Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Corinthians 1

1 Corinthians 1:1

Iza no niantso an'i Paoly ary inona no niantsoana azy?

Jesosy Kristy no niantso an'i Paoly ho apostoly.

Inona no nirin'i Paoly ho raisin'ny fiangonana any Korinto avy amin'Andriamanitra raintsika sy Tompo Jesosy Kristy?

Paoly dia naniry azy ireo mba hahazo fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra raintsika sy Tompo Jesosy Kristy.

1 Corinthians 1:4

Ahoana no fomba nanaovan'Andriamanitra manan-karena ny fiangonana any Korinto?

Tamin'ny fomba rehetra izy ireo no nataon'Andriamanitra manan-karena, amin'y teny rehetra ary amin'ny fahalalana rehetra.

1 Corinthians 1:7

Inona no tsy nampahory ny fiangonana any Korinto?

Tsy ory fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo.

Nahoana Andriamanitra no hampahery ny fiangonana Korinto any amin'ny farany?

Hanao izany Izy mba tsy hanan-tsiny izy ireo amin'ny andron'ny Tompontsika Jesosy Kristy.

1 Corinthians 1:10

Mampirisika ny fiangonana Korinto hanao inona Paoly?

Paoly dia mampirisika azy ireo mba hifanaraka avokoa ka tsy hisy fizarazarana eo amin'izy ireo, ary mba hiombona amin'ny saina mitovy sy tanjona mitovy izy ireo.

Inona no notaterin'ny olon'i Kloe tamin'i Paoly?

Ny olon'i Kloe dia nitatitra tamin'i Paoly fa nivoatra ny fifampiandaniana eo amin'ny olon'ny fiangonan'i Korinto.

1 Corinthians 1:12

Inona no tian'i Paoly ambara amin'ny fifampiandaniana?

Ny tian'i Paoly ambara dia hoe: Ny tsirairay aminareo milaza hoe: "Miaraka amin'i Paoly aho," na "Miaraka amin'i Apolosy aho," na "Miaraka amin'i Kefasy aho," na "Miaraka amin'i Kristy aho."

1 Corinthians 1:14

Nahoana i Paoly no nisaotra an'Andriamanitra hoe tsy nanao batisa afa-tsy i Krispo sy Gaio?

Nisaotra an'Andriamanitra noho izany Paoly satria tsy nanome irika hilazan'izy ireo hoe vita batisa tamin'ny anaran'i Paoly izany.

1 Corinthians 1:17

Inona no nanirahan'i Kristy ho ataon'i Paoly?

Nandefa azy i Kristy mba hitory ny filazantsara.

1 Corinthians 1:18

Inona no hafatry ny hazofijaliana amin'ireo izay ho faty?

Fahadalana no hafatry ny hazofijaliana amin'ireo izay ho faty.

Inona no hafatry ny hazofijaliana amin'ireo izay navotan'Andriamanitra?

Herin'Andriamanitra eo amin'ireo izay navotan'Andriamanitra izany.

1 Corinthians 1:20

Andriamanitra namadika ny fahendren'izao tontolo izao ho fahadalana.

Nahoana no mahafaly an'Andriamanitra ny mamonjy ireo izay mino amin'ny alalan'ny fahadalan'ny fitoriana?

Sitrak'Andriamanitra ny manao izany satria izao tontolo izao dia tsy mahafantatra an'Andriamanitra tao amin'ny fahendreny.

1 Corinthians 1:26

Firy no hendry raha amin'ny maha-olombelona na hery na avo firazanana no nantsoin'Andriamanitra?

Andriamanitra tsy niantso ny maro tahaka izany.

Nahoana Andriamanitra no nisafidy ny zavatra adalan'izao tontolo izao ary izay malemy amin'izao tontolo izao?

Nanao izany Izy mba hampahamenatra ireo hendry ary hampahamenatra izay matanjaka.

1 Corinthians 1:28

Inona no nataon'Andriamanitra mba tsy hisy na iza na iza hirehareha eo anatrehany?

Andriamanitra nisafidy izay ambany sy atao tsinontsinona eto amin'izao tontolo izao eny hatramin'ny zavatra izay heverina ho tsinontsinona.

1 Corinthians 1:30

Nahoana ireo mpino no ao amin'i Kristy Jesosy?

Ao amin'i Kristy Jesosy izy ireo noho izay nataon'Andriamanitra.

Lasa inona ho antsika i Kristy?

Lasa fahendrentsika avy amin'Andriamanitra ho antsika Izy-fahamarinantsika, fahamasinantsika, ary fahafahantsika.

Raha hirehareha isika, dia amin'iza no tokony hirehareha?

Aoka izay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo.

1 Corinthians 2

1 Corinthians 2:1

Tamin'ny fomba ahoana no nandehanan'i Paoly tany amin'ireo Korintiana rehefa nanambara ny marina miafin'Andriamanitra izy?

Tsy tonga tamin'ny lahateny mihaja na fahendrena izy rehefa nanambara ny marina miafin'Andriamanitra.

Nanapa-kevitra hahafantatra inona i Paoly rehefa teo amin'ireo Korintiana?

Paoly dia nanapa-kevitra tsy hahafantatra na inona na inona afa-tsy Kristy, sy Izy voahombo.

1 Corinthians 2:3

Nahoana ny tenin'i Paoly sy ny fanambarany no natao tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery fa tsy tamin'ireo teny fandresen-dahatry ny fahendrena?

Izany no natao dia mba tsy ho ao amin'ny fahendren'ny olombelona ny finoan'izy ireo, fa ao amin'ny herin'Andriamanitra.

1 Corinthians 2:6

Inona no fahendrena noresahin'i Paoly sy ireo izay niaraka taminy?

Niresaka ny fahendren'Andriamanitra ao amin'ny fahamarinana miafina izy ireo-ny fahendrena miafina izay efa notendren'Andriamanitra mialoha talohan'ny voninahitsika.

1 Corinthians 2:8

Raha nahafantatra ny fahendren'Andriamanitra ireo mpanapaka tamin'ny andron'i Paoly, dia inona no mety tsy nataon'izy ireo?

Raha nahafantatra ny fahendren'Andriamanitra ireo mpanapaka tamin'ny andron'i Paoly dia tsy namantsika ny Tompon'ny voninahitra tamin'ny hazofijaliana izy ireo.

1 Corinthians 2:10

Ahoana no fomba nahafantaran'i Paoly sy ireo niaraka taminy ny fahendren'Andriamanitra?

Andriamanitra nanambara ireo zavatra ireo tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny Fanahy.

Iza no mahalala ny zavatra lalin'Andriamanitra?

Ny Fanahin'Andriamanitra irery ihany no mahafantatra ny zavatra lalin'Andriamanitra.

1 Corinthians 2:12

Inona no antony iray nandraisan'i Paoly sy ireo izay niaraka taminy ny Fanahy izay avy amin'Andriamanitra?

Nandray ny Fanahy izay avy amin'Andriamanitra izy ireo mba hahafantaran'izy ireo ny zavatra omen'Andriamanitra antsika maimaimpoana.

1 Corinthians 2:14

Nahoana ny olona tsy ara-panahy no tsy afaka mandray na mahafantatra ny zavatra izay an'ny Fanahin'Andriamanitra?

Tsy afaka mandray azy ireny ny olona tsy ara-panahy satria adala izy ireo aminy ary tsy afaka mahafantatra azy ireny satria izy ireo dia tsy fantatra ara-panahy.

Inona no hananan'ny fisainana mino ao amin'i Jesosy hoy Paoly?

Paoly nilaza hoe manana ny fisainan'i Kristy izy ireo.

1 Corinthians 3

1 Corinthians 3:3

Nahoana i Paoly no milaza fa ireo mpino Korintiana dia mbola araka ny nofo?

Paoly nilaza fa mbola araka ny nofo izy ireo satria ny fialonana sy ny fifandirana no misy eo amin'izy ireo.

