Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Ephesians 1

Ephesians 1:1

Ahoana no hamaritan'i Paoly ny olona izay anoratany ao amin'ny taratasiny?

Paoly dia mamaritra ny olona izay soratany ho voatokana ho an'Andriamanitra, sy tena mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy.

Ephesians 1:3

Tamin'ny inona no nitahian'Andriamanitra ilay Ray an'ireo mpino?

Andriamanitra ilay Ray dia nitahy an'ireo mpino tamin'ny fitahiam-panahy rehetra avy any an-danitra ao amin'i Kristy.

Oviana Andriamanitra ilay Ray no nisafidy an'ireo izay mino an'i Kristy?

Andriamanitra ilay Ray dia nisafidy an'ireo izay mino an'i Kristy talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao.

Ho amin'ny tanjona inona no nisafidianan' Andriamanitra an'ireo mpino?

Andriamanitra ilay Ray dia nisafidy an'ireo mpino mba ahafahan'izy ireo ho masina sy tsy manan-tsiny eo imasony.

Ephesians 1:5

Nahoana Andriamanitra no nandahatra an'ireo mpino mialoha ho amin'ny fananganana?

Nandahatra an'ireo mpino mialoha Andriamanitra satria sitrany ny hanao izany, ary mba hiderana Azy amin'ny fahasoavany be voninahitra.

Ephesians 1:7

Inona no raisin'ireo mpino amin'ny alalan'ny ràn'i Kristy, ilay malalan'Andriamanitra.

Ireo mpino dia mandray ny fanavotana amin'ny alalan'ny ràn'i Kristy, ny famelàn-keloka.

Ephesians 1:9

Inona no ho ataon'Andriamanitra rehefa tonga ny fotoana amin'ny fahafenoan'ny fandaharana?

Andriamanitra dia hanangona ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany ho eo ambanin'i Kristy.

Ephesians 1:13

Inona no tombon-kase raisin'ireo mpino rehefa mandre ny tenin'ny fahamarinana izy ireo?

Ireo mpino dia nandray ny tombon-kasen'ilay Fanahy Masina nampanantenaina.

Amin'ny inona no maha-antoka ny Fanahy?

Ny Fanahy dia antoka ho an'ny lovan'ireo mpino.

Ephesians 1:17

Inona no ivavahan'i Paoly mba hanazavana ny fahazoan'ireo Efesiana?

Paoly dia mivavaka mba hazava amin'ny fahazoana ny toky izay niantsoana azy ireo ny Efesiana.

Ephesians 1:19

Inona no nataon'ilay hery izay miasa amin'ireo mpino ankehitriny amin'i Kristy?

Izany hery mitovy izany dia nanangana an'i Kristy tamin'ny maty ary nametraka Azy teo an-tanana ankavanan'Andriamanitra any an-danitra.

Ephesians 1:22

Inona no napetrak'Andriamanitra ao ambanin'ny tongotr'i Kristy?

Andriamanitra dia nametraka ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongotr'i Kristy.

Inona no toeram-pahefan'i Kristy ao am-piangonana?

Kristy no lohan'ny zavatra rehetra ao amin'ny fiangonana.

Inona no atao hoe fiangonana?

Ny fiangonana dia vatan'i Kristy.

Ephesians 2

Ephesians 2:1

Inona no fepetra ara-panahin'ireo tsy mpino rehetra?

Ireo tsy mpino rehetra dia maty anatin'ny fahadisoana sy ny fahotan'izy ireo.

Iza no miasa amin'ireo zanakin'ny tsy fankatoavana?

Ny fanahin'ny mpanapaka ireo fahefana eny amin'ny rivotra no miasa amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana.

Ara-boajanahary, inona ireo tsy mpino rehetra?

Ireo tsy mpino rehetra dia voahary ho zanaky ny fahatezerana.

Ephesians 2:4

Nahoana Andriamanitra no nitondra tsy mpino sasantsasany ho any amin'ny fiainam-baovao miaraka amin'i Kristy?

Nitondra tsy mpino sasany ho any amin'ny fiainam-baovao Andriamanitra nohon'ny haben'ny famindram-pony sy fitiavany lehibe.

Tamin'ny inona no namonjena an'ireo mpino?

Ireo mpino dia novonjena tamin'ny fahasoavan' Andriamanitra.

