Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Luke 1

Luke 1:1

Iza ilay "mpanara-maso" nolazain'i Lioka?

Ilay "mpanara-maso" dia ilay iray izay niaraka tamin'i Jesosy hatramin'ny fiandohan'ny asa fanompoany.

Inona no nataon'ny sasany tamin'ireo mpanara-maso rehefa avy nahita an'i Jesosy izy ireo?

Nanoratra tantara momba izay nataon'i Jesosy izy ireo.

Naninona i Lioka no nanapa-kevitra hanoratra ny tantarany manokana momba izay nolazain'i Jesosy sy nataony?

Tiany hahafantatra ny marina momba ny zavatra izay nolazainy i Teofilo.

Luke 1:5

Nahoana Andriamanitra no nihevitra an'i Zakaria sy Elizabeta hoe marina?

Andriamanitra dia nihevitra azy ireo ho marina satria nankatoa ireo didiny izy ireo.

Nahoana i Zakaria sy Elizabeta no tsy niteraka?

Tsy nanan-janaka izy ireo satria momba i Elizabeta. Ankehitriny dia efa tena antitra izy sy Zakaria.

Luke 1:8

Inona no asa nataon'i Zakaria tao amin'ny tempolin'i Jerosalema?

Zakaria dia nanao ny asan'ny mpisorona.

Inona no nataon'i Zakaria tao an-tempoly?

Nandoro fanatitra ho an'Andriamanitra izy.

Inona no nataon'ny olona raha mbola tao an-tempoly Zakaria?

Nipetraka tao ivelany tao an-tokontany ny olona ary nivavaka.

Luke 1:11

Iza no niseho tamin'i Zakaria raha mbola tao amin'ny tempoly izy?

Anjelin'ny Tompo iray no niseho tamin'i Zakaria tao an-tempoly.

Inona no nataon'i Zakaria rehefa nahita ilay anjely izy?

Rehefa nahita ilay anjely Zakaria, dia natahotra izy.

Inona no nolazain'ilay anjely tamin'i Zakaria?

Ilay anjely nilaza tamin'i Zakaria hoe aza matahotra fa Elizabeta vadiny dia hanana zanaka lahy. ny anaran'ilay zanany dia ho atao hoe: Jaona.

Luke 1:16

Inona no nolazain'ilay anjely ho ataon'i Jaona ho an'ireo zanak'Israely?

Ilay anjely nilaza fa Jaona no hamerina ireo zanak'Israely amin'ny Tompo Andriamanitr'izy ireo.

Hampavonona olona tahaka ny ahoana ireo asan'i Jaona rehetra?

Olona voaomana ho an'ny Tompo no ho vononina.

Luke 1:18

Iza no anaran'ilay anjely ary aiza marina izy no mitoetra?

Gabriely no anaran'ilay anjely ary mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra izy.

Luke 1:21

Inona no nolazain'ilay anjely fa hiseho amin'i Zakaria satria tsy nino ireo tenin'ilay anjely izy?

Zakaria dia tsy ho afaka hiteny intsony mandra-pahateraky ny zanany.

Luke 1:26

Enim-bolana taorian'i Elizabeta nitoe-jaza, iza no nalefan'Andriamanitra ho jeren'i Gabriely?

Virjiny iray atao hoe: Maria, izay manambady an'i Josefa, taranak'i Davida.

Luke 1:30

Inona no nolazain'ny anjely fa hiseho amin'i Maria?

Ilay anjely nilaza fa Maria dia hitoe-jaza.

Iza no ho anaran'ilay zaza ary inona no ho ataony?

Ilay zaza dia ho antsoina hoe: Jesosy ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay tsy misy fetra ny fanjakany.

Luke 1:34

Ahoana no nilazan'ilay anjely fa hisehoan'izany satria mbola virjiny i Maria?

Ilay anjely nilaza fa ny Fanahy Masina dia hidina eo amboniny ary ny herin'ilay Avo Indrindra hanaloka azy.

Ilay anjely nilaza fa io zanaka masina io dia ho zanak'iza?

Ilay anjely nilaza fa io zanaka io dia ho antsoina hoe: Zanak'Andriamanitra.

Inona no nolazain'ilay anjely fa tsy vitan'Andriamanitra?

Tsy misy.

Luke 1:39

Rehefa niarahaba an'i Elizabeta i Maria, dia inona no nataon'ny zanak'i Elizabeta?

Nientan-kafaliana ny zaza tao an-kibony.

Luke 1:42

Iza no nolazain'i Elizabeta hoe sambatra?

Elizabeta nilaza fa Maria sy ny zanany no sambatra.

Luke 1:54

Inona no fampanantenana nataon'Andriamanitra nolazain'i Maria fa hahatanteraka ireo asa maherin'Andriamanitra ireo?

Hahatanteraka ireo fampanantenan'Andriamanitra amin'i Abrahama sy ireo taranany izany mba hahatonga azy ireo ho mpamindra fo amin'izy ireo sy hanampy azy ireo.

Luke 1:59

Amin'ny andron'ny famorana, dia iza no ho ataon'izy ireo anaran'ny zanaka lahin'i Elizabeta.

Zakaria.

Luke 1:62

Inona no nosoratan'i Zakaria rehefa nanontaniana izay ho anaran'ilay zaza izy?

Zakaria nanoratra hoe: "Jaona no anarany."

Luke 1:64

Inona no nitranga tamin'i Zakaria raha vantany vao avy nanoratra ilay anaran-janany izy?

Teo no ho eo rehefa avy nanoratra ny anaran-janany izy, Zakaria dia afaka niteny ary nidera an'Andriamanitra izy.

Noho ireo tranga rehetra ireo dia inona no tsapan'ny olon-drehetra momba ilay zaza?

Nahatsapa izy ireo fa momba azy ny tanan'ny Tompo.

Luke 1:67

Inona no zavatra hitranga hideran'i Zakaria an'Andriamanitra satria Andriamanitra ankehitriny dia efa tonga mba hanomana izay hiseho?

Andriamanitra dia nanamboatra lalana mba hanafaka ny olony.

Luke 1:76

Zakaria dia naminany fa Jaona zanany dia hanampy ny olona mba hahafantatra inona?

Jaona dia hanampy ny olona mba hahafantatra ny fomba hamonjena azy ireo amin'ny alalan'ny famelana ny fahotan'izy ireo.

Luke 1:80

Taiza Jaona no niha-lehibe ary taiza izy no nipetraka mandra-panombohany ny fisehoana ampahibemaso?

Jaona dia niha-lehibe ary nipetraka tany amin'ny tany efitra.

Luke 2

Luke 2:1

Taiza ny olona no nisoratra anarana?

Ny olona dia samy nankany amin'ny tanànany avy mba hisoratra anarana.

Luke 2:4

Satria taranak'iza i Josefa sy Maria no nahatonga azy ireo nankany Betlehema?

Josefa sy Maria dia nankany Betlehema satria izy ireo dia taranak'i Davida.

Luke 2:6

Rehefa niteraka ny zanany i Maria, dia taiza no napetrany ny zanany?

Rehefa teraka ny zanak'i Maria, dia tao amin'ny tavy fihinanan'ny biby fiompy no napetrany.

Luke 2:8

Tamin'iza ny anjely no niseho?

Ilay anjely dia niseho tamin'ireo mpiandry ondry izay niandry ireo andian'ondriny.

Inona no nataon'ireo mpiandry ondry rehefa nahita ilay anjely izy ireo?

Natahotra mafy ireo mpiandry ondry.

Luke 2:10

Inona no vaovao mahafaly nomen'ilay Anjely an'ireo mpiandry ondry?

Nilaza tamin'ireo mpiandry ondry ilay anjely fa efa teraka ny Mpamonjy azy ireo, ilay iray dia i Kristy ilay Tompo.

Luke 2:15

Inona no nataon'ireo mpiandry ondry rehefa niala teo amin'izy ireo ireo anjely?

Nankany Betlehema mba hijery ilay zazakely vao teraka izy ireo.

Luke 2:21

Oviana Jesosy no noforaina?

Valo andro taorian'ny nahaterahany Jesosy no noforaina.

Luke 2:22

Inona no antony nitondran'i Josefa sy Maria an'i Jesosy zazakely ao amin'ny tempolin'i Jerosalema?

Nentin'izy ireo tany an-tempoly izy mba ho atolotr'izy ireo ho sorona ho an'ny Tompo, izay nandidiana ao amin'ny lalàn'i Mosesy.

Luke 2:25

Inona no nambaran'ny Fanahy Masina tamin'i Simeona?

Ny Fanahy Masina dia nanambara tamin'i Simeona fa izy dia tsy ho faty mialohan'ny hahitany an'i Kristin'ny Tompo.

Luke 2:30

Ho lasa inona Jesosy hoy Simeona?

Simeona dia nilaza fa Jesosy no ho fanazavana amin'ny fanambarana ny marina amin'ireo Jentilisa sy ny voninahitry ny olon'Israelin'Andriamanitra.

Luke 2:33

Inona no nolazain'i Simeona fa hiseho amin'i Maria noho i Jesosy?

Simeona dia nilaza fa ny sabatra dia hanindrona ny fanahiny.

Luke 2:36

Inona no nataon'i Ana mpaminany rehefa nankany amin'i Maria, Josefa, ary Jesosy izy?

Ana dia nanomboka nisaotra an'Andriamanitra ary niresaka momba ilay zaza tamin'ny olon-drehetra.

Luke 2:39

Inona no zava-niseho tamin'i Jesosy zazakely rehefa niverina tao Nazareta izy?

Jesosy dia niha-lehibe ka niha-natanjaka, nitombo tamin'ny fahendrena, ary ny fahasoavan'Andriamaintradia teo aminy.

Luke 2:41

Nahoana ireo ray aman-drenin'i Jesosy no tsy nahalala fa izy dia nijanona tany Jerosalema nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Paska?

Tsy fantatr'izy ireo satria izy ireo dia tsy ao anatin'ny vondrona izay nandeha niaraka taminy.

Luke 2:45

Taiza no hitan'ireo ray aman-dreniny izy ary inona no nataony???

Hitan'ireo ray aman-dreniny tao an-tempoly nipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra izy, nihaino azy ireo ary mametra-panontaniana amin'izy ireo.

Luke 2:48

Inona no navalin'i Jesosy rehefa niteny taminy i Maria fa nitaintaina tamin'ny fitadiavana azy izy ireo?

"Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ao an-tranon'ny Raiko Aho?"

Luke 2:51

Inona no toetran'i Jesosy nanoloana ny Ray aman-dreniny rehefa niverina tany Nazareta izy ireo?

Nankato azy ireo Izy.

Satria niha-lehibe Jesosy, dia karazana lehilahy inona izy?

Niha-lehibe tamin'ny fahendrena Izy, ary nitombo sitraka tamin'Andriamanitra sy ny olona.

