Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 John 1

1 John 1:1

Inona no nolazain'i Jaona fa avy amin'ny fiandohana?

Milaza i Jaona fa ny tenin'ny fiainana no efa hatramin'ny fiandohana.

Avy amin'ny inona no nahafantaran'i Jaona momban'nyTenin'ny fiainana?

I Jaona dia nandre, nahita, nandinika ary nihazona ny Tenin'ny fiainana.

Aiza no misy ny Tenin'ny fiainana talohan'ny nanehoan'i Jaona izany?

Niaraka tamin'ny Ray ny Tenin'ny fiainana talohan'ny nanehoan'i Jaona izany.

1 John 1:3

Nahoana no ambaran'i Jaona izay hitany sy reny?

Manambara izay hitany sy reny i Jaona mba hananan'ny hafa fifandraisana aminy.

Amin'iza no efa hananan'i Jaona fifandraisana?

Efa manana fifandraisana amin'ny Ray sy ny Zanany, i Jesosy Kristy i Jaona.

1 John 1:5

Inona no hafatra avy amin'Andriamanitra izay ambaran'i Paoly amin'ireo mpamaky?

I Jaona dia manambara ny hafatra fa Andriamanitra dia fahazavana, ary ao aminy dia tsy misy haizina mihitsy.

Inona no lazain'i Jaona momba ny olona izay milaza fa manana fifandraisana amin'Andriamanitra, kanefa mandeha ao anatin'ny haizina?

Nilaza i Paoly fa ny olona toy ireny dia mpandainga ary tsy manao ny marina.

Ho an'ireo izay mandeha ao amin'ny fahazavana, inona ny fanadiovana azy ireo amin'ny fahotana rehetra?

Ny ràn'i Jesosy no manadio azy ireo amin'ny fahotana rehetra.

1 John 1:8

Inona no lazain'i Jaona momban'ny olona iray izay milaza fa tsy manana fahotana?

Milaza i Jaona fa ny olona toy izany dia mamitaka ny tenany ary ny fahamarinana dia tsy ao aminy.

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ireo izay mibebaka amin'ny fahotan'izy ireo?

Ho an'ireo izay mibebaka amin'ny fahotan'izy ireo, dia hamela ny fahotan'izy ireo Andriamanita ary hanadio azy ireo amin'ny tsy fahamarinana rehetra.

1 John 2

1 John 2:1

Fahotan'iza no nanaovan'i Jesosy Kristy Sorona?

Jesosy Kristy no sorona ho an'ny fahotan'izao tontolo izao.

Ahoana no nahafantarana fa fantatsika i Jesosy Kristy?

Mahafantatra an'i Jesosy isika raha mitandrina ny didiny.

1 John 2:4

Olona toy ny ahoana no olona milaza fa mahafantatra an'Andriamanitra, nefa tsy mitazona ny didin'Andriamanitra?

Ny olona izay milaza fa mahafantatra an'Andriamanitra, nefa tsy mitazona ny didin'Andriamanitra, dia mpandainga.

Ahoana no tokony fandehan'ny mpino?

Tokony handeha tahaka ny nandehanan'i Kristy ireo mpino.

1 John 2:9

Inona no toetra ara-panahin'ny olona izay milaza fa ao amin'ny fahazavana izy, nefa mankahala ny rahalahiny?

Ao amin'ny haizina ny olona izay milaza fa ao amin'ny fahazavana izy, nefa mankahala ny rahalahiny.

1 John 2:12

Nahoana no mamela ireo fahotan'ireo mpino Andriamanitra?

Mamela ny fahotan'ireo mpino Andriamanitra ho an'ny anaran'i Kristy.

1 John 2:15

Inona lazain'i Jaona amin'ny tokony ho toetran'ireo mpino manoloana ireo zavatra eto amin'izao tontolo izao?

Milaza izy fa tsy tokony mitia an'izao tontolo izao na ireo zavatra eto amin'izao tontolo izao ny mpino.

Inona avy ireo zavatra telo eto amin'izao tontolo izao izay nantsoin'i Jaona tsy avy amin'ny Ray?

Niantso ny filàn'ny nofo izy, ny filàn'ny maso, ary ny fieboebon'ny fiainana-izay tsy avy amin'ny Ray fa avy amin'izao tontolo izao izy.

1 John 2:18

Ahoana ny fomba nilazan'i Jaona fa ity no ora farany?

Nilaza izy fa fantany ny ora farany satria efa tonga ny antiKristy maro.

Iza no lazain'i Paoly fa ho avy?

Milaza izy fa efa ho tonga ny antikrista.

1 John 2:22

Inona no ataon'ireo antiKristy ka tsy afaka hahafantarantsika azy?

Mandà ny Ray sy ny Zanaka ny AntiKristy.

