Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Judges 1

Judges 1:1

Iza no nitarika ny vahoakan'Isrealy rehefa niakatra hiady amin'ireo Kananita izy ireo?

Joda no nitarika ny vahoakan'Israely hanohitra sy hifanandrina amin'ireo Kananita.

Judges 1:4

Nifanandrina tamin'iza ireo lehilahin'i Joda?

Nifanandrina tamin'i Adonia Bezeka ireo lehilahin'i Joda.

Judges 1:6

Iza no nanangona ny sakafon'izy ireo avy tao ambany latabatr'i Adonia Bezeka?

Mpanjaka fitopolo, izay tapaka ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongotr'izy ireo, no nanangona ny sakafon'izy ireo tao ambanin'ny latabatr'i Adonia Bezeka.

Judges 1:8

Iza ny anarana fiantso an'i Hebrona teo aloha?

Ny anaran'i Hebrona teo aloha dia i Kiriata Arba.

Judges 1:11

Inona no nomen'i Kaleba an'i Otniela?

Nomen'i Kaleba ho vadin'i Otniela i Aksa, zanany vavy.

Judges 1:14

Hatramin'izay nahatany Negeva an'i Aksa, inona no tiany homen'ny rainy azy?

Hatramin'izay nahatany Negeva an'i Aksa, dia naniry ny mba hanomezany loharano azy izy.

Judges 1:16

Aiza ny efitr'i Joda?

Ny efitr'i Joda dia any Negeva.

Judges 1:18

Nahoana no tsy afaka nandroaka ireo mponin'ny tany lemaka ny vahoakan'i Joda?

Tsy afaka nandroaka ireo mponin'ny tany lemaka izy ireo satria nanana kalesa vy ireo mponina.

Judges 1:20

Nahoana no niara-nonina tamin'ireo vahoakan'i Benjamina tao Jerosalema ireo Jebosita?

Satria tsy nandroaka ireo Jebosita mponin'i Jerosalema ireo vahoakan'i Benjamina, nonina niaraka tamin'ireo vahoakan'i Benjamina tao Jerosalema ireo Jebosita.

Judges 1:25

Inona no nitranga tamin'ilay lehilahy izay nampiseho tamin'ireo mpitsikilo avy tao an-tranon'i Josefa ny fomba idirana tao Betela?

Navelan'ireo mpitsikilo nandeha ilay lehilahy sy ny fianankaviany ary nankany amin'ny tanin'ireo Hitita ilay lehilahy ka nanorina tanàna ary nantsoiny hoe Lozy izany.

Judges 1:27

Rehefa lasa natanjaka Israely, inona no nataon'izy ireo tamin'ireo Cananita

Rehefa lasa natanjaka Israely, dia noteren'izy ireo hanompo azy ireo tamin'ny asa mafy ireo Kananita, nefa tsy mbola nandroaka azy ireo tanteraka izy ireo

Judges 1:31

Nahoana no nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Asera?

Nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Asera satria tsy nandroaka azy ireo i Asera.

Judges 1:34

Iza no nandresy ireo Amorita tany an-Tendrombohitra Heresa, tany Aijalona, ary tany Salbima?

Ny ankohonan'i Josefa no nandresy azy ireo.

Judges 2

Judges 2:1

Taiza no nitondran'ny anjelin'i Yaveh ny vahoakan'Israely?

Nentin'ny anjelin'i Yaveh tany amin'ny tany izay nampanantenainy homena ny razany izy ireo.

Judges 2:3

Rehefa niteny ny anjely fa tsy handroaka ireo Kananita eo anatrehan'ny vahoakan'Israely izy, dia inona no nataon'izy ireo?

Rehefa niteny ny anjely fa tsy handroaka ireo Kananita eo anatrehan'ny vahoakan'Israely izy, dia nihiaka sy nitomany izy ireo.

Judges 2:6

Hafiriana no nanompoan'ny vahoaka an'i Yaveh?

Nanompo an'i Yaveh nandritra ny fotoana nahaveloman'i Josoa sy ireo loholona izay mbola velona taoriany ny vahoaka.

Judges 2:11

Andriamanitra inona no narahin'ny vahoakan'Israely?

Nanaraka ireo andriamani-kafa an'ireo olona izay nanodina azy ireo ny vahoakan'Israely.

Judges 2:14

Inona no nianianan'i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely?

Nianiana Yaveh fa na aiza na aiza ivoahan'Israely hiady, dia hanohitra handresy azy ny tanan'i Yaveh.

Judges 2:16

Inona no nataon'ilay mpitsara?

Namonjy ny vahoakan'Israely tamin'ny herin'ireo izay nangalatra ny fananan'izy ireo ilay mpitsara.

Judges 2:18

Inona no nitranga rehefa maty ilay mpitsara?

Rehefa maty ny mpitsara, dia niala sy nanao ireo zavatra izay ratsy kokoa noho ny nataon'ireo razany ny vahoakan'Israely.

Judges 2:20

Nahoana no tsy noroasin'i Yaveh hiala tao Israely ireo firenena izay navelan'i Josoa rehefa maty izy?

Tsy noroasin'i Yaveh hiala tao Israely ireo firenena izay navelan'i Josoa rehefa maty izy, mba hitsapany an'Israely, na hitandrina ny lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany izy ireo na tsia, toy ny nitandreman'ireo razamben'izy ireo izany.

Judges 3

Judges 3:1

Nahoana Yaveh no namela ireo firenena mba hitsapana an'i Israely?

Namela ireo firenena Yaveh mba hitsapana an'i Israely mba hampianatra ady ireo taranaka vaovaon'ireo Israelita izay tsy nahalala izany taloha.

Judges 3:4

Inona ny tanjon'i Yaveh tamin'ny famelana ireo firenena ireo?

Nitsapa an'Israely tamin'ny famelana ireo firenena ireo i Yaveh, mba hanamarinana na nankatò ireo didy izay nomeny an'ireo razamben'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.

Judges 3:7

Inona no notompoin'ny vahoakan'Israely?

Nanompo ireo Bala sy Aseraha izy ireo.

Judges 3:9

Iza no nasandratr'i Yaveh voalohany ho tonga hanampy ny vahoakan'Israely?

Otniela zanak'i Kenaza, zandrilahin'i Kaleba no nasandratr'i Yaveh voalohany.

Judges 3:12

Iza no nanome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba?

Yaveh no nanome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba.

Judges 3:15

Oviana no nanandratan'i Yaveh an'i Ehoda mba hanampy ny vahoakan'Israely?

Nanandratra an'i Ehoda i Yaveh mba hanampy ny vahoakan'Israely rehefa nitaraina taminy izy ireo.

Judges 3:16

Taiza no nafaton'i Ehoda ny sabatra izay namboariny?

Nafatony teo ambanin'ny ankanjony teo amin'ny feny ankavanana izany.

Judges 3:19

Iza no niaraka tamin'i Ehoda sy ny mpanjaka rehefa nilaza taminy ny hafatra izy?

Ehoda sy ny mpanjaka ihany no teo.

Judges 3:21

Nahoana no nanarona ny lela-tsabatra ilay tavy?

