Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

James 1

James 1:1

Ho an'iza no nanoratan'i Jakoba ny taratasy?

Nanoratra taratasy ho an'ny foko roa ambin'ny folo niparitaka i Jakoba.

Rehefa nosedrain'ny olana, inona no toetra nolazain'i Jakoba fa tokony hananan'ireo mpamaky?

Nilaza i Jakoba fa tokony handray izany amin'ny fifaliana rehetra rehefa misedra ireo olana.

Inona no vokatrin'ny fitsapana ny finoantsika?

Ny fitsapana ny finoantsika dia mahatonga faharetana.

James 1:4

Inona no tokony hangatahintsika amin'Andriamanitra raha ilaina izany?

Tokony hangataka ny fahendrena amin'Andriamanitra isika raha ilaina izany.

James 1:6

Inona no tokony hangatahin'ny olona izay manana fisalasalana ho raisiny?

Ny olona izay mangataka am-pisalasalana dia tokony tsy hanantena na inona na inona avy amin'ny Tompo.

James 1:9

Nahoana no tokobny manetri-tena ny rahalahy iray manan-karena?

Ny rahalahy manan-karena dia tokony manetri-tena satria hilofaka toy ny voninkazo izy.

James 1:12

Ireo izay manao ny fitsapana ny finoana dia handray inona?

Ireo izay manao ny fitsapana ny finoana dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana.

James 1:14

Inona no nahatonga ny olona iray ho azon'ny ratsy?

Manana fanirian-dratsy ny olona iray ka mahatonga azy ho azon'ny ratsy.

Inona no vokatry ny fitomboana tanteraky ny ota?

Ny fahafatesana no vokatry ny fitomboana tanteraka ny ota.

James 1:17

Inona no nidina tamin'ny fahazavan'ny Ray?

Ny fanomezana tsara rehetra sy ny zavatra lafatra rehetra dia nidina tamin'ny fahazavan'ny Ray.

Tamin'ny alalan'ny inona no nanomezan'Andriamanitra fiainana antsika?

Nifidy ny hanome ny fiainana ho antsika tamin'ny alalan'ny tenin'ny fahamarinana Andriamanitra.

James 1:19

Inona no nolazain'i Jakoba antsika hatao momba ny fihainoana, ny firesahana sy ny fihetsem-po?

Milaza amintsika i Jakoba mba halaky hihaino, tsy hiteny haingana, ary tsy halaky ho tezitra.

James 1:22

Ahoana ny fomba hilazan'i Paoly fa afaka mamitaka ny tenantsika isika?

Milaza i Jakoba fa afaka mamitaka ny tenantsika isika amin'ny alala'ny fandrenesana teny ary tsy manao izany.

James 1:26

Inona no tokony hofehezina ho antsika mba ho mpivavaka marina isika?

Ny lela no tokony hofehezina mba ho mpivavaka marina isika.

Inona no fivavahana madio sy tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra?

Ny famangiana ny kamboty sy ireo mpitondratena, ary ny fiarovana ny tenantsika amin'ny kolikoly avy amin'izao tontolo izao no fivavahana madio sy tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra.

James 2

James 2:1

Inona no nolazain'i Jakoba tamin'ireo rahalahy fa tokony tsy hatao rehefa misy olona miditra ny fivoriana?

Milaza azy ireo Jakoba mba tsy hankasitraka ny olona sasany nohon'ny endrik'izy ireo.

James 2:5

Inona no nolazain'i Jakoba momba ny safidin'Andriamanitra amin'ireo mahantra?

Nilaza i Jakoba fa nifidy an'ireo mahantra Andriamanitra mba hanan-karena amin'ny finoana ary mba handova ny fanjakana.

Inona no nolazain'i Jakoba fa nataon'ireo mpanan-karena?

Nilaza i Paoly fa nampahory ireo rahalahy ny mpanan-karena ary miteny ratsy ny anaran'Andriamanitra.

James 2:8

Inona no lalàna maha-mpanjaka amin'ny soratra masina?

Ny lalàna maha-mpanjaka dia hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.''

James 2:10

Meloka amin'ny inona ireo izay mandika teboka irain'ny lalàn'Andriamanitra?

Na iza na iza mandika teboka iray ny lalàn'Andriamanitra dia meloka amin'ny fandikana ny lalàna rehetra izy.

