Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Numbers 1

Numbers 1:1

Iza no nolazain'i Yaveh an'i Mosesy mba hisaina amin'ny fanisam-bahoaka?

Nilaza tamin'i Mosesy ny hanisana ny lehilahin'Israely rehetra, dia ny lehilahy rehetra izay roapolo taona no ho miakatra Izy.

Numbers 1:4

Iza no ho mpitarika foko hanompo an'i Mosesy?

Lehilahy iray avy amin'ny foko tsirairay avy, lohan'antoko iray, no hanompo ho mpitarika ny fokony.

Numbers 1:17

Ahoana no namantaran'ny lehilahy tsirairay avy ny razambeny?

Tsy maintsy nanome anarana ireo antoko sy fianakaviana taranaka avy amin'ny razambeny izy.

Numbers 1:44

Lehilahy firy avy amin'ireo foko izay roapolo taona no ho miakatra izay afaka miady no voarakitra an-tsoratra?

Nisy 603.550 lahy avy amin'ireo foko.

Numbers 1:47

Lehilahy avy amin'ny foko iza no tsy nisaina?

Ny lehilahy avy amin'ny fokon'i Levy no tsy nisaina.

Numbers 1:50

Notendrena mba hikarakara ny inona ireo Levita?

Notendrena mba hikarakara ny tabernakely, ny fanaka rehetra ao amin'ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao amin'izany izy ireo.

Numbers 1:51

Inona no tsy maintsy ataon'ireo Levita amin'ny olon-kafa izay manatona ny tabernakely?

Tsy maintsy mamono ireo olon-kafa izay manatona ny tabernakely ireo Levita.

Taiza no nananganan'ny vahoakan'Israely ny lain'izy ireo?

Samy nanangana ny lainy akaikin'ny faneva izay an'ny vondrony mitam-piadiana ny lehilahy tsirairay avy.

Numbers 1:53

Taiza no nananganan'ireo Levita ny lain'izy ireo?

Tsy maintsy nanangana ny lainy manodidina ny tabernakelin'ny didim-panekena izy ireo

Nanao izay nandidian'i Yaveh ve ny vahoaka?

Eny, nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.

Numbers 2

Numbers 2:1

Taiza no nolazain'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona fa hametrahan'ireo foko ny lain'izy ireo?

Nilaza Yaveh fa hametraka ny lain'izy ireo manodidina ny antoko mitam-piadian'izy ireo sy manodidina ny faneva kely manondro ny fokony ireo foko. Tsy maintsy manatrika ny trano-lay fihaonana ny tobin'izy ireo.

Numbers 2:3

Taiza no nolazain'i Mosesy fa tsy maintsy hitobian'ny lehilahy 74.600 avy amin'ny tafiky ny fokon'i Joda, ary iza no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo?

Tsy maintsy mitoby manodidina ny fanevan'i Joda atsinanan'ny trano-lay fihaonana izay hiposahan'ny masoandro izy ireo, ary Nasona no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo.

Numbers 2:5

Aiza no tsy maintsy hitobian'ny lehilahy 54.400 avy amin'ny tafiky ny fokon'i Isakara, ary iza no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo?

Tsy maintsy mitoby eo akaikin'i Joda izy ireo, ary Netanela no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo.

Numbers 2:7

Aiza no tsy maintsy hitobian'ny lehilahy 57.400 avy amin'ny tafiky ny fokon'i Zebolona ary iza no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo?

Tsy maintsy mitoby eo akaikin'Isakara izy ireo, ary Eliaba no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo.

Numbers 2:9

Iza no tsy maintsy handeha voalohany hivoaka ny toby?

Ny tafika rehetra izay mitoby miaraka amin'i Joda no handeha voalohany hivoaka ny toby.

Numbers 2:10

Aiza no tsy maintsy hitobian'ny lehilahy 46,500 avy amin'ny tafiky ny fokon'i Robena, ary iza no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo?

Tsy maintsy mitoby manodidina ny fanevan'i Robena amin'ny ilany atsimo izy ireo, ary Elizora no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo.

Numbers 2:12

Aiza no tsy maintsy hitobian'ny lehilahy 59,300 avy amin'ny tafiky ny fokon'i Simeona, ary iza no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo?

Tsy maintsy mitoby akaikin'i Robena izy ireo, ary Selomiela no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo.

Numbers 2:14

Aiza no tsy maintsy hitobian'ny lehilahy 45,650 avy amin'ny tafiky ny fokon'i Gada, ary iza no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo?

Tsy maintsy mitoby teo akaiky teo izy ireo, ary Eliasafa no tsy maintsy mitarika ny tafik'izy ireo.

Numbers 2:16

Iza no handeha faharoa hivoaka ny toby?

Ny tafika rehetra izay niara-nitoby tamin'i Robena no tsy maintsy handeha hivoaka ny toby faharoa.

Numbers 2:24

Olona firy no nisaina tao amin'ny tobin'i Efraima?

Nisy olona 108.100 nisaina tao amin'ny tobin'i Efraima.

Oviana no tokony hiainga amin'ireo toby hafa ny tobin'i Efraima?

Tokony hiainga fahatelo ny tobin'i Efraima.

Numbers 2:25

Iza no mpitarika ny olon'i Dana?

Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday no mpitarika ny olon'i Dana.

Numbers 2:32

Iza no tsy nisain'i Mosesy sy Arona tamin'ny vahoakan'Israely ary nahoana?

Tsy nanisa ireo Levita tao amin'ny vahoakan'Israely Mosesy satria izany no nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.

Numbers 2:34

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely?

Nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh ny vahoakan'Israely—nitoby teo akaikin'ny fanevan'izy ireo ary nivoaka ny toby araka ny fokon'izy ireo araka ny filaharan'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo.

Numbers 3

Numbers 3:1

Tantaran'iza ity tantara ity?

Ity dia tantaran'ireo taranak'i Arona sy Mosesy.

Iza no anaran'ireo zanaka lahin'i Arona?

Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Arona dia Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara.

Numbers 3:3

Nahoana no lavo maty teo anatrehan'i Yaveh i Nadaba sy Abiho?

Lavo maty teo anatrehan'i Yaveh i Nadaba sy Abiho rehefa nanolotra Azy afo tsy azo ekena izy ireo.

Iza tamin'ireo zanak'i Arona no nanompo ho mpisorona niaraka tamin'i Arona?

Eleazara sy Itamara no nanompo ho mpisorona niaraka tamin'ny rain'izy ireo.

Numbers 3:5

Foko iza no nolazain'i Yaveh mba hanampy an'i Arona mba hanompo ho mpisorona?

Ny fokon'i Levy no nanampy an'i Arona.

Numbers 3:7

Inona no adidin'ny fokon'i Levy?

Tsy maintsy hanatanteraka ny andraikitra ho an'i Arona sy ny fivondronana manontolo izy ireo, hikarakara ny fanaka rehetra, ary hanampy ireo foko amin'ny asa amin'ny tabernakely.

Numbers 3:9

Iza no nomen'i Yaveh mba hanampy an'i Arona sy ireo zanany lahy?

Nanome ireo Levita ho an'i Arona sy ireo zanany lahy mba hanompo ho mpisorona ho an'ny vahoakan'Israely Yaveh.

Numbers 3:11

Iza no natokan'i Yaveh ho Azy?

Nanokana ireo Levita ho Azy ary ny voalohan-teraka tao Israely rehetra, dia ny olona sy ny biby Yaveh.

Oviana no nanokanan'Andriamanitra ny voalohan-terak'Israely rehetra?

Nanokana ny voalohan-terak'Israely rehetra ho Azy tamin'ny andro izay nanafihany ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta Izy.

Numbers 3:14

Iza no nodidian'i Yaveh tamin'i Mosesy mba hisaina ao amin'ny fokon'i Levy?

Nandidy an'i Mosesy ny mba hanisana ny lehilahy rehetra tao Levy izay iray volana no ho mihoatra Yaveh.

Numbers 3:17

Iza ireo zanaka lahin'i Levy?

Gersona, Kehata, ary Merary no zanaka lahin'i Levy.

Numbers 3:21

Aiza no hitobian'ireo fianakaviam-ben'ireo Gersonita?

Ny fianakaviam-ben'ireo Gersonita dia hitoby eo amin'ny ilany andrefan'ny tabernakely.

Numbers 3:24

Iza no tsy maintsy hitarika ny fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita?

Eliasafa zanaka lahin'i Laela no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita.

Iza no tsy maintsy hikarakara ny lamban'ny tabernakely, ny lay, ny firakony, ireo lamba ampiasaina atao fidirana, fefy lamban-kianja, ny lamba eo amin'ny fidiran'ny kianja, ary ny kianja, ireo tady, ary ny rehetra izay ao amin'ny trano-lay fihaonana?

Ireo fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita izay nitoby andrefan'ny tabernakely no tsy maintsy hikarakara ny firakofan'ny tabernakely, ny lamba, ary ireo tady.

Numbers 3:30

Inona no ataon'ny fianakaviam-be avy amin'i Kehata izay nitoby teo atsimon'ny tabernakely?

Tsy maintsy mikarakara ny fitoerana masina, ny lamban'ny fitoerana masina, ary ny zavatra rehetra ao amin'ny fitoerana masina izy ireo.

Iza no narahan'i Eleazara zanaka lahin'i Oziela maso?

Tsy maintsy nanara-maso ireo lehilahy izay nitarika ireo Levita sy ireo lehilahy izay nikarakara ny fitoerana masina izy.

Numbers 3:33

Iza no tsy maintsy mitarika ireo fianakaviam-ben'i Merary izay nitoby teo avaratry ny tabernakely?

Zoriela zanaka lahin'i Abihaila no tsy maintsy nitarika ireo fianakaviamben'i Merary.

Numbers 3:36

Inona no ataon'ireo fianakaviam-be avy amin'i Merary izay nitoby teo avaratry ny tabernakely?

Tsy maintsy mikarakara ny rafitry ny tabernakely, ireo barany, tsangatsangany, faladiany, ny fitohizany rehetra, sy izay rehetra mahakasika ireo izy ireo.

Numbers 3:38

Inona no ataon'i Mosesy sy Arona ary ireo zanaka lahy izay nitoby teo atsinanan'ny tabernakely?

Tsy maintsy hanao ireo adidy ao amin'ny fitoerana masina sy ireo adidin'ny vahoakan'Israely izy ireo.

Inona no tsy maintsy hahazo ny olon-kafa izay nanatona ny fitoerana masina?

Ny olon-kafa izay nanatona ny fitoerana masina dia tsy maintsy novonoina.

Iza no nisain'i Mosesy sy Arona?

Nanisa ny lahy rehetra tao amin'ny fianakaviam-ben'i Levy izay iray volana no ho mihoatra i Mosesy sy Arona.

Numbers 3:40

Iza no nalain'i Mosesy ho an'i Yaveh ho solon'ny voalohan-terak'Israely sy ho solon'ny biby fiompin'izy ireo?

Naka ireo Levita sy ny biby fiompin'izy ireo ho solon'ny voalohan-terak'Israely sy ny biby fiompy i Mosesy.

Numbers 3:42

Dia iza izany no nisain'i Mosesy?

Nanisa ny lahy voalohan-terak'Israely rehetra tamin'ny anarana, iray volana no ho mihoatra i Mosesy.

Numbers 3:44

An'iza ireo Levita rehetra?

An'i Yaveh ireo Levita rehetra.

Numbers 3:46

Sekelin'ny fitoerana masina firy no nangonin'i Mosesy isaky ny voalohan-teraka mba hividianana indray ny tsirairay avy amin'ny voalohan-terak'Israely 273 izay nihoatra ny isan'ireo Levita?

Nanangona sekely 5 tsirairay mba hividianana indray ny tsirairay avy amin'ny voalohan-terak'Israely 273 izay nihoatra ny isan'ireo Levita i Mosesy.

Nomen'i Mosesy an'iza ny vola izay hividianana indray ny voalohan-terak'Israely?

Nomeny an'i Arona sy ireo zanany lahy araka ny nandidian'i Yaveh azy ny vola.

Firy no nataon'i Mosesy tamin'izay nolazainy hatao tamin'ny tenin'i Yaveh?

Nanao ny zavatra rehetra nolazainy hatao tamin'ny tenin'i Yaveh i Mosesy.

Numbers 4

Numbers 4:1

Inona no tsy maintsy tarihin'i Mosesy sy Arona?

Tsy maintsy mitarika fanisana ny lahy amin'ny taranak'i Kehata teo amin'ireo Levita izay 30 hatramin'ny 50 taona i Mosesy sy Arona.

Inona no tsy maintsy hataon'ireo taranak'i Kehata mba hanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana?

Tsy maintsy mikarakara ireo zavatra masina indrindra voatokana ho an'i Yaveh ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo.

Numbers 4:5

Inona no tsy maintsy hampidinin'i Arona sy ireo zanany lahy rehefa mifindra toerana ny toby?

Tsy maintsy miditra ao amin'ny lay i Arona sy ireo zanany lahy, mampidina ny lamba fanakonana izay manasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina, manarona ny fiaran'ny vavolombelona amin'ny hodi-takasy sy lamba manga ary dia hametaka ireo bao mba hilanjana izany.

Numbers 4:7

Eo amin'ny inona no hamelaran'i Arona sy ireo zanany lahy lamba manga ary hametrahana ireo lovia, ireo sotro, ireo lovia boribory, ary siny fandrarahana eo ambonin'izany?

Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo amin'ny mofon'ny fanatrehana ary mametraka ireo lovia, ireo sotro, ireo lovia boribory, ary siny fandrarahana izy ireo.

Inona no tsy maintsy eo amin'ny latabatra mandrakariva?

Tsy maintsy misy mofo foana eo ambonin'ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana.

Numbers 4:9

Ahoana no anomanana ny hamindrana ireo fitoeran-jiro sy ny fitaovan'izany rehetra?

Nametraka rakotra lamba manga eo amin'ny fitoeran-jiro miaraka amin'ireo fitaovan'izany rehetra, nanarona izany tamin'ny hodi-takasy, ary nametraka izany teo ambonin'ny rafitra filanjana izy ireo.

Dia inona no nampiasain'izy ireo taorian'izany mba hanaronana ny mofon'ny fanatrehana ary inona no hapetak'izy ireo amin'izany mba hilanjana ny latabatra?

Tsy maintsy manarona ny mofon'ny fanatrehana amin'ny lamba jaky ary amin'ny hodi-takasy ihany koa, ary dia hametaka ireo bao izay hilanjana izany izy ireo.

Ahoana no anomanana ny hamindrana ny alitara volamena sy ny fitaovan'izany?

Tsy maintsy fonosina amin'ny lamba manga, saronana amin'ny hodi-takasy ny alitara volamena sy ny fitaovan'izany izy ireo, ary avy eo dia apetaka ny bao filanjana.

Numbers 4:12

Ahoana no anomanana ny hamindrana ny fitaovana rehetra ho an'ny asa ao amin'ny toerana masina?

Tsy maintsy maka ireo fitaovana rehetra ho an'ny asa ao amin'ny toerana masina izy ireo ary mamono izany ao anatin'ny lamba manga. Tsy maintsy manarona izany amin'ny hodi-takasy izy ireo, ary mametraka izany eo amin'ny rafitra filanjana.

Inona no alan'izy ireo eo amin'ny alitara, ary inona no tsy maintsy avelatr'izy ireo eo amin'ny alitara?

Tsy maintsy manala ireo lavenona amin'ny alitara izy ireo ary mamelatra lamba volomparasy eo amin'ilay alitara.

Taiza no nametrahana ny fitaovana rehetra izay nampiasain'izy ireo tamin'ny asa tao amin'ny alitara?

Tsy maintsy apetrak'izy ireo eo amin'ny rafitra filanjana ireo fitaovam-piasana rehetra izay ampiasain'izy ireo amin'ny asan'ny alitara.

Amin'ny inona no hanaronana ny alitara mialohan'ny hametahan'izy ireo ny bao filanjana?

Tsy maintsy manarona ny alitara amin'ny hodi-takasy izy ireo mialohan'ny hametahan'izy ireo ny bao filanjana.

Numbers 4:15

Iza no tonga mba hilanja ny fitoerana masina rehefa vitan'i Arona sy ireo zanany lahy ny fanaronana ny fitoerana masina sy ny fitaovan'izany rehetra rehefa vonona ny hifindra ny toby?

Tonga mba hilanja ny fitoerana masina ireo taranak'i Kehata rehefa vitan'i Arona sy ireo zanany lahy ny fanaronana ny fitoerana masina sy ny fitaovan'izany rehetra ary efa vonona ny hifindra ny toby.

Inona no tsy maintsy karakarain'i Eleazara sy harahiny maso?

Manara-maso ny fikarakarana ny solika ho an'ny fanilo, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra voa mahazatra, ary ny diloilo fanosotra, ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatin'izany izy.

Numbers 4:17

Tsy alana avy amin'iza ireo fianakaviamben'ny Kehatita mba ho velona fa tsy ho faty izy ireo?

Tsy alàna eo amin'ireo Levita ny fokon'ny fianakaviamben'ny Kehatita.

Momba ny inona no nampitandreman'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona fa tsy tokony hidiran'ireo fokon'ny fianakaviamben'ny Kehatita raha tsy izany dia ho faty izy ireo?

Tsy tokony hiditra mba hijery ny fitoerana masina ireo fokon'ny fianakaviamben'ny Kehatita raha tsy izany dia ho faty izy ireo.

Iza ihany no afaka miditra ao amin'ny fitoerana masina?

Arona sy ireo zanany lahy ihany no afaka miditra ao amin'ny fitoerana masina.

Numbers 4:21

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy mba hatao mahakasika ny fanisana ireo izay nanompo tao amin'ny trano-lay fihaonana avy amin'ireo fianakaviam-ben'ny Gersona?

Tsy maintsy mitarika fanisana anisana ireo izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona i Mosesy.

Numbers 4:24

Inona no asan'ireo Gersonita?

Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny tabernakely, ny trano-lay fihaonana, ny fanaronana izany, ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izay eo amin'izany, ary ireo lamba fanakonana ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo ny tadiny ary ny fitaovana rehetra ho an'ny asa fanompoan'izy ireo ny Gersonita.

Numbers 4:27

Iza no hitarika ny asan'ny taranak'ireo Gersonita rehetra izay notarihin'i Itamara mpisorona?

Arona sy ny zanany lahy no tsy maintsy mitarika ireo asan'ny taranak'ireo Gersonita rehetra.

Numbers 4:31

Inona no ataon'ny fianakaviam-ben'i Merary ao amin'ny asan'izy ireo ao amin'ny trano-lay fihaonana?

Tsy maintsy mikarakara ny entan'ny tabernakely, miaraka amin'ireo tsangatsangany, ny fitaovana rehetra, ary ny tadiny miampy ny fanaovana lisitra izay tsy maintsy lanjainy izy ireo.

Numbers 4:34

Inona no nataon'i Mosesy, Arona, ary ny mpitarik'Israely rehetra mba hankatoavana an'i Yaveh?

Nisain'izy ireo manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona araka ny asa nanendrena azy ireo mba hatao ao amin'ny tabernakely ny lehilahin'ny Kehatita rehetra, ary nisain'izy ireo izay hilanja sy hikarakara ireo zavatra ao amin'ny trano-lay fihaonana.

Numbers 4:41

Iza ihany koa no nisaina tao amin'ny fianakaviam-ben'izy ireo 30-50 taona?

Nisaina tao amin'ny fianakaviam-ben'izy ireo ny taranak'i Gersona.

Numbers 4:42

Iza ihany koa no nisain'i Mosesy sy Arona tao amin'ny fianakaviam-ben'izy ireo 30-50 taona?

Nisaina tao amin'ny fianakaviam-ben'izy ireo ny taranak'i Merary.

Numbers 4:46

Oviana no nanisa ny Levita tsirairay araka ny fianakaviam-be manomboka amin'ny 30-50 taona i Mosesy, ary iza no nisainy?

Nanisa ny lehilahy tsirairay izay hiasa ao amin'ny tabernakely sy izay hilanja ary hikarakara ireo zavatra ao amin'ny trano-lay fihaonana i Mosesy.

Numbers 5

Numbers 5:1

Olana inona no nolazain'i Yaveh fa tokony handefasan'i Mosesy ny lehilahy sy vehivavy hiala ny toby?

Nilaza Yaveh fa tokony handroaka ny rehetra misy aretin-koditra hiala ao amin'ny toby, ary izay rehetra misy fery mitsìka, ary izay rehetra maloto tamin'ny fikasihana faty i Mosesy.

Numbers 5:5

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa tokony ataon'ny olona dia ny lehilahy sy vehivavy izay nanota tamin'ny olona hafa?

Ny rehetra izay nanota tamin'ny olona hafa dia tsy maintsy miaiky heloka, manonitra ny vidin'ny fahamelohany amin'ilay iray izay nanaovany ny tsy mety, ary manampy ampahadiminy mihoatra amin'ny vidiny.

Numbers 5:8

Inona no onitra ary inona no nataony tamin'ny onitra raha tsy nanana havana akaiky mba handray ny onitra ilay olona diso?

Tsy maintsy hanolotra ny vidiny miaraka amin'ny ondrilahy any amin'ny mpisorona izay ho tompon'izany izy.

Numbers 5:15

Inona no nolazain'i Yaveh mba hataon'i Mosesy amin'ny vady izay nihevitra fa nanota taminy ny vadiny?

