Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Zephaniah 1

Zephaniah 1:1

Inona no nolazain'Andriamanitra tamin'i Zefania fa ho ataony amin'ireo voron'ny lanitra, sy ny trondron-dranomasina ary amin'ny olona?

Andriamanitra niteny fa handringana azy ireo sy hamotka azy ireo Izy.

Zephaniah 1:4

Iza no anaran'ilay sampy izay nolazain'Andriamanitra fa hoaringany tsy amin'nity tany ity ny sisany?

Haringany tsy ho amin'ny ity tany ity ny sisan'i Bala.

Iza no tompoin'ireo izay eny an-tampon-trano?

Ireo izay eny an-tampon-trano dia manompo ireo tena eny amin'ny lanitra.

Zephaniah 1:7

Inona no nataon'ny olona teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh?

Nangina izy ireo teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh.

Iza no nolazain'i Yaveh fa ho faiziny amin'ny andron'ny fanatitra?

Hanafay ireo zanaka vavy sy zanaka lahin'ny adriana i Yaveh, sy ireo rehetra mitafy fitafiana vahiny, ireo izay mandingana ny tokonana, sy ireo izay mameno ny tranon'ny tompony amin'ny herisetra sy fitaka.

Zephaniah 1:10

Feo inona no ho avy eo am-Bavahadin'ny Hazandrano sy eo amin'ny Tanana Ambany amin'izany andro izany?

Feo mitaraina, sy fidradradradrana no ho avy amin'izany andro izany.

Inona no hahazo ny mpandrato rehetra amin'izany andro izany.

Ho ringana izy ireo, ary ireo rehetra izay nivesatra volafotsy dia ho lany ringana.

Zephaniah 1:12

Inona no nolazain'ireo olona sasany any Jerosalema momba an'i Yaveh?

Hoy izy ireo: "Tsy hanao na inona na inona i Yaveh, na soa na ratsy."

Zephaniah 1:14

Andro inona no andron'ny fahatezerana, sy andron'ny fahalevonana, ary andron'ny fanjombonana?

Ny andro lehiben'i Jehova dia ho andron'ny fahatezerana, sy ho andron'ny fahalevonana, ary ho andron'ny fanjombonana.

Zephaniah 1:17

Ràn'iza no haidina toy ny vovoka amin'ny andron'i Yaveh?

Ny ràn'ireo izay nanota tamin'Andriamanitra.

Inona no tsy afaka hamonjy azy ireo amin'izany andro izany?

Ny volafotsy sy ny volamenan'izy ireo dia tsy afaka hamonjy azy ireo.

Zephaniah 2

Zephaniah 2:1

Inona no tsy maintsy ataon'ny vahoaka mba hisorohana ny firehetan'ny fahatezerana mafin'i Yaveh?

Tsy maintsy mikatska ny fahamarinana sy mikatsaka ny fanetren-tena ny vahoaka hisorohana ny fahatezerana mafin'i Yaveh.

Zephaniah 2:4

Inona no hitranga amin'ireo izay tsy mitandrina ny fampitandreman'i Yaveh?

Ireo vahoaka rehetra izay tsy mitandrina ny fampitandreman'i Yaveh dia ho hofongorana sy haringana.

Zephaniah 2:8

Ho tanàna toy ny inona i Moaba sy Amona?

Ho tahaka an'i Sodoma i Moaba, ary ny vahoakan'ny Aona dia ho tahaka an'i Gomora.

Zephaniah 2:12

Inona no karazana biby izay hitoetra any ambonin'ny tsangam-baton'ny Asyriana?

Vorondolo no hitoetra any ambonin'ny tsangam-baton'ny Asyriana.

Zephaniah 2:15

Ho tonga inona ilay tanàna miravoravo?

Ho tonga mahatsiravina ilay tanàna miravoravo, ny toerana natao mba handrian'ny biby.

Zephaniah 3

Zephaniah 3:3

Tahaka ny inona ilay andriandahin'ny tanàna?

Ilay andriandahin'ny tanàna dia tahaka ny liona mierona.

Zephaniah 3:5

Rehefa inona no mizara ny fitsarany i Yaveh?

Isa-maraina isa-maraina no hizaran'i Yaveh ny fitsarany.

Zephaniah 3:6

Inona no antenain'i Yaveh fa ho ataon'ny vahoaka?

Manantena i Yaveh fa ny vahoaka dia hatahotra azy anaiky ny fanitsiany.

Zephaniah 3:8

Inona no fanapahan-kevitra noraisin'i Yaveh momba ireo firenena?

Nanapa-kevitra ny hanambatra ireo firenena sy handraka ny fahatezerany sy ny fahavinirany amin'izy ireo i Yaveh.

Zephaniah 3:9

Inona izany no hiantsoan'i Yaveh mba hataon'ny ny vahoaka?

Hiantso ny vahoaka hanompo azy miaraka i Yaveh.

Zephaniah 3:12

Ahoana no hiovan'ny sisa ao Israely aorian'izany?

Tsy hanao ny tsy rariny na hiteny lainga intsony ireo sisa tavela ao Israely.

Zephaniah 3:14

Nahoana ny Israely no hihira sy hifaly?

Hihira sy hifaly ny Israely satria nanaisotra ny famaizan'izy ireo i Yaveh.

Zephaniah 3:19

Iza no hovonjen'i Yaveh avy amin'ireo izay mampijaly ny Israely?

Hamonjy ireo mandringa ary hanangona ireo noroahina i Yaveh.

Nahoana ireo firenena rehetra no manaja sy midera an'i Israely?

Mananja sy midera ny Israely ireo firenena rehetra rehefa hitan'ireo fa namerina azy ireo amin'ny laoniny i Yaveh.