Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Chronicles 1

1 Chronicles 1:8

Iza ilay mpandresy voalohany teto an-tany?

Nimroda, ny zanaka lahin'i Kosy, no mpandresy voalohany.

1 Chronicles 1:17

Maninona no nantsoina hoe Pelega ny iray tamin'ireo zanakalahin'i Ebera?

Tamin'ny androny, nizara ny tany.

1 Chronicles 1:43

Tanin'iza no nanjakan'ireo mpanjaka talohan'ny nanjakan'ireo Israelita?

Ny tanin'ny Edoma no najakan'ireo mpanjaka talohan'ny nanjakan'ireo mpanjaka Israelita.

1 Chronicles 2

1 Chronicles 2:3

Inona no niseho tamin'i Era, lahimatoan'i Joda?

Nanao ratsy teo imason'i Yaveh, ka namono azy i Yaveh.

1 Chronicles 2:5

Ahoana no nitondran'i Akara korontana teo amin'ny Israely?

Nangalatra izay voatokana ho an'Andriamanitra izy.

1 Chronicles 2:13

Iza no zanakalahin'i Jese fahafito?

Davida no zanaka lahin'i Jese fahafito.

1 Chronicles 3

1 Chronicles 3:4

Firy taona no nanapahan'i Davida toy ny mpanjaka tao Jerosalema?

Nanapaka toy ny mpanjakan'ny Jerosalema nandritry ny telo amby telopolo taona izy.

1 Chronicles 3:15

Iza no mpanjakan'ireo Israelita teo aloha?

Zedekia no mpanjakan'ny Israely teo aloha.

1 Chronicles 4

1 Chronicles 4:9

Inona no nataon'i Jabeza raha nivavaka tamin'Andriamanitry ny Israely izy?

Nivavaka ny mba ho tahian'Andriamanitra izy, hanitatra ny faritaniny, homba azy amin'ny tanana mba ho afaka ny fanaintainany.

1 Chronicles 4:27

Maninona ny vondron'i Simey sy ireo rahalahiny no tsy nitombo isa ary izay nataon'ny vahoakan'ny Joda?

Tsy niteraka zaza maro ireo rahalahiny.

1 Chronicles 4:39

Fa maninona ny sasany tamin'ireo zanakalahin'i Simey no nandeha tany Gedora izay any amin'ny ilany atsinan'ny lohasaha?

Nitady ahitra ho an'ireo ondry aman'osy izy ireo, ary nahita ahitra maro sady tsara teny izy ireo.

1 Chronicles 5

1 Chronicles 5:1

Fa maninona no nomena an'i Josefa rahalahiny ny fizokiana fa tsy tamin'i Robena lahimatoa?

Nomena an'i Josefa rahalahiny ny fizokiana, zanaka lahin'Israely, satria nandoto ny fandrian'ny dadany i Robena.

Iza tamin'ireo zanakalahin'Israely no niavian'ny mpitarika?

Avy amin'ny zanaka lahin'Israely no nihavian'ny mpitarika, Joda.

1 Chronicles 5:4

Inona no niseho tamin'i Bera, ilay zanakalahin'i Bala?

Ny mpanjakan'ny Asyria handray azy ho babo.

1 Chronicles 5:18

Firy ny isan'ireo miaramilan'ireo Robenita, ireo Gadita, ary ireo antsasaky ny fokon'i Manase niofana?

Efatra arivo sy efatra alina ireo miaramila niofana amim'ny ady, izay nitana ampinga sy sabatra, ary nanjena ny tsipika.

1 Chronicles 5:20

Fa naninona no resy i Agrita?

Resy izy ireo satria nitalaho tamin'Andriamanitra ireo Israelita ary nametraka ny fitokisany taminy, ary namaly azy ireo

Hafiriana no niainan'ireo Israelita amin'ny tany izay alain'izy ireo amin'ireo Agrita?

Nonina tao mandra-pahatongan'ny fanababoana.

1 Chronicles 5:23

Taiza no nonina ny antsasaky ny fokon'i Manase niaraka tamin'ireo fianakaviny?

Nonina tao amin'ny tany Basana izy ireo.

1 Chronicles 5:25

Satria nahatoky an'Andriamanitra ireo Robenita, ireo Gadita, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, inona no ataony amin'izy ireo?

Namporisika ny mpanjakan'i Asyria ary nandefa sesi-tany ireo foko tao amin'ny Asyria.

1 Chronicles 6

1 Chronicles 6:13

Fa ahoana no nataon'Yaveh sesi-tany i Joda sy Jerosalema?

Niala tao Joda sy Jerosalema amin'ny Nebokadnezara mpanjakan'ny Babilona izy.

1 Chronicles 6:31

Inona ireo adidin'ny lehilahy izay mametraka an'i Davida hiandraikitra ny zava-maneno?

Nanompo tamin'ny fihirana manoloana ny tabernakely izy ireo.

Iza no nanorina ny tranon'Yaveh tao Jerosalema?

Solomona no nanorina ny tranon'Yaveh.

1 Chronicles 6:48

Iza amin'ny fokon'Israely no voatendry hanao ny asa ho an'ny tabernakely?

Ireo Levita no voatendry hanao izany asa izany.

1 Chronicles 6:49

Inona no andraikitr'i Arona sy ireo zanakalahiny amin'ireo fanatitra mahagaga?

Tompon'andraikitra amin'ireo fanatitra eo amin'ny alitara ho amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny alitaran'ny dintin-kazo manitra izy ireo.

Inona izany fanatitra izany?

Mahagaga amin'ireo fahotan'Israely izany fanatitra.

1 Chronicles 6:63

Taiza ireo Levita no nonina satria tsy nomena tany manokana tahaka ireo foko hafa izy ireo?

Notendrena amin'ny ankamaroan'ny tanàna miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilona amin'ireo fokon' i Joda, Simeona, ary Benjamina ireo Levita.

1 Chronicles 7

1 Chronicles 7:1

Olona tahakan'ny ahoana ireo zanakalahin'i Tola?

Lehibe, lehilahy mavitrika izy ireo.

1 Chronicles 7:4

Firy ny isan'ny lehilahy mpiady ao amin'ny fokon'i Jisakara?

Nanana lehilahy mpiady miisa fito arivo sy valo alina ny foko'i Jisakara.

1 Chronicles 7:6

Tahaka ny ahoana no nahafantarana ireo zanaka lahin'i Bela?

Toy ireo miaramila sy fiandohan'ireo foko no nahafantarana ireo zanakalahin'i Bela.

1 Chronicles 7:14

Iza no niteraka ny zanakalahin'i Manase izay antsoina hoe Asriela?

Manase Aramita vaditsindranony no niteraka zazalahy nantsoina hoe Asriela.

1 Chronicles 7:20

Maninona i Efraima no nila fampiononana avy amin'ireo rahalahiny rehefa nisaona nandritra ny fotoana maro izy?

Nila fampiononana avy amin'ireo rahalahiny i Efraima satria ireo sanany lahy Ezera sy Elada dia novonoin'ny lehilahin'i Gata rehefa nandeha nangalatra tamin'ny biby fiompiny izy ireo.

1 Chronicles 7:23

Fa naninona no nantsoin'i Efraima hoe Beria ny zanany lahy?

Nantsoin'i Efraima hoe Beria ny zanany lahy satria nisy fahoriana tonga tamin'ny fianakaviany.

1 Chronicles 7:25

Iza no zanakalahin'i Nona?

Josoa no zanaka lahin'i Nona.