Hitondra ny vadiny ho any amin'ny mpisorona miaraka amin'ny fanatitra sotroina ho an-dravehivavy sy kobam-bary fanatitra hohanina ho famantarana ny fahotana ralehilahy.

Numbers 5:16

Inona no ataon'ny mpisorona voalohany?

Hametraka ilay vehivavy eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona, dia haka ny sinin-drano voahasina ary haka vovoka avy amin'ny tanin'ny tabernakely ny mpisorona ary hanisy ny vovoka ao anatin'ilay rano izy.

Numbers 5:18

Dia inona no ataon'ny mpisorona?

Hamaraka sy hamaha ny volo ary hanao fanatitra voa fahatsiarovana eny an-tanany ny mpisorona. Ny mpisorona, mihazona ny rano mangidy, dia nahatonga azy hianiana fianianana izay nitondra ozona aminy raha tsy nahatoky izy.

Numbers 5:20

Nahatonga inona ny ozona raha meloka izy?

Nahatonga ny feny hihaosa sy ny kibony hivonto ny ozona.

Numbers 5:24

Inona no ataon'ny mpisorona amin'ny rano mangidy izay misy ozona?

Ampisotroin'ny mpisorona ilay vehivavy ny rano mangidy.

Nataon'ny mpisorona inona ny fanatitra hohanina?

Naka ny fanatitra hohanina teo an-tanan'ilay vehivavy ny mpisorona, nanandratra izany tamin'i Yaveh, nanome ampahany tamin'izany ho an'i Yaveh, ary nandoro izany teo amin'ny alitara ny mpisorona.

Nataon'ny mpisorona inona ny rano mangidy?

Nomeny ilay vehivavy mba hosotroiny ny rano mangidy.

Numbers 5:27

Inona no hanjo ilay vehivavy raha nanota tamin'ny vadiny izy?

Hivonto ny kibon'ilay vehivavy, hihaosa ny feny, ary voaozona eo amin'ny vahoakany izy.

Inona no hanjo ilay vehivavy raha tsy voaloto izy?

Afaka izy ary afaka hanan'anaka.

Numbers 5:29

Inona no atao hoe lalàn'ny hasarotam-piaro?

Io dia lalàna ho an'ny vehivavy izay mania amin'ny vadiny ary voaloto. Io ihany koa dia lalàna ho an'ny lehilahy manana ny fanahin'ny hasarotam-piaro rehefa saro-piaro amin'ny vadiny izy.

Numbers 6

Numbers 6:1

Iza no nanasaraka ny tenany ho an'i Yaveh tamin'ny voadin'ny Nazirita?

Ny lehilahy na vehivavy izay nanao voadin'ny Nazirita no anasaraka ny tenany ho an'i Yaveh.

Inona no nataon'ny olona izay nanao voadin'ny Nazirita mba tsy hihinana mandritra ny andron'ny fitokanany ho an'i Yaveh?

Tsy nihinana divay, zava-pisotro mahery, vinaingitra, ranom-boaloboka, voaloboka, ary voaloboka maina izy—dia ny zavatra rehetra izay nisy divay tao anatiny.

Numbers 6:5

Inona no tsy nampiasainy nandritra ny andron'ny fitokanany?

Tsy nampiasa hareza tamin'ny lohany nandritra ny andron'ny fitokanany izy.

Numbers 6:6

Mandritra ny andron'ny fitokanany ho an'i Yaveh dia inona no tsy azo anatonanan'ny olona izay nanao voadin'ny Nazirita?

Ny olona izay nanao voadin'ny Nazirita dia tsy azo manakaiky faty.

Voatokana ho an'iza izy mandritra ny andro izay hitokanany sy maha-masina azy?

Mandritra ny andron'ny fitokanany ka masina izy, dia voatokana ho an'i Yaveh izy.

Numbers 6:9

Inona no nataon'ny Nazirita fito andro aorian'ny nahaloto azy tamin'ny faty?

Nanaratra ny lohany aorian'ny fito andro ny Nazirita.

Numbers 6:10

Inona no mila entin'ny Nazirita voaloto voalohany any amin'ny mpisorona eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana amin'ny andro izay hanamasinany ny tenany ho fanavotana?

Amin'ny andro fahavalo dia mila mitondra voromailala roa na zana-boromailala roa any amin'ny mpisorona eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy. Dia tsy maintsy manamasina ny tenany amin'izany andro izany ihany izy.

Ho an'ny inona ireo fanatitra roa?

Ho fanatitra noho ny ota sy fanatitra dorana anaovana fanavotana ireo fanatitra roa.

Numbers 6:12

Fanatitra noho ny heloka inona no tsy maintsy nentiny mba hanokanana ny tenany indray ho an'i Yaveh amin'ny fotoan'ny fitokanany?

Mba hanokanana ny tenany indray ho an'i Yaveh amin'ny fotoan'ny fitokanany, dia tsy maintsy mitondra zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra noho ny heloka izy.

Numbers 6:13

Fanatitra noho ny ota inona no mila entin'ny Nazirita voaloto eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana miaraka amin'ny zanak'ondry lahiny ho fanatitra noho ny heloka?

Mila mitondra zanak'ondry vavy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ondrilahy izay tsy misy kilema ho fanati-pihavanana, mofo tsy misy lalivay eran'ny harona, fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina ho an'i Yaveh izy.

Numbers 6:16

Iza no tsy maintsy manolotra fanatitra ho an'i Yaveh ho an'ny Nazirita?

Ny mpisorona no tsy maintsy manolotra fanatitra eo anatrehan'i Yaveh.

Numbers 6:18

Tsy maintsy ataon'ny Nazirita inona ny volo izay naratany tamin'ny lohany?

Haka ny volo eo an-dohany izy ka handefa izany ao anaty afo izay ao ambanin'ny fanati-pihavanana.

Numbers 6:19

Inona no ataon'ny mpisorona eo an-dohan'ny Nazirita mba hasandratra ho fanatitra eo anatrehan'i Yaveh mba hatolotra ho an'i Yaveh?

Eo an-tanan'ny Nazirita, dia hametraka ny soroky ny ondrilahy eo an-tanan'ilay Nazirita, singa-mofo tsy misy lalivay ao amin'ny harona, ary mofo manify tsy misy lalivay iray ny mpisorona.

Natokana ho an'iza izany fanatitra izany, miampy ny mofo sy ny fe izay nasandratra, taty aoriana kely?

Izany fanatitra izany, miampy ny mofo sy ny fe izay nasandratra, dia natokana ho an'ny mpisorona.

Inona no afaka sotroin'ny Nazirita aorian'izany?

Afaka misotro divay ny Nazirita.

Numbers 6:25

Tso-drano avy amin'i Yaveh inona no omen'i Arona sy ireo zanany lahy ny vahoaka?

Hanome tso-dranon'ny famirapiratana sy fiadanan'i Yaveh ho an'ny vahoaka i Arona sy ireo zanany lahy.

Numbers 7

Numbers 7:1

Inona no nosoran'i Mosesy sy namasininy ho an'i Yaveh tamin'ny andro izay nahavitan'ny tabernakely sy ny alitara?

Nanosotra sy nanamasina ny tabernakely, ny fanak'izany rehetra, ny alitara sy ny fitaovan'izany rehetra ho an'i Yaveh izy.

Inona no nentin'ireo mpitarik'Israely ho sorona teo anatrehan'ny tabernakely?

Nitondra sarety nisarona enina sy omby roa ambin'ny folo ho sorona teo anatrehan'ny tabernakely izy ireo.

Numbers 7:4

Nomen'i Mosesy an'iza ireo fanatitra?

Nomen'i Mosesy an'ireo Levita, ho an'ny tsirairay tamin'izy ireo araka izay nilain'ny asany avy ireo fanatitra.

Numbers 7:6

Inona no azon'i Gersona sy ireo taranany noho izay nilain'ny asan'izy ireo?

Nahazo sarety roa sy omby efatra i Gersona sy ireo taranany.

Inona no azon'i Merary sy ireo taranany noho izay nilain'ny asan'izy ireo?

Nahazo sarety efatra sy omby valo i Merary sy ireo taranany.

Numbers 7:9

Nahoana no tsy nahazo sarety sy omby ho fanatitra ireo taranak'i Kehata?

Tsy nahazo sarety sy omby ho fanatitra ireo taranak'i Kehata satria nilanja ny fitaovana sy ireo zavatra natokana ho an'ny tabernakely eo an-tsorony izy ireo.

Numbers 7:10

Oviana no nanoloran'ny mpitarika tsirairay ny fananan'izy ireo ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andron'izy ireo tsirairay avy no nanoloran'ny mpitarika tsirairay ny soron'izy ireo teo anoloan'ny alitara.

Numbers 7:12

Iza no voalohany tamin'ny fokon'Israely 12 izay nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Joda no voalohany tamin'ny fokon'Israely 12 izay nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:18

Tamin'ny andro faha-2, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-2, dia Isakara tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:24

Tamin'ny andro faha-3, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-3, dia Zebolona tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:30

Tamin'ny andro faha-4, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-4, dia Robena tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:36

Tamin'ny andro faha-5, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-5, dia Simeona tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:42

Tamin'ny andro faha-6, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-6, dia Gada tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:54

Tamin'ny andro faha-8, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-8, dia Manase tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:60

Tamin'ny andro faha-9, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-9, dia Benjamina tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Tamin'ny andro faha-11, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-11, dia Asera tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Tamin'ny andro faha-12, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-12, dia Naftaly tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:66

Tamin'ny andro faha-10, iza tamin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara?

Tamin'ny andro faha-10, dia Dana tao amin'ireo fokon'Israely 12 no nanolotra sorona ho an'ny fanokanana ny alitara.

Numbers 7:89

Toerana avy aiza no niresahan'i Yaveh tamin'i Mosesy rehefa tao anaty trano-lay fihaonana izy?

Niresaka tamin'i Mosesy avy teo ambonin'ny saronam-panavotana teo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, avy teo anelanelan'ny kerobima anankiroa Yaveh.

Numbers 8

Numbers 8:1

Inona no didin'i Yaveh tamin'i Arona momba ny jiro fito?

Nandidy i Yaveh fa tsy maintsy hanome hazavana eo anoloan'ny fitoeran-jiro ireo jiro fito

Numbers 8:3

Iza no nampiseho ny endriky ny jiro tamin'i Mosesy?

Naneho ny endriky ny jiro tamin'i Mosesy Yaveh.

Numbers 8:5

Inona no nangatahan'i Yaveh mba hanaovan'i Mosesy ireo Levita?

Niteny tamin'i Mosesy ny mba hakàna ireo Levita avy tamin'ny vahoakan'Israely sy hanadiovana azy ireo Yaveh.

Numbers 8:7

Nataon'i Mosesy inona ireo Levita mba hanadiovana azy ireo?

Namafy ny ranon'ny fanavotana teo amin'izy ireo, nanaratra ny vatany manontolo, ary nanasa ny fitafian'izy ireo i Mosesy.

Inona no fanatitra izay nentin'ireo Levita?

Nitondra vantotr'ombilahy sy fanatitra hohanina miaraka amin'ny koba tsara toto miharo menaka ireo Levita.

Numbers 8:9

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy mba hangatahana amin'ny vahoakan'Israely mba hataon'ireo Levita mba hanadiovana azy ireo?

Nilaza tamin'ny vahoakan'Israely mba hametraka ny tanany eo amin'ireo Levita Yaveh.

Nahoana no nanolotra ireo Levita izy ireo na dia nasandratra teo anoloan'i Yaveh aza izy ireo?

Nanolotra ireo Levita ho an'ny vahoaka mba ahafahan'ireo Levita manompo an'i Yaveh izy ireo.

Numbers 8:12

Karazana fanatitra inona ho an'ireo Levita ireo omby?

Ireo omby dia fanatitra noho ny ota sy fanatitra mba hanavotana ireo Levita.

Taiza no nametrahan'ireo Levita ny tanany?

Nametraka ny tanan'izy ireo teo amin'ny lohan'ireo omby ireo Levita.

Numbers 8:14

Foko inona no nosarahina, nodiovina, ary nasandratra ho fanatitra ho an'i Yaveh mba ahafahan'izy ireo manompo ao amin'ny trano-lay fihaonana?

Ny fokon'ny Levita no nosarahina, nodiovina, ary nasandratra ho fanatitra ho an'i Yaveh mba ahafahan'izy ireo manompo ao amin'ny trano-lay fihaonana.

Numbers 8:16

Oviana no nanokana ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby rehetra ho Azy Yaveh?

Nanokana ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby rehetra ho Azy nanomboka tamin'ny andro izay nakàny ny ain'ireo voalohan-terak'ireo Egyptiana rehetra tao amin'ny tany Egypta Yaveh.

Numbers 8:18

Iza no nomen'i Yaveh ho an'ny vahoakan'Israely mba hanavotana ny vahoaka mba tsy hisy areti-mandringana hanimba azy ireo rehefa nanakaiky ny fitoerana masina izy ireo?

Nanome ireo Levita, ho solon'ny voalohan-teraka, tany amin'i Arona sy ireo zanany lahy mba hanao ny asa sy hanavotana ny vahoaka ao amin'ny trano-lay fihaonana Izy.

Numbers 8:20

Nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh mahakasika ireo Levita ve i Mosesy, Arona, sy ny vondron'ny vahoaka manontolo?

Eny, nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh mahakasika ireo Levita izy ireo.

Numbers 8:23

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy momba ny fetran'ny taonan'ny fanompoana tao amin'ny trano-lay fihaonana?

Ireo Levita izay dimy amby roapolo taona no afaka manompo mandra-pahadimampolo taona azy ireo.

Numbers 8:25

Inona no afaka ataon'izy ireo rehefa tsy afaka nanompo tao amin'ny tabernakely aorian'ny 50 taona izy ireo?

Ireo Levita mihoatra ny 50 taona dia afaka nanampy ireo rahalahin'izy ireo.

Numbers 9

Numbers 9:1

Iza no niresaka tamin'i Mosesy tao an'efitr'i Sinay?

Niresaka tamin'i Mosesy tao an'efitr'i Sinay Yaveh.

Oviana no niresaka tamin'i Mosesy Yaveh?

Niresaka tamin'i Mosesy tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'izy ireo ny tany Egypta Yaveh.

Isaky ny inona no nitandreman'ny vahoakan'Israely ny Paska raha mbola tany an'efitr'i Sinay izy ireo?

Nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany isan-taona izy ireo.

Numbers 9:6

Fanontaniana inona no nandehanan'i Mosesy tany amin'i Yaveh?

Nandeha tany amin'i Yaveh niaraka tamin'ny fanontaniana iray i Mosesy satria nisy lehilahy izay nanota nefa te hitandrina ny Paska.

Numbers 9:9

Inona no valin'ny fanontanian'i Mosesy azony tamin'i Yaveh?

Nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh fa raha misy lehilahy maloto noho ny faty na satria nandeha lavitra izy, dia afaka mitandrina ny Paska izy.

Numbers 9:11

Oviana no nitandreman'ireo lehilahy ireo ny Paska fa tsy amin'ny andro faha-14 amin'ny volana faha-1?

Ireo lehilahy izay maloto na nandeha lavitra dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro faha-14 tamin'ny volana faha-2.

Inona no sasany tamin'ireo fitsipika hitandremana ny Paska?

Nihinana ny Paska tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy ana-mangidy ary tsy hamela izany mandra-maraina izy ireo ary tsy hanapaka ny taolan'ny biby.

Numbers 9:13

Inona no nahatonga ny olona iray hofongorina ao amin'ny vahoakany?

Ny olona izay madio sy tsy nandia lavitra, nefa tsy mitandrina ny Paska izay notakian'i Yaveh no hofongorina ao amin'ny vahoakany.

Inona no lalàn'ny Paska ho an'ny vahiny ao amin'ny tanin'Israely?

Tsy maintsy mitandrina ny Paska, manao ny didy rehetra, ary mankatoa ireo lalàna takiana izy.

Numbers 9:15

Inona no nitranga tamin'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely ny alina?

Niseho toy ny afo ny rahona ny alina.

Ahoana no nahafantaran'ny vahoaka raha handeha na tsy handeha intsony izy ireo?

Rehefa nampiakarina avy teo amin'ny lay ny rahona, dia niainga tamin'ny diany ny vahoaka; rehefa nijanona ny rahona, dia nijanona tao an-tobin'izy ireo ny vahoaka.

Numbers 9:18

Inona no hataon'ny vahoaka rehefa nijanona teo amin'ny tabernakely nandritra ny andro maro ny rahona?

Nankatoa ireo didin'i Yaveh ary tsy nandeha ny vahoaka.

Numbers 9:20

Oviana ihany no fotoana tokana ahafahan'ny vahoaka mandeha?

Rehefa nisandratra tamin'ny didin'i Yaveh ihany ny rahona vao afaka nandeha ny vahoaka.

Numbers 9:22

Oviana no nitoetra tao an-tobin'izy ireo fa tsy nandeha ny vahoakan'Israely?

Rehefa nijanona teo amin'ny tabernakely ny rahona, dia nitoetra tao an-tobin'izy ireo fa tsy nandeha ny vahoakan'Israely.

Ahoana no nahitan'ny vahoakan'Israely ireo didin'i Yaveh?

Nahita ny didin'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy ny vahoakan'Israely.

Numbers 10

Numbers 10:1

Nahoana Yaveh no nilaza tamin'i Mosesy ny mba hanaovany trompetra volafotsy roa?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hanaovany trompetra volafotsy roa Yaveh mba hiantsoana ny fiangonana miaraka na mba hamindrana ny tobin'izy ireo.

Numbers 10:3

Iza no hitsoka ireo trompetra?

Ireo mpisorona no hitsoka ireo trompetra.

Inona no famantarana ho an'ireo mpitarika manokana mba hiangonana eo amin'i Mosesy?

Rehefa mitsoka trompetra iray ihany ireo mpisorona, dia izay no famantarana ho an'ireo mpitarika manokana mba hiangonana eo amin'i Mosesy.

Inona no famantarana ho an'ny vahoaka any atsinanana mba hanombohana ny dian'izy ireo?

Ny fitsofana mafy ny trompetra no famantarana ho an'ny vahoaka any atsinanana mba hanombohana ny dian'izy ireo.

Numbers 10:6

Famantarana ny inona ny fitsofana mora ny trompetra?

Tokony mivory miaraka ny fiangonana.

Iza no hitsoka mandrakariva ireo trompetra?

Ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona, ihany no mitsoka ireo trompetra.

Numbers 10:9

Rehefa nandeha niady ary nampaneno fanairana tamin'ireo trompetra izy ireo, dia inona no nataon'i Yaveh?

Rehefa nandeha niady ary nampaneno fanairana tamin'ireo trompetra izy ireo, dia nahatsiaro azy ireo ka namonjy azy ireo tamin'ireo fahavalony Yaveh.

Numbers 10:10

Inona no fahatsiarovana ho an'Andriamanitra, tamin'ny fotoan'ny fankalazana, fa Yaveh no Andriamanitr'izy ireo?

Hitsoka ny trompetra ho fanomezam-boninahitra ireo fanatitra dorana sy ireo fanati-pihavanana izy ireo.

Numbers 10:11

Inona no nitranga tamin'ny taona faharoa, tamin'ny volana faharoa, tamin'ny andro faha roapolon'ny volana?

Tamin'ny taona faharoa, tamin'ny volana faharoa, tamin'ny andro faha roapolon'ny volana, dia nisandratra avy eo amin'ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena ny rahona.

Taiza no nandehan'ny vahoakan'Israely taorian'ny nialan'izy ireo tany an'efitr'i Sinay?

Nandeha niala tany an'efitr'i Sinay ho any an'efitr'i Parana ny vahoaka.

Numbers 10:14

Toby iza no nivoaka voalohany?

Ny tobin'i Joda no nivoaka voalohany.

Numbers 10:17

Iza no nikarakara ny tabernakely?

Ireo taranak'i Gersona sy Merary.

Numbers 10:21

Iza no nilanja ny fitaovana masina tao amin'ny fitoerana masina?

Ireo Kehatita no nilanja ny fitaovana masina.

Teo ambanin'ny fanevan'iza ireo tafika manaraka no niainga?

Ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'i Efraima no manaraka izay niainga.

Numbers 10:25

Teo ambanin'ny faneva inona ny tafika farany izay niainga?

Ireo tafika izay nitoby teo ambanin'ny fanevan'ireo taranak'i Dana no farany izay niainga.

Numbers 10:29

Iza i Regoela?

Regoela dia rain'ny vadin'i Mosesy.

Iza no nasain'i Mosesy mba ho tonga niaraka tamin'ny vahoakan'Israely?

Nanasa an'i Hobaba zanaky ny vadin'ny rainy i Mosesy.

Taiza kosa no tian'i Hobaba haleha?

Te handeha tany amin'ny taniny sy tany amin'ny vahoakany ihany i Hobaba.

Numbers 10:31

Nahoana no tian'i Mosesy handeha hiaraka amin'izy ireo i Hobaba?

Tian'i Mosesy handeha hiaraka amin'izy ireo i Hobaba satria izy no nahafantatra ny fomba hitobiana tany an'efitra.

Numbers 10:33

Inona no teo ambonin'izy ireo raha nandeha ny andro niaraka tamin'ny fiaran'ny fanekena izy ireo?

Ny rahon'i Yaveh no teo ambony raha nandeha ny andro niaraka tamin'ny fiaran'ny fanekena izy ireo.

