Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Titus 1

Titus 1:1

Inona no tanjon'i Paoly amin'ny asan'Andriamanitra?

Ny tanjon'i Paoly dia ny hametraka ny finoana voafidin'Andriamanitra sy ny hametraka ny fahalalana ny fahamarinana.

Oviana no mpanantenain'Andriamanitra ny fiainana mandrakizay tamin'ny safidiny?

Nampanantenainy fony fahagola izany.

Afaka mandainga va Andriamanitra?

Tsia.

Iza no nampiasain'Andriamanitra mba hanaovany ny hafatra hita tamin'ny fotoana mety?

Nampiasa ireo Apostolin'i Paoly Andriamanitra.

Titus 1:4

Inona no fifandraisana teo amin'i Titosy sy Paoly?

Titosy dia zanaka marin'i Paoly ao amin'ny finoana hiombonantsika.

Titus 1:6

Inona no tokony marina ao amin'ny fiainam-pianakavian'ny loholona?

Tokony ho vadin'ny vehivavy iray izy, miaraka amin'ny zanaka mahatoky sy hendry.

Inona avy ireo toetra izay tokony hialan'ireo loholona mba hialana amin'ny fananan-tsiny?

Tsy tokony hahery fiteny na mirehareha izy. Tsy tokony ho mora tezitra, tsy mpimamo, tsy lian'ady, ary tsy olona tia vola.

Ao amin'Andriamanitra, inona no toerana sy andraikitra hananan'ny mpitandrina?

Izy no mpanao ny asan'Andriamanitra.

Titus 1:8

Inona no tokony toetra tsara ananan'ny loholona?

Ny loholona dia tokony hampiantrano, sakaizan'izay tsara, mahonon-tena, marina, masina, ary mahafehy tena.

Inona no tokony toetran'ny loholona manoloana ireo fotom-pampianarana (fampianarana) ny finoana?

Tokony hitana mafy azy ireo izy, ary afaka mampiasa azy ireo hampaherezana sy hiteny mafy azy ireo.

Titus 1:10

Inona hataon'ireo mpampianatra sandoka amin'ny fampiasana ireo teniny?

Mandiso fanantenana ny olona izy ireo ary mandrava ny fianakaviana.

Inona no mandrisika ireo mpampianatra sandoka?

Ampirisihan'ny harena maloto izy ireo.

Titus 1:12

Ahoana ny fomba hitondrana ireo olona tsy voafehy izay manimba ny fiangonana?

Tokony hitsara mafy azy ireo izy, mba hatanjaka amin'ny finoana.

Titus 1:14

Momba ny inona no nolazain'i Paoly fa tsy tokony hanarina fotoana?

Tsy tokony hanary fotoana amin'ireo anganon'ny Jiosy na ireo didin'ny olona.

Titus 1:15

Ao amin'ny olona tsy mino, inona no maloto?

Ny saina sy ny fieritretretany no maloto.

Na dia mibebaka aza ilay olona maloto mba hahafantatra an'Andriamanitra, ahoana ny fomba nandavany azy?

Mandà an'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo asa izy.

Titus 2

Titus 2:1

Inona avy ireo toetra tokony hamaritana ireo olona efa nahazo taona?

Tokony hahay hitondra tena, maontina, mahonon-tena, matanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, ary amin'ny faharetana izy ireo.

Titus 2:3

Inona ireo toetran'ny vehivavy antitra ao amin'ny fiangonana ka tokony atao miharihary?

Tokony habaribarin'izy ireo ny fitondran-tena, tsy mifosa, tokony mahono-tena, sy mampianatra izay tsara izy ireo.

Inona no tokony hampianarin'ireo vavy antitra amin'ny ireo vavy tanora?

Tokony hampianatra fitiavana sy ny fankatoavana an'ireo vadiny izy ireo, mba hitia ny zanaka, hahonon-tena, hadio, hikarakara tokantrano tsara.

Titus 2:9

Ahoana no tokony fitondran-tenan'ireo andevo izay mpino?

Tokony hankato ireo tompony izy ireo, tsy mangalatra azy ireo, ary tokony hampiseho finoana tsara.

Rehefa nitondra-tena toy ny nampianaran'i Paoly ireo andevo, dia inona no vokatra azo avy amin'izany?

Manao ny fampianaran'Andriamanitra ho mpamonjy manintona antsika amin'ny hafa.

Titus 2:11

Ahoana ny fomba hamonjen'ny voninahitr'Andriamanitra?

Afaka mamonjy ny olona rehetra ny vonihatr'Andriamanitra.

Ahoana ny fomba hitaritan'ny voninahitr'Andriamanitra antsika handà?

Mitarika antsika handà ny tsy araka an'Andriamanitra sy ny filàn'izao tontolo izao ny voninahitr'Andriamanitra.

Inona no zavatra hiseho ho avy izay handrasan'ireo mpino ho raisina?

Maindry fatratra ny fisehoan'ny voninahitry ny Andriamanintsika lehibe sy Mpamonjy Jesosy Kristy ireo mpino.

Titus 2:14

Nahoana no nanolotra ny tenany ho antsika i Jesosy?

Nanolotra ny tenany ho antsika izy mba hanavotra antsika hiala amin'ny tsy fanarahan-dalàna, ary hanadio ny olona iray mazoto hanao asa tsara.

Titus 3

Titus 3:1

Inona no tokony toetra ny mpino manoloana ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana?

Ny mpino iray dia tokony hanaiky sy hankato, ho vonona amin'izay asa rehetra.

Titus 3:3

Inona no mitarika amin'ny lalan-diso sy ny fanandevozana an'ireo tsy mpino?

Ny filàna sy ny fahafinaretana no mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso.

Titus 3:4

Avy amin'ny alalan'ny inona no hamonjen'Andriamanira antsika?

Namonjy antsika tamin'ny alalan'ny fanadiovan'ny fahateraham-baovao sy ny fanavaozana tamin'ny Fanahy Masina.

Voavonjy va isika noho ny asa tsara izay nataontsika, na noho ny hatsaram-panahin'Andriamanitra?

Voavonjy isika noho ny hatsarm-panahin'Andriamanitra.

Titus 3:6

Taorian'ny nanamarihana antsika, inona no nanaovan'Andriamanitra antsika?

Nanao antsika ho mpandova Andriamanitra.

Titus 3:8

Inona no tokony hataon'ireo mpino mba hametraka ny sain'izy ireo?

Tokony hametraka ny sainy amin'ny asa tsara izay napetraka Andriamanitra teo anatrehan'izy ireo ho hatao.

Titus 3:9

Inona no tokony hialan'ireo mpino?

Tokony hiala amin'ny adihevitra adala ireo mpino.

Iza no tokony holavina aorian'ny fampitandremana iray na roa?

Na iza na iza mahatonga ny fizarana eo amin'ny ireo mpino dia tokony holavina aorian'ny fampitandremana iray na roa.