Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

John 1

John 1:1

Inona no tamin'ny voalohany?

Tamin'ny voalohany ny teny.

Tao amin'iza ny teny?

Tao amin'Andriamanitra ny teny.

Iza no teny?

Ny teny dia Andriamanitra.

Moa nisy na inona na inona tsy avy amin'ny teny?

Ny zavatra rehetra dia avy Aminy avokoa, ary raha tsy noho Izy dia tsy nisy na inona na inona.

John 1:4

Inona no tao amin'ny teny?

Tao Aminy no nisy fiainana.

John 1:6

Iza no anaran'ilay lehilahy izay nirahin'Andriamanitra?

Jaona no anarany.

Tonga mba hanao inona i Jaona?

Izy dia tonga ho vavolombelona hanambara ny momba ny fahazavana, mba hinoan'ny rehetra amin'ny alalany.

John 1:10

Nahafantatra na nandray ilay fahazavana izay nahatongavan'i Jaona hijoroana vavolombelona ve izao tontolo izao?

Izao tontolo izao dia tsy nahafantatra ilay fahazavana izay nahatongavan'i Jaona hijoroana vavolombelona ary ny olon'izany fahazavana izany dia tsy nandray azy.

John 1:12

Inona no no nataon'izany fahazavana izany tamin'ireo izay nino ny anarany?

Nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra ireo izay nino ny anarany.

Ahoana no nahatonga ireo izay nino ny anarany ho zanak'Andriamanitra?

Tonga zanak'Andriamanitra izy ireo tamin'ny fahaterana avy amin'Andriamanitra.

John 1:14

Moa nisy olona hafa tahaka ny teny izay tonga avy tamin'ny Ray?

Tsia! Ny teny no olona tokana izay tonga avy amin'ny Ray.

John 1:16

Inona no noraisintsika tamin'ny fahafenoan'ity iray nijoroan'i Jaona vavolombelona ity?

Avy tamin'ny fahafenoany dia nandray fanomezana niampy fanomezana isika rehetra.

Inona no tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy?

Fahasoavana sy fahamarinana no tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.

Iza no nahita an'ilay Andriamanitra tamin'ny fotoana rehetra?

Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana.

Iza no nampahafantatra an'Andriamanitra tamintsika?

Ilay iray izay eo an-tratran'ny Ray no nampahafantatra Azy tamintsika.

John 1:22

Iza no nilazan'i Jaona azy tamin'ny nanontanian'ireo mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema?

Hoy izy hoe: "Izaho ilay feo miantso any an'efitra hoe: 'Ataovy mahitsy ny lalan'ny Tompo,' araka ny voalazan'Isaia mpaminany."

John 1:29

Inona no nambaran'i Jaona tamin'izy nahita an'i Jesosy nanatona azy?

Hoy izy hoe: "Jereo, indro ny zanak'ondrin'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao"

Nahoana Jaona no tonga nanao batisa tamin'ny rano?

Tonga nanao batisa tamin'ny rano izy mba ho ambara amin'Israely i Jesosy, ilay Zanak'ondrin' Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao.

John 1:32

Inona ilay famantarana izay naneho an'i Jesosy ho ilay zanak'Andriamanitra tamin'i Jaona?

Ilay famantarana dia hoe eo ambonin'izay hitan'i Jaona fa hidinany sy hitoeran'ny Fanahy, no ilay iray izay manao batisa amin'ny Fanahy Masina.

John 1:37

Inona no nataon'ny roa tamin'ireo mpianatr'i Jesosy tamin'izy ireo nandre an'i Jaona niantso an'i Jesosy hoe "ilay zanak'ondrin'Andriamanitra?"

Nanaraka an'i Jesosy izy ireo.

John 1:40

Iza no anaran'ny iray tamin'ireo anankiroa izay nandre an'i Jaona niteny ary nanaraka an'i Jesosy avy eo?

Andrea no anaran'ilay iray tamin'ireo anankiroa.

Inona no nolazain'i Andrea tamin'i Simona rahalahiny momba an'i Jesosy?

Andrea niteny tamin'i Simona hoe: "Hitanay ny Mesia"

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Simona fa hiantsoana azy?

Nilaza Jesosy fa Simona dia ho atsoina hoe "Kefasy" (izay midika hoe 'Petera').

John 1:43

Iza no tanànan'i Andrea sy Petera?

Betsaida no tanànan'i Andrea sy Petera.

John 1:49

Inona no nolazain'i Natanaela momban'i Jesosy?

Hoy Natanaela hoe: "Raby, Ianao ilay zanak'Andriamanitra! Ianao no mpanjakan'Israely!".

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho hitan'i Natanaela?

Jesosy niteny tamin'i Natanaela fa izy dia hahita ny lanitra hisokatra, sy ireo anjelin'Andriamanitra hiakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'Olona.

John 2

John 2:1

Iza no tany amin'ilay fanambadiana tao Kanà tany Galilia?

Jesosy, ny reniny, ary ireo mpianany dia tany amin'ilay fanambadiana tao Kanà tany Galilia.

John 2:3

Nahoana ny renin'i Jesosy no niteny tamin'i Jesosy hoe: "Tsy manana divay izy ireo?"

Niteny izany tamin'i Jesosy izy satria nanantena izy fa hanao zavatra manoloana ny zava-misy Izy.

John 2:6

Inona ireo zavatra roa nasain'i Jesosy nataon'ireo mpanompo?

Voalohany dia niteny tamin'izy ireo Izy mba hameno rano ny siny. Avy eo niteny ireo mpanompo Izy mba hanovo kely amin'ilay "rano" ary hitondra izany eny amin'ny tompon'andraikitry ny fikarakarana.

John 2:9

Inona no nolazain'ilay tompon'andraikitry ny fikarakarana rehefa avy nanandrana ilay rano izay lasa divay izy?

Hoy ilay tompon'andraikitry ny fikarakarana hoe: "Ny olona rehetra dia mandroso ny divay tsara aloha izay vao ny divay moramora rehefa ny olona. Fa ianareo kosa nitahiry ny divay tsara mandrak'ankehitriny."

John 2:11

Inona no valin-tenin'ireo mpianatr'i Jesosy tamin'ny nahita ity famantarana mahagaga ity?

Nino an'i Jesosy ireo mpianany.

John 2:13

Inona no hitan'i Jesosy fony Izy nankany an-tempoly tany Jerosalema?

Nahita ireo mpanakalo vola sy ireo izay nivarotr'omby, ondry ary voromailala Izy.

John 2:15

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ireo mpivarotra sy mpanakalo vola?

Nanamboatra karavasy Izy ary nandroaka azy rehetra hivoaka ny tempoly, na ondry na omby. Nararany ihany koa ny volan'ireo mpanakalo vola ary nampianjera ny latabatr'izy ireo.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpivarotra voromailala?

Hoy Izy hoe: "Ento mivoaka lavitra ity toerana ity ireo zavatra ireo. Aoka izay ny fanaovana ny tranon-dRaiko ho toeram-pivarotana."

John 2:17

Ahoana no namalian'ireo manam-pahefana Jiosy ny fihetsik'i Jesosy tao an-tempoly?

Nanontany an'i Jesosy izy ireo hoe: "Inona no famantarana ho asehonao mahatonga anao manao ireo zavatra ireo?"

Ahoana no namalian'i Jesosy an'ireo manam-pahefana Jiosy?

Namaly azy ireo Izy hoe: "Ravao ity tempoly ity, fa ho hatsangako anatin'ny telo andro monja izany."

John 2:20

Iza ilay tempoly nolazain'i Jesosy?

Ny tempolin'ny tenany no nolazain'i Jesosy.

John 2:23

Nahoana no nino ny anaran'i Jesosy ny maro?

Nino izy ireo satria nahita ireo famantarana mahagaga rehetra nataony.

Nahoana Jesosy no tsy natoky ireo olona?

Tsy natoky ireo olona Izy satria fantany avokoa ny olona rehetra, ny momba azy ireo, ary satria tsy nila na iza na iza hanambara taminy momba ny olombelona Izy.

John 3

John 3:1

Iza Nikodemosy?

Nikodemosy dia Fariseo, mpikambana ao amin'ny Synedriona Jiosy.

Inona no nambaran'i Nikodemosy tamin'i Jesosy?

Hoy Nikodemosy tamin'i Jesosy hoe: "Raby, fantatray fa mpampianatra izay avy amin'Andriamanitra Ianao, satria tsy misy mahavita ireo famantarana ataonao raha tsy miaraka aminy Andriamanitra.''

John 3:3

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Nikodemosy ka nahavery hevitra an'i Nikodemosy?

Jesosy nilaza tamin'i Nikodemosy fa mila hateraka indray ny olona mba hahafahana miditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Inona no fanontaniana napetrak'i Nikodemosy izay mampahafantatra antsika fa ny fanambaran'i Jesosy dia nahavery hevitra an'i Nikodemosy?

Hoy Nikodemosy hoe: "Amin'ny fomba ahoana no hahateraka ny olona iray raha efa antitra izy? Tsy afaka hiditra fanindroany ao an-kibon-dreniny izy ary hateraka, sa ve afaka?''

John 3:9

Ahoana no nitenenan'i Jesosy mafy an'i Nikodemosy?

Niteny mafy an'i Nikodemosy Izy tamin'ny filazana hoe: "Mpampianatr'Israely ve ianao, dia mbola tsy azonao ihany izany zavatra izany?"

John 3:12

Iza no niakatra tany an-danitra?

Tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany, dia Ilay Zanak'Olona izany.

John 3:14

Nahoana ny Zanak'Olona no tsy maintsy hasandratra?

Tsy maintsy hasandratra Izy mba hanana fiainana mandrakizay ireo rehetra mino Azy.

John 3:16

Ahoana no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany an'izao tontolo izao?

Nampiseho ny fitiavany tamin'ny alalan'ny fanomezana ny Zanany lahy tokana Izy, mba tsy ho very na iza na iza mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.

Moa naniraka ny Zanany mba hanameloka izao tontolo izao Andriamanitra?

Tsia. Naniraka ny Zanany Andriamanitra mba ho voavonjy izao tontolo izao amin'ny alalan'ny Zanany.

John 3:19

Nahoana ny olona no tsy maintsy tsaraina?

Tsy maintsy tsaraina ny olona satria tonga eto amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa dia naleon'ny olombelona ny aizina toy izay ny mazava satria ratsy ireo asa nataony.

Nahoana ireo manao ratsy no tsy manatona ny hazavana?

Mankahala ny hazavana ireo izay manao ratsy ary tsy tia manatona amin'izany satria tsy tian'izy ireo ho hita ny asan'izy ireo.

Nahoana ireo manao ny marina no manatona ny hazavana?

Manatona ny hazavana izy ireo mba ho hita mazava tsara ny asan'izy ireo ary mba hampahafantarana fa ny asan'izy ireo dia nentina tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra.

John 3:29

Inona no nolazain'i Jaona fa hitranga amin'ny asa fanompoan'i Jesosy mitaha amin'ny asa fanompoan'i Jaona?

Hoy Jaona hoe: "Tsy maintsy mitombo Izy, fa izaho kosa tsy maintsy mihena."

John 3:31

Inona no nohamafisin'ireo izay nanaiky ny fijoroana vavolombelon'ilay iray avy any ambony, avy any an-danitra?

Nanamafy izy ireo fa marina Andriamanitra.

John 3:34

Inona no natolotry ny Ray teo an-tanan'ny Zanany?

Izy dia nametraka ny zavatra rehetra teo an-tanan'ny Zanaka.

Inona no hananan'ireo izay mino ny Zanaka?

Izy ireo dia manana fahazavana mandrakizay.

Inona no mitranga amin'ireo izay tsy mankàtoa an'ilay Zanaka?

Tsy hahita fiainana izy ireo, fa hitoeran'ny hatezeran'Andriamanitra.

John 4

John 4:1

Oviana Jesosy no nandao an'i Jodia ary niainga ho any Galilia?

Jesosy dia nandao an'i Jodia ary niainga ho any Galilia taorian'ny nahafantarany fa ren'ireo Fariseo fa manao batisa mpianatra betsaka noho i Jaona Izy.

John 4:4

Tonga taiza Jesosy tamin'ny lalany nankany Galilia?

Tonga tao amin'ny firenena Samaritana antsoina hoe Sykara Izy.

John 4:6

Iza no tonga teo amin'ny fatsakan'i Jakoba raha mbola teo i Jesosy?

Nisy vehivavy Samaritana iray nanatona teo mba hanovo rano.

Inona no nolazain'i Jesosy voalohany tamin'ilay vehivavy Samaritana?

Hoy izy taminy hoe: "Mba omeo rano Aho ho sotroiko."

Taiza ireo mpianatr'i Jesosy?

Lasa tany an-tanàna izy ireo mba hividy sakafo.

John 4:9

Nahoana ilay vehivavy Samaritana no gaga fa niresaka taminy Jesosy?

Gaga izy satria ireo Jiosy dia tsy misy hifandraisana amin'ireo Samaritana.

Inona no nolazain'i Jesosy mba hanovana ny resaka ho amin'ny zavatr'Andriamanitra?

Niteny taminy Jesosy fa raha nahafantatra ny fanomezan'Andriamanitra sy izay miresaka aminy izy, dia izy indray no hangataka ary Izy hanome rano velona ho azy.

John 4:11

Inona no fanambarana nataon'ilay vehivavy mba hanondroana fa tsy azony ny fiaviana ara-panahin'ny hevitr'i Jesosy?

Namaly ilay vehivavy hoe: "Tompoko, Ianao dia tsy manana fanovozana ary ny fatsakana lalina. Koa aiza no hahazoanao rano velona?"

John 4:15

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay vehivavy momba ilay rano izay ho omeny?

Jesosy nilaza tamin'ilay vehivavy hoe ireo izay misotro ny rano omeny dia tsy hangetaheta intsony ary ny rano dia ho lasa loharano miboiboika mitondra any amin'ny fiainana mandrakizay.

Nahoana ilay vehivavy izao no mila ilay rano izay atolotr'i Jesosy?

Mila ilay rano izy mba tsy hangetaheta intsony ary tsy hila mankeo amin'ny fatsakana intsony mba hanovo rano.

Novain'i Jesosy avy eo ny resaka. Inona no nolazainy tamin'ilay vehivavy?

Hoy Jesosy taminy hoe: "Mandehana, antsoy ny vadinao, ary miverena eto."

John 4:17

Ahoana no namalian'ilay vehivavy an'i Jesosy tamin'Izy niteny azy mba hiantso ny vadiny?

Niteny tamin'i Jesosy ilay vehivavy hoe tsy manambady izy.