Numbers 10:35

Inona no nangatahan'i Mosesy mba hataon'i Yaveh raha niainga tamin'ny diany izy ireo?

Nangataka tamin'i Yaveh ny mba hanelezana ireo fahavalony sy hampadosirana ireo izay nankahala azy teo aminy izy.

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'i Yaveh rehefa nijanona izy ireo?

Nangataka tamin'i Yaveh ny mba hiverenany amin'ny Israely an'aliny maro izy.

Numbers 11

Numbers 11:1

Ny tenin'ny vahoaka inona no nohenoin'i Yaveh?

Nitaraina momba ny olan'izy ireo ny vahoaka raha nihaino Yaveh.

Inona no nataon'i Mosesy rehefa niantso azy momba ny afo ny vahoaka?

Rehefa niantso an'i Mosesy izy ireo, dia nivavaka tamin'i Yaveh i Mosesy, ka nitsahatra ny afo.

Numbers 11:4

Inona no nangatahan'ny vahoakan'Israely rehefa nanomboka nitomany izy ireo?

Nitomany ny vahoakan'Israely ka nanao hoe: "Iza no hanome sakafo hohaninay?"

Numbers 11:7

Taiza no nahitan'ny vahoaka ny mana?

Namakivaky ny tanin'ny toby ary nanangona mana ny vahoaka.

Numbers 11:9

Oviana no nilatsaka tao an-toby ny mana?

Rehefa nilatsaka teo amin'ny toby ny ranon'ando ny alina, dia nilatsaka ihany koa ny mana.

Numbers 11:11

Ahoana no nolazain'i Mosesy tamin'i Yaveh fa nitondrany azy?

Nilaza i Mosesy fa nampijaly mafy ny mpanompony Yaveh.

Numbers 11:13

Inona no nangatahan'ny vahoaka rehefa nitomany teo anatrehan'i Mosesy izy ireo?

Nitomany teo anatrehan'i Mosesy izy ireo ary nangataka sakafo mba hohanina.

Numbers 11:16

Iza no nolazain'i Yaveh mba ho entin'i Mosesy teo Aminy?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hitondrany loholon'Israely fitopolo teo Aminy Yaveh.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataon'ireo mpitarika rehefa avy mametraka ny sasany amin'ny Fanahy amin'izy ireo Izy?

Nilaza Yaveh fa hilanja ny enta-mavesatr'ireo vahoaka hiaraka amin'i Mosesy izy ireo.

Numbers 11:18

Iza no hamatsy sakafo mba hohanin'ny vahoaka?

Hamatsy sakafo ho azy ireo Yaveh, ary hihinana izany izy ireo.

Hafiriana no nolazain'i Yaveh fa hihinanan'ny vahoaka sakafo?

Hihinana sakafo mandritra ny volana manontolo ny vahoaka.

Numbers 11:21

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho hitan'i Mosesy momba ny tenin'i Yaveh?

Nolazain'i Yaveh fa ho hitan'i Mosesy raha marina na tsia ny tenin'i Yaveh.

Numbers 11:24

Inona no nataon'ireo loholona fitopolo rehefa nitoetra tao amin'izy ireo ny Fanahy?

Rehefa nitoetra tao amin'ireo loholona fitopolo ny Fanahy, dia naminany izy ireo.

Numbers 11:26

Inona no nahazo ireo lehilahy roa izay nijanona tao an-toby?

Nitoetra tao amin'ireo lehilahy roa izay nijanona tao an-toby ihany koa ny Fanahy.

Numbers 11:28

Inona no nangatahan'i Josoa mba hataon'i Mosesy momba ireo lehilahy roa izay naminany tao an-toby?

Nangataka tamin'i Mosesy ny hanajanonana azy ireo tsy haminany intsony i Josoa.

Numbers 11:31

Taiza no nilatsahan'ny papelika avy tao amin'ny toby?

Nilatsaka teo akaikin'ny toby, teo ho eo amin'ny lalana iray andro tany amin'ny andaniny ary lalana iray andro tany amin'ny ankilany ny papelika.

Hafiriana no sahirana nanangona ny papelika ny vahoaka?

Sahirana nanangona ny papelika ny andro tontolo, ny alina manontolo, ary ny andro manaraka rehetra ny vahoaka.

Numbers 11:33

Ahoana no nataon'i Yaveh tamim-pahatezerana, raha mbola nitsako ny hena ny vahoaka?

Raha mbola nitsako ny hena ny vahoaka, dia nanjary tezitra tamin'izy ireo Yaveh ka namely azy ireo tamin'ny aretina lehibe.

Numbers 12

Numbers 12:1

Nahoana no niresaka nanohitra an'i Mosesy i Miriama sy Arona?

Niresaka nanohitra an'i Mosesy noho ilay vehivavy Kosita izay nampakariny i Miriama sy Arona.

Inona no nolazaina mba hanindriana fa nanetri-tena i Mosesy?

Ilay lehilahy Mosesy dia tena nanetri-tena, be fanetre-tena noho ny olona hafa rehetra eto an-tany.

Numbers 12:4

Taiza no niantsoan'i Yaveh an'i Mosesy, Arona, sy Miriama?

Niantso an'i i Mosesy, Arona, sy Miriama avy tao amin'ny trano-lay fihaonana Yaveh.

Tamin'ny inona ary taiza no nisehoan'i Yaveh mba hiresaka tamin'izy ireo?

Nidina tao amin'ny andry rahona ary nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay Yaveh.

Numbers 12:6

Ahoana no nanambaran'i Yaveh ny tenany tamin'ireo mpaminaniny teo amin'ireo vahoaka?

Rehefa miaraka amin'ny vahoaka ny mpaminanin'i Yaveh, dia nanambara ny tenany tamin'ilay mpaminany tamin'ny fahitana sy nofy Yaveh.

Ahoana no niresahan'i Yaveh tamin'ny fomba hafa tamin'i Mosesy noho ireo mpaminany hafa?

Niresaka tamin'i Mosesy nivantana Yaveh, fa tsy tamin'ny fahitana na ankamantatra.

Numbers 12:9

Ahoana no fihetsik'Andriamanitra tamin'i Arona sy Miriama?

Nirehitra tamin'izy ireo ny hatezerany.

Inona no tsikaritr'i Arona momba an'i Miriama rehefa lasa Yaveh ka niakatra niala teo ambonin'ny lay ny rahona?

Rehefa niakatra niala teo ambonin'ny lay ny rahona, dia boka tampoka i Miriama—fotsy toy ny oram-panala izy.

Numbers 12:11

Inona no nolazain'i Arona momba izay nolazain'izy ireo tamin'i Mosesy?

Nilaza i Arona fa niresaka fahadalana sy nanota izy ireo.

Ahoana no nanoritsoritan'i Arona hoe tahaka ny inona ny habokan'i Miriama?

Nanoritsoritra azy tahaka ny zaza vao teraka maty izay lany ny antsasaky ny nofony izy.

Numbers 12:13

Inona no nolazain'i Yaveh fa sazy ara-dalàna raha mandrora ny tavan'ny zanany vavy ny ray?

Nilaza Yaveh fa raha mandrora ny tavany ny rainy, dia ho afa-baraka mandritra ny fito andro izy.

Taiza no tsy maintsy nijanonan'i Miriama nandritra ny 7 andro ary inona no tsy nataon'ny vahoaka mandra-piverin'i Miriama tao an-toby?

Nohidina tany ivelan'ny toby nandritra ny fito andro i Miriama ary tsy nandeha mandra-piverin'i Miriama tao an-toby ny vahoaka.

Numbers 13

Numbers 13:1

Taiza no nolazan'i Yaveh mba handefasan'i Mosesy lehilahy maromaro?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba handefasana lehilahy maromaro mba hizaha ny tany Kanana, izay nomeny ny vahoakan'Israely Yaveh.

Inona no filaharan'ireo lehilahy izay nalefa avy tao amin'ny vahoakan'Israely?

Mpitarika avy amin'ny foko tsirairay teo amin'ny vahoakan'Israely ny lehilahy rehetra.

Numbers 13:13

Iza no anarana nampiasain'i Mosesy ho an'i Hosea zanaka lahin'i Nona izay voafidy?

Niantso an'i Hosea zanaka lahin'i Nona tamin'ny anarana hoe Josoa i Mosesy.

Numbers 13:17

Inona no nolazain'i Mosesy mba hodinihan'ireo lehilahy momba ny vahoaka izay nipetraka tao amin'ilay tany?

Nilaza tamin'ireo lehilahy mba handinika ny vahoaka izay nipetraka tao i Mosesy, na matanjaka na malemy, ary na vitsy na maro izy ireo.

Inona no nolazain'i Mosesy mba hojeren'ireo lehilahy momba ireo tanàna ao amin'ilay tany?

Nilaza tamin'izy ireo i Mosesy mba hijery raha toy ny toby na tanàna mimanda ireo tanàna.

Inona no nolazain'i Mosesy mba hozahan'ireo mpitarika momba ny tany ary inona no tokony entin'izy ireo miverina?

Niteny tamin'ireo mpitarika i Mosesy mba hijery na tsara ho an'ny fambolena na tsia ilay tany, ary raha misy hazo maniry ao na tsia, ary hitondra santionany amin'ny vokatry ny tany.

Numbers 13:23

Inona no notapahin'ireo lehilahy teo amin'ny Lohasahan'i Eskola?

Rehefa tonga tao amin'ny Lohasahan'i Eskola izy ireo, dia nanapaka sampam-boaloboka.

Numbers 13:25

Hafiriana no lanin'ireo lehilahy mba hizahana ny tany?

Niverina avy tany am-pizahana ny tany afaka efapolo andro ireo lehilahy.

Ho an'iza no nitondran'izy ireo valinteny ankoatra an'i Mosesy sy Arona?

Nitondra valin-teny ho an'ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra ihany koa izy ireo.

Numbers 13:27

Inona no notaterin'ireo lehilahy momba ny vahoaka tao amin'ilay tany?

Nitatitra ireo lehilahy fa natanjaka ny vahoaka izay nanao ny tranon'izy ireo tao amin'ilay tany.

Teny inona no nentin'ireo lehilahy niverina momba ireo tanàna tao amin'ilay tany?

Nitondra teny niverina ireo lehilahy fa mimanda sy midadasika ireo tanàna.

Numbers 13:30

Oviana no namporisika ny vahoaka mba hanafika ilay tany i Kaleba?

Namporisika ny vahoaka mba hanafika izany indray mandeha i Kaleba.

Nahoana ireo lehilahy hafa izay nandeha niaraka tamin'i Kaleba no nilaza fa tsy afaka ny hanafika ny vahoaka izy ireo?

Ireo lehilahy hafa izay niaraka tamin'i Kaleba dia nilaza fa tsy afaka ny hanafika ny vahoaka izy ireo satria izy ireo dia natanjaka noho izy ireo.

Numbers 13:32

Ahoana no nanoritsoritan'ireo lehilahy ny fahatsapany ny hakelin'izy ireo raha oharina amin'ireo goavan'ilay tany?

Nilaza ireo lehilahy fa raha ny fijerin'izy ireo manokana dia tahaka ny valala izy ireo raha ampitahaina amin'ireo goavan'ilay tany.

Numbers 14

Numbers 14:1

Ahoana ny fihetseham-pon'ny olona tamin'ireo vaovao momba ireo goavana tao amin'ilay tany?

Tamin'izany alina izany dia nitomany mafy ny fiangonana rehetra.

Inona no nirian'ny fiangonan'Israely manontolo hitranga rehefa nitsikera an'i Mosesy sy Arona izy ireo?

Niteny tamin'i Mosesy sy Arona izy ireo fa naleon'izy ireo maty tany amin'ny tany Egypta toy izay tany an'efitra.

Inona no noheritreretin'izy ireo fa tsara noho ny mandeha any amin'ny tany izay nitondran'i Yaveh azy ireo?

Nihevitra izy ireo fa tsara ny miverina any Egypta miaraka amin'ny vadin'izy ireo sy ny zaza madinik'izy ireo.

Numbers 14:4

Inona no nifampiresahan'ny vahoaka momba izay atao?

Niresaka momba ny fisafidianana mpitarika hafa izy ireo ary hiverina any Egypta.

Inona no nataon'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny fiangonana?

Niankohoka tamin'ny tavany teo anoloan'ny fivorian'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely rehetra i Mosesy sy Arona.

Numbers 14:6

Ahoana no fihetsik'i Josoa sy Kaleba?

Nandrovitra ny fitafian'izy ireo i Josoa sy Kaleba.

Inona no nolazain'i Josoa sy Kaleba tamin'ny fiangonana fa hitranga raha ankasitrahan'i Yaveh izy ireo?

Nolazain'izy ireo fa raha ankasitrahan'i Yaveh izy ireo dia hitondra azy ireo any amin'izany tany izany sy hanome izany ho azy ireo Izy.

Ahoana no nanoritsoritan'i Josoa sy Kaleba ny tany?

Nosoritsoritan'i Josoa sy Kaleba ho tany izay tondra-dronono sy tantely ilay tany.

Numbers 14:9

Nahoana i Josoa sy Kaleba no niteny fa halàna amin'ny vahoakan'ilay tany ny fiarovana?

Nilaza izy ireo fa halàna amin'ny vahoakan'ilay tany ny fiarovana satria momba ny vahoakan'Israely Yaveh.

Tian'ny fiangonana rehetra hatao inona i Josoa sy Kaleba, ary taiza no nisehoan'ny voninahitr'i Yaveh?

Te hitora-bato hamono an'i Josoa sy Kaleba ny fiangonana rehetra. Dia niseho tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny voninahitr'i Yaveh.

Numbers 14:11

Inona no natolotr'i Yaveh mba hitahiana ny fokon'i Mosesy rehefa avy manafika azy ireo amin'ny areti-mandringana sy tsy hampandova ny vahoakan'Israely Izy?

Nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh fa hanangana firenena izay ho lehibe sy mahery noho ny vahoakan'Israely avy amin'ny fokony ihany Izy.

Numbers 14:13

Inona no nolazain'i Mosesy fa hataon'ireo Egyptiana rehefa mandre ny momba ny famotehan'i Yaveh ny Israely izy ireo?

Nilaza i Mosesy fa hilaza amin'ireo mponin'izany tany izany ireo Egyptiana.

Numbers 14:15

Inona no nolazain'i Mosesy fa holazain'ireo firenena raha mamono ny vahoakan'Israely any an'efitra Yaveh?

Nilaza Izy fa hilaza izy ireo fa satria tsy nahavita nitondra izany vahoaka izany tany amin'ny tany izay nianianany homena azy ireo Yaveh, dia novonoiny tany an'efitra izy ireo.

Numbers 14:17

Nahoana no niangavy tamin'i Yaveh ny mba hamelana ny fahotan'ny vahoaka i Mosesy?

Niangavy tamin'i Yaveh ny mba hamelana ny fahotan'ny vahoaka noho ny haben'ny famindram-pony i Mosesy.

Numbers 14:20

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga satria efa namela azy ireo tamin'ny fitanana ny fangatahan'i Mosesy Izy?

Nilaza Yaveh fa raha mbola velona koa Izy, dia feno ny voninahiny ny tany rehetra.

Inona no nataon'ireo vahoaka rehetra izay nahita ny voninahitr'i Yaveh sy ireo famantarana ny fahefana izay efa nataony tany Egypta sy tany an'efitra?

Ny vahoaka rehetra izay nahita ny voninahiny sy ireo famantarana dia naka fanahy azy im-10 ary tsy nihaino ny feony.

Numbers 14:23

Inona no hitranga amin'ireo vahoaka izay nanao tsinontsinona an'i Yaveh?

Ny vahoaka izay nanao tsinontsinona an'i Yaveh dia tsy hahita ny tany izay nanaovan'i Yaveh fianianana tamin'ny razamben'izy ireo.

Inona no nataon'i Kaleba satria nanana fanahy hafa izy, ary inona no hitranga amin'i Kaleba?

Nanana fanahy hafa i Kaleba koa dia nanaraka an'i Yaveh tanteraka izy; noho izany dia handeha any amin'ny tany izay nosafoiny izy ary ireo taranany no ho tompon'izany.

Taiza no nolazan'i Yaveh handehanan'ny vahoaka ny ampitso?

Nilaza tamin'ny vahoaka ny mba hiverenana ny ampitso sy ny handehanana any an'efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena Yaveh.

Numbers 14:28

Firy taona ny olona nolazain'i Yaveh fa ho lavo maty any an'efitra?

Nilaza i Yaveh fa ny fatin'ny olona manomboka amin'ny roapolo taona no ho miakatra no ho hiampatra any an'efitra.

Iza ihany ireo lehilahy roa mihoatra ny 2O taona izay nolazain'i Yaveh fa ho entiny any amin'ny tany izay nampanantenainy ho fonenan'izy ireo?

Nolazainy fa i Kaleba sy Josoa ihany no hoentiny any amin'ny tany izay nampanantenainy ho fonenan'izy ireo.

Numbers 14:31

Iza ihany koa no nolazain'i Yaveh fa ho entiny any amin'ny tany?

Nilaza Izy fa ho entiny any amin'ny tany ny zaza madinik'izy ireo izay nolazain'ny ray aman-dreny fa ho lasibatra.

Numbers 14:34

Firy taona no hizakan'ny olona ny vokatry ny fahotan'izy ireo ary nahoana no izany isa izany?

Hizaka ny vokatry ny fahotan'izy ireo mandritra ny efapolo taona izy ireo satria nisafo ny tany nandritra ny 40 andro ireo lehilahy.

Numbers 14:36

Inona no nanjo ireo lehilahy izay nandeha nijery ny tany?

Ireo lehilahy izay nirahin'i Mosesy mba hijery ny tany dia matin'ny areti-mandringan'i Yaveh avokoa.

Iza no sisa velona tamin'ireo lehilahy izay nandeha nijery ny tany?

Tamin'ireo lehilahy izay nandeha nijery ny tany, dia Josoa sy Kaleba ihany no sisa velona.

Numbers 14:41

Nahoana no nilaza tamin'ny vahoaka ny tsy handehanana miditra ilay tany Mosesy?

Nilaza tamin'izy ireo ny tsy hidiran'izy ireo tamin'ny tany i Mosesy satria efa nandìka ny didin'i Yaveh izy ireo ary satria tsy nomba azy ireo mba hanakana ny fahavalon'izy ireo tsy handresy azy ireo Yaveh.

Numbers 14:44

Iza no tsy niala tao an-toby mba hiakatra tany amin'ny tany havoana niaraka tamin'ny vahoaka?

Na i Mosesy na ny fiaran'ny faneken'i Yaveh dia samy tsy nisy niala tao an-toby rehefa niakatra tany amin'ny tany havoana izy ireo.

Numbers 15

Numbers 15:1

Namokatra inona ho an'i Yaveh ireo fanatitra tamin'ny firavoravoana?

Nahatonga hanitra mamarovero ho an'i Yaveh ireo fanatitra tamin'ny firavoravoana.

Numbers 15:4

Fanatitra hohanina inona no nentin'izy ireo niaraka tamin'ny ondrilahy fanatitra?

Niaraka amin'ny ondrilahy fanatitra, dia nitondra lafarina tsara toto voaharoharo amin'ny menaka ho fanatitra hohanina izy ireo.

Fanatitra sotroina inona no nentin'ny olona niaraka tamin'ny fanatitra doran'izy ireo na niaraka tamin'ireo sorona ho an'ny zanak'ondry tsirairay?

Nolazaina mba hikarakara divay ho fanatitra sotroina niaraka tamin'ny fanatitra doran'izy ireo na niaraka tamin'ireo sorona ho an'ny zanak'ondry tsirairay ny vahoaka.

Numbers 15:11

Iza no nolazaina mba hanaraka ireo lalàna momba ny fanatitra ireo?

Ny rehetra izay tera-tany Israelita no nolazaina mba hanomana ireo sorona sy ireo fanatitra araka izay nosoritsoritan'i Yaveh teto.

Numbers 15:14

Ahoana no hiharan'ny lalàna sy didy amin'ny vahiny izay nitoetra niaraka tamin'ny vahoakan'Israely?

Lalàna mitovy ihany no nihatra tamin'ny mpivahiny sy vahiny izay nitoetra niaraka tamin'ny vahoakan'Israely.

Numbers 15:20

Inona no ho ataon'ny vahoaka amin'ny voalohan-koban'izy ireo?

Tsy maintsy hanandratra mofo avy amin'ny voalohan-koban'izy ireo ny vahoaka.

Impiry no nandidy ny vahoaka mba hanandratra fanatitra avy amin'ny voalohan-koban'izy ireo Yaveh?

Nilaza Izy fa tsy maintsy manandratra fanatitra hatramin'ny taranaky ny vahoaka izy ireo.

Numbers 15:22

Inona no ataon'ny fiangonana momba ny fahotany tsy nahy?

Tsy maintsy hanolotra vantotr'ombilahy, fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina, ary ondry lahy iray ho fanatitra noho ny ota ny fiangonana rehetra.

Numbers 15:25

Iza no tokony anaovan'ny mpisorona fanavotana ary nahoana?

Tsy maintsy hanao fanavotana ho an'ny fiangonan'ny vahoaka rehetra ny mpisorona satria fahadisoana tsy nahy ny fahotana.

Numbers 15:30

Inona no tsy maintsy atao amin'ny olona izay nanao zavatra amin'ny fihantsiana ary nahoana?

