Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Matthew 1

Matthew 1:1

Ao amin'ny tetiaran'i Kristy, iza no razambe roa voatanisa voalohany, araka ny lanjany?

Ireo razambe roa voatanisa voalohany dia Davida sy Abrahama.

Matthew 1:15

Eo amin'ny fiafaran'ny firazanana, iza no vehivavy iray izay voatonona amin'ny anarana, ary nahoana izy no voatanisa?

Maria, vadin'i Josefa no voatonona, satria avy taminy no nahaterahan'i Jesosy.

Matthew 1:18

Inona no nanjo an'i Maria talohan'ny niarahany tamin'i Josefa?

Nitoe-jaza tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina i Maria talohan'ny niarahany tamin'i Josefa.

Lehilahy tahaka ny ahoana Josefa.

Lehilahy marina Josefa.

Inona no nataon'i Josefa rehefa fantany fa nitoe-jaza Maria?

Nanapa-kevitra ny hanafoana mangingina ny fifanekeny taminy Josefa.

Matthew 1:20

Inona no nanjo an'i Josefa ka nahatonga azy hanapa-kevitra ny hitoetra hifatotra amin'i Maria?

Nisy anjely nilaza taminy tao anaty nofy mba haka an'i Maria ho vadiny satria ny Fanahy Masina no nanorotorona ilay zaza.

Nahoana Josefa no nasaina nanome ilay zaza ny anarana hoe Jesosy?

Nasaina nanome ilay zaza ny anarana hoe Jesosy i Josefa satria hamonjy ny olony amin'ny fahotan'izy ireo Izy.

Matthew 1:22

Inona nolazain'ny faminaniana iray tao amin'ny Testamenta Taloha izay tanteraka tamin'ireo tranga ireo.

Nambaran'ny faminaniana iray tao amin'ny Testamenta Taloha fa hisy virjiny iray hiteraka zaza lahy, ary ho antsoin'izy ireo hoe Imanoela ny anarany, izay midika hoe: "amintsika Andriamanitra."

Matthew 1:24

Inona no notandreman'i Josefa mba tsy hatao ambara-piterahan'i Maria an'i Jesosy?

Nitandrina mba tsy handry niaraka tamin'i Maria ambara-piterahany an'i Jesosy i Josefa.

Matthew 2

Matthew 2:1

Taiza Jesosy no teraka?

Tao Betlehema tany Jodia no teraka Jesosy.

Inona no fiantsoana nomen'ireo lehilahy manam-pahalalana avy any antsinanana an'i Jesosy?

Nomen'ireo lehilahy manam-pahalalana avy any antsinanana ny fiantsoana hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy" i Jesosy.

Ahoana no nahalalan'ireo lehilahy manam-pahalalana fa teraka ny Mpanjakan'ny Jiosy?

Nahita ny kintan'ny Mpanjakan'ny Jiosy avy teny antsinanana ireo lehilahy manam-pahalalana.

Inona no nasetrin'i Heroda Mpanjaka ny vaovao avy tamin'ireo lehilahy manam-pahalalana?

Rehefa ren'i Heroda Mpanjaka ny vaovao avy tamin'ireo lehilahy manam-pahalalana dia nihorohoro izy.

Matthew 2:4

Ahoana no nahalalan'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny toerana ahaterahan'i kristy?

Fantatr'izy ireo ny faminaniana iray izay nanambara fa ho teraka any Betlehema i Kristy.

Matthew 2:9

Ahoana no nahitan'ireo lehilahy manam-pahalalana mazava izay nisy an'i Jesosy?

Nandeha teo anoloan'izy ireo ny kintana avy tany antsinanana ambara-pijoroan'izy ireo teo amin'ny toerana nisy an'i Jesosy.

Matthew 2:11

Firy taona Jesosy tamin'ny nahatongavan'ireo lehilahy manam-pahalalana hijery Azy?

Mbola zaza kely Jesosy tamin'ny nahatongavan'ireo lehilahy manam-pahalalana hijery Azy.

Inona no fanomezana natolotr'ireo lehilahy manam-pahalalana an'i Jesosy?

Nomen'ireo lehilahy manam-pahalalana volamena, ditin-kazo manitra, ary miora i Jesosy.

Taiza no lalana niverenan'ireo lehilahy manam-pahalalana rehefa nody, ary nahoana izy ireo no nandeha tamin'io lalana io?

Lalan-kafa no niverenan'ireo lehilahy manam-pahalalana rehefa nody satria nampitandrina azy ireo tao amin'ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverina any amin'i Heroda.

Matthew 2:13

Inona no toro-lalana azon'i Josefa tamin'ny nofy?

Notoroana lalana tao anaty nofy iray Josefa mba haka an'i Jesosy sy Maria ary handositra ho any Egypta, satria nitady ny hamono an'i Jesosy i Heroda.

Inona no faminaniana tanteraky ny fiverenan'i Jesosy avy tany Egypta taty aoriana?

Ilay faminaniana hoe: "Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako" no faminaniana tanteraky ny fiverenan'i Jesosy avy tany Egypta taty aoriana.

Matthew 2:16

Inona no nataon'i Heroda rehefa tsy niverina tany aminy ireo lehilahy manam-pahalalana?

Novonoin'i Heroda avokoa ireo zaza lahy roa taona na latsak'izany tany amin'ny faritr'i Betlehema.

Matthew 2:19

Inona no toro-lalana azon'i Josefa tao anaty nofy taorian'ny nahafatesan'i Heroda?

Votoro lalana tao anaty nofy mba hiverina any an-tanin'Israely i Josefa.

Matthew 2:22

Taiza Josefa no nanorim-ponenana hipetrahana niaraka tamin'i Maria?

Tao Nazareta tany Galilia no nanorenan'i Josefa fonenana hipetrahana niaraka tamin'i Maria sy Jesosy.

Inona no famiananiana tanteraka tamin'