Inona no lazain'i Jesosy momba ilay vehivavy?

Nilaza taminy Izy fa nanana vady dimy izy ary tsy vadiny ilay lehilahy iray izay hiarahany ankehitriny.

John 4:19

Inona no adihevitra noentin'ilay vehivavy tamin'i Jesosy momba ny fivavahana?

Nitondra adihevitra izy hoe aiza no teorana mety indrindra hivavahana.

John 4:23

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay vehivavy momba ireo karazana mpivavaka tadiavin'ny Ray?

Jesosy nilaza taminy fa Andriamanitra dia Fanahy ary ny tena mpivavaka marina dia tsy maintsy mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny Fanahy sy fahamarinana.

John 4:25

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay vehivavy tamin'izy niteny tamin'i Jesosy fa rehefa tonga ny Mesia (Kristy), dia hanambara aminy ny zavatra rehetra Izy?

Jesosy niteny taminy fa Izy ilay Mesia (Kristy).

John 4:28

Inona no nataon'ilay vehivavy taorian'ny resany niaraka tamin'i Jesosy?

Navelan'ilay vehivavy ny sininy, ka nandeha niverina tany an-tanàna izy, ary nilaza tamin'ny olona hoe: "Handeha, hizaha ilay lehilahy izay nilaza ny vitako rehetra. Tsy ho Kristy izany, sa ve Izy?"

Inona no nataon'ireo olona tao an-tanàna rehefa nandre ny tatitr'ilay vehivavy?

Nandao ny tanàna izy ireo ary nankeo amin'i Jesosy.

John 4:34

Inona no nambaran'i Jesosy momba ny sakafony?

Jesosy nilaza fa ny sakafony dia ny manao ny sitrapon'ilay iray izay naniraka Azy sy manatanteraka ny asany.

Inona no tombon-tsoan'ny fijinjana?

Mahazo karama ireo mpijinja ary manangona vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, ka hiara-paly ny mpamafy sy ny mpijinja.

John 4:39

Nahoana ireo Samaritana maro tao amin'io tanàna io no nino an'i Jesosy?

Ny tatitr'ilay vehivavy no nahatonga ireo Samaritana tao amin'io tanàna io hino an'i Jesosy.

John 4:41

Inona no ninoan'ny maro tamin'ireo Samaritana ireo momba an'i Jesosy?

Nilaza izy ireo fa fantatr'izy ireo hoe Jesosy tokoa ilay mpamonjy an'izao tontolo izao.

John 4:43

Tamin'i Jesosy tonga tao Galilia dia nahoana ireo Galiliana no nandray Azy?

Nandray Azy izy ireo satria hitan'izy ireo avokoa ireo zavatra izay nataony tao Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana.

John 4:46

Rehefa nandao an'i Jodia ary niverina tao Galilia Jesosy, iza no nanatona an'i Jesosy ary inona no nilainy?

Nisy tandapa iray izay nanana zanaka lahy narary nanatona an'i Jesosy, nangataka Taminy mba hidina ary hanasitrana ny zanany.

John 4:48

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay tandapa momba ireo famantarana sy fahagagana?

Jesosy niteny taminy fa ny olona dia tsy hino mihitsy raha tsy mahita famantarana sy fahagagana.

Inona no nataon'ilay tandapa rehefa tsy nandeha niaraka taminy Jesosy fa niteny taminy hoe "mandehana; velona ny zanakao."?

Nino ny teny nolazain'i Jesosy taminy ilay tandapa, ary nanohy ny lalany.

John 4:53

Inona no vokatra taorian'ny nitenena tamin'ny rain'ilay zaza marary fa velona ny zanany ary niala taminy ny tazo ny omalin'iny tamin'ny ora fahafito, tamin'ny ora mitovy tamin'ny ora nilazan'i Jesosy taminy hoe: "Velona ny zanakao."?

Ny vokatr'izany dia nino ilay tandapa sy ny ankohonany rehetra.

John 5

John 5:1

Inona no anaran'ilay farihy tao Jerosalema teo akaikin'ny vavahadin'ondry izay nisy fialofana dimy?

Nantsoina hoe Betesda ilay farihy.

Iza avy no tao Betesda?

Nisy olona maro narary, jamba, malemy, na tsy afa-mihetsika natory tao amin'ny fialofan'i Betesda.

John 5:5

Iza tao Betesda no nanontanian'i Jesosy hoe "te-ho sitrana ve ianao?"

Jesosy nanontany lehilahy iray izay efa narary valo amby telo-polo taona ary nandry teo efa ela.

John 5:7

Inona no valin-tenin'ilay lehilahy narary tamin'ny fanontanian'i Jesosy hoe: "Te-ho sitrana ve ianao.?"

Ilay lehilahy narary namaly hoe: "Tompoko, tsy manana na iza na iza aho handroboka ahy ao anaty farihy rehefa mihetsika ny rano. Rehefa mandeha aho, dia misy misosoka eo alohako."

John 5:9

Inona no nitranga tamin'i Jesosy niteny tamin'ilay lehilahy marary hoe: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana"?

Teo no eo dia sitrana ilay lehilahy, nandray ny fandriany, ary nandeha.

John 5:10

Nahoana no nanohina ireo mpitarika Jiosy ny fahitan'izy ireo ilay lehilahy narary nandeha niaraka tamin'ny fandriany?

Nanohina azy ireo izany satria andro Sabata tamin'izany ary nilaza izy ireo fa voarara ny mitondra ny fandriany amin'ny andro Sabata.

John 5:14

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay lehilahy marary izay nositraniny taorian'ny nahitan'i Jesosy azy tao an-tempoly?

Hoy Jesosy taminy hoe: "Indro, sitrana ianao! Aza manota intsony, mba tsy hitranga aminao ny zavatra ratsy noho ny teo."

Inona no nataon'ilay lehilahy sitrana taorian'ny nitenenan'i Jesosy azy mba tsy hanota intsony?

Lasa ilay lehilahy ary nilaza tamin'ireo mpitarika Jiosy fa Jesosy no nanasitrana azy.

John 5:16

Ahoana no namalian'i Jesosy an'ireo mpitarika Jiosy izay nanenjika Azy satria nanao ireo zavatra ireo (fanasitranana) tamin'ny andro Sabata Izy?

Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Ny Raiko dia miasa foana, eny fa na ankehitriny aza, ary Izaho ihany koa, dia miasa."

Nahoana ny fanambaran'i Jesosy tamin'ireo mpitarika Jiosy no nahatonga azy ireo te-hamono Azy?

Tsy nitranga nohon'ny fandikan'i Jesosy ny andro Sabata (ao an-tsain'izy ireo) ihany izany, fa nohon'ny fiantsoana an'Andriamanitra hoe Rainy ihany koa, nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra.

John 5:19

Inona no nataon'i Jesosy?

Nanao izay hitany nataon'ny Ray Izy.

Inona no hataon'ny Ray mba hahagaga ireo mpitarika Jiosy?

Ny Ray dia hampiseho zavatra lehibe kokoa noho ireo amin'ny Zanaka mba ho gaga ireo mpitarika Jiosy.

John 5:21

Nahoana ny Ray no nanome ny Zanaka ny fitsarana rehetra?

Ny Ray dia nanome ny fitsarana rehetra ho an'ilay Zanaka mba hanajan'ny rehetra ny Zanaka toy ny hanajan'izy ireo ny Ray.

Inona no mitranga raha tsy manaja ny Zanaka ianao?

Raha tsy manaja ny Zanaka ianao dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.

John 5:24

Inona no mitranga raha mino ny tenin'i Jesosy ianao ary mino ny Ray izay naniraka Azy?

Raha izany, dia manana ny fiainana mandrakizay ianao ary tsy ho henjehina fa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana.

John 5:26

Inona no nomen'ny Ray an'ny Zanaka mahakasika ny fiainana?

Ny Ray dia nanome fiainana ny Zanaka mba hananana fiainana ao Aminy.

John 5:28

Inona no hitranga rehefa mandre ny feon'ny Ray ny olona rehetra ao am-pasana?

Ho tonga eo aloha izy ireo. Ireo izay nanao ny tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fiainana, fa ireo izay nanao ny ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fitsarana.

John 5:30

Nahoana no marina ny fitsaran'i Jesosy?

Marina ny fitsarany satria tsy mikatsaka ny sitrapony manokana Izy fa ny sitrapon'ilay Ray izay naniraka Azy.

John 5:36

Inona no fanambarana lehibe kokoa noho Jaona izay ananan'i Jesosy mba hanaporofoana fa nirahin'ilay Ray Izy?

Ireo asa izay nataon'i Jesosy dia manambara fa nirahin'ilay Ray Izy.

Iza no tsy nandre ny feon'ilay Ray na nahita ny tavany tamin'ny fotoana rehetra?

Ireo mpitarika Jiosy dia tsy mbola nandre ny feony na nahita ny tavany na oviana na oviana.

John 5:39

Nahoana ireo mpitarika Jiosy no mitady ny Soratra Masina?

Mitady izany izy ireo satria nieritreritra fa ao amin'ireo no ananan'izy ireo ny fiainana mandrakizay.

Iza no ambaran'ny Soratra Masina?

Ny Soratra Masina dia manambara mahakasika an'i Jesosy.

John 5:43

Dera avy amin'iza no tsy tadiavin'ireo mpitarika Jiosy?

Izy ireo dia tsy mitady laza avy amin'ilay Andriamanitra tokana.

John 5:45

Iza no hiampanga an'ireo mpitarika Jiosy eo anatrehan'ny Ray?

Mosesy no hiampanga an'ireo mpitarika Jiosy eo anatrehan'ny Ray.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tokony ataon'ireo mpitarika Jiosy raha mino an'i Mosesy izy ireo?

Nilaza Izy fa tokony hino an'i Jesosy ireo mpitarika Jiosy raha mino an'i Mosesy izy ireo satria Mosesy nanoratra mahakasika an'i Jesosy.

John 6

John 6:1

Inona no anarana hafa niantsoana ny Ranomasin'i Galilia?

Ny Ranomasin'i Galilia dia nantsoina koa hoe Ranomasin'i Tiberiasy.

Nahoana no nisy vahoaka maro nanaraka an'i Jesosy?

Nanaraka Azy izy ireo satria nahita ireo famantarana izay nataon'i Jesosy tamin'ireo izay narary.

John 6:4

Inona no hitan'i Jesosy rehefa avy nipetraka teo an-tendrombohitra niaraka tamin'ireo mpianany Izy ary nijery ambony?

Nahita vahoaka maro be nanatona Azy Izy.

Nahoana Jesosy no nanontany tamin'i Filipo hoe: "Aiza no hividianantsika mofo mba hahafahan'izy ireo mihinana?"

Jesosy niteny izany mba hitsapana an'i Filipo.

John 6:7

Inona no valin-tenin'i Filipo tamin'ny fanontanian'i Jesosy hoe: "Aiza no hividianantsika mofo mba afahan'izy ireo mihinana?"

Hoy Filipo hoe: "Na dia mofo roanjato denaria aza tsy ho ampy ho an'ny tsirairay na dia kely avy aza."

Inona no navalin'i Andrea tamin'ny fanontanian'i Jesosy hoe: "Aiza no hividianantsika mofo mba afahan'izy ireo mihinana?"

Hoy Andrea hoe: "Misy lehilahy iray eto manana mofo dimy sy hazandrano roa, fa inona ireo manoloana ireto olona maro?"

John 6:10

Olona firy teo ho eo no teo amin'izany toerana izany?

Nisy olona teo amin'ny dimy arivo teo.

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ireo mofo sy hazandrano?

Nalain'i Jesosy ireo mofo ka rehefa avy nisaotra, dia nizara izany tamin'ireo izay nipetraka teo. Nozarainy tahaka izany koa ireo hazandrano.

Tahaka ny ahoana ny habetsaky ny nohanin'ny olona?

Nahazo betsaka araka izay laniny izy ireo.

John 6:13

Firy ny mofo voaangona taorian'ny sakafo?

Nahafeno harona roa ambin'ny folo tamin'ny sombitsombiny tamin'ireo mofo dimy ireo mpianatra—ireo sombitsombina mofo sisa navelan'ireo nihinana.

Nahoana Jesosy no niverina teny an-tendrombohitra irery indray?

Niverina Jesosy satria fantany fa, taorian'ny nahita ny famantarana nataony (nanome sakafo an'ireo olona dimy arivo), dia ho tonga hisambotra azy an-keriny ny olona ary hanao Azy ho mpanjaka.

John 6:16

Inona no nitranga tamin'ny toetr'andro rehefa avy niditra tao an-tsambo ka nanomboka nandeha ho any Kapernaomy ireo mpianatra?

Nisy rivotra mahery nitsoka ary nanomboka niha-nahery ny ranomasina.

John 6:19

Nahoana ireo mpianatra no nanomboka natahotra?

Natahotra izy ireo satria nahita an'i Jesosy nandeha teo ambonin'ny ranomasina ary nanatona nanakaiky ny sambo.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianatra ka nahatonga azy ireo vonona handray Azy ho ao an-tsambo?

Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Izaho ihany ity! Aza matahotra."

John 6:26

Inona no nolazain'i Jesosy fa antony nahatonga ny vahoaka hitady Azy?

Jesosy nilaza fa tsy nitady Azy nohon'ny fahitan'izy ireo an'ireo famanatarana izy ireo, fa nohon'ny nihinanan'izy ireo mofo ka voky.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tokony na tsy tokony hiasan'izy ireo?

Jesosy nilaza azy ireo mba hitsahatra amin'ny fiasana ho an'ny hanina mety levona, fa kosa mba hiasa ho an'ny hanina izay maharitra ho an'ny fiainana mandrakizay.

John 6:28

Ahoana no amaritan'i Jesosy ny asan'Andriamanitra amin'ny olona?

Jesosy nilaza tamin'ny vahoaka hoe: "Izao no asan'Andriamanitra: dia ny hinoanareo ilay iray izay nirahiny."

John 6:35

Inona no nolazain'i Jesosy fa mofon'aina?

Jesosy dia nilaza fa Izy no mofon'aina.

Iza no hanatona an'i Jesosy?

Ny rehetra izay omen'ny Ray an'i Jesosy dia hanatona Azy.

John 6:38

Inona no sitrapon'ilay Ray izay naniraka an'i Jesosy?

Ny sitrapon'ilay Ray dia ny tsy hanarian'i Jesosy izay rehetra nomen'ny Ray Azy sy mba hahazoan'ireo rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy ny fiainana mandrakizay; ary ho atsangan'i Jesosy izy amin'ny andro farany.

John 6:43

Ahoana no ahafahan'ny olona manatona an'i Jesosy?