Moa va afaka ny olona mandà ny Zanaka manana Ray?

Tsia, ny olona mandà ny zanaka dia tsy manana ny Ray.

1 John 2:24

Inona no lazain'i Jaona hataon'ireo mpino mba hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ao amin'ny Ray?

I Jaona dia milaza an'ireo mpino mba hitoetra ao amin'izay ren'izy ireo hatramin'ny fiandohana.

Inona no fampanantenana nomena an'ireo mpino tamin'ny alalan'Andriamanitra?

Nampanantena ny fiainana mandrakizay an'ireo mpino Andriamanitra.

1 John 2:27

Inona no toetra ho hananan'ireo izay mitoetra ao amin'ny Zanaka rehefa hiseho amin'ny fahatongavany i Kristy?

Ireo izay mitoetra ao amin'ny zanaka dia hanana fahasahiana ary tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fiaviany.

1 John 3

1 John 3:1

Inona no nomen'ny Ray an'ireo mpino nohon'ny fitiavany?

Ilay Ray dia nanome azy ireo ny anarana hoe zanak'Andriamanitra.

Inona no hiseho amin'ireo mpino rehefa hiseho i Kristy?

Rehefa hiseho i Kristy, dia ho toa an'i Kristy ireo mpino, ary hahita azy tahaka Azy.

Inona no hirin'ireo mpino rehetra izay manantena ao amin'i Kristy mikasika ny tenany?

Ireo mpino rehetra izay maniry ao amin'i Kristy dia manadio ny tenany.

1 John 3:4

Inona no tsy hanan'i Kristy ao aminy?

Tsy manana ota ao aminy i Kristy.

Inona no fifandraisana amin'Andriamanitra hananan'izay olona manohy ny ota?

Na iza na iza manohy ny ota dia tsy hahita an'i Kristy, na hahafantatra Azy.

1 John 3:7

Inona no antony nampisehoana ny Zanak'Andriamanitra?

Naseho mba hanimbana ny asan'ny devoly ny Zanak'Andriamanitra.

1 John 3:9

Ahoana ny fomba nampisehoana ireo zanak'Andriamanitra sy ireo zanaky ny demonia?

Naseho ireo zanak'Andriamanitra raha nanao ny fahamarinana izy ireo, ary naseho ny zanaky ny devoly raha nanota izy ireo.

1 John 3:11

Ahoana ny fomba nanehoan'i Kaina fa zanaky ny devoly izy?

I Kaina di naneho fa zanaky ny ratsy izy rehefa namono ny rahalahiny izy.

1 John 3:13

Amin'ny inona no nilazan'i Paoly fa tsy tokony hahagaga ireo mpino?

Nilaza i Paoly fa tsy tokony hahagaga ireo mpino ny fanakahalan'ny tany azy ireo.

Inona no toetra manoloana ireo mpino ka maneho fa ny olona iray dia zanak'Andriamanitra?

Ny toetran'ny fitiavana manoloana ireo mpino no maneho fa ny olona iray dia zanak'Andriamanitra.

1 John 3:16

Ahoana ny fomba ahalalantsika ny fitiavana?

Mahafantatra ny atao hoe fitiavana isika satria nanolotra ny ainy ho antsika i Kristy.

Rehefa misy ny rahalahy mila fanampiana, ahoana ny fomba hanehoan'ireo mpino ny fitiavan'Andriamanitra?

Rehefa misy ny rahalahy mila fanampiana, dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanampiana azy ireo ny mpino miaraka amin'ny haren'izao tontolo izao.

1 John 3:19

Rehefa maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny asa sy ny fahamarinana ireo mpino, dia inona no raisiny ho azy?

Rehefa maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny asa sy ny fahamarinana ireo mpino, dia mahazo fampatokisana manoloana an'Andriamanitra.

1 John 3:23

Inona ny didy avy amin'Andriamanitra izay hampatsiahivin'i Jaona an'ireo mpino?

Mampatsiahy an'ireo mpino i Jaona amin'ny didin'Andriamanitra mba hino amin'ny anaran'ny Zanany dia i Jesosy Kristy ary hitia ny tsirairay.

Inona no nomen'Andriamanitra an'ireo mpino mba hahalalan'izy ireo fa mitoetra ao amin'izy ireo Andriamanitra?

Nanome Fanahy an'ireo mpino Andriamanitra mba hahafantarany fa mitoetra ao amin'izy ireo Andriamanitra.

1 John 4

1 John 4:1

Nahoana no nampitandrina ireo mpino i Jaona mba tsy hino ny fanahy rehetra?

Nampitandrina ireo mpino i Jaona satria feno mpaminany sandoka izay efa miparitaka amin'izao tontolo izao.

Ahoana no hahalalanao raha miteny ny Fanahin'Andriamanitra?

