Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 Corinthians 1

2 Corinthians 1:1

Iza no nanoratra an'ity epistily ity?

Paoly sy Timoty no nanoratra ny epistily.

Ho an'iza no nanoratana ny epistily?

Nosoratana ho an'ny fiangonan'Andriamanitra izay tany Korinto izay sy ho an'ireo mpino rehetra manerana ny faritr'i Akaia.

2 Corinthians 1:3

Ahoana no amaritan'i Paoly an'Andriamanitra?

Paoly dia mamaritra an'Andriamanitra ho rain'I Jesosy Kristy Tompontsika, rain'ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fampiononana rehetra.

Nahoana Andriamanitra no mampionona antsika amin'ny fahoriantsika?

Mampionona antsika Izy mba hahafahantsika mampionona ireo izay ao anatin'ny fahoriana, tahaka ny fampiononana izay nampiasain' Andriamanitra ampiononana antsika.

2 Corinthians 1:8

Inona ireo olana nahazo an'i Paoly sy ny mpiara-mitory taminy tany Asia?

Novesarina tanteraka mihoatran'izay tokony ho entiny izy ireo. Nohelohina ho faty izy ireo.

Inona no anton'ny nanamelohana an'i Paoly sy ny mpiara-mitory aminy ho faty?

Ny fanamelohana ho faty dia nahatonga azy ireo tsy hametraka ny fatokian'izy ireo amin'ny tenan'izy ireo, fa kosa hatoky an'Andriamanitra.

2 Corinthians 1:11

Ahoana no nilazan'i Paoly fa afaka manampy azy ireo ny Korintiana?

Paoly dia nilaza fa afaka manampy azy ireo amin'ny alalan'ny vavak'izy ireo ny fiangonana Korintiana.

2 Corinthians 1:12

Amin'ny inona no nolazain'i Paoly fa ireharehan'izy sy ny mpiara-mitory aminy?

Izy ireo dia mirehareha amin'ny fijoroana vavolombelona ny amin'ny feon'ny fieritreretan'izy ireo, izay nitondra ny tenan'izy ireo ho amin'izao tontolo izao—ary indrindra tamin'ny fifanarahana tamin'ny fiangonana Korintiana—niaraka tamin'ny fahamasinana sy fahatsoram-po izay avy amin'Andriamanitra, fa tsy araka ny fahendren'izao tontolo izao fa amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Inona no natokisan'i Paoly fa hitranga amin'ny andron'ny Tompontsika Jesosy?

Natoky izy fa amin'izany andro izany Paoly sy ny mpiara-mitory aminy dia ho anton'ny fireharehan'ireo mpino Korinto.

2 Corinthians 1:15

Impiry Paoly no nikasa ny hitsidika an'ireo mpino Korintiana?

Indroa izy no nikasa ny hitsidika azy ireo.

2 Corinthians 1:21

Inona no antony nanomezan'i Kristy antsika ny Fanahy ho ao am-pontsika?

Nanome antsika ny Fanahy Izy ho antok'izay mbola ho omeny ao aoriana.

2 Corinthians 1:23

Nahoana Paoly no tsy tonga tao Korinto?

Tsy tonga tao Korinto izy mba hamindrany fo azy ireo.

Inona no nolazain'i Paoly fa nataony sy tsy nataon'izy sy Timoty tamin'ny fiangonana Korintiana?

Nilaza Paoly fa izy ireo dia tsy niezaka hifehy izay tokony ho finoan'izy ireo, fa niara-niasa tamin'ny fiangonana Korintiana tamin'ny fifalian'izy ireo.

2 Corinthians 2

2 Corinthians 2:1

Inona no zavatra nialan'i Paoly tamin'ny tsy fandehanana tany amin'ilay fiangonana Korintiana?

Tsy nanatona an'ilay fiangonana Kristiana Paoly amin'ireo fotoam-pangirifiriana.

2 Corinthians 2:3

Nahoana Paoly no nanoratra tahaka ny nataony tamin'ny epistily teo aloha ho an'ny fiangonana Korintiana?

Nanoratra toy ny nataony izy mba tsy ho voaratran'ireo izay tokony nampifaly azy izy rehefa tonga any amin'izy ireo.

Tamin'i Paoly nanoratra ho an'ireo Korintiana teo aloha dia toy ny ahoana ny fihetseham-pony?

Tao anatin'ny fahoriana lehibe sy fangirifirian'ny fo izy.

Nahoana Paoly no nanoratra an'ity taratasy ity ho an'ny fiangonana Korintiana?

Nanoratra ity izy mba hahafantaran'izy ireo ny alalin'ny fitiavana izay ananany ho azy ireo.

2 Corinthians 2:5

Inona no nolazain'i Paoly fa tokony ataon'ireo mpino Korintiana ankehitriny ho an'ilay nosazian'izy ireo?

Nilaza Paoly fa tokony hamela sy hampionona izany olona izany izy ireo.

Nahoana Paoly no nilaza tamin'ireo mpino Korintiana fa tokony hamela sy hampionona an'ilay nosazian'izy ireo?

Izany dia mba tsy handifotra an'ilay voasazy amin'ny alahelo be loatra.