Luke 3

Luke 3:3

Inona no hafatra nambaran'i Jaona manerana ny faritra manodidina ny Reniranon'i Jordana?

Jaona dia nanambara ny batisan'ny fibebahana amin'ny famelana ny fahotana.

Luke 3:4

Ho an'iza no nilazan'i Jaona fa efa manomana ny lalana izy?

Jaona dia nilaza fa efa manomana ny lalan'ny Tompo izy.

Luke 3:8

Inona no nasain'i Jaona nataon'ireo olona raha toa ka tsy hatoky ny maha-rain'izy ireo an'i Abrahama izy ireo?

Jaona niteny azy ireo mba hamokatra voankazo avy amin'ny fibebahana izy ireo.

Luke 3:9

Inona no nolazain'i Jaona fa hiseho amin'ilay hazo izay tsy mamokatra voa tsara?

Jaona dia niteny fa ho tapahana izany ary atsipy any amin'ny afo.

Luke 3:12

Inona no nolazain'i Jaona hoe tsy maintsy ataon'ireo mpanangona hetra hanehoana ny fibebahana marina?

Jaona niteny fa izy ireo dia tsy tokony hanangona vola mihoatra izay tokony hangonin'izy ireo.

Luke 3:15

Jaona niteny tamin'ny olona fa izy dia manao batisa amin'ny rano, fa inona kosa no hanaovan'ilay iray izay ho avy batisa?

Jaona niteny fa ilay olona iray izay ho avy dia hanao batisa amin'ny Fanahy Masina sy ny afo.

Luke 3:18

Nahoana i Jaona no nibedy an'i Heroda?

Nibedy an'i Heroda i Jaona satria Heroda dia nanambady ny vadin'ny rahalahiny, ary nanao zavatra ratsy hafa maro.

Iza no nandefa an'i Jaona tany am-ponja?

Heroda no nandefa an'i Jaona tany am-ponja.

Luke 3:21

Inona no zava-niseho raha vantany vao vitan'i Jaona batisa Jesosy?

Taorian'ny nanaovan'i Jaona batisa an'i Jesosy, dia nisokatra ny lanitra ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny tahaka ny voromailala.

Inona no nolazain'ilay feo avy any an-danitra?

Ilay feo avy an-danitra niteny hoe: "Ianao no zanako malalako. Faly aho nohon'ny aminao."

Luke 3:23

Teo ho eo amin'ny firy taona Jesosy no nanomboka nampianatra?

Teo ho eo amin'ny telopolo taona teo Jesosy no nanomboka nampianatra.

Luke 4

Luke 4:1

Iza no nitarika an'i Jesosy tany an'efitra?

Ny Fanahy Masina no nitarika an'i Jesosy tany an'efitra.

Firy andro no nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy tany an'efitra?

40 andro no nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy tany an'efitra

Luke 4:3

Inona no nasain'ilay devoly nataon'i Jesosy tamin'ilay vato teo amin'ny tany?

Hoy ilay devoly taminy hoe: avadiho ho mofo io vato io.

Inona no navalin'i Jesosy an'ilay devoly?

Tsy ny mofo ihany no afaka hiveloman'ny olona.

Luke 4:5

Inona no nasehon'ilay devoly an'i Jesosy tany amin'ny toerana avo?

Ireo fanjakana rehetra eto an-tany no nasehon'ilay devoly an'i Jesosy.

Inona no tian'ilay devoly ho ataon'i Jesosy?

Tian'ilay devoly handohalika sy hidera azy Jesosy.

Luke 4:8

Inona no navalin'i Jesosy an'ilay devoly?

Tsy maintsy midera an'ilay Tompo Andriamanitrao ianao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.

Luke 4:9

Inona no nasain'ilay devoly ataon'i Jesosy rehefa nitondra azy teny an-tampon'ny tempoly izy?

Hoy izy tamin'i Jesosy hoe: mitsambikina avy ety.

Luke 4:12

Inona no navalin'i Jesosy tamin'ilay devoly?

Tsy mahazo maka fanahy ny Tompo ilay Andriamanitrao ianao.

Inona no nataon'ilay devoly rehefa tsy nanaiky hitsambikina avy eny amin'ny tempoly Jesosy?

Niala teo amin'i Jesosy ilay devoly mandra-pahatongan'ny fotoana hafa.

Luke 4:16

Avy tao amin'ny bokin'ny Soratra masina inona no novakian'i Jesosy rehefa nitsangana tao amin'ny Synagoga Izy?

Avy tao amin'Isaia mpaminany.

Luke 4:20

Inona no nolazain'i Jesosy hoe ho tanteraka amin'izany andro izany?

Jesosy nilaza fa ny Soratra Masina izay vao avy novakiany avy ao amin'Isaia dia efa tanteraka tamin'io andro io.

Luke 4:23

Karazana fandraisana inona no nolazain'i Jesosy hoe ho raisin'ny mpaminany ao amin'ny firenena niaviany?

Jesosy nilaza fa tsy misy mpaminany ekena ao amin'ny firenena niaviany.

Luke 4:25

Amin'ny fanoharana voalohan'i Jesosy amin'ny olona ao amin'ny Synagoga, taiza Elia no nalefan'Andriamanitra mba hanampy olona iray?

Andriamanitra nandefa an'i Elia any amin'i Zerapata, akaikin'ny tanànan'i Sidona.

Amin'ny fanoharana faharoan'i Jesosy amin'ny olona ao amin'ny synagoga, firenena inona no nisy an'i Elisa nanampy olona iray?

Andriamanitra nanana an'i Elisa ho mpanampy an'i Namana ilay Siriana.

Luke 4:28

Inona no nataon'ireo olona tao amin'ny synagoga rehefa nandre ireo ohatra nataon'i Jesosy ireo izy ireo?

Tezitra mafy izy ireo ary te-hanipy Azy any amin'ny hantsana be.

Inona no nataon'i Jesosy mba hialana amin'ny famonoan'ireo olona ao amin'ny synagoga?

Nandeha namakivaky teo afovoan'izy ireo Izy.

Luke 4:33

Tao amin'ny Synagoga, inona no nolazain'ilay demonia tamin'ilay lehilahy izay mahalala ny momba an'i Jesosy?

Ilay demonia nilaza fa mahafantatra an'i Jesosy ho ilay Iray Masin'Andriamanitra izy.

Luke 4:35

Inona no nataon'ny olona rehefa avy nandroaka ilay demonia Jesosy?

Talanjona ny olona ary tsy nitsahatra nilaza momba izany tamin'ny hafa.

Luke 4:40

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ilay marary izay nentina teo aminy?

Jesosy nametraka tsirairay ny tanany tamin'izy rehetra ary nanasitrana azy rehetra.

Inona no nolazain'ireo demonia izay voaroaka, ary nahoana no tsy navelan'i Jesosy hiteny izy ireo?

Ireo demonia dia nilaza fa Jesosy dia Zanak'Andriamanitra, ary Jesosy tsy namela azy ireo hiteny satria izy ireo dia mahafantatra fa Izy no Kristy.

Luke 4:42

Inona hoy Jesosy no antony nandefasana Azy?

Jesosy milaza fa nalefa mba hitory ny vaovao mahafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny firenena hafa maro Izy.

Luke 5

Luke 5:4

Taorian'ny nampiasana ny sambon'i Simona ho toerana fampianarana ny olona, dia inona no nangatahan'i Jesosy ho ataon'i Simona amin'ilay sambo?

Ento eny amin'ny rano lalina ny sambo ary alatsaho ny aratony mba hisaka hazandrano sasantsasany.

Tsy nahazo na inona na inona Petera ny alina talohan'io, kanefa inona no nataony?

Nankato izy ka nandatsaka ny aratony.

Inona no niseho rehefa avy nandatsaka ny arato izy ireo?

Nanangona hazan-drano marobe izy ireo, betsaka tokoa ka rovitra hatramin'ny arato.

Luke 5:8

Inona no tian'i Simona ho ataon'i Jesosy? Nahoana?

Tian'i Simona hiala eo aminy Jesosy satria Simona nahafantatra fa izy (Simona) dia olona mpanota.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Simona momba asany amin'ny ho avy?

Jesosy nilaza fa manomboka ankehitriny dia izy no ho mpanarato olona.

Luke 5:15

Tamin'io fotoana io, dia firy ny olona tonga mba handre an'i Jesosy hampianatra sy ho sitranina amin'ny aretin'izy ireo?

Vahoaka maro be no tonga teo amin'i Jesosy.

Luke 5:20

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay lehilahy malemy izay napetraky ny namany teo an-tampon-trano?

Ry lehilahy, efa voavela ny helokao.

Nahoana ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo no nieritreritra fa fitenenan-dratsy io hevitra io?

Satria Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka.

Luke 5:22

Jesosy nanasitrana ilay lehilahy malemy mba hanehoana fa Izy dia manana fahefana amin'izao tontolo izao mba hanaovana inona?

Jesosy nanasitrana ilay lehilahy mba hanehoana fa Izy eto amin'izao tontolo izao dia manana fahefana hamela heloka.

Luke 5:29

Rehefa nihinana sy nisotro tao an-tranon'i Levisy Jesosy, dia nilaza hoe inona no antony hahatongavany?

Tonga mba hiantso ireo mpanota hibebaka izy.

Luke 5:33

Oviana Jesosy no nilaza fa ireo mpianany dia hifady hanina?

Hifady hanina ireo mpianany aorian'ny hanesorana an'i Jesosy eo amin'izy ireo.

Luke 5:36

Amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no zava-hiseho raha lamba vao no hanapenana lamba tonta?

Ho rovitra ilay lamba vao, ary tsy hifanaraka amin'ilay lamba tonta.

Luke 5:37

Ao amin'ny fanoharana faharoan'i Jesosy, inona no zava-hiseho raha atao ao anatin'ny siny hoditra tonta ny divay vaovao?

Ny siny hoditra tonta dia hitriatra ary ny divay vaovao dia hiparitaka.

Inona no fomba tsy maintsy atao amin'ny divay vaovao mba hitehirizana azy hoy i Jesosy?

Ny divay vaovao dia tsy maintsy atao anaty siny hoditra vaovao.

Luke 6

Luke 6:1

Inona no zavatra ataon'ireo mpianatr'i Jesosy amin'ny Sabata izay lazain'ireo Fariseo ho mandika ny lalàna?

Naka salohim-bary ireo mpianatra, nikosoka izany tamin'ny tanan'izy ireo, ary nihinana ny voa.

Luke 6:3

Inona no fiantsoana nambaran'i Jesosy ho an'ny tenany izay manome fahefana Azy hilaza izay ara-dalàna amin'ny Sabata?

Jesosy niantso ny tenany hoe: Tompon'ny Sabata.