Ny olona dia tsy afaka manatona an'i Jesosy raha tsy ny Ray no mitaona azy.

John 6:46

Iza no nahita ny Ray?

Izy izay avy amin'Andriamanitra ihany no nahita ny Ray.

John 6:50

Inona no mofo izay homen'i Jesosy ho an'ny fiainan'izao tontolo izao?

Ny mofo izay homen'i Jesosy dia ny nofony ho an'ny fiainan'izao tontolo izao.

John 6:52

Inona no mila ataonao mba hananana ny fiainana ao anatinao?

Mba hananana ny fiainana ao anaty dia tsy maintsy mihinana ny nofon'ny Zanak'Olona sy misotro ny ràny.

John 6:54

Ahoana no ahafahantsika mitoetra ao amin'i Jesosy ary Jesosy mitoetra ao amintsika?

Raha mihinana ny nofony sy misotro ny ràny isika dia hitoetra ao amin'i Jesosy ary Izy ao amintsika.

John 6:57

Nahoana Jesosy no velona?

Jesosy dia velona nohon'ny Ray.

John 6:60

Ahoana no namalian'ny maro tamin'ireo mpianatr'i Jesosy taorian'ny nadrenesana ny fampianarana momban'ny fihinanana ny nofony sy fisotroana ny ràny?

Rehefa nandre ity fampianarana ity ireo mpianatra dia maro tamin'izy ireo no niteny hoe: "Fampianarana sarotra izany; iza no afaka anaiky izany?'' Taorian'izany dia maro tamin'ireo mpianatra no nandeha niverina ary tsy niaraka taminy intsony.

John 6:64

Inona no fantatr'i Jesosy momba ny olona hatrany am-piandohana?

Efa fantatr'i Jesosy hatrany am-piandohana ireo izay tsy mino sy izay hamadika Azy.

John 6:66

Rehefa nanontany an'ireo roa ambin'ny folo Jesosy hoe: "Tsy te-andeha koa ve ianareo, sa tsia?'', dia iza no namaly ary inona no nolazainy?

Simona Petera namaly Azy ary niteny hoe: "Tompo, ho any amin'iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay, ary nino izahay ka manatona mba hahalala fa Ianao no ilay Masin'Andriamanitra."

John 6:70

Iza no tian'i Jesosy tenenina tamin'Izy niteny hoe ny iray amin'ireo roa ambin'ny folo dia devoly?

Jesosy dia niteny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota, satria izy, ilay iray amin'izy roa ambin'ny folo, izay hamadika an'i Jesosy.

John 7

John 7:1

Nahoana Jesosy no tsy-te andeha ho any Jodia?

Tsy te-andeha ho any Izy satria mitady hamono Azy ireo Jiosy.

John 7:3

Nahoana ireo rahalahin'i Jesosy no namporisika Azy handeha ho any Jodia any amin'ny Firavoravoana ny Fialofana?

Namporisika Azy andeha izy ireo mba hahafahan'ireo mpianatr'i Jesosy mahita ireo asa izay ataony ary mba ho fantatr'izao tontolo izao.

John 7:5

Inona no antony nolazain'i Jesosy mba tsy handehanana any amin'ilay firavoravoana?

Jesosy niteny ireo rahalahiny fa tsy mbola tonga ny fotoany, ary tsy mbola tanteraka ny fotoany.

Nahoana izao tontolo izao no mankahala an'i Jesosy?

Jesosy nilaza fa mankahala Azy izao tontolo izao satria Izy manambara fa ratsy ny asany.

John 7:10

Oviana ary ahoana no nandehanan'i Jesosy tany amin'ny firavoravoana?

Jesosy dia nandeha taorian'ny nandehanan'ireo rahalahiny tany amin'ilay firavoravoana fa Izy nandeha mangina fa tsy ampahibemaso.

John 7:12

Inona no nolazain'ny olona teo amin'ny vahoaka momba an'i Jesosy?

Hoy ny sasany hoe: "Lehilahy tsara Izy." Ny sasany manao hoe: "Tsia, mitarika ny vahoaka any amin'ny fahaverezana Izy."

Nahoana no tsy misy miresaka amin'i Jesosy am-pahibemaso?

Nohon'ny tahotra ireo Jiosy no tsy niresahan'iza na iza momba an'i Jesosy am-pahibemaso.

John 7:14

Oviana Jesosy no nandeha niakatra tany an-tempoly ary nanomboka nampianatra?

Rehefa nisasaka ny firavoravoana, dia niakatra tany amin'ny tempoly Jesosy ary nanomboka nampianatra.

John 7:17

Ahoana no nilazan'i Jesosy fa ahafantaran'ny olona iray raha avy amin'Andriamanitra ny fampianarany, na Jesosy no miteny amin'ny tenany?

Jesosy niteny fa raha misy olona maniry hanao ny sitrapon'ilay naniraka an'i Jesosy, dia hahafantatra momba an'io fampianarana io izy, na avy amin'Andriamanitra izany na tsia.

Inona no nolazain'i Jesosy momba ilay mikatsaka ny voninahitr'ilay iray izay naniraka Azy?

Nilaza Jesosy fa marina izany olona izany, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.

John 7:19

Araka ny filazan'i Jesosy, iza no manao ny lalàna?

Jesosy niteny fa tsy misy manao lalàna aminareo.

John 7:23

Inona no fandresen-dahatr'i Jesosy ny amin'ny fanasitranana amin'ny andro Sabata?

Ny fandresen-dahatr'i Jesosy dia hoe: Hamora olona amin'ny andro Sabata ianareo mba tsy ho rava ny lalàn'i Mosesy. Koa nahoana ianareo no tezitra amiko raha manasitrana olona tanteraka amin'ny andro Sabata Aho.

Ahoana no notenenin'i Jesosy tamin'ny olona mba hitsaràna?

Jesosy nilaza tamin'izy ireo mba tsy hitsara araka ny hita ivelany, fa mba hitsara araka ny marina.

John 7:25

Inona ny iray tamin'ireo fandresen-dahatra nataon'ny olona mba tsy hinoana fa Jesosy no Kristy?

Nilaza ny olona fa fantatr'izy ireo ny nihavian'i Jesosy, fa rehefa tonga Kristy dia nilaza izy ireo fa tsy hisy hahafantatra izay nihaviany.

John 7:30

Iza no naniraka ireo manam-boninahitra mba hisambotra an'i Jesosy?

Ireo lohan'ny mpisorona sy Fariseo no naniraka manam-boninahitra mba hisambotra an'i Jesosy.

John 7:35

Azon'ireo Jiosy ve ny tian'i Jesosy tenenina tamin'Izy niteny hoe: "Kely sisa ny fotoana hiarahako aminareo, dia handeha ho any amin'ilay naniraka Ahy Aho. Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay halehako, tsy ho azonareo aleha"?

Tamin'ny fifampiresahan'izy ireo dia nanondro izy ireo fa tsy azon'izy ireo ny fanambaran'i Jesosy.

John 7:39

Inona no tian'i Jesosy tenenina tamin'izy niteny hoe: "Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ary hisotro. Izay mino Ahy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia hikoriana avy ao an-kibony ny onin'ny rano velona."

Jesosy niteny an'io momba ny Fanahy, izay ho raisin'ireo izay mino Azy.

John 7:45

Ahoana no namalian'ireo manam-boninahitra an'ireo lohan'ny mpisorona sy Fariseo izay niteny tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy (Jesosy)?"

Ireo manam-boninahitra namaly hoe: "Tsy mbola nisy niresaka tahaka izany mihitsy."

John 7:50

Ahoana no namalian'i Nikodemosy an'ireo Fariseo tamin'ireo Fariseo nanontany ireo manam-boninahitra nirahina mba hisambotra an'i Jesosy hoe: "Voatarika tany amin'ny fahaverezana ihany koa ve ianareo? Nino Azy ve ireo mpanapaka, na ireo Fariseo?"

Hoy Nikodemosy tamin'ireo Fariseo hoe: "Moa ve ny lalàntsika mitsara olona mialohan'ny handrenesana azy ka ahafantarana izay nataony?"

John 8

John 8:1

Tamin'i Jesosy nampianatra ny olona tao an-tempoly dia inona no nataon'ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

Nitondra vehivavy tratra nijangajanga izy ireo ary nametraka azy teo afovoan'izy ireo ka nanontany an'i Jesosy izay tiany lazaina momba azy (mba hitsaràna azy).

John 8:4

Nahoana ireo mpanora-dalàna sy Fariseo no nitondra ity vehivavy ity teo amin'i Jesosy?

Nitondra ity vehivavy ity teo amin'i Jesosy izy ireo mba hamandrihana an'i Jesosy ka mba hananan'izy ireo zavatra hiampangana Azy.

John 8:7

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpanora-dalàna sy Fariseo taorian'ny nametrahan'izy ireo fanontaniana tamin'i Jesosy momba ilay vehivavy tratra nijangajanga?

Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Izay tsy nanota taminareo, aoka izy no hitora-bato azy voalohany."

John 8:9

Inona no nataon'ny olona taorian'ny niresahan'i Jesosy tamin'izy ireo momba izay tokony hitora-bato voalohany an'ilay vehivavy tratra nijangajanga?

Taorian'ny niresahan'i Jesosy dia nivoaka tsirairay izy ireo, nanomboka tamin'ny zokiny indrindra ka hatrany amin'ny farany.

Inona no nasain'i Jesosy nataon'ilay vehivavy (tratra nijangajanga)?

Nasain'i Jesosy nandeha izy ary mba tsy hanota intsony.

John 8:12

Inona no fitarainan'ireo Fariseo taorian'i Jesosy niteny hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy handeha amin'ny haizina fa hananana ny fahazavan'ny fiainana."?

Nitaraina ireo Fariseo fa Jesosy dia nanambara momba ny tenany ary tsy marina ny fanambarany.

John 8:17

Ahoana no niarovan'i Jesosy ny fanambarany fa marina?

Jesosy niteny fa amin'ny lalàn'izy ireo dia voasoratra fa ny fijoroan'ny olon-droa vavolombelona dia marina. Avy eo Izy nilaza fa Izy sy ny Ray izay naniraka Azy dia samy hanambara momban'i Jesosy.

John 8:23

Tamin'inona no namotoran'i Jesosy ny fanambarany momban'ireo Fariseo fa ho faty amin'ny fahotany izy ireo?

Jesosy namototra izany fanambarana izany tamin'ny fahalalany azy ireo, fa avy eny ambany izy ireo, Izy avy eny ambony. Avy eto amin'izao tontolo izao izy ireo fa Izy tsy avy amin'izao tontolo izao.

Ahoana no ahafahan'ireo Fariseo mandositra ny fahafatesana amin'ny fahotan'izy ireo?

Jesosy niteny fa raha tsy mino izy ireo fa Izaho no Izy dia ho faty amin'ny fahotany izy ireo.

John 8:25

Inona no zavatra nolazain'i Jesosy tamin'izao tontolo izao?

Jesosy nilaza ireo zavatra reny avy tamin'ny Ray tamin'izao tontolo izao.

John 8:28

Nahoana ny Ray izay naniraka an'i Jesosy no nijanona niaraka taminy fa tsy namela Azy ho irery?

Niaraka tamin'i Jesosy ny Ray fa tsy namela Azy ho irery satria Jesosy nanao ireo zavatra izay mahafaly ny Ray foana.

John 8:31

Ahoana no nilazan'i Jesosy fa ireo Jiosy izay nino Azy dia afaka mahafantatra fa tena mpianany tokoa izy ireo?

Afaka mahafantatra izy ireo hoe tena mpianatr'i Jesosy amin'ny fitoerana amin'ny teniny.

Inona no noheverin'ireo Jiosy izay nino an'i Jesosy fa tian'i Jesosy tenenina tamin'Izy niteny hoe: "... ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo."?

Nieritreritra ireo Jiosy fa niresaka fanandevozan'ny olona Jesosy.

John 8:34

Inona no tian'i Jesosy tenenina tamin'Izy niteny hoe: "... ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo"?

Jesosy niresaka momba ny fanafahana amin'ny maha-andevon'ny ota.

John 8:37

Inona araka ny filazan'i Jesosy no antony hitadiavan'ireo Jiosy hamonoana an'i Jesosy?

Mitady hamono Azy izy ireo satria ny teniny dia tsy manana toerana ao amin'izy ireo.

John 8:39

Nahoana Jesosy no niteny fa tsy zanak'i Abrahama ireo Jiosy ireo?

Nilaza Jesosy fa tsy zanak'i Abrahama izy ireo satria tsy nanao ireo asan'i Abrahama izy ireo. Fa kosa nikasa hamono an'i Jesosy.

John 8:42

Tamin'ireo Jiosy ireo nilaza fa iray ihany ny Rain'izy ireo, dia Andriamanitra, ahoana no nanaporofoan'i Jesosy azy ireo?

Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Raha Andriamanitra no Rainareo, dia tokony tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nandehanako aty; fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.

Iza no lazain'i Jesosy fa rain'ireo Jiosy?

Jesosy nilaza fa ny devoly no rain'izy ireo.

Inona no lazain'i Jesosy momba ny devoly?

Jesosy milaza fa ny devoly dia mpamono olona hatramin'izay ary tsy mijoro amin'ny fahamarinana satria tsy misy marina ao aminy. Rehefa mandainga ny devoly, dia ny toetra fanaony ihany no lazainy satria mpandainga Izy ary rain'ny lainga.

John 8:45

Iza no mandre ny tenin'Andriamanitra?

Izay avy amin'ndriamanitra no mandre ny tenin' Andriamanitra.

John 8:50

Inona no lazain'i Jesosy fa hitranga raha mitandrina ny tenin'i Jesosy ny rehetra?

Raha mitandrina ny tenin'i Jesosy ny rehetra, dia tsy hahita fahafatesana mihitsy izy.

John 8:52

Nahoana ireo Jiosy no milaza fa misy demonia Jesosy?

Nilaza izany izy ireo satria hoy Jesosy hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy."

Nahoana ireo Jiosy no nieritreritra fa hafahafa ny fanambaran'i Jesosy momba ny tsy fahitana fahafatesana?

Nieritreritra izany izy ireo satria ny fahafatesan'ny vatana no tao an-tsain'izy ireo. Na Abrahama sy ireo mpaminany aza dia maty (ny vatan'izy ireo).

John 8:57

Inona no fanambarana nataon'i Jesosy mba hilazana fa nisy talohan'i Abrahama Izy?

Hoy Jesosy hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, talohan'ny nahaterahan'i Abrahama, dia Izaho no Izy."

John 9

John 9:1

Inona no hevitr'ireo mpianatra ny amin'ny antony nahateraka jamba an'ilay lehilahy?