Nanarona ny lela-tsabatra ilay tavy, satria tsy notsoahiny tamin'ny vatan'ny mpanjaka ny sabatra.

Judges 3:24

Inona no noheverin'ireo mpanompon'ny mpanjaka rehefa hitan'izy ireo fa nihidy ireo varavaran'ny efitra ambony?

Rehefa hitan'ireo mpanompon'ny mpanjaka fa nihidy ny varavaran'ny efitra ambony, dia nihevitra izy ireo fa maka aina ao amin'ny mangatsiatsiaka ao amin'ny efitra ambony izy.

Judges 3:26

Oviana i Ehoda no nandositra?

Nandositra i Ehoda raha mbola niandry sy nanontany tena ny amin'izay tokony hatao ireo mpanompo.

Judges 3:28

Ahoana no nataon'ny vahoakan'Israely mba hanakanana ireo Moabita tsy hiampita ny renirano?

Nalain'ny vahoakan'Israely ireo fitàn'i Jordana fandalovan'ireo Moabita.

Judges 3:31

Tamin'ny inona no namonoan'i Samgara ireo Filistina 600?

Tamin'ny hazo fanindromana biby fiompy no namonoan'i Samgara ireo Filistina.

Judges 4

Judges 4:1

Inona ny antony niantsoan'ny vahoakan'Israely vonjy tamin'i Yaveh?

Niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh ny vahoakan'Israely, satria nanana kalesy vy sivinjato i Sisera ary nampahory ny vahoakan'Israely tamin-kery nandritra ny roapolo taona izy.

Judges 4:4

Inona no antony nandehanan'ny vahoakan'Isrealy tany amin'i Debora?

Nankany amin'i Debora ny vahoakan'Israely mba hametraka ireo fifandiran'izy ireo.

Judges 4:6

Taiza no nataon'i Yaveh nihaona i Sisera sy Baraka?

Teo amoron'ny renirano Kisona no nampihaonan'i Yaveh an'i Sisera sy Baraka.

Judges 4:8

Nahoana no nataon'i Yaveh resim-bavy i Sisera?

Nataon'i Yaveh resim-bavy i Sisera satria tsy nandeha i Baraka raha tsy nandeha i Debora.

Judges 4:11

Taranak'iza ireo Kenita?

Ireo Kenita dia taranak'i Hobaba, rafozan-dahin'i Mosesy.

Judges 4:15

Firy tamin'ireo tafik'i Sisera no sisa velona?

Tsy nisy niangana ny tafik'i Sisera.

Judges 4:17

Nahoana no nandeha tany amin'ny lain'i Jaela i Sisera?

Nandeha tany amin'ny lain'i Jaela i Sisera, satria nisy fihavanana teo amin'i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy ny ankohonan'i Hebera, vadin'i Jaela.

Judges 4:19

Inona no nomen'i Jaela an'i Sisera raha nangataka rano taminy izy?

Ronono no nomen'i Jaela an'i Sisera raha nangataka rano taminy izy.

Judges 4:21

Ahoana ny fomba namonoan'i Jaela an'i sisera?

Noveleziny tamin'ny tantanana teo amin'ny faritry ny lohany ny tsatokan-day ary nitsatoka taminy izany ka nirodana tamin'ny tany.

Judges 5

Judges 5:3

Tamin'ny fotoana inona no nohirohoro ny tany?

Nihorohoro ny tany rehefa nivoaka avy tao Seira i Yaveh, rehefa nandeha avy tany Edoma.

Judges 5:5

Inona ny lalana nampiasain'ireo izay nandeha?

Ireo izay nandeha dia nampiasa ny ny sakeli-dalana miolakolaka.

Judges 5:7

Inona no tsy hita teny amin'ireo olona efatra alina tao Israely?

Tsy nisy na ampinga na lefona hita teny amin'ireo olona efatra alina tao Israely.

Judges 5:9

Inona ny zavatra nampiasaina ho solon'ny lasely teo ambonin'ny ampondra fotsy?

Lamba no nampiasaina ho solon'ny lasely teo ambonin'ny ampondra fotsy.

Judges 5:12

Nidina taiza ireo vahoakan'i Yaveh?

Nidina tany amin'i Debora teo amin'ireo mpiady ny ahoakan'i Yaveh.

Judges 5:15

Inona no nataon'i Isakara niaraka tamin'i Baraka?

Nikoropaka nanaraka an'i Baraka nankany amin'ny lohasaha ambanin'ny fifehezany i Isakara.

Judges 5:17

Inona no nafoin'i Zebolona?

Nahafoy ny ainy hatramin'ny fahafatesana i Zebolona.

Judges 5:19

Inona no niady hanohitra an'i Sisera avy eny amin'ny lalan'izy ireo manerana lanitra?

Ireo kintana no niady hanohitra an'i Sisera avy eny amin'ny lalan'izy ireo manerana lanitra.

Judges 5:24

Inona no antony nanozonan'ny anjelin'Andriamanitra an'i Meroza?

Nanozona an'i Meroza ny anjelin'Andriamanitra satria tsy tonga nanampy an'i Yaveh izy ireo.

Judges 5:26

Teo amin'ny inona no nametrahan'i Jaela ny tanany?

Napetrany teo amin'ny tsatokan-day ny tanany, ary ny tanany havanana tamin'ny tantanan'ny mpiasa.

Judges 5:28

Taiza no nitazana ny renin'i Sisera?

Teo amin'ny makarakaran'ny varavarankely no nitazana ny renin'i Sisera

Judges 5:31

Tahaka ny ahoana ireo izay mitia an'i Yaveh?

Ireo izay mitia an'i Yaveh dia tahaka ny masoandro izay miposaka amin'ny heriny.

Judges 6

Judges 6:1

Noho i Midiana, dia inona no nataon'ny vahoakan'Israely?

Noho i Midiana, dia nanao fialofana ho azy ireo tao amin'ny zohy teny amin'ny havoana, tany an-dava-bato, ary tao amin'ny fiarovana mafy ny vahoakan'Israely

Judges 6:3

Inona no mitranga isaky ny mamboly ireo vokatrany ny Israelita?

Ary isaky ny namboly ireo vokatrany ny Israelita, dia nanafika azy ireo ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona avy any atsinanana.

Judges 6:5

Firy ireo Midianita sy Amalekita nanafika?

Tsy tambo isaina izy ireo.

Judges 6:9

Tao amin'ny tanin'iza no nipetraka ireo Israelita?

Tao amin'ny tanin'ireo Amorita izy ireo no nipetraka.

Judges 6:11

Inona ny antony nanasarahin'i Gideona ny vary tamin'ny fivelezana izany tamin'ny tany, teo amin'ny famiazana divay?

Nanasaraka ny vary tamin'ny fivelezana izany tamin'ny tany teo amin'ny famiazana divay i Gideona mba nahanafenana izany amin'ireo Midianita.

Judges 6:13

Inona no noheverin'i Gideona fa nataon'i Yaeh tamin'ny vahoakan'Israely?

Nihevitra i Gideona fa nahafoy azy ireo Yaveh ary nanolotra azy ireo teo ambanin'ny fahefan'i Midiana.

Judges 6:14

Nahoana no nihevitra i Gideona fa tsy afaka hanafaka an'Israely izy?

