exodus 6:23

Iza no niteraka an'i Nadaba sy Abiho?

Eliseba no niteraka an'i Nadaba sy Abiho.

Exodus 6:26

Amin'ny fomba ahoana no tokony hamoahan'i Arona sy Mosesy ireo Israelita hiala ao amin'ny tany Egypta?

Tokony hitondra ireo Israelita hivoaka ny tany Egypta amin'ny alalan'ireo vondron-dehilahy mpiadin'izy ireo i Arona sy Mosesy.

Exodus 7

Exodus 7:1

Nataon'i Yaveh inona tamin'i Farao i Mosesy?

Nataon'i Yaveh toy ny andriamanitra ho an'i Farao i Mosesy.

Exodus 7:3

Inona no hanaovan'Yaveh ny fon'i Farao?

Hanamafy ny fon'i Farao Yaveh.

Oviana no ahafantaran'ireo Egyptiana hoe iza Yaveh?

Ho fantatry ny Egyptiana hoe iza Yaveh rehefa manatsotra ny tanany amin'i Egypta sy hanafaka ireo Israelita tsy ho eo amin'izy ireo Izy.

Exodus 7:8

Ho lasa inona ny tehin'i Mosesy?

Ho lasa bibilava ny tehin'i Mosesy.

Exodus 7:11

Ahoana no nivadihan'ny tehin'ireo olon-kendry sy ireo mpanao odin'i Farao ho bibilava?

Nivadika bibilava tamin'ny odin'izy ireo ny olon-kendry sy ireo mpanao odin'i Farao.

Exodus 7:14

Aiza no tokony hijoroan'i Mosesy mba hihaonana amin'i Farao?

Tokony hijoro eny amin'ny moron'ny renirano mba hihaona amin'i Farao i Mosesy.

Exodus 7:16

Hivadika inona ny renirano?

Hivadika rà ny renirano.

Exodus 7:19

Rano inona no hivadika rà?

Ny reniranon'ireo Egyptiana, ireo rano mandeha, ny farihy, sy ny dobon'izy ireo rehetra, ary na dia ny rano ao amin'ny fitoerana vita amin'ny hazo sy vato aza dia hivadika rà.

Exodus 7:20

Inona no nahazo ny fon'i Farao?

Namafisina ny fon'i Farao.

Exodus 7:23

Ahoana no niezahan'ireo Egyptiana mba hahazoana rano ho sotroina?

Nandavaka rano ho sotroina nanodidina ny renirano ireo Egyptiana .

Exodus 8

Exodus 8:1

Inona no hataon'i Yaveh raha nandà tsy hamela ny vahoakan'Yaveh handeha Farao?

Raha nandà tsy hamela ny vahoakan'Yaveh handeha Farao dia hampahory ny tanànan'i Farao rehetra amin'ny sahona Yaveh.

Aiza no halehan'ireo sahona avy ao amin'ny renirano?

Hiakatra ireo sahona ary hiditra ao an-tranon'ireo Egyptiana, ny efitrano fatoriana, sy ny fandriana. Ho any amin'ny tranon'ireo mpanompony ireo. Ho any amin'ny olony, ny lafaorony, ary ireo lovia jobo fanaovany mofo ireo.

Exodus 8:5

Taiza no naninjiran'i Arona ny tanany?

Naninjitra ny tanany tamin'ny ranon'i Egypta i Arona.

Exodus 8:8

Inona no fahafahana nomen'i Mosesy an'i Farao?

Nanome fahafahana an'i Farao mba hilaza aminy hoe rahoviana Mosesy no tokony hivavaka ho azy, ireo mpanompony, ary ireo vahoakany, mba hanesorana ireo sahona eo aminy sy ny ankohonany ka hijanona any an-drenirano ihany izany.

Exodus 8:13

Inona no nataon'i Farao taorian'ny nahitany fa tsy nisy fitoniana noho ireo sahona?

Rehefa hitan'i Farao fa tsy nisy fitoniana noho ireo sahona, dia nanamafy ny fony ary tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona izy.

Exodus 8:16

Lasa inona ny vovoka tamin'ny tany?

Lasa moka nanerana ny tany Egypta manontolo ny vovoka rehetra tamin'ny tany.

Exodus 8:18

Rehefa niezaka namoaka moka tamin'ny odin'izy ireo ny ombiasy, dia inona no nitranga?

Niezaka namoaka moka tamin'ny odin'izy ireo ny ombiasy, fa tsy nahavita.

Exodus 8:20

Inona no ho feno lalitra?

Ny tranon'ireo Egyptiana dia ho feno andian-dalitra, ary na ny tany izay hitsanganan'izy ireo aza dia ho feno lalitra.

Exodus 8:22

Nahoana no tsy hisy lalitra any Gosena?

Hanavaka ny tanin'i Gosena Yaveh, mba tsy hisy andian-dalitra any. Izany dia hiseho mba hahalalan'i Farao fa eo afovoan'izany tany izany Yaveh.

Exodus 8:25

Nahoana no tsy manao sorona any Egypta ireo Israelita?

Ireo sorona izay ataon'ireo Israelita ho an'i Yaveh Andriamaniny dia maharikoriko an'ireo Egyptiana.

Exodus 8:30

Iza no nanamafy ny fon'i Farao rehefa lasa ny lalitra?

Nanamafy ny fony tamin'izany fotoana izany ihany Farao.

Exodus 9

Exodus 9:1

Aiza no hisy ny tanan'Yaveh?

Ho eo amin'ny biby fiompin'ireo Egyptiana eny an-tsaha ary ho eo amin'ireo soavaly, ampondra, rameva, omby, ary ireo ondry aman'osy ny tanan'i Yaveh.

Exodus 9:5

Na dia taorian'ny nahafatesan'ny biby fiompy aza, nahoana no tsy mbola namela ny vahoakan'Israely handeha ihany Farao?

Mafy ny fon'i Farao, ka tsy navelany handeha ny vahoaka.

Exodus 9:8

Inona no ho lasa vovoka madinika tamin'ny tany Egypta rehetra?

Ny lavenona avy ao amin'ny lafaoro no ho lasa vovoka madinika tamin'ny tany Egypta rehetra.

Exodus 9:11

Nahoana no tsy nahatohitra an'i Mosesy ireo ombiasy?

Tsy nahatohitra an'i Mosesy ireo ombiasy noho ireo vay.

Exodus 9:15

Nahoana Yaveh no tsy naninjitra ny tanany ary namely an'i Farao sy ny vahoakany tamin'ny aretina sy nanafoana azy ireo tamin'ny tany?

Tsy naninjitra ny tanany ary namely an'i Farao sy ny vahoakany Yaveh mba hanehoana ny heriny amin'izy ireo, mba hanambarana ny anarany manerana ny tany rehetra.

Exodus 9:18

Fampitandremana inona no nomen'Yaveh momba ny havandra?

Nolazain'Yaveh fa ny olona rehetra sy ny biby izay eny an-tsaha ary tsy nentina nody—dia hilatsahan'ny havandra eo amin'ireo, ary ho faty ireo.

Exodus 9:20

Iza no nitondra ireo andevony sy ny biby fiompy tany an-tranon'izy ireo?

Ireo mpanompon'i Farao izay nino ny hafatr'i Yaveh dia nitondra haingana ireo mpanompo sy ireo biby fiompin'izy ireo nankany an-trano.

Exodus 9:25

Manerana ny tany Egypta rehetra, dia namely inona ny havandra?

Manerana ny tany Egypta rehetra, dia namely ny zavatra rehetra tany an-tsaha, ary ny olona sy ireo biby ny havandra. Namely ny zava-maniry rehetra teny an-tsaha ary nanapaka ireo hazo izany.

Exodus 9:27

Nandritra ny havandra, dia inona no neken'i Farao?

Nolazainy fa nanota izy tamin'izany fotoana izany. Marina Yaveh, ary ratsy fanahy izy sy ny vahoakany.

Exodus 9:31

Zava-maniry inona no tsy nopotehin'ny havandra? Nahoana?

Ny varim-bazaha sy ny apemby no tsy naninona satria ireo dia efa vokatra taty aoriana.

Exodus 10

Exodus 10:1

Nahoana no nanamafy ny fon'i Farao sy ireo mpanompony Yaveh?

Nanamafy ny fon'i Farao sy ireo mpanompony Yaveh mba hanehoana ireo famantarana ny heriny eo amin'izy ireo. Nataony ihany koa izany mba hanambaran'ireo Israelita amin'ireo zanany sy zafikeliny izay zavatra vitany.

Exodus 10:5

Biby inona no handrakotra ny tany rehetra mba tsy hisy afaka hahita ny tany?

Handrakotra ny tany rehetra ireo valala ka tsy hisy afaka hahita ny tany.

Exodus 10:9

Inona no nolazain'i Farao rehefa niteny taminy Mosesy fa handeha hiaraka amin'ireo tanora sy hiaraka amin'ireo antitra, miaraka amin'ny zanaka lahy sy zanaka vaviny ireo Israelita?

Hoy Farao hoe: "Tsia! Mandehana, ny lehilahy eo aminareo ihany"

Exodus 10:12

Inona no nitondra ireo valala?

Ny rivotra avy any atsinanana no nitondra ireo valala.

Exodus 10:16

Inona no nolazain'i Farao fa efa nataony tamin'Yaveh?

Nolazain'i Farao fa efa nanota tamin'i Yaveh, Andriamanitr'i Mosesy i Farao.

Exodus 10:19

Valala firy no tafajanona tamin'ny faritr'i Egypta rehetra taorian'ny nitondran'i Yaveh rivotra mahery vaika avy any andrefana?

Tsy nisy na dia valala iray aza tavela tao amin'ny fari-tanin'i Egypta rehetra taorian'ny nitondran'i Yaveh rivotra mahery vaika avy any andrefana.

Exodus 10:21

Inona no nanjo ireo Egyptiana nandritra ny haizina hateloana?

Nandritra ny haizina hateloana dia tsy nisy nifankahita ny olona; tsy nisy nivoaka tao an-tranony nandritra ny telo andro.

Exodus 10:24

Taorian'ny haizina, dia inona no nolazain'i Farao fa tsy maintsy hajanona rehefa handeha hanompo an'Yaveh ireo Israelita?

Nolazain'i Farao fa tsy maintsy hajanona ireo ondry aman'osy rehefa handeha hanompo an'Yaveh ireo Israelita.

Exodus 10:27

Inona no nolazain'Yaveh fa hanjo an'i Mosesy raha hahita ny tavany indray i Farao?

Nolazain'i Farao fa amin'ny andro hahitan'i Mosesy ny tavany, dia ho faty izy.

Exodus 11

Exodus 11:1

Inona no tokony hangatahin'ny lehilahy sy vehivavy Israelita amin'ny mpiray vodi-rindrina aminy aorian'ny areti-manindringana farany?

Ny lehilahy sy ny vehivavy Israelita rehetra dia hangataka firavaka volafotsy, sy firavaka volamena amin'ny mpiray vodi-rindrina aminy aorian'ny areti-mandringana farany.

Teo imason'iza i Mosesy no tena nahavariana?

Mosesy dia lehilahy tena nahavariana teo imason'ireo mpanompon'i Farao sy ireo vahoakan'i Egypta.

Exodus 11:4

Lahimatoan'iza no ho faty?

Ireo lahimatoa rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho faty, manomboka amin'ny lahimatoan'i Farao, izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany, ka hatramin'ny lahimatoan'ny mpanompo vavy izay ao ambadiky ny fikosoham-bary mitoto izany, ary hatramin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

Exodus 11:6

Oviana no misy hiakiaka be manerana ny tany Egypta rehetra tahaka izay vokatry ny areti-mandringana farany?

Tsy mbola nisy hikiaka tahaka izany, ary tsy hisy tahaka izany intsony.

Exodus 12

Exodus 12:3

Inona no tsy maintsy ataon'ny fianakavian'ny Israelita tsirairay amin'ny andro fahafolon'izany volana izany?

Amin'ny andro fahafolon'izany volana izany dia tsy maintsy maka ondry na zanak'osy ho azy ireo ny fianakaviana tsirairay.

