Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Nehemiah 1

Nehemiah 1:1

Iza no nanoratra ny bokin'i Nehemia?

Nehemia zanak'i Hakalia no nanoratra ny bokin'i Nehemia.

Oviana i Nehemia no nanontany momba ireo Jiosy izay nandositra, ireo sisa tavela teo amin'ny Jiosy tany, ary mbomba an'i Jerosalema tamin'ny olona avy any Joda?

Tamin'ny volana Kisleo, tamin'ny taona faharoapolo izy no nanontany azy ireo.

Nehemiah 1:3

Inona no navalin'i Hanany sy ireo olona avy any Joda sasany?

Novalian'izy ireo fa izay tafavoaka velona tamin'ny fahababoana tany amin'ny faritany dia anaty fangorohoroana sy fahafaham-baraka lehibe satria vaky nirodana ny mandan'i Jerosalema, ary voadoro tamin'ny afo ny vavahadiny.

Nehemiah 1:4

Inona no nataon'i Nehemia rehefa reny ny momba ny Jerosalema?

Nipetraka izy ka nitomany, ary nandritra ny andro maro dia nanohy nalahelo sy nifady hanina ary nivavaka izy.

Inona no nangatahin'i Nehemia rehefa nivavaka teo anatrehan'ny Andriamanitry ny lanitra?

Nangataka izy mba hihainoan'i Yaveh ny fivavahany; mba hahatsiarovan'i Yaveh ny teny izay nandidiany an'i Mosesy, tamin'ny nampanantenany ny hanangona ireo Israelita niparitaka raha miverina aminy izy ireo ary manaraka sy manao ny didiny, ary mba hanomezan'i Yaveh fahombiazana sy hanomezany famindram-po azy.

Nehemiah 1:6

Inona no neken'i Nehemia rehefa nivavaka teo anatrehan'ny Andriamanitry ny lanitra?

Niaiky ny fahotan'ny vahoakan'Israely sy ny fahotany manokana i Nehemia ary ny fahotan'ny fianakaviany. Nambaran'i Nehemia fa nanao ratsy tamin'i Yaveh tokoa izy ireo ary tsy nitandrina ny didy, ny lalàna, ary ny fitsipik'i Yaveh izay nandidiany an'i Mosesy.

Nehemiah 1:10

Nanompo an'iza ho mpitondra kapoaka i Nehemia?

Fa nanompo ho mpitondra kapoaka teo amin'ny mpanjaka i Nehemia.

Nehemiah 2

Nehemiah 2:1

Tamin'ny daty inona i Nehemia, rehefa nalahelo, no nanome divay ho an'ny mpanjaka?

Tamin'ny volan'i Nisana, tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka no nanome divay ho an'ny mpanjaka izy.

Nehemiah 2:3

Nahoana i Nehemia no nalahelo?

Nalahelo izy satria rava ny tanàna ary potika ny vavahadiny.

Nehemiah 2:4

Inona no nataon'i Nehemia rehefa nanontany izay tiany hatao aminy ny mpanjaka?

Nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lanitra i Nehemia.

Inona no tian'i Nehemia mba hanomezan'ny mpanjaka alalana azy ho ataony?

Te hahazo alalana avy amin'ny mpanjaka mba hankany Joda hamerina hanorina ny tanàna i Nehemia.

Nehemiah 2:9

Rehefa nandefa an'i Nehemia niaraka tamin'ny manam-boninahitry ny tafika sy mpitaingi-tsoavaly ny mpanjaka, nahoana i Sanbala sy Tobia no tsy faly?

Tsy faly izy ireo fa nisy olona tonga ka nitady hanampy ny vahoakan'Israely.

Nehemiah 2:11

Rehefa nifoha tamin'ny alina i Nehemia, izay no nilazany izay nataon'Andriamanitra tao am-pony mba hatao ho an'i Jerosalema?

Tsy nilaza tamin'iza na iza izay nataon'Andriamanitra tao am-pony mba hatao ho an'i Jerosalema i Nehemia.

Nehemiah 2:17

Rehefa nambaran'i Nehemia tamin'ireo mpanapaka, ireo Jiosy, ireo mpisorona, ireo olona ambony, ireo sisa izay nanao ny asa fa teo aminy ny tanana tsaran'ny Andriamaniny sy ny mbomba ny teny izay nolazain'ny mpanjaka taminy, dia inona no nataon'izy ireo sy nolazainy?

Nambaran'izy ireo fa hitsangana izy ireo ka hanorina, ary nampatanjaka ny sandriny ho amin'ny asa tsara izy ireo.

Nehemiah 2:19

Ahoana no navalin'i Nehemia an'i Sanbala, Tobia, ary Gesema rehefa nandre momba ny asa izy ireo ka naneso sy nanala baraka ny mpiasa?