1 Chronicles 7:28

Taiza ireo fananana sy ireo fonenan'i Josoa sy ny fianakaviany?

Ao amin'ny Betela sy ireo zana-bohiny ireo fananany sy ireo fonenany.

1 Chronicles 7:39

Inona avy ireo mahatsara ny taranak'i Asera?

Avy amin'ireo foko, ireo mpitarika ireo fianakaviany, lehilahy niavaka, lehilahy mpiady, mpisorona eo amin'ireo mpitarika ireo taranak'i Asera.

1 Chronicles 8

1 Chronicles 8:6

Notendrena nankaiza ireo taranak'i Ehoda?

Notendrena ifindra ho any Manatana ireo taranak'i Ehoda.

1 Chronicles 8:12

Nandroaka inona ireo zanakalahin'i Elpala?

Nandroaka ireo mponin'i Gata ireo zanaka lahiny.

1 Chronicles 8:26

Aiza no monina ny zanakalahin'i Jerohama?

Nonina tao Jerosalema izy ireo.

1 Chronicles 8:32

Aiza i Miklota sy ny fianakaviany no monina?

Nonina teo akaikin'ireo mifandray aminy tao Jerosalema i miklota sy ny fianakaviany.

1 Chronicles 8:38

Fa inona no ahafantarana ireo zanakalahin'i Olama izay taranak'i Benjamina?

Lehilahy mpiady sy mpanipy tsipikà ireo zanakalahin'i Olama.

1 Chronicles 9

1 Chronicles 9:1

Tamin'ny no nanoratana ireo tetiharan'ny Israely rehetra?

Voasoratra tamin'ny Bokin'ireo Mpanjakan'Israely ireo tetiharana.

Maninona i Joda no natao sesi-tany tao Babylona?

Nalefa sesi-tany tany Babylona i Joda noho ireo fahotany.

Iza ilay olona voalohany nonina tao amin'ny tanànan'izy ireo?

Ny sasany tamin' ireo Israelita, ireo mpisorona, ireo levita, ary ireo mpanompon'ny tempoly no olona voalohany nonina tami'ireo tanàny.

1 Chronicles 9:10

Fa inona no nahafantarana an'i Azaria?

Azaria dia mpisorona izay misahana ny tranon'Andriamanitra.

1 Chronicles 9:12

Fa ahoana no ahafantarana ireo fifandraisani'i Adaia sy Masay?

Lehilahy tena mahay ny asa amin'ny tranon'Adriamanitra izy ireo.

1 Chronicles 9:17

Inona no andraikitra sahani'ny mpiandry varavarana teo aloha?

Nitsangana niandry ny vavahadin'ny mpanjaka teny amin'ny sisiny atsinana amin'ny tobin'ny taranak'i Levy ny mpiandry varavarana.

Inona no andraikitr'ireo Koraita?

Nisahana ny amin'ny asan'ny tempoly sy ny amin'ny varavaran'ny trano lay izay onenan'Yaveh ireo Koraita.

1 Chronicles 9:20

Inona no andraikitr'i Zakaria, zanaka lahin'i Meselimia?

Mpiambina izay miditra ao an-tempoly, ny "trano lay fihaonana" i Zakaria.

1 Chronicles 9:22

Inona no nataon'ireo mpiambina vavahady sy ny zanany, izay nafindran'i Davida sy Samoela tamim-pitokisana, natao tao amin'ny Israely?

Niambina ireo vavahadin'ny tranon'i Yaveh, ilay tabernakely ireo mpiandry vavahady sy ireo sanany.

1 Chronicles 9:25

Inona no nataon'ireo mpitarika efatry ny mpiambina vavahady izay notendrena mba hiambina ireo efitra sy ireo trano fitahirizam-bokatra tao an-tranon' Andriamanitra?

Te handany ny alina teo amin'ny toerana manodidina ny tranon'Andriamanitra ary hamaha izany isa-maraina ireo mpitarika efatry ny mpiambina vavahady.

1 Chronicles 9:28

Inona avy ireo asa tokony ho ataon'ireo Levita?

Ny sasany tamin'ireo Levita dia mpitarika efatry ny mpiambina vavahady ary maro no voatendry hikarakara ireo zavatra masina, ny fitaovana, sy ireo vatsy tahaka ny lafarinina, ny divay, ny diloilo, sy didin-kazo mamerovero, ary ireo zava-manitra.

1 Chronicles 9:30

Inona no andraikitr'ireo Kehatita?

Nisahana ny fikarakarana ny mofo isaky ny Sabata ireo Kehatita.

1 Chronicles 9:33

Maninona ireo mpihira sy ireo mpitarika ny fianakavian'ny Levita no nonina tao amin'ny efitrano masina rehefa tsy miasa izy ireo?

Ireo mpihira sy ireo mpitarika ny fianakavin'ny Levita diq nonin tao amin'ny efitrano masina satria natanteraka ireo raharaha nomena azy ireo andro aman'alina.

1 Chronicles 10

1 Chronicles 10:1

Inona no niseho tamin'ireo zanaka lahin'i Saoly tao amin'ny tendrombokitra Gilboa?

Niady tamin'ireo zanaka lahin'i Saoly ary namona azy ireo Filistina.

1 Chronicles 10:4

Maninona no tian'i Saoly ho trobaran'ny mpitondra fiadiana amin'ny sabany izy?

Tiany ho trobarany amin'ny sabany i Saoly amin'izay tsy afaka ny hanararaotra azy ireo tsy voafora.

Inona no nataon'i Saoly rehefa tsy nanatrobaka azy ny mpandefona?

Naka ny sabany i Saoly ary lavo teo amin'izany izy.

1 Chronicles 10:5

Ahoana no fihetsiky ny mpitondra fiadian'i Saoly raha nahita ny fatin'i Saoly izy?

Rehefa nahita ny fatin'i Saoly ilay mpitondra ny fiadiany , dia lavo tamin'ny sabany ary maty koa izy.

1 Chronicles 10:7

Inona no nataon'ny lahialahin'Israely rehefa nahita izy fa nandositra ny miaramila ary i Saoly sy ireo zanany lahy dia maty?

Nandositra niala tamin'ny tanàna izy ireo ary tonga ireo Filistina ka nonina teo amin'ireo.

1 Chronicles 10:9

Inona no nataon'ireo Filistina tamin'ny fatin'i Saoly?

Nendahan'ireo Filistina ny vatany ary napetraka teo amin'ny tempolin'ny andriamanitr'ireo ny fiadiany ary nofehezina teo amin'ny tempolin'ny dragona ny lohany.

1 Chronicles 10:11

Inona no nataon'ireo lahilahy mpiadin'i Jabesa Gieada tamin'ny fatin'i Saoly sy ireo zanany lahy?

Nalain'izy ireo ny fatin'i Saoly sy ireo zanany lahy ary nentina tao Jabesa ary nalevin'ireo teo ambany hazo terembinta ireo taolana.

1 Chronicles 10:13

Fa naninona i Saoly no maty?

Maty i Saoly satria tsy nino ary tsy nahatoky ny fitondran'Yaveh, nefa naka toro-hevitra tamin'ny olona izay niresaka tamin'ny maty.

Tamin'iza no namiindran'Yaveh ny fanjakan'Israely?

Nafindran'Yaveh tamin'i Davida zanaka lahin'i Jese ny fanjakana

1 Chronicles 11

1 Chronicles 11:1

Fa naninona no notondroin'ny Israely rehetra ho toy ny mpanjaka'Israely i Davida?