Luke 6:9

Rehefa nanasitrana ilay lehilahy maty tanana tamin'ny Sabata, dia ahoana hoy ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo?

Feno hatezerana izy ireo, ary niresaka momba izay mety ho ataon'izy ireo amin'i Jesosy.

Luke 6:12

Iza no anarana nomen'i Jesosy ireo lehilahy roa ambinifolo izay nofidina tany an-tendrombohitra"

Jesosy niantso azy ireo hoe: "apostoly."

Luke 6:20

Karazana olona inona no lazain'i Jesosy hoe sambatra?

Ireo mahantra , noana, mitomany, ary ankahalaina noho ny amin'ny Zanak'Olona no antsoina hoe: sambatra.

Luke 6:22

Araka ny filazan'i Jesosy, nahoana ny olona sasany no mifaly sy mientan-kafaliana?

Satria izy ireo dia hanana valisoa lehibe any an-danitra.

Luke 6:27

Ahoana no fomba tokony hitondran'ireo apostoly ny fahavalon'izy ireo sy izay tsy tia azy ireo hoy Jesosy?

Izy ireo dia tokony hitia ny fahavalon'izy ireo ary manao ny tsara ho an'ireo izay mankahala azy ireo.

Luke 6:35

Inona no toetran'ilay Ray Avo Indrindra manoloana ireo olona tsy mahay mankasitraka sy ireo olona ratsy fanahy?

Tsara fanahy sy mamindra fo amin'izy ireo Izy.

Luke 6:41

Alohan'ny hanalanao ny sombin-kazo kely amin'ny mason'ny rahalahinao, inona aloha no nolazain'i Jesosy hoe tsy maintsy ataonao voalohany?

Voalohany, dia tsy maintsy manala ny sombin-kazo kely amin'ny mason'ny tenantsika manokana aloha isika mba tsy ho mpiatsara velatsihy.

Luke 6:45

Inona no mivoaka avy amin'ny lehilahy tsara fo avy amin'ny harena tsara?

Ny tsara no mivoaka avy amin'ny lehilahy tsara fo.

Inona no mivoaka avy amin'ny lehilahy ratsy fo avy amin'ny harena ratsy?

Ny ratsy no mivoaka avy amin'ny lehilahy ratsy fo.

Luke 6:46

Ataon'ny olona manorina trano amin'ny vato inona ireo tenin'i Jesosy?

Mandre ireo tenin'i Jesosy izy ireo ary mankato izany.

Luke 6:49

Ataon'ny olona manorina trano tsy misy fototra inona ireo tenin'i Jesosy?

Mandre ireo tenin'i Jesosy izy ireo fa tsy mankato izany.

Luke 7

Luke 7:2

Inona no nangatahan'ilay kapiteny voalohany tamin'i Jesosy rehefa nandefa ireo loholona Jiosy any amin'i Jesosy izy?

Nangataka an'i Jesosy mba ho avy any amin'ny tranony sy hanasitrana ny mpanompony Izy.

Luke 7:6

Nahoana ilay kapiteny no nandefa ireo namany hilaza amin'i Jesosy indray fa tsy tokony ho any amin'ilay trano Izy?

Ilay kapiteny dia nilaza fa izy dia tsy matoky fa ho avy amin'io trano io Jesosy.

Ahoana ny fomba tian'ilay kapiteny hanasitranan'i Jesosy an'ilay mpanompo?

Tian'ilay kapiteny hanasitrana ilay manompo amin'ny alalan'ny filazana teny fotsiny Jesosy.

Luke 7:9

Inona no nolazain'i Jesosy momba ny finoan'ilay kapiteny avy eo?

Jesosy nilaza fa na tao Israely aza Izy dia tsy mbola nahita olona nanana finoana lehibe tahaka izany.

Luke 7:11

Inona no toetran'i Jesosy nanoloana ilay mpitondratena izay efa maty zanaka lahitokana ihany koa?

Tohina tanteraka Izy.

Luke 7:16

Inona no nolazain'ny olona momba an'i Jesosy rehefa nanangana ny zanaka lahin'ilay mpitondratena tamin'ny maty Izy?

Nilaza izy ireo fa mpaminany lehibe no nitsangana teo amin'izy ireo, ary Andriamanitra dia nitsinjo ny olony.

Luke 7:21

Ahoana ny fomba nanehoan'i Jesosy tamin'ireo mpianatr'i Jaona fa Izy ilay Iray izay Ho avy?

Nanasitrana ny jamba, ny mandringa, ny boka, ny marenina Izy, ary nanangana ny maty.

Luke 7:24

Iza i Jaona hoy Jesosy?

Jesosy nilaza fa Jaona dia mihoatra lavitra noho ny mpaminany.

Luke 7:29

Inona no nataon'ireo Fariseo sy ireo manam-pahaizana amin'ny lalàna amin'ny tenan'izy ireo rehefa tsy manaiky ho ataon'i Jaona batisa izy ireo?

Izy ireo dia mandà ireo torohevitr'Andriamanitra amin'ny tenan'izy ireo.

Luke 7:33

Inona no fiampangana natao nanohitra an'i Jaona Mpanao batisa raha tsy nihinana mofo izy na tsy nisotro divay?

Hoy izy ireo hoe: "Misy demonia izy."

Inona no fiampangana natao nanohitra an'i Jesosy raha tsy tonga hihinana sy hisotro Izy?

Hoy izy ireo hoe: "Olona tenda-kanina sy mpimamo Izy."

Luke 7:36

Inona no nataon'ilay vehivavin'ny tanàna tamin'i Jesosy tao amin'ny tranon'ilay Fariseo?

Nandena ny tongotr'i Jesosy tamin'ny ranomasony izy, namafa izany tamin'ny volony, nanoroka ny tongony, ary nanosotra menaka manitra ny tongony.

Luke 7:46

Nilaza izany Jesosy satria namela fahotana maro izy, inona no ho hataony?

Ho be fitiavana izy.

Luke 7:48

Inona no fihetsik'ireo izay nipetraka teo ambony latabatra rehefa niteny tamin'ilay vehivavy hoe voavela ny fahotany Jesosy?

Nanontany izy ireo hoe: "Fa izy no iza no afaka mamela hatramin'ny heloka?"

Luke 8

Luke 8:1

Inona no nataon'ireo vondrom-behivavy maro ho an'i Jesosy sy ireo mpianany?

Ireo vehivavy dia nanome fampitaovana azy ireo.

Luke 8:11

Amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona ilay voa nafafy?

Ny tenin'Andriamanitra no voa nafafy.

Iza ireo voa latsaka teny amin'ny sisin-dalana, ary inona no nitranga tamin'izy ireo?

Ireo olona izay mandre ny teny, fa tonga ny devoly avy eo ary maka izany, mba tsy hinoan'izy ireo ka ho voavonjy.

Iza ireo voa nilatsaka tamin'ny vatolampy, ary inona no nitranga tamin'izy ireo?

Ireo olona izay mandray ny teny am-pifaliana, kanefa mijanona mino mandritra ny fotoan'ny fitsapana.

Luke 8:14

Iza ireo voa izay latsaka teo amin'ny tsilo, ary inona no nitranga tamin'izy ireo?

Ireo olona izay mandre ny teny, kanefa voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao, ka tsy matoy vokatra.

Iza ireo voa izay latsaka tamin'ny tany tsara, ary inona no nitranga tamin'izy ireo?

Ireo olona izay mandre ny teny, mihazona izany, ary mamokatra am-paharetana.

Luke 8:19

Iza no reniny sy rahalahiny nolazain'i Jesosy?

Ireo olona izay mandre ny tenin'Andriamanitra ary mankato izany.

Luke 8:24

Inona no nolazain'ireo mpianatra rehefa nampitony ny rivotra sy ny rano Jesosy?

Hoy izy ireo hoe: "Fa iza Izy ka eny fa na dia ny rivotra sy ny rano aza baikony, ka mankato Azy?"

Luke 8:28

Inona no nasain'ireo demonia nataon'ilay lehilahy avy amin'ny faritr'i Gerasenesy?

Nataon'izy ireo tsy miakanjo tao am-pasana izy, nasain'izy ireo namaky rojo sy gadra vy izy, ary matetika dia entin'izy ireo any amin'ny tany efitra izy.

Luke 8:32

Nankaiza ireo demonia rehefa avy nodidin'i Jesosy hiala tao amin'ilay lehilahy?

Niditra tao amina andian-kisoa izy ireo, izay nirifatra nakany anaty farihy ary maty.

Luke 8:38

Taiza ilay lehilahy no nasain'i Jesosy nandeha ary inona no nasainy nataony?

Nasain'i Jesosy nankany an-tranony izy ary nanisa ireo zava-dehibe rehetra izay nataon'Andriamanitra taminy.

Luke 8:47

Araka ny filazan'i Jesosy, inona no nahasitrana an'ilay vehivavy nitsi-drà?

Sitrana nohon'ny finoany an'i Jesosy izy.

Luke 8:54

Inona no nataon'i Jesosy tao an-tranon'i Jairosy?

Nanangana tamin'ny maty ny zanakavavin'i Jairosy Izy.

Luke 9

Luke 9:1

Inona no nasain'i Jesosy nataon'ireo roa ambinifolo lahy?

Jesosy nandefa azy ireo hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ireo marary.

Luke 9:7

Heroda nandre tamin'ny olona sasan-tsasany fanazavana telo ny amin'ny hoe iza i Jesosy. Inona ireo?

Ny sasany nilaza fa Jesosy dia i Jaona ilay Mpanao batisa nitsangana tamin'ny maty, ny sasany nilaza fa niseho Elia, ary ny sasany nilaza hoe mpaminany taloha nitsangana tamin'ny maty izy.

Luke 9:12

Inona no sakafo nananan'ireo mpianatra ho an'ny vahoaka?

Nanana mofo dimy sy hazan-drano roa izy ireo.

Olona firy no nanaraka an'i Jesosy nankeny amin'ny vahoaka izay tany amin'ny tany efitra?

Teo ho eo amin'ny olona arivo teo no teny.

Luke 9:15

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ireo mofo dimy sy ireo hazan-drano roa?

Nijery ny lanitra Izy, nitahy ireo, nizarazara azy ireo, ary nanome izany an'ireo mpianatra mba homena ny vahoaka.

Ambin-tsakafo firy sobika no tavela teo?

Sobika roa ambinifolo feno ambin-tsakafo no teo.

Luke 9:20

Rehefa nanontany ireo mpianatra i Jesosy hoe iza Izy, dia inona no navalin'i Petera?

Hoy izy hoe: "Kristy avy amin'Andriamanitra."

Luke 9:23

Jesosy nilaza fa raha misy te-hanaraka Azy, dia inona no tsy maintsy ataony?

Tsy maintsy mandà ny tenany izy, mandray ny hazofijaliany isan'andro, ary manaraka an'i Jesosy.