Iza i Paoly sy Apolosy amin'ireo Korintiana?

Izy ireo dia mpanompo izay nahatonga ireo Korintiana hino an'i Kristy.

1 Corinthians 3:6

Iza no nampitombo?

Andriamanitra no nampitombo.

1 Corinthians 3:10

Iza no fototra?

Jesosy Kristy no fototra.

1 Corinthians 3:12

Inona no hiseho amin'ny asan'olona iray izay manorina amin'ny fototr'i Jesosy Kristy?

Ny asany dia ho ambara amin'ny andro mazava sy amin'ny afo.

Inona no ataon'ny afo amin'ny asan'ny olona iray?

Hanambara ny hatsaran'izay vitan'ny tsirairay ny afo.

1 Corinthians 3:14

Inona no ho raisin'ny olona raha tsy matin'ny afo ny asany?

Handray valisoa io olona io.

Inona no hiseho amin'ilay olona izay ho main'ny afo ny asany?

Io olona io dia ho fatiantoka, fa ny tenany dia ho voavonjy, toy ny tafatsoaka tamin'ny afo.

1 Corinthians 3:16

Iza isika ary inona no miaina ao anatintsika amin'ny maha-mpino an'i Jesosy Kristy antsika?

Tempolin'Andriamanitra isika ary ny Fanahin'Andriamanitra miaina ao anatintsika.

Inona no hiseho raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra?

Andriamanitra hanimba io olona izay manimba ny tempolin'Andriamanitra io.

1 Corinthians 3:18

Inona no nolazain'i Paoly taminy izay mihevitra fa izy dia hendry amin'izao vanim-potoana izao?

Paoly nilaza fa, " ... aoka izy ho lasa "adala" mba mety ho lasa hendry."

Inona no fantatry ny Tompo momba ny fihevitry ny hendry?

Ny Tompo mahafantatra fa fihevitry ny hendry dia zava-poana.

1 Corinthians 3:21

Nahoana no asain'i Paoly mijanona amin'ny fireharehana momba ny olona ireo Korintiana mpino?

Asainy mijanona mirehareha izy ireo, "Satria ny zava-drehetra dia anareo," ary satria, " ... ianareo dia an'i Kristy, ary Kristy an'Andriamanitra" ..

1 Corinthians 4

1 Corinthians 4:1

Ahoana no fomba tokony handraisan'ireo Korintiana an'i Paoly sy ireo namany hoy i Paoly?

Ireo Korintiana dia tokony handray azy ireo ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina ireo marina miafin'Andriamanitra.

Inona no iray amin'ireo zavatra takiana amin'ny mpitandrina?

Ireo mpitandrina dia tsy maintsy mendri-pitokiana.

1 Corinthians 4:3

Iza no nolazain'i Paoly hoe mpitsara azy?

Paoly nilaza fa ny Tompo no mitsara azy.

1 Corinthians 4:5

Inona no ho ataon'ny Tompo rehefa tonga Izy?

Hitondra hazavana amin'ny zava-miafin'ny haizina sy hanambara ny fikasan'ny fo Izy.

1 Corinthians 4:6

Nahoana i Paoly no mampihatra ireo fitsipika ireo amin'ny tenany sy amin'i Apolosy?

Nanao izany noho ny amin'ireo mpino Korintiana i Paoly mba hianaran'izy ireo ny dikan'izy lazainy, "Aza mandeha mihoatra izay voasoratra," mba tsy hisy iray amin'izy ireo hihevitra ny fankasitrahana ny anankiray noho ny hafa.

1 Corinthians 4:8

Nahoana no nirin'i Paoly hanjaka ireo Korintiana mpino?

Nirin'i Paoly hanjaka ireo Korintiana mpino mba hahafahan'izy sy ireo miaraka aminy manjaka miaraka amin'izy ireo.

1 Corinthians 4:10

Inona ireo fomba telo mampifanohitra an'i Paoly sy ireo miaraka aminy amin'ireo mpino Korintiana?

Hoy i Paoly: "Adala noho ny amin'i Kristy izahay, fa ianareo dia hendry ao amin'i Kristy. Izahay malemy, fa ianareo matanjaka. Ianareo nomem-boninahitra, fa izahay nalaim-baraka

Ahoana no fomba hamaritan'i Paoly ny toetra ara-batan'ireo apostoly?

Paoly nilaza fa izy ireo dia noana sy mangetaheta, mahantra fitafy, voakapoka mafy ary tsy manan-kialofana.

1 Corinthians 4:12

Inona no navalin'i Paoly sy ireo niaraka taminy rehefa natao tsindry hazo lena izy ireo?

Rehefa voatafika izy ireo, dia voatahy. Rehefa nenjehina izy ireo, dia niaritra izany. Rehefa voaendrikendrika izy ireo, dia niteny tamin'ny hatsaram-panahy.

1 Corinthians 4:14

Nahoana i Paoly no nanoratra ireo zavatra ireo ho an'ny Korintiana mpino?

Nanoratra ireo izy mba hanitsiana azy ireo amin'ny maha-zanany malala azy ireo.

Iza no nasain'i Paoly nalain'ireo mpino Korintiana tahaka?

Paoly nilaza azy ireo mba haka tahaka ny tenany.

1 Corinthians 4:17

Inona no nanirahan'i Paoly an'i Timoty any amin'ireo mpino Korintiana, mba hampatsiahy inona azy ireo?

Paoly nandefa an'i Timoty any Korinto mba hampatsiahy an'ireo mpino any ny lalan'i Paoly ao amin'i Kristy.

Inona no fihetsiky ny sasany amin'ireo mpino Korintiana?

Ny sasany tamin'izy ireo dia niavonavona, nanao tahaka ny hoe tsy ho tonga any amin'izy ireo Paoly.

1 Corinthians 4:19

Mifototra amin'ny inona ny fanjakan'Andriamanitra?

Ny fanjakan'Andriamanitra dia mifototra amin'ny hery.

1 Corinthians 5

1 Corinthians 5:1

Inon no tatitra ren'i Paoly momba ny fiangonana any Korinto?

Paoly nandre fa misy fahavetavetana any. Ny iray amin'izy ireo dia niray tamin'ny vadin'ny rainy.

Inona no nolazain'i Paoly hoe tsy maintsy atao amin'ny olona izay nanota niaraka tamin'ny vadin'ny rainy?

Ilay iray izay nanota niaraka tamin'ny vadin'ny rainy dia tsy maintsy alàna eo amin'izy ireo.

1 Corinthians 5:3

Ahoana no fomba hanalana ilay olona izay nanota niaraka tamin'ny vadin'ny rainy, ary satria nahoana no alana izy?

Rehefa niara-niombona tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy ny fiangonana tany Korinto dia tokony nanolotra ilay lehilahy manota ho an'i Satana ho famotehana ny nofo, mba ho voavonjy ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo.

1 Corinthians 5:6

Inona no hampitahan'i Paoly ny fitondran-tena ratsy sy ny faharatsiana?

Ampitahain'i Paoly amin'ny lalivay ireo.

Inona no sarin-teny ampiasain'i Paoly amin'ny fahamatorana sy ny fahamarinana?

Paoly dia mampiasa ny mofo tsy misy lalivay ho sarin-teny amin'ny fahamatorana sy fahamarinana.

1 Corinthians 5:9

Iza no nolazain'i Paoly tamin'ireo mpino Korintiana hoe tsy tokony hifandraisana?

Nanoratra ho azy ireo i Paoly mba tsy hifandray amin'ireo olona mpijangajanga.

Ny mpijangajanga rehetra eto amin'izao tontolo izao ve no tian'i Paoly ambara hoe tsy tokony hifandraisan'izy ireo?

Tsy ny mpijangajanga rehetra eto amin'izao tontolo izao no tian'i Paoly ambara. Mila miala amin'izao tontolo izao ianareo mba hisitihanareo amin'izy ireo.