Nofo sy taolan'izy ireo i Davida, nitarika ny miaramilan'Israely teo aloha, ary Yavehn'i Samoela nanambara fa i Davida no anapaka amin'ny Israely.

1 Chronicles 11:4

Inona no nataon'i Jakoba amin'ny mpibaiko ny miaramilan'Israely?

Davida niteny fa na iza na iza no nanafika an'i Jesobita voalohany dia tonga mpibaiko, ary Joaba no nanafika azy voalohany.

1 Chronicles 11:7

Nahoana no tonga lehibe dia lehibe i Davida tao aorian'ny nonenany tao amin'ny tanànan'i Davida izy?

Tonga lehibe dia lehibe i Davida satria nomba azy Yaveh tompon'ny maro.

1 Chronicles 11:10

Fa inona no nahafantrana an'i Jasobeama?

Namono telon-jato lahy tamin'ny lefony tanaty ady iray izy.

1 Chronicles 11:12

Nanao ahoana ny lazan'i Eleazaran'i Ahotita?

Tao aorian'ny namonoan'ny miaramilan'i Israelita, nitsangana teo afovoan'ny sahany i Eleazara ilay Ahotita ary nandringana ireo Filistina.

1 Chronicles 11:15

Inona no noangavian'i Davida ho atao?

Te hisotro rano avy amin'ny fatsakana akaikin'ny vavahadin'i Betlehema i Davida.

1 Chronicles 11:18

Ahoana no namalian'ireo lehilahy mlahery telo ny hetahetan'i Davida ho tena izy?

Namakivaky ny tafik'ireo Filistina ireo lehilahy mahery telo, nanovo rano avy tao amin'ny fatsakanan'i Betlehema, ary nitondra izany tany amin'i Davida.

Fa naninona no tsy nisotro ny avy tamin'ny fatsakana tao Betlehema rehefa nanao vy vey ny ainy tamin'izany ireo lehilehy maheriny i Davida.

Nandà tsy hisotro ny rano i Davida satria tsy nety ny eritreriny amin'ny vy very ny ainy mba ahazoana misotro amin'izany.

1 Chronicles 11:20

Nanao ahoana ny lazani Abisay, rahalahin'i Joaba?

Kapiteny teo amin'ireo lehilahy mahery ary namono olona telon-jato tamin'ny lefony.

1 Chronicles 11:22

Nanaoo ahoana ny lazan'i Benaian zanaka lahin'i Joiada?

Lehilahy mahery i Benaia izay namono ny liona tao an-davaka raha nilatsaka ny oram-panala, ary namono Egyptiana tamin'ny lefony izy.

1 Chronicles 11:24

Inona no andraikitr'i Davida nomena ab'i Benaia?

Tena nojeren'i Davida i Benaia, ary nataony ho mpiambina azy.

1 Chronicles 11:26

Iza tamin'ireo lehilahy mahery no rahalahin'i Joaba?

Asahela ilay rahalahin'i Joaba tamin'ireo lehilahy mahery.

1 Chronicles 12

1 Chronicles 12:1

Inona no talenta miavaky ny lehilahy mahery iray izay nanantona an'i Davida izay nanaisotra azy tamin'ny fanatrehan'i Saoly?

Ny lehilahy mahery Benjamita dia sady nampiasa ny tanan an-kavanana sy ny tanana an-kavia tamin'ny fitifirana amin'ny tsipika ary tamin'ny an-tsamon-tady.

1 Chronicles 12:8

Inona no nataon'ireo Gadita izay nanatona an'i Davida tao amin'ny fiarovana mafy tany an'efitra?

Lehilahy nofanina niady ireo Gadita izay mitàna ampinga sy lefona, izay tahaka ny tavan'ny liona masiaka, ary izay haingam-pandeha tahaka an'i gazela eny amin'ny tendrombohitra.

1 Chronicles 12:14

Inona no notanterahan'ireo zanaka lahin'i Gada tao amin'ny tany nomen'Israely?

Tsy niampita tamin'i Jordana fotsiny ireo zanaka lahin'i Gada fa taorian'izany dia nandifotra ny morony, ka nandroaka ny zava-manan'aina rehetra tamin'ireo lohasaha.

1 Chronicles 12:16

Inona no fampitandremana nataon'i Davida tamin'ny lehilahin'i Benamina sy Joda rehafa tonga tao amin'ny fiarovana izy ireo?

Niteny tamin'ireo i Davida fa afaka manantona azy izy ireo raha tonga amim-pilaminana izy ireo, fa raha tonga hamadika azy amin'ny fahavalony izy ireo, angataka amin'Andriamanitra mafy izy mba hijery azy fa tsy nanao ratsy izy.

1 Chronicles 12:18

Inona no navalin'i Amasay ny fitarainan'i Davida?

Niteny tamin'i Davida i Amasay fa iray isika eo imasony ary fiadanana ho amin'ireo izay manampy an'i Davida satria manampy azy ny Andriamaniny.

1 Chronicles 12:19

Fa nahoana no nalefan'ireo Filistina i Davida rehefa tonga teo amin'ireo Filistina mba hiady hanoitra an'i Saoly izy?

Natahotra ny mety hiverenany hiady amin'i Saoly ireo Filistina ary te ahafoy ny ainy izy ireo.

1 Chronicles 12:21

Ohatran'ny ahoana ilay lehilahin'i Manase, izay tonga mpifehy ny miaramilan'i Davida taty aoriana?

Ny lehilahin'i Manase dia lehilahy mpiady izay nanampy an'i Davida tamin'ny ady nanohitra ireo tafika.

1 Chronicles 12:23

Maninona ireo miaramila mitam-piadiana amin'ny ady no tonga tamin'i Davida tao Hebrona?

Tonga tao amin'i Davida tao Hebrona izy ireo mba hanampy azy haka ny fanjakan'i Saoly izay tanteraka amin'ny tenin'Yaveh izy ireo.

1 Chronicles 12:26

Fa tamin'ny inona no nahafantarana an'i Zadoka?

Tanora i Zadoka, lehibe, ary lehilahy be herim-po.

1 Chronicles 12:32

Fa inona no nahafantarana ireo mpitarika roanjato avy amin'ny Isakara?

Nanana fahazavan-tsaina tamin'izany fotoana izany ary nahalala izay tsy maintsy nataon'Israely izy ireo.

1 Chronicles 12:38

Inona no nahatongavan'ireo miaramilan'ny Israely tao Hebrona?

Nankao Hebrona miaraka amin'ny fikasana ny hanao an'i Davida mpanjaka manerana ny Israely rehetra izy ireo.

Maninona ireo miaramilan'ny Israely no ampy sakafo sy fisotro ka afaka nihinana sy nisotro izany tamin'ny telo andro izay nankalazana ny nanendrena an'i Davida ho mpanjakan'ny Israely?

Nandefa vatsy ho an'izy ireo ny fianakavian'ireo miaramilan'ny Israely.

1 Chronicles 13

1 Chronicles 13:1

Iza no nakan'i Davida hevitra mialohan'ny hiresahany amin'ny vondron'ny Israely rehetra?

Naka hevitra tamin'ireo mpibaiko sy ireo mpitarika ny Israely izy.

Inona no naneken'ny vondrona hlihaino an'i Davida, nandefa mpitondra hafatra tany amin'ny israely rehetra ary niaraka tamin'i Davida nitondra ny fiaran'Andriamanitra hiverina tao Israely?

Nanaiky ny hanao ireo zavatra ireo fivondronana satria toa marina teo imason'ireo olona rehetra izy ireo.