Namaly i Nehemia tamin'ny filazana fa hanome fahombiazana azy ireo ilay Andriamanitry ny lanitra ary mpanompony izy ireo, fa i Sanbala, Tobia, ary Gesema dia tsy manana anjara, na rariny, ary fifandraisana amin'ny tantara ao Jerosalema

Nehemiah 3

Nehemiah 3:1

Iza no nanorina sy nanamasina ny Vavahadin'Ondry?

Eliasiba sy ireo mpisorona rahalahiny no nanamboatra ny Vavahadin'Ondry.

Nehemiah 3:3

Iza no nanorina ny Vavahadin'ny Hazandrano?

Namboarin'ireo zanaka lahin'i Hasena ny Vavahadin'ny Hazandrano.

Mpitarik'iza no tsy nanaiky hanao ny asa nibaikoan'ireo mpanara-masony?

Ny Tekoita no tsy nanaiky hanao ny asa.

Nehemiah 3:6

Iza no nanamboatra ny Vavahady Taloha?

Joiada sy Mesolama no nanamboatra ny Vavahady Taloha.

Nehemiah 3:8

Iza no nanamboatra an'i Jerosalema hatrany amin'ny Rindrina Lehibe?

Oziela sy Hanania no nanamboatra an'i Jerosalema hatrany amin'ny Rindrina Lehibe.

Nehemiah 3:11

Iza no nanamboatra faritra hafa manaraka ny Tilikambon'ny Fatana?

Malkia zanaka lahin'i Harima sy Hasoba no nanamboatra faritra hafa manaraka ny Tilikambon'ny Fatana.

Iza no nanampy an'i Saloma hanamboatra ny manda?

Ny zanany vavy no nanampy azy.

Nehemiah 3:13

Iza no nanamboatra ny Vavahadin'ny Lohasaha ka hatrany amin'ny Vavahadin-Jezika?

Hanona sy ny mponin'i Zanoa no nanamboatra ny Vavahadin'ny Lohasaha ka hatrany amin'ny Vavahadin-Jezika.

Nehemiah 3:14

Iza no nanamboatra ny Vavahadin-Jezika?

Malkia zanak'i Rekaba no nanamboatra ny Vavahadin-Jezika.

Iza no nanamboatra ny Vavahadin'ny Loharano sy ny mandan'ny Farihin'i Siloa?

Saloma no nanamboatra ny Vavahadin'ny Loharano sy ny mandan'ny Farihin'i Siloa.

Nehemiah 3:16

Iza no nanamboatra ny avy teny amin'ny toerana teny ampitan'ny fasan'i Davida ka hetrany amin'ny tranon'ireo lehilahy mahery?

Nehemia zanaka lahin'i Azboka no nanamboatra izany faritra izany.

Nehemiah 3:20

Iza nanamboatra am-pahavitrihana avy eo amin'ny zoron-drindrina hatrany amin'ny varavaran-tranon'i Eliasiba mpisoronabe?

Baroka zanaka lahin'i Zabay no nanamboatra izany.

Nehemiah 3:22

Faritra taiza teo amin'ny manda no namboarin'i Benjamina sy Hasoba?

Ny faritra manandrify ny tranon'izy ireo no namboariny.

Nehemiah 3:28

Iza no nanao ny fanamboarana teo amin'ny faritra ambonin'ny Vavahadin-tsoavaly?

Ireo mpisorona dia nanamboatra ny teo ambonin'ny Vavahadin-tsoavaly, izay tandrifin'ny tranon'ny tsirairay.

Nehemiah 3:31

Iza no nanamboatra ny manda teo anelanelan'ny efitrano ambony teo an-jorony sy ny Vavahadin'Ondry?

Ireo mpanefy volamena sy ireo mpanao raharaham-barotra no nanamboatra ny teo.

Nehemiah 4

Nehemiah 4:1

Iza no naneso an'ireo Jiosy rehefa nandre fa nananga ny manda izy ireo?

Sanbala sy Tobia no naneso ny Jiosy.

Nehemiah 4:4

Nahoana i Nehemia no nangataka tamin'Andriamannitra mba tsy hanarona ny helok'i Sanbala sy Tobia?

nangataka tamin'Andriamannitra mba tsy hanarona ny helok'i Sanbala sy Tobia i Nehemia satria nanamavo ny Jiosy ary nihantsy ny fahatezeran'ireo mpanangana izy ireo.

Nehemiah 4:7

Rehefa tonga hiady tamin'i Jerosalema i Sanbala, Tobia, ary ireo Arabo, ireo Amonita, ary ny Asdodita, dia inona no nataon'ireo mpanangana sy ny vahoaka?