Aiza no mipetraka ireo mpino?

Ireo mpino dia mipetraka any an-danitra miaraka amin'i Kristy Jesosy.

Ho amin'ny tanjona inona no namonjen' Andriamanitra sy nananganany an'ireo mpino?

Andriamanitra nanavotra sy nanangana an'ireo mpino mba hahafahany mampiseho azy ireo ny halehiben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny vanim-potoana ho avy.

Ephesians 2:8

Amin'ny inona no tsy tokony hireharehan'ny mpino ary nahoana?

Tsy misy mpino tokony hirehareha amin'ny asany, satria izy voavonjy tamin'ny alalan'ny fahasoavana izay fanomezan'Andriamanitra.

Ho amin'ny tanjona inona no namoronan' Andriamanitra an'ireo mpino an'i Kristy Jesosy?

Ny tanjon'Andriamanitra amin'ireo mpino an'i Kristy Jesosy dia ny handehanana amin'ny asa tsara.

Ephesians 2:11

Inona no toetra ara-panahin'ireo Jentilisa tsy mpino?

Ireo Jentilisa tsy mpino dia nosarahina tamin'i Kristy, tafasaraka tamin'Israely, vahiny amin'ny fanekena, tsy manana fanantenana ary tsy miaraka amin'Andriamanitra.

Ephesians 2:13

Inona no nitondra an'ireo tsy mpino Jentilisa sasany teo akaikin'Andriamanitra?

Ireo Jentilisa tsy mpino sasany dia nentina teo akaikin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny ràn'i Kristy.

Ahoana no nanovan'i Kristy ny fifandraisana teo amin'ireo Jentilisa sy Jiosy?

Tamin'ny alalan'ny vatany, dia nataon'i Kristy ho iray ihany ireo Jentilisa sy Jiosy, namotika ny fanoherana izay nampizarazara azy ireo.

Inona no nofoanan'i Kristy mba hanaovana fampihavanana eo amin'ireo Jiosy sy Jentilisa?

Kristy dia nanafoana ny lalàn'ireo didy sy fitsipika mba hanaovana fampihavanana eo amin'ireo Jiosy sy Jentilisa.

Ephesians 2:17

Amin'ny alalan'ny inona no hananan'ireo mpino rehetra fifandraisana amin'ny Ray?

Ireo mpino rehetra dia manana fifandraisana amin'ny Ray amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.

Ephesians 2:19

Amin'ny fototra inona no nanorenana ny fianakavian'Andriamanitra?

Ny fianakavian'Andriamanitra dia niorina tamin'ny fototra fanorenan'ireo apostoly sy mpaminany, ary Kristy Jesosy no vato fehizoro.

Inona no ataon'ny herin'i Jesosy amin'ny fanorenana rehetran'ny fianakaviany?

Ny herin'i Jesosy dia mikambana ary mampitombo ny fanorenana rehetran'ny fianakaviany.

Karazana fanorenana inona ny fanorenan'ny fianakavian'Andriamanitra?

Ny fanorenan'ny fianakavian'Andriamanitra dia tempoly voatokana ho an'ny Tompo.

Aiza no itoeran'Andriamanitra ao amin'ny Fanahy?

Andriamanitra dia mitoetra ao amin'ny Fanahy ao anatin'ny mpino.

Ephesians 3

Ephesians 3:1

Ho an'ny tombontsoan'iza no nanomezan'Andriamanitra an'i Paoly ny fanomezany?

Andriamanitra dia nanome an'i Paoly ny fanomezany ho an'ny tombontsoan'ireo Jentilisa.

Ephesians 3:3

Inona no tsy nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka hafa?

Ilay marina miafina momba an'i Kristy dia tsy nampahafantarina an'ireo taranaka hafa.

Tamin'iza no nanambaran'Andriamanitra an'ilay tsy nampahafantarina tamin'ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka hafa?

Andriamanitra dia nanambara ilay marina miafina momba an'i Kristy tamin'ireo apostoly sy mpaminany.

Ephesians 3:6

Marina miafina inona no nambara?

Izany marina miafina izany dia milaza fa ireo Jentilisa dia mpiara-mandova sy mpiara-miombona amin'ny vatana, ary mizara ny fampanantenana ao amin'i KristyJesosy.

Inona no fanomezana nomena an'i Paoly?