Ny olona izay manao zavatra amin'ny fihantsiana dia tsy maintsy fongorana tanteraka hiala amin'ny vahoakany satria efa nanao tsinontsinona ny tenin'i Yaveh ary nandika ny lalàny izy.

Numbers 15:35

Nataon'ny fiangonana inona ny olona tratra manangona kitay amin'ny Sabata?

Entin'ny fiangonana ivelan'ny toby izy ary ho toraham-bato mba ho faty.

Numbers 15:37

Inona no nandidiana ireo taranak'Israely mba hatao eo amin'ny akanjon'izy ireo ho azy ireo?

Nodidiana mba hanao somitr'aviavy ho an'ny tenan'izy ireo hiraviravy avy eo amin'ny moron'akanjon'izy ireo miaraka amin'ny tady manga ireo taranak'Israely.

Natao ho fampahatsiahivana ny inona ireo somitr'aviavy?

Ireo somitr'aviavy dia ho fampahatsiahivana fa hitandrina ireo didin'i Yaveh fa tsy hanaraka ny fony sy ny masony ihany izy ireo.

Numbers 15:40

Ho fampahatsiahivana ny inona ihany koa ireo somitr'aviavy?

Ireo somitr'aviavy dia ho fampahatsiahivana ny mba hankatoavana ny didin'i Yaveh rehetra ary ny mba hahamasina, hahavoatokana azy ireo ho an'Andriamanitra.

Inona no nolazain'i Yaveh fa nataony mba hahalasa Azy ho Andriamanitry ny vahoakan'Israely?

Nilaza Yaveh fa nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta, mba ho lasa Andriamanitr'izy ireo Izy.

Numbers 16

Numbers 16:1

Iza—tamin'ny niaraka tamin'i Datana, Abirama, ary Ona—no nanangona sasany tamin'ireo lehilahy hanohitra an'i Mosesy?

Nanangona sasany tamin'ireo lehilahy hanohitra an'i Mosesy i Kora.

Iza no niaraka tamin'i Kora, Datana, Abirama, ary Ona mba hitsangana hanohitra an'i Mosesy?

Mpitariky ny vahoakan'Israelita dimampolo sy roanjato no nitsangana niaraka tamin'izy ireo hanohitra an'i Mosesy.

Lehilahy roa iza no noheverin'i Kora sy ireo hafa fa nanandra-tena ho ambonin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh?

Nihevitra izy ireo fa Mosesy sy Arona no nanandra-tena ho ambonin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh.

Numbers 16:4

Inona no nataon'i Mosesy rehefa nandre izay nolazain'ireo mpitarika taminy izy?

Nampiankohoka ny tavany i Mosesy rehefa nandre izay nolazain'ireo mpitarika taminy izy.

Iza no nolazain'i Mosesy fa haneho amin'i Kora sy ireo izay niaraka taminy izay voafidy amin'ny mpisoron'i Yaveh, amin'ny fitsanganany ny maraina?

Nilaza tamin'i Kora sy ireo izay niaraka taminy i Mosesy fa haneho izay nofidiany ho mpisorona Yaveh, amin'ny alalan'ny fitondrana izany lehilahy izany ny maraina.

Numbers 16:6

Iza no natoron'i Mosesy mba hitondra ny fitondran'afo mba hanehoana izay nofidian'i Yaveh ho olona masina, ary tokony ataon'izy ireo inona ny fitondran'afo?

Nibaiko an'i Kora sy ny tariny rehetra mba hitondra ny fitondran'afo ny ampitso sy anisy afo ary ditin-kazo manitra anatin'izany eo anoloan'i Yaveh i Mosesy mba hanehoana izay nofidian'i Yaveh ho olona masina.

Numbers 16:8

Inona no asa izay nanasarahan'i Yaveh ireo Levita tamin'ny fiangonan'Israely mba hataon'izy ireo?

Nanasaraka ireo Levita tamin'ny fiangonan'Israely mba hitondrana azy ireo akaikin'ny tenany, mba hanao ny asany ao amin'ny tabernakelin'i Yaveh, ary hijoro eo anoloan'ny fiangonana mba hanompo azy ireo Yaveh.

Hanohitra an'iza no nivorian'i Kora sy ireo Levita rehefa nangataka ny fisoronan'i Arona sy nitaraina ny amin'i Arona izy ireo?

Nivondrona hanohitra an'i Yaveh i Kora sy ireo Levita rehefa nangataka ny fisoronan'i Arona sy nitaraina ny amin'i Arona izy ireo.

Numbers 16:12

Inona no nolazain'i Datana sy Abirama rehefa niantso azy ireo ho avy i Mosesy, ary inona no nolazain'izy ireo momba an'i Mosesy?

Nilaza i Datana sy Abirama fa tsy hankany amin'i Mosesy izy ireo. Nilaza izy ireo fa nitondra azy ireo nivoaka ny tany tondra-dronono sy tantely, mba hamono azy ireo any an'efitra i Mosesy, ary fa te hanapaka azy ireo izy.

Numbers 16:15

Inona no nangatahan'i Mosesy tamim-pahatezerana tamin'i Yaveh momba ny fanatitr'i Datana sy Abirama, ary inona no nolazain'i Mosesy fa tsy nalainy tamin'izy ireo na nataony?

Nangataka tamim-pahatezerana tamin'i Yaveh ny mba tsy hanekena ny fanatitr'izy ireo i Mosesy, ary nilaza i Mosesy fa tsy naka na ampondra iray tamin'izy ireo, ary tsy nanisy ratsy na ny iray tamin'izy ireo aza izy.

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'ireo lehilahy 250 sy Arona mba ho entina miaraka amin'izy ireo ny ampitso ary taiza no tokony alehan'izy ireo?

Nilaza tamin'ireo lehilahy 250 sy Arona niaraka taminy mba ho tonga eo anatrehan'i Yaveh miaraka amin'ny fitondran'afon'izy ireo i Mosesy.

Numbers 16:18

Inona no niseho rehefa nivondrona hanohitra an'i Mosesy sy Arona i Kora sy ireo mpanaraka azy ka nitsangana teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo?

Rehefa nivondrona hanohitra an'i Mosesy sy Arona i Kora sy ireo mpanaraka azy ka nitsangana teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana, dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Yaveh.

Numbers 16:20

Inona no tian'i Yaveh mba hataon'i Mosesy sy Arona?

Tian'i Yaveh hanasaraka ny tenan'izy ireo amin'ny izany fiangonana izay mety ho levoninina avy hatrany izany Yaveh.

Inona no nataon'i Arona sy Mosesy ary nolazainy rehefa nibaiko azy ireo ny mba hialany amin'ny vahoaka izay niangona teo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay ny Andriamanitry ny fanahin'ny olombelona rehetra?

Niankohoka i Mosesy sy Arona ary nanontany ny Andriamanitry ny fanahin'ny olombelona rehetra raha tezitra amin'ny fiangonana rehetra Izy nefa olona iray ihany no nanota.

Numbers 16:23

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy mba holazaina mba hataon'ny fiangonana?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hialàn'ny fiangonana ao amin'ireo lain'i Kora, Datana, ary Abirama Yaveh.

Numbers 16:25

Iza no nanaraka an'i Mosesy rehefa nankany amin'i Datana sy Abirama ary nilaza tamin'ny fiangonana ny mba hialàna tao amin'ireo lain'ireo izay lehilahy ratsy fanahy ary tsy hikasika na inona na inona amin'ny azy ireo izy?

Ireo loholon'Israely no nanaraka an'i Mosesy rehefa nankany amin'i Datana sy Abirama ary nilaza tamin'ny fiangonana ny mba hialàna tao amin'ireo lain'ireo izay lehilahy ratsy fanahy ary tsy hikasika na inona na inona amin'ny azy ireo izy.

Inona no nolazainy tamin'izy ireo fa hahazo ny fiangonana raha mitoetra akaikin'ny lain'izy ireo izy ireo?

Nilaza izy fa ho levona noho ireo fahotan'izy rehetra ny fiangonana.

Iza no nivoaka tao amin'ny lain'izy ireo ary nijoro teo amin'ny fidiran'ny lain'izy ireo, niaraka tamin'ireo vadiny, zanaka lahy, ary ireo madininy?

Nivoaka i Datana sy Abirama ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny lain'izy ireo, niaraka tamin'ireo vadiny, zanaka lahy, ary ireo madininy.

Numbers 16:28

Ahoana no ahafantaran'ny vahoaka fa naniraka an'i Mosesy mba hanao ny asa rehetra fa tsy nanao ireny tamin'ny sainy Yaveh?

Raha maty amin'ny fahafatesana voajanahary tahaka ny zava-misy ara-dalàna ireny olona ireny, dia tsy nandefa an'i Mosesy i Yaveh. Fa raha mamorona fisokafana amin'ny tany izay mitelina azy ireo ao tahaka ny vava lehibe, miaraka amin'ireo fianakaviany rehetra i Yaveh, ary raha midina velona any amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo, dia ho fantatry ny vahoaka rehetra fa ireny olona ireny dia nanao tsinontsinona an'i Yaveh.

Numbers 16:31

Inona no nitranga vantany vao nitsahatra niteny tamin'i Kora sy ireo lehilahy i Mosesy?

Vantany vao nitsahatra niteny Mosesy, dia nisokatra ary nitelina an'i Kora, ireo lehilahy, ny fianakavian'izy ireo, ary ny fananan'izy ireo ny tany.

Numbers 16:33

Inona no nahazo ny olona rehetra tao amin'ny fianakavian'izy ireo?

Nidina velona tany amin'ny Fiainan-tsy hita ireo rehetra tao amin'ireo fianakaviany, nikatona teo ambonin'izy ireo ny tany, ary fongotra teo afovoan'ny fivondronana izy ireo.

Inona no nataon'ny Israely rehetra, ary inona no natahoran'izy ireo?

Nandositra ny Israely rehetra satria natahotra izy ireo sao hitelina azy ireo ny tany.

Inona no nahazo ireo lehilahy 250 izay nanolotra ditin-kazo manitra tamin'ny Tompo?

Nitselatra ny afo avy tamin'i Yaveh ary nandrapaka ireo olona 250 izay nanolotra ditin-kazo manitra.

Numbers 16:36

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy mba holazaina hataon'i Eleazara, zanaka lahin'i Arona mpisorona, ary nahoana?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hilazana an'i Eleazara ny hakàny fitondran'afo avy ao amin'ny tapa-porohana ary mba hampiely lavenona satria masina ny fitondran'afo, voatokany ho Azy i Yaveh.

Inona no nolazain'i Mosesy mba hanaovan'i Eleazara ny vin'ireo fitondran'afon'ireo izay namoy ny ainy nohon'ny fahotany?

Tsy maintsy hanefy ny vy avy amin'ireo fitondran'afo mba handrakofana ny alitara i Eleazara satria tsy maintsy atokana ho an'i Yaveh ireny.

Ho famantarana ny inona ny rakotry ny alitra?

Ho famantarana ny fisian'i Yaveh amin'ireo vahoakan'Israely ny rakotry ny alitara.

Numbers 16:39

Lasa famantarana ny inona ny fitondran'afo varahina?

Ho lasa fampahatsiahivana ho an'ireo vahoakan'Israely ireo, mba tsy hisy olona, izay tsy taranaka avy amin'i Arona, ho avy handoro ditin-kazo manitra manoloana an'i Yaveh

Numbers 16:41

Inona no nolazain'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely rehetra ny ampitso mba hitarainana ny amin'i Mosesy sy Arona?

Ny ampitso maraina dia nitaraina ny amin'i Mosesy sy Arona ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra nilaza fa novonoin'i Mosesy sy Arona ny vahoakan'i Yaveh.

Inona no nitranga rehefa nijery tany amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo?

Nandrakotra ny trano-lay fihaonana ny rahona ary niseho ny voninahitr'i Yaveh.

Taiza no nalehan'i Mosesy sy Arona?

Nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana i Mosesy sy Arona.

Numbers 16:44

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy raha nijoro teo amin'ny lay masina izy ireo?

Nilaza tamin'i Mosesy Yaveh fa tokony hiala amin'ny fivondronana izy ireo mba ho afaka mandevona ny fivondronana avy hatrany Izy.

Inona no nataon'i Arona sy Mosesy rehefa nolazain'i Yaveh ny mba hiala amin'ny vahoaka izy ireo?

Nampiondrika ny tavany tamin'ny tany i Mosesy sy Arona rehefa nolazaina ny mba hiala amin'ny vahoaka izy ireo.

Inona no nataon'i Mosesy sy Arona mba hanatsaharana ny areti-mandringana noho ny hatezeran'i Yaveh?

Nilaza tamin'i Arona ny mba hakany ny fitondran'afo, hanasiana afo ao anatin'izany eo amin'ny alitara, hanisiana ditin-kazo manitra ao anatin'izany, ary ny hitondrana izany faingana any amin'ny fivondronana i Mosesy.

Numbers 16:47

Taiza no nihazakazahan'i Arona mba hanaovana fanavotana raha niparitaka ny areti-mandringana, ary inona no nijoroany teo afovoany?

Nihazakazaka ho eo afovoan'ny fivondronana Arona raha niparitaka ny areti-mandringana, ary nitsangana teo anelanelan'ny velona sy ny maty izy.

Numbers 16:49

Ankoatra ireo izay maty tahaka an'i Kora, dia firy no matin'ny areti-mandringana?

Ankoatra ireo izay maty tahaka an'i Kora, ireo izay matin'ny areti-mandringana dia 14.700

Inona no nitranga rehefa niverina teny amin'ny fidirana mankao amin'ny lay Arona?

Nitsahatra ny areti-mandringana rehefa niverina teny amin'ny fidirana mankao amin'ny lay masina Arona.

Numbers 17

Numbers 17:1

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely mba halaina isaky ny foko ary atao inona izay nalain'izy ireo?

Nibaiko an'i Mosesy ny mba hilazany amin'ny vahoakan'Israely ny mba hakany tehina roa ambin'ny folo, iray isaky ny tsirairay amin'ireo fokon-drazana i Yaveh, ka anoratra ny anaran'ny mpitarika eo amin'ny tehiny.

Numbers 17:3

Anaran'iza no nobaikon'i Yaveh mba hapetak'i Mosesy eo amin'ny tehin'i Levy?

Nibaiko an'i Mosesy ny mba hanoratany ny anaran'i Arona eo amin'ny tehin'i Levy Yaveh.

Nataon'i Mosesy inona ireo tehina roa ambin'ny folo?

Napetrak'i Mosesy tao amin'ny trano-lay fihaonana teo anoloan'ny lalàn'ny fanekena ireo tehina.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga amin'ny tehin'ny olona izay fidian'i Yaveh?

Ny tehin'ny olona, izay fidian'i Yaveh dia hitsimoka.

Inona no hitranga rehefa nampitsimoka ny tehina i Yaveh?

Hampitsahatra ny fitarainana avy amin'ny vahoakan'Israely izay ambarany hanoherana an'i Mosesy i Yaveh.

Numbers 17:6

Rehefa niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy, dia iza no nanome ny tehin'izy ireo an'i Mosesy?

Nanome tehina azy avokoa ireo mpitarika ara-poko rehetra anisan'izany i Arona.

Numbers 17:8

Inona no hitranga amin'ny iray amin'ireo tehina rehefa mametraka ireo tehina eo anoloan'i Yaveh ao amin'ny lain'ny didim-panekena Mosesy?

Rehefa mametraka ireo tehina eo anoloan'i Yaveh ao amin'ny lain'ny didim-panekena Mosesy, dia nitsimoka ary namoaka voniny sy amygdala ny tehin'i Arona.

Nataon'i Mosesy inona ireo tehina rehetra?

Nentin'i Mosesy nivoaka tsy ho eo anatrehan'i Yaveh ho eo amin'ny vahoakan'Israely manontolo ireo tehina rehetra, ary samy naka ny tehiny avy ny olona tsirairay.

Numbers 17:10

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy mba hanaovany ny tehin'i Arona?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hametrahana ny tehin'i Arona eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena Yaveh.

Nahoana no niteny tamin'i Mosesy ny mba hametrahana ny tehin'i Arona eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena Yaveh?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hametrahana ny tehin'i Arona eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena mba hitehirizana izany ho famantaran-keloka hanohitra ireo olona izay nikomy izany mba hanatsaharan'i Mosesy ny fitarainana ny amin'i Yaveh.

Numbers 17:12

Natahotra inona ny vahokan'Israely?

Natahotra ny vahokan'Israely fandrao ho faty izy ireo rehefa manatona ny tabernakelin'i Yaveh ny olona.

Numbers 18

Numbers 18:1

Inona no nolazain'i Yaveh fa i Arona, ireo zanany lahy, ary ireo fokon-drazany ihany ho tompon'andraikitr'izany?

Nilaza tamin'i Arona i Yaveh fa izy, ireo zanany lahy, ary ireo fokon-drazany ihany no ho tompon'andraikitry ny fahotana rehetra natao tamin'ny fitoerana masina.

Iza no nolazain'Andriamanitra fa ho tompon'andraikitry ny fahotana rehetra izay nataon'ny olona tamin'ny fisoronana?

Arona sy ireo zanany lahy ihany no ho tompon'andraikitry ny fahotana rehetra izay nataon'ny olona tamin'ny fisoronana.

Foko iza no nanampy an'i Arona sy ireo zanany lahy rehefa nanompo teo anoloan'ny lain'ny didim-panekena izy ireo?

Ny fokon'i Levy, ny fokon-drazan'i Arona, no nanampy an'i Arona sy ireo zanany lahy rehefa nanompo teo anoloan'ny lain'ny didim-panekena izy ireo.

Numbers 18:3

Aiza no tsy afaka andehanan'ireo Levita raha nanompo an'i Arona sy ny lay izy ireo?

Tsy afaka hanakaiky ireo zavatra ao amin'ny fitoerana masina na ao amin'ny alitara ireo Levita.

Inona no nitranga raha nanakaiky ny zavatra ao amin'ny fitoerana masina na alitara ireo Levita?

Raha nanakaiky zavatra ao amin'ny fitoerana masina na alitara ireo Levita, dia ho faty izy ireo sy Arona.

Iza no tsy afaka nanakaiky an'i Arona?

Ny vahiny no tsy afaka nanakaiky an'i Arona.

Inona no andraikitr'ireo Levita?

Hanampy an'i Arona mba hikarakara ny trano-lay fihaonana sy ny asa rehetra mifandray amin'ny lay ireo Levita.

Nahoana no nikarakara ny fitoerana masina sy ny alitara i Arona sy ireo zanany lahy?

Tsy maintsy mikarakara ny fitoerana masina sy ny alitara i Arona sy ireo zanany lahy mba tsy hiavian'ny fahatezeran'i Yaveh eo amin'ireo zanak'Israely indray.

Numbers 18:6

Fanomezana inona no nomen'i Yaveh an'i Arona sy ireo zanany lahy ary nahoana no nanome azy ireo Izy?

Nifidy ireo Levita ho fanomezana, nomen'i Yaveh, mba hanao ny asa mifandraika amin'ny trano-lay fihaonana ho an'i Arona i Yaveh.

Iza irery ihany no navela hanao ny fisoronana momba ny zavatra rehetra mifandray amin'ny alitara sy ny zavatra rehetra anatin'ny lamba?

Arona sy ireo zanany ihany no afaka nanao ny fisoronana momba ny zavatra rehetra mifandray amin'ny alitara sy ny zavatra rehetra anatin'ny lamba.

Inona no hitranga amin'izay vahiny izay nanatona ny alitaran'i Yaveh ao anatin'ny lamba?

Izay vahiny manatokatona ny alitaran'i Yaveh ao anatin'ny lamba dia ho vonoina.

Numbers 18:8

Zava-masina inona ho an'i Yaveh no omena an'i Arona sy ireo zanany lahy ho anjara hatrany?

Ireo zavatra avy amin'ireo fanatitra masina indrindra izay omen'ny vahoakan'Israely an'i Yaveh izay tsy may tanteraka no ho anjaran'i Arona sy ireo zanany lahy hatrany.

Fanatitra hafa inona no ho azy sy ireo zanany lahy?

Ny fanatitra rehetra izay nentin'ny olona—anisan'izany ny fanatitra hohanina rehetra, ny fanatitra nohon'ny ota rehetra, ary ny fanatitra nohon'ny heloka rehetra—no ho an'i Arona sy ireo zanany lahy.

Numbers 18:10

Ahoana no hihinanan'ny lahy rehetra ireo fanatitra ireo?

Tsy maintsy hihinana izany fanatitra izany ho zavatra masina indrindra, voatokana ho an'i Yaveh tokoa ny lehilahy rehetra.

Ho an'iza no nanomezan'i Yaveh, ho anjara hatrany, ireo fanomezana izay natokana avy tamin'ireo fanatitra rehetra ahevahevan'ny vahoakan'Israely?

Nanome ireo fanomezana izay natokana avy tamin'ireo fanatitra rehetra ahevahevan'ny vahoakan'Israely ho an'ny zanaka lahy sy ireo zanaka vavin'i Arona izay madio amin'ny fombafomba ho anjaran'izy ireo hatrany Yaveh.

Numbers 18:12

Zavatra hafa inona no nomena ny fianakavian'i Arona?

Ny tsara indrindra amin'ny menaka, ny tsara indrindra amin'ny divay vaovao sy ny vary, ny voaloham-bokatra, ary ny vokatra masaka avy amin'ny tanin'izy ireo izay nentin'ny olona ho an'i Yaveh no ho an'i Arona sy ireo izay madio tao amin'ny fianakaviany.

