Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 Kings 1

2 Kings 1:1

Ahoana ny fomba nampaharatra an'i Ahazia?

Nikarapoka teo amin'ny makarakara tao amin'ny efitranony ambony tao Samaria i Ahazia, ary naratra.

2 Kings 1:3

Nahoana no tsy maintsy ho faty i Ahazia?

Naka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona i Ahazia; noho izany, dia tsy maintsy ho faty izy.

2 Kings 1:7

Inona ny akanjo nanaovan'i Elia?

Nitafy akanjo vita amin'ny volo izy ary fehikibo hoditra teo amin'ny andilany.

2 Kings 1:9

Inona no nandevina ilay kapiteny sy ireo dimampolo lahiny?

Nilatsaka avy teny amin'ny lanitra ny afo ary nandevona ilay kapiteny sy ireo dimam-polo lahiny.

2 Kings 1:13

Ahoana ny fomba nanatonan'ilay kapiteny fahatelo an'i Elia?

Niakatra ilay kapiteny fahatelo, ary nandohalika teo anoloan'i Elia, ary niangavy azy.

2 Kings 1:17

Nahoana no i Jorama no nanjaka teo amin'ny toeran'i Ahazia?

Jorama no nanomboka nanjaka teo amin'ny toeran'i Ahazia satria tsy nanan-janaka i Ahazia.

2 Kings 2

2 Kings 2:1

Tamin'ny fotoana manao ahoana no nialan'i Elia sy Elisa tao Gilgala?

Rehefa nandeha hampiakatra an'i Elia tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra i Yaveh, dia niala tao Gilgala niaraka tamin'i Elisa i Elia

2 Kings 2:3

Inona no navalin'i Elisa rehefa nilaza taminy ireo zanaky ny mpaminany fa haka ny tompony aminy i Yaveh?

Namaly Elisa hoe: "Eny, fantatro izany, fa aza miresaka momba izany."

2 Kings 2:7

Inona ny antony nahatonga ny renirano nizara tamin'ny lafiny roa?

Satria nalain'i Elia ny lambany, nahorongorony, ary nokapohiny tamin'izany ny rano, nizara tamin'ny lafiny roa ny renirano.

2 Kings 2:9

Inona no nangatahan'i Elisa?

Nangataka ny avo roa henin'ny anjara fanahin'i Elia i Elisa.

2 Kings 2:11

Ahoana ny fomba niakaran'i Elia tany an-danitra?

Niakatra tamin'ny tafio-drivotra tany an-danitra i Elia.

2 Kings 2:13

Inona no nitranga rehefa nikapoka ny rano tamin'ny lamban'i Elia i Elisa?

Rehefa nikapoka ny rano tamin'ny lamban'i Elia i Elisa, dia nisaraka tamin'ny lafiny roa ny rano ary niampita i Elisa.

2 Kings 2:15

Inona no nirian'ireo zanaky ny mpaminany ho ataon'ireo lehilahy mahery dimampolo?

Naniry ny handehan'ireo lehilahy mahery dimampolo mba hitady ny tompon'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany, sao dia nampiakarina sy natsipin'ny fanahin'i Yaveh any amin'ny tendrombohitra na any amin'ny lohasaha izy.

2 Kings 2:17

Hafiriana no nitadiavan'ireo dimampolo lahy an'i Elia?

Nandritra ny telo andro no nitadiavan'ireo dimampolo lahy an'i Elia.

2 Kings 2:19

Inona ny olana tao Jeriko?

Ratsy ny rano tao Jeriko ary tsy namokatra ny tany.

2 Kings 2:21

Ahoana ny fomba nahasitrana ilay rano?

Nivoaka nankany amin'ilay loharano i Elisa ary nanipy sira tao anatin'izany

2 Kings 2:23

Rehefa nanevateva an'i Elisa ireo tovolahy, dia inona ny ozona nihatra tamin'izy ireo?

Rehefa nanevateva an'i Elisa ireo tovolahy, dia nisy beravavy roa nivoaka avy tao an'ala ka nandratra roa amby efapolo tamin'ireo tovolahy.

2 Kings 3

2 Kings 3:1

Inona no naha samy hafa ny ratsy nataon'i Jorama sy ny ratsy nataon'ireo ray aman-dreniny?

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Jorama, fa tsy toa ny rainy sy ny reniny, satria nesoriny ny tsangam-bato masina an'i Bala izay namboarin'ny rainy.

2 Kings 3:4

Nahoana no nandao an'i Samaria i Jorama?

Nandao an'i Samaria i Jorama mpanjaka mba hanentana y Israely rehetra ho amin'ny ady.

2 Kings 3:9

Iza avy ireo tafika telo nandeha nihodidina nandritra ny fito andro?

Ny tafik'Israely, Joda, ary Edoma no nandeha nihodidina nandritra ny fito andro.

2 Kings 3:11

Inona no efa nataon'i Elisa ho an'i Elia?

Nandraraka rano teo an-tanan'i Elia i Elisa, izany hoe mpanampin'i Elia izy.

2 Kings 3:13

Inona no nahatonga an'i Elisa nihaino ny mpanjakan'Israely?

Nihaino ny mpanjakan'Israely i Elisa satria nanome voninahitra ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda izy.

2 Kings 3:15

Tamin'ny fotoana manao ahoana no tonga teo amin'i Elisa ny tanan'i Yaveh?

Rehefa nitendry ny mpitendry lokanga, dia tonga teo amin'i Elisa ny tanan'i Yaveh

2 Kings 3:20

Oviana no dibo-drano ny tany?

Ny maraina nanodidina ny fotoana fanolorana ny sorona, dia nisy rano nikoriana avy any Edoma, ary dibo-drano ny tany.

2 Kings 3:21

Iza tamin'ireo no niara-niangona mba hiady?

Ireo rehetra afaka nanao akanjo fiarovana no niara-niangona mba hiady.

Inona no tao an-tsain'ireo Moabita rehefa nahita ilay rano izy ireo?

Rehefa nahita ilay rano ireo Moabita, dia nihevitra izy ireo fa ringana ireo mpanjaka telo, ary nifamono izy ireo.

2 Kings 3:26

Inona no nataon'ny mpanjakan'i Moaba tamin'ny zanany lahimatoa?

Nalainy ny zanany lahimatoa ka natolony ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda.

2 Kings 4

2 Kings 4:1

Inona no nanjo ireo zanaky ny vadin'ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany?

Nalain'ny tompon-trosa ho andevony ny zanany roa.

2 Kings 4:3

Aiza no tokony hindrana siny ilay vehivavy?

Any amin'ireo mpiray vody rindrina aminy ilay vehivavy no tokony hindrana siny.

2 Kings 4:5

Tamin'ny fotona manao ahoana no tsy niraraka intsony ny diloilo?

Rehefa niteny ilay zanany lahy fa tsy nisy siny intsony, dia tsy niraraka intsony ny diloilo.

2 Kings 4:10

Inona no namboarin'ilay vehivavy manan-danja avy any Sonema sy ny vadiny ho an'i Elisa?

Nanamboatra efitra kely iray ambony rihana misy fandriana, latabatra, seza, ary jiro ho an'i Elisa izy ireo.

2 Kings 4:14

Inona no ho trotroin'ilay vehivavy afaka erin-taona?

Afaka erin-taona, dia nitrotro zazalahy ravehivavy.

2 Kings 4:17

Tamin'ny fotoana manao ahoana no nanomboka naharary azy ny lohan'ilay zazalahy?

Indray andro dia nandeha niaraka tamin'ny rainy, izay niaraka tamin'ireo mpijinja izy, ary naharary azy ny lohany.

Taiza no nipetraka ilay zaza mandra-pahafatiny?

Nipetraka teo am-pofoan'ny reniny izy mandra-pahafatiny.

2 Kings 4:25

Taiza no nisy ilay lehilahin'Andriamanitra?

Tany an-tendrombohitra Karmela ilay lehilahin'Andriamanitra.

Rehefa nanontany ilay vehivavy i Gehazy hoe: "milamina ve ny aminao sy ny vadinao ary ny zanakao?" dia inona no navalin'ilay vehivavy azy?

