Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Daniel 1

Daniel 1:1

Oviana no tonga tao Jerosalema mba hiodidina ny tanàna sy hanapaka ny famatsiana amin'izany i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babylona?

Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima mpanjakan'ny Joda i Nebokadnezara no tonga tao Jerosalema.

Iza no nanome fandresena an'i Nebokadnezara teo amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda?

Ny Tompo no nanome fandresena an'i Nebokadnezara teo amin'i Joiakima.

Daniel 1:3

Inona no notenenin'ny mpanjaka ho ataon'i Aspenaza?

Niresaka tamin'ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin'ireo vahoakan'ny Israely, amin'ny fianakavian'andriana sy ny ambony firazanana i Aspenaza.

Lehilahy toy ny ahoana no tian'ny mpanjaka hoentina ao Babylona?

Mila tovolahy tsy misy kilema, manintona amin'ny endrika ivelany, mahay amin'ny fahendrena rehetra, feno fahalalana sy fahazavan-tsaina, ary voafantina mba hanompo ao amin'ny lapan'ny mpanjaka ny mpanjaka.

Inona no isana ho an'ireo zatovo lahy ireo?

Isana hanina manokana sy ampahany amin'ny divain'ny mpanjaka izy ireo.

Daniel 1:6

Iza no anarana niantsoana ny sasany tamin'ireo tovolahy avy any Israely ary iza no anarana nomen'ny lehiben'ny manam-boninahitra?

Ireo anarana nomena ny sasany tamin'ireo tovolahy sy ireo anarana nomena azy ireo avy amin'ny lehiben'ny manam-boninahitra dia: Daniela nantsoiny hoe Beltesazara, Hanania nantsoiny hoe Sadraka, Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary Azaria nantsoiny hoe Abednego.

Daniel 1:8

Inona no noheverin'i Daniela tao an-tsainy?

Daniela nihevitra tao an-tsainy fa tsy handoto ny tenany amin'ireo hanim-py mpanjaka sy ny divain'ny mpanjaka.

Ahoana no namalian'ny lehiben'ny manam-boninahitra rehefa nanontany azy ny tsy hanome alalàna handoto ny tenany amin'ny hanim-py sy ny divain'ny mpanjaka i Daniela?

Niteny tamin'i Daniela ny lehibe manampahefana fa natahotra ny mpanjaka izy, fa ny mpanjaka no nandidy izay tokony ohanina sy sotroin'i Daniela ary mety hotapahin'ny mpanjaka ny lohan'ny lehiben'ny manam-boninahitra raha mijery an'i Daniela ambonin'ny saovaly izy noho ireo tovolahy hafa izay mitovy taona aminy.

Daniel 1:11

Inona no noresahan'ny mpitandrin-draharaha izay notendren'ny manampahefana lehibe ho an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria tamin'i Daniela?

Noresahan'i Daniela tamin'ny tamin'ny mpitandrin-draharaha fa andramana omena legioma mba ohanina sy rano ho sotroina mandritra ny folo andro ireo ary ampitahana amin'ny satovo izay mihinana ny hanim-pian'ny mpanjaka ireo amin'ny andro farany amin'ny folo andro ary ataovy aminay araka ny hitanao izy.

Daniel 1:14

Tao aorian'ny naneken'ny mpitandrin-draharaha ny fitsapana, inona no tsikariny tao aorian'ny folo andro rehefa nampitaha an'i Daniela, Hananiana, Misaela ary Azaria tamin'ny tovolahy hafa?

Tsikaritry ny mpitandrin-draharaha fa salama kokoa i Daniela, Hananiana, Misaela ary Azaria amin'ny endrika ivelany, ary voafahana tsara mihoatra noho ireo tovolahy izay nihinana tamin'ny hanim-pin'ny mpanjaka izy ireo.

Daniel 1:17

Inona no nomen'Andriamanitra an'i Daniela, Hananiana, Misaela ary Azaria?

nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahalalana sy fahalalinan-tsaina amin'ny literatiora rehetra sy ny fahendrena, ary afaka mahatakatra ireo karazana fahitana sy nofy rehetra i Daniela.

Daniel 1:19

Inona no hitan'ny mpanjaka rehefa nilaza amin'ny vondron'ny tovolahy rehetra izy?

Nilaza ny mpanjaka fa tsisy na dia iray aza azo ampitahana an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria. Tamin'ny fanontaniana rehetra mahakasika ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina izay napetraky ny mpanjaka azy ireo, dia voavalin'izy ireo tsara avo folo heny kokoa mihoatra ny an'ireo ombiasy sy ireo izay milaza ho miresaka amin'ny maty, izay tany amin'ny fanjakany manontolo izany.

Hafiriana i Daniela no tao Babylona?

Tany hatramin'ny taona voalohany nanjakan'ny mpanjaka Kirosy izy.

Daniel 2

Daniel 2:1

Oviana i Nebokadnezara no nanofy ka nihorohoro ny sainy no sady tsy afa-natory izy?

Niseho tamin'ny taona faharoa nanjakany izany.

Nahoana ny mpanjaka no nampiantso ireo ombiasy, ireo mpanao ody, ny olon-kendry ary ireo izay nilaza ho miresaka amin'ny maty?

Ilain'ny mpanjaka hilaza aminy momban'ny nofiny ireo ireo lehilahy ireo.

Daniel 2:5

Inona no tian'ny mpanjaka manokana ho ataon'ny lehilahy hendry?

Tian'ny mpanjaka ho lazain'ilay lehilahy hendry ilay nofiny ary azavaina ihany koa.

Inona no nolazain'ny mpanjaka fa hanjo ilay lehilahy hendry raha tsy lazaina amin'ny mpanjaka ny nofiny ary tsy voazava aminy izany?

Nilaza ny mpanjaka fa raha tsy izany, dia ho potikapotika ny vatan'ilay lehilahy ary hatao korotam-pako ireo tranon'izy ireo.

Inona no nolazain'ny mpanjaka fa ho ataony amin'ny olona na ny vahoaka izay nanambara ny nofy taminy ary nanazava izany?

Nilaza ny mpanjaka fa hanome fanomezana, valisoa, ary voninahitra lehibe ho an'ny olona na ny vahoaka izy.

Daniel 2:10

Iza ilay lehilahy hendry afaka niteny mahakasika izay ambaran'ny nofin'ny mpanjaka?

Nilaza ilay lehilahy hendry fa tsy misy olona amin'ny tanny izay afaka mamaly ny fangatahan'ny mlpanjaka, ireo andriamanitra no afaka manao izany.

Daniel 2:12

Aorian'ny namalian'ilay lehilahy hendry an'i Nebokadnezara, inona no didy nataon'ny mpanjaka?

Nanome baiko ny mpanjaka fa izay rehetra fantatra tamin'ny fahendreny dia ho handringana ho faty.

Daniel 2:14

Iza i Arioka?

Mpibaiko ny mpiambina ny mpanjaka izy, ilay iray notendren'ny mpanjaka hamono olona izay hendry tao babylona.

Inona no nanelingelenan'i Arioka i Daniela, rehefa tonga tao amin'i Daniela izy?

Namaly am-pahamalinana sy am-pisainana an'i Arioka i Daniela. Nanontany an'i Arioka izy hoe Nahoana no dia maika tahaka izany ny lalàn'ny mpanjaka?

Inona no nanontanian'i Daniela tao aorian'ny niresahany tamin'i Arioka?

Nandeha Daniela ary nangataka ny hihaona tamin'ny mpanjaka mba hahafahany manao ny fandikana ho an'ny mpanjaka.