Luke 9:28

Inona no niseho tamin'ny endrik'i Jesosy tany an-tendrombohitra?

Niova ny endriky ny tarehiny ary lasa fotsy sy manjelatra ny fitafiany.

Luke 9:30

Iza no niseho niaraka tamin'i Jesosy?

Mosesy sy Elia no niseho niaraka tamin'i Jesosy.

Luke 9:34

Inona no nolazain'ilay feo avy any amin'ny rahona izay nanaloka azy ireo?

Hoy ilay feo hoe: "Inty no zanako nofidiko; henoy Izy."

Luke 9:37

Talohan'ny nandroahan'i Jesosy ilay demonia, dia inona no nampanaovin'izany an'ilay lehilahy?

Ilay demonia nampihiaka azy ary nampihetsika aretina azy ary nisy roatra ny vavany.

Luke 9:43

Inona ilay hevitra nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianatra kanefa tsy takatr'izy ireo?

Hoy Izy hoe: "Ny Zanak'Olona dia ho atolotra eo an-tanan'ny olona."

Luke 9:46

Iza no lazain'i Jesosy hoe ilay iray izay lehibe eo amin'ireo mpianatra?

Ilay iray izay kely eo amin'izy ireo no ilay iray lehibe.

Luke 9:51

Satria efa manakaiky ny andro hiakaran'i Jesosy any an-danitra, dia inona no nataony?

Niatrika an'i Jerosalema Izy.

Luke 9:61

Mba ho tafiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra, inona no tsy maintsy ataon'ny olona iray raha vao "nametraka ny tanany tamin'ny angady izy?"

Tsy mahazo miherika intsony ilay olona.

Luke 10

Luke 10:3

Inona no zavatra nolazain'i Jesosy hoe tsy entin'ireo fitopolo miaraka amin'izy ireo?

Tsy mahazo mitondra kitapom-bola, na kitapo fitoeran'entana, na kapa izy ireo.

Luke 10:8

Inona no nasain'i Jesosy nataon'ireo fitopolo isaky ny tanàna tsirairay?

Nasainy nanasitrana ny marary sy hiteny amin'ny olona hoe: "Efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra" izy ireo.

Luke 10:10

Raha tsy mandray ireo izay nirahin'i Jesosy ny tanàna, dia inona no fitsarana ho azon'izany tanàna izany?

Mbola ho ratsy noho ny fitsarana nahazo ani Sodoma izany.

Luke 10:17

I nona no nolazain'i Jesosy azy ireo rehafa niverina ireo fitopolo ary nitatitra am-pifaliana fa izy ireo ka afaka nandroaka demonia?

Hoy Izy: "Mifalia lavitra aza fa efa voasoratra any an-danitra ny anaranareo."

Luke 10:21

Hoy Jesosy hoe ankasitrahan'ny Ray tsara ny manambara ny fanjakan'Andriamanitra amin'iza?

Ankasitrahan'ny Ray tsara ny manambara ny fanjakan'Andriamanitra amin'ireo izay tsy mahalala, tahaka ny zaza.

Luke 10:25

Araka ny filazan'i Jesosy, inona no voalazan'ny lalàna Jiosy hoe tsy maintsy ataon'ny olona iray raha te-hahazo ny fiainana mandrakizay izy?

Tsy maintsy tia ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra ianao, amin'ny fanahinao rehetra, amin'ny herinao rehetra, amin'ny fisainanao rehetra, ary mitia ny namanao tahaka ny tenanao.

Luke 10:31

Amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no nataon'ilay mpisorona Jiosy rehefa nahita ilay lehilahy efa ho faty teo amin'ny lalana izy?

Nandeha teny am-pita izy.

Inona no nataon'ilay Levita rehefa nahita azy izy?

Nandeha teny am-pita izy.

Luke 10:33

Inona no nataon'ilay Samaritana rehefa nahita ilay lehilahy izy?

Namehy ny ratrany izy, nametraka azy teo ambonin'ilay bibiny, nitondra azy tany amin'ny tranom-bahiny, ary nikarakara azy.

Luke 10:36

Rehefa avy nilaza ilay fanoharana, dia inona no nasain'i Jesosy nankaiza ilay mpampianatra ny lalàna Jiosy ary nasainy nanao inona?

Mandehana ary mampisehoa famindram-po toa ilay Samaritana ao amin'ny fanoharana.

Luke 10:38

Inona no nataon'i Maria tamin'izay fotoana izay?

Nipetraka teo amin'ny tongotr'i Jesosy izy ary nihaino azy.

Luke 10:40

Inona no nataon'i Marta rehefa tonga tao an-tranony Jesosy?

Nisahirana nikarakara sakafo aroso ho Azy izy.

Iza no nolazain'i Jesosy hoe nisafidy ny zavatra tsara ho atao?

Nilaza izy fa Maria no nisafidy ny zavatra tsara hatao.

Luke 11

Luke 11:3

Inona no vavaka nampianarin'i Jesosy an'ireo mpianatra?

Nivavaka Izy hoe: "Ry ray, hohamasinina anie ny anaranao. Aoka ho tonga ny fanjakanao. Omeo anay ny haninay isan'andro ary avelao ny fahotanay, tahaka ny namelanay izy rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy."

Luke 11:5

Tao amin'ny fanoharan'i Jesosy, nohon'ny inona no nifohazan'ilay lehilahy ary nanomezany mofo ilay namany tamin'ny misasaka alina.

Nohon'ny fikirizana tsy misy henatr'ilay namana.

Luke 11:11

Inona no homen'ny Ray any an-danitra an'ireo izay mangataka Aminy?

Hanome ny Fanahy Masina Izy.

Luke 11:14

Rehefa nahita Azy nandroaka ireo demonia izy ireo, dia nampangain'izy ireo ho nanao inona Jesosy?

Niampanga Azy tamin'ny fandroahana demonia amin'ny alalan'i Belzeboba, ilay mpanapaka ny demonia izy ireo.

Luke 11:18

Jesosy namaly hoe nandroaka demonia tamin'ny alalan'ny hery inona izy?

Nandroaka demonia tamin'ny alalan'ny rantsan-tanan'Andriamanitra Izy.

Luke 11:24

Raha misy fanahy maloti miala amin'ny olona iray fa miverina indray avy eo, dia tahaka ny ahoana ny fiafaran'ilay olona?

Mbola ho ratsy kokoa noho ilay tamin'ny voalohany ny fiafaran'ilay olona.

Luke 11:27

Rehefa nihiaka ilay vehivavy, nitahy ny renin'i Jesosy, dia iza no nolazain'i Jesosy hoe: sambatra?

Ireo izay nandre ny tenin'Andriamanitra sy nitana izany.

Luke 11:32

Jesosy nilaza fa Izy dia lehibe mihoatra noho ny olona roa ao amin'ny Testamenta Taloha, iza ireo?

Solomona sy Jona.

Luke 11:39

Inona no nolazain'i Jesosy hoe nameno ny tao anatin'ireo Fariseo?

Hoy Izy hoe: feno fitiavan-tena sy faharatsiana izy ireo.

Luke 11:42

Inona no nolazain'i Jesosy hoe nataon'ireo Fariseo tsirambina?

Izy ireo dia nanao tsirambina ny fitsarana sy ny fitiavan'Andriamanitra.

Luke 11:45

Inona no nolazain'i Jesosy hoe nataon'ireo mpampianatra lalàna tamin'ireo olona hafa?

Nampitondrain'izy ireo enta-mavesatra ireo olona ireo, fa izy tenan'izy ireo dia tsy mikasika ireo enta-mavesatra ireo.

Luke 11:49

Inona no ho andraikitr'io taranaka io?

Ho tompon'andraikitra amin'ny ràn'ireo mpaminany nalatsaka nanomboka hatramin'ny fiatombohan'izao tontolo izao izy ireo.

Luke 11:53

Inona no nataon'ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo rehefa nandre ny tenin'i Jesosy izy ireo?

Nanohitra sy niady hevitra taminy izy ireo, niezaka namandrika Azy tamin'izay voalazany.

Luke 12

Luke 12:2

Araka ny filazan'i Jesosy, dia inona no hiseho ny zava-drehetra lazainao ao amin'ny maizina?

Ho re amin'ny hazavana izany.

Luke 12:4

Iza no tokony hatahoranareo?

Tokony hatahotra ilay iray izay manana fahefana hanary anao any amin'ny helo ianao.

Luke 12:8

Inona no ho ataon'i Jesosy amin'ny olon-drehetra izay manaiky ny anarany eo anatrehan'ny olona?

Jesosy dia hanaiky ny anaran'izany olona izany eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra.

Luke 12:13

Araka ny filazan'i Jesosy, tsy arakaraka ny inona ny fiainantsika?

Tsy arakaraky ny fitobahan'ny harentsika ny fiainantsika.

Luke 12:16

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no ho ataon'ilay lehilahy satria namokatra be ny sahany?

Hanjera ny trano fitoeram-bokany izy ary hanangana lehibe kokoa hafa, ka hitsahatra izy, hihinana, hisotro, ary hifaly.

Luke 12:20

Inona no nolazain'i Jesosy an'ilay lehilahy manan-karena?

Hoy izy: "Ry lehilahy adala, anio alina ny fanahinao dia ho alana aminao, ary ny zavatra rehetra iza nomaninao, ho inona izy ireny?

Luke 12:31

Raha tsy tokony miahiahy momba ireo zavatry ny fiainana isika, inona no nolazain'i Jesosy hoe atao?

Mila mitady ny fanjakanAndrimanaitra isika.

Luke 12:33

Aiza no tokony hametrahantsika ny vola na ny harentsika, hoy Jesosy, nahoana?

Isika dia tokony hametraka ny harentsika any an-danitra, satria tsy misy mpangalatra tonga any ary tsy misy kalalao manimba any.

Luke 12:37

Araka ny filazan'i Jesosy, iza amin'ireo mpanompon'Andriamanitra no atao hoe: sambatra?

Sambatra ireo izay hita fa miandry sy vonona amin'ny fahatongavan'i Jesosy.

Luke 12:39

Fantatsika ve ny ora hahatongavan'i Jesosy?

Tsia.

Luke 12:45

Inona no zava-miseho amin'ny mpanompo izay manararaotra ireo mpanompo hafa sy tsy vonona amin'ny fiverenan'ny tompony?

Hanapatapaka azy ny tompony ary hanomana toerana ho azy miaraka amin'ireo tsy mahatoky.

Luke 12:47

Inona no takiana amin'ireo izay nomena betsaka?

Betsaka no takiana amin'izy ireo.

Luke 12:51

Araka ny hevitr'i Jesosy, karazana fizarana inona no ho entiny eto amin'izao tontolo izao?

Hisy olona iray trano hizarazara.

