Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Ezra 1

Ezra 1:1

Iza no notendren'i Yaveh mba hanorina trano ho Azy any Jerosalema any Joda?

Nanendry an'i Kyrosy mba hanorina trano ho Azy any Jerosalema any Joda i Yaveh.

Ezra 1:3

Iza no hamatsy volafotsy sy volamena ireo sisa velona amin'ny tany?

Ny vahoaka izay ao amin'ny faritry ny fanjakana izay hipetrahan'ireo sisa velona tamin'ny tany no hamatsy volafotsy sy volamena azy ireo.

Ezra 1:7

Taiza no nametrahan'i Nebokadnezara ireo zavatra izay tao an-tranon'i Yaveh?

Nametraka ireo zavatra izay an'ny tranon'i Yaveh tao an-tranon'andriamaniny ihany i Nebokadnezara.

Ezra 1:9

Zavatra volamena sy volafotsy firy no nentin'i Sesbazara rehefa niainga avy any Babylona mba hankany Jerosalema ireo sesitany?

Nitondra zavatra volamena sy volafotsy 5.400 i Sesbazara rehefa nandeha avy any Babylona hankany Jerosalema ireo sesitany.

Ezra 2

Ezra 2:1

Iza no nandefa sesitany ny vahoaka tany Babylona?

Nebokadnezara mpanjaka no nandefa sesitany ny vahoaka tany Babylona.

Ezra 2:61

Nahoana no tsy nahita ny tetiaran'izy ireo tao amin'ny rakitra an-tsoratra ny sasany tamin'ireo taranak'ireo mpisorona?

Tsy nahita ny tetiaran'izy ireo tao amin'ny rakitra an-tsoratra ny sasany tamin'ireo taranak'ireo mpisorona satria nandoto ny fisoronany izy ireo.

Rahoviana vao afaka mihinana ny sasany amin'ireo sorona masina ny taranak'ireo mpisorona?

Afaka mihinana ny sasany amin'ireo sorona masina ny taranak'ireo mpisorona aorian'ny aneken'ny mpisorona iray izay mitondra ny Orima sy Tomima.

Ezra 2:70

Taiza ny vahoakan'Israely rehetra?

Tao amin'ireo tanànany avokoa ny vahoakan'Israely rehetra.

Ezra 3

Ezra 3:1

Nahoana no nanangana ary namboatra ny alitaran'Andriamanitr'Israely i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy ireo mpisorona rahalahiny, ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, mbamin'ireo rahalahiny?

Nanangana sy nanamboatra ny alitara mba hanolorana fanatitra dorana araka ny nandidian'ny Lalàn'i Mosesy izy ireo.

Ezra 3:3

Impiry i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy ireo mpisorona rahalahiny ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela mbamin'ireo rahalahiny no manolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh?

Manolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh vao mangiran-dratsy sy amin'ny hariva izy ireo.

Ezra 3:6

Iza no namela ireo hazo sedera mba halefa avy any Libanona ka hatrany Jopa an-dranomasina?

Kyrosy, mpanjakan'i Persia no namela ireo hazo sedera mba halefa avy any Libanona ka hatrany Jopa an-dranomasina.

Ezra 3:8

Oviana no nanomboka ny asa?

Nanomboka tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nandehanan'ireo Israelita tao an-tranon'Andriamanitra tao Jerosalema ny asa.

Ezra 3:10

Tamin'ny fomba ahoana no namalian'ny vahoaka satria voapetraka ny fototry ny tempoly?

Nihiaka mafy tamin'ny hiakam-pifaliana tamin'ny fiderana an'i Yaveh ny vahoaka rehetra satria voapetraka ny fototry ny tempoly.

Ezra 3:12

Ahoana no namalian'ireo izay nahita ny trano voalohany rehefa voapetraka teo imason'izy ireo ny fototry ny trano?

Ireo izay nahita ny trano voalohany dia nitomany mafy rehefa voapetraka teo imason'izy ireo ny fototry ny trano. Nefa maro no nihiaka am-pifaliana tam-piravoravoana sy tamin'ny feo mangitakitaka.