Daniel 2:19

Inona no nataon'i Daniela tao aorian'ny nanambarana ny marina taminy?

Nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra i Daniela.

Daniel 2:23

Fa ahoana no nisaoran'i Daniela an'Andriamanitry ny razambeny?

Nisaotra an'Andriamanitra razambeny Daniela tamin'ny fahendrena sy ny nanomezana azy ny fahefan'Andriamanitra razambeny.

Daniel 2:24

Iza no nandeanan'i Daniela ho jerena tao aorian'ny nanambarana azy ilay tsiambara telo?

Niditra i Daniela hijery an'i Arioka.

Inona no nambaran'i Daniela tamin'i Arioka?

Niteny tamin'i Arioka i Daniela mba tsy homono ny olon-kendry any Babylona. Niteny tamin'i Arriooka Daniela mba hitondra azy anoloan'ny mpanjaka mba ahafahan'i Daniela hiteny amin'ny mpanjaka ny dikan'ily nofy.

Daniel 2:27

Rehefa nankeo amin'ny mpanjaka i Daniela, iza no no nolazain'i Daniela fa afaka nilaza ilay zava-miafina nangatahan'ny mpanjaka?

Hoy i Daniela hoe misy Andriamanitra izay monina any an-danitra, izay manambara ny zava-miafina.

Inona no nambaran'i Daniela amin'ny ankapobeny momban'ny nofin'ny mpanjaka?

Nolazain'i Daniela ny monmba ilay nofy ny amin'izay mety hiseho amin'ireo andro ho avy

Daniel 2:29

Nahoana no i Daniela no nanambarana ilay nofy?

Nambara tamin'i Daniela ilay nofy mba ho azon'ny mpanjaka ny dikany ary ahafantarany ny zava-miafina amin'ny tenany.

Daniel 2:31

Tahaka ny ahoana ny sarivongana izay itan'ny mpanjaka tamin'ny nofony?

Lehibe ilay sarivongana ary ny volamena ny lohany, vita tamin'ny volafotsy ny tratrany sy ny sandriny, vita amin'ny varahina ny afovoany sy ny feny ary vita avy amin'ny vy ny ampahan-tongony ary tanimanga ny ampahany.

Daniel 2:34

Inona no niseho tamin'ilay sarivongana izazy itan'ny mpanjaka tamin'ny nofiny?

Nahita vato tapaka ny mpanjaka, na dia tsy tamin'ny tanan'ny olona aza. Nianjera ny vato tamin'ny tongotr'ilay sarivongana ary potipotika toy ny lavaka ilay sarivongana izay notsofin'ny rivotra ka tsy hita.

Inona no nanjo ilay vato izay nampienjera ilay sarivongana?

Tonga tendrombohitra lehibe ary nameno ny tany ilay vato izay nampienjera ny sarivongana.

Daniel 2:36

Iza ilay loha vita amin'ny volamena?

Mpanjaka Nebokadnezara ilay loha vita amin'ny volamena.

Daniel 2:44

Inona no ataon'Andriamanitry ny lanitra ami-n'ireo andron'ny fanjakana izay ny ampahany amin'ny vy ary ny ampahany amin'ny tanimanga?

Amin'izany andro izany ilay Andriamanitry ny lanitra no nametraka ny fanjakana izay tsy ho simba na hi babon'ny vahoaka hafa.

Daniel 2:46

Inona no nandidian'i Nebokadnezara mba ho atao an'i Daniela tao aorian'ny nanambarany ilay nofy sy ny dikan'izany tamin'ny mpanjaka?

Nobaikon'ny mpanjaka mba anaovana fanatitra sy tolorana ditin-kazo manitra i Daniela.

Inona no nambaran'i Nebokadnezara mahakasika ny Andriamanitr'i Daniela?

Andriamanitr'ireo andriamanitra ny Andriamanitr'i Daniela hoy i Nebokadnezara, ilay Tompon'ireo mpanjaka ary ilay manambara ireo zava-miafina.

Daniel 2:48

Inona no nataon'i Nebokadnezara tamin'i Daniela tao aorian'ny fangatahan'ny mpanjaka?

Nanendry an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ho mpandrindra eo amin'ireo faritanin'i Babylona ny mpanjaka.

Daniel 3

Daniel 3:1

Firy ny velaran'ny sarivongana volamena izay namboarin'i Nebokadnezara ary napetrany tao amin'ny Lemak'i Dora?

Ny sarivongana mirefy dia enimpolo hakiho ny halavany ary enina hakiho ny sakany.

Daniel 3:3

Iza avy no tonga tamin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangan'i Nebokadnezara?

Ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, sy ireo governora teo an-toerana, niaraka tamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ary ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra.

Inona no nasain'i Nebokadnezara ho ataon'ireo eo am-piandrasana ny fitokanana?

Tiany hiondrika sy hiankohoka eo amin'ny sarivongana volamena ny tenan'izy ireo rehefa nandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra.

Daniel 3:6

Inona no baikon'ny mpanjaka ho hampirina amin'ireo izay tsy miondrika sy miankohoka amin'ny sarivongana rehefa nandre ireo zava-maneno rehetra sy ny mozika izy ireo?

Ny mpanjaka nilaza fa ireo izay tsy miondrika sy miankohoka, amin'izany fotoana izany, dia ho atsipy any anaty afo midedadeda.

Daniel 3:8

Iza no niampanga hanoitra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego?

Tonga ireo sasany tamin'ny Kaldeana niampanga hanoitra azy ireo.

Daniel 3:11

Iza ireo tsy niondrika sy niankohoka tamin'ilay sarivongana?

Ireo Jiosy sasany, ireo izay antsoina hoe Sadraka, Mesaka, ary Abednego no tsy niondrika sy niankohoka tamin'ny sarivongana.

Daniel 3:16

Inona no namalian'ni Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny mpanjaka rehefa namerina ny didiny mba hiondrika sy hiankohoka izy, ary ny vokatr'izany raha tsy manaraka ny didin'ny mpanjaka izy ireo?

Namaly i Sadraka, Mesaka sy Abednego fa ny Andriamanitr'ireo ihany no afaka mamonjy sy miaro azy ireo amin'ny lafaoro midedadeda. Fa na tsy izany aza, tsy hiankohoka amin'ny andriamanitr'i Nebokadnezara na hiondrika izy ireo.

Daniel 3:19

Inona no didin'i Nebokadnezara mahakasika an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego?

Nodidian'i Nebokadnezara fa tokony afanaina im-pito mahamay kokoa noho ny afanany atramin'izay ny lafaoro ary nafatotra sy hatsipy ao anaty lafaoro midedadeda i Sadraka, Mesaka, ary Abednego.

Daniel 3:21

Inona no niseho an'i Sadraka, Mesaka, Abednego ary ny lehilahy izay nanioy azy ireo tao amin'ny lafaoro midedadeda?

Matin'ny afo nahamay loatra avy amin'ny lafaoro midedadeda ny lehilahy izay naka an'i Sadraka, Mesaka, Abednego ary nianjera tao amin'ny lafaoro midedadeda izy ireo.

Daniel 3:24

Inona no nahagaga sy nampitsangana aingana an'i Nebokadnezara?

Gaga i Nebokadnezara satria nahita lehilahy efatra tsy nifatotra, nandehandeha nanodidina ny afo izy ary tsy misy maratra ary manjelatra tahaka ny zanak'ireo andriamanitra izy ireo.

Daniel 3:26

Inona no tazan'ireo nanatrika nanatrika tao aorian'ny nivoahan'i Sadraka, Mesaka ary Abednego tamin'ny afo?