Luke 12:57

Araka ny hevitr'i Jesosy, inona no tokony ho ataontsika aloha mialohan'ny handanantsika any amin'ny fahavalontsika eo anatrehan'ny mpitsara?

Tokony miezaka mandamina ny olana aloha isika.

Luke 13

Luke 13:1

Nijaly ve ireo Galiliana izay novonoin'i Pilato tamin'izany fomba izany satria mpanota kokoa noho ireo Galiliana hafa izy reo?

Tsia.

Luke 13:8

Amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no natao tamin'ilay hazon'aviavy izay tsy namokatra taorian'ny telo taona?

Nomena zezika mampamokatra izany ary andrasana erintaona mba hamokatra, fa raha tsy izany, dia ho kapaina.

Luke 13:10

Tao amin'ny synagoga, inona no nahatonga an'ilay vehivavy ho nivokoka nandritra ny valo taona?

Fanahy maloton'ny fahalemena avy amin'i Satana no namehy azy.

Luke 13:12

Naninona ny mpanapaka ny syngoga no tezitra rehefa nanasitrana ilay vehivavy Jesosy?

Satria Jesosy nanasitrana azy tamin'ny Sabata.

Luke 13:15

Ahoana no nanehoan'i Jesosy fa ny mpanapaka ny synagoga dia mpiatsara velatsihy?

Jesosy nampatsiahy azy fa izy dia hamaha ny bibiny amin'ny Sabata, kanefa tezitra izy rehefa namaha ny fatoran'ilay vehivavy tamin'ny Sabata Jesosy.

Luke 13:18

Nahoana ny fanjakan'Andriamanitra no oharina amin'ny voatsinampy?

Satria kely ny fiatombohany, fa avy eo mitombo zavatra lehibe izay feno toerana honenana.

Luke 13:22

Rehefa nipetraka ny fanontaniana hoe maro ve no ho voavonjy, dia inona no navalin'i Jesosy?

Hoy izy hoe: "Miadia hiditra amin'ny varavarana tery, satria maro no hiezaka fa tsy ho tafiditra."

Luke 13:28

Inona no ho ataon'ny olona izay natsipy any ivelany, sy tsy afaka miditra ny fanjakan'Andriamanitra?

Hitomany sy hikitro-nify izy ireo.

Iza no hiombona hipetraka eo amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitra?

Abrahama, Isaka, Jakoba, ireo mpaminany, ary maro avy any antsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimo.

Luke 13:31

Aiza no toerana nolazain'i Jesosy fa tsy maintsy hamonoana Azy?

Tsy maintsy hovonoina ao Jerosalema Izy.

Luke 13:34

Inona no tian'i Jesosy ho atao amin'ny olon'i Jerosalema?

Te-hampiombona azy ireo tahaka ny fomba hanangonan'ny akohovavy ireo zanany eo ambany elany.

Ahoana ny fomba namalian'ireo olon'i Jerosalema ny fikasan'i Jesosy amin'izy ireo?

Nandà izany izy ireo.

Noho izany, inona no faminaniana momba an'i Jerosalema sy ny olony?

Navela ny tranon'izy ireo, ary tsy hahita an'i Jesosy intsony izy ireo mandra-pitenin'izy ireo hoe: "Sambatra Izy izay tonga amin'ny anaran'ny Tompo."

Luke 14

Luke 14:1

Noho ilay lehilahy nampijalian'i Edema izay nitsangana teo anoloany, inona no nanontanian'i Jesosy tamin'ireo manam-pahaizana Jiosy sy ireo Fariseo?

Ara-dalàna ve ny manasitrana olona amin'ny Sabata, sa tsia?

Luke 14:4

Inona no valin-tenin'ireo manam-pahaizana sy ireo Fariseo?

Nangina izy ireo.

Rehefa avy nanasitrana ilay lehilahy, ahoana ny fomba nanehoan'i Jesosy fa ireo manam-pahaizana sy ireo Fariseo dia mpiatsara velatsihy?

Jesosy nampatsiahy fa izy ireo dia hanampy ny zanak'izy ireo manokana na omby izay latsaka anaty lava-drano amin'ny Sabata.

Luke 14:10

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'izay rehetra manandratra ny tenany?

Hahetry izy ireo.

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'izay rehetra manetry ny tenany?

Ho asandratra izy ireo.

Luke 14:13

Araka ny hevitr'i Jesosy, inona no valisoan'ny olona izay mampandroso ny mahantra, kilemaina, mandringa, ary ny jamba ao an-tranony?

Ho voavaly any amin'ny fitsanganan'ny marina izy ireo.

Luke 14:18

Amin'ny fanoharan'i Jesosy tamin'ny fisakafoana, inona no nataon'ireo olona izay efa nasaina mihitsy?

Nanomboka niala tsiny momba ny tsy fahafahan'izy ireo nanatrika ny fisakafoana izy ireo.

Luke 14:21

Iza avy eo no nasain'ilay tompo ho tonga amin'ny fisakafoana?

Ny mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny kilemaina.

Luke 14:23

Inona avy eo no nolazain'ilay tompo momba ireo izay nasaina voalohany tamin'ilay fisakafoana?

Tsy misy na iza na iza amin'izy ireo hanandrana ny sakafoko.

Luke 14:28

Tamin'ny fanoharan'i Jesosy momba ny zavatra takiana amin'izay manaraka Azy, inona no tsy maintsy ataon'ilay olona voalohany raha te-hanangana tilikambo izy?

Tsy maintsy mikajy ny fandaniana izy.

Luke 14:31

Araka ny hevitr'i Jesosy, inona no tsy maintsy ataon'ireo mpianatr'i Jesosy?

Tsy maintsy mankahala ny fianakaviany sy ny fiainany izy ireo, milanja ny hazofijalian'izy ireo manokana, manaraka azy, ary mamela ny fananan'izy ireo rehetra.

Luke 14:34

Raha very ny tsiron'ny sira, inona no atao amin'izany?

Arina izany.

Luke 15

Luke 15:3

Tamin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no nataon'ilay mpiandry ondry izay very ondry iray tamin'ireo ondry zatony?

Navelany teo ireo ondry sivy amby sivifolo ka lasa nitady ilay ondry very izy, nitondra azy niverina, ary nifaly.

Luke 15:8

Tamin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no nataon'ilay vehivavy izay very farantsa iray tamin'ny farantsa folony?

Nitady am-pahazotoana izany izy mandra-pahitany izany, ary nifaly niaraka tamin'ireo namany sy ireo mpiara-monina taminy izy avy eo.

Inona no miseho any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka?

Misy hafaliana eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra.

Luke 15:11

Tamin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no nangatahan'ilay faralahy tamin'ny rainy?

Omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy.

Luke 15:13

Inona no nataon'ilay faralahy tamin'ny lovany?

Nandany fahatany ny volany tamin'ny fiainana maditra izy.

Luke 15:15

Rehefa lany ny volany, dia inona no nataon'ilay faralahy mba hampilamina ny fiainany?

Nandeha nikarama namahana kisoan'olona hafa izy.

Luke 15:17

Rehefa nanomboka tonga saina izy, dia inona no fanapahan-kevitra noraisiny?

Nanapa-kevitra handeha sy hiaiky ny fahotany amin'ny rainy izy, ary hangataka mba ho karamaina toy ny iray amin'ireo mpanompo.

Luke 15:20

Inona no nataon'ilay ray rehefa nahita ny zanany faralahy tonga mba hiverina ao an-trano izy?

Nihazakazaka sy namihina ary nanoroka azy izy.

Luke 15:22

Nanao inona faingana ho an'ilay faralahiny ilay ray?

Nanome akanjo, peratra, ary kapa ilay ray, ary nanao lanonana.

Luke 15:28

Inona no fihetsik'ilay lahimatoa rehefa nolazaina momba ilay lanonana ho an'ilay faralahy izy?

Tezitra izy ary tsy niditra tao amin'ilay lanonana.

Inona no nitarainan'ilay lahimatoa tamin'ilay rainy?

Nitaraina ilay lahimatoa fa izy dia nanaraka ny fitsipiky ny rainy, kanefa tsy nahazo zanak'ondry mba hanaovana lanonana miaraka amin'ny namany mihitsy.

Luke 15:31

Inona no valin-tenin'ilay ray tamin'ilay lahimatoany?

Hoy izy hoe: "Anaka, niaraka tamiko teto foana ianao, ary izay rehetra ahy dia anao."

Nahoana ilay ray no nilaza fa mety ny manao fety ho an'ilay zanany faralahy?

Satria ilay faralahy dia very ka hita indray ankehitriny.

Luke 16

Luke 16:1

Inona no tatitra ren'ilay lehilahy manan-karena momba ny mpitantany?

Nandre izy fa ilay mpitantany dia nandanilany ny fananan'ilay mpanan-karena rehetra.

Luke 16:5

Inona no nataon'ilay mpitantana talohan'ny nanerena azy hiala amin'ny asany?

Niantso ny tsirairay amin'ireo nananan'ny mpanjaka trosa izy ary nanena ny trosan'izy ireo.

Luke 16:8

Inona no navalin'ilay lehilahy mpanan-karena tamin'ny fihetsik'ilay mpitantana ny volany?

Nidera ilay mpitantany izy satria niasa tamin-kafetsena izy.

Inona no nasain'i Jesosy nataon'ireo hafa miainga avy amin'io tantara io?

Hoy izy: "Ataovy namanareo ny ny haren'izao tontolo izao, ka rehefa lasa izany, dia mety hampandroso anareo ao amin'ny fonenana mandrakizay izy ireo."

Luke 16:10

Jesosy nilaza fa ny olona iray izay matoky amin'ny kely dia hatoky ihany koa amin'ny inona?

Ilay olona ihany koa dia hatoky amin'ny lehibe.

Luke 16:13

Iza no tompo roa lazain'i Jesosy fa tsy maintsy safidintsika ho tompoina?

Isika dia tsy maintsy misafidy na Andriamanitra na ny harena.

Luke 16:16

Araka ny filazan'i Jesosy, inona no nisy nandra-pahatongan'i Jaona Mpanao batisa?

Ny lalàna sy ny mpaminany no nisy.

Araka ny filazan'i Jesosy, inona no toriana ankehitriny?

Ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra no toriana ankehitriny.

Luke 16:18

Araka ny filazan'i Jesosy, karazana olona inona no misaraka amin'ny vadiny ary manambady olona hafa?

Mpijangajanga izany olona izany.

Luke 16:22

Amin'ny tantaran'i Jesosy, nankaiza i Lazarosy mpangataka taorian'ny fahafatesany?

Lazarosy mpangataka dia nentin'ireo anjely teo anilan'i Abrahama.

Nankaiza ilay lehilahy mpanan-karena taorian'ny nahafatesany?

Tany amin'ny fahaverezana.