Nihevitra i Gideona fa tsy afaka hanafaka an'Israely izy satria ny fianakaviany no marefo indrindra ao Manase, ary izy no tsy manan-danja indrindra ao an-tranon-drainy.

Judges 6:16

Nahoana no niandry an'i Gideona i Yaveh?

Niandry an'i Gideona i Yaveh mba hitondra fanomezana ho Azy.

Judges 6:19

Taiza no nasain'ny anjelin'Andriamanitra apetrak'i Gideona ilay hena sy ilay mofo tsy misy masirasira?

Nasain'ilay anjelin'Andriamanitra napetrak'i Gideona teo ambony vatolampy ilay hena sy ilay mofo tsy misy masirasira.

Judges 6:21

Inona no nitranga rehefa naninjitra ny tendron'ny tehiny ilay anjelin'Andriamanitra?

Rehefa naninjitra ny tendron'ny tehiny ilay anjelin'Andriamanitra, nokasihiny ilay hena sy ilay mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo niakatra avy tao amin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira.

Judges 6:22

Inona no nahatonga an'i Gideona natahotra rehefa fantany fa nahita ny anjelin'Andriamanitra izy?

Natahotra i Gideona rehefa fantany fa nahita ny anjelin'i Yaveh izy satria nihevitra izy fa ho faty.

Judges 6:25

Inona no nasain'i Yaveh namboarin'i Gideona teo amin'ny tampon'ny toerana fialofana?

Nasain'i Yaveh nanamboatra alitara ho Azy teo amin'ny tampon'ny toerana i Gideona.

Judges 6:27

Inona ny antony nanaovan'i Gideona izay zavatra nasain'i Yaveh nataony ny alina?

Nanao izay nampanaovin'i Yaveh azy izy ny alina satria natahotra mafy ny ankohonan-drainy izy sy ireo lehilahy tao an-tanàna ny hanao izany mandritra ny andro izy.

Judges 6:30

Inona ny antony nanirian'ireo lehilahy hamono hahafaty an'i Gidoena?

Naniry ny hamono hahafaty an'i Gideona ireo lehilahy, satria narodany ny alitaran'i Bala, ary satria nokapainy ilay Aseraha teo anilan'izany.

Judges 6:31

Nahoana no nantsoina hoe "Jerobala" i Gideona?

Nantsoina hoe "Jerobala" i Gideona satria hoy izy hoe: "aoka hiaro ny tenany amin'izany i Bala," satria noravan'i Gideona ny alitarany.

Judges 6:36

Inona no nataon'i Gideona mba hahafantarany fa nikasa ny hampiasa azy mba hamonjy an'i Israely i Yaveh?

Nametraka volon'ondry teo amin'ny famoloana i Gideona. Niteny izy fa raha misy ando eo amin'ny volon'ondry, ary maina eo amin'ny famoloana, dia ho fantany fa hampiasa azy hamonjy an'i Israely i Yaveh.

Judges 6:38

Rehefa niara-nofiazin'i Gideona ny volon'ondry, ary nisy rano nivoaka tamin'ilay volon'ondry, ohatra ny inona ny habetsaky ny rano teo?

Rehefa niara-nofiazin'i Gideona ny volon'ondry, ary nisy rano nivoaka tamin'ilay volon'ondry, dia ampy nahafeno lovia iray ny rano.

Judges 7

Judges 7:2

Nahoana no nasain'i Yaveh niverina ireo miaramila saro-tahotra?

Nasain'i Yaveh niverina ireo miaramila saro-tahotra mba tsy hireharehan'ny vahoakan'Israely amin'i Yaveh hanao hoe: "Ny herin'ny tenanay no nahavonjy anay."

Judges 7:4

Inona ny antony nitenenan'i Yaveh an'i Gideona mba hidina haka ireo miaramila teny amin'ny rano?

Te hampiena ireo miaramila i Yaveh raha niteny tamin'i Gideona ireo izay tokony handeha hiaraka aminy.

Judges 7:5

Inona no nasain'i Yaveh nataon'i Gideona mba hanasarahana ireo miaramila?

Nasain'i Yaveh natokan'i Gideona ireo izay nilelaka ny rano,tahaka ny filelaky ny alika.

Judges 7:7

Firy ny miaramila nazonin'i Gideona?

Nihazona miaramila telo arivo i Gideona ary nalefany nody ny ambiny.

Judges 7:9

Raha natahotra i Gideona, dia inona nahamafy ny herim-pony?

Raha natahotra i Gideona, nasaina nidina tany an-toby izy, ary nihaino izay nolazain'izy ireo, ary nihanahery ny herim-pony hanafika ny toby.

Judges 7:13

Rehefa nilaza ny nofiny tamin'ny namany ny lehilahy iray, mikasika an'iza ilay nofy raha ny filazan'ilay namany azy?

Rehefa nilaza ny nofiny tamin'ny namany ilay lehilahy, niteny ilay namany fa mikasika an'i Gideona ilay nofy. Nanome fandresena azy teo amin'i Midiana sy ny tafiny rehetra i Yaveh.

Judges 7:15

Inona no nomen'i Gideona ireo miaramilany telonjato?

Trompetra sy siny misy fanilo anatin'ny siny tsirairay no nomen'i Gideona azy ireo rehetra.

Judges 7:19

Oviana no nitsofan'ireo miaramilan'i Gideona ny trompetra sy namakiany ireo siny teny an-tanan'izy ireo?

Raha teo am-panoloana mpiambina indrindra ireo Midianita, dia notsofin'ireo miaramilan'i Gideona ny trompetra ary novakiany ireo siny teny an-tanan'izy ireo.

Judges 7:22

Inona no nataon'i Yaveh rehefa nitsoka ireo trompetra telonjato ny miaramila?

Rehefa nitsoka ireo trompetra telonjato ny miaramila, dia nataon'i Yaveh nifamely tamin'ny sabatra ireo Midianita sy ny namany ary ny tafiny rehetra.

Judges 7:24

Hatraiza no niarahan'ireo lehilahin'i Efraima niangona ka nifehy ireo rano?

Niara-nivory ny lehilahin'i Efraima rehetra ka nanara-maso ireo rano, hatrany Beti-bara sy ny Reniranon'i Jordana

Judges 8

Judges 8:1

Inona ny antony niadian'ireo lehilahin'i Efraima hevitra tamin'i Gideona?

Niady hevitra tamin'i Gideona ireo lehilahin'i Efraima satria tsy niantso azy ireo izy tamin'ny nandeha nifanandrina tamin'i Midiana.

Judges 8:4

Inona no nangatahin'i Gideona tamin'ireo olon'i Sokota?

Mofo ho an'ireo olona izay nanaraka azy no nangatahin'i Gideona tamin'ireo olon'i Sokota?

Judges 8:6

Nahoana no nolazain'i Gideona tamin'ireo lehilahin'i Penoela fa horodaniny ny tilikambo?

Nolazain'i Gideona tamin'ireo lehilahin'i Penoela fa horodaniny ny tilikambo satria tsy nanome mofo an'ireo tafiny izy ireo, izay tahaka ny nataon'ireo lehilahin'i Sokota ihany koa.