1 Corinthians 5:11

Amin'iza ireo mpino Korintiana no raran'i Paoly tsy hifandray?

Tsy tiany hifandray amin'izay rehetra antsoina hoe rahalahy sy rahavavy ao amin'i Kristy izay mpijangajanga, tsy mahonon-tena, mpiteny ratsy, mpimamo, mpisoloky na mpanompo sampy izy ireo.

Iza no tokony tsarain'ireo mpino?

Ireo izay ao anatin'ny fiangonana no tokony tsarain'izy ireo.

Iza no mitsara ireo izay any ivelan'ny fiangonana?

Andriamanitra no mitsara ireo izay any ivelany.

1 Corinthians 6

1 Corinthians 6:1

Inona no nolazain'i Paoly hoe tokony ho afaka tsarain'ireo olomasina any Korinto?

Paoly nilaza hoe tokony ho afaka mitsara ady eo amin'ny olomasina mikasika ny raharaha eto amin'ity fiainana ity izy ireo.

Iza no ho tsarain'ireo olomasina?

Hitsara ny tany sy ny anjely ireo olomasina.

1 Corinthians 6:4

Ahoana no handaminan'ireo Kristiana Korintiana ny adin'izy ireo amin'ny hafa?

Mandeha mifanatrika amin'ny hafa any amin'ny fitsarana ny mpino iray, ary izany tranga izany dia entina eo anatrehan'ny mpitsara iray izay tsy mpino.

1 Corinthians 6:7

Maneho inona ny fisian'ny ady eo amin'ny Kristiana Korintiana?

Izany dia maneho faheresena ho azy ireo.

1 Corinthians 6:9

Iza no tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra?

Ireo tsy marina; ireo vetaveta, ireo mpanompo sampy, ireo mpijangajanga, ireo lehilahy mpivaro-tena, ireo izay miara-mandry amin'ny samy lehilahy na samy vehivavy, ireo mpangalatra, ireo tsy mahalala onona, ireo mpimamo, ireo mpanaratsy, ireo mpisoloky dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.

Inona no zava-niseho tamin'ireo Korintiana mpino izay tsy nanao ny marina taloha?

Nodiovina izy ireo ary nohamasinina; nohamarinina teo amin'Andriamanitra tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy Kristy ary tamin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitsika.

1 Corinthians 6:12

Inona ireo zavatra roa izay tsy avelan'i Paoly hanandevo azy?

Paoly dia nilaza fa tsy ho andevozin'ny sakafo na firaisana ara-nofo izy.

1 Corinthians 6:14

Rantsam-batan'iza ny vatan'ireo mpino?

Rantsam-batan'i Kristy ny vatan'izy ireo.

Tokony hampiray ny tenan'izy ireo amin'ny mpivaro-tena ve ireo mpino?

Tsia.Tsy hisy anie izany

1 Corinthians 6:16

Inona no miseho rehefa miray amin'ny mpivaro-tena ny olona iray?

Lasa nofo iray aminy izy.

Inona no miseho rehefa miray amin'ny Tompo ny olona iray?

Lasa fanahy iray miaraka Aminy izy.

1 Corinthians 6:18

Manota amin'iza ny olona rehefa mijangajanga?

Manota amin'ny vatan'izy ireo manokana izy ireo rehefa mijangajanga.

1 Corinthians 6:19

Nahoana ireo mpino no tokony hanome voninahitra an'Andriamanitra miaraka amin'ny vatan'izy ireo?

Izy ireo dia tokony hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny vatan'izy ireo satria ny vatan'izy ireo dia tempolin'ny Fanahy Masina ary satria izy ireo dia voavidy.

1 Corinthians 7

1 Corinthians 7:1

Nahoana ny lehilahy tsirairay no manana ny vadiny manokana ary ny vehivavy tsirairay manana ny vadiny manokana?

Nohon'ny fakam-panahy amin'ny fahavetavetana maro ny lehilahy tsirairay dia tokony manana ny vadiny manokana ary ny vehivavy tsirairay dia tokony manana ny vadiny manokana ihany koa.

1 Corinthians 7:3

Manana fahefana amin'ny vatany manokana ve ny vady?

Tsia. Ny lehilahy dia manana fahefana amin'ny vatan'ilay vehivavy vadiny ary tahaka izany ihany koa ny vehivavy dia manana fahefana amin'ny vatan'ilay lehilahy vadiny.

1 Corinthians 7:5

Rehefa inona no ilain'ny mpivady lahy sy vavy ny tsy miray ara-nofo?

Ilaina izany rehefa mifanaraka ny mpivady lahy sy vavy, ary maka fotoana manokana mba hahafahan'izy ireo manokan-tena amin'ny vavaka.

1 Corinthians 7:8

Inona no nolazain'i Paoly hoe tsara ataon'ireo mpitondra tena sy ireo olona izay tsy manambady?

Paoly nilaza hoe tsara ho azy ireo ny mijanona tsy manambady.

Amin'ny toe-javatra inona ireo tsy manambady sy ireo mpitondra tena no tokony hanambady?

Tokony hanambady izy ireo rehefa arehitry ny filàna ka tsy afaka mamehy tena.

1 Corinthians 7:10

Inona no didy omen'ny Tompo an'ireo izay manambady?

Ny vehivavy dia tokony tsy hisaraka amin'ny vadiny. Raha misaraka amin'ny vadiny izy dia tokony mijanona ho mpitondra tena na miverina amin'ny vadiny. Ny lehilahy ihany koa dia tsy tokony hisara-panambadiana amin'ny vadiny.

1 Corinthians 7:12

Tokony hisaraka amin'ny vadiny izay tsy mpino ve ny lehilahy na ny vehivavy mpino?

Raha mahafaly an'ilay lehilahy na vehivavy tsy mpino ny miara-miaina amin'ilay vadiny, dia tsy tokony tsy hisaraka aminy ilay vadiny izay mpino.

1 Corinthians 7:15

Inona no tokony ataon'ilay mpino raha mandao azy ilay vadiny izay tsy mpino?

Ilay mpino dia tokony hamela an'ilay vadiny tsy mpino handeha..

1 Corinthians 7:17

Inona no fitsipika napetrak'i Paoly tao amin'ny fiangonana rehetra?

Ny fitsipika dia hoe: "Aoka ny tsirairay hiaina ny fiainana nanendren'ny Tompo azy ireo, sy niantsoan'Andriamanitra azy ireo.

Inona no torohevitra nomen'i Paoly ireo voafora sy tsy voafora?

Paoly nilaza fa ireo tsy voafora dia tsy tokony hifora ary ireo voafora dia tsy tokony hanala ny mariky ny famorana azy ireo.

1 Corinthians 7:20

Inona no nolazain'i Paoly momba ireo andevo?

Raha andevo izy ireo fony Andriamanitra niantso azy ireo, dia aza miahiahy ny momba izany, fa raha afaka izy ireo, dia tokony hanararaotra izany. Na dia andevo aza izy ireo, dia olona afaky ny Tompo. Tsy ho lasa andevon'ny olona.

1 Corinthians 7:25

Nahoana i Paoly no mieritreritra fa tsara ho an'ny lehilahy izay tsy mbola nanambady ny mijanona tsy manambady tahaka an'i Paoly?

Nihevitra izany i Paoly nohon'ny loza izay ho tonga ka tsara ho an'ny lehilahy ny mijanona tsy manambady.

1 Corinthians 7:27

Inona no tokony ataon'ireo mpino raha voafatotry ny voady tamin'ny mariazy amin'ny vadiny izy?

Tsy tokony hitady fahafahana avy amin'ny voadin'izy ireo hanambady ny vadiny izy ireo.

Nahoana i Paoly no miteny an'ireo izay afaka amin'ny vadiny, sy an'ireo izay tsy manambady hoe: "Aza mitady vady."

Nilaza izany izy satria te-hanala azy ireo amin'ny karazana olana maro mandritra ny fiainana izay hisy amin'ireo hanambady.

