Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Obadiah 1

Obadiah 1:1

Inona no tanjon'i Yaveh nadefa an'ireo masoivoho teo amin'ireo firenena?

Nandefa ireo masoivoho teo amin'ireo firenena Yaveh mba hahatonga ireo firenena hitsangana hiady hanohitra an'i Edoma.

Obadiah 1:3

Inona no iray amin'ireo fahotan'ireo Edomita?

Nirehereha tao am-pony ireo Edomita ary nino fa tsy afaka nentina nidina tany amin'ny tany izy ireo.

Obadiah 1:7

Iza no hamitaka ka handresy an'i Edoma?

Ireo lehilahy izay nihavana tamin'i Edoma dia hamitaka ary hamadika azy.

Obadiah 1:10

Nahoana i Edoma no ho sarona amin'ny fahamenarany ka ringana mandrakizay?

Edoma dia ho voasarona amin'ny fahamenarany ary ho ringana mandrakizay noho ny herisetran'i Edoma natao tamin'ny rahalahin'i Jakoba.

Inona no nitranga tamin'ny andro izay nijanona'i Edoma lavitra an'i Jakoba?

Tamin'izany andro izany, dia niditra tamin'ireo vavahadin'ny Jerosalema ireo vahiny ary nanimba ireo fananany.

Obadiah 1:12

Inona no noresahan'i Yaveh an'i Edoma tsy anaovana firesahana momba an'i Joda amin'ny andro fahorian'i Joda.

Yaveh niresaka tamin'i Edoma tsy hifaly, sy hiravoravo, na handroba ny haren'ny Joda amin'ny andro fahorian'i Joda.

Obadiah 1:15

Inona no nolazain'i Yaveh hitsingerina eo an-dohan'i Edoma?

Yaveh dia nilaza fa ireo asan'i Edoma dia hitsingerina eo an-dohan'i Edoma.

Obadiah 1:17

Inona no mety hatao amin'ireo tendrombohitr'i Ziona sasany na dia eo aza ny fahorian'ny Joda?

Ny tendrombihitr'i Ziona sasany dia mety handosirana na dia eo aza ny fahorian'i Joda.

Firy amin'ireo Edoma no handositra ny fitsaràn'i Yaveh?

Na iray aza tsy hisy sisa velona any Edoma aorian'ny fitsaràn'i Yaveh.

Obadiah 1:19

Ary iza no hahazo ny tendrombohitr'i Esao?

Ireo izay avy any Negeva no hahazo ny tendrombohitr'i Esao.

Obadiah 1:20

Avy aiza ny tendrombohitr'i Esao no ho tsaraina?

Ny tendrombohitr'i Esao dia ho voatsara any an-tendrombohitr'i Ziona.