Nahita ireo nanatrika fa tsy nandoro ny vatan'izy ireo ny afo; tsy may ny volon-dohan'izy ireo; tsy simba ny fitafian'izy ireo; ary tsy nisy fofon'afo taminy.

Daniel 3:29

Inona no lalàna nataon'i Nebokadnezara tao aorian'ny tranga nahazo an'i Sadraka, Mesaka ary Abednego sy ilay mpanafana ny lafaoro midedadeda?

Nanao lalàna aho fa izay vahoaka, firenena, na fiteny izay milaza zavatra hanohitra ny Andriamanitr'i Sadraka, Mesaka, sy Abednego dia tsy maintsy ravana, tsy maintsy atao ho fako mivangongo ny tranon'izy ireo satria tsy misy andriamani-kafa afaka manavotra tahaka izany

Inona no nataon'i Nebokadnezara tamin'i Sadraka, Mesaka ary Abednego?

Nebokadnezara, ilay mpanjaka, nampisondrotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego tao amin'ny faritanin'i Babylona ny mpanjaka.

Daniel 4

Daniel 4:1

Tamin'ny iza no nandefasan'i Nebokadnezara ny didy?

Nalefan'i Nebokadnezara tamin'ireo vahoaka, ireo firenen, ary ireo fiteny izay nonina tety ambonin'ny tany.

Nahoana no nandefa ny didy i Nebokadnezara?

Nandefa ny didy i Nebokadnezara mba hilaza amin'ny olona momban'ireo famantarana sy ireo zava-mihagaga izay nataon'ny Avo Indrindra taminy.

Inona no nolazain'i Nebokadnezara momban'ilay Avo Indrindra?

Nilaza ny momban'ilay Avo Indrindra i Nebokadnezara fa "Lehibe loatra ireo famantarany, ary mahery loatra ireo zava-mahagagany! Fanjakana tsy manam-pahataperana ny fanjakany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahany."

Daniel 4:4

Inona no nampatahotra an'i Nebokadnezara?

Ny nofy niseho taminy no nampatahotra an'i Nebokadnezara.

Nahoana no nanome didy ny hitondràna ireo lehilahy hendrin'i Babylona i Nebokadnezara?

Nila itondràna ireo lahilahy hendrin'i Babylona i Nebokadnezara mba handika ny nofiny aminy.

Daniel 4:7

Inona no niantsoana an'i Daniela Babiloniana ary inona toeran'i Daniela eo amin'ny fanjakan'i Nebokadnezara?

Beltesazara no niantsoana an'i Daniela ilay Babyloniana ary "ombiasibe" izy.

Iza no ninoan'i Nebokadnezara fa afaka miteny aminy ny dikan'ilay nofy?

Ninoan'i Nebokadnezara fa afaka mandika ny nofiny aminy i Daniela, rehefa niteny tamin'i Daniela i Nebokadnezara fa " ... ny fanahin'ireo andriamanitra masina dia aminao ary tsy misy zava-miafina izay sarotra aminao ihany koa."

Daniel 4:10

Inona no ampahany hitan'i Nebokadnezara voalohany tamin'ny nofiny?

Nahita hazo tsara, lehibe sy matanjaka be izay nananika ny lanitra i Nebokadnezara. Nanome alokaloka ho an'ireo biby sy nitoeran'ireo voromanidina izy. Be voankazo izay mamahana ireo zava-manan'aina izany.

Daniel 4:13

Inona no nambaran'ny mpitondra hafatra masina avy any an-danitra mba ho atao amin'ilay hazo?

Nilaza ilay mpitondra hafatra masina fa kapaina ilay hazo, tapahina ireo rantsany, esorina ny raviny ary aparitaka ireo voankazony.

Daniel 4:15

Inona no natao tamin'ny fototr'ilay hazo?

Hiletika anaty tany ny fotony ka ho fatorana amin'ny tariby sy varahana. Avelao ho lenan'ny ranon'ando. Avelao ho velona miaraka amin'ireo biby izany. Aoka ny fisainany ho toy ny an'ny biby fa tsy ho toy ny an'ny olona mandritra ny fito taona.

Daniel 4:17

Inona no tanjona amin'ny fanaovana izany amin'ilay hazo tamin'ny nofin'i Nebokadnezara?

Nt tanjona amin'izany dia tokony ahafantatra ireo izay miaina fa manapaka eo amin'ireo fanjakan'ireo vahoaka ny Avo Indrindra ary manome azy ireo araka ny toerana izay iriany eo amin'izy ireo Izy.

Daniel 4:20

Iza no nolazain'i Daniela fa ilay hazo tao anatin'ny nofin'i Daniela?

Nilaza i Daniela fa i Nebokadnezara ilay hazo.

Daniel 4:24

Inona no hiseho amin'i Nebokadnezara mandra-pahalalany fa ilay Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary manome azy ireo ho an'ny olona izay iriany Izy?

Esorina amin'ny olona i Nebokadnezara. hitoetra any an-tsaha miaraka amin'ny bibidia sy hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan'ny ranon'ando avy any an-danitra izy.

Hafiriana no faharetan'izany mialohan'ny ahafantaran'i Nebokadnezara fa ilay Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary manome azy ireo ho an'ny olona izay iriany Izy?

Fito taona no handalo mandra-pahafantaran'i Nebokadnezara fa ilay Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary manome azy ireo ho an'ny olona izay iriany Izy.

Daniel 4:26

Tao aorian'ny nandikana ilay nofin'i Nebokadnezara, inona no toro-hevitr'i Daniela taminy?

Nanoro hevitra an'i Nebokadnezara i Daniela mba hanajanona ny fahotana ary hanao izay marina. Niteny ny mba hivilian'i Nebokadnezara amin'ireo helony mba ahazoana famindra-po amin'ireo nampahoriana ihany koa izy.

Daniel 4:28

Afiriana talohan'ny nitrangan'ny fandikana ny nofin'i Nebokadnezara no nitrangan'izany?

Roa ambin'ny folo volana tao aorian'ny nofiny no nanomboka nipoitra izany zavatra rehetra izany.

Daniel 4:34

Inona no nataon'i Nebokadnezara tao aorian'ny namerenanana tamin'ny laoniny ny adalàny ho aminy?

Nidera sy nanome voninahitra ilay Avo Indrindra izay manapaka mandrakizay i Nebokadnezara.

Daniel 4:36

Inona no nanjo ny fanjakan'i Nebokadnezara?

Naverina taminy ny fanjakana.

Inona no fanambaran 'i Nebokazdnezara farany mahakasika Mpanjakan'ny lanitra?

Ny fanambarany dia: "Ankehitriny izaho, Nebokadnezara, dia midera, manandratra, ary manome voninahitra ny Mpanjakan'ny lanitra, fa marina ireo asany, ary mahitsy ny lalany. Afaka mampietry ireo izay mandeha amin'ny fiavonavonany Izy."

Daniel 5

Daniel 5:1

Tamin'iza no nanaovan'i Belsazara mpanjaka fanasana lehibe?

Nanao fanasana lehibe ho an'ireo tandapa arivo lahy izy.

Iza ity Belsazara ity?

Zanaka lahin'i Nebokadnezazra izy.

Daniel 5:3

Inona ireo tavoara nampiasain'izy ireo hisotroana divay amin'izany fanasana izany?

Nampiasa tavoara volamena izay nalaina tao amin'ny temoly izy ireo,ilay tranon'Andriamanitra, tao Jerosalema.

Inona no nataon'ny olona tao amin'ilay fanasana rehefa nisotro ny divay izy ireo?

Nidera ireo sampy vita amin'ny volamena, volafotsy, varahina, vy, hazo ary vato izy ireo.

Daniel 5:5

Inona no nitranga rehefa avy nisotro ny divay ireo olona ka nidera ireo sampiny izy ireo?

Nisy rantsan-tanan'olona nipoitra teo anoloan'ny fitoeran-jiro ka nanoratra teo amin'ny rindrina voalalotra tao an-dapan'ny mpanjaka.

Inona no navalin'ny mpanjaka teo no eo rehefa nahita ny tanana izy?

Niova ny endriky ny mpanjaka ary nampatahotra azy ny eritreriny; tsy nahazaka azy ny tongony, ary niara-niady ny lohaliny.

Daniel 5:7

Inona no nampanantenan'ny mpanjaka ho an'ny olona afaka manazava ny soratra teo amin'ny rindrina voalalotra ary ny dikan'izany?

Nampanantena ny mpanjaka fa na iza na iza manazava io soratra io sy ny dikany dia hampitafiana volomparasy izay ary hanana rojo volamena eo am-bozony ka hanana ny fahefan'ny mpanapaka fahatelo ambony indrindra ao amin'ny fanjakana izy.

Daniel 5:13

Amin'ny mpanjaka, inona ireo tsara nolazainy fa efa reny momban'i Daniela?

Nilaza ny mpanjaka fa efa nandre izy fa manana ny fanahin'Andriamanitra ao aminy i Daniela ary nahazo fahazavan-tsaina sy fahendrena tsara izy.

Daniel 5:17

Inona no navalin'i Daniela rehefa niresaka ireo valisoa izay ho azony amin'ny famakiana sy fanazavana ny dikan'ny soratra izy?

Niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo olon-kafa ny valisoanao. Na dia izany aza, dia hovakiko aminao, ry mpanjaka, ary holazaiko aminao ny hevitry ny soratra" i Daniela.

Daniel 5:20

Nahoana nesorina tamin'i Nebokadnezara ny seza fiandrianany ary nahoana no nesorina taminy ny voninahiny?

Very ny voninahiny sy ny seza fiandrianan'i Nebokadnezara satria lasa mpiavonavoana ny fony ary nihamafy ny fanahiny nanao zavatra sahisahy izy.

Daniel 5:22

Inona no niampangan'i Daniela hanoitra an'i Belsazara?

Niteny i Daniela fa tsy nanetry tena ny fon'i Belsazara, nanandra-tena hanoitra ny Tompon'ny Lanitra izy ary tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izay nanao ny mofony amin'ny tanany ary nahalala ny lalany rehetra.

Daniel 5:25

Inona no dikan'ny soratra teo amin'ny rindrina voalalotra?

Toy izao ny heviny: voaisan'Andriamanitra ny nanjakan'i Belsazara ary nitondra izany ho amin'ny fiafarana Izy. Lanjaina eo amin'ny mizàna i Belsazara ary hita ny fahabangana. Zaraina sy omena ho an'ireo Mediana sy ireo Persiana ny fanjakan'i Belsazara.

Daniel 5:29

Inona no niseha tamin'izany alina izany tao aorian'ny nanomezan'i Daniela ny dikan'ny soratra tamin'i Belsazara?

Tamin'izany alina izany i Belsazara, ilay mpanjaka Babyloniana, novonoina, ary Dariiosy ilay Mediana no nahazo ny fanjakana.

Firy taona i Dariosy ilay Mediana rehefa nandray ny fanjakana?

Teo amin'ny roa amby enimpolo taona i Dariosy ilay Mediana no nandray ny fanjakana.

Daniel 6

Daniel 6:1

Iza no notondron'i Dariosy ho eo amin'ny fanjakana?

Nanondro governora 120 isam-paritany miaraka amin'ny lehiben'ny mpandrindra telo amin'ireo.

Iza ny iray tamin'ny lehiben'ireo mpandrindra telo?

Daniela ilay iray tamin'ny lehiben'ireo mpandrindra telo.

Ahoana no nanendrena ny lehiben'ireo mpandrindra telo?

Notendrena mba hanara-maso ireo governora isam-paritra izy ireo, amin'izay mba tsy ho maty antoka ny mpanjaka.

Iza no napetrakin'ny mpanjaka manerana ny fanjakana rehetra?

Nanao drafitra ny hametraka an'i Daniela manerana ny fanjakana rehetra ny mpanjaka.

Daniel 6:4

Nahoana no tsy afaka manao kolikoly ny lehiben'ireo mpandrindra sy ireo governora isam-paritany, tsy fahombiazana tamin'ny asany, tsy nisy fahadisoana na tsirambina hita tamin'ny asan'i Daniela tao amin'ny fanjakana?

Tsy afaka nanao ireo zavatra ireo izy ireo satria nahatoky i Daniela.

Faritra inona amin'ny fiainany no nieritreretan'ireo lehiben'ny mpandraharaha sasany sy ireo governora isam-paritany fa manana zavatra hitarainana hanoitra an'i Daniela izy ireo?

Nihevitra fa afaka manao zavatra hanoitra an'i Daniela araka ny lalàn'Andriamaniny izy ireo.

Daniel 6:6

Inona no toro hevitr'reo governora isam-paritany sy ny lehiben'ny mpandraharaha sasasny tamin'ny mpanjaka Dariosy?

Nanoro hevitra an'i Dariosy fa tokony hamoaka didy ary manamafy izany fa na iza na iza manao fanangonan-tsonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona ankoatra ny mpanjaka Dariosy mandritra ny telopolo andro, dia tsy maintsy hatsipy ao an-davaky ny liona izany olona izany.

Daniel 6:10

Inona no nataon'i Daniela tao aorian'ny namakiany ny lalàna nivoaka ary nanaovan-tsonia tamin'ny lalàna?

Nandeha tao an-tranony i Daniela, nanondrika ny lohana ary nivavaka tamin'ny fisaorana an'Andriamanitra mba ho voavonjy izy.

Daniel 6:13

Inona no nataon'ireo lehilahy izay nihevitra ny hanoitra an'i Daniela rehefa nahita azy nanao fangatahana sy nitady fanampiana tamin'Andriamanitra?

Nakany amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ary niteny taminy fa Tsy miraharaha ny mpanjaka na ny lalàny fa mbola nivavaka tamin'Andriamanitra in-telo i Daniela ao anatin'ny iray andro.

Inona no nataon'ny mpanjaka raha nandre ny tsy fankatoavan'i Daniela ny didin'ny mpanjaka izy?

Tonga ory mafy ny mpanjaka ary nandefa fisainana ny hanavotra an'i Daniela amin'ny fanapahany izy.

Daniel 6:17

Tao aorian'ny nanipazana an'i Daniela tao amin'ny lavaky ny liona, inona no nataon'ny mpanjaka?

Nanisy tombon-kase ny lavaka tamin'ny perany ny mpanjaka. Nandeha tany amin'ny lapany sy nandia ny alina ary tsy natory izy.

Daniel 6:19

Nandeha teny amin'ny lavak'ireo liona Ny andro manaraka tao aorian'ny nanipazana an'i Daniela tao amin'ny lavak'ireo liona, rehefa nandeha teo amin'ny lavaka ny mpanjaka, inona no noteneniny tamin'i Daniela?

Nilaza ny mpanjaka fa afaka manavotra an'i Daniela amin'ireo liona ny Andriamanitra izay notopoiny.

Daniel 6:21

Inona no namalian'i Daniela ny mlpanjaka?

Nilaza tamin'ny mpanjaka i Daniela fa "ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao! Nandefa ny mpitondra hafany Andriamanitra ary nampangiana ny vavan'ny liona, ary tsy nandratra ahy izy ireo. Fa tsy misy tsiny teo anatrehany aho sy teo anoloanao ihany koa, ry mpanjaka, ary tsy nanao ratsy anao aho."

Daniel 6:23

Inona no baiko voalohany nomen'ny mpanjaka tao aorian'ny nahitany fa velona tao an-davaky ny liona i Daniela?

Ny baiko voaloahany nomen'ny mpanjaka tao aorian'ny nahitana ny fahaveloman'i Daniela dia ny tokony nampiakarana an'i Davida hivoaka ny lavaky ny liona.

Daniel 6:24

Inona no baikon'ny mpanjaka faharoa tao aorian'ny nahitany ny fahaveloman'i Daniela tao amin'ny lavaky ny liona?

Ny baiko faharoa dia ny hitondrana ilay lehilahy izay nanasoketa an'i Daniela ary nanipy azy ireo tao an-davaky ny liona miaraka amin'ny zanak'izy ireo sy ny vadin'izy ireo.

Daniel 6:26

Inona no notenenin'i Dariosy mahakasika an'Andriamanitra amin'ny didy momban'Andriamanitr'i Daniela?

Niteny ny Andriamanitr'i Daniela i Dariosy fa " ... Izy no Andriamanitra velona sy miaina mandrakizay, ary ny fanjakany dia tokony tsy ho ravana; tokony ho hatramin'ny farany ny fanapahany. Miaro antsika sy manavotra antsika Izy, ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy eto an-tany Izy; niaro an'i Daniela ho avotra tamin'ny herin'ireo liona Izy."

Daniel 6:28

Nandritra ny fitondran'iza no nanambinana an'i Daniela?

Nambinina nandritra ny fitondran'i Dariosa sy nandritra ny fitondran'i Kyrosy ilay Persiana i Daniela.

Daniel 7

Daniel 7:1

Oviana i Daniela no nanofy sy nahita fahitana tao an-tsainy?

Nanofy sy nahita fahitana raha nandry teo amin'ny fandriany nandritra ny eritaona amin'i Belsazara mpanjakan'ny Babylona i Daniela.

Tamin'ny fahitan'i Daniela, inona no nampietsika ny ranomasim-be?

Ny rivotra efatry ny lanitra no nampietsika ny renomasim-be.

Inona no niakatra avy tao amin'ny ranomasina?

Biby lehibe efatra, samihafa karazana avy no niakatra avy tao amin'ny ranomasina.

Daniel 7:4

Inona no omena ny biby tahaka ny liona?

Atidohan'olona no omena azy.

Inona no notenenina ho ataon'ny biby tahaka ny bera?

Notenenina mba hifoha ary andrapaka olona maro izy.

Daniel 7:6

Inona no nomena ny biby tahaka ny leoparda?

Nomena fahefana mba anapaka izy.

Inona no nataon'ireo biby efatra?

Nandrapaka, namotipotika, ary nanitsakitsaka izay tavela tamin'ny tongony ireo biby efatra.

Daniel 7:8

Inona no hitan'i Daniela niseho tamin'ny biby hafa izay heveriy ho toy ireo tandroka?

Nahita tandroka kely naniry teo amin'ireo tandroka folo i Daniela. Ny telo tamin'ireo tandroka voalohany dia nivoaka tamin'ny fakany. Nahita maso tahaka ny an'ny olona i Daniela ary vava izay nirehareha momba ireo zavatra lehibe ireo.

Daniel 7:9

Iza no nametraka ireo seza fiandriana tamin'ny toerany?

Ny Andro Fahagola ilay iray nametraka ireo seza fiandrianana.

Daniel 7:10

Inona no raharaham-barotra notarihan'ireo Andro Fahagola?

Nivory ny fitsarana, ary nisokatra ireo boky.

Daniel 7:11

Inona no nanjo ireo biby efatra?

Novonoina ilay biby misy tandroka izay voalaza fa miteny fireharehana, nosimbaina ny vatany, ka natolotra mba ho dorana izany. Ny sasany tamin'ireo biby telo dia nanala ny fahefan'ireo mba hanapaka kanefa nalavaina ny fehim-potoana hiainan'izy ireo.

Daniel 7:13

Tamin'ny fahitan'i Daniela, iza no naseho teo amin'ny Andro Fahagola?

Ilay olona iray tonga niaraka tamin'ireo rahon'ny lanitra tahaka ny zanak'olona no naseho teo amin'ny Andro Fahagola.

Inona no nomena an'ilay irao izay "tahaka ny zanaka lahin'ny olona"?

Hanapaka fahefana mandrakizay, fanjakana tsy ho rava mihitsy, ary voninahitra sy fahefana no omena ny iray izay "tahaka ny zanaka lahin'ny olona".

Daniel 7:17

Inona no nolazain'i Daniela ny amin'ireo biby efatra naseho tamin'ny fahitany?

Nilaza ireo mpanjaka efatra izay tokony hisandratra avy amin'ny tany no nolazain'i Daniela fa ireo biby efatra.

Iza no nandray ny fanjakana ary hanana izany mandrakizay?

Ny olo-masin'ny Avo Indrindra no mandray ny fanjakana ary hanana izany mandrakizay ary ho doria.

Daniel 7:23

Rehefa nilaza ilay olona nitsangana teo momban'ny biby fahaefatra i Daniela, inona no notenenin'ilay olona fa ilay biby fahaefatra ary inona no ataony eto an-tany?

Nilaza ilay olona fa ilay biby fahaefatra dia ho fanjakana fahaefatra ary handrapaka ny tany iray manontolo izany, hanitsaka sy handrava azy ho potipotika.

Inona no nolazain'ilay olona nitsangana teo momban'ireo tandroka folo?

Nilaza ilay olona nitsangana teo fa mpanjaka folo no hisandratra amin'ireo fanjakana efatra ireo.

Daniel 7:25

Inona no ataon'ilay olona izay miteny anohitra ilay Avo Indrindra ary ahoana no hiafarany?

Hampahory ireo olomasin'ilay Avo Indrindra izy. Hiezaka hanova ireo fankalazana sy ireo lalàna izy. Hanapaka eo amin'ireo zavatra ireo mandritra ny eritaona, roa taona, ary tapa-taona izy nefa nalana ny herin'ny fanjakany mba ho rava sy ho simba any amin'ny farany.

Daniel 7:27

Fa iza no nomena ny fanjakana sy fanapahana ho ambanin'ny lanitra rehetra?

nomena ny olona izay an'ilay Avo Indrindra izany.

Inona no namalian'i Daniela izany fahitana izany?

Taitra mafy i Daniela ary niova ny endriky ny tavany, nefa notazoniny ho azy ilay fahitana.

Daniel 8

Daniel 8:1

Oviana no nahazoan'i Daniela ny fahitany faharoa?

Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara Mpanjaka i Daniela nahita fahitana faharoa.

Taiza ny fahitan'i Daniela faharoa?

tao anatin'ny fiarovana mafin'ny Sosana tany amin'ny faritanin'i Elama nanatrika ny Lakandranon'ny Olay i Daniela.

Daniel 8:3

Inona avy ireo biby roa itan'i Daniela tamin'ny fahitany?

Nahita ondrilahy sy osy i Daniela tamin'ny fahitany.

Ohatran'ny ahoana ireo tandroka roan'ilay ondrilahy?

Lava noho ilay tandroka ilany ny iray amin'ireo nefa nitombo halava tsimoramora noho ilay iray efa lava ilay tandroka fohifohy.

Ahoana ny havitrian'ilay ondrilahy?

Tsy nisy biby hafa afaka nitsangana nanoloana ilay ondry. Tsisy afaka ny namonjy azy ireo amin'ny tanan'ondrilahy. Nanao izay tiany rehetra izy, ary tonga lehibe tokoa.

Daniel 8:5

Karazan-tandroka inona no nananan'ilay osy?

Nanan-tandroka iray lava teo anelanelan'ny masony ilay osy.

Daniel 8:7

Inona no nataon'ilay osy tamin'ilay ondrilahy?

Nanakaiky ilay ondrilahy ilay osy ary namotika ireo tandrony roa, nampienjera ilay ondrilahy tamin'ny tany ka nanitsakitsaka azy.

Rehefa potika ny tandroka lavan'ilay osy, inoina no naniry tamin'ny toerany?

Tandroka lava efatra izay nanondro ireo rivotry ny lanitra no naniry teo amin'ny toeran'ilay iray izay potika.

Daniel 8:9

Inona no nanjo an'ilay iray tamin'ireo tandroka efatra?

Naniry tandroka kely hafa tamin'ilay iray, kely tamin'ny voalohany, fa lasa lehibe tokoa tany atsimo, tany atsinanana, ary tany be voninahitry ny Israely.

Inona no nataon'ilay tandroka rehefa nihalava?

Tonga lehibe izy ka nirotsaka amin'ny ady niaraka tamin'ny tafiky ny lanitra.

Daniel 8:11

Nahoana no nomena ireo tandroka ny miaramila ary najanona ny fanatitra dorana?

Niseho izany noho ny fikomiana.

Daniel 8:13

Hafiriana ny faharetan'ireo zavatra ireo, izany fahitana momban'ny fanatitra dorana, ny fahotana mitondra faharavana, ny fankalazana eo amin'ny fitoerana masina, ary ny tafiky ny lanitra izay nitsakitsahana?

Haharitra mandritra ny 2.300 alina sy maraina izany.

Inona no hitranga aorian'ireo 2.300 alina sy maraina?

Hapetraka tsara ny fditoerana masina.

Daniel 8:15

Iza no lazaina fa hanampy an'i Daniela hahazo ilay fahitana?

Gabriela no voalaza fa hanampy an'i Daniela hahazo ilay fahitana.

Daniel 8:18

Ho an'iza ilay fahitana? Fotoana inona no voakasik'izany?

Tamin'ny fotoan'ny fahatezerana izany fahitana izany. Mahakasika ny fotoana voatondro ho amin'ny farany izany.

Daniel 8:20

Milaza inona tamin'ny fahitan'i Daniela ireo tandroka roan'ilay ondrilahy sy ilay osilahy?

Ireo mpanjakan'ny Mediana sy Persiana ireo tandroka roan'ilay ondrilahy. Mpanjakan'ny Grisia ilay osilahy.

Daniel 8:22

Milaza inona ireo tandroka efatra izay teo amin'ny toeran'ilay tandroka tapaka?

Ireo tandroka efatra dia milaza ireo fanjakana efatra izay hipoitra avy amin'ny firenena ka maneho ilay tandroka izay tapaka.

Daniel 8:24

Inona no fihetsika hataon'ilay mpanjaka marani-tsaina?

Ho gaga amin'izay ho ravàny ary hahomby amin'izay ataony izy. Handrava vahoaka mahery izy, ireo vahoaka izay masina. Amin'ny alalan'ny hafetsifetseny no hanaovany fitaka mahomby ambanin'ny tanany. Hitsangana hanoitra ireo mpanjakan'ny mpanjaka izy.

Inona no nanjo ilay mpanjaka marani-tsaina tamin'ny farany?

Ho potika izy, fa tsy tamin'ny fahefan'olombelona.

Daniel 8:27

Inona no fiantraikan'ilay fahitana tamin'i Daniela?

Reraka i Daniela ka nalemy nandritra ny andro maromaro ary rikoriko tamin'ilay fahitana izy.

Daniel 9

Daniel 9:1

Mpanajaka avy tamin'ny faritra taiza i Ahasoerosy?

Mpanjaka teo amin'ny faritr'ireo Babyloniana izy.

Inona no tsikaritr'i Daniela tamin'ny fianarana ny tenin'Andriamanitra tamin'i Jeremia mpaminany?

Nahatsikaritra izy fa tokony ho tapitra ny fandaozana an'i Jerosalema aorian'ny fitopolo taona.

Daniel 9:3

Inona no nitadiavan'i Daniela ny Tompo Andriamanitra?

Nitady ny Tompo Andriamanitra tamin'ny fivavahana sy fangatahana, tamin'ny fifadian-kanina, fiakanjoana lamba fisaonana, ary fipetrahana amin'ny lavenona i Daniela.

Inona no zavatra voalohany nataon'i Daniela rehefa nanatona ny Tompo Andriamanitra amin'ny vavaka izy?

Nanao fiaiken-keloka amin'ireo fahotan'ireo Israelita i Daniela.

Daniel 9:5

Tamin'iza no nitenenan'ireo mpaminany amin'ny anaran'Andriamantra?

Niteny ireo mpanjaka, ireo mpitarika, ireo razambe, ary ny vahoaka rehetra amin'ny tany ireo mpaminany.

Daniel 9:7

Nahoana no menatra anatrehan'ireo tavan'ireo Israelita izy ireo?

Menatra teo anatrehan'ireo Israelita izy ireo satria nanota nanohitra ny Tompo.

Daniel 9:9

Inona no nararaka tamin'ny Israely noho ireo fahotany?

Ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, ny mpanompon'Andriamanitra, efa naidina taminay.

Daniel 9:12

Ahoana no nanamafisan'i Yaveh ireo teny nolazainy hanoitra ny Israely sy ireo fitsipiny?

Namafisin'i Yaveh ireo teniny ny amin'ny fitondrana loza lrhibe amin'ny Israely sy ireo fitsipiny.

Inona no namalian'i Daniela ny Israely izay tsy nitalaho famindram-po tamin'Andriamanitra?

Nilaza i Daniela fa tsy niala tamin'ireo fahotany sy tsy niraharaha ny fahamarinan'Andriamanitra izy ireo.

Daniel 9:15

Inona no nolazain'i Daniela fa antony tokony hamelan'ny Tompo Andriamanitra ny Israely?

Nilaza i Daniela fa afaka mamela ny Israely ny Tompo noho ny fahamarinan'ireo didin'ny Tompo.

Daniel 9:20

Oviana no nahatongavan'i Gabriela any amin'i Daniela?

Tamin'ny fotoanan'ny fanatitra ariva rehefa nivavaka iny i Daniela no tonga tao aminy i Gabriela.

Daniel 9:22

Nahoana no tonga tao amin'i Daniela i Gabriela?

Tonga hanome halalin-tsaina sy fahazavan-tsaina ho an'i Daniela i Gabriela.

Daniel 9:24

Nahoana no fito amby fitopolo amin'ny ttaona no voadidy ho an'ny vahoakan'i Daniela sy ny tanàna masina?

Fito amby fitopolo amin'ny taona no voadidy hampitsaharana ny heloka, hampitsaharana ny fahotana, hanoherana ny faharatsiana, hitondranany fahamarinana mandrakizay, mba hanatanterahana ny fahitana sy ny faminaniana, ary hanamasinana ny fitoerana masina indrindra.

Hafiriana no ahafantarana sy hatakarana ny fivoahan'ny baiko no hamerenana amin'ny laoniny sy hanorenana indray an'i Jerosalema ho an'ny fahatongavan'ilay voahosotra?

Hisy fito impito sy roa amby enimpolo impito no ahafantarana sy hatakarana ireo hetsika roa ireo.

Daniel 9:26

Raoviana no haharava ilay olona vaoahosotra?

Ho rava aorian'ny roa amby enimpolo amin'ny taona izy.

Daniel 9:27

Inona no ho ataon'ilay tonga hanapaka?

Hanamafy ny fanekena amin'ny maro anatin'ny fito iray izy. Amin'ny fisasahan'ny fito dia hampitsahatra ny sorona sy fanatitra Izy.

Inona no hanjo ny olona izay manao fandravana?

Ny fiafarana tanteraka sy ny fahapotehana dia didy ho an'izay mpandrava.

Daniel 10

Daniel 10:1

Inona no hafatra nambara tamin'i Daniela tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy mpanjakan'i Persia?

Momban'ny ady lehibe ilay hafatra.

Ahoana no nahatakaran'i Daniela ilay hafatra?

Nahatakatra ilay hafatra i Daniela rehefa nahazo faharanitan-tsaina avy amin'ny fahitana izy.

Daniel 10:4

Iza no hitan'i Daniela tao amin'ny fahitany?

Nahita lehilahy nitafy lamba rongony miaraka amin'ny fehikibo vita amin'ny volamena miodidina ny valahany izy.

Tahaka ny inona no fahitan'i Daniela ilay lehilahy tamin'ny fahitany?

Ny vatan'lay lehilay dia toy ny topaza, ny tarehiny toy ny hazavana, ireo masony tahaka ny fanilo mirehatra, ireo sandriny sy ny tongony toy ny varahina manganohano, ary ,y feony toy ny feon'olona maro be.

Daniel 10:7

Inona no navalin'i Daniela rehefa nahita ilay fahitana lehibe ary nandre ireo tenin'ilay lehilahy izy?

Nivadika nivaloarika ny endrik'i Daniela mamiratra, ary tsisy hery nitoetra tao aminy. latsaka tanaty torimaso lalina izy ary teo amin'ny tany ny tarehiny.

Daniel 10:12

Oviana no nalefa tamin'i Daniela ilay anjely?

Tamin'ny andro voalohany nandefasan'i Daniela ny sainy mba no namantarana sy nanetry ny tenany teo anatrehan'Andriamanitra no nandefasana ilay anjely.

Nahoana no niandry iraika aby roapolo andro ilay anjely vao tonga tamin'i Daniela?

Nisambotra ny mpanjaka tao amin'ny fanjakan'ny Persia izay nanohitra azy ilay anjely.

Daniel 10:14

Oviana ireo tranga ireo no niseho?

Ny fahitana dia amin'ireo andro farany, ireo andro mbola ho avay koa.

Daniel 10:16

Inona no ambaran'ilay fahitana nampahory an'i Daniela?

Nambaran'i Daniela fa nampangirifiry azy ilay fahitana ka tsy nanan-kery izy ary tsy nisy fofon'aina tao aminy.

Daniel 10:18

Inona no nataon'ilay naka endrik'olona mba hampahery an'i Daniela?

Nikasika an'i Daniela mba hampahery azy ilay iray izay naka endrik'olona.

Daniel 10:20

Inona no nolazain'ilay iray izay tahakan'ny olombelona ho ataony aorian'ny andaozany an'i Daniela?

Nilaza izy fa mbaola hiverina hiady hanoitra ny andriandahin'i Persia izy.

Inona no nolazain'ilay iray izay tahakan'ny olombelona handeha ho teneniny an'i Daniela?

Nandeha niteny tamin'i Daniela izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fahamarinana izy

Daniel 11

Daniel 11:1

Ahoana no hahazoan'ny mpanjaka fahaefatra ao Persia hery?

Hahazo hery amin'ireo harenany izy.

Amporisika ny anohitra fanjakana inona ny mpanjaka fahaefatr'i Persiana?

Namporisika ny hanoitra fanjakana Gresy izy.

Daniel 11:3

Fa iza no tsy omena ny fanjakan'ny mpanjaka mahery?

Izany fanjakana izany dia tsy omena ireo tanaky ny mpanjaka.

Daniel 11:5

Iza no hanao ny fihavanana?

Ny mpanjakan'ny Atsimo sy ny iray amin'ireo mpifahy izay tonga mpanjakan'ny Avaratra no hampiavana.

Iza no ho avy hanamafy ny fihavanana eo amin'ny mpanjakan'ny Atsimo sy ny mpanjakan'ny Avaratra?

Ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny Atsimo no tonga tao amin'ny mpanjakan'ny Avaratra mba hanamafy ny fifanekena.

Daniel 11:7

Inona no nataon'ny rantsana avy amin'ny zanaka vavin'ny mpanjakan'ny Atsimo tamin'ny mpanjakan'ny Avaratra?

Nanafika ny miaramila izy ary niditra amin-kery ny mpanjakan'ny Avaratra ka ambabo azy ireo.

Daniel 11:10

Inona no nataon'ireo zanaka lahin'ny mpanjakan'ny Avaratra?

Hivonona amin'ny ady sy hanangona miaramila matanjaka izy ireo. Hanafotra tahaka ny tondra-drano, handalo ary hiverina amin'ny lalàna rehetra mba hiarovana mafy ny mpanjakan'ny Atsimo.

Daniel 11:11

Inona no hamalian'ny mpanjakan'ny Atsimo ny fanafihan'ireo zanaka lahin'ny mpanjakan'ny Avaratra?

Mandeha mivoaka am-pahatezerana ny mpanjakan'ny Atsimo ary niady nanohitra ny mpanjakan'ny Avaratra.

Iza no nandresy tamin'ny ady teo amin'ny Avaratra sy ny Atsimo?

Nandresy tamin'ny ady ny mpanjakan'ny Atsimo.

Daniel 11:13

Taona maro taty aoriana, inona no nataon'ny mpanjakan'ny Avaratra?

Tonga am-pahatokiana izy ka nanangana tafika hafa lehibe miaraka amin'ny fitaovana betsaka.

Daniel 11:14

Tamin'izany fotoana izany, iza koa hitsangana hanoitra ny mpanjakan'ny Atsimo?

Amin'izany fotoana izany dia maro no hitsangana hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo ka anisan'izany ny vahoakan'i Daniela mpisetrasetra.

Daniel 11:15

Inona no niseho tamin'izany fotoanaa izany rehefa nanafika ny mpanjakan'ny Avaratra ny mpanjakan'ny Atsimo?

Tsy afaka mitsangana manohitra azy ny mpanjakan'ny Atsimo. Manao izay tiany manohitra ny mpanjakan'ny Atsimo ny mpanjakan'ny Avaratra.

Daniel 11:17

Nahoana no omen'ny mpanjakan'ny Avaratra ho vadin'ny mpanjakan'ny Atsimo ny zanany vavy?

Manao izany ny mpanjakan'ny Avaratra mba ahafahany mamotika ny mpanjakan'ny Atsimo.

Inona no nanjo ilay mpanjakan'ny Avaratra?

Ny mpifehy dia mamarana ny avonavon'ny mpanjakan'ny Avaratra ary hiverina any aminy ihany ny fiavonavony. Ho tafintohina izy ka ho lavo; ary tsy ho hita izy.

Daniel 11:20

Inona no ataon'ny olona izay hitsangana amin'ny toeran'ny mpanjakan'ny Avaratra?

Manery ny handoha hetra mba hanehoana ny famirrapiratan'ny fanjakana.

Inona no hiseho amin'ny olona izay manery azy handoha hetra?

Aorian'ny andro vitsivitsy izay hamotika azyn fa tsy amin'ny hatezerana na amin'ny ady.

Ahoana no hanatsinotsinoavina ny olona izay tsy nanome voninahitra ny fahefan'ny mpanjaka?

Ho tonga moramora ary haka ny fanjakana an-kafetsena izy.

Daniel 11:23

Inona no nataon'ny mpanjaka tsinotsinona rehefa vita ny fihavanana aminy?

Tamin'ny fotoan'ny fihavanana natao niaraka taminy, dia efa mamitaka izy.

Daniel 11:25

Inona niseho rehea nanangana ady hanoitra ny mpanjakan'ny Atsimo ilay mpanjaka mpamitaka?

Afaka nitsangana hanoitra ilay mpanjaka mpamiteka ny mpanjakan'ny Atsimo noho ireo nikonokonona hanoitra azy.

Nahoana ny mpanjakan'ny Avaratra sy ny mpanjakan'ny Atsimo no nipetraka tamin'ny latabatra iray ary ifandainga eo amin'ny samy izy?

Hifampandainga eo amin'ny samy izy ireo satria mikasa ny hanao ratry hanoitra ny hafa ireo fon'ireo izy ireo.

Daniel 11:28

Inona no toerin'ny fon'ny mpanjakan'ny Avaratra?

Manohitra ny fanekena masina ny fony.

Daniel 11:29

Ahoana no ahitana ny hatezeran'ny mpanjakan'ny Avaratra hanoitra ny fanekena masina?

Mahita ny hatezerany manohitra ny fanekena masina amin'ny fanehoana sitraka izay mahafoy ny fanekena masina ny mpanjakan'ny Avaratra.

Daniel 11:33

Inona no nanjo ny hendry?

Ho lavon-tsabatra sy ny lela afo ny hendry amin'ireo andro ireo, ho babo ary ho voaroba ireo fananan'izy ireo. Rehefa babo izy ireo dia hahazo fanampiana kely.

Daniel 11:36

Ambonin'iza no nanandratan'ny mpanjakan'ny Avaratra mpamitaka ny tenany?

Nanandratra sy nanatsara ny tenany ho ambon'ny andriamanitra rehetra izy, anisan'izany ny Andriamanitr'ireo andriamanitra, ireo andriamanitr'ireo razambeny, ary ny andriamanitra notsiriritin'ny vehivavy.

Daniel 11:38

Inona no nataon'ity mpanjakan'ny Avatra mpamitaka ity amin'ireo izay manaiky azy?

Hanome voninahitra ireo izay manaiky azy izy. Hanao azy ireo ho mpanapaka eo amin'ireo vahoaka maro be ireo izy.

Daniel 11:40

Inona no niseho rehefa tonga tao amin'ny tany lehibe ny mpanjakan'ny Avaratra tamin'ny fotoana farany?

Tamin'izany fotoana izany dia ho tafintohina sy hianjera ireo an'alinalin'ireo Israelita.

Iza ireo tafandositra teo an-tanan'ny mpanjakan'ny Avaratra,

Maro amin'ny Edoma sy Moaba, ary irao nanaraka ny vahoakan'i Amona no tafandositra teo an-tanany.

Daniel 11:42

Iza avy ireo tanàna izay hanitaran'ny mpanjakan'ny Avaratra ny fahefany?

Hanitatra ny fahefany eo amin'ny Egypta, ireo Libiana, ary ireo Etiopiana ity mpanjakan'ny Avaratra ity.

Daniel 11:44

Inona no ho ataon'ny mpanjakan'ny Avaratra rehefa nampihorohoro azy ny tatitra avy any atsinanana sy avaratra?

Hivoaka am-pahatezerana izy ary handravarava ny maro mba ho ringana.

Taiza no ametrahana ireo trano-lain'ny fonenan'ny mpanjakan'ny Avaratra?

Hametraka ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany eo anelanelan'ny ranomasina, ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana izy.

Iza no hanampy ny mpanjakan'ny Avaratra amin'ny farany?

Tonga ny fiafaran'ny mpanjakan'ny Avaratra ary tsy misy na dia iray aza hanampy azy teo.

Daniel 12

Daniel 12:1

Iza ireo miambina ny vahoakan'i Daniela?

Mikaela, ilay andriandahy lehibe izay miambina ny vahoakan'i Daniela.

Ahoana no nanoratana ny fotoan'ny fahoriana teto?

Fotoan'ny fahoriana izay tsy mbola nisy hatramin'ny niandohan'ny firenena hatramin'izany andro izany ity.

Iza no voavonjy amin'izany fotoana izany?

Ho voavonjy daholo ny vahoakan'i Daniela, ireo izay rehetra hita fa voasoratra ao amin'ny boky ny anarany amin'izany fotoana izany.

Inona no hanjo ireo izay mandry amin'ny vovoky ny tany?

Ny sasany amin'ireo izay matory amin'ny vovoka amin'ny tany dia hitsangana ary ny sasany ho amin'ny fahamenarana sy fanamavoana mandrakizay.

Daniel 12:3

Inona no hanjo ireo izay hendry ary ireo maro izay miverina amin'ny fahamarinana?

Ireo izay hendry dia hamiratra toy ny hadzavan'ny lanitra ambony, ary ireo maro miverina amin'ny fahamarinana ho tahaka ireo kintana mandrakizay doria.

Hafiriana no nilazan'i Daniela ny hitehirizana ny boky voaisy tombokase?

Nilaza ny hitahiry ny boky voaisy tombokase mandra-pahatonga ny fotoanan'ny farany.

Daniel 12:7

Ahoana no nilazan'ilay lehilahy miakanjo rongony fa tokony hatramin'ny farany ny ahatanterahan'izany rehetra izany?

Ilay lehilahy miakanjo rongony dia nilaza fa ho fotoana fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana izany. Rehefa nopotehina ihany ny herin'ny olona masina, dia ho tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra ireo.

Daniel 12:8

Inona no hevitra nomen'ilay lehilahy niakanjo rongony rehefa tsy azon'i Daniela izay nolazainy azy?

Niteny tamin'i Daniela ilay lehilahy niakanjo rongony fa: "Mandehana amin'ny lalanao, ry Daniela, fa ny teny dia efa voahorona sy voaisy tombokase mandra-pahatongan'ilay fotoana farany.

Daniel 12:10

Tamin'ny fotoana farany, iza no hanao ary iza no tsy te ahatakatra ireo tenin'ny faminaniana?

Tsy nisy tamin'ny ratsy fanahy no nmahatakatra, fa ireo izay hendry kosa no ahatakatra.

Hafiriana ny fotoana hampitsaharana ny fanatitra dorana izay mahazatra ary ny fahavetavetana izay mitondra ny fandravana tanteraka?

1.290 andro eo anelanelan'ireo tranga roa ireo izany.

Daniel 12:12

Amin'izany fotoana izany, iza no notenenin'ilay lehlahy niakanjo rongony fa voatahy?

Nilaza ilay lehilahy niakanjo rongony fa: "Boatahy ilay iray izay miandry hatramin'ny faran'ny 1.335 andro."

lnona no notenin'ilay lehilahy niakanjo rongony fa tokony hiseho amin'i Daniela?

Nilaza izy fa tokony hitsahatra sy tokony hitsangana eo amin'ny toerana voatondro ho anao ianao, amin'ireo andro farany.