Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Hebrews 1

Hebrews 1:1

Ahoana no fomba niresahan'Andriamanitra tany aloha?

Tany aloha Andriamanitra dia niresaka tamin'ny alalan'ireo mpaminany tamin'ny fotoana maro sy tamin'ny fomba maro.

Ahoana no fomba iresahan'Andriamanitra amin'izao andro farany izao?

Amin'izao andro farany izao Andriamanitra dia niresaka tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy.

Tamin'ny alalan'iza no nahariana an'izao tontolo izao?

Izao tontolo izao dia noharian'ilay Zanak' Andriamanitra.

Ahoana no hanohanana ny zavatra rehetra?

Ny zavatra rehetra dia tohanana amin'ny alalan'ny tenin'ilay Zanaky ny herin'Andriamanitra.

Ahoana no ampihariharian'ny Zanaka ny voninahitra sy ny endrik'Andriamanitra?

Ny Zanaka no famirapiratan'ny voninahitr' Andriamanitra, sy ny endriky ny tenan'Andriamanitra.

Hebrews 1:4

Ahoana ny Zanak'Andriamanitra raha ampitahaina amin'ireo anjely?

Ny Zanak'Andriamanitra dia ambony noho ireo anjely.

Hebrews 1:6

Inona no nandidian'Andriamanitra an'ireo anjely mba atao rehefa entina eto amin'izao tontolo izao ilay Zanaka lahy?

Andriamanitra dia nandidy an'ireo anjely mba hidera ny Zanaka rehefa entina eto amin'izao tontolo ny Zanaka.

Hebrews 1:8

Hafiriana no hanapahan'ny Zanaka amin'ny maha-mpanjaka Azy?

Ny Zanaka dia hanapaka amin'ny maha-mpanjaka Azy mandrakizay ary ho doria.

Inona no tian'ny Zanaka ary inona no halan'ny Zanaka?

Ny Zanaka dia tia ny fahamarinana ary mankahala ny fandikan-dalàna.

Hebrews 1:10

Inona no hitranga eto an-tany sy any an-danitra?

Ny tany sy lanitra dia ho rovitra tahaka ny ankanjo ary ho levona.

Hebrews 1:13

Taiza no nilazan'Andriamanitra ny Zanaka mba hipetrahana, ary mandra-pitrangan'ny inona?

Andriamanitra dia nilaza tamin'ny Zanaka mba hipetraka eo an-tanana an-kavanany mandra-panaovan'Andriamanitra an'ireo fahavalon'ny Zanaka ho seza ho an'ny tongotr'ilay Zanaka.

Ho an'iza no hiahian'ireo anjely?

Ireo anjely dia miahy an'ireo izay handova ny famonjena.

Hebrews 2

Hebrews 2:1

Nahoana ireo mpino no tsy maintsy mitandrina amin'izay ren'izy ireo?

Tsy maintsy mitandrina amin'izay ren'izy ireo ny mpino mba tsy hanara-drenirano amin'izany.

Hebrews 2:2

Inona no raisin'ny fandikan-dalàna sy tsy fankatoavana?

Ny fandikan-dalàna sy tsy fankatoavana dia mandray ny sazy ara-drariny.

Ahoana no anaporofon'Andriamanitra ny hafatry ny famonjena nambaran'ny Tompo?

Andriamanitra dia manaporofo ilay hafatra amin'ny famantarana, fahagagana, asa mahery, ary amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina.

Hebrews 2:5

Iza no tsy hanapaka an'izao tontolo izao ho avy?

Ireo anjely dia tsy hanapaka an'izao tontolo izao ho avy.

Hebrews 2:7

Iza no hanapaka an'izao tontolo izao ho avy?

Ny olombelona no hanapaka an'izao tontolo izao ho avy.

Hebrews 2:9

Nahoana Jesosy no nosatrohana satro-boninahitra sy haja?

Nosatrohina satro-boninahitra sy haja Jesosy nohon'ny fijaliany sy fahafatesany.

Ho an'iza no nanandraman'i Jesosy ny fahafatesana?

Jesosy dia nanandrana ny fahafatesana ho an'ny olona rehetra.

Iza no nomanin'Andriamanitra hitondrana voninahitra?

Andriamanitra dia nanao drafitra mba hitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra.

Hebrews 2:11

Iza no avy amin'ilay hany loharano, Andriamanitra?

Izay manamasina sy ireo nohamasinina no avy amin'ny loharano iray ihany, Andriamanitra.

Hebrews 2:13

Iza no natao tsy nanan-kery tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy?

Ny devoly no natao tsy nanan-kery tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy.

Tamin'ny fanandevozana inona no nanafahana ny olona tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy?

Tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy, dia nafahana tamin'ny tahotra ny fahafatesana ny olona.

Hebrews 2:16

Nahoana no nilain'i Jesosy ny ho tahaka ireo rahalahiny amin'ny fomba rehetra?

Nilain'i Jesosy izany mba ho tonga mpisoronabe feno famindram-po sy fahatokiana Izy amin'ireo zavatr'Andriamanitra, ary mba hitondra famelàna ho an'ireo fahotan'ny olona.

Nahoana Jesosy no afaka manampy an'ireo izay alaim-panahy?

Afaka manampy an'ireo izay alaim-panahy Jesosy satria Izy koa nalaina fanahy.

Hebrews 3

Hebrews 3:1

Inona ireo fiantsoana roa izay omen'ny mpanoratra ny bokin'ny Hebreo ho an'i Jesosy?

Ny mpanoratra dia manome an'i Jesosy ireo fiantsoana hoe Apostoly sy Mpisoronabe.

Nahoana Jesosy no noraisina mendrika ny voninahitra lehibe kokoa noho Mosesy?

Jesosy dia noraisina mendrika ny voninahitra lehibe kokoa satria raha nahatoky tamin'ny tranon'Andriamanitra rehetra Mosesy, dia Jesosy no ilay iray izay nanorina ny trano.

