Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Timothy 1

1 Timothy 1:1

Ahoana no nanaovana an'i Paoly ho apostolin'i Kristy Jesosy?

Natao Apostoly araka ny didin'Andriamanitra i Paoly.

Inona no fifandraisan'i Paoly sy Timoty?

Timoty dia zanaka marin'i Paoly amin'ny finoana.

1 Timothy 1:3

Taiza no nitoeran'i Timoty?

Tany Efesosy no nitoeran'i Timoty.

Inona no nandidian'i Timoty tsy ho hataon'ny olona?

Niteny azy ireo izy mba tsy ampianatra foto-pampianarana samihafa.

1 Timothy 1:5

Inona no nolazain'i Paoly fa tanjon'ny didiny sy ny fampianarany?

Ny tanjony dia ny fitiavana avy amin'ny fo madio, avy amin'ny feon'ny fieritreretana tsara, ary avy amin'ny finoana.

1 Timothy 1:9

Iza no anaovana ny lalàna?

Ny lalàna dia ho an'ny mpandika lalàna sy olona mpikomy, ho an'ireo ratsy fanahy sy mpanota,

Inona avy ireo ohatra amin'ny fahotana efatra izay hataon'ny olona?

Mamono olona, mijangajanga, maka an-keriny, ary mandainga izy ireo.

1 Timothy 1:12

Inona no fahotana nataon'i Paoly?

I Paoly dia mpiteny ratsy, mpanenjika, ary lehilahy mahery setra.

Inona no nandrakotra an'i Paoly, ka nahatonga azy ho lasa apostolin'i Jesosy.

Ny fahasoavan'ny Tompontsika no nandrakotra an'i Paoly.

1 Timothy 1:15

Iza no nahatongavan'i Kristy Jesosy teto amin'izao tontolo mba hovonjena?

Tonga teto amin'izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ireo mpanota.

Nahoana i Paoly no nilaza fa izy no ohatra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra?

Nilaza i Paoly fa izy dia nalaina ohatra satria izy no mpanota ratsy indrindra, izy no nahazo ny fahasoavan'Andriamanitra voalohany?

1 Timothy 1:18

Inona ireo zavatra izay nolazaina momban'ny Timoty izay neken'i Paoly?

Nanaiky ny faminaniana natao momban'i Timoty i Paoly, mikasika ny ady tsaran'i Timoty izay vita miaraka amin'ny finoana sy ny feon'ny fieritreretana tsara.

Inona no ataon'i Paoly tamin'ireo olona izay nandà ny finoany sy ny feon'ny fieritreretana tsara ary ny nanao sambo vaky ny finoany?

Nomen'i Paoly an'i Satana izy ireny mba hampianarana azy ireo tsy hiteny ratsy.

1 Timothy 2

1 Timothy 2:1

Ho an'iza no nangatahan'i Paoly ireo fivavahana?

Nangataka ireo vavaka ireo hataon'ny olona rehetra i Paoly, ho an'ireo mpanjaka sy ireo izay manana fahefana rehetra.

Fiainana toy ny ahoana no nirian'i Paoly hamelana ireo Kristiana hiainana?

Naniry ny hamela ireo Kristiana hiaina am-piadanana sy am-pahanginana amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy fahamendrehana rehetra.

Inona no nirian'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra?

Naniry ny hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra ary mba ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.

1 Timothy 2:5

Aiza ho aiza ny toerana misy an'i Kristy Jesosy eo anelanela'Andriamanitra sy ny olona?

Kristy Jesosy no mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona.

Inona no ataon'i Kristy Jesosy ho an'ny rehetra ?

Kristy Jesosy nanome ny tenany ho vidim-panavotana ho an'ny rehetra.

Inona no ampianarin'i Paoly apostoly?

Mpampianatra an'ireo Jentilisa i Paoly.

1 Timothy 2:8

Inona no nirian'i Paoly hataon'ireo olona,

Naniry ireo olona hivavaka sy hanandra-tanana masin'izy ireo i Paoly.

Inona no nirian'i Paoly hataon'ny vehivavy?

Naniry ireo vehivavy hiakanjo akanjo mendrika ny tenany, amin'ny fahamaontinana sy fahafehezan-tena i Paoly.

1 Timothy 2:11

Inona no tsy namelan'i Paoly hataon'ireo vehivavy?

Tsy mamela ireo vehivavy hampianatra na hampihatra fahefana amin'ny lehilahy i Paoly.

1 Timothy 2:13

Inona no tian'i Paoly ho tohizan'ireo vehivavy?

Tian'i Paoly hanohy ny finoana sy fitiavana ary fahamasinana miaraka amin'ny fahononan-tena izy ireo.

1 Timothy 3

1 Timothy 3:1

Asa toy ny ahoana ny asan'ny mpiandraikitra?