Raha vitsy loatra ka tsy hahalany zanak'ondry iray ny fianakaviana iray, dia inona no tokony hataon'izy ireo?

Raha vitsy loatra ka tsy hahalany zanak'ondry iray ny tokantrano iray, dia tokony haka ny henan-janak'ondry na zanak'osy izay ampy hohanin'ny isam-batan'olona ny lehilahy sy ny mpiray vody rindrina aminy.

Exodus 12:5

Oviana no tsy maintsy hamonoan'ny fiangonana manontolo ireo biby ireo?

Ary tsy maintsy mamono ireo biby ireo amin'ny takariva ny fiangonan'Israely manontolo.

Miaraka amin'ny inona no tsy maintsy hihinanan'ireo Israelita ny zanak'ondry na ny osy?

Tsy maintsy hohanin'izy ireo miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira, miaraka amin'ny ahitra mafaitra izany.

Exodus 12:9

Inona no tsy maintsy ataon'ny Israelita raha misy zanak'ondry tavela?

Tsy tokony havelan'izy ireo ho tra-maraina ny ambin'izany. Tsy maintsy doran'izy ireo izay sisa tavela amin'ny maraina.

Exodus 12:12

Inona no hitranga rehefa mahita ny rà eo amin'ny trano Yaveh?

Rehefa mahita ny rà Yaveh, dia handalo fotsiny ihany.

Exodus 12:15

Inona no tsy maintsy hitranga amin'izay rehetra mihinana mofo misy masirasira amin'ny andro voalohany mandra-pahatonga ny andro fahafito?

Na iza na iza mihinana mofo misy masirasira amin'ny andro voalohany mandra-pahatonga ny andro fahafito, izany olona izany dia tsy maintsy halàna ao Israely.

Asa inona ihany no afaka ataon'ny Israelita mandritra ny andro fiton'ny mofo tsy misy masirasira?

Tsy misy asa ho atao amin'izany andro izany, afa-tsy ny mahandro sakafo hohanin'ny rehetra.

Exodus 12:17

Oviana no tsy maintsy hihinanan'ny Israelita ny mofo tsy misy masirasira?

Tsy maintsy mihinana mofo tsy misy lalivay ireo Israelita manomboka amin'ny takarivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohan'ny taona, mandra-pahatongan'ny takarivan'ny andro faha-iraika amby roapolon'ny volana.

Exodus 12:21

Aiza no tokony hanaovan'ny Israelita ny rà tao anaty koveta?

Tokony hosoran'ireo Israelita amin'ny tolàm-baravarana sy tataom-baravarana roa ny rà izay tao anaty koveta.

Exodus 12:23

Rehefa inona no handalo amin'ny varavaran'ny olona fotsiny ihany Yaveh?

Rehefa mahita ny rà amin'ny tataom-baravarana sy ny tolàm-baravarana roa Yaveh, dia handalo fotsiny amin'ny varavarana.

Exodus 12:26

Rehefa manontany azy ireo ny zanak'ireo Israelita hoe: 'Inona no dikan'izao fomba fivavahana izao?', dia inona no tsy maintsy lazain'izy ireo?

Rehefa manontany azy ireo ny zanak'ireo Israelita hoe: 'Inona no dikan'izao fomba fivavahana izao?' dia tsy maintsy hiteny izy ireo hoe: 'Soron'ny Paskan'i Yaveh izao, satria nandalo tamin'ny tranon'ireo Israelita tao Egypta Yaveh rehefa namely an'ireo Egyptiana. Nanafaka ny ankohonanay Izy.'

Exodus 12:29

Nahoana no nisy fitomaniana mafy tao Egypta?

Nisy fitomaniana mafy tao Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nisy maty tao anatiny.

Exodus 12:34

Inona no nangatahan'ireo Israelita tamin'ireo Egyptiana?

Nangataka firavaka volafotsy, volamena, ary akanjo tamin'ireo Egyptiana ireo Israelita.

Exodus 12:37

Nahoana no tsy nisy masirasira ny mofo?

Tsy nisy masirasira ny mofo satria noroahina avy tao Egypta izy ireo ka tsy afaka nitaraikiraiky tamin'ny fikarakarana sakafo.

Exodus 12:41

Hafiriana no naha-tany Egypta ireo Israelita?

430 taona no niainan'ireo Israelita tao Egypta.

Exodus 12:43

Iza no tsy afaka manana anjara amin'ny fihinanana ny Paska?

Tsy misy vahiny manana anjara amin'ny fihinanana ny Paska.

Exodus 12:47

Raha misy vahiny miara-mipetraka amin'ireo Israelita ka te-hitandrina ny Paskan'i Yaveh, dia inona no tsy maintsy ataon'ny havany lahy rehetra?

Raha misy vahiny miara-mipetraka amin'ireo Israelita ka te-hitandrina ny Paskan'i Yaveh, dia tsy maintsy foraina avokoa ireo havany lehilahy rehetra.

Exodus 13

Exodus 13:1

An'iza ireo voalohan-teraka?

An'i Yaveh ireo voalohan-teraka.

Exodus 13:3

Tamin'ny volana inona no nivoahan'ireo Israelita tao Egypta?

Nivoaka tao Egypta tamin'ny volan'i Abiba ireo Israelita.

Exodus 13:8

Nahoana no ho lasa fampahatsiahivana ho an'ireo Israelita eo amin'ny tanany, ary ho fampahatsiahivana eo amin'ny handriny izany famonjena izany?

Ho lasa fampahatsiahivana ho an'ireo Israelita eo amin'ny tanany, ary ho fampahatsiahivana eo amin'ny handriny izany famonjena izany, mba ho eo am-bavan'izy ireo ny Lalàn'i Yaveh.

Exodus 13:11

Amin'ny inona no tsy maintsy hividianan'ireo Israelita ny voalohan-teraky ny boriky indray?

Ireo voalohan-teraky ny boriky rehetra dia tsy maintsy hamidy zanak'ondry.

Exodus 13:17

Nahoana no tsy nitarika ireo Israelita tamin'ny lalana any amin'ny tanin'ireo Filistina Andriamanitra?

Tsy nitarika azy ireo tamin'ny lalana any amin'ny tanin'ireo Filistina Andriamanitra. Fa hoy Andriamanitra hoe: "Angamba hiova hevitra ny vahoaka raha mandalo ady ka hiverina any Egypta."

Exodus 13:19

Inona no nasian'i Josefa nianianan'ireo Israelita mafy?

Nampianiana mafy ireo Israelita Josefa ka nilaza hoe: "Tsy maintsy hitondra ny taolam-baloko miaraka aminareo ianareo."

Ahoana no nandehanan'i Yaveh teo alohan'ireo Israelita ny alina? Nahoana?

Ary ny alina Izy dia nandeha toy ny andri-afo mba hanome fahazavana azy ireo.

Exodus 14

Exodus 14:4

Rehefa voalaza tamin'ny mpanjakan'ny Egypta fa nandositra ireo Israelita, dia inona no nahazo ny sain'i Farao sy ireo mpanompony?

Rehefa voalaza tamin'ny mpanjakan'ny Egypta fa nandositra ireo Israelita, dia namadika ny sainy tamin'ireo Israelita i Farao sy ireo mpanompony.

Exodus 14:6

Taiza no nahatraran'ireo Egyptiana ireo Israelita?

Tratran'ireo Egyptiana nitoby teo amoron'ny ranomasina akaikin'i Pi-Hahirota, teo alohan'i Bala-Zefona ireo Israelita.

Exodus 14:10

Inona no nolazain'ireo Israelita fa ho tsara noho ny ho faty any an-tany efitra?

Nolazain'izy ireo fa tsara ho azy ireo kokoa ny niasa ho an'ny Egytiana toy izay maty tany an'efitra.

Exodus 14:13

Satria hiady ho an'ireo Israelita Yaveh, dia inona no tokony hataon'izy ireo?

Yaveh no hiady ho azy ireo, ary hiandry fotsiny izy ireo.

Exodus 14:15

Nahoana no nanenjika ireo Israelita tao an-dranomasina ireo Egyptiana?

Hanamafy ny fon'ireo Egyptiana Yaveh mba hanarahan'izy ireo ny Israelita.

Exodus 14:19

Ahoana no nisakanan'ny rahona ireo Egyptiana, fa nanampiana ireo Israelita?

Rahona mainty ho an'ireo Egyptiana ny rahona, saingy nanazava ny alina ho an'ireo Israelita, ka tsy nisy andaniny nankany amin'ny iray hafa nandritry ny alina tontolo.

Exodus 14:21

Hafiriana no nampihemoran'Yaveh ny ranomasina tamin'ny rivo-mahery?

Nampihemotra ny ranomasina tamin'ny rivo-mahery avy tany atsinanana Yaveh tamin'io alina tontolo io.

Exodus 14:23

Oviana no nijery ny tafika Egyptiana teo amin'ny andry afo sy rahona i Yaveh?

Vao maraim-be, dia nijery ny tafika Egyptiana teo amin'ny andry afo sy rahona i Yaveh.

Exodus 14:26

Miaramila firy tamin'ny tafik'i Farao no tafavoaka velona tafita ny ranomasina?

Tsy nisy tafavoaka velona tafita ny ranomasina.

Exodus 14:29

Inona no nataon'ny Israely rehefa nahita ny hery lehibe izay nampiasain'i Yaveh hanoherana ny Egyptiana izy ireo?

Rehefa nahita ny hery lehibe izay nampiasain'i Yaveh hanoherana ny Egyptiana ny Israely, dia nanome voninahitra an'i Yaveh ny vahoaka, ary natoky an'i Yaveh sy Mosesy mpanompony izy ireo.

Exodus 15

Exodus 15:1

Iza no natsipin'Yaveh tao anaty ranomasina?

Natsipin'Yaveh tao anaty ranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina izany.

Exodus 15:4

Ahoana no nidinan'ireo Egyptiana tany amin'ny lalina?

Nilentika tany amin'ny lalina tahaka ny vato izy ireo.

Exodus 15:6

Ahoana no nampiangonana ny rano?

Tamin'ny fofonain'ny vavoron'Yaveh, no nampiangonana ireo rano.

Exodus 15:12

Tamin'ny inona no nitarihan'i Yaveh ny vahoaka navotany?

Tamin'ny faneken'Yaveh tsy mivadika no nitarihiny ny vahoaka izay navotany. Tamin'ny tanjany no nitarihiny azy ireo tany amin'ny toerana masina izay nitoerany.

Exodus 15:14

Inona no hataon'ny vahoaka rehefa mandre an'Yaveh mamonjy ireo Israelita izy ireo?

Handre ireo vahoaka, ary hangovitra izy ireo.

Exodus 15:17

Aiza no hitondran'Yaveh ireo Israelita?

Hitondra ireo Israelita ary hamboly azy ireo eny an-tendrombohitry ny lovan'izy ireo Yaveh, dia ilay toerana izay efa nataon'Yaveh hitoerany.

Exodus 15:19

Iza no nively ampongatapaka?

Miriama mpaminany vavy sy ireo vehivavy rehetra no nively ampongatapaka.

Exodus 15:22

Nahoana no tsy afaka nisotro ny rano tao Mara ireo Israelita?

Tsy afaka nisotro ny rano tao Mara ireo Israelita satria nangidy izany.

Exodus 15:24

Ahoana no nahatonga ny rano mangidy tao Mara ho lasa mamy?

Naneho hazo an'i Mosesy Yaveh. Nanipy izany tao anatin'ny rano Mosesy, ka lasa azo sotroina ny rano.

Exodus 16

Exodus 16:1

Aiza no misy ny efitr'i Sina?

Ny tany efitr'i Sina dia anelanelan'i Elima sy Sinay.

Amin'ireo Israelita, nahoana no nitondra azy ireo hivoaka hankany an'efitra Mosesy?

Nolazain'izy ireo fa nitondra azy ireo ho any an'efitra mba hahafaty noana ny fivondronany manontolo Mosesy.

Exodus 16:4

Nahoana no handeha hivoaka ary hanangona ny sahaza isan'andro ny vahoaka?

Hivoaka ary hanangona ny sahaza isan'andro ny vahoaka mba ahafahan'i Yaveh mitsapa azy ireo mba hahitany na handeha amin'ireo lalàny na tsia izy ireo.