Judges 8:11

Nahoana no nandresy ny tafika fahavalo izay nandalo tao Noha sy Jogbeha i Gideona?

Nandresy ny tafika fahavalo i Gideona, satria tsy nampoizin'izy ireo ny fanafihana.

Judges 8:15

Iza no nasehon'i Gideona tamin'ireo lehilahin'i Sokota talohan'ny namaizan'izy ireo azy?

Nasehon'i Gideona tamin'ireo lehilahin'i Sokota i Zebaha sy Zalmona talohan'ny namaizan'izy ireo azy.

Judges 8:18

Lehilahy tahaka ny ahoana no novonoinareo tao Tabara?

Ireo rahalahin'i Gideona no novonoin'i Zebaha sy Zalmona

Judges 8:20

Nahoana no tsy notsoahin'i Jatera ny sabany?

Tsy notsoahin'i Jatera ny sabany fa natahotra izy, satria mbola zazalahy kely izy.

Judges 8:22

Iza no nolazain'i Gideona fa hanapaka ireo lehilahin'i Israely?

Yaveh no nolazain'i Gideona fa hanapaka an'i Israely.

Judges 8:24

Inona no nangatahin'i Gideona tamin'ireo lehilahin'i Israely?

Ireo kavina norobain'izy ireo no nangatahin'i Gideona tamin'izy ireo.

Judges 8:27

Nanamboran'i Gideona inona ireo kavina?

Nanamboaran'i Gideona efoda ireo kavina.

Inona no nataon'i Israely tamin'ilay efoda volamena?

Nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana izany i Israely.

Judges 8:32

Inona no nitranga nony maty i Gideona?

Nony maty i Gideona, dia niodina indray ireo zanak'Israely ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana an'ireo Bala.

Judges 9

Judges 9:1

Iza ny rain'i Abimeleka?

Jerobala ny rain'i Abimeleka?

Judges 9:3

Nahoana no nanaiky nanaraka azy ny havan-drenin'i Abimeleka?

Nanaiky ny hanaraka an'i Abimeleka izy ireo, satria hoy izy ireo hoe: "Rahalahintsika izy."

Judges 9:5

Nahoana no tsy voavono i Jotama?

Tsy voavono i Jotama, satria niafina izy.

Judges 9:7

Tamin'ny andro inona no niresahan'i Jotama tamin'ireo mpitarik'i Sekema?

Tamin'ny andro izay nitsanganan'izy ireo hanohitra ny ankohonan-drainy sy nanomonoany ireo rahalahiny, miisa fitopolo, tamin'ny vato no niresahan'i Jotama tamin'ireo mpitarik'i Sekema.

Judges 9:17

Tamin'ny andro inona no niresahan'i Jotama tamin'ireo mpitarik'i Sekema?

Tamin'ny andro izay nitsanganan'izy ireo hanohitra ny ankohonan-drainy sy nanomonoany ireo rahalahiny, miisa fitopolo, tamin'ny vato no niresahan'i Jotama tamin'ireo mpitarik'i Sekema

Judges 9:19

Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ny vahoaka, dia inona no tokony hitranga?

Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ny vahoaka, dia tokony hiravoravo amin'i Abimeleka izy ireo, ka hamela an'i Abimeleka hiravoravo amin'izy ireo.

Inona ny ozona nataon'i Jotama?

Nanozona i Jotama hoe aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo, ary aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba handoro an'i Abimeleka.

Judges 9:22

Nahoana no nandefa fanahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema Andriamanitra?

Nandefa fanahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema Andriamanitra mba ho voavaly ny herisetra natao teo amin'ireo zanak'i Jerobala fitopolo lahy

Judges 9:25

Iza no nokasain'ireo mpitarik'i Sekema hotafihana tampoka?

Abimeleka no nokasain'ireo mpitarik'i Sekema ho hotafihana tampoka.

Judges 9:28

Iza no naniry hibaiko ny vahoaka?

Gala no naniry hibaiko ny vahoaka.

Judges 9:30

Inona ny antony nampirehitra ny fahatezeran'i Zebola?

Rehefa nandre ny tenin'i Gala zanak'i Ebeda rehetra i Zebola, dia nirehitra ny fahatezerany.

Inona ny antony nandefasan'i Zebola mpitondra hafatra tany amin'i Abimeleka?

Nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Abimeleka izy mba hamitahana azy.

Judges 9:36

Ahoana no nanoritsoritan'i Zebola ireo lehilahy teny an-tapon-kavoana?

Nolazain'i Zebolona fa aloka eny amin'ny havoana izy ireo.

Judges 9:38

Inona no nasain'i Zebola nataon'i Gala?

Nasain'i Zebola nivoaka hiady tamin'ny Abimeleka i Gala.

Inona no nitranga rehefa nifanandrina tamin'i Abimeleka i Gala?

Nenjehin'i Abimeleka izy ka nandositra teo anatrehan'i Abimeleka ary maro no lavon'ny ratra mahafaty teo anoloan'ny fidirana teo am-bavahadin'ny tanàna.

Judges 9:44

Inona no nataon'i Abimeleka rehefa azony babo ny tanàna?

Narodan'i Abimeleka mandan'ny tanàna ary nandrarahany sira izany.

Judges 9:46

Taiza no niditra ireo mpitariky ny tilikambon'i Sekema?

Niditra tao amin'ny fiarovana mafin'ny tranon'i El-berita ireo mpitariky ny tilikambon'i Sekema.

Judges 9:48

Ahoana ny fomba namonoan'i Abimeleka ireo mpitarika rehetra sy ny vahoaka tao amin'ny tilikambon'i Sekema?

Nandeha niakatra tany an-Tendrombohitra Zalmona i Abimeleka, ary nanangona rantsan-kazo teo an-tampon'ny efitra ambany, ka nandrehitra afo teo amin'izany.

Judges 9:52

Rehefa tonga teo akaikin'ny varavaran'ny tilikambon'i Tebeza i Abimeleka, dia inona no nitranga?

Rehefa tonga teo akaikin'ny varavaran'ny tilikambon'i Tebeza i Abimeleka, dia nisy vehivavy nandatsaka vato fikosoham-bary teo amin'ny lohany ka nahavaky ny karan-dohany.

Judges 9:55

Inona ny ozona nataon'i Jotama?

Nanozona i Jotama hoe aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo, ary aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba handoro an'i Abimeleka.

Judges 10

Judges 10:1

Taiza no nisy an'i Samira?

Samira dia toerana tao amin'ny tany havoan'i Efraima.

Judges 10:6

Nahoana no nirehitra tamin'ny vahoakan'Israely ny fahatezeran'i Yaveh?

Nandao an'i Yaveh ny vahoakan'Israely ary tsy nanompo Azy intsony, koa dia nirehitra tamin'izy ireo ny fahatezeran'i Yaveh.

Judges 10:8

Inona no nahatonga an'Israely ory mafy?

Niampita an'i Jordana mba hiady tamin'i Joda, tamin'i Benjamina, ary tamin'ny ankohonan'i Efraima ireo Amorita, ka ory mafy Israely.

Judges 10:13

Iza no nasain'i Yaveh nantsoin'ny vahoakan'Israely mba hamonjy azy ireo?