Hebrews 3:5

Inona no andraikitr'i Mosesy tao an-tranon' Andriamanitra?

Mosesy dia mpanompo tao an-tranon' Andriamanitra.

Momba ny inona no nijoroan'i Mosesy vavolombelona?

Mosesy dia nijoro vavolombelona momba ireo zavatra izay tokony efa ho lazaina amin'ny ho avy?

Inona no andraikitr'i Jesosy ao an-tranon' Andriamanitra?

Jesosy no Zanaka miandraikitra ny tranon' Andriamanitra.

Iza no tranon'Andriamanitra?

Ireo mpino no tranon'Andriamanitra raha mihazona mafy ny fahatokisany izy ireo.

Hebrews 3:7

Inona no nataon'ireo Israelita tany an'efitra rehefa nandre ny feon'Andriamanitra izy ireo?

Nanamafy ny fony ireo Israelita.

Hebrews 3:9

Inona no nianianan'Andriamanitra mahakasika an'ireo Israelita izay nankany amin'ny lalan-diso tao am-pon'izy ireo?

Andriamanitra dia nianiana fa tsy hiditra ny fitsaharany izy ireo.

Hebrews 3:12

Inona no nampitandremana an'ireo rahalahy?

Ireo rahalahy dia nampitandremana mba tsy hiala amin'ilay Andriamanitra velona amin'ny alalan'ny tsy finoana.

Inona no tokony hataon'ireo rahalahy mba hialana amin'ny fahamafisam-po amin'ny fitaky ny fahotana?

Tokony hifampahery isan'andro ireo rahalahy.

Hebrews 3:14

Amin'ny maha-mpiara-miasa amin'i Kristy, dia inona no tsy maintsy ataon'ireo mpino?

Amin'ny maha-mpiara-miasa amin'i Kristy, dia tsy maintsy mihazona mafy ny tokin'izy ireo ao aminy hatrany am-piandohana ka hatramin'ny farany ireo mpino.

Hebrews 3:16

Iza no nahatezitra an'Andriamanitra nandritra ny efa-polo taona?

Andriamanitra dia tezitra tamin'ireo izay nanota tany an'efitra.

Inona no nitranga tamin'ireo izay nahatezitra an' Andriamanitra?

Lavo tany an'efitra ny fatin'izy ireo.

Nahoana ireo Israelita tsy mpino no tsy afaka miditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra?

Tsy afaka miditra ao amin'ny fitsaharan' Andriamanitra izy ireo nohon'ny tsy finoan'izy ireo.

Hebrews 4

Hebrews 4:1

Inona no vaovao mahafaly ren'ireo mpino sy ireo Israelita?

Ireo mpino sy ireo Israelita dia samy nandre ny vaovao mahafaly momba ny fitsaharan'Andriamanitra.

Nahoana ilay vaovao mahafaly no tsy nisy tombony tamin'ireo Israelita?

Tsy nisy tombony tamin'ireo Israelita ilay vaovao mahafaly satria tsy nanambatra ny finoana tao amin'izany izy ireo.

Hebrews 4:3

Iza ireo miditra ny fitsaharan'Andriamanitra?

Ireo izay nino no miditra ny fitsaharan'Andriamanitra.

Oviana Andriamanitra no namita ny asa famoronany ary nitsahatra avy eo?

Andriamanitra dia namita ny asa famoronany tany am-piandohan'izao tontolo izao ary nitsahatra avy eo tamin'ny andro faha-fito.

Inona no nolazain'Andriamanitra momba ireo Israelita sy ny fitsaharany?

Andriamanitra dia nilaza fa tsy hiditra ao amin'ny fitsaharany ireo Israelita.

Hebrews 4:6

Andro inona ankehitriny no napetrak'Andriamanitra hidiran'ny olona ao amin'ny fitsaharany?

Andriamanitra dia nametraka ny antsoina hoe "Androany" ho andro iray idiran'ny olona ao amin'ny fitsaharany.

Inona no tsy maintsy ataon'ny olona mba hidirana ao amin'ny fitsaharan'Andriammanitra?

Ny olona iray dia tsy maintsy mihaino ny feon'Andriamanitra ary tsy manamafy ny fony.

Hebrews 4:8

Inona no mbola voatokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra?

Mbola misy sabata fitsaharana voatokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra.

Ny olona izay miditra ao amin'ny fitsaharan' Andriamanitra dia mitsahatra amin'ny inona ihany koa?

Ny olona izay miditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra dia mitsahatra amin'ireo asany ihany koa.

Nahoana ireo mpino no tokony azoto hiditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra?

Tokony hazoto hiditra ao amin'ny fitsaharan' Andriamanitra ireo mpino mba tsy ho tafalatsaka tahaka ny nataon'ireo Israelita.

Hebrews 4:12

Maranitra noho ny inona ny tenin'Andriamanitra?

Ny tenin'Andriamanitra dia maranitra noho ny sabatra roa lela.

Afaka manasaraka inona ny tenin'Andriamanitra?

Ny tenin'Andriamanitra dia afaka manasaraka ny aina amin'ny fanahy, sy ny tonona amin'ny tsoka.

Afaka mahafantatra inona ny tenin' Andriamanitra?

Ny tenin'Andriamanitra dia afaka mamantatra ny eritreritra sy fikasan'ny fo.

Iza no miafina eo imason'Andriamanitra?

Tsy misy famoronana miafina eo imason' Andriamanitra.

Hebrews 4:14

Iza no manompo tahaka ny mpisoronabe ho an'ireo mpino?

Jesosy ilay Zanak'Andriamanitra no manompo tahaka ny mpisoronabe ho an'ireo mpino.

Nahoana Jesosy no mahatsapa fangorahana amin'ny fahalemen'ireo mpino?

Mahatsapa fangorahana amin'ny fahalemen'ireo mpino Jesosy satria Izy efa nalaim-panahy tamin'ny fomba rehetra.

Impiry Jesosy no nanota?

Tsy misy ota Jesosy.