Rehefa nanontany ilay vehivavy i Gehazy hoe: "milamina ve ny aminao sy ny vadinao ary ny zanakao?" dia namaly izy hoe: "milamina tsara."

2 Kings 4:27

Inona no nataon'ilay vehivavy rehefa tonga tany amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy?

Rehefa tonga tany amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra ilay vehivavy, dia namikotra teo amin'ny tongotr'i Elisa izy.

2 Kings 4:28

Inona no tokony ho ataon'i Gehazy raha mifanena amin'ny olona izy na misy olona miarahaba?

Raha mifanena amin'ny olona i Gehazy na misy olona miarahaba azy, dia tsy tokony hamaly azy izy.

2 Kings 4:30

Inona no napetrak'i Gehazy teo amin'ny tavan'ilay zaza?

Tehina no napetrak'i Gehazy teo amin'ny tavan'ilay zaza.

2 Kings 4:32

Ahoana no nahatonga ny vatan'ilay zazalahy kely nihanafana?

Naninjitra ny tenany teo amin'ilay zaza, ka lasa nafana ny vatan'ilay zazalahy kely.

2 Kings 4:35

Inona no nataon'ilay zaza mialohan'ny nisokafan'ny masony?

Nihevona im-pito ilay zazalahy ary nanokatra ny masony.

2 Kings 4:38

Iza no nanangona tanatanamanga dia?

Ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany no nanangona tanatanamanga dia.

2 Kings 4:40

Ahoana no nanalan'i Elisa ny mahafaty tao am-bilany?

Nasian'i Elisa koba tao am-bilany.

2 Kings 4:42

Firy ny isan'ny olona nihinana ny mofo vita tamin'ny vary hordea roapolo?

100 ny isan'ny olona nihinana ny mofo vita tamin'ny vary hordea roapolo.

2 Kings 5

2 Kings 5:1

Inona no nomen'i Yaveh an'i Syria tamin'ny alalan'i Namàna?

Fandresena no nomen'i Yaveh an'i Syria tamin'ny alalan'i Namàna.

2 Kings 5:3

Iza no nolazain'ilay zazavavy fa hanasitrana ny tompony?

Ilay mpaminany any Samaria no nolazain'ilay zazavavy fa hanasitrana ny tompony.

2 Kings 5:5

Ho an'iza no nitondran'i Namàna ilay taratasy avy any amin'ny mpanjakan'i Syria?

Ho an'ny mpanjakan'Israely ilay taratasy nentin'i Namàna.

2 Kings 5:7

Inona no noheverin'ny mpanjakan'Israely fa anton'ny nahatongavan'i Namàna tany aminy mba hitady fanasitranana?

Nihevitra ny mpanjakan'Israely fa nitady hifanditra taminy izy?

2 Kings 5:8

Inona no nolazaina tamin'i Namàna fa tokony ho ataony mba ho sitrana izy?

Nasaina nandro tao amin'ny ranon'i Jordana impito i Namàna mba hadio.

2 Kings 5:11

Inona no noheverin'i Namàna fa ho ataon'i Elisa mba hahasitrana azy?

Noheverin'i Namàna fa hivoaka hanatona azy i Elisa ary hitsangana sy hiantso ny anaran'i Yaveh Andriamaniny, ary hanofahofa ny tanany amin'ilay toerana ka hanasitrana ny habokany.

2 Kings 5:13

Niverina toy ny ahoana ny nofon'i Namàna?

Niverina toy ny nofon-jazakely indray ny nofon'i Namàna.

2 Kings 5:15

Inona no tsapan'i Namàna nony sitrana izy?

Nony sitrana i Namàna, dia fantany fa tsy misy Andriamanitra manerana ny tany afa-tsy ao Israely ihany.

2 Kings 5:17

Ahoana ny fomba nangatahan'i Namàna famelana tamin'i Yaveh?

Nangataka famelana tamin'i Yaveh i Namàna rehefa nampiankohoka ny tenany tao an-tranon'i Rimona.

2 Kings 5:20

Araka ny voalazan'i Gehazy, iza ireo tonga avy any amin'ny vohitr'i Efraima?

Araka ny voalazan'i Gehazy, dia nisy tovolahy roa avy amin'ny zanak'ireo mpaminany tonga nanatona avy any amin'ny vohitr'i Efraima.

2 Kings 5:23

Inona no nafenin'i Gehazy tao an-tranony?

Ireo kitapom-bolafotsy no nafenin'i Gehazy tao an-tranony.

2 Kings 5:26

Inona no nanjo an'i Gehazy satria nandainga izy?

Lasa boka Gehazy, satria nandainga izy.

2 Kings 6

2 Kings 6:1

Nahoana ireo zanaky ny mpaminany no te-hanorim-ponenana vaovao?

Kely loatra ilay toerana izay nipetrahan'izy ireo sy Elisa, noho izany dia naniry ny hanorina toerana honenana izy ireo.

2 Kings 6:4

Inona ny antony nampanahy ilay lehilahy izay nanary ilay loha-pamaky?

Nanahy izy satria nindramina ilay famaky.

2 Kings 6:6

Ahoana ny fomba nampitsingevanan'i Elisa ilay vy?

Nanapaka tapa-kazo izy, ary nanipy izany tao anaty rano, ka nitsingevana ny vy.

2 Kings 6:12

Iza no nilaza ireo tenin'ny mpanjakan'i Syria tamin'ny mpanjakan'Israely?

Elisa no nilaza ireo tenin'ny mpanjakan'i Syria tamin'ny mpanjakan'Israely.

2 Kings 6:14

Inona ny antony ny nampanahy ny mpanompon'i Elisa?

Nanahy izy satria nahita tafika lehibe miaraka amin'ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna izy.

2 Kings 6:17

Ahoana ny fomba nitarihan'i Elisa ireo Syriana tany Samaria?

Nangataka tamin'i Yaveh i Elisa mba hahajamba azy ireo, ary avy eo dia nasain'i Elisa nanaraka azy izy ireo.

2 Kings 6:20

Taiza ireo Syriana tamin'ny fotoana nanokafan'i Yaveh ny mason'izy ireo?

Teo afovoan'ny tanànan'i Samaria ireo Syriana tamin'ny fotoana nanokafan'i Yaveh ny mason'izy ireo.

2 Kings 6:22

Inona no nataon'ny mpanjakan'Israely tamin'ireo Syriana?

Nametrahany mofo sy rano teo anoloan'izy ireo, ary nalefany nandeha izy ireo avy eo.

2 Kings 6:24

Nahoana no namidy volafotsy valopolo ny lohan'ampondra iray?

Satria nisy mosary lehibe tao Samaria, noho izany dia ka dia namidy volafotsy valopolo ny lohan'ampondra iray.

2 Kings 6:27

Inona no nolazain'ilay vehivavy tamin'ny mpanjaka fa nanahiran-tsaina azy?

Ka namaly izy hoe: "Hoy ity vehivavy ity tamiko: 'Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy anio, ary hihinana ny zanako isika rahampitso."' 29Ka nampangotrahinay ny zanako ary nohaninay, ary nilaza taminy aho ny andro manaraka hoe: "Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy, kanefa efa nafeniny ny zanany."

2 Kings 6:30

Iza no nomen'ny mpanjaka tsiny nohon'ny mosary?

Elisa no momeny tsiny.

2 Kings 6:32

Rehefa tonga tao amin'i Elisa ilay mpitondra hafatra, inona no nasainy nataon'ireo loholona?

Rehefa tonga tao amin'i Elisa ilay mpitondra hafatra, nasainy nanidy ny varavarana, sy nihazona izany ireo loholona mba tsy hidirany.

2 Kings 7

2 Kings 7:1

Inona no nolazain'i Elisa tamin'ilay kapiteny tsy nino azy?

Nilaza i Elisa fa tsy hihinana amin'ny koba sy ny vary hordea ilay kapiteny.

2 Kings 7:3

Inona ny antony nandehanan'ireo efa-dahy boka tany amin'ny tafika Syriana?

Nandeha tany amin'ny tafika Syriana ireo efa-dahy boka satria nilaza izy ireo fa mety ho faty ihany izy ireo na mankany an-tanàna, ka hijoro eo amin'ny toerana izay nisy azy ireo, na mankany amin'ny tafika Syriana.