Ireo mpianatra dia milaza fa ny antony naha-jamba an'ilay lehilahy dia nanota izy na ireo ray aman-dreniny.

John 9:3

Inona no antony nolazain'i Jesosy fa nahateraka jamba an'ilay lehilahy?

Jesosy nilaza fa teraka jamba ilay lehilahy mba hampisehoana ny asan'Andriamanitra aminy.

John 9:6

Inona no nataon'i Jesosy sy nolazainy tamin'ilay lehilahy jamba?

Nandrora tamin'ny tany Jesosy, nanao feta ary nanosotra ny mason'ilay lehilahy tamin'ilay feta. Avy eo Jesosy niteny tamin'ilay lehilahy mba handeha hisasa eny amin'ny ranon'i Siloama.

Inona no nitranga taorian'ny nisasan'ilay lehilahy jamba tao amin'ny ranon'i Siloama?

Nahiratra indray izy.

John 9:8

Inona no nambaran'ilay lehilahy tamin'ny nisy fifamaliana raha izy na tsy izy ilay lehilahy teraka jamba izay nipetraka nangataka?

Nanambara ilay lehilahy fa izy ilay jamba mpangataka.

John 9:13

Inona no nataon'ny olona izay niaraka tamin'ilay jamba mpangataka teo aloha?

Nentin'izy ireo tany amin'ireo Fariseo ilay lehilahy.

Oviana no nitranga ilay fanasitranana?

Tamin'ny andro Sabata no nitranga ny fanasitranana ilay lehilahy jamba.

Inona no nanontanian'ireo Fariseo an'ilay lehilahy jamba teo aloha?

Nanontany ny fomba nahiratany izy ireo.

John 9:16

Inona no fizarana nisy teo amin'ireo Fariseo?

Ny Fariseo sasany niteny fa Jesosy dia tsy avy amin'Andriamanitra satria tsy nitandrina ny andro Sabata (nanasitrana tamin'ny andro Sabata Izy) ary ny Fariseo sasany nilaza hoe ahoana no ahafahan'ny lehilahy mpanota manao famantarana tahaka izany.

Inona no nambaran'ilay lehilahy jamba teo aloha momba an'i Jesosy rehefa nanontaniana izy?

Hoy ilay lehilahy jamba teo aloha hoe: "Mpaminany Izy."

Nahoana ireo Jiosy no niantso ny ray aman-drenin'ilay lehilahy jamba izay nahiratra?

Niantso ny ray aman-drenin'ilay jamba izy ireo satria tsy mbola mino izy ireo fa izy ilay lehilahy izay jamba.

John 9:19

Inona no fanambarana nataon'ny ray aman-drenin'ilay lehilahy mahakasika ny zanak'izy ireo?

Nanambara ireo ray aman-dreny fa tena ilay lehilahy tokoa ny zanak'izy ireo ary teraka jamba izy.

Inona no nolazain'ny ray aman-drenin'ilay lehilahy fa tsy fantatr'izy ireo?

Nilaza izy ireo fa tsy fantatr'izy ireo ny fomba nahitany amin'izao na iza no nanokatra ireo masony.

John 9:22

Nahoana ny ray aman-drenin'ilay lehilahy no niteny hoe: "Efa lehibe izy, izy no hanontanio"?

Nilaza izany izy ireo satria natahotra ireo Jiosy. Satria efa nifanaiky ireo jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia ho roahina hiala ao amin'ny synagoga izy.

John 9:24

Inona no nolazain'ireo Fariseo tamin'ilay lehilahy jamba teo aloha rehefa niantso azy fanindroany?

Hoy izy ireo hoe: "Omeo voninahitra Andriamanitra. Fantatray fa mpanota izany lehilahy izany (Jesosy)."

Inona no valin-tenin'ilay lehilahy izay jamba teo aloha tamin'ireo Fariseo rehefa niantso an'i Jesosy hoe mpanota izy ireo?

Hoy izy hoe: "Tsy fantatro aloha raha mpanota Izy. Ny hany fantatro dia izao: efa jamba aho taloha, fa ankehitriny aho mahita."

John 9:26

Inona ireo fanontaniana napetrak'ireo Fariseo tamin'ilay lehilahy izay jamba teo aloha?

Hoy ilay lehilahy izay jamba teo aloha hoe: "Nahoana ianareo no te-hieno izany indray? Te-ho isan'ny mpianany ihany koa ve ianareo, sa tsy izany?

John 9:30

Rehefa niteny ratsy an'ilay lehilahy ireo Fariseo, dia inona no nambaran'ilay lehilahy izay jamba teo aloha fa fantatry ny rehetra?

Nilaza ilay lehillahy izay jamba teo aloha fa fantatry ny rehetra hoe tsy mihaino ireo mpanota Andriamanitra.

John 9:32

Ahoana no namalian'ireo Fariseo ny famalian'ilay lehilahy jamba?

Nilaza izy ireo fa teraka tamin'ny ota izy ka izy indray ve no hampianatra azy ireo. Avy eo noroahin'izy ireo hivoaka tao amin'ny Synagoga izy.

John 9:35

Inona no nataon'i Jesosy rehefa reny fa voaroaka tao amin'ny Synagoga ilay lehilahy izay jamba teo aloha?

Lasa nandeha nijery ilay lehilahy Izy ary nahita azy.

Inona no nolazain'i Jesosy an'ilay lehilahy izay jamba teo aloha taorian'ny nahitany azy?

Nanontany an'ilay lehilahy Izy raha mino an'ilay Zanak'Olona ary avy eo niteny ilay lehilahy izay jamba teo aloha fa Izy (Jesosy) no Zanak'Olona.

Ahoana no namalian'ilay lehilahy izay efa jamba ny fampahafantarana fa Jesosy ilay Zanak'Olona?

Ilay lehilahy jamba teo aloha niteny tamin'i Jesosy fa nino izy ary nidera an'i Jesosy.

John 9:39

Inona no nambaran'i Jesosy momban ny fahotan'ireo Fariseo?

Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka, fa ianareo kosa ankehitriny milaza hoe: 'Mahiratra izahay,' dia mbola mitoetra ny helokareo."

John 10

John 10:1

Araka ny filazan'i Jesosy dia iza no mpangalatra sy mpandroba?

Izay tsy miditra ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika lalana hafa, dia mpangalatra sy mpandroba izy.

Iza no miditra ny valan'ondry avy eo amin'ny vavahady?

Izay miditra ny valan'ondry avy eny amin'ny vavahady no mpiandry ondry.

John 10:3

Nahoana ireo ondry no manaraka ny mpiandry ondry rehefa miantso azy ireo izy?

Manaraka ny mpiandry ondry izy ireo satria fantatr'izy ireo ny feony.

John 10:5

Moa hanaraka vahiny ireo ondry?

Tsia. Tsy hanaraka vahiny ireo ondry.

John 10:7

Inona ireo rehetra izay tonga talohan'i Jesosy?

Ireo rehetra izay tonga alohan'i Jesosy dia mpangalatra sy mpandroba avokoa, ary ny ondry tsy mihaino azy ireo.

John 10:9

Jesosy nilaza fa Izy no vavahady. Inona no mitranga amin'ireo izay miditra amin'ny vavahady?

Ireo izay miditra amin'ny alalan'i Jesosy, ilay vavahady, dia ho voavonjy; hiditra sy hivoaka izy ireo ary hahita fihinanana.

John 10:11

Inona no ataon'i Jesosy, ilay mpiandry ondry tsara, ho an'ireo ondriny?

Jesosy, ilay mpiandry tsara, dia manolotra ny ainy ho an'ny ondriny.

John 10:14

Manana ondry ao am-bala hafa ve Jesosy, raha izany dia inona no hitranga amin'izy ireo?

Jesosy nilaza fa manana ondry hafa Izy izay tsy amin'izany vala izany. Nilaza Izy fa tsy maintsy mitondra azy ireo ary izy ireo handre ny feony mba ho tonga andiany iray ihany sy mpiandry iray ihany.

John 10:17

Nahoana ny Ray no tia an'i Jesosy?

Tia an'i Jesosy ny Ray satria Jesosy manolotra ny ainy mba handraisany izany indray.

Misy manaisotra ny ain'i Jesosy ve?

Tsia. Ny tenany ihany no manolotra izany.

Taiza no nahazoan'i Jesosy ny fahefana hanolotra ny ainy sy haka izany indray?

Jesosy naharay izany baiko izany avy tamin'ny Rainy.

John 10:19

Inona no nambaran'ireo Jiosy nohon'ny tenin'i Jesosy?

Maro no nilaza hoe: "Manana demonia Izy ary very saina. Nahoana ianareo no mihaino Azy?" Ny sasany nilaza hoe: "Tsy fitenin'ny olona misy demonia izany. Moa ny demonia afaka mampahiratra ny mason'ny jamba?"

John 10:22

Inona no nolazain'ireo Jiosy tamin'i Jesosy rehefa nihodidina Azy tao an-tempoly teo amin'ny fialofan'i Solomona izy ireo?

Hoy izy ireo hoe: "Mandrapa-oviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, dia ambarao miharihary aminay."

John 10:25

Ahoana no namalian'i Jesosy an'ireo Jiosy tao amin'ny fialofan'i Solomona?

Nilaza Jesosy fa efa niteny tamin'izy ireo Izy (fa Izy no Kristy) ary tsy nino Azy izy ireo satria tsy ondriny.

John 10:27

Inona no nolazain'i Jesosy momba ny fiahiany sy fiarovany an'ireo ondriny?

Jesosy nilaza fa hanome azy ireo ny fiainana mandrakizay, ka tsy ho faty mandrakizay izy ireo, ary tsy hisy handrobaka azy eo am-pelatanany.

John 10:29

Iza no nanome ireo ondry an'i Jesosy?

Ny Ray no nanome an'ireo ondry an'i Jesosy.

Misy lehibe noho ilay Ray ve?

Ny Ray dia lehibe noho ireo hafa rehetra.

John 10:32

Nahoana ireo Jiosy no naka vato mba hitorahana an'i Jesosy?

Satria izy ireo nihevitra fa niteny ratsy sy nanao ny tenany ho Andiamanitra Jesosy na dia olombelona aza Izy.

John 10:34

Inona no fiarovan-tenan'i Jesosy nanoloana ny fiampangana fitenenan-dratsy?

Niaro ny tenany Jesosy tamin'ny filazana hoe: "Tsy efa voasoratra ao amin'ny lalànareo ve hoe: 'Hoy Aho hoe: "andriamanitra ianareo"'? Raha niantso ireny ho andriamanitra izy, dia ho an'iza izany no niavian'ny tenin'Andriamanitra (ary ny Soratra Masina dia tsy azo foanana), moa ve ilay nohamasinin'ny Ray sy nirahina ho amin'izao tontolo izao no ataonareo hoe: 'Miteny ratsy Ianao,' noho Izaho niteny hoe: 'Izaho no Zanak'Andriamanitra'?

John 10:37

Inona no nasain'i Jesosy ataon'ireo Jiosy mba hahafantarana raha hino Azy na tsia?

Jesosy niteny ireo Jiosy mba hijery ireo asany. Raha tsy manao ireo asan'ny Rainy Jesosy, dia aza mino Azy. Raha manao ireo asan'ny Rainy Izy, dia minoa Azy.

Inona no nolazain'i Jesosy an'ireo Jiosy fa afaka fantarina sy azon'izy ireo raha nino ireo asa izay nataon'i Jesosy izy ireo?

Jesosy nilaza fa afaka mahafantatra sy mahazo izy ireo fa ny Ray dia ao amin'i Jesosy ary Jesosy ao amin'ny Ray.

Inona no valin-tenin'ireo Jiosy tamin'ny fanambaran'i Jesosy momba ny Ray ao amin'i Jesosy ary Jesosy ao amin'ny Ray?

Niezaka ny hisambotra an'i Jesosy indray ireo Jioisy.

John 10:40

Taiza Jesosy no nandeha taorian'io tranga io?

Nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy tany amin'ilay toerana izay nanaovan'i Jaona batisa voalohany.

Inona no nambara sy nataon'ireo olona maro izay nanatona an'i Jesosy?

Nilaza izy ireo hoe: "Jaona tsy mba nanao famantarana, fa ny zavatra rehetra nolazain'i Jaona momba io lehilahy io dia marina." Maro ny olona nino an'i Jesosy teo.

John 11

John 11:1

Iza izany Lazarozy izany?

Lazarosy dia lehilahy iray avy any Betania. Maria sy Marta no rahavaviny. Ilay Maria izay nanosotra menaka manitra ny Tompo sy nanadio ny tongony tamin'ny volony izany.

John 11:3

Inona no nambaran'i Jesosy momba an'i Lazarosy sy ny aretiny rehefa ren'i Jesosy fa narary izy?

Hoy Jesosy hoe: "Tsy fahafatesana no hiafaran'ity aretina ity, fa kosa ho fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra mba hanandratana ny Zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'izany."

John 11:5

Inona no nataon'i Jesosy rehefa nahare Izy fa marary Lazarosy?

Nijanona roa andro mihoatra tao amin'ilay toerana izy nisy Azy Izy?

John 11:8

Inona no nolazain'ireo mpianatr'i Jesosy tamin'Izy niteny hoe: "Andeha isika ho any Jodia indray"?

Hoy ireo mpianatra tamin'i Jesosy hoe: "Raby, amin'izao dia mikasa ny hitora-bato Anao ireo Jiosy, ka mbola hiverina ho any indray ve Ianao?"

Inona no nolazain'i Jesosy momba ny fandehanana amin'ny andro?

Jesosy nilaza fa raha misy olona mandeha amin'ny andro mazava dia tsy ho tafintohina izy satria mahita amin'ny fahazavan'ny andro.

John 11:10

Inona no nolazain'i Jesosy momba ny fandehanana amin'ny alina?

Raha misy mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izy satria tsy ao aminy ny hazavana.

John 11:12

Ahoana no nieritreretan'ireo mpianatra fa resitory Lazarosy?

Nihevitra ireo mpianatra fa resitory mba hiala sasatra Lazarosy.

Inona no tian'i Jesosy nambara tamin'Izy niteny fa resitory Lazarosy?

Tamin'i Jesosy niteny hoe resitory Lazarosy dia niresaka ny fahafatesan'i Lazarosy Izy.

John 11:15

Nahoana Jesosy no faly fa tsy teo tamin'i Lazarosy maty?

Hoy Jesosy hoe: "Faly Aho nohon'ny aminareo, fa tsy tany Aho mba hahatonga anareo hino.

Inona no heverin'i Tomasy fa hitranga raha miverina any Jodia izy ireo?