1 Chronicles 13:7

Inona no nataon'i Davida sy ny Israely rehetra Nataon'i Davida sy ny Israely rehetra toy inona ny nitondrana ilay fiara hivoaka ny tranon'i Abinada?

Nankalaza teo ammin'Andriamanitra niaraka tamin'ireo mpino rehetra i Davida sy ireo Israely rehetra.

1 Chronicles 13:9

Inona no nataon'Yaveh rehefa naninjitra ny tanany hiazona ilay fiara i Oza ka nianjera ny omby?

Nirehitra tamin'i Oza ny hatezeran'i Yaveh, ary novonoin'i Yaveh izy

Inona no nahatezitra an'i Davida tamin'i Yaveh?

Tezitra i Davida satria namono an'i Oza i Yaveh.

1 Chronicles 13:12

Taiza no nametrahan'i Davida ny fiaran'Avdriamanitra rehefa tonga nataotra an'Avdriamanitra izy?

Napetrak'i Davida tao amin'ny tranon'i Obeda Edoma ilay Getita ny fiaran'Andriamanitra.

Inona no nataon'Yaveh tamin'ny tranon'i Obeda Edoma?

Nosimbain'Yaveh ny tranony sy ny fananany rehetra.

1 Chronicles 14

1 Chronicles 14:1

Inona no nahafantaran'i Davida fa rehefa nandeha mpitondra hafatra i Hirama, mpanjakan'ny Tyro, ireo hazo sedera, ireo mpandrafitra sy ireo mpanorina trano ho an'i Davida?

Davida dia nahafantatra fa Yaveh no efa nametraka azy ho mpanjaka teo amin'Israely

1 Chronicles 14:3

Inona no vokatry ny fakan'i Davida vady maro?

Tonga rain'ireo zanaka lahy sy ireo zanaka vavy maro i Davida.

1 Chronicles 14:8

Inona no nataon'i Davida rehefa nandre izay fomba fijerin'ireo Filistina azy izy?

Nivoaka hanoitra ireo Filistina izy.

1 Chronicles 14:10

Inona no namalian'Yaveh an'i Davida rehefa nanontany i Davida raha hanafika an'ireo Filistina Izy?

Niteny tamin'i Davida i Yaveh fa hanafika azy ireo ka hanome azy ireo amin'i Davida.

Inona no baiko nataon'i Davida tamin'ireo andriamanitr'ireo Filistina izay navelany teo?

Nanome baiko ny nandorana ireo andriamanitr'ireo Filistina i Davida.

1 Chronicles 14:13

Tamin'ny ahoana nonilazan'Andriamanitra an'i Davida ny fanafihan'ireo Filistina teo amin'ny lohasaha indray izy ireo?

Niteny tamin'i Davida i Andriamanitra fa manodidina azy aoriany ary hanantona azy ireo eo amin'ny hazo.

1 Chronicles 14:15

Inona no ren'i Davida mialoha'ny nanafihan'ireo Filistina amin-kery?

Nandre feo mirodorodo amin'ny fitsokan'ny rivotra eo amin'ireo tendron-kazo i Davida.

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny firenena rehetra raha nanely ny lazan'i Davida teny amin'ny tany rehetra teny?

Nahatonga ny firenena rehetra hatahotra azy Yaveh.

1 Chronicles 15

1 Chronicles 15:1

Iza no nolazain'i Davida tamin'ilay olona iray izay notendren'Yaveh hikarakara ny fiara?

Ireo Levita no olona tokana izay nosafidian'Andriamanitra hikarakara ny fiara.

Fa inona no nanangonan'i Davida ny vondrona rehetra ao amin'ny Israely tao Jerosalema?

Nangonin'i Davida izy ireo mba hitondra ny fiaran'Yaveh ho amin'ny toerana izay efa nomaniny ho amin"izany.

1 Chronicles 15:4

Iza no nangonin'i Davida niaraka mba hitondra ny fiara?

Nangonin'i Davida niaraka ireo taranak'i Arona sy ireo Levita.

1 Chronicles 15:11

Inona no nataon'ireo fianakavian'ny Levita sy ireo rahalahiny mba nahafahany nitondra ny fiaran'Yaveh tany amin'ny toerana izay nomanin'i Davida ho an'izany?

Namindra ny tenany izy ireo ka afaka nitondra ny fiaran'Yaveh.

1 Chronicles 15:13

Fa naninona no nanamasin-tena ireo mpisorona sy ireo Levita?

Nanamasin-tena izy ireo mba ahafahany mitondra ny fiaran'Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely.

Avy tamin'ny inona no nandidian'i Mosesy ny amin'ny fikarakarana ny fiara amin'ny soroka amin'ny bao?

Nomena avy tamin'ny tenin'Yaveh ireo didy amin'ny fikarakarana ny fiara.

1 Chronicles 15:16

Iza no notendren'i Davida handray andraikitra ny amin'ireo zava-maneno?

Notendren'i Davida handray andraikitra amin'ireo zava-maneno ireo mpitarika an'ireo Levita.

1 Chronicles 15:25

Iza no nanampy ireo Levita izay nikarakara ny fiaran'ny faneken'Yaveh?

Nanampy ireo Levita izay nikarakara ny fiara i Andriamanitra.

1 Chronicles 15:27

Inona no akanjo nanaovan'i Davida ary inona no lamba nanaovana ny akanjony?

Nanana akanjo lava tamin'ny rongony fotsy madinika i Davida ka nanaovany izany.

Iza no nampiakatra ny fiara tamin'ny hiakam-pifaliana, tamin'ny feon'ireo tandroka, tamin'ny kimpantsona ary tamin'ny valiha sy harpa?

Ny Israely rehetra no nampiakatra ny fiara.

1 Chronicles 15:29

Inona no nataon'i Davida ka nanaovan'i Mikala azy tsinontsinona tao am-pony?

Tazan'i Mikala nandihy sy nankalaza i Davida.

1 Chronicles 16

1 Chronicles 16:1

Inona no naterin'ireo Israelita teo amin'Andriamanitra taorian'ny nametrahana ny fiara teo afovoan'ny trano-lay izay namboarin'i Davida ho amin'izany?

Nanolotra ireo fanatitra dorana sy ireo fanati-pihavanana izy ireo.

Inona avy no nozarain'i Davida tamin'ireo Israely rehefa avy nitahy ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh izy?

Nizara mofo, sombi-kena, ary mofo mamy misy voalooka tamin'izy ireo i Davida.

1 Chronicles 16:4

Inona no notendrena ho ataon'ireo Levita mba ho toy ny nanompoan'izy ireo teo anoloan'ny fiara no ataony?

Nankalaza, nisaotra sy nidera an'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely toy ny nanompoan'izy ireo teo anoloan'ilay fiaran'Yaveh ireo Levita.

1 Chronicles 16:7

Inona no notendrena ho ataon'i Asafa sy ireo rahalahiny?

Notendrena hihira ny hiran'ny fisaorana an'i Yaveh izy ireo.

Inona no noresahan'ny olona momban'ny hira izay nohirain'i Asafa sy ireo rahalahiny?

Niresaka momban'ny asa mahagagan'i Yaveh rehetra izy ireo.

1 Chronicles 16:10

Iza no nireharehana sy notadiavin'ny olona?

Nirehareha sy nitady an'i Yaveh ny olona.

1 Chronicles 16:12

Inona no heverina hitadidiana ny momba an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ireo taranaky ny Israely, izay nofidian'Yaveh?