Asa tsara ny asan'ny mpiandraikitra iray.

Inona no tokony afaka hataon'ireo mpiandraikitra?

Tokony afaka mampianatra ireo mpiandraikitra.

Ahoana ny fomba hitazoman'ireo mpiandraikitra alikaola sy vola?

Tsy tokony ho tia alikaola sy tsy tokony ho tia vola ireo mpiandraikitra.

1 Timothy 3:4

Ahoana ny fomba hitondran'ny zanaka mpiandraikitra azy?

Tokony hankato, sy hanaja azy ny zanaka mpiandraikitra.

Nahoana no zava-dehibe amin'ny mpiandraikitra iray ny mitantana ny tokatranony tsara?

Zava-dehibe izany satria raha tsy afaka ny hitantana ny tokan-tranony tsara izy, dia tsy afaka ny hikarakarany ny fiangonana.

1 Timothy 3:6

Inona no loza raha niova fo ilay mpiandraikitra?

Ny loza dia lasa hieboebo sy ho lavo amin'ny fanamelohana izy.

Inona no tokony lazan'ny mpiandraiktra amin'ireo ivelan'ny fiangonana?

Tokony ho tsara laza ireo mpiandraikitra any ivelan'ny fiangonana.

1 Timothy 3:8

Inona no tokony hatao amin'ireo Diakona alohan'ny hanompoana azy?

Alohan'ny hanompoana azy, dia tokony ho sedraina ireo Diakona.

1 Timothy 3:11

Inona avy ireo toetra mampiavaka ireo vehivavy tia an'Andriamanitra?

Ireo vehivavy tia an'Andriamanitra dia mendrika, tsy manendrikendrika, mandanjalanja ary mahatoky amin'ny zavatra rehetra.

1 Timothy 3:14

Inona no tranon'Andriamanitra?

Ny fiangonana no tranon'Andriamanitra.

1 Timothy 3:16

Taorian'ny nisehoan'i Jesosy tamin'ny nofo, izay nohamarinina tamin'ny alalan'ny fanahy, ary hitan'ireo anjely, dia inona no nataony?

Nambara teo anivon'ny firenena i Jesosy, ninoan'izao tontolo izao, ary nasandratra tamim-boninahitra.

1 Timothy 4

1 Timothy 4:1

Araka ny Fanahy, inona no hataon'ny olona any aoriana any?

Hiala amin'ny finona ny olona sasany ary hitandrina tsara ny amin'ireo fanahy mpamitaka.

1 Timothy 4:3

Inona no lainga ampianarin'ireo olona?

Ho raran'izy ireo ny manambady sy ny mandray ireo sakafo sasany.

Ahoana ny fomba hanokanana sy hanekena ny zavatra rehetra izay hanin-tsika ho amin'ny fampiasantsika?

Ny zavatra rehetra izay hanintsika dia voatokana sy azo ekena tamin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka.

1 Timothy 4:6

Amin'ny inona no ilazan'i Paoly an'i Timoty mba hampiofanany ny tenany?

Nilaza tamin'i Timoty i Paoly mba hampiofana ny tenany araka ny toetran'Andriamanitra.

Nahoana no mahasoa kokoa ny miofana araka ny toetran'Andriamanitra noho ny fanazaran-tenza?

Miofana araka ny toetran'Andriamanitra no mahasoa kokoa satria mihazona ny fampanantenana amin'ity fiainana ankehitriny ity sy ny fiainan-ko avy izany.

1 Timothy 4:11

Inona no nananaran'i Paoly an'i Timoty ho hatao amin'ireo zavatra tsara rehetra izay noraisiny tamin'ny fampianaran'i Paoly taminy?

Nananatra an'i Timoty i Paoly mba hanambara sy hampianatra ireo zavatra rehetra amin'ny hafa.

Amin'ny fomba ahoana no nanaovana ohatra an'i Timoty tamin'ny hafa?

Timoty dia ohatra amin'ny teny, fitondran-tena, fitiavana, finoana, ary fahadiovana.

1 Timothy 4:14

Ahoana ny fomba nandraisan'i Timoty ny fanomezana ara-panahy izay nananany?

Nomena an'i Timoty tamin'ny faminaniana miaraka amin'ny fametrahan-tanan'ireo loholona izany.

Raha manohy am-pahatokiana ny fiainany sy ny fampianarany i Timoty, dia iza no ho voavonjy?

Hamonjy ny tenany i Timoty ary ireo izay mihaino azy.

1 Timothy 5

1 Timothy 5:1

Ahoana no fomba nilazan'i Paoly an'i Timoty ny fomba hitondrana ny lahy antitra ao amin'ny fiangonana?

Nilaza tamin'i Paoly i Timoty mba hitondra azy toy ny ray.