Ny fahasoavan'Andriamanitra no nomena an'i Paoly.

Ephesians 3:8

Hahalala momba ny inona no nanirahina an'i Paoly hanampy an'ireo Jentilisa?

Paoly dia nirahina hanampy an'ireo Jentilisa mba hahazo ny momba ny fandaharan'Andriamanitra.

Ephesians 3:10

Tamin'ny alalan'ny inona no nampahafantarana ny toetra maron'ny fanhendren'Andriamanitra?

Tamin'ny alalan'ny fiangonana no nampahafantarana ny toetra maron'ny fahendren'Andriamanitra.

Ephesians 3:12

Inona no lazain'i Paoly fa ananan'ireo mpino nohon'ny finoana an'i Kristy?

Paoly dia milaza fa ireo mpino dia manana fahasahiana sy lalana am-pahatokiana nohon'ny finoana an'i Kristy.

Ephesians 3:14

Inona no nomena anarana sy nohariana taorian'ny Ray?

Ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany dia nomena anarana sy nohariana taorian'ny Ray.

Ahoana no ivavahan'i Paoly mba hanatanjahana an'ireo mpino?

Paoly dia mivavaka mba hatanjaka amin'ny hery amin'ny alalan'ny Fanahin' Andriamanitra ireo mpino.

Ephesians 3:17

Inona no nivavahan'i Paoly mba ho azon'ireo mpino?

Paoly dia mivavaka mba ho afaka mahazo ny sakany sy ny halava ary hahavo sy halalin'ny fitiavan'i Kristy ireo mpino.

Ephesians 3:20

Inona no ivavahan'i Paoly mba homen'ny Ray an'ireo taranaka rehetra?

Paoly dia mivavaka mba homen'ny Ray an'ireo taranaka rehetra ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy.

Ephesians 4

Ephesians 4:1

Ahoana no namporisihan'i Paoly an'ireo mpino mba hiainana?

Paoly dia namporisika an'ireo mpino mba hiaina am-panetre-tena, an-katsaram-panahy, ary am-paharetana, hifanaiky am-pitiavana.

Ephesians 4:4

Inona no lazain'i Paoly ao amin'ny lisitr'ireo zavatra izay tsy misy afa-tsy iray ihany?

Paoly dia milaza fa iray ihany ny vatana, Fanahy, fanantenana azo antoka, Tompo, finoana, batisa, ary Andriamanitra ilay Ray.

Ephesians 4:7

Inona no nomen'i Kristy ny mpino tsirairay taorian'ny niakarany?

Kristy dia nanome ny mpino tsirairay ny fanomezana araka ny haben'ny fanomezan'i Kristy.

Ephesians 4:11

Inona ireo fanomezana dimin'i Kristy ho an'ny vatana izay notanisain'i Paoly?

Kristy dia nanome ny vatana ny fanomezan'ireo apostoly, mpaminany, evanjelista, pastora, ary mpampianatra.

Ho amin'ny tanjona inona no eritreretina hiasan'ireo fanomezana dimy ho an'ny vatana ireo?

Ireo fanomezana dimy ho an'ny vatana dia noeritreretina mba hanampy an'ireo mpino ho an'ny asa fanompoana, ho an'ny fanorenana ny vatana.

Ephesians 4:14

Ahoana no hilazan'i Paoly fa mety ho toy ny zaza ireo mpino?

Ireo mpino dia mety ho toy ny zaza amin'ny alalan'ny fitopatopana manodidina sy ny hafetsen'ireo olona sy tetika feno fitaka.

Ahoana no ilazan'i Paoly fa namboarina ny vatan'ireo mpino?

Ny vatan'ireo mpino dia nakambana sy natambatra amin'ny isan-tonony, miara miasa amin'ny fitomboan'ny vatana, ho amin'ny fanorenana ny tena amin'ny fitiavana.

Ephesians 4:17

Ahoana ny fomba fiainan'ireo Jentilisa araka ny nolazain'i Paoly?

Ireo Jentilisa dia maizina amin'ny fisainan'izy reo, tafasaraka amin'Andriamanitra, ary manao asa feno fahalotoana.

Ephesians 4:23

Inona no lazain'i Paoly fa tsy maintsy esorina na tafian'ireo mpino?

Ireo mpino dia tsy maintsy manala ilay olona taloha, ary mitafy ilay olom-baovao.