Numbers 18:14

Inona no tsy maintsy vidian'ny olona indray?

Tsy maintsy mividy ny lahy voalohan-teraka rehetra sy ny lahy voalohan-teraky ny biby madio ny olona.

Amin'ny fotoana inona no hividianan'ny olona ny lahimatoa indray?

Tsy maintsy mividy ny lahimatoa aorian'ny maha-iray volana azy ireo ny olona.

Numbers 18:17

Biby inona no tsy vidiana indray nefa masina, voatokana ho sorona ho an'i Yaveh izay hohanin'i Arona sy ireo zanany lahy?

Ny voalohan-teraky ny omby vavy, ny ondry, na ny osy no tsy vidiana indray satria masina ireo, voatokana ho an'i Yaveh ary ny henan'ireo dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy.

Numbers 18:19

Inona no nolazain'i Yaveh fa homena an'i Arona sy ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy ho anjara mitohitohy satria ireo fanatitra ireo dia midika ho fanekena amin'ny sira, fanekena mamatotra mandrakizay, eo anatrehan'i Yaveh ho an'i Arona sy ireo taranany?

Nanome ireo fanatira avy amin'ireo zavatra masina rehetra ho an'i Arona sy ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy, ho anjara mitohitohy, ho fanekena amin'ny sira ho famatoran'ny fanekena mandrakizay, eo anatrehan'i Yaveh ho an'i Arona sy ireo taranan'i Arona.

Nahoana no niteny tamin'i Arona i Yaveh fa tsy hanana lova ao amin'ny tany eo amin'ny vahoaka izy?

Nilaza tamin'i Arona i Yaveh fa tsy hanana lova ao amin'ny tany izy satria Yaveh no anjara sy lovany.

Numbers 18:21

Inona ihany koa no nomen'i Yaveh ireo taranak'i Levy ho lovan'izy ireo ho valin'ny asan'izy ireo tao amin'ny trano-lay fihaonana?

Nanome ny ampahafolon-karena rehetra ao Israely ho an'ny taranak'i Levy ho lovan'izy ireo ho valin'ny asan'izy ireo tao amin'ny trano-lay fihaonana Yaveh.

Iza no nolazain'i Yaveh fa ho faty nanomboka tamin'izany raha nanakaiky ny trano-lay fihaonana izay an'i Yaveh ny olona?

Nilaza tamin'i Arona i Yaveh fa nanomboka tamin'izany dia tsy afaka nanakaiky ny trano-lay fihaonana ny vahoakan'Israely, fa raha tsy izany dia ho faty izy ireo.

Numbers 18:25

Inona no fanatitra izay nomen'ireo Levita an'i Yaveh rehefa nandray ny fanatitra hohanina na divay avy amin'ny vahoakan'Israely izy ireo?

Ny fanatitra izay naverin'ireo Levita tamin'i Yaveh dia ny ampahafolony amin'ny fanatitra voa na divay.

Numbers 18:28

Ho an'iza no nanoloran'ireo Levita fanatitra ho an'i Yaveh avy amin'ny ampahafolon-karena rehetra izay noraisin'izy ireo avy amin'ny vahoakan'Israely?

Nomen'ireo Levita fanati-panolorana ho an'i Yaveh avy amin'ny ampahafolon-karena rehetra izay raisin'izy ireo avy amin'ny vahoakan'Israely Arona.

Numbers 19

Numbers 19:1

Didy na lalàna inona no nandidian'i Yaveh ny vahoaka Israelita?

Nandidy ny vahoaka Israelita mba hitondra ombivavy kely mena tsy misy kilema izay tsy mbola nasiana zioga Yaveh.

Numbers 19:3

Taiza no nitondran'i Eleazara mpisorona ny ombivavy kely izay novonoin'ny olona teo anoloany?

Tsy maintsy nitondra ny ombivavy kely, izay novonoin'ny olona teo anoloany, ivelann'ny toby i Eleazara.

Nataon'i Eleazara inona ny ràn'ny ombivavy kely?

Naka ny sasany tamin'ny rà tamin'ny rantsan-tanany sy namafy izany impito teo alohan'ny trano-lay fihaonana i Eleazara.

Tsy maintsy ataon'ny mpisorona hafa inona ny ombivavikely?

Tsy maintsy mandoro ny hodiny, ny nofony, ny ràny, ary ny tainy eo anoloan'i Eleazara ny mpisorona hafa.

Taiza no nanarian'ny mpisorona ny hazo sedera, hysopa, ary ny volon'ondry jaky?

Tsy maintsy nanary ny hazo sedera, hysopa, ary ny volon'ondry jaky teo afovoan'ilay ombivavikely nodorana ny mpisorona.

Numbers 19:7

Hafiriana no nitoeran'i Eleazara naloto rehefa avy nanasa ny fitafiany, nandro tamin'ny rano, ary niverina tany an-toby izy?

Nitoetra naloto mandra-pahariva ny andro rehefa avy nanasa ny fitafiany, nandro tamin'ny rano, ary niverina tany an-toby Eleazara.

Hafiriana no nitoeran'ny mpisorona izay nandoro ilay ombivavikely ho maloto aorian'ny nanasany ny akanjony, nandrony tamin'ny rano, ary niverenany tany an-toby?

Ny mpisorona izay nandoro ilay ombivavikely dia haloto mandra-pahariva ny andro aorian'ny nanasany ny akanjony, nandroany tamin'ny rano, ary niverenany tany an-toby.

Numbers 19:9

Nataon'ny olona izay madio inona ireo lavenona avy amin'ilay ombivavy kely?

Ny olona izay madio dia nanangona ireo lavenona ary nametraka ireo ivelan'ny toby eo amin'ny toerana madio.

Inona no nanaovana ireo lavenona izay napetraka ivelan'ny toby eo amin'ny toerana madio?

Ireo lavenona ireo dia notehirizin'ny fiangonan'Israely mba hafangaro amin'ny rano ho an'ny fanadiovana ny ota satria avy amin'ny fanatitra noho ny ota izy ireo.

Inona no lalàna maharitra momba ny olona izay nanangona ny lavenon'ny ombivavikely?

Ny olona izay nanangona ny lavenon'ny ombivavikely dia nanasa ny akanjony sy nitoetra maloto mandra-pahariva.

Numbers 19:11

Hafiriana no hahaloto ny olona izay nikasika fatin'olona?

Na iza na iza mikasika fatin'olona dia haloto mandritra ny fito andro.

Ahoana no hanadiovan'ny olona izay nikasika fatin'olona ny tenany?

Ny olona izay nikasika fatin'olona dia tsy maintsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito mba hadio amin'ny andro fahafito.

Inona no hahazo ny olona izay nikasika fatin'olona fa tsy nanadio ny tenany tamin'ny andro fahatelo?

Ny olona izay tsy nanadio ny tenany tamin'ny andro fahatelo rehefa avy nikasika faty dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.

Nahoana ny olona izay nikasika faty, nefa tsy nanadio ny tenany, no mijanona ho maloto; ary inona no hahazo izany olona izany?

Ny olona izay nikasika faty nefa tsy nanadio ny tenany dia hijanona ho maloto satria nandoto ny tabernakelin'i Yaveh izy. Izany olona izany dia hofongorana amin'ny Israely ary hitoetra ho maloto.

Numbers 19:14

Inona no hahazo ny olona izay niditra tao amin'ny lay izay nahafatesan'ny olona na izay efa tao anatin'ny lay no maty ilay olona?

Ireo izay niditra tao amin'ny lay izay nisy olona maty sy ireo izay efa tao anatin'ny lay no maty ilay olona dia ho maloto mandritra ny fito andro.

Inona no hahazo ireo fitoeran-javatra izay tsy nisarona rehefa nisy olona maty tao anatin'ny lay?

Ny fitoeran-javatra izay nisokatra dia lasa maloto rehefa nisy olona maty tao anatin'ny lay.

Inona no lalàna ho an'ny olona ivelan'ny lay izay nikasika olona izay matin-tsabatra na izay nikasika fatin'olona hafa, taolan'olona, na fasana?

Ny Israelita izay nikasika olona izay matin-tsabatra na izay nikasika fatin'olona hafa, taolan'olona, na fasana dia haloto mandritra ny fito andro.

Numbers 19:17

Inona no tsy maintsy ampiasain'ny olona maloto, ary nafangaro tamin'inona izany?

Tsy maintsy mampiasa ny lavenona ny olona maloto ary nafangaro tamin'ny rano madio tao anaty siny izany.

Ataon'ny olona inona ny lavenona avy amin'ny fanatitra noho ny ota may izay nafangaro tamin'ny rano madio tao anaty siny?

Mampiasa hysopa, ny olona izay madio dia hamafy sasany amin'izany rano izany amin'ny lay sy ny zavatra ary ny olona izay tao anaty lay izay nisy olona maty. Izany rano izany ihany koa dia hafafy amin'ny olona izay nikasika taolan'olona, fatin'olona, na fasana.

Numbers 19:20

Inona no hahazo ny olona izay namafy ny rano fanadiovana, ary hafiriana no hahaloto azy?

Ny olona izay namafy ny rano fanadiovana dia tsy maintsy hanasa ny akanjony, ary haloto mandra-pahariva izy.

Inona no hahazo ny olona izay nikasika zavatra izay nokasihin'ny olona maloto?

Ny olona izay nikasika zavatra izay nokasihin'ny olona maloto dia haloto mandra-pahariva.

Numbers 20

Numbers 20:1

Iza no nankany an'efitr'i Sina tamin'ny volana voalohany ary nitoetra tao Kadesy?

Ny vahoakan'Israely no nankany an'efitr'i Sina.

Inona no nahazo an'i Miriama tao Kadesy?

Maty ary nalevina tao Kadesy i Miriama.

Numbers 20:2

Inona no nitranga ka nahatonga ny vahoaka himonomonona amin'i Mosesy sy Arona?

Tsy nisy ho an'ny vahoaka.

Numbers 20:4

Inona no nangatahan'ny vahoaka, ny fiangonan'i Yaveh, tamin'i Mosesy sy Arona?

Nanontany an'i Mosesy sy Arona hoe nahoana no nitondra azy ireo sy ny biby fiompin'izy ireo tany an'efitra mba ho faty ny vahoaka.

Tsy nanana inona ny vahoaka tany an'efitr'i Sina?

Tsy nanana voa, aviavy, voaloboka, na ampongabendanitra na rano sotroina ny vahoaka.

Numbers 20:6

Inona no niseho tamin'i Mosesy sy Arona rehefa nankeo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana sy niankohoka izy ireo?

Niseho tamin'izy ireo ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh rehefa niankohoka teo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo.

Numbers 20:7

Nahoana no nilaza tamin'i Mosesy ny hakàna ny tehiny, ny hamoriana ny fivondronana sy hiresahana amin'ny vatolampy teo anoloan'ny mason'ny vahoaka Yaveh?

Niteny tamin'i Mosesy ny hanaovana izany Yaveh mba hamokarana rano hosotroin'ny olona sy ny biby fiompin'izy ireo.

Numbers 20:10

Inona no niantsoan'i Mosesy ny vahoaka mialohan'ny nikapohany ny vatolampy?

Niantso ny vahoaka hoe mpikomy i Mosesy.

Inona no nitranga rehefa nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny Mosesy?

Rehefa nikapoka ny vatolampy Mosesy dia nisy rano be nivoaka avy tao amin'ny vatolampy ka nisotro ny vahoaka sy ny biby fiompin'izy ireo.

Numbers 20:12

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona fa hitranga satria tsy natoky an'i Yaveh na nanamasina Azy teo imason'ny vahoakan'Israely izy ireo?

Nilaza tamin'izy ireo Yaveh fa tsy hitondra ny fiangonan'ny vahoaka any amin'ny tany efa nomen'i Yaveh azy ireo izy ireo.

Numbers 20:14

Tamin'iza no nanirahan'i Mosesy mpitondra hafatra hilaza ny sarotra izay nahazo ny vahoaka?

Nandefa mpitondra hafatra tany amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy.

Numbers 20:17

Inona no nangatahin'i Mosesy tamin'ny mpanjakan'i Edoma mba havela ataon'ny olona?

Nangataka tamin'ny mpanjaka i Mosesy raha hamela ny vahoakan'Israely mba handalo ny tany izy.

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'ny vahoaka mba tsy hatao mandra-pandalon'izy ireo ny fari-tanin'ny mpanjaka?

Nilaza tamin'ny vahoaka mba tsy hivily hiankavanana na hiankavia mandra-pandalon'izy ireo ny fari-tanin'ny mpanjaka i Mosesy.

Numbers 20:18

Inona no navalin'ny mpanjaka an'i Mosesy?

Ny valinteny dia hoe tsy afaka mandalo ny taniny ny vahoakan'Israely ary hanafika azy ireo amin-tsabatra izy raha miezaka ny handalo amin'izany izy ireo.

Inona no navalin'ny vahoakan'Israely tamin'ny mpanjakan'i Edoma?

Namaly ny vahoakan'Israely fa hamakivaky ny lalam-be izy ireo, handoa vola amin'izay rano mety sotroin'ny biby fiompin'izy ireo ary handalo fotsiny fa tsy hanao zavatra hafa.

Numbers 20:20

Inona no nataon'ny mpanjakan'i Edoma rehefa nandà ny hamela ny vahoakan'Israely handalo ny taniny izy?

Tonga nanohitra ny Israely tamin'ny tanana mahery miaraka amin'ny miaramila maro be ny mpanjakan'i Edoma.

Inona no nataon'Israely rehefa nandà ny hamela azy ireo mba hiampita ny fari-tany ny mpanjakan'i Edoma?

Nivily tamin'ny tanin'i Edoma ny Israely.

Numbers 20:22

Taiza no nalehan'ny vahoakan'Israely rehefa nandeha avy any Kadesy izy ireo?

Nandeha tany an-Tendrombohitra Hora ny vahoakan'Israely.

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona tao an-Tendrombohitra Hora momba ny vokatry ny fikomian'izy ireo?

Nilaza tamin'izy ireo Yaveh fa tsy maintsy hangonina any amin'ny vahoakany Arona ary tsy hiditra ny tany nomena ny vahoakan'Israely Arona satria samy nikomy hanohitra ny tenin'i Yaveh teo amin'ny Ranon'i Meriba izy ireo.

Numbers 20:25

Iza no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona fa tokony entin'izy ireo any an-Tendrombohitra Hora?

Nilaza tamin'i Mosesy sy Arona ny hitondrana an'i Eleazara, zanaka lahin'i Arona, miaraka amin'izy ireo any an-Tendrombohitra Hora i Yaveh.

Nahoana no nilaza tamin'izy ireo ny mba hanalana ny akanjo fisoronan'i Arona ary hampanao izany an'i Eleazara zanany Yaveh?

Nilaza tamin'izy ireo Yaveh fa tsy maintsy ho faty Arona ary hangonina ho any amin'ny vahoakany.

Numbers 20:27

Inona no nataon'ny fiangonana rehefa avy nanao araka ny nandidian'i Yaveh i Mosesy ary rehefa hitan'izy ireo fa maty Arona?

Rehefa hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nitomany an'i Arona nandritra ny telopolo andro ny firenena manontolo.

Numbers 21

Numbers 21:1

Inona no nataon'ilay Kananita mpanjakan'i Arada rehefa reny fa nandeha tany amin'ny lalana mankany Atarima ny Israely?

Niady tamin'ny Israely ny mpanjakan'i Arada ary naka ny sasany tamin'izy ireo ho babo.

Inona no nataon'i Yaveh ho valin'ny voadin'ny Israely izay namotehan'izy ireo tanteraka ireo tanànan'ny mpanjakan'i Arada raha hanome fandresena azy ireo Yaveh?

Nihaino ny Israely i Yaveh ary nanome fandresena ny Kananita azy ireo.

Nantsoina hoe inona ilay anaran-toerana izay namotehan'ny Israely ny Kananita sy ny tanànan'izy ireo?

Nantsoina hoe Horma izany toerana izany.

Numbers 21:4

Inona no nahazo ny fon'ny vahoaka raha niala avy ao an-tendrombohitra Hora nandalo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena izy ireo mba handeha hanodidina ny tanin'i Edoma?

Niha-kivy tanteraka ny fon'ny vahoaka.

Inona no nimonomononan'ny vahoaka tamin'Andriamanitra sy Mosesy?

Niresaka nanohitra an'Andriamanitra sy Mosesy ny vahoaka ary nanontany hoe nahoana no nitondra azy ireo nivoaka an'i Egypta mba ho faty any an'efitra izy ireo satria tsy nanana mofo izy ireo, tsy nanana rano izy ireo, ary tsy tia sakafo izy ireo.

Numbers 21:6

Inona no nanjo ny vahoaka rehefa nandefa bibilava misy poizina teo amin'ny vahoaka Yaveh?

Nanaikitra ny olona ireo bibilava ka maro ny olona maty.

Inona no nangatahan'ny vahoaka mba hataon'i Mosesy rehefa avy niaiky izy ireo fa efa nanota ary nimonomonona tamin'i Yaveh sy Mosesy?

Nangataka an'i Mosesy mba hivavaka amin'i Yaveh ny mba hanalany ireo bibilava eo amin'izy ireo ny vahoaka.

Numbers 21:8

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy rehefa avy nivavaka ho an'ny vahoaka i Mosesy?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hanamboarany bibilava sy ny mba hamatorany izany amin'ny hazo lava Yaveh.

Inona no nitranga raha nijery ilay bibilava varahina ny olona rehefa voakaikitry ny bibilava?

Velona ny olona izay nijery ilay bibilava varahina rehefa voakaikitry ny bibilava izy.

Numbers 21:16

Inona no hitan'ny vahoaka tao Bera?

Nisy ilay fantsakana izay nitenenan'i Yaveh tamin'i Mosesy ny hamoriana ny vahoaka miaraka mba hanomezan'i Yaveh rano ho azy ireo tao.

Numbers 21:17

Nihira momba ny inona ny Israely?

Nihira momba ny lava-drano izay nohadian'ireo mpitarika mba hanome rano azy ireo izy ireo.

Numbers 21:21

Nandefa mpitondra hafatra tany amin'iza ireo Israelita?

Nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Sihona mpanjakan'ny Amorita ny Israelita.

Inona no nangatahan'ireo mpitondra hafatra tamin'i Sihona?

Nangataka ireo Israelita mba hamakivaky eo amin'ny taniny tsy hisotro ny rano avy eo amin'ny fantsakany ary handeha eo amin'ny lalan'ny mpanjaka izy ireo.

Ahoana no navalin'ny mpanjaka ny fangatahan'ireo Israelita?

Nandà ny hamela ny Israely hamakivaky ny fari-taniny ny mpanjaka. Nangona ny tafiny izy ary nanafika an'Israely tany an'efitra.

Numbers 21:24

Inona no nataon'ny Israely ho valin'ny fanafihan'i Sihona?

Nanafika ny tafik'i Sihona tamin'ny lelan-tsabatra ny Israely ary naka ny tanin'izy ireo.

Numbers 21:31

Nanomboka nonina taiza ny Israely?

Nanomboka nonina teo amin'ny tanin'ireo Amorita ny Israely.

Inona no nitranga rehefa nandefa lehilahy mba hijery an'i Jazera i Mosesy?

Nalain'ny Israely ireo zana-bohiny ary noroahin'izy ireo izay Amorita tao.

Numbers 21:33

Inona no nataon'i Oga rehefa niverina ary niakatra ny lalana mankany Basana izy ireo?

Niakatra mba hiady amin'ireo Israelita tao Edrehy i Oga sy ny tafiny rehetra.

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy momba an'i Oga sy ny tafiny?

Nilaza tamin'i Mosesy mba tsy hatahotra an'i Oga ary mba hanao azy araka ny nataon'ireo Israelita an'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita Yaveh satria efa nanome fandresena azy ireo, ny tafiny, ary ny taniny Yaveh.

Ahoana no namalian'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely ny baikon'i Yaveh?

Namono an'i Oga, ireo zanany lahy, ny tafiny ary ny vahoaka i Mosesy sy ny vahoaka ary dia naka ny taniny izy ireo.

Numbers 22

Numbers 22:1

Tanàna inona no akaikin'ny toerana izay nitobian'ny vahoakan'Israely tao amin'ireo lemak'i Moaba teny ampitan'ny Reniranon'i Jordana?

Ny tanànan'i Jeriko no teny ampitan'ny Reniranon'i Jordana akaikin'ny toerana izay nitobian'izy ireo.

Numbers 22:2

Nahoana no natahotra ny vahoakan'Israely ny vahoakan'i Moaba?

Natahotra ny vahoakan'Israely ny vahoakan'i Moaba satria hitan'izy ireo avokoa izay nataon'izy ireo tamin'ny Amorita, ary satria maro tokoa ny olona tao.

Mpanjakan'ny tanàna inona i Balaka?

Mpanjakan'i Moaba i Balaka.

Numbers 22:5

Inona no tian'i Balaka atao amin'ny firenena izay tonga avy tany Egypta?

Tian'i Balaka hanozona ny firenena izay tonga avy tany Egypta i Balama.

Nahoana no tian'i Balaka hanozona ny firenena izay tonga avy tany Egypta i Balama?

Tiany hanozona ny firenena izay tonga avy tany Egypta i Balama satria nandrakotra ny tany izy ireo, akaiky azy izy ireo, ary mahery loatra aminy izy ireo.

Inona no fantatr'i Balaka fa vitan'i Balama?