Ny vavaka tamin'ny Andriamaniny izy ireo ary nanisy mpiambina mba ho fiarovana.

Nehemiah 4:12

Inona no nataon'i Nehemia taorian'ny nampitandreman'ireo Jiosy azy ny amin'ny teti-dratsy natao hanohitra azy?

Taorian'ny nandrenesan'ny Nehemia momba ny teti-drasty hanoherana azy, dia nametraka olona tany amin'ny faritra iva indrindra amin'ny manda teny amin'ny toerana miharihary izy. Nametraka ny fianakaviana tsirairay niaraka tamin'ny fitaovam-piadiany izy. Niteny tamin'ny olona izy mba tsy hatahotra ny fahavalon'izy ireo, mba hahatsiaro ny Tompo mahagaga sy lehibe, ary mba hiady ho an'ny fianakaviany sy ny ankohonany.

Nehemiah 4:15

Nahoana no lasa fantatry ny mpiasa ny tetik'ireo fahavalo?

Lasa fantatry ny mpiasa ny tetik'ireo fahavalo satria nasavorovoron'Andriamanitra ny paik'adiny.

Inona no nasain'i Nehemia nataon'ny mpanompony?

Nasain'i Nehemia niasa ho an'ny fananganana ny manda fotsiny ny antsasak'ireo mpanompony ary nasainy nitana ny fiadiany sy nanao akanjo fiarovana ny antsasany.

Nehemiah 4:19

Nahoana i Nehemia no niteny tamin'ny olona fa tsy maintsy mihazakazaka eny amin'ny toerana izay nandrenesany ny feon-trompetra izy ireo ary mivory eo?

Nilaza izany tamin'ny olona i Nehemia satria nisaratsaraka izy ireo teo ambonin'ny manda, mifanalavitra be.

Nehemiah 4:21

Nahoana ny olona no tsy nody tany an-tranony mba hatory na hisolo akanjo?

Tsy nody tany an-tranony mba hatory na hisolo akanjo izy ireo mba hahafahan'izy ireo mandany ny alina eo afovoan'i Jerosalema, ho mpiambina mandritra ny alina ary mpiasa mandritra ny andro.

Nehemiah 5

Nehemiah 5:6

Nahoana ireo lehilahy sy vehivavy no nampiakatra fitarainana ny amin'ireo Jiosy namany?

Nampiakatra fitarainana izy ireo satria tsy maintsy nanao ny taniny ho antoka ary nivarotra ny zanany hahazoana hanina, kanefa ireo olona ambony sy ireo manam-pahefana dia mbola maka zanany amin'izy ireo ihany.

Na dia noverenan'ireo lehilahy sy vehivavy novidiana avy tamin'ny fanandevozana aza ireo Jiosy rahalahiny izy namidy tamin'ireo firenena, inona no nataon'ireo olona ambony sy manam-pahefana?

Nivarotra ireo rahalahiny sy anabaviny izy ireo, mba hahafahan'izy ireo haverina hamidy amin'ny Jiosy lahy sy vavy hafa indray.

Nehemiah 5:9

Nahoana i Nehemia no nandidy an'ireo olona ambony, ireo manam-pahefana, ary ireo mpisorona mba hamerina izay nampisamboran'izy ireo ny olona?

Nandidy azy ireo mba hanao izany izy satria tsy tsara ny nataon'izy ireo, ary nahatonga ny firenena izay fahavalony hiteny ratsy azy ireo.

Nehemiah 5:12

Ahoana no navalin'ireo olona ambony, ireo manam-pahefana, ary ireo mpisorona ny didin'i Nehemia?

Nilaza izy ireo fa hanao araka ny nandidiany, dia niteny hoe "Amena," ary nidera an'i Yaveh.

Nehemiah 5:14

Nahoana no tsy nandray ny sakafo namatsiana ho an'ny governora nandritra ny 12 naha-governoran'i Joda azy na i Nehemia na ireo rahalahiny?

Tsy nanao izany izy satria nametraka enta-mavesatra lehibe teo amin'ny vahoaka ireo governora teo aloha, saingy izy kosa natahotra an'Andriamanitra.

Nehemiah 5:16

Iza no nisakafo teo an-databatr'i Nehemia?

Ireo manam-pahefana Jiosy, lehilahy 150, ary ireo izay nankany amin'i Nehemia avy tamin'ireo firenena nanodidina azy no nisakafo teo an-databatr'i Nehemia

Nehemiah 5:18

Nahoana i Nehemia no nangataka an'Andriamanitra mba hahatsiaro azy amin'ny stara?

Nangataka an'Andriamanitra hanao izany izy nohon'ny amin'izay rehetra nataon'i Nehemia ho an'ny vahoaka.