Ezra 4

Ezra 4:1

Inona no ren'ireo fahavalon'i Joda sy Benjamina sasany fa nataon'ny vahoaka izay natao sesitany?

Ny sasany tamin'ireo fahavalon'i Joda sy Benjamina dia nandre fa manorina tempoly ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ankehitriny ny vahoaka izay natao sesitany.

Ezra 4:4

Nandritra ny hafiriana no nanaovan'ireo fahavalo ny tanan'ireo Jodiana halemy?

Nataon'izy ireo malemy nandritra ny andron'i Kyrosy rehetra sy tamin'ny fanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia ny tanan'ireo Jodiana.

Inona no nosoratan'ireo fahavalo tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Ahasoerosy?

Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Ahasoerosy, dia nanoratra fiampangana ireo mponin'i Joda sy Jerosalema ireo fahavalo.

Ezra 4:11

Inona no nolazain'ireo fahavalo tamin'ny mpanjaka momba ny tanànan'ireo Jiosy?

Nilaza tamin'ny mpanjaka ireo fahavalo fa nanangana tanàna mpikomy ireo Jiosy.

Ezra 4:14

Nahoana no tsy nety tamin'ireo fahavalo ny hahita ny fahafaham-baraka hiseho amin'ny mpanjaka?

Tsy nety tamin'izy ireo ny hahita ny fahafaham-baraka hiseho amin'ny mpanjaka satria nihinana tamin'ny siran'ny lapa izy ireo.

Ezra 4:17

Rehefa avy nadika sy novakiana taminy ny taratasy izay nalefan'ireo fahavalo tany amin'ny mpanjaka, dia inona no nataony?

Rehefa avy nadika sy novakiana taminy ny taratasy izay nalefan'ireo fahavalo tany amin'ny mpanjaka, dia nampanao fanadihadiana izy.

Ezra 4:23

Nandritra ny hafiriana no nijanonan'ny asa fanaovana ny tranon'Andriamanitra?

Ny asa fanaovana ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia nijanona hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.

Ezra 5

Ezra 5:3

Inona no nandrasan'ireo loholon'ny Jiosy?

Niandry didy avy any amin'i Dariosy ireo loholona Jiosy.

Ezra 5:8

Ahoana no nanoritsoritan'i Tatenay, Setara, Bozenay, ary ireo manamboninahitra namany ny asa fanaovana ny tranon'Andriamanitra?

Nanoratra izy ireo fa natao tsara mihitsy ary mandroso tsara eo am-pelatanan'ireo Jiosy ny asa.

Ezra 5:12

Nahoana ny Andriamanitry ny lanitra no nanolotra ireo Jiosy teo am-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona?

Nanolotra ireo Jiosy teo am-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ny Andriamanitry ny lanitra rehefa nahatezitra Azy ny razamben'izy ireo.

Ezra 5:14

Zavatra inona no naverin'i Kyrosy mpanjaka tamin'i Sesbazara?

Namerina ireo zavatra volamena sy volafotsy tao an-tranon'Andriamanitra i Kyrosy mpanjaka.

Ezra 5:17

Inona no notakian'ireo Jiosy mba hataon'ny mpanjaka?

Nangataka izy ireo ny mba hizahana ao amin'ny trano firaketana ao Babylona raha misy didy hanamboarana ilay tranon'Andriamanitra ao Jerosalema avy tamin'i Kyrosy mpanjaka ao.

Ezra 6

Ezra 6:1

Inona no hita rehefa nampanao fanadihadiana tao amin'ny trano firaketana tao Babylona i Dariosy Mpanjaka?

Nandritra ny fanadihadiana izay nampanaovin'i Dariosy mpanjaka dia horonan-taratasy iray tao amin'ny tanàna voaaron'i Akmeta tao Mediana no hita.

Ezra 6:3

Iza no tokony handoa ny vidin'ny trano ho an'ny sorona voalaza tao amin'ny didin'i Kyrosy mpanjaka?