Nasain'i Yaveh niantso ireo andriamanitra izay notompoin'izy ireo ny vahoakan'Israely.

Judges 10:15

Nahoana Yaveh no tsy naharitra ny fahorian'Israely?

Niala tamin'ireo andriamani-kafa izay nananany izy ireo ary nanompo an'i Yaveh, ka lasa tsy harin'i Yaveh intsony ny fahorian'izy ireo.

Judges 11

Judges 11:1

Zanak'iza i Jefta?

Zanaka mpivaro-tena i Jefta.

Judges 11:4

Nahoana no nentin'ireo loholon'i Gileada niverina avy tany amin'ny tanin'i Toba i Jefta?

Nentin'ireo loholon'i Gileada niverina avy tany amin'ny tanin'i Toba i Jefta mba ho lasa mpitarik'izy ireo.

Judges 11:7

Inona ny antony niverenan'ireo loholon'i Gileada tany amin'i Jefta?

Niverina tany amin'i Jefta ireo loholon'i Gileada satria tao anaty olana izy ireo.

Judges 11:9

Raha nitondra an'i Jefta nody indray ireo loholona mba hiady amin'ireo miaramilan'i Amona, ary raha nanome fandresena azy ireo teo amin'ireo mpifanandrina Yaveh, dia inona no mety hitranga tamin'i Jefta?

Raha nitondra an'i Jefta nody indray ireo loholona mba hiady amin'ireo miaramilan'i Amona, ary raha nanome fandresena azy ireo teo amin'ireo mpifanandrina Yaveh, dia lasa mpitarik'izy ireo i Jefta.

Judges 11:12

Nahoana no tonga tamin-kery haka ny tanin'Israely ny vahoakan'i Amona?

Tonga tamin-kery haka ny tanin'Israely ny vahoakan'i Amona satria tamin'ny vahoakan'Israely nivoaka avy tany Egypta, dia nalain'izy ireo ny tanin'i Amona.

Judges 11:17

Iza no tsy namela an'Israely handeha?

Ny mpanjakan'i Edoma sy ny mpanjakan'i Moaba no tsy namela an'Israely andeha.

Nahoana no tsy nandeha teo amin'ny faritanin'i Moaba i Israely?

Tsy nandeha teo amin'ny faritanin'i Moaba i Israely, satria faritanin'i Moaba i Arnona.

Judges 11:21

Iza no nanome fandresena an'Israely teo amin'i Sihona?

Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no nanome ny fandresena an'Israely teo amin'i Sihona.

Judges 11:26

Hafiriana no nipetrahan'Israely tao Hesbona sy ireo vohiny, sy tao Aroera sy ireo vohiny, ary tao amin'ireo tanàna nanamorona an'i Arnona?

Nipetraka nandritra ny telonjato taona tao Hesbona sy ireo vohiny, sy tao Aroera sy ireo vohiny, ary tao amin'ireo tanàna nanamorona an'i Arnona i Israely.

Judges 11:29

Raha nanome fandresena an'i Jefta teo amin'ny vahoaka an'i Amona i Yaveh, dia inona no nitranga tamin'i Jefta?

Raha nanome fandresena an'i Jefta eo amin'ny vahoaka an'i Amona i Yaveh,dia natolotr'i Jefta ho fanatitra dorana izay mivoaka ny varavaranan'ny tranony mba hitsena azy.

Judges 11:32

Iza no nanome fandresena an'i Jefta rehefa nandalo teo amin'ny vahoakan'i Amona izy mba hiady hanohitra azy ireo?

Yaveh no nanome fandresena an'i Jefta rehefa nandalo teo amin'ny vahoakan'i Amona izy mba hiady hanohitra azy ireo.

Judges 11:34

Firy ny zanak'i Jefta?

Iray monja ny zanak'i Jefta.

Judges 11:36

Inona no nirian'i Jefta atao talohan'ny nanaovany izay nanpanantenainy?

Naniry ny amela azy irery nandritra ny roa volana izy, mba hahafahany mandao sy mandeha any amin'ireo havoana ary mitomany ny maha-virijiny azy.

Judges 11:38

Inona no nataon'i Jefta tamin'ny zanany vavy?

Nataony taminy araka ny voady fampanantenana izay nataony.

Judges 12

Judges 12:1

Inona no nirian'ireo lehilahin'i Efraima hatao tamin'ny tranon'i Jefta satria tsy niantso azy ireo mba hiaraka aminy izy?

Naniry ny handoro ny tranon'i Jefta i Efraima satria tsy niantso azy ireo mba hiaraka aminy hiady amin'ny vahoakan'i Amona izy.

Judges 12:3

Inona ny antony nanafihan'ireo lehilahin'i Gileada an'ireo lehilahin'i Efraima?

Nanafika an'ireo lehilahin'i Efraima ireo lehilahin'i Gileada satria hoy izy ireo hoe: " Ianareo Gileadita dia mpandositra any Efraima—ao Efraima sy Manase."

Judges 12:5

Ahoana no nitsapan'ireo lehilahin'i Gileada fa avy any Efraima tokoa ny olona iray?

Asain'izy ireo manona hoe "Shiboleta" izy. Ary raha miteny izy hoe: "Siboleta" (satria tsy nahay nanonona ilay teny mazava izy), dia hosamborin'ireo Gileadita izy ary hovonoina eo amin'ny fitàn'ny Jordana.

Judges 13

Judges 13:1

Inona ny antony tsy nampiteraka ny vadin'i Manoa?

Tsy nety nitoe-jaza ny vadin'i Manoa ka noho izany dia tsy niteraka izy.

Judges 13:3

Nahoana no tsy azo ampandalovina hareza ny lohan'ny zaza?

Tsy azo ampandalovina hareza ny lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza.

Judges 13:6

Toy ny ahoana ny endrik'ilay lehilahin'Andriamanitra?

Toy ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana azy.

Judges 13:8

Rehefa niverina fanindroany ilay anjelin'Andriamanitra, dia iza no teo?

Rehefa niverina fanindroany ilay anjelin'Andriamanitra, dia ny vadin'i Manoa irery no teo.

Judges 13:12

Inona no nanontanian'i Manoa an'ilay anjely?

Ireo fitsipika ho an'ny zaza sy izay ho asany no nanontanian'i Manoa an'ilay anjely.

Judges 13:15

Raha nanomana fanatritra dorana i Manoa, dia iza no hanolorany izany?

Raha nanomana fanatritra dorana i Manoa, dia i Yaveh no hanolorany izany.

Judges 13:19

Inona ny zava-mahagaga nataon'i Yaveh raha iny nijery iny i Manoa sy ny vadiny?

Raha iny nijery iny i Manoa sy ny vadiny, dia niakatra tao anatin'ny lela afon'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh.

Judges 13:24

Taiza no nanombohan'ny fanahin'i Yaveh nanetsika an'i Samsona?

Tany Mahana-dana no nanombohan'ny fanahin'i Yaveh nanetsika an'i Samsona.

Judges 14

Judges 14:1

Iza no tian'i Samsona mba ho alain'ny ray aman-dreniny ho vadiny?