2 Kings 7:5

Nahoana no nihevitra ireo tafika Syriana fa nanakarama ireo mpanjakan'ireo Hetita sy ireo Egyptiana ny mpanjakan'Israely mba ho avy hiady amin'ireo Syriana?

Nihevitra ireo tafika Syriana fa nanakarama ireo mpanjakan'ireo Hetita sy ireo Egyptiana ny mpanjakan'Israely mba ho avy hiady amin'ireo Syriana satria nandre feon-kalesy, sy feon-tsoavaly—ary feona tafika maro be hafa izy ireo.

2 Kings 7:9

Inona no nataon'ireo mpiambina vavahady rehefa nolazaina tamin'izy ireo fa nandao ny tobiny ireo Syriana?

Nihiaka mafy ireo vaovao ny mpiambina vavahady, dia fandaozan'ireo Syriana ny tobiny izany.

2 Kings 7:12

Inona no noheverin'ny mpanjaka ho anton'ny nandaozan'ireo Syriana ny tobin'izy ireo?

Nihevitra ny mpanjaka fa niala tao amin'ny tobiny izy ireo mba hiafina any an-tsaha. Ka rehefa mivoaka ny tanàna ireo Israelita, dia ho ataon'ireo Syriana sambo-belona, ary hidiran'izy ireo ny tanàna.

2 Kings 7:14

Inona no nandrakotra ny lalana?

Feno fitafiana sy fitaovana izay narian'i Syriana tamim-pikorompahana ny lalana rehetra.

2 Kings 7:18

Inona no nolazain'ilay kapiteny rehefa niteny i Elisa hoe: "Amin'izao fotoana izao eo am-bavahadin'i Samaria, dia azo vidina ho sekely iray ny vary hordea roa famarana, ary ho sekely iray ny koba tsara toto iray famarana."?

Hoy ilay kapiteny tamin'i Elisa hoe: "Indro, na dia hanao ireo varavaran-kely eny an-danitra aza i Yaveh, mety hitranga ve izany zavatra izany?

2 Kings 8

2 Kings 8:1

Nahoana no nipetraka tany amin'ny tanin'ireo Filistina nandritra ny fito taona ilay vehivavy renin'ilay zazalahy novelomin'i Elisa?

Nipetraka tany amin'ny tanin'ireo Filistina nandritra ny fito taona ilay vehivavy renin'ilay zazalahy novelomin'i Elisa satria nilaza i Elisa fa niantso mosary i Yaveh.

2 Kings 8:3

Nahoana no nankany amin'ny mpanjaka ilay vehivavy?

Nankany amin'ny mpanjaka ilay vehivavy mba hiangavy azy ny amin'ny tranony sy ny taniny.

2 Kings 8:5

Inona no nolazain'i Gehazy tamin'ny mpanjaka rehefa tonga ilay vehivavy renin'ilay zazalahy novelomin'i Elisa?

Nolazain'i Gehazy tamin'ny mpanjaka ny fomba nameloman'i Elisa ilay zaza efa maty.

2 Kings 8:7

Inona no nentin'i Hazaela mba homena an'i Elisa?

Nitondra karazana fanomezana tsara avy any Damaskosy izay nentina rameva efapolo i Hazaela.

2 Kings 8:10

Inona ny antony nampitomany ilay lehilahin'Andriamanitra?

Nitomany ilay lehilahin'Andriamanitra satria fantany ny ratsy izay ho ataon'i Hazaela amin'ny vahoakan'Israely?

2 Kings 8:13

Rehefa voalazan'i Hazaela tamin'ny mpanjakan'i Syria fa ho sitrana izy, dia inona no nataony tamin'i Beni-hadada mpanjaka?

Rehefa voalazan'i Hazaela tamin'i Beni-hadada mpanjaka fa ho sitrana izy, dia naka bodofotsy izy ary nanatsoboka izany tao anaty rano, ka namelatra izany teo amin'ny tavan'i Beni-hadada mba hahafaty azy.

2 Kings 8:18

Iza no vadin'i Jehorama?

Ny zanaka vavin'i Ahaba no vadin'i Jehorama.

Nahoana i Yaveh no tsy te-handrava an'i Joda?

Tsy te-handrava an'i Joda i Yaveh satria efa niteny tamin'i Davida mpanompony Izy fa hanome taranaka azy mandrakariva.

2 Kings 8:20

Oviana no nikomy nanohitra ny tanan'i Joda i Edoma?

Tamin'ny andron'i Jehorama no nikomy nanohitra ny tanan'i Joda i Edoma.

2 Kings 8:25

Nahoana no nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahazia?

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahazia, satria vinanto lahy tao amin'ny ankohonan'i Ahaba izy.

2 Kings 8:28

Taiza i Jorama no niverina mba hotsaboina amin'ny ratra izay nataon'ireo Syriana azy tany Rama?

Niverina tany Jezirela i Jorama mpanjaka mba hotsaboina.

2 Kings 9

2 Kings 9:1

Nahoana no nitondra tavoahangy kely misy diloilo teny an-tanany ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany ary nandeha tany Ramota Gileada?

Nitondra tavoahangy kely misy diloilo teny an-tanany ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany ary nandeha tany Ramota Gileada mba hanosotra an'i Jeho.

2 Kings 9:4

Iza no nandraraka ilay diloilo teo amin'ny lohan'i Jeho?

Ny mpaminany no nandraraka ilay diloilo teo amin'ny lohan'i Jeho.

2 Kings 9:7

Ahoana no namalian'i Yaveh ny ràn'ireo mpanompony?

Novonoin'i Jeho ny fianakavian'i Ahaba, izany ny fomba namalian'i Yaveh ny ràn'ireo mpanompony.

2 Kings 9:9

Inona no hanjo amin'i Jezebela?

Ny amboa no hihinana an'i Jezebela any Jezirela, ary tsy hisy olona handevina azy.

2 Kings 9:11

Inona no nataon'ireo mpanompon'ny tompon'i Jeho rehefa voahosotra ho mpanjaka izy?

Rehefa voahosotra ho mpanjaka izy, dia samy nanala aingana ny akanjony izy ireo ka nametraka izany teo ambanin'i Jeho any amin'ny farany ambonin'ny tohatra. Notsofin'izy ireo ny trompetra ary hoy izy ireo hoe: "Mpanjaka i Jeho."

2 Kings 9:14

Nahoana no niverina tany Jezirela i Jorama mpanjaka?

Niverina tany Jezirela i Jorama mpanjaka mba ho sitranina amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana azy.

2 Kings 9:17

Inona no hitan'ilay mpitily nataon'ilay mpitondra hafatra?

Hitan'ilay mpitily nitaingin-tsoavaly niaraka tamin'i Jeho ilay mpitondra hafatra.

2 Kings 9:19

Ahoana no nahafantaran'ilay mpitily fa nitondra kalesy i Jeho?

Fantatr'ilay mpitily fa nitondra kalesy i Jeho, satria nirifatra mafy izy.

2 Kings 9:21

Ahoana ny fomba nivoahan'i Jorama mba hiaona amin'i Jeho?

Nitaingina ny kalesiny avy i Jorama mpanjakan'Israely sy i Ahazia mpanjakan'i Joda, mba hihaona amin'i Jeho.

2 Kings 9:23

Inona no nitranga rehefa nitifitra ny teo anelanelan'ny sorok'i Jorama i Jeho?

Rehefa nitifitra ny teo anelanelan'ny sorok'i Jorama i Jeho dia nitsatoka teo amin'ny fony ny zana-tsipìka, ka nianjera avy teo amin'ny kalesy izy.

2 Kings 9:25

Inona ny zavatra izay efa voalaza fa hitranga tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh?

Ny fakàna an'i Jorama sy ny fanipazana azy tany anaty saha ny zavatra izay efa voalaza fa hitranga tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh.

2 Kings 9:27

Iza no nalevina tao amin'ny fasany niaraka tamin'ireo razambeny tao an-tanànan'i Davida?