James 2:12

Inona no tonga amin'ireo izay tsy nampiseho famindram-po?

Ny fitsarana tsy misy famindram-po no tonga amin'ireo izay tsy nampiseho famidram-po.

James 2:14

Inona no nolazain'i Jakoba momba ireo izay milaza fa manana finoana nefa tsy manampy ireo tsy manana?

Nilaza i Paoly fa ireo izay milaza fa manana finoana, nefa tsy manampy ireo tsy manana dia manana finoana izay tsy afaka ny hamonjy azy ireo.

James 2:18

Ahoana ny fomba nolazain'i Jakoba fa tsy maintsy hampisehoantsika ny finoantsika?

Nilaza i Jakoba fa tokony mampiseho ny finoantsika amin'ny asa isika.

Inona no hinoan'ireo izay milaza fa manana finoana sy demonia?

Ireo izay milaza fa manam-pinoana sy demonia dia mino fa iray ihany ny Andriamanitra.

James 2:21

Ahoana ny fomba nampisehon'i Abrahama ny finoany tamin'ny alalan'ireo asany?

Nampiseho ny finoany tamin'ny alalan'ny asany i Abrahama rehefa nanolotra an'Isaka teo ambonin'ny alitara.

Inona no soratra masina izay notanterahina niaraka tamin'ny finoana sy ny asan'i Abrahama?

Ny soratra masina izay notanterahina dia milaza hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany."

James 2:25

Ahoana ny fomba nampisehoan'i Rahaba ny finoany tamin'ny alalan'ny asany?

I Rahaba dia nampiseho ny finoany tamin'ny alalan'ny asany rehefa nandray ny hafatra sy nandefa izany tamin'ny lalan-kafa izy.

Inona ny vatana raha miala amin'ny fanahy?

Maty ny vatana raha misaraka amin'ny fanahy.

James 3

James 3:1

Nahoana i Jakoba no nilaza fa tsy tokony ho maro no lasa mpampianatra?

Tsy olona maro no tokony ho lasa mpampianatra satria handray fitsarana mafy kokoa izy ireo.

Iza no tafintohina, ary tamin'ny fomba inona avy?

Tafintohina amin'ny fomba maro isika.

Olona toy ny ahoana no afaka mifehy ny tenany iray manontolo?

Ny olona izay tsy tafintohina amin'ny teniny dia afaka mifehy ny tenany iray manontolo ihany koa.

James 3:3

Inona ireo ohatra roa nampiasain'i Jakoba mba hampisehoana fa zavatra kely iray dia afaka mahafehy zavatra lehibe?

Nampiasa ny ohatry ny lamboridy eo ambavan'ireo soavaly sy ny famoriana ny sambo i Jakoba.

James 3:5

Inona no afaka ataon'ny lela mpanota amin'ny vatana iray manontolo?

Afaka mandoto ny vatana iray manontolo ny lela mpanota.

James 3:7

Inona no tsy afaka nofolahan'ny olona?

Tsy misy olona mahavita mamolaka ny lela.

James 3:9

Inona ireo zavatra roa izay amin'ny vava iray ihany no mivoaka?

Ny fitahiana sy ny fanozonana no mivoaka amin'ny vava iray ihany.

James 3:13

Ahoana no fomba ampisehoan'ny olona iray ny fahendrena sy ny fahalalana?

Amin'ny alalan'ny asa izay vitany amin'ny fanetren-tena no ampisehoana ny fahendrena sy ny fahalalan'ny olona iray.

James 3:15

Inona no toetra itarafana ny hendry izay eto an-tany, tsy ara-panahy, ary demoniaka?

Olona manana fahasarotam-piaro mangidy sy fanirian-daza no manana fahendrena izay eto an-tany, tsy ara-panahy , ary demoniaka.

Inona no toetra hitarafana ny fahendrena avy any ambony?

Ny olona tia fiadanana, malemy fanahy, mihevitra ny hafa, feno famindram-po sy vokatra tsara, tsy malemy, ary tsotra no manana fahendrena avy any ambony.

James 4

James 4:1

Inona no nolazain'i Jakoba fa niavin'ireo fifandirana eo amin'ireo mpino?

Ny niaviny dia ireo fanirian-dratsy ny ady eo amin'izy ireo.

Nahoana ireo mpino no tsy mandray ny valin-teniny avy amin'Andriamanitra?