Exodus 16:6

Ahoana no hahafantaran'ireo Israelita fa Yaveh no nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta?

Ho fantatrar'ireo Israely fa Yaveh no nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta rehefa homen'i Yaveh hena izy ireo ny hariva ary mofo ny maraina mba ho voky.

Exodus 16:9

Inona no niseho teny amin'ny rahona?

Ny voninahitr'i Yaveh no niseho teny amin'ny rahona.

Exodus 16:13

Ohatry ny ahoana ny haben'ny mofo izay nomen'i Yaveh mba hohanin'ireo Israelita?

Ny mofo izay nomen'i Yaveh mba hohanin'ireo Israelita dia boribory kely tahaka ny fanala.

Exodus 16:16

Rehefa nandrefy ny mofo avy amin'i Yaveh ireo Israelita, dia firy no azon'ny olona tsirairay avy?

Rehefa nandrefy izany tamin'ny omera famarana izy ireo, ireo izay nanangona betsaka dia tsy nisy ambiny, ary izay nanangona kely dia nanana ny ampy. Samy nanangona izay ampy ho an'ny filany ny olona tsirairay.

Exodus 16:19

Inona no nahazo ny mofo avy amin'i Yaveh izay navelan'ny sasany tamin'ireo Israelita mandra-maraina?

Nivoaka olitra sy lasa maimbo ny mofo avy amin'i Yaveh izay navelan'ny sasany tamin'ireo Israelita mandra-maraina.

Exodus 16:22

Mofo firy no nangonin'ny Israelita tamin'ny andro fahenina?

Tamin'ny andro fahenina dia nanangona mofo indroa mihoatra isan'olona izy ireo, gomara roa isan'olona.

Exodus 16:24

Inona no nahazo ny mofo avy amin'i Yaveh izay nampirimina hatramin'ny andro fahafito?

Tsy maimbo, na nahitana olitra ny mofon'i Yaveh izay nampirimina hatramin'ny andro fahafito.

Exodus 16:26

Mana firy no hitan'ireo Israelita tamin'ny andro fahafito?

Rehefa nivoaka mba hanangona mana ny sasany tamin'ny vahoaka tamin'ny andro fahafito, dia tsy nahita mihitsy izy ireo.

Exodus 16:28

Inona no tsy maintsy ataon'ny Israelita tsirairay amin'ny andro fahafito?

Tsy maintsy mijanona ao an-tranony ny tsirairay amin'izy ireo; tsy misy mahazo mivoaka eo amin'ny toerana misy azy amin'ny andro fahafito.'

Exodus 16:31

Inona ny mana?

Ny mana dia fotsy toy ny voan-drafy, ary manana tsiro toy ny koriandra manify misy tantely.

Nahoana no ho tehirizina ny mana iray omera?

Ny mana iray omera dia ho tehirizina hatramin'ny taranaky ny vahoaka mba hahitan'ireo taranaka ireo mofo izay namahanan'i Yaveh azy ireo tany an'efitra.

Exodus 16:33

Aiza no hitehirizana ny mana iray omera?

Hotehirizina ao anaty vilany ary tehirizina eo akaikin'ny lalàn'ny fanekena tao anaty fiara ilay mana iray omera.

Hafiriana no nihinanan'ny vahoakan'Israely mana?

Nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny vahoakan'Israely mandra-pahatonga azy ireo tany amin'ny tany misy mponina.

Exodus 17

Exodus 17:1

Nahoana no nanome tsiny an'i Mosesy ny amin'ny manjo azy ireo ny vahoaka?

Tsy nisy rano mba hosotroin'ny vahoaka tao. Koa nanome tsiny an'i Mosesy noho ny trangan'izy ireo ny vahoaka.

Exodus 17:4

Inona no natahoran'i Mosesy fa hanaovan'ny vahoaka azy?

Natahotra Mosesy fa efa vonona ny hitora-bato azy ny Israelita.

Inona no nolazain'i Yaveh mba hataon'i Mosesy mba hamatsiana rano ho sotroin'ny vahoaka?

Nilaza tamin'i Mosesy mba hikapoka ny vatolampy amin'ny tehiny Yaveh. Hisy rano hivoaka amin'ny vatolampy mba hosotroin'ny vahoaka.

Exodus 17:8

Taiza no nijoro i Mosesy rehefa nanafika ny Israely ny Amalekita?

Nijoro teo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra teo an-tanany Mosesy.

Exodus 17:11

Inona no nitranga raha nihazona ny tanany ho ambony Mosesy, ary rehefa navelany haka aina ny tanany?

Rehefa nihazona ny tanany ho ambony Mosesy, dia nandresy Israely. Rehefa navelany haka aina ny tanany, dia nanomboka nandresy ny Amalekita.

Ahoana no nanampian'i Arona sy Hora an'i Mosesy mba hihazonana ny tanany ho ambony?

Naka vato i Arona sy Hora ary nametraka izany tao ambaniny mba hipetrahany. Tamin'io fotoana io ihany, dia nihazona ny tanany ho ambony i Arona sy Hora, ny olona iray teo andaniny, ary ny olona iray hafa teo amin'ny ankilany.

Exodus 17:14

Nahoana no nilaza tamin'i Mosesy mba hanoratra momba ny ady tamin'ny Amalekita Yaveh?

Nilaza tamin'i Mosesy mba hanoratra momba ny ady amin'ny boky Yaveh, satria hamono tanteraka ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambany lanitra Yaveh.

Exodus 18

Exodus 18:1

Iza Jetro?

Jetro dia mpisoron'ny Midiana, rafozan-dahin'i Mosesy.

Iza no anaran'ireo zanaka lahin'i Mosesy roa?

Gersoma sy Eliezera no zanak'i Mosesy.

Exodus 18:5

Taiza Mosesy rehefa nitondra ny vady aman-janany i Jetro?

Nitoby tany an'efitra teo an-tendrombohitr'Andriamanitra Mosesy rehefa nitondra ny vady aman-janany tany aminy i Jetro.

Exodus 18:7

Ahoana no niarahaban'i Mosesy ny rafozan-dahiny?

Niankohoka, ary nanoroka azy izy.

Exodus 18:9

Inona no nahafaly an'i Jetro?

Nifaly nohon'ny soa rehetra izay nataon'i Yaveh tamin'ny Israely, tamin'ny nanavotany azy ireo tamin'ny fahefan'ny Egyptiana Jetro.

Ahoana no nahafantaran'i Jetro fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra Yaveh?

Fantatr'i Jetro fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra Yaveh, satria fony nitondra ny Israelita tamim-piavonavonana ny Egyptiana, dia navotan'Andriamanitra ny olony.

Exodus 18:12

Iza no nisakafo teo anoloan'Andriamanitra?

Tonga nisakafo niaraka tamin'ny rafozan-dahin'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra i Arona sy ireo loholon'i Israely rehetra.

Exodus 18:13

Hafiriana no nijoroan'ny vahoaka nanodidina an'i Mosesy raha nipetraka mba hitsara ny olona izy?

Nitsangana nanodidina an'i Mosesy nanomboka ny maraina ka hatramin'ny hariva ny olona.

Exodus 18:15

Nahoana no tonga teo amin'i Mosesy ny olona?

Tonga teo amin'i Mosesy ny olona mba hanontany ny tari-dalan'Andriamanitra. Rehefa misy disadisa eo amin'izy ireo, dia tonga teo aminy izy ireo.

Exodus 18:17

Nahoana i Jetro no nilaza fa tsy tsara izay nataon'i Mosesy?

Nolazain'i Jetro fa tsy dia mety loatra ny zavatra ataony satria handrera-tena tokoa izy sy ireo olona izay tonga teo aminy, satria mavesatra loatra ho azy izany zioga izany. Tsy vitany irery izany.

Exodus 18:21

Karazan-dehilahy ahoana no nolazain'i Jetro mba hofidian'i Mosesy hanapaka ny vahoaka?

Nolazain'i Jetro mba hifidy olona mahavita azy avy amin'ny vahoaka rehetra Mosesy, dia lehilahy izay manome voninahitra an'Andriamanitra, lehilahin'ny fahamarinana izay tsy tia kolikoly.

Tranga inona no hotsarain'ireo lehilahy mahay?

Ireo lehilahy mahay no hitsara ny olona amin'ny raharaha mahazatra rehetra, fa ny tranga saro-bahana kosa dia hoentin'izy ireo eo amin'i Mosesy. Ny amin'ireo tranga madinika, ny tenan'izy ireo ihany dia ho afaka hitsara izany.

Exodus 19

Exodus 19:1

Oviana ny vahoakan'Israely no tonga tany an'efitr'i Sinay?

Tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny vahoakan'i Israely ny tany Egypta, tamin'io andro io ihany, no nahatongavan'izy ireo tao an'efitr'i Sinay.

Exodus 19:3

Inona no tsy maintsy ataon'ireo Israelita raha te ho fananan'i Yaveh manokana izy ireo?

Tsy maintsy mihaino am-pankatoavana ny feon'i Yaveh ireo Israelita ka mitandrina ny fanekeny, dia ho harena manokana ho Azy mihoatra amin'ny olona rehetra izy ireo.

Exodus 19:7

Nahoana no tonga teo amin'ny vahoaka tamin'ny rahona matevina Yaveh?

Tonga teo amin'izy ireo tanaty rahona matevina Yaveh mba hahafahan'ny vahoaka mandre rehefa miresaka amin'izy ireo Izy ary mba hahafahan'izy ireo hino an'i Mosesy mandrakariva.

Exodus 19:10

Ahoana no hanamasinan'ny vahoaka ny tenan'izy ireo?

Hanamasina ny tenany amin'ny fanomanana ny fahatongavan'i Yaveh, sy amin'ny fanasana ny fitafiany izy ireo.

Exodus 19:12

Inona no hitranga amin'ny olona izay mikasika ny tendrombohitra?

Na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty tokoa izy.

Ahoana no hamonoan'ny vahoaka ny olona izay mikasika ny tendrombohitra?

Ny olona izay nikasika ny tendrombohitra dia hotorahan'izy ireo vato tokoa na hotifirina.

Exodus 19:16

Nahoana no nangovitra ny vahoaka?

Nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary feon-trompetra mafy faneno. Koa, dia toran-kovitra ny olona rehetra teo amin'ny toby.

Exodus 19:19

Inona no tokony ataon'ireo mpisorona mba tsy hamelezan'i Yaveh azy ireo?

Ireo mpisorona izay manakaiky an'i Yaveh dia tokony hanokana ny tenany—hampiomana ny tenany ny amin'ny fahatongavan'i Yaveh—mba tsy hamely azy ireo Yaveh."

Exodus 19:23

Iza no afaka miakatra eny an-tendrombohitra miaraka amin'i Mosesy?

Arona ihany no afaka miakatra ny tendrombohitra miaraka amin'i Mosesy.

Exodus 20

Exodus 20:1

Inona no tsy tokony ananan'ny Israelita afa-tsy Yaveh ihany?

Tsy mahazo manana andriamanin-kafa afa-tsy Izy ihany izy ireo.

Exodus 20:4

Nahoana no tsy mahazo manao sarin-javatra voasokitra na miankohoka eo amin'izany ireo Israelita?

Tsy tokony manao sarin-javatra voasokitra na miankohoka eo amin'izany ireo Israelita satria Yaveh dia Andriamanitra saropiaro.

Hafiriana no hanasazian'i Yaveh ny faharatsian'ireo razambe?

Manasazy ny faharatsian'ny razambe amin'ny taranany, dia ny zanaka sy ny zafiafin'ireo izay mankahala Azy Yaveh.

Exodus 20:7

Ny anaran'iza no tsy azo tononina fahatany?

Tsy tokony manonona fahatany ny anaran'i Yaveh Andriamaniny izy ireo.

Exodus 20:8

Nahoana no tsy maintsy mitandrina ny Sabata andro masina ary mitsahatra amin'izany ireo Israelita?

Tsy maintsy mitandrina ny Sabata andro masina ary mitsahatra amin'izany ireo Israelita, fa nandritra ny enina andro Yaveh no nanao ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina, ary ny zavatra rehetra izay ao anatin'izany, ary nitsahatra tamin'ny andro fahafito.