2 Corinthians 2:8

Inona no antony hafa nanoratan'i Paoly ho an'ny fiangonana Korintiana?

Nanoratra ho azy ireo Paoly mba hitsapana azy ireo sy hahitana raha mankatoa amin'ny zavatra rehetra izy ireo.

2 Corinthians 2:10

Nahoana no zava-dehibe ho an'ny fiangonana Korintiana ny mahafantatra fa na iza na iza navelan'izy ireo dia navelan'i Paoly ihany koa sy amin'ny fanatrehan'i Kristy?

Izany dia mba tsy hamitahan'ny Satana azy ireo.

2 Corinthians 2:12

Nahoana Paoly no tsy nanana fiadanan-tsaina rehefa nankany amin'ny tanàn-dehiben'i Troasy?

Tsy nanana fiadanan-tsaina izy satria tsy nahita an'i Titosy sy Troasy rahalahiny.

2 Corinthians 2:14

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy?

Tamin'ny alalan'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no nanaparitahan'Andriamanitra ny hanitra mameroveron'ny fahalalana an'i Kristy na aiza na aiza.

2 Corinthians 2:16

Ahoana no nilazan'i Paoly fa izy sy ireo mpiara-mitory aminy dia tsy mitovy amin'ny olona maro izay nivarotra ny tenin'Andriamanitra mba hahazoana tombony?

Tsy mitovy amin'ireo i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy satria amin'ny fahadiovam-po no hiresahan'izy ireo ao amin'i Kristy, amin'ny maha-voairak'Andriamanitra, eo imason'Andriamanitra.

2 Corinthians 3

2 Corinthians 3:1

Inona no taratasy fanamarinana nananan'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy?

Ireo mpino ao Korinto no taratasy fanamarinan'izy ireo, fantatra sy voavakin'ny olona rehetra.

2 Corinthians 3:4

Inona no toky nananan'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy tamin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy?

Ny tokin'izy ireo dia tsy amin'ny fahaizan'ny tenan'izy ireo manokana fa amin'ny fahamendrehana izay omen'Andriamanitra azy ireo.

Inona no fototry ny fanekena vaovao izay nanaovan'Andriamanitra an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy ho mpanompo?

Ilay fanekena vaovao dia mifototra amin'ny fanahy izay manome aina, fa tsy soratra izay mamono.

2 Corinthians 3:7

Nahoana ny vahoakan'Israely no tsy mijery mivantana ny tavan'i Mosesy?

Tsy mijery mivantana ny tavany izy ireo nohon'ny voninahitry ny tavany, voninahitra izay nihalevona.

2 Corinthians 3:9

Iza no hanana voninahitra bebe kokoa, ny asan'ny fanamelohana sa ny asan'ny fahamarinana?

Ny asan'ny fahamarinana no hitombo bebe kokoa amin'ny voninahitra.

2 Corinthians 3:14

Ahoana no ahafahan'ny sain'Israely hisokatra ary ny voaly esorina amin'ny fon'izy ireo?

Rehefa mitodika amin'ny Tompo Kristy ihany ny sain'izy ireo no misokatra dia esorina ny voaly.

Inona no olana mitoetra amin'izao fotoana ho an'ny olon'Israely na rahoviana na rahovina hamakiana ny fanekena taloha?

Ny olan'izy ireo dia mikatona ny sain'izy ireo ary manarona ny fon'izy ireo ny voaly.

2 Corinthians 3:17

Inona no misy miaraka amin'ny Fanahin'ny Tompo?

Izay misy ny Fanahin'ny Tompo, dia misy fahafahana.

Hiova ho inona ireo rehetra mahita ny voninahitry ny Tompo?

Izy ireo dia hiova ho ao amin'ny voninahitra mitovy izay avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra.

2 Corinthians 4

2 Corinthians 4:1

Nahoana i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no tsy kivy?

Tsy kivy izy ireo nohon'ny asa fanompoana izay nananan'izy ireo ary satria nandray famindram-po.

Inona avy ireo fomba nolavin'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy?

Nolavin'izy ireo ny fomba mahamenatra sy miafina. Tsy niaina tamin'ny fitaka izy ireo ary tsy nampiasa ny tenin'Andriamanitra tamin'ny tsy marina.

Ahoana no nandidian'i Paoly sy ireo mitovy aminy ny tenan'izy ireo amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olona ho eo imason' Andriamanitra?

Nanao izany tamin'ny fanehoana ny marina izy ireo.

2 Corinthians 4:3

Amin'iza no voasarona ny filazantsara?

Izany dia ho voasarona amin'ireo izay maty.

Nahoana ny filazantsara no voasarona amin'ireo izay maty?

Voasarona izany satria ny andriamanitr'izao tontolo izao dia nahajamba ny saina tsy minon'izy ireo ka tsy afaka mahita ny fahazavan'ny filazantsara izy ireo.

2 Corinthians 4:5

Inona no nambaran'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy momban'i Jesosy sy momba ny tenan'izy ireo?