Tsy mandray izy ireo satria mangataka zavatra ratsy izy ireo mba ho laniana amin'ny fanirian-dratsin'izy ireo.

James 4:4

Raha misy olona manapa-kevitra ny ho naman'izao tontolo izao, dia inona ny fifandraisan'izany olona izany amin'Andriamanitra?

Ny olona manapa-kevitra ny ho naman'izao tontolo izao dia manao ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra.

James 4:6

Iza no notoherin'Andriamanitra, ary iza no omeny fahasoavana?

Toherin'Andriamanitra ireo mirehareha, fa manome fahasoavana ireo mpanetry tena Izy.

Inona no hataon'ny devoly rehefa manolo-tena amin'Andriamanitra ny mpino iray ary manohitra ny devoly?

Handositra ilay devoly.

James 4:8

Inona no ataon'Andriamanitra ho an'ireo izay manakaiky azy?

Manakaiky an'ireo izay manakaiky azy Andriamanitra.

James 4:11

Inona no nolazain'i Jakoba tamin'ireo mpino fa tokony tsy hatao?

Nilaza tamin'ireo mpino i Jakoba mba tsy hifanaratsy.

James 4:15

Inona no nolazain'i Jakoba tamin'ireo mpino mba ho lazaina momba izay hiseho any aoriana any?

Nilaza tamin'ireo mpino i Jakoba fa raha sitraky ny Tompo, dia ho velona isika ary hanao an'itsy na hanao an'iroa.

Inona no nolazain'i Jakoba momba ireo izay mirehareha momban'ny tetik'izy ireo?

Nilaza i Jakoba fa ireo izay mirehareha momban'ny tetik'izy ireo dia manao ratsy.

Inona moa izany raha misy olona mahay manao ny tsara, nefa tsy manao izany?

Fahotana izany raha misy olona mahay manao ny tsara, nefa tsy manao izany.

James 5

James 5:1

Inona no hananan'ireo mpanan-karena, momba izay lazain'i Jakoba, ka vita tamin'ny andro farany izay mijoro vavolombelona manohitra azy ireo?

Nanangona ny harenany ireo mpanan-karena.

James 5:4

Ahoana ny fomba nitondran'ireo mpanan-karena ny mpiasan'izy ireo?

Tsy nandoa ny karaman'ireo mpiasa ireo mpanan-karena ireo.

Ahoana ny fomba nitondran'ireo mpanan-karena ny olomarina?

Nanameloka sy namono ny olomarina ireo mpanan-karena.

James 5:7

Inona no lazain'i Jakoba fa tokony ho toetran'ireo mpino manoloana ny fahatongavan'ny Tompo?

Tokony hiandry am-paharetana ny fahatongavan'ny Tompo ireo mpino.

James 5:9

Karazana toetra inona no nolazain'i Jakoba fa nasehon'ireo mpaminany tamintsika ao amin'ny Testamenta taloha?

Nasehon'ny mpaminany tao amin'ny testamenta taloha ny faharetana sy ny fanenjehana ao amin'ny fijaliana.

James 5:12

Inona no nolazain'i Jakoba momban'ny fahamendrehan'i mpino "Eny" ho "Tsia"?

Ny "enin'" ireo mpino dia tsy maintsy midika hoe "eny" ary ny "tsia" an'ireo mpino dia tsy maintsy midika hoe "tsia."

James 5:13

Inona no tokony hataon'ireo izay marary?

Tokony hiantso an'ireo loholona ny marary mba hahafahan'izy ireo mivavaka ho azy ary hanosotra menaka azy.

James 5:16

Inona ireo zavatra roa nolazain'i Jakoba fa tokony hatao amin'ny tsirairay mba ho sitrana?

Tokony hibebaka amin'ny tsirairay ireo mpino ary mivavaka ho an'ny tsirairay.

Inona no nolazain'i Jakoba fa ohatr'i Elia mampiseho antsika ny vavaka?

Ny ohatr'i Elia dia mampiseho antsika fa ny vavakin'ny olomarina iray dia mamokatra vokatra lehibe.

James 5:19

Inona no ataon'ny olona iray izay mitarika ny mpanota hiala amin'ny fahadisoany?

Ny olona iray izay mitarika ny mpanota hiala amin'ny fahadisoany dia mamonjy ny fanahy amin'ny fahafatesana ary manarona fahotana marobe.