1 Corinthians 7:29

Nahoana ireo izay mifampiraharaha amin'izao tontolo izao no tokony hanao tahaka ny tsy manana raharaha amin'izany?

Tokony hanao tahaka izany izy ireo satria ny rafitr'izao tontolo izao dia efa ho tonga amin'ny fiafarana.

1 Corinthians 7:32

Nahoana no sarotra ho an'ireo Kristiana izay manambady ny misaraka amin'ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny Tompo?

Sarotra izany satria ny lehilahy na vehivavy mpino dia voakasiky ny zavatry ny tany, ny fomba hampifaliana ny vadiny.

1 Corinthians 7:36

Iza no manao tsara kokoa noho ilay iray izay manambady ny fofom-badiny?

Ilay iray izay misafidy ny tsy hanambady no manao ny tsara kokoa.

1 Corinthians 7:39

Hafiriana ny vehivavy no voafatotry amin'ny vadiny?

Voafatotry amin'ny vadiny foana ny vehivavy raha mbola velona izy.

Raha maty ny vadin'ny vehivavy mpino iray, dia iza no mety ho vadiany?

Afaka manambady izay tiany izy, fa izay ao amin'ny Tompo irery ihany anefa.

1 Corinthians 8

1 Corinthians 8:1

Inona no foto-kevitra resahin'i Paoly amin'ity toko ity?

Paoly miresaka momba ny sakafo atao sorona ho an'ny sampy.

Inona no vokatra azo avy amin'ny fahalalana sy ny fitiavana?

Ny fahalalana dia mampirehareha, fa ny fitiavana kosa dia manangana.

1 Corinthians 8:4

Mitovy amin'Andriamanitra ve ny sampy?

Tsia. Ny sampy eto amin'izao tontolo izao dia tsinontsinona, ary tsy misy afa-tsy Andriamanitra iray ihany.

Iza ilay Andriamanitra iray?

Andriamanitra ilay Ray ihany no misy. Avy Aminy ny zava-drehetra, ary mivelona ho Azy isika.

Iza ilay Tompo iray?

Tompo Jesosy Kristy iray ihany no misy, izay amin'ny alalany no mampisy ny zava-drehetra, ary amin'ny alalany no hisiantsika.

1 Corinthians 8:7

Inona no miseho rehefa mihinana sakafo toy ny hoe natao sorona ho an'ny sampy ireo izay manompo sampy?

Simba ny feon'ny fieritreretan'izy ireo satria malemy izany.

1 Corinthians 8:8

Mahatonga antsika ho tsara sa ratsy amin'Andriamanitra ny sakafo hohanintsika?

Tsy hanolotra antsika eo amin'Andriamanitra ny sakafo. Tsy ratsy isika raha tsy mihinana, na hoe tsara raha mihinana izany.

Inona no tokony ho tandremantsika mba tsy ho lasa inona ny fahafahantsika?

Tokony hitandrina isika mba tsy ho ny fahafahantsika no antony hahatafintohana olona iray izay osa ara-pinoana.

1 Corinthians 8:11

Inona no mety hiseho amin'ny rahalahy na rahavavy izay osa ara-pieritreretana raha tsy miraraha ny fampiasan'izy ireo ny fahafahan'ireo izay tsy mahatakatra ny marina momba ireo sampy izy ireo?

Ny rahalahy na rahavavy izay osa ara-pieritreratana dia mety ho very.

Amin'iza isika no manota raha manafintohina ny rahalahy sy rahavavy ao amin'i Kristy nohon'ny feon'ny fieritreretina malemin'izy ireo?

Manota manohitra ny rahalahy sy rahavavintsika isika raha manafintohina ary manota manohitra an'i Kristy ihany koa isika.

Inona no nolazain'i Paoly hoe ho ataony raha manafintohina ny rahalahiny sy ny rahavaviny ny sakafo?

Paoly nilaza fa raha misy manafintohina ny rahalahiny sy rahavaviny ny sakafo, dia tsy hisakafo intsony izy.

1 Corinthians 9

1 Corinthians 9:1

Inona no porofo natolotr'i Paoly fa Apostoly izy?

Paoly nilaza fa satria ireo mpino Korintiana dia mpiasany ao amin'ny Tompo, noho izany izy ireo dia porofon'ny maha-apostoly an'i Paoly ao amin'ny Tompo.

1 Corinthians 9:3

Inona no notanisain'i Paoly ho zon'ireo apostoly, ireo rahalahy ao amin'ny Tompo, ary Kefasy?

Paoly nilaza fa izy ireo dia manana zo hihinana sy hisotro, ary manan-jo hitondra vady mpino miaraka amin'izy ireo.

1 Corinthians 9:7

Inona no ohatra nomen'i Paoly ireo izay nandray tombontsoa na vola tamin'ny asan'izy ireo?

Voatonon'i Paoly ireo miaramila, ilay iray izay namboly voaloboka, ary ilay iray izay miandry ondry mba ho ohatra ho an'ireo izay mandray tombontsoa na vola amin'ny asan'izy ireo.

1 Corinthians 9:9

Inona ny ohatra avy ao amin'ny lalàn'i Mosesy nomen'i Paoly mba hanohanana ny hevitry ny fandraisana tombontsoa na vola amin'ny asa?

Paoly namerina niteny ny didy hoe: "Aza asiana fehi-vava ny omby rehefa miely voa" mba hanohanana ny heviny.

1 Corinthians 9:12

Nahoana i Paoly sy ireo miaraka aminy no tsy nanambara ny zon'izy ireo amin'ny fampitaovana avy amin'ireo Korintiana?

Paoly sy ireo miaraka aminy dia tsy nanambara izany zo izany mba tsy hisy sakana amin'ny filazantsaran'i Kristy.

Inona no nandidian'ny Tompo mikasika ireo izay mitory ny filazantsara?

Ny Tompo nandidy fa ireo izay mitory ny filazantsara dia tokony hahazo ny fiveloman'izy ireo avy amin'ny filazantsara.

1 Corinthians 9:15

Inona no nolazain'i Paoly fa tsy tokony hireharehany, ary nahoana izy no tsy afaka mirehareha momba izany?

Paoly nilaza fa tsy tokony hirehareha momba ny filazan-tsara izy satria tsy maintsy mitory ny filazantsara.

1 Corinthians 9:19

Nahoana i Paoly no lasa mpanompo ho an'ny rehetra?

Lasa mpanompo ho an'ny rehetra i Paoly mba ho mety hahafahany mahazo olona maro ho an'Andriamanitra.

Lasa inona i Paoly mba hahazo an'i Jesosy?

Lasa tahaka ny Jiosy i Paoly mba hahazo an'i Jesosy.

1 Corinthians 9:21

Lasa tahaka an'iza i Paoly mba hahazo ireo izay any ivelan'ny lalàna?

Paoly dia lasa tahaka ireo izay ivelan'ny lalàna mba hahazo ireo izay ivelan'ny lalàna.

Nahoana i Paoly no manao ny zavatra rehetra noho ny amin'ny filazantsara?

Manao izany izy mba ho fandraisany anjara amin'ny fitahian'ny filazantsara.

1 Corinthians 9:24

Inona no asain'i Paoly hiazakazahana?

Ny fahazoana loka no asain'i Paoly hiazakazahana.

Karazana fehiloha inona no nihazakazahan'i Paoly mba ho azo?

Nihazakazaka i Paoly mba hahazo ny fehiloha izay tsy mety simba.

Nahoana i Paoly no nanambany ny tenany ary nanao izany ho andevo?

Nanao izany i Paoly mba ho rehefa avy mitory ny filazantsara tamin'ny hafa izy, dia tsy ho lavina ny tenany.

1 Corinthians 10

1 Corinthians 10:1

Inona no zava-nisy nitovy niainan'ny rain'izy ireo tamin'ny fotoan'i Mosesy?