Izy ireo dia nanambara an'i Kristy Jesosy ho Tompo ary ny tenan'izy ireo ho mpanompon'ny fiangonana Korintiana nohon'ny amin'i Jesosy.

2 Corinthians 4:7

Nahoana Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no manana io harena ao anaty tavoara tanimanga io?

Manana io harena ao anaty tavoara tanimanga io izy ireo mba hazava fa ny hery lehibe mihoatra lavitra dia an'Andriamanitra fa tsy azy ireo.

Nahoana Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no mitondra ny fahafatesan'i Jesosy eo amin'ny tenan'izy ireo?

Mitondra ny fahafatesan'i Jesosy eo amin'ny tenany izy ireo mba hiseho eo amin'ny tenan'izy ireo ihany koa ny fiainan'i Jesosy.

2 Corinthians 4:13

Iza no hatsangana sy entina any amin'ilay nanangana ny Tompo Jesosy?

Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy tahaka an'ireo mpino Korintiana dia ho entina any amin'ny fanatrehan'Izy izay nanangana ny Tompo Jesosy.

Inona no hitranga vokatry ny fampielezana fahasoavana tamin'ny olona maro?

Araka ny fahasoavana voaparitaka tamin'ny olona maro, no hitomboan'ny fanomezam-pisaorana ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

2 Corinthians 4:16

Nahoana Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no manana antony tokony hahakivy?

Manana antony tokony hahakivy izy ireo satria malemy ivelany.

Nahoana Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no tsy kivy?

Tsy kivy izy ireo satria havaozina isan'andro isan'andro ny ao anatiny. Ary ihany koa, ny andro mandalon'izy ireo, dia manomana azy ireo ho amin'ny lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakizay izay mihoatra ny fandanjana rehetra ny fahoriana maivana. Ary farany, nijery zavatra tsy hita izay maharitra mandrakizay izy ireo.

2 Corinthians 5

2 Corinthians 5:1

Inona no nolazain'i Paoly fa mbola hananantsika raha rava ny fonenana eto an-tany izay itoerantsika?

Nilaza Paoly fa manana ny trano avy amin' Andriamanitra isika, trano izay tsy nataon'ny tanan'olombelona, fa trano mandrakizay, any an-danitra.

2 Corinthians 5:4

Nahoana i Paoly no nilaza fa misento isika raha mbola ao amin'ity trano-lay ity?

Nilaza izany Paoly satria raha mbola ao amin'ny lay, dia mavesatr'entana sy mila miankanjo isika, ka mba ho atelin'ny fiainana izay mety maty.

Inona no nomen'Andriamanitra antsika atao antoka ny amin'izay ho avy?

Andriamanitra nanome ny fiainana antsika ho antoka amin'izay ho avy.

2 Corinthians 5:6

Moa Paoly te-ho ao amin'ny vatana kokoa, sa ao an-trano miaraka amin'ny Tompo?

Hoy Paoly hoe: "Aleontsika lavitry ny vatana fa ao an-trano miaraka amin'ny Tompo."

2 Corinthians 5:9

Inona no tanjon'i Paoly?

Nataon'i Paoly tanjony ny fanaovana izay mahafinaritra ny Tompo.

Nahoana no nataon'i Paoly tanjony ny fanaovana izay mahafinaritra ny Tompo?

Nataon'i Paoly tanjony izany satria tsy maintsy miseho eo anatrehan'ny seza fitsaran'i Kristy avokoa isika rehetra mba handray izay mifanaraka amin'ireo zava-bita tao amin'ny vatana, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy.

2 Corinthians 5:11

Nahoana Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no nandresy lahatra ny olona?

Nandresy lahatra ny olona izy ireo satria fantatr'izy ireo ny tahotra ny Tompo.

Nilaza Paoly fa tsy mandresy lahatra an'ireo mpino Korintiana indray izy ireo. Inona no ataon'izy ireo?

Izy ireo dia nanome antony hireherehana ho an'ireo mpino Korintiana nohon'ny amin'izy ireo, mba hananan'ireo mpino Korintiana valin-teny ho an'ireo izay mirehareha ny amin'ny endrika ivelany fa tsy ny amin'izay ao am-po.

2 Corinthians 5:13

Satria maty ho an'iny rehetra i Kristy, dia inona no tokony ataon'ireo izay velona?

Tsy tokony ho velona ho an'ny tenan'izy ireo intsony izy ireo, fa ho Azy izay maty ary natsangana.

2 Corinthians 5:16

Araka ny fomba inona no tsy hitsaran'ireo mpino na iza na iza intsony?

Ireo mpino dia tsy mitsara na iza na iza araka ny fomban'olombelona intsony.

Inona no mitranga amin'izay na iza na iza ao amin'i Kristy?

Izy dia olom-baovao. Efa lasa ireo zavatra taloha; ary tonga vaovao izany.

2 Corinthians 5:18

Rehefa mampihavana ny olona amin'ny tenany amin'ny alalan'i Kristy Andriamanitra dia inona no ataony ho azy ireo?

Tsy manisa ny fahotan'izy ireo amin'izy ireo Andriamanitra ary manankina amin'izy ireo ny hafatry ny fampihavanana.