Luke 16:24

Inona no fangatahana voalohany nataon'ilay lehilahy mpanan-karena tamin'i Abrahama?

Hoy izy: "Mba alefaso aty amiko re Lazarosy hitondra rano kely ho ahy fa anatin'ny fangirifiriana mafy ato anatin'ity afo ity aho."

Luke 16:25

Inona no navalin'i Abrahama an'ilay lehilahy mpanan-karena?

Hoy izy: "Misy hantsana lehibe izay tsy hahafahan'iza na iza afaka miampita eo anelanelantsika."

Luke 16:27

Inona no fangatahana faharoa nataon'ilay lehilahy mpanan-karena tamin'i Abrahama?

Hoy izy: "Mba alefaso hampitandrina ireo rahalahiko amin'ity toerana ity re Lazarosy."

Luke 16:29

Inona no navalin'i Abrahama an'ilay lehilahy mpanan-karena?

Hoy izy: "Manana an'i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo, aoka izy reo hihaino azy ireo.

Abrahama niteny fa raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo, iza indray no handresy lahatra azy ireo?

Tsy ho resy lahatra izy ireo eny fa na dia hisy olona hitsangana amin'ny maty aza.

Luke 17

Luke 17:3

Inona no nolazain'i Jesosy hoe tsy maintsy ataontsika raha nanota tamintsika ny rahalahintsika ary niverina niteny hoe: "nibebaka aho?"

Tsy maintsy mamela azy isika.

Luke 17:9

Amin'ny maha-mpanompo, inona no tokony ho lazaina rehfa avy nahavita ny zavatra rehetra izay nandidian'ny tompontsika antsika isika?

Mila miteny isika hoe: "Tsy mendrika ny ho mpanompo isika; izay nodidiana ho ataontsika ihany no ataontsika."

Luke 17:11

Iza no nifanena tamin'i Jesosy rehefa niditra ny tanana tao amin'ny sisin-tanin'i Samaria sy Galilia izy?

Nifanena tamin'ireo boka folo izy.

Inona no nolazain'izy ireo tamin'i Jesosy?

Hoy izy ireo hoe: "Jesosy, Tompo, mamindra fo aminay."

Luke 17:14

Nasain'i Jesosy hanao inona izy ireo?

Nasainy nandeha nampiseho izany amin'ireo mpisorona izy ireo.

Inona no zava-niseho tamin'ireo boka raha vao nandeha izy ireo?

Nadio izy ireo.

Firy tamin'ireo boka no niverina nisaotra an'i Jesosy?

Iray ihany no niverina.

Avy aiza ilay boka izay niverina nisaotra an'i Jesosy?

Avy any Samaria izy.

Luke 17:20

Rehefa miresaka momba ilay fanjakana ho avy, aiza no toerana lazain'i Jesosy fa hisy ny fanjakan'Andriamanitra?

Ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.

Luke 17:22

Rehefa hiseho indray Jesosy, dia ho tahaka ny inona izany andro izany araka ny filazany?

Ho tahaka ny tsela-pahazavana avy amin'ny ilan'ny lanitra mankeny amin'ny hafa izany.

Luke 17:25

Inona no tsy maintsy hitranga voalohany araka any filazan'i Jesosy?

Tsy maintsy hijaly amin'ny zavatra maro izy ary ho lavin'io taranaka io.

Ahoana no mety ho fisehon'ny andron'ny Zanak'Olona amin'ireo andron'i Noa sy ireo andron'i Lota?

Maro no hihinana, hisotro, hanambady, hvidy, hivarotra, hamboly, ary hanangana, tsy mahalala fa ny andron'ny faharavana dia efa ho avy.

Luke 17:32

Amin'ny fomba ahoana no tsy tokony hitovizantsika amin'ny vadin'i Lota?

Tsy tokony hiverina hamonjy ny aintsika ety an-tany isika amin'io andro io.

Luke 17:34

Kisarisarina inona amin'ny zava-boahary no ampiasain'i Jesosy hamaliana ny fanontanian'ireo mpianatra hoe: "Aiza, ny Tompo?"

Any amin'izay misy ny vatana, any amin'izay hiangonan'ny votoro miaraka.

Luke 18

Luke 18:1

Inona no tian'i Jesosy ampianarina ireo mpianany momba ny fivavahana ao amin'io tantara io?

Te-hampianatra azy ireo izy fa tokony hivavaka mandrakariva izy ireo ary tsy tokony ho kivy.

Luke 18:3

Inona no nangatahan'ilay mpitondra tena amin'ny fitsarana tsy ara-drariny?

Nangataka rariny manoloana ny fahavalony izy.

Afaka fotoana vitsy, inona no nolazain'ilay mpitsara tsy marina tamin'ny tenany?

Hoy izy: "Satria io mpitondra tena io nanahirana azy ary tsy nitsahatra nankany aminy, dia hanampy azy hahazo ny rariny aho."

Luke 18:6

Inona no tian'i Jesosy ampianarina ireo mpianany momba ny famalian'Andriamanitra vavaka?

Te-hampianatra azy ireo Izy fa Andriamanitra dia hitondra fitsarana amin'ireo izay mitomany Azy.

Luke 18:9

Inona no fihetsik'ilay Fariseo nanoloana ny fahamarinany manokana sy ny an'ny olona hafa?

Nihevitra izy fa izy dia marina kokoa noho ireo olona hafa.

Ao amin'ny tantaran'i Jesosy, iza ireo roa lahy nankao an-tempoly mba hivavaka?

Fariseo iray sy mpanangon-ketra iray no nankao an-tempoly mba hivavaka.

Luke 18:13

Inona no vavak'ilay mpanangona hetra tamin'Andriamanitra tao an-tempoly?

Nivavaka izy hoe: "Ry Andriamanitra, mamindra fo amiko, izaho mpanota."

Iza ilay lehilahy niverina tany an-tranony voamarina teo anatrehan'Andriamanitra?

Ilay mpanangona hetra no voamarina teo anatrehan'Andriamanitra.

Luke 18:15

An'iza ny fanjakan'Andriamanitra hoy Jesosy?

An'ireo zanany izany.

Luke 18:22

Inona no zavatra iray nangatahan'i Jesosy ho ataon'ilay mpanapaka (ilay iray izay nanaraka ireo baikon'Andriamanitra hatramin'ny fahakeliny)?

Jesosy nangataka azy mba hivarotra izay rehetra hananany ary hizara izany amin'ny mahantra.

Ahoana no fomba namalian'ilay mpanapaka ny hevitr'i Jesosy ary satria nahoana?

Nalahelo tanteraka izy, satria izy dia nanan-karena loatra.

Luke 18:28

Inona no nampanantenain'i Jesosy ireo izay namela ny zavatry ny tany noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra?

Jesosy nampanantena azy ireo mihoatra kokoa noho izay ety an-tany, ary fiainana mandrakizay any amin'ny fiainana ho avy.

Luke 18:31

Araka ny hevitr'i Jesosy, inona no voasoratr'ireo mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha momba ny Zanak'Olona?

Izy dia ho atolotra an'ireo Jentilisa, ho esoina ary alaina baraka, ho kapohina, ary ho vonoina, fa amin'ny andro fahatelo dia hitsangana indray Izy.

Luke 18:38

Inona no nataon'ilay lehilahy jamba nitomany an'i Jesosy teo amin'ny lalana?

Hoy izy hoe: "Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo amiko."

Luke 18:42

Inona no nataon'ny olona rehefa avy nahita izy ireo fa sitrana ilay lehilahy jamba?

Nanome voninahitra sy nidera an'Andriamanitra izy ireo.

Luke 19

Luke 19:1

Iza no niakatra tamin'ny hazo mba hahita an'i Jesosy, ary inona no asany sy toerany teo amin'ny fiaraha-monina?

Zakaiosy, mpanangon-ketra manan-karena.

Luke 19:5

Inona no nitarainan'ny olona rehefa niditra tany an-tranon'i Zakaiosy Jesosy?

Hoy izy ireo hoe: "Niditra hamangy lehilahy izay mpanota Jesosy."

Luke 19:8

Inona no nolazain'i Jesosy momba an'i Zakaiosy rehefa nilaza Zakaiosy fa hanome ny fananany ho an'ny mahantra izy?

Hoy Izy: "Anio dia tonga ato amin'ity trano ity ny famonjena."

Luke 19:11

Inona no efa nandrasan'ny olona hiseho rehefa tonga ao Jerosalema Jesosy?

Nihevitra izy ireo fa ny fanjakan'Andriamanitra dia hiseho eo no ho eo.

Tamin'ny fanoharan'i Jesosy, aiza ilay tandapa no handeha?

Ho any amin'ny firenena tena lavitra izy mba handray fanjakana, ary hiverina avy eo.

Luke 19:16

Inona no nataon'i Jesosy an'ireo mpanompo izay natoky sy nahazo farantsa folo mihoatra?

Nanome azy ireo fahefana amin'ny tanàn-dehibe folo izy.

Luke 19:18

Inona no nataon'i Jesosy ho an'ireo mpanompo izay natoky sy nahavita farantsa dimy?

Nanome azy ireo fahefana amin'ny tanàn-dehibe dimy izy.

Luke 19:20

Karazana lehilahy inona no noheverin'ilay mpanompo ratsy fanahy an'ilay tandapa?

Nihevitra izy fa ilay tandapa dia olona masiaka.

Luke 19:24

Inona no nataon'ilay tandapa tamin'ilay mpanompo ratsy fanahy?

Nesoriny tamin'ilay mpanompo ratsy fanahy ny farantsany.

Luke 19:26

Inona no nataon'ilay tandapa tamin'ireo izay tsy tia azy ho mpanjaka eo amin'izy ireo?

Nasain'ilay tandapa novonoina teo anatrehany izy ireo.

Luke 19:29

Karazana biby inona no notaingainan'i Jesosy tamin'Izy ho any Jerosalema?

Zana-boriky izay tsy mbola nisy nitaingina mihitsy.

Luke 19:37

Inona no nihikahikan'ireo vahoaka raha nidina ny tenrombohitr'Oliva Jesosy?

Hoy izy ireo hoe: "Sambatra ilay Mpanjaka izay tonga amin'ny anaran'ny Tompo!"

Luke 19:39

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho raha tsy mihiakam-pifaliana ny olona?

Izy nilaza fa ny vato no hihiaka.

Luke 19:41

Inona no nataon'i Jesosy raha efa nanatona akaiky ny tanànq Izy?

Nitomany Izy.

Luke 19:43

Inona no faminanian'i Jesosy hiseho amin'ireo olona sy ilay tanàna?

Izy nilaza fa ny olona dia hianjera ary tsy hisy vato avela hifampitaingina.

Luke 19:47

Iza no te-hamono an'i Jesosy raha nampianatra tao an-tempoly Izy?

Ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ary ireo loholona no te-hamono an'i Jesosy.