Ahazia no nalevina tao amin'ny fasany niaraka tamin'ireo razambeny tao an-tanànan'i Davida

2 Kings 9:30

Inona no nitranga rehefa tonga tany Jezirela i Jeho?

Rehefa tonga tany Jezirela i Jeho, dia ren'i Jezebela izany, ary nandoko ny masony, sy nibango ny volony izy, ary nitazana teo am-baravarankely.

2 Kings 9:33

Iza no nandatsaka an'i Jezebela?

Ny tandapa no nandatsaka an'i Jezebela.

2 Kings 9:35

Nahoana no tsy nisy olona afaka nandevina an'i Jezebela?

Rehefa nandeha handevina an'i Jezebela izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy karandoha, sy tongotra, ary ny felatanany izy ireo.

2 Kings 10

2 Kings 10:1

Inona no voalaza tao anatin'ilay taratasin'i Jeho ho an'ireo loholona sy ireo mpiambina?

Izao no voalza tao: "safidio izay tsara sy mendrika indrindra amin'ireo taranaky ny tomponareo ka apetraho ho eo amin'ny seza fiandrianan-drainy izy"

2 Kings 10:4

Nahoana no tsy nametraka olona ho mpanjaka ireo loholona sy ireo mpiambina?

Tsy nametraka olona ho mpanjaka izy ireo satria tsapan'izy ireo fa na dia ireo mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehan'i Jeho.

2 Kings 10:6

Inona no nataon'ireo loholona sy mpiambina ny taranak'i Ahaba tamin'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka?

Nalain'ireo loholona sy mpiambina ny taranak'i Ahaba ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka novonoiny, olona fitopolo, nataony tao anaty sobika ny lohan'izy ireo, ary nalefany tany amin'i Jeho tany Jezirela.

2 Kings 10:10

Nahoana no nilaza i Jeho fa tsy nisy tamin'ny tenin'i Yaveh, ny teny izay nolazainy mahakasika ny fianakavian'i Ahaba, hiraraka amin'ny tany?

Nilaza i Jeho fa tsy nisy tamin'ny tenin'i Yaveh, ny teny izay nolazainy mahakasika ny fianakavian'i Ahaba, hiraraka amin'ny tany, satria Yaveh no nanao araka izay nampilazainy tamin'ny alalan'i Elia mpanompony.

2 Kings 10:12

Firy ireo rahalahin'i Ahazia nihaona tamin'i Jeho ka novoiny?

Roa amby efapolo lahy ireo rahalahin'i Ahazia nihaona tamin'i Jeho ka novoiny.

2 Kings 10:15

Nahoana no nampiakarin'i Jeho niaraka taminy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba?

Nampiakarin'i Jeho niaraka taminy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba satria niaraka tamin'i Jeho ny fony ary natolony an'i Jeho ny tanany.

2 Kings 10:18

Nahoana no nampivory mpaminan'i Bala rehetra, sy ireo mpanompo azy rehetra, ary ireo mpisorony rehetra i Jeho?

Nampivorian'i Jeho am-pitaka izy ireo, satria nikasa ny hamono ireo mpanompon'i Bala izy.

2 Kings 10:21

Tonga taiza ireo mpanompon'i Bala?

Tonga tao amin'ny tempolin'i Bala izy ireo.

2 Kings 10:23

Inona no hitranga raha toa ka misy mitsoaka ireo mpanompon'i Bala?

Raha misy tafatsoaka amin'ireo mpanompon'i Bala, izay mamela izany olona izany hitsoaka, dia ho esorina aminy ny ainy ho solon'ilay tafatsoaka.

2 Kings 10:25

Nataon'ireo mpiambina sy ireo kapiteny inona ny tranon'i Bala?

Nataon'ireo mpiambina sy ireo kapiteny trano fivoahana ny tranon'i Bala?

2 Kings 10:29

Tamin'ny fomba ahoana no tsy nandaozan'i Jeho ireo fahotan'i Jeroboama?

Tamin'ny fanompoana ireo ombilahy kely volamena tany Betela sy Dana no tsy nandaozan'i Jeho ireo fahotan'i Jeroboama.

Nahoana no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra ny taranak'i Jeho?

Satria nanao izay tsara tamin'ny fanatanterahana izay marina teo imason'i Yaveh izy, ary nanao ny fianakavian'i Ahaba araka izay rehetra tao am-pon'i Yaveh, noho izany dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra ny taranak'i Jeho.

2 Kings 10:34

Aiza no nanoratana ireo raharaha hafa rehetra mahakasika an'i Jeho?

Voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jeho, sy izay rehetra nataony, ary ny fahefany rehetra.

2 Kings 11

2 Kings 11:1

Iza no tsy matin'i Atalia?

Joasy no tsy matin'i Atalia.

2 Kings 11:4

Inona no tsy maintsy nataon'ireo mpifehy an-jaton'ireo Karita sy ilay mpiambina mialohan'ny nahitan'izy ireo ny zanaky ny mpanjaka?

Tsy maintsy nanao fanekena tamin'i Joiada ireo mpifehy an-jaton'ireo Karita sy ny mpiambina ary nanao voady tao an-tranon'i Yaveh. Ary avy eo dia nasehon'i Joiada azy ireo ny zanaky ny mpanjaka.

2 Kings 11:7

Inona no tsy maintsy ataon'ireo vondrona roa izay tsy nanompo tamin'ny andro sabata?

Ireo vondrona roa hafa izay tsy manompo amin'ny andro Sabata, dia tsy maintsy miambina ny tranon'i Yaveh ho an'ny mpanjaka.

2 Kings 11:9

Inona no nomen'i Joiada ireo mpifehy?

Ny lefona sy ny apinga izay an'i Davida Mpanjaka tao an-tranon'i Yaveh no nomen'i Joiada ireo mpifehy.

2 Kings 11:13

Nahoana no nandriatra ny akanjony i Atalia ary nihiaka mafy?

Nandriatra ny akanjony i Atalia ary nihiaka mafy satria hitany nitsangana teo akaikin'ny tsangam-bato i Joasy mpanjaka.

2 Kings 11:15

Nahoana no novonoina tao an-tranon'i mpanjaka i Atalia?

Novonoina tao an-tranon'i mpanjaka i Atalia, satria hoy ny mpisorona hoe: "Aza avela hovonoina ao an-tranon'i Yaveh izy."

2 Kings 11:17

Rehefa vitan'i Joiada ny fanekena, dia inona no nataon'ny vahoaka?

Rehefa vitan'i Joiada ny fanekena, dia narodan'ny vahoaka ny tranon'i Bala, nopotipotehin'izy ireo ny alitaran'i Bala sy ny sampy voasikony, ary novonoin'izy ireo i Matana, mpisoron'i Bala.

2 Kings 11:19

Rehefa tafapetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka i Joasy, dia inona no navalin'ny vahoaka?

Rehefa tafapetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka i Joasy, dia nifaly ny olona rehetra teo amin'ny tany.

2 Kings 12

2 Kings 12:1

Nahoana no nanao izay marina teo imason'i Yaveh tamin'ny fotoana rehetra i Joasy?

Nanao izay marina teo imason'i Yaveh tamin'ny fotoana rehetra i Joasy, satria nampianatra azy i Joiada mpanjaka.

2 Kings 12:4

Inona no nahatonga ny olona nanana fandrisihana hanome vola ho an'ny tempoly?

Ny fandrisihan'i Yaveh tao am-pon'izy ireo no nahatonga azy ireo nanome vola.

2 Kings 12:6

Nahoana i Joasy no nilaza tamin'ireo mpisorona mba tsy haka vola amin'ireo mpandoa hetra intsony?

Nilaza tamin'ireo mpisorona i Joasy mba tsy haka vola amin'ireo mpandoa hetra intsony satria tsy nanamboatra na inona na inona tao an-tempoly akory izy ireo.

2 Kings 12:9

Iza no mametraka ny vola ao am-bata?

Ireo mpisorona izay niandry ny fidirana ao an-tempoly no mametraka ny vola rehetra ao am-bata izay nentina tao an-tranon'i Yaveh.

2 Kings 12:11

Nampiasain'ireo mpiasa tamin'ny inona ny vola?

Nampiasain'ireo mpiasa mba hividianana hazo sy vato voakapa hanamboarana ny tempolin'i Yaveh, sy ho an'ny zavatra rehetra izay ilaina vidiana hanamboarana izany ny vola.

2 Kings 12:15

Nahoana no tsy nentina tao an-tranon'i Yaveh ny vola ho an'ny fanatitra nohon'ny eloka sy ny fanatitra nohon'ny ota ?

Tsy nentina tao an-tranon'i Yaveh ny vola ho an'ny fanatitra nohon'ny eloka sy ny fanatitra nohon'ny ota, satria an'ireo mpisorona izany.

2 Kings 12:17

Ahoana ny fomba nanakanan'i Joasy mpanjaka an'i Hazaela mpanjaka tsy hanafika an'i Jerosalema?

Nalain'i Joasy ny zavatra masina rehetra izay natokan'i Josafata sy Jehorama ary Ahazia ho an'i Yaveh, ireo zava-masiny, ary ireo volamena rehetra hita tao amin'ny efitra fitahirizana tao an-tranon'i Yaveh, ary nalefany tany amin'i Hazaela mpanjakan'i Syria avokoa ireo. Ka dia niala tao Jerosalema i Hazaela.

2 Kings 12:19

Iza no nanafika an'i Joasy?

Jozakara zanaka lahin'i Simata, sy Jozabada zanaka lahin'i Somera, mpanompony no nanafika an'i Joasy.

2 Kings 13

2 Kings 13:3

Nahoana no nomen'i Yaveh mpamonjy i Israely?

Satria nitalaho tamin'i Yaveh i Joahaza, ka dia nomen'i Yaveh mpamonjy i Israely.

2 Kings 13:6

Nandrava ny tafik'Israely ny mpanjakan'i Syria ary nataony toy ny inona izy ireo?

Nandrava ny tafik'Israely ny mpanjakan'i Syria ary nataony toy ny akofa hitsakitsahina amin'ny fotoa-pamoloana izy ireo.

2 Kings 13:14

Rehefa narary i Elisa, dia inona no nasainy nalain'i Joasy?

Nasainy naka tsipìka ary zana-tsipìka maromaro i Joasy

2 Kings 13:17

Inona no nitranga satria intelo ihany i Joasy no nikapoka ny tany?

Satria intelo ihany i Joasy no nikapoka ny tany, dia intelo ihany koa izy no afaka manafika an'i Syria.

2 Kings 13:20

Inona no nitranga tamin'ilay lehilahy nalevina tao amin'ny fasan'i Elisa?

Nony nahakasika ny taolan'i Elisa ilay lehilahy nalevina tao amin'ny fasan'i Elisa dia velona indray izy ary nitsangana.

2 Kings 13:22

Nahoana i Yaveh no tsy nandroaka ny Israely teo amin'ny fanatrehany?

Satria namindra fo ny Israely i Yaveh, ary nangoraka azy ireo sy nihantra azy ireo, nohon'ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Ka tsy nandrava azy ireo i Yaveh, ary tsy nandroaka azy ireo tamin'ny fanatrehany Izy.

2 Kings 14

2 Kings 14:4

Inona no nataon'i Amazia raha vantany vao tafapetraka tsara ny fitondràny?

Raha vao tafapetraka tsara ny fitondràny, dia novonoiny ireo mpanompo izay namono ny rainy, dia ny mpanjaka.

2 Kings 14:6

Nahoana no tsy novonoin'i Amazia ireo zanaky mpamono olona?

Tsy novonoin'i Amazia ireo zanaky mpamono olona satria nandidy azy i Yaveh, nanao hoe: "Tsy tokony ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo zanany ireo ray, na ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo ray aman-dreniny ireo zanany. Fa ny olona tsirairay kosa dia tokony ho vonoina nohon'ny fahotany manokana."

2 Kings 14:8

Inona no nanosihosy ilay tsilo?

Ny bibidia avy tao Libanona no nanosihosy ilay tsilo.

2 Kings 14:13

Inona no nalain'i Joasy tao Jerosalema?

Nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra, ireo zavatra rehetra hita tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo zavatra manan-danja rehetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aina ihany koa.

2 Kings 14:17

Ahoana ny fomba nahafatesan'i Amazia?

Nanao tetika hanoherana an'i Amazia tao Jerosalema izy ireo, ary nandositra tany Lakisy izy. Nandositra tany Lakisy izy, saingy nandefa lehilahy hanaraka azy tany Lakisy izy ireo ary namono azy tany.

2 Kings 14:20

Nataon'i Amazia inona i Elota?

Nanamboatra an'i Elota indray izy ary namerina izany tamin'ny laoniny tao Joda.

2 Kings 14:23

Tamin'ny alalan'iza no nandrenesan'i Jeroboama fa hamerina ny sisin-tanin'Israely nanomboka teo Lebo Hamata ka hatrany amin'ny Ranomasin'ny Arabaha izy.

Tamin'ny alalan'i Jona zanak'i Amitahy, mpaminany no nandrenesany fa hamerina ny sisin-tanin'Israely nanomboka teo Lebo Hamata ka hatrany amin'ny Ranomasin'ny Arabaha izy.

2 Kings 14:26

Satria hitan'i Yaveh fa tsy nisy mpanavotra ny Israely, ahoana ny fomba nanavotany azy ireo?

Satria hitan'i Yaveh fa tsy nisy mpanavotra ny Israely, dia navotan'i Yaveh teo amin'ny tanan'i Jeroboama zanak'i Joasy izy ireo.

2 Kings 15

2 Kings 15:4

Ahoana ny fomba nampahorian'i Yaveh an'i Ozia Mpanjaka?

Nampahory ny mpanjaka i Yaveh hany ka boka hatramin'ny andro nahafatesany izy ary nipetraka tao amina trano misara-toerana.

2 Kings 15:6

Iza no lasa mpanjaka teo amin'ny toeran'i Ozia?

Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.

2 Kings 15:10

Taiza no namonoan'i Saloma an'i Zakaria?

Tany Ibleama no namonoan'i Saloma an'i Zakaria.

Hafiriana no hipetrahan'ireo taranak'i Jeho eo amin'ny seza fiandrianan'Israely?

Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra mandimby ny taranak'i Joasy.

2 Kings 15:13

Nahoana no iray volana monja no nanjakan'i Saloma tao Samaria?

Iray volana monja no nanjakan'i Saloma tao Samaria satria novonoin'i Menahema zanak'i Gady izy.

2 Kings 15:15

Nahoana no nanafika an'i Tifsa sy izay rehetra tao i Menahema?

Nanafika an'i Tifsa sy izay rehetra tao i Menahema satria tsy novohain'izy ireo ho azy ny tanàna.

2 Kings 15:19

Ahoana ny fomba nanangonan'i Menahema talenta volafotsy arivo homena an'i Pola?

Tamin'ny fitakiana tamin'ny olona manan-karena tsirairay mba handoa sekely volafotsy dimam-polo homena azy no nanangonan'i Menahema talenta volafotsy arivo homena an'i Pola.

2 Kings 15:25

Iza no namono an'i Pekaia?

Peka no namono an'i Pekaia.

2 Kings 15:29

Nahoana no nandrafitra fikononkononana hanohitra an'i Peka i Hosea?

Nandrafitra fikononkononana hanohitra an'i Peka i Hosea satria tonga naka tanàna maro i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria.

2 Kings 15:34

Ny ohatra an'iza no narahin'i Jotama?

Ny ohatran'i Ozia rainy no narahin'i Jotama.

2 Kings 16

2 Kings 16:3

Nataon'i Ahaza inona ny zanany lahy?

Nataon'i Ahaza tao anaty afo ho sorona dorana ny zanany lahy, tamin'ny fanarahana ireo fampianarana ratsin'ireo firenena.

2 Kings 16:5

Inona no tsy vitan'i Rezina natao rehefa nanafika an'i Jerosalema izy?

Rehefa nanafika an'i Jerosaelma i Rezina, dia tsy nahavita nandresy an'i Ahaza izy.

2 Kings 16:7

Inona ny fanomezana nomen'i Ahaza ho an'ny mpanjakan'i Asyria?

Nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hitany tao an-tranon'i Yaveh sy teo amin'ireo zava-tsarobidin'ny lapan'ny mpanjaka ary nalefany ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.

2 Kings 16:10

Ny alitara taiza no tian'i Ahaza mba ho alain'i Oria tahaka?

Ny alitara tao Damaskosy ny tian'i Ahaza halaina tahaka.

2 Kings 16:13

Iza no nanao ny fanatitra dorana sy ny fanatitra vary?

Ny mpanjaka no nanao ny fanatitra dorana sy ny fanatitra vary.

2 Kings 16:15

Inona ny antony nanaovana ny alitara varahina?

Ny antony nanaovana ny alitara varahina dia mba hahafahan'i Ahaza mangataka ny fanampian'i Yaveh.

2 Kings 16:17

Nahoana no nalàn'i Ahaza ireo fandrakofana ho an'ny Sabata izay efa namboarin'izy ireo tao an-tempoly, mbamin'ny fidiran'ny mpanjaka teo ivelan'ny tempolin'i Yaveh?

Nalàn'i Ahaza ireo fandrakofana ho an'ny Sabata izay efa namboarin'izy ireo tao an-tempoly, mbamin'ny fidiran'ny mpanjaka teo ivelan'ny tempolin'i Yaveh, nohon'ny mpanjakan'i Asyria.

2 Kings 17

2 Kings 17:1

Inona no nataon'i Hosea rehefa lasa mpanompon'i Salmaesera izy?

Rehefa lasa mpanompon'i Salmaesera i Hosea dia naneho fanajana lehibe taminy izy.

2 Kings 17:4

Ahoana ny fomba nanaovan'i Hosea tetika hamelezana an'i Salmanesera?

Tamin'ny fandefasana mpitondra hafatra tany amin'ny So, mpanjakan'i Egypta no nanaovan'i Hosea tetika hamelezana an'i Salmanesera.

2 Kings 17:7

Nahoana no nitranga ny fahababoana?

Nitranga ny fahababoana satria nanota tamin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ny vahoakan'Israely.

2 Kings 17:11

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy azon'ireo Israelita atao?

Nilaza i Yaveh fa tsy azon'izy ireo atao ny manompo sampy.

2 Kings 17:13

Tamin'ny alalan'iza no nanaovan'i Yaveh fanambarana tamin'ny Israely sy Joda?

Tamin'ny alalan'ireo mpaminany no nanaovan'i Yaveh fanambarana tamin'ny Israely sy Joda.

2 Kings 17:14

Mafiloha tahaka an'iza ireo Israelita?

Mafiloha tahaka ireo razany izay tsy nahatoky an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo tokoa ireo Israelita.

2 Kings 17:16

Nahoana no nivarotra ny tenany ireo Israelita?

Nivarotra ny tenany izy ireo mba hanaovana izay ratsy teo imason'i Yaveh.

2 Kings 17:21

Nahoana no nesorin'i Yaveh teo imasony ny Israely?

Nanaraka ny fahotan'i Jeroboama rehetra ny vahoakan'Israely ary tsy niala tamin'ireny izy ireo, noho izany dia nesorin'i Yaveh teo imasony ny Israely.

2 Kings 17:24

Nahoana no nandefasan'i Yaveh liona teo amin'ireo firenena vaovao tao Samaria?

Tsy nanome voninahitra an'i Yaveh ireo firenena tao Samaria, ka noho izany dia nandefasan'i Yaveh liona teo amin'izy ireo.

2 Kings 17:27

Inona no nampianaran'ny mpisorona ireo olona vaovao tao Betela?

Ny fomba tokony hanomezana voninahitra an'i Yaveh no nampianaran'ny mpisorona ireo olona vaovao tao Betela.

2 Kings 17:29

Taiza no nametrahan'ireo andiana foko ny andriamanitra izay namboarin'izy ireo?

Teo amin'ny toerana masina izay nahorin'ireo Samaritana no nametrahan'ireo andiana foko ny andriamanitra izay namboarin'izy ireo.

2 Kings 17:32

Ankoatra ireo andriamanitr'izy ireo, iza ihany koa no nomen'ireo firenena vaovao tao Israely voninahitra?

Nanome voninahitra an'i Yaveh ireo firenena vaovao.

2 Kings 17:34

Nahoana no tsy nanome voninahitra an'i Yaveh ireo olona vaovao tao Israely?

Tsy nanome voninahitra an'i Yaveh ireo olona vaovao tao Israely satria nandidy azy ireo Izy fa tsy mahazo matahotra andriamanitra hafa izy ireo.

2 Kings 17:39

Nahoana no tsy nihaino ireo firenena tao Israely?

Tsy nihaino ireo firenena tao Israely satria nanohy izay efa fanaon'izy ireo tamin'ny andro lasa izy ireo.

2 Kings 18

2 Kings 18:4

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely ho an'ilay menarana varahina nataon'i Mosesy?

Nandoro ditin-kazo manitra ho an'ilay menarana varahina nataon'i Mosesy ny vahoakan'Israely?

2 Kings 18:9

Nandritra ny hafiriana no nanafihan'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria an'i Samaria?

Nandritra ny telo taona no nanafihan'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria an'i Samaria.

2 Kings 18:11

Nahoana no nentin'ny mpanjakan'i Asyria tany Asyria ny Israely.

Nentin'ny mpanjakan'i Asyria tany Asyria ny Israely satria tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamaniny izy ireo.

2 Kings 18:13

Taiza no nakan'i Hezekia ny volafotsy nomena ny mpanjakan'i Asyria?

Tao amin'ireo tranon'i Yaveh sy tao amin'ireo fitoeran-java-tsarobidin'ny lapan'ny mpanjaka no nakan'i Hezekia ny volafotsy nomena ny mpanjakan'i Asyria.

2 Kings 18:16

Taiza no niantsoan'i Tartana sy Raba-sarisa ary ny lehiben'ny mpifehy an'i Hezekia Mpanjaka?

Teo amin'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, teo an-dalamben'ny sahan'ny mpamotsy lamba no niantsoan'i Tartana sy Raba-sarisa ary ny lehiben'ny mpifehy an'i Hezekia Mpanjaka.

2 Kings 18:19

Inona no hitranga raha miantehitra amin'i Egypta ny olona iray?

Raha miantehitra amin'i Egypta ny olona iray, dia hiraikitra eo amin'ny tanany izany ka handoaka izany.

2 Kings 18:22

Inona ny fanomezana homen'ny mpanjakan'i Asyria?

Nanolotra soavaly roa arivo ny mpanjakan'i Asyria, raha toa ka mahita mpitaingina azy ireo i Hezekia.

2 Kings 18:24

Inona no nasain'i Yaveh nataon'ny mpanjakan'i Asyria?

Nasain'i Yaveh nanafika sy nandrava an'i Joda ny mpanjakan'i Asyria.

2 Kings 18:26

Inona ny fiteny nasain'i Eliakima, Sebna, ary Joa hiresahan'ilay lehiben'ny mpifehy?

Nasain'i Eliakima, Sebna, ary Joa niresaka tamin'ny fiteny Syriana ilay lehiben'ny mpifehy.

2 Kings 18:28

Tamin'ny fiteny inona no nihikan'ilay lehiben'ny mpifehy?

Tamin'ny fiteny Jiosy no nihikan'ilay lehiben'ny mpifehy.

2 Kings 18:31

Inona no navelan'ny mpanjakan'i Asyria nataon'ireo izay nihavana taminy?

Navelany samy hihinana amin'ny voalobony sy ny hazon'aviaviny, ary hisotro ny rano ao amin'ny famorian-dranony ireo izay nihavana taminy.

2 Kings 18:36

Inona no nandidian'i Hezekia mpanjaka?

Nandidy ny vahoaka ny mpanjaka mba tsy hamaly ny lehiben'ny mpifehy.

2 Kings 19

2 Kings 19:1

Inona no nataon'i Hezekia mpanjaka rehefa nandre ny tatitra izy?

Rehefa ren'i Hezekia ny tatitra dia nandrovitra ny akanjony izy, ka nitafy ny akanjo fisaonana, ary niditra tao an-tranon'i Yaveh.

2 Kings 19:3

Inona no nolazain'i Hezekia fa tokony hataon'i Yaveh?

Nilaza i Hezekia fa tokony handre ny tenin'i Rabsake rehetra i Yaveh ary aoka hiteny mafy ireo teny izay reny i Yaveh.

2 Kings 19:5

Inona no ho ataon'i Yaveh mba hanakanana ny mpanjakan'i Asyria?

Hametraka fanahy ao aminy i Yaveh, ary handre siosio ny mpanjaka ka hiverina any amin'ny taniny izy.

2 Kings 19:10

Raha araka ny hevitr'i Sankeriba, ahoana ny fomba hamitahan'i Yaveh an'i Hezekia?

Raha araka ny hevitr'i Sankeriba, dia hamitaka an'i Hezekia i Yaveh amin'ny fitenenana hoe: "Jerosalema dia tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria."

2 Kings 19:14

Taiza no nanokafan'i Hezekia ilay taratasy avy tany amin'ireo mpitondra hafatra?

Tao an-tranon'i Yaveh no nanokafan'i Hezekia ilay taratasy avy tany amin'ireo mpitondra hafatra.

2 Kings 19:19

Nahoana i Yaveh no tokony hanavotra ny vahoakan'i Joda?

Tokony hanavotra ny vahoakan'i Joda i Yaveh mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra eto an-tany fa Yaveh ilay Andriamanitra tokana.

2 Kings 19:20

Nanandra-peo nanohitra an'iza ny mpanjakan'i Asyria?

Nanandra-peo nanohitra an'ilay Masin'Israely ny mpanjakan'i Asyria.

2 Kings 19:23

Izano no nilaza fa efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra tao ambany faladiany?

Sankeriba no nilaza fa efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra tao ambany faladiany izy.

2 Kings 19:25

Iza no efa namaritra hatry ny ela fa horavavara ireo tanàna mimanda?

Yaveh no efa namaritra hatry ny ela fa horavavara ireo tanàna mimanda?

2 Kings 19:27

Inona no ho ataon'i Yaveh eo amin'ny oron'i Sankeriba?

Hametraka ny farangony eo amin'ny oron'i Sankeriba i Yaveh.

2 Kings 19:29

Inona no ho famantarana ho an'i Hezekia?

Izao no ho famantarana ho an'i Hezekia: Hihinana zavatra maniry tsinahy ny vahoakan'i Joda, ary ny taona manaraka dia ny dimbin'izany.

2 Kings 19:32

Nahoana no hiaro an'i Jerosalema i Yaveh?

Hiaro an'i Jerosalema i Yaveh nohon'ny Aminy sy nohon'ny amin'i Davida mpanompony.

2 Kings 19:35

Ahoana ny fomba niarovan'i Yaveh an'i Jerosalema?

Nanafika ny tobin'ireo Asyriana ny anjelin'i Yaveh, ka nahafaty miaramila 185.000.

2 Kings 20

2 Kings 20:1

Inona no nasain'i Yaveh nataon'i Hezekia satria efa ho faty izy?

Nasain'i Yaveh nandrindra ny tranony i Hezekia satria efa ho faty izy.

2 Kings 20:4

Nahoana no nositranin'i Yaveh i Hezekia?

Satria ren'i Yaveh ny vavak'i Hezekia ary hitany ny ranomasiny, dia nanasitrana azy Izy.

2 Kings 20:6

Ahoana ny fomba nahasitrana an'i Hezekia?

Napetrany tamin'ny vai-ny ny fehezan'aviavy, dia sitrana izy.

2 Kings 20:10

Ahoana ny fomba nanovan'i Yaveh ny aloka?

Nentiny nihemotra dingana folo ny aloka, avy tany amin'ny nihetsehany teo amin'ny tohatr'i Ahaza.

2 Kings 20:12

Inona no nasehon'i Hezekia tamin'ireo mpitondra hafatra avy any amin'ny mpanjakan'i Babylona?

Ny zava-drehetra tao an-tranony sy tao amin'ny fanjakany nasehon'i Hezekia tamin'izy ireo.

2 Kings 20:16

Inona no hitranga amin'ireo zanaka lahy avy amin'i Hezekia?

Haka ireo zanaka lahy izay teraka avy aminy ny vahoakan'i Babylona, ary ho lasa tandapa ao amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.

2 Kings 20:19

Nahoana no nihevitra i Hezekia fa tsara ny tenin'i Yaveh?

Nihevitra i Hezekia fa tsara ny tenin'i Yaveh satria hisy fiadanana sy filaminana amin'ny fiainany.

2 Kings 21

2 Kings 21:1

Inona no naverin'i Manase naorina?

Ireo toerana masina izay noravan'i Hezekia rainy no naverin'i Manase naorina.

2 Kings 21:4

Tamin'iza i Manase no naka hevitra?

Tamin'ireo izay miresaka amin'ny maty sy ireo izay miresaka amin'ny fanahy i Manase no naka hevitra.

2 Kings 21:7

Inona no napetrak'i Manase tao an-tranon'i Yaveh?

Ny sary sokitr'i Astarta izay namboariny no napetrak'i Manase tao an-tranon'i Yaveh.

2 Kings 21:10

Nanao ratsy mihoatra an'iza i Manase?

Nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ireo Amorita i Manase.

2 Kings 21:13

Nahoana no ho lasa lasibatra sy babo ho an'ireo fahavalony rehetra ireo sisa tavela?

Ho lasa lasibatra sy babo ho an'ireo fahavalony rehetra ireo sisa tavela satria nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ireo, ary nihantsy Azy tamin'ny fahatezerana.

2 Kings 21:16

Nandatsa-drà tsy manan-tsiny firy i Manase?

Nandatsa-drà tsy manan-tsiny maro be i Manase, mandra-pahafenony fahafatesana nanerana an'i Jerosalema.

2 Kings 21:21

Ahoana ny fomba nahafatesan'i Amona?

Nitetika hanohitra an'i Amona ireo mpanompony ary namono ny mpanjaka tao an-tranony ihany izy ireo.

2 Kings 21:24

Taiza no nalevina i Amona?

Tao amin'ny fasany tao an-jaridainan'i Oza no nalevina i Namona.

2 Kings 22

2 Kings 22:1

Taiza no nandehanan'i Josia?

Nandeha tamin'ireo lalana rehtran'i Davida razambeny izy, ary tsy nivily lalana niankavia na niankavanana i Josia.

2 Kings 22:3

Inona no nirian'i Josia mba homen'i Hilkia an'ireo mpiasa izay tao an-tranon'i Yaveh?

Ny vola izay nentina tao an-tranon'i Yaveh no nirian'i Josia mba homen'i Hilkia an'ireo mpiasa izay tao an-tranon'i Yaveh.

2 Kings 22:6

Nahoana no tsy notakiana ny antontan'ny vola izay nomena an'ireo mpiasa?

Tsy notakiana ny antontan'ny vola izay nomena an'ireo mpiasa satria nitantana izany tam-pahatokiana izy ireo.

2 Kings 22:8

Inona no hitan'i Hilkia tao an-tranon'i Yaveh?

Ny bokin'ny lalàna no hitan'i Hilkia tao an-tranon'i Yaveh.

2 Kings 22:11

Rehefa nandre ireo tenin'ny lalàna ny mpanjaka, dia inona no nataony?

Rehefa nandre ireo tenin'ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny akanjony izy.

2 Kings 22:14

Taiza i Holda no nipetraka?

Nipetraka tao Jerosalema tao amin'ny faritra faharoa izy.

2 Kings 22:17

Nahoana no nihaino ny mpanjakan'i Joda i Yaveh?

Nihaino ny mpanjakan'i Joda i Yaveh satria tso-po i Joda, satria nanetry tena teo anatrehan'i Yaveh izy, ary satria nandriatra ny akanjony sy nitomany teo anatrehan'i Yaveh izy.

2 Kings 22:20

Inona no tsy ho hitan'ny mpanjakan'i Joda?

Ireo loza rehetra izay ho entin'i Yaveh amin'ilay toerana sy ny mponina ao aminy no tsy ho hitan'ny mpanjakan'i Joda.