2 Corinthians 5:20

Araka ny voatondro ho mpisolo-tena an'i Kristy, inona no fangatahan'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy tamin'ireo Korintiana?

Ny fangatahan'izy ireo tamin'ireo Korintiana dia ny mba hihavana amin'Andriamanitra nohon'ny amin'i Kristy!

Nahoana Andriamanitra no nanao sorona an'i Kristy ho an'ny fahotantsika?

Nanao izany Andriamanitra mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao amin'i Kristy isika.

2 Corinthians 6

2 Corinthians 6:1

Inona no niangavian'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy mba tsy hatao?

Niangavy an'ireo Korintiana izy ireo mba tsy handray ny fahasoavan'Andriamanitra fahatany.

Rahoviana ny fotoana mety? Rahoviana ny andron'ny famonjena?

Ankehitriny ny fotoana mety. Ankehitriny no andron'ny famonjena.

Nahoana Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy no tsy nametraka vato fanafintohinana teo anoloan'iza na iza?

Tsy nametraka vato fanafintohinana teo anoloan'iza na iza izy ireo, satria tsy tian'izy ireo ho ratsy laza ny asa fanompoan'izy ireo.

2 Corinthians 6:4

Inona no porofoin'ny fihetsik'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy?

Ny fihetsik'izy ireo dia manaporofo fa mpanompon'Andriamanitra izy ireo.

Inona ny sasany amin'ireo zavatra izay hiaretan'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy?

Izy ireo dia miaritra fahoriana, fahaterena, fahasarotana, kapoka, fanagadrana, fikomiana, asa mafy, alina tsy misy torimaso ary hanoanana.

2 Corinthians 6:8

Na dia marina aza Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy, dia inona no hiampangana azy ireo?

Voampanga ho mpamitaka izy ireo.

2 Corinthians 6:11

Inona no fifanakalozana tian'i Paoly atao amin'ireo Korintiana?

Nilaza Paoly fa ny fon'izy ireo dia mivoha midanadana ho an'ireo Korintiana ary ho valiny ara-drariny dia tian'i Paoly ireo mpino Kotintiana mba hanokatra midanadana ny fon'izy ireo ho an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy.

2 Corinthians 6:14

Inona ireo antony nomen'i Paoly fa tokony hamatorana an'ireo mpino Korintiana miaraka amin'ireo tsy mpino?

Nanome ireto antony manaraka ireto i Paoly: Inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Inona no iarahan'ny mazava amin'ny maizina? Inona no mety ho fifanarahana eo amin'i Kristy sy Beliala? Na inona no tokony anjara ananan'ny mpino iray sy amin'ny tsy mpino iray? Inona no fifanarahana misy eo amin'ny tempolin'Andriamanitra sy ny sampy?

2 Corinthians 6:17

Inona no nolazain'ny Tompo fa ho ataony ho an'ireo izay "hivoaka hiala eo amin'izy ireo, ary mitokana, sy tsy mikasika zavatra maloto..."?

Milaza ny Tompo fa handray azy ireo. Ho Ray ho azy ireo Izy ary izy ireo ho zanany lahy sy vavy.

2 Corinthians 7

2 Corinthians 7:1

Amin'ny inona no nolazain'i Paoly fa tokony hanadiovantsika ny tenantsika?

Isika dia tokony hanadio ny tenantsika amin'ny zavatra rehetra izay mampaloto antsika ara-batana sy ara-panahy.

2 Corinthians 7:2

Inona no tian'i Paoly ataon'ireo mpino Korintiana ho azy sy ireo mpiara-dia aminy?

Tian'i Paoly izy ireo mba "Handray azy ireo!"

Inona no teny fampaherezana ananan'i Paoly ho an'ireo mpino Korintiana?

Paoly niteny tamin'ireo mpino Korintiana fa ao am-pony sy ireo mpiara-mitory aminy izy ireo, miara-maty ary miara-velona. Nilaza azy ireo koa Paoly fa manana fahatokisana lehibe amin'izy ireo ary mirehareha nohon'ny amin'izy ireo.

2 Corinthians 7:5

Inona no fampaherezana nomen'Andriamanitra an'i Paoly sy ireo mpiara-monina aminy rehefa tonga tany Makedonia izy ireo ary ory tamin'ny fomba rehetra – ny fifandirana tany ivelany sy ny tahotra tao anaty?

Andriamanitra dia nampahery azy ireo tamin'ny fahatongavan'i Titosy, tamin'ny fitaterana ny fampaherezana izay noraisin'i Titosy avy tamin'ireo mpino Korintiana, ary tamin'ny fitiavana lehiben'ireo Korintiana, ny alahelon'izy ireo sy ny fiahiana lalina an'i Paoly.

2 Corinthians 7:8

Nampaninona an'ireo mpino Korintiana ny taratasin'i Paoly teo aloha?

Valin'ilay taratasy nosoratan'i Paoly teo aloha dia niaina alahelo, fahoriana ao amin'Andriamanitra ireo mpino Korintiana.

Nampaninona an'ireo mpino Korintiana ny fahoriana tao amin'Andriamanitra?

Nitondra fibebahana ho azy ireo ny alahelo.