Nihevitra Tomasy fa ho faty avokoa izy rehetra.

John 11:17

Hafiriana no naha-tao am-pasana an'i Lazarosy rehefa tonga Jesosy?

Efatr'andro no nitoeran'i Lazarosy tao am-pasana.

Inona no nataon'i Marta rehefa nandre fa tonga Jesosy?

Rehefa nandre Marta fa tonga Jesosy, dia lasa izy ary nihaona taminy.

John 11:21

Inona no eritreretin'i Marta fa ho ataon'Andriamanitra ho an'i Jesosy?

Hoy Marta hoe: "Na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona angatahinao amin'Andriamanitra, dia homeny anao izany."

John 11:24

Tamin'i Jesosy niteny tamin'i Marta hoe: "Hitsangan-ko velona indray ny anadahinao," dia inona no valin-teniny tamin'i Jesosy?

Hoy izy tamin'i Jesosy hoe: "Fantatro fa hitsangana indray izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany."

Inona no nolazain'i Jesosy fa hitranga amin'ireo izay mino Azy?

Jesosy nilaza fa na iza na iza mino an'i Jesosy, na dia maty aza izy, dia ho velona; ary na iza na iza velona ka mino an'i Jesosy dia tsy ho faty mandrakizay.

John 11:27

Inona no fanambaran'i Marta momba ny hoe iza Jesosy?

Marta niteny tamin'i Jesosy hoe: "Eny, Tompo, mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ilay ho tonga eto amin'izao tontolo izao."

Andeha ho aiza Maria?

Maria dia andeha hiaona amin'i Jesosy.

John 11:30

Rehefa nitsangana aingana ary nivoaka Maria, dia inona no noeritreretin'ireo Jiosy izay niaraka taminy teo sy nataon'izy ireo?

Nihevitra ireo Jiosy niaraka taminy fa andeha ho any amin'ny fasana mba hitomany izy, ka nanaraka azy izy ireo.

John 11:33

Inona no mety nahatonga an'i Jesosy hisento tamin'ny fanahy sy hangorohoro ary hitomany?

Nisento tamin'ny fanahy Jesosy ary nangorohoro sy nitomany rehefa nahita an'i Maria sy ireo Jiosy niaraka taminy nitomany.

John 11:36

Inona no nolazain'ireo Jiosy rehefa nahita an'i Jesosy nitomany izy ireo?

Nilaza izy ireo fa tia an'i Lazarosy i Jesosy.

John 11:38

Inona no fanoheran'i Marta tamin'ny baikon'i Jesosy mba hanala ireo vato manarona ny lava-bato izay nanasian'izy ireo an'i Lazarosy?

Hoy Marta hoe: "Tompo, efa maimbo ny vatany raha amin'izao fotoana izao, satria efatr'andro izao no nahafatesany."

Inona no valin-tenin'i Jesosy tamin'ny fanoheran'i Marta ny hanalana ireo vato?

Hoy Jesosy tamin'i Marta hoe: "Tsy efa nolazaiko anao ve fa, raha mino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?"

John 11:41

Inona no nataon'i Jesosy raha vantany vao nesorina tamin'ny lavaka ny vato?

Nanandratra ny masony Jesosy ary nivavaka tamin'ny feo mafy tamin'ny Rainy.

Nahoana Jesosy no nivavaka tamin'ny feo mafy sy nilaza izay nolazainy tamin'ny Rainy?

Nivavaka tamin'ny feo mafy Izy ary nilaza izay nataony noho ireo vahoaka nijoro nihodidina Azy, mba hahafahan'izy ireo mino fa naniraka Azy ny Ray.

John 11:43

Inona no nitranga tamin'i Jesosy nihiaka tamin'ny feo mafy hoe: "Lazarosy, mivoaha!"?

Nivoaka ilay lehilahy maty, nisy fehim-paty ny tongony sy ny tanany, ary voafehy lamba koa ny tavany.

John 11:45

Inona no valin-tenin'ireo Jiosy tamin'izy ireo nahita an'i Lazarosy nivoaka avy tao amin'ny lava-bato?

Maro tamin'ireo Jiosy rehefa nahita izay nataon'i Jesosy no nino Azy, fa ny sasany nankany amin'ireo Fariseo ary nilaza azy ireo izay nataon'i Jesosy.

John 11:49

Tao amin'ny fivorian'ny Synedrionan'ireo lohan'ny mpisorona sy Fariseo dia inona no faminanian'i Kaiafa?

Nilaza Kaiafa fa tsara ho azy ireo raha lehilahy iray no maty ho an'ny olona toy izay ny firenena manontolo no ringana.

John 11:51

Inona no drafitry ny synedriona nanomboka tamin'io andro io?

Nanao tetika ny amin'ny fomba hamonoana an'i Jesosy izy ireo.

John 11:54

Inona no nataon'i Jesosy taorian'ny nananganany an'i Lazarosy?

Tsy nandeha niharihary teny amin'ireo Jiosy intsony Jesosy, fa niala tao Betania Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra ho any an-tanàna atao hoe Efraima. Ary nonina tao Izy sy ireo mpianatra.

John 11:56

Inona no baiko navoakan'ireo lohan'ny mpisorona sy Fariseo?

Nanome baiko izy ireo mba na iza na iza mahalala izay misy an'i Jesosy, dia tokony hitatitra izany izy mba afahan'izy ireo misambotra Azy.

John 12

John 12:1

Oviana Jesosy no niverina tao Betania?

Nankany Betania enin'andro mialohan'ny Pasaka Izy.

Inona no nataon'i Maria tao amin'ilay fisakafoana natao ho an'i Jesosy?

Naka menaka manitra iray litatra izay vita tamin'ny narda sarobidy i Maria, ka nanosotra ny tongotr'i Jesosy tamin'izany, ary namafa ny tongony tamin'ny volon-dohany.

John 12:4

Nahoana Jodasy Iskariota, iray amin'ireo mpianatr'i Jesosy, no nitaraina fa tokony namidy ilay menaka manitra ary nomena ny mahantra ny vola?

Jodasy nilaza izany, tsy nohon'ny fiahiany an'ireo mahantra, fa satria mpangalatra izy: teny aminy ny kitapom-bola ary ho naka tamin'izay tao mba ho an'ny tenany izy.

John 12:7

Ahoana no niarovan'i Jesosy ny fampiasan'i Maria an'ilay menaka (narda)?

Hoy Jesosy hoe: "Avelao izy mba hitazona izay hananany ho amin'ny andro handevenana Ahy. Ho eo aminareo mandrakariva ny mahantra; fa Izaho kosa tsy ho eo aminareo mandrakariva."

John 12:9

Nahoana no nisy vahoaka maro niangona tao Betania?

Tonga amin'ny anaran'i Jesosy izy ireo ary koa mba hahita an'i Lazarosy, izay natsangan'i Jesosy tamin'ny maty.

Nahoana ireo lohan'ny mpisorona no mitady hamono an'i Lazarosy?

Mitady hamono an'i Lazarosy izy ireo satria izy no nahatonga ny ankamaroan'ireo Jiosy andeha hino an'i Jesosy.

John 12:12

Inona no nataon'ireo vahoaka tao amin'ny firavoravoana rehefa nandre izy ireo fa tonga Jesosy?

Naka sampan-drofia izy ireo ary nivoaka ka nitsena Azy tamin'ny antso mafy hoe: "Hosanna! Deraina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo, Ilay mpanjakan'Israely.''

John 12:14

Inona no faminaniana tanteraka mahakasika an'i Jesosy raha niditra tao amin'ilay tanàna nitaingina boriky Izy?

Ny faminaniana fa ho avy ny mpanjakan'i Ziona, izay mipetraka eo amin'ny zana-boriky no tanteraka.

John 12:17

Nahoana ireo vahoaka tao amin'ny firavoravoana no nivoaka hihaona amin'i Jesosy?

Nivoaka hihaona tamin'i Jesosy izy ireo satria ren'izy ireo avy tamin'ny fanatreha-maso fa niantso an'i Lazarosy hivoaka ny fasana Jesosy ary nanangana azy tamin'ny maty.

John 12:23

Inona no nolazain'i Jesosy voalohany taorian'i Andrea sy Filipo niteny tamin'i Jesosy fa misy Grika sasany te-hahita Azy?

Jesosy namaly azy ireo ary niteny hoe: "Efa tonga ny fotoana hanomezana voninahitra ny Zanak'Olona..."

Inona no nolazain'i Jesosy fa hitranga amin'ny voam-bary raha milatsaka amin'ny tany izany ary maty?

Jesosy nilaza fa raha maty izany dia hamokatra be.

John 12:25

Inona no nolazain'i Jesosy fa hitranga amin'ireo izay tia ny fiainany sy amin'ireo izay mankahala ny fiainany eto amin'izao tontolo izao?

Jesosy dia nilaza fa izay tia ny fiainany dia hanary izany, fa izay mankahala ny fiainany eto amin'izao tontolo izao dia hitazona izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.

Inona no mitranga raha misy manompo an'i Jesosy?

Hanome voninahitra azy ny Ray.

John 12:27

Inona no nitranga tamin'i Jesosy niteny hoe: "Ray o, hankalazao ny anaranao."?

Nisy feo nivoaka avy any an-danitra ary niteny hoe: "Efa nankalazaiko izany ary mbola ho hankalazaiko indray.''

John 12:30

Inona no nolazain'i Jesosy fa antony nahatonga ilay feo nivoaka avy any an-danitra?

Hoy Jesosy hoe: "Izany feo izany dia tsy tonga ho Ahy, fa ho anareo (Jiosy)."

Inona no nolazain'i Jesosy fa hitranga ankehitriny?

Hoy Jesosy hoe: "Tonga ankehitriny ny fitsarana an'izao tontolo izao: Ary dia ho roahina ny mpanapaka izao tontolo izao."

John 12:32

Nahoana Jesosy no niteny hoe: "Ary izaho, raha hasandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny tsirairay hanaraka Ahy."?

Jesosy niteny izany mba hanehoana hoe karazana fahafatesana toy ny inona no hafatesany.

John 12:34

Rehefa nanontany ny vahoaka hoe: "Ahoana no hafahanao milaza hoe: 'Ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hasandratra'? Iza izany Zanak'Olona izany?'', dia namaly azy ireo avy hatrany ve Jesosy?

Tsia tsy namaly ny fanontanian'izy ireo avy hatrany Izy.

Inona no nolazain'i Jesosy momba ny fahazavana?

Hoy Jesosy hoe: "Ny hazavana dia mbola hiaraka aminareo mandritra ny fotoana fohy. Mandehana dieny mbola manana hazavana..." Hoy ihany koa Izy hoe: "Raha mbola manana ny hazavana ianareo, dia minoa izany mba ho zanaky ny hazavana ianareo.''

John 12:37

Nahoana ny olona no tsy mino an'i Jesosy?

Tsy nino an'i Jesosy izy ireo mba ho tanteraka ny tenin'Isaia mpaminany, izay nilazany hoe: "Tompo, iza no nino ny tatitray, ary iza no nampisehoana ny sandrin'ny Tompo?"

John 12:39

Nahoana ny olona no tsy nety nino an'i Jesosy?

Tsy nety nino an'i Jesosy izy ireo nohon'ny voalazan'Isaia hoe: "Nohajambainy ny mason'izy ireo, ary nohamafisiny ny fon'izy ireo; raha tsy izany izy ireo dia hahita amin'ny mason'izy ireo ary hahazo amin'ny fon'izy ireo, ka hitodika, ary Izaho hanasitrana azy ireo.''

John 12:41

Nahoana Isaia no nilaza an'ireo zavatra ireo?

Niteny ireny izy satria nahita ny voninahitr'i Jesosy.

Nahoana ireo mpanapaka izay nino an'i Jesosy no tsy niaiky izany?

Tsy nety niaiky izany izy ireo satria natahotra an'ireo Fariseo ary mba tsy ho voasakana ho ao amin'ny synagoga. Tian'izy ireo kokoa ny fiderana avy amin'ny olona noho ny fiderana avy amin'Andriamanitra.

John 12:44

Inona no fanambarana nataon'i Jesosy momba ny tenany sy ny Rainy?

Hoy Jesosy hoe: "Izay iray mino Ahy, aza mino Ahy irery ihany fa koa Izy izay naniraka Ahy, ary izay iray mahita Ahy dia mahita Azy izay naniraka Ahy."

John 12:46

Inona no nolazain'i Jesosy fa nahatongavany ho atao eto amin'izao tontolo izao?

Jesosy nilaza fa tonga hanavotra an'izao tontolo izao Izy.

John 12:48

Inona no hitsara ireo izay mandà an'i Jesosy sy tsy mandray ny teniny?

Ny teny izay nolazain'i Jesosy no hitsara an'ireo izay mandà Azy amin'ny andro farany.

Niteny tamin'ny heviny manokana ve Jesosy?

Tsia. Ny Ray izay naniraka an'i Jesosy no nandidy Azy momban'izay tokony ho lazainy sy resahany.

Nahoana Jesosy no niteny tamin'ny olona araka izay nolazain'ny Ray taminy?

Nanao izany Jesosy satria fantany fa ny didin'ny Rainy dia fiainana mandrakizay.

John 13

John 13:1

Hafiriana no hitiavan'i Jesosy ny azy?

Tia azy ireo hatramin'ny farany Izy.

Inona no nataon'ny devoly tamin'i Jodasy Iskariota?

Ny devoly dia efa nametraka izany tao an-tsain'i Jodasy Iskariota dia ny hamadihana an'i Jesosy.

John 13:3

Inona no nomen'ny Ray an'i Jesosy?

Napetraky ny Ray teo am-pelatanan'i Jesosy avokoa ny zavatra rehetra.

Avy aiza Jesosy ary andeha ho aiza?

Avy amin'Andriamanitra Izy ary andeha hiverina any amin'Andriamanitra.

Inona no nataon'i Jesosy tamin'Izy nitsangana teo am-pisakafoana?

Nanala ny akanjony ivelany Izy, naka lamba ary nisalotra izany, nandraraka rano tao anaty siny dia nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianatra ary namafa izany tamin'ilay lamba.

John 13:6

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Petera rehefa nandà ny hanasan'i Jesosy ny tongony?

Hoy Jesosy hoe: "Raha tsy manasa anao Aho, dia tsy manana anjara amiko ianao."

John 13:10

Nahoana Jesosy no niteny tamin'ny mpianany hoe: "Tsy ianareo rehetra no madio."?

Niteny izany Jesosy satria fantany ilay hamadika Azy.

John 13:12

Nahoana Jesosy no nanasa ny tongotr'ireo mpianatra?