Fantatr'i Balaka fa na iza na iza tahian'i Balama dia ho voatahy, ary na iza na iza hozoniny, dia ho voaozona.

Numbers 22:7

Inona no nolazain'i Balama rehefa reny ny hafatr'i Balaka?

Nilaza i Balama fa tokony nijanona ireo mpitondra hafatra tamin'izany alina izany ka hitondra izay nolazain'i Yaveh taminy amin'izy ireo izy.

Numbers 22:9

Inona no nolazain'i Balama tamin'i Yaveh momba ny fangatahan'ireo lehilahy izay tonga teo aminy avy any amin'i Balaka?

Nilaza tamin'Andriamanitra i Balama fa nangataka azy mba hanozona ny vahoakan'Israely i Balaka mba ahafahan'i Balaka miady ary mandroaka azy ireo.

Numbers 22:12

Inona no nolazain'Andriamanitra mba hataon'i Balama momba ny handehanana miaraka amin'ireo mpitondra hafatra ary momba ny fanozonona ny vahoakan'Israely?

Nilaza tamin'i Balama Andriamanitra fa tsy handeha miaraka amin'ireo lehilahy ireo izy ary tsy hanozona ny vahoakan'ny Israely izy.

Inona no nolazain'i Balama tamin'ireo mpitarik'i Balaka ny maraina?

Niteny tamin'ireo mpitarik'i Balaka ny mba hiverenan'izy ireo any amin'ny taniny satria nandà ny hamela azy hiaraka amin'izy ireo Yaveh.

Inona no nolazain'ireo mpitarika tamin'i Balaka rehefa niverina tany aminy izy ireo?

Niteny tamin'i Balaka ireo mpitarika fa nandà tsy hiaraka tamin'izy ireo i Balama.

Numbers 22:15

Ahoana no nandresen'i Balaka lahatra an'i Balama mba ho tonga any aminy rehefa naniraka mpitarika maro izay be voninahitra kokoa tany amin'i Balama izy?

Niezaka nandresy lahatra an'i Balama mba hanozona ny Israely amin'ny fandoavana harena be ho azy, amin'ny fanomezana voninahitra lehibe ho azy, ary amin'ny fanaovana izay rehetra nolazainy atao i Balaka.

Numbers 22:18

Inona no nolazain'i Balama tamin'ireo lehilahin'i Balaka ho valin'ny fangatahan'izy ireo?

Nilaza tamin'izy ireo Balama fa tsy afaka hihoatra ny tenin'i Yaveh, Andriamaniny, ka andatsaka na ampitombo izay lazainy aminy izy.

Nahoana no nilaza tamin'ireo lehilahin'i Balaka i Balama fa tokony hiandry izy ireo ny alina?

Nilaza tamin'ireo lehilahin'i Balaka i Balama fa tokony hiandry izy ireo ny alina mba ahafantarany zavatra bebe kokoa izay lazain'i Yaveh aminy.

Inona no nolazain'Andriamanitra mba hataon'i Balama rehefa tonga tamin'i Balama ny alina Izy?

Rehefa tonga tamin'i Balama ny alina Andriamanitra, dia nanao tamin'i Balama mba hitsangana ka hiaraka amin'ireo lehilahin'i Balaka fa hanao izay lazain'Andriamanitra mba ataony ihany Izy.

Numbers 22:21

Inona no nataon'i Balama ny maraina?

Nifoha maraina i Balama, nanisy lasely ny borikiny, ka nandeha niaraka tamin'ireo mpitarik'i Moaba.

Nahoana no nirehitra ny hatezeran'Andriamanitra?

Nirehitra ny hatezeran'Andriamanitra satria nandeha niaraka tamin'izy ireo izy.

Inona no nataon'ilay anjelin'i Yaveh?

Nipetraka teo an-dalana toy ny mpifahavalo amin'i Balama, izay nitaingina ny borikiny ny anjelin'i Yaveh.

Inona no hitan'ny borikin'i Balama nijoro teo amin'ny lalana?

Nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo an-dalana ilay boriky ary nisy sabatra voatsoaka teny an-tanany.

Inona no nataon'ny borikin'i Balama rehefa nahita ilay anjelin'i Yaveh izy, ary nataon'i Balama inona ilay borikiny?

Niala tamin'ny lalana ny borikin'i Balama ka nankany an-tsaha; nikapoka ilay boriky mba hamerina azy amin'ny lalana i Balama.

Numbers 22:24

Inona no teo ankavanana sy ankavian'ilay anjelin'i Yaveh rehefa nijoro teo amin'ny faritra tery tamin'ny lalana anelanelan'ny tanimboaloboka maro izy?

Nisy fefy teo andanin'ilay anjely ary fefy iray hafa teo ankilany.

Inona no nataon'ilay boriky rehefa nahita ny anjelin'i Yaveh niaraka tamin'ny sabatra voatsoaka teo amin'ny faritra tery tamin'ny lalana izy, ary ahoana izany no navalin'i Balama izay nataon'ilay borikiny?

Rehefa nahita ny anjelin'i Yaveh ilay boriky, dia nikisina ny rindrina izy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'izany; dia nokapohin'i Balama indray izy.

Numbers 22:26

Inona no nataon'ilay boriky rehefa nahita ny anjelin'i Yaveh niaraka tamin'ny sabatra teo amin'ny faritra tery hafa tamin'ny lalana izay tsy misy lalana iviliana ny andaniny sy ny ankilany izy, ary inona no nataon'i Balama?

Nidaboka tamin'ny tany tao ambanin'i Balama ilay boriky; ka nokapohiny tamin'ny tehiny ilay boriky.

Numbers 22:28

Inona no nanontanian'ilay boriky an'i Balama rehefa nanokatra ny vavany Yaveh ka afaka niteny izy?

Nanontany an'i Balama ilay boriky hoe inona no nataony taminy ka nahatonga azy hikapoka azy izay intelo izay.

Ahoana no namalian'i Balama ilay boriky, ary inona no niriany ka azony atao aminy?

Namaly ilay boriky i Balama fa nikapoka azy izy satria niadaladala taminy izy, ary niriany mba nanana sabatra teo an-tanany izy mba hamonoany azy.

Numbers 22:31

Inona no hitan'i Balama sy nataony rehefa nisokatra ny masony?

Nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo amin'ny lalana ary misy sabatra voatsoaka teny an-tanany i Balama koa dia nanondrika ny lohany ka niankohoka i Balama.

Nahoana no nilaza tamin'i Balama ny anjelin'i Yaveh hoe nahoana no nanao toy izay nataony ny borikiny?

Nilaza tamin'i Balama ilay anjely fa rehefa nahita ny anjely ny borikiny dia niala izay intelo izay izy.

Inona no nolazain'ilay anjely fa hahazo an'i Balama raha tsy niala ny borikiny?

Nilaza an'i Balama ilay anjely fa raha tsy niala ilay anjely ny borikiny dia efa namono an'i Balama ilay anjely fa niantra ny ain'ilay boriky.

Numbers 22:34

Inona no niaikain'i Balama tamin'ilay anjely, ary inona no nataony?

Niaiky Balama fa nanota izy ary nanolo-tena ny hiverina any amin'ny toerana izay nihaviany izy.

Ahoana no namalian'ilay anjely an'i Balama?

Namaly ilay anjely fa tokony handroso miaraka amin'ireo lehilahy Balama nefa hiteny ireo teny izay nolazain'ilay anjely mba holazainy ihany.

Numbers 22:36

Inona no nataon'i Balaka rehefa reny fa tonga Balama?

Nivoaka hitsena an'i Balama i Balaka.

Inona no nanontanian'i Balaka an'i Balama rehefa nitsena azy tao an-tanànan'i Arona, tanànan'ny fari-tanin'i Moaba?

Nanontany an'i Balama i Balaka hoe nahoana no tsy tonga izy rehefa nampiantso azy Balaka, ary tsy nihevitra i Balaka fa tsy mahavita manome voninahitra azy ve izy.

Numbers 22:38

Inona ihany no nolazain'i Balama an'i Balaka fa afaka lazainy?

Nilaza tamin'i Balaka i Balama fa ireo teny izay apetrak'Andriamanitra eo am-bavany ihany no afaka lazainy.

Inona no nataon'i Balaka rehefa tonga tao Kiriata-hozota izy sy Balama?

Rehefa tonga tao Kiriata-hozota izy ireo dia nanao sorona omby sy ondry i Balaka ka nanome hena ho an'i Balama sy ireo mpitarika izay niaraka taminy.

Numbers 22:41

Inona no mba hitan'i Balama rehefa nentin'i Balaka niakatra tany amin'ny toerana avon'i Bala i Balaka?

Ny ampahan'ireo Israelita tao an-tobin'izy ireo ihany no hitan'i Balama.

Numbers 23

Numbers 23:1

Inona no nolazain'i Balama mpaminany mba hataon'i Balaka mpanjaka?

Nilaza tamin'i Balaka ny hanorenana alitara fito ho azy sy hanomanana ombilahy fito sy ondry fito Balama.

Inona no nataon'i Balaka momba ny fangatahan'i Balama?

Nanao araka izay nangatahin'i Balama i Balaka, ary nanolotra omby iray sy ondry iray isaky ny alitara izy ireo.

Inona no nolazain'i Balama tamin'i Balaka fa mety ataon'i Yaveh rehefa mitokana ery izy?

Nilaza tamin'i Balaka i Balama fa mety ho avy hihaona aminy Yaveh ary dia hilaza amin'i Balama ny rehetra nasehon'i Yaveh taminy izy avy eo.

Numbers 23:4

Inona no nolazain'i Yaveh mba hataon'i Balama?

Nilaza tamin'i Balama ny hiverenany an'i Balaka mba hiteny ny hafatra aminy Yaveh.

Numbers 23:7

Inona avy ireo fanontaniana roa izay napetrak'i Balama tamin'ny tapany voalohan'ny hafatr'Andriamanitra nomeny azy?

Nanontany Balama hoe: "Amin'ny fomba ahoana no hanozonako ireo izay tsy mbola nozonin'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana no hanoherako ireo izay tsy notoherin'i Yaveh?"

Numbers 23:9

Inona no nolazain'i Balama momba ny fomba niheveran'ny Israely ny tenan'izy ireo?

Nilaza Balama fa tsy mihevitra ny tenany ho firenena tsotra ny Israely.

Numbers 23:10

Inona no nolazain'i Balama momba ny haben'Israely?

Nolazainy fa tsy misy afaka manisa na dia ny ampahefatr'Israely ihany aza.

Fahafatesana ohatry ny ahoana no hirian'i Balama hahafatesany?

Naniry mba ho faty amin'ny fahafatesan'ny olo-marina i Balama, ary naniry izy mba ho tahaka ny fahataperan'Israely ny fahataperan'ny ainy.

Numbers 23:11

Inona no nolazain'i Balaka fa nataon'i Balama raha tokony hanozona ireo fahavalony izy?

Nilaza Balaka fa nitahy ireo fahavalony Balama raha tokony hanozona azy ireo.

Ahoana no navalin'i Balama rehefa nilaza Balaka fa nitahy ireo fahavalony izy raha tokony hanozona azy ireo?

Namaly Balama fa nitandrina ny hilaza izay apetrak'i Yaveh eo am-bavany ihany izy.

Numbers 23:13

Inona no tian'i Balaka ataon'i Balama rehefa nentiny tany amin'ny toerana hafa izay ahafahany mahita ny akaiky indrindra amin'ny Israely, ireo fahavalon'i Balaka izy?

Tian'i Balaka hanozona ireo fahavalon'i Balaka i Balama.

Nentin'i Balaka taiza i Balama, ary inona no nataony tany?

Nentin'i Balaka tao an-tampon'ny Tendrombohitr'i Pisga i Balama, ary nanorina alitara fito hafa tao ary nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy.

Inona no nolazain'i Balama an'i Balaka fa hataony raha mbola nijoro teo akaikin'ny fanatiny i Balaka?

Nilaza Balama fa handeha hihaona amin'i Yaveh izy.

Numbers 23:19

Inona no hafatra izay napetrak'i Yaveh teo am-bavan'i Balama?

Nilaza Balama fa tsy mandainga Yaveh ary tsy miova hevitra Izy.

Inona no nolazain'i Balama fa tsy azony atao momba ny didin'Andriamanitra ny mba hitahiana ny Israely?

Nilaza Balama fa tsy afaka ny hamadika ny didin'i Yaveh dia ny hitahiana ny Israely izy.

Numbers 23:21

Iza no nolazain'i Balama fa miaraka amin'ireo Israelita?

Nilaza Balama fa momba ireo Israelita Yaveh.

Nolazain'i Balama hoe tahaka ny inona ny herin'Andriamanitra?

Nolazainy fa tahaka ny herin'ny ombidia ny herin'Andriamanitra.

Numbers 23:23

Zavatra inona no tsy mandaitra mba hanisiana ratsy ny Israely?

Ny fanononana mosavy sy zara-vintana no tsy mandaitra mba hanisiana ratsy ny Israely.

Inona no tsy maintsy lazaina momba an'i Jakoba sy Israely?

Tsy maintsy lazaina hoe: "Jereo izay nataon'Andriamanitra!"

Numbers 23:24

Nosoritsoritan'i Balama tahaka ny inona ny vahoakan'Israely?

Tahaka ny liona izay nanafika ary nihinana ny hazany ny vahoakan'Israely.

Numbers 23:25

Inona no nolazain'i Balaka tamin'i Balama rehefa avy nanome ny faminaniany Balama?

Nilaza tamin'i Balama i Balaka fa tsy tokony manozona na mitahy ireo Israelita akory izy.

Inona no nolazain'i Balaka tamin'i Balama fa zavatra tokana izay azony lazaina?

Nilaza tamin'i Balama i Balaka fa izay nolazain'i Yaveh mba holazainy ihany no azony lazaina.

Inona no noheverin'i Balaka fa mety ho vitan'i Balama raha nitondra an'i Balama tany amin'ny toerana hafa izy?

Nihevitra Balaka fa mety hamela an'i Balama hanozona ireo Israelita any amin'ny toeran-kafa Andriamanitra.

Numbers 23:28

Ary izao dia taiza no nitondran'i Balaka an'i Balama?

Nentin'i Balaka teny an-tampon'ny Tendrombohitra Peora i Balama.

Inona no nolazain'i Balama mba hataon'i Balaka tamin'izany fotoana izany ary inona no nataon'i Balaka?

Niteny an'i Balaka mba hanorina alitara fito i Balama koa dia nanao araka izay nolazain'i Balama i Balaka ary nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy.

Numbers 24

Numbers 24:1

Tsy nanao inona i Balama mpaminany rehefa hitany fa sitrak'i Yaveh ny hitahiana ny Israely?

Tsy nampiasa sikidy Balama fa kosa nijery nankany amin'ny tany efitra.

Numbers 24:2

Inona no nitranga rehefa nanandratra ny masony Balama ka nahita ny Israely nitoby, ny tsirairay tao amin'ny fokony avy?

Rehefa nanandratra ny masony Balama ka nahita ny Israely nitoby, dia tonga tao aminy ny Fanahin'Andriamanitra ka naharay faminaniana izy.

Numbers 24:4

Inona no nataon'i Balama rehefa nahita fahitana avy amin'ilay Tsitoha izy?

Niankohoka Balama ary nihiratra ny masony.

Inona no nolazain'i Balama momba ireo lain'i Jakoba?

Nolazain'i Balama fa kanto ireo lain'i Jakoba.

Numbers 24:6

Ahoana no nanoritsoritan'i Balama ny hatsaran'ny toerana izay nipetrahan'ny Israely?

Nosoritsoritan'i Balama hoe lohasaha tahaka ny saha eny amoron'ny renirano, tahaka ny vahona izay nambolen'i Yaveh, tahaka ny sedera amoron-drano.

Numbers 24:7

Notahian'Andriamanitra tamin'ny inona ny Israely tao amin'ny tany izay nonenan'izy ireo?

Notahian'Andriamanitra tamin'ny rano mikoriana izay manondraka ireo voa nambolen'izy ireo ny Israely.

Inona no hahazo ny fanjakan'Israely?

Homen-kaja ny fanjakan'izy ireo.

Numbers 24:8

Tamin'ny toerana taiza no nitondran'Andriamanitra ny vahoakany?

Nitondra ny vahoakany nivoaka tany Egypta Andriamanitra.

Inona no nolazain'i Balama momba ny herin'Israely?

Nilaza Balama fa tahaka ny ombidia ny herin'Israely.

Inona no hanjo ireo firenena izay niady tamin'ny Israely?

Nilaza Balama fa hitelina ireo firenena izay niady taminy, hanorotoro ny taolan'izy ireo, ary hitifitra azy ireo amin'ny tsipìkany ny Israely.

Numbers 24:9

Inona naminanian'i Balama fa hahazo ireo izay nitahy na nanozona ny Israely?

Izay mitahy ny Israely dia voatahy ary izay manozona ny Israely dia voaozona.

Numbers 24:10

Ahoana no nanehoan'i Balaka ny hatezerany tamin'i Balama?

Namokona ny tanany tamim-pahatezerana Balaka.

Iza no nolazain'i Balaka fa tsy namela an'i Balama hahazo ny valisoa nampanantenaina?

Nilaza Balaka fa Yaveh no tsy namela an'i Balama hahazo ny valisoa avy aminy.

Numbers 24:12

Inona no nolazain'i Balama an'i Balaka fa tsy azony atao na dia hanome azy ny lapany feno volafotsy sy volamena azy Balaka?

Nilaza tamin'i Balaka i Balama fa tsy afaka hihoatra ny tenin'i Yaveh mba hilaza zavatra ratsy na tsara, na ny zavatra izay mety tiany holazaina izy.

Inona no nolazain'i Balama fa zavatra tokana izay azony lazaina?

Nilaza Balama fa izay nolazain'i Yaveh mba holazainy ihany no azony lazaina.

Momba ny inona no nampitandreman'i Balama an'i Balaka nialohan'ny niverenany tany amin'ny vahoakany?

Nampitandrina an'i Balaka ny amin'izay hanaovan'ny Israely ny vahoakan'i Balaka amin'ny andro izay ho avy i Balama.

Numbers 24:15

Avy amin'iza no nolazain'i Balama fa hiavian'ny faminaniany, ireo teniny, fahalalany, ary ireo fahitana?

Nilaza Balama fa ny faminaniany, ireo teniny, fahalalany, ary ireo fahitana dia avy amin'Andriamanitra, Ilay Avo Indrindra, Ilay Tsitoha.

Numbers 24:17

Inona no nolazain'i Balama fa hivoaka avy amin'i Jakoba ary hisandratra avy amin'Israely?

Nilaza Balama fa hisy kintana hivoaka avy amin'i Jakoba, ary tehim-panjakana hisandratra avy amin'Israely.

Inona no nolazain'i Balama fa hanaovan'ny kintana sy ny tehim-panjakana ireo mpitarik'i Moaba sy ireo taranak'i Seta rehetra?

Nilaza Balama fa izany kintana sy ny tehim-panjakana izany dia hanorotoro sy hamotika ireo mpitarik'i Moaba sy ireo taranak'i Seta rehetra.

Numbers 24:18

Inona no nahazo an'i Edoma sy Seira rehefa resin'Israely tamin-kery izy ireo?

Lasa fananan'i Israely i Edoma sy Seira, ary resin'Israely tamin-kery izy ireo.

Inona no hivoaka avy amin'i Jakoba ary inona no hataony?

Hisy mpanjaka iray izay hanana ny fanapahana hivoaka avy amin'i Jakoba ary hamotika ireo sisa tsy maty ao amin'ny tanànan'izy ireo Izy.

Numbers 24:20

Inona no hahazo an'i Amaleka, firenena lehibe indrindra?

Ny fiafaran'i Amaleka, firenena lehibe indrindra, dia ho fahapotehana.

Numbers 24:21

Inona no naminanian'i Balama fa hahazo an'i Kaina sy ireo Kenita izay nipetraka tao amin'ny toerana mafy teo amin'ireo vatolampy?

Ho rava i Kaina rehefa mitondra azy ireo ho babo i Asyria.

Numbers 24:23

Inona no hivoaka avy amin'ny sisin'i Kitima izay hanafika an'i Asyria sy handresy an'i Ebera, ary dia inona izany ho hahazo azy ireo?

Hisy sambo ho tonga avy any amin'ny sisin'i Kitima izay hanafika an'i Asyria sy handresy an'i Ebera; nefa izy ireo ihany koa, dia hiafara amin'ny fahapotehana.

Numbers 25

Numbers 25:1

Inona no nahatonga ny fahatezeran'i Yaveh hirehitra amin'Israely?

Nanomboka niara-nandry tamin'ireo vehivavin'i Moaba ireo lehilahy ary nihinana sy niankohoka tamin'ireo andriamanitry ny Moabita ny vahoaka.

Numbers 25:4

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy mba hanaovana ireo mpitarik'Israely izay nanompo an'i Bala-peora?

Nilaza tamin'i Mosesy ny mba hamonoany ireo mpitarik'Israely rehetra izay namonjy ny fanompoana an'i Bala-peora sy ny mba hanantonana ireo mpitarika ireo eo anatrehan'i Yaveh i Yaveh.

Numbers 25:6

Taiza ny fiangonan'ny vahoakan'Israely rehefa nitondra vehivavy Midianita iray tamin'ny fianakaviany ny iray tamin'ireo lehilahy?

Rehefa nitondra vehivavy Midianita iray tamin'ny fianakaviany ny iray tamin'ireo lehilahy, dia nitomany teo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana ny vahoaka.