2 Corinthians 7:11

Nahoana i Paoly no nilaza fa nanoratra ny taratasiny teo aloha ho an'ireo mpino Korintiana?

Paoly dia nilaza fa nanoratra izy mba hampahafantarana ny fahazotoan'ireo mpino Kristiana ho an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy eo anatrehan'Andriamanitra.

2 Corinthians 7:13

Nahoana Titosy no faly?

Faly izy satria velombelona nohon'ny amin'ireo mpino Korintiana rehetra ny fanahiny.

2 Corinthians 7:15

Nahoana ny fitiavan'i Titosy ho an'ireo mpino Korintiana no nihanitombo bebe kokoa?

Nihanitombo bebe kokoa aza ny fitiavan'i Titosy an'ireo mpino Kristiana rehefa nahatsiaro ny fankatoavan'ireo mpino Korintiana rehetra raha nandray azy tamin'ny tahotra sy hovitra.

2 Corinthians 8

2 Corinthians 8:1

Inona no tian'i Paoly ho fantatr'ireo rahalahy sy anabavy Korintiana?

Tian'i Paoly ho fantatr'izy ireo ny momba ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena an'ireo fiangonan'i Makedonia.

Inona no nataon'ireo fiangonan'i Makedonia nandritra ny fitsapana lehibe amin'ny fahoriana, sy ny fara-fahantrana?

Niteraka haren-dehiben'ny falalan-tanana ireo.

2 Corinthians 8:6

Inona no nampirisihan'i Paoly an'i Titosy mba atao?

Nampirisihan'i Paoly i Titosy mba hanatanteraka ity hetsika fahasoavana ity eo amin'ireo mpino Korintiana.

Tamin'ny inona ihany koa no nampanan-karena an'ireo mpino Korintiana?

Izy ireo dia nanan-karena finoana, teny, fahalalana, fahazotoana, ary tamin'ny fitiavan'izy ireo an'i Paoly.

2 Corinthians 8:10

Inona no nolazain'i Paoly fa zavatra tsara sy azo ekena?

Paoly dia nilaza fa zavatra tsara sy azo ekena ho an'ireo mpino Korintiana ny fananana faniriana mafy hanao izany asa izany.

2 Corinthians 8:13

Tian'i Paoly ho vita ve ity asa ity mba hanamaivana ireo hafa ary hanavesatra ireo mpino Korintiana?

Tsia. Nilaza Paoly fa ny harenan'ireo Korintiana amin'izao fotoana izao dia hanome izay ilain'izy ireo (ireo mpino hafa). Ary ihany koa mba hanome izay ilain'ireo mpino Korintiana ny haren'izy ireo, ka mba hisy rariny.

2 Corinthians 8:16

Inona no nataon'i Titosy taorian'Andriamanitra nametraka tao am-pony ny fahazotoana hiahy tahaka ny nananan'i Paoly ho an'ireo mpino Kristiana?

Nanaiky ny antson'i Paoly i Titosy, ary nazoto tamin'izany, ary nanatona an'ireo mpino Korintiana tamin'ny sitrapony manokana izy.

2 Corinthians 8:20

Inona no nitandreman'i Paoly tamin'ny fihetsiny mahakasika ity asa falalan-tanana ity?

Paoly dia nitandrina ny amin'ny fanomezana antony ho an'ny olona mety hitarainana momba ny asany.

2 Corinthians 8:22

Inona no nasain'i Paoly ataon'ireo mpino Korintiana mahakasika an'ireo rahalahy izay nirahina teo amin'izy ireo avy amin'ireo fiangonana hafa?

Paoly dia niteny ny fiangonana Korintiana mba hampiseho amin'izy ireo ny fitiavan'izy ireo, ary mba hampiseho azy ireo ny antony nireharehan'i Paoly momba ny fiangonana Korintiana teo amin'ireo fiangonana hafa.

2 Corinthians 9

2 Corinthians 9:1

Momban'ny inona no nolazain'i Paoly fa tsy ilaina fanoratana ho an'ireo mpino Korintiana?

Paoly dia nilaza fa tsy ilaina ny manoratra ho azy ireo mahakasika ny asa fanompoana ho an'ireo mpino.

2 Corinthians 9:3

Nahoana Paoly no naniraka an'ireo rahalahy ho any Korinto?

Naniraka an'ireo rahalahy izy mba tsy ho zava-poana ny fireharehany momban'ireo mpino Korintiana, ary mba ho vonona ireo mpino Korintiana, araka ny nolazain'i Paoly.

Nahoana Paoly no nieritreritra fa ilaina ny mampirisika an'ireo rahalahy handeha ho any amin'ireo mpino Korintiana ary hanao fifanarahana mialoha ny amin'ny fanomezana efa nampanantenain'ireo Korintiana?

Nieritreritra Paoly hoe ilaina izany mba tsy hahamenatra an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy raha toa ka misy Makedoniana tonga miaraka amin'i Paoly ary hahita ny tsy fahavononan'ireo Korintiana. Tian'i Paoly ho vonona miaraka amin'ilay fanomezana izay omena maimaimpoana ireo Korintiana fa tsy hoe terena hanome izany ireo Korintiana.