Nanasa ny tongotr'ireo mpianatra Jesosy mba hanomezana ohatra ho an'ireo mpianatra mba hanao toy izy nataony tamin'izy ireo ihany koa.

John 13:16

Moa ny mpanompo lehibe noho ny tompony na ilay nirahina lehibe noho ilay naniraka Azy?

Ny mpanompo dia tsy lehibe noho ny tompony ary izay nirahina tsy lehibe noho ilay naniraka Azy.

Iza no nanandratra ny vodi-tongony hamadika an'i Jesosy?

Ilay nihinana ny mofon'i Jesosy no nanandratra ny vodi-tongony hamadihana an'i Jesosy.

John 13:19

Nahoana Jesosy no niteny tamin'ny mpianany hoe: "Tsy ianareo rehetra no madio" sy hoe: "Izay mihinana ny mofoko dia nanandratra ny vodi-tongony hamadika Ahy."?

Jesosy niteny izany tamin'izy ireo mialohan'ny hitrangan'izany mba rehefa mitranga izany dia hino izy hoe Izaho no Izy.

Iza no ho raisinao raha mandray an'i Jesosy ianao?

Raha mandray an'i Jesosy ianao dia handray izay nirahiny ary handray ilay naniraka an'i Jesosy ihany koa.

John 13:23

Tamin'i Jesosy niteny ireo mpianany fa hamadika Azy ny iray amin'izy ireo, dia inona no nataon'i Petera?

Nanatona an'ilay mpianatra izay tian'i Jesosy i Simona Petera ary niteny hoe: "Lazao anay hoe iza izany resahany izany."

John 13:26

Ahoana no navalin'i Jesosy rehefa nanontany an'i Jesosy ilay mpianatra izay tiany hoe iza no hamadika an'i Jesosy?

Namaly Jesosy hoe: "Ilay iray izay handonako sy homeko ity mofo ity izany." Avy eo noloman'i Jesosy ny mofo dia nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.

Inona no nanjo an'i Jodasy ary inona no nataony taorian'i nanomezan'i Jesosy ilay mofo an'i Jodasy?

Rehefa avy nandray ilay mofo Jodasy, dia niditra tao aminy Satana ary nivoaka avy hatrany izy.

John 13:28

Inona no nitranga nanjo an'i Jodasy ary inona no nataony taorian'i nanomezan'i Jesosy ilay mofo an'i Jodasy?

Rehefa avy nandray ilay mofo Jodasy, dia niditra tao aminy Satana ary nivoaka avy hatrany izy.

John 13:31

Ahoana no hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra?

Andriamanitra dia homem-boninahitra amin'ny Zanak'Olona. Rehefa omem-boninahitra ny Zanak'Olona dia manome voninahitra an' Andriamanitra izany.

Azon'i Petera ve izay halehan'i Jesosy rehefa niteny Jesosy hoe: "Izay alehako, tsy azonareo aleha."?

Tsia, tsy azon'i Petera satria nanontany izy hoe: "Tompo, fa ho aiza Ianao?"

John 13:34

Inona no didy vaovao nomen'i Jesosy an'ireo mpianany?

Ilay didy vaovao dia ny tokony hifankatiavan'ny tsirairay tahaka ny nitiavan'i Jesosy azy ireo.

Inona no nolazain'i Jesosy fa hitranga raha mankatoa ilay didy mba hifakatiavan'ny tsirairay ireo mpianany?

Jesosy nilaza fa raha mankatoa ity didy ity izy ireo, dia ho fantatry ny olona rehetra fa mpianany izy ireo.

John 13:36

Azon'i Petera ve izay alehan'i Jesosy rehefa niteny azy ireo Jesosy hoe: "Izay alehako, tsy azonareo aleha"?

Tsia, tsy azon'i Petera satria nanontany izy hoe: "Tompo, fa ho aiza Ianao?"

Ahoana no navalin'i Jesosy tamin'i Simona Petera niteny hoe: "Hafoiko ho anao ny aiko"?

Jesosy namaly hoe: "Hafoinao ho Ahy ve ny ainao? Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa mbola tsy haneno akory ny akoho dia efa handà Ahy intelo ianao."

John 14

John 14:1

Nahoana ny fon'ireo mpianatra no tsy tokony hangorohoro?

Tsy tokony hangorohoro ny fon'izy ireo satria Jesosy manomana toerana ho azy ireo ary hiverina indray Jesosy mba handray azy ireo ao Aminy ka mba izay misy an'i Jesosy dia hisy azy ireo koa.

Inona no ao an-tranon'ny Ray?

Misy fonenana maro ao an-tranon'ny Ray.

Inona no ataon'i Jesosy ho an'ireo mpianatra?

Manomana toerana ho azy ireo Jesosy.

John 14:4

Inona no lalan-tokana hatongavana any amin'ny Ray?

Ny lalan-tokana hatongavana any amin'ny Ray dia amin'ny alalan'i Jesosy.

John 14:8

Inona no nolazain'i Filipo an'i Jesosy mba hatao izay ampy ho an'ireo mpianatra?

Hoy Filipo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo asehoy anay ny Ray, dia ho ampy anay izany."

John 14:10

Moa Jesosy miresaka amin'ireo mpianatra araka ny heviny manokana?

Jesosy dia tsy miresaka araka ny heviny manokana, fa kosa, ny Ray izay velona ao aminy no manao ny asan'ny Ray.

Raha ho tsy misy antony hafa, nahoana Jesosy no nilaza an'ireo mpianatra mba hino fa Jesosy dia ao amin'ny Ray ary ny Ray ao amin'i Jesosy?

Jesosy nilaza fa tokony hino ity izy ireo raha tsy misy antony hafa dia noho ireo asan'i Jesosy izany.

John 14:12

Nahoana Jesosy no nilaza tamin'ireo mpianatra fa ho afaka hanao asa lehibe noho ny vitany izy ireo?

Nilaza Jesosy fa hanao asa lehibe kokoa aza ireo mpianatra satria Jesosy andeha ho any amin'ny Ray.

Nahoana Jesosy no hanao izay rehetra angatahan'ireo mpianatra amin'ny anarany?

Hanao izany Jesosy mba homem-boninahitra amin'ny Zanaka ny Ray.

John 14:15

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho ataonao raha tia Azy ianao?

Nilaza Jesosy fa hitandrina ny didiny ianao raha tia Azy.

Nahoana izao tontolo izao no tsy mandray ny Fanahin'ny Fahamarinana?

Tsy afaka mandray ny Fanahin'ny fahamarinana izao tontolo izao satria tsy mahita na mahafantatra Azy izany.

Aiza no nolazain'i Jesosy fa hisy ny Fanahin'ny Fahamarinana?

Nilaza Jesosy fa ho ao amin'ireo mpianatra ny Fanahin'ny Fahamarinana.

John 14:21

Inona no hitranga amin'ireo izay manana ireo didin'i Jesosy sy mitandrina ireo?

Ireo olona ireo dia ho tiavin'i Jesosy sy ny Rainy ary Jesosy hampiseho ny tenany amin'ireo olona ireo.

John 14:25

Inona no ho ataon'ny mpampahery, ilay Fanahy Masina, rehefa maniraka azy ny Ray?

Ny mpampahery, ilay Fanahy Masina dia hampianatra an'ireo mpianatra ny zavatra rehetra ary hampatsiahy azy ireo izay rehetra nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo.

John 14:28

Nahoana ireo mpianatra no tokony hifaly fa handeha Jesosy?

Nilaza Jesosy fa tokony hifaly izy ireo satria andeha ho any amin'ny Ray i Jesosy ary ny Ray dia lehibe noho Jesosy.

Inona no antony nomen'i Jesosy tamin'ny filazana fa tsy hilaza betsaka amin'ireo mpianatra Izy?

Ny antony nomen'i Jesosy dia hoe efa ho avy ny mpanapaka an'izao tontolo izao.

John 15

John 15:1

Iza no tena voaloboka?

Jesosy no tena voaloboka.

Iza no mpamboly?

Ny Ray no mpamboly.

Inona no ataon'ny Ray amin'ireo sampana izay ao amin'i Kristy?

Esorin'ny Ray ireo sampana izay tsy mamoa voankazo ary rantsaniny ny sampana izay mamokatra mba hamoa voankazo bebe kokoa.

John 15:3

Nahoana ireo mpianatra no madio?

Izy ireo dia madio nohon'ny hafatr'i Jesosy nolazaina tamin'izy ireo.

John 15:5

Iza no sampana?

Isika no sampana.

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hamoa voankazo?

Mba hamoa voankazo dia tsy maintsy mitoetra ao amin'i Jesosy ianao.

Inona no mitranga raha tsy mitoetra ao amin'i Jesosy ianao?

Raha tsy mitoetra ao amin'i Jesosy ny olona, dia ariana toy ny sampana izy ary halazo

Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho atao amintsika izay rehetra angatahintsika?

Tsy maintsy mitoetra ao amin'i Jesosy isika ary tsy maintsy mitoetra ao amintsika ny teniny. Avy eo isika afaka mangataka na inona na inona iriantsika dia ho atao amintsika izany.

John 15:8

Inona ireo fomba roa hanomezam-boninahitra ny Ray?

Ny Ray dia omem-boninahitra rehefa mamoa voankazo be rehefa mpianatr'i Jesosy isika.

John 15:10

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hitoerana ao amin'ny fitiavan'i Jesosy?

Tsy maintsy mitandrina ireo didiny isika.

John 15:12

Inona no fitiavana lehibe indrindra afaka hananan'ny olona iray?

Tsy misy manam-pitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy ho an'ireo sakaizany.

John 15:14

Ahoana no alalantsika raha sakaizan'i Jesosy isika na tsia?

Sakaizan'i Jesosy isika raha manao ireo zavatra izay andidiny antsika.

Nahoana no nantsoin'i Jesosy hoe sakaizany ireo mpianatra?

Nantsoiny hoe sakaizany izy ireo, satria nampahafantariny azy ireo ny zavatra rehetra izay reny avy tamin'ny Rainy.

John 15:18

Nahoana izao tontolo izao no mankahala an'ireo izay manara-dia an'i Jesosy?

Mankahala an'ireo izay manara-dia an'i Jesosy izao tontolo izao satria izy ireo tsy avy amin'izao tontolo izao ary satria Jesosy nifidy azy ireo hiala amin'izao tontolo izao.

John 15:23

Inona no nataon'i Jesosy ka tsy ho afa-tsiny amin'ny fahotany izao tontolo izao?

Tsy manana fialan-tsiny amin'ny otan'izy ireo izao tontolo izao satria tonga Jesosy ary nanao teo amin'izy ireo ny asa izay tsy nataon'ny hafa.

John 15:26

Iza no hijoro vavolombelona momba an'i Jesosy?

Ilay mpampahery, izay ny Fanahin'ny Fahamarinana, ary ireo mpianatr'i Jesosy no hijoro vavolombelona momba an'i Jesosy.

Nahoana ireo mpianatra no hijoro vavolombelona momba an'i Jesosy?

Hijoro vavolombelona momba an'i Jesosy izy ireo satria niaraka taminy foana izy ireo hatrany am-piandohana.

John 16

John 16:1

Nahoana Jesosy no miresaka an'ireo zavatra ireo amin'ireo mpianatra?

Nilaza an'ireo zavatra ireo tamin'ireo mpianatra Jesosy mba tsy ho tafintohina izy ireo.

John 16:3

Nahoana ny olona no handroaka an'ireo mpianatr'i Jesosy hivoaka ao amin'ny synagoga ary hamono ny sasany amin'izy ireo?

Hanao izany izy ireo satria tsy fantatr'izy ireo ny Rain'i Jesosy.

Nahoana Jesosy no tsy nilaza tamin'ireo mpianatra ny momba ireo zavatra ireo tany am-piandohana?

Tsy niteny azy ireo tany am-piandohana Jesosy satria Izy niaraka tamin'izy ireo.

John 16:5

Nahoana no tsara kokoa amin'i Jesosy ny mandeha?

Tsara koka amin'i Jesosy ny mandeha satria tsy ho avy eo amin'izy ireo ny mpampahery raha tsy lasa Jesosy; fa raha mandeha Jesosy, dia haniraka ilay mpampahery ho amin'izy ireo.

John 16:8

Momba ny inona no hanamelohan'ilay Mpampahery an'izao tontolo izao?

Momba ny ota, fahamarinana ary fitsarana no hanamelohan'ilay Mpampahery an'izao tontolo izao.

John 16:12

Inona no ataon'ny Fanahin'ny Fahamarinana ho an'ireo mpianatra rehefa tonga izy?

Hitarika an'ireo mpianatra ho amin'ny fahamarinana izy; satria tsy hiteny avy amin'ny tenany izy; fa na inona na inona zavatra reny, dia hilaza an'ireo zavatra ireo izy ary hanambara amin'izy ireo izay zavatra ho avy.

Ahoana no hanomezan'ny Fanahin'ny Fahamarinana voninahitra an'i Jesosy?

Hanome voninahitra an'i Jesosy izy amin'ny alalan'ny fangalana ireo zavatr'i Jesosy sy fanambarana ireo amin'ireo mpianatra.

John 16:15

Zavatr'i Jesosy inona no ho alain'ny Fanahin'ny Fahamarinana?

Ny Fanahin'ny Fahamarinana dia haka ireo zavatry ny Ray. Ireo zavatra rehetra izay nomen'ny Ray ho an'i Jesosy koa.

John 16:17

Inona no teny nolazain'i Jesosy tsy azon'ireo mpianatra?

Tsy azon'izy ireo tamin'i Jesosy niteny hoe: "Afaka fotoana fohy, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary afaka fotoana fohy hafa, dia hahita Ahy indray ianareo." sy tamin'Izy niteny hoe: "Satria ho any amin'ny Ray Aho."

John 16:19

Inona no hitranga amin'ny alahelon'ireo mpianatra?

Hivadika hafaliana izany.

John 16:22

Inona no hitranga mba hampifaly an'ireo mpianatra?

Hahita an'i Jesosy indray izy ireo ka hifaly ny fon'izy ireo.

Nahoana Jesosy no niteny ireo mpianatra mba hangataka sy handray?

Nilaza izany Jesosy mba ho feno ny hafalian'izy ireo.

John 16:26

Antony inona no itiavan'ny Ray manokana an'ireo mpianatr'i Jesosy?

Tia an'ireo mpianatra ny Ray satria tia an'i Jesosy ireo mpianatra ary nino fa avy amin'ny Ray Izy.

Avy aiza Jesosy ary andeha ho aiza?

Jesosy dia tonga avy amin'ny Ray ho amin'izao tontolo izao ary andeha hiala amin'izao tontolo izao ka hiverina any amin'ny Ray.