Inona no nataon'i Finehasa, zanaka lahin'i Eleazara rehefa nahita ilay lehilahy Israelita sy ilay vehivavy Midianita izy?

Rehefa hitan'i Finehasa ilay lehilahy Israelita sy ilay vehivavy Midianita, dia nitsangana avy teo amin'ny fivondronana izy ary nandray lefona teny an-tanany.

Numbers 25:8

Inona no nanjo ilay Israelita izay nitondra vehivavy Midianita tao an-toby teo imason'i Mosesy?

Naka lefona i Finehasa mpisorona ary nanatsatoka ny lefona tamin'ny vatan'ilay lehilahy sy vehivavy.

Inona no nataon'Andriamanitra mba hanatsaharana azy ireo tsy hiara-mandry amin'ireo vehivavy Moabita sy tsy hanompoany an'i Bala-peora, ary firy no maty?

Nandefa areti-mandringana Andriamanitra ka ireo izay maty dia miisa 24.000.

Numbers 25:10

Nahoana no niala tamin'ny vahoakan'Israely ny hatezeran'i Yaveh?

Niala tamin'ny vahoakan'Israely ny hatezeran'i Yaveh satria naharitra ny zotom-pon'i Yaveh i Finehasa.

Numbers 25:12

Inona no anarana voalohany niantsoan'i Yaveh ny fifanekem-pisoronana maharitra mandrakizay?

Niantso ny fifanekem-pisoronana maharitra mandrakizay, hoe fanekem-pihavanana Yaveh.

Nahoana no nanao fifanekem-pisoronana maharitra mandrakizay tamin'i Finehasa Yaveh?

Nanao fanekena tamin'i Finehasa i Yaveh satria nanana zotom-po ho an'i Yaveh sy nanavotra ny vahoakan'Israely izy.

Numbers 25:16

Nahoana no nilaza tamin'i Mosesy ny handraisana ireo Midianita ho tahaka ny fahavalo sy ny hanafihana azy ireo Yaveh?

Nilaza tamin'i Mosesy ny handraisana ireo Midianita ho tahaka ny fahavalo sy ny hanafihana azy ireo Yaveh satria nandray ireo Israelita tahaka ny fahavalo tamin'ny fitaka izy ireo.

Ahoana no nanondroan'i Yaveh an'i Kosby, zanaka vavin'ny mpitarika tany Midiana izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana?

Nanondro an'i Kosby, zanaka vavin'ny mpitarika tany Midiana izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana, ho anabavin'izy ireo Izy.

Numbers 26

Numbers 26:1

Inona no nolazain'i Yaveh mba hataon'i Mosesy sy Eleazara taorian'ny areti-mandringana?

Nilaza tamin'izy ireo ny mba hanisana ny vahoakan'Israely rehetra manomboka amin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo, izay afaka andeha hiady Yaveh.

Numbers 26:3

Inona no nolazain'i Mosesy sy Eleazara tamin'ny vahoaka fa nandidian'i Yaveh mba hataon'izy ireo?

Nilaza tamin'ny vahoaka izy ireo fa nila nanisa ny vahoaka hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo.

Numbers 26:5

Iza no lahimatoan'Israely?

Robena no lahimatoan'Israely.

Niisa firy ny lehilahy tao amin'ny fokon'ny taranak'i Robena?

Ny fokon'ny taranak'i Robena dia niisa 43.730 lahy.

Numbers 26:8

Iza avy ireo zanaka lahin'i Eliaba, taranak'i Robena, ary inona no nataon'ireo zanany?

Ireo zanaka lahin'i Eliaba, dia Datana sy Abirama. Nikomy tamin'i Yaveh tamin'ny fanarahana an'i Kora izay nifananinana tamin'i Mosesy sy Arona i Datana sy Abirama.

Numbers 26:10

Inona no nanjo ireo mpanaraka an'i Kora rehetra izay lasa famantarana fampitandremana?

Nitelina azy ireo ny tany ary nandevona lehilahy 250 ny afo.

Ny taranak'iza no tsy lany tamingana?

Tsy lany tamingana ny taranak'i Kora.

Numbers 26:12

Iza no notanisaina manaraka ireo zanaka lahin'Israely, ary niisa firy ny taranak'izy ireo?

Ny fokon'ny taranak'i Simeona no nanaraka ireo zanaka lahin'Israely; niisa 22.200 lahy izy ireo.

Numbers 26:15

Niisa firy ny lehilahy taranak'i Gada?

Niisa 40.500 lahy ny taranak'i Gada.

Numbers 26:19

Inona no nahazo ireo zanaka lahin'i Joda, Era sy Onana?

Maty tao amin'ny tany Kanana izy ireo.

Firy ireo lehilahy tao amin'ny taranak'i Joda hafa?

Niisa 76.500 lahy ireo taranak'i Joda hafa.

Numbers 26:23

Firy ny isan'ireo lehilahy avy amin'ny fokon'ny taranak'Isakara?

Ny isan'ireo lehilahy avy amin'ny fokon'ny taranak'Isakara dia 64.300 lahy.

Numbers 26:26

Firy ny isan'ireo lehilahy avy amin'ny fokon'i Zebolona?

Ny isan'ireo lehilahy avy amin'ny fokon'i Zebolona dia 60.500 lahy.

Numbers 26:28

Iza avy ireo zanak'i Josefa?

Manase sy Efraima no zanak'i Josefa.

Numbers 26:33

Firy ny zanaka vavin'i Zelofada zanak'i Hefera fa tsy nanan-janaka lahy izy?

Tsy nitera-dahy i Zelofada zanak'i Hefera fa nanan-janaka vavy dimy izy.

Firy ireo lehilahy avy amin'ny taranak'i Manase?

Ny lehilahy izay avy amin'ny taranak'i Manase dia niisa 52.700 lahy.

Numbers 26:35

Firy ireo lehilahy avy amin'ny taranak'i Efraima?

Ny lehilahy izay avy amin'ny taranak'i Efraima dia niisa 32.500 lahy.

Numbers 26:38

Firy ireo lehilahy avy amin'ny taranak'i Benjamina?

Ny lehilahy izay avy amin'ny taranak'i Benjamina dia niisa 45.600 lahy.

Numbers 26:42

Firy ireo lehilahy avy amin'ny taranak'i Dana?

Ny lehilahy izay avy amin'ny taranak'i Dana dia niisa 64.400 lahy.

Numbers 26:44

Firy ireo lehilahy avy amin'ny taranak'i Asera?

Ny lehilahy izay avy amin'ny taranak'i Asera dia niisa 53.400 lahy.

Numbers 26:48

Niisa firy ny lehilahy avy amin'ny taranak'i Naftaly?

Ny lehilahy izay avy amin'ny taranak'i Naftaly dia niisa 45.400 lahy.

Numbers 26:51

Firy ny isa fenon'ny lehilahy avy amin'ny vahoakan'Israely?

Ny isa fenon'ny lehilahy teo amin'ny vahoakan'Israely dia 601.730.

Numbers 26:52

Ahoana no nolazain'i Yaveh hizarana ny tany?

Nilaza Yaveh fa hozaraina amin'ireo lehilahy ho lova araka ny isan'ny anaran'izy ireo ny tany.

Numbers 26:54

Iza no hahazo tany betsaka ary iza no hahazo kely ho lovan'izy ireo?

Ireo foko izay maro isa no homena lova betsaka ary ireo foko izay vitsy an'isa no homena lova kely.

Fomba inona no tsy maintsy ampiasaina mba hizarana ny tany?

Hozaraina amin'ny filokana kisendrasendra eo amin'ny fokon'ny razamben'izy ireo ny tany.

Numbers 26:57

Avy amin'ny fokon'iza i Gersona, Kehata, ary Merary?

Avy amin'ny fokon'ny Levita i Gersona, Kehata, ary Merary.

Taranaky ny fokon'iza ireo Libnita, Hebronita, Mahalita, Mosita, ary Koralta?

Ny Libnita, Hebronita, Mahalita, Mosita, ary Koralta dia taranaka avy amin'i Levy.

Iza no razamben'i Amrama?

Kehata no razamben'i Amrama.

Iza no zanak'i Amrama sy Jokebeda, taranak'i Levy izay teraka tany Egypta?

Arona, Mosesy, ary Miriama, anabavin'izy ireo no zanak'izy ireo.

Numbers 26:60

Iza no rain'i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara?

Arona no rain'i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara.

Inona no nanjo an'i Nadaba sy Abiho ary nahoana no maty izy ireo?

Maty Nadaba sy Abiho rehefa nanolotra afo tsy azo ekena teo anoloanan'i Yaveh izy ireo.

Firy ny isan'ny lahy avy amin'i Levy izay iray volana no ho mihoatra?

Ny isan'ny lahy avy amin'i Levy izay iray volana no ho mihoatra dia 23.000.

Nahoana no tsy nisaina tamin'ireo taranak'Israely ny lahy izay iray volana no ho mihoatra?

Tsy nisaina tamin'ireo taranak'Israely ny lahy izay iray volana no ho mihoatra satria tsy nanana tany lova teo amin'ny vahoakan'Israely izy ireo.

Numbers 26:63

Taiza no nanisan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny vahoakan'Israely?

Nanisa ny vahoakan'Israely tao amin'ny lemak'i Moaba teo amoron'i Jordana tao Jeriko Mosesy sy Eleazara.

Firy ny lehilahy hita tao an'efitr'i Sinay izay nisain'i Mosesy sy Arona mpisorona rehefa nisaina ny taranak'Israely?

Tsy nisy lehilahy izay voaisan'i Mosesy sy Arona mpisorona rehefa nisaina tao an'efitr'i Sinay ny taranak'Israely tao.

Numbers 26:65

Nahoana no tsy nahavita nanisa ireo taranaka ireo i Mosesy sy Arona?

Nilaza Yaveh fa ho faty any an'efitra ireo olona ireo, afa-tsy Kaleba sy Josoa ihany.

Numbers 27

Numbers 27:2

Nahoana no maty tany an'efitra i Zelofada?

Maty tany an'efitra i Zelofada tsy satria izy no iray tamin'ireo izay niangona hanohitra an'i Yaveh tao amin'ny antokon'i Kora, fa maty noho ny fahotany ihany izy.

Numbers 27:4

Inona no tian'ireo zanaka vavin'i Zelofada mba homen'i Mosesy azy ireo?

Tian'ireo zanaka vavin'i Zelofada hanome tany azy ireo eo amin'ny havan-drainy i Mosesy.

Numbers 27:6

Inona no nolazain'i Yaveh fa tokony hanaovana ny lovan'ny lehilahy rehefa maty izy nefa tsy manan-janaka lahy?

Rehefa maty ny lehilahy iray nefa tsy manan-janaka lahy, dia tsy maintsy afindra amin'ny zanany vavy ny lovany.

Numbers 27:9

Raha maty ny olona iray ary tsy manan-janaka lahy na vavy, dia iza no handray ny lovany manaraka?

Raha maty ny olona iray ary tsy manan-janaka lahy na vavy, dia afindra amin'ireo rahalahiny ny lovany.

Numbers 27:12

Nahoana no tsy maintsy angonina any amin'ny vahoakany i Mosesy fa tsy handeha ho any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo?

Tsy maintsy angonina any amin'ny vahoakany i Mosesy satria nikomy tamin'ny didin'i Yaveh tamin'ny nikapohana ny vatolampy tamin-katezerana izy sy Arona.

Numbers 27:15

Nahoana no nangataka tamin'i Yaveh mba hanendrena lehilahy iray hanapaka ny fiangonana Mosesy?

Nangataka Mosesy mba hanendry lehilahy iray hanapaka ny fiangonana Yaveh mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo.

Numbers 27:18

Nahoana no nibaiko an'i Mosesy mba hametraka ny tanany amin'i Josoa, zanak'i Nona i Yaveh?

Nibaiko an'i Mosesy mba hifidy an'i Josoa i Yaveh satria izy no lehilahy izay hitoeran'ny fanahin'i Yaveh.

Numbers 27:20

Fahefana firy no nandidian'i Yaveh mba homen'i Mosesy an'i Josoa?

Tsy maintsy nanome ny fahefana mba hitadiavana ny lahatr'i Yaveh araka ny fanapahan-kevitry ny Orima ary nandidy ny Israely rehetra mba hankatoa azy Mosesy.

Numbers 27:22

Ahoana no navalin'i Mosesy ny didin'i Yaveh?

Nametraka an'i Josoa teo anoloan'i Eleazara mpisorona sy ny fiaraha-monina manontolo Mosesy ary nametraka ny tanany teo aminy araka ny nandidiany azy mba hitarika araka ny nandidian'i Yaveh azy.

Numbers 28

Numbers 28:1

Inona no nolazain'i Yaveh fa hovokarin'ireo sorona ho Azy?

Nilaza Yaveh fa hamokatra hanitra mamerovero ho Azy ireo sorona.

Numbers 28:3

Biby roa inona, iray amin'ny maraina ary iray amin'ny hariva, no tsy maintsy atolotra ho fanatitra dorana mahazatra isan'andro?

Ireo sorona fanatitra dorana mahazatra amin'ny maraina sy hariva dia tsy maintsy zanak'ondrilahy tsy misy kilema.

Inona ihany koa no tsy maintsy atolotr'izy ireo miaraka amin'ny fanatitra dorana mahazatra?

Tsy maintsy manolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha mifangaro diloilo voakapoka iray ampahefatry ny hina izy ireo.

Numbers 28:6

Inona no fanatitra sotroina ho an'i Yaveh izay tsy maintsy ampiana ireo fanatitra dorana mahazatra ary nataon'izy ireo inona izany?

Zava-pisotro iray ampahefatry ny hina no maintsy ampiana ireo sorona ireo ary nararaka teo amin'ny toerana masina izany.

Numbers 28:9

Inona no tsy maintsy atolotra amin'ny andro Sabata?

Amin'ny andro Sabata, dia zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema sy koba tsara toto miharo diloilo, ary fanatitra sotroina no tsy maintsy atolotra.

Numbers 28:11

Biby miavaka inona no tsy maintsy atao amin'ny fiandohan'ny volana tsirairay?

Amin'ny fiandohan'ny volana, ireo biby avy amin'ireo sorona miavaka dia vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondrilahy herintaona tsy misy kilema fito.

Inona ireo fanatitra hohanina natolotra niaraka tamin'ireo omby roa ary ho an'ny ondrilahy iray?

Ireo fanatitra hohanina ho an'ireo ombilahy tsirairay avy dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha mifangaro diloilo, ary ny fanatitra hohanina ho an'ny ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha mifangaro diloilo.

Inona no fanatitra hohanina ho an'ny zanak'ondry tsirairay avy?

Ny zanak'ondry tsirairay avy dia nisy fanatitra hohanina koba tsara toto mifangaro diloilo ampahafolon'ny efaha.

Numbers 28:14

Impiry ireo fanatitra dorana miavaka ireo no tsy maintsy omena?

Ireo fanatitra dorana miavaka ireo dia tsy maintsy omena isam-bolana mandritra ny taona iray.

Inona no natolotra niaraka tamin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra sotroina?

Osilahy iray no natolotra ho fanatitra noho ny ota ho an'i Yaveh.

Numbers 28:16

Amin'ny inona no tonga ny Pask'i Yaveh?

Tonga mandritra ny voalohan'ny volana, amin'ny fahefatra ambin'ny folon'ny volana ny Pask'i Yaveh.

Amin'ny andro inona no hitanana ny firavoravoana ary karazana mofo inona no nohanina nandritra ny fito andro?

Tsy maintsy hotanana amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana voalohany ny firavoravoana, ary nihinana mofo tsy misy masirasira nandritra ny fito andro izy ireo.

Inona no nataon'izy ireo mba hanomezam-boninahitra an'i Yaveh tamin'ny andro voalohan'ny Paska, ary inona no tsy nataon'izy ireo tamin'izany andro izany?

Nanao fivoriana masina mba hanomezam-boninahitra an'i Yaveh izy ireo; tsy nanao ny asa mahazatra izy ireo tamin'izany andro izany.

Numbers 28:19

Biby sorona inona no tsy maintsy atao mandritra ny fito andron'ny Paska?

Nanolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondry herintaona fito tsy misy kilema izy ireo.

Fanatitra hohanina inona no nomen'izy ireo niaraka tamin'ireo vantotr'ombilahy roa sy niaraka tamin'ny ondrilahy?

Niaraka tamin'ireo vantotr'ombilahy roa dia nanolotra koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha izy ireo ary niaraka tamin'ny ondrilahy dia nanolotra roa ampahafolony izy ireo.

Inona no natolotr'izy ireo niaraka tamin'ireo zanak'ondry?

Nanolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha niharo diloilo niaraka tamin'ny zanak'ondry tsirairay izy ireo.

Nahoana no nomena ny osilahy?

Nomena ho fanatitra noho ny ota mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenan'izy ireo ny osilahy.

Numbers 28:23

Inona no nitranga tamin'ny andro fahafiton'ny firavoravoan'ny Paska?

Tamin'ny andro fahafiton'ny firavoravoan'ny Paska dia tsy maintsy nanao fivoriana masina mba hanomezana voninahitra an'i Yaveh ary tsy hanao ny raharaha mahazatra amin'izany andro izany izy ireo.

Numbers 28:26

Inona no tsy maintsy atolotr'izy ireo amin'ny andron'ny voaloham-bokatra amin'ny Herinandron'ny Firavoravoana ary inona no nataon'izy ireo tamin'izany andro izany?

Tamin'ny andron'ny voaloham-bokatra, dia nanolotra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Yaveh tamin'ny Herinandron'ny Firavoravoana izy ireo, ary nanao fivoriana masina mba hanomezana voninahitra an'i Yaveh ary tsy nanao ny asa mahazatra tamin'izany andro izany.

Numbers 29

Numbers 29:1

Nahoana ny vahoakan'Israely no nanao fivoriana masina tamin'ny andro voalohan'ny volana; inona no tsy nataon'izy ireo ary inona no nataon'izy ireo tamin'izany andro izany?

Tamin'ny andro voalohan'ny volana dia nanao fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh ny vahoakan'Israely; tsy nanao ny raharaha mahazatra izy ireo ary nitsoka trompetra.

Numbers 29:2

Tamin'izany andro izany, dia biby inona no natolotr'izy ireo ary nahoana no nanolotra izany izy ireo?

Tamin'izany andro izany, dia nanolotra fanatitra dorana vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito—samy tsy misy kilema—mba hamokatra hanitra mamerovero ho an'i Yaveh izy ireo.

Numbers 29:3

Inona no fanatitra hohanina izay natolotr'izy ireo niaraka tamin'ireo biby?

Niaraka tamin'ireo biby dia nanolotra koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina izy ireo.

Nahoana no nanolotra osilahy iray izy ireo?

Nanolotra osilahy iray ho fanatitra noho ny ota mba hanaovana fanavotana ny tenany izy ireo.

Numbers 29:6

Oviana no tsy maintsy anaovan'izy ireo izany fanatitra noho ny ota izany, ho fanampin'ny fanatitra mahazatra rehetra izay ataon'izy ireo isam-bolana?

Tsy maintsy manao izany fanatitra noho ny ota izany amin'ny volana fahafito, ho fanampin'ny fanatitra mahazatra rehetra izay ataon'izy ireo isam-bolana izy ireo.

Numbers 29:7

Inona no nolazain'i Yaveh mba hataon'ny vahoakan'Israely amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito?

Amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hanao fivoriana masina hanomezam-boninahitra an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, hanetry tena izy ireo, ary tsy hanao asa.

Biby inona no tsy maintsy natolotr'izy ireo ho fanatitra dorana mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh amin'ny volana fahafito?

Amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy fito herintaona—samy tsy misy kilema ny vahoakan'Israely.

Numbers 29:9

Inona no tsy maintsy napetraky ny vahoakan'Israely niaraka tamin'ireo biby tsirairay?

Tsy maintsy nanisy koba tsara toto voaharo diloilo niaraka tamin'ireo biby tsirairay ny vahoakan'Israely.

Nahoana no nomena ny osilahy?

Nomena mba ho fanatitra noho ny ota ny osilahy.

Numbers 29:12

Tamin'ny andro inona no nisy fivoriana masina hafa hankalazana an'i Yaveh izay tsy anaovan'izy ireo ny raharaha mahazatra ary hitandremana ny firavoravoana ho Azy mandritra ny fito andro amin'izany andro izany?

Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hisy fivoriana masina hafa hankalazana an'i Yaveh izay tsy anaovana ny raharaha mahazatra ary hitandremana ny firavoravoana ho Azy mandritra ny fito andro.

Tamin'izany andro izany dia vantotr'ombilahy, ondrilahy sy zanak'ondry lahy herintaona samy tsy misy kilema firy no natolotr'izy ireo?

Tamin'izany andro izany dia nanolotra vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo samy tsy misy kilema izy ireo.

Numbers 29:14

Ho fanampin'ny fanatitra hohanina, fanatitra sotroina, ary ireo biby sorona hafa, dia inona no biby hafa izay natolotra ho fanatitra noho ny ota?

Ho fanampin'ny fanatitra hohanina, fanatitra sotroina, ary ireo biby sorona hafa, dia osilahy iray no natolotra ho fanatitra noho ny ota.

Numbers 29:17

Vantotr'ombilahy firy no natolotr'izy ireo tamin'ny andro faharoan'ny fivoriana?