2 Corinthians 9:6

Inona no nolazain'i Paoly fa tanjon'ny fanomezan'izy ireo?

Hoy Paoly hoe ity no tanjona: "Izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be ihany koa."

Ahoana no tokony hanomezan'ny tsirairay?

Ny tsirairay dia hanome araka izay efa norafetiny tao am-pony— fa tsy faneriterena na hampahory rehefa manolotra izy.

2 Corinthians 9:10

Inona no ataon'ilay iray izay mamatsy voa ho an'ireo mpijinja sy mofo ho an'ny sakafo ho an'ireo mpino Korintiana?

Izany iray izany dia mamatsy sy mampitombo ny voan'izy ireo ho amin'ny famafazana ary mampitombo ny vokatry ny fahamarinana. Hahazo harena amin'ny fomba rehetra izy ireo mba hahatonga azy ireo halala-tanana.

2 Corinthians 9:12

Ahoana no hanomezan'ireo mpino voninahitra an'Andriamanitra?

Manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fankatoavana ny fibabohan'izy ireo amin'ny filazantsaran'i Kristy, sy ny fahalalan-tanana amin'ny fanomezan'izy ireo.

Nahoana ireo mpino no naniry ny mpino tany Korinto rehefa nivavaka ho azy ireo?

Izy ireo dia naniry azy ireo nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra lehibe tafahoatra izay teo amin'ireo Korintiana.

2 Corinthians 10

2 Corinthians 10:1

Inona no niangavian'i Paoly an'ireo mpino Korintiana?

Niangavy azy ireo Paoly mba rehefa manatrika eo amin'izy ireo izy, dia tsy voatery ho sahy amin'ny fahatokisan-tena.

Amin'ny fotoana inona no eritreretin'i Paoly fa mila fahasahiana amin'ny fahatokisan-tena?

Nieritreritra i Paoly fa mila sahy amin'ny fahatokisan-tena izy rehefa manohitra an'ireo izay mihevitra fa miaina araka ny nofo Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy.

2 Corinthians 10:3

Rehefa niady Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy, dia inona no fitaovam-piadiana tsy nampiasain'izy ireo?

Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy dia tsy nampiasa fiadiana ara-nofo rehefa niady.

Inona no hery ananan'ny fiadiana nampiasain'i Paoly?

Ny fiadiana nampiasain'i Paoly dia manana hery avy any an-danitra mba hamotehana ny fanahy ratsy.

2 Corinthians 10:7

Nohon'ny antony inona no nanomezan'ny Tompo fahefana an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy?

Nanome fahefana an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy ny Tompo mba hanangana an'ireo mpino Korintiana fa tsy haandrava azy ireo.

2 Corinthians 10:9

Inona no nolazain'ny olona sasany momba an'i Paoly sy ny taratasiny?

Ny olona sasany dia milaza fa matotra sy mafonja ny taratasin'i Paoly, fa malemy ara-batana izy ary tsy mendrika ho henoina ny teniny.

2 Corinthians 10:11

Inona no nolazain'i Paoly tamin'ireo izay nieritreritra fa tena samy hafa tokoa tamin'izay nasehon'ny taratasiny izy?

Nilaza Paoly fa izay nolazainy tamin'ny taratasy tamin'izy lavitra dia mitovy amin'izay ho ataony rehefa eo miaraka amin'ireo mpino Korintiana izy.

Inona no nataon'ireo izay nidoka ny tenan'izy ireo mba hampisehoana fa tsy malina izy ireo?

Nampiseho tsy fahamalinana izy ireo satria nandrefy ny tenan'izy ireo tamin'ny hafa ary nampitaha ny tenan'izy ireo tamin'ny hafa.

2 Corinthians 10:13

Inona no fetran'ny fireharehan'i Paoly?

Nilaza Paoly fa ny fireharehan'izy ireo dia hijanona ao amin'ny faritra izay nanendren'Andriamanitra azy ireo, na dia tonga lavitra hatrany amin'ireo Korintiana aza. Nilaza Paoly fa tsy hirehareha momba ny asan'ny sasany, momba ny asa efa vita tany amin'ny faritra hafa izy ireo.

2 Corinthians 10:15

Inona no fetran'ny fireharehan'i Paoly?

Nilaza Paoly fa ny fireharehan'izy ireo dia hijanona ao amin'ny faritra izay nanendren'Andriamanitra azy ireo, na dia tonga lavitra hatrany amin'ireo Korintiana aza. Nilaza i Paoly fa tsy hirehareha momba ny asan'ny sasany, momba ny asa efa vita tany amin'ny faritra hafa izy ireo.

2 Corinthians 10:17

Iza ilay irey izay ankatoavina?

Izay baikoin'ny Tompo no ankatoavina.

2 Corinthians 11

2 Corinthians 11:1

Nahoana Paoly no nanana fahasarotam-piaro araka an'Andriamanitra amin'ireo mpino Korintiana?

Nanana fahasarotam-piaro ho azy ireo izy satria nampanantena azy ireo ny fanambadiana ho an'ny vady iray, ny hanolotra azy ireo virjiny madio ho an'i Kristy.