Ny fanahy rehetra izay mibebaka fa i Jesosy Kristy dia tonga nofo dia avy amin'Andriamanitra.

Inona no fanahy izay tsy mibebaka fa i Jesosy Kristy dia tonga nofo?

Tsy mibebaka ny fanahin'ny AntiKristy fa Jesosy Kristy dia tonga nofo.

1 John 4:4

Iza no lazain'i Jaona fa ilay fanahy lehibe indrindra?

Ny fanahy lehibe kokoa dia ilay iray ao amin'ireo mpino, lehibe kokoa noho ny fanahin'izao tontolo izao.

1 John 4:7

Inona no ataon'ireo mpino, izay mampiseho fa mahafantatra an'Andriamanitra izy ireo, ary ho toa azy?

Mitia ny tsirairay ireo mpino, izay mampiseho fa mahafantatra an'Andriamanitra izy ireo, satria Andriamanitra dia fitiavana.

1 John 4:9

Ahoana ny fomba nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany ho antsika?

Naneho ny fitiavany ho antsika Andriamanitra tamin'ny fandefasany ny Zanany lahitokana ho an'izao tontolo izao.

Inona no tanjon'ny nandefasan'ilay Ray ny Zanany?

Nandefa ny Zanany ny Rainy mba hahafahantsika miaina amin'ny alalany.

1 John 4:15

Inona no hibebahan'ireo mpino marina?

Mibebaka ireo mpino marina fa Jesosy Kristy dia Zanak'Andriamanitra.

1 John 4:17

Ireo izay mitoetra am-pitiavana sy ao amin'Andriamanitra dia hanana ny toetra amin'ny andron'ny fitsarana inona?

Ireo izay mitoetra am-pitiavana sy ao amin'Andriamanitra dia hanana fahatokisana amin'ny andron'ny fitsarana.

1 John 4:19

Nahoana isika no afaka mitia?

Mitia isika satria Andriamanitra no nitia antsika voalohany.

Inona no fifandraisana amin'Andriamanitra hanan'ny olona izay mankahala ny rahalahany?

Ny olona mankahala ny rahalahany dia tsy tia an'Andriamanitra.

Ireo izay mitia an'Andriamanitra dia tokony hitia an'iza ihany koa?

Ireo izay mitia an'Andriamanitra dia tokony hitia ireo rahalahiny ihany koa.

1 John 5

1 John 5:1

Ahoana no hanehoantsika fa tiantsika Andriamanitra?

Naneho ny fitiavantsika an'Andriamanitra isika rehefa mitazona ny didiny.

1 John 5:4

Inona no fandresena izay nandresy an'izao tontolo izao?

Ny finoantsika no fandresena izay nandresy an'izao tontolo izao.

1 John 5:6

Tamin'ny zavatra roa inona no nahatongavan'i Jesosy Kristy?

Tonga tamin'ny alalan'ny rano sy rà Jesosy Kristy.

Inona ireo zavatra telo mitondra fijoroana vavolombelona amin'i Jesosy Kristy?

Ny Fanahy, ny rano, ary ny rà no mitondra fijoroana vavolombelona amin'i Jesosy Kristy.

1 John 5:9

Manao an'Andriamanitra ho inona ny olona izay tsy nino ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra mikasika ny Zanany?

Ny olona izay tsy mino ny fijoroana vavolombelon'Andriamanitra mikasika ny Zanany dia manao an'Andriamanitra ho mpandainga.

1 John 5:11

Inona no nomen'Andriamanitra ny Zanany?

Nanome antsika ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Zanany Andriamanitra.

1 John 5:13

Inona no fahatokisana hananan'ireo mpino eo anatrehan'Andriamanitra?

Manana fahatokisana ireo mpino fa raha mangataka na inona na inona araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia haheno izany izy ireo.

1 John 5:16

Inona no tokony hataon'ny mpino iray raha mahita ny rahalahany manao fahotana tsy miteraka fahafatesana?

Ny mpino iray izay mahita ny rahalahany manao fahotana tsy miteraka fahafatesana dia tokony hivavaka fa Andriamanitra dia hanome fiainana ny rahalahany.

Inona ny tsy fahamarinana rehetra?

Ny tsy fahamarinana rehetra dia fahotana.

1 John 5:18

Aiza no hitoeran'ny izao tontolo izao ?

Izao tontolo izao dia hitoetra ao amin'ny ratsy.

1 John 5:20

Iza no Andriamanitra marina?

Ilay Andriamanitra marina dia ilay Rain'i Jesosy Kristy.

Amin'ny inona no tokony hiarovan'ireo mpino ny tenan'izy ireo?

Tokony hiaro ny tenan'izy ireo amin'ireo sampy ireo mpino.