Amin'ny fotoanan'ny tsy fahampiana, inona no ataon'ireo mpino mba hahazoana famindram-po sy hahitana fahasoavana?

Amin'ny fotoanan'ny tsy fahampiana, dia mandeha amin'ny fahatokiana mankany amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana ireo mpino.

Hebrews 5

Hebrews 5:1

Inona no ataon'ny mpisoronabe rehetra ho an'ny olona?

Ho an'ny olona, dia manolotra fanomezana sy sorona ho an'ny ota ireo mpisoronabe rehetra.

Ankoatra ny olona, dia ho an'iza ihany koa no hanoloran'ny mpisoronabe sorona?

Ny mpisoronabe dia manolotra sorona ho an'ny ota ihany koa.

Hebrews 5:4

Ahoana no handraisan'ny olona ny haja amin'ny maha-mpisoronaben'Andriamanitra?

Ny olona dia tsy maintsy antsoin'Andriamanitra mba ho mpisoronaben'Andriamanitra.

Iza no nanambara an'i Kristy ho mpisoronabe?

Andriamanitra no nanambara an'i Kristy ho mpisoronabe.

Hebrews 5:6

Hafiriana no maha-mpisoronaben'Andriamanitra an'i Kristy?

Kristy dia mpisoronaben'Andriamanitra mandrakizay.

Araka ny fomban'iza no maha-mpisoronabe an'i Kristy?

Kristy dia mpisoronabe araka ny fomban'i Melkizedeka.

Hebrews 5:7

Nahoana Kristy no ren'Andriamanitra tamin'Izy nivavaka?

Ren'Andriamanitra i Kristy satria Izy nanaja an' Andriamanitra.

Ahoana no nianaran'i Kristy fankatoavana?

Kristy dia nianatra fankatoavana avy tamin'ireo zavatra izay nijaliany.

Hebrews 5:9

Ho an'iza no nahatonga an'i Kristy ho loharanon'ny famonjena mandrakizay?

Ho an'ny olona rehetra izay mankatoa Azy no nahatonga an'i Kristy ho loharanon'ny famonjena mandrakizay.

Inona no fepetra ara-panahin'ireo mpamaky voalohany an'ity taratasy ity?

Ireo mpamaky voalohany dia lalindalovana amin'ny fandrenesana.

Hebrews 5:12

Ahoana no hilazan'ny mpanoratra ny taratasy fa ireo mpino dia mitombo amin'ny maha-zaza ara-panahy ho lasa lehibe?

Ireo mpino dia mitombo ara-panahy amin'ny fahaizana manavaka ny marina aminy tsy mety, ny fahafantarana ny tsara sy ratsy.

Hebrews 6

Hebrews 6:1

Amin'ny inona no tian'ny mpanoratra ny Hebreo hanapahan'ireo mpino hevitra?

Ny mpanoratra ny Hebreo dia mila an'ireo mpino mba handroso amin'ny fahamatorana.

Inona ireo fampianarana notanisain'ny mpanoratra ho fototry ny hafatr'i Kristy?

Ny fampianarana fototra dia ny fibebahana avy amin'ny asa maty, finoana an'Andriamanitra, batisa, fametrahan-tanana, ny fitsanganan'ny maty, ary fitsaràna mandrakizay.

Hebrews 6:4

Inona no zavatra tsy hay atao amin'ireo izay nandray ny Fanahy Masina, saingy lavo avy eo?

Tsy hay atao amin'ireo izay nandray ny Fanahy Masina, saingy lavo avy eo, ny ho averina amin'ny fibebahana indray.

Inona no nandraman'ireo olona nohazavaina?

Ireo olona nohazavaina ireo dia nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ny tenin' Andriamanitra, ary ny herin'ny andro ho avy.

Nahoana ireo olona ireo no tsy afaka averina ho amin'ny fibebahana indray?

Tsy afaka averina izy ireo satria nanombo ny Zanak'Andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo.

Hebrews 6:7

Ao amin'ny fanoharan'ny mpanoratra, inona no mitranga amin'ny tany izay mitroka orana fa mamokatra tsilo?

Ny tany izay mitroka orana nefa mamokatra tsilo dia miafara amin'ny firehetana.

Hebrews 6:9

Inona no antenain'ny mpanoratra mahakasika an'ireo mpino izay hanoratany?

Ny mpanoratra dia manantena zavatra tsara mahakasika an'ireo mpino ireo, zavatra izay momba ny famonjena.

Inona no tsy ho adinon'Andriamanitra momba an'ireo mpino ireo?

Andriamanitra dia tsy hanadino ny asa, fitiavana, ary ny fanompoan'izy ireo an'ireo mpino.

Hebrews 6:11

Inona no tokony alain'ireo mpino tahaka eo amin'ireo izay mandova ny fampanantenan' Andriamanitra?

Ireo mpino dia tokony haka tahaka ny finoana sy faharetan'ireo izay mandova ny fampanantenan'Andriamanitra.

Hebrews 6:13

Inona no tsy maintsy nataon'i Abrahama mba hahazoana izay nampanantenain'Andriamanitra azy?

Nila niandry am-paharetana Abrahama mba hahazoana izay nampanantenain'Andriamanitra taminy.

Hebrews 6:16

Nahoana Andriamanitra no nanome antoka ny fampanantenany tamin'ny fianianana?

Andriamanitra dia nanome antoka ny fampanantenany tamin'ny fianianana mba hampisehoana mazava tsara ny tsy fiovaovan'ny hatsaran'ny tanjony.

Inona no tsy hain'Andriamanitra atao?

Tsy hain'Andriamanitra ny mandainga.

Hebrews 6:19

Mampaninona ny fanahiny ny fitokian'ireo mpino amin'Andriamanitra?

Ny fitokian'ireo mpino amin'Andriamanitra dia aro sy vatofantsika ho an'ny fanahiny.

Taiza no nidiran'i Jesosy tahaka ny mpialoha lalana ho an'ireo mpino?