Iray amin'ireo zavaka vavin'i Filistina no tian'i Samsona mba halain'ny ray aman-dreniny ho vadiny.

Judges 14:3

Nahoana no vehivavy avy any Timna no tian'i Samsona halain'ny ray aman-dreniny ho vadiny?

Vehivavy avy any Timna no tian'i Samsona halain'ny ray aman-dreniny ho vadiny, satria rehefa nijery an'ilay vehivavy i Samsona, dia nahafinaritra azy izy.

Judges 14:5

Ahoana no nahafahan'i Samsona nanasamaka ilay liona?

Tonga tampoka taminy ny Fanahin'i Yaveh, ary dia nosamahiny ilay liona.

Judges 14:7

Nisy inona teo amin'ny fatin'ilay liona?

Nisy andian-tantely sy tantely teo amin'ny fatin'ilay liona?

Judges 14:12

Inona no ho azon'i Samsona raha tsy mahavaly ny ankamantany ireo namany telopolo?

Hahazo rongony fotst telopolo sy akanjo fisolo telopolo i Samsona raha tsy mahavaly ny ankamantany ireo namany telopolo.

Judges 14:15

Inona no nahazo an'ny vadin'i Samsona raha tsy namitaka ny vadiny izy ary tsy nahazo ny valin'ilay ankamantatra?

Raha tsy namitaka ny vadiny izy ary tsy nahazo ny valin'ilay ankamantatra, dia nodoran'ireo olona telopolo izy sy ny tranon'ny rainy.

Judges 14:16

Naharitra hafiriana no nitomanian'ny vadin'i Samsona mba hahazoany ny valin'ilay ankamantatra?

Nandritra ny fito andro izay naharetan'ny fanasana izy no nitomany.

Judges 14:19

Ahoana ny fomba nahazoan'i Samsona ireo akanjo?

Nidina tao Askelona i Samsona ary namono telopolo tamin'ny lehilahin'izy ireo ka nalainy ny akanjon'izy ireo.

Judges 15

Judges 15:1

Nahoana no tsy namela azy androso ilay rafozan-dahiny rehefa nandeha namangy ny vadiny i Samsona?

Nihevitra ilay rafozan-dahiny fa nankahala azy i Samsona, ka dia nomeny an'ny naman'i Samsona ravehivavy.

Judges 15:3

Ahoana no nataon'i Samsona mba tsy hampanan-tsiny azy eo imason'ireo Filistina raha manao izay mampalahelo azy ireo izy?

Niezaka ny tsy hanan-tsiny teo imason'ireo Filistina i Samsona raha nanao izay mampalahelo azy ireo tamin'ny fisamborana amboahaolo telonjato, namatotra fanilo tamin'izy ireo, ary nandefa azy ireo teny amin'ny vary manirin'ireo Filistina.

Judges 15:5

Rehefa nolazaina ireo Filisitina fa nodoran'i Samsona ny sahan'izy ireo, dia inona no nataon'izy ireo?

Rehefa nolazaina tamin'ireo Filistina fa nodoran'i Samsona ny sahan'izy ireo, dia nodoran'izy ireo ny vadiny sy ny rafozan-dahiny.

Judges 15:7

Inona ny antony nanapatapahin'i Samsona ny valahany sy fen'izy ireo tamin'ny famonoana lehibe?

Notapatapahin'i Samsona tamin'ny famonoana lehibe, ny valahany sy fen'izy ireo mba ho valin'ny famonoan'izy ireo ny vadiny sy ny rafozan-dahiny.

Judges 15:9

Nahoana no niakatra hanafika an'i Joda ireo Filistina?

Niakatra hanafika an'i Joda ireo Filistina mba hahafahan'izy ireo misambotra an'i Samsona, ary mba hahafahan'izy ireo manao tahaka ny efa nataony tamin'izy ireo.

Judges 15:12

Inona ny fianianana nasain'i Samsona nataon'izy ireo rehefa tonga hamatotra an'i Samsona ireo lehilahin'i Joda?

Rehefa tonga hamatotra an'i Samsona ireo lehilahin'i Joda, dia nasain'i Samsona nianiana ny tsy hamono azy izy ireo.

Judges 15:15

Tamin'ny inona no namonoan'i Samsona ireo arivo lahy?

Tamin'ny valanoranon'ampondra vaovao no namonoan'i Samsona ireo arivo lahy.

Judges 15:17

Rehefa nahafaty ireo arivo lahy tamin'ny valanoranon'ampondra vaovao i Samsona, dia inona no noheveriny fa hahafaty azy?

Rehefa nahafaty ireo arivo lahy tamin'ny valanoranon'ampondra vaovao i Samsona, dia nihevitra izy fa ho fatin'ny hetaheta.

Judges 15:19

Ahoana ny fomba nahazoan'i Samsona rano?

Nanasaraka ilay toerana babangoana izay tany Lehy Andriamanitra ka nisy rano nivoaka.

Judges 16

Judges 16:1

Oviana ireo Gazita no nikasa hamono an'i Samsona?

Ny maraina ireo Gazita no nikasa hamono an'i Samsona.

Judges 16:3

Ahoana ny fomba nadosiran'i Samsona?

Nobatainy ilay vavahady sy ny tolànany roa, nongotany niala tamin'ny tany ireo, hidiny sy ny rehetra.

Judges 16:4

Inona no nomen'ireo mpitarik'i Filistina an'i Delila raha namitaka an'i Samsona izy?

Samy nanome 1.100 sekely volafotsy an'i Delila ireo mpitarik'i Filistina raha namitaka an'i Samsona izy.

Judges 16:8

Nataon'i Samsona ahoana ireo tady izay namatorana azy rehefa niteny tamin'i Samsona i Delila fa eo aminy ireo Filistina?

Rehefa niteny tamin'i Samsona i Delila fa eo aminy ireo Filistina, dia notapahiny ireo tady.

Judges 16:10

Taiza no niafina sy niandry ilay lehilahy rehefa notapahin'i Samsona ireo tady teo amin'ny sandriny?

Niafina sy niandry tao an'efitrano anatiny ilay lehilahy rehefa notapahin'i Samsona ireo tady teo amin'ny sandriny.

Judges 16:15

Inona no naneren'i Delila mba hataon'i Samsona?

Noteren'i Delila izy mba haniry ny ho faty.

Judges 16:17

Nahoana no tsy mbola nisy hareza nanapaka mihitsy ny volon-dohan'i Samsona?

Tsy mbola nisy hareza nanapaka mihitsy ny volon-dohan'i Samsona, satria Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniny izy.

Judges 16:18

Ahoana no nahafahan'i Delila nandresy an' Samsona?

Nanomboka nandresy azy i Delila rehefa voaharatra ny vonan'ny volony, satria niala taminy ny heriny.

Judges 16:20

Inona ny asa nampanaovin'ireo Filistina an'i Samsona?

Nataon'ireo Filistina nanakodia ny fikosoam-bary tany am-pigadrana izy.

Judges 16:23

Inona ny antony niarahan'ireo mpanapak'i Filistina nivory mba hanolotra sorona lehibe ho an'i Dagona andriamanitr'izy ireo?