Mitadidy ireo zavatra tsara nataony, ireo fahagagana ary ireo lalàna avy amin'ny vavany izy ireo.

1 Chronicles 16:15

Inona no nataon'Yaveh tamin'i Abrahama mba ahatsiarovana ireo Israelita mandrakizay?

Nanao fanekena tamin'i Abrahama Izy, ary hanao an-tsaina mandrakizay ireo fanekena nataon'Yaveh ireo Israelita.

Inona no nampanantenan'Yaveh tamin'ny olona fa omeny ho lovain'izy ireo?

Nampanantena ny hanome ny tanin'ny Kanana ho azy ireo i Yaveh.

1 Chronicles 16:19

Ahoana no niarovan'Yaveh ny Israely raha mbola vitsy izy ireo ary raha nandeha amin'ny fanjakana iray ho any amin'ny hafa izy ireo?

Tsy namela olona ampahory azy ireo Izy.

1 Chronicles 16:23

Inona no nambaran'ny olona teo amin'ny firenena rehefa nihira an'i Yaveh sy nilaza ny famonjeny isan'andro izy ireo?

Manambara ny voninahitr'i Yaveh sy ny asany mahagaga teo amin'ireo firenena rehetra izy ireo.

1 Chronicles 16:25

Iza no nanamboatra ny lanitra ary noderaina indrindra sy tokony atahorana ambonin'ireo andriamanitra hafa?

Yaveh izay nanao ny lanitra sy noderaina indrindra ary tokona atahorana ambonin'ireo andriamanitra hafa.

1 Chronicles 16:28

Inona no nekena tao amin'i Yaveh?

Voninahitra sy hery no nekena tao amin'i Yaveh.

1 Chronicles 16:30

Inona no ho tenenin'ireo firenena momba an'i Yaveh?

Ireo firenena hiteny hoe: "hanjaka i Yaveh."

1 Chronicles 16:32

Inona no ataon'ireo hazo ao an'ala eo anatrehan'i yaveh?

Hihiaka am-pifaliana eo anatrahany ireo hazo ao an'ala.

1 Chronicles 16:34

Maninona i Yaveh no nanangona azy miaraka ary namonjy azy ireo amin'ireo firenena hafa?

Te hanangona azy ireo miaraka ary namonjy azy ireo noho nanomezan'izy ireo fisaorana tamin'ny anarany masina sy ny fiderana ny voninahiny Izy.

1 Chronicles 16:36

Hafiriana no niderana an'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely?

Noderaina mandrakizay mandrakizay Izy.

1 Chronicles 16:40

Iza no nibaiko sy nampanoratra ny lalàna tamin'ireo Israely ny amin'ny fandorana fanatitra?

Yaveh no nandidy sy nampanoratra lalàna tamin'ny Israely.

1 Chronicles 16:42

Toerana taiza no niverenan'ny olona sy i Davida tao aorian'ny fiderana tao amin'ny toeran'ny fiara?

Niverena tany an-tranony ny olona, niverina mba hitahy ny ankohonany i Davida.

1 Chronicles 17

1 Chronicles 17:1

Inona no nanelingelina an'i Davida mpanjaka tamin'ny fitoeran'ny fiara fanaken'i Yaveh?

Nanelingelina azy ny fitoeran'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ao ambany ao amin'ny trano-lay nefa Davida monina ao amin'ny trano sedera.

1 Chronicles 17:3

Inona no nasain'i Yaveh notenenin'i Natana amin'i Davida momban'ny fanorenana trano ho an'i Yaveh?

Niteny Andriamanitra fa tsy nanorina trano izay onenan'i Yaveh i Davida.

1 Chronicles 17:7

Maninona i Davida no nalain'i Yaveh avy tamin'ny tany fihinanam-bilona sy tamin'ny fanarahana ny ondry?

Nalainy i avy tamin'ny tany fihinanam-bilona sy avy tamin'ny fanarahana ny ondry i Davida mba ho mpanapaka ny Israely olon'i Yaveh.

Naninona i Yaveh no niteny fa Inona no notenenin'i Yaveh ny amin'ny anaran'i Davida?

Nolazainy fa ho ataony ho tahaka ny anaran'ireo lehibe indrindra izay eto amin'ny tany i Davida.

1 Chronicles 17:9

Iza no nampahory ny vahoakan'ny Israely tao aorian'ny nanomezan'i Yaveh toerana izay honenana sy tsy hananan'izy ireo ahiahy?

Ny olon-dratsy no nampahory ny Israely toy ny nataon'izy ireo teo aloha.

1 Chronicles 17:11

Inona no nolazain'i Yaveh ho ataon'ny taranak'i Davida aorian'ny nahatanterahnan'ny andron'i Davida?

Hanorina trano ho an'i Yaveh ny taranak'i Davida.

1 Chronicles 17:13

Hafiriana no nilazan'i Yaveh ny faharetan'ny fanjakan'ny taranak'i Davida?

Aharitra mandrakizay ny fanjakan'ny taranak'i Davida.

1 Chronicles 17:16

Inona no nolazain'i Davida fa nomen'i Yaveh ho azy satria nasehon'i Yaveh azy ireo taranaka ho avy?

Nanome voninahitra sy fankatoavana manokana ho azy i Yaveh hoy izy.

1 Chronicles 17:19

Inona ny antony nilazan'i Davida fa namonjy ny olony avy ao Egypta i Yaveh ary nanao azy ho amin'ny tenany?

Namonjy azy ireo tamin'i Egypta i Yaveh mba hanao ny anarana ho an'ny tenany avy amin'ny halebeny ary ny asa lehiba rehetra.

1 Chronicles 17:22

Nanontany an'i Yaveh i Davida ny amin'ny fampanantenana nataony taminy mahakasika ny fametrahana mandrakizay ny fianakaviany?

Hanao ho toy izay nolazain'i Yaveh i Yaveh hoy Davida.

1 Chronicles 17:25

Inona no ampanantenan'i Yaveh ho ataony amin'ny tranon'ny mpanompon'i Davida?

Nampanantena ny hitahy ny tranon'ny mpanompon'i Davida i Davida ary ho voatahy mandrakizay izy.

1 Chronicles 18

1 Chronicles 18:1

Iza ireo andian'olona roa notafian'i Davida ka resiny?

Nanafika ka nandresy an'ireo Filistina sy ireo Moabita izy.

1 Chronicles 18:3

Nataon'i Davida inona ireo soavalin'ny sarety zato izay azony avy tany amin'ny Hadarezera ka nentiny tao aorian'ny notraingoiny azy?

Ampy natokana ho an'ny sarety zato ireo soavalin'ny sarety.

1 Chronicles 18:5

Inona no napetrak'i Davida tamin'i Syriana avy any Damaskosy tao aoriana'ny namonoany ireo Syriana roa arivo sy roa alina?

Nametraka miaramila amin'ny Syriana avy any Damaskosy i Davida.

1 Chronicles 18:7

Inona no noraisin'i Davida avy amin'ny Hadarezera izay nampiasain'i Solomona tao aorian'ny nanaovana ireo zavatra amin'ny tempoly?

Naka varahina avy amin'ny Hadarezera i Davida.

1 Chronicles 18:9

Inona no nataon'i Davida mpanjaka tamin'ny volafotsy, volamena ary varahina izay nentin'i Hadorama avy any amin'ny Toy tany aminy, mpanjakan'i Hamata ary ny volafotsy sy volamena izay nentina nankany amin'ireo fierenena rehetra?

