Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 Samuel 1

2 Samuel 1:1

Inona no nataon'i Davida taorian'ny nahafatesan'i Saoly?

Taorian'ny nahafatesan'i Saoly, dia niverina avy any amin'ny fanafihana an'ireo Amalekita i Davida ary nijanona tao Ziklaga nandritra ny roa andro.

Tamin'ny andro fahatelo, dia iza no tonga teo amin'i Davida avy tany amin'ny tobin'i Saoly?

Tamin'ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy iray niaraka tamin'ny fitafiany rotidrotika sy loto teo amin'ny lohany tonga teo amin'i Davida.

2 Samuel 1:3

Inona no nolazain'ilay tovolahy momba an'i Saoly sy Jonatana?

Nolazain'ilay tovolahy fa maty Saoly sy Jonatana.

2 Samuel 1:6

Taiza no nolazain'ilay tovolahy fa nahitany an'i Saoly?

Nolazain'ilay tovolahy fa teo an-tendrombohitr'i Gilboa izy, ary nitehina tamin'ny lefony teo i Saoly.

2 Samuel 1:8

Inona no nolazain'ilay tovolahy fa nasain'i Saoly hataony?

Nolazain'ilay tovolahy fa nasain'i Saoly mba hitsangana eo akaikiny ary hamono azy izy.

Nahoana no nangataka ilay tovolahy Amalekita mba hamono azy Saoly?

Nasain'i Saoly ho vonoin'ilay tovolahy Amalekita izy satria hoy izy: "...fahoriana lehibe no manjo ahy, kanefa mbola ato amiko ny aina.'

Rehefa avy namono an'i Saoly ilay tovolahy dia inona no nalainy tamin'i Saoly?

Nalain'ilay tovolahy ny satro-boninahitra izay teo amin'ny lohan'i Saoly sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny.

2 Samuel 1:11

Inona no nataon'i Davida sy ireo lehilahy rehefa nandre ny momba an'i Saoly sy ny fahafatesan'i Jonatana izy ireo?

Nandrovitra ireo fitafiany i Davida ireo olony rehetra, nisaona izy ireo, nitomany, ary nifady hanina mandrapa-hariva.

Ho an'iza ihany koa no nisaonan'i Davida sy ireo lehilahiny, nitomaniany, ary nifadiany hanina?

Nisaona, nitomany, ary nifady hanina ho an'ny vahoakan'i Yaveh sy ho an'ny ankohonan'ny Israely ihany koa i Davida sy ireo olony satria lavo tamin'ny sabatra izy ireo.

2 Samuel 1:14

Nahoana no nampamono ilay tovolahy Amalekita i Davida?

Nampamono ilay tovolahy Amalekita i Davida satria namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh izy.

2 Samuel 1:17

Tamin'ny boky inona no nisy ny hira fisaonana izay nohirain'i Davida momban'i Saoly sy Jonatana zanany lahy?

Ny hira fisaonana momban'i Saoly sy Jonatana zanany lahy dia voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara.

Inona no maty, novonoina teo amin'ireo tendrombohitr'Israely?

Maty ny voninahitr'Israely.

Nahoana i Davida no nilaza hoe aza lazaina ao Gata sy eny amin'ireo lalan'i Askelona fa maty ny voninahitr'Israely?

Nilaza i Davida hoe aza lazaina ao Gata na eny amin'ireo lalan'i Askelona mba tsy ho afaka hifaly ireo zanaka vavin'ny Filistina, ary mba tsy hankalaza ireo zanaka vavin'ny tsy voafora.

2 Samuel 1:21

Taiza no nandotoana ny fiarovan'ilay mahery?

Teo an-tendrombohitr'i Gilboa no nandotoana ny fiarovan'ilay mahery.

2 Samuel 1:23

Inona no nataon'i Saoly an'ireo zanaka vavin'Israely?

Nampitafy jaky sy firavaka azy ireo, ary nametaka firavaka volamena teo amin'ny akanjon'izy ireo i Saoly.

2 Samuel 1:25

Ahoana ny haben'ny fitiavan'i Jonatana an'i Davida?

Nolazain'i Davida fa mahatalanjona ny fitiavan'i Jonatana an'i Davida, mihoatra noho ny fitiavan'ireo vehivavy.

2 Samuel 2

2 Samuel 2:1

Ahoana no namalian'i Yaveh an'i Davida rehefa nanontany Azy Davida hoe: "Tokony hiakatra any amin'ny iray amin'ireo tanànan'i Joda ve aho?"

Namaly an'i Davida i Yaveh hoe: "Miakàra." rehefa nanontany Azy Davida.

Tanàna aiza no nolazain'i Yaveh handehanan'i Davida?

Nolazain'i Davida mba handeha any Hebrona Yaveh.

Iza no niakatra niaraka tamin'i Davida ho any Hebrona?

Niakatra niaraka tamin'ireo vadiny roa tany Hebrona i Davida, dia i Ahinoama sy Abigaila. Nitondra ireo olona izay niaraka taminy, izay samy nitondra ny fianakaviany avy ihany koa Davida.

2 Samuel 2:4

Inona no nataon'ireo lehilahy avy any Joda rehefa tonga teo amin'i Davida izy ireo?

Ireo lehilahy avy any Joda dia nanosotra an'i Davida ho mpanjaka eo amin'ny ankohonan'i Joda.

2 Samuel 2:8

Iza i Abnera?

Abnera dia zanaka lahin'i Nera, mpifehy ny tafik'i Saoly.

Nataon'i Abnera inona Isboseta, zanak'i Saoly?

Naka an'Isboseta zanaka lahin'i Saoly ary nitondra azy tany Mahanaima Abnera; nanao an'Isboseta ho mpanjakan'i Gileada, Asorita, Jezirela, Efraima, Benjamina, ary amin'Israely rehetra izy.

2 Samuel 2:10

Hafiriana no mpanjaka tao Hebrona tamin'ny fokon'i Joda i Davida?

Fito taona sy enim-bolana ny fotoana nanjakan'i Davida tamin'ny fokon'i Joda tao Hebrona.

2 Samuel 2:12

Taiza i Joaba zanaka lahin'i Zeroia sy ireo mpanompon'i Davida no nihaona tamin'i Abnera zanaka lahin'i Nera, sy ireo mpanompon' Isboseta zanaka lahin'i Saoly?

Nihaona tamin'i Abnera zanaka lahin'i Nera, sy ireo mpanompon'Isboseta zanaka lahin'i Saoly teo amin'ny farihin'i Gibeona i Joaba zanaka lahin'i Zeroia sy ireo mpanompon'i Davida

2 Samuel 2:14

Tovolahy firy no niakatra mba hifaninana teo anoloan'i Joaba sy Abnera?

Nisy tovolahy roa ambin'ny folo avy tamin'i Benjamina sy Isboseta zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo avy tamin'ireo mpanompon'i Davida.

2 Samuel 2:16

Iza no nandresy ny ady tamin'izany andro izany?

Resy teo anoloan'ireo mpanompon'i Davida i Abnera sy ireo lehilahin'Israely.

2 Samuel 2:18

Iza tamin'ireo zanaka lahin'i Zeroia no nanenjika an'i Abnera?

Asahela no nanenjika akaiky an'i Abnera sy nanaraka azy.

2 Samuel 2:22

Inona no nolazain'i Abnera tamin'i Asahela mba hampaherezana an'i Asahela mba tsy hanenjika azy intsony?

Hoy Abnera tamin'i Asahela hoe: "Nahoana aho no tokony hamely anao amin'ny tany? Ataoko ahoana ny hanatri-tava an'i Joaba, rahalahinao?

Inona no nitranga tamin'i Asahela rehefa nandà ny hivily an'i Abnera izy?

Rehefa tsy nanaiky ny hivily an'i Abnera i Asahela, dia notrobaran'i Abnera ny antsin-defony ny vatany ka nivoaka avy tao an-damosiny ilay lefona ary nikarapoka ary maty teo Asahela.

2 Samuel 2:24

Toerana taiza no nanenjehan'i Joaba sy Abisay an'i Abnera?

Nanenjika an'i Abnera teo amin'ny havoan'i Ama, izay akaikin'i Gia eo amoron'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona i Joaba sy Abisay.

2 Samuel 2:26

Inona no nolazain'i Abnera ka nampitsahatra an'i Joaba sy Abisay tsy hanenjika azy intsony?

Niantso an'i Joaba i Abnera ary niteny hoe: "Tsy maintsy handrapaka mandrakizay ve ny sabatra? Tsy fantatrao ve fa hangidy izany any amin'ny farany? Mandra-pahoviana ianao vao hiteny ny olonao mba hitsahatra tsy hanenjika ny rahalahiny izy ireo?

2 Samuel 2:28

Taiza no nalehan'i Abnera sy ireo lehilahiny?

Tonga tao Mahanaima i Abnera sy ireo lehilahiny.

2 Samuel 2:30

Ho aiza no nandehanan'i Joaba sy ireo lehilahiny?

Nandeha tany Hebrona i Joaba sy ireo lehilahiny.

2 Samuel 3

2 Samuel 3:1

Tamin'ny ady lava reny teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida, dia ny ankohonan'iza no nihanahery ary ny an'iza no nihaosa?

Nihanahery hatrany ny ankohonan'i Davida, fa ny ankohonan'i Saoly kosa dia nihaosa hatrany tamin'ny ady lava reny teo amin'ny ankohonana roa.

2 Samuel 3:2

Iza ireo zanak'i Davida telo voalohany izay teraka tao Hebrona?

Amnona, Kileaba, Absaloma no zanak'i Davida telo voalohany izay teraka tao Hebrona.

2 Samuel 3:6

Inona no niampangan'i Isboseta fa nataon'i Abnera?

Niampanga an'i Abnera ho niara-nandry tamin'ny vaditsindranon-drainy (an'i Saoly) Isboseta.

2 Samuel 3:9

Rehefa avy niampanga an'i Abnera ho niara-nandry tamin'ny vaditsindranon-drainy Isboseta, dia inona no nianianan'i Abnera fa ho ataony?

Nianina ny hamindra ny fanjakana avy amin'ny ankohonan'i Saoly sy hanorina ny seza fiandrianan'i Davida eo amin' Israely sy eo amin'ny Joda, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba i Abnera.

2 Samuel 3:12

Inona no nolazain'i Davida fa tsy maintsy ataon'i Abnera alohan'ny hahitan'i Abnera ny tavan'i Davida sy hanaovany fanekena aminy?

Nolazain'i Davida tamin'ireo mpitondra hafatr'i Abnera fa tsy afaka hahita ny tavan'i Davida i Abnera raha tsy mitondra an'i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, miaraka aminy rehefa tonga hijery an'i Davida izy.

2 Samuel 3:14

Inona no vidy izay naloan'i Davida mba ho vadiny i Mikala?

Efa naloan'i Davida vidy tamin'ny lohatsintsin'ny Filistina zato i Mikala.

2 Samuel 3:17

Amin'ny teny fohifohy dia inona no nolazain'i Abnera tamin'ireo loholon'Israely?

Nilaza tamin'ireo loholon'Israely i Abnera fa tokony hataon'izy ireo ho mpanjakany araka izay nirian'izy ireo hatao tany aloha i Davida

2 Samuel 3:19

Inona no nataon'i Davida ho an'i Abnera rehefa tonga tany Hebrona niaraka tamin'ny roapolo tamin'ireo lehilahiny Abnera?

Nanao fanasana voaomana ho an'i Abnera sy ireo lehilahiny i Davida.

2 Samuel 3:21

Raha hafohezina dia inona no nolazain'i Abnera tamin'i Davida fa kasainy hatao?

Nilaza tamin'i Davida i Abnera fa hanangona ny Israely rehetra ho eo amin'i Davida mba hanao fanekena aminy ka ho mpanjaka afaka hanjaka amin'ny Israely rehetra izy.

2 Samuel 3:22

Ahoana no nisarahan'i Davida sy Abnera?

Nandefa an'i Abnera i Davida, ary Abnera niala tam-piadanana.

2 Samuel 3:24

Oviana no tonga teo amin'i Davida i Joaba, inona no niampangan'i Joaba fa nataon'i Abnera?

Nampangain'i Joaba fa mitady hamitaka an'i Davida sy mikasa hamantatra ireo tetik'i Davida ary hamantatra izay rehetra ataon'i Davida i Abnera.

2 Samuel 3:27

Inona no nataon'i Joaba rehefa niverina tany Hebrona Abnera?

Nanindrona an'i Abnera teo amin'ny kibo ka nahafaty azy i Joaba.

Nahoana no namono an'i Abnera i Joaba?

Namono an'i Abnera mba hamaliana ny ràn'i Asahela rahalahiny i Joaba.

2 Samuel 3:28

Rehefa fantatr'i Davida fa namono an'i Abnera i Joaba, dia inona no nolazainy mahakasika an'i Joaba sy ny fianakavian'i Joaba?

Nolazain'i Davida fa havela hilatsaka amin'ny lohan'i Joaba sy ny ankohonan-drainy rehetra ny fahamelohana.

2 Samuel 3:31

Inona no nolazain'i Davida mba hataon'i Joaba sy ny vahoaka rehetra miaraka aminy?

Nolazain'i Davida mba handrovitra ny fitafian'izy ireo, hanao ny akanjo fisaonana, ary hisaona manoloana ny fatin'i Abnera i Joaba sy ny vahoaka rehetra miaraka aminy.

2 Samuel 3:35

Rehefa tonga mba hampisakafo an'i Davida ny olona raha mbola atoandro ny andro, dia inona no nianianan'i Davida?

Nianiana hoe i Davida: "Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra aza, raha manandrana mofo na zavatra hafa aho mialohan'ny hilentehan'ny masoandro."

2 Samuel 3:37

Inona no takatry ny olona sy ny Israely rehefa nahatsikaritra ny alahelon'i Davida mahakasika an'i Abnera izy ireo?

Takatry ny olona sy ny Israely rehetra fa tsy fanirian'ny mpanjaka ny hamono an'i Abnera.

Inona no nolazain'ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony mahakasika an'i Abnera?

Nolazain'ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: "Tsy fantatrareo ve fa andriana sy olona lehibe no lavo any Israely androany?"

Inona no nirian'i Davida mahakasika ireo zanaka lahin'i Zeroia?

Nirian'i Davida mba hamaly ny mpanao ratsy amin'ny fanasaziana azy ny amin'ny faharatsiany, araka izay mendrika azy Yaveh.

2 Samuel 4

2 Samuel 4:1

Inona no nahatonga ny tanan'i Isboseta ho lasa malemy?

Rehefa ren'Isboseta, zanaka lahin'i Saoly, fa maty tany Hebrona i Abnera, dia lasa nalemy ny tanany.

Iza no anaran'ireo lehilahin'i Saoly roa izay kapitenin'ireo vondro-miaramila?

Ny anaran'ireo lehilahin'i Saoly roa izay kapitenin'ireo vondro-miaramila dia Bana sy Rekaba.

2 Samuel 4:4

Iza no anaran'ny zanaka lahin'i Saoly izay nalemy tongotra?

Mefiboseta no anaran'ny zanaka lahin'i Saoly izay nalemy tongotra.

2 Samuel 4:5

Ahoana no nidiran'i Rekaba sy Bana tao an-tranon'Isboseta?

Nandeha am-pahanginana sy nandalo ilay vehivavy mpiandry varavarana resi-tory i Rekaba sy Bana.

Inona no nataon'i Rekaba sy Bana vantany vao tafiditra tao an-tranon'Isboseta izy ireo?

Vantany vao tafiditra tao an-tranon'Isboseta i Rekaba sy Bana, dia namono azy raha nandry teo am-pandriany tao amin'ny efitranony izy ireo.

2 Samuel 4:8

Taiza no nandehanan'i Rekaba sy Bana rehefa avy namono an'Isboseta ary nanapaka ny lohany i Rekaba sy Bana?

Nitondra ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tany Hebrona i Rekaba sy Bana.

2 Samuel 4:11

Inona no nolazain'i Davida momba an'i Rekaba sy Bana?

Nolazain'i Davida fa i Rekaba sy Bana dia lehilahy ratsy fanahy izay nanomo olona tsy manan-tsiny tao an-tranony teo am-pandriany mihitsy.

Tamin'ireo baikon'i Davida, dia nataon'ireo tovolahy inona i Rekaba sy Bana?

Novonoin'ireo tovolahy i Rekaba sy Bana ary notapahiny ny loha sy ny tongotr'izy ireo ary nahantony teo akaikin'ny kamory tao Hebrona izy ireo.

Nataon'i Davida inona ny lohan'Isboseta?

Nalevin'i Davida tao amin'ny fasan'i Abnera tao Hebrona ny lohan'Isboseta.

2 Samuel 5

2 Samuel 5:1

Inona no niaiken'ireo fokon'Israely fa nolazain'i Yaveh tamin'i Davida?

Niaiky avokoa ireo fokon'Israely fa nilaza tamin'i Davida i Yaveh hoe: 'Hiandry an'Israely vahoakako ianao, ary ho lasa mpanapaka eo amin'Israely.'"

2 Samuel 5:3

Iza no tonga tany Hebrona, nanao fanekena tamin'i Davida, ary nanosotra azy ho mpanjakan'Israely?

Ireo loholon'Israely rehetra no tonga tany Hebrona, nanao fanekena tamin'i Davida, ary nanosotra azy ho mpanjakan'Israely.

Firy taona no nanjakan'i Davida tany Jerosalema hanjaka amin'ny Israely sy Joda rehetra?

Nanjaka telo amby telopolo taona teo amin'Israely sy Joda rehetra i Davida.

2 Samuel 5:6

Amin'ny anarana hafa inona ihany koa no niantsoana an'i Jerosalema?

Nantsoina hoe fiarovana mafin'i Ziona ary tanànan'i Davida ihany koa Jerosalema.

Avy tamin'iza no nambabon'i Davida ny fiarovana mafin'i Ziona?

Nambabo ny fiarovana mafin'i Ziona avy amin'ireo Jebosita i Davida.

2 Samuel 5:8

Nahoana nihalehibe hatrany hatrany i Davida?

Nihalehibe hatrany hatrany i Davida satria nomba azy Yaveh, Ilay Andriamanitra tompon'ny maro.

2 Samuel 5:11

Inona no nirahin'i Hirama mpanjakan'i Tyra tany amin'i Davida?

Naniraka mpitondra hafatra, sy hazo sedera, mpandrafitra, ary mpanamboatra trano tany amin'i Davida i Hirama.

2 Samuel 5:13

Firy ny zaza naterak'i Davida tany Jerosalema?

Zaza iraika ambin'ny folo no naterak'i Davida tany Jerosalema.

2 Samuel 5:17

Inona no nataon'ireo Filistina rehefa ren'izy ireo fa voahosotra ho mpanjakan'Israely i Davida?

Nivoaka mba hitady an'i Davida ireo Filistina rehefa ren'izy ireo fa voahosotra ho mpanjakan'Israely i Davida.

2 Samuel 5:19

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Davida ho valin'ny fanontanian'i Davida hoe: "Tokony hanafika ireo Filistina ve aho? Hanome fandresena amin'izy ireo ve Ianao?"

Hoy Yaveh tamin'i Davida hoe: "Manafiha, fa hanome fandresena ho anareo eo amin'ireo Filistina tokoa Aho."

Taiza no nanafihan'i Davida ireo Filistina ary inona vokatr'izany?

Nanafika tao Bala-Perazima i Davida, ary tao nandreseny ireo Filistina.

2 Samuel 5:22

Rehefa niakatra fanindroany indray ireo Filistina, dia ahoana no nolazain'i Yaveh ny hanafihan'i Davida azy ireo?

Nilaza tamin'i Davida ny tsy hanafihana ny manoloana ireo Filistina, fa ny hiodidina ao aorian'izy ireo sy ny hanatonana azy ireo avy eo amin'ireo hazo balsama Yaveh.

2 Samuel 5:24

Feo inona no nolazain'i Yaveh mba ho henoin'i Davida mialohan'ny hanafihana ireo Filistina?

Nilaza tamin'i Davida ny mba hanafika ireo Filistina Yaveh rehefa mandre ny feon-diabe eny amin'ny rivotra mitsoka avy eo an-tampon'ny hazo balsama izy.

Inona no navalin'i Davida tamin'ny didin'i Yaveh?

Nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i Davida.

Inona no vokatr'izany ady tamin'ireo Filistina izany?

Ny vokatr'izany ady tamin'ireo Filistina izany dia namono ireo Filistina nanomboka tany Geba ka hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Gezera i Davida.

2 Samuel 6

2 Samuel 6:1

Nahoana no nanangona ireo lehilahin'Israely voafidy rehetra indray i Davida?

Nanangona ireo lehilahin'Israely voafidy rehetra indray i Davida mba hitondra ny fiaran'Andriamanitra hiakatra.

2 Samuel 6:3

Tamin'ny inona no nametrahan'izy ireo ny fiaran'Andriamanitra?

Napetrak'izy ireo teo ambony kalesy vaovao ny fiaran'Andriamanitra.

Iza no nitarika ny kalesy vaovao?

Oza sy Ahio, zanaka lahin'Abinadaba, no nitari-dalana ilay kalesy vaovao.

2 Samuel 6:6

Inona no nitranga rehefa tonga teo am-pamoloan'i Nakona izy ireo?

Rehefa tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy ireo, dia nianjera ny omby, ary Oza naninjitra ny tanany mba hisarika ilay fiaran'Andriamanitra, ka nihazona izany izy.

Inona no nataon'i Yaveh ho valin'ny nataon'i Oza?

Tezitra Yaveh ary namely an'i Oza teo noho ny fahotany, ary maty teo akaikin'ny fiaran'Andriamanitra i Oza.

2 Samuel 6:8

Inona no tsapan'i Davida momba izay nataon'i Yaveh tamin'i Oza?

Tezitra i Davida satria namely an'i Oza i Yaveh, ary natahotra an'i Yaveh i Davida tamin'izany andro izany.

2 Samuel 6:10

Nataon'i Davida inona ilay fiaran'Andriamanitra taorian'ny nahafatesan'i Oza?

Nampirimin'i Davida tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita ny fiaran'Andriamanitra.

2 Samuel 6:12

Nahoana Davida no nitondra ny fiaran'Andriamanitra avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any amin'ny tanànan'i Davida?

Nitondra ny fiaran'Andriamanitra avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any amin'ny tanànan'i Davida i Davida satria nolazaina tamin'i Davida fa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy ny zavatra rehetra izay azy noho ilay fiaran'Andriamanitra Yaveh.

2 Samuel 6:14

Inona no nataon'i Davida raha nentina niakatra ny fiaran'Andriamanitra?

Nandihy teo anatrehan'i Yaveh tamin'ny heriny rehetra; niakanjo efoda rongony fotsy madinika ihany i Davida raha nentina niakatra ny fiaran'Andriamanitra.

2 Samuel 6:16

Inona no navalin'i Mikala rehefa nahita an'i Davida mpanjaka nitsambikimbikina sy nandihy teo anatrehan'i Yaveh izy?

Rehefa nahita an'i Davida mpanjaka nitsambikimbikina sy nandihy teo anatrehan'i Yaveh i Mikala, dia nanao tsinontsinona an'i Davia tao am-pony izy.

Rehefa avy napetraka tamin'ny toerany ny fiaran'Andriamanitra, dia fanatitra inona no nataon'i Davida ho an'i Yaveh?

Nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh i Davida.

2 Samuel 6:18

Inona no nozarain'i Davida tamin'ny vahoaka rehetra, ny lehilahy sy ny vehivavy?

Nizara mofo, teti-kena, ary mofomamy misy voaloboka tamin'ny vahoaka rehetra, dia ny lehilahy sy ny vehivavy i Davida.

2 Samuel 6:20

Inona no nolazain'i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, tamin'i Davida?

Hoy Mikala tamin'i Davida: "Endrey ny voninahitry ny mpanjakan'Israely ankehitriny, izay nanary ny lambany teo imason'ireo andevo vavy anisan'ireo mpanompony, tahaka ny iray amin'ireo mpiteny ratsy izay lany henatra manary ny lambany!"

2 Samuel 6:21

Inona no navalin'i Davida ny fibedesan'i Mikala?

Nolazain'i Davida fa nitsambikimbikina sy nandihy teo anatrehan'i Yaveh izy ary fa eo anatrehan'i Yaveh no haharavoravo azy, ary fa ho afa-baraka eo imasony ihany izy, saingy homem-boninahitra eo amin'ireo andevo vavy izy.

2 Samuel 7

2 Samuel 7:1

Inona no nomen'i Yaveh an'i Davida?

Nanome fitsaharana an'i Yaveh tamin'ireo fahavalony manodidina azy rehetra i Yaveh

Inona no nolazain'ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany?

Nilaza tamin'i Natana mpaminany ny mpanjaka hoe: "Indro, mipetraka amin'ny trano sedera aho, fa ny fiaran'Andriamanitra kosa mijanona ao afovoan'ny lay."

2 Samuel 7:3

Inona no nolazain'i Natana tamin'i Davida talohan'ny nahatongavan'ny tenin'i Yaveh tamin'i Natana?

Hoy Natana tamin'i Davida hoe: "Mandehana, ataovy izay ao am-ponao, fa homba anao Yaveh."

2 Samuel 7:6

Fanontaniana inona no napetrak'i Yaveh tamin'i Davida momba izay mpitarik'Israely hatramin'izao andro ankehitriny izao?

Nanontany an'i Davida i Yaveh raha efa nilaza Yaveh hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedera ho Ahy?" tamin'izay mpitarik'Israely izay notondroin'i Yaveh.

2 Samuel 7:8

Inona no nolazain'i Yaveh fa efa nataony ho an'i Davida?

Nolazain'i Yaveh fa efa nanao an'i Davida ho mpanapaka ny Israely vahoakan'i Yaveh Izy, efa niaraka tamin'i Davida na taiza na taiza, ary efa nanafoana ireo fahavalon'i Davida rehetra teo anatrehany Izy.

2 Samuel 7:10

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony ho an'Israely?

Nolazain'i Yaveh fa hanondro toerana iray ho azy ireo sy hamboly azy ireo any, mba hiaina ao amin'ny toeran'izy ireo manokana izy ireo ary tsy ho voakorontana intsony, ary tsy hampijalian'ny olona ratsy fanahy azy ireo intsony toy ny teo aloha Izy.

2 Samuel 7:12

Iza no nolazain'i Yaveh fa hanamboatra trano ho Azy?

Nolazain'i Yaveh fa hanandratra ny taranak'i Davida, avy amin'ny vatan'i Davida, izay hanamboatra ny trano ho an'ny anaran'i Yaveh Izy.

2 Samuel 7:15

Inona no nolazain'i Yaveh mahakasika ny ankohonan'i Davida sy ny fanjakany?

Nolazain'i Yaveh fa ny tranon'i Davida sy ny fanjakany dia ho azo antoka mandrakizay eo anatrehan'i Davida.

2 Samuel 7:18

Rehefa avy nilaza tamin'i Davida ny teny rehetra izay efa nolazain'i Yaveh ary nilaza tamin'i Davida momba ny fahitana manontolo i Natana, dia inona no nataon'i Davida?

Niditra Davida ary nipetraka teo anoloan'i Yaveh ka niresaka taminy.

Taorian'ny fandrenesana ny faminaniana rehetra mahakasika an'i Davida sy ny fianakaviany, dia inona no nolazain'i Davida fa nataon'i Yaveh taminy?

Nolazain'i Davida fa efa nanome voninahitra ny mpanompony, dia Davida ny Tompo Yaveh...

2 Samuel 7:21

Inona no nolazain'i Davida fa antony nanaovan'i Yaveh izany zava-dehibe izany sy nanambarany izany taminy?

Nolazain'i Davida fa nanao izany nohon'ny amin'ny tenin'i Yaveh, sy mba hahatanterahana ny tanjon'i Yaveh manokana i Yaveh.

Inona no nolazain'i Davida fa antony nandehanan'Andriamanitra sy nanavotany ny Israely?

Nolazain'i Davida fa nandeha sy nanavotra ny Israely Yaveh mba ho tonga vahoakan'Andriamanitra izy ireo, mba hanao anarana ho an'ny tenany Izy, ary mba hanao asa lehibe sy mampatahotra ho an'ny tanin'i Yaveh.

2 Samuel 7:27

Ahoana no nilazan'i Davida fa efa nahita faharisihana mba hivavaka amin'i Yaveh tompon'ny maro izy?

Nolazain'i Davida fa efa nahita faharisihana mba hivavaka amin'i Yaveh tompon'ny maro izy satria efa nanambara tamin'i Davida i Yaveh fa hanangana trano ho an'i Davida Izy.

Inona no niheveran'i Davida ny tenin'i Yaveh?

Nataon'i Davida ho mendri-pitokisana ny tenin'i Yaveh.

Inona no tian'i Davida mba hataon'i Yaveh?

Tian'i Davida mba hanao ireo zavatra efa nolazainy tamin'i Davida sy nitahy ny tranon'i Davida i Yaveh.

2 Samuel 8

2 Samuel 8:1

Inona no nalain'i Davida tamin'ny fanafihany ireo Filistina sy ny nandreseny azy ireo?

Nalain'i Davida tsy ho eo amin'ny fifehezan'ireo Filistina i Gata sy ireo zana-bohiny.

2 Samuel 8:2

Rehefa avy nandresy an'i Moaba i Davida, dia ahoana no nanapahany hevitra hoe iza amin'ireo lehilahy Moabita no ho velona ary iza no ho faty?

Nanapa-kevitra i Davida hoe iza amin'ireo lehilahy Moabita no ho velona ary iza no ho faty tamin'ny nampandriany azy ireo tamin'ny tany sy nandrefesany indroan'ny tsipika mba hamonoana, ary indray mandeha monja mba hitazonana ho velona.

Inona no nahazo ireo Moabita izay navela ho velona?

Lasa mpanompon'i Davida ireo Moabita ary nanomboka nandoa hetra ho azy.

2 Samuel 8:3

Inona no nalain'i Davida avy tamin'i Hadadezera zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba?

Nahazo kalesy arivo, mpitaingin-tsoavaly fitonjato, ary miaramila an-tongotra roa alina avy taminy i Davida.

2 Samuel 8:5

Nataon'i Davida inona ireo Arameana any Damaskosy rehefa tonga mba hanampy an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba izy ireo?

Nahafaty lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina i Davida.

Nahoana no nandresy Davida?

Nampandresy an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany i Yaveh.

2 Samuel 8:9

Nataon'i Toy, mpanjakan'i Hamata inona i Davida rehefa reny fa nandresy ny tafik'i Hadadezera rehetra i Davida?

Nirahin'i Toy ho any amin'i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hitso-drano azy, nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena ary varahina ho an'i Davida i Hadorama.

2 Samuel 8:11

Nataon'i Davida inona ny volafotsy sy volamena avy amin'ireo firenena efa resiny?

Nanokana ny volafotsy sy volamena avy amin'ireo firenena efa resiny ho an'i Yaveh i Davida.

2 Samuel 8:13

Taiza no nandresen'i Davida ireo Syriana?

Nandresy ireo Syriana tany amin'ny Lohasahan-tsira i Davida.

2 Samuel 8:15

Inona no nentin'i Davida tamin'ny vahoakany rehetra?

Nitondra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny olony rehetra i Davida.

Iza no mpanolotsain'ny fitarihan'i Davida mpanjaka?

Ireo zanaka lahin'i Davida mpanjaka no mpanolotsain'ny fitarihan'i Davida mpanjaka.

2 Samuel 9

2 Samuel 9:1

Nahoana i Davida no te haneho hatsaram-panahy ho an'ny olona izay tavela tao amin'ny fianakavian'i Saoly?

Te haneho hatsaram-panahy ho an'ny olona izay tavela tao amin'ny fianakavian'i Saoly nohon'ny amin'i Jonatana i Davida.

2 Samuel 9:3

Ahoana no namalian'i Ziba ny mpanjaka rehefa nanontany azy izy raha misy olona olona tafajanona izay azony anehoana hatsaram-panahy ao amin'ny fianakavian'i Saoly?

Namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: "Jonatana dia mbola manan-janaka lahy, izay malemy tongotra."

2 Samuel 9:5

Iza no tavela tamin'ny fianakavian'i Saoly?

Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, no tavela.

2 Samuel 9:7

Hatsaram-panahy inona no nasehon'i Davida an'i Mefiboseta nohon'ny amin'i Jonatana?

Naverin'i Davida tamin'i Mefiboseta ny tanin'i Saoly, raibeny rehetra, ary nasain'i Davida niara-nihinana taminy teo an-databany i Mefiboseta.

2 Samuel 9:9

Inona no nolazain'i Davida mba hataon'i Ziba ho an'i Mefiboseta?

Nolazain'i Davida i Ziba, ireo zanany lahy ary ireo mpanompony mba hamboly ny tanin'i Mefiboseta ho azy ary hijinja ny vokatra ho azy.

2 Samuel 9:11

Taiza i Mefiboseta no nipetraka rehefa avy naneho hatsaram-panahy taminy i Davida?

Nipetraka tany Jerosalema i Mefiboseta.

Olana ara-batana inona no nahazo an'i Mefiboseta?

Nalemy ny tongotr'i Mefiboseta roa.

2 Samuel 10

2 Samuel 10:1

Iza no lasa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona rehefa maty ny mpanjaka teo alohany?

Hanona zanaka lahin'ny mpanjaka teo aloha no lasa mpanjaka vaovaon'i Amona.

Inona no nataon'i Davida mba hanehoana hatsaram-panahy tamin'i Hanona?

Naneho hatsaram-panahy tamin'ny fandefasana ireo mpanompony tany amin'i Hanona mba hampahery an'i Hanona mahakasika ny rainy tamin'i Hanona i Davida.

Raha afintina, dia inona no nolazain'ireo mpitarika ny vahoakan'i Amona mahakasika ny fanehoana hatsaram-panahy tamin'i Hanona?

Nolazain'ireo mpitarika ny vahoakan'i Amona tamin'i Hanona fa nandefa ireo mpanompony mba hitsikilo ny tanàna mba handravana izany i Davida.

2 Samuel 10:4

Nataon'i Hanona inona ireo mpanompo izay nirahin'i Davida tany amin'i Hanona?

Nosamborin'i Hanona ireo mpanompon'i Davida, noharatany ny antsasaky ny volombavan'izy ireo, notapahiny hatreny amin'ny foto-peny ny akanjon'izy ireo, ary noroahiny izy ireo.

2 Samuel 10:6

Nahoana no nanarama miaramila nandeha an-tongotra roa alina, sy lehilahy arivo tamin'ny mpanjakan'i Maka, ary lehilahy roa arivo sy iray alina tamin'ireo olon'i Toba ny vahoakan'i Amona?

Nanakarama ireo miaramila rehetra ireo ny vahoakan'i Amona rehefa hitan'izy ireo fa lasa mangidy hoditra tamin'i Davida izy ireo.

Taiza no nametrahan'ireo Amonita sy ireo miaramila nokaramaina ny tenan'izy ireo?

Tonga ireo Amonita ary nilahatra hiady teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanànan'izy ireo, raha mbola nijoro teo amin'ny saha malalaka ireo Syriana avy any Zoba sy Rehoba, ary ireo olona avy any Toba sy Maka.

Inona no nataon'i Davida rehefa reny fa efa nanakarama miaramila an'arivony ny vahoakan'i Amona?

Rehefa nandre izany i Davida, dia nandefa an'i Joaba sy ny tafika miaramila rehetra izy.

2 Samuel 10:9

Inona no nomanin'i Joaba ho amin'ny ady?

Nanomana ny ady tamin'ny fandaminana ireo mpiady mahay indrindra hanohitra ireo Syriana sy tamin'ny fametrahana an'i Abisay rahalahiny hiandraikitra ny ambin'ny tafika izay natao tao amin'ny filaharan'ady hanoherana ny tafik'i Amona i Joaba.

2 Samuel 10:13

Inona no nataon'ny tafik'i Amona rehefa hitan'izy ireo fa nandositra an'i Joaba sy ireo miaramilan'ny tafiny ireo Syriana?

Rehefa hitan'ny tafik'i Amona fa nandositra ireo Syriana, dia nandositra an'i Joaba ihany koa izy ireo ary niverina tany an-tanàna.

2 Samuel 10:15

Inona no nataon'ireo Syriana rehefa hitan'izy ireo fa resin'Israely izy ireo?

Niara-nivondrona indray ireo Syriana ary nampiantso andiana Syriana avy any an-dafin'ny Onin'i Eofrata i Hadadezera.

2 Samuel 10:17

Inona no nataon'i Davida rehefa reny fa niara-niangona indray ireo Syriana ary nampiantso andiana Syriana vaovao avy any an-dafin'ny Onin'i Eofrata?

Rehefa nandre ireo vaovao ireo i Davida, dia nanangona ny Israely rehetra, niampita an'i Jordana, ary tonga tao Helama mba hiady amin'ireo Syriana izy.

Inona no nataon'ireo mpanjaka rehetra izay mpanompon'i Hadadezera rehefa hitan'izy ireo fa resin'Israely izy ireo?

Nihavana tamin'ny Israely ireo mpanjaka izay mpanompon'i Hadadezera ary lasa mpanompon'izy ireo.

2 Samuel 11

2 Samuel 11:1

Oviana no mandeha miady ireo mpanjaka amin'ny ara-dalàna?

Amin'ny lohataona no andehan'ireo mpanjaka mba hiady amin'ny ara-dalàna.

Taiza i Davida tamin'izany lohataona miavaka izany?

Nijanona tany Jerosalema i Davida.

2 Samuel 11:2

Iza no hitan'i Davida indray hariva rehefa niarina teo am-pandriany izy ary nandeha tany amin'ny tafon'ny lapany?

Nahita vehivavy nandro i Davida ary Batseba no anarany.

Iza no vadin'i Batseba?

Oria Hetita no vadin'i Batseba.

2 Samuel 11:4

Nataon'i Davida inona i Batseba?

Niara-nandry tamin'i Batseba i Davida ka naha-bevohoka azy.

2 Samuel 11:6

Rehefa fantatr'i Davida fa bevohoka i Batseba, dia inona no nataony?

Rehefa fantatr'i Davida fa bevohoka i Batseba dia nolazainy i Joaba mba handefa an'i Oria Hitita any aminy.

Rehefa tonga teo amin'i Davida i Oria, dia niezaka ny hampanao inona an'i Oria i Davida?

Niezaka ny hampidina an'i Oria any an-tranony sy hanasa ny tongony i Davida.

2 Samuel 11:9

Inona no nataon'i Oria rehefa avy niteny taminy ny mba hidinan'i Oria any an-tranony i Davida?

Tsy nidina tany an-tranony i Oria, fa kosa natory teo am-baravaran'ny lapan'ny mpanjaka niaraka tamin'ireo mpanompon'ny tompony rehetra.

Ahoana no namalian'i Oria an'i Davida rehefa nanontany azy i Davida hoe: "Nahoana ianao no tsy nandeha nidina tany an-tranonao?"

Nolazain'i Oria fa tsy handeha any an-tranony mba hihinana sy hisotro ary hiara-mandry amin'ny vadiny izy raha mbola nitoetra tao an-day ny fiara, sy Israely, ary Joda, ary nitoby teo amin'ny tany malalaka i Joaba sy ireo mpanompon'i Joaba.

2 Samuel 11:14

Nandefa fanamarihana niverina tany amin'i Joaba tamin'ny tanan'i Oria i Davida. Inona no nolazain'ilay fanamarihana?

Izao no nolazain'ilay fanamarihana: "Apetraho eo anoloan'ny ady mafy indrindra i Oria, ary mialà eo aminy avy eo, mba mety ho voavely sy voavono izy."

2 Samuel 11:18

Inona no nolazain'i Joaba tamin'ny mpitondra hafany fa mety hitranga rehefa nitondra ireo vaovao mahakasika ny ady amin'i Davida ilay mpitondra hafatra?

Nolazain'i Joaba tamin'ny mpitondra hafany fa mety ho tezitra i Davida rehefa avy mitondra ireo vaovao mahakasika ny ady amin'i Davida ilay mpitondra hafatra.

Vaovao inona no neritreretin'i Joaba fa mety hahatezitra an'i Davida mahakasika ny ady?

Neritreretin'i Joaba fa mety hahatezitra an'i Davida ny momba ny tafika izay nanakaiky loatra ny mandan'ny tanàna mba hiady...

2 Samuel 11:21

Inona no nolazain'i Joaba tamin'ny mpitondra hafatra mba holazaina amin'i Davida raha tezitra momba ireo vaovao mahakasika ny ady i Davida?

Nolazain'i Joaba ny mpitondra hafatra fa raha tezitra i Davida dia tsy maintsy valiany i Davida hoe: "Oria ilay Hetita mpanomponao ihany koa dia maty."

2 Samuel 11:24

Inona no nolazain'i Davida tamin'ny mpitondra hafatra mba holazaina hataon'i Joaba?

Nilaza tamin'ny mpitondra hafatra i Davida ny mba hilazana amin'i Joaba ny mba hanamafisana kokoa ny adiny hanoherana ilay tanàna mba handravana izany.

2 Samuel 11:26

Inona no nataon'ny vadin'i Oria rehefa reny fa maty ny vadiny?

Rehefa reny fa maty ny vadiny, dia nisaona tanteraka ny vadiny izy.

Inona no nahazo an'i Batseba?

Rehefa nisinda ny alahelony, dia nampaniraka sy nampody azy tany amin'ny lapany i Davida, ka lasa vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy.

Iza no tsy nankasitraka izay nataon'i Davida?

Tsy nankasitrahan'i Yaveh ny nataon'i Davida.

2 Samuel 12

2 Samuel 12:1

Nahoana no nankany amin'i Davida i Natana?

Nankany amin'i Davida i Natana satria Yaveh no naniraka an'i Natana ho any aminy.

Nitantara tantara i Natana. Momba ny inona ilay tantara?

Ilay tantara notantarain'i Natana tamin'i Davida dia momba ny lehilahy iray nanan-karena izay nanana ondry aman'osy sy omby maro be, sy lehilahy iray mahantra izay tsy nanana na inona na inona afa-tsy ondrivavy kely iray izay toy ny zanany vavy.

2 Samuel 12:4

Nataon'ilay lehilahy mpanan-karena inona ilay lehilahy mahantra sy ny ondrivaviny?

Rehefa nisy mpitsidika tonga tao amin'ilay lehilahy manan-karena, dia nalain'ilay lehilahy manan-karena ilay ondrivavin'ilay lehilahy mahantra ary nandrahoany ho an'ny mpamangy azy izany.

Inona no fihetsik'i Davida rehefa nandre ny tantaran'i Natana momba ilay lehilahy manan-karena sy ilay lehilahy nahantra izy?

Nirehitry ny hatezerana tamin'ilay lehilahy manan-karena i Davida ary nilaza fa mendrika ny hovonoina ilay lehilahy manan-karena.

2 Samuel 12:7

Inona no nolazain'i Natana rehefa namaly an-katezerana ilay lehilahy manan-karena tao anatin'ny tantaran'i Natana i Davida?

Hoy i Natana tamin'i Davida hoe: "Ianao izany lehilahy izany!''

2 Samuel 12:9

Inona no nolazain'i Yaveh fa nataon'i Davida?

Nolazain'i Yaveh fa namono an'i Oria tamin'ny sabatry ny tafik'i Amona ary naka ny vadin'i Oria ho vadiny i Davida.

2 Samuel 12:11

Inona no nolazain'i Natana fa hitranga amin'i Davida rehefa avy nilaza izy hoe: "Nanota tamin'i Yaveh aho."?

Nolazain'i Natana i Davida hoe: "Yaveh ihany koa efa namela ny fahotanao. Tsy ho vonoina ianao."

2 Samuel 12:14

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony satria nanao tsinontsinona an'i Yaveh i Davida ary naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadiny?

Nolazain'i Yaveh fa tsy hiala ao amin'ny ankohonany ny sabatra, fa hanandratra loza amin'i Davida ivelan'ny tranony Yaveh, fa hiara-hatory amin'ireo vadin'i Davida ny mpiara-monina aminy, ary fa ny zaza izay haterak'i Davida dia ho faty tokoa.

2 Samuel 12:16

Inona no nataon'i Davida rehefa narary mafy ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida?

Nitalaho mafy tamin'Andriamanitra ho an'ilay zazalahy i Davida ary nifady hanina i Davida ary niditra tao an-day ka nandry tamin'ny tany ny alina tontolo.

Oviana no maty ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida?

Maty tamin'ny andro fahafito ilay zaza.

2 Samuel 12:19

Inona no nataon'i Davida vantany vao fantany fa maty ilay zaza?

Vao fantatr'i Davida fa maty ilay zaza, dia nitsangana avy teo amin'ny tany ary nanasa ny tenany, nihosotra diloilo, ary nisolo akanjo izy.

2 Samuel 12:21

Inona no antony tsy nifadian'i Davida hanina taorian'ny nahafatesan'ilay zaza?

Nihevitra i Davida fa taorian'ny nahafatesan'ilay zaza dia tsy misy antony hifadiana hanina intsony satria tsy afaka hamerina ilay zaza indray izy.

2 Samuel 12:24

Nahoana no nandefa teny tamin'ny alalan'i Natana mpaminany ny mba hiantsoana ny zanaka lahin'i Davida sy Batseba manaraka hoe Jedidia i Yaveh?

Nolazain'i Yaveh fa antsoina hoe Jedidia izy, satria tia azy Yaveh.

2 Samuel 12:26

Tamin'izany fotoana izany, niady tamin'iza i Joaba?

Niady tamin'i Raba, ilay tanànan'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona i Joaba.

Nahoana no nolazain'i Joaba i Davida ny mba hanangonana ny ambin'ny tafika miaraka sy hitobiana hanoherana ny tanàna ary haka izany?

Nolazain'i Joaba i Davida ny mba hahatongavany sy hitobiana hanoherana ny tanàna ary haka izany satria nolazain'i Joaba fa raha maka ny tanàna izy dia hitondra ny anarany izany.

2 Samuel 12:31

Vao babo ny tanànan'i Raba, dia inona no nampanaovin'i Davida ny vahoaka izay tao amin'ny tanàna?

Noteren'i Davida hiasa amin'ny tsofa, sy vy fanaketohana, ary famaky ny vahoakan'i Raba; nasainy niasa tany amin'ny lafaoro fandoroam-biriky ihany koa izy ireo.

2 Samuel 13

2 Samuel 13:1

Tena voasarik'iza i Amnona, zanaka lahin'i Davida?

Tena voasarika tamin'i Tamara anabaviny tsara tarehy, izay tena anabavin'i Absaloma, zanaka lahin'i Davida hafa i Amnona.

2 Samuel 13:3

Ahoana no namalian'i Amnona rehefa nanontany azy i Jonadaba hoe ketraka isa-maraina izy?

Nolazain'i Amnona i Jonadaba fa tiany i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiny.

2 Samuel 13:5

Inona no nataon'i Amnona mba hahitany an'i Tamara?

Nody nanao marary i Amnona ary rehefa tonga mba hijery an'i Amnona i Davida, dia nangataka an'i Davida ny mba handefasany an'i Tamara mba hanao sakafo eo anoloany mba ahafahany mihinana avy amin'ny tanany izy, dia nanao araka izay nangatahin'i Amnona i Davida.

2 Samuel 13:10

Inona no nataon'i Amnona rehefa tonga teo aminy i Tamara mba hamahana azy amin'ny tanany?

Rehefa tonga mba hamahana an'i Amnona i Tamara, dia nihazona azy izy ka niteny taminy hoe: "Avia, mandria miaraka amiko, ry anabaviko."

2 Samuel 13:13

Inona no nataon'i Amnona rehefa nolazain'i Tamara ny mba tsy hanerena azy sy ny mba tsy hanaovana izany zavatra maharikoriko izany izy?

Tsy nihaino an'i Tamara i Amnona, ary nanolana azy izy.

2 Samuel 13:15

Inona no tsapan'i Amnona tamin'i Tamara rehefa avy nanolana azy izy?

Nankahala an'i Tamara tamin'ny fankahalana tafahoatra i Amnona.

Inona no nandidian'i Amnona sy nanereny an'i Tamara mba hataony?

Nobaikoin'i Amnona i Tamara hoe "Mitsangàna ary mandehana." ary nandidy ny mpanompony manokana ny mba hanalana an'i Tamara sy ny hanidiana ny varavarana rehefa tafavoaka izy.

2 Samuel 13:20

Inona no navalin'i Davida mpanjaka rehefa nandre ny momba izany zavatra rehetra izany izy?

Rehefa nandre izany zavatra rehetra izany i Davida, dia tezitra mafy izy.

Rehefa fantatr'i Absaloma, anadahin'i Tamara, fa nanolana ny anabaviny i Amnona, dia inona no tsapany tamin'i Amnona?

Nankahala an'i Amnona i Absaloma satria nanolana an'i Tamara anabaviny izy.

2 Samuel 13:23

Iza no nasain'i Absaloma mba hitsidika azy tao Bala-hazora.

Nanasa ny mpanjaka sy ireo mpanompony ary ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra mba hitsidika azy tao Bala-hazora i Absaloma.

2 Samuel 13:25

Inona no nolazain'ny mpanjaka ho valin'ny fanasan'i Absaloma ny mba hitsidihana azy tao Bala-hazora?

Nolazain'ny mpanjaka fa tsy tokony hiaraka amin'izy ireo avokoa izy rehetra satria ho enta-mavesatra ho an'i Absaloma izy ireo.

Inona no nolazain'i Davida rehefa nangataka tamin'i Davida ny mba hamelana an'i Amnona hiaraka amin'izy ireo i Absaloma?

Rehefa nangataka tamin'i Davida ny mba hamelana an'i Amnona hiaraka amin'izy ireo i Absaloma, dia namaly i Davida hoe: "Fa nahoana i Amnona no tokony hiaraka aminareo?"

2 Samuel 13:27

Iza no nandeha niaraka tamin'i Absaloma?

Amnona sy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra no nandeha niaraka tamin'i Absaloma.

Inona no nandidian'i Absaloma ireo mpanompony mahakasika an'i Amnona?

Nandidy ireo mpanompony i Absaloma fa rehefa nanomboka mamon'ny divay i Amnona ary rehefa lazain'i Absaloma izy ireo hoe: "Tafiho i Amnona', dia hamono an'i Amnona izy ireo.

Inona no nataon'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka taorian'ny namonoan'ireo mpanompon'i Absaloma an'i Amnona?

Taorian'ny namonoan'ireo mpanompon'i Absaloma an'i Amnona dia nitsangana ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, ary nitaingina ny ampondrany ny olona rehetra ka nandositra.

2 Samuel 13:30

Inona ireo vaovao voalohany ren'i Davida momba ny loza?

Raha mbola teny an-dalana ireo zanaka lahin'ny mpanjaka, dia tonga tany amin'i Davida ny vaovao nilaza fa novonoin'i Absaloma ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra.

2 Samuel 13:32

Inona no nolazain'i Jonadaba fa nitranga ary nahoana?

Nolazain'i Jonadaba tamin'i Davida fa Amnona irery ihany no maty, ary efa nanomana izany nanomboka tamin'ny andro izay nanolanan'i Amnona an'i Tamara anabaviny i Absaloma.

2 Samuel 13:37

Taiza no nandehanan'i Absaloma rehefa maty Amnona?

Nandositra ary nankany amin'i Talmay, zanaka lahin'i Amihoda, ilay mpanjakan'i Gesora i Absaloma.

Hafiriana i Absaloma no tao Gesora?

Tao Gesora nandritra ny telo taona i Absaloma.

Inona no nirian'i Davida mba hatao?

Naniry ny hivoaka ary hijery an'i Absaloma i Davida.

2 Samuel 14

2 Samuel 14:1

Inona no nataon'i Joaba rehefa nahafantatra fa naniry ny hahita an'i Absaloma ny mpanjaka?

Rehefa nahafantatra i Joaba fa naniry ny hahita an'i Absaloma ny mpanjaka, dia nandefa teny ho any Tekoa ary nitondra vehivavy hendry tany aminy izy.

Raha fintinina dia inona no tian'i Joaba mba hataon'ireo vehivavy hendry?

Tian'i Joaba mba hanao ohatran'ny hoe misaona ary handeha mba hiresaka amin'ny mpanjaka ny teny izay nolazain'i Joaba azy ilay vehivavy hendry.

2 Samuel 14:4

Rehefa nandeha tany amin'ny mpanjaka ilay vehivavy hendry, dia nolazainy fa iza izy?

Nolazain'ilay vehivavy hendry tamin'ny mpanjaka fa mpitondratena izy.

Inona no nolazain'ilay vehivavy hendry tamin'ny mpanjaka fa nataon'ireo zanany roalahy taminy?

Nolazain'ilay vehivavy hendry tamin'ny mpanjaka fa niady teny an-tsaha ireo zanany roalahy ary namely ilay iray ny anankiray ka nahafaty azy.

2 Samuel 14:7

Inona no nolazain'ilay vehivavy hendry tamin'ny mpanjaka fa natahorany hahazo ilay zanany lahy sisa?

Nolazain'ilay vehivavy hendry tamin'ny mpanjaka fa natahotra izy fa hamono ilay zanany lahy sisa, hamono ny mpandova ary tsy hamela na anarana na taranaka ho an'ny vadiny ny foko manontolo.

2 Samuel 14:10

Nahoana ilay vehivavy hendry no nangataka ny mpanjaka mba hahatsiaro an'i Yaveh Andriamaniny?

Nangataka izany tamin'ny mpanjaka ilay vehivavy hendry mba tsy hamotika na iza na iza bebe kokoa ny mpamaly rà, mba tsy hamotehan'izy ireo ny zanany lahy.

Tamin'ny alalan'iza no nianianan'ny mpanjaka rehefa nilaza tamin'ilay vehivavy izy fa tsy hisy na dia singam-bolo amin'ny zanany na iray aza hihintsana amin'ny tany?

Nianiana tamin'ny alalan'i Yaveh ny mpanjaka tamin'ny nilazany hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy na dia singam-bolo iray amin'ny zanakao aza hihintsana amin'ny tany."

2 Samuel 14:12

Nahoana no nilaza ilay vehivavy fa tahaka ny olona izay meloka ny mpanjaka?

Nolazain'ilay vehivavy fa tahaka ny olona meloka ny mpanjaka satria tsy mbola namerina an-trano indray ny zanany lahy voaroaka izy.

Inona no nolazain'ilay vehivavy fa nataon'Andriamanitra raha tokony hanala ny aina Izy?

Nolazain'ilay vehivavy fa Andriamanitra tsy haka ny aina; fa kosa, mahita lalana ho an'ireo izay noroahiny Izy mba ho averina indray.

2 Samuel 14:15

Nahoana ilay vehivavy no nilaza fa tonga ary hiresaka amin'ny mpanjaka?

Nolazain'ilay vehivavy fa tonga ary hiresaka amin'ny mpanjaka izy satria nampitahotra azy ny vahoaka, ary satria nino izy fa hihaino azy ny mpanjaka.

Inona no nolazain'ilay vehivavy fa nangatahiny tamin'i Yaveh tao amin'ny fivavany?

Nolazain'ilay vehivavy fa nangataka tamin'i Yaveh ny mba hamelana ny tenin'ny tompony, ny mpanjaka, mba hanome fitsaharana azy izy.

2 Samuel 14:18

Inona no nangatahin'ny mpanjaka tamin'ilay vehivavy rehefa avy nilaza taminy ny mba tsy hanafenana aminy ny zavatra rehetra izay anontaniany azy izy?

Nanontany ilay vehivavy ny mpanjaka hoe: "Moa ve tsy miaraka aminao amin'izao rehetra izao ny tanan'i Joaba?"

Nahoana i Joaba no nandidy ilay vehivavy mba handeha any amin'ny mpanjaka ary nilaza azy ny mba hilazany ireo zavatra izay nolazainy tamin'ny mpanjaka?

Nandidy ilay vehivavy ny mba hanao sy hilaza ireo zavatra ireo i Joaba mba hampiova ny zava-mitranga.

2 Samuel 14:21

Inona no nataon'i Joaba rehefa niteny tamin'i Joaba ny mba handehanany sy ny mba hamerenany an'i Absaloma ny mpanjaka?

Nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany ho voninahitra sy fisaorana ny mpanjaka i Joaba.

2 Samuel 14:23

Toromarika inona no nomen'ny mpanjaka an'i Joaba momba an'i Absaloma?

Nolazain'ny mpanjaka fa afaka miverina any an-tranony i Absaloma fa tsy afaka ny hahita ny tavan'ny mpanjaka.

2 Samuel 14:25

Inona no tsikaritra momba ny endrik'i Absaloma?

Tsara tarehy i Absaloma ary tsy nisy kilema izy sy ny volony, izay notapahiny isaky ny faran'ny taona, izay milanja eo amin'ny roanjato sekely eo.

2 Samuel 14:28

Hafiriana no nipetrahan'i Absaloma tany Jerosalema ka tsy nahitany ny tavan'ny mpanjaka?

Nipetraka roa taona feno tao Jerosalema i Absaloma fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.

2 Samuel 14:30

Inona no nolazain'i Absaloma tamin'ireo mpanompony rehefa avy nanontany fanindroany an'i Joaba mba ho tonga eo aminy i Absaloma ary tsy ho tonga Joaba?

Nilaza tamin'ireo mpanompony mba handoro ny sahan'ny vary hordea i Absaloma.

2 Samuel 14:32

Inona no tian'i Absaloma mba hataon'i Joaba?

Tian'i Absaloma mba handeha any amin'ny mpanjaka i Joaba ary mba hilaza amin'ny mpanjaka fa te hahita ny tavan'ny mpanjaka i Absaloma.

Inona no nataon'ny mpanjaka rehefa niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka i Absaloma?

Nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.

2 Samuel 15

2 Samuel 15:1

Inona no nomanin'i Absaloma ho azy?

Nanomana kalesy sy soavaly ho azy i Absaloma.

Iza no nihazakazaka teo alohan'i Absaloma sy ny kalesiny?

Lehilahy dimampolo no nihazakazaka teo alohan'i Absaloma sy ny kalesiny.

Iza no nantsoin'i Absaloma raha nijoro teo amin'ny lalana mankany amin'ny vavahadin'ny tanàna izy?

Raha nisy olona nanana ady ho entina eo amin'ny fitsaràn'ny mpanjaka, dia niantso azy i Absaloma.

2 Samuel 15:3

Inona no nolazain'i Absaloma mahakasika ny raharahan'ireo olona izay tonga teo amin'ny mpanjaka ho tsaraina?

Hilaza amin'ireo lehilahy ireo i Absaloma fa tsara sy marina ny raharahan'izy ireo, saingy tsy misy olona nomen'ny mpanjaka fahefana hihaino ny raharahan'izy ireo.

Inona no antony nomen'i Absaloma tamin'ny nilazany fa naniry mba hatao hitsara ao amin'ny tany izy?

Nolazain'i Absaloma fa naniry ny mba hatao mpitsara ao amin'ny tany izy mba ho tonga eo aminy ny olona rehetra izay manana ady na raharaha ary hahazo rariny avy amin' i Absaloma.

2 Samuel 15:5

Inona no nataon'i Absaloma tamin'ny olona izay tonga mba hanome voninahitra azy?

Namoaka ny tanany i Absaloma ary nandray ka nanoroka ny olona izay tonga mba hanome voninahitra azy.

Inona no nalain'i Absaloma tamin'ny olon'Israely?

Naka ny fon'ny olon'Israely i Absaloma.

2 Samuel 15:7

Inona no antony nomen'i Absaloma ny mpanjaka tamin'ny nandehanana tany Hebrona?

Nilaza i Absaloma fa tokony handeha any Hebrona izy mba hanefa ny voady nataony tamin'i Yaveh.

2 Samuel 15:9

Inona no nolazain'ireo mpitsikilo izay nalefan'i Absaloma nanerana ny fokon'Israely rehetra?

Hoy ireo mpitsikilo hoe: "Vantany vao mandre ny feon-trompetra ianareo, dia aoka hiteny hoe: 'Absaloma no mpanjaka any Hebrona."'

2 Samuel 15:11

Nahafantatra ny tetik'i Absaloma ve ireo lehilahy roanjato izay nandeha niaraka tamin'i Absaloma tany Hebrona?

Tsia, nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny, tsy nahalala na inona na inona tamin'izay nokasain'i Absaloma ireo lehilahy roanjato.

2 Samuel 15:13

Raha fintinina, dia inona no nolazain'i Davida tamin'ireo mpanompony rehefa avy niteny taminy ny mpitondra hafatra hoe: "Manaraka an'i Absaloma ny fon'ireo olon'Israely."?

Nilaza tamin'ireo mpanompony izay tao Jerosalema i Davida hoe: "Mitsangàna ary andao handositra, raha tsy izany dia tsy hisy ho afa-mandositra an'i Absaloma isika."

2 Samuel 15:16

Iza no navelan'ny mpanjaka tany Jerosalema mba hiambina ny lapa?

Navelan'ny mpanjaka ireo vehivavy folo, izay vaditsindrano, mba hiandry ny lapa.

Iza no nandeha niaraka tamin'ny mpanjaka raha niala tao Jerosalema izy?

Nandeha niaraka taminy ny tafiky ny mpanjaka rehetra sy ireo Keretita, sy ireo Peletita ary ireo Gatita rehetra—lehilahy eninjato no nanaraka azy avy any Gata.

2 Samuel 15:21

Inona no nolazain'i Itahy Gatita tamin'ny mpanjaka rehefa avy niteny taminy ny mpanjaka ny mba hiverenana sy hitoerana miaraka amin'i Absaloma mpanjaka?

Nilaza tamin'ny mpanjaka i Itahy fa handeha na aiza na aiza alehan'ny mpanjaka, na midika fahavelomana izany na fahafatesana.

Lalana inona no nandehanan'i Davida sy ireo rehetra niaraka taminy raha niala tao Jerosalema izy ireo?

Nandalo ny Lohasahan'i Kidrona ary nandeha tamin'ny lalana mankany an'efitra i Davida sy ireo rehetra niaraka taminy.

2 Samuel 15:24

Inona no nolazain'ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona mahakasika ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra?

Nilaza tamin'i Zadoka mpisorona ny mba hilanjana ny fiaran'Andriamanitra hiverina any an-tanàna ny mpanjaka.

2 Samuel 15:27

Nahoana no hiandry eo amin'ny fitàna any amin'ny efitr'i Araba i Davida?

Hiandry eo amin'ny fitàna any amin'ny efitr'i Araba i Davida mba handre ny teny avy amin'i Zadoka mpisorona mba hampahafantatra an'i Davida.

2 Samuel 15:30

Inona no novavahan'i Davida rehefa nisy olona niteny taminy fa anisan'ireo mpikonokonona miaraka amin'i Absaloma i Ahitofela?

Nivavaka i Davida hoe: "Yaveh o, avadiho ho fahadalana re ny torohevitr'i Ahitofela."

2 Samuel 15:32

Iza no tonga mba hihaona tamin'i Davida raha tonga teo an-tampon'ny lalana, izay efa fanompoana an'Andriamanitra izy?

Tonga nihaona tamin'i Davida i Hosay ilay Arkita.

Inona no tian'i Davida hataon'i Hosay Arkita ho azy?

Tian'i Davida hiverina any an-tanàna ary hiteny amin'i Absaloma fa ho mpanompon'i Absaloma i Hosay mba hampikorontanan'i Hosay ny torohevitr'i Ahitofela ho an'i Davida.

2 Samuel 15:35

Olona iza no tian'i Davida hilazan'i Hosay ny zavatra rehetra izay reny tao amin'ny lapan'ny mpanjaka?

Tian'i Davida hilaza amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ny zavatra rehetra izay reny tao amin'ny lapan'ny mpanjaka i Hosay.

2 Samuel 16

2 Samuel 16:1

Inona no nentin'i Ziba mpanompon'i Mefiboseta ho an'i Davida?

Nitondra ampondra roa misy lasely, mofo roanjato, sampam-boaloboka zato sy fehezan'aviavy zato, ary divay iray tavoara ho an'i Davida i Ziba.

2 Samuel 16:3

Amin'i Ziba, dia inona no antony nijanonan'i Mefiboseta tany Jerosalema?

Nolazain'i Ziba fa ny antony nijanonan'i Mefiboseta tany Jerosalema dia satria nino i Mefiboseta fa hamerina ny fanjakan'ny rainy aminy amin'izany andro izany ny ankohonan'Israely.

Inona no nolazain'ny mpanjaka fa an'i Ziba ankehitriny?

Nolazain'ny mpanjaka tamin'i Ziba fa ny rehetra izay an'i Mefiboseta dia an'i Ziba ankehitriny.

2 Samuel 16:5

Nataon'i Simey inona i Davida sy ireo manam-pahefan'ny mpanjaka rehetra?

Nanozona an'i Davida sy ireo manam-pahefan'ny mpanjaka rehetra ary nitoraka vovoka sy vato azy ireo ihany koa i Simey.

2 Samuel 16:7

Inona no niantsoan'i Simey an'i Davida?

Nantsoin'i Simey hoe mpanao ratsy sy olona mpandatsa-drà i Davida.

2 Samuel 16:11

Inona nantenain'i Davida fa hataon'i Yaveh noho ny fahoriana mianjady amin'i Davida tamin'ny ozona azony tamin'izany andro izany?

Nanantena i Davida fa hamaly soa an'i Davida nohon'ny ozona azony tamin'izany andro izany Yaveh.

2 Samuel 16:15

Rehefa tonga tao Jerosalema i Absaloma, Ahitofela, sy ireo lehilahin'Israely rehetra dia inona no nolazain'i Hosay tamin'i Absaloma?

Hoy i Hosay tamin'i Absaloma: "Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!"

2 Samuel 16:17

Nolazain'i Hosay tamin'i Absaloma hoe ho an'iza izy, Hosay?

Nolazain'i Hosay tamin'i Absaloma fa izy, Hosay, dia ho an'ilay iray izay nofidian'i Yaveh sy izany vahoaka izany ary ny olon'Israely rehetra.

2 Samuel 16:20

Inona no torohevitr'i Ahitofela tamin'i Absaloma momba izay tokony ataon'i Absaloma?

Natoron'i Ahitofela i Absaloma ny mba handehanany mandry miaraka amin'ireo vady mpanompon'ny rainy izay navelan'i Davida hiambina ny lapa.

2 Samuel 16:22

Ahoana no fahitan'i Davida sy Absaloma ny torohevitr'i Ahitofela?

Ny torohevitr'i Ahitofela dia toy ny hoe ren'ny olona avy amin'ny vavan'Andriamanitra mihitsy.

2 Samuel 17

2 Samuel 17:1

Inona no natoron'i Ahitofela an'i Absaloma sy ireo loholon'Israely rehetra momba ny fomba tokony hanafihana an'i Davida?

Ny torohevitr'i Ahitofela dia ny hanana tafika lehibe mba hanatanteraka fanafihana an'i Davida tampoka amin'ny alina rehefa nihaosa hatrany hatrany izy, ary namerina ny vahoaka rehetra mba hanjakan'izy ireo.

2 Samuel 17:5

Nangataka ny torohevitr'i Hosay momba ny tetik'i Ahitofela i Absaloma. Inona no torohevitr'i Hosay?

Nolazain'i Hosay fa tsy tsara ny tetika.

2 Samuel 17:8

Antony inona no nilazan'i Hosay fa tsy tsara ny tetika?

Satria tamin'ny fanafihana voalohany sy ny famonoana ny olon'i Absaloma, na dia ireo miaramila be herim-po indrindra aza dia hanjary hatahotra raha hambara hoe famonoana ireo miaramilan'i Absaloma ny famonoana.

2 Samuel 17:11

Inona no natoron'i Hosay mba hataon'i Absaloma?

Nanoro hevitra an'i Absaloma ny mba hanangonana ny Israely rehetra miaraka mba handeha hiady mihitsy i Hosay mba ahafafahan'izy ireo mahita an'i Davida ka hamono azy sy ireo lehilahiny.

2 Samuel 17:13

Ahoana no namalian'i Absaloma sy ireo lehilahin'Israely ny torohevitr'i Hosay?

Nolazain'izy ireo fa tsara noho izay nomen'i Ahitofela izany torohevitra izany.

2 Samuel 17:15

Hafatra inona no tian'i Hosay handehanan'ireo mpisorona ary hotaterina any amin'i Davida?

Ny hafatra dia hoe tsy tokony hitoby ao amin'ireo fitàn'i Araba i Davida, fa hiampita mba tsy ho faty amin'izany alina izany izy sy ny olony.

2 Samuel 17:17

Ahoana no nampitana ireo hafatra tamin'i Davida mpanjaka momba ny tetik'i Absaloma ny hanafika azy?

Nisy mpanompo vavy iray hilaza amin'ireo lehilahy roa izay handeha hilaza amin'i Davida mpanjaka ireo tetik'i Absaloma.

Inona no nataon'ireo lehilahy roa rehefa nodinihina ireo telolahy ireo ary nolazaina i Absaloma?

Nandeha ary nidina tany amin'ny lava-drano teo an-tokontanin'ny lehilahy iray ireo lehilahy roa.

2 Samuel 17:19

Ahoana no nanampiana ireo lehilahy roa?

Nandrakotra ny lava-drano ny vadin-dralehilahy ary nanafina ireo lehilahy roa rehefa tonga mba hihaza azy ireo ny lehilahin'i Absaloma, nolazainy tamin'ireo miaramila fa niampita ny renirano ireo lehilahy roa.

2 Samuel 17:21

Rehefa lasa ireo lehilahin'i Absaloma, dia inona no nataon'ireo lehilahy roa?

Niakatra avy tao an-dava-drano ireo lehilahy roa ary nandeha nilaza tamin'i Davida Mpanjaka ny mba hiampitany an'i Jordana mba ho voaaro izy sy ny olony.

2 Samuel 17:23

Inona no nataon'i Ahitofela rehefa nahita izy fa tsy nampiasaina ny toroheviny ny hanafihana an'i Davida?

Nody tany an-tanànany i Ahitofela, nandamina ireo raharahany, ary nananto-tena.

2 Samuel 17:27

Ahoana no nikarakarana an'i Davida sy ny olony tany an'efitra?

Nisy telo lahy tonga nitondra vatsy sy sakafo ho an'i Davida sy ny olony mba atao fatoriana, fandrahoana, sy fihinana.

2 Samuel 18

2 Samuel 18:1

Hafatra inona no nolazain'i Davida mpanjaka tamin'ny tafika?

Nilaza tamin'ny tafika i Davida mpanjaka fa handeha ho any an'ady miaraka amin'izy ireo tokoa izy.

2 Samuel 18:3

Inona no navalin'ireo lehilahy tao amin'ny tafika ny hafatra avy amin'i Davida mpanjaka?

Nilaza tamin'i Davida mpanjaka ireo lehilahy tao amin'ny tafika fa mendrika ny iray alina amin'izy ireo izy, koa tokony hitoetra ao an-tanàna izy fa kosa tsy handeha an'ady.

2 Samuel 18:5

Inona ireo baiko izay nomen'ny mpanjaka ireo mpibaiko mahakasika an'i Absaloma?

Nilaza tamin'ireo mpibaiko ny mpanjaka hoe: "mifanaraha amin-katsaram-panahy amin'i Absaloma noho ny amiko''

2 Samuel 18:6

Inona no vokatry ny ady tany an'alan'i Efraima?

Resy teo anatrehan'ireo miaramilan'i Davida ny tafik'Israely.

2 Samuel 18:9

Inona no nahazo an'i Absaloma rehefa nankao ambany sampana matevin'ny hazo terebinta lehibe ny ampondrany?

Tavela nikiraviravy i Absaloma ary voahazona tao amin'ny rantsan'ny hazo ny lohany.

Nahoana no tezitra i Joaba rehefa nilazana momba an'i Absaloma izy?

Tezitra i Joaba satria tsy namely azy hianjera amin'ny tany ny miaramila izay nitatitra momba an'i Absaloma.

2 Samuel 18:12

Nahoana no tsy namono an'i Absaloma ilay lehilahy?

Tsy namono an'i Absaloma na dia omena vola aza izy, satria reny nilaza ny mpanjaka fa tsy misy tokony hikasika ilay tovolahy hoe Absaloma izy.

2 Samuel 18:14

Nataon'i Joaba inona i Absaloma?

Nanatsatoka lefona telo teo amin'ny fon'i Absaloma i Joaba raha mbola velona ary nihantona teo amin'ny hazo terebinta izy.

2 Samuel 18:16

Inona no nanaovana ny fatin'i Absaloma?

Natsipy tany anaty lavaka lehibe tao an'ala ary nalevina tao ambany antontam-bato lehibe ny fatiny taty aoriana.

2 Samuel 18:18

Nahoana no nanangana antontam-bato lehibe ho azy i Absaloma raha mbola velona izy?

Nanangana antontam-bato lehibe ho azy i Absaloma, izay nantsoina hoe Tsangam-baton'i Absaloma, mba hahatsiarovana ny anarany satria tsy nanan-janaka izy.

2 Samuel 18:19

Nahoana no nampitandremana i Ahimaza mba tsy hihazakazaka ho any amin'ny mpanjaka miaraka amin'ireo vaovao tsara fa efa namonjy ny mpanjaka tamin'ny fahavalony Yaveh?

Nampitandremana mba tsy hihazakazaka ho any amin'ny mpanjaka miaraka amin'ireo vaovao tsara amin'izany andro izany i Ahimaza satria maty ny zanaky ny mpanjaka.

2 Samuel 18:21

Nahoana no mbola te hihazakazaka ary hilaza amin'i Davida ireo vaovao tsara ihany i Ahimaza?

Fantatr'i Ahimaza fa efa nomen'i Joaba ny Kosita ny hafatra, fa te ho voalohany hilaza ireo vaovao mahafaly amin'i Davida i Ahimaza.

2 Samuel 18:24

Inona no neritreretin'ny mpanjaka rehefa reny fa nisy mpihazakazaka mandeha irery manatona ny tanàna?

Noheverin'ny mpanjaka fa nitondra vaovao tsara ilay mpihazakazaka raha irery izy.

2 Samuel 18:26

Inona no heverin'ny mpanjaka rehefa reny fa nisy lehilahy hafa nihazakazaka irery?

Nihevitra ny mpanjaka fa mitondra vaovao ihany koa izy.

Inona no heverin'ny mpanjaka rehefa reny fa eo alohan'i Ahimaza ilay mpihazakazaka?

Nolazain'ny mpanjaka fa tonga nitondra ireo vaovao i Ahimaza satria lehilahy tsara izy.

2 Samuel 18:28

Inona no vaovao izay nentin'i Ahimaza tamin'ny mpanjaka?

Nilaza tamin'ny mpanjaka i Ahimaza fa nanolotra ireo lehilahy izay nanohitra ny mpanjaka Yaveh.

Ahoana no namalian'i Ahimaza ny mpanjaka rehefa nanontany momba ny fahasalaman'i Absaloma izy?

Nolazain'i Ahimaza fa nahita tao anaty korontana lehibe izy, fa tsy nahafantatra izany.

2 Samuel 18:31

Inona no valintenin'ilay Kosita rehefa nanontany azy momba ny fahasalaman'i Absaloma ny mpanjaka?

Nilaza tamin'ny mpanjaka ilay Kosita fa tokony ho tahaka izany tovolahy izany ireo fahavalon'ny mpanjaka.

Ahoana no navalin'ny mpanjaka rehefa nandre ireo vaovao momba ny fahafatesan'ny zanany lahy izy?

Ketraka fatratra ny mpanjaka rehefa nandre ireo vaovao ary niriany raha mba izy no maty teo amin'ny toeran'ny zanany lahy.

2 Samuel 19

2 Samuel 19:1

Nahoana ny fandresena tamin'izany andro izany no nivadika fisaonana ho an'ny tafika rehetra?

Ny fandresena tamin'izany andro izany dia nivadika fisaonana ho an'ny tafika rehetra satria ren'ny tafika fa misaona ny zanany lahy ny mpanjaka.

2 Samuel 19:3

Inona no hiakiakin'ny mpanjaka?

Nihiaka ny mpanjaka hoe: "Ry Absaloma zanako, Absaloma, ny zanako, ny zanako!"

2 Samuel 19:5

Inona no nolazain'i Joaba fa ninoany ho ankasitrahan'ny mpanjaka?

Nilaza i Joaba fa nino izy fa ankasitrahan'ny mpanjaka raha velona i Absaloma fa izy ireo, ny tafiky ny mpanjaka, no maty.

2 Samuel 19:7

Inona no nolazain'i Joaba tamin'ny mpanjaka fa hitranga raha tsy mitsangana, mivoaka, ary miresaka am-pahatsorana amin'ireo miaramilan'ny mpanjaka ny mpanjaka?

Nilaza i Joaba fa raha tsy mandeha ny mpanjaka, dia tsy hisy olona na iray aza hijanona miaraka aminy amin'izany alina izany.

Oviana ny vahoaka rehetra no tonga teo anatrehan'ny mpanjaka?

Tonga teo anatrehan'ny mpanjaka ny vahoaka rehetra rehefa avy nolazaina izy ireo fa nipetraka teo am-bavahady ny mpanjaka.

2 Samuel 19:9

Inona no nifampiadian'ny vahoaka rehetra sy ireo fokon'Israely rehetra hevitra?

Niady hevitra ny vahoaka rehetra sy ireo fokon'Israely rehetra raha haverina ny mpanjaka na tsia.

2 Samuel 19:11

Iza no nalefan'i Davida mpanjaka mba hiresaka amin'ireo loholon'i Joda momba ny famerenana ny mpanjaka?

Nandefa an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona mba hiresaka amin'ireo loholon'i Joda i Davida.

2 Samuel 19:13

Iza no nolazain'i Davida fa ho kapitenin'ny tafika ho solon'i Joaba?

Nolazain'i Davida fa Amasa no ho kapitenin'ny tafika ho solon'i Joaba.

Nahoana no tonga tany Gilgala ireo lehilahin'i Joda?

Tonga tany Gilgala mba hitsena ny mpanjaka sy hitondra azy hiampita an'i Jordana ireo lehilahin'i Joda.

2 Samuel 19:16

Iza no niampita an'i Jordana teo anatrehan'ny mpanjaka?

Simey, lehilahy arivo avy amin'ny Benjamina niaraka taminy, sy Ziba, ny mpanompon'i Saoly, ary ireo zanany lahy dimy ambiny folo sy ireo mpanompony roapolo niaraka taminy, no niampita an'i Jordana teo anatrehan'ny mpanjaka.

2 Samuel 19:19

Nahoana no tonga voalohany avy amin'ny fianakavian'i Josefa rehetra mba hitsena ny mpanjaka i Simey?

Nidina mba hitsena ny mpanjaka i Simey satria fantatr'i Simey fa efa nanota tamin'ny mpanjaka izy.

2 Samuel 19:21

Inona no nolazain'ny mpanjaka tamin'i Simey rehefa avy niteny i Abisay fa tokony hovonoina i Simey?

Nilaza tamin'i Simey ny mpanjaka fa tsy ho faty izy fa nampanantena azy tamin'ny fianianana izy.

2 Samuel 19:24

Ahoana ny endrik'i Mefiboseta rehefa nidina mba hitsena ny mpanjaka izy?

Tsy nanisy kapa ny tongony, na nanala ny volom-bavany, na nanasa ireo lambany nanomboka tamin'ny andro nandehanan'ny mpanjaka i Mefiboseta.

2 Samuel 19:26

Inona no antony nomen'i Mefiboseta rehefa nanontany azy ny mpanjaka hoe: "Nahoana ianao no hiaraka amiko, ry Mefiboseta?"

Nilaza tamin'ny mpanjaka i Mefiboseta fa namitaka azy ny mpanompony, dia i Ziba.

Inona ihany koa no nolazain'i Mefiboseta fa nataon'i Ziba taminy?

Nolazain'i Mefiboseta fa nanendrikendrika an'i Mefiboseta tamin'ny mpanjaka i Ziba.

2 Samuel 19:29

Ahoana no namalian'i Mefiboseta ny mpanjaka rehefa nilaza ny mpanjaka fa nanapa-kevitra izy fa hizara ireo saha i Ziba sy Mefiboseta?

Nilaza tamin'ny mpanjaka i Mefiboseta ny hamelana an'i Ziba haka izany rehetra satria efa tonga soa aman-tsara tao an-tranony ny mpanjaka.

2 Samuel 19:31

Inona no nataon'i Barzilay ho an'ny mpanjaka?

Efa namatsy ny mpanjaka tamin'ny vatsy i Barzilay fony nitoetra tao Mahanaima izy.

2 Samuel 19:34

Raha afintina, dia nahoana i Barzilay no niteny fa tokony tsy ho tonga any Jerosalema miaraka amin'ny mpanjaka izy?

Nilaza i Barzilay fa tsy tokony handeha hiaraka amin'ny mpanjaka izy satria antitra loatra ary fohy andro hiainana, tsy afaka manandrana ny zavatra hohaniny sy hosotroiny intsony, tsy afaka mandre tsara intsony, ary tsy haheno ary ho lasa enta-mavesatra ho an'ny mpanjaka izy.

2 Samuel 19:37

Inona no nangatahan'i Barzilay tamin'ny mpanjaka?

Nangataka tamin'ny mpanjaka ny mba hamelana azy hiverina hody i Barzilay amin'izay mba maty any an-tanànany izy, ary mba ho afaka miampita miaraka amin'ny mpanjaka ary mba hanao izay mety ho tsara amin'ny mpanjaka.

2 Samuel 19:40

Iza no niampita an'i Gilgala niaraka tamin'ny mpanjaka?

Kimama, sy ny tafik'i Joda rehetra ary ny antsasaky ny tafik'Israely no niampita an'i Gilgala niaraka tamin'ny mpanjaka.

2 Samuel 19:42

Nahoana ireo lehilahin'Israely no nilaza fa manan-jo kokoa amin'i Davida noho ireo lehilahin'i Joda izy ireo?

Nilaza ireo lehilahin'Israely fa manan-jo kokoa amin'i Davida izy ireo satria nanana foko folo nihavana tamin'ny mpanjaka.

Ny tenin'iza no mafy kokoa, ny an'ireo lehilahin'i Joda sa ny an'ireo lehilahin'Israely?

Ny tenin'ireo lehilahin'i Joda no mafy kokoa noho ny tenin'ireo lehilahin'Israely.

2 Samuel 20

2 Samuel 20:1

Nahoana no noraisina ho mpanakorontana i Seba?

Noraisina ho mpanakorontana Seba satria namporisika ny vahoakan'Israely mba tsy hanana anjara amin'i Davida izy.

Inona no maha-samihafa ny fihetsik'ireo lehilahin'i Joda sy ny fihetsik'ireo lehilahin'Israely?

Nifikitra nanaraka ny mpanjakan'izy ireo ny lehilahin'i Joda saingy namadika an'i Davida sy nanaraka an'i Seba ireo lehilahin'Israely.

2 Samuel 20:3

Ahoana no niovan'ny fifandraisan'i Davida sy ireo vady andevo folo rehefa nametraka azy ireo tao an-trano hiambina ny trano izy?

Namatsy ny filan'izy ireo i Davida, nefa tsy niara-nandry tamin'izy ireo intsony, mba hiaina tahaka ny mpitondratena izy ireo.

2 Samuel 20:4

Inona no nolazain'ny mpanjaka mba hataon'i Amasa?

Nolazain'ny mpanjaka mba hiantso ireo lehilahin'i Joda miaraka ao anatin'ny telo andro i Amasa ary tsy maintsy ho eo ihany koa izy.

2 Samuel 20:6

Ahoana no namalian'i Davida ny tatitra izay nivadihan'ireo lehilahin'Israely taminy mba hanaraka an'i Seba?

Namaly tamin'ny fanomezana baiko an'i Abisay mba haka ireo miaramilan'i Davida sy mba hanenjika an'i Seba nialohan'ny nahitany tanàna mimanda i Davida.

2 Samuel 20:9

Nataon'i Joaba inona i Amasa rehefa naka an'i Amasa tamin'ny volom-bavany tamin'ny tanany havanana mba hanoroka azy Joaba?

Notsindromin'i Joaba tamin'ny antsy teny amin'ny tanany havanana i Amasa.

2 Samuel 20:11

Ahoana ny fihetsiky ny lehilahin'i Joaba iray tamin'ny fanindronana an'i Amasa?

Nafindrany niala teo amin'ny lalana ho any amin'ny saha i Amasa. Nosaromany lamba teo amboniny ary dia nanao fanamby tamin'ny olona rehetra izay nankasitraka an'i Joaba sy Davida mba hanaraka an'i Joaba izy.

2 Samuel 20:14

Inona no nataon'i Joaba sy ireo lehilahin'i Joda rehefa tratra niaraka tamin'i Seba sy ireo lehilahin'Israely tany Abela tany Beti-maka izy ireo?

Nanandratra tovo-tany iray manoloana ny manda teo amin'ny tanàna izy ireo ary niezaka ny handrava izany.

2 Samuel 20:17

Ahoana no nanoritsoritan'ilay vehivavy ny tanànany dia Abelan'i Joaba izany?

Nanoritsoritra an'i Abela ho tanàna izay iray amin'ny milamina sy mahatoky indrindra tany Israely ary tanàna izay reny tany Israely ihany koa ilay vehivavy.

Raha fintinina dia inona no nanontanian'ilay vehivavy an'i Joaba?

Nanontany an'i Joaba ilay vehivavy hoe nahoana izy no niezaka ny handrava ny tanànan'i Abela.

2 Samuel 20:20

Inona no fepetra izay napetrak'i Joaba tamin'ilay vehivavy ka hahatonga azy sy ireo lehilahin'i Joda hiala ny tanàna?

Ny fepetra izay napetrak'i Joaba tamin'ilay vehivavy dia hoe raha hamela an'i Seba ho azy ireo ny tanàna, dia hiala ny tanàna izy ireo.

Ahoana no namalian'ny olon'ny tanàna sy ilay vehivavy ny fepetr'i Joaba?

Hotapahan'ny olon'ny tanàna ny lohan'i Seba ary hanipy izany hihoatra ny manda ho an'i Joaba araka izay efa nambaran'ilay vehivavy fa ho ataon'izy ireo ny olona.

2 Samuel 20:23

Inona no andraikitr'i Adorama?

Ny andraikitr'i Adorama dia ny ho ambonin'ireo lehilahy izay noterena hiasa an-terivozona.

2 Samuel 21

2 Samuel 21:1

Nahoana no nisy mosary nandritra ny telo taona nisesy tamin'ny andron'i Davida?

Nisy mosary nandritra ny telo taona nisesy tamin'ny andron'i Davida satria namono ireo Gibeonita i Saoly sy ny fianakaviany mpamono olona.

2 Samuel 21:2

Nahoana Davida mpanjaka no te hanao fanavotana ho an'ireo Gibeonita?

Te hanao fanavotana ho an'ireo Gibeonita i Davida satria nianiana ny tsy hamono azy ireo ny vahoakan'Israely, nefa efa niezaka namono azy ireo tamin'ny zotom-pony ho an'ny vahoakan'Israely sy Joda i Saoly.

2 Samuel 21:4

Inona no naneken'i Davida mba hanonerana izany tsy rariny natao tamin'ireo Gibeonita izany?

Nanaiky ny hanao ny rehetra izay angatahin'ireo Gibeonita taminy i Davida.

2 Samuel 21:5

Inona no nangatahan'ireo Gibeonita tamin'i Davida mba hanonerana ireo vitan'i Saoly?

Nangataka ireo Gibeonita mba hisy lehilahy fito izay taranak'i Saoly hatolotra ho azy ireo ary hahantona eo anatrehan'i Yaveh.

2 Samuel 21:7

Ahoana no navalin'i Davida ny fangatahan'ireo Gibeonita?

Namaly ny fangatahan'ireo Gibeonita tamin'ny fiantrana an'i Mefiboseta raha nanolotra zanak'i Rizpa roa lahy roa ary zanak'i Mikala dimy lahy izay nahanton'ireo Gibeonita teo an-tendrombohitra teo anatrehan'i Yaveh i Davida.

2 Samuel 21:10

Inona no nanehoan'i Rizpa ny alahelony noho ny fahafatesan'ireo zanany lahy?

Namelatra lamba fisaonana ho azy teo akaikin'ireo faty teo an-tendrombohitra i Rizpa ary tsy navelany hanakorontana ireo razana ny voron'ny lanitra na ireo bibidia.

2 Samuel 21:12

Avy tamin'iza no nakan'i Davida ny taolan'i Saoly sy ny an'i Jonatana?

Naka ny taolan'i Saoly sy ny an'i Jonatana avy tany amin'ireo lehilahin'i Jabesi-gileada i Davida.

2 Samuel 21:15

Ahoana no nanavotan'i Abisay an'i Davida rehefa reraky ny ady izy?

Rehefa reraky ny ady Davida, dia namonjy azy tamin'ny famonoana an'i Jisbibenoba Filistina izay nitady ny hamono an'i Davida i Abisay.

Nahoana ireo lehilahin'i Davida no nisisika ny mba tsy handehanany any an'ady miaraka amin'izy ireo intsony?

Nisisika ny mba tsy handehanan'i Davida any an'ady miaraka amin'izy ireo intsony ireo lehilahin'i Davida satria natahotra izy ireo fa mety ho faty ny jiron'Israely.

2 Samuel 21:20

Taranak'iza ny sasany tamin'ny olona izay novonoin'i Davida sy ny miaramilany tany Gata?

Namono maro tamin'ireo taranak'i Refaima tany Gata i Davida sy ny miaramilany.

2 Samuel 22

2 Samuel 22:1

Oviana no nihira ny hira hoe Yaveh no vatolompy izay namonjy azy i Davida?

Nihira ny hira hoe Yaveh no vatolampiny tamin'ny andro izay namonjen'i Yaveh azy niala teo an-tanan'i Saoly sy ireo fahavalony rehetra Davida.

2 Samuel 22:3

Inona no nolazain'i Davida fa antony nahatonga azy hiantso an'i Yaveh izay vatolampiny?

Nolazain'i Davida fa antony nahatonga azy hiantso an'i Yaveh vatolampiny dia satria mendrika ny hoderaina Yaveh.

2 Samuel 22:5

Inona no tsapan'i Davida rehefa teo an-tanan'ireo fahavalony izy?

Nahatsapa toy ny hoe voahodidin'ny onjan'ny fahafatesana sy ireo tadin'ny fiainan-tsy hita i Davida.

2 Samuel 22:7

Ahoana no fihetsik'i Davida tamin'ny fahoriany?

Tamin'ny fahoriany, dia niantso an'i Yaveh izay nandre ny antso vonjiny avy tao an-tempoliny i Davida.

2 Samuel 22:8

Inona no nitranga satria tezitra Andriamanitra?

Nihozona ny tany sy ny fiorenan'ny lanitra satria tezitra Andriamanitra, ary nisy setroka nivoaka avy tao amin'ny vavorony ary nisy afo midedadeda nivoaka avy tamin'ny vavany.

2 Samuel 22:10

Ahoana no nidinan'i Yaveh avy any an-danitra?

Nitaingina Kerobima Yaveh ka nanidina tamin'ny elatry ny rivotra.

2 Samuel 22:13

Ahoana no nampielezan'i Yaveh ireo fahavalony?

Nampiely ny fahavalony tamin'ny fanaparitahana azy ireo tamin'ny zana-tsipìka sy tsela-pahazavana Yaveh.

2 Samuel 22:16

Ahoana no nihariharian'ny fanambanin'izao tontolo izao?

Niharihary tamin'ny hiakan'adin'i Yaveh tamin'ny fipoahan'ny fofon'ain'ny vavorony ny fanambanin'izao tontolo izao.

2 Samuel 22:17

Ahoana no nanavotan'i Yaveh an'i Davida tamin'ireo izay nankahala azy?

Nidina avy tany ambony Yaveh ary nisintona azy tamin'ny rano manonja.

2 Samuel 22:19

Nahoana no namonjy an'i Davida i Yaveh?

Namonjy an'i Davida i Yaveh satria nankasitrahany izy.

2 Samuel 22:22

Ahoana no nitandreman'i Davida ireo lalan'i Yaveh?

Nitandrina ireo lalan'i Yaveh tamin'ny fitandremana ireo lalàn'i Yaveh fa tsy nanao ratsy ary tsy niala tamin'Andriamanitra kosa i Davida.

2 Samuel 22:24

Inona no nitranga satria nitandri-tena tsy hanota i Davida?

Namerina an'i Davida tamin'ny laoniny tamin'ny refin'ny fahamarinany Yaveh satria nitandri-tena tsy hanota izy.

2 Samuel 22:28

Ataon'i Yaveh ahoana ny mpirehareha?

Manetry ny mpirehareha Yaveh.

2 Samuel 22:30

Inona Yaveh amin'ny rehetra izay mialoka Aminy?

Fiarovana ho an'ireo rehetra izay mialoka eo Aminy Yaveh.

2 Samuel 22:32

Nahoana no noheverin'i Davida ho fialofany Yaveh?

Noheverin'i Davida ho fialofany Yaveh satria vatolampiny ary mitarika ny olona tsy manan-tsiny amin'ny lalany Izy.

2 Samuel 22:36

Nahoana no tsy nibolisatra ny tongotr'i Davida?

Tsy nibolisatra ny tongotr'i Davida satria Yaveh no fialofan'ny famonjeny sady nanao toerana midadasika ho an'ny tongony.

2 Samuel 22:42

Nataon'i Davida inona ireo fahavalony rehefa niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh izy ireo?

Rehefa avy niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh ireo fahavalon'i Davida dia namely azy ireo ho singa madinika toy ny vovoka amin'ny tany ary nanorotoro azy ireo toy ny fotaka eny amin'ny lalana i Davida.

2 Samuel 22:44

Nataon'i Yaveh inona i Davida?

Namonjy an'i Davida tamin'ny fifandiran'ireo vahoakany sy nitana azy ho lohan'ireo firenena Yaveh.

2 Samuel 22:47

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Davida?

Nanatanteraka valifaty ho an'i Davida ary nanafaka azy tamin'ireo fahavalony Yaveh.

2 Samuel 22:50

Nahoana no nihira fiderana ho an'ny anaran'i Yaveh i Davida?

Nihira fiderana ho an'ny anaran'i Yaveh i Davida satria nanome fandresena lehibe sy naneho ny tsy fivadiham-panekeny taminy Yaveh.

2 Samuel 23

2 Samuel 23:1

Inona no tena nahafantarana an'i Davida?

Davida dia lehilahy izay tena nomem-boninahitra ary voahosotr'Andriamanitr'i Jakoba.

2 Samuel 23:3

Inona no nolazain'ny Andriamanitr'Israely tamin'i Davida?

Nilaza ny Andriamanitr'Israely fa ny iray izay manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra dia ho tahaka ny fahazavan'ny maraina rehefa miposaka ny masoandro.

2 Samuel 23:6

Nahoana no tahaka ny tsilo izay tokony ariana ny tsy mendrika?

Ny tsy mendrika dia ho tahaka ny tsilo ariana avokoa satria tsy voaangon'ny tanan'ny olona ireny.

2 Samuel 23:9

Ahoana no nandresen'i Eleazara ireo Filistina rehefa niara-niangona mba hiady izy ireo?

Niady tamin'ireo Filistina mandra-pahavizana ny tanany ary niraiketan'ny tanany teo amin'ny tahon'ny sabatra i Eleazara.

2 Samuel 23:11

Inona no narovan'i Sama tamin'ireo Filistina?

Nitsangana teo afovoan'ny tanim-boanemba ary niaro izany i Sama.

2 Samuel 23:15

Inona no nataon'ireo telo lahy mahery rehefa ren'izy ireo fa nitady rano avy amin'ny lava-drano tao Betlehema i Davida?

Namakivaky ny tafiky ny Filistina ireo telo lahy mahery ary nitondra rano avy any amin'ny lava-drano tany Betlehema ho an'i Davida.

Nahoana no nandà tsy hisotro ny rano avy amin'ny lava-drano tao Betlehema i Davida?

Nandà tsy hisotro ny rano avy amin'ny lava-drano tao Betlehema i Davida satria nanao sorona ny ainy noho izany ireo telo lahy mahery, koa dia nandraraka izany ho fanatitra ho an'i Yaveh kosa izy.

2 Samuel 23:18

Inona no tena nahafantarana an'i Abisay?

Abisay dia natao kapitenin'ireo miaramila telo ary namono lehilahy telonjato indray mandeha tamin'ny lefony.

2 Samuel 23:20

Ahoana no namonoan'i Benaia lehilahy Egytiana iray izay tena lehibe?

Benaia, izay tsy nanana afa-tsy tehina, dia niady tamin'ny lehilahy Egytiana iray izay tena lehibe izay nanana lefona teny an-tanany. Naka ny lefona teny amin'ny tanan'ilay Egyptiana i Benaia ka novonoiny tamin'izany izy.

2 Samuel 24

2 Samuel 24:1

Inona no nangatahan'i Davida mba hataon'i Joaba?

Nangataka an'i Joaba mba hanisa ny vahoaka ao amin'ny fokon'Israely rehetra i Davida mba hamaritana ny fitambaran'isan'ireo lehilahy sahaza ho an'ny ady.

2 Samuel 24:3

Nahoana no nisalasa ny hanao araka izay nangatahan'i Davida i Joaba?

Nisalasa ny hankatoa an'i Davida i Joaba satria tsy takany hoe nahoana no te hanao izany zavatra izany ny tompony.

2 Samuel 24:8

Hafiriana no nitetezan'i Joaba ny tany rehetra ary niverenany tany Jerosalema?

Naharitra sivy volana sy roapolo andro no nitetezan'i Joaba ny tany rehetra ary niverenany tany Jerosalema.

Lehilahy mpiady firy no voaisan'i Joaba?

Nanisa lehilahy be herim-po valo hetsy tao Israely ary lehilahy dimy hetsy tao Joda i Joaba.

2 Samuel 24:10

Nahoana no ory ny fon'i Davida rehefa avy nanisa ny lehilahy ho azy Joaba?

Ory ny fon'i Davida satria fantany fa efa nanao fahadalana sy nanota tanteraka izy.

2 Samuel 24:11

Hafatra inona no nomen'i Yaveh an'i Davida tamin'ny alalan'ny mpaminaniny?

Nilaza tamin'i Davida i Yaveh fa tokony haka iray amin'ireo telo voafidiny izy.

2 Samuel 24:13

Safidy telo inona avy no nomen'i Yaveh an'i Davida tamin'ny alalan'i Gada mpaminaniny?

Nanontany an'i Davida i Yaveh raha telo taonan'ny mosary na handositra telo volana ireo fahavalony, na telo andron'ny areti-mandringana amin'ny tany no tiany.

2 Samuel 24:15

Nahoana no tsy nihoatra ny fito alina ny olona matin'ny areti-mandringana?

Olona fito alina ihany no matin'ny areti-mandringana satria niova hevitra Yaveh ka nanemotra ny tanany.

2 Samuel 24:17

Inona no nangatahin'i Davida tamin'i Yaveh rehefa nahatsapa ny fahotany lehibe i Davida?

Nangataka an'i Yaveh mba hanasazy azy sy ny fianakaviany fa tsy ny vahoakan'Israely noho ny fahotana lehibe i Davida.

2 Samuel 24:18

Inona no nolazain'i Gada mpaminany mba hataon'i Davida?

Nilaza tamin'i Davida ny mba hiakarana sy hanamboarana alitara ho an'i Yaveh eo am-pamoloan'i Araona i Gada.

2 Samuel 24:21

Inona no tanjon'i Davida tamin'ny nandehanana tany amin'i Araona?

Te hividy ny famoloan'i Araona i Davida mba ahafahana manangana alitara ho an'i Yaveh mba hanalana ny areti-mandringana eo amin'ny vahoakany.

2 Samuel 24:24

Nahoana no nisisika ny hividy ny famoloan'i Araona amin'ny vidiny i Davida?

Nilaza tamin'i Araona i Davida fa hisisika ny hividy izany amin'ny vidiny izy satria tsy hanolotra fanatitra dorana afa-tsy zavatra izay nialany vola ihany izy.

Ahoana no nampitsaharan'i Davida ny areti-mandringana tany Israely?

Nampitsahatra ny areti-mandringana tany Israely tamin'ny fananganana alitara ho an'i Yaveh i Davida ary nanao sorona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo amin'izany.