Niara-nivory ireo mpanapak'ireo Filistina mba hanolotra sorona lehibe ho an'i Dagòna andriamanitr'izy ireo, satria hoy izy ireo hoe: "Nandresy an'i Samsona fahavalontsika ny andriamanitsika."

Judges 16:25

Iza no nanampy an'i Samsona hikasika ireo andry izay manohina ny trano lehibe?

Ilay zazalahy no nanampy an'i Samsona hikasika ireo andry izay manohina ny trano lehibe.

Judges 16:28

Inona ny antony nanirian'i Samsona an'Andriamanitra mba hanome hery azy?

Ny antony nanirian'i Samsona an'Andriamanitra mba hanome hery azy dia ny mba hahafahany mamaly faty indray mandeha ireo Filistina ny amin'ny nanesoran'izy ireo ny masony.

Judges 16:30

Firy ny olona matin'i Samsona rehefa nirodana ilay trano lehibe?

Nahavono olona maro noho ireo izay matiny nandritra ny andro-piainany i Samsona.

Judges 17

Judges 17:1

Inona no nangalarin'i Mika?

Ny sekely volafotsy 1.100 izay nangalarina tamin'ny reniny ihany no nangalarin'i Mika.

Judges 17:3

Inona ny antony nanokanan'ny renin'i Mika ilay vilafotsy?

Natokany ho an'i Yaveh ilay volafotsy, sy hanamboaran'ny zanany lahy sary sokitra sy sarin-javatra an'idina.

Judges 17:5

Natokany ho lasa inona ny iray amin'ireo zanany lahy?

Natokany ho lasa mpisorony ny iray amin'ireo namany.

Judges 17:7

Nahoana no niala tao Betlehema ilay Levita?

Niala tao Betlehema ilay Levita mba handeha ary hitady toerana hipetrahana.

Judges 17:10

Inona no nangatahin'i Mika tamin'ilay Levita?

Nangataka tamin'ilay Levita mba hiara-hipetraka aminy sy ho mpanolo-tsainy ary ho mpisorona ho azy i Mika.

Judges 17:12

Inona ny antony niheveran'i Mika fa hanao soa azy i Yaveh?

Nihevitra i Mika fa hanao soa azy i Yaveh, satria lasa mpisorony ilay Levita.

Judges 18

Judges 18:1

Nahoana no nitady faritra honenana ny fokon'ny taranak'i Dana?

Nitady faritra honenana ny fokon'ny taranak'i Dana, satria tamin'izany andro izany dia tsy nahazo lova tamin'ireo fokon'Israely izy ireo.

Judges 18:5

Inona no nangatahin'ny vahoakan'i Dana tamin'ilay Levita?

Ny hevitr'Andriamanitra no nangatahin'i vahoakan'i Dana tamin'ilay Levita.

Judges 18:9

Inona no nokasain'ireo lehilahy dimy avy any Dana hatao tamin'ilay tanin'i Laisa?

Nikasa ny haka ilay tany ireo lehilahy dimy avy any Dana.

Judges 18:13

Inona no nolazain'ireo lehilahy dimy fa nisy tao amin'ireo tranon'i Laisy?

Nilaza ireo lehilahy dimy fa nisy efoda, terafima, sarin-javatra an'idina, ary sarin-javatra voasokitra tao amin'ireo tranon'i Laisy .

Judges 18:17

Iza no naka ilay sarin-javatra voasokitra?

Ireo lehilahy dimy izay nandeha nihaodihaody teny ivelan'ilay tany no nankany ary naka ilay sarin-javatra voasokitra.

Judges 18:24

Inona ny antony nahatezitra an'i Mika?

Tezitra i Mika satria nangalarin'ireo Danita ireo andriamanitra izay namboariny, nalain'izy ireo ny mpisorony, ary lasa izy ireo.

Oviana no niverina sy nody tany an-tranony i Mika?

Rehefa nahita i Mika fa matanjaka loatra ho azy izy ireo, dia niverina sy nody tany an-tranony i Mika.

Judges 18:27

Nahoana no tsy nisy namonjy ny vahoakan'i Laisy?

Tsy nisy namonjy ny vahoakan'i Laisy satria lalana lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza izy ireo.

Judges 18:30

Iza no mpisorona ho an'ny fokon'ireo Danita?

Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, izy sy ireo zanany lahy dia samy mpisoron'ny fokon'ireo Danita hatramin'ny andro nahazoana ilay tany.

Judges 19

Judges 19:1

Taiza no nipetraka ilay Levita?

Nipetraka tany amin'ny faritra lavitra indrindra tamin'ny tany havoan'i Efraima ilay Levita.

Judges 19:3

Taiza no nitodran'ny vaditsindranon'ilay Levita azy?

Nentin'ilay vaditsindranony tany an-tranon-drainy ilay Levita.

Judges 19:5

Taiza no nitondran'ny vaditsindranon'ilay Levita azy?

Nentin'ilay vaditsindranony tany an-tranon-drainy ilay Levita.

Judges 19:7

Inona no nataon'ilay Levita tamin'ny drafiny handeha hody aloha any aminy?

Nanova ny drafiny izy ary nandany ny alina niaraka tamin'ny rafozan-dahiny.

Judges 19:9

Inona no nangatahin'ilay rafozan-dahiny taminy tamin'ny andro fahadimy?

Nangataka taminy ny mba hijanonany indray alina sy hifaliany ilay rafozan-dahiny.

Judges 19:12

Nahoana no tsy te-handany ny alina tao Jebosa ilay Levita?

Tsy te-hivily any amin'ny tanànan'ny vahiny ilay Levita.

Judges 19:14

Nahoana no nipetraka teo an-kianjan'ny tanàna ilay Levita sy ny mpanompony?

Nipetraka teo an-kianjan'ny tanàna izy ireo, satria tsy nisy olona na nampiantrano azy ireo ny alina.

Judges 19:16

Avy amin'ny foko inona ilay lehilahy nonina tao Gibea?

Benjamita ilay lehilahy nonina tao Gibea.

Judges 19:20

Inona no nampitandreman'ilay lahy antitra ilay Levita?

Nampitandrina azy tsy handany ny alina teo an-kianja ilay lahy antitra.

Judges 19:22

Nahoana no nasain'ireo lehilahy tsy mendrika tao an-tanàna navoakan'ilay lahy antitra ny tranony ilay Levita?

Nasain'ireo lehilahy tsy mendrika tao an-tanàna navoakan'ilay lahy antitra ny tranony ilay Levita mba hahafahan'izy ireo miray ara-nofo aminy.

Judges 19:24

Iza no nomen'ilay lahy antitra ireo olona tsy mendrika ho solon'ilay Levita?

Ny zanany vavy virijiny sy ny vaditsindranon'ilay Levita no nomen'ilay lahy antitra azy ireo.

Inona no nitranga nony mangiran-dratsy?

Nony mangiran-dratsy dia navelan'ireo lehilahy tsy mendrika nandeha ilay vaditsindrano. Tonga izy ary nianjera teo am-baravaran'ny tranon'ilay lehilahy izay nisy ny tompony, ary nitsirara teo izy mandra-pahazavan'ny andro.

Judges 19:27

Inona no nataon'ilay Levita rehefa tsy namaly azy ny vaditsindranony?

Rehefa tsy namaly azy ny vaditsindranony, dia nasampiny teo ambony ampondra izy, ary nandeha nody ilay lehilahy.

Judges 19:29

Inona no nataon'ilay Levita tamin'ilay vata-mangatsiakan'ny vaditsindranony?

Notetehiny izany, isam-pamavanin-taolana, ho roa ambin'ny folo tetika, ary nampitondra izany nanerana ny Israely rehetra izy.

Judges 20

Judges 20:1

Iza no niara-niangona teo anatrehan'i Yaveh tao Mizpa?

Ny vahoaka rehetra avy any Dana ka hatrany Beri-sheba, anisan'izany koa ny tanin'i Gileada, no niara-niangona teo anatrehan'i Yaveh tao Mizpa.

Judges 20:5

Inona no nolazain'ilay Levita fa nataon'ireo havan'i Gibea taminy?

Nilaza ilay Levita fa nanafika azy ireo havan'i Gibea, nanodidina ny trano sy nikasa ny hamono azy izy ireo.

Judges 20:8

Ahoana ny fomba hanafihan'ny vahoakan'i Gibea?

Hanafika izy ireo araka nitarihan'ny filokana azy ireo.

Judges 20:12

Nahoana ireo fokon'Israely no niteny tamin'i Benjamina ny mba hanomezany azy ireo izay lehilahy ratsy fanahy tao Gibea?

Ireo fokon'Israely dia niteny tamin'i Benjamina ny mba hanomezany azy ireo izay lehilahy tsy mendrik'i Gibea, mba hahafahan'ireo foko mamono ho faty azy ireo, ary manala tanteraka izany faharatsiana izany eo amin'Israely.

Nahoana no niara-nivoaka ny tanànan'i Gibea ny vahoakan'i Benjamina?

Niara-nivoaka ny tanànan'i Gibea ny vahoakan'i Benjamina mba hiomana hiady amin'ny vahoakan'Israely.

Judges 20:15

Inona no nampiavaka ireo lehilahy fitonjato voafidy?

Ireo lehilahy fitonjato voafidy dia kavia avokoa; ny tsirairay tamin'izy ireo dia mahavita mitoraka singam-bolo amin'ny vaton'antsamotady ka tsy mivena.

Judges 20:17

Inona ny antony nanafihan'i Joda voalohany an'i Benjamina?

Nangataka hevitra tamin'Andriamanitra ny vahoaka, ary Yaveh nanao hoe: "Joda no hanafika voalohany."

Judges 20:26

Inona no nataon'ireo miaramilan'Israely, rehefa avy namono miaramilan'Israely maro i Benjamina?

Rehefa avy namono miaramilan'Israely maro i Benjamina, dia nitomany sy nifady hanina teo anatrehan'i Yaveh mandra-paharivan'ny andro ireo miaramilan'Israely. Nanolotra fanatitra dorana sy fanat-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh ihany koa izy ireo.

Judges 20:27

Ahoana ny fomba nanontanian'ny vahoaka an'i Yaveh?

Nanontany an'i Yaveh tamin'ny fampiasana ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, izay teo izany tamin'izany andro izany ny vahoakan'Israely.

Judges 20:32

Inona no noheverin'i Benjamina rehefa nandroaka azy ireo hiala ny tanàna ho eny an-dalana ireo miaramilan'Israely?

Rehefa nandroaka azy ireo hiala ny tanàna ho eny an-dalana ireo miaramilan'Israely, dia nihevitra ny vahoakan'i Benjamina fa nandositra izy ireo.

Judges 20:36

Nahoana no nanome lalana an'i Benjamina ireo lehilahin'Israely?

Nanome lalana an'i Benjamina ireo olon'Israely, satria nahatoky ireo olona izay napetrak'izy ireo tany amin'ny fitoerana niafina tany ivelan'i Gibea izy ireo.

Inona ny famantarana nampiasain'ireo miaramilam'Israely sy ireo lehilahy niafina mangingina?

Ny famantarana nifanarahana teo amin'ireo miaramialan'Israely sy ireo lehilahy niafina mangingina dia hisy rahon-tsetroka lehibe hiakatra avy ao an-tanàna.

Judges 20:42

Inona ny antony tsy nahafahan'ireo lehilahin'i Benjamina nandositra?

Nandositra ireo miaramilan'Israely ireo lehilahin'i Benjamina tamin'ny fitsoahana tany amin'ny lalana mankany an'efitra, nefa nahatratra azy ireo ny ady.

Judges 20:47

Firy tamin'ireo miaramilan'i Benjamina no nivily sy nandositra tany an'efitra?

Lehilahy eninjato no nihodina sy nandositra tany an'efitra.

Judges 21

Judges 21:1

Nahoana no nalahelo ireo lehilahin'Israely fa ny iray amin'ireo fokony dia tsy ho eo amin'izy ireo intsony?

Nalahelo ireo lehilahin'Israely fa ny iray amin'ireo fokony dia tsy ho eo amin'izy ireo intsony satria efa nampanantena izy ireo fa tsy hanome ny zanak'izy ireo vavy hanambady Benjamita.

Judges 21:4

Iza no hovonoina ho faty?

Izay tsy niakatra tany amin'i Yaveh tany Mizpa dia tena hovonina ho faty.

Judges 21:8

Iza tamin'ireo fokon'Israely no tsy niakatra tany amin'i Yaveh tany Mizpa?

Jabesy Gileada no tsy niakatra tany amin'i Yaveh tany Mizpa.

Judges 21:11

Iza no nalain'ireo lehilahy tamin'ireo izay nipetraka tao Jabesy Gileada?

Ireo vehivavy efajato izay tsy mbola niara-nandry tamina lehilahy avy tao Jabesy Gileada no nalain'ireo lehilahy.

Judges 21:13

Inona no nitranga tamin'izany andro izany rehefa niverina ireo Benjamita ary nomena azy ireo ny vehivavin'i Jabesy Gileada?

Rehefa niverina ireo Benjamita tamin'izany andro izany ary nomena azy ireo ny vehivavin'i Jabesy Gileada, dia tsy ampy ho an'ny lehilahy rehetra ireo vehivavy.

Judges 21:18

Taiza no nisy an'i Silo?

Silo dia avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalana miakatra avy any Betela mankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.

Judges 21:20

Tamin'ny fotoana manao ahoana no nivoahan'ireo Benjamita avy tao an-tanim-boaloboka mba hisambotra vady avy amin'ireo zazavavy avy any Silo.

Rehefa nivoaka nandihy ireo vehivavy avy any Silo, dia samy nikoropaka nivoaka avy tao an-tanim-boaloboka ireo Benjamita mba hisambotra vady.

Judges 21:22

Inona no nolazain'ireo lehilahin'Israely tamin'ireo lehilahin'i Silo mikasika ireo tovovavy?

Niteny tamin'ireo lehilahin'i Silo ireo lehilahin'Israely mba hamela ireo vehivavy satria tsy nahazo vady izy ireo nandritra ny ady.

Judges 21:25

Nanao ahoana ny fomba fiainan'ny olona?

Samy nanao izay marina teo imasony ny olona rehetra.