Nahoana izy ireo no tsy afaka namono Azy tamin'io fotoana io?

Satria nihaino Azy avokoa ny olona.

Luke 20

Luke 20:3

Rehefa nanontany an'i Jesosy ireo loholona Jiosy hoe amin'ny alalan'ny fahefana inona no hanambaran'i Jesosy, dia inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'izy ireo?

Hoy izy: "Avy any an-danitra ve ny batisan'i Jaona sa avy amin'ny olona?"

Luke 20:5

Raha mamaly izy ireo, "avy any an-danitra," dia inona no noeritreretin'ireo loholona Jiosy ho lazain'i Jesosy azy ireo?

Nihevitra ireo loholona Jiosy fa Jesosy dia hilaza hoe: "Koa nahoana ary ianareo no tsy mino?"

Raha mamaly hoe: "avy amin'ny olona," dia inona no neverin'izy ireo ho ataon'ny olona amin'izy ireo?

Nihevitra izy ireo fa hitora-bato azy ireo ny olona.

Luke 20:11

Tao amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no nataon'ireo mpamboly voaloboka rehefa nandefa ny mpanompony haka ny voankazo teny amin'ny tanim-boaloboka Jesosy?

Nokapohin'izy ireo ireo mpanompo, nalain'izy ireo baraka, ary nalefan'izy ireo tanam-polo.

Luke 20:13

Farany, iza no nalefan'ny tompo nankany amin'ireo mpamboly voaloboka?

Ny zanany malalany no nalefany.

Luke 20:15

Inona no nataon'ireo mpamboly voaloboka rehefa ny zanaka no nankany amin'ny tanim-boaloboka?

Noroahin'izy ireo Izy hiala amin'ny tanim-boaloboka ary novonoin'izy ireo.

Inona no ho ataon'ilay tompo amin'ireo mpamboly voaloboka?

Hamotika ireo mpamboly voaloboka ireo izy ary hanome ny tanim-boaloboka an'ny hafa.

Luke 20:19

Iza no niantefan'izay fanoharan'i Jesosy izany?

Ireo mpanora-dalàna sy ireo lohan'ny mpisorona no niantefan'izany fanoharana izany.

Luke 20:25

Ahoana ny fomba namalian'i Jesosy ny fanontaniana momba ny hoe ara-dalàna sa tsia ny mandoa ny hetra amin'i Kaisara?

Izy nilaza hoe omeo an'i Kaisara ny zavatra izay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra ny zavatra izay an'Andriamanitra.

Luke 20:27

Inona no tranga tsy hinoan'ireo Sadoseo?

Tsy mino ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo.

Luke 20:34

Inona no nolazain'i Jesosy momba ny mariazy eto an-tany sy any amin'ny mandrakizay?

Amin'ity tany ity dia misy mariazy, fa any amin'ny mandrakizay tsy misy mariazy.

Luke 20:37

Inona ao amin'ny tantaran'ny Testamenta Taloha no nampatsiahivin'i Jesosy mba hanaporofoana ny marina amin'ny fitsanganana amin'ny maty?

Nampatsiahy ny tantaran'i Mosesy sy ilay kirihatra Izy, amin'ilay Mosesy miantso ny Tompo ilay Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.

Luke 20:41

Inona no tenin'i Davida avy ao amin'ny Salamo naverin'i Jesosy nolazaina amin'ny fanontaniany amin'ireo mpanora-dalàna?

Hoy izy hoe: "Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko, mipetraha amin'ny tanan-kavanako, mandra-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao."

Luke 20:45

Ao ambadiky ny fihetsika marin'izy ireo, inona no zavatra ratsy nataon'ireo mpanora-dalàna?

Nandany ny tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary nanao vavaka lava reny fanahy iniana.

Ahoana no fomba hahavoasazy ireo mpanora-dalàna hoy Jesosy?

Hahazo fanamelohana lehibe izy ireo.

Luke 21

Luke 21:1

Nahoana Jesosy no milaza fa ny mpitondra tena mahantra no mandrotsaka betsaka kokoa noho ny hafa rehetra ao amin'ny fandatsahan-drakitra?

Satria izy nanome tamin'ny fahantrany ary ny hafa nanome tamin'ny fananan'izy ireo betsaka.

Luke 21:5

Inona no nolazain'i Jesosy hoe hiseho amin'ny tempoly ao Jerosalema?

Izy nilaza fa ho ravana izany ary tsy hisy vato iray hijanona amin'ny iray hafa.

Luke 21:7

Inona no fanontaniana roa napetraky ny olona momba ny tempoly tamin'i Jesosy?

Nanontany izy ireo hoe: "Rahoviana ireo zavatra ireo no hitranga, ary inona no ho famantarana fa efa hiseho ireo?"

Jesosy nampitandrina fa mpamitaka maro no ho tonga. Inona no holazain'ireo mpamitaka ireo?

Hilaza izy ireo hoe: "Izaho no izy," ary hoe: "Efa akaiky ny fotoana."

Luke 21:10

Tranga mahatsiravina inona no nolazain'i Jesosy hoe hiseho mialoha ny farany?

Hisy ady mahatsiravina, horohoron-tany, mosary, areti-mandringana, ary famantarana lehibe avy eny amin'ny lanitra.

Luke 21:12

Fahafahana inona no ho entin'ny fanenjehana an'ireo mpino?

Hampisy irika amin'ny fijoroana vavolombelona izany.

Luke 21:16

Iza no hankahala ireo mpanaraka an'i Jesosy?

Ny Ray aman-dreny, ny rahalahy, ny havana, ny namana, ary "ny olon-drehetra" dia hankahala azy ireo.

Luke 21:20

Inona no tranga hanondro fa efa akaiky ny faharavan'i Jerosalema?

Rehefa voadidina miaramila Jerosalema, dia efa akaiky izay ny faharavany.

Inona no asain'i Jesosy ataon'ny olona izay mahita fa efa akaiky ny faharavan'i Jerosalema?

Asainy mandositra any an-tendrombohitra izy ireo, miala ny tanàna, ary tsy miditra ny tanàna.

Inona no hiantsoan'i Jesosy ireo andron'ny faharavan'i Jerosalema ireo?

Ho antsoiny hoe: andron'ny valifaty, fahatanterahan'ny zavatra rehetra efa voasoratra ireo.

Luke 21:23

Hafiriana Jerosalema no ho voahosihosin'ireo Jentilisa?

Jerosalema dia ho voahosihosin'ireo Jentilisa mandra-pahatanteraky ny fotoan'ny Jentilisa.

Luke 21:25

Inona no famantarana nolazain'i Jesosy hoe hialoha ny fahatongavany amin'ny hery sy voninahitra lehibe?

Izy nilaza hoe hisy famantarana eny amin'ny masoandro, ny volana, ary ny kintana, ary ny fahorian'ny firenena ety amin'izao tontolo izao.

Luke 21:29

Inona no ohatra nomen'i Jesosy ny fomba hahafantaran'ireo mpihaino azy fa efa ho tonga ny vanim-potoana?

Miresaka momba ny aviavy Izy - rehefa manaroka izany dia fantatr'izy ireo fa efa akaiky ny lohataona.

Luke 21:32

Inona no nolazain'i Jesosy hoe ho levona?

Ny lanitra sy ny tany dia ho levona.

Inona no tsy ho levona mandrakizay?

Ireo tenin'i Jesosy dia tsy ho levona mandrakizay.

Luke 21:34

Inona no nampitandreman'i Jesosy tsy ho ataon'ireo mpihaino azy satria ho avy tampoka izany andro?

Nampitandrina azy ireo Izy mba tsy hamela ny fon'izy ireo ho vesaran'ny filibana, fahamamoana, ary ireo ahiahin'ny fiainana.

Luke 21:36

Inona no nampitandreman'i Jesosy hataon'ireo mpihaino azy satria ho avy tampoka izany andro izany?

Nampitandrina azy ireo mba ho mailo sy hivavaka Izy.

Luke 22

Luke 22:1

Amin'izany fotoana izany, lanonan'ny Jiosy inona no efa antomotra?

Ny lanonan'ny mofo tsy misy lalivay, antsoina hoe: Paska.

Luke 22:5

Amin'ny tranga toy ny inona Jodasy no nitady irika hanafahana an'i Jesosy amin'ireo lohan'ny mpisorona?

Nitady irika izy rehefa tsy teo amin'ny vahoaka i Jesosy.

Luke 22:10

Taiza Jesosy sy ireo mpianany no nihinana ny sakafon'ny Paska?

Tao amin'ny tranom-bahiny tao Jerosalema izy ireo no nihinana.

Luke 22:14

Oviana Jesosy no nilaza fa hihinana ny sakafon'ny Paska indray?

Hihinana ny sakafon'ny Paska indray Izy rehefa tanteraka ny fanjakan'Andriamanitra.

Luke 22:19

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nizara ny mofo sy nanome izany tamin'ireo mpianany Izy?

Hoy Izy: "Inty no vatako izay omeko anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy."

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nanome ny kapoaka an'ireo mpianatra Izy?

Hoy Izy: "Ity kapoaka ity no fanekem-pihavanana vaovao amin'ny ràko, izay narotsaka ho anareo."

Luke 22:21

Fikasan'Andriamanitra ve ny hamadihana an'i Jesosy?

Eny.

Fantatr'ireo mpianatra ve hoe iza no hamadika an'i Jesosy?

Tsia.

Luke 22:26

Iza no nolazain'i Jesosy hoe lehibe eo amin'ireo mpianany?

Ilay iray izay manompo no lehibe.

Ahoana no fomba niainan'i Jesosy teo amin'ireo mpianany?

Niaina tahaka ilay mpanompo iray Izy.

Luke 22:28

Taiza no nampanantenain'i Jesosy hoe hitoeran'ireo mpianany?

Izy nilaza fa izy ireo dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana, hitsara ireo foko roa ambinifolon'Israely.

Luke 22:33

Inona no nolazain'i Jesosy mialoha fa ho ataon'i Petera?

Izy nilaza fa Petera dia handà in-telo fa izy dia mahafantatra an'i Jesosy mialohan'ny hanenon'ny akoholahy.

Luke 22:37

Inona no voasoratra ao amin'ny faminaniana momba ny fahatanterahan'i Jesosy amin'ireo tranga ireo?

Ny faminaniana ao amin'ny Soratra masina manao hoe: "Ary noheverina ho iray amin'ireo mpandika lalàna Izy."

Luke 22:39

Tany an-Tendrombohitr'Oliva, noho ny inona no nitenenan'i Jesosy an'ireo mpianany mba hivavaka?

Tiany izy ireo hivavaka mba tsy hidiran'ny fakam-panahy.

Luke 22:41

Tany amin'ny Tendrombohitr'Oliva, inona no nivavahan'i Jesosy?