Ny rehetra dia samy teo ambanin'ny rahona ary namakivaky ny ranomasina. Samy natao batisa tamin'i Mosesy tao anaty rahona sy ny ranomasina, ary ny rehetra dia samy nihinana ny sakafo ara-panahy, ary nisotro izay zava-pisotro ara-panahy.

Iza ilay vatolampim-panahy izay nanaraka ny rain'izy ireo?

I Kristy ilay vatolampim-panahy izay nanaraka azy ireo.

1 Corinthians 10:5

Nahoana Andriamanitra no tsy nankasitraka tsara ny rain'izy ireo tamin'ny fotoan'i Mosesy?

Tsy nankasitraka Izy satria ny rain'izy ireo dia naniry zava-dratsy.

1 Corinthians 10:9

Tamin'ny alalan'ny inona ireo olona tsy mankato no nopotehan'Andriamanitra ?

Andriamanitra namotika azy ireo tamin'ny alalan'ny bibilava, sy tamin'ny alalan'ny anjelin'ny fahafatesana.

1 Corinthians 10:11

Nahoana no nitranga ireo zavatra ireo ary nahoana no nosoratana izy ireny?

Niseho ireny mba ho ohatra ho antsika ary nosoratana ho fampianarana antsika.

Efa nisy fakam-panahy miavaka nanjo antsika ve?

Tsy misy fakam-panahy miavaka izay tsy hiraisan'ny olombelona rehetra nanjo antsika.

Inona no nataon'Andriamanitra mba hahatonga antsika miaritra amin'ny fakam-panahy?

Nanoro ny lalana hitsoahana Izy mba hahafahantsika miaritra ny fakam-panahy.

1 Corinthians 10:14

Tamin'ny alalan'ny inona i Paoly no nampitandrina ireo mpino Korintiana mba handositra?

Nampitandrina azy ireo mba handositra ny fanompoan-tsampy izy.

Inona ilay kapoakan'ny fisaorana izay hisaoran'ny mpino ary inona ilay mofo izay vakian'izy ireo?

Ilay kapoaka dia fifampizarana amin'ny ràn'i Kristy. Ny mofo dia fifampizarana amin'ny vatan'i Kristy.

1 Corinthians 10:20

Iza no hanoloran'ireo jentilisa mpanompo sampy ny soron'izy ireo?

Manolotra ireo zavatra ireo amin'ny demonia izy ireo fa tsy amin'Andriamanitra.

Satria tsy tian'i Paoly ho mpandray anjara miaraka amin'ireo demonia ireo Korintiana mpino, ka inona no nolazainy hoe tsy afaka ataon'izy ireo?

Paoly niteny azy ireo hoe tsy afaka misotro ny kapoakan'ny Tompo sy ny kapoakan'ny demonia ary tsy afaka manana fiombonana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia izy ireo.

Mety hampaninona ny Tompo isika raha amin'ny maha-mpinon'ny Tompo antsika dia mandray anjara miaraka amin'ireo demonia ihany koa isika?

Mety haha-saropiaro ny Tompo isika.

1 Corinthians 10:23

Tokony hitady izay mahasoa antsika manokana ve isika?

Tsia. Fa kosa, ny tsirairay dia tokony mitady izay mahasoa ny namany.

1 Corinthians 10:25

Raha misy tsy mpino iray manasa anareo hisakafo, ka te-handeha ianareo, dia inona no tokony ho ataonareo?

Tokony mihinana ny zava-drehetra voaomana eo anoloanareo ianareo ary tsy manontany ny eritreritra.

1 Corinthians 10:28

Raha milaza aminareo ny vahiny tsy mpino hoe avy amin'ny soron'ny sampy ny sakafo izay aroso ho anareo nahoana ianareo no tsy tokony hihinana izany ?

Tsy tokony hihinana izany noho ny amin'ilay olona mampahafantatra anareo ianareo ary noho ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny hafa.

1 Corinthians 10:31

Inona no tokony ho ataontsika amin'ny voninahitr'Andriamanitra?

Tokony hanao ny zava-drehetra isika, ao anatin'izany ny fihinanana sy fisotroana, ho voninahitr'Andriamanitra.

Nahoana isika no tsy tokony hanome fanafintohinana ny Jiosy na Grika na ny fiangonan'Andriamanitra?

Tsy tokony hanome fanafintohinana azy ireo isika mba hahavoavonjy azy ireo.

1 Corinthians 11

1 Corinthians 11:1

Iza no nasain'i Paoly nalain'ireo mpino Korintiana tahaka?

Izy tenany no nasain'i Paoly nalain'izy ireo tahaka.

Iza no nalain'i Paoly tahaka?

Paoly dia mpaka tahaka an'i Kristy.

Inona no nideran'i Paoly ireo mpino Korintiana?

Paoly dia nidera azy ireo tamin'ny fahatsiarovan'izy ireo azy tamin'ny zavatra rehetra sy tamin'ny fitazomana mafy ny fombafomba tahaka ny nanolorany azy ireo tamin'ireo Korintiana.

Iza no lohan'i Kristy?

Andriamanitra no lohan'i Kristy.

Iza no lohan'ny lehilahy?

Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra.

Iza no lohan'ny vehivavy rehetra?

Ny lehilahy no lohan'ny vehivavy.

Inona no miseho rehefa sady misaron-doha ny lehilahy no mivavaka?

Manala voninahitra ny lohany izy raha mivavaka sady misaron-doha.

1 Corinthians 11:5

Inona no miseho raha tsy misaron-doha ny vehivavy nefa mivavaka?

Ny vehivavy rehetra izay mivavaka nefa tsy misaron-doha dia manala voninahitra ny lohany.

1 Corinthians 11:7

Nahoana ny lehilahy no tsy tokony hisaron-doha?

Tsy tokony hisaron-doha izy satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra.

1 Corinthians 11:9

Ho an'iza no namoronana ny vehivavy?

Ho an'ny lehilahy no namoronana ny vehivavy.

Inona no fomban'i Paoly, ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo fiangonan'Andriamanitra mikasika ny fivavahan'ny vehivavy?

Fomban'izy ireo ny hoe misaron-doha ny vehivavy rehefa mivavaka.

1 Corinthians 11:11

Nahoana no mifampiankina ny lahy sy ny vavy?

Ny vehivavy dia avy amin'ny lehilahy, ary ny lehilahy dia avy amin'ny vehivavy.

1 Corinthians 11:13

Inona no fomban'i Paoly, ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo fiangonan'Andriamanitra mikasika ny fivavahan'ny vehivavy?

Fomban'izy ireo ny hoe misaron-doha ny vehivavy rehefa mivavaka.

1 Corinthians 11:17

Nahoana no tsy maintsy misy fitsitokotokoana eo amin'ireo Korintiana Kristiana?

Tsy maintsy misy fitsitokotokoana eo amin'izy ireo, mba ho Hankasitrahana ireo izay nekena tamin'izy ireo.

1 Corinthians 11:20

Inona no niseho rehefa tonga mba hiara-hihinana ny fiangonana Korintiana?

Rehefa nihinana tsirairay ny sakafony manokana talohan'ny nahazoan'ireo hafa ny sakafony izy ireo. Dia ny sasany noana ary ny hafa nangetaheta.

1 Corinthians 11:23

Tamin'ny alina namadihana an'i Jesosy, inona no nolazain'ny Tompo taorian'ny namakiany ny mofo?

Hoy Izy: "Inty ny vatako, izay ho anareo; ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy."

1 Corinthians 11:25

Inona no nolazain'ny Tompo rehefa nandray ny kapoaka taorian'ny sakafo hariva Izy?

Hoy Izy: "Inty no kapoakan'ny fanekem-pihavanana vaovao amin'ny ràko. Ataovy iza na oviana na oviana ianareo misotro, mba ho fahatsiarovana Ahy."

Inona no ataonareo isaky ny mihinana ny mofo sy misotro ity kapoaka ity ianareo?

Ianareo dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny indray.