2 Corinthians 11:3

Inona no natahoran'i Paoly mahakasika an'ireo mpino Korintiana?

Paoly dia natahotra sao ny eritreritr'izy ireo mety hiala amin'ny fanoloran-tena amin-kitsim-po sy madio amin'i Kristy.

2 Corinthians 11:7

Ahoana no nitorian'i Paoly ny filazantsara tamin'ireo Korintiana?

Nitory ny filazantsara maimaimpoana tamin'ireo Korintiana i Paoly.

Ahoana no "nandroban'i Paoly" an'ireo fiangonana hafa?

Izy dia "nandroba" ireo tamin'ny alalan'ny fanekena fanohanana avy amin'izy ireo mba afahany manompo an'ireo Korintiana.

2 Corinthians 11:12

Ahoana no hamaritan'i Paoly an'ireo izay maniry ho hita mitovy amin'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy amin'ireo zavatra izay hireharehan'izy ireo?

Paoly dia mamaritra ny olona tahaka izany ho apostoly sandoka, mpiasa mamitaka, manao sarintsarin'ny tenany tahaka ny apostolin'i Kristy.

2 Corinthians 11:14

Ahoana no anehoan'ny Satana ny tenany?

Maneho ny tenany tahaka ny anjelin'ny fahazavana izy.

2 Corinthians 11:16

Nahoana Paoly no nangataka tamin'ireo mpino Korintiana mba handray azy toy ny adala?

Nangataka azy ireo mba handray azy toy ny adala Paoly mba afahany mirehareha kely.

2 Corinthians 11:19

Iza no nolazain'i Paoly fa neken'ireo mpino Korintiana am-pifaliana?

Nilaza Paoly fa nanaiky am-pifaliana ireo adala izy ireo, ny olona izay manandevo azy ireo, ny olona miteraka fisarahana eo amin'izy ireo, ny olona izay manararoatra azy ireo, na ny olona izay mamely tehamaina azy ireo.

2 Corinthians 11:22

Inona no hireharehan'i Paoly amin'ny fampitahana ny tenany amin'ireo izay maniry ny hitovy aminy amin'ny zavatra nireharehan'izy ireo?

Paoly dia nirehareha fa Hebreo izy, Israelita ary taranak'i Abrahama tahaka an'ireo izay nilaza ho mitovy amin'i Paoly. Nilaza Paoly fa mpanompon'i Kristy bebe kokoa noho izy ireo izy– eny fa na amin'ny asa mafy aza, any am- ponja mihoatra lavitra, tamin'ny kapoka mihoatra ny fefy, tamin'ny fiatrehana loza maro mahafaty.

2 Corinthians 11:27

Arakana ny filazan'i Paoly, inona no nahatonga azy hirehitra anaty?

Ny olona mahatonga ny hafa ho latsaka anatin'ny fahotana no nahatonga an'i Paoly hirehitra anaty.

2 Corinthians 11:30

Inona no nolazain'i Paoly fa hireharehany, raha mila mirehareha izy?

Nilaza Paoly fa hirehareha momba izay nampiseho ny fahalemeny izy.

2 Corinthians 11:32

Inona ny sasany amin'ireo loza miavaka niaretan'i Paoly?

Paoly dia nahazo "kapoka efapolo latsaka iray" Indimy. Intelo izy no nokapohina tamin'ny hazo. Indray izy no notoraham-bato. Intelo izy no vaky sambo. Nandany iray alina sy iray andro teny an-dranomasina izy. Nandeha matetika izy, tamin'ny lozan'ny ony, tamin'ny lozan'ireo mpandroba, tamin'ny lozan'ny olony manokana, tamin'ny lozan'ireo Jentilisa. Tandindonin-doza izy tany amin'ny tanàna, tany an'efitra, tamin'ny loza tany an-dranomasina, ary tamin'ireo rahalahy sandoka. Paoly ihany koa dia tandindonin-doza amin'ny governoran'i Damaskosy.

2 Corinthians 12

2 Corinthians 12:1

Momba ny inona no nolazain'i Paoly fa hireharehany ankehitriny?

Nilaza Paoly fa handeha hirehareha momban'ny fahitana sy fanambarana avy amin'ny Tompo izy.

Inona no nitranga tamin'ilay lehilahy tao amin'i Kristy efa efatra ambin'ny folo taona lasa?

Nalaina hiakatra tany amin'ny lanitra faha-telo izy.

2 Corinthians 12:6

Nahoana Paoly no nilaza fa tsy adala izany raha nirehareha izy?

Nilaza Paoly fa tsy maha-adala aminy ny fireharehana satria milaza ny marina izy.

Inona no nitranga tamin'i Paoly mba hifehy azy tsy hirehareha loatra?

Nasiana tsilo ny nofony, ny mpitondra hafatr'i Satana mba hanakorontana azy.

2 Corinthians 12:8

Inona no nolazain'ny Tompo an'i Paoly taorian'i Paoly nangataka ny Tompo mba hanala ny tsilo amin'ny nofony?