Ephesians 4:25

Ahoana no hanomezan'ny mpino hirika ny devoly?

Ny mpino dia afaka manome hirika ny devoly amin'ny alalan'ny famelana ny masoandro hahatratra ny hatezerany.

Ephesians 4:28

Inona no tsy maintsy ataon'ireo mpino fa tsy mangalatra?

Ireo mpino dia tsy maintsy miasa mba afahany mizara amin'ny olona izay ao anatin'ny tsy fahampiana.

Karazana teny inona no tsy maintsy mivoaka amin'ny vavan'ny mpino?

Tokony tsy hisy teny maloto hivoaka amin'ny vavan'ny mpino, fa kosa teny izay manorina ny hafa.

Iza no tsy azaon'ny mpino ampalahelovana?

Ny mpino dia tsy tokony hampalahelo ny Fanahy Masina.

Ephesians 4:31

Inona no mila ataon'ny mpino nohon'ny famelan'Andriamanitra azy tao amin'i Kristy?

Ny mpino dia tsy maintsy mamela ireo hafa satria Andriamanitra namela azy tao amin'i Kristy?

Ephesians 5

Ephesians 5:1

Iza no tokony halain'ireo mpino tahaka?

Ireo mpino dia tokony haka tahaka an'Andriamanitra ilay Ray tahaka ny zanany.

Inona no nataon'i Kristy izay fanatitra manim-pofona ho an'Andriamanitra?

Kristy dia nanolotra ny tenany ho an'ireo mpino ho fanatitra sy sorona ho an'Andriamanitra?

Ephesians 5:3

Inona no tsy tokony hasaina ataon'ireo mpino?

Ny fijangajangana, fahalotoana, ary tsy fahononan-tena dia tsy tokony hisy eo amin'ireo mpino.

Inona kosa no toetra tokony ho hita eo amin'ireo mpino?

Ireo mpino dia tokony hanana toetra mahay mankasitraka.

Ephesians 5:5

Iza no tsy manana lova ao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra?

Ny fijanganjangana, fahalotoana, ary tsy fahononan-tena dia tsy manana lova ao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra.

Inona no mirotsaka eo amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana?

Ny hatezeran'Andriamanitra dia mirotsaka eo amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana.

Ephesians 5:8

Vokatry ny fahazavana inona no mahafaly ny Tompo?

Ny vokatry ny fahatsarana, fahamarinana, ary marina no mahafaly ny Tompo

Inona no mila ataon'ireo mpino amin'ny asan'ny maizina?

Ireo mpino dia tsy tokony handray anjara amin'izany, fa kosa mampiharihary ny asan'ny maizina.

Ephesians 5:13

Inona no nambara tamin'ny alalan'ny fahazavana?

Ny zavatra rehetra dia nambara tamin'ny fahazavana.

Ephesians 5:15

Inona no tokony hataon'ireo mpino satry ratsy izao andro izao?

Ireo mpino dia tokony hanararaotra ny fotoana hatramin'ny naharatsy ny andro.

Ephesians 5:18

Inona no mitarika amin'ny faharavana?

Ny fahamamoana amin'ny divay no mitarika amin'ny faharavana.

Amin'ny inona no tokony hifampiresahan'ny tsirairay?

Ireo mpino dia tokony hifampiresaka amin'ny salamo, sy fihirana, ary hiram-panahy.

Ephesians 5:22

Amin'ny fomba ahoana no tokony haneken'ny vehivavy ny vadin'izy ireo?

Ireo vehivavy dia tokony hanaiky ny vadin'izy ireo tahaka ny Tompo.

Amin'ny inona no maha-lohany ny lehilahy, ary amin'ny inona no maha-lohany an'i Kristy?

Ny lehilahy no lohan'ny vehivavy, ary Kristy no lohan'ny Fiangonana.

Ephesians 5:25

Ahoana no hanamasinan'i Kristy ny Fiangonana?

Kristy dia manamasina ny Fiangonana amin'ny rano fanasana amin'ny teny.

Ephesians 5:28

Ahoana no tokony hitiavan'ny lehilahy ny vadiny?

Ny lehilahy dia tokony hitia ny vadin'izy ireo tahaka ny vatan'izy ireo.

Ahoana no hitondran'ny olona ny vatany manokana?

Ny olona iray dia mampisakafo sy mitia ny vatany manokana.