Jesosy dia niditra tao amin'ny toerana anatiny ambadikin'ny lamba tahaka ny mpialoha lalana ho an'ireo mpino.

Hebrews 7

Hebrews 7:1

Inona no fiantsoana roa ananan'i Melkizedeka?

Melkizedeka dia mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.

Inona no nomen'i Abrahama an'i Melkizedeka?

Abrahama dia nanome an'i Melkizedeka ny ampahafolon'ny zavatra rehetra izay azony.

Inona no dikan'ny anaran'i Melkizedeka?

Ny anaran'i Melkizedeka dia midika hoe: "mpanjakan'ny fahamarinana" sy "mpanjakan'ny fiadanana."

Iza no razamben'i Melkizedeka, ary oviana izy no maty?

Tsy nanana razambe i Melkizedeka ary tsy manana fiafaran'ny fiainana.

Hebrews 7:4

Avy amin'iza ireo mpisorona, izay ireo mpisorona araka ny lalàna, ary iza no manangona ny ampahafolon-karenan'ny olona?

Ireo mpisoron'ny Lalàna dia avy amin'ny taranak'i Levy sy Abrahama.

Hebrews 7:7

Iza no lehibe, Abrahama sa Melkizedeka?

Melkizedeka no lehibe satria izy no nitso-drano an'i Abrahama.

Ahoana no fomba nanomezan'i Levy ampahafolon-karena an'i Melkizedeka?

Levy ihany koa dia nandoa ampahafolon-karena tamin'i Melkizedeka satria Levy dia tao anatin'ny tenan'ny razamben'i Abrahama rehefa nandoa ampahafolon-karena tamin'i Melkizedeka i Abrahama.

Hebrews 7:11

Nahoana no nila mpisorona hafa mba hitsanganana araka ny fomban'i Melkizedeka?

Nila mpisorona hafa mba hananganana araka ny fomban'i Melkizedeka satria tsy azo atao tamin'ny alalan'ny fisoronana levitika ny fahatanterahana.

Inona no tsy maintsy miova rehefa miova ny fisoronana?

Tsy maintsy miova ny lalàna rehefa miova ny fisoronana.

Hebrews 7:13

Avy amin'ny foko iza no niavian'i Jesosy, ary efa nanompo tahaka ny mpisorona teo amin'ny alitara ve io foko io taloha?

Jesosy dia avy amin'ny fokon'i Joda, izay tsy mbola nanompo teo amin'ny alitara tahaka ny mpisorona mihitsy taloha.

Hebrews 7:15

Inona no fototra naha-mpisorona an'i Jesosy araka ny fomban'i Melkizedeka?

Jesosy dia lasa mpisorona araka ny fomban'i Melkizedeka nifototra tamin'ny herin'ny fiainana tsy mety levona.

Hebrews 7:18

Inona no nofoanana noho izany nalemy sy tsy misy dikany?

Ny didy teo aloha, ny lalàna, dia nofoanana noho izany malemy sy tsy misy dikany.

Hebrews 7:20

Inona no fianianana nianianan'Andriamanitra mahakasika an'i Jesosy?

Andriamanitra dia nianiana fa Jesosy dia ho mpisorona mandrakizay.

Hebrews 7:22

Amin'ny inona no maha-antoka an'i Jesosy?

Jesosy dia antoka amin'ny fanekem-pihavanana tsara kokoa.

Hebrews 7:25

Nahoana Jesosy no afaka manavotra tanteraka an'ireo izay manatona akaiky an'Andriamanitra amin'ny alalany?

Afaka manavotra an'ireo izay manatona akaiky an'Andriamanitra amin'ny alalany Jesosy satria Izy miaina mandrakariva mba hanelanelana ho azy ireo.

Inona avy ireo toetra efatra ananan'i Jesosy izay manao Azy ho mpisorona marina ho an'ireo mpino?

Jesosy dia tsy misy ota, tsy manan-tsiny, madio, ary nosarahana tamin'ireo mpanota.

Inona no fanatitra ilain'i Jesosy atao nohon'ny fahotany manokana?

Tsy mila manao fanatitra ho an'ny fahotany Jesosy satria Izy tsy manam-pahotana.

Hebrews 7:27

Inona no fanatitra nataon'i Jesosy ho an'ireo fahotan'ny olona?

Jesosy dia nanolotra ny tenany indray mandeha ho an'ny fahotan'ny olona.

Ahoana no maha-samihafa an'i Jesosy amin'ireo mpisorona izay voatondro tamin'ny alalan'ny Lalàna?

Ireo mpisorona izay voatondro tamin'ny alalan'ny Lalàna dia malemy, fa Jesosy dia natao lafatra mandrakizay.

Hebrews 8

Hebrews 8:1

Aiza no mipetraka ny mpisoronaben'ireo mpino?

Ny mpisoronaben'ireo mpino dia mipetraka eo an-tanan'ankavanan'ny seza fiandrianan'ilay be Voninahitra any an-danitra.

Aiza no misy ny tabernakely marina?

Ny tabernakely marina dia any an-danitra.

Hebrews 8:3

Inona no zavatra mila hananan'ny mpisorona?

Ny mpisorona rehetra dia tsy maintsy manana zavatra hatolotra.

Taiza ireo mpisorona izay nanolotra fanomezana araka ny lalàna?

Teto an-tany ireo mpisorona izay nanolotra fanomezana araka ny lalàna.

Inona no tompoin'ireo mpisorona eto an-tany?

Ireo mpisorona eto an-tany dia manompo tandindona sy alok'ireo zavatra any an-danitra.

Araka ny modely inona no nanorenana ny tabernakely eto an-tany?

Ny tabernakely eto an-tany dia naorina araka ny modely nasehon'Andriamanitra an'i Mosesy teny an-tendrombohitra.

Hebrews 8:6

Nahoana i Kristy no manana mpisorona ambony amin'ny asa fanompoana?

