Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Proverbs 1

Proverbs 1:1

Iza no nanoratra ireto ohabolana ireto?

Solomona, mpanjakan'Israely, no nanoratra ireto ohabolana ireto.

Ahoana no fampianaran'ireto ohabolana ireto miaina?

Ireto ohabolana ireto dia mampianatra ny olona hiaina amin'ny fanaovana ny marina, ny hitsiny, ary ny rariny.

Proverbs 1:4

Inona no azon'ny hendry amin'ny fihainoana ireto ohabolana ireto?

Afaka mampitombo ny fahalalany amin'ny fihainoana ireto ohabolana ireto ny hendry.

Proverbs 1:7

Inona no fiandoham-pahalalana?

Ny tahotra an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana.

Fampianaran'iza no tokony henoin'ny zanaka?

Tokony hihaino ny fampianarana avy amin'ny rainy sy ny reniny ny zanaka.

Proverbs 1:10

Inona no tokony hataon'ny zanaka raha mitady haningotra azy amin'ny fahotany ny mpanota?

Tokony handà tsy hanaraka ireo izay mitady haningotra azy amin'ny fahotana ny zanaka.

Proverbs 1:12

Amin'ny inona no kasain'ny mpanota hamenoana ny tranony?

Mikasa ny hameno ny tranony amin'izay nangalarin'izy ireo tamin'ny hafa ny mpanota.

Proverbs 1:15

Inona no mahamaika an'ireo mpanota?

Maika handatsa-drà ireo mpanota.

Proverbs 1:18

Inona no ataon'ny harena tsy marina amin'izay mifikitra aminy?

Esorin'ny harena tsy marina ny ain'ireo izay mifikitra amin'izany.

Proverbs 1:20

Iza no mivazavaza eny an-dalana, eny ankalamanjana, ary eny amin'ny vavahadin'ny tanàna?

Mivazavaza eny an-dalana, eny ankalamanjana, ary eny amin'ny vavahadin'ny tanàna ny fahendrena.

Proverbs 1:23

Inona no nataon'ireo izay tsy manam-pahendrena rehefa niantso azy ireo ny Fahendrena?

Nandà ny hihaino ary tsy niraharaha ireo izay tsy manam-pahendrena rehefa niantso azy ireo ny Fahendrena.

Proverbs 1:26

Inona no hataon'ny fahendrena rehefa tonga amin'ireo izay tsy manan-pahendrena ny loza?

Hiomehy ny fahendrena rehefa tonga amin'ireo izay tsy manan-pahendrena ny loza.

Proverbs 1:28

Inona no hataon'ny fahendrena rehefa miantso azy ireo izay tsy manan-pahendrena?

Tsy hamaly ny Fahendrena rehefa miantso azy ireo izay tsy manan-pahendrena.

Proverbs 1:31

Ho feno inona ireo izay tsy manan-pahendrena?

Ho feno ny vokatry ny teti-dratsiny ireo izay tsy manan-pahendrena.

Ho toy ny ahoana ny fiainan'ireo izay mihaino ny Fahendrena?

Hiaina am-pilaminana reo izay mihaino ny Fahendrena

Proverbs 2

Proverbs 2:1

Inona no tian'ny Fahendrena ho raketin'ny zanany?

Ny didiny no tian'ny Fahendrena ho raketin'ny zanany.

Proverbs 2:3

Ahoana no tokony hitadiavan'ny zanaka fahazavan-tsaina?

Toy ny fitady volafotsy no tokony hitadiavan'ny zanaka fahazavan-tsaina, ary tokony hitady izay tahaka ny harena miafina izy.

Raha mikatsaka sy mitady fahazavan-tsaina ny zanaka, inona no ho hitany?

Dia hahita ny fahalalana an'Andriamanitra izy.

Proverbs 2:6

Inona Yaveh ho an'ireo izay mandeha amin'ny fahitsiana?

Yaveh no ampingan'ireo izay mandeha amin'ny fahitsiana.

Proverbs 2:9

Rehefa tonga ao am-pon'ny zanaka ny fahendrena, inona no ho fantany?

Hahafantatra ny fahamarinana, ny rariny, sy ny hitsiny, ary ny lalana tsara rehetra izy.

Proverbs 2:11

Hanavotra ny zanaka amin'ny inona ny fahamalinana?

Hanavotra ny zanaka amin'ny lalan-dratsy sy amin'ireo izay mandeha amin'ny lalan'ny maizina ny fahamalinana.

Proverbs 2:14

Ahoana no hanafenan'ireo izay mandeha amin'ny lalan'ny maizina ny lalany?

Mampiasa ny fitaka hanafenana ny lalanyireo izay mandeha amin'ny lalan'ny ratsy.

Proverbs 2:16

Inona no hafoin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena sy hadinoiny?

Mahafoy ny sakaizan'ny fahatanorany izy ary manadino ny fanekeny tamin'ny Andriamaniny ny vehivavy ratsy fitondran-tena.

Proverbs 2:18

Mitondra mankaiza ny lalan'ny vehivavy ratsy fitondran-tena?

Mitondra mankany amin'ireo izay any am-pasanaa ny lalan'ny vehivavy ratsy fitondran-tena.

Proverbs 2:20

Amin'ny lalan'iza no tokony halehan'ny zanaka?

Amin'ny lalan'ny olona tsara sy ireo izay manao ny marina no tokony halehan'ny zanaka.

Inona no hahazo an'ireo izay manao ny marina?

Ireo manao ny marina dia hanao fonenana eo amin'ny tany.

Inona no hanjo an'ireo izay ratsy fanahy?

Ny ratsy fanahy hofongorona eo amin'ny tany.

Proverbs 3

Proverbs 3:1

Hanampy inona amin'ny zanany ny didy sy ny fampianaran'ny Fahendrena?

Andro lava sy taona maro hiainana ary fiadanana no hanampian'ny didy sy ny fampianaran'ny Fahendrena ny zanany.

Proverbs 3:3

Azia no tsy maintsy hiraketana ny tsy fivadiham-panekena sy ny fahamendreham-pitokisana?

Eo amin'ny vato fisaky ny fo no tsy maintsy hiraketana ny tsy fivadiham-panekena sy ny fahamendreham-pitokisana

Proverbs 3:5

Tsy mahazo miankina amin'ny inona ny zanaka?

Tsy mahazo miankina (miantehitra) amin'ny fahalalany ihany ny zanaka.

Proverbs 3:7

Tsy tokony hihevitra ny tenany ho toy ny ahoana ny zanaka?

Tsy tokony hihevitra ny tenany ho hendry ny zanaka.

Proverbs 3:9

Inona no tsy maintsy hataon'ny zanaka amin'ny hareny?

Tsy maintsy manaja an'i Yaveh amin'ny hareny ny zanaka.

Proverbs 3:11

Iza faizin'i Yaveh?

Ireo izay tiany no faizin'i Yaveh.

Proverbs 3:13

Tsara noho ny inona ny fahendrena?

Tsara noho ny volafotsy sy volamena ny fahendrena.

Proverbs 3:17

Inona no lalan'ny fahendrena?

Fiadanana avokoa lalan'ny fahendrena rehetra.

Proverbs 3:19

Inona no nataon'i Yaveh amin'ny alalan'ny fahendrena?

Tamin'ny fahendrena no nanorenan'i Yaveh ny tany.

Proverbs 3:21

Ho inona ny ain'ny fanahin'ny zanaka?

Ho fitsarana sy fahaiza-manavaka marina ny ain'ny fanahin'ny zanaka.

Proverbs 3:23

Raha mandeha amin'ny fahendrena ny zanaka, inona no hiseho rehefa mandry izy?

Rehefa mandry izy, dia tsy hatahotra ary ho mamy ny torimasony.

Proverbs 3:25

Inona no tsy tokony hatahoran'ny zanaka?

Ny horohoro avy tampoka na ny fandravana no tsy tokony hatahoran'ny zanaka.

Proverbs 3:27

Inona no tokony hataon'ny zanaka ho an'izay mendrika izany?

Tsy tokony hamihina ny soa amin'ireo izay mendrika izany ny zanaka.

Proverbs 3:29

Inona no tsy tokony hataon'ny zanaka amin'ny namany?

Tsy tokony hanao tetika hanisy ratsy ny namany ny zanaka.

Proverbs 3:31

Iza no ratsy fanahy amin'i Yaveh?

Ny olona mandainga no ratsy fanahy amin'i Yaveh.

Proverbs 3:33

Inona no ataon'i Yaveh amin'ny mpandrabiraby?

Mandatsa ny mpandrabiraby Yaveh.

Proverbs 3:35

Inona no lovain'ny hendry?

Ny hendry dia mandova voninahitra.

Proverbs 4

Proverbs 4:1

Inona no tsy tokony hadinoin'ny zanaka?

Tsy tokony hanadino ny fampianaran-drainy ny zanaka.

Proverbs 4:3

Ahoana hoy ny ray no hahavelona ny zanaka?

Nambaran'ny ray fa ho velona amin'ny fitandremana ny didin'ny ray ny zanaka.

Proverbs 4:5

Inona no hataon'ny fahendrena ho an'ny zanaka raha tsy mahafoy azy izy, fa tia azy?

Hiambina azy ary hiaro azy ny fahendrena.

Proverbs 4:7

Inona no hataon'ny fahendrena amin'ny zanaka raha lalain'ny zanaka ka fihininy izy?

Hanandratra azy, hanaja azy, hanisy fehiloha eo an-dohany, ary hanome azy satro-boninahitra tsara tarehy ny fahendrena.

Proverbs 4:10

Amin'ny karazana lalana toy ny ahoana no hitarihan'ny ray ny zanaka?

Amin'ny lalana mahitsy no hitarihan'ny ray ny zanaka.

Proverbs 4:13

Amin'ny inona no tsy maintsy hifikiran'ny zanaka, fa fiainany izany?

Tsy maintsy mifikitra amin'ny famaizana ny zanaka, fa fiainany izany.

Inona no lalana tsy maintsy hialan'ny zanaka?

Tsy maintsy miala amin'ny lalan'ny ratsy fanahy ny zanaka.

Proverbs 4:16

Inona no tsy maintsy ataon'ny ratsy fanahy vao afa-matory?

Tsy maintsy manao ratsy ny ratsy fanahy vao afa-matory.

Proverbs 4:18

Toy ny ahoana ny lalan'ny marina?

Ny lalan'ny olo-marina dia toy ny hazavana voalohany izay mihamazava.

Toy ny ahoana ny lalan'ny ratsy fanahy?

Ny lalan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizina.

Proverbs 4:22

Nahoana ny zanaka no tsy maintsy miambina ny fony amin'ny fitandremana rehetra?

Tsy maintsy miambina ny fony amin'ny fitandremana rehetra ny zanaka satria avy amin'izany no hikorianan'ny loharanon'aina.

Proverbs 4:24

Karazana teny sy resaka toy ny ahoana no tsy maintsy esorin'ny zanaka?

Tsy maintsy esorin'ny zanaka ny teny mivilambilana sy ny teny manimba.

Aiza no tokony hibanjinan'ny zanaka?

Tsy maintsy mibanjina mahitsy eo alohany ny zanaka.

Proverbs 5

Proverbs 5:1

Hahay inona ny zanaka raha mihaino tsara ny fahazavan-tsaina?

Hianatra momba ny fahamalinana ny zanaka raha mihaino tsara ny fahazavan-tsaina.

Proverbs 5:3

Toy ny inona ny vehivavy janga any am-parany?

Any am-parany dia hangidy tahaka ny hazo mahafaty ny vehivavy janga.

Proverbs 5:5

Mankaiza ny tongotry ny vehivavy janga?

Midina mankany amin'ny fahafatesana ny tongotry ny vehivavy janga; mizotra ho any amin'ny Fiainan-tsy hita.

Proverbs 5:7

Inona ny lalana tokony halehan'ny zanaka hendry manoloana ny vehivavy janga sy ny tranony?

Ny zanaka hendry dia tokony handeha amin'ny lalana lavitry ny vehivavy janga ary tsy hanakaiky ny tranony.

Proverbs 5:9

Hanary inona foana ny zanaka raha tafiditra amin'ny vehivavy janga?

Raha tafiditra amin'ny vehivavy janga izy dia hanome ny voninahiny sy ny taona niainany.

Proverbs 5:11

Inona no hitranga amin'ny faran'ny androm-piainan'ny zanaka raha tafiditra amin'ny vehivavy janga?

Raha tafiditra amin'ny vehivavy janga izy dia hihaosa ny nofony sy ny vatany.

Inona no ho nenina ho lazain'ny zanaka raha tafiditra amin'ny vehivavy janga?

Raha tafiditra amin'ny vehivavy janga izy dia hiteny amin'ny faran'ny andro-piainany fa nanenina ny amin'ny nankahalany fananarany sy ny fandavana ny fanitsiana.

Proverbs 5:15

Avy amin'ny inona no tokony hisotroan'ny zanaka?

Tokony hisotoro avy ao amin'ny famorian-dranony sy avy ao amin'ny lava-dranony ihany ny zanaka.

Proverbs 5:18

Amin'iza no tokony hifalian'ny zanaka?

Amin'ny vadin'ny fahatanorany no tokony hifalian'ny zanaka.

Inona no tokony hisintona ny zanaka?

Tokony ho voasinton'ny fitiavan'ny vadin'ny fahatanorany ny zanaka.

Proverbs 5:20

Inona no hitan'i Yaveh?

Hitan'i Yaveh izay rehetra ataon'ny olona.

Proverbs 5:22

Inona no hahazo sy hifehy mafy ny ratsy fanahy?

Ny fahotany no hahazo sy hifehy mafy ny ratsy fanahy.

Proverbs 6

Proverbs 6:1

Ahoana no amelaran'ny zanaka fandrika ho azy ihany?

Mety hamelatra fandrika ho an'ny tenany amin'ny fanaovana antoka ho amin'ny fampindramam-bolan'ny olona izay tsy fantany izy.

Proverbs 6:3

Inona no tsy maintsy ataony'ny zanaka mba hamonjena ny tenany?

Mba hamonjena ny tenany ny tenany dia tsy maintsy mandeha mankany amin'ny namany ny zanaka ary miangavy mba ho afahana amin'ny fampanantenany.

Proverbs 6:6

Inona no tokony hianaran'ny olona kamo?

Ny vitsika no tokony hianaran'ny olona kamo.

Inona no ataon'ny vitsika amin'ny fahavaratra?

Amin'ny fahavaratra dia manomana ary mitahiry ny sakafony ny vitsika.

Proverbs 6:9

Inona no hanjo ny olo-malaina izay tsy miarina amin'ny torimasony?

Ny fahantrana no ho avy amin'ny olo-malaina izay tsy miarina amin'ny torimasony.

Proverbs 6:12

Mivelona amin'ny inona ny olona ratsy fanahy?

Mivelona amin'ny fahamelohan'ny teniny ny olona ratsy fanahy.

Proverbs 6:14

Inona no hanjo ny olona ratsy fanahy nohon'ny teti-dratsiny?

Hahazo tampoka ny olona ratsy fanahy ao anatin'ny fotoana fohy ny loza.

Proverbs 6:16

Firy ny zavatra halan'i Yaveh ary firy ny zavatra maharikoriko azy?

Misy zavatra enina halan'i Yaveh, fito izay maharikoriko Azy.

Proverbs 6:17

Inona ny tongotra halan'i Yaveh?

Halan'i Yaveh ny tongotra izay mailaka amin'ny fiazakazahana hanao ratsy.

Inona ny vavolombelona halan'i Yaveh?

Halan'i Yaveh ny vavolombelona izay mamoaka lainga.

Proverbs 6:22

Ampitoviana amin'ny inona ireo "didy" sy "fampianarana"?

Ampitoviana amin'ny fanilo ny didy ary ny fampianarana ampitoviana amin'ny jiro.

Proverbs 6:26

Sandaina amin'ny inona ny fiaraha-mandry amin'ny vadin'olon-kafa?

Sandaina amin'ny ainy mihitsy ny fiaraha-mandry amin'ny vadin'olon-kafa.

Proverbs 6:30

Nahoana ny olona no mety tsy hanamavo ny mpangalatra raha mangalatra izy?

Mety tsy hanamavo ny mpangalatra ny olona raha mangalatra mba hahafa-po ny filàny rehefa noana izy.

Proverbs 6:32

Iza no potehin'ny olona izay mijangajana?

Ny tenany ihany no potehin'ny olona izay mijangajana.

Proverbs 6:34

Inona no tsy ho eken'ny olona izay mamaly faty nohon'ny fijangajangana?

Tsy hanaiky onitra ny olona izay mamaly faty nohon'ny fijangajangana.

Proverbs 7

Proverbs 7:1

Inona no tsy maintsy tandremana sy tehirizin'ny zanaka mba ho velona?

Tsy maintsy mitandrina sy mitahiry ny didy sy ny fampianaran-drainy ny zanaka.

Proverbs 7:4

Miaro ny zanaka amin'iza ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina?

Miaro ny zanaka amin'ny vehivavy jejo ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina.

Proverbs 7:6

Inona no hitan'i Solomona teo am-pitazanana avy teo amin'ny makarakara?

Nahita ireo olona kely saina i Solomona, ary tamin'ireo tanora dia nisy zatovo iray izay tsy nisy saina.

Proverbs 7:10

Toy ny ahoana no fiakanjon'ilay vehivavy nifanena tamin'ilay tovolahy?

Niankanjo tahaka ny mpivaro-tena ilay vehivavy.

Inona no ataon'ilay vehivavy eny an-joron-trano rehetra?

Eny an-joron-trano rehetra eny ilay vehivavy no miandry mamitsaka.

Proverbs 7:13

Inona no nataon'ilay vehivavy taloha kely tamin'izany andro izany?

Taloha kely tamin'izany andro izany, dia nanao fanati-pihavanana ilay vehivavy.

Inona no notadiavin'ilay vehivavy fatratra?

Ny tavan'ilay tovolahy no notadiavin'ilay vehivavy fatratra.

Proverbs 7:16

Inona no anasan'ilay vehivahy hataon'ilay tovolahy?

Nanasa an'ilay tovolahy mba hiaraka aminy ao am-pandriany mandra-maraina ilay tovolahy.

Proverbs 7:19

Aiza ny vadin'ilay vehivavy?

Nanao dia lavitra ny vadin'ilay vehivavy.

Proverbs 7:22

Toy ny ahoana ny fomba nandehanan'ilay tovolahy nanaraka an'ilay vehivavy?

Nandeha nanaraka azy avy tao aoriana tampoka tahaka ny omby entina ho vonoina, tahaka ny diera voasambotra anaty fandrika izy.

Ho sandain'ilay tovolahy amin'ny inona ny ataony?

Ho sandain'ilay tovolahy amin'ny ainy ny ataony.

Proverbs 7:24

Inona ny fampianarana hendry nomena an'ilay tovolahy momba an'ilay vehivavy?

Nampianarina am-pahendrena mba tsy haniasia handeha amin'ny lalany ilay tovolahy.

Proverbs 7:26

Eo amin'ny lalan'ny inona ny tranon'ilay vehivavy?

Eo amin'ny lalana mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny tranon'ilay vehivavy.

Proverbs 8

Proverbs 8:1

Iza no miantsoantso eo akaikin'ny fidirana mankany an-tanàna?

Ny fahendrena no miantsoantso eo akaikin'ny fidirana mankany an-tanàna.

Proverbs 8:4

Iza no antsoin'ny Fahendrena?

Ny zanak'olombelona no antsoin'ny Fahendrena.

Proverbs 8:6

Karazan-javatra inona no lazain'ny Fahendrena?

Miresaka ireo zavatra mendri-kaja sy izay mendri-pitokiana ny Fahendrena.

Proverbs 8:10

Sarobidy mihoatra noho ny inona ny Fahendrena?

Sarobidy mihoatra noho ny firavaka ny Fahendrena

Proverbs 8:12

Inona no halan'izay matahotra an'i Yaveh?

Ny ratsy, ny fieboeboana, ny fiavonavonana ary ny teny ratsy no halan'izay matahotra an'i Yaveh.

Proverbs 8:14

Ahoana no anjakan'ny mpanjaka sy ny andriana izay manana Fahendrena?

Manjaka amin'ny fahamarinana ny mpanjaka sy ny andriana izay manana Fahendrena.

Proverbs 8:19

Tsara noho ny inona ny vokatry ny Fahendrena?

Tsara noho ny volamena sy volafosty ny vokatry ny Fahendrena.

Inona no homen'ny Fahendrena ho an'izay tia azy?

Lova no homen'ny Fahendrena ho an'izay tia azy.

Proverbs 8:22

Oviana no ary ny Fahendrena?

Fahiny ela be dia ary ny Fahendrena, hatrany am-boalohany

Proverbs 8:26

Taiza ny Fahendrena fony nanaovan'i Yaveh ny tany aman-danitra?

Teo ny Fahendrena fony nanaovan'i Yaveh ny tany aman-danitra.

Proverbs 8:30

Inona no nataon'ny Fahendrena teo anilan'i Yaveh fony nanao ny zava-drehetra Yaveh?

Mpanao asa tanana tena mahay teo anilan'i Yaveh ny Fahendrena fony nanao ny zava-drehetra Yaveh.

Inona no fifalian'ny Fahendrena?

Ny olombelona no fifalian'ny Fahendrena.

Proverbs 8:35

Inona ihany koa no hitan'izay mahita fahendrena?

Mahita fiainana sy sitraka amin'i Yaveh ihany koa izay mahita fahendrena.

Inona ihany koa no hitan'izay tsy mahita fahendrena?

Mahita fahafatesana ihany koa izay tsy mahita fahendrena.

Proverbs 9

Proverbs 9:1

Inona no namboarin'ny Fahendrena?

Ny tranony manokana no namboarin'ny Fahendrena.

Proverbs 9:3

Nalefa tamin'iza ireo fanasana nalefan'ny Fahendrena?

Nalefa tamin'ireo bado sy tsy ampy saina ireo fanasana nalefan'ny Fahendrena

Proverbs 9:5

Inona hoy ny Fahendrena no tokony havelan'ny bado any?

Tokony havelan'ny bado any ny fihetsiny bado hoy ny Fahendrena.

Proverbs 9:7

Inona no manjo ny mananatra ny mpaniratsira?

Izay mananatra ny mpaniratsira dia handray fanararaotana ary ho ratraina sy hankahalaina.

Inona no mahazao ny olona izay mampianatra ny olon-kendry?

Ho tiavina izay mampianatra ny olon-kendry.

Proverbs 9:10

Inona no fiandoham-pahendrena?

Ny fahatahorana an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena.

Inona ny fahazavan-tsaina?

Ny fahalalana Ilay Masina no fahazavan-tsaina.

Proverbs 9:13

Inona no toetoetry ny vehivavy adala?

Ny vehivavy adala dia mitabataba, tsy nobeazina, ary tsy mahay na inona na inona.

Proverbs 9:16

Toy ny ahoana ny zavatra miafina sy nangalarina amin'izay mahazo azy?

Amin'ny voalohany dia mamy sy mahafinaritra amin'izay mahazo azy ny zavatra miafina sy nangalarina.

Iza no ao an-tranon'ny vehivavy adala?

Ny maty any amin'ny halalin'ny Fiainan-tsy hita no ao an-tranon'ny vehivavy adala.

Proverbs 10

Proverbs 10:1

Ahoana no asetrin'ny ray ny zaza hendry?

Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy.

Ataon'i Yaveh inona ny fanirian'ny ratsy fanahy?

Manafoana ireo fanirian'ny ratsy fanahy Yaveh.

Proverbs 10:4

Inona no vokatry ny tanana kamo?

Mahatonga ny olona hahantra ny tanana kamo.

Proverbs 10:6

Inona no azon'ireo izay manao ny marina avy amin'Andriamanitra?

Fanomezana no azon'ireo izay manao ny marina avy amin'Andriamanitra.

Proverbs 10:8

Inona no hanjo ny adala mahay vava?

Ny adala mahay vava dia ho rava.

Proverbs 10:12

Manarona inona ny fitiavana?

Ny fitiavana manarona ny fahadisoana rehetra.

Inona no hita eny amin'ny molotry ny olona manan-tsaina?

Hita amin'ny molotry ny olona manan-tsaina ny fahendrena.

Proverbs 10:16

Inona no manjo an'izay mandàvamaizana?

Izay mandà famaizana dia mandeha amin'ny lalan-diso.

Proverbs 10:18

Tsy ilaozan'ny inona raha misy teny maro?

Raha misy teny maro, dia tsy ilaozan'ny heloka (fahotana).

Proverbs 10:22

Inona no entin'ny fanomezana tsara avy amin'i Yaveh?

Ny fanomezana tsara avy amin'i Yaveh no mitondra harena.

Proverbs 10:24

Toy ny inona ny ratsy fanahy?

Ny ratsy fanahy dia toy ny tafio-drivotra izay mandalo ary tsy eo intsony.

Proverbs 10:26

Inona no tahaka ny setroka anaty maso?

Toy ny ny setroka anaty maso ny malaina amin'izay maniraka azy.

Ho inona ny taonan'ny ratsy fanahy?

Ho fohy ny taonan'ny ratsy fanahy.

Proverbs 10:28

Miaro ny inona ny lalan'i Yaveh?

Miaro ireo izay manana fahitsiana ny lalan'i Yaveh.

Proverbs 10:31

Inona no mivoaka avy ao amin'ny vavan'ireo izay manao ny marina?

Avy ao amin'ny vavan'ny ireo izay manao marina no ihavian'ny vokatry ny fahendrena.

Proverbs 11

Proverbs 11:1

Inona no avy mialohan'ny fahafaham-baraka?

Ny fireharehana no avy mialohan'ny fahafaham-baraka.

Proverbs 11:3

Inona no manan-danja amin'ny andron'ny fahavinirana?

Ny fanaovana ny marina no manan-danja amin'ny andron'ny fahavinirana.

Proverbs 11:5

Inona no mamandrika ny mpivadika (ratsy fanahy)?

Voafandriky ny filan'izy ireo ihany ny mpivadika.

Proverbs 11:7

Inona no miaro ny olona amin'ny fahoriana?

Ny fanaovana ny marina no miaro ny olona amin'ny fahoriana.

Proverbs 11:9

Ahoana no amotehan'ny mpaniratsira ny namany?

Amin'ny vavany no amotehan'ny mpaniratsira ny namany.

Proverbs 11:12

Inona no ataon'ny olona mahatoky raha tsy manendrikendrika kosa?

Ny olona mahatoky dia mitazona ny raharaha no voasarona fa tsy manendrikendrika kosa.

Proverbs 11:15

Inona no tsy tokony hataon'ny olona amin'ny vahiny satria hitondra fahavoazana aminy ihany?

Tsy tokony hiantoka findramam-bola ho an'ny vahiny ny olona.

Proverbs 11:17

Ahoana no ahazoan'ny ratsy fanahy ny karamany?

Mandainga ny ratsy fanahy mba hahazoany ny karamany.

Proverbs 11:19

Mifaly amin'iza Yaveh?

Mifaly amin'ireo izay mandeha tsy manan-tsiny Yaveh.

Proverbs 11:21

Inona no tokony ho azon'ny rehetra antoka?

Tokony ho azon'ny rehetra antoka fa tsy ho afa-maina ny ratsy fanahy.

Proverbs 11:23

Inona no mahazo ny olona izay mamafy voa?

Mahangona be lavitra ny olona izay mamafy voa.

Proverbs 11:25

Inona no azon'izay manome rano ho an'ny hafa?

Mahazo rano ho azy izay manome rano ho an'ny hafa.

Proverbs 11:27

Inona no manjo izay mitoky amin'ny hareny?

Ho lavo izay mitoky amin'ny hareny.

Proverbs 11:30

Iza no tahaka ny hazon'aina?

Tahaka ny hazon'aina izay manao ny marina.

Iza no handray izay mendrika azy?

Ny olo-marina mandray izay mendrika azy; mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota.

Proverbs 12

Proverbs 12:1

Inona no halan'ny olona vendrana?

Halan'ny vendrana ny fanitsiana.

Iza no melohin'i Yaveh?

Manameloka ny olona izay manao teti-dratsy Yaveh.

Proverbs 12:3

Inona no satro-boninahitry ny lehilahy?

Ny vady mendrika dia satro-boninahitry ny lehilahy.

Proverbs 12:5

Karazana toro-hevitra inona no omen'ny ratsy fanahy?

Manome toro-hevitra mamitaka ny ratsy fanahy.

Proverbs 12:7

Inona no mahazo ny tranon'izay manao ny marina?

Hijoro ny tranon'ny olona manao ny marina.

Proverbs 12:9

Iza no miahy ny filan'ireo bibiny?

Ny olona manao ny marina dia miahy ny momba ireo filan' ny bibiny.

Proverbs 12:13

Inona no mamandrika ny olon-dratsy?

Ny olon-dratsy dia voafandriky ny resa-dratsiny.

Proverbs 12:15

Toy ny ahoana ny lalan'ny adala eo imasony ihany?

Ny lalan'ny adala dia marina eo imasony ihany.

Proverbs 12:17

Toy ny ahoana ny teny lazaina an-kamehana?

Ny teny lazaina an-kamehana dia tahaka fanindron'ny sabatra.

Proverbs 12:19

Inona no ao am-pon'ireo izay mitetika hanao ratsy?

Misy fitaka ao am-pon'ireo izay manao teti-dratsy.

Proverbs 12:21

Inona no halan'i Yaveh?

Mankahala ny molotra mandainga Yaveh.

Proverbs 12:23

Alefa hanao inona ny kamo?

Ny olona kamo dia alefa manao asa an-terivozona.

Proverbs 12:25

Aiza no itondran'ny lalan'ny ratsy fanahy azy ireo?

Ny lalan'ny ratsy fanahy dia mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso.

Proverbs 12:27

Inona no hitan'ireo izay mandeha amin'ny lala-marina?

Fiainana no hitan'ireo izay mandeha amin'ny lala-marina.

Proverbs 13

Proverbs 13:1

Inona no ren'ny zanaka hendry?

Mandre ny fampianaran'ny rainy ny zanaka hendry.

Proverbs 13:3

Ahoana no hiarovan'ny olona ny ainy?

Amin'ny fitandremana ny vavany no hiarovan'ny olona ny ainy.

Iza no maniry fatratra, saingy tsy mahazo na inona na inona?

Ny kamo dia maniry nefa tsy mahazo na inona na inona.

Proverbs 13:7

Ahoana no maha-mpanankarena marina ny sasany?

Amin'ny fahafoizana ny zava-drehetra no maha-mpanankarena marina ny sasany.

Inona no fampitahorana no ho azon'ny olo-mahantra?

Ny olo-mahantra tsy mba hahazo fampitahorana.

Proverbs 13:9

Inona no ateraky ny avonavona?

Fifandirana ihany no ateraky ny avonavona.

Proverbs 13:11

Ahoana no hihenan'ny harena?

Mihena ny harena rehefa be loatra ny zava-poana.

Proverbs 13:13

Inona no loharanon'aina?

Ny fampianaran'ny olon-kendry dia loharanon'aina.

Proverbs 13:15

Amin'ny inona no handraisan'ny hendry ny fanapahan-kevitra rehetra?

Ny hendry dia mandray ny fanapahan-kevitra rehetra amin'ny fahalalana.

Proverbs 13:17

Inona no ho avy amin'izay mandray fanitsiana?

Voninahitra no ho tonga amin'izay mianatra amin'ny fanitsiana.

Proverbs 13:19

Iza no tokony hiarahan'ny olona lalana mba ho hendry?

Mba ho hendry, dia tokony hiara-dalana amin'ny olon-kendry ny olona.

Proverbs 13:21

Ho an'iza no hitehirizana ny haren'ny mpanota?

Ny haren'ny mpanota dia voatahiry ho an'ny olo-marina.

Proverbs 13:23

Ahoana no anehoan'ny ray aman-dreny fitiavana ho an'ny zanany?

Amin'ny fitandremana ny hanitsy azy no hanehoan'ny ray aman-dreny fitiavana ny zanany.

Proverbs 13:25

Manao ahoana ny kibon'ny ratsy fanahy?

Ny kibon'ny ratsy fanahy dia ho noana mandrakariva.

Proverbs 14

Proverbs 14:1

Inona no ataon'ny vehivavy hendry?

Ny vehivavy hendry manangana ny tranony.

Iza no manao tsinontsinona an'i Yaveh?

Izay tsy marina amin'ny lalany dia manao tsinontsinona an'i Yaveh.

Proverbs 14:5

Inona no tsy ataon'ny vavolombelona mahatoky?

Ny vavolombelona mahatoky dia tsy mandainga.

Proverbs 14:7

Inona no tsy hita eo amin'ny molotry ny adala?

Tsy ahitana fahalalana eo amin'ny molotry ny adala?

Proverbs 14:11

Inona no hanjo ny tranon'ny ratsy fanahy?

Ho potika ny tranon'ny olona ratsy fanahy.

Inona no hahazo ny lain'ny olo-mahitsy?

Handrombona ny lain'ny olo-mahitsy.

Proverbs 14:13

Inona no ho azon'ny olona izay tsy mahatoky?

Ny olona tsy mahatoky dia hahazo izay mendrika ny lalany.

Proverbs 14:15

Inona no ataon'ny adala rehefa ampitandremana?

Ny adala dia mandà fampitandremana amin-toky.

Proverbs 14:17

Inona no ataon'ny olona malaky tezitra?

Izay malaky tezitra dia manao zavatra adaladala.

Proverbs 14:19

Hiankohoka amin'iza ny olon-dratsy?

Ny olon-dratsy dia hiankohoka eo anoloan'izay tsara.

Proverbs 14:21

Inona no raisin'ireo izay mikasa hanao ny tsara?

Ireo izay mikasa ny hanao ny tsara dia hahazo fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokisana.

Proverbs 14:23

Inona ny avy amin'ny asa mafy rehetra?

Avy amin'ny asa mafy rehetra no hiavian'ny tombony.

Proverbs 14:26

Inona no loharanon'aina?

Ny fahatahorana an'i Yaveh dia loharanon'aina.

Proverbs 14:28

Iza no manandratra fahadalana?

Ny olona malaky tezitra no manandratra fahadalana.

Proverbs 14:30

Iza no manozona ny Mpamorona azy amin'ny asany?

Izay mampahory ny mahantra dia manozona ny Mpamorona azy.

Proverbs 14:34

Inona no manandratra ny firenena?

Ny fanaovana izay marina dia manandratra firenena.

Proverbs 15

Proverbs 15:1

Inona no mampivily fahatezerana?

Ny valin-teny malefaka dia mamily ny fahatezerana.

Proverbs 15:3

Mandinika an'izy Yaveh?

Mandinika ny ratsy sy ny tsara Yaveh.

Proverbs 15:5

Ahoana ny toetran'ny adala manoloana ny fananaran-drainy?

Ny adala manamavo ny fananaran-drainy.

Proverbs 15:7

Inona ny karazana sorona halan'i Yaveh?

Mankahala ny soron'ireo olona ratsy fanahy Yaveh.

Proverbs 15:9

Inona no miandry izay rehetra mahafoy ny lalana?

Miandry ny olona izay mahafoy ny lalana ny sazy mafy.

Proverbs 15:13

Inona no mahamirana ny tarehy?

Ny fo ravoravo mahamirana ny tarehy.

Proverbs 15:15

Inona no tsara noho ny harem-be amin'ny ahiahy?

Aleo kely amin'ny tahotra an'i Yaveh toy izay harem-be amin'ny ahiahy.

Proverbs 15:17

Karazan'olona inona no mampitsahatra fifandirana?

Ny olona izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.

Proverbs 15:19

Inona no entin'ny zanaka hendry ho an-drainy?

Ny zanaka hendry dia mitondra fifaliana ho an'ny rainy.

Proverbs 15:21

Inona no mampahomby ny tetika?

Ny mpanolo-tsaina maro no mampahomby ny tetika.

Proverbs 15:25

Inona no ho potehin'i Yaveh?

Ho potehin'i Yaveh ny lovan'ny mpirehareha.

Proverbs 15:27

Inona no ataon'izay manao ny marina mialohan'ny hamaliana?

Izay manao ny marina dia misaintsaina mialohan'ny hamaliany.

Proverbs 15:31

Inona ny ataon'ny olon-kendry rehefa misy manitsy azy?

Mihaino ny olon-kendry rehefa misy manitsy azy.

Proverbs 15:33

Inona no mialohan'ny voninahitra?

Fanetren-tena no mialoha ny voninahitra.

Proverbs 16

Proverbs 16:1

Toy ny ahoana ny lalan'ny olona rehetra aminy?

Madio eo imasony ihany ny lalan'ny olona rehetra.

Proverbs 16:3

Nataon'i Yaveh ho amin'ny inona ny zava-drehetra?

Nataon'i Yaveh ho amin'ny antony avokoa ny zavatra rehetra.

Proverbs 16:5

Amin'ny inona no hamelana ny heloka (fahotana)?

Amin'ny tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no hamelana ny heloka (fahotana).

Proverbs 16:9

Vao mandrafitra ny lalany ny olona, dia inona no ataon'i Yaveh?

Vao mandrafitra ny lalany ny olona, dia Yaveh no mampizotra ny diany.

Proverbs 16:11

Ahoana no iorenan'ny seza fiandrianana?

Ny seza fiandrianana dia miorina amin'ny fanaovana ny marina.

Proverbs 16:13

Inona ny iraky ny fahafatesana?

Ny fahaviniran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana.

Proverbs 16:15

Inona no tokony ho safidiana mihoatra ny volamena sy volafotsy?

Ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina no tokony ho safidiana mihoatra ny volamena sy volafotsy.

Proverbs 16:17

Inona no mialohan'ny fahalavoana?

Ny fanahy mieboebo no mialohan'ny fahalavoana.

Proverbs 16:19

Ahoana no ahitan'ny olona soa ao amin'izay nampianarina azy?

Izay rehetra mibanjina izay nampianarina azy ireo dia hahita soa.

Proverbs 16:23

Inona no ataon'ny fon'ny hendry amin'ny vavany?

Ny fon'ny olon-kendy dia manome saina ny vavany .

Proverbs 16:25

Na dia toa marina amin'ny olona aza ny lalana iray, aiza no mety hitondran'izany?

Na dia toa marina amin'ny olona aza ny lalana iray, dia mety hitondra amin'ny fahafatesana izany.

Proverbs 16:27

Inona no mampisaraka ny mpinamana akaiky?

Ny mpifosa no mampisaraka ny mpinamana akaiky.

Proverbs 16:29

Inona no ataon'izay mipi-maso?

Izay mipi-maso dia mitetika zavatra ratsy.

Proverbs 16:31

Inona no satro-boninahitra?

Ny volo-fotsy dia satro-boninahitra.

Iza no mahery noho izay mambabo tanàna iray?

Ny olona manapaka ny fanahiny dia mahery noho ny olona izay mambabo tanàna iray.

Proverbs 16:33

Ahoana no anaovana ny fanapahan-kevitra amin'ny filokana?

Yaveh no manapa-kevitra amin'ny filokana.

Proverbs 17

Proverbs 17:1

Inona no ataon'ny mpanompo hendry amin'ny zanaka mahamenatra?

Ny mpanompo hendry dia hanapaka eo amin'ny zanaka mahamenatra.

Proverbs 17:3

Iza no henoin'ny mpandainga?

Ny zava-dratsy no henoin'ny mpandainga.

Proverbs 17:5

Inona no manjo an'ireo izay mifaly amin'ny fahavoazana?

Izay mifaly amin'ny fahavoazana dia tsy afa-bela amin'ny famaizana.

Proverbs 17:7

Nahoana ny tsolotra no tahaka ny vato mahagaga?

Tahaka ny vato mahagaga ny tsolotra satria izay manome azy dia mahomby na aiza na aiza itodihany.

Proverbs 17:9

Inona no tsy miditra amin'ny adala?

Na dia kapoka injato aza tsy miditra amin'ny adala.

Proverbs 17:11

Inona no ratsy lavitra noho ny mifanena amin'ny bera very anaka?

Ny mifanena amin'ny adala amin'ny fahadalany dia ratsy lavitra noho ny mifanena amin'ny bera very anaka.

Proverbs 17:13

Inona no tokony hataon'ny olona mialohan'ny hahavaky ny ady?

Tokony hanalavitra ny olona dieny tsy vaky ny ady.

Proverbs 17:15

Karazan'olona inona no ratsy fanahy amin'i Yaveh?

Ny olona izay manamarina ny olon-dratsy ary ny olona izay manameloka ny olo-marina dia ratsy fanahy amin'i Yaveh.

Proverbs 17:17

Inona no ataon'ny lehilahy tsy misy saina?

Ny lehilahy tsy misy saina manao fampanantenana mamatotra ho an'ny trosan'ny namany.

Proverbs 17:19

Inona no mahatonga ny olona hianjera amin'ny loza?

Ny lela mpamitaka no mahatonga ny olona hianjera amin'ny loza.

Proverbs 17:21

Inona no fanafody tsara?

Fanafody tsara ny fo miramirana.

Proverbs 17:25

Inona ny zanaka adala amin'ny rainy sy ny reniny?

Ny zanaka adala dia alahelo ho an'ny rainy ary fangidiana ho an'ny reniny?

Proverbs 17:27

Ahoana no mety hiheverana ny adala ho hendry?

Azo raisina ho hendry ny adala raha mangina.

Proverbs 18

Proverbs 18:1

Inona no tsy ahitan'ny adala fahafinaretana?

Ny adala dia tsy mahita fahafinaretana amin'ny fahazavan-tsaina.

Proverbs 18:3

Inona no tonga miaraka amin'ny olona ratsy fanahy?

Ny fanamavoana, henatra, ary fahafaham-baraka no tonga miaraka amin'ny olona ratsy fanahy.

Proverbs 18:5

Inona no entin'ny molotry ny adala ho azy?

Ny molotry ny adala dia mitondra ady ho azy.

Proverbs 18:7

Inona no tahaka ny sombin-kanina matsiro?

Ny tenin'ny mpifosa dia toy ny sombin-kanina matsiro.

Proverbs 18:9

Inona no tilikambo mahery?

Tilikambo mahery ny anaran'i Yaveh.

Proverbs 18:11

Toy ny toetran'ny olona mialohan'ny faharavany?

Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona.

Proverbs 18:13

Inona ny zavatra tena sarotra zakaina?

Ny fanahy torotoro no zavatra tena sarotra zakaina?

Proverbs 18:17

Iza no toa marina amin'ny voalohany?

Izay voalohany mitondra ny raharahany dia toa marina.

Proverbs 18:19

Inona no sarotra azo noho ny tanàna mahery?

Ny rahalahy tafintohina dia sarotra azo noho ny tanàna mahery.

Proverbs 18:21

Inona no fehezin'ny lela?

Ny fahafatesana sy aina no fehezin'ny lela.

Proverbs 18:23

Ahoana no hamalian'ny mpanan-karena ny hafa?

Ny olona manan-karena dia mamaly ny hafa an-kasiahana.

Proverbs 19

Proverbs 19:1

Inona no tsy maintsy hananan'ny olona ho fanampin'ny faniriana?

Tsy maintsy manam-pahalalana ny olona iray ho fanampin'ny faniriana.

Proverbs 19:5

Inona no hanjo ny vavolombelona sandoka?

Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina.

Proverbs 19:7

Inona no mitranga rehefa miantso ny namany ny olo-mahantra?

Rehefa miantso ny namany ny olo-mahantra, dia lasa mandeha izy ireo.

Inona no azon'ny olona izay tia ny ainy ihany?

Inona no azon'ny olona izay tia ny ainy ihany dia mahazo fahendrena.

Proverbs 19:11

Inona no ataon'ny olona malina rehefa tafintohina?

Tsy mijery ny fanafintohinana ny olona malina.

Proverbs 19:13

Inona no tahaka ny rano mitete tsy tapaka?

Ny vady mpifanditra dia toy ny rano mitete tsy tapaka.

Avy aiza ny vady hendry?

Avy amin'i Yaveh ny vady hendry.

Proverbs 19:17

Ahoana no ampisamboran'ny olona an'i Yaveh?

Izay miantra ny mahantra no mampisambotra an'i Yaveh.

Proverbs 19:19

Iza no tsy maintsy avotana fanindroany?

Ny olona be kizitina (tezitra) no tsy maintsy avotana fanindroany.

Ahoana no ahatongavan'ny olona ho hendry amin'ny fiafaran'ny fiainany?

Amin'ny fihainoana ny toro-hevitra sy fanekena ny fampianarana no ahatongavan'ny olona ho hendry amin'ny fiafaran'ny fiainany.

Proverbs 19:23

Inona no mitondra ny olona amin'ny fiainana?

Ny fanomezam-boninahitra an'i Yaveh no mitarika ny olona amin'ny fiainana.

Inona no tsy hain'ny malaina atao?

Ny malaina dia tsy afaka na dia ny hampiakatra ny tanany avy ao an-doviany ho ao am-bavany aza.

Proverbs 19:26

Inona no entin'ny zanaka izay mandroba ny rainy dy mandroaka ny reniny?

Ny zanaka izay mandroba ny rainy ary mandroaka ny reniny mitondra henatra sy fahafaham-baraka.

Proverbs 19:28

Inona no mahatonga ny fitsarana ho faniratsirana?

Ny vavolombelona mpivadika no mahatonga ny fitsarana ho faniratsirana.

Proverbs 20

Proverbs 20:1

Inona no manjo ny olona mampatezitra ny ny mpanjaka?

Izay mampahatezitra ny mpanjaka dia manary ny ainy.

Proverbs 20:3

Inona no iantsampazan'ny adala rehetra?

Ny adala rehetra dia miantsampy amin'ny fiadian-kevitra.

Proverbs 20:5

Karazan'olona inona no saro-tadiavina?

Saro-tadiavina ny olona mahatoky.

Proverbs 20:9

Inona ny zavatra izay tsy azo lazain'ny olona momba ny tenany?

Iza no afaka miteny ny amin'ny tenany hoe: "Efa nihazona ny foko hadio aho; afaka amin'ireo otako aho"

Proverbs 20:11

Amin'ny inona no ahafantarana ny tanora?

Na ny tanora aza dia fantatra amin'ny ataony.

Proverbs 20:13

Ny fitiavana ny inona no mitondra ny olona amin'ny fahantrana?

Ny fitiavana torimaso no mitondra ny olona amin'ny fahantrana.

Proverbs 20:15

Inona no tahaka ny firavaka sarobidy?

Ny molotry ny fahalalana dia tahaka ny firavaka sarobidy.

Proverbs 20:17

Toy ny ahoana ny tsiron'ny mofo azo tamin'ny fitaka afaka kelikely?

Feno vatokely ny tsiron'ny mofo azo tamin'ny fitaka afaka kelikely.

Proverbs 20:19

Inona no manjo ny olona izay manozona ny rainy na ny reniny?

Ho faty eo afovoan'ny aizina ny jiron'ny olona izay manozona ny rainy na ny reniny.

Proverbs 20:21

Raha tokony hamaly ratsy ny olona, inona kosa no tokony hatao?

Tokony hiandry an'i Yaveh hamonjy azy ny olona fa tsy mitady ny hamaly ny hafa kosa.

Proverbs 20:25

Inona no fandrika raha atao an-kamehana?

Fandrika ny manao voady an-kamehana.

Proverbs 20:27

Inona no miaro ny mpanjaka?

Tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no miaro ny mpanjaka.

Proverbs 20:29

Inona no voninahitry ny tovolahy?

Ny voninahitr'ireo tovolahy dia ny tanjany.

Proverbs 21

Proverbs 21:1

Inona avilin'i Yaveh amin'izay itiavany azy?

Ny fon'ny mpanjaka no avilin'i Yaveh amin'izay itiavany azy.

Proverbs 21:3

Inona no sitrak'i Yaveh noho ny sorona?

Izay manao ny marina sy mahitsy dia sitrak'i Yaveh kokoa mihoatra ny sorona.

Proverbs 21:5

Inona no manjo ny olona izay mihary harena amin'ny lela mandainga?

Matin'ny fandrika ny ny olona izay mihary harena amin'ny lela mandainga.

Proverbs 21:7

Nahoana ny ratsy fanahy no ho voafaoka?

Ho voafaoka ny ratsy fanahy satria mandà ny hanao izay rariny.

Proverbs 21:9

Inona no tsy hita eo amin'ny mason'ny ratsy fanahy?

Tsy hita eo amin'ny mason'ny ratsy fanahy ny fahatsarana.

Proverbs 21:11

Iza no mandray fahendrena rehefa faizina ny mpaniratsira?

Mandray fahendrena ny kely saina rehefa faizina ny mpaniratsira.

Proverbs 21:13

Inona no ataon'ny fanomezana mangingina?

Ny fanomezana mangingina dia mampitony ny hatezerana?

Proverbs 21:15

Aiza no hitsaharanízay mirenireny miala amin'ny fahazavan-tsaina?

Izay mirenireny miala amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina, dia hitsahatra ao amin'ny fiangonan'ny maty.

Proverbs 21:19

Aleo miaina aiza toy izay miaraka amin'ny vady mpifanditra?

Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miaraka amin'ny vady mpifanditra.

Proverbs 21:21

Inona no afaka harodana ny olon-kendry?

Ny olon-kendry dia afaka mandrodana ny ny fiarovana mafin'ny tanànan'ireo mahery.

Proverbs 21:23

Iza no anaran'ny olona miavonavona sy mirehareha?

Ny olona miavonavona sy mirehareha dia antsoina hoe "Mpaniratsira."

Proverbs 21:27

Karazana sorona inona no maharikoriko?

Maharikoriko ny sorona avy amin'ny ratsy fanahy.

Proverbs 21:30

Inona no tsy afaka mijoro hanohitra an'i Yaveh?

tsy misy fahendrena, fahalalana, na torohevitra afaka mijoro hanohitra an'i Yaveh.

Iza no manome fandresena amin'ny andron'ny ady?

Yaveh no manome fandresena amin'ny andron'ny ady.

Proverbs 22

Proverbs 22:1

Inona no itovian'ny manan-karena sy ny mahantra?

Yaveh no mpahary ny manan-karena sy ny mahantra.

Proverbs 22:3

Valisoa nohon'ny inona ny harena, voninahitra ary fiainana?

Valisoa nohon'ny tahotra an'i Yaveh ny harena, voninahitra ary fiainana.

Proverbs 22:5

Raha nampianarina ny lalana tokony halehany ny zaza, inona no tsy hataony rehefa lehibe?

Raha nampianarina ny lalana tokony halehany ny zaza, dia tsy hiala amin'izany fampianarana izay izy rehefa lehibe.

Proverbs 22:7

Inona no fifandraisana eo amin'izay mindrana sy izay mampindrana?

Izay mindrana dia ho andevon'izay nampindrana.

Proverbs 22:9

Inona no hitsahatra raha esorina ny mpaniratsira?

Hitsahatra ny fifandirana, ny ady, ary ny fanevatevana raha esorina ny mpaniratsira.

Proverbs 22:13

Inona no fialana ataon'ny kamo?

Ataon'ny kamo hoe misy liona any an-dalana mba ho fialana.

Inona hetsehin'izay tafalatsaka amin'ny vehivavy janga?

Manetsika ny fahatezeran'i Yaveh ireo izay tafalatsaka amin'ny vehivavy janga.

Proverbs 22:15

Inona no manala ny adalana amin'ny zaza?

Ny tsorakazo famaizana no manala ny adalana amin'ny zaza.

Proverbs 22:17

Amin'iza no tokony hitokian'ny olona?

Amin'i Yaveh no tokony hitokian'ny olona.

Proverbs 22:22

Inona no tsy azo atao amin'ny mahantra sy ory?

Aoka tsy ho robaina ny mahantra sy ory.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo izay mandroba ny mahantra?

Ho robain'i Yaveh ny ain'ireo izay mandroba ny mahanatra.

Proverbs 22:24

Nahoana ny olona no tsy tokony hisakaiza amin'ny olona fehezin'ny fahatezerana?

Tsy tokony hisakaiza amin'ny olona fehezin'ny fahatezerana ny olona satria hianatra ny fanaony io olona io ary ho voasingotra anaty fandrika.

Proverbs 22:26

Mety ho very inona ny olona iray raha tsy afa-mandoa trosa?

Mety ho very ny fandrian'ny olona iray raha tsy afa-mandoa trosa.

Proverbs 22:28

Inona no tsy azo ahisaka?

Tsy azo ahisaka ny fefy vato fahizay izay efa napetraky ny razana.

Proverbs 23

Proverbs 23:1

Rahoaviana ny olona no tokony handinika tsara izay eo anoloany?

Rehefa mipetraka hihinana miaraka amin'ny mpanapaka ny olona no tokony handinika tsara izay eo anoloany.

Proverbs 23:4

Inona no hain'ny hendry atao?

Ny olon-kendry dia mahalala ny fotoana hitsaharana amin'ny asa mafy mba hanan-karena.

Inona no mitranga rehefa mampirehitra ny masony amin'ny vola ny olona?

Rehefa mampirehitra ny masony amin'ny vola ny olona, dia lasa izany.

Proverbs 23:6

Nahoana no tsy aminao ny fon'ny olon-dratsy rehefa manasa anao hihinana sy hisotro izy?

Tsy aminao ny fon'ny olon-dratsy satria minisa vidin-kanina izy.

Proverbs 23:9

Ahoana no asetrin'ny adala ny teny hendry?

Amavoin'ny adala ny teny hendry.

Iza no hisolo vava ny kamboty?

Ny Mpanavotra maherin'izy ireo no hisolo vava ny kamboty.

Proverbs 23:13

Inona no tsy tokony ho tsitsitsitsiana amin'ny zaza?

Tsy tokony ho tsitsitsitsiana amin'ny zaza ny famaizana.

Proverbs 23:15

Inona no maharavoravo ny ray any anatiny lalina indrindra?

Rehefa milaza izay marina ny zanany, dia ravoravo any anatiny lalina indrindra ny ray.

Proverbs 23:19

Iza no tsy tokony hikambanan'ny olona?

Tsy tokony hikambana amin'ny mamolava sy ny tenda-kanina ny olona.

Proverbs 23:22

Inona no tokony ho vidian'ny olona?

Tokony hividy fahamarinana, fahendrena, fananarana, ary fahazavan-tsaina ny olona.

Proverbs 23:26

Inona no tokony homen'ny zanaka ny rainy?

Tokony homen'ny zanaka ny rainy ny fony.

Inona no ampitomboin'ny vadin'olon-kafa eo amin'ny zanak'olombelona?

Mampitombo ny isan'ireo mpamadika eo amin'ny zanak'olombelona ny vadin'olon-kafa.

Proverbs 23:29

Iza no misy ozona sy ady?

Ireo izay mifikitra amin'ny divay no misy ozona sy ady.

Proverbs 23:31

Inona no hitan'ny mason'izay mijery ny divay rehefa mena izany?

Mahita zavatra hafahafa ny mason'izay mijery ny divay rehefa mena izany.

Proverbs 23:34

Inona hoy ny mamolava no hataony rehefa mifoha?

Hitady ho sotroina indray izy hoy ny mamolava rehefa mifoha.

Proverbs 24

Proverbs 24:1

Tsy tokony hialona an'iza ny olona?

Tsy tokony hialona an'ireo mpanao ratsy ny olona.

Proverbs 24:3

Amin'ny inona no anorenana ny trano?

Amin'ny fahazavan-tsaina no anorenana ny trano.

Proverbs 24:5

Aleo inona toy izay olona mahery?

Aleo olona manam-pahalalana toy izay olona mahery.

Proverbs 24:8

Ahoana no iantsoan'ny olona an'izay mitetika hanao ratsy?

Tompon'ny tetika no iantsoan'ny olona an'izay mitetika hanao ratsy.

Proverbs 24:10

Ahoana no isehona'ny herin'ny olona ho kely?

Raha mampiseho ny hakanosany amin'ny andro fahoriana ny olona iray, dia mampiseho ny heriny ho kely izy.

Proverbs 24:11

Inona no omen'Andriamanitra ny olona tsirairay?

Izay mendrika azy no omen'Andriamanitra ny olona tsirairay.

Proverbs 24:15

Inona no anotrehan'ny ratsy fanahy mba hataony?

Manotrika mba hanafika ny tranon'izay manao ny marina ny ratsy fanahy

Proverbs 24:17

Inona no hataon'i Yaveh raha misy olona mifaly amin'ny fahalavoan'ny fahavalony?

Ho hitan'i Yaveh izany ary tsy ho ankasitrahany ka ho esoriny amin'ilay fahavalo ny fahatezerany.

Proverbs 24:19

Inona no manjo ny jiron'ny ratsy fanahy?

Maty ny jiron'ny ratsy fanahy.

Proverbs 24:21

Tsy tokony hikambana amin'iza ny olona?

Tsy tokony hikambana amin'ireo izay mikomy amin'ny mpanjaka ny olona.

Proverbs 24:24

Inona no hanjo an'izay miteny amin'ny ratsy fanahy hoe: "Olo-marina ianao"?

Hozonin'ny vahoaka izany olona izany ary ho halan'ny firenena.

Proverbs 24:26

Inona no tahaka ny oroka eo amin'ny molotra?

Ny valin-teny amin-kitsim-po dia tahaka ny oroka eo amin'ny molotra.

Proverbs 24:28

Inona no tsy tokony ho lazain'ny olona mahakasika ny rahalahiny?

Tsy tokony hilaza ny olona fa hamaly izay nataon'ny namany.

Proverbs 24:30

Toy ny ahoana ny sahan'ny kamo?

Teny amin'ny ny sahan'ny kamo, dia naniry ny tsilo, feno amiana ny tany, ary nirodana ny manda.

Proverbs 24:32

Inona no tonga amin'ny olo-malaina tahaka ny mpangalatra?

Tonga amin'ny olo-malaina tahaka ny mpangalatra ny fahantrana.

Proverbs 25

Proverbs 25:1

Iza no nanoratra ity ohabolana ity?

Solomona mpanjaka no nanoratra ity ohabolana ity.

Voninahitr'Andriamanitra ny manao inona?

Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra.

Proverbs 25:4

Ahoana no anorenana ny seza fiandriananan'ny mpanjaka?

Amin'ny fanesorana ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka no anorenana ny seza fiandriananan'ny mpanjaka.

Proverbs 25:7

Inona no tsara noho ny mitsangana eo amin'ny toerana voatokana ho an'ny lehibe?

Tsara kokoa raha miteny aminao ny mpanjaka hoe: "Miakara ety," toy izay mitsangana eo amin'ny toerana voatokana ho an'ny lehibe.

Raha nanatri-maso zavatra nataon'ny namanao ianao, nahoana no tsy tokony halaky hitondra izany any amin'ny fitsarana ianao?

Tsy tokony halaky hitondra izany any amin'ny fitsarana ianao satria mety hanala baraka anao ny namanao.

Proverbs 25:13

Inona no ataon'ny iraka mahatoky amin'ny tompony?

Mamelombelona ny ain'ny tompony ny iraka mahatoky.

Proverbs 25:15

Amin'ny inona no afahafana mandresy lahatra ny mpanapaka?

Amim-paharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpanapaka?

Proverbs 25:16

Ahoana no mety ahatofoka ny namanao anao?

Mety ho tofoka anao ny namanao raha miditra ao an-tranony matetika loatra ny tongotrao.

Proverbs 25:18

Inona no tahaka ny tongotra mibolisatra?

Ny olona tsy mahatoky izay itokianao dia tahaka ny tongotra mibolisatra.

Proverbs 25:21

Inona no tokony hataona amin'ny fahavalonao?

Tokony homenao sakafto hohanina sy rano ho sotroina ny fahavalonao.

Ataon'i Yaveh inona izay manome sakafo sy rano ho an'ny fahavalony?

Ho valian'i Yaveh soa izay manome sakafo sy rano ho an'ny fahavalony.

Proverbs 26

Proverbs 26:1

Inona no tsy midina eo amin'ny olona?

Ny ozona tsy sahaza no tsy midina eo amin'ny olona?

Proverbs 26:3

Ho lasa inona ny olona raha mikambana amin'ny adalan'ny adala?

Ho lasa adala izay mikambana amin'ny adalan'ny adala.

Proverbs 26:5

Inona no tahaka ny fanapahana ny tongotr'olona iray?

Ny fandefasana hafatra amin'ny tanan'ny adala dia tahaka ny fanapahana ny tongotr'olona iray.

Proverbs 26:9

Inona izay manakarama adala?

Izay manakarama adala dia tahaka ny mpandefa tsipìka izay mandratra ny rehetra.

Proverbs 26:11

Nahoana ny adala no tahaka ny alika rehefa miverina amin'ny loany?

Tahaka ny alika miverina amin'ny loany ny adala satria mamerina ny adalany.

Proverbs 26:13

Toy ny inona ny varavarana mihodina eo amin'ny saviliny?

Ny varavarana mihodina eo amin'ny saviliny dia tahaka ny olona kamo eo amin'ny fandriany.

Proverbs 26:15

Toy ny ahoana ny olona kamoeo imasony ihany?

Ny olona kamo dia hendry eo imasony ihany noho ny olona fito miaraka amin'ny fahaiza-manavaka.

Proverbs 26:18

Inona no lazain'ny olona aorian'ny amitahany ny namany?

Hoy ny olona hoe: "Tsy nivazivazy ve aho?" aorian'ny amitahany ny namany.

Proverbs 26:20

Inona no arehitry ny olona tia ady?

Ny olona tia ady dia mandrehitra fifandirana.

Proverbs 26:24

Ahoana no anarontsaronan'ny olona ny fankahalany ny hafa?

Amin'ny molotra no anarontsaronan'ny olona ny fankahalany ny hafa.

Proverbs 26:27

Inona no manjo ny olona mihady lavaka?

Izay mihady lavaka no hianjera ao amin'izany.

Mitondra inona ny molotra mandoka?

Ny molotra mandoka dia mitondra faharavana.

Proverbs 27

Proverbs 27:1

Nahoana ny olona no tsy tokony hirehareha ny amin'ny ampitso?

Tsy tokony hirehareha ny amin'ny ampitso ny olona satria tsy fantany izay mety ho entin'ny anio.

Proverbs 27:3

Inona no mavesatra noho ny lanjan'ny fasika?

Mavesatra noho ny lanjan'ny fasika ny fihantsian'ny adala.

Proverbs 27:5

Inona no mety ataon'ny fahavalo mnba hamitahana anao?

Mety hanoroka mitafotafo anao ny fahavalo mba hamitahana anao.

Proverbs 27:7

Mamy amin'iza ny zava-mangidy rehetra?

Amin'ny olona noana dia mamy amin'iza ny zava-mangidy rehetra.

Proverbs 27:9

Inona no tsara noho ny rahalahy lavitra any?

Tsaranoho ny rahalahy lavitra any ny namana.

Proverbs 27:11

Inona no ataon'ny olona mailo rehefa mahatsinjo loza?

Ny lehilahy mailo dia miafina rehefa mahatsinjo loza.

Proverbs 27:13

Rahoviana ny tso-drano izay vazavazaina no raisina ho ozona?

Vao maraim-be, ny tso-drano izay vazavazaina no raisina ho ozona.

Proverbs 27:15

Inona no tahaka ny mihazona rivotra?

Ny mihazona vady mpifanditra dia tahaka ny mihazona rivotra.

Proverbs 27:17

Inona no tahaka ny vy mandranitra vy?

Ny olona mandranitra ny namany dia tahaka ny vy mandranitra vy.

Proverbs 27:19

Inona no tsy mety afa-po, tahaka ny Fandringanana?

Ny mason'ny olona no tsy mety afa-po, tahaka ny Fandringanana.

Proverbs 27:21

Na inona azy tsy hanala ny fahadalana amin'ny adala?

Na totoina amin'ny fanoto aza tsy hanala ny fahadalana amin'ny adala.

Proverbs 27:23

Maharitra mandra-pahoviana ny harena?

Tsy maharitra mandrakizay ny harena.

Proverbs 27:26

Inona no omen'ny ondry ho an'ny ankohonana?

Manome fitafiana ho an'ny ankohonana ny ondry.

Proverbs 28

Proverbs 28:1

Iza no mitsoaka na tsy misy manenjika azy akory aza?

Mandositra ny ratsy fanahy raha tsy misy olona manenjika azy akory.

Proverbs 28:3

Iza no derain'ireo izay mahafoy ny lalàna?

Ireo izay mahafoy ny lalàna dia midera olona ratsy fanahy.

Proverbs 28:5

Inona no manan-danja kokoa, vola sa fahitsiana?

Ny fahitsiana no manan-danja noho ny vola.

Proverbs 28:7

Inona no mahazo ny haren'ny olona izay tonga mpanan-karena amin'ny fampandoavana zana-bola be loatra?

Homena ny hafa izay hangoraka ny mahantra ny hareny.

Proverbs 28:9

Iza no hilatsaka anaty lavany ihany?

Ny olona izay mamily lalana ny mahitsy ho any amin'ny lalan-dratsy dia hilatsaka anaty lavany ihany.

Proverbs 28:11

Ahoana no asetrin'ny olona rehefa mitsangana ny ratsy fanahy?

Miafina olona rehefa mitsangana ny ratsy fanahy.

Proverbs 28:13

Ahoana no ahazoan'ny mpanota famindrampo?

Ny mpanota izay miaiky sy mahafoy ny fahotany no hahazo famindrampo.

Proverbs 28:15

Ahoana no hahalava ny andron'ny mpanapaka?

Raha mankahala ny tsy fahamarinana ny moanapaka dia ho lava ny androny.

Proverbs 28:17

Inona no hahatonga ny olona ho mpitsoa-ponenana mandra-pahafatiny?

Ny fandatsahana ràn'olona dia hahatonga ny olona ho mpitsoa-ponenana mandra-pahafatiny.

Proverbs 28:19

Ahoana no hahazoan'ny olona fahantrana be dia be?

Raha manenjika zava-poana ny olona iray, dia hahazo fahantrana be dia be.

Proverbs 28:21

Ahoana no hanenjehan'ny olona kahihitra harena?

Ny olona kahihitra dia manenjika harena faingana.

Proverbs 28:25

Inona no vokatry ny fatokiana an'i Yaveh?

Izay matoky an'i Yaveh dia hambinina.

Proverbs 28:27

Inona no ho azon'izay mihirim-belona amin'ny mahantra?

Ny olona izay mihirim-belona amin'ny mahantra dia hahazo fanozonana be dia be.

Proverbs 29

Proverbs 29:1

Inona ny manjo ny olona izay manamafy ny hatony taorian'ny fananarana maro?

Ny olona izay manamafy ny hatony taorian'ny fananarana maro dia ho rava tsy misy fanasitranana.

Proverbs 29:3

Inona no manimba ny haren'ny olona?

Ny fiarahana amin'ny mpijangajanga no manimba ny haren'ny olona.

Proverbs 29:5

Inona no mahatonga ny olona ho voan'ny fandrika?

Ny fahotany ihany no mahatonga ny olona ho voan'ny fandrika.

Proverbs 29:7

Karazan'olona inona no mamily fahatezerana?

Ny olon-kendry no mamily fahatezerana.

Proverbs 29:9

Iza no tadiavin'ny lian-drà ho vonoina?

Ny lian-drà dia mifofo ny ain'ny marina.

Proverbs 29:11

Inona no ataon'ny hendry amin'ny fahatezerany?

Ny olon-kendry dia mitàna ny hatezerany ary mampitony ny tenany.

Proverbs 29:13

Ahoana no anorenan'ny mpanjaka ny seza fiandrianany mandrakizay?

Amin'ny fitsarana ny mahantra amin'ny fahamarinana no anorenan'ny mpanjaka ny seza fiandrianany.

Proverbs 29:17

Inona no vokatry ny famehezana ny zaza?

Ny zaza voafehy dia manome fitsaharana ny ray aman-dreniny.

Raha tsy mitandrina ny lalàna ny olona, dia inona no ataon'izy ireo?

Raha tsy mitandrina ny lalàna ny olona, dia lasa mihabiby.

Proverbs 29:19

Inona no ratsy lavitra noho ny adala?

Ny olona faingam-piteny no ratsy lavitra noho ny adala.

Proverbs 29:23

Karazan'olona inona no omena voninatra?

Izay manana fanahy mietry kosa dia homem-boninahitra.

Proverbs 29:25

Inona no ataon'i Yaveh amin'izay matoky Azy?

Arovan'i Yaveh izay matoky azy.

Proverbs 29:27

Iza no fahavetavetana amin'izay manao ny marina?

Ny olona tsy marina dia fahavetavetana ho an'ny olona manao ny marina.

Proverbs 30

Proverbs 30:1

Tenin'iza no voasoratra ato amin'ity ohabolana ity?

Ny tenin'i Agora zanak'i Jake no voasoratra ato amin'ity ohabolana ity.

Inona no tsy nianaran'ny mpanoratra?

Tsy nianatra fahendrena ny mpanoratra.

Proverbs 30:5

Inona no hanjo ny olona izay manampy ny tenin'Andriamanitra?

Ho faizin'Andriamanitra izay manampy ny tenin'Andriamanitra.

Proverbs 30:7

Maniry ny hanan-karena tahaka ny ahoana ny mpanoratra?

Tsy maniry na fahantrana na harena ny mpanoratra.

Inona no atahoran'ny mpanoratra ho ataony raha manan-karena izy?

Matahotra ny mpanoratra sao handà an'i Yaveh raha manan-karena.

Proverbs 30:11

Iza no tsy voasasa tamin'ny lotony?

Ny taranaka manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny no tsy voasasa tamin'ny lotony.

Proverbs 30:13

Inona no ataon'ny taranaka miavonavona amin'ny mahantra?

Mandrapaka ny mahantra ny taranaka miavonavona.

Proverbs 30:15

Inona ireo zavatra efatra izay tsy mba miteny mihitsy hoe "ampy izay"?

Ny zavatra efatra izay tsy mba milaza hoe "ampy izay" dia ny Fiainan-tsy hita, ny kibo momba, ny tany vonton-dano, ary ny afo.

Proverbs 30:18

Inona no zavatra faharoa izay tsy takatry ny mpanoratra satria mahagaga loatra?

Tsy takatry ny mpanoratra ny lalan'ny bibilava eny amin'ny vatolampy.

Proverbs 30:21

Inona ny zavatra voalohany izay ambaran'ny mpanoratra fa mahatonga ny tany hihovitrovitra?

Ny andevo raha tonga mpanjaka no zavatra voalohany mahatonga ny tany hihovitrovitra.

Proverbs 30:27

Inona no mahagagan'ny mpanoratra amin'ny valala?

Mahagaga ny valala satria tsy manana mpanjaka, kanefa mirindra milahatra tsara ny diany.

Proverbs 30:29

Inona no tsy miery na amin'ny inona na inona?

Ny liona no tsy miery na amin'ny inona na inona.

Proverbs 30:32

Inona no tokony hataon'ny olona izay namisavisa ratsy?

Ny olona izay namisavisa ratsy dai tokony hametraka ny tanany eo am-bavany.

Inona no ateraky ny hatezerana?

Ny hatezerana dia miteraka ady.

Proverbs 31

Proverbs 31:1

Iza no nanoratra a'ity ohabolana ity?

Lemoela mpanjaka no nanoratra a'ity ohabolana ity?

Tsy tokony homen'ny mpanjaka an'iza ny lalany?

Tsy tokony homeny ho an'izay mamotika ny mpanjaka an'iza ny lalany.

Proverbs 31:4

Inona no adinoin'ireo mpanapaka rehefa misotro zava-pisotro mahery?

Adinoin'ireo mpanapaka izay efa voadidy rehefa misotro zava-pisotro mahery izy ireo.

Proverbs 31:6

Inona no adinoin'ireo izay anaty fahoriana mangidy rehefa misotro zava-pisotro mahery?

Adinoin'ireo izay anaty fahoriana mangidy ny fahoriany rehefa misotro zava-pisotro mahery.

Proverbs 31:8

Iza no tokony ho soloin'ny mpanjaka vava?

Ny mahantra sy ory no tokony ho soloin'ny mpanjaka vava.

Proverbs 31:10

Inona no sarobidy noho ny firavaka?

Ny vehivavy mahay dia sarobidy noho ny firavaka.

Inona no ataon'ny vehivavy mahavita azy amin'ny androm-piainany rehetra?

Manao soa amin'ny vadiny izy afa tsy ratsy amin'ny androm-piainany rehetra.

Proverbs 31:13

Amin'ny inona ny vehivavy mahavita azy no mifoha?

Mifoha izy raha mbola alina.

Proverbs 31:16

Mitafy amin'ny inona ny vehivavy mahavita azy?

Mitafy hery ny vehivavy mahavita azy.

Proverbs 31:20

Manatsotra ny tanany amin'iza ny vehivavy mahavita azy?

Manatsotra ny tanany amin'ny mahantra sy ory izy.

Proverbs 31:22

Aiza no mipetraka ny vadin'ny vehivavy mahavita azy?

Mipetraka miaraka amin'ireo loholona eny amin'ny vavahady ny vadiny.

Proverbs 31:26

Inona no eo amin'ny lelan'ny vehivavy mahavita azy?

Ny lalàn'ny hatsaram-panahy no eo amin'ny lelan'ny vehivavy mahavita azy.

Proverbs 31:28

Ahoana no iantsoan'ny zanany an'ilay vehivavy mahavita azy?

Miantso azy hoe voatahy ny zanany.

Proverbs 31:30

Karazam-behivavy toy ny inona no ho deraina?

Ny vehivavy izay matahotra an'i Yaveh no ho deraina.