Ny vidin'ny trano ho an'ny sorona dia haloa amin'ny tranon'ny mpanjaka.

Araka ny didin'i Kyrosy mpanjaka inona no tokony ho entina miverina any an-tranon'Andriamanitra?

Araka ny didin'i Kyrosy mpanjaka ny fitaovana volamena sy volafotsy izay an'ny tranon'Andriamanitra izay nentin'i Nebokadnezara avy tany amin'ny tempoly tany Jerosalema nankany amin'ny tempoly tany Babylona no entina miverina ao an-tranon'Andriamanitra any Jerosalema.

Ezra 6:6

Iza no nolazain'i Kyrosy hanangana ny tranon'Andrimanitra?

Nilaza i Kyrosy fa ny governora sy ireo loholona Jiosy no hanangana ny tranon'Andrimanitra.

Ezra 6:8

Nahoana i Kyrosy no te hanome izay nilain'ireo Jiosy rehetra mba hananganana ny tranon'Andriamanitra?

Te hanome an'ireo Jiosy ny zavatra rehetra izay nilain'izy ireo mba hananganana ny tranon'Andriamanitra i Kyrosy mba hitondran'izy ireo fanatitra ao ho an'Andriamanitry ny Lanitra sy hivavahana ho azy sy ireo zanany lahy.

Ezra 6:11

Inona no tsy maintsy hitranga raha misy olona mandìka ny lalàna momba ny fanampiana ireo Jiosy?

Raha misy olona mandìka ny lalàna, dia tsy maintsy hanesorana andry iray eo amin'ny tranony ary tsy maintsy hahantona amin'izany izy. Ary tsy maintsy ho lasa fako mivangongo noho izany ny tranony.

Ezra 6:13

Tamin'ny fomba ahoana no nanoroan'i Hagay sy Zakaria ireo loholona Jiosy mba hananganana?

Nanoro ireo loholona Jiosy mba hanangana tamin'ny alalan'ny faminaniana i Hagay sy Zakaria.

Ezra 6:19

Ho an'iza no namonoan'ireo mpisorona sy ireo Levita ny soron'ny Paska?

Namono ny soron'ny Paska ho an'ireo rehetra izay avy tany an-tsesitany ireo mpisorona sy ireo Levita, anisan'izany ny tenan'izy ireo.

Ezra 6:21

Nahoana no nankalaza tamin'ny fifaliana ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy masirasira ireo Jiosy?

Nankalaza tamin'ny fifaliana ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy masirasira ireo Jiosy, satria i Yaveh dia efa nitondra fifaliana tamin'izy ireo ary nanova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria mba hampatanjaka ny tanan'izy ireo tamin'ny asan'ny tranony.

Ezra 7

Ezra 7:6

Inona no asan'i Ezra?

Mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'i Mosesy izy.

Ezra 7:8

Nahoana no tonga tany Jerosalema tamin'ny andro voalohan'ny volana fahadimy i Ezra?

Tamin'ny andro voalohan'ny volana fahadimy no tonga tany Jerosalema izy, satria nomban'ny tanana tsaran'Andriamanitra.

Ezra 7:11

Iza no navela mba handeha ho any Jerosalema miaraka amin'i Ezra?

Ny olona rehetra avy any Israely ao amin'ny fanjakan'i Artaksersesy, miaraka amin'ireo mpisorony sy ireo Levitan'izy ireo, izay naniry ny andeha ho any Jerosalema, no afaka nandeha niaraka tamin'i Ezra.

Ezra 7:14

Nahoana ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy fito no maniraka ireo Israelita hiverina any Israely?

Maniraka azy ireo ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy fito mba hanontany mahakasika an'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitra izay takany, ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotr'izy ireo an-kalalahana tamin'ny Andriamanitr'Israely izay any Jerosalema ny fonenany.

Ezra 7:19

Avy aiza no tokony hakan'ireo Jiosy ny zavatra hafa rehetra izay nilain'izy ireo ho an'ny tranon'Andriamanitr'izy ireo?