Manana mpisorona ambony amin'ny asa fanompoana Kristy satria Izy no mpanelanelana amin'ny fanekena tsara kokoa, izay mifototra amin'ny fampanantenana tsara kokoa.

Hebrews 8:8

Inona no nampanantenain'Andriamanitra rehefa nahita hadisoana tamin'ny olona tao ambanin'ny fanekena voalohany Izy?

Andriamanitra dia nampanantena hanao fanekena vaovao amin'ny olon'Israely sy amin'ny olon'i Joda.

Hebrews 8:10

Inona no nolazain'Andriamanitra fa ho ataony amin'ny fanekena vaovao?

Andriamanitra dia nilaza fa hametraka ny lalàny ao an-tsain'ny olona Izy, ary hanoratra izany ao am-pon'izy ireo.

Hebrews 8:11

Ao amin'ny fanekena vaovao, iza no hahafantatra ny Tompo?

Ao amin'ny fanekena vaovao, dia hahafantatra ny Tompo ny olona rehetra, avy any amin'ny kely indrindra ka hatrany amin'ny lehibe indrindra.

Inona no nolazain'Andriamanitra fa ho ataony amin'ireo fahotan'ny olona ao amin'ny fanekena vaovao?

Nilaza Andriamanitra fa tsy hahatsiaro ireo fahotan'ny olona intsony Izy.

Hebrews 8:13

Tamin'ny fanambarana ny fanekena vaovao, inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny fanekena voalohany?

Tamin'ny fanambarana ny fanekena vaovao, dia nataon'Andriamanitra ho taloha sy akaiky ho levona ny fanekena voalohany.

Hebrews 9

Hebrews 9:1

Inona no toerana fivavahana tamin'ny fanekena voalohany?

Ny toerana fivavahana tamin'ny fanekena voalohany dia ny tabernakely eto an-tany.

Inona no hita ao amin'ny fitoerana masin'ny tabernakely eto an-tany?

Ao amin'ny fitoerana masin'ny tabernakely eto an-tany dia ahitana ny fitoeran-jiro, latabatra, ary ny mofon'ny fanatrehana.

Hebrews 9:3

Inona no hita ao amin'ny toerana masina indrindran'ny tabernakely eto an-tany?

Ao amin'ny toerana masina indrindran'ny tabernakely eto an-tany dia misy ny altara ho an'ny ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena.

Hebrews 9:6

Impiry ny mpisoronabe no miditra ao amin'ny toerana masina indrindra, ary inona no ataony mialohan'ny idirany?

Indray isan-taona ny mpisoronabe no miditra ao amin'ny toerana masina indrindra, rehefa avy manao rà sorona ho an'ny tenany sy ho an'ny olona.

Hebrews 9:8

Inona no nampiasaina ho fanoharana amin'izao fotona ankehitriny izao ho an'ireo mpamaky ity taratasy ity?

Ny tabernakely eto an-tany sy ireo fanomezana ary sorona natolotra dia nampiasaina toy ny fanoharana amin'izao fotona izao.

Inona no tsy vitan'ireo fanatitry ny tabernakely eto an-tany ireo?

Ireo fanomezana ho an'ny tabernakely eto an-tany ireo dia tsy afaka hahatanteraka ny fieritreretan'ny mpivavaka iray.

Mandra-pahoviana no nanomezana an'ireo fitsipika ho an'ny nofon'ny tabernakely eto an-tany ireo?

Ireo fitsipika ho an'ny nofon'ny tabernakely eto an-tany ireo dia nomena mandra-panamboarana ny fandaminana vaovao.

Hebrews 9:11

Inona no mampiavaka an'ilay trano-lay masina izay anompoan'i Kristy?

Ny lay masina izay anompoan'i Kristy dia lafatra kokoa, tsy nataon'ny tanan'olombelona, ary tsy an'izao tontolo voahary izao.

Inona no fanatitra nataon'i Kristy, izay nidirany tao amin'ny toerana masina indrindra?

Kristy dia nanao fanatitra ny ràny manokana izay nidirany tao amin'ny toerana masina indrindra.

Inona no tanteraky ny fanatitr'i Kristy?

Ny fanatitr'i Kristy dia niaro ny famonjena mandrakizay ho an'ny rehetra.

Hebrews 9:13

Inona no nataon'ny ràn'i Kristy tamin'ny mpino?

Ny ràn'i Kristy dia manadio ny fieritreretan'ny mpino amin'ny asa maty mba hanompoana an'ilay Andriamanitra velona.

Amin'ny inona no maha-mpanelanelana an'i Kristy?

Kristy dia mpanelanelana ny fanekena vaovao.

Hebrews 9:16

Inona no takiana mba hanan-kery ny didim-pananana?

Mila fahafatesana vao manan-kery ny didim-pananana.

Hebrews 9:18

Inona no fahafatesana notakiana tamin'ny fanekena voalohany?

Ny fahafatesan'ny zanak'omby sy osy no notakiana tamin'ny fanekena voalohany.

Hebrews 9:21

Inona no tsy afaka mitranga raha tsy misy fandatsahan-drà?

Raha tsy misy fandatsahan-drà dia tsy misy famelàna ny fahotana.

Hebrews 9:23

Aiza Kristy no miseho ho antsika ankehitriny?

Ankehitriny Kristy dia miseho any an-danitra, eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra, ho antsika.

Hebrews 9:25

Impiry no tsy maintsy hanoloran'i Kristy ny tenany mba hanalana ny fahotana amin'ny alalan'ny fanaovana sorona ny tenany?

Kristy dia manolotra ny tenany indray mandeha amin'ny faran'ny vanim-potoana mba hanalana ny fahotana amin'ny alalan'ny fanaovana sorona ny tenany.

Hebrews 9:27

Ho an'ny olona rehetra, inona no mitranga aorian'ny fahafatesan'izy ireo?

Rehefa maty ny olona rehetra, dia miatrika fitsaràna.

Ho amin'ny tanjona inona no hisehoan'i Kristy fanindroany?

Hiseho fanindroany Kristy ho famonjena an'ireo izay miandry Azy am-paharetana.

Hebrews 10

Hebrews 10:1

Inona ny lalàna mitaha amin'ny tena endrik'ireo zavatr'i Kristy?

Ny lalàna dia alokin'ny tena endrik'ireo zavatr'i Kristy fostiny.

Mampatsiahy inona amin'ireo mpidera ny sorona miverimberina natao tamin'ny alalan'ny Lalàna?

Ireo sorona miverimberina natao tamin'ny alalan'ny Lalàna dia mampatsiahy an'ireo mpidera ny ota natao isan-taona.

Inona no tsy vitan'ny ràn'ny omby lahy sy osy atao?

Tsy vitan'ny ràn'ny omby lahy sy osy ny manala ny fahotana.

Hebrews 10:5

Inona no nomanin'Andriamanitra ho an'i Kristy rehefa tonga eto amin'izao tontolo izao Kristy?

Andriamanitra dia nanomana vatana ho an'i Kristy.

Hebrews 10:8

Inona no nesorin'Andriamanitra tamin'i Kristy tonga teto amin'izao tontolo izao?

Andriamanitra dia nanala ny fampiharana voalohany ny sorona natolotra araka ny Lalàna.

Inona no fampiharana napetrak'Andriamanitra tamin'i Kristy tonga teto amin'izao tontolo izao?

Andriamanitra dia nametraka ny fampiharana faharoa ny fanatitry ny vatan'i Jesosy Kristy indray mandeha.

Hebrews 10:11

Inona no andrasan'i Kristy raha Izy mipetraka eo an-tanan'ankavanan'Andriamanitra?

Kristy dia miandry mandra-panaovana ireo fahavalony ho fitoeran-tongony.

Inona no vitan'i Kristy tamin'ireo izay nohamasinina tamin'ny fanatiny iray?

Kristy dia nahalavorary mandrakizay an'ireo izay nohamasinina tamin'ny fanatiny iray.

Hebrews 10:17

Inona no tsy takiana intsony eo amin'izay misy famelàna ny fahotana?

Ny sorona fanampiny dia tsy takiana intsony eo amin'izay misy famelàna ny fahotana.

Hebrews 10:19

Ao amin'ny toerana inona no afaka idiran'ireo mpino amin'ny alalan'ny ràn'i Jesosy ankehitriny?

Ireo mpino dia afaka miditra ao amin'ny toerana masina indrindra amin'ny alalan'ny ràn'i Jesosy.

Inona no nafafy ary inona no nodiovina tao amin'ny mpino?

Ny fon'ny mpino dia nodiovina amin'ny fieritreretana ratsy, ary ny vatany dia nodovina tamin'ny rano madio.

Hebrews 10:23

Amin'ny inona no tsy maintsy hihazonan'ireo mpino mafy?

Ireo mpino dia tsy maintsy mihazona mafy amin'ny fanekena ny fiandrandrana mahatokin'izy ireo.

Inona no tsy maintsy ataon'ireo mpino raha mahita izy ireo fa manakaiky ny andro?

Ireo mpino dia tsy maintsy mifampahery hatrany hatrany rehefa mahita fa manakaiky ny andro.

Hebrews 10:26

Inona no andrandrain'ireo izay minia manota rehefa avy mandray ny fahalalana ny marina?

Ny andrandrain'ireo izay minia manota rehefa avy mandray ny marina dia ny fitsaràna sy afo izay hamotika ireo fahavalon'Andriamanitra.

Hebrews 10:28

Inona no mendrika ny olona izay manao ho toy ny zavatra tsy masina ny ràn'i Kristy izay nanamasinana Azy?

Ny olona izay manao ho toy ny zavatra tsy masina ny ràn'i Kristy izay nanamasinana Azy dia mendrika ny fanasaziana omena ambanin'ny Lalàn'i Mosesy.

Hebrews 10:30

An'iza ny valifaty?

An'ny Tompo ny valifaty.

Hebrews 10:32

Ahoana ny fihetsik'ireo mpino izay nandray ity taratasy ity tamin'ny nangalana ny fananan'izy ireo?

Nanaiky am-pifaliana ireo mpino tamin'ny nangalana ny fananan'zy ireo, nahafantatra fa nanana fananana tsara kokoa sy maharitra izy ireo.

Hebrews 10:35

Inona no ilain'ny mpino mba handraisany izay nampanantenain'Andriamanitra?

Mila fahatokiana sy faharetana ny mpino mba afahany mandray izay nampanantenain' Andriamanitra.

Hebrews 10:38

Ahoana no hiveloman'ny olo-marina?

Ny olo-marina dia hivelona amin'ny finoana.

Inona no eritreretin'Andriamanitra amin'ireo izay miverin-dalana?

Andriamanitra dia tsy faly amin'ireo izay mihemotra.

Inona no andrandrain'ny mpanoratra ho an'ireo izay nandray ity taratasy ity?

Ny andrandrain'ny mpanoratra dia ny mba hananan'ireo izay mandray ity taratasy ity ny finoana ho amin'ny fihazonana ny fanahin'izy ireo.

Hebrews 11

Hebrews 11:1

Inona no toetra ananan'ny olon'ny finoana manoloana ireo fampanantenan'Andriamanitra izay efa ho tanteraka?

Ny olon'ny finoana dia miandrandra am-pahatokiana ary manana antoka manoloana ireo fampanantenan'Andriamanitra izay efa ho tanteraka.

Avy tamin'ny inona no nahariana an'ireo zavatra hita maso eto amin'izao tontolo izao?

Ireo zavatra hita maso eto amin'izao tontolo izao dia tsy avy tamin'ny zavatra izay hita maso.

Hebrews 11:4

Nahoana Andriamanitra no nidera an'i Abela tamin'ny fahamarinany?

Andriamanitra nidera an'i Abela satria Abela tamin'ny finoana dia nanolotra an'Andriamanitra fanatitra tsara kokoa noho ny an'i Kaina.

Hebrews 11:5

Inona no tsy maintsy hinoan'ny olona izay manatona an'Andriamanitra momba an'Andriamanitra?

Ny olona izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra ary Izy dia mamaly soa an'ireo izay mitady Azy.

Hebrews 11:7

Ahoana no nampisehoan'i Noa ny finoany?

Noa dia nampiseho ny finoany tamin'ny alalan'ny fanamboarana sambo mba hamonjena ny fianakaviany araka ny nampitandreman' Andriamanitra.

Hebrews 11:11

Inona no fampanantenana azon'i Abrahama sy Saraha tamin'ny finoana?

Abrahama sy Saraha tamin'ny alalan'ny finoana dia nandray ny hery hananana anaka na dia efa tena antitra azy ireo.

Hebrews 11:13

Inona no itan'ireo razamben'ny finoana avy eny alavitra?

Ireo razamben'ny finoana dia nahita sy niarahaba ireo fampanantenan'Andriamanitra avy eny alavitra.

Inona no fandraisan'ireo razamben'ny finona ny tenan'izy ireo ety an-tany?

Ireo razamben'ny finoana dia mandray ny tenan'izy ireo ho vahiny ety an-tany.

Hebrews 11:15

Inona no nomanin'Andriamanitra ho an'ireo izay avy amin'ny finoana?

Andriamanitra dia nanomana tanàna any an-danitra ho an'ireo izay avy amin'ny finoana.

Hebrews 11:17

Inona no ninoan'i Abrahama fa afaka ataon'Andriamanitra na dia nanolotra an'i Isaka zanany lahy tokana aza izy?

Abrahama dia nino fa afaka manangana an'Isaka amin'ny maty Andriamanitra.

Hebrews 11:20

Inona no naminanian'i Josefa tamin'ny finoana rehefa nanakaiky ny fara andro niainany?

Josefa dia naminany momba ny fiaingan'ny zanak'Israely avy any Egypta rehefa nanakaiky ny fiafarany.

Hebrews 11:23

Inona no nosafidian'i Mosesy hatao tamin'ny finoana rehefa niha-lehibe izy?

Mosesy tamin'ny finoana dia nisafidy ny hizara fijaliana niaraka tamin'ny vahoakan'Andriamanitra, nandray ny fahafaham-baraka amin'ny fanarahana an'i Kristy toy ny harena lehibe kokoa.

Hebrews 11:27

Inona no narahan'i Mosesy maso tamin'ny finoana mba hamonjena ny zanak'ireo Israelita lahy voalohany?

Mosesy dia nanara-maso ny Paska sy ny famafazana ny rà tamin'ny finoana mba hamonjena ny zanak'ireo Israelita lahy voalohany.

Hebrews 11:29

Inona no nataon'i Rahaba tamin'ny finoana ka niaro azy tsy ho faty?

Tamin'ny finoana Rahaba dia nandray ireo mpitsikilo am-piadanana izay niaro azy tsy ho faty.

Hebrews 11:32

Inona no tanterak'ireo sasany tamin'ireo razamben'ny finoana tany an'ady?

Ny sasany tamin'ireo razamben'ny finoana dia nahazo ireo fanjakana, nandositra ny lelan'ny sabatra, lasa nahery an'ady, ary nampitsoaka an'ireo tafika vahiny.

Hebrews 11:35

Inona no nijalian'ny sasany tamin'ireo razamben'ny finoana?

Ny sasany tamin'ireo razamben'ny finoana dia niaritra fampijaliana, fanesoana, fikapohana, fatotra, fanagadrana, fitoraham-bato, notsofaina hizara roa, fahafatesana, ary fahoriana.

Hebrews 11:39

Na dia teo aza ny finoan'ireo razambe ireo, dia inona no tsy azon'ireo tamin'ny fiainan'izy ireo tety an-tany?

Na dia teo aza ny finoan'ireo razambe ireo, dia tsy nandray izay nampanantenain'Andriamanitra azy izy ireo tamin'ny fiainan'izy ireo tety an-tany.

Miaraka amin'iza no handraisan'ireo razamben'ny finoana ny fampanantenan' Andriamanitra sy ny fahalavorariana?

Ireo razamben'ny finoana dia handray ireo fampanantenan'Andriamanitra sy atao lavorary miaraka amin'ny fanekena vaovaon'ireo mpino an'i Kristy.

Hebrews 12

Hebrews 12:1

Nahoana ny mpino no tokony hanary ny fahotana izay mora manodidina azy?

Satria izy voahodidina vahoaka vavolombelona maro, dia tokony hanary ny fahotana izay mora manodidina azy izy.

Nahoana Jesosy no niaritra ny hazofijaliana sy na dia teo aza ny henatr'izany?

Niaritra ny hazofijaliana Jesosy na dia teo aza henatr'izany nohon'ny hafaliana izay napetraka teo anoloany.

Ahoana no ahafahan'ny mpino miala amin'ny faharerahana na faharerahana am-po?

Amin'ny fieritreretana an'i Jesosy izay niaritra teny feno fankahalana avy amin'ireo mpanota, dia afaka miala amin'ny faharerahana na faharerahana am-po ny mpino.

Hebrews 12:4

Inona no ataon'ny Tompo amin'ireo izay tiany sy raisiny?

Ny Tompo dia manafay an'ireo izay tiany sy raisiny.

Hebrews 12:7

Inona ny olona tsy manana ny fitsipiky ny Tompo?

Ny olona tsy manana ny fitsipiky ny Tompo dia zazasary fa tsy zanak'Andriamanitra.

Hebrews 12:9

Inona no vokarin'ny fitsipika?

Ny fitsipika dia mamokatra vokatra feno fiadanan'ny fahamarinana.

Hebrews 12:14

Inona no tokony henjehin'ireo mpino miaraka amin'ny olona rehetra?

Ireo mpino dia tokony hanenjika fiadanana miaraka amin'ny olona rehetra.

Inona no tsy tokony hitombo sy hampikorontana ary handoto ny maro?

Ny fakan'ny fahangidiana dia tsy tokony hitombo sy hiteraka kotontana ary handoto ny maro.

Inona no nitranga tamin'i Esao rehefa naniry handova ny fitahiana tamin-dranomaso taorian'ny nivarotany ny fizokiany?

Nolavina Esao rehefa naniry ny handova ny fitahiana tamin-dranomaso taorian'ny nivarotany ny fizokiany.

Hebrews 12:18

Inona no nangatahan'ireo Israelita tany an-tendrombohitra izay nitenenan'Andriamanitra?

Ireo Israelita dia nangataka mba tsy hisy teny hafa ho lazaina amin'izy ireo intsony.

Hebrews 12:22

Tonga taiza ireo mpino an'i Kristy raha tokony ho tany an-tendrombohitra izay nandrenesan'ireo Israelita ny feon'Andriamanitra?

Ireo mpino an'i Kristy dia tonga tany an-tendrombohitr'i Ziona sy ny tanàn'ilay Andriamanitra velona.

Tonga tany amin'ny antokon'ny inona ireo mpino an'i Kristy?

Ireo mpino an'i Kristy dia tonga teo amin'ny antokon'ny voalohan-teraka rehetra izay voasoratra any an-danitra.

Tonga tany amin'iza ireo mpino an'i Kristy?

Ny mpino an'i Kristy dia tonga teo amin'Andriamanitra ilay mpitsara ny rehetra, teo amin'ny fanahin'ireo olon'ny fahamarinana, ary teo amin'i Jesosy.

Hebrews 12:25

Inona no hitranga amin'ireo izay mivadika amin'ilay iray izay nampitandrina azy ireo avy any an-danitra?

Tsy afaka handositra an'Andriamanitra ireo izay mivadika.

Inona no nampanantenain'Andriamanitra ho hozongozonina?

Andriamanitra dia nampanantena hanozongozona ny tany sy ny lanitra.

Hebrews 12:27

Inona no ho raisin'ireo mpino raha tokony ho ireo zavatra izay afaka hozongozonina?

Ireo mpino dia handray ny fanjakana izay tsy afaka hozongozonina.

Ahoana no tokony hideran'ireo mpino an'Andriamanitra?

Ireo mpino dia tokony hidera an'Andriamanitra am-panajana sy amin-tahotra.

Nahoana ireo mpino no tokony hidera amin'izany fomba izany?

Tokony hidera amin'izany fomba izany ireo mpino satria Izy afo mandevona.

Hebrews 13

Hebrews 13:1

Inona no nataon'ny sasany tamin'ny fampiantranoana ireo vahiny?

Ny sasany dia nampiantrano ireo anjely nefa tsy nahafantatra izany.

Hebrews 13:3

Ahoana no tokony hahatsiarovan'ireo mpino an'ireo any am-ponja?

Ireo mpino dia tokony hahatsiaro azy ireo toy ny hoe any am-ponja ihany koa izy ireo, sy toy ny hoe nampahoriana ihany koa ny vatan'izy ireo.

Inona no tsy maintsy hajain'ny rehetra?

Ny fanambadiana dia tsy maintsy hajain'ny rehetra.

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ny mpangala-badin'olona sy mpijangajanga?

Andriamanitra dia mitsara ny mpangala-badin'olona sy mpijangajanga.

Hebrews 13:5

Ahoana no ahafahan'ny mpino miala amin'ny fitiavam-bola?

Ny mpino dia mety ho afaka amin'ny fitiavam-bola satria Andriamanitra nilaza fa Izy tsy handao na hahafoy azy mihitsy.

Hebrews 13:7

Finoan'iza no tokony alain'ireo mpino tahaka?

Ireo mpino dia tokony haka tahaka ny finoan'ireo izay nitarika azy ireo sy ireo izay nilaza ny tenin' Andriamanitra tamin'izy ireo.

Hebrews 13:9

Momban'ny karazana fampianarana hafahafa toy ny inona no hampitandremin'ny mpanoratra an'ireo mpino?

Ny mpanoratra dia mampitandrina an'ireo mpino momban'ny fampianarana hafahafa mampiditra fitsipika momban'ny sakafo.

Taiza no nodorana ny vatan'ireo biby nampiasaina natao fanatitra tao amin'ilay toerana masina?

Ny vatan'ireo biby dia nodorana tany ivelan'ny toby.

Hebrews 13:12

Taiza Jesosy no nijaly?

Jesosy dia nijaly tany ivelan'ny vavahadin'ny tanàna.

Aiza no tsy maintsy andehanan'ireo mpino, ary nahoana?

Tsy maintsy nandeha nankany amin'i Jesosy tany ivelan'ny toby ireo mpino, hitondra ny fahafaham-barakany.

Inona no tanàna maharitra ananan'ireo mpino ety ambonin'ny tany ety?

Tsy manana tanàna maharitra ety ambonin'ny tany ety ireo mpino.

Inona kosa no tanàna tadiavin'ireo mpino?

Ireo mpino kosa dia mitady ilay tanàna izay ho avy.

Hebrews 13:15

Inona no fanatitra tokony hatolotr'ireo mpino an'Andriamanitra hatrany?

Ireo mpino dia tokony hanolotra fanati-piderana ho an'Andriamanitra hatrany.

Inona no toetra tokony hananan'ireo mpino manoloana ny mpiatarika azy ireo?

Ireo mpino dia tokony mankatoa sy manaiky ny mpitarika azy ireo.

Hebrews 13:20

Inona iasan'Andriamanitra ao amin'ny mpino?

Andriamanitra dia miasa ao amin'ny mpino izay tena ankasitrahana eo imason'Andriamanitra.

Hebrews 13:22

Ho tonga miaraka amin'iza ny mpanoratra rehefa hitsidika an'ireo mpino?

Ny mpanoratra dia ho tonga miaraka amin'i Timoty rehefa hitsidika an'ireo mpino izy.