John 16:32

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho ataon'ireo mpianatra amin'izany ora izany?

Jesosy nilaza fa hiparitaka ireo mpianatra, ny tsirairay samy amin'ny fananany manokana, ary hamela an'i Jesosy ho irery izy ireo.

Iza no mbola niaraka tamin'i Jesosy rehefa navelan'ireo mpianatra ho irery Izy?

Ny Ray dia mbola niaraka tamin'i Jesosy.

Nahoana Jesosy no niteny an'ireo mpianatra mba hahery na dia hisedra olana aza izy ireo eto amin'izao tontolo izao?

Niteny azy ireo mba hahery Jesosy satria Izy efa nandresy an'izao tontolo izao.

John 17

John 17:1

Nahoana ny Ray no nanome an'i Jesosy ny fahefana eo amin'ny nofo?

Nanao izany ny Ray mba hanomezany fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.

John 17:3

Inona no fiainana mandrakizay?

Ny fiainana mandrakizay dia ny fahalalana ny Ray, ilay Andriamanitra marina, ary Izy izay nirahinao, dia Jesosy Kristy.

Ahoana no nanomezan'i Jesosy voninahitra an'Andriamanitra teto an-tany?

Nanao izany Izy tamin'ny fanatanterahana ny asa izay nomen'ny Ray ho ataony.

Inona no voninahitra tadiavin'i Jesosy?

Mila ny voninahitra izay nananany niaraka tamin'ny Ray talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao Izy.

John 17:6

Tamin'iza no nanehoan'i Jesosy ny anaran'ny Ray?

Jesosy naneho ny anaran'ny Ray tamin'ny olona izay nomen'ny Ray an'i Jesosy avy amin'izao tontolo izao.

Ahoana no namalian'ireo olona nomen'ny Ray an'i Jesosy ireo ny tenin'i Jesosy?

Nandray ny tenin'i Jesosy izy ireo ary nahafantatra marina fa Jesosy dia avy amin'ny Ray ka nino izy ireo fa naniraka an'i Jesosy ny Ray.

John 17:9

Tsy mivavaka ho an'iza Jesosy?

Jesosy dia milaza fa tsy mivavaka ho an'izao tontolo izao Izy.

Raha afohezina dia inona no nangatahan'i Jesosy tamin'ny Ray mba ho atao ho an'ireo izay nomen'ny Ray an'i Jesosy?

Jesosy nangataka ny Ray mba hihazona azy ireo amin'ny anaran'ny Ray mba ho iray izy ireo, mba hiaro azy ireo amin'ny devoly, mba hanamasina azy ireo amin'ny fahamarinana, mba ho ao amin'i Jesosy sy ny Ray izy ireo ary mba hanana an'ireo izay nomen'ny Ray Azy hiaraka aminy amin'izay alehany.

John 17:12

Tamin'i Jesosy teto amin'izao tontolo izao, inona no nataon'i Jesosy tamin'ireo izay nomen'ny Ray Azy?

Niaro azy ireo Jesosy.

John 17:15

Raha atao am-bangovangony dia inona no nangatahan'i Jesosy tamin'ny Ray mba ho atao ho an'ireo izay nomen'ny Ray an'i Jesosy?

Jesosy nangataka tamin'ny Ray mba hihazona azy ireo amin'ny anaran'ny Ray mba ho iray izy ireo, mba hiaro azy ireo amin'ny devoly, mba hanamasina azy ireo amin'ny fahamarinana, mba ho ao amin'i Jesosy sy ny Ray izy ireo ary mba hanana an'ireo izay nomen'ny Ray Azy hiaraka aminy amin'izay alehany.

John 17:18

Nahoana Jesosy no nanamasina ny tenany?

Nanamasina ny tenany Jesosy mba ho voamasina amin'ny fahamarinana ihany koa ireo izay nomen'ny Ray Azy.

John 17:20

Ho an'iza ihany koa no ivavahan'i Jesosy?

Jesosy dia mivavaka ho an'ireo izay hino Azy amin'ny alalan'ny tenin'ireo izay manara-dia Azy amin'izany andro izany.

Raha atao am-bangovangony dia inona no nangatahan'i Jesosy tamin'ny Ray mba ho atao ho an'ireo izay nomen'ny Ray an'i Jesosy?

Jesosy nangataka ny Ray mba hihazona azy ireo amin'ny anaran'ny Ray mba ho iray izy ireo, mba hiaro azy ireo amin'ny devoly, mba hanamasina azy ireo amin'ny fahamarinana, mba ho ao amin'i Jesosy sy ny Ray izy ireo ary mba hanana an'ireo izay nomen'ny Ray Azy hiaraka aminy amin'izay alehany.

John 17:22

Toy ny ahoana no fitiavan'ny Ray an'ireo izay nomeny an'i Jesosy?

Ny Ray dia tia azy ireo tahaka ny itiavany an'i Jesosy.

John 17:24

Raha raha atao am-bangovangony dia inona no nangatahan'i Jesosy tamin'ny Ray mba ho atao ho an'ireo izay nomen'ny Ray an'i Jesosy?

Jesosy nangataka ny Ray mba hihazona azy ireo amin'ny anaran'ny Ray mba ho iray izy ireo, mba hiaro azy ireo amin'ny devoly, mba hanamasina azy ireo amin'ny fahamarinana, mba ho ao amin'i Jesosy sy ny Ray izy ireo ary mba hanana an'ireo izay nomen'ny Ray Azy hiaraka aminy amin'izay alehany.

John 17:25

Nahoana Jesosy no nampahafantatra sy hampahafantatra ny anaran'ny Ray amin'ireo izay nomen'ny Ray Azy?

Jesosy nampahafantatra ary hampahafantatra izany mba ho ao amin'izy ireo ny fitiavana izay hitiavan'ny Ray an'i Jesosy ary mba ho ao amin'izy ireo Jesosy.

John 18

John 18:1

Rehefa avy niteny ireo teny ireo Jesosy, dia nankaiza Izy?

Nandeha niaraka tamin'ireo mpianany nankany amin'ny lohasahan-drikan'i Kidrona Izy izay nisy saha ary niditra tao.

Ahoana no nahalalan'i Jesosy ny momban'ilay saha?

Nahafantatra ny momban'izany Izy satria nandeha teny matetika niaraka tamin'ireo mpianany Jesosy.

Iza koa no tonga tany amin'ilay saha niaraka tamin'ny fanilo, fanala ary fitaovam-piadiana?

Tonga tany amin'ilay saha ihany koa Jodasy, vondrona miaramila sy mpiandry raharaha avy amin'ireo lohan'ny mpisorona ary Fariseo.

John 18:4

Inona no nanontanian'i Jesosy an'io vondron'olona tao amin'ilay saha io?

Nanontany azy ireo Jesosy hoe: "Iza no tadiavinareo?"

John 18:6

Inona no nitranga rehefa niteny ireo vondron'olona fa mitady an'i Jesosy avy any Nazareta ka namaly Jesosy hoe: "Izaho no Izy."?

Niemotra ireo miaramila sy ireo hafa niaraka tamin'izy ireo ary nianjera tamin'ny tany.

John 18:8

Nahoana Jesosy no niteny hoe: "Niteny anareo Aho fa Izaho no Izy. Noho izany raha mitady Ahy ianareo, dia avelao ireto handeha."?

Niteny izany Jesosy mba ho tanteraka ny teny nolazainy hoe: "Amin'ireo izay nomenao Ahy, tsy nasiko very na iray aza."

John 18:10

Inona ny nolazain'i Jesosy an'i Petera taorian'ny nikapan'i Petera ny sofin'i Malko, mpanompon'ny mpisoronabe?

Hoy Jesosy tamin'i Petera hoe: "Avereno ao amin'ny tranony ny sabatrao. Tsy tokony hisotro ny kapoaka izay nomen'ny Ray Ahy ve Aho?"

John 18:12

Taorian'ireo antoko-miaramila, ny kapitenin'izy ireo sy ireo mpiandry raharaha nisambotra an'i Jesosy, dia taiza no nitondrany Azy?

Nentin'izy ireo tany amin'i Anasy aloha Jesosy.

Iza Anasy?

Anasy dia rafozan'i Kaiafa, izay mpisoronabe tamin'izany.

John 18:15

Ahoana no nahatongavan'i Petera tao an-kianjan'ny mpisoronabe?

Nisy mpianatra izay fantatrin'ny mpisoronabe, nivoaka ary niresaka tamin'ilay mpanompovavy izay niandry ny vavahady ka nitondra an'i Petera hiditra.

John 18:17

Iza no nanontany an'i Petera raha mpianatr'i Jesosy izy na niaraka tamin'i Jesosy?

Ilay vehivavy niandry vavahady teo an-kianja, ny olona nijoro nanodidina ny afo ary ny iray tamin'ireo mpanompon'ny mpisoronabe, izay havan'ilay lehilahy notapahan'i Petera ny sofiny, dia nanontany avokoa raha niaraka tamin'i Jesosy na mpianatr'i Jesosy i Petera.

John 18:19

Raha atao fohifohy dia ahoana no navalin'i Jesosy rehefa nanontany Azy momban'ireo mpianany sy ny fampianarany ny mpisoronabe?

Nilaza Jesosy fa niteny ampahibemaso tamin'izao tontolo izao Izy. Niteny tamin'ny lohan'ny mpisorona Izy mba hanontany an'ireo izay nandre Azy tamin'izay nolazainy.

John 18:22

Rehefa avy nanontany an'i Jesosy i Anasy dia taiza no nandefasany an'i Jesosy?

Nalefan'i Anasy tany amin'i Kaiafa mpisoronabe i Jesosy.

John 18:25

Inona no nitranga avy hatrany taorian'ny nandavan'i Petera fanintelony fa niaraka tamin'i Kristy izy?

Avy hatrany dia naneno ny akoho taorian'ny fandavan'i Petera fanintelony fa niaraka tamin'i Kristy.

John 18:28

Nahoana ireo nitondra an'i Jesosy ho any anaty rova no tsy niditra tao?

Tsy niditra tao anaty rova izy mba tsy ho voaloto ary mba ho afaka hihinana ny Paska.

Ahoana no namalian'ireo mpiampanga an'i Jesosy an'i Pilato rehefa nanontany azy ireo izy hoe: "Inona no fiampangana entinareo manohitra ity lehilahy ity?"

Namaly izy ireo ary niteny taminy hoe: "Raha tsy mpanao ratsy io lehilahy io, dia tsy ho natolotray anao."

John 18:31

Nahoana ireo Jiosy no nitondra an'i Jesosy tany amin'i Pilato fa tsy nanasazy azy fotsiny?

Nikasa hamono an'i Jesosy ireo Jiosy ary tsy ara-dalàna ho azy ireo ny manolotra olona ho faty raha tsy nahazoana alalana avy amin'ny manam-pahefana Romana (Pilato).

John 18:33

Inona no nanontanian'i Pilato tamin'i Jesosy?

Pilato nanontany tamin'i Jesosy raha Izy no mpanjakan'ny Jiosy, ary nanontany an'i Jesosy izay vitany ihany koa.

John 18:36

Inona no nolazain'i Jesosy an'i Pilato momba ny fanjakan'i Jesosy?

Jesosy niteny an'i Pilato fa ny fanjakany dia tsy anatin'izao tontolo izao ary tsy avy eto.

Ho amin'ny inona no tanjona nahaterahan'i Jesosy?

Jesosy dia teraka mba ho mpanjaka.

John 18:38

Inona no fitsaran'i Pilato momba an'i Jesosy taorian'ny niresahana taminy?

Hoy Pilato tamin'ireo Jiosy hoe: "Tsy mahita heloka amin'ity lehilahy ity aho."

Rehefa nanolotra hanafaka an'i Jesosy i Pilato, dia inona no nolazain'ny vahoaka tamin'i Pilato?

Nihiaka mafy indray ireo Jiosy ary niteny hoe: "Tsy io lehilahy io, fa Barabasy."

John 19

John 19:1

Inona no nataon'ireo miaramila tamin'i Jesosy rehefa avy nasain'i Pilato nokapohina Jesosy?

Nandrandrana tsilo ireo miaramila mba hanaovana satro-boninahitra, nametraka izany teo amin'ny lohan'i Jesosy, ary nampitafy lamba volomparasy Azy. Nanatona Azy izy ireo ary nilaza hoe: "Arahaba, ry mpanjakan'ny Jiosy!" ary nikapoka Azy tamin'ny tanana izy ireo.

John 19:4

Nahoana Pilato no nitondra an'i Jesosy teo amin'ny vahoaka indray?

Nitondra an'i Jesosy teo amin'ny vahoaka i Pilato mba hahafantaran'izy ireo fa tsy mahita heloka amin'i Jesosy i Pilato.

Inona no nanaovan'i Jesosy tamin'Izy nentin'i Pilato nivoaka teo amin'ny vahoaka?

Nanao ilay satroka tsilo sy ilay lamba volomparasy Jesosy.

Inona no nolazain'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpiandry raharaha rehefa nahita an'i Jesosy?

Nihiaka mafy izy ireo ary niteny hoe: "Homboy Izy, homboy Izy!"

John 19:7

Inona no nolazain'ireo Jiosy ka nahatonga an'i Pilato natahotra kokoa?

Hoy ireo Jiosy tamin'i Pilato hoe: "Manana lalàna isika, ary araka ny lalàna dia tokony ho faty Izy satria mitonon-tena ho Zanak'Andriamanitra."

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Pilato nanontany Azy hoe: "Avy aiza ny fihavianao?"

Tsy nanome valin-teny an'i Pilato i Jesosy.

John 19:10

Iza no nolazain'i Jesosy fa manome fahefana an'i Pilato amin'i Jesosy?

Hoy Jesosy hoe: "Tsy manana fahefana Amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany."

John 19:12

Na dia te-hanafaka an'i Jesosy aza Pilato, dia inona no nolazain'ireo Jiosy fa nanakana azy?

Nihiaka mafy ireo Jiosy nanao hoe: "Raha afahanao io lehilahy io, dia tsy naman'i Kaisara ianao. Izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an'i Kaisara."

John 19:14

Inona ny zavatra farany nolazain'ireo lohan'ny mpisorona talohan'ny nanoloran'i Pilato an'i Jesosy tamin'izy ireo mba homboana?

Hoy ireo lohan'ny mpisorona hoe: "Tsy manana mpanjaka ankoatra an'i Kaisara izahay."

John 19:17

Taiza no nanomboan'izy ireo an'i Jesosy?

Tany Golgota izay midika hoe toeran'ny karandoha no nanomboan'izy ireo an'i Jesosy.

Jesosy irery ve no nomboana teo tamin'io andro io?

