Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Nahum 1

Nahum 1:2

Amin'inona no fahafenoan'i Yaveh?

Yaveh dia feno fahatezerana.

Amin'iza Yaveh no anao valy faty?

Yaveh dia anao valy faty amin'ireo mpifanandrina aminy.

Aiza no anaovan'i Yaveh ny lalany?

Hanao ny lalany ao amin'ny tafio-drivotra Yaveh.

Nahum 1:4

Inona no mitranga amin'ny voninkazon'i Libanaona?

Ny voninkazon'i Libanaona dia malazo

Inona no mitranga amin'ny tany ao amin'ny fanatrehan'i Yaveh?

Mirodana amin'ny fanatrehan'i Yaveh ny tany.

Nahum 1:7

Amin'inona no afahantsika mampitaha an'i Yaveh amin'ny andro fahoriana?

Yaveh dia fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana.

Ao amin'inona no hanenjehan'i Yaveh ireo fahavalo?

Yaveh dia hanenjika ireo fahavalony ao amin'ny haizina.

Nahum 1:12

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'ny ziogan'ny olona?

Handrava ny ziogan'ny olona avy amin'izy ireo Izy.

Nahum 1:14

Nahoana Yaveh no namakafaka ny fasana ho an'ny olon'i Nineve?

Hamakafaka ny ny fasan'izy ireo Izy, satria ratsy fanahy izy ireo.

Nahum 1:15

Aiza ny tongony no hitondra ireo vaovao mahafaly?

Eny an-tendrombohitra ny tongony no hitondra ireo vaovao mahafaly.

Nahoana i Joda no tokony hankalaza ny firavoravoana ary hitandrina ny voady?

Joda dia tokona hankalaza izany firavoravoana izany ary hitandrina ilay voady, fa tsy handositra azy ireo intsony ny ratsy fanahy.

Nahum 2

Nahum 2:1

Inona no averin'i Yaveh amin'ny laoniny?

Yaveh dia namerina amin'ny laoniny ny voninahitr'i Jakoba.

Nahum 2:3

Inona no lokon'ny apingan'ireo lehilahy mahery?

Ny ampingan'ireo lehilahy mahery dia mena

Inona no mirifatra erakin'ny lalana?

Ireo kalesy no mirifatra eraky ny lalana.

Nahum 2:6

Inona no voadidy?

Ireto no voadidy: ny mpanjaka vavy dia voahendaka sy nalaina; ny mpanompo vaviny mitoloko tahaka ny voromailala sady miteha-tratra.

Nahum 2:8

Inona no ho ataon'ireo olon'i Nineve?

Handositra tahaka ny rano mikoriana izy ireo.

Nahum 2:11

Inona no natahoran'ireo liona?

Izy ireo dia tsy natahotra na inona na inona.

Tamin'inona no namenoan'ny liona ny lava-bato sy ny zohiny?

Ny liona nameno ny lava-batony tamin'ireo sisan-taolana ary ny zohiny tamin'ny hazany.

Nahum 2:13

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'i Nineve?

Yaveh dia handoro ireo kalesiny amin'ny setroka, handevona ny liona tanoran'izy ireo, ary hanala ireo hazany avy amin'ny tany.

Nahum 3

Nahum 3:1

Inona no mahafeno ny tanàna?

Feno rà, sy lainga, ary fananana nagalarina ny tanàna.

Nahum 3:3

Firy ny olona ho vonoina amin'ny alalan'ny fanafihan'ireo mpitaingin-tsoavaly?

Korotam-paty, sy faty mitandahatra izany ary tsy misy fiafarany ireo faty.

Nahoana ireo zavatra ireo no mitranga?

Mitranga izany noho ny filàn'ny janga tsara tarehy.

Nahum 3:5

Inona no ho ataon'i Yaveh Tompon'ny maro hanoherana ireo mpivaro-tena noho Izy hanohitra azy?

Yaveh dia hanainga ny lambany eo amin'ny tavany ary hampiseho ireo faritra mamoafadinao amin'ireo firenena, ny henatrao amin'ireo fanjakana. Hanipy fahalotoana maharikoriko aminy Izy ary hanao azy ho ratsy. Hataony ho olona fijerijeren'ny olon-drehetra izy.

Nahum 3:8

Iza no mandan'i Ranomasina?

Teba no mandan'ny ranomasina.

Nahum 3:10

Iza no nanipy filokàna ho an'ireo lehilahy manamboninahin'i Teba?

Ny fahavalon'i Teba no nanipy filokàna ho an'ireo lehilahy manam-boninahiny.

Nahum 3:12

Raha nahozingozina ary ny fiarovana mafin'i Nineve, dia inona no hitranga?

Raha voahozingozina ny fiarovana mafin'i Nineve, dia ho lavon'ny vavan'ireo mpihinana izy ireo.

Nahum 3:16

Firy ireo andriana any?

Ireo andriana dia maro an'isa toy ny valala.

Nahum 3:18

Inona no ataon'ny olona rehetra izay mandre ireo vaovao mahakasika anao?

Ny olona rehetra izay mandre ny vaovao mahakasika anao dia hiteha-tanana am-pifaliana eo aminao.