Nivavaka Izy hoe: "Ray, raha sitraponao, esory amiko ity kapoaka ity. Na izany aza tsy ny sitrako, fa ny sitrakao no atao."

Luke 22:45

Inona no nataon'ireo mpianatra rehefa niverina avy nivavaka Jesosy?

Natory izy ireo.

Luke 22:47

Ahoana no fomba hamadihan'i Jodasy an'i Jesosy teo anatrehan'ny vahoaka?

Namadika an'i Jesosy tamin'ny alalan'ny oroka izy.

Luke 22:49

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ilay lehilahy izay voatapaka sofina?

Nokasihiny ny sofiny, ary nositraniny izy.

Luke 22:52

Taiza foana isan'andro niaraka tamin'ireo lohan'ny mpisorona Jesosy?

Tao an-tempoly izy.

Luke 22:54

Taorian'ny nisamborana Azy, dia nentin'izy ireo taiza Jesosy?

Nentin'izy ireo tany amin'ny mpisorona be Izy.

Luke 22:56

Inona no nolazain'i Petera rehefa nilaza ilay mpanompo vavy iray fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera?

Hoy izy: "Ry vehivavy, tsy mahafantatra azy aho."

Luke 22:59

Inona avy hatrany no niseho rehefa nandà fanintelony ho nahafantatra an'i Jesosy Petera?

Naneno ny akoho lahy.

Luke 22:61

Inona no nataon'i Petera rehefa avy nijery azy Jesosy?

Nivoaka izy ary nitomany mafy.

Luke 22:63

Inona no nataon'ireo mpiambina tamin'i Jesosy?

Naneso sy nikapoka Azy izy ireo, ary niteny ratsy Azy.

Luke 22:66

Rehefa nanontany an'i Jesosy ireo Synedriona hoe izy ve no Kristy, dia nilaza Jesosy fa raha miteny azy ireo Izy, dia inona no ho ataon'izy ireo?

Tsy hino izy ireo.

Luke 22:69

Nahoana ireo Synedriona no nilaza fa tsy mila vavolombelona hanaporofo izy ireo hoe Jesosy nanambara ny tenany ho Kristy?

Satria tamin'ny vavan'i Jesosy mihitsy izy ireo no nandre izany.

Luke 23

Luke 23:1

Inona no fanamelohana manohitra an'i Jesosy nampanaovin'ireo mpitarika Jiosy an'i Pilato?

Nilaza izy ireo fa Jesosy dia nametaveta ny firenena, nandrara nanome hetra an'i Kaisara, ary nilaza fa Izy no Kristy, ilay mpanjaka.

Luke 23:3

Rehefa avy nanontany an'i Jesosy, dia inona no nolazain'i Pilato momba Azy?

Hoy izy hoe: "Tsy mahita hadisoana amin'ity lehilahy ity aho."

Luke 23:8

Nahoana i Heroda no te-hahita an'i Jesosy?

Te-hahita an'i Jesosy hanao fahagagana izy.

Ahoana no fomba namalian'i Jesosy an'i Heroda?

Tsy namaly na inona na inona Izy.

Luke 23:13

Rehefa niverina tany amin'i Pilato Jesosy, dia inona no nolazain'i Pilato momba Azy tamin'ireo vahoaka?

Hoy izy: "Tsy mahita hadisoana amin'ity lehilahy ity aho."

Luke 23:18

Iza no tian'ireo vahoaka havotsotra amin'ny figadrana tamin'ny fankalazana ny Paska?

Barabasy, ilay jiolahy no tian'izy ireo

Luke 23:20

Inona no nihikan'ny vahoaka hoe tokony ho atao amin'i Jesosy?

Nihiaka izy ireo hoe: "Fantsiho Izy, fantsiho Izy."

Fanintelony, inona no nolazain'i Pilato tamin'ireo vahoaka momba an'i Jesosy?

Hoy i Pilato hoe: "Tsy nahita na inona na inona izay mendrika sazy famonoana Azy aho."

Luke 23:23

Nanaiky ny fangatahan'ireo vahoaka hamantsika an'i Jesosy i Pilato tamin'ny farany, nahoana?

Satria izy ireo dia nanezakezaka tamin'ny feo mafy.

Luke 23:26

Iza no nitondra ny hazofijalian'i Jesosy, ary nanaraka an'i Jesosy avy ao aoriana?

Simona avy any Syrenia no nitondra ny hazofijalian'i Jesosy.

Luke 23:27

Raha tsy Izy dia iza no nolazain'i Jesosy hoe tokony hitomanian'ireo vehivavin'i Jerosalema?

Izy ireo dia tokony hitomany ny tenan'izy ireo sy ny zanak'izy ireo.

Luke 23:32

Iza no nofantsihana niaraka tamin'i Jesosy?

Jiolahy roa no niara-nofantsihana niaraka tamin'i Jesosy.

Luke 23:33

Teo amin'ny hazofijaliana, inona no vavak'i Jesosy ho an'ireo izay namantsika Azy?

Nivavaka Izy hoe: "Ray o, mamelà azy ireo, fa tsy fantatr'izy ireo izay ataony."

Luke 23:35

Satria Jesosy nanambara hoe Izy no Kristy, ka noho izany ny olona, ny miaramila, ary iray amin'ireo jiolahy dia niantsy Azy mba hanao inona?

Niantsy Azy mba hamonjy ny tenany izy ireo.

Luke 23:36

Satria Jesosy nanambara hoe Izy no Kristy, ka noho izany ny olona, ny miaramila, ary iray amin'ireo jiolahy dia niantsy Azy mba hanao inona?

Niantsy Azy mba hamonjy ny tenany izy ireo.

Inona no voasoratra amin'ilay famantarana eo ambonin'i Jesosy?

Izao no voalazan'izany hoe: "INTY NO MPANJAKAN'I JIOSY."

Luke 23:39

Satria Jesosy nanambara hoe Izy no Kristy, ka noho izany ny olona, ny miaramila, ary iray amin'ireo jiolahy dia niantsy Azy mba hanao inona?

Niantsy Azy mba hamonjy ny tenany izy ireo.

Luke 23:42

Inona no fangatahan'ilay jiolahy faharoa tamin'i Jesosy?

Hoy izy: "Tsarovy aho rehefa miditra any amin'ny fanjakanao Ianao."

Inona no fampanantenana nataon'i Jesosy tamin'ilay jiolahy faharoa?

Hoy Izy: "Anio dia hiaraka amiko ho any am-paradisa ianao."

Luke 23:44

Inona no tranga mahagaga hiseho eo no ho eo mialohan'ny fahafatesan'i Jesosy?

Ho rakotra haizina ny tany tontolo ary ny lamban'ny tempoly hizara avy eo afovoany.

Luke 23:46

Inona no nolazain'ilay synedriona momba an'i Jesosy taorian'ny fahafatesan'i Jesosy?

Hoy Izy: "Azo antoka fa olo-marina io lehilahy io."

Luke 23:52

Inona no nataon'i Josefa Arimatea taorian'ny fahafatesan'i Jesosy?

Nangataka ny razana tamin'i Pilato izy ary nametraka izany tany am-pasana.

Luke 23:54

Andro inona no manomboka rehefa nalevina Jesosy?

Ny andro Sabata no hanomboka.

Inona no ataon'ireo vehivavy izay niaraka tamin'i Jesosy amin'ny Sabata?

Nitsahatra izy ireo, araka ny didin'Andriamanitra.

Luke 24

Luke 24:1

Oviana ireo vehivavy no nandeha tany amin'ny fasan'i Jesosy?

Vao mangiran-dratsy tamin'ny andro voalohan'ny herinandro izy ireo no nandeha.

Inona no hitan'ireo vehivavy tao am-pasana?

Nahita izy ireo fa nikodia lavitra ny vato ary tsy tao ny vatan'i Jesosy.

Luke 24:6

Inona no nolazain'ireo lehilahy roa niakanjo manjopiaka (anjely) ho niseho tamin'i Jesosy?

Izy ireo nilaza fa efa nitsangana Jesosy.

Luke 24:11

Inona no fihetsik'ireo apostoly rehefa niteny tamin'izy ireo izay zavatra niseho tany am-pasana ireo vehivavy?

Noeritreretin'izy ireo ho tatitra tsy misy dikany izany.

Inona no nataon'i Petera rehefa nijery tao am-pasana izy?

Nahita izy fa nitokana ireo lambam-paty.

Luke 24:15

Naninona ireo mpianatra roa izay nankany amin'i Emaosy no tsy nahafantatra an'i Jesosy rehefa niaraka tamin'izy ireo Jesosy?

Satria nosakanana tsy hahafantatra Azy ny mason'izy ireo.

Luke 24:21

Fony mbola velona Jesosy, dia inona no nantenain'ireo mpianatra ho atao?

Nanantena izy ireo fa hanafaka an'Israely amin'ny fahavalon'izy ireo Izy.

Luke 24:25

Inona no nazavain'i Jesosy tamin'ireo lehilahy roa tao amin'ny Soratra masina?

Nanazava izay nolazain'ny Soratra masina momba Azy Izy.

Luke 24:30

Inona no nataon'i Jesosy rehefa nahafantatra Azy izy ireo?

Nanjavona teo imason'izy ireo Izy.

Luke 24:33

Oviana ireo lehilahy roa vao nahafantatra an'i Jesosy?

Nahafantatra Azy izy ireo rehefa nanamasina ny mofo, nizara izany, ary nanome izany azy ireo Izy.

Luke 24:36

Inona no nataon'i Jesosy voalohany rehefa niseho tamin'ireo mpianany tao Jerosalema Izy?

Hoy Izy: "Fiadanana anie ho aminareo."

Luke 24:38

Ahoana no nanaporofon'i Jesosy fa tsy fanahy Izy?

Nampandraisiny ireo mpianany Izy, ary nasehony azy ireo ny tanany sy ny tongony.

Luke 24:45

Ahoana no nahatakaran'ireo mpianatra ny soratra masina avy eo?

Nosokafan'i Jesosy ny sain'izy ireo mba hahatakaran'izy ireo.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tokony ho toriana amin'ny firenena rehetra?

Ny fibebahana sy ny famelana fahotana no tokony ho toriana amin'ny firenena rehetra.

Luke 24:48

Inona no nolazain'i Jesosy hoe andrasan'ireo mpianatra?

Nolazain'i Jesosy izy ireo mba hiandry mandra-pitafin'izy ireo ny hery avy any ambony.

Luke 24:50

Inona no niseho tamin'i Jesosy raha nitso-drano ireo mpianatra teny akaikin'i Betania Izy?

Lasa nakarina tany an-danitra Izy.

Luke 24:52

Taiza ireo mpianatra no nandany ny fotoan'izy ireo avy eo, ary inona no nataon'izy ireo?

Tao an-tempoly foana izy ireo, nankalaza an'Andriamanitra.