Tsia. Nisy lehilahy roa, tamin'ny andanin'i Jesosy anankiroa izay nomboana niaraka taminy.

John 19:19

Inona no nosoratan'i Pilato tao amin'ilay famantarana izay napetaka teo amin'ny hazofijalian'i Jesosy?

Teo amin'ilay famantarana dia voasoratra hoe: "JESOSY AVY ANY NAZARETA, ILAY MPANJAKAN'NY JIOSY."

Tamin'ny fiteny inona no nanoratana an'ilay famantarana teo amin'ny hazofijalian'i Jesosy?

Ilay famantarana dia voasoratra tamin'ny teny Hebreo, Latina, ary Grika.

John 19:23

Inona no nataon'ireo miaramila tamin'ny ankanjon'i Jesosy?

Nozarain'ireo miaramila ho efatra ny ankanjon'i Jesosy, iray avy isaky ny miaramila. Fa niloka izy ireo mba ahitana hoe iza no hahazo ny akanjon'i Jesosy.

Nahoana ireo Jiosy no nanao izay nataon'izy ireo tamin'ny ankanjon'i Jesosy?

Nitranga izany mba ho tanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: "Nifampizaran'izy ireo ny lambako ary nilokany ny fitafiako."

John 19:25

Iza no nitsangana teo akaikin'ny hazofijalian'i Jesosy?

Ny renin'i Jesosy, ny rahavavin-dreniny, Maria vadin'i Klopa, Maria Magdalena, ary ilay mpianatra izay tian'i Jesosy no nitsangana teo akaikin'ny hazofijalian'i Jesosy.

Inona no nolazain'i Jesosy ny reniny rehefa hitany teo akaiky teo ny reniny sy ilay mpianatra tiany?

Hoy Jesosy taminy hoe: "Ravehivavy, indro, ny zanakao lahy!"

Inona no nataon'ilay mpianatra tian'i Jesosy taorian'ny nilazan'i Jesosy taminy hoe: "Indro, ny zanakao lahy!"?

Tamin'io ora io dia nentin'ilay mpianatra izay tian'i Jesosy nankany amin'ny tranony manokana ny renin'i Jesosy.

John 19:28

Nahoana Jesosy no niteny hoe: "Mangetaheta Aho"?

Jesosy niteny izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina.

Inona no nataon'i Jesosy taorian'ny nisotroany ilay divay marikivy tamin'ny sipaonjy izay napetaka tamin'ny vavany?

Taorian'ny nandraisana an'ilay divay marikivy dia hoy Jesosy hoe: "Efa vita." Avy eo nanondrika ny lohany Izy ary niala ny fanahiny.

John 19:31

Nahoana ireo Jiosy no nitady hanapaka ny tongotr'ireo lehilahy nombohina?

Andron'ny fiomanana tamin'izay, ka mba tsy hijanona eo amin'ny hazofijaliana mandritry ny Sabata ireo vata-mangatsiaka (satria ny Sabata dia andro manan-danja manokana) dia nangataka tamin'i Pilato ireo Jiosy avy eo, ny mba hanapahana ny tongotr'izy ireo ary hanalana azy ireo.

Nahoana ireo miaramila no tsy nanapaka ny tongotr'i Jesosy?

Tsy nanapaka ny tongotr'i Jesosy izy ireo satria hitan'izy ireo fa efa maty Izy.

John 19:34

Inona no nataon'ireo miaramila tamin'i Jesosy taorian'ny nahitan'izy ireo fa efa maty Izy?

Nisy iray tamin'ireo miaramila nanindrona ny lanivoan'i Jesosy tamin'ny lefona.

Nahoana ilay iray izay nahita izany zavatra rehetra mahakasika ny fanomboana an'i Jesosy izany no nijoro vavolombelona tamin'izy ireo?

Nijoro vavolombelona tamin'ireo zavatra ireo ilay olona mba hinoanareo.

John 19:36

Nahoana ny tongotr'i Jesosy no tsy tapaka ary nahoana Jesosy no notsindromina tamin'ny lefona?

Niseho ireo zavatra ireo mba ho tanteraka ny Soratra Masina hoe: "Tsy hisy ho tapaka na dia iray amin'ny taolany aza." ary indray hoe: "Izy ireo dia hijery Azy izay nolefonin'izy ireo."

John 19:38

Iza no tonga sy nangataka ny haka ny vatan'i Jesosy?

Josefa avy ao Arimatia no nangataka tamin'i Pilato mba hahafahany mitondra ny vata-mangatsikan'i Jesosy.

Iza no tonga niaraka tamin'i Josefa avy ao Arimatia mba haka ny vata-mangatsikan'i Jesosy?

Nikodemosy no tonga niaraka tamin'i Josefa avy ao Armatia.

John 19:40

Inona no nataon'i Josefa avy ao Armatia sy Nikodemosy tamin'ny vata-mangatsikan'i Jesosy?

Nofonosin'izy ireo tamin'ny lamba rongony sy zava-manitra ny vatan'i Jesosy. Avy eo nalevin'izy ireo tao amin'ny fasana vaovao izay teo an-tsaha ny vatan'i Jesosy.

John 20

John 20:1

Oviana Maria Magdalena no nankeny amin'ilay fasana?

Vao marainan'ny andro voalohany tamin'ny herinandro izy no nankeny amin'ny fasana.

Inona no hitan'i Maria Magdalena rehefa tonga teo amin'ilay fasana?

Nahita ilay vato efa nikodia lavitry ny fasana izy.

Inona no nolazain'i Maria Magdalena tamin'ireo mpianatra roa?

Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Nalain'izy ireo tao amin'ny fasana ny Tompo, ary tsy fatatray izay nametrahan'izy ireo Azy."

John 20:3

Inona no nataon'i Petera sy ilay mpianatra hafa taorian'ny nandrenesan'izy ireo izay nolazain'i Maria Magdalena?

Niara-nihazakazaka nankany amin'ny fasana izy ireo.

John 20:6

Inona no hitan'i Simona Petera tao amin'ilay fasana?

Tazan'i Petera nipetraka teo ilay lambam-paty. Tsy niara-nipetraka tamin'ilay lambam-paty ilay lamba natao teo amin'ny lohany fa nivalona ho azy teo amin'ny toerany.

John 20:8

Inona no navalin'ilay mpianatra hafa tamin'izay hitany tao am-pasana?

Nahita izy ka nino.

John 20:11

Inona no hitan'i Maria tamin'izy niondrika sy nijery tao am-pasana?

Nahita anjely roa mitafy lamba fotsy nipetraka izy, ny iray teny an-doha, ary ny iray teny an-tongotra, izay nametrahana ny vatan'i Jesosy.

Inona no nolazain'ireo anjely tamin'i Maria?

Nanontany azy izy ireo hoe: "Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany?"

John 20:14

Rehefa nitodika Maria dia inona no hitany?

Nahita an'i Jesosy izy, fa tsy fantany hoe Jesosy io.

Noheverin'i Maria ho iza Jesosy?

Noheveriny fa mpiambina Izy.

John 20:16

Oviana vao fantatr'i Maria i Jesosy?

Nahafantatra an'i Jesosy izy tamin'Izy niantso ny anarany hoe: "Maria."

Nahoana Jesosy no niteny an'i Maria mba tsy hikasika Azy?

Niteny azy mba tsy hikasika Azy Jesosy satria tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Izy.

Inona no nolazain'i Jesosy an'i Maria mba ho lazaina amin'ireo rahalahiny?

Jesosy niteny azy mba hilaza amin'ireo rahalahiny, fa hiakatra any amin'ny Raiko sy Rainareo Aho, ary ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo.

John 20:19

Inona no nitranga tany amin'ny toerana nisy ny mpianatra tamin'ny hariva tamin'ny andro voalohan'ny herinandro?

Tonga Jesosy ary nitsangana teo afovoan'izy ireo.

Inona no nataon'i Maria Magdalena taorian'ny nahitany ilay vato nikodia lavitr'ilay fasana?

Nihazakazaka izy ary nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra hafa tian'i Jesosy.

Inona no nasehon'i Jesosy an'ireo mpianatra?

Nasehony azy ireo ny tanany sy ny lanivoany.

John 20:21

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho ataony amin'ireo mpianatra?

Nilaza Jesosy fa haniraka ireo mpianatra Izy tahaka ny nanirahan'ny Ray Azy.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany taorian'Izy nitsoka ny fofon'ainy tamin'izy ireo?

Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Raiso ny Fanahy Masina. Na helok'iza na helok'iza avelanareo, dia ho voavela izy ireo; ary na an'iza na an'iza tsy avelanareo, dia tsy voavela izy ireo."

John 20:24

Iza tamin'ireo mpianatra no tsy niaraka tamin'ireo mpianatra hafa teo rehefa nahita an'i Jesosy izy ireo?

Tomasy, iray amin'ireo roa ambin'ny folo, antsoina hoe Didymo, no tsy niaraka tamin'ireo mpianatra hafa rehefa tonga Jesosy.

Inona no nolazain'i Tomasy fa ilainy hita eny Aminy vao hino izy fa velona Jesosy?

Nilaza Tomasy fa mila mahita ireo diam-pantsika eo amin'ny tanan'i Jesosy izy ary mametraka ny ratsan-tanany eo amin'ny lanivoan'i Jesosy mialohan'ny hinoany.

John 20:26

Oviana no nahitan'i Tomasy an'i Jesosy?

Valo andro taty aoriana dia niaraka tamin'ireo mpianatra hafa Tomasy rehefa tonga Jesosy raha nihidy ny varavarana ary nijoro teo amin'izy ireo.

Inona no nasain'i Jesosy nataon'i Tomasy?

Jesosy niteny an'i Tomasy mba hanatona ary hametraka ny ratsan-tanany eo amin'ny lanivoan'i Jesosy. Avy eo Jesosy niteny tamin'i Tomasy mba tsy ho kely finoana, fa hino.

John 20:28

Inona no nolazain'i Tomasy tamin'i Jesosy?

Hoy Tomasy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro."

Iza no nolazain'i Jesosy fa sambatra?

Hoy Jesosy hoe: "Sambatra ireo izay tsy nahita, nefa mino."

John 20:30

Nanao famantarana hafa izay tsy voasoratra tao amin'ny boky ve Jesosy?

Eny, nanao famantarana maro teo anatrehan'ireo mpianatra Jesosy izay tsy voasoratra tao amin'ny bokin'i Jaona.

Nahoana ireo famantarana no voasoratra ao amin'ny boky?

Voasoratra ireo mba hino ianareo fa Jesosy no Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra, ary mba rehefa mino ianareo, dia hahazo ny fiainana amin'ny anarany.

John 21

John 21:1

Taiza ireo mpianatra tamin'i Jesosy niseho tamin'izy ireo indray?

Tany amin'ny ranomasin'i Tiberiasy ireo mpianatra tamin'i Jesosy niseho tamin'izy ireo indray.

Iza avy ireo mpianatra tany amin'ny Ranomasin'i Tiberiasy?

Simona Petera, Tomasy, antsoina hoe Didymo, Natanaela avy any Kana any Galilia, ireo zanak'i Zebedio ary mpianatr'i Jesosy roa hafa no tany amin'ny Ranomasin'i Tiberiasy.

Inona no nataon'ireo mpianatra ireo?

Nandeha nanarato ireo mpianatra ireo saindy tsy nahazo na inona na inona ny alina tontolo.

John 21:4

Inona nasain'i Jesosy nataon'ireo mpianatra?

Jesosy niteny an'ireo mpianatra mba hanipy ny haraton'izy ireo any amin'ny sisiny an-kavanan'ny sambo dia hahazo hazandrano izy ireo.

Inona no nitranga rehefa nanipy ny haratony ireo mpianatra?

Tsy nahavita nampiakatra izany izy ireo nohon'ny habetsaky ny hazandrano tao.

John 21:7

Inona no nataon'i Simona Petera tamin'ilay mpianatra tian'i Jesosy niteny hoe: "Ny Tompo io."?

Nampidiriny ny ambonin'ankanjony ary nitsambikina tao anaty ranomasina izy.

Inona no nataon'ireo mpianatra hafa?

Nankao an-tsambokely ireo mpianatra ka nisintona ny harato feno hazandrano.

John 21:10

Inona no nasain'i Jesosy ataon'ireo mpianatra tamin'ireo hazandrano izay azon'izy ireo?

Jesosy niteny ireo mpianatra mba hitondra ny sasany amin'ireo hazandrano izay azon'izy ireo.

John 21:12

Impiry izay no nisehoan'i Jesosy tamin'ireo mpianatra hatramin'ny nitsanganany?

Fanintelony izao no nisehoan'i Jesosy tamin'ireo mpianatra hatramin'ny nitsanganany.

John 21:15

Taorian'ny sakafo maraina dia inona no zavatra nanontanian'i Jesosy voalohany an'i Petera?

Jesosy nanontany an'i Simona Petera raha tia an'i Jesosy mihoatra noho ireo izy.

John 21:17

Ahoana no namalian'i Simona Petera an'i Jesosy tamin'ny fanintelony nanontanian'i Jesosy an'i Petera raha tia an'i Jesosy izy?

Tamin'ny fanintelony nanontaniana azy dia namaly Petera hoe: "Tompo, Ianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia Anao aho."

Tamin'ny fanintelony namalian'i Petera ny fanontanian'i Jesosy hoe: "Tia Ahy ve ianao?" dia inona no nasain'i Jesosy nataon'i Petera?

Tamin'ny fanintelony dia hoy Jesosy taminy hoe: "Fahano ny ondriko."

Inona no nolazain'i Jesosy an'i Simona Petera fa hitranga aminy rehefa antitra Simona?

Jesosy niteny an'i Simona Petera fa rehefa antitra izy, dia haninjitra ny tananya ary olon-kafa no hampiankanjo azy sy hitondra azy amin'izay tsy tiany aleha.

John 21:19

Nahoana Jesosy no niteny tamin'i Petera ny amin'izay hitranga amin'i Petera rehefa antitra izy?

Nilaza izany Jesosy mba hahafantarana hoe amin'ny karazana fahafatesana toy ny inona no hanomezan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra.

John 21:22

Ahoana no namalian'i Jesosy ny fanontanian'i Petera hoe: "Tompo, inona no ho ataon'io lehilahy io?"

Jesosy niteny tamin'i Petera hoe: "Manaraha Ahy."

John 21:24

Iza no nanoratra an'ity boky ity ary inona no fijoroana vavolombelona entiny?

Ilay mpianatra tian'i Jesosy no nanoratra an'ity boky ity ary mijoro vavolombelona izy fa ireo zava-nisy voafaritra ao amin'ny boky dia marina.