Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Haggai 1

Haggai 1:1

Oviana ny tenin'i Yaveh no tonga tamin'ny alalan'ny tanan'i Hagay mpaminany?

Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny fahenin'ny volana, tamin'ny andro voalohan'ny volana no tonga ny teny.

Tonga tamin'izy ny tenin'i Yaveh?

Tonga teo amin'i Zerobabela governoran'i Joda ary teo amin'i Josoa mpisoronabe ny teny.

Haggai 1:3

Toy ny ahoana no toetoetry ny tranon'i Yaveh raha nonina tao amin'ny tranon'izy ireo efa vita ny olona?

Mbola rava ny tranon'i Yaveh.

Na dia namafy voa marobe aza ny olona ary nitady betsaka, nahoana i Yaveh no nifaoka izany ary nitondra hain-tany teo amin'ny asan'ny tanan'izy ireo?

Nifaoka izany Yaveh ary nitondra hain-tany satria mbola tao anatin'ny faharavana ny tranon'i Yaveh raha nahazo fahafinaretana tao an-tranony manokana kosa ny olona.

Haggai 1:7

Inona no nandidian'i Yaveh hataon'ny olona?

Nandidy azy ireo hanorina ny tranony Yaveh mba hisitrahany amin'izany ka hanomezam-boninahitra azy.

Haggai 1:12

Ahoana no nasetrin'i Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, sy i Josoa mpisoronabe, miaraka amin'ireo olona sisa tavela ny feon'i Yaveh sy ny tenin'i Hagay mpaminany, izay nirahin'i Yaveh?

Nankatoa ny feon'i Yaveh sy ny tenin'i Hagay izy ieo ary natahotra ny tavan'i Yaveh.

Ahoana no nasetrin'i Yaveh ny fankatoavan'ny olona?

Nandefa hafatra tamin'ny alalan'i Hagay irany Izy mba hilaza amin'izy ireo hoe: "Miaraka aminareo Aho!"

Haggai 1:14

Oviana Yaveh no nanetsika ny fanahin'i Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, governoran'i Joda, sy ny fanahin'i Josoa mpisoronabe ary ny fanahin'ireo vahoaka sisa tavela rehetra mba handeha hiasa amin'ny tranon'i Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'izy ireo?

Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahenina, tamin'ny faharoa taona nanjakan'i Dariosa mpanjaka no nanetsehany azy ireo.

Haggai 2

Haggai 2:1

Oviana no tonga tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh?

Tamin'ny volana fahafito tamin'ny andro fahiraika amby roapolon'ny volana no tonga ny teny.

Haggai 2:3

Na dia toa tsinontsinona teo imason'ireo izay efa nahita izany tao amin'ny voninahiny taloha aza ny tranon'i Yaveh, nahoana Yaveh no nanambara fa tokony hatanjaka ary hiasa i Zerobabela mpisoronabe, sy ny vahoaka?

Nanamabara Yaveh fa tokony hatanjaka ka hiasa izy ireo satria nomba azy ireo Izy?

Inona no tsy tokony nataon'i Zerobabela, sy Josoa, sy ny vahoaka araka ny fanekena naorin'i Yaveh?

Tsy tokony hatahotra izy ireo.

Haggai 2:6

Rehefa hanozongozona ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy ny tany sy ny firenena rehetra Yaveh, ary hitondra ireo zava-tsarobidiny eo aminy izy ireo, dia inona no hataon'i Yaveh?

Ho fenoin'i Yaveh amin'ny voninahitra ny trano ary homeny fiadanana ny fitoeran'ilay trano.

Haggai 2:10

Araka ny hevitr'ireo mpisorona, raha misy valonan'ankanjon'olona izay nitondrana hena masina mikasika sakafo hafa, dia lasa masina ve ilay sakafo hafa?

Araka ny hevitr'ireo mpisorona, ny sakafo izay voakasiky ny valonan'akanjon'olona iray izay nitondrana hena masina dia tsy lasa masina.

Haggai 2:13

Araka ny hevitr'ireo mpisorona, raha misy olona maloto nohon'ny fahafatesaka mikasika sakafo, dia lasa maloto ve ilay sakafo?

Araka ny hevitr'ireo mpisorona, ny sakafo izay voakasiky ny olona maloto nohon'ny fahafatesana dia maloto ihany koa.

Toy ny inona no fanatitry ny vahoaka sy ny firenena teo anatrehan'i Yaveh?

Naloto tahaka ny sakafo izay nokasihan'ny olona maloton'ny faty ireo.

Haggai 2:15

Nialohan'ny nametrahana ny vato ambonin'ny vato tao an-tempolin'i Yaveh, dia inona no nitranga?

Raha antontam-bary roapolo fatra no nilaina, dia folo ihany no nisy, ary raha fatran-divay dimampolo no nilaina, dia roapolo ihany no nisy, ary nampahorian'i Yaveh ny vahoaka sy ny asan'izy ireo.

Rehefa nampahory ny vahoaka Yaveh mialohan'ny nanaingenana vato teo amin'ny iray hafa tao an-tempolin'i Yaveh, niverina taminy ve ny olona?

Tsia, tsy niverina tamin'i Yaveh ny olona.

Haggai 2:18

Inona no tokony noheverin'ny olona hatramin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy mankany, hatramin'ny andro izay nametrahana ny fototry ny tempolin'i Yaveh?

Tokony hihevitra izy ireo fa tsy nisy masim-boly tao amin'ny trano fitehirizana, ary ny voaloboka, ny aviavy, ny ampongaben-danitra, ary ny oliva dia mbola tsy namoa.

Inona no nampanantenain'i Yaveh fa hitranga manomboka amin'izany andro izany mankany?

Nampanantena Yaveh fa hitahy azy ireo manomboka amin'izay andro izany.

Haggai 2:23

Nahoana i Zerobabela no hataon'i Yaveh toy ny peratra fanombohan-kase?

Hataon'i Yaveh toy ny peratra fanombohan-kase izy satria nofidian'i Yaveh.