Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Ecclesiastes 1

Ecclesiastes 1:1

Taranak'iza ny Mpitoriteny?

Mpitoriteny dia taranak'i Davida sy mpanjakan'i Jerosalema.

Ecclesiastes 1:4

Inona no mitoetra mandrakizay?

Ny tany no mitoetra mandrakizay.

Ecclesiastes 1:7

Tsy afa-po amin'ny inona ny maso?

Tsy afa-po amin'izay hitany ny maso.

Ecclesiastes 1:9

Inona no hatao?

Izay rehetra efa vita no mbola ho atao.

Ecclesiastes 1:12

Tamin'ny inona no nampiasan'ny Mpitoriteny ny sainy?

Nampiasa ny sainy mba hianatra sy hitady am-pahendrena ny zavatra rehetra izay natao eny ambany lanitra ny Mpitoriteny.

Toy ny inona avokoa ny asa rehetra atao ety ambany masoandro?

Ny asa rehetra atao ety ambany masoandro dia entona mihavosa sy fiezahana hisambo-drivotra.

Ecclesiastes 1:16

Aiza no misy fahoriana be?

Amin'ny fitobahan'ny fahendrena no mampisy fahoriana be.

Ecclesiastes 2

Ecclesiastes 2:1

Inona no tso-drivotra mandalo ihany?

Ny fahafinaretana dia tso-drivotra mandalo ihany.

Ecclesiastes 2:3

Inona no tian'ny Mpitoriteny ho hita?

Te hahita izay tsara mba hataon'ny olona ambany lanitra mandritra ny androm-piainany ny Mpitoriteny.

Ecclesiastes 2:4

Nahoana ny Mpitoriteny no namorona farihin-drano?

Namorona farihin-drano ny Mpitoriteny mba hamatsiana rano ireo ala izay nitomboan'ireo hazo.

Ecclesiastes 2:7

Ahoana no nanaovan'ny Mpitoriteny zavatra izay mety hitondra fahafinaretana ho an'ny olombelona rehetra ety an-tany?

Tamin'ny alalan'ny vady sy vaditsindrano maro, dia nanao ireo zavatra izay mety hitondra fahafinaretana ho an'ny olona rehetra ety an-tany izy.

Ecclesiastes 2:9

Nifaly tamin'ny inona ny fon'ny Mpitoriteny?

Nifaly tamin'ny asany rehetra ny fon'ny Mpitoriteny.

Ecclesiastes 2:11

Aiza no tsy nisy tombon-tsoa?

Tsy nisy tombon-tsoa tety ambany masoandro.

Ecclesiastes 2:13

Inona no voatahiry ho an'ny olon-drehetra?

Lahatra mitovy no voatahiry ho an'ny olon-drehetra.

Ecclesiastes 2:15

Iza no tsy tsaroana ela akory?

Ny olon-kendry, tahaka ny adala, dia tsy ho tsaroana ela akory.

Ecclesiastes 2:17

Nahoana ny Mpitoriteny no nankahala ny fisasarany rehetra?

Halan'ny Mpitoriteny avokoa ireo fisasarany rehetra satria dia tsy maintsy mamela ireny ho an'izay olona ho avy manaraka azy izy.

Ecclesiastes 2:19

Ahoana no fahatsapan'ny fon'ny Mpitoriteny momba ny asany?

Nanomboka namoy fo tamin'ireo asa rehetra izay nataony teo ambany masoandro ny Mpitoriteny.

Ecclesiastes 2:21

Nahoana ny fanahin'ny miasa mafy no tsy mahita fitsaharana amin'ny alina?

Isan'andro dia maharary sady mampiady saina ny asany, ka dia tsy mahita fitsaharana ny fanahiny amin'ny alina.

Ecclesiastes 2:24

Tsy misy tsara ho an'iza na iza afa-tsy ny inona?

Tsy misy zavatra tsara amin'ny olona mihoatra ny hoe mihinana sy misotro fotsiny ary afa-po amin'izay tsara amin'ny asany.

Ecclesiastes 2:26

Inona no omen'Andriamanitra ny mpanota?

Ny mpanota dia omen'Andriamanitra ny asa fanangonana sy fitehirizana mba hahafahany manome izany ho an'ny olona izay mahafaly an'Andriamanitra.

Ecclesiastes 3

Ecclesiastes 3:1

Ho an'ny inona no nisian'ny vanim-potoana?

Misy ho an'ny tanjona rehetra ambany lanitra ny vanim-potoana.

Ecclesiastes 3:8

Inona no hitan'ny Mpitoriteny?

Efa hitan'ny Mpitoriteny ny asa izay nomen'Andriamanitra ho tanterahin'ny olombelona.

Ecclesiastes 3:11

Inona no nampitoerin'Andriamanitra tao am-pon'ny olona?

Efa nampitoetra ny mandrakizay tao am-pon'izy ireo Andriamanitra.

Ecclesiastes 3:12

Inona no fanomezana avy amin'Andriamanitra?

Ny zava-tsoa izay avy amin'ny asan'ny olona dia fanomezana avy amin'Andriamanitra.

Ecclesiastes 3:14

Nahoana no tsy misy azo anampiana na analana izay rehetra ataon'Andriamanitra?

Tsy misy azo anampiana na analana izay rehetra ataon'Andriamanitra satria Andriamanitra no nanao izany.

Ecclesiastes 3:16

Inona no hita matetika eny amin'ny toeran'ny fahamarinana?

Faharatsiana no hita matetika eny amin'ny toeran'ny fahamarinana.

Ecclesiastes 3:19

Ahoana no hitovian'ny olona amin'ny biby?

Tahaka ny biby, dia maty avokoa ny olona rehetra. Rivotra mitovy ihany no tsy maintsy iainany. Samy avy amin'ny vovoka avokoa ny zava-drehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny zava-drehetra.

Ecclesiastes 3:21

Inona no nanendrena ny olona tsirairay?

Hankafy ny asany no nanendrena ny olona tsirairay.

Ecclesiastes 4

Ecclesiastes 4:1

Ho an'ny inona no tsy misy fampiononana?

Tsy misy fampiononana ho an'ny ranomason'ny nampahoriana.

Ecclesiastes 4:2

Iza no sambatra noho ny velona sy ny maty?

Izay mbola velona no sambatra noho ny velona sy ny maty.

Ecclesiastes 4:5

Inona no tsara kokoa noho roa tanana amin'ny asa izay miezaka misambo-drivotra?

Tsara kokoa ny tombony iray tanana amin'ny asa mangina noho ny roa tanana amin'ny asa izay miezaka misambo-drivotra.

Ecclesiastes 4:9

Nahoana ny olon-droa no tsara noho ny iray raha sendra lavo ny iray?

Tsara ny roa noho ny iray satria raha lavo ny iray dia afaka manarina azy ny namany.

Ecclesiastes 4:12

Inona tsy mora tapahina?

Ny kofehy telo tsy ho mora tapahina.

Ecclesiastes 4:13

Inona no tsara noho ny mpanjaka antitra sady adala?

Tsara kokoa ny mahantra fa tanora hendry toy izay mpanjaka antitra sady adala.

Ecclesiastes 4:15

Inona no tian'ny olona atao amin'ny mpanjaka vaovao?

Te hankatoa ny mpanjaka vaovao ny olona.

Ecclesiastes 5

Ecclesiastes 5:1

Nahoana ny olona no tokony ho any an-tranon'i Yaveh?

Mba hiaino no tokony halehan'ny olona any an-tranon'i Yaveh.

Ecclesiastes 5:2

Nahoana ny olona no tokony ho vitsy teny?

Any an-danitra Andriamanitra, fa ny olona ety an-tany, koa tokony hahavitsy ny teniny izy ireo.

Ecclesiastes 5:4

Inona no tsara hataon'ny olona noho ny manao voady izay tsy ho tanterehiny?

Aleo tsy mivoady toy izay manao voady izay tsy tanterahin'ilay olona akory.

Ecclesiastes 5:8

Rehefa misy olona mahita olona ampahoriana sy robaina amin'ny fitondrana marina sy mahitsy, nahoana no tsy tokony hisy ho gaga toy ny hoe tsy nisy nahalala?

Rehefa misy olona mahita olona ampahoriana sy robaina amin'ny fitondrana marina sy mahitsy, dia tsy tokony ho gaga izy satria misy olona mahery izay miambina ireo eo ambany fahefan'izy ireo.

Ecclesiastes 5:10

Inona no mitranga rehefa mitombo ny fanambinana?

Tahaka ny hitomboan'ny fanambinana, dia tahaka izany ihany koa ny olona izay mihinana izany.

Ecclesiastes 5:12

Inona no tsy mamela ny mpanan-karena hatory tsara?

Ny haren'ny olona mpanan-karena dia tsy mamela azy hatory tsara.

Ecclesiastes 5:13

Inona no mitranga rehefa very harena noho ny vitan-dratsy ny mpanan-karena?

Raha very amin'ny vintan-dratsy ny haren'ny olona mpanan-karena, ny zanany lahy, ilay naterany, dia tavela tsy manana na inona na inona eo an-tanany.

Ecclesiastes 5:15

Ahoana no nahaterahan'ny olona ary ahoana no handaozany ny fiainany?

Teraka nitanjaka avy ao an-kibon-dreniny ny olona, dia mitanjaka toy izany ihany koa no hialany amin'ity fiainana ity.

Ecclesiastes 5:19

Nahoana no tsy tsaroan'ny olona matetika tokoa ny andro iainany?

Tsy mahatsiaro matetika ireo androm-piainany ny olona, satria ataon'Andriamanitra sasatra amin'ireo zavatra izay tiany atao.

Ecclesiastes 6

Ecclesiastes 6:1

Inona no ratsy hitan'ny Mpitoriteny?

Hitan'ny Mpitoriteny fa mety hanome fananana, harena, ary voninahitra amin'ny olona iray Andriamanitra mba tsy ho ory na inona na inona amin'izay iriany ho an'ny tenany izy, kinanjo tsy omen'Andriamanitra fahafahana kankafy izany. Fa kosa, olon-kafa no mampiasa ireo zavany.

Ecclesiastes 6:3

Raha tsy afa-po amin'ny tsara ny fon'ny olona ary tsy alevina amim-boninahitra izy, dia iza no tsara noho izy?

Raha tsy afa-po amin'ny tsara ny fon'ny olona ary tsy alevina amim-boninahitra izy, ny zaza maty teo am-pahaterahana dia tsara kokoa noho izy.

Ecclesiastes 6:5

Na ho velona roa arivo taona aza ny olona nefa tsy mianatra mankafy ireo zavatra tsara, dia mankaiza izy?

Na ho velona roa arivo taona aza ny olona nefa tsy mianatra mankafy ireo zavatra tsara, dia handeha any amin'ny toerana mitovy amin'ny rehetra hafa ihany izy.

Ecclesiastes 6:7

Na dia natao hameno ny vavany aza asan'ny olona rehetra, inona no mitranga?

Na dia natao hameno ny vavany aza asan'ny olona rehetra, dia mbola tsy voky ny homany.

Ecclesiastes 6:9

Inona no mitranga arakaraka ny hilazana teny?

Arakaraka ny hilazana teny, no vao mainka mitombo ny zava-poana.

Ecclesiastes 7

Ecclesiastes 7:1

Nahoana no tsara kokoa ny mankao amin'ny trano misaona noho ny ao amin'ny trano miravovavo?

Tsara kokoa ny mankao amin'ny trano misaona noho ny ao amin'ny trano miravovavo, fa ny fisaonana dia tonga amin'ny olona rehetra amin'ny faran'ny fiainana.

Ecclesiastes 7:3

Aiza ny fon'ny hendry?

Ny fon'ny hendry dia ao an-trano fisaonana.

Ecclesiastes 7:5

Toy ny inona ny fiomehezan'ny adala?

Tahaka ny fipoapoaky ny tsilo mirehitra ambany vilany, dia toy izany koa ny fiomehin'ireo adala.

Ecclesiastes 7:7

Inona no mahalasa adala ny olon-kendry?

Ny fakana an-keriny no mahalasa adala ny olon-kendry.

Ecclesiastes 7:8

Nahoana ny olona no tsy tokony halaky ho tezitra ao amin'ny fanahiny?

Tsy tokony halaky ho tezitra ao amin'ny fanahiny, satria ny hatezerena dia mitoetra ao am-pon'ireo adala.

Ecclesiastes 7:11

Ahoana no mahatsara ny fahendrena noho ny vola?

Ny fahendrena dia mitondra fiarovana toy ny vola izay afaka mitondra fiarovana, saingy ny tombon-tsoan'ny fahalalana dia ny hoe manome fiainana ho an'izay manana azy ny fahendrena.

Ecclesiastes 7:14

Rehefa tsara ny andro, dia ahoana no tokony hiainan'ny olona?

Rehefa tsara ny andro, dia tokony hiaina amim-pifaliana amin'izany hatsarana izany ny olona.

Ecclesiastes 7:15

Inona no nahazo ireo olona ratsy fanahy izay hitan'ny Mpitoriteny?

Hitan'ny Mpitoriteny ireo olona ratsy fanahy izay ela velona na dia eo aza ny haratsian'izy ireo..

Ecclesiastes 7:17

Inona no hitranga amin'ny olona izay matahotra an'Andriamanitra?

Izay olona matahotra an'Andriamanitra dia hahatanteraka ny adidiny.

Ecclesiastes 7:21

Nahoana ny olona no tsy tokony hihaino izay teny lazaina rehetra?

Tsy tokony hihaino izay teny lazaina rehetra ny olona satria mety handre ny mpanompony hanozona azy izy.

Ecclesiastes 7:23

Aiza ny fahendrena?

Lavitra ny fahendrena.

Ecclesiastes 7:26

Ho azon'iza ny mpanota?

Ny mpanota dia ho azon'ny vehivavy izay feno fandrika sy harato ny fony, ary gadra vy ny tanany.

Ecclesiastes 7:27

Na dia nahita olo-marina iray tao anatin'ny arivo aza ny Mpitoriteny, dia inona no tsy hitany?

Na dia nahita olo-marina iray tao anatin'ny arivo aza ny Mpitoriteny, dia tsy nahita vehivavy iray teo amin'ireo.

Ecclesiastes 8

Ecclesiastes 8:1

Inona izany olon-kendry?

Ny olon-kendry dia olona izay ny dikan'ny tranga eo amin'ny fiainana.

Ecclesiastes 8:2

Nahoana ny olona no tsy tokony halaky hiala amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka, ary tsy tokony hijoro hanohana zavatra tsy mety?

Tsy tokony halaky hiala amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka, ary tsy tokony hijoro hanohana zavatra tsy mety ny olona, satria manao izay rehetra iriany ny mpanjaka.

Ecclesiastes 8:5

Iza no misoroka hatezerana?

Izay rehetra mitandrina ireo didin'ny mpanjaka dia misoroka hatezerana.

Ecclesiastes 8:8

Inona no tsy ananan'iza na iza fahefana?

Tsy misy manana fahefana amin'ny fofonaina mba hitsaharan'izany, ary tsy misy manana fahefana eo amin'ny andro ahafatesany.

Ecclesiastes 8:10

Derain'iza ireo ratsy fanahy?

Noderain'ireo mponina tao amin'ny tanàna izay nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny ireo ratsy fanahy.

Ecclesiastes 8:12

Na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka mbola ela velona, inona no hitranga amin'ireo izay manaja an'Andriamanitra?

Na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka mbola ela velona, dia tsy haninona ireo izay manaja an'Andriamanitra, izay manaja ny fanatrehany.

Ecclesiastes 8:14

Nahoana ny Mpitoriteny no mitaky fifaliana?

Mitaky ny hafaliana ny Mpitoriteny, satria tsy misy zavatra tsara azon'ny olona eny ambany masoandro noho ny mihinana sy misotro ary mifaly.

Ecclesiastes 8:16

Inona no tsy takatry ny olona?

Tsy takatry ny olona ny asa izay atao ety ambany masoandro.

Ecclesiastes 9

Ecclesiastes 9:1

Iza no eo am-pelatanan'Andriamanitra?

Ny olo-marina sy ny olon-kendry no eo am-pelatanan'Andriamanitra.

Ecclesiastes 9:2

Inona no mitovy ho an'ny olon-drehetra?

Manana lahatra mitovy ny olona rehetra.

Ecclesiastes 9:3

Feno inona ny fon'ny olombelona?

Feno ratsy ny fon'ny olombelona.

Ecclesiastes 9:4

Nahoana ny maty no tsy manana valisoa intsony?

Tsy manana valisoa intsony ny maty, satria efa adino ny fahatsiarovana azy ireo.

Ecclesiastes 9:6

Inona no efa nanjavona hatry ny ela?

Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fanirian'ny maty dia efa nanjavona hatry ny ela.

Ecclesiastes 9:9

Inona no tokony hataon'ny olona amin'izay rehetra hitan'ny tanany ho atao?

Na inona na inona hitan'ny tanany ho atao, dia tokony hiasany amin'ny herinao.

Ecclesiastes 9:11

Voagadran'ny inona ny olombelona?