1 Corinthians 11:27

Nahoana ny olona iray no tsy tokony hihinana ny mofo na hisotro ny kapoakan'ny Tompo amin'ny fomba tsy mendrika?

Ny fanaovana izany dia hahameloka anareo amin'ny vatana sy amin'ny ràn'ny Tompo. Ianareo dia mihinana sy misotro ny fitsarana ny tenanareo.

Inona no niseho tamin'ny maro tamin'ny fiangonana Korintiana izay nihinana ny mofo sy nisotro ny kapoakan'ny Tompo tamin'ny fomba tsy mendrika?

Maro tamin'izy ireo no narary ary ny sasany tamin'izy ireo maty.

1 Corinthians 11:33

Inona no nasain'i Paoly ataon'ireo mpino Korintiana rehefa tonga hiara-hihinana izy ireo?

Nasainy nifampiandry izy ireo.

1 Corinthians 12

1 Corinthians 12:1

Tian'i Paoly hahafantatra inona ireo Kristiana Korintiana?

Tian'i Paoly hahafantatra momba ny fanomezam-panahy izy ireo.

Iza ilay iray izay miresaka amin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra tsy afaka niteny?

Tsy afaka nilaza izy hoe: "Jesosy dia voaozona."

Amin'ny alalan'ny inona no hilazan'ilay iray hoe: "Jesosy dia Tompo"?

Iray ihany no afaka miteny hoe: "Jesosy dia Tompo" amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.

1 Corinthians 12:4

Inona no nataon'Andriamanitra azo atao ao amin'ny mpino rehetra?

Nataony azo atao ao amin'ny mpino rehetra ny fanomezana samihafa, fanompoana samihafa ary karazana asa samihafa.

1 Corinthians 12:7

Nahoana ny fanahy ivelan'ny Fanahy no nomena?

Nomena izany mba ho tombontsoan'ny rehetra.

1 Corinthians 12:9

Inona no fanomezana sasany nomena tamin'ny alalan'ny Fanahy?

Ireo fanomezana sasany dia ny finoana, fanomezam-pahasoavan'ny fahasitranana, asan'ny hery, faminaniana, fahaizana manavaka ireo fanahy, karazana fiteny samihafa ary fandikana teny.

Iza no misafidy izay omena ny tsirairay?

Ny Fanahy no manome fanomezana ny tsirairay, araka izay nofidiny.

1 Corinthians 12:12

Tamin'ny inona ny Kristiana rehetra no natao batisa?

Natao batisa tamin'ny vatana iray isika rehetra ary natao hisotro amin'ny Fanahy iray.

1 Corinthians 12:18

Iza no mandamina sy mamolavola ny rantsam-batan'ny olona?

Andriamanitra no mandamina ny rantsam-batan'ny olona araka izay namolavolany azy.

1 Corinthians 12:21

Afaka miaina tsy misy an'ireo rantsam-batana tsy dia manan-danja ve isika?

Tsia. Ireo rantsam-batana izay toy ny tsy manan-danja dia zava-dehibe.

Inona no nataon'Andriamanitra an'ireo rantsam-batana ary ao anatin'izany ireo izay tsy dia manan-danja?

Andriamanitra nampikambana azy rehetra, ary nanome lanja mihoatra kokoa an'ireo izay tsy ampy izany.

1 Corinthians 12:25

Nahoana Andriamanitra no nanome lanja mihoatra kokoa ny rantsam-batana izay tsy ampy izany?

Nanao izany Izy mba tsy hisian'ny fizarana amin'ny vatana, fa mba hifampiraharaha amin'ny fitiavana mitovy ireo rantsana ireo.

1 Corinthians 12:28

Iza no notendren'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana?

Ao amin'ny fiangonana Andriamanitra dia nanendry voalohany ireo apostoly, faharoa ireo mpaminany, fahatelo ireo mpampianatra, ireo izay manao asa mahagaga, ireo fanomezam-pahasoavan'ny fahasitranana, ireo izay manome fanampiana, ireo izay manao ny asan'ny fitantanan-draharaha, ary ireo izay manana karazana fiteny samihafa.

1 Corinthians 12:30

Inona no nasain'i Paoly nokatsahan'ireo Kristiana Korintiana?

Ny fanomezana lehibe no nasainy nokatsahan'izy ireo.

Inona no nolazain'i Paoly hoe ho asehony an'ireo Kristiana Korintiana?

Nilaza izy fa hampiseho amin'izy ireo lalana tsara kokoa.

1 Corinthians 13

1 Corinthians 13:1

Ho lasa inona i Paoly raha miresaka amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely nefa tsy manam-pitiavana?

Ho lasa vy maneno na kipantsona mikarantsam-peo izy.

Ho lasa inona i Paoly raha manana ny fanomezan'ny faminaniana, mahatakatra ny marina miafina sy fahalalana rehetra ary manana finoana lehibe, nefa tsy manam-pitiavana?

Ho tsinontsinona izy.

Nahoana i Paoly no manome izay hananany rehetra hamelomana ny mahantra sy manome ny vatany mba ho dorana kanefa mbola tsy mahazo na inona na inona?

Satria raha tsy manam-pitiavana izy dia tsy hahazo na inona na inona na dia manao ireo zavatra rehetra ireo aza.

1 Corinthians 13:4

Inona avy ny toetran'ny fitiavana?

Ny fitiavana dia mahari-po sady tsara fanahy; tsy mitsiriritra na mirehareha izany; tsy miavona na manao izay tsy mahamendrika izany. Tsy tia tena izany, tsy mora tezitra, na mitanisa fahadisoana. Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana izany fa mifaly amin'ny fahamarinana. Mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, matoky amin'ny zavatra rehetra, ary miaritra ny zavatra rehetra izany.

1 Corinthians 13:8

Inona ireo zavatra sasany izay ho levona na hitsahatra?

Ny faminaniana, ny fahalalana ary izay tsy feno dia ho levona ary ny fiteny dia hitsahatra.

Inona no tsy ho tapitra mandrakizay?

Ny fitiavana no tsy ho tapitra mandrakizay.

1 Corinthians 13:11

Inona no nolazain'i Paoly ho ataony rehefa lehibe izy?

Paoly nilaza hoe rehefa lehibe izy, dia hamela ireo zavatra naha-zaza.

Inona no zavatra telo hitoetra, ary inona amin'ireo no lehibe indrindra?

Ny finoana, ny fahatokiana, ary ny fitiavana. Ny lehibe indrindra amin'ireo dia ny fitiavana.

1 Corinthians 14

1 Corinthians 14:1

Fanomezam-panahy inona no nolazain'i Paoly hoe tokony hananantsika zotom-po manokana?

Paoly nilaza fa tokony hanana zotom-po manokana amin'ny faminaniana isika.

Amin'iza ilay iray no miteny rehefa miresaka amin'ny fiteny izy?

Tsy miteny amin'ny olona izy fa amin'Andriamanitra.

Iza no atsangan'ilay iray izay maminany, ary iza no atsangan'ilay iray izay miteny amin'ny fiteny?

Ilay iray izay mamimany dia manangana olona, fa ilay iray izay miteny amin'ny fiteny dia manangana ny tenany.

1 Corinthians 14:7

Amin'ny inona no ampitahan'i Paoly ny lahateny izay tsy afaka takarina?

Ampitahainy amin'ny zava-maneno tahaka ny sodina na lokanga izay tsy mamoaka lantom-peo samihafa, ary ihany koa amin'ny trompetra izay mamoaka feo hafahafa.

1 Corinthians 14:12

Inona no nolazain'i Paoly hoe zotom-po tokony hananan'ny mpino Korintiana?

Izy nilaza fa tokony hanana zotom-po amin'ny fampiroboroboana ny fanorenana ny fiangonana izy ireo.

Inona no tokony hivavahan'ilay olona miteny amin'ny teny tsy fantatra?

Tokony hivavaka mba hahafahany mandika izany izy.

Inona no nolazain'i Paoly hoe ataon'ny fanahiny sy ny sainy rehefa mivavaka amin'ny teny tsy fantatra izy?

Paoly nilaza fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra izy, ny fanahiny dia mivavaka, fa ny sainy kosa dia tsy mamoa.

1 Corinthians 14:15

Ahoana no fomba hivavahan'i Paoly sy hihirany araka ny filazany?

Paoly nilaza fa hivavaka sy hihira tsy miaraka amin'ny fanahiny fotsiny izy fa miaraka amin'ny sainy ihany koa.

1 Corinthians 14:17

Aleon'i Paoly manao inona toy izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra arivo?

Aleony miteny amin'ny teny dimy izay azony mba hahafahany mampianatra ny hafa.

1 Corinthians 14:22

Famantarana ho an'iza ny teny sy ny faminaniana?

Ny fiteny dia famantarana ho an'ireo tsy mpino ary ny faminaniana dia famantarana ho an'ireo mpino.

Inona no ho lazain'ireo avy any ivelany sy ireo tsy mpino raha mankao anatin'ny fiangonana izy ireo ka miteny amin'ny teny tsy fantatra ny rehetra?

Hiteny izy ireo fa adala ireo mpino.

1 Corinthians 14:24

Inona no nolazain'i Paoly fa hiseho raha maminany avokoa izay ao anatin'ny fiangonana ka miditra ao ny vahiny na ny tsy mpino?

Paoly nilaza fa ny tsy mpino sy ny vahiny dia ho resy lahatra amin'izy rehetra reny, ho tsaraina amin'izay rehetra voalaza izy.

Inona no ataon'ny tsy mpino na ny vahiny raha manambara ny tsiambaratelon'ny fony ireo faminaniana ireo?

Hiankohoka amin'ny tavany izy, hidera an'Andriamanitra ary hanambara fa Andriamanitra dia tena eo amin'izy ireo.

1 Corinthians 14:26

Inona no fampianaran'i Paoly ho an'ireo izay miteny amin'ny teny tsy fantatra rehefa tafaray ireo mpino?

Hilaza izy hoe: roa na telo ihany farafahabetsany no tokony hiteny, mandeha tsirairay. Raha tsy misy iray mandika teny dia aoka ny tsirairay amin'izy ireo hitazona ny fahanginana ao am-piangonana.

1 Corinthians 14:29

Inona no fampianaran'i Paoly amin'ireo mpaminany rehefa miara-tonga ao am-piangonana izy ireo?

Paoly nilaza hoe aoka ho mpaminany roa na telo no hiteny raha mihaino am-panavahana izay lazainy ny olona hafa. Raha misy mpaminany hafa manana fahitana, ilay iray izay miteny dia tokony hangina.

1 Corinthians 14:34

Aiza ireo vehivavy no tsy mahazo alalana hiteny araka ny nolazain'i Paoly?

Paoly nilaza fa tsy mahazo alalana hiteny ao am-piangonana izy ireo.

Inona no nolazain'i Paoly hoe tokony ataon'ireo vehivavy raha maniry ny hianatra zavatra izy ireo?

Paoly nilaza azy ireo hoe manontania ny vadinareo ao an-trano.

Ahoana no fijerin'ny olona ny vehivavy miteny ao am-piangonana?

Mahamenatra izany.

1 Corinthians 14:37

Inona no nolazain'i Paoly hoe tokony eken'ireo izay mieritreritra ny tenan'izy ireo ho mpaminany na ara-panahy?

Paoly nilaza fa izy ireo dia tokony hanaiky fa ireo zavatra izay nosoratany ho an'ireo Korintiana mpino dia didin'ny Tompo.

1 Corinthians 14:39

Ahoana no fomba tokony hanaovana ny zavatra rehetra ao am-piangonana?

Ny zavatra rehetra dia tokony hatao araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana.

1 Corinthians 15

1 Corinthians 15:1

Momba ny inona no nampatsiahivan'i Paoly ireo rahalahy sy rahavavy?

Nampatsiahy azy ireo momba ny filazantsara izay nambara tamin'izy ireo izy.

Inona no fepetra tokony ho feno raha te-ho voavonjy amin'ny alalan'ny filazantsara izay notoriana tamin'izy ireo ireo Korintiana?

Paoly nilaza tamin'izy ireo fa ho voavonjy izy ireo raha mitàna mafy ny teny izay notoriana tamin'izy ireo.

1 Corinthians 15:3

Inona amin'ny ampahan'ny filazantsara no manan-danja voalohany?

Ireo ampahany manan-danja voalohany dia i Kristy maty nohon'ny otantsika araka ny Soratra masina ary Izy nalevina, fa nitsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra masina.

1 Corinthians 15:8

Iza no nisehoan'i Kristy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty?

Taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, Kristy dia niseho tamin'i Kefasy, tamin'ireo roa ambinifolo, tamin'ireo rahalahy sy rahavavy mihoatra ny dimanjato, tamin'i Jakoba, tamin'ireo apostoly rehetra ary tamin'i Paoly.

Nahoana i Paoly no milaza fa izy no kely indrindra amin'ireo apostoly?

Nilaza izany izy satria izy dia nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra.

1 Corinthians 15:12

Inona no tian'i Paoly ambara momba ny fitsanganana amin'ny maty tamin'ny sasany amin'ireo Korintiana mpino?

Te-hanambara izy fa ny sasany amin'izy ireo dia milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty.

Raha tsy misy fitsanganana amin'ny maty dia inona ihany koa no nolazain'i Paoly hoe tsy maintsy marina?

Paoly nilaza fa raha izany no izy dia na i Kristy aza tsy natsangana tamin'ny maty akory ary ny fitorian'i Paoly sy ireo hafa tahaka azy dia zava-poana ary ny finoan'ireo Korintiana ihany koa dia zava-poana.

1 Corinthians 15:18

Raha tsy nitsangana Kristy, dia inona no niseho tamin'ireo izay maty ho an'i Kristy?

Lo izy ireo.

Inona no nolazain'i Paoly hoe marina raha amin'ity fiainana ity ihany isika no manana toky amin'ny ho avy ao amin'i Kristy?

Raha izany no izy, Paoly dia milaza fa amin'ny olona rehetra, dia isika no mampahonena indrindra.

1 Corinthians 15:20

Ahoana no hiantson'i Paoly an'i Kristy?

Izy miantso an'i Kristy hoe: "voaloham-bokatr'ireo izay efa maty."

1 Corinthians 15:22

Amin'ny alalan'iza no hidiran'ny fahafatesana amin'izao tontolo izao ary amin'ny alalan'iza no hahavelona ny rehetra?

Adama no nitondra ny fahafatesana eto amin'izao tontolo izao ary amin'ny alalan'i Kristy no hahavelona ny rehetra.

Rahoviana ireo izay an'i Kristy no ho velona?

Hiseho izany rehefa tonga i Kristy.

1 Corinthians 15:24

Inona no hiseho any amin'ny farany?

Kristy dia hanolotra ny fanjakana amin'Andriamanitra ilay Ray, rehefa hanafoana ny fitsipika rehetra sy ny fahefana ary ny hery Izy.

Hafiriana no tsy maintsy hanjakan'i Kristy?

Tsy maintsy hanjaka Izy mandra-pametrany ireo fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony.

Inona no fahavalo farany ho ravàna?

Ny fahafatesana no fahavalo farany ho ravàna.

1 Corinthians 15:27

Iza no tsy tafiditra amin'ny hoe: "nametraka ny zava-drehetra teo ambany tongony izy."

Ilay iray izay mametraka ny zavatra rehetra hanaiky ny Zanaka (izy tenany) no tsy tafiditra amin'izay mampanaiky ny tenany (amin'ilay Zanaka).

Inona no ho ataon'ny Zanaka mba ho rehetra amin'ny rehetra Andriamanitra ilay Ray?

Ny Zanaka izy tenany dia hanaiky ilay iray izay nampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.

1 Corinthians 15:33

Inona no nodidin'i Paoly ho ataon'ireo Korintiana?

Izy dia nandidy azy ireo mba handinika, hiaina am-pahamarinana ary tsy hanota.

Inona no nolazain'i Paoly ny fahamenaran'ireo Korintiana?

Izy nilaza fa ny sasany amin'izy ireo dia tsy manana fahalalana an'Andriamanitra.

1 Corinthians 15:35

Inona no ampitahain'i Paoly amin'ny fananganana amin'ny maty?

Izy dia mampitaha izany amin'ny voa izay nafafy.

Inona no tsy maintsy hiseho amin'ny voa mialohan'ny hitomboan'izany?

Tsy maintsy maty izany.

1 Corinthians 15:37

Moa ve ny voa fotsiny mitovy amin'ny vatana (hazo na zava-maniry) izay tonga avy amin'ny voa?

Izay afafinao dia tsy hitovy amin'ny vatana izay hisy.

Mitovy avokoa ve ny nofo rehetra?

Tsia. Tsy ny nofo rehetra no mitovy. Ny nofon'ny olombelona, ny biby, ny vorona ary ny hazan-drano dia samihafa avokoa.

1 Corinthians 15:40

Misy karazana vatana hafa ve?

Misy ihany koa ireo vatana any an-danitra sy vatan'ny eto an-tany.

Mitovy voninahitra avokoa ve ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana?

Voninahitra iray ny an'ny masoandro, voninahitra hafa ny an'ny volana ary voninahitra hafa ny an'ireo kintana, ary ny kintana iray dia miavaka amin'ny kintana hafa ny voninahiny.

1 Corinthians 15:42

Ahoana no namafazana ny vatantsika izay mety lo?

Afafy tahaka ny vatana voajanahary izy ireny, amin'ny fahafaham-baraka sy fahalemena.

Tahaka ny ahoana isika rehefa natsangana tamin'ny maty?

Izay natsangana dia vatana ara-panahy tsy mety lo; natsangana tamim-boninahitra sy tamin-kery.

1 Corinthians 15:45

Lasa inona i Adama ilay lehilahy voalohany?

Lasa fanahy velona izy.

Lasa inona ilay Adama farany?

Tonga fanahy manome fiainana izy.

1 Corinthians 15:47

Avy aiza ilay lehilahy voalohany sy ilay lehilahy faharoa no tonga?

Ilay lehilahy voalohany dia avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny vovoka. Ilay lehilahy faharoa dia avy any an-danitra.

Endrik'iza no nahaterahantsika ary endrik'iza no ho entintsika?

Satria isika dia teraka tamin'ny endriky ny olon'ny vovoka, dia hitondra ny endriky ny olon'ny lanitra ihany koa isika.

1 Corinthians 15:50

Inona no tsy afaka mandova ny fanjakan'Andriamanitra?

Ny nofo sy ny rà no tsy afaka mandova ny fanjakan'Andriamanitra.

Inona no hiseho amintsika rehetra?

Hiova avokoa isika rehetra.

1 Corinthians 15:52

Rahoviana ary ahoana ny hafainganan'ny fiovantsika?

Rehefa hiova amin'ny fotoana iray ny feon'ny trompetra farany, ary ao anatin'ny indray mipi-maso no hiovantsika.

1 Corinthians 15:54

Inona no hiseho rehefa hitafy ny tsy mety simba ity mety simba ity ary rehefa mitafy ny tsy fahafatesana ny mety maty?

Ho voatelin'ny fandresena ny fahafatesana.

1 Corinthians 15:56

Inona no tsindron'ny fahafatesana ary inona no herin'ny fahotana?

Ny tsindron'ny fahafatesana dia ny fahotana ary ny herin'ny fahotana dia ny lalàna.

Amin'ny alalan'iza Andriamanitra no nanome voninahitra antsika?

Andriamanitra dia nanome voninahitra antsika amin'ny alalan'ny Tompontsika Jesosy Kristy.

1 Corinthians 15:58

Inona no antony nomen'i Paoly ireo rahalahy sy rahavavy Korintiana mba hiorina tsara, tsy hiozongozona, ary hiroborobo mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo?

Izy nilaza tamin'izy ireo mba hanao izany satria izy ireo mahafantatra fa ny asan'izy ireo ao amin'ny Tompo dia tsy zava-poana.

1 Corinthians 16

1 Corinthians 16:1

Iza no natoron'i Paoly lalana tahaka ny fiangonana any Korinto momban'ny fanangonana ho an'ireo olomasina?

Paoly nanoro lalana ireo fiangonan'i Galatia tahaka ny fomba nanoroana ny fiangonana any Korinto.

Ahoana no fomba hanaovan'ny fiangonana any Korinto ny fanangonana araka ny nolazain'i Paoly?

Hoy izy tamin'izy ireo hoe: amin'ny andro voalohan'ny herinandro, ny tsirairay amin'izy ireo dia tokony hanokana zavatra iray ary hitahiry izany, araka ny fahafahan'ny tsirairay, ka mba tsy hisy fanangonana rehefa tonga i Paoly.

1 Corinthians 16:3

Mankany amin'iza ny fanatitra?

Mankany amin'ireo olomasina ao Jerosalema izany.

1 Corinthians 16:5

Oviana i Paoly no nandeha tany amin'ny fiangonana any Korinto?

Nilaza izy fa ho tonga any amin'izy ireo rehefa mandalo an'i Makedonia.

1 Corinthians 16:7

Nahoana i Paoly no tsy te-hahita eo no ho eo ireo olomasina ao Korinto mandritra ny fotoana fohy?

Te-hitoetra maharitraritra miaraka amin'izy ireo i Paoly, raha avelan'ny Tompo.

Nahoana i Paoly no nandeha nipetraka tany Efesosy mandra-pahatongan'ny Pentekosta?

Paoly dia nipetraka tao Efesosy satria nisokatra ho azy ny varavarana malalaka, ary nisy fahavalo maro tao.

1 Corinthians 16:10

Inona no ho ataon'i Timoty?

Nanao ny asan'ny Tompo tahaka an'i Paoly izy.

Inona no nandidian'i Paoly ho ataon'ny fiangonana any Korinto momba an'i Timoty?

Paoly niteny ny fiangonana any Korinto mba hitandrina tsy hatahotra an'i Timoty miaraka amin'izy ireo. Paoly nilaza azy ireo mba tsy hanao tsinontsinona an'i Timoty ary ihany koa hanampy an'i Timoty amin'ny lalany amin'ny fiadanana izy ireo.

Nankaherezin'i Paoly mafy hanao inona i Apolosy?

Paoly nankahery mafy an'i Apolosy mba hamangy ireo olomasina any Korinto.

1 Corinthians 16:15

Iza teo amin'ireo Korintiana no nametraka ny tenan'izy ireo amin'ny fanompoana ireo olomasina?

Ny tokantranon'i Stefanasy no nametraka ny tenan'izy ireo amin'ny fanompoana ireo olomasina.

Inona no nolazain'i Paoly ho ataon'ireo olomasina Korintiana mikasika ny tokantranon'i Stefanasy?

Paoly niteny tamin'izy ireo mba hanaiky ny olona toy izany.

1 Corinthians 16:17

Inona no nataon'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy ho an'i Paoly?

Nameno ny tsy naha-teo an'ireo Korintiana izy ireo ary namelombelona ny fanahin'i Paoly.

1 Corinthians 16:19

Iza no nanao veloma ny fiangonana tany Korinto?

Ireo fiangonan'i Asia, Akila sy Pritsila, ary ny rahalahy sy rahavavy rehetra dia manao veloma anareo ao amin'ny fiangonana ao Korinto.

1 Corinthians 16:21

Inona no nolazain'i Paoly mikasika ireo izay tsy tia ny Tompo?

Paoly nilaza hoe: "Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy."