Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Mark 1

Mark 1:1

Inona no nolazain'i Isaia mpaminany hitranga talohan'ny nahatongavan'ny Tompo?

Naminany Isaia fa handefa mpitondra hafatra iray Andriamanitra, feon'olona iray miantsoantso any an'efitra, mba hanomanana ny lalan'Andriamanitra.

Mark 1:4

Tonga hitory inona i Jaona?

Hanao batisan'ny fibebahana ho an'ny famelan-keloka ny fahotana no nahatongavan'i Jaona.

Inona no nataon'ireo olona rehefa nataon'i Jaona batisa izy ireo?

Niaiky ny fahotan'izy ireo ny olona rehefa nataon'i Jaona batisa.

Inona no nohanin'i Jaona?

Valala sy tantely remby no nohanin'i Jaona

Mark 1:7

Amin'ny alalan'ny inona no nolazain'i Jaona fa hanaovana Batisa ilay iray izay nanaraka azy?

Nilaza i Jaona fa hatao Batisa amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ilay iray izay manaraka azy.

Mark 1:9

Inona no hitan'i Jesosy raha vao nivoaka ny rano izy taorian'ny nanaovan'i Jaona batisa azy?

Taorian'ny fanaovana batisa, dia nahita ny lanitra nisokatra i Jesosy ary nidina teo aminy toy ny voromailala ny Fanahy Masina.

Inona no nolazain'ny feo avy any an-danitra raha natao batisa i Jesosy?

Nilaza ny feo avy any an-danitra hoe: "Ianao dia Zanako malalako; Ianao no sitrako."

Mark 1:12

Iza no nitondra an'i Jesosy tany an-efitra?

Ny Fanahy no nitondran'i Jesosy tany an- efitra.

Naharitra hafiriana i Jesosy no tany an-efitra, ary inona no nitranga taminy tany?

Tany an'efitra i Jesosy nandritra ny efa-polo andro, ary nalain'i Satana fanahy.

Mark 1:14

Inona no hafatra notorin'i Jesosy?

Jesosy dia nitory fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra, ary tsy maintsy hibebaka sy hino ny filazantsara ny olona.

Mark 1:16

Inona no asan'i Simona sy Andrea?

Mpanjono i Simona sy Andrea.

Jesosy nilaza fa ho ataony tonga inona i Simona sy Andrea?

Jesosy nilaza fa ho ataony mpanarato olona i Simona sy Andrea.

Mark 1:19

Inona ny asan'i Jakoba sy i Jaona?

Mpanjono i Jakoba sy Jaona.

Mark 1:21

Nahoana no mahatalanjona ny olona ny fampianaranan'i Jesosy tao amin'ny synagoga?

Mahatalanjona ny olona ny fampianaranan'i Jesosy satria mampianatra azy ireo toy ny olona manam-pahefana i Jesosy.

Mark 1:23

Inona no fiantsoana nomen'ny fanahy maloto an'i Jesosy tao amin'ny synagoga ?

Ilay fanahy maloto tao amin'ny synagoga niantso an'i Jesosy hoe ilay iray Masin'Andriamanitra.

Mark 1:27

Naninona ny vaovao momba an'i Jesosy?

Ny vaovao momba an'i Jesosy dia niparitaka teny rehetra teny.

Mark 1:29

Rehefa niditra tao amin'ny tranon'i Simona izy ireo, dia iza no nositranin' i Jesosy?

Rehefa niditra tao amin'ny tranon'i Simona izy ireo, dia nositranin'i Jesosy ny rafozam-bavin'i Simona.

Mark 1:32

Inona no niseho rehefa tonga ny hariva?

Rehefa tonga ny hariva, dia nentin'ny olona izay narary rehetra na misy demonia, ary nositranin'i Jesosy izy ireo.

Mark 1:35

Inona no nataon'i Jesosy talohan'ny fiposahan'ny masoandro?

Talohan'ny fiposahan'ny masoandro, Jesosy niala teo ka nandeha tany amin'ny toerana mitokana ary nivavaka teo.

Mark 1:38

Inona no nolazain'i Jesosy an'i Simona fa hahatongavany?

Nilaza i Jesosy fa tonga hitory amin'ireo tanàn-dehibe manodidina izy.

Mark 1:40

Inona no fihetsika nataon'i Jesosy nanoloana ilay boka izay nitalaho taminy mba hositranina?

Nangoraka an'ilay boka i Jesosy ary nanasitrana azy.

Mark 1:43

Inona no nasain'i Jesosy nataon'ilay boka, ary nahoana?

Nilaza tamin'ilay boka i Jesosy mba hanolotra fanatitra arak'izay nandidin'i Mosesy mba ho vavolombelona.

Mark 2

Mark 2:3

Inona no nataon'ireo olona efatra izay nitondra ilay lehilahy malemy?

Nesorin’izy ireo ny tafon-trano ary nampidinin'izy ireo teo amin'i Jesosy ilay lehilahy malemy.

Mark 2:5

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay lehilahy malemy?

Hoy i Jesosy: "Anaka, voavela ny helokao."

Nahoana no manohitra izay nolazain'i Jesosy ireo mpanora-dalàna?

Ireo mpanora-dalàna sasany dia nanjohy hevitra fa Jesosy dia niteny ratsy satria tsy misy afa-tsy Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ny fahotana.

Mark 2:10

Ahoana no fomba nanehoan'i Jesosy fa nanana fahefana hamelana ota teto an-tany Izy?

Nilaza tamin'ilay lehilahy malemy i Jesosy mba hibata ny fandrinany sy handeha any amin'ny tranony, ary nanao izany ilay lehilahy.

Mark 2:13

Inona no nataon'i Levy tamin'i Jesosy nilaza taminy hoe hanaraka Azy izy?

Nipetraka teo amin'ny toerana fanangonana hetra i Levy rehefa niantso azy i Jesosy.

Mark 2:15

Tao amin'ny tranon'i Levy, inona no nataon'i Jesosy ka nanafintohina ireo fariseo?

Niara nihinana tamin'ny olona mpanota sy ireo mpamory i hetra i Jesosy.

Mark 2:17

Iza no nolazain'i Jesosy fa ho antsoiny?

Jesosy nilaza fa tonga hiantso ny olona mpanota izy.

Mark 2:18

Inona no fanontaniana napetraky ny olona momba ny fifadian-kanina tamin'i Jesosy ?

Nanontany an'i Jesosy izy ireo hoe nahoana ny mpianany no tsy mifady hanina rehefa mifady hanina ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatr'ireo Fariseo.

Ahoana no fomba nanazavan'i Jesosy an'ireo mpianany hoe nahoana izy ireo no tsy mifady hanina?

Jesosy nilaza fa raha mbola miaraka amin’izy ireo eo ny mpampakatra, dia tsy afaka mifady hanina izy ireo.

Mark 2:23

Inona no nataon'ireo mpanompon'i Jesosy tamin'ny saha sasantsasany tamin'ny andro Sabata ka nanafintohina an'ireo Fariseo?

Nioty salohimbary ireo mpianany ary nihinana izany tamin'ny andro Sabata.

Mark 2:25

Inona no ohatra nomen'i Jesosy ny olona izay nila sy nihinana mofo izay tsy azo hanin'izy ireo raha ny tokony ho izy?

Ny ohatra momba an'i Davida no nomen'i Jesosy, izy izay tao anatin'ny tsy fahampiana dia nihinana ny mofon'ny fanatrehana izay tokony ho an'ny mpisorona ihany raha ny tokony ho izy.

Mark 2:27

Ho an'iza no nilazan'i Jesosy ho nanaovana ny andro Sabata?

Nilaza i Jesosy fa natao ho an'ny olona ny andro sabata.

Inona ny fahefana hanambaran'i Jesosy ny tenany?

Jesosy manambara fa Izy ihany koa dia Tompon'ny Sabata.

Mark 3

Mark 3:1

Nahoana izy ireo no nijery an'i Jesosy tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata?

Nijery an'i Jesosy izy ireo mba hahita raha hanasitrana amin'ny andro Sabatra izy, mba hahafahan'izy ireo miampanga azy.

Mark 3:3

Inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'ny olona momban'ny andro Sabata?

Nanontany ireo olona i Jesosy raha ara-dalàna ny manao soa na ny manao ratsy amin'ny andro Sabata.

Ahoana ny fomba namalian'ireo olona ny fanontanian'i Jesosy?

Tsy nahaloa-teny ireo olona.

Mark 3:5

Ahoana noho izany ny fihetsik'i Jesosy nanoloana azy ireo?

Tezitra tamin'izy ireo i Jesosy.

Inona no nataon'ireo Fariseo raha vao nositrani'i Jesosy ilay lehilahy?

Nivoaka ireo Fariseo ary nikonokonona hamono an'i Jesosy.

Mark 3:7

Firy ireo olona nanaraka an'i Jesosy raha nankeny an-dranomasina Izy?

Vahoaka maro no nanaraka an'i Jesosy.

Mark 3:11

Inona no notenenin'ireo demonia raha vao nahita an'i Jesosy izy ireo?

Nihiaka mafy ireo demonia fa i Jesosy dia zanak'Andriamanitra.

Mark 3:13

Olona firy no notendren'i Jesosy ho apostoly, ary inona no nataon'izy ireo?

Nanendry apostoly roa ambinifolo izay hiaraka Aminy Jesosy, nitory, sy nanana fahefana handroaka ireo demonia.

Mark 3:17

Iza ilay Apostoly namadika an'i Jesosy?

Jodasy Iskariota no Apostoly namadika an'i Jesosy.

Mark 3:20

Inona no hevitr'ireo fianakavian'i Jesosy momban'ny vahoaka sy ny zava-miseho manodidina an'i Jesosy?

Noheverenin'ny fianakavian'i Jesosy fa very saina Izy.

Inona ny fiampangan'ny mpanora-dalàna manohitra an'i Jesosy?

Niampanga an'i Jesosy tamin'ny fandroahana ny demonia amin'ny alalan'ny mpanapaka ny demonia ireo mpanora-dalàna.

Mark 3:23

Inona no navalin'i Jesosy tamin'ny fiampangan'ireo mpanora-dalàna?

Namaly i Jesosy fa tsy misy fanjakana miady an-trano ka haharitra.

Mark 3:28

Inona nO fahotana nolazain'i Jesosy fa tsy azo avela?

Nilaza i Jesosy fa ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy azo avela.

Mark 3:33

Iza no nolazain'i Jesosy fa reniny sy rahalahiny?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no reniny sy rahalahany.

Mark 4

Mark 4:1

Nahoana i Jesosy no niditra tao an-tsambo mba hampianatra?

Niditra tao an-tsambo i Jesosy mba hampianatra satria nisy vahoaka maro be niangona nanodidina azy.

Mark 4:3

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny lalana?

Tonga nihinana izany ireo vorona.

Mark 4:6

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny tany feno tsilo rehefa niposaka ny masoandro?

Nalazo izy ireo satria tsy nisy fakany.

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny tsilo?

Nangeja azy ireo ny tsilo.

Mark 4:8

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny tany tsara?

Namokatra voa ny masom-boly, nitombo avo telopolo, enimpolo, ary ny sasany aza nitombo zato heny izay nambolena.

Mark 4:10

Inona no nolazain'i Jesosy fa nomena an'ireo roambinifolo, fa tsy ireo izay any ivelany?

Nilaza i Jesosy fa ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra dia nomena an'ireo roambinifolo, fa tsy ireo izay any ivelany.

Mark 4:13

Amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no atao hoe voa,

Ny tenin'Andriamanitra no voa.

Maneho inona ny voa nafafy teny an-dalam-be?

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny, fa eo no ho eo Satana dia hangalatra izany.

Mark 4:16

Maneho inona ny voa voafafy amin'ny tany feno tsilo?

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny am-pifaliana, kanefa rehefa tonga ny fanenjehana dia ho lavo izy ireo.

Mark 4:18

Maneho inona ny voa voafafy teo amin'ny tsilo?

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny, kanefa ny fanahian'izao tontolo izao dia mangeja ny teny.

Maneho inona ny voa nafafy tamin'ny tany tsara?

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny, mandray izany, ary mamoa vokatra.

Mark 4:21

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'ny zava-miafina?

Nilaza i Jesosy fa ny zava-miafina dia hoentina any amin'ny mazava.

Mark 4:26

Amin'ny fomba ahoana no hitovian'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny olona izay mamafy ny voa amin'ny tany?

Mamafy ny voa amin'ny tany ireo olona, kanefa tsy fantany hoe ahoana no manao izany, avy eo dia masaka ny vokatra dia manangona izany izy.

Mark 4:30

Amin'ny fomba ahoana no hitovian'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny voatsinampy?

Ny voatsinampy dia manomboka amin'ny kely indrindra ny voa, mitsimimoka ho lasa lehibe mba hahafahan'ny maro manao ny tahony.

Mark 4:35

Inona no niseho tamin'i Jesosy sy ireo mpianany rehefa namakivaky ny farihy izy ireo?

Nisy tafio-drivotra lehibe, natahorana hameno rano ny sambo.

Mark 4:38

Inona nataon'i Jesosy tamin'izany fotoana izany tao anaty sambo?

Natory i Jesosy.

Inona no fanontaniana napetrak'ireo mpanompo an'i Jesosy?

Nanontany an'i Jesosy ireo mpanompo raha tsy mampaninona Azy hoe ho faty eo izy ireo.

Inona izany no nataon'i Jesosy?

Niteny mafy tamin'ny rivotra i Jesosy ary nampitony ny ranomasina.

Mark 4:40

Taorian'ny nanaovan'i Jesosy izany, dia inona no valin-tenin'ireo mpanompo?

Feno tahotra ireo mpanompo ary nanontany tena hoe iza i Jesosy ka nankatoavin'ny rivotra sy ny ranomasina.

Mark 5

Mark 5:1

Iza no nihaona tamin'i Jesosy rehefa tonga tany amin'ny faritry i Gerasena izy ireo?

Lehilahy iray niaraka tamin'ny fanahy maloto no nihaona tamin'i Jesosy.

Mark 5:3

Inona no niseho raha niezaka nifehy ilay lehilahy tamin'ny rojo vy ny olona?

Raha niezaka ny hifehy ilay lehilahy tamin'ny rojo vy ireo olona, dia notapahiny ireo rojo vy.

Mark 5:7

Inona no fiantso nomen'ny fanahy maloto an'i Jesosy?

Ny fanahy maloto dia niantso an'i Jesosy hoe Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra.

Inona no zavatra nolazan'i Jesosy tamin'ilay lehilahy?

Nilaza tamin'ilay lehilahy i Jesosy hoe: "Mivoaha amin'io lehilahy io, ry fanahy maloto."

Mark 5:9

Iza no anaran'ilay fanahy maloto?

Tafika no anaran'ilay fanahy maloto, satria maro izany.

Mark 5:11

Inona no niseho raha vao navoaka tamin'ilay lehilahy ilay fanahy maloto?

Nivoaka ilay fanahy ary niditra tao amin'ireo kisoa, izay nirifatra sy nilatsaka tany anaty farihy.

Mark 5:14

Taorian'ny nivoahan'ny fanahy maloto, nanao ahoana ilay lehilahy?

Nipetraka niaraka tamin'i Jesosy ilay lehilahy, nitafy ary vory saina.

Mark 5:16

Inona no nangatahan'ireo olona tany amin'ny faritra tamin'i Jesosy hatao?

"Nilaza ireo olona i jesosy hiala amin'ny tanana.

Mark 5:18

Ankehitriny dia nasain'i Jesosy nanao inona ilay lehilahy izay niaina tany am-pasana?

Nasain'i Jesosy mba hilaza amin'ny olony izay nataon'ny Tompo taminy izy.

Mark 5:21

Inona no nangatahan'i Jairo, ilay mpitarika ny synagoga ho ataon'i Jesosy?

Jairo nangataka an'i Jesosy mba hiaraka hametraka ny tanana eo amin'ny zanany vavy izay efa ho faty.

Mark 5:25

Inona no olan'ilay vehivavy nikasika ny fitafian'i Jesosy?

Nijaly tamin'ny fahaverezan-drà nandritry ny roambinifolo taona ilay vehivavy.

Mark 5:28

Nahoana no nikitika ny akanjon'i Jesosy ilay vehivavy?

Nihevitra ilay vehivavy fa raha mikitika ireo akanjon'i Jesosy fotsiny izy, dia ho sitrana.

Mark 5:30

Inona no nataon'i Jesosy raha nikitika ny akanjony izy?

Jesosy nahalala fa nisy hery niala avy taminy ary nijery nanodidina Izy mba hahita izay nikitika Azy.

Mark 5:33

Rehefa nilaza ny marina tamin'i Jesosy ilay vehivavy, inona no nolazain'i Jesosy azy?

Jesosy nilaza taminy fa ny finoany no nanasitrana azy, ka mandehana am-piadanana.

Mark 5:35

Inona no toe-javatra nisy tamin'ny zanakavavin'i Jairo rehefa tonga tao amin'ilay trano i Jesosy?

Maty ny zanakavavin'i Jairo.

Mark 5:36

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Jairo tamin'izany fotoana izany?

Nilaza tamin'i Jairo i Jesosy mba tsy hanahy, fa hino fotsiny.

Iza no mpanompo nanaraka an'i Jesosy tao amin'ny efitra nisy an'ilay zaza?

Petera, Jakoba, ary Jaona no nanaraka an'i Jesosy tao amin'ilay efitrano.

Mark 5:39

Inona no nataon'ireo olona tao an-trano rehefa nilaza i Jesosy fa matory fotsiny ny zanakavavin'i Jairo?

Nihomehy an'i Jesosy ireo olona raha nilaza i Jesosy fa matory fotsiny ny zanakavavin'i Jairo.

Mark 5:41

Rehefa nitsangana sy nandeha ilay zazavavy, dia ahoana ny fihetsik'ireo olona?

Talanjona tokoa ireo olona.

Mark 6

Mark 6:1

Nahoana ireo olona tao amin'ny tanànan'i Jesosy no tafintohina taminy?

Ireo olona dia tsy nahafantatra hoe avy aiza no nahazoany ny fampianarany, fahendreny, ary ny fahagagany.

Mark 6:4

Taiza no nilazan'i Jesosy fa ny mpaminany dia tsy manam-boninahitra?

Tao amin'ny tanànany Jesosy no nilaza fa tsy manam-boninahitra ireo mpaminany, teo amin'ny havany, ary tao an-tokantranony manokana.

Mark 6:7

Inona ny fahefana nomen'i Jesosy an'ireo roa ambinifolo rehefa nandefa azy ireo izy?

Nomen'i Jesosy fahefana teo amin'ireo fanahy maloto ireo roa ambinifolo.

Inona no noentin'ireo roa ambinifolo nandritra ny dian'izy ireo?

Nitondra tehina, kapa, sy atin'akanjo ireo roa ambinifolo.

Mark 6:10

Inona no nasain'i Jesosy nataon'ireo roa ambinifolo raha tsy mandray azy ireo ny toerana iray?

Nilaza tamin'ireo roa ambinifolo i Jesosy mba hanala ny vovoka ambanin'ny tongony ho vavolombelona manohitra azy ireo.

Mark 6:14

Iza no noheverin'ny olona fa i Jesosy?

Noheverin'ny olona fa Jaona mpanao Batisa, na, Elisa, na mpaminany iray i Jesosy.

Mark 6:18

Inona no nolazain'i Jaona mpanao Batisa fa tsy ara-dalàna nataon'i Heroda?

Nilaza tamin'ny Heroda i Jaona fa tsy ara-dalàna ho an'i Heroda ny manambady ny vadin-drahalahany.

Ahoana ny fihetsik'i Heroda rehefa nandre izy fa nitory i Jaona?

Nanahirana ny sain'i Heroda ny nandre an'i Jaona nitory, fa mbola nihaino azy tamim-pifaliana hatrany izy.

Mark 6:23

Inona ny fianianana nataon'i Heroda tamin'i Herodiasy?

Nianiana i Heroda fa afaka mahazo ny zavatra rehetra izay angatahiny aminy izy, hatramin'ny antsasaky ny fanjakany.

Inona no nangatahin'i Herodiasy?

Nangataka ny lohan'i Jaona mpanao Batisa amin'ny lovia izy.

Mark 6:26

Ahoana ny fihetsik'i Heroda amin'ny valin-tenin'i Herodiasy?

Nalahelo mafy i Heroda, kanefa tsy nandà ny valin-teny izy nohon'ny fianianana izay nataony teo imason'ny vahiny.

Mark 6:33

Inona no niseho rehefa niezaka mba hiala sasatra i Jesosy sy ireo apostoly?

Nisy olona maro nahafantatra azy ireo ary nihazakazaka mba ho tonga eo anatrehan'i Jesosy sy ireo apostoly.

Inona no fihetsik'i Jesosy manoloana ny vahoaka izay niandry azy ireo?

Nangoraka azy ireo i Jesosy satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry izy ireo.

Mark 6:37

Rehefa nanontany i Jesosy, dia inona no noeritreretin'ireo mpanompo hatao mba hamelomana ireo vahoaka?

Nihevitra handeha ary hividy mofo azon'ny denaria roanjato ireo mpanompo.

Mark 6:39

Inona no nataon'i Jesosy raha naka ny mofo sy ny trondro izy?

Raha naka ny mofo sy trondro izy, dia niandrandra ny lanitra, nisaotra ka nizarazara ny mofo, ary nanolotra izany tamin'ireo mpianatra.

Mark 6:42

Firy sisa ny hanina tavela rehefa avy nihinana ny olona rehetra?

Nahafeno mofo roambinifolo sobika, sy hazandrano roa sobika izany rehefa avy nihinana ny olona rehetra.

Firy ireo lehilahy nihinana ny mofo?

Nisy dimy arivo ireo lehilahy nihinana ny mofo.

Mark 6:48

Amin'ny fomba ahoana no nahatongavan'i Jesosy tany amin'ireo mpanompo teo amin'ny farihy?

Nandeha teny ambonin'ny farihy i Jesosy nanatona ireo mpanompony.

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nahita azy ireo izy?

Nilaza ireo mpanompo i Jesosy mba hanana herim-po ary tsy hatahotra.

Mark 6:51

Nahoana no tsy takatr'ireo mpanompo ny momban'ny fahagagana tamin'ireo mofo?

Tsy takatr'ireo mpanompo ny momban'ny fahagagana momba ny mofo satria tsy takatry ny sain'izy ireo izany.

Mark 6:53

Inona no nataon'ireo olona amin'ny faritra rehefa nahafantatra an'i Jesosy izy ireo?

Nitondra ireo marary tamin'ny filanjana tany amin'izay rehetra ren'izy ireo misy an'i Jesosy ny olona.

Mark 6:56

Inona no niseho tamin'ireo izay nikitika ny moro-tongotry ny akanjon'i Jesosy?

Sitrana ireo izay nikitika ny moro-tongotry ny akanjon'i Jesosy.

Mark 7

Mark 7:2

Inona no nataon'ireo mpanompon'i Jesosy sasantsany ka nanafintohina ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna?

Nihinana tamin'ny tanana maloto ireo mpanompo sasantsasany.

Fomban'iza ny fanasana tanana , ny kapoaka, ny famarana, sy ny fanaka varahina , ary ny fandriana alohan'ny hihinanana?

Fomban'ireo loholona izany fanasana ny tanana, ny kapoaka, ny famarana, sy ny fanaka varahina , ary ny fandriana alohan'ny hihinanana.

Mark 7:8

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna momba ny fampianarana amin'ny resaka fanasana?

Jesosy nilaza fa ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna dia nampianatra ireo fitsipiky ny olona rehefa nanajanona ny didin'Andriamanitra izy ireo.

Mark 7:11

Ahoana ny fomba nanafoanan'ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ny tenin'Andriamanitra izay milaza mba hanome voninahitra ny rainareo sy ny reninareo?

Nofoanan'izy ireo tamin'ny alalan'ny fitenenana ny olona hanome azy ireo tahaka ny Korbana ny vola izay hanampiana ireo rainareo sy reninareo ny tenin'Andriamanitra.

Mark 7:14

Inona no zavatra nolazain'i Jesosy fa tsy mandoto olona iray?

Nilaza i Jesosy fa tsy misy na inona na inona avy any ivelan'ny olona ka afaka handoto azy rehefa miditra ao aminy izany.

Inona no nolazain'i Jesosy fa handoto ny olona?

Nilaza i Jesosy fa izay mivoaka amin'ny olona no mandoto azy.

Mark 7:17

Inona no karazana hanina nambaran'i Jesosy fa madio?

Nanambara i Jesosy fa ny hanina rehetra dia tokony hadio.

Mark 7:20

Inona no zavatra telo nolazain'i Jesosy fa afaka mivoaka amin'ny olona iray ka mandoto?

Nilaza i Jesosy fa ny sain-dratsy, ny fahavetavetana, ny halatra, ny famonoan'olona,ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny fiampangana lainga, ny avonavona, ny hadalana dia mety mivoaka amin'ny olona iray ka mandoto azy.

Mark 7:24

Moa va ilay vehivavy manana zanakavavy izay maloto fanahy dia Jiosy sa Grika?

Ilay vehivavy manana zanakavavy maloto fanahy dia Grika.

Mark 7:27

Ahoana ny fomba famalin'ilay vehivavy an'i Jesosy rehefa nilaza azy izy fa tsy mety ny nangalana ny mofon-jaza ka manipy izany ho an'ny amboa?

Nilaza ilay vehivavy fa na ny amboa ao ambanin'ny latabatra aza mihinana ny sombintsombiny amin'ny mofon-jaza.

Mark 7:29

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ilay vehivavy?

Nanala ny demonia tao amin'ilay zanakavavin'ilay vehivavy i Jesosy.

Mark 7:33

Rehefa nentina teo amin'i Jesosy ilay marenina sy manana olana ara-pitenenana, inona no nataony hanasitranana azy?

Nametraka ny rantsan-tanany tao an-tsofiny Izy, ary nandrora sy nikasika ny lelany, avy eo dia nijery ny lanitra ary niteny hoe: "Maladia!."

Mark 7:36

Inona no nataon'ny olona rehefa nolazain'i Jesosy tsy hilaza na amin'iza na amin'iza izany fanasitranana izany izy ireo?

Arakarakin'ny nandidian'i Jesosy azy ireo hangina no vao mainka niresahan'izy ireo momba izany.

Mark 8

Mark 8:1

Inona no mampanahy an'i Jesosy momba ny vahoaka maro be izay efa nanaraka azy?

Nilaza i Jesosy fa ny mampanahy azy dia ireo vahoaka maro be izay tsy misy ho hanina.

Mark 8:5

Firy ireo mofo izay hanan'ireo mpanompo?

Manana mofo fito ireo mpanompo.

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ny mofon'ireo mpanompo?

Nanome fisaorana i Jesosy, niazarazara ny mofo, ary nanome izany tamin'ireo mpanompony mba hozaraina.

Mark 8:7

Firy ny ambin-tsakafo rehefa avy nihinana ny olona rehetra?

Nahafeno sobika fito ny ambin-tsakafo taorian'ny nihinanan'ny olona rehetra.

Firy ny olona nihinana ary voky?

Teo amin'ny efatr'arivo teo ny olona izay nihinana sy voky.

Mark 8:11

Mba hitsapana azy, inona no notadiavin'ireo Fariseo hataon'i Jesosy?

Nitady famantarana omen'i Jesosy avy any an-danitra ireo Fariseo.

Mark 8:14

Momba ny inona ny fampitandremana nataon'i Jesosy tamin'ireo mpianany mikasika ireo Fariseo?

Nampitandrina azy ireo mba hitandrina amin'ny masirasiran'ireo Fariseo i Jesosy.

Mark 8:16

Resaka momba ny inona no noheverin'ireo mpianatra fa nolazain'i Jesosy?

Noheverin'ireo mpianatra fa miresaka momban'ny fanadinoana ny fitondrana mofo i Jesosy.

Mark 8:18

Mampatsiahy ireo Mpianatra i Jesosy hoe inona no niseho tamin'i Jesosy nizara ny mofo dimy?

Mampatsiahy azy ireo i Jesosy fa tamin'izy nanapaka ny mofo dimy, dia olona dimy arivo no no nihinana ary sobika roa ambinifolo no feno sombintsombina mofo nangonina.

Mark 8:22

Inona ireo zavatra roa nataon'i Jesosy tamin'ilay lehilahy jamba mba hampahita azy indray?

Voalohany dia nororan'i Jesosy ny masony ary nametraka ny tanany teo aminy Izy avy eo.

Mark 8:24

Inona no zavatra fahatelo nataon'i Jesosy tamin'ilay jamba mba hampahita azy tanteraka indray?

Nametraka ny tanany teo amin'ny masony i Jesosy.

Mark 8:27

Iza no nilazan'ireo olona an'i Jesosy?

I Jaona mpanao Batisa, Elisa, na mpaminany iray no nilazan'izy ireo an'i Jesosy.

Mark 8:29

Iza no niheveran'i Petera an'i Jesosy?

Nilaza i Petera fa Jesosy dia Kristy.

Mark 8:31

Momba ny tranga ho avy inona no nanombohan'i Jesosy ny fampianarana mazava an'ireo mpianany?

Nampianatra ireo mpianany i Jesosy fa ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hijaly, ho lavina, ho vonoina, ary hatsangana amin'ny maty afaka telo andro.

Mark 8:33

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nanomboka niteny mafy azy i Petera?

Nilaza tamin'i Petera i Jesosy hoe: ""Mialà lavitra Ahy ry satana! Tsy mba misaina ny zavatr'Andriamanitra ianao, fa ny zavatr'olona."

Inona no zavatra tsy maintsy hatao nolazain'i Jesosy tamin'ny olona izay maniry ny hanaraka azy?

Nilaza i Jesosy fa izay maniry ny hanaraka azy dia tsy maintsy mandà ny tenany ary maka ny hazo fijaliany.

Mark 8:35

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny faniriana ny hahazo ireo zavatr'izao tontolo izao?

Nilaza i Jesosy hoe: "Inona anefa no tombontsoa azon'ny ny olona iray, raha mahazo izao tontolo izao ary avy eo very ny ainy?"

Mark 8:38

Inona no nolazain'i Jesosy fa hataony momba ny ireo izay menatra azy sy ny teniny?

Nilaza i Jesosy fa amin'ny fahatongavany dia hampamenatra ireo izay menatra Azy sy ny teniny Izy.

Mark 9

Mark 9:1

Iza no nolazain'i Jesosy fa hahita ny fanjakan'Andriamanitra izay ho avy amin'ny hery?

Nilaza i Jesosy fa ny sasany mijoro miaraka aminy dia tsy ho faty alohan'ny hahitan'izy ireo ny fanjakan'Andriamanitra izay ho avy amin'ny hery.

Inona no niseho tamin'i Jesosy rehefa niakatra tamin'ny tendrombohitra avo niaraka taminy i Petera, Jakoba, sy Jaona?

Niova tarehy i Jesosy ary nanjelanjelatra ny akanjony.

Mark 9:4

Iza no niresaka tamin'i Jesosy teo amin'ny tendrombohitra?

Elisa sy Mosesy no niresaka tamin'i Jesosy.

Mark 9:7

Teo amin'ny tendrombohitra, inona no nolazain'ilay feo avy ao anatin'ny rahona?

Nilaza ny feo hoe: "Ity ny Zanako Malalako. Mihainoa Azy."

Mark 9:9

Inona no nandidian'i Jesosy an'ireo mpianany momban'izay hitan'izy ireo teo amin'ny tendrombohitra?

Nandidy azy ireo i Jesosy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza izay hitan'izy ireo, mandra-pitsanganan'ny Zanak'Olona amin'ny maty.

Mark 9:11

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny fahatongavan'i Elisa?

Nilaza i Jesosy fa Elisa no ho tonga voalohany hanarina ny zavatra rehetra, ary Elisa dia efa tonga.

Mark 9:17

Inona no tsy afaka nataon'ireo mpianatra tamin'ilay ray sy ny zanany?

Tsy afaka nitondra ny fanahy ratsin'ilay zanaka lahin'ny ray ireo mpianatra.

Mark 9:20

Nandavo ilay zaza lahy tamin'ny inona ilay fanahy ratsy mba hahafahany hanimba azy?

Nandavo ilay zazalahy tany anaty afo na tany anaty rano mba hanandrana ny hanimba azy ilay Fanahy ratsy.

Mark 9:23

Ahoana ny fomba namalian'ilay ray rehefa nilaza i Jesosy fa ny zavatra rehetra dia azo atao ho an'ilay iray izay mino?

Namaly ilay ray nanao hoe: "Mino aho! Ampio aho amin'ny tsy finoako!"

Mark 9:28

Nahoana no tsy afaka nandroaka ny fanahy moana sy marenina tao amin'ilay zazalahy ireo mpianatra?

Tsy afaka nandroaka ny fanahy ratsy ireo mpanompo satria tsy afaka noroahina izany afa-tsy amin'ny alalan'ny vavaka.

Mark 9:30

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany fa hiseho Aminy?

Nilaza azy ireo Jesosy fa hovonoina izy, ary afaka telo andro Izy dia hitsangana amin'ny maty.

Mark 9:33

Inona no niadivan'ireo mpianatra hevitra teny an-dalana?

Niady hevitra ireo mpianatra ny amin'ny hoe iza no lehibe indrindra eo amin'izy ireo.

Iza no nolazain'i Jesosy fa voalohany?

Nilaza i Jesosy fa izay mpanompon'ny rehetra no voalohany.

Mark 9:36

Rehefa misy olona mandray zazakely iray amin'ny anaran'i Jesosy, iza ihany koa no raisin'izy ireo?

Rehefa misy olona mandray zazakely iray amin'ny anaran'i Jesosy, dia mandray an'i Jesosy ihany koa izy ireo ary ilay iray izay naniraka an'i Jesosy.

Mark 9:42

Inona no mety kokoa ho an'ny olona mahatafintohina kely ilay iray izay mino an'i Jesosy?

Mety kokoa amin'izany olona izany raha misy fanantonana vato lehibe fikosoham-bary mifatotra eo amin'ny vozony ary hazera any an-dranomasina.

Mark 9:47

Inona no nolazain'i Jesosy hatao amin'ny masonao raha mahatonga anao ho tafintohina izany?

Nilaza i Jesosy fa esorina hiala ny masonao raha mahatonga ano ho tafintohina.

Mark 10

Mark 10:1

Inona ny fanontaniana napetrak'ireo Fariseo tamin'i Jesosy hitsapana azy?

Nanontanian'ireo Fariseo i Jesosy raha ara-dalàna ho an'ny lehilahy no misaraka amin'ny vadiny.

Mark 10:5

Nahoana no nanome izany didy mahakasika ny fisaraham-panambadiana izany an'ireo Jiosy i Mosesy?

Nanome izany didy izany an'ireo Jiosy i Mosesy nohon'ny hamafin'ny fon'izy ireo.

Tranga inona ao amin'ny tantara no hanehoan'i Jesosy ny filazana amin'ireo Fariseo momba ny nanaovan'Andriamanitra ny fanambadiana tany am-boalohany?

Jesosy dia maneho ny fahariana ny lahy sy ny vavy tany am-boalohany rehefa nilaza tamin'ireo Fariseo momba ny nanaovan'Andriamanitra ny fanambadiana tany am-boalohany Izy.

Mark 10:7

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo olona roa, ilay lehilahy sy ny vadiny, ka tonga rehefa manambady izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa ny roa dia hanjary ho nofo iray.

Inona no nolazain'i Jesosy momba ny fanakambanan'Andriamanitra miaraka ao amin'ny fanambadiana?

Jesosy nilaza fa izay nakamban'Andriamanitra miaraka, dia aoka tsy hosarahan'olombelona.

Mark 10:13

Ahoana ny fihetsik'i Jesosy rehefa niteny mafy tamin'ireo nitondra zazakely ho any aminy ireo mpianany?

Tezitra tamin'ireo mpianany i Jesosy ary niteny azy ireo mba hamela ny zazakely hanatona Azy.

Mark 10:15

Ahoana ny fomba nilazan'i Jesosy fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy maintsy raisina mba hidirana amin'izany?

Nilaza i Jesosy fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy maintsy raisina toy ny zazakely mba hidirana amin'izany.

Mark 10:17

Inona no nolazain'i Jesosy voalohany tamin'ilay lehilahy ka tsy maintsy hataony mba handovany ny fiainana mandrakizay?

Nilaza ilay lehilahy i Jesosy fa tsy mahazo mamono, tsy mijangajanga, tsy mangalatra, tsy mijoro vavolombelona amin'ny tsy marina, tsy mamitaka, tsy maintsy manaja ny ray sy ny reniny izy.

Mark 10:20

Inona ny didy fanampiny izay nomen'i Jesosy ny olona?

Nandidy ilay lehilahy i Jesosy mba hivarotra izay rehetra hananany ary hanaraka Azy.

Ahoana ny fihetsik'ilay lehilahy rehefa nanome izany didy izany i Jesosy, ary nahoana?

Nalahelo mafy ilay lehilahy ary nandeha nangahiahy, satria nanana fananam-be tokoa izy.

Mark 10:23

Iza no nolazain'i Jesosy fa manana fahasarotana hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra?

Nilaza i Jesosy fa ny manankarena dia manana fahasarotana hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Mark 10:26

Ahoana ny fomba nilazan'i Jesosy fa na ny mpanankarena aza dia afaka hovonjena?

Nilaza i Jesosy fa tsy vitan'ny olona izany, fa miaraka amin'Andriamanitra dia vitany izany.

Mark 10:29

Inona no nolazain'i Jesosy tamin' izay nandray izay niala ny trano, fianakviana, ary ireo tany ho an'i Jesosy?

Nilaza i Jesosy fa handray avo zato heny amin'izao taonjato ankehitriny izao izy, miaraka amin'ny fanenjehana, sy ny fiainana mandrakizay amin'ny taonjato ho avy.

Mark 10:32

Amin'ny lalana aiza no nandehanan'i Jesosy sy ireo mpianany?

Nandeha tamin'ny lalana makany Jerosalema i Jesosy sy ireo mpianany.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany fa hiseho azy any Jerosalema?

Nilaza tamin'ireo mpianany ireo i Jesosy fa ho helohina ho faty Izy, ary afaka telo andro dia hitsangana amin'ny maty izy.

Mark 10:35

Inona no nangatahan'i Jakoba sy Jaona tamin'i Jesosy?

Jakoba sy Jaona nangataka mba hipetraka eo amin'ny tanana ankavanana sy ankavia miaraka aminy amin'ny voninahitra.

Mark 10:38

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiaretan'i Jakoba sy Jaona?

Jesosy nilaza fa Jakoba sy Jaona dia hiaritra ny kapoaka izay hisotroany, ary ny batisa izay hanaovan'i Jesosy batisa.

Nanatanteraka ny fangatahan'i Jakoba sy Jaona ve Jesosy?

Tsia, Jesosy nilaza fa ny fipetrahana eo an-kavanany sy an-kaviany dia tsy Izy no manome izany.

Mark 10:41

Inona no nolazain'i Jesosy an'ireo mpanapaka Jentily amin'ny fitondran'izy ireo ny olom-peheziny?

Nilaza I Jesosy fa mampanompo ireo olom-peheziny ireo mpanapaka Jentily.

Mark 10:43

Ahoana ny fomba nilazan'i Jesosy an'ireo naniry ho lehibe amin'ny mpanompo ka tsy maintsy hiaina?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay maniry ny ho lehibe eo amin'ny mpanompo dia tsy maintsy ho mpanompon'ny rehetra.

Mark 10:46

Inona no nataon'i Bartolomeo ilay jamba rehefa betsaka no niteny mafy azy, nilaza azy mba hangina?

Nihiaka mafy i Bartolomeo nanao hoe: "Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!"

Mark 10:51

Inona no nolazain'i Jesosy ka nanasitrana an'i Bartolomeo amin'ny fahajambany?

Nilaza i Jesosy fa ny finoan'i Bartelemeo no nanasitrana azy.

Mark 11

Mark 11:1

Nahoana no nandefa ny mpianany roa i Jesosy mba hanao izany vohitra kely manoloana azy ireo?

Nandefa azy ireo i Jesosy mba hitondra zana-boriky iray mbola tsy notaingenana ho Azy.

Mark 11:4

Inona no niseho rehefa nahita ilay zana-boriky nifatotra ireo mpanompo?

Nanontany ireo mpanompo ny olona sasany hoe inona no ataon'izy ireo, ka niresaka tamin'ireo olona izy ireo araka izay nolazain'i Jesosy, ary navelan'ny olona handeha amin'ny lalany izy ireo

Mark 11:7

Inona no naparitaky ny olona tamin'ny lalana raha nitaingina ny zana-boriky i Jesosy?

Naparitaky ny olona ny akanjon'izy ireo, ary rantsan-kazo izay notapatapahan'izy ireo avy tany an-tsaha.

Inona no fanjakana niantsoantsoan'ireo olona raha nandeha nitaingina boriky ho any Jerosalema i Jesosy?

Niantsoantso ireo olona fa ny fanjakan'i Davida rain'izy ireo dia ho avy.

Mark 11:11

Inona no nataon'i Jesosy rehefa niditra tao an-kianjan'ny tempoly izy?

Nijerijery nanodidina i Jesosy ary avy eo nizotra nankany Betania.

Mark 11:13

Inona no nataon'i Jesosy raha vao nahita ny hazon'aviavy izay tsy misy voa teo aminy?

Hoy i Jesosy tamin'ilay hazon'aviavy hoe: ""Tsy hisy hihinana ny voa avy aminao intsony mandrakizay."

Mark 11:15

Inona no nataon'i Jesosy rehefa niditra tao an-kianjan'ny tempoly izy tamin'io fotoana io?

Nandroaka ireo mpivarotra sy mpividy rehetra i Jesosy, ary tsy hamela na iza na iza hitondra zavatra izay azo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly.

Mark 11:17

Tokony ho inona hoy i Jesosy ny tempoly, araka ny Soratra Masina?

Nilaza i Jesosy fa tokony ho tranom-pivavahana ho an'ny firenena rehetra ny tempoly.

Inona no nolazain'i Jesosy fa nanaovan'ireo mpisorona be sy mpanora-dalàna ny tempoly?

Nilaza i Jesosy fa nataon'izy ireo ho zohy fieren'ny mpangalatra ny tempoly.

Inona no nokasain'ny mpisorona be sy ny mpanora-dalàna natao an'i Jesosy?

Nikasa ny hamono an'i Jesosy ireo mpisorona be sy ireo mpanora-dalàna.

Mark 11:20

Inona no niseho tamin'ilay hazon'aviavy izay noresahan'i Jesosy?

Nalazo hatramin'ny fakany ilay hazon'aviavy izay noresahan'i Jesosy.

Mark 11:24

inona no nolazain'i Jesosy momba izay angatahintsika amin'ny fivavahana?

Nilaza i Jesosy fa ny zavatra rehetra angatahintsika amin'ny vavaka, hinoy fa handray izany isika, ary ho antsika izany.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy maintsy hataontsika mba hahafahan'ilay Ray any an-danitra mamela anareo?

Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy mamela isika na inona na inona ananantsika manohitra ny hafa, mba ahafahan'ny Ray mamela antsika.

Mark 11:27

Ao an-tempoly, inona no tian'ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona ho fantatra avy amin'i Jesosy?

Tian'izy ireo ho fantatra hoe fahefana avy aiza no hanaovany ireny zavatra ireny.

Mark 11:29

Inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona?

Nanontany azy ireo Jesosy raha avy amin'ny lanitra na avy amin'ny olona ny Batisan'i Jaona.

Mark 11:31

Nahoana ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona no tsy te hamaly fa ny Batisa an'i Jaona dia avy an-danitra?

Tsy te hanome valin-teny izy ireo satria hanontany i Jesosy hoe ahoana izy ireo no tsy mino an'i Jaona.

Nahoana ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona no tsy te hamaly fa ny Batisa an'i jaona dia avy amin'ny olona?

Tsy te hanome valin teny izy ireo satria matahotra ireo olona izy ireo, izay mino avokoa fa i Jaona dia mpaminany.

Mark 12

Mark 12:1

Taorian'ny fanorenana sy fampanofana ny tanim-boaloboka, dia inona no nataon'ilay tompon-tany?

Taorian'ny fanorenana sy fampanofana ny tanim-boaloboka, dia niala nandia lavitra ny tompon-tany.

Mark 12:4

Inona no nataon'ireo mpikarakara ny voaloboka tamin'ireo mpanompo maro izay nalefan'ilay tompon-tany handray ny voan'ny tanim-boaloboka?

Nokapohina sy novonoin'ireo mpikarakara voaloboka ny sasany tamin'ireo mpanompo maro.

Mark 12:6

Iza no nalefan'ny tompon-tany farany tany amin'ireo mpikarakara ny voaloboka?

Nandefa ny zanaka malalany ilay tompon-tany.

Mark 12:8

Inona no nataon'ireo mpikarakara voaloboka tamin'ilay iray izay nalefan'ny tompon-tany farany?

Nosamborin'ireo mpikarakara voaloboka izy, novonoiny, ary natsipiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka.

Inona no nataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ireo mpikarakara ny voaloboka?

Ho avy sy handringana ireo mpikarakara voaloboka ary hanome ny tanim-boaloboka ho an'ny hafa izy.

Mark 12:10

Ao amin'ny Soratra Masina, inona no niseho tamin'ilay vato narin'ny mpanorin-trano?

Ilay vato izay nolavin'ny mpanorin-trano, no natao vato fehizoro.

Mark 12:13

Inona no fanontaniana napetrak'ireo Fariseo sy ireo Herodiana sasany tamin'i Jesosy?

Nanontany azy izy ireo raha ara-dalàna na tsia ny mandoa ny hetra amin'i Kaisara.

Mark 12:16

Inona no navalin'i Jesosy azy ireo?

Nilaza i Jesosy fa tokony omena an'i Kaisara izay an'i Kaisara , ary omena an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

Mark 12:18

Inona no tsy hinoan'ireo Sadoseo?

Tsy nino ny fitsanganana amin'ny maty ireo Sadoseo

Mark 12:20

Araka ny tantara izay nolazain'ireo Sadoseo, firy ny vadin'ilay vehivavy?

Nanana vady fito ilay vehivavy.

Mark 12:24

Inona no antony nomen'i Jesosy ireo Sadoseo nohon'ny fahadisoan'izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa tsy nahafantatra na ny Soratra Masina na ny herin'Andrimanitra ireo Sadoseo.

Mark 12:26

Ahoana ny fomba nampisehoan'i Jesosy tamin'ny alalan'ny soratra masina fa misy fitsanganana?

Nambaran'i Jesosy tao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nilazan'Andriamanitra fa Izy no Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba-izay rehetra tsy maintsy mbola ho velona.

Mark 12:28

Inona no didy nolazain'i Jesosy fa manan-danja kokoa?

Nilaza i Jesosy fa ny mitia ny Tompo Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra, ny fanahy, ny saina, ary ny hery manontolo no didy manan-danja kokoa.

Inona no didy faharoa nolazain'i Jesosy?

Nilaza i Jesosy fa ny mitia ny namanareo tahaka ny tenanareo no didy faharoa.

Mark 12:35

Inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy an'ireo mpanora-dalàna momban'i Davida?

I Jesosy anontany an'i Davida ny fomba hahafahany miantso an'i Kristy Tompo rehefa zanak'i Davida i Kristy.

Mark 12:38

Inona no nolazain'i Jesosy hitandreman'ny olona mikasika ny mpanora dalàna?

Nilaza i Jesosy fa maniry ny homen'ny olona voninahitra ireo mpanora-dalàna, kanefa mandroba ny tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary manao vavaka lava be mba ho hitan'ny olona.

Mark 12:43

Nahoana i Jesosy no nilaza fa ny vehivavy mahantra mitondra tena no nandrotsaka betsaka mihoatra ny olona izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra?

Nilaza i Jesosy fa nandrotsaka betsaka izy satria nanome tamin'ny fahantrana izy raha nanome tamin'ny fananam-ben'izy ireo kosa ny hafa.

Mark 13

Mark 13:1

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'ilay vato sy rafitra tsaran'ny tempoly?

Nilaza i Jesosy fa tsy havela hisy vato iray hifanongoa eo ka tsy ho ravàna.

Mark 13:3

Inona izany no fanontaniana napetrak'ireo mpianatra tamin'i Jesosy?

Nanontany an'i Jesosy ireo mpianatra hoe rahoviana ireo zavatra ireo no hiseho ary inona no famantarana.

Mark 13:5

Momba ny inona no nolazain'i Jesosy fa tokony hitandreman'ireo mpianatra?

Nilaza i Jesosy fa tokony hitandrina ireo mpanompo mba tsy hisy olona hampivily lalana azy ireo.

Mark 13:7

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana?

Nilaza i Jesosy fa ny fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana dia ady, resabe momban'ny ady, ary mosary.

Mark 13:9

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'ireo mpanompo?

Nilaza i Jesosy fa atolotra amin'ny Synedriona ireo mpanompo, kapohina ao amin'ny synagoga, ary hitsangana manolona ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka ho vavolombelon'izy ireo.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy maintsy hiseho voalohany?

Nilaza I Jesosy fa ny filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha.

Mark 13:11

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy maintsy hiseho eo anelanelan'ireo isam-piankohonana?

Nilaza i Jesosy fa ny isam-piankohonana iray dia hanolotra isam-piankohonana hafa ho faty.

Iza no nolazain'i Jesosy fa ho voavonjy?

Nilaza i Jesosy fa na iza na iza maharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy.

Mark 13:14

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo izay any Jodia fa tokony hatao rehefa hahita ny fahavetavetan'ny fandravana izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay any Jodia dia tokony handositra eny an-tendrombohitra rehefa hahita ny fahavetavetan'ny fandravana izy ireo.

Mark 13:17

Inona no nolazain'i jesosy fa ho ataon'ny Tompo ho an'ny olom-boafidy, mba ho voavonjy izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa ho afohezin'ny Tompo ny andron'ny fahoriana ho an'ny olom-boafidy.

Mark 13:21

Iza no nolazain'i Jesosy fa hatsangana mba hamitaka ny olona?

Nilaza i Jesosy fa ny Kristy sandoka sy mpaminany sandoka dia hatsangana mba hamitahana ny olona.

Mark 13:24

Inona no hiseho amin'ny herin'ny lanitra aorian'ny fahorian'ireo andro ireo?

Hihamaizina ny masoandro, ireo kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary ireo hery izay ao an-danitra ho hozongozonina.

Inona no ho hitan'ny olona eny amin'ny rahona?

Hahita ny Zanak'Olona ho tonga anaty rahona amin'ny hery sy voninahitra lehibe izy ireo.

Inona no ho ataon'ilay Zanak'Olona rehefa ho avy Izy?

Hanangona miaraka ireo olom-boafidiny avy any amin'ny faran'ny tany ka hatrany amin'ny faran'ny lanitra ilay Zanak'Olona.

Mark 13:30

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy ho faty mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany?

Nilaza I Jesosy fa tsy ho faty izany taranaka izany mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy ho foana?

Jesosy nilaza fa ireo teniny dia tsy ho foana.

Oviana no nilazan'i Jesosy fa hitrangan'ireo zavatra ireo?

Jesosy nilaza fa tsy misy na iza na iza mahafantatra ny andro sy ny ora, afa-tsy ny Ray.

Mark 13:33

Inona no didy nomen'i Jesosy tamin'ireo mpianany momban'ny fahatongavany?

Nilaza tamin'ireo mpianany i Jesosy mba ho mailo sy hijery.

Mark 13:35

Inona no didy nomen'i Jesosy an'ireo mpianany momban'ny fahatongavany?

Nilaza tamin'ireo mpianany i Jesosy mba ho mailo sy hijery.

Mark 14

Mark 14:1

Inona no noheverin'ireo mpisorona be sy ireo mpanora-dalàna hatao?

Nitady fomba hisamborana an'i Jesosy mangingina ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora dalàna ary hamono Azy.

Nahoana no tsy nanao izany nandritra ny fety sy ny fihinanana ny mofo ireo mpisorona be sy ireo mpanora-dalàna?

Nanahy ny fitabataban'ny olona izy ireo.

Mark 14:3

Inona no nataon'ilay vehivavy an'i Jesosy tao an-tranon'i Simona boka?

Novakian'ilay vehivavy ny tavoara ary nararany teo amin'ny lohan'i Jesosy.

Tezitra nohon'ny inona ny sasany tamin'ireo vehivavy?

Tezitra tamin'ilay vehivavy nohon'ny tsy fivarotany ny menaka manitra sy nanomezany ny vola ho an'ny mahantra ireo vehivavy sasany.

Mark 14:6

Inona no nolazain'i Jesosy an'ilay vehivavy tamin'izay nataony taminy?

Nilaza i Jesosy fa nanosotra ny tenany ho amin'ny fandevenana ilay vehivavy.

Inona no fampanantenana nataon'i Jesosy tamin'ny zavatra nataony ilay vehivavy?

Nampanantena i Jesosy fa na aiza na aiza hitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao, izay nataon'ity vehivavy ity, dia lazaina mba ho fahatsiarovana azy.

Mark 14:10

Nahoana no niala tamin'ny ireo mpisorona be i Jodasy Iskariota?

Niala teo amin'ireo mpisorona be i Jodasy Iskariota mba hahafahany manolotra an'i Jesosy eo amin'izy ireo.

Mark 14:12

Ahoana ny fomba nahitan'ireo mpianatra ny toerana hahafahan'izy rehetra mihinana ny sakafon'ny Paska?

Nilaza azy ireo i Jesosy handeha any an-tanàna ary hanaraka lehilahy iray mitondra siny feno rano, ary avy eo hanontany azy ny toerana misy ny efitrano fandraisam-bahiny mba hahafahan'izy ireo mihinana amin'ny Paska.

Mark 14:17

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa niara-nipetraka teo amin'ny latabatra sy nihinana izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa ilay iray izay miara-mihinana aminy dia hamadika Azy.

Mark 14:20

Iza ilay mpianatra nolazain'i Jesosy hamadika azy?

Nilaza i Jesosy fa ilay mpianatra manatsoboka ny mofo anaty lovia miaraka aminy no hamadika azy.

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny anjaran'ny mpianatra izay mamadika azy?

Nilaza i Jesosy fa tsara ho azy kokoa raha tsy mbola teraka izy.

Mark 14:22

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nanome ny mofo notapatapahina tamin'ireo mpianany izy?

Nilaza i Jesosy hoe: "Raiso, ity no vatako."

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nanome kapoaka tamin'ireo mpianany izy?

Nilaza i Jesosy hoe: "Ity ny ràn'ny fanekem-pihavanako, rà izay alatsaka ho an'ny maro."

Oviana i Jesosy no niteny fa tsy hisotro an'izany vokatrin'ny voaloboka izany intsony?

Nilaza i Jesosy fa tsy hisotro ity vokatry ny voaloboka ity intsony Aho mandra-pahatongan'ny andro izay hisotroko izany indray any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

Mark 14:26

Teny an-tendrombohitr'Oliva, inona no nolazain'i Jesosy momban'ny mpianany?

Nilaza i Jesosy fa handao azy avokoa ny mpianany rehetra noho izy.

Mark 14:30

Inona no nolazain'i Jesosy an'i Petera taorian'ny nilazan'i Petera fa tsy hihemotra mandrakariva izy?

Nilaza tamin'i Petera i Jesosy fa raha mbola tsy maneno in-droa akory ny akoho, dia handà in-telo an'i Jesosy i Petera.

Mark 14:32

Inona no nolazain'i Jesosy hataon'ireo mpianany telo raha mbola mivavaka Izy?

Nilaza azy ireo Jesosy mba hitoetra eo sy hiambina.

Mark 14:35

Nohon'ny inona no nivavahan'i Jesosy?

Nivavaka i Jesosy mba hiala aminy izany ora izany.

Mark 14:37

Inona no hitan'i Jesosy rehefa niverina teo amin'ireo mpianany roa izy?

Nahita ireo mpianatra telo natory i Jesosy.

Mark 14:40

Inona no hitan'i Jesosy fanindroany rehefa niverina avy nivavaka izy?

Nahita ireo mpianatra telo natory i Jesosy.

Inona no hitan'i Jesosy fanintelony rehefa niverina avy nivavaka izy?

Nahita ireo mpianatra telo natory i Jesosy.

Mark 14:43

Inona no famantarana nomen'i Jodasy an'ireo mpiambina mba hamantarana an'i Jesosy?

Nanoroka an'i Jesosy i Jodasy mba hamantarana an'i Jesosy.

Mark 14:47

Inona no nolazain'i Jesosy fa nataony tamin'ny fisamborana azy mba hanatanterahana ny soratra masina?

Nilaza i Jesosy fa tanteraka ny soratra masina satria tonga nisambotra azy toy ny jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy izy ireo.

Inona no nataon'ireo izay niaraka tamin'i Jesosy rehefa nosamborina izy?

Nandao Azy ireo izay nanaraka Azy ary niery.

Mark 14:51

Inona no nataon'ilay zatovo lahy izay nanaraka an'i Jesosy rehefa nosamborina izy?

Navelan'ilay zatovo lahy teo ny lambany ka lasa nandositra nitanjaka izy.

Mark 14:53

Taiza i Petera rehefa noentina tany amin'ny mpisorona be i Jesosy?

Nipetraka teo amin'ireo mpiambina i Petera, izay namindro teo akaikin'ny afo.

Mark 14:55

Inona no tsy nety tamin'ny fijoroana vavolombelona manohitra an'i Jesosy nomen'ilay Synedriona?

Diso sy tsy nitombona akory ny fijoroana vavolombelona manohitra an'i Jesosy.

Mark 14:60

Inona no fanontaniana napetrak'ireo mpisorona be an'i Jesosy momban'ny hoe iza i Jesosy?

Nanontany an'i Jesosy ireo mpisorona be raha izy no Kristy, Zanak'Ilay Voatahy.

Inona no valin-tenin'i Jesosy tamin'ny fanontanian'ireo mpisorona be?

Namaly i Jesosy fa izy ilay Kristy, ilay Zanak'Ilay Voatahy

Mark 14:63

Raha ny fahenona ny valin-tenin'i Jesosy, inona no antony hanamelohan'ireo mpisorona be an'i Kristy?

Nilaza ireo Mpisorona be fa meloka amin'ny faniratsirana i Jesosy.

Inona no nataon'izy ireo tamin'i Jesosy taorian'ny nanamelohana azy tamin'ilay iray izay mendrika ny ho faty?

Nandrora azy izy ireo, nanarona ny tavany, namono azy.

Mark 14:66

Inona no valin-tenin'i Petera tamin'ireo mpanompo vavy izay nilaza fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera?

Namaly i Petera fa tsy nahafantatra na nahazo izay nolazain'ilay vehivavy izy.

Mark 14:71

Inona no valin-tenin'i Petera rehefa nanontaniana fanintelony fa mpianatr'i Jesosy va izy?

Nianiana sy nanozona ny tenany fa tsy mahafantatra an'i Jesosy izy.

Mark 15

Mark 15:1

Vao maraim-be, inona no nataon'i mpisorona be an'i Jesosy?

Vao maraim-be, dia nofatoran'izy ireo Jesosy ary natolotr'izy ireo teo amin'i Pilato.

Mark 15:4

Raha nanolotra fiampangana maro manohitra an'i Jesosy ireo mpisorona be, inona no nahagaga an'i Pilato momba an'i Jesosy?

Gaga i Pilato fa tsy namaly azy intsony I Jesosy.

Mark 15:6

Inona no ataon'i Pilato matetika amin'ny vahoaka amin'ny andron'ny firavoravona?

Mamotsotra gadra iray amin'ny vahoaka foana i Pilato amin'ny andron'ny firavoravona.

Mark 15:9

Nahoana no naniry ny hamotsotra an'i Jesosy I Pilato?

Nahafantatra i Pilato fa nohon'ny fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona an'i Jesosy taminy.

Iza no nihikan'ny ireo vahoka ho havotsotra?

Nihiaka mafy ireo vahoaka mba hamotsorana an'i Barabasy.

Mark 15:12

Inona no nolazain'ireo vahoaka fa tokony hatao amin'ny mpanjakan'ny Jiosy?

Nilaza ireo vahoaka fa tokony homboina ilay mpanjakan'ny Jiosy.

Mark 15:16

Ahoana ny fomba nampitafian'ny antoko miaramila an'i Jesosy?

Notafian'ny miaramila lamba voloparasy Jesosy, ary nandrandrana fehiloha tsilo azy ka napetraka teo amin'ny lohany.

Mark 15:19

Iza no nitondra ny hazofijalian'i Jesosy?

Mpandalo anankiray, Simona Kyreniana, no noterena hitondra ny hazofijalian'i Jesosy.

Mark 15:22

Inona no anran'ilay toerana izay nitondran'ny miaramila an'i Jesosy hanomboana azy?

Gologota no anaran'ilay toerana, izay midika hoe toeran'ny karandoha.

Inona no nataon'ireo miaramila ny akanjon'i Jesosy?

Nataon'ireo miaramila ankitsapaka ny fitafian'i Jesosy.

Mark 15:25

Inona no fiampangana nanohitra an'i Jesosy nosoratan'ireo miaramila tao amin'ny takelaka?

Nanoratra hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy" teo amin'ny takelaka ireo miaramila.

Mark 15:29

Inona no nasain'ireo mpandalo nataon'i Jesosy?

Ireo izay nandalo dia naniratsira an'i Jesosy mba hamonjy ny tenany ary hidina avy eo amin'ny hazofijaliana.

Mark 15:31

Inona no nolazain'ireo lohan'ny mpisorona fa tokony hataon'i Jesosy mba hinoan'izy ireo azy?

Nilaza ireo lohan'ny mpisorona fa tokony hidina eo amin'io hazofijaliana io Jesosy mba hinoan'izy ireo Azy.

Inona no fiantso nampiasain'ireo lohan'i mpisorona an'i Jesosy rehefa maniratsira Azy izy ireo?

Nantsoin'ireo lohan'ny mpisorona hoe Kristy sy mpanjakan'Israely i Jesosy.

Mark 15:33

Inona no niseho tamin'ny ora faha-enina?

Tamin'ny ora faha-enina, dia tonga teo amin'ny tany rehetra ny haizina.

Inona no nihikan'i Jesosy tamin'ny ora fahasivy?

Nihiaka i Jesosy hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana Ianao no nahafoy Ahy?"

Mark 15:36

Inona no nataon'i Jesosy alohan'ny nahafaty azy?

Nihiaka tamin'ny feo mafy i Jesosy talohan'ny nahafaty azy.

Inona no niseho tamin'ny tempoly rehefa maty i Jesosy?

Rovitra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny lamban'ny tempoly rehefa maty i Jesosy.

Mark 15:39

Inona no nataon'ireo kapiteny nanatri-maso rehefa nahita an'i Jesosy maty?

Nanatri-maso ireo kapiteny fa tena Zanak'Andriamanitra tokoa izany lehilahy izany.

Mark 15:42

Inona ny andro nahafaty an'i Jesosy?

Maty mialohan'ny andro Sabata i Jesosy.

Mark 15:45

Inona no nataon'i Josefan'ny Armatia taorian'ny nahafaty an'i Jesosy?

Nampidina an'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana i Josefan'i Armatia, namono hariry madinika Azy, ary nametraka Azy tao amin'ny fasana, nanakodia vato teo amin'ny varavaram-pasana.

Mark 16

Mark 16:1

Oviana ireo vehivavy no nandeha tany amin'ny fasana mba hanosotra ny fatin'i Jesosy?

Nankany amin'ny fasana ireo vehivavy tamin'ny andro voalohan'ny herinandro rehefa niposaka ny masoandro.

Mark 16:3

Ahoana ny fomba nidiran'ireo vehivavy tao amin'ny fasana na dia efa nisy vato lehibe aza teo amin'ny fidirana?

Nisy olona nanakodia ny vato lehibe teo amin'ny fidirana.

Mark 16:5

Inona no hitan'ireo vehivavy rehefa niditra tao amin'ny fasana izy ireo?

Nahita zatovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanana ireo vehivavy.

Inona no nolazain'ilay lehilahy momban'i Jesosy?

Nilaza ilay zatovo lahy fa efa nitsangana Jesosy ary tsy eto intsony.

Aiza no toerana nolazain'ilay zatovo lahy fa hahitan'ireo mpianatra an'Andriamanitra?

Nilaza ilay zatovo lahy fa any Galilia no hahitana an'i Jesosy.

Mark 16:9

Iza no nisehoan'i Jesosy voalohany rehefa nitsangana tamin'ny maty izy?

Maria Magdalena no nisehoan'i Jesosy voalohany.

Ahoana ny fomba namalian'ireo mpianatr'i Jesosy rehefa nilaza azy ireo i Maria fa nahita an'i Jesosy velona izy?

Tsy nino ireo mpianatra.

Mark 16:12

Ahoana ny fomba namalin'ireo mpianatra rehefa nilazan'ireo olon-droa izy ireo fa velona i Jesosy?

Tsy nino ireo mpianatra.

Mark 16:14

Rehefa niseho tamin'ireo mpianatra izy, inona no nolazain'i Jesosy momban'ny tsy finoan'izy ireo?

Niteny mafy an'ireo mpianatra i Jesosy amin'ny tsy finoan'izy ireo.

Inona ny didy nomen'i Jesosy an'ireo mpianatra?

Nandidy ireo mpianatra i Jesosy mba handeha any amin'izao tontolo izao ary hitory ny filazantsara.

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho voavonjy?

Nilaza I Jesosy fa ireo izay nino sy natao Batisa dia ho voavonjy.

Iza no nolazain'i Jesosy fa homelohina?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay tsy mino dia homelihana.

Mark 16:17

Inona no famantarana nolazain'i Jesosy fa handeha amin'ireo izay mino?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay mino dia hamoaka ny demonia , hiteny amin'ny fiteny vaovao, tsy ho fatifaty foana izy , ary hanasitrana ny hafa.

Mark 16:19

Inona no niseho tamin'i Jesosy taorian'ny nitenenany an'ireo mpianatra?

Taorian'ny nitenenany ireo mpianatra, dia nampiakarina tany an-danitra i Jesosy ary nipetraka teo an-tanana ankavanan' Andriamanitra.

Inona izany no nataon'ireo mpianatra?

Lasa ireo mpianatra ary nitory teny rehetra teny.

Inona izany no nataon'nyTompo?

Niara-niasa tamin'ireo mpianatra ny Tompo ary nanamafy ny teny tamin'ny alalan'ny famantarana.