Nehemiah 6

Nehemiah 6:1

Rehefa nangataka an'i Nehemia mba hihaona tamin'izy ireo tany amin'ny lemak'i Ono i Sanbala, Tobia ary Gesema, inona no nokasain'izy ireo?

Nikasa ny hanisy ratsy an'i Nehemia i Sanbala, Tobia ary Gesema.

Nehemiah 6:3

Ahoana no namalian'i Nehemia ny fangatahan'ireo fahavalony?

Nandefa iraka tamin'izy ireo Nehemia nilaza hoe: "Manao asa lehibe aho, ka tsy afaka midina. Nahoana no tokony hitsahatra ny asa raha hilaozako izany ka midina any aminao aho?"

Nehemiah 6:5

Inona no nambaran'ny Sanbala tao amin'ny hafany fahadimy?

Nambarany fa ny firenena rehetra dia nitatitra fa nitetika ny hikomy i Nehemia sy ny Jiosy, ary ny mpanjaka dia handre ireo tatitra ireo tokoa.

Ahoana no namalian'i Nehemia ny hafatr'i Sanbala fahadimy?

Novalian'i Nehemia izany tamin'ny filazana fa namorona ireo tatitra ireo tao am-pony i Sanbala.

Nehemiah 6:8

Ahoana no namalian'i Nehemia ny hafatr'i Sanbala fahadimy?

Novalian'i Nehemia izany tamin'ny filazana fa namorona ireo tatitra ireo tao am-pony i Sanbala.

Inona no nivavahan'i Nehemia rehefa fantany fa nitady hampijanona ny asa i Sanbala sy ny fahavalon'i Jiosy ary natahotra ireo Jiosy?

Nivavaka i Nehemia mba hampatanjahan'Andriamanitra ny tanany.

Nehemiah 6:10

Nahoana i Nehemia no tsy nanaiky hihaona tamin'i Semaia, zanaka lahin'i Delaia,zanaka lahin'i Mehetabela, tao an-tempoly?

Tsy nanaiky i Nehemia satria nihevitra izy fa ny lehilahy tahaka ny tenany dia tsy handositra mba hanavotra ny ainy ihany.

Nehemiah 6:12

Inona no nitranga raha nankany an-tempoly i Nehemia?

Ho nanota izy, ary avy eo dia ho nomen'i Tobia sy Sanbala laza ratsy mba hanalana baraka azy i Nehemia.

Inona no nivavahan'i Nehemia fanindroany?

Nivavaka izy mba hahatsiarovan'Andriamanitra an'i Tobia, ilay mpaminany vavy Noadia, ary ireo mpaminany sisa izay nitady hampatahotra azy.

Nehemiah 6:15

Nahoana ny fahavalon'i Nehemia no lasa natahotra ary lavo nangahiahy teo imason'izy ireo ihany rehefa vita ny manda?

Lasa natahotra izy ireo satria fantany fa vita niaraka tamin'ny fanampian'ny Andriamanitry ny Jiosy ny asa.

Nehemiah 7

Nehemiah 7:1

Oviana no nomen'i Nehemia ho an'i Hanany rahalahiny ny fitantanana an'i Jerosalema?

Taorian'ny namitany ny manda, nametrahany ny varavarana, ary nanendreny mpiandry vavahady, mpihira, ary Levita no nanomezany ny fitantanana.

Nahoana i Nehemia no nanendry an'i Hanany?

Nanao izany i Nehemia satria lehilahy mahatoky i Hanany ary natahotra an'Andriamanitra mihoatra ny maro.

Nehemiah 7:3

Oviana no tokony hisokatra ny vavahadin'i Jerosalema?

Tokony hisotraka izany rehefa mahamay ny masoandro.

Na dia malalaka sy midadasika aza tanàna, nisy olona sy trano ve tao anatin'izany?

Vitsy ny olona tao an-tanàna, ary tsy nisy trano.

Nehemiah 7:5

Inona nataon'Andriamanitra tao am-pon'i Nehemia mba hataony?

Andriamanitra dia nametraka tao am-pon'i Nehemia ny hamoriana ireo manan-kaja, ireo manam-boninahitra, sy ireo vahoaka mba ho soratana anarana araka ny fianakavian'izy ireo.

Nehemiah 7:64

Inona no natao mahakasika ireo mpisorona izay tsy afaka nahita ny firaketan'ny tetiarany ary inona no no nandraran'ireo Governora tsy ho ataon'izy ireo?

Ireo mpisorona izay tsy afaka nahita ny firaketan'ny tetiarany dia nesorina tamin'ny fisoronany ary nambaran'ny governora fa tsy tokony havela hihinana ny anjara sakafon'ny mpisorona avy amin'ireo sorona izy ireo.