Iza no tokony hitandrina ny Sabata andro masina ary hitsahatra amin'izany?

Ireo Israelita dia tsy tokony hiasa, izy, na ny zanany lahy, na ny zanany vavy, na ny mpanompo lahiny, na ny mpanompo vaviny, na ny biby fiompiny, na ireo mpivahiny izay miditra anatin'ny vavahadiny.

Exodus 20:12

Inona no vokatry ny fanajan'ireo Israelita ny ray aman-drenin'izy ireo?

Tsy maintsy manaja ny rainy sy ny reniny ireo Israelita, mba ho lava andro iainana eo amin'ny tany izay omen'Andriamanitra azy ireo izy ireo.

Exodus 20:18

Nahoana no nangovitra ny vahoaka?

Nandre ny kotrok'orana sy ny tselatra, ary nandre ny feon'ny trompetra, ary nahita ny trendrombohitra nanetroka ny olona rehetra. Rehefa nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ireo ary nijoro avy lavitra.

Inona no noeritreretin'ireo Israelita fa hitranga rehefa miresaka amin'izy ireo Andriamanitra?

Noheveriny fa raha miresaka amin'izy ireo Andriamanitra, dia ho faty izy ireo.

Exodus 20:24

Inona no hitranga raha nampiasa ny fitaovan'izy ireo amin'ny vato hanaovana ny alitara ny Israelita?

Raha hampiasa ny fitaovan'izy ireo amin'izany izay ireo, dia handoto izany.

Exodus 21

Exodus 21:1

Iza no tsy maintsy hametraka ny didy anoloan'ireo Israelita?

Mosesy no tsy maintsy mametraka ny didy anoloan'ireo Israelita

Exodus 21:2

Raha nanome vady ho an'ny mpanompony ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy, dia inona no hahazo azy ireo raha ho afaka ilay mpanompo?

Raha nanome vady ho an'ny mpanompony ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy, dia ho an'ny tompony ny vadiny sy ireo zanany, ary tsy maintsy izy ihany no hanafaka ny tenany.

Exodus 21:5

Raha tsy te ho afaka ilay mpanompo, dia inona no hitranga?

Raha tsy te ho afaka ilay mpanompo, dia tsy maintsy hitondra azy eo am-baravarana na tolam-baravarana ilay tompo, ka tsy maintsy tevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny. Ary dia hanompo azy mandra-pahatapitry ny ainy ilay manompo.

Exodus 21:7

Amin'iza no tsy afaka hivarotan'ny tompo ny mpanompo vavy?

Tsy manan-jo hivarotra azy amin'ny vahiny izy.

Exodus 21:9

Oviana ny mpanompo vavy vao afaka ka tsy mandoa vola?

Raha ampanambadian'ny tompony ny zanany lahy ny mpanompo vavy iray ary avy eo maka vady hafa ho azy izy, dia tsy tokony hampihena ny sakafony, ny fitafiany, na ny zo ara-panambadiany izy. Fa raha tsy manome azy ireo zavatra telo ireo izy, dia ho afaka izy ary tsy mandoa vola.

Exodus 21:12

Inona no omen'i Yaveh ny olona iray izay namono olona tsy nahy?

Raha misy olona iray izay namono olona tsy nahy, dia hanondro toerana hahafahany mandositra Yaveh.

Exodus 21:15

Inona no hahazo ny rehetra izay manozona ny rainy sy ny reniny?

Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny dia aoka ho vonoina tokoa izy.

Exodus 21:18

Raha miady ireo lehilahy ka mamely ny iray amin'ny vato na totondry ny iray ary tsy afa miala eo am-pandriany ilay iray, dia inona no tsy maintsy ataon'ilay lehilahy izay namely azy?

Raha miady ireo lehilahy ka mamely ny iray amin'ny vato na totondry ny iray ary tsy afa miala eo am-pandriany ilay iray, dia tsy maintsy manonitra ny fotoanany very ilay olona izay namely azy.

Exodus 21:20

Raha misy olona mikapoka ny mpanompony lahy na ny mpanompony vavy amin'ny tehina, ka miaina mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompo, dia ahoana no hanasaziana ny tompony?

Raha misy olona mikapoka ny mpanompony lahy na ny mpanompony vavy amin'ny tehina, ka miaina mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompo, dia tsy ho saziana ilay tompony, satria hijaly amin'ilay fahaverezan'ny mpanompony izy.

Exodus 21:22

Raha misy lehilahy miady sy mandratra vehivavy bevohoka ka afa-jaza izy, nefa tsy misy ratra hafa eny aminy, dia inona no tsy maintsy hahazo ny lehilahy meloka?

Raha misy lehilahy miady sy mandratra vehivavy bevohoka ka afa-jaza izy, nefa tsy misy ratra hafa eny aminy, dia tsy maintsy mandoa onitra ilay lehilahy meloka, raha mangataka izany aminy ny vadin-dravehivavy, dia tsy maintsy manonitra araka ny famaritan'ny mpitsara izy

Inona no tsy maintsy homen'ilay meloka raha misy ratra tena lehibe?

Raha misy ratra lehibe, dia tsy maintsy manome aina ho solon'ny aina, maso ho solon'ny maso, nify ho solon'ny nify, tanana ho solon'ny tanana, tongotra ho solon'ny tongotra, may ho soloin'ny may, ratra ho solon'ny ratra, na mangana ho solon'ny mangana ilay meloka.

Exodus 21:26

Raha misy olona mamely ny mason'ny mpanompo lahiny na ny mpanompo vaviny ka manimba izany, na raha manala ny nifin'ny mpanompo lahiny na mpanompo vaviny izy, dia inona no fanonerana izany?

Raha misy olona mamely ny mason'ny mpanompo lahiny na ny mpanompo vaviny ka manimba izany, na raha manala ny nifin'ny mpanompo lahiny na mpanompo vaviny izy, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo ho afaka ho fanonerana ny nify izy.

Exodus 21:28

Raha nanam-pahazarana nanoto ilay omby taloha, ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy nihaino izany, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia inona no tsy maintsy hahazo ilay omby sy ny tompony?

Raha nanam-pahazarana nanoto ilay omby taloha, ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy nihaino izany, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany omby izany, ary tsy maintsy hovonoina koa ny tompony.

Exodus 21:33

Raha misy olona manokatra lavaka iray, na misy olona mihady lavaka nefa tsy manarona izany, ka misy omby na boriky latsaka ao amin'izany, dia inona no tsy maintsy ataon'ny tompon'ny lavaka?

Raha misy olona manokatra lavaka iray, na misy olona mihady lavaka nefa tsy manarona izany, ka misy omby na boriky latsaka ao amin'izany, dia tsy maintsy mamerina ny fatiantoka ny tompon'ilay lavaka.

Exodus 21:35

Raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny hafa ka mahafaty azy, dia inona no tsy maintsy hahazo ilay omby?

Raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny hafa ka mahafaty azy, dia tsy maintsy hamidin'izy ireo ny omby velona ka hozaraina ny vidiny, ary tsy maintsy zarain'izy ireo ihany koa ny omby maty.

Exodus 22

Exodus 22:1

Raha misy olona mamono mpangalatra aorian'ny niposahan'ny masoandro, dia iza no meloka?

Raha niposaka ny masoandro talohan'ny namakian'ny mpangalatra trano, dia hamatotra ilay olona izay namono azy ny fanamelohana amin'ny vono-olona.

Raha tsy manana na inona na inona ilay mpangalatra, dia inona no fanonerany?

Raha tsy manana na inona na inona ilay mpangalatra, dia tsy maintsy amidy nohon'ny fangalarany izy.

Exodus 22:7

Raha misy olona manome vola na harena amin'ny namany aminy mba hiarovana izany, ary raha nangalarina tao an-tranon'ilay olona izany, nefa hita ilay mpangalatra, dia inona no hitranga?

Raha misy olona manome vola na harena amin'ny namany aminy mba hiarovana izany, ary raha nangalarina tao an-tranon'ilay olona izany, nefa hita ilay mpangalatra, dia tsy maintsy hanonitra avo roa heny ilay mpangalatra. Fa raha tsy hita ilay mpangalatra, dia tsy maintsy tonga anoloan'ireo mpitsara ilay tompon-trano mba hijery raha ny tanany ihany no nangalatra ny fananan'ilay namany aminy.

Exodus 22:10

Raha misy olona manome ampondra, na omby, na ondry na biby hafa ho tehirizin'ny mpiara-belona aminy, ka raha maty izany na maratra na nisy nitondra ka tsy nisy nahita, dia inona no onitra?

Raha misy olona manome ampondra, na omby, na ondry na biby hafa ho tehirizin'ny mpiara-belona aminy, ka raha maty izany na maratra na nisy nitondra ka tsy nisy nahita, dia tsy hanohitra ilay iray hafa.

Exodus 22:16

Raha misy lehilahy misarika virijiny izay mbola tsy nanambady, ary raha miara-mandry aminy izy, dia ahoana no tsy maintsy hanambadiany azy?

Raha misy lehilahy misarika virijiny izay mbola tsy nanambady, ary raha miara-mandry aminy izy, dia maintsy maka azy ho vady amin'ny alalan'ny tampi-maso takiana amin'izany izy.

Exodus 22:20

Nahoana no tsy tokony handiso ny vahiny ireo Israelita?

Tsy tokony handiso ny vahiny ireo Israelita, satria efa vahiny tany amin'ny tany Egypta izy ireo.

Exodus 22:22

Inona no hitranga raha mampijaly ny mpitondra-tena na zaza kamboty ireo Israelita?

Raha mampijaly ny mpitondra-tena na zaza kamboty ireo Israelita, ka miantso an'i Yaveh izy ireo, dia handre azy ireo tokoa Izy. Hirehitra ny fahatezerany, ary ho vonoiny amin'ny sabatra izy ireo; hanjary ho mpitondra-tena ny vadiny, ary ho kamboty ray ireo zanany.

Exodus 22:25

Raha misy olona maka ny fitafian'ny namany ho antoka, dia oviana no tsy maintsy hamerenany izany amin'ny tompony?

Raha misy olona maka ny fitafian'ny namany ho antoka, dia tsy maintsy haveriny aminy alohan'ny hilentehan'ny masoandro izany.

Exodus 22:29

Hena inona no tsy tokony hohanin'ireo Israelita? Tokony ataon'izy ireo ahoana izany?

Tsy tokony hihinana hena izay efa noviravirain'ny biby teny an-tsaha ireo Israelita. Fa kosa, tsy maintsy hanipy izany ho an'ny alika izy ireo.

Exodus 23

Exodus 23:4

Raha hitan'ny Israelita lavo voatsindrin'ny entany amin'ny tany ny borikin'ny olona izay mankahala azy ireo, dia inona no tsy maintsy ataon'izy ireo?

Raha hitan'ny Israelita lavo voatsindrin'ny entany amin'ny tany ny borikin'ny olona izay mankahala azy ireo, dia tsy tokony handao izany olona izany izy ireo. Tsy maintsy hanampy azy amin'izany borikiny izany tokoa izy ireo.

Exodus 23:6

Nahoana no tsy tokony handray kolikoly ireo Israelita?

Tsy tokony handray kolikoly izy ireo, fa ny kolikoly mahajamba ireo izay mahiratra, ary mamily ny tenin'ny olo-marina.

Exodus 23:10

Nahoana no tokony hamela ny sahan'izy ireo tsy hovolena ny Israelita amin'ny taona fahafito?

Amin'ny taona fahafito dia tokony havelan'ireo Israelita tsy hovolena sy hajanona eo ny saha, mba hahafahan'ireo mahantra amin'ny vahoakan'izy ireo mihinana.

Exodus 23:12

Nahoana no tsy maintsy mitsahatra amin'ny andro fahafito ireo Israelita?

Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra izy ireo mba ahafahan'ny ombiny sy ny borikiny mitsahatra, ary mba ahafahan'ny zanaka lahin'ny andevo vaviny sy ny vahiny mitsahatra sy maka aina.

Exodus 23:14

Amin'ny volana inona no hitandremana ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy Masirasira?