Tamin'ny andro faharoan'ny fivoriana, dia nanolotra vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo izy ireo.

Numbers 29:20

Vantotr'ombilahy firy no natolotr'izy ireo tamin'ny andro fahatelon'ny fivoriana?

Tamin'ny andro fahatelon'ny fivoriana dia nanolotra ombilahy iraika ambin'ny folo, ary ireo sorona rehetra ho an'ny andro omaly izy ireo.

Numbers 29:23

Vantotr'ombilahy firy no natolotr'izy ireo tamin'ny andro fahefatry ny fivoriana ho fanampin'ny sorona rehetra ho an'ny andro omaly?

Tamin'ny andro fahefatry ny fivoriana dia nanolotra ombilahy folo sy ireo sorona rehetra ho an'ny andro omaly izy ireo.

Numbers 29:26

Ahoana no nankalazan'ny vahoakan'Israely ny andro fahadimin'ny fivoriana?

Tamin'ny andro fahadimin'ny fivoriana dia nanolotra ombilahy sivy sy ireo sorona rehetra ho an'ny andro omaly ny vahoakan'Israely.

Numbers 29:29

Ahoana no nankalazan'ny vahoakan'Israely ny andro faheninin'ny fivoriana?

Tamin'ny andro faheninin'ny fivoriana dia nanolotra ombilahy valo sy ireo sorona rehetra ho an'ny andro omaly ny vahoakan'Israely.

Numbers 29:32

Ahoana no nankalazan'ny vahoakan'Israely ny andro fahafiton'ny fivoriana?

Tamin'ny andro fahafiton'ny fivoriana dia nanolotra ombilahy fito sy ireo sorona rehetra ho an'ny andro omaly ny vahoakan'Israely.

Numbers 29:35

Ahoana no nankalazan'ny vahoakan'Israely ny andro fahavalon'ny fivoriana?

Tamin'ny andro fahavalon'ny fivoriana dia tsy maintsy nanao fivoriana manetriketrika hafa ny vahoakan'Israely ary tsy nanao ny asa mahazatra.

Biby inona no tsy maintsy natolotr'izy ireo tamin'ny andro fahavalo ho fanatitra doran'izy ireo natao tamin'ny afo mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh?

Tsy maintsy nanolotra ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito, samy tsy misy kilema izy ireo.

Numbers 29:37

Inona ihany koa no tsy maintsy natolotr'izy ireo ho fanampin'ny ombilahy, ondrilahy, ny zanak'ondry herintaona tsy misy kilema? [29:35]

Ho fanampin'ny ombilahy, ondrilahy, ny zanak'ondry herintaona tsy misy kilema, dia tsy maintsy nanolotra fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota izy ireo.

Numbers 29:39

Ankoatra ireo fanatitra dorana, fanatitra hohanina, fanatitra sotroina, sy fanati-pihavanana, dia fanatitra inona ihany koa no nataon'izy ireo?

Ankoatra ireo fanatitra dorana, fanatitra hohanina, fanatitra sotroina, sy fanati-pihavanana, dia nanao voady sy fanatitra an-tsitrapo izy ireo.

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'ny vahoakan'Israely?

Nilaza tamin'ny vahoakan'Israely ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh azy mba holazainy Mosesy.

Numbers 30

Numbers 30:1

Inona no tsy tokony ataon'ny olona izay nanao voady?

Tsy hivadika amin'ny teniny izy.

Numbers 30:3

Raha misy tovovavy mipetraka ao an-tranon-drainy ka manao voady amin'i Yaveh ary mandre ny voadiny ny rainy nefa tsy miteny na inona na inona mba hampivadika ny voadiny, dia manan-kery ve ilay voady?

Eny, manan-kery izany.

Numbers 30:5

Raha misy tovovavy mipetraka ao an-tranon-drainy ka manao voady amin'i Yaveh ary manatsahatra azy amin'ny andro izay handrenesany izany izy, dia manan-kery ve ilay voady?

Tsia, tsy manan-kery ilay voady.

Numbers 30:6

Raha misy tovovavy manambady ka manao ny voadiny ary mandre momba izany ny vadiny ary tsy manao na inona na inona mba hanajanona azy, dia dia manan-kery ve ireo voady?

Eny, manan-kery ireo voady.

Numbers 30:8

Raha manakana azy amin'ny andro andrenesany momba izany ny vadin-dravehivavy, dia manan-kery ve ilay voady?

Tsia, tsy manan-kery ilay voady.

Numbers 30:9

Raha misy mpitondratena na vehivavy nisara-bady manao voady amin'i Yaveh, dia manan-kery ve ilay voady?

Eny, manan-kery ilay voady.

Raha nisy vehivavy nanao voady tao an-tranon'ny vadiny ary nanafoana izany tamin'ny andro izay andrenesany izany izy, dia manan-kery ve ilay voady?

Tsia, tsy hijanona hanan-kery ny voadiny.

Numbers 30:15

Raha mitady ny hanafoana ny voadiny ny vadin-dravehivavy fotoana ela taorian'ny nandrenesany momba izany, dia manan-kery ve ilay voady?

Eny, hanan-kery izany, ary raha mandika izany izy, dia ho tompon'antoka amin'ny fahotany ary hijaly noho ny sazy tamin'ny nandikany izany izy.

Numbers 31

Numbers 31:1

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa hitranga rehefa avy mamaly faty ny vahoakan'Israely nohon'ny nataon'ireo Midianita izy?

Nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh fa ho faty Mosesy ary hangonina any amin'ny vahoakany izy.

Numbers 31:3

Miaramila firy isaky ny foko no nalefa niady tamin'ny Midiana?

Tsy maintsy nandefa miaramila arivo ny foko tsirairay avy.

Numbers 31:6

Inona no nitranga nandritra ny adin'ny Israely tamin'ny Midiana?

Maty avokoa ny Midianita rehetra, anisan'izany ireo mpanjakan'izy ireo sy Balama.

Numbers 31:9

Inona no nalain'ny tafik'Israely ho babo avy amin'ny Midiana?

Naka ny vehivavin'i Midiana, ny zanak'izy ireo, ny biby fiompin'izy rehetra, ireo ondry aman'osin'izy ireo, ary ny fananan'izy rehetra ho babo ny tafik'Israely.

Numbers 31:13

Nahoana no tezitra tamin'ireo manampahefan'ny tafik'Israely i Mosesy?

Tezitra tamin'ireo manampahefan'ny tafik'Israely i Mosesy satria namela ny vehivavy Midiana rehetra ho velona izy ireo.

Numbers 31:16

Nahoana no tezitra Mosesy fa namela ny vehivavy Midiana rehetra ho velona ireo manampahefan'ny tafik'Israely?

Tezitra Mosesy satria nahatonga ny vahoakan'Israely nanota tamin'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny torohevitr'i Balama ny olon'Israely.

Iza no nobaikoin'i Mosesy mba hovonoin'ireo manampahefan'ny tafik'Israely?

Nilaza tamin'ireo manampahefan'ny tafik'Israely ny mba hamonoin'izy ireo ny lahy rehetra teo amin'ny madinika sy ny vehivavy rehetra izay niara-nandry tamin'ny lehilahy i Mosesy.

Numbers 31:18

Iza no nolazain'i Mosesy mba ho alain'ireo manampahefan'ny tafik'Israely mba ho azy ireo?

Nilaza tamin'ireo manampahefan'ny tafik'Israely i Mosesy fa afaka maka ny tovovavy rehetra izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy ireo manampahefan'ny tafik'Israely.

Hafiriana no tsy maintsy nitoby ivelan'ny tobin'Israely ireo miaramila izay nanomo olona na nikitika olona maty?

Tsy maintsy nitoetra ivelan'ny toby nandritra ny fito andro izy ireo.

Iza tamin'ireo lehilahy tao amin'ny tafik'Israely no tsy maintsy manadio ny tenan'izy ireo?

Ny lehilahy rehetra tao amin'ny tafik'Israely izay namono olona na nikitika olona maty no tsy maintsy manadio ny tenan'izy ireo.

Amin'ny andro inona no tokony anadiovan'ireo miaramila sy ny gadran'izy ireo nitoby ivelan'ny tobin'Israely ny tenan'izy ireo?

Ireo izay nitoby ivelan'ny tobin'Israely dia tsy maintsy manadio ny tenan'izy ireo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.

Numbers 31:25

Teo amin'ny vondrona iza avy no nasian'i Mosesy hizaran'i Eleazara mpisorona ny babo avy amin'ny ady?

Nasian'i Mosesy hizara ny babo avy amin'ny ady teo amin'ireo miaramila izay nandeha ho an'ny an'ady sy ireo ambin'ny fiangonana rehetra i Eleazara.

Numbers 31:28

Inona no hetra izay tokony aloan'ireo miaramila any amin'i Eleazara mpisorona?

Tokony handoa hetra iray isan-dimanjato, na olona, biby fiompy, boriky, ondry, na osy ireo miaramila.

Numbers 31:30

Inona no hetra izay tokony homen'ny vahoakan'Israely ireo Levita izay nikarakara ny tabernakely?

Tokony handoa hetra iray isan-dimampolo avy amin'ireo olona, biby fiompy, boriky, ondry, ary osy ny vahoakan'Israely.

Numbers 31:50

Nahoana no nitondra fanatitra ho an'i Yaveh ireo manampahefan'ny tafik'Israely?

Nitondra fanatitra mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenan'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh izy ireo.

Numbers 31:52

Nahoana no nomena an'i Yaveh ny volamena rehetra avy amin'ireo mpifehy arivo sy avy amin'ireo kapitenin'ny zato?

Napetraka tao amin'ny trano-lay fihaonana mba hampahatsiahivana an'i Yaveh ny vahoakan'Israely izany.

Numbers 32

Numbers 32:1

Nahoana no nandeha ary niresaka tamin'i Mosesy ireo taranak'i Robena sy Gada?

Nandeha ary niresaka tamin'i Mosesy ireo taranak'i Robena sy Gada satria hitan'izy ireo fa ny tanin'i Jazera sy Gileada dia toerana mahafinaritra ho an'ireo biby fiompy fa nanana biby fiompy maro be ireo taranak'i Robena sy Gada.

Numbers 32:6

Nahoana no nihevitra Mosesy fa te hitoetra ao Jazera sy Gileada ireo taranak'i Gada sy Robena?

Nihevitra izy fa te hitoetra ao izy ireo ary hamela ny rahalahin'izy ireo handeha hiady.

Inona no noheverin'i Mosesy fa hahazo ny fon'ny vahoakan'Israely raha nijanona tao ireo taranak'i Gada sy Robena?

Nihevitra izy fa hanjary kivy ny fon'ny vahoaka.

Numbers 32:8

Inona no nataon'ny razamben'izy ireo rehefa naniraka azy ireo avy any Kadesi-barnea mba hisafo ny tany i Mosesy?

Nahita ny tany izy ireo ary avy eo nanakivy ny fon'ireo vahoakan'Israely mba handàvan'izy ireo tsy hiditra ao amin'ny tany.

Numbers 32:10

Nahoana no nanao fianianana Yaveh fa ireo olona izay niakatra avy tany Egypta, manomboka amin'ny roapolo taona no ho miakatra afa-tsy Kaleba sy Josoa dia tsy hahita ny tany izay niananianany tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba?

Nanao izany fianianana izany Yaveh satria tezitra Izy fa tsy nanaraka Azy tanteraka ireo lehilahy ireo.

Numbers 32:13

Inona no nataon'i Yaveh satria tezitra tamin'ireo lehilahin'Israely Izy?

Nataony nirenireny nanodidina ny tany efitra nandritra ny efapolo taona izy ireo.

Numbers 32:16

Fampanantenana inona no nataon'ireo taranak'i Robena sy Gada tamin'i Mosesy raha hamela azy ireo hanorina fefy ho an'ireo biby fiompiny sy tanànany ho an'ireo ankohony izy?

Nampanantena ny ho vonona hitam-piadiana mba handeha hiaraka amin'ny tafik'Israely izy ireo ary tsy hiverina mandra-pametrahan'izy ireo ny Israely amin'ny toerany.

Numbers 32:20

Inona no notapahin'i Mosesy mba hataony momba ny fangatahan'ireo taranak'i Robena sy Gada?

Nilaza azy ireo izy fa raha handeha mba hiady miaraka amin'ireo lehilahin'Israely ary handroaka ireo fahavalo tao amin'ny tany izy ireo, dia afaka miverina any amin'ny tany izay ho azon'izy ireo izy ireo ka tsy hanan-tsiny manoloana an'i Yaveh sy manoloana ny Israely.

Numbers 32:28

Inona no nitranga raha tsy niampita ary niady niaraka tamin'ireo lehilahin'Israely mba haka ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo ny taranak'i Robena sy Gada?

Raha tsy niampita ary niady niaraka tamin'ireo lehilahin'Israely izy ireo, dia tsy nahazo ny tany tao Gileada, fa haka ny fananan'izy ireo tany amin'ny tany Kanana.

Numbers 32:31

Inona no nampanantenain'ireo taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasam-pokon'i Manase ny vahoakan'Israely?

Nampanantena ny hiampita ho any amin'ny tany Kanana izy ireo.

Numbers 32:33

Tany iza no nomen'i Mosesy ireo taranak'i Robena sy Gada, ary ny antsasam-pokon'i Manase ihany koa?

Nanome azy ireo ny tanin'i Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana izy.

Numbers 33

Numbers 33:3

Nahoana no afaka niala malalaka tao Ramesesa tsy nisy fifanoherana tamin'ireo Egyptiana ny vahoakan'Israely?

Afaka niala malalaka izy ireo satria sahirana nandevina ny lahimatoany ireo Egytiana.

Numbers 33:8

Nahoana no nifidy ny hitoby tao Elima ny vahoakan'Israely?

Nifidy ny hitoby tao izy ireo satria nisy loharano roa ambin'ny folo ary hazo rofia fitopolo tao.

Numbers 33:11

Inona no tsy hitan'ny vahoakan'Israely tao Refidima?

Tsy nisy rano tao Refidima.

Numbers 33:38

Hafiriana taorian'ny nivoahan'ny Israely tao Egypta no nahafatesan'i Arona tao an-Tendrombohitra Hora?

Maty efapolo taona taorian'ny nivoahan'ny Israely tao Egypta Arona.

Numbers 33:50

Inona no nandidian'i Yaveh mba ataon'ny vahoaka tamin'ny alalan'i Mosesy taorian'ny niampitan'izy ireo an'i Jordana ho any Kanana?

Nandidy azy ireo mba handroaka ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany ary hamotika ireo sarin-javatra voasokitra rehetran'izy ireo sy ireo fitoerana avony Yaveh.

Numbers 33:53

Ahoana no tian'i Yaveh hizaran'ny vahoakan'Israely ny tany izay azon'izy ireo?

Tian'i Yaveh hizara ny tany amin'ny filokana ny vahoakan'Israely, ary hanome anjara tany lehibe ho an'ny foko lehibe ary anjara tany kely ho an'ny foko kely.

Numbers 33:55

Inona no nahazo raha tsy nandroaka ireo mponin'ilay tany ny vahoakan'Israely?

Ny vahoaka izay navelan'izy ireo mba hijanona dia hanasarotra ny fiainan'izy ireo.

Numbers 34

Numbers 34:13

Iza ny vahoaka izay hahazo ny tany Kanana ho fananan'izy ireo?

Ny sivy sy ny antsasaky ny fokon'Israely no hahazo ny tany Kanana ho fananan'izy ireo.

Inona no ho azon'ireo taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasa-pokon'i Manase ho anjara tanin'izy ireo?

Hahazo ny anjara tanin'izy ireo any an-dafin'ny Jordana miatsinanana an'i Jeriko ireo taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasa-pokon'i Manase.

Numbers 34:16

Iza ireo lehilahy izay hizara ny tany ho lovan'izy ireo?

Ireo lehilahy dia ho i Eleazara mpisorona, Josoa zanak'i Nona, ary mpitarika iray avy isaky ny foko.

Numbers 34:27

Inona no nandidian'i Yaveh mba hataon'ireo lehilahy ireo?

Nandidy azy ireo mba hizara ny tany Kanana sy hanome ny isam-pokon'Israely ny anjaran'izy ireo Izy.

Numbers 35

Numbers 35:1

Inona no nandidian'i Yaveh mba hataon'ny fokon'Israely tsirairay avy ho an'ireo Levita?

Nandidy azy ireo mba hanome ny sasany amin'ireo zara-taniny ho an'ireo Levita, dia tanàna mba honenany sy tany firaofam-bilona manodidina ireo tanàna ireo Izy.

Numbers 35:6

Tanàna firy no nomena ireo Levita?

Tanàna valo amby efapolo no nomena ireo Levita.

Inona no anton'ny tanàna enina izay ho azon'ireo Levita?

Atao tanàna fialofana hahafahan'ny olona izay namono olona mandositra ireo.

Numbers 35:16

Inona no hahatonga ny olona voampanga ho vonoina tokoa?

Hovonoina izy raha namely ny lasibany tamin'ny fitaovana vy, vato teny an-tanany, na fitaovam-piadiana hazo ka maty ny lasibany.

Numbers 35:19

Inona no hitranga raha nandratra olona nefa tsy nitondra fitaovam-piadiana ilay olona voampanga ka maty izy ireo?

Raha nandratra olona nefa tsy nitondra fitaovam-piadiana ilay olona voampanga na nitoraka zavatra tany aminy raha miafina, na namely azy tamin'ny tanany ka maty ilay lasibatra, dia tsy maintsy vonoina ilay olona voampanga.

Numbers 35:24

Inona no tsy maintsy ataon'ny fiangonana mba hamonjena ilay lehilahy voampanga amin'ny mpamaly rà, izay maty tamin'ny fandratrana tsy nahy ilay lasibatra?

Tsy maintsy mamonjy ilay voampanga amin'ny fandefasana azy any amin'ny tanàna fialofana izay nandosirany tany am-boalohany ny fiaraha-monina.

Numbers 35:26

Rehefa inona no afaka mamono ilay olona voampanga ny mpamaly rà ka tsy meloka noho ny famonoana?

Raha hitan'ny ny mpamaly rà any ivelan'ny faritry ny tanàna fialofany izay nandosirany ilay olona voampanga, dia afaka mamono azy izy ka tsy ho meloka noho ny famonoana.

Rehefa inona no afahana hiverina any amin'ny fananany ihany ny olona voampanga?

Ho afaka hiverina aorian'ny fahafatesan'ny mpisoronabe izy.

Numbers 35:29

Inona no nilaina mialohan'ny ahafahana mamono ny mpamono olona?

Ny tenin'ny vavolombelona mihoatra ny iray no nilaina mialohan'ny ahafahana mamono ny mpamono olona.

Numbers 35:31

Vidim-panavotana inona no afaka eken'ny vahoaka ho fanavotana ny ain'ny mpamono olona iray?

Tsy maintsy hanaiky ny vidim-panavotana ho an'ny ain'ny mpamono olona iray na ho an'ny olona izay nandositra tany amin'ny tanàna fialofana ny vahoaka.

Numbers 35:33

Inona no zavatra tokana izay afaka hanavotana ny tany noho ny nandatsahan-drà?

Ny ràn'ny olona izay nandatsa-drà ihany no hanavotana ny tany.

Numbers 36

Numbers 36:1

Nodidian'i Yaveh mba homen'i Mosesy ho an'iza ny tanin'i Zelofada?

Nandidy an'i Mosesy mba hanome ny tanin'i Zelofada ho an'ireo zanany vavy i Yaveh.

Numbers 36:3

Inona no nanaovana ny tanin'i Zelofada raha nananmbady lehilahy avy amin'ny foko hafa tao Israely ireo zanany vavy?

Raha nanao izany izy ireo, dia ho an'ny foko tao amin'izay nanambadian'izy ireo ny anjara tanin'izy ireo.

Inona no anaovana ny tany izay an'ny zanaka vavy izay nanambady lehilahy avy amin'ny foko hafa rehefa tonga ny jobily?

Rehefa tonga ny jobily, dia ny anjara izay an'ny zanaka vavy dia ho an'ny fokon'ny vadiny ka halàna amin'ny fokon'i Zelofada.

Numbers 36:5

Didy inona no nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy mahakasika ireo zanaka vavin'i Zelofada?

Nandidy Izy fa afaka manambady izay ao amin'ny fokon-drainy ihany ireo zanaka vavin'i Zelofada.

Numbers 36:7

Inona no tsy anaovana ireo zara-tany ao Israely mihitsy?

Tsy misy anjara tany ao Israely hiova foko ho amin'ny foko hafa. Ny anjaran'ny olona tsirairay dia hitoetra ao amin'ny fokon-drazambeny avy.

Numbers 36:8

Nahoana no nandidy Yaveh fa ny vehivavy rehetra eo amin'ny vahoakan'ny Israely izay manan-jara ao amin'ny fokony dia tsy maintsy manambady olona avy amin'ireo fianakaviamben'ny fokon-drainy?

Nanome izany didy izany Yaveh mba hanana lova avy amin'ireo razambeny ny olona rehetra eo amin'ny vahoakan'ny Israely.

Numbers 36:10

Ahoana no nanarahan'ireo zanakavavin'i Zelofada izany didy avy amin'i Yaveh izany?

Nanambady tao amin'ireo fianakaviamben'ireo taranak'i Manase izy ireo koa nitoetra tao amin'ny fokon'ny fianakaviamben-drain'izy ireo ny lovan'izy ireo.