2 Kings 23

2 Kings 23:1

Teo an-tsofin'iza no namakian'ny mpanjaka ny tenin'ny bokin'ny fanekena rehetra?

Teo an-tsofin'ireo lehilahin'i Joda rehetra sy ireo mponin'i Jerosalema rehetra, ireo mpisorona, mpaminany, ary ny olona rehetra, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe no namakian'ny mpanjaka ny tenin'ny bokin'ny fanekena rehetra.

2 Kings 23:3

Inona no neken'ny vahoaka fa ho atao?

Nanaiky hankato ny fanekena ny vahoaka rehetra.

2 Kings 23:4

Inona no nodoran'ny mpanjaka tany ivelan'i Jerosalema tany an-tsaha tao amin'ny lohasahan'i Kidrona?

Ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta no nodoran'ny mpanjaka tany ivelan'i Jerosalema tany an-tsaha tao amin'ny lohasahan'i Kidrona.

2 Kings 23:6

Ny efitranon'iza no nodiovin'ny mpanjaka?

Ireo efitranon'ireo lehilahy mpivavaka mivaro-tena izay tao an-tempolin'i Yaveh no nodiovin'ny mpanjaka.

2 Kings 23:8

Taiza ireo mpisorona izay nandoro ny ditin-kazo manitra no navela nihinana ny mofo tsy misy masirasira

Tany Jerosalema ireo mpisorona izay nandoro ny ditin-kazo manitra no navela nihinana ny mofo tsy misy masirasira.

2 Kings 23:10

Taiza ireo soavaly izay nomen'ny mpanjakan'i Joda ny masoandro?

Teo amin'ny faritra teo amin'ny fidirana ho ao an-tempolin'i Yaveh, akaikin'ny efitranon'i Natana-meleka ireo soavaly izay nomen'ny mpanjakan'i Joda ny masoandro.

2 Kings 23:12

Iza no nanorina ny tendrombohitry ny faharatsiana?

Solomona mpanjakan'Israely no nanorina ny tendrombohitry ny faharatsiana.

2 Kings 23:15

Nahoana no nandoro taolana teo amin'ny alitaran'i Betela i Josia?

Nandoro taolana teo amin'ny alitaran'i Betela i Josia mba handotoana izany.

2 Kings 23:17

Ny taolan'iza no tsy nafindran'i Josia?

Ny taolan'ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Joda sy ilay mpaminany avy any Samaria no tsy nafindran'i Josia.

2 Kings 23:21

Oviana no nisy fankalazana ny Paska toy izany?

Tsy nisy fankalazana ny Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ireo mpitsara izay nanapaka teo amin'Israely, na tamin'ny andron'ireo mpanjaka izay nanapaka ny Israely, na tamin'ireo andron'ireo mpanjakan'ny Israely na Joda rehetra.

2 Kings 23:24

Ahoana ny fomba niverenan'i Josia tamin'i Yaveh?

Niverina tamin'i Yaveh tamin'ny fony rehetra, ny fanahiny rehetra, ary ny heriny rehetra i Josia.

2 Kings 23:26

Tsy nitsahatra tamin'ny inona i Yaveh?

Tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany lehibe i Yaveh.

2 Kings 23:28

Iza no nandeha niady tamin'ny mpanjakan'i Asyria tany amin'ny reniranon'i Eofrata?

Farao-neko, mpanjakan'i Egypta no nandeha niady tamin'ny mpanjakan'i Asyria tany amin'ny reniranon'i Eofrata.

2 Kings 23:31

Nahoana no nofatoran'i Farao-neko tamin'ny rojo tao Ribla tao amin'ny tanin'i Hamata i Joahaza?

Nofatoran'i Farao-neko tamin'ny rojo tao Ribla tao amin'ny tanin'i Hamata i Joahaza mba tsy hahafahany manjaka ao Jerosalema.

2 Kings 23:34

Ahoana ny fomba nahazoan'i Joiakima vola haloa amin'i Farao?

Nampandoa hetra ny tany i Joiakima mba hahafahany manome vola an'i Farao.

2 Kings 24

2 Kings 24:1

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony?

Nilaza tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony i Yaveh fa horavan'ireo tarika Kaldeana, Syriana, Moabita ary Amonita i Joda.

2 Kings 24:3

Inona ny heloka tsy navelan'i Yaveh?

Tsy vonona ny hamela ny fandatsahan-drà izay nameno an'i Jerosalema nataon'i Manase i Yaveh?

2 Kings 24:7

Inona ny antony nahatonga ny mpanjakan'i Egypta tsy nanafika tany ivelan'ny taniny intsony?

Tsy nanafika tany ivelan'ny taniny intsony ny mpanjakan'i Egypta, satria ny mpanjakan'i Babylona dia efa nandresy ny tany rehetra izay teo ambany fifehezan'ny mpanjakan'i Egypta.

2 Kings 24:10

Oviana no nosamborin'i Nebokadnezara i Joiakina?

Tamin'ny taona fahavalo nanjakan'i Nebokadnezara no nosamboriny i Joiakina.

2 Kings 24:13

Iza sisa no tavela tao amin'ny tany?

Ireo olona mahantra indrindra sisa no tavela tao amin'ny tany.

2 Kings 24:15

Novain'ny mpanjakan'i Babylona ho iza ny anaran'i Matania?

Novain'ny mpanjakan'i Babylona ho Zedekia ny anaran'i Matania.

2 Kings 25

2 Kings 25:1

Nahoana no tsy nisy sakafo ho an'ny vahoakan'ny tany?

Satria namely mafy ny mosary tao an-tanàna ka tsy nisy sakafo ho an'ny vahoakan'ny tany.

2 Kings 25:4

Taiza ireo lehilahy mpiady no nandositra?

Teo amin'ny lalan'ny vavahady teo anelanelan'ireo rindrina roa, izay eo amin'ny zaridainan'ny mpanjaka ireo lehilahy mpiady no nandositra.

2 Kings 25:6

Inona no nanjo an'i Zedekia rehefa avy novonoina ireo zanany lahy?

Rehefa avy novonoina ireo zanany lahy dia nopotsirin'ireo Kaldeana ny masony, nofatorany tamin'ny rojo varahina izy, ary nentiny tany Babylona.

2 Kings 25:8

Iza no nandrava ireo rindrina manodidina an'i Jerosalema?

Ireo tafika Babyloniana izay teo ambany fifehezan'ny lehiben'ireo mpiambina no nandrava ireo rindrina manodidina an'i Jerosalema.

2 Kings 25:11

Nahoana no namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra ny mpiambina?

Namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra ny mpiambina mba hiasa ny tanim-boaloboka sy ireo saha.

2 Kings 25:16

Nanao ahoana ny habetsaky ny varahina hita tao amin'ireo tsanganana?

Nahitana varahina tsy hita ho lanjaina ireo tsanganana roa.

2 Kings 25:20

Nataon'ny mpanjakan'i Babylona inona ireo olona nataon'ny lehiben'ny mpiambina tao an-tranomaizina?

Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.

2 Kings 25:22

Iza no nasain'i Nebokadnezara nisahana ny vahoaka sisa tavela tao amin'ny tanin'i Joda?

Gedalia no nasain'i Nebokadnezara nisahana ny vahoaka sisa tavela tao amin'ny tanin'i Joda.

2 Kings 25:25

Nahoana no nande tany Egypta ny vahoaka rehetra sy ireo mpifehy?

Nande tany Egypta ny vahoaka rehetra sy ireo mpifehy, satria natahotra ireo Babyloniana izy ireo.

2 Kings 25:27

Oviana no nafahana tao an-tranomaizina i Joiakina?

Tamin'ny fahafito amby telopolo taona naha-sesitany an'i Joakina, tamin'ny taona nanombohan'i Evila-merodaka nanjaka no nafahana tao an-tranomaizina i Joiakina.

2 Kings 25:28

Inona no nataon'i Joiakina nandritra ny androm-piainany ?

Nihinana teo amin'ny latabatry ny mpanjaka nandritra ny androm-piainany i Joiakina. Nomena solon-tsakafo isan'andro izy nandritra ny androm-piainany.