Tokony haka ny zavatra hafa rehetra izay ilain'izy ireo ho an'ny tranon'Andriamanitr'izy ireo ao amin'ny fitehirizan-drakitr'i Artaksersesy ireo Jiosy.

Ezra 7:21

Nahoana ireo mpitahiry vola no hanao ny zavatra rehetra izay avy amin'ny didin'Andriamanitry ny Lanitra amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tranony?

Tokony hanao ny zavatra rehetra izay avy amin'ny didin'Andriamanitry ny Lanitra amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tranony izy ireo mba tsy ho tonga eo amin'ny fanjakan'i Artaksersesy sy ireo zanany lahy ny hatezerany.

Ezra 7:25

Ahoana no anasaziana ny olona izay tsy mankatoa tanteraka ny lalàn' Andriamanitra na ny lalàn'ny mpanjaka?

Afaka manasazy ny olona izay tsy mankatoa tanteraka ny lalàn' Andriamanitra na ny lalàn'ny mpanjaka amin'ny alalan'ny famonoana azy ireo, na fandroahana azy ireo, fanagiazana ny fananan'izy ireo, na amin'ny fanagadrana azy ireo i Ezra.

Ezra 7:27

Tamin'ny fomba ahoana no nampatanjahana an'i Ezra?

Efa nampatanjahana tamin'ny alalan'ny tanan'i Yaveh Adriamaniny Ezra.

Ezra 8

Ezra 8:15

Rehefa nanadihady ny vahoaka sy ireo mpisorona i Ezra, dia inona no tsy hitany?

Rehefa nanadihady ny vahoaka sy ireo mpisorona i Ezra, dia tsy nahita taranak'i Levy tao mihitsy izy.

Ezra 8:17

Inona ny asan'i Ido sy ireo havany?

Mpanompon'ny tempoly i Ido sy ireo havany.

Ezra 8:18

Karazana lehilahy ohatry ny ahoana i Serebia?

Lehilahy malina i Serebia.

Ezra 8:21

Nahoana no tsy nangataka tafika na mpitaingin-tsoavaly tamin'ny mpanjaka hiaro azy ireo tamin'ireo fahavalo i Ezra?

Tsy nangataka tafika na mpitaingin-tsoavaly tamin'ny mpanjaka hiaro azy ireo tamin'ireo fahavalo i Ezra satria menatra izy.

Ezra 8:28

Hafiriana no niambenan'ireo lehilahy roa ambin'ny folo ny volamena sy ny volafotsy?

Niambina ny volamena sy ny volafotsy mandra-pandanjan'izy ireo izany teo anatrehan'ny manam-boninahitry ny fisoronana, Levita, ary ireo mpitarika ny fokon-drazan'Israely tany Jerosalema tao amin'ireo efitry ny tranon' Andriamanitra ireo lehilahy roa ambin'ny folo.

Ezra 8:31

Tamin'ny lalana inona no naha-teo amin'i Ezra sy ireo roa ambin'ny folo ny tanan'Andriamanitra?

Teo amin'izy ireo mba hiaro azy ireo tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ireo olona izay naniry ny hanafika azy ireo tampoka teny an-dalana ny tanan'Andriamanitra.

Ezra 8:35

Ho an'iza no nanomezan'ireo olona izay niverina avy amin'ny fahababoana ireo lalàn'ny mpanjaka?

Ireo olona izay niverina avy amin'ny fahababoana dia nanome ny lalàn'ny mpanjaka tamin'ireo manam-boninahitry ny mpanjaka ambony sy ireo governora andafin'ny Ony.

Ezra 9

Ezra 9:1

Tamin'ny fomba ahoana no tsy nanasarahan'ny vahoakan'Israely ny tenan'izy ireo tamin'ny olona avy amin'ny tany hafa?

Tsy nanasaraka ny tenan'izy ireo tamin'ny olona avy any an-tany hafa ny vahoakan'Israely, satria nalain'izy ireo ny sasany tamin'ireo zanany vavy sy zanany lahy.

Ezra 9:3

Ahoana ny fomba namalian'i Ezra ny tsy fahatokian'ny vahoaka?

