Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Micah 1

Micah 1:1

Iza no mpanjakan'i Joda tamin'ny tonga tamin'i Mika ny tenin'i Yaveh?

Jotama, Ahaza, ary Ezekia no mpanjakan'i Joda tamin'ny tonga tamin'i Mika ny tenin'i Yaveh.

Micah 1:2

Eny amin'ny inona i Yaveh no hidina sy hamakivaky?

Eny amin'ny fitoerana avon'ny tany i Yaveh no hidina sy hamakivaky.

Micah 1:5

Nahoana no nitondra io fitsarana io i Yaveh?

Nitondra io fitsarana io i Yaveh nohon'ny fikomian'i Jakoba, sy nohon'ireo fahotan'ny ankohonan'Israely.

Micah 1:6

Ahoana ny fomba nanangonan'i Samaria ireo sarin-javatra voasokitra, fanomezana, ary sampy?

Avy tamin'ireo fanomezana azony tamin'ny fivarotan-tenany no nanagonany ireo sarin-javatra voasokitra, fanomezana, ary sampy.

Micah 1:8

Ahoana no nanehoan'i Mika ny alahelony nohon'ny fahotan'Israely sy Jakoba?

Nitaraina sy nidradradradra i Mika, ary nandeha tsy nanao kapa sady niboridana.

Micah 1:11

Nahoana no nisaona i Beti-haezela?

Nisaona i Beti-haezela, satria nesorina ny firaovan'izy ireo.

Micah 1:13

Iza no tanàna fiandoham-pahotana ho an'ny zanaka vavin'i Ziona?

Lakisy no fiandoham-pahotana ho an'ny zanaka vavin'i Ziona.

Micah 1:15

Nahoana no tokony hanaratra ny lohany ireo Israelita?

Tokony hanaratra ny lohany ireo Israelita, satria handeha hatao sesi-tany hiala amin'izy ireo ny zanany.

Micah 2

Micah 2:1

Aiza ny toerana anaovan'ny olona ny fikasan-dratsiny?

Eo am-pandriana izy ireo no manao ny fikasan-dratsiny.

Micah 2:3

Nahoana no tsy hanana taranaka hizara faritany ny olona mpanan-karena?

Hovain'i Yaveh ny faritanin'ny vahoaka, ary hesoriny eo amin'izy ireo izany. Noho izany dia tsy hanana taranaka hizara faritany ny olona mpanan-karena.

Micah 2:6

Avy amin'iza no analan'ny olon'i Yaveh ny tohitena?

Avy amin'ireo izay mandalo tsy amim-piahiahiana no analan'ny olon'i Yaveh ny tohitena.

Micah 2:9

Nahoana no tokony hitsangana ary handeha ny olon'i Yaveh?

Tokony hitsangana ary handeha ny olon'i Yaveh, satria izany toerana zany dia tsy azo ijanonana, nohon'ny fahalotoany.

Micah 2:12

Iza no hanangona ireo sisa amin'Israely?

Yaveh no hanangona ireo sisa amin'Israely.

Micah 3

Micah 3:1

Iza no mihinana ny nofon'ireo olon'i Yaveh?

Ireo mpitarik'i Jakoba no mihinana ny nofon'ireo olon'i Yaveh.

Micah 3:4

Nahoana no hanafina ny tavany amin'ireo mpitarik'i Jakoba i Yaveh?

Hanafina ny tavany amin'ireo mpitarik'i Jakoba i Yaveh satria efa nanao asa ratsy izy ireo.

Micah 3:5

Nahoana no tsy hanao sikidy ireo mpaminany?

Ho maizina ny andro mba tsy hanaovan'ireo mpaminany sikidy.

Micah 3:9

Inona ny antony itsaran'ireo mpitarika?

Mitsara nohon'ny kolikoly ireo mpitarika.

Micah 4

Micah 4:1

Rahoviana no hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh?

Amin'ny andro farany dia hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh.

Micah 4:2

Nahoana ireo firenena maro no te-handeha ho any an-tendrombohitr'i Yaveh?

Firenena maro no te-handeha ho any an-tendrombohitr'i Yaveh, mba ho ampianariny ny fombany, ary izy ireo handeha amin'ny lalany.

Micah 4:4

Handeha amin'ny anaran'iza ny vahoaka rehetra?

Handeha amin'ny anaran'ny andriamanitr'izy ireo ny vahoaka rehetra.

Micah 4:6

Iza no ho angonin'i Yaveh?

Hanangona ny malemy i Yaveh ary hamory ireo voaroaka, dia ireo izay nampahoriany.

Micah 4:9

Aiza ireo zanaka vavin'i Ziona no handositra?

Any Babylona ireo zanaka vavin'i Ziona no handositra.

Micah 4:11

Araka ny hevitry ny mpaminany, iza no tsy mahafantatra ny heritreritr'i Yaveh?

Ireo firenena no tsy mahafantra ny heritreritr'i Yaveh.

Micah 4:13

Ho an'iza ho hanokanan'i Yaveh ireo harenan'ny vahoaka tsy ara-drariny?

Ho Azy ihany ho hanokanan'i Yaveh ireo harenan'ny vahoaka tsy ara-drariny.

Micah 5

Micah 5:1

Amin'ny inona no hamelezan'ny fahavalony an'ny mpitarik'Israely?

Amin'ny tsora-kazo no hamelezan'ny fahavalony an'ny mpitarik'Israely eo amin'ny takolany.

Micah 5:2

Mandra-pahoviana ho hahafoizan'Andriamanitra ireo fokon'i Joda?

Hahafoy azy ireo Andriamanitra, mandra-pahatonga ny fotoana izay hiterahany ny zaza.

Micah 5:4

Iza no hiandry ny ondry aman'osiny amin'ny herin'i Yaveh?

Ny zanaka no hiandry ny ondry aman'osiny amin'ny herin'i Yaveh.

Micah 5:6

Inona no tsy andrasan'ireo sisa tavelan'i Jakoba?

Ny olona no tsy andrasan'ireo sisa tavelan'i Jakoba.

Micah 5:8

Inona no hitranga rehefa hisandtatra hamely ireo fahavalony ny tanan'Israely?

Rehefa hisandtatra hamely ireo fahavalony ny tanan'Israely, dia handringana azy ireo izany.

Micah 5:12

Amin'iza no hanatanterahan'i Yaveh ny valifaty?

Amin'ireo firenena izay tsy nihaino no hanatanterahan'i Yaveh ny valifaty.

Micah 6

Micah 6:1

Inona no ho ataon'i Yaveh amin'Israely?

Hiady hanohitra an'Israely eo amin'ny fitsarana i Yaveh.

Micah 6:3

Inona no nandidian'i Yaveh ireo olony mba hanoherana Azy?

Nandidy azy ireo Izy mba hijoro vavolombeloa hanohitra azy.

Micah 6:6

Inona no notakian'i Yaveh tamin'ny vahoakany?

Nitaky tamin'ny vahoakany i Yaveh ny mba hanaovan'izy ireo ny marina, hitiavany amim-pahatsorana, ary handehanany amim-panetre-tena miaraka amin'Andriamanitr'izy ireo.

Micah 6:11

Ny lelan'iza no mpamitaka?

Ny lelan'ireo mponina izay nilaza lainga no mpamitaka.

Micah 6:13

Nahoana no noravan'i Yaveh ny tanàna?

Noravan'i Yaveh ny tanàna noho ireo fahotany.

Micah 6:16

Tamin'ny alalan'ny torohevitr'iza no nandehanan'ny tanàna?

Tamin'ny alalan'ny torohevitr'i Omry sy Ahaba no nandehanan'ny tanàna.

Micah 7

Micah 7:1

Iza no ringana teo amin'ny tany?

Ny olona araka an'Andriamanitra no ringana teo amin'ny tany.

Micah 7:3

Iza no efa nilaza mialoha ny andron'ny famaizana ny vahoaka sisa tavela?

Ireo mpitily no efa nilaza mialoha ny andron'ny famaizana ny vahoaka sisa tavela.

Micah 7:5

Iza no fahavalon'ny olona?

Ny olona ao an-tranony ihany no fahavalon'ny olona.

Micah 7:7

Inona no hitranga rehefa lavo i Mika?

Rehefa lavo i Mika, dia hiarina izy.

Micah 7:9

Mandra-pahoviana no hiaretan'i Mika ny hatezeran'i Yaveh?

Mandra-paha-hisoloan'i Yaveh vava azy, sy hanatanterahany ny fitsarana ho an'i Mika no no hiaretan'i Mika ny hatezeran'i Yaveh.

Micah 7:10

Iza no hojeren'ny mason'i Mika?

Ny fahavalony no hojeren'ny mason'i Mika.

Micah 7:11

Inona no hitranga rehefa tonga ny andro hanorenana ireo manda?

Rehefa tonga ny andro hanorenana ireo manda, dia hihitatra hatrany lavitra ireo sisin-tany.

Micah 7:14

Ahoana ny fomba nagatahan'i Mika an'i Yaveh mba hiandrasana ny vahoakany?

Nangataka tamin'i Yaveh i Mika mba hiandry ny vahoakany amin'ny tsora-kazony.

Inona no ho asehon'i Yaveh amin'ny vahoakany?

Haneho fahagagana amin'izy ireo Yaveh.

Micah 7:16

Inona no ho itan'ireo firenena sy hahamenatra azy ireo?

Hahita ary ho menatry ny heriny rehetra ireo firenena.

Ho avy any amin'iza ireo firenena ary hahatahotra an'iza izy ireo?

Ho avy any amin'i Yaveh ireo firenena ary hatahotra Azy izy ireo.

Micah 7:18

Nahoana no tsy hitana ny fahatezerany mandrakizay Yaveh?

Tsy hitana ny fahatezerany mandrakizay Yaveh, satria tiany ny maneho ny famindram-po.

Micah 7:19

Aiza no hanarian'i Yaveh ny fahotana rehetran'ny vahoakan'Israely?

Any amin'ny raomasina lalina no hanarian'i Yaveh ny fahotana rehetran'ny vahoakan'Israely.