Notandremana tamin'ny volana Abiba ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy Masirasira.

Tamin'ny volana inona no nivoahan'ireo Israelita an'i Egypta?

Tamin'ny volana Abiba no nivoahan'izy ireo an'i Egypta.

Exodus 23:16

Oviana no tokony hitandremana ny Firavoravoan'ny Fijinjana sy ny Firavoravoan'ny Fampiakaram-bokatra?

Tandremonao ny andro firavoravoan'ny fijinjana, tamin'ny namafazanao voa voalohany tamin'ny tany. Tandremonao ihany koa ny andro firavoravoan'ny fampiakaram-bokatra amin'ny faran'ny taona, rehefa manangona ny vokatrao avy amin'ny tany ianao.

Exodus 23:18

Hafiriana no ahafahan'ny sabora avy amin'ireo sorona tamin'ny firavoravoan'i Yaveh mijanona?

Tsy tokony hijanona ny alina tontolo hatramin'ny maraina ny sabora avy amin'ireo sorona tamin'ny firavoravoan'i Yaveh.

Exodus 23:20

Inona no hitranga raha mihantsy ny anjelin'i Yaveh ny Israelita?

Raha mihantsy azy izy ireo, dia tsy hamela ny fahotan'izy ireo izy.

Exodus 23:23

Inona no tsy maintsy hanaovan'ny Israelita ireo andriamanitry ny hafa firenena?

Tsy maintsy ravan'izy ireo tanteraka ireo ary torotoroiny ireo tsangam-baton'izy ireo.

Exodus 23:26

Nahoana no tsy handroaka ireo firenena vahiny eo anoloan'ireo Israelita ao anatin'ny taona iray Yaveh?

Tsy handroaka ireo firenena vahiny eo anoloan'ireo Israelita ao anatin'ny taona iray Yaveh, fandrao ho foana ny tany, ary ho maro loatra amin'izy ireo ny bibidia.

Exodus 23:30

Nahoana no tsy tokony hipetraka ao amin'ny tanin'ireo Israelita ireo firenena vahiny?

Tsy tokony hipetraka ao amin'ny tanin'ireo Israelita ireo firenena vahiny, raha tsy izany dia hampanota azy ireo amin'i Yaveh izy ireo.

Exodus 24

Exodus 24:1

Loholona firy no tokony hiakatra mba hanompo an'i Yaveh eny lavitra?

Loholona 70 no tokony hiakatra mba hanompo an'i Yaveh eny lavitra.

Exodus 24:3

Manambara inona ireo vato roa ambin'ny folo?

Manambara ny fokon'Israely roa ambin'ny folo ireo vato roa ambin'ny folo.

Exodus 24:5

Nataon'i Mosesy taiza ny ràn'omby avy amin'ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh?

Nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony tao anaty kovetabe izany; ary ny antsasany kosa nafafiny teo amin'ny alitara.

Exodus 24:7

Ahoana no nanaovan'i Yaveh fanekena tamin'ireo Israelita?

Nanao fanekena tamin'ireo Israelita tamin'ny fanomezana fampanantenana miaraka ireo teny rehetra Yaveh.

Exodus 24:9

Iza no nahita an'i Yaveh?

Mosesy, Arona, Nadaba, Abiho, ary fitopolo tamin'ireo loholon'ny Israely no nahita an'i Yaveh.

Exodus 24:12

Nahoana no nanome ireo takela-bato sy ny lalàna ary ny didy tamin'i Mosesy Yaveh?

Nanome ireo takela-bato sy ny lalàna ary ny didy izay nosoratany tamin'i Mosesy Yaveh, mba hampianaran'i Mosesy azy ireo.

Exodus 24:14

Raha misy olona manana fifandirana, dia any amin'iza no tokony halehany?

Raha misy olona manana fifandirana, dia tokony handeha any amin'i Arona sy Hora izy.

Exodus 24:16

Tahaka ny inona no nisehoan'ny voninahitr'i Yaveh?

Ny fahitana ny voninahitr'i Yaveh dia toy ny afo mandevona ny tampon'ny tendrombohitra teo imason'ireo Israelita.

Exodus 25

Exodus 25:1

Avy amin'iza no tokony hakan'ireo Israelita fanatitra?

Tokony haka fanatitra avy amin'ny olona rehetra izay namporisihan'ny fony ireo Israelita.

Exodus 25:3

Atao amin'ny inona ireo vato beryla sy ireo vato sarobidy hafa?

Ireo vato beryla sy vato sarobidy hafa dia hatao amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra.

Exodus 25:8

Nahoana no hanao fitoerana masina ho an'i Yaveh ireo Israelita?

Hanao fitoerana masina ho an'i Yaveh ireo Israelita mba hahafahany miaina eo amin'izy ireo.

Exodus 25:10

Amin'ny inona no tsy maintsy handrakofan'i Mosesy ny hazo akasia?

Tsy maintsy saronany amin'ny volamena tsy mifangaro ny ao anatiny sy ny ivelany.

Exodus 25:12

Ao anatin'ny inona no tsy maintsy ampidiran'i Mosesy ireo bao? Nahoana?

Tsy maintsy ampidiriny eo amin'ireo mason-drojo eo amin'ny sisin'ny fiara ireo bao, mba hilanjana ilay fiara.

Exodus 25:15

Tsy maintsy hijanona aiza ireo bao?

Ireo bao dia tsy maintsy apetraka eo amin'ny mason-drojon'ny fiara. Tsy azo esorina eo amin'izany ireo.

Exodus 25:19

Mankaiza no tsy maintsy hitodihan'ny kerobima?

Tsy maintsy mifanatrika ireo kerombima ary mitodika mankany afovoan'ilay sarom-panavotana.

Exodus 25:22

Avy aiza no hiresahan'i Yaveh amin'i Mosesy?

Eo ambonin'ilay sarom-panavotana, anelanelan'ireo kerobima roa eo ambonin'ny fiaran'ny didim-panekena no toerana hiresahan'i Yaveh aminy

Exodus 25:23

Sisin'inona no tsy maintsy apetak'i Mosesy manodidina ny tampon'ny latabatra vita amin'ny hazo akasia?

Tsy maintsy manao sisim-bolamena manodidina ny tampon'ny latabatra vita amin'ny akasia izy.

Exodus 25:25

Nahoana no tsy maintsy afatotra amin'ny rafitra ireo mason-drojo?

Tsy maintsy afatotra amin'ny rafitra ireo mason-drojo mba hanasiana toerana ho an'ireo bao, mba hilanjana ny latabatra.

Exodus 25:28

Inona no tokony ampiasaina mba handrarahana ny fanatitra sotroina?

Ireo lovia, sotro, fitoeran-divay, ary lovia boribory no ampiasaina mba handrarahana ny fanatitra sotroina.

Exodus 25:31

Sampany firy no tsy maintsy mivoaka avy amin'ny lafin'ny fitoeran-jiro vita amin'ny volamena voatefy?

Tsy maintsy misy sampany enina mivoaka avy amin'ny andaniny avy—tsy maintsy misy sampany telo mivoaka avy amin'ny andaniny iray, ary sampany telo amin'ilay fitoeran-jiro mivoaka avy amin'ny andaniny iray hafa.

Exodus 25:33

Amin'ny lafin'ny fitoeran-jiro aiza no tsy maintsy misy kapoaka natao tahaka ny felana amygdala?

Amin'ilay fitoeran-jiro, eo afovoan'ny tahony, dia tsy maintsy misy kapoaka efatra natao tahaka ny amandy mamelana.

Exodus 25:35

Inona no tsy maintsy ao ambanin'ny sampana roa tsirairay avy?

Tsy maintsy misy kibory iray eo ambanin'ny sampany roa tsirairay avy.

Exodus 25:37

Volamena firy no tokony ampiasain'i Mosesy mba hanaovana ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovan'izany?

Tsy maintsy mampiasa volamena tsy mifangaro talenta iray mba hanaovana ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovan'izany izy.

Exodus 26

Exodus 26:1

Iza no tokony alain'i Mosesy mba hanao ny tabernakely amin'ny lamba folo vita amin'ny rongony fotsy madinika sy manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky miaraka amin'ireo soratry ny kerobima?

Tsy maintsy maka mpanao asa tanana tena mahay i Mosesy mba hanao ny tabernakely amin'ny lamba folo vita amin'ny rongony fotsy madinika sy manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky miaraka amin'ireo soratry ny kerobima.

Exodus 26:4

Nahoana i Mosesy no tsy maintsy hanao tadivavarana dimampolo eo amin'ny lamba voalohany sy eo amin'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa?

Tsy maintsy hanao tadivavarana dimampolo eo amin'ny lamba voalohany sy eo amin'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa i Mosesy mba hifanatrika ireo tadivavarana.

Exodus 26:7

Amin'ny inona no tsy maintsy hanaovan'i Mosesy ireo lamba ho lay manarona ny tabernakely?

Tsy maintsy hanao lamba volon'osy ho lay manerana ny tabernakely izy.

Exodus 26:12

Aiza no tsy maintsy hapetraka ny ambin'ny ampahiny mihoatra amin'ireo lamban'ny lay?

Ny ambin'ny ampahiny mihoatra amin'ireo lamban'ny lay dia tsy maintsy ahantona ao an-damosin'ny tabernakely.

Exodus 26:15

Inona no tsy maintsy eo amin'ny zana-kazo tsirairay avy mba hanakambanana ireo?

Tsy maintsy misy fihantonana hazo roa amin'ny zana-kazo tsirairay hanakambanana ireo zana-kazo.

Exodus 26:19

Nahoana no tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo tsirairay avy?

Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo tsirairay avy mba ho faladia roan'izany.

Exodus 26:29

Ahoana no tsy maintsy hananganan'i Mosesy ny tabernakely?

Tsy maintsy hanangana ny tabernakely amin'ny fanarahana ny drafitra nasehon'Andriamanitra azy teny an-tendrombohitra izy.

Exodus 26:31

Inona no anton'ny lamba?

Ny lamba dia natao hanasaraka ny toerana masina amin'ny toerana masina indrindra.

Exodus 26:34

Amin'ny lafiny aiza amin'ny tabernakely no misy ny fitoeran-jiro?

Apetraka tandrifin'ny latabatra eo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely ny fanaovan-jiro.

Exodus 27

Exodus 27:1

Ahoana no tsy maintsy hanitaran'i Mosesy ny zoro efatry ny alitara?

Tsy maintsy hanitatra ny zorony efatra hiendrika tahaka ny tandrok'omby izy.

Exodus 27:3

Amin'ny inona no tsy maintsy hanaovan'i Mosesy ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara?

Tsy maintsy manamboatra ny fanaka rehetra amin'ny varahina izy.

Exodus 27:9

Karazana fefy lamba inona no tsy maintsy eo atsimon'ny kianja?

Eo amin'ny lafiny atsimon'ny kianja dia hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona mirefy zato hakiho.

Exodus 27:17

Amin'ny inona no tsy maintsy anaovana ny fitaovana rehetra ampiasana ao amin'ny tabernakely, sy ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja?

Ny fitaovana rehetra ampiasana ao amin'ny tabernakely, sy ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja dia tsy maintsy atao amin'ny varahina.

Exodus 27:20

Inona no ho lalàna maharitra mandrakizay hatramin'ireo taranaky ny firenen'Israely?

Arona sy ireo zanany lahy dia tsy maintsy hikarakara ireo fitoeran-jiro eo anatrehan'i Yaveh, manomboka ny hariva mandra-maraina. Izany fepetra izany no ho lalàna maharitra mandrakizay hatramin'ny taranaky ny vahoakan'i Israely.

Exodus 28

Exodus 28:1

Iza no hanompo an'i Yaveh ho mpisorona?

Arona sy ireo zanany—dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara—no hanompo an'i Yaveh ho mpisorona.

Exodus 28:4

Lamba inona no tsy maintsy ampiasain'ireo mpanao tao-zavatra mba hanamboarana ny akanjon'ireo mpisorona?

Tsy maintsy mampiasa rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy, ary jaky ireo mpanao tao-zavatra.

Exodus 28:6

Inona no tsy maintsy haraikitra eo amin'ireo vato beryla roa?

Ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy no tsy maintsy haraikitra eo amin'izany.

Exodus 28:10

Amin'ny filaharana ahoana ireo anaran'ireo zanaka lahin'Israely roa ambin'ny folo lahy no tsy maintsy eo amin'ireo vato beryla roa?

Samy araka ny filaharan'ny nahaterahany avy no tsy maintsy hanaovana ny anaran'ireo zanaka lahin'Israely roa ambin'ny folo lahy.

Nahoana no hitondra ny anaran'ireo zanaka lahin'Israely roa ambin'ny folo eo an-tsorony roa Arona?

Arona no hitondra ny anaran'izy ireo eo an-tsorony roa ho fampatsiahivana ho an'i Yaveh.

Exodus 28:15

Ahoana ny endriky ny saron-tratra ho an'ny fanapahan-kevitra?

Ny saron-tratra ho an'ny fanapahan-kevitra dia tsy maintsy ho efa-joro.

Exodus 28:17

Ahoana no tsy maintsy hampifanaingenana ireo vato sarobidy?

Tsy maintsy hampifanaingenana amin'ny randram-bolamena izany.

Exodus 28:21

Aiza no tsy maintsy hamatoran'i Mosesy ireo rojo volamena roa?

Tsy maintsy afatony amin'ireo zoron'ny saron-tratra roa ireo rojo volamena roa.

Exodus 28:27

Nahoana no tsy maintsy mamatotra ny saron-tratra amin'ny mason-drojon'izany amin'ireo mason-drojon'ny efoda i Mosesy?

Tsy maintsy afatony eo amin'ny mason-drojony amin'ny mason-drojon'ny efoda, amin'ny alalan'ny kofehy manga ny saron-tratra, mba hiraiketan'izany eo ambonin'ny fehinkibo voatenon'ny efoda.

Exodus 28:29

Inona no tsy maintsy apetak'i Mosesy eo amin'ny saron-tratra ho an'ny fanapahan-kevitra?

Tsy maintsy apetrany eo amin'ny saron-tratra ho an'ny fanapahan-kevitra ny Orima sy ny Tomima.

Exodus 28:31

Iza no tsy maintsy manamboatra ny akanjo lavan'ny efoda?

Ny mpanenona no tsy maintsy manamboatra ny akanjo lavan'ny efoda.

Exodus 28:33

Nahoana no tsy maintsy hanaovan'i Arona ny akanjo lava rehefa manompo izy?

Tokony hanaovan'i Arona ilay akanjo lava rehefa manompo izy, mba ho re ny feon'izany rehefa miditra ao amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Yaveh sy mivoaka izy. Natao izany mba tsy ho faty izy.

Exodus 28:36

Ahoana no hitondran'i Arona ny heloka izay mety hiaraka amin'ny fanatitry ny fanomezana masina izay hatokan'ny Israelita ho an'i Yaveh?

Hitondra ny heloka izay mety hiaraka amin'ny fanatitry ny fanomezana masina izay hatokan'ny Israelita ho an'i Yaveh amin'ny fanaovana ny takelaka voasikotra eo amin'ny hamama izy.

Exodus 28:40

Inona no tsy maintsy ataon'i Mosesy ho voninahitra sy famirapiratan'ireo zanaka lahin'i Arona?

Ho an'ireo zanak'i Arona dia tsy maintsy manamboatra fitafiana, fehinkibo, ary fehiloha ho voninahitra sy famirapiratan'izy ireo izy.

Exodus 28:42

Hatraiza no saronan'ireo atin'akanjo?

Hanarona manomboka avy eo amin'ny valahana ka hatreo amin'ny fe ireo atin'akanjo.

Exodus 29

Exodus 29:1

Inona no tsy maintsy entina mba hanokanana an'i Arona sy ireo zanany lahy?

Izao manaraka izao no tsy maintsy entina mba hanokanana an'i Arona sy ireo zanany lahy: Vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa tsy misy kilema, mofo tsy misy lalivay, ary mofomamy tsy misy lalivay nasiana menaka, ary mofo manify vita tamin'ny lafarina varim-bazaha tsy misy masirasira natsoboka tamin'ny menaka.

Exodus 29:3

Amin'ny inona no tsy maintsy hanasan'i Mosesy an'i Arona sy ireo zanany lahy?

Amin'ny rano no tsy maintsy hanasan'i Mosesy an'i Arona sy ireo zanany lahy.

Exodus 29:8

An'iza ny asa fisoronana?

Ho an'i Arona sy ireo zanany lahy ny asa fisoronana.

Exodus 29:12

Inona no tsy maintsy anaovan'i Mosesy ny sabora sy ny fonon'aty ary ireo voa roa?

Tsy maintsy dorana eo amin'ny alitara ny sabora sy ny fonon'aty sy ireo voa roa miaraka amin'ny sabora amin'izany.

Exodus 29:15

Hahatonga inona ho an'i Yaveh ny ondrilahy nodorana?

Hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh izany.

Exodus 29:19

Tsy maintsy ataon'i Mosesy inona ny rà avy amin'ny ondrilahy faharoa?

Tsy maintsy ataony eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona izany, ary eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ireo zanany, eo amin'ny ankihiben'ny tanana ankavanan'izy ireo, sy eo amin'ny ankihiben-tongotra ankavanan'izy ireo. Avy eo dia tsy maintsy mamafy ny rà amin'ny sisin'ny alitara rehetra izy.

Exodus 29:21

Inona no nafafin'i Mosesy tamin'i Arona, ny akanjony, ireo zanaka lahin'i Arona sy tamin'ny akanjon'izy ireo?

Namafy ny sasany tamin'ny rà izay teo amin'ny alitara sy ampahany tamin'ny menaka fanosorana tamin'i Arona, ireo zanany lahy sy ny akanjon'izy ireo i Mosesy?

Exodus 29:22

Atao inona ny ondrilahy?

Ny ondrilahy dia ho an'ny fanamasinana ny mpisorona ho an'i Yaveh.

Exodus 29:26

Inona no tsy maintsy ho an'i Arona sy ireo taranany mandrakizay?

Ny tratran'ny fanatitra izay nasandratra sy ny fen'ny fanatitra izay natolotra no tsy maintsy ho an'i Arona sy ireo taranany mandrakizay.

Exodus 29:29

Avy amin'iza no hiavian'ny mpisorona manaraka?

Ny mpisorona manaraka dia ho avy amin'ireo zanaka lahin'i Arona.

Exodus 29:31

Ahoana no tsy maintsy handrahoana ny ondrilahy ho an'ny fanamasinana?

Ny ondrilahy ho an'ny fanamasinana dia andrahoina ao amin'ny toerana masina.

Exodus 29:35

Rehefa voatokana ny alitara, dia haninona ny zavatra rehetra izay mikasika izany?

Izay rehetra mikasika ny alitara dia ho voatokana ho an'i Yaveh, tahaka ny alitara ihany.

Exodus 29:38

Oviana no tsy maintsy hanoloran'i Mosesy ny zanak'ondry tsirairay avy?

Ny zanak'ondry iray dia tsy maintsy atolony amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolony eo ho eo amin'ny filentehan'ny masoandro.

Exodus 29:40

Inona no tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny zanak'ondry voalohany?

Miaraka amin'ny zanak'ondry voalohany dia koba tsara toto impolon'ny efaha nafangaro tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina avy amin'ny oliva nofihazina, ary divay ampahefatry ny hina mba ho fanatitra sotroina, no tsy maintsy atolotra.

Exodus 29:41

Taiza ireo zanak'ondry no natolotra?

Natolotra teo amin'ny fidirana tao amin'ny trano-lay fihaonana teo anatrehan'i Yaveh ireo zanak'ondry.

Exodus 29:45

Aiza no hiainan'i Yaveh?

Hiaina eo amin'ireo Israelita ary ho Andriamanitr'izy ireo Yaveh.

Exodus 30

Exodus 30:3

Inona no anton'ireo mason-drojo?

Ireo mason-drojo dia tsy maintsy hitazona ireo bao mba hilanjana ny alitara.

Exodus 30:5

Aiza no tsy maintsy ametrahan'i Mosesy ny alitaran'ny ditin-kazo manitra?

Tsy maintsy apetrak'i Mosesy eo alohan'ny lamba izay akaiky ny fiaran'ny didim-panekena ny alitaran'ny ditin-kazo manitra.

Exodus 30:7

Ditin-kazo manitra inona ihany no afaka dorana eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra?

Rehefa mandrehitra ireo jiro amin'ny hariva indray Arona, dia tsy maintsy mandoro ditin-kazo manitra eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra izy. Fa tsy hisy ditin-kazo manitra hafa atolotra eo amin'ny alitara.

Exodus 30:10

Impiry no tsy maintsy hanaovan'i Arona fanavotana eo amin'ireo tandroky ny alitaran'ny ditin-kazo manitra?

Tsy maintsy hanao fanavotana indray mandeha isan-taona eo amin'ireo tandroky ny alitaran'ny ditin-kazo manitra i Arona.

Exodus 30:11

Nahoana no tsy maintsy manome vidim-panavotana ny ainy ho an'i Yaveh ny olona tsirairay avy?

Tsy maintsy manome vidim-panavotana ny ainy ho an'i Yaveh ny olona tsirairay avy mba tsy hisian'ny areti-mandringana eo amin'izy ireo rehefa manisa azy ireo i Mosesy.

Exodus 30:15

Rehefa nandray ny vola fanavotana avy amin'ireo Israelita i Mosesy, dia ahoana no tsy maintsy hanomezany izany?

Rehefa nandray ny vola fanavotana avy amin'ireo Israelita i Mosesy, dia tsy maintsy hitondra izany amin'ny asa ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.

Exodus 30:17

Aiza no tsy maintsy ametrahan'i Mosesy ny koveta varahina lehibe?

Tsy maintsy apetrak'i Mosesy eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izany.

Exodus 30:19

Inona no tsy maintsy ataon'i Arona sy ireo zanany lahy rehefa miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo na rehefa handeha hanakaiky ny alitara mba hanompo an'i Yaveh amin'ny alalan'ny fandorana fanatitra izy ireo?

Rehefa miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo na rehefa handeha hanakaiky ny alitara mba hanompo an'i Yaveh amin'ny alalan'ny fandorana fanatitra, dia tsy maintsy misasa amin'ny rano izy ireo mba tsy ho faty.

Exodus 30:22

Inona ireo fangaro ao amin'ny menaka fanosorana masina?

Ireo fangaro ao amin'ny menaka fanosorana masina dia miora mitete dimanjato sekely, kanelina manim-pofona 250 sekely, fary manim-pofona 250 sekely, kasia dimanjato sekely, norefesina tamin'ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina, sy menaka oliva iray hina.

Exodus 30:32

Inona no tsy tokony atao amin'ny menaka masina fanosorana?

Tsy azo ahositra amin'ny hoditry ny olona izany, na hanaovana menaka toy izany amin'ny akora voavolavola tahaka izany ihany.

Inona no hahazo ny olona izay manao zavatra tahaka ny ditin-kazo manitra na ny menaka fanosorana masina mba atao ranomanitra?

Na iza na iza manao hanitra toy izany mba atao ranomanitra dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny.

Exodus 30:37

Inona no tsy maintsy hahazo ny olona izay manao zavatra tahaka ny ditin-kazo manitra na ny menaka fanosorana masina mba atao ranomanitra?

Na iza na iza manao hanitra toy izany mba atao ranomanitra dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny.

Exodus 31

Exodus 31:3

Fahafahana inona no ho azon'i Bezalila satria ho fenoin'i Yaveh amin'ny fanahiny izy?

Nofenoin'i Yaveh tamin'ny Fanahiny i Bezalela, mba hanomezany azy fahendrena, fahazavan-tsaina, ary fahalalana, ho an'ny karazana asa tanana rehetra, mba ho famolavolàna ny kanto ary hiasana amin'ny volamena, volafotsy, ary varahina; mba hanapaka sy hametra-bato ary hisokitra hazo ihany koa—mba hanao ireo karazana asa tanana rehetra.

Exodus 31:6

Nahoana no nametraka fahaiza-manao tao am-pon'ny rehetra izay hendry Yaveh?