1 Timothy 5:3

Inona no tokony ataon'ireo zanaka sy ny zafikely amin'ny mpitondra tena ho azy?

Tokony hamaly babena ireo ray aman-dreniny sy hikarakara azy ireo zanaka sy ny zafikely.

1 Timothy 5:7

Inona no nataon'ny olona izay tsy mikarakara ireo izay ao an-tokatranony?

Nandà ny finoana izy ary ratsy lavitra noho ny tsy mpino.

1 Timothy 5:9

Ho amin'ny inona no tokony hahafantarana ireo mpitondratena?

Tokony fantatra amin'ny asa tsara ireo mpitondratena.

1 Timothy 5:11

Inona no loza misy rehefa mitoetra ho mpitondratena mandra-pahatapitrin'ny ainy ny mpitondra tena tanora?

Haniry ny hanambady izy no loza, namadika ny fanoloran-tenany voalohany.

1 Timothy 5:14

Inona no tian'i Paoly hataon'ireo vehivavy tanora?

Tian'i Paoly hanambady ireo vehivavy tanora, hiteraka, hikarakara tokantrano.

1 Timothy 5:17

Inona no tokony hatao amin'ireo mpanapaka izay manao ny mety?

Ireo mpanapaka izay manao ny mety dia tokony ho heverina ho mendri-boninahitra avo roa heny.

1 Timothy 5:19

Inona no tokony hisy alohan'ny handraisana ny fiampangana manohitra loholona iray?

Tokony ho hisy vavolombelona roa na telo alohan'ny handraisana ny fiampangana manohitra loholona iray.

1 Timothy 5:21

Amin'ny fomba ahoana no nilazan'i Paoly an'i Timoty mba hitandremana ny lalàna?

Nandidy an'i Paoly i Timoty mba hitandrina ny lalàna tsy misy fiandaniana.

1 Timothy 5:23

Ho an'ny olona sasany, tsy mbola fantatra ny fahotan'izy ireo mandra-pahoviana?

Ho an'ny olona sasany, dia tsy fantatra ny fahotan'izy ireo mandra-pahatongan'ny fitsarana.

1 Timothy 6

1 Timothy 6:1

Ahoana ny fomba nilazan'i Paoly fa tokony hataon'ireo andevo amin'ny ireo tompony?

Nilaza i Paoly fa tokony hanao ireo tompony ho mendrika haja ireo tompony.

1 Timothy 6:3

Karazan'olona ohatran'ny ahoana no mandà ireo teny tsy misy kilema ary fampianarana araka'Andriamanitra?

ireo olona izay mandà ny ireo teny tsy misy kilema ary fampianarana araka'Andriamanitra dia mihebohebo sy tsy mahafantatra na inona na inona.

1 Timothy 6:6

Inona no lazain'iPaoly fa tombontsoa lehibe?

Nilaza i Paoly fa ny toetra araka'Andriamanitra no fahafaham-po no tombony lehibe.

Nahoana no tokony ho afa-po amin'ny hanina s y fitafy isika?

Tokony ho faly isika satria tsy nitondra na inona na inona teo an-tany isika, ary tsy hahavita hitondra na inona na inona.

1 Timothy 6:9

Ao amin'ny no hirian'ireo izay maniry hanakarena no hianjera?

Ireo izay maniry ny hanankarena dia latsaka ao anatin'ny fakam-panahy.

Inona ny fototra amin'ny karazan-dratsy rehetra?

Ny fitiavam-bola no fototri'ny karazan-dratsy rehetra.

Inona niseho tamin'ireo izay nitia ny vola?

Ireo izay nitia ny vola dia nirenireny tamin'ny finoana.

1 Timothy 6:11

Inona no ady izay nolazain'i Paoly fa tokony hiadiavany?

Nilaza i Paoly fa tokony hiady amin'ny ady tsaran'ny finoana i Timoty.

1 Timothy 6:15

Aiza no nitoetra ilay iray izay notahiana sy hery tokana?

Ilay iray izay notahiana dia mitoertra eo amin'ny hazavana tsy azo hanatonana izay tsy afaka ho hitan'ny olona.

1 Timothy 6:17

Nahoana ireo izay nanankarena dia nanantena an'Andriamanitra fa tsy ny harena tsy azo antoka?

Tokony hanantena ao amin'Andriamanitra satria izy no manome ny harena marina rehetra.

inona no ataon'ireo izay manankarena amin'ny asa tsara amin'ny tenan'izy ireo?

Ireo izay manankarena amin'ny asa tsara dia hitahiry ireo fototra tsara, ary hihazona ny tena fiainana.

1 Timothy 6:20

Ary farany, inona nolazain'i Paoly fa hataon'i Timoty amin'ireo zavatra rehetra nomena azy?

Nilaza tamin'i Timoty i Paoly fa tokony hiaro izay nomena azy izy.