Ny olombelona dia gadra ao amin'ny fotoan-dratsy izay tonga tampoka amin'izy ireo.

Ecclesiastes 9:13

Inona no nahazo ilay olon-kendry, mahantra izay nahavoavonjy tanàna tamin'ny fehendreny?

Tsy nisy nahatsiaro ilay olon-kendry mahantra, izay nahavoavonjy ny tanàna tamin'ny fehendreny

Ecclesiastes 9:17

Inona no tsara noho ny fitaovam-piadiana?

Tsara noho ny fitaovam-piadiana ny fahendrena.

Ecclesiastes 10

Ecclesiastes 10:1

Inona no manaporofo amin'ny rehetra fa adala ny olona iray?

Rehefa tsy ampy saina ny olona, dia manamarina amin'ny olona rehetra izany fa adala izy.

Ecclesiastes 10:5

Inona no hitan'ny Mpitoriteny nataon'ny andevo?

Hitan'ny Mpitoriteny nitaingin-tsoavaly ireo adevo.

Ecclesiastes 10:8

Inona no mety hitranga isaky ny mandrodana manda ny olona?

Isaky ny mandrodana manda ny olona, dia misy bibilava manaikitra azy.

Ecclesiastes 10:10

Inona no mitranga rehefa tsy mandranitra lelen'antsy dombo ny olona?

Raha tsy mandranitra lelan'antsy dombo ny olona, dia tsy maintsy hampiasa hery bebe kokoa.

Ecclesiastes 10:13

Amin'ny farany, dia mikoriana inona ny vavany'ny adala?

Amin'ny farany ny vavan'ny adala dia hikoriana fahaverezan-tsaina ratsy.

Ecclesiastes 10:16

Oviana no misy loza eo amin'ny tany?

Misy loza eo amin'ny tany rehefa tanora ny mpanjaka ary manomboka mifety amin'ny maraina ny mpitarika!

Ecclesiastes 10:18

Nahoana no mitete ny tafo?

Nohon'ny fahalainan'ny tanana no mampitete ny trano.

Ecclesiastes 10:20

Nahoana ny olona no tsy tokony hanozona ny mpanjaka?

Tsy tokony hanozona ny mpanjaka ny olona, fa mety hisy voron'ny lanitra hitondra ny teniny.

Ecclesiastes 11

Ecclesiastes 11:1

Nahoana ny olona no tokony hizara mofo amin'ny olona fito, na valo amin'ny olona aza?

Tokony hizara izany amin'ny olona fito, na valo aza ny olona, fa tsy fantany izay loza ho tonga amin'ny tany.

Ecclesiastes 11:4

Inona no tsy azon'ny olona?

Tsy azon'ny olona ny asan'Andriamanitra.

Ecclesiastes 11:6

Mandra-pahoviana no tokony hambolen'ny olona voa?

Tokony hambolo voa maraina mandra-kariva ny olona.

Ecclesiastes 11:9

Inono no tokony hesorin'ny olona ao am-pony?

Tokony hesorin'ny olona ao am-pony ny fahatezerana.

Ecclesiastes 12

Ecclesiastes 12:1

Rahoviana ny olona no tokony hahatsiaro ny Mpahary azy?

Amin'ny andron'ny fahatanorany ny olona no tokony hahatsiaro ny Mpahary azy.

Ecclesiastes 12:3

Nahoana no mitsahatra ireo vehivavy mitoto vary?

Mitsahatra ny vehivavy izay mitoto satria vitsy izy ireo.

Ecclesiastes 12:4

Ho taitran'ny inona ny lehilahy?

Ho taitran'ny feom-borona ny lehilahy.

Ecclesiastes 12:6

Hiverina aiza ny vovoka?

Hiverina amin'ny tany izay niaviany ny vovoka.

Ecclesiastes 12:8

Inona no nampianarin'ny Mpitoriteny ny olona?

Fahalalana no nampianarin'ny Mpitoriteny ny olona.

Ecclesiastes 12:10

Tahaka ny inona ny tenin'ny hendry?

Tahaka tsindrona ny tenin'ny hendry.

Ecclesiastes 12:12

Inona no ateraky ny fianarana be?

Ny fianarana be mitondra faharerahana ho an'ny vatana.

Ecclesiastes 12:13

Inona no fiafaran'ny raharaha?

Ny fiafaran'ny raharaha dia tsy maintsy hatahotra an'Andriamanitra ny olona ary hitandrina ny didiny.