Hoy ny Tompo tamin'i Paoly hoe: "Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny hery dia natao ho lafatra ao amin'ny fahalemena."

Nahoana Paoly no nilaza fa tsara kokoa ny mirehareha momban'ny fahalemeny?

Nilaza Paoly fa tsara kokoa izany mba hitoeran'ny herin'i Kristy ao aminy.

2 Corinthians 12:11

Inona no natao teo amin'ireo Korintiana tamin'ny faharetana tanteraka?

Famantarana sy fahagagana ary asa mahery, ireo famantarana marina ny maha Apostoly, no notanterahina teo amin'izy ireo tamin'ny faharetana tanteraka.

2 Corinthians 12:14

Nahoana i Paoly no niteny tamin'ireo Korintiana fa tsy ho vesatra ho azy ireo izy?

Nilaza izany tamin'izy ireo i Paoly mba hampisehoana azy ireo fa tsy nila izay azy ireo izy. Izy ireo no tadiaviny.

Inona no nolazain'i Paoly fa ho ataony am-pifaliana ho an'ireo mpino Korintiana?

Nilaza Paoly fa faly tanteraka handany sy ho laniana ho an'ny fanahin'izy ireo.

2 Corinthians 12:19

Inona no tanjona nilazan'i Paoly an'ireo zavatra rehetra ireo tamin'ireo mpino Korintiana?

Nilaza ireo zavatra rehetra ireo Paoly mba hanorenana an'ireo mpino Korintiana.

2 Corinthians 12:20

Inona no natahoran'i Paoly hoe mety ho hitany rehefa miverina any amin'ireo mpino Korintiana izy?

Natahotra Paoly sao hisy fifandirana, fialonana, firehetan'ny hatezerana, fikasana amin'ny fitiavan-tena, fifosana, fieboeboana, ary fikorontanana eo amin'izy ireo.

Inona no natahoran'i Paoly hoe mety ho ataon'Andriamanitra aminy?

Paoly dia natahotra fandrao Andriamanitra hanetry an'i Paoly eo anatrehan'ireo mpino Korintiana.

Nohon'ny antony inona no nieritreretan'i Paoly fa mety halahelovany amin'ireo mpino Korintiana maro izay nanota teo aloha?

Natahotra Paoly fandrao izy ireo tsy nibebaka tamin'ny fahalotoana sy fijangajangana ary fijejojejoana izay nataon'izy ireo teo aloha.

2 Corinthians 13

2 Corinthians 13:1

Impiry izay no nandalovan'i Paoly tany amin'ireo mpino Korintiana tamin'ny fotoana nanoratana ny 2 Korintiana?

Fanintelony izao no nahatongavan'i Paoly tany amin'izy ireo tamin'ny fotoana nanoratana ny 2 Korintiana.

2 Corinthians 13:3

Nahoana Paoly no nilaza tamin'ireo mpino Korintiana izay nanota sy ny sisa rehetra fa raha tonga indray izy dia hanaparitaka azy ireo?

Nilaza izany tamin'izy ireo Paoly satria ireo mpino Korintiana dia nitady porofo fa niteny tamin'ny alalan'i Paoly i Kristy.

2 Corinthians 13:5

Amin'ny inona no nilazan'i Paoly an'ireo mpino Korintiana mba dinihana sy tsapain'izy ireo?

Paoly dia nilaza azy ireo mba handinika sy hitsapa ny tenan'izy ireo raha amin'ny finoana izy ireo.

Inona no nahatokisan'i Paoly fa ho hitan'ireo mpino Korintiana mahakasika an'i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy?

Nahatoky Paoly fa ho hitan'ireo mpino Korintiana hoe nekena izy ireo.

2 Corinthians 13:7

Inona no nolazain'i Paoly fa tsy vitany sy ireo mpiara-mitory aminy?

Nilaza Paoly fa tsy vitan'izy ireo ny manao na inona na inona manohitra ny fahamarinana.

2 Corinthians 13:9

Nahoana Paoly no nanoratra an'ireo zavatra ireo tamin'ireo mpino Korintiana tamin'izy lavitra azy ireo?

Nanao izany Paoly mba rehefa eo amin'izy ireo Paoly, dia tsy voatery mitondra azy ireo an-kahatezerana.

Ahoana no itiavan'i Paoly hampiasana ny fahefana izay nomen'ny Tompo azy manoloana ireo mpino Korintiana?

Ny fahefan'i Paoly dia tiany ampiasaina hanorenana an'ireo mpino Korintiana fa tsy hanimbana azy ireo.

2 Corinthians 13:11

Ho famaranana, inona no tian'i Paoly hataon'ireo Kotintiana?

Tian'i Paoly hifaly, hiasa ho amin'ny famerenana amin'ny laoniny, hifanaiky, hiaina am-piadanana, ary hifampiarahaba amin'ny fanorohana masina izy ireo.

2 Corinthians 13:13

Inona no tian'i Paoly ananan'ireo mpino Korintiana eny amin'izy ireo?

Tian'i Paoly izy ireo mba hanana ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan'Andriamanitra, sy ny fiombonan'ny Fanahy Masina.