Nasian'i Yaveh fahaiza-manao tao am-pon'ny rehetra izay hendry mba hahafahan'izy ireo manao izay rehetra nandidiany azy ireo.

Exodus 31:12

Inona no hanjo ny olona izay nandoto na niasa tamin'ny Sabata?

Ny olona rehetra izay mandoto ny Sabata dia tsy maintsy ho vonoina ho faty tokoa. Ny olona rehetra izay niasa tamin'ny Sabata, dia tsy maintsy ho esorina amin'ny vahoakany.

Exodus 31:16

Nahoana no ho famantarana eo amin'i Yaveh sy ireo Israelita mandrakariva ny Sabata?

Ho famantarana eo amin'i Yaveh sy ireo Israelita mandrakariva ny Sabata, fa nandritra ny enina andro no nanaovan'i Yaveh ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ary naka aina.

Exodus 31:18

Iza no nanoratra ny takelaka roa misy ny didim-panekena?

Nanome takelaka roa misy ny didim-panekena, nosoratan'ny tanan'i Yaveh mihitsy an'i Mosesy Yaveh.

Exodus 32

Exodus 32:1

Oviana no niara-niangona nanodidina an'i Arona ary nangataka azy mba hanao sampy ny vahoaka?

Rehefa hitan'ny vahoaka fa nitaredretra ny hidina avy any an-tendrombohitra i Mosesy, dia nitangorona nanodidina an'i Arona ary nangataka azy mba hanao sampy ny vahoaka

Exodus 32:3

Iza no nandray ny volamena avy amin'ny vahoaka, namolavola izany tao anatin'ny famolavolana, ary nanao izany ho ombikely voavolavola?

Nandray ny volamena avy amin'izy ireo, namolavola izany tao anatin'ny famolavolana, ary nanao izany ho ombikely voavolavola Arona.

Exodus 32:5

Rehefa avy nanolotra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana ny vahoaka, dia inona no nataon'izy ireo?

Rehefa avy nanolotra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana ny vahoaka, dia nipetraka mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary nitsangana nanao fomba fankalazana vetaveta.

Exodus 32:7

Inona no nolazain'ny vahoaka fa andriamanitra izay nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta?

Nolazain'ny vahoaka fa ny ombikely volamena no andriamanitra izay nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta.

Exodus 32:9

Rehefa nanjary tezitra Yaveh, dia inona no nataon'i Mosesy?

Niezaka nampitony an'i Yaveh Andriamaniny i Mosesy.

Exodus 32:12

Nilefitra tamin'ny inona Yaveh?

Nilefitra tamin'ny famaizana izay nolazainy fa hampihariny amin'ny vahoakany i Yaveh.

Exodus 32:15

Aiza amin'ny takelaka no nanoratan'i Yaveh?

Samy voasoratra ny andaniny roa amin'ilay takelaka, ny ao aloha sy ao aoriana.

Exodus 32:17

Rehefa ren'i Josoa ny tabataban'ireo vahoaka izay nihikiaka, dia inona no noheveriny fa olana?

Rehefa ren'i Josoa ny tabataban'ireo vahoaka izay nihikiaka, dia nihevitra izy fa misy feon'ny ady ao amin'ny toby.

Exodus 32:19

Rehefa nahita ilay ombikely Mosesy, dia nataony inona ilay vato fisaka?

Natsipiny avy teny an-tanany ireo vato fisaka ary nopotehiny teny ambodin'ny tendrombohitra ireo.

Nataon'i Mosesy inona ilay ombikely?

Nalain'i Mosesy ilay ombikely izay namboarin'ny vahoaka, nodorany, ary notorotoroiny ho vovoka, ka nafafiny tany amin'ny rano. Avy eo nampisotroiny ny vahoakan'Israely izany.

Exodus 32:21

Amin'i Arona, ahoana no nanamboarana ny ombikely?

Amin'i Arona, dia ny vahoaka no nanome azy volamena ary natsipiny tao anaty afo izany, ary avy amin'izany no nahazoana ilay ombikely.

Exodus 32:25

Iza no namela ny vahoaka hihoa-pefy?

Namela azy ireo hihoa-pefy Arona.

Iza no nitangorona nanodidina an'i Mosesy rehefa nandidy ny olona rehetra izay miaraka amin'i Yaveh mba ho tonga teo aminy izy?

Rehefa nandidy ny olona rehetra izay miaraka amin'i Yaveh mba ho tonga teo aminy Mosesy, dia nitangorona nanodidina azy ireo Levita rehetra.

Exodus 32:28

Inona no nataon'ireo Levita?

Nataon'ireo Levita izay nandidian'i Mosesy ary olona teo ho eo amin'ny telo alina tamin'ny vahoaka teo no maty.

Nahoana no napetraka tao amin'ny asa fanompoana an'i Yaveh ireo Levita?

Napetraka tao amin'ny asa fanompoana an'i Yaveh izy ireo, satria namono ny rahalahiny ny tsirairay avy tamin'izy ireo.

Exodus 32:30

Inona no tian'i Mosesy hataon'i Yaveh raha tsy hamela ny fahotan'ny vahoaka Yaveh?

Tian'i Mosesy mba hanala azy ao amin'ny boky nosoratan'i Yaveh Izy raha tsy hamela ny fahotan'ny vahoaka Yaveh.

Exodus 32:33

Ahoana no nanasazian'i Yaveh ny vahoaka satria nanao ilay ombikely izy ireo?

Nandefa areti-mandringana teo amin'ireo vahoaka i Yaveh satria nanamboatra ilay ombikely izy ireo.

Exodus 33

Exodus 33:1

Inona no nolazain'i Yaveh fa alefany hialoha lalana an'i Mosesy?

Haniraka anjely eo anoloan'i Mosesy Yaveh.

Nahoana no tsy hiakatra miaraka amin'i Mosesy Yaveh?

Tsy hiakatra hiaraka aminy Yaveh, satria vahoaka mafy loha izy ireo. Mety handringana azy ireo eny an-dalana Yaveh.

Exodus 33:4

Inona no nandidian'i Yaveh mba hesorin'ireo Israelita?

Tsy maintsy manala ny firavaka izy ireo.

Exodus 33:7

Inona no nitranga rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy?

Isaky ny niditra ny lay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ary nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay, dia niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh.

Exodus 33:10

Ahoana no niresahan'i Yaveh tamin'i Mosesy?

Yaveh dia niresaka nifanatri-tava tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany.

Exodus 33:12

Inona no tian'i Mosesy hasehon'i Yaveh azy? Nahoana?

Tian'i Mosesy haneho ny lalany Yaveh mba hahafahany mahafantatra Azy ka hahita fitia hatrany eo imasony.

Exodus 33:14

Ahoana no ahafantarana fa nahita fitia teo imason'i Yaveh i Mosesy?

Ho fantatra fa nahita fitia teo imason'i Yaveh i Mosesy raha nandeha niaraka tamin'izy ireo Yaveh mba hiavaka amin'ny vahoaka hafa rehetra izay ambonin'ny tany izy ireo.

Exodus 33:19

Iza no nolazain'i Yaveh fa hiantrany sy hamindrany fo?

Nolazain'i Yaveh fa hiantra amin'izay hiantrany Izy ary hamindra fo amin'izay hanehoany famindram-po.

Nahoana no tsy afaka hahita ny tavan'i Yaveh i Mosesy?

Tsy afaka hahita ny tavan'i Yaveh i Mosesy, satria tsy misy afaka mahita Azy ka ho velona.

Exodus 33:21

Rehefa manala ny tanany Yaveh, dia inona no ho hitan'i Mosesy?

Rehefa manala ny tanany Yaveh, dia hahita ny ivohony izy, fa tsy ho hita kosa ny tavan'i Yaveh.

Exodus 34

Exodus 34:1

Inona no ho soratan'i Yaveh eo amin'ny vato fisaka vaovao?

Hosoratan'i Yaveh ao ireo teny izay tao anatin'ny vato fisaka voalohany, dia ireo vato izay novakian'i Mosesy.

Exodus 34:3

Iza no afaka hita eny an-tendrombohitra?

Tsy hisy olon-kafa ho hita eo akaikin'i Mosesy eny an-tendrombohitra.

Exodus 34:5

Rehefa nidina tamin'ny rahona Yaveh ary nijoro niaraka tamin'i Mosesy, dia inona no notononiny?

Rehefa nidina tamin'ny rahona Yaveh ary nijoro niaraka tamin'i Mosesy, dia nanonona ny anaran'i "Yaveh" izy.

Manadio ny heloka ve Yaveh?

Tsy mba hanadio izay meloka Yaveh.

Exodus 34:10

Inona no efa ho ataon'i Yaveh?

Hanao fanekena Yaveh.

Exodus 34:12

Inona no nitranga raha nanao fanekena tamin'ireo mponin'ny tany izay halehan'izy ireo ny Israelita?

Raha nanao fanekena tamin'ireo mponin'ny tany izay halehan'izy ireo ny Israelita, dia ho lasa fandrika eo amin'izy ireo izany.

Nahoana no tsy tokony hanompo andriamanin-kafa ireo Israelita?

Tsy tokony hanompo andriamanin-kafa ireo Israelita, fa Yaveh, izay manana anarana hoe 'Saropiaro', dia Andriamanitra saro-piaro.

Exodus 34:15

Inona no nitranga raha nihinana sasany tamin'ireo soron'ny mponin'ny tany ireo Israelita?

Raha nihinana sasany tamin'ireo soron'ny mponin'ny tany ireo Israelita, ary na dia haka ny sasany amin'ireo zanany vavy ho an'ireo zanak'izy ireo lahy aza izy ireo, dia mbola hivarotra ny tenany amin'ireo andriamaniny ihany ireo zanany vavy, ary hampijangajanga ireo zanany lahy amin'ireo andriamaniny.

Exodus 34:18

Nahoana no tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira mandritra ny fito andro amin'ny fotoana voatondro amin'ny volana Abiba ireo Israelita?

Tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira mandritra ny fito andro amin'ny fotoana voatondro amin'ny volana Abiba ireo Israelita, satria tamin'ny volana Abiba no nivoahan'ireo Israelita avy tany Egypta.

Exodus 34:19

Inona no tsy maintsy mitranga raha tsy nividy ny lahy voalohan-teraky ny ampondra amin'ny zanak'ondry indray ireo Israelita?

Raha tsy nividy ny lahy voalohan-teraky ny ampondra amin'ny zanak'ondry indray ireo Israelita, dia tsy maintsy mamolaka ny hatony izy ireo.

Exodus 34:21

Inona no tsy maintsy ataon'ireo Israelita amin'ny andro fahafito, na dia amin'ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza?

Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ireo Israelita. Na dia amin'ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza, dia tsy maintsy mitsahatra izy ireo.

Exodus 34:23

Impiry no tsy maintsy miseho eo anatrehan'i Yaveh ireo lehilahy?

Ny lehilahy rehetra dia tsy maintsy hiseho intelo isan-taona eo anatrehan'i Yaveh.

Iza no naniry ny hanafika ny tany ary haka izany rehefa niakatra mba hiseho eo anatrehan'i Yaveh intelo isan-taona ireo Israelita?

Tsy hisy haniry ny hanafika ny tany ary haka izany rehefa niakatra mba hiseho eo anatrehan'i Yaveh intelo isan-taona ireo Israelita.

Exodus 34:25

Inona no tsy maintsy entin'ireo Israelita ao an-tranon'i Yaveh?

Tsy maintsy entin'izy ireo ao an-tranon'i Yaveh ny tsara indrindra amin'ny voaloham-bokatra avy amin'ny sahan'izy ireo.

Exodus 34:27

Inona no tsy nataon'i Mosesy rehefa niaraka tamin'i Yaveh nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina izy?

Rehefa niaraka tamin'i Yaveh efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy; dia tsy nisakafo na nisotro rano izy.

Exodus 34:29

Rehefa nahita an'i Mosesy i Arona sy ireo Israelita, dia nahoana no natahotra ny hanakaiky azy izy ireo?

Rehefa nahita an'i Mosesy i Arona sy ireo Israelita, namirapiratra ny hodi-tavany, dia natahotra ny hanakaiky azy izy ireo.