Nandrovitra ny fitafiany sy ny akanjo lavany ka nanongotra ny volon-dohany sy ny volom-bavany i Ezra. Dia nipetraka am-pahamenarana izy.

Ezra 9:5

Nahoana no menatra sy mangahiahy ny hanandratra ny tavany eo amin'i Yaveh i Ezra?

Menatra sy mangahiahy ny hanandratra ny tavany eo amin'i Yaveh i Ezra, satria miakatra mihoatry ny lohan'izy ireo ny helony, ary ny fahamelohany mihombo hatrany an-danitra.

Ezra 9:8

Nahoana no nanitatra ny fanekena mahatoky tamin'ny vahoakan'i Ezra i Yaveh?

Nanitatra ny fanekena mahatoky tamin'ny vahoakan'i Ezra i Yaveh mba hanome hery vao ho an'ny vahoaka mba hafahan'izy ireo manorina ny tranon'ny Andriamanitra indray ka hanangana ny faharavany. Nanao izany Izy mba hanomezany manda fiarovana ho azy ireo ao Joda sy Jerosalema.

Ezra 9:10

Ahoana no nahavoaloto ny tany?

Voaloton'ny olon'ny tany tamin'ny fahavetavetan'izy ireo izay namenoin'izy ireo hatrany amin'ny ilany iray ka hatrany amin'ny hafa izany tamin'ny fahalotoan'izy ireo ny tany.

Ezra 9:13

Inona no nohazonin'Andriamanitra?

Nihazona izay mendrika ny heloky ny vahoaka Andriamanitra.

Ezra 10

Ezra 10:1

Inona no nataon'i Ezra raha nivavaka sy niaiky heloka izy?

Raha mbola nivavaka sy niaiky heloka i Ezra, dia nitomany izy ary niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra.

Ezra 10:3

Fifanekena inona no nolazain'i Sekania fa tokony ataon'ireo Israelita?

Nilaza izy fa tokony hanao fifanekena amin'ny Andriamanintr'izy ireo mba handroaka ireo vehivavy vahiny rehetra sy ireo zanany izy ireo.

Ezra 10:5

Nahoana no tsy nihinana mofo na nisotro rano Ezra?

Tsy nihinana mofo na nisotro rano Ezra, satria nisaona ny hakelin'ny finoan'ireo izay efa tao amin'ny fahababoana izy.

Ezra 10:7

Inona no hitranga amin'ny olona izay tsy tonga tao anatin'ny telo andro araka ireo toromarika avy amin'ireo manam-pahefana sy loholona?

Ny olona rehetra tsy tonga tao anatin'ny telo andro araka ireo toromarika avy amin'ireo manam-pahefana sy loholona dia nesorina tamin'izy ireo ny fananan'izy ireo rehetra ary nalàna tsy ho ao amin'ny fikambanam-ben'ireo izay niverina avy any an-tsesitany izy ireo.

Ezra 10:9

Nahoana ny olona rehetra izay nipetraka teo an-kianja nanoloana ny tranon'Andriamanitra no nangovitra?

Nijoro teo amin'ny kianja malalaka nanoloana ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ary nangovitra noho ilay teny sy ny orana.

Ezra 10:12

Nahoana no te hahazo fotoana bebe kokoa mba handroahana ireo vehivavy vahiny ireo Israelita?

Nitady fotoana bebe kokoa izy ireo satria maro ireo olona, ary vanim-potoanan'ny orana tamin'izany. Nanao heloka lehibe tamin'izany raharaha izany izy ireo.

Ezra 10:16

Tamin'ny fotoana inona no nahavitan'ireo mpitarika namantatra izay lehilahy niara-nipetraka tamin'ny vehivavy hafa firenena?

Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no nahavitan'izy ireo namantatra izay lehilahy niara-nipetraka tamin'ny vehivavy hafa firenena.

Ezra 10:18

Inona no natolotr'ireo lehilahy meloka?

Nanolotra ondry lahy tamin'ireo ondriny izy ireo nohon'ny helony ireo lehilahy meloka.