Rahoviana ireo mpisorona izay tsy afaka nanaporofo ny tetiarany no afaka ampidirina amin'ny fisoronana indray?

Hampidirina indray izy ireo rehefa misy mpisorona mitsangana miaraka amin'ny Orima sy Tomima.

Nehemiah 7:66

Firy ireo olona voaisa tao amin'ny fanisan'ny governora?

42.360 no fitambaran'ny vondrona rehetra.

Nehemiah 7:70

Iza no nanome fanomezana ho an'ny asa?

Ny sasany tamin'ireo lohan'ny fianakavian'ireo razambe dia nanome fanomezana, tahaka ny nataon'ireo vahoaka sisa.

Nehemiah 7:73

Oviana ireo mpisorona, Levita, mpiandry vavahady, mpihira, mpanompon'ny tempoly, ary ny vahoka no nipetraka tao amin'ny tanànan'izy ireo?

Tamin'ny volana fahafito izy ireo no nipetraka tao amin'ny tanànany.

Nehemiah 8

Nehemiah 8:1

Iza no niara niangona mba hihaino ny bokin'ny lalàna?

Ny olona sy Mosesy, ary izay rehetra afa-mahatakatra no niangona mba hihaino izany.

Nehemiah 8:4

Iza no namaky ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra?

Ezra, ireo hafa ankoatra azy, ary ireo Levita no namaky izany.

Nehemiah 8:6

Nahoana i Ezra, ireo hafa ankoatra azy, ary ireo Levita no tsy maintsy mandika ary manome ny hevitry ny boky?

Tsy maintsy mandika ary manome ny hevitry ny boky izy ireo mba hahafahan'ny olona mahatakatra ny vakiteny.

Nehemiah 8:9

Nahoana ny olona no nodidian'i Nehemia, Ezra, ary ireo Levita mba hankalaza amin'ny fifaliam-be fa tsy hisaona na hitomany?

Nodidiana hankalaza izy ireo fa tsy hisaona na hitomany satria masina amin'ny Yaveh Andriamanitr'izy ireo ilay andro ary ny fifalian'i Yaveh no herin'izy ireo.

Nehemiah 8:13

Inona no azon'ireo mpitariky ny fianakavian'ny razambe, ireo mpisorona, ary ireo Levita notsoahina rehefa niara-tonga hianatra amin'i Ezra izy ireo?

Hain'izy ireo fa Yaveh dia nandidy ny vahoakan'Israely mba honina anaty lay mandritra ny firavoravoan'ny volana fahafito.

Nehemiah 8:16

Taiza no nanaovan'ny vahoaka ny lainy mba hankalazana ny firavoravoana?

Teny ambony tafon-tranony ihany, teny an-tokontanin'izy ireo, teny amin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra, teny amin'ny kianja malalaka anoloan'ny Vavahadin-drano, sy teny amin'ny kianja malalaka akaikin'ny Vavahadin'i Efraima no nanaovan'izy ireo ny lainy.

Oviana no fotoana farany nankatoava'ny vahoakan'Israely ny didin'i Yaveh mba hankalaza ny firavoravoana?

Tamin'ny andron'i Josoa zanak'i Nona no farany nankalazana ny firavoravoana.

Nehemiah 8:18

Nahoana ny olona no niara-niangona nanomboka tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafito ka hatramin'ny faran'ny volana?

Niangona ny vahoaka mba hihaino ny bokin'ny lalàna.

Nehemiah 9

Nehemiah 9:1

Amin'ny ankapobeny, inona no nataon'ireo vahoakan'Israely rehefa niara-niangona tamin'ny andro fahefatra amby roapolo tamin'io volana io ihany?

Nifady hanina, nanao akanjo fisaonana ny vahoakan'Israely, ary nanisy vovoka teny an-dohany. Nanasaraka ny tenany tamin'ny vahiny ireo Israelita, ary nitsangana ka niaiky nyy fahotany manokana sy ny fahotan'ny razany.

Nehemiah 9:5

Inona no nolazain'ny olona momba an'i Yaveh?

Nambaran'ny olona fa Izy ihany no Yaveh, ary Izy no nanao ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, ary ny zavatra rehetra izay ao amin'ireo, ka nanome aina izany.

Nehemiah 9:7

Inona ihany koa ny nolazain'ny vahoaka momba an'i Yaveh mahakasika an'i Abrama?

Nambaran'ny olona fa Yaveh no nifidy an'i Abrama, nanova ny anarany ho Abrahama, nahita ny fony ho mahatoky, ary nanao fanekena taminy mba hanome azy taranaka ho an'ny tany.

Nehemiah 9:9

Ahoana ny nilazan'ny olona fa nitana ny fampanantenany tamin'izy ireo Yaveh?

Nambaran'ny olona ny fomba nitondran'i Yaveh ny razambeny nivoaka avy tany Egypta, ny nanehoany famantarana sy fahagagana hanoherana an'i Farao sy ny olony, ary ny namonjeny ny razambeny tany amin'ny Ranomasina Mena.

Nehemiah 9:11

Inona hoy ny olona no nataon'i Yaveh ho an'ireo Israelita tany amin'ny Ranomasina Mena?

Nozarain'i Yaveh ny ranomasina mba hahafahan'izy ireo mpiampita amin'ny tany maina, ary avy eo dia navariny tamin'ireo izay nanenjika azy ny ranomasina.

Nehemiah 9:12

Inona ihany koa hoy izay ireo ny fomba hafa izay nikarakaran'Andriamanitra an'ireo Israelita?

Nitarika azy ireo tamin'ny alalan'ny andry rahona nandritra ny andro Yaveh, ary andry afo nandritra ny alina, ary teo amin'ny Tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ireo ny didiny.

Nehemiah 9:14

Inona ihany koa no nolazain'ny olona fa nomen'i Yaveh ny razan'izy ireo?

Nataony fantatr'izy ireo ny Sabatany masina, nomeny azy ireo ny mofo avy any an-danitra, ny rano avy amin'ny vatolampy, ary nasainy naka ny tany nampanantenaina azy izy ireo.

Nehemiah 9:16

Ahoana no fihetsik'ireo Israelita sy ireo razany tamin'Andriamanita?

Tsy nanaja, mafy loha, tsy nety nihaino, nikomy, ary nanendry mpitarika mba hampiverina azy ireo ho amin'ny fanandevozana ireo Israelita.

Nahoana Andriamanitra no tsy nandao an'ireo Israelita rehefa tsy nanaja, mafy loha, ary tsy nankatoa izy ireo?

Tsy nahafoy an'ireo Israelita Andriamanitra satria Andriamanitra feno famelana, fahasoavana ary famindram-po, tsy mora tezitra, ary feno fitiavana tsy miova Izy.

Nehemiah 9:20

Ahoana no nilazan'ny olona ny fomba namatsian'Andriamanitra ny razan'izy ireo nandritra ny efapolo taona tany an'efitra?

Nomen'i Yaveh mba hampianatra azy ireo ny Fanahiny, miaraka amin'ny rano sy sakafo; dia tsy mba tonta ny ankanjon'izy ireo, ary ny tongony tsy mba nivonto.

Nehemiah 9:23

Inona hoy ny olona no nitrana taorian'ny naha-tany an'efitra ny razan'izy reo.

Nambaran'ny olona fa nampitombo isa ny fianakavian'izy ireo Yaveh, nilaza tamin'izy ireo mba hiditra ary haka ny tany nampanantenainy ho fananan'izy ireo, ary naharesy ny Kananita.

Nehemiah 9:25

Ahoana no niainan'ireo Israelita taorian'ny nakan'izy ireo ny tany izay nampanantenan'Andriamanitra azy ireo ho fanana?

Nalain'ireo Israelita ilay tany sy izay rehetra teo aminy mba ho azy ireo ary finaritra teo amin'ny fahatsaran'Andriamanitra izy ireo.

Nehemiah 9:26

Inona hoy ireo olona no nataon'i Yaveh tamin'ny razan'izy ireo taorian'ny nahalasa tsy mpankatoa sy nikomian'ireo taminy?

Natolotr'i Yaveh teo amin'ireo fahavalony, izay nampijaly azy izy ireo.

Rehefa nitaraina tamin'Andriamanitra ireo Israelita, inona nataon'Andriamanitra ho azy ireo nohon'ny amin'ny famindrampony lehibe?

Navotan'Andriamanitra tamin'ny fahavalony imbetsaka izy ireo.

Nehemiah 9:36

Nahoana ireo mpanan-karena nahazo tombony no nankany amin'ireo mpanjaka izay napetrak'Andriamanitra teo amin'izy ireo?

Ireo mpanan-karena nahazo tombony dia nankany amin'ireo mpanjaka nohon'ny fahotan'ireo Israelita.

Nahoana ireo Israelita no tao anaty fahoriana lehibe?

Tao anaty fahoriana lehibe ireo Israelita satria nanapaka teo amin'ny tenan'izy ireo sy ny biby fiompiny araka izay nahafinaritra azy ireo mpanjaka.

Nehemiah 9:38

Inona no nataon'ireo Israelita nohon'ny fahoriany lehibe?

Nanao fanekena an-tsoratra entitra tamin'i Yaveh ireo Israelita.

Anaran'iza no voasoratra tao amin'ilay fanekena voatombokase.

Ny anaran'ireo andrian'ny Israelita, Levita, ary mpisorona no voasoratra tao amin'ilay fanekena voatombokase.

Nehemiah 10

Nehemiah 10:28

Iza no nanokan-tena ho an'ny lalàn'Andriamanitra izay nomena an'i Mosesy?

Ireo izay nanokan-tena ho an'ny lalàn'Andriamanitra dia ny olona sisa izay mpisorona, Levita, mpiandry vavahady, mpihira, mpanompon'ny tempoly, ary ireo rehetra izay namato-tena tamin'ny lalàn'Andriamanitra.

Nehemiah 10:30

Inona no fampanantenana nataon'izy ireo tamin'Andriamanitra?

Nampanantena izy ireo fa tsy hanome ny zanany vavy na hamela ireo zanany lahy haka zazavavy avy amin'ny olona izay nisarahan'izy ireo; tsy hividy zavatra amin'ny andro Sabata na izay mety ho andro masina rehetra izy ireo, ary hamela ny sahany haka aina isaky ny fito taona izy ireo.

Nehemiah 10:32

Inona no didy neken'izy ireo?

Hanome vola, mofo, vary, ary hamatsy ny fanatitra rehetra sy ny firavoravoana rehetra isan-taona izy ireo ho an'ny fanompoana ny tranon'Andriamanitra.

Nehemiah 10:34

Nahoana ireo mpisorona, Levita, ary ireo vahoaka no nanao filokana ho an'ny fanatitra kitay?

Izany no hifidy izay fianakaviana hitondra kitay eo an-tranon'Andriamanitra amin'ny fotoana voatendry isan-taona.

Inona no nampanantenain'izy ireo ho entina ao an-tranon'Andriamanitra?

Nampanantena ny hitondra ny voaloham-bokatr'izay maniry eo amin'ny taniny izy ireo, ny voalohan-teranky ny zanany ary ireo bibiny.

Nehemiah 10:37

Iza no tsy maintsy niaraka tamin'ireo Levita rehefa nandray ireo ampahafolon-karena ireo Levita?

Tsy maintsy misy mpisorona, taranak'i Arona miaraka amin'ireo Levita.

Nehemiah 10:39

Taiza no nitondran'ny vahoakan'Israely sy ireo taranak'i Levy ny anjarany amin'ny vokatra?

Tsy maintsy nentin'izy ireo tao amin'ny trano fitehirizana izay nampirimana ny fitaovan'ny toerana masina, ary nitoeran'ireo mpisorona izay nanompo, ireo mpiandry vavahady, ary ireo mpihira ireo fandraisana anjara.

Nehemiah 11

Nehemiah 11:1

Iza no nipetraka tao amin'ny tanàna masin'i Jerosalema?

Nitoetra tany Jerosalema ireo mpitarika ny vahoaka, ary ny vahoaka ambiny dia nanao filokana mba hitondrana ny iray amin'ireo folo hitoetra any.

Nehemiah 11:19

Taiza no nipetraka ny Israely ambiny sy ireo mpisorona ary ireo Levita?

Nipetraka tao amin'ny vohitr'i Joda rehetra tao amin'ny lovan-taniny avy izy ireo.

Nehemiah 12

Nehemiah 12:22

Ao amin'ny boky inona ireo taranak'i Levy sy ireo lohan'ny fanakaviany no voarakitra?

Voarakitra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana.

Nehemiah 12:27

Nahoana ireo olona no nitady ireo Levita tamin'ny fanokanana ny mandan'i Jerosalema?

Nentin'ny vahoaka tao Jerosalema ireo Levita mba hankalaza ny fanokanana.

Nehemiah 12:29

Inona no nataon'ireo mpisorona sy Levita ho an'ny fankalazana?

Nanadio ny tenany ireo mpisorona sy Levita, ary avy eo dia nanadio ny vahoaka, ny vavahady, ary ny manda.

Nehemiah 12:31

Nankaiza ireo mpitarik'i Joda tamin'ny andron'ny fankalazana?

Nandeha niakatra tany an-tampon'ny manda ireo mpitarika.

Inona no tokony nataon'ireo antokom-pihira lehibe roa, izay notendren'i Nehemia?

Tokony hanolotra fisaorana ireo antokom-pihira lehibe roa.

Nankaiza ny antokom-pihira voalohany?

Nankeo amin'ny ankavanan'ny manda nankeo amin'ny Vavahadin-Jezika ny antokom-pihira voalohany.

Nehemiah 12:40

Iza no nitarika ireo mpihira?

Niara-nihira tamin'i Jizrahia mpitarika izy ireo.

Nehemiah 12:43

Nahoana izy ireo no nanolotra sorona lehibe tamin'izany andro izany, ary niravoravo?

Nanolotra sorona lehibe izy ireo tamin'izany andro izany, ary niravoravo, satria Andriamanitra no nampiravo azy ireo tamim-pifaliana lehibe.

Nehemiah 12:44

Iza no voatendry hiasa ny saha akaikin'ny renivohitra?

Ireo olona izay voatendry hisahana ireo trano fitehirisana no voatendry hiasa ireo tany akaikin'ny renivohitra.

Nehemiah 12:46

Oviana ny Israely rehetra no nanome ny anjara isan'andro ho an'ireo mpihira sy ireo mpiandry vavahady?

Tamin'ny andron'i Zerobabela sy tamin'ny andron'i Nehemia ny Israely rehetra no nanome ireo anjara isan'andro ho an'ireo mpihira sy mpiambina vavahady.

Nehemiah 13

Nehemiah 13:1

Nahoana ny Amonita na Moabita no tsy tokony ho ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay?

Tsy tokony ho ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra ny Amonita na Moabita satria tsy tonga teo amin'ny zanak'Israely niaraka tamin'ny mofo sy rano izy ireo, fa nanakarama an'i Balama mba hanozona ny Israely.

Nehemiah 13:4

Inona no nomanin'i Eliasiba ho an'i Tobia?

Trano fitehirizana lehibe no nomanin'i Eliasiba ho an'i Tobia.

Nehemiah 13:6

Taiza i Nehemia no nandeha tamin'ny andro faharoa amby telopolo taona nanjakan'i Artaksersesy?

Tamin'ny andro faharoa amby telopolo taona nanjakan'i Artaksersesy dia nankany amin'ny mpanjaka i Nehemia.

Nehemiah 13:8

Inona no nataon'i Nehemia satria tezitra izy?

Satria tezitra izy, dia natsipin'i Nehemia nivoaka ny trano fitehirizana avokoa ireo entan'ny fianakavian'i Tobia.

Nehemiah 13:10

Nahoana ireo Levita sy ireo mpihira no niala tao an-tempoly faingana?

Satria ny anjara voatendry homena ny Levita dia tsy voazara taminízy ireo, dia niala faingana tao an-tempoly izy ireo, tahaka ny nataon'ireo mpihira izay nanao ny asa ihany koa.

Nehemiah 13:12

Iza no nisaina ho mendri-pitokisana?

Selemia mpisorona, Zadoka mpanora-dalàna, Pedaia, ary Hanana no nisaina ho mendri-pitokisana.

Nehemiah 13:15

Oviana ny olona tany Joda no nanosihosy famiazam-boaloboka?

Nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata ny olona tany Joda.

Nehemiah 13:16

Inona no nataon'ireo lehilahy avy any Tyro tamin'ny Sabata?

Ireo lehilahy avy tany Tyro dia nitondra hazandrano sy entam-barotra samihafa, ary novarotan'izy ireo tamin'ny andro Sabata tamin'ny vahoakan'i Joda sy tao amin'ny tanàna izany!

Nehemiah 13:19

Ahoana no nanakanan'i Nehemia ny olona tsy ho ao Jerosalema amin'ny Sabata?

Vantany vao nihamaizina ny andro, teo amin'ny vavahadin'i Jerosalema mialohan'ny Sabata i Nehemia no nandidy ny hanidiana ny varavarana sy ny tsy hanokafana ireo hatramin'ny aorian'ny Sabata. Napetrany teo amin'ireo vavahady ny sasany tamin'ireo olony mba tsy hisy entana hiditra ao amin'ny andro Sabata.

Nehemiah 13:21

Iza no tonga ary niandry ireo vavahady, mba hanamasina ny andro Sabata?

Ireo Levita no tonga ary niandry ireo vavahady, mba hanamasina ny andro Sabata.

Nehemiah 13:23

Ahoana no fitenin'ny antsasak'ireo taranaka?

Niteny tamin'ny fitenin'i Asdoda ny antsasaky ny taranak'izy ireo, saingy tsy nisy tamin'izy ireo nahay niteny ny fitenin'ny Joda, fa ny fitenin'ny iray amin'ireo vahoaka hafa irery ihany.

Nehemiah 13:25

Ahoana no nanoheran'i Nehemia ireo Jiosy nanambady vehivavin'i Asdoda, Amona, ary Moaba?

Nanohitra azy ireo i Nehemia, ary nanozona azy ireo, ary namely ny sasany tamin'izy ireo ka nandrirotra ny volony.

Nehemiah 13:30

Ahoana no nanirian'i Nehemia mba hahatsiarovan'Andriamanitra azy?

Naniry ny ho tsarovan'Andriamanitra amin'ny tsara i Nehemia.