Exodus 34:32

Rehefa avy niresaka tamin'izy ireo i Mosesy, dia inona no nataony tamin'ny tavany?

Rehefa avy niresaka tamin'izy ireo i Mosesy, dia nasiany voaly ny tavany.

Exodus 34:34

Rehefa inona no manala ny voaly i Mosesy?

Na oviana na oviana nandehanan'i Mosesy teo anoloan'i Yaveh mba hiresaka Aminy, dia nanala ny voaliny izy.

Exodus 35

Exodus 35:1

Oviana no tsy tokony mandrehitra afo ireo Israelita?

Tsy tokony mandrehitra afo ao an-tranony amin'ny andro Sabata izy ireo.

Exodus 35:4

Iza no tokony haka ny fanatitra ho an'i Yaveh?

Ireo rehetra izay manana fahavononam-po no tokony haka ny fanatitra ho an'i Yaveh.

Exodus 35:20

Taiza no nalehan'ireo fokon'Israely rehetra?

Nandao ary niala teo anatrehan'i Mosesy avokoa ireo fokon'ny Israely rehetra.

Iza no tonga ary nitondra fanatitra ho an'i Yaveh ho an'ny fanamboarana ny tabernakely?

Ireo olona rehetra izay voatariky ny fony sy ireo izay notarihin'ny fanahiny hanam-piniavana no tonga ary nitondra fanatitra ho an'i Yaveh ho an'ny fanamboarana ny tabernakely

Exodus 35:27

Inona no tsy maintsy apetaka amin'ny efoda sy ny saron-tratra?

Vato beryla sy vatosoa hafa no tsy maintsy apetaka amin'ny efoda sy ny saron-tratra.

Exodus 35:30

Iza no nantsoin'i Yaveh?

Yaveh niantso an'i Bezalila zanaka lahin'i Ory zanaka lahin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda.

Exodus 36

Exodus 36:1

Iza no hanao ny asa fanamboarana ny fitoerana masina?

Bezalila sy Oholiaba no hiasa, ary ireo olona hendry am-po izany nomen'i Yaveh fahaiza-manao sy fahakingana mba ahafantatra ny fomba hanamboarana ny toerana masina ihany koa.

Exodus 36:2

Inona no mbola nataon'ny olona ihany?

Isa-maraina dia mbola nanome fanati-tsitrapo ho an'i Mosesy ireo olona.

Exodus 36:5

Inona no natoron'i Mosesy mba hataon'ny vahoaka?

Nanome baiko i Mosesy fa tsy tokony hisy hitondra fanatitra amin'ny fanamboarana ny toerana masina intsony ao amin'ny toby na iray aza.

Exodus 36:11

Nataon'i Bezalila taiza ireo tadivavarana?

Nanao tadivavarana manga teo amin'ny faran'ny sisin-damba tamin'ny sisiny iray efa voavitrana izy, ary nataony toy izany koa ny sisin-damba tamin'ny vitrana faharoa.

Ahoana no nanakambanan'i Bezalila ireo lamba?

Nanao farango volamena dimampolo izy ary nakambany niaraka tamin'izany ireo lamba.

Exodus 36:18

Nahoana no nanao farango varahina dimampolo i Bezalila?

Nanao farango varahina dimampolo i Bezalila mba hanakambanana ny lay ho iray.

Exodus 36:24

Tongony firy no tao ambanin'ny zana-kazo tsirairay?

Nisy tongony roa tao ambanin'ny zana-kazo tsirairay.

Exodus 36:31

Taiza no nanaovan'i Bezalila ny bara?

Nanao ny bara teo anivon'ireo rafitra, izany hoe, antenantenany miakatra, mba hahatrarana ny farany roa izy.

Exodus 36:37

Tamin'ny inona no nandrakofan'i Bezalila ireo fefy lamban'ireo andry dimy?

Norakofan'i Bezalila tamin'ny volamena ireo fefy lamban'ireo andry dimy.

Exodus 37

Exodus 37:1

Tamin'ny inona no nanamboaran'i Bezalila ny fiara?

Nataon'i Bezalila tamin'ny hazo akasia ilay fiara.

Exodus 37:4

Nahoana no nametraka ireo bao tao amin'ireo mason-drojo teo amin'ireo sisin'ny fiara i Bezalila?

Nametraka ireo bao tao amin'ny mason-drojo teo amin'ireo sisin'ny fiara izy, mba hilanjana ny fiara.

Exodus 37:7

Nitodika taiza ny kerobima?

Mifanatrika sy mitodika any afovoan'ny saronam-panavotana ny kerobima.

Exodus 37:14

Zavatra inona no ho eo amin'ny latabatra?

Ireo lovia, sotro, lovia jobo, sy ireo fitoeran-divay mba hampiasaina handrarahana ireo fanatitra no ho eo amin'ny latabatra.

Exodus 37:17

Inona no teo amin'ny sampana tsirairay izay nivoaka avy amin'ny fitoeran-jiro?

Ny sampany tsirairay dia samy nisy kapoaka telo natao tahaka ny felana amygdala, miaraka amin'ny kibory iray sy voninkazo iray, ary ny kapoaka telo dia natao toy ny felana amygdala tamin'ny sampany iray hafa, miaraka amin'ny kibory iray sy voninkazo iray.

Exodus 37:23

Volamena firy no nampiasain'i Bezalila mba hanamboarana ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovan'izany?

Nanao ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovana tamin'ny talenta volamena iray tsy miharo izy.

Exodus 37:25

Inona no nanodidina ny alitaran'ny ditin-kazo?

Sisim-bolamena no nanodidina ny alitaran'ny ditin-kazo.

Exodus 37:27

Iza no nanao ny menaka masina fanosorana sy ny ditin-kazo manitra tsy mifangaro?

Bezalila no nanao ny menaka masina fanosorana sy ny ditin-kazo manitra tsy mifangaro.

Exodus 38

Exodus 38:1

Firy ny halava sy ny sakan'ny alitara ho an'ny fanatitra dorana?

Dimy hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakan'ny alitara ho an'ny fanatitra dorana.

Exodus 38:6

Ahoana no nanaovan'i Bezalila ny alitara?

Nanao ny alitara poak'aty, tamin'ny hazo fisaka izy.

Exodus 38:8

An'iza ireo fitaratra?

An'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny fidirana mankany amin'ny trano-lay fihaonana ireo fitaratra.

Exodus 38:13

Natao tamin'ny inona ireo fefy lamba manodidina ny kianja?

Natao tamin'ny rongony fotsy madinika ireo fefy lamba manodidina ny kianja.

Exodus 38:17

Tsangatsangan'ny kianja firy no norakofana volafotsy?

Norakofana volafotsy avokoa ny tsangatsangan'ny kianja rehetra.

Exodus 38:21

Iza no nitari-dalana ireo Levita?

Itamara, zanaka lahin'i Arona mpisorona, no nitari-dalana ireo Levita.

Exodus 38:24

Volamena firy no nampiasaina tamin'ny tetik'asa?

Ny volamena rehetra izay nampiasaina tamin'ny tetik'asa dia talenta sivy amby roapolo sy sekely 730, voarefy tamin'ny fenitry ny sekelin'ny fitoerana masina.

Lehilahy roapolo taona no ho miakatra firy no nisaina tao amin'ny fanisam-bahoaka?

Nisy lehilahy 603.350 roapolo taona no ho miakatra voaisa tao amin'ny fanisam-bahoaka.

Exodus 39

Exodus 39:4

Inona no nakambana ho iray tamin'ny efoda?

Ny fehinkibo no nakambana ho iray tamin'ny efoda.

Inona no nisokirana ny anaran'ireo zanaka lahin'Israely roa ambin'ny folo?

Ireo vato beryla no nisokirana ny anaran'ireo zanaka lahin'Israely roa ambin'ny folo.

Exodus 39:10

Andalana vato sarobidy firy no teo amin'ny saron-tratra?

Nisy andalana vato sarobidy efatra teo amin'ny saron-tratra.

Exodus 39:17

Nampifandray ny inona ny rojo voarandrana?

Nampifandray ireo zoron'ny saron-tratra sy ireo vitrana roa, izay nafatotra teo amin'ny saron-tsoroky ny efoda avy teo anoloany ny rojo voarandrana.

Exodus 39:21

Nahoana no namatotra ny saron-tratra tamin'ny mason-drojony tamin'ny mason-drojon'ny efoda tamin'ny tady manga izy ireo?

Namatotra ny saron-tratra tamin'ny mason-drojony tamin'ny mason-drojon'ny efoda tamin'ny tady manga izy ireo, mba hifatotra ambonin'ny fehinkibo efoda voatenona tsara mihitsy izany. Natao izany mba tsy hiongotra amin'ny efoda ny saron-tratra.

Exodus 39:22

Inona no teo afovoan'ny akanjo efoda?

Nisy fitsofohan-doha teo afovoan'ny akanjo efoda.

Exodus 39:25

Inona no nataon'izy ireo teo anelanelan'ireo ampongambendanitra manodidina ny sisin'ny akanjo lava?

Nasian'izy ireo lakolosy teo anelanelan'ireo ampongambendanitra manodidina ny sisin'ny akanjo lava.

Exodus 39:30

Inona no nosoratan'izy ireo teo amin'ny takela-bolamena tsy mifangaron'ny satro-boninahitra masina?

Nosoratan'izy ireo hoe: "MASINA HO AN'I YAVEH" teo amin'ny takela-bolamena tsy mifangaron'ny satro-boninahitra masina.

Exodus 39:42

Inona no hitan'i Mosesy rehefa nandinika ny asa rehetra izy?

Nandinika ireo asa rehetra i Mosesy, ary indro, vitan'izy ireo araka izay nandidian'i Yaveh izany, dia toy izany ny fomba nanaovan'izy ireo izany.

Exodus 40

Exodus 40:1

Oviana no tsy maintsy hananganan'i Mosesy ny tabernakely?

Amin'ny andro voalohan'ny volana voalohan'ny taona vaovao dia tsy maintsy hatsangan'i Mosesy ny tabernakely.

Exodus 40:3

Ahoana no tsy maintsy hiarovan'i Mosesy ny i Mosesy?

Tsy maintsy miaro ny fiara amin'ny lamba Mosesy.

Exodus 40:5

Aiza no tsy maintsy ametrahan'i Mosesy ny kovetabe?

Tsy maintsy apetrak'i Mosesy eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara ny koveta lehibe.

Exodus 40:8

Nahoana no tsy maintsy manosotra ny kovetabe varahina sy ny faladian'izany Mosesy?

Tsy maintsy manosotra ny kovetabe varahina sy ny faladian'izany Mosesy mba hanomanana izany ho amin'ny asa fanompoana an'i Yaveh.

Exodus 40:17

Taiza no nametrahan'i Mosesy ny didin'ny fanekena?

Napetrak'i Mosesy tao anatin'ny fiara ny didin'ny fanekena.

Exodus 40:26

Taiza no nametrahan'i Mosesy ny alitara volamenan'ny ditin-kazo manitra

Napetrany tao amin'ny trano-lay fihaonana manoloana ny lamba ny alitara volamenan'ny ditin-kazo manitra.

Exodus 40:31

Impiry Mosesy, Arona, ary ireo zanany lahy no manasa ny tanana sy ny tongotr'izy ireo ao amin'ny kovetabe?

Nanasa ny tanany sy ny tongotr'izy ireo tao amin'ny kovetabe i Mosesy, Arona sy ireo zanany lahy na oviana na oviana handehanan'izy ireo ao amin'ny trano-lay fihaonana ary na oviana na oviana hiakaran'izy ireo eo amin'ny alitara.

Exodus 40:34

Nahoana no tsy afaka miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana i Mosesy?

Tsy afaka nitsofoka tao amin'ny trano-lay fihaonana i Mosesy satria efa nitoetra tao amin'izany ny rahona, ary satria nanenika ny tabernakely ny voninahitr'i Yaveh.

Exodus 40:36

Oviana no hanainga amin'ny dian'izy ireo ny vahoakan'Israely?

Na oviana na oviana no niakaran'ny rahona avy ao amin'ny tabernakely, dia nianga tamin'ny dian'izy ireo ny vahoakan'Israely.