Ephesians 5:31

Inona no mitranga rehefa mikambana amin'ny vadiny ny lehilahy?

Rehefa mikambana amin'ny vadiny ny lehilahy dia lasa nofo iray ihany izy ireo.

Marina miafina inona no aseho amin'ny alalan'ny fikambanan'ny lehilahy amin'ny vadiny?

Ny marina miafina momban'i Kristy sy ny Fiangonany no aseho amin'ny fikambanan'ny lehilahy amin'ny vadiny.

Ephesians 6

Ephesians 6:1

Ahoana no tokony hitondran'ny zanaka Kristiana ny ray aman-drenin'izy ireo?

Ny zanaka Kristiana dia tokony hankatoa sy hanaja ny ray aman-drenin'izy ireo.

Ephesians 6:4

Inona no tokony ataon'ireo Ray Kristiana ho an'ny zanak'izy ireo?

Ireo ray Kristiana dia tokony hitaiza ny zanak'izy ireo amin'ny fitsipika sy fampianaran'ny Tompo.

Ephesians 6:5

Amin'ny toetra inona no tokony ankatoavan'ny andevo Kristiana an'ireo tompony?

Ireo andevo Kristiana dia tokony hankatoa ny tompon'izy ireo amin'ny fahatsoran'ny fon'izy ireo, amin'ny fanompoana am-pifaliana tahaka ny amin'ny Tompo.

Inona no tokony ho tsaroan'ny mpino momban'ny asa tsara ataony?

Ny mpino dia tokony hahatsiaro fa na inona na inona asa tsara vitany, dia handray valisoa avy amin'ny Tompo izy.

Ephesians 6:9

Inona no tokony ho tsaroan'ny tompo Kristiana momba ny Tompony?

Ny tompo Kristiana dia tokony hahatsiaro fa ny Tompony sy Tompon'ny mpanompony dia any an-danitra, ary tsy misy fanavakavahana miaraka aminy.

Ephesians 6:10

Nahoana ny mpino no tsy maintsy mitafy ny fiadian'Andriamanitra?

Tsy maintsy mitafy ny fiadian'Andriamanitra ny mpino mba afahana mijoro manohitra ireo tetiky ny devoly.

Ephesians 6:12

Miady manohitra an'iza ny mpino?

Ny mpino dia miady manohitra ny fanjakana sy ireo fahefana ara-panahy ary ireo mpanapaky ny fahamaizinan-dratsy.

Nahoana ny mpino no tsy maintsy mitafy ny fiadian'Andriamanitra?

Tsy maintsy mitafy ny fiadian'Andriamanitra ny mpino mba afahana mijoro manohitra ireo tetiky ny devoly.

Ephesians 6:14

Nahoana ny mpino no tsy maintsy mitafy ny fiadian'Andriamanitra?

Tsy maintsy mitafy ny fiadian'Andriamanitra ny mpino mba hahafahana mijoro manohitra ireo tetiky ny devoly.

Am-paham-piadian'Andriamanitra inona no manohitra ireo zana-tsipika mirehitr'afon'ilay ratsy?

Ny ampingan'ny finoana no manohitra ireo zana-tsipika mirehitr'afon'ilay ratsy.

Ephesians 6:17

Inona no sabatry ny Fanahy?

Ny tenin'Andriamanitra no sabatry ny Fanahy.

Inona no toetra tsy maintsy hananan'ireo mpino amin'ny fivavahana?

Ireo mpino dia tsy maintsy mivavaka amin'ny fotoana rehetra, maharitra sy miambina amin'ny valiny homen'Andriamanitra.

Ephesians 6:19

Inona no irian'i Paoly hananana amin'ny alalan'ny vavak'ireo Efesiana?

Paoly dia maniry ny hanana ny teny omena azy miaraka amin'ny fahasahiana rehefa manambara ny filazantsara izy.

Aiza Paoly eo am-panoratana ity taratasy ity?

Any am-ponja Paoly eo am-panoratana ity taratasy ity.

Ephesians 6:23

Inona ireo zavatra telo angatahin'i Paoly mba ho omen'Andriamanitra Ray sy Tompo Jesosy Kristy an'ireo mpino?

Paoly dia nangataka mba omen'Andriamanitra fitiavana miaraka amin'ny finoana, ary fahasoavana ireo mpino.