Natomotr'i Davida ho an'i Yaveh izany zavatra izany.

1 Chronicles 18:12

Inona no niseho tamin'ireo Edomita rehetra tao aorian'ny ady izay namonoan'i Abisay ireo Edomita valo arivo sy iray alina?

Lasa mpanompon'i Davida ireo Edomita rehetra.

1 Chronicles 18:14

Iza no mpanolo-tsaina mitarika an'i Davida mpanjaka tamin'ny nanjakany teo amin'ireo Israely rehetra ary nampihatra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny vahoaka rehetra?

Ireo zanaka lahin'i Davida no mpanolo-tsaina nitarika ny mpanjaka.

1 Chronicles 19

1 Chronicles 19:1

Nahoana no maniry ny haneho hatsaram-panahy amin'i Hanona zanaka lahin'i Nahasy i Davida, tao aorian'ny nahafatesan'ny rainy izay mpanjakan'ny vahoakan'i Amonita?

Nanao zavatra ho an'i Davida ny rain'i Hanona.

Nino ny fampiononan'i Davida an'i Hanona ho toy ny nampidirana ny tanin'ireo mpanompony ve ireo mpitarika an'ny Amonita?

Nieritreritra ireo mpitarika fa tonga hisafo sy hizzahz ny taniny ireo mpanompon'i Davida mba ahafahany mandrava ny tanànan'izy ireo.

1 Chronicles 19:4

Inona no nataon'i Hanona tamin'ireo mpanompon'i Davida ka nahamenatra azy ireo lalina?

Nandratra azy ireo ary nandrovitra ny akanjon'izy ireo tamin'ny andilany.

1 Chronicles 19:6

Nahoana ireo Amonita no nanakarama kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?

Nanakarama kalesy sy mpitaingin-tsoavaly mba hiomana amin'ny ady izy ireo satria tezitra tamin'i Davida izy ireo.

1 Chronicles 19:8

Izza no nalefan'i Davida rehefa reany fa miomana amin'ny ady ireo Amonita?

Nalefan'i Davida i Joaba sy ny tafiny manontolo.

1 Chronicles 19:10

Inona no nandravonan'i Joaba ny adin'ireo Amonita sy ireo Syriana rehefa nahita ny filahatr'ireo ho amin'ny ady izy?

Nanondro ny sasany tamin'ireo Israely nifantina ny sasany tamin'ireo mpiady mahay indrindra teo amin'Israely i Joba mba hiady amin'ireo Syriana ary nomeny ny rahalahiny ny fibaikoana ny ambiny tamin'ireo miaramila mba hiady amin'ireo Amonita.

1 Chronicles 19:12

Inona no notenenin'i Joaba tamin'ny rahalahiny?

Nilaza tamin'ny rahalahiny i Joaba fa afaka mifanampy izy ireo raha ilaina, ary tokony hahery izy ireo satria manao izay tsara amin'ny vahoakany i Yaveh.

1 Chronicles 19:14

Inona no nampiverina ireo miaramilan'ny Amonita niverina tany amin'ny tanànany?

Tazan'ireo miaramilan'ny Amonita fa mialoha ny miaramilan'ny Israely ireo Syriana, dia nandeha nitsoaka niverina tany amin'ny tanànany izy ireo.

1 Chronicles 19:16

Nahoana no nangonin'i Davida niaraka ireo Israely rehetra ka nalahany ho amin'ny ady ireo Syriana?

Rean'i Davida fa nalefa mba hanamafy ny tafika ireo Syriana.

1 Chronicles 19:18

Maninona ireo vahoakan'ny Syriana no tsy te hanampy ireo Amonita intsony?

Nitsahatra tsy nanampy ireo Amonita izy ireo rehefa novoin'i Davida ireo lehilahy fitonjato sy efatra arivony ary ny mpibaiko ny miaramila.

1 Chronicles 20

1 Chronicles 20:1

Inona no nataon'i Joaba rehefa nijanona tao Jerosalema i Davida?

Notarihan'i Joaba ny tafika ho amin'ny ady, nandravany ny tanin'ireo Amonita, ary nanafika sy nanao fahirano an'i Raba.

1 Chronicles 20:2

Tao aorian'ny nanalana ny satro-boninahitrateo amin'ny lohan'ny mpanjaka ary nametrahana izany tamin'ny azy, inona no noteren'i Davida ho ataon'ireo vahoaka?

Notereny hiasa mafy izy ireo.

1 Chronicles 20:6

Nahoana ireo taranak'i Refaita no naniratsira ny miaramilan'ny Israely, inona no niseho?

Novoin'i Davida sy ireo miaramila izy ireo.

1 Chronicles 21

1 Chronicles 21:1

Nahoana i Davida no nanapa-kevitra ny hanisa ireo vahoakan'ny Israely?

Raha misy fahavalo tonga hanohitra an'ny Israely, ary te ahafantra hoe firy ny isan'ireo miaramilany i Davida.

Inona no namalian'i Joaba an'i Davida ny amin'ny fanisana ireo vahoaka?

Nanoro hevitra izy fa mitondra heloka amin'ny Israely izany.

1 Chronicles 21:4

Inona no nataon'i Joaba rehefa nandidy azy ny andeha hanisa ireo vahoaka ny mpanjaka?

Nandeha izy ary notateriny ny isan'ireo lehilahy izay afaka miady.

1 Chronicles 21:6

Inona no navalin'Andriamanitra an'i Davida raha nanisa ireo miaramilan'ny Israely izy?

Tohina Andriamanitra ka nanafika ny Israely.

Ahoana no nataon'i Davida rehefa nanafika ny Israely Andriamanitra?

Nomelohany izy tamin'ny fandefasana an'i Joaba nanisa ireo miaramila.

1 Chronicles 21:9

Ho vamin'ny fiaiken-kelok'i Davida, inona no nomen'i Yaveh azy?

Nanome safidy telo azy i Yaveh.

1 Chronicles 21:11

Inona avy ireo safidy telo nomen'i Yaveh an'i Davida?

Misafidy ny amin'ny mosary telo taona, sa telo volana enjehan'ireo fahavalo sy tratran'ny sabatr'izy ireo, sa telo andro amin'ny sabatr'i Yaveh i Dacida.

1 Chronicles 21:13

Iza tamin'ireo famaizana telo no nosafidian'i Davida?

Nisafidy ireo andro telo amin'ny sabatr'i Yaveh izy.

Inona no vokatry ny safidin'i Davida?

Nandefa loza sy olona maro maty i Yaveh. Nandefa anjely handrava an'i Jerosalema Yaveh, nefa nanova fisainana Izy.

1 Chronicles 21:16

Ahoana no fihetsik'i Davida rehefa hitany ireo anjely miaraka amin'ny sabatra?

Niaiky ny helony izy ary nilaza ny mba hamizan'Andriamanitra azy sy ny fianakaviany, fa tsy amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

1 Chronicles 21:18

Inona no nibaikoana an'i Davida ho ataony eo amin'ny famoloan'i Araona?

Nanorona alitara ho an'i Yaveh izy.

Ahoana no fihetsik'i Araona raha nahita ny anjely?

Niafina tamin'ny anjely izy sy ireo zanany lahy efatra.

1 Chronicles 21:21

Rehefa nihaona i Davida sy Araona, inona no nolazain'i Davida taminy?

Niteny tamin'i Araona mba hivarotra aminy ny famoloana izy.

1 Chronicles 21:23

Inona no natolotr'i Araona nefa nolavin'i Davida?

Natolony omena azy ilay famoloana, ny omby, ary ny vary.

1 Chronicles 21:25

Tao aorian'ny nividianan'i Davida ny famoloana sy nanorenana ny altara, inona no namalian'i Yaveh ny vavany?

Namaly azy tamin'ny afo avy any an-danitra i Yaveh ary niteny tamin'ny anjely mba hametraka ny sabany tao amin'ny fitoerany.

1 Chronicles 21:28

Nahoana no tsy nandeha tany amin'ny toerana masin'ny Gibeona i Davida?

Natahotra ny sabatry ny anjelin'i Yaveh i Davida.

1 Chronicles 22

1 Chronicles 22:1

Tao aorian'ny nanambaran'i Davida ny toerana nanorenana ny tranon'i Yaveh, Inona no baiko nampanaoviny ireo mpanompony?

nandidy ireo mpanompony izy mba hanangona miaraka ireo vahiny izay monina any amin'ny tanin'Israely ary nomeny asa izy ireo toy ny famakiana vato mba hanorenana ny tranon'Andriamanitra.

1 Chronicles 22:3

Inona no nomanin'i Davida talohan'ny nahafatesany ho amin'ny fanorenana ny tranon'i Yaveh?

Nanome vy maro be, varahina, ary hazo sedera izy.

1 Chronicles 22:6

Nahoana i Davida no niantso an'i Solomona ka nandidy azy mba hanorina ny tranon'i Yaveh?

Niteny tamin'i Davida i Yaveh fa tsy ho izy ilay iray izay hanorina ny trano noho ireo rà maro nalatsany teo imasony.

1 Chronicles 22:9

Ahoana no hitenenan'i Yaveh an'i Davida fa hanana zanaka lahy izy?

Hanome azy fialan-tsasatra amin'ireo fahavalony rehetra amin'ny lafiny rehetra Aho, ary hampandry mandrakizay ny fanjakan'i Solomona eo amin'ny Israely.

1 Chronicles 22:11

Ahoana no nilazan'i Davida an'i Solomona ny tokony hotandrema tsara?

Niteny tamin'i Solomona izy fa tokony hajaina sy hankatoavina ireo sata sy ireo lalàna izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy mahakasika ny Israely.

1 Chronicles 22:14

Inona no nolazain'i Davida tamin'i Solomona ny amin'ireo fitaovana izay efa voaomana ho amin'ny tranon'i Yaveh?

Niteny tamin'i Solomona mba hanampy bebe kokoa amin'izany izy.

1 Chronicles 22:17

Inona no notenenin'i Davida mba hifoazana sy ho ataon'i Solomona?

Noteniny mba hifoha sy hanorina fitoerana masin'i Yaveh Andriamanitra.

1 Chronicles 23

1 Chronicles 23:1

Inona ireo zavatra farany nataon'i Davida mpanjakan'ny Israely?

Nataon'i Davida ho mpanjaka nanolo ny toerany i Solomona rehefa avy nanisa ireo Levita izay mihoatra ny telo-polo taona izy.

1 Chronicles 23:4

Inona no asa nomen'i Davida ireo Levita?

Nozarainy isam-bondrona mba hiandraikitra ny asa amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, ireo manampahefana sy ireo mpitsara, ireo mpiambina ny vavahady, ary ireo mpanandratra an'i Yaveh amin'ny zava-maneno.

1 Chronicles 23:12

Inona no nofidiana ho ataon'i Arona sy ireo taranany maharitra?

Arona sy ireo taranany dia ho mpanamasina ireo zava-masina indrindra, hanolotra ditin-kazo manitra ho an'i Yaveh, hanompo Azy, ary hanome tso-drano amin'ny anaran'i Yaveh mandrakizay.

1 Chronicles 23:24

Nahoana ireo Levita no tsy hitondra ny tabernakely intsony?

Nanome azy ireo toerana ijanona ao Jerosalema i Yaveh.

1 Chronicles 23:30

Isaky ny fotoana manao ahoana no isaorana sy ideran'ireo Levita an'i Yaveh?

Nidera Azy isaky ny amin'ny maraina sy ariva izy ireo, rehefa mandoro ireo fanatitra, amin'ny Sabata, amin'ny firavoravoana sy ny andron'ny fanasana.

1 Chronicles 24

1 Chronicles 24:4

Tamin'ny fomba ahoana no nizaran'ireo mpisorona ny fanompoana tao amin'ny fitoerana masina?

Nozarazazrain'izy ireo tamin'ny antsapaka izzany.

1 Chronicles 24:19

Inona no fitsipika ho an'ireo taranak'i Arona mba hidirana ao amin'ny tranon'i Yaveh?

Nampianarin'i Yaveh mba hiditra ao amin'ny tranony amin'ny filaharana manokana izy ireo.

1 Chronicles 24:29

Fa inona ny fomban-drazana nandraisan'ireo taranak'i Arona anjara? Fa inona no fomba nataon'ireo taranak'i Arona nandraisana anjara?

Nanao antsapaka teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.

1 Chronicles 25

1 Chronicles 25:1

Inona no nataon'ireo zanaka lahin'i Asafa, Hermana ary Jedotoana tamin'ireo harpa, lokanga ary kimpantsona?

Naminany tamin'ny harpa, lokanga, ary kimpantsona ireo lehilahy ireo.

Tamin'ny inona no nilalaovan'ireo zanaka lahin'i Jedotoma ny Harpa?

Nolalaovin'izy ireo mba hisaorana sy hiderana an'Yaveh ilay harpa.

Nomen'Andriamanitra inona i Hermana mba hanomezam'boninahitra azy?

Nomen'Andriamanitra zanaka lahy efatra ambin'ny folo sy zanaka vavy telo izy.

1 Chronicles 25:6

Iza tamin'ireo mpitendry zava-maneno no navahana rehefa nanao antsapaka ho amin'ireo andraikiny izy ireo?

Nanao antsapaka ho an'ireo andraikiny izy ireo ka mitovy avokoa, ny tanora sy ny antitra, ny mpampianatra sy ny mpianatra.

1 Chronicles 26

1 Chronicles 26:7

Afaka manao inona koa ireo zanaka lahy sy ireo nifandray tamin'i Abeda-Edoma?

Mahavita manao ireo andraikiny amin'ny fanompoana ao amin'ny tabernakely izy ireo.

1 Chronicles 26:10

Ahoana no nahatonga an'i Simry ho mpitarika na dia tsy lahimatoa aza izy?

Na dia tsy lahimatoa aza izy, dia nataon'ny rainy ho mpitarika.

1 Chronicles 26:12

Nahoana ireo mpiambina ny vavahady no tompon'andraikitra amin'ny fanompoana?

Nanana andraikitra amin'ny fanompoana ao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo.

1 Chronicles 26:15

Inona no nanendrena ireo zanaka lahin'i Obeda-Edoma ankoatran'ny vavahady atsimo?

Notendrena ho an'ireo zanany lahy ny trano fitehirizana.

1 Chronicles 26:20

Nisahana inona tao amin'ny trano'Andriamanitra i Ahia?

Nisahana ireo harena tao an-tranon'Andriamanitra izy, sy ireo harena tao amin'ireo zavatra natolotra Azy izy.

1 Chronicles 26:26

Fa inona no tanjon'ireo mpandroba babo tamin'ny ady izay natokana ho an'i Davida sy ireo mpibaiko?

Natokan'izy ireo izay azo babo tamin'ny ady ho fahafoizana ho an'ny tranon'i Yaveh.

1 Chronicles 26:29

Fa inona no sahanin'i Kenania sy ny zanany lahy toy ireo manam-boninahitra sy ireo mpitsara?

Nisahana ny raharahan'olo-tsotra amin'ny Israely toy ireo manam-boninahitra sy ireo mpitsara izy ireo.

1 Chronicles 27

1 Chronicles 27:1

Ahoana ny fizazran'ny fanompoan'ny miaramila?

Nanompo amam-bolana maro tamin'ny taona izy ireo.

Firy ny isan'ny lehilahy isaky ny fizarana amin'ny miaramila?

Efatra arivo sy roa alina eo lehilahy isaky ny fizarana.

1 Chronicles 27:23

Nahoana no tsy nisain'i Davida ireo roapolo taona na latsaka?

Tsy nanisa izy satria nilaza ny fahavinirany amin'ny Israely tahaka ireo kintana eny amin'ny lanitra i Yaveh.

1 Chronicles 27:25

Amin'ny inona no iandraketan'ny zanaka lahin'i Jonatana amin'i Ozia?

Amin'ny trano fitehirizana tany an-tsaha, any amin'ny tanàn-dehibe, ary any amin'ireo zana-bohitra izy.

1 Chronicles 27:28

Karazan-kazo toy inona no amin'ny tany lemaka?

Hazon'oliva sy hazon'amontana no amin'ny tany lemaka.

1 Chronicles 27:32

Nahoana no Jonatana no mpanolo-tsaina an'i dadatoan'i Davida?

Mpanolo-tsaina izy satria lehilahy hendry sy mpanora-dalàna.

1 Chronicles 28

1 Chronicles 28:2

Nahoana no niteny tamin'i Davida ny tsy hanorenana tempoly amin'ny anarany Andriamanitra?

Niteny i Andriamanitra fa tsy tokony hanorina izazny satria lehilahy amin'ny ady izy ary efa nandatza-drà.

1 Chronicles 28:4

Nahoana no Solomona, zanaka lahin'i Davida, no nataon'i Yaveh eo amin'ny Israely?

Nifidy an'i Solomona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Israely i Yaveh.

1 Chronicles 28:6

Inona no notenenin'i Yaveh ho ataon'i Solomona raha mitoetra mankatoa ny didiny izy?

Nilaza i Yaveh fa ametraka ny fanjakany ho mandrakizay Izy.

1 Chronicles 28:8

Raha mandray ny didin'Yaveh ny olona rehetra, inona no hiseho amin'ny tany tsaran'izy ireo?

Hanana tany tsara izy ireo ary honina ao amin'izany toy ny handovan'ny zanany mandrakizay izany.

1 Chronicles 28:9

Inona no azon'Yaveh amin'ny eritreritry ny olona tsirairay?

Mahatakatra ny fahazotoan'ny eritreritry ny olona rehetra Izy.

Inona no mety hiseho raha mandao an'i Yaveh i Solomona?

Hanary azy mandrakizay i Yaveh.

1 Chronicles 28:11

Inona ireo efitrano fitehirizana ao amin'ny tranon'Andriamanitra sy ny fitehirizana ireo harena?

Ireo efitranao fitehirizana sy ireo harena dia zavatra hamasinina eo amin'ny tempoly.

1 Chronicles 28:13

Taiza no notendrena iandraketan'ireo mpisorona sy ireo Levita amin'ny fanompoana?

Voatendry iandraikitra ho an'ny fanompoana ao amin'ny tranon'i Yaveh ireo.

1 Chronicles 28:18

Iza no nanoro an'i Davida ka nampanao azy an-tsoratra izany zavatra rehetra izany?

Nanoro azy sy nanome azy mba hampahazo momba ny sary i Yaveh.

1 Chronicles 28:20

Inona no nampanantenan'i Davida an'i Solomona momban'ny fanatrehan'i Yaveh mandra-pahavitan'ny asa rehetra?

Tsy hamela azy na hadao azy mandra-pahavitan'ny asa rehetra ho an'ny fanompoana ao amin'ny tempolin'i Yaveh Izy.

Vonona hanao inona ireo manam-boninahitra sy ireo vahoaka rehetra?

Vonona ny hanaraka ireo baikon'i Solomona izy ireo.

1 Chronicles 29

1 Chronicles 29:1

Nahoana no lazain'i Davida ho lehibe ny asa fanorenana ny tempoly?

Goavana ny asa, fa ny tempoly dia tsy ho an'ny vahoaka, fa ho an'i Yaveh Andriamanitra.

1 Chronicles 29:3

Nahoana no nanome ny fananany manokana ho amin'ny tranon'Andriamanitra i Davida?

Finaritra amin'ny tranon'Andriamanitra izy.

1 Chronicles 29:6

Inona no fanatitra nataon'ireo fianakavian'ny razam-ben'ireo mpitarika?

Nanao ireo fanatitra an-tsitrapo izy ireo.

1 Chronicles 29:8

Nahoana no niravoravo tamin'ireo fanatitra an-tsitrapo ireo vahoaka?

Niravoravo izy ireo satria nandray anjara tamin'ny fony manontolo ho an'i Yaveh izy ireo.

1 Chronicles 29:10

Inona no notenenin'i Davida teo anatrehan'i Yaveh?

Izay rehetra eny amin'ny lanitra sy eto ambonin'ny tany dia an'i Yaveh, hatramin'ny fanjakana.

1 Chronicles 29:12

Ahoana no ahafahan'i Yaveh manalehibe ny olona sy manome azy ireo tanjaka?

Manana tanjaka izy ary mety sy afaka manome tanjaka ny olona rehetra.

1 Chronicles 29:14

Inona no nolazain'i Davida momban'ireo zavatra nomen'i Yaveh ny vahoaka?

Avy amin'i Yaveh ireo zavatra, ary namerina tsotra izao taminy izay azy izy ireo.

1 Chronicles 29:16

Amin'ny inona no ankasitrahan'Andriamanitra sy dinihany amin'ny fony?

Mandinika ny fo sy mankasitraka ny fahitsiana i Yaveh.

Inona no nojeren'i Davida tamim-piravoravoana amin'ny fanomezana ho an'Andriamanitra nataon'ny vahoaka?

Nijery tamim-piravoravoana azy ireo toy fanolorana fanomezana an-tsitrapo ho an'i Yaveh izy.

1 Chronicles 29:20

Ahoana no nisaorana sy nideran'ny fiangonana an'i Yaveh?

Nisaotra an'i Yaveh ny fiangonana rehetra, nanondrika ny lohany ary nidera an'i Yaveh.

1 Chronicles 29:22

Fahefana avy amin'iza no nanendrena an'i Solomona ho mpanapaka?

Notendren'izy ireo niaraka tamin'ny fahefan'i Yaveh izy.

1 Chronicles 29:24

Ahoana no nanomezan'i Yaveh voninahi-dehibe an'i Solomona teo anatrehan'ny Israely rehetra?

Nanome azy fahefana lehibe noho izay efa nomeny an'ireo mpanjaka teo alohany tao Israely Izy.

1 Chronicles 29:26

Inona ireo zavatra roa nankafizin'i Davida nandritra ny androm-piainany?

Nankafy harena sy voninahitra izy.

1 Chronicles 29:29

Ankoatran'ny Israely, inona ireo zava-bitan'i Davida nahakasika ireo fanjakana?

Voarakitra ao ireo asan'ny fanapahany, ireo zava-bitany sy ireo zava-niseho izay nahakasika azy, Israely, ary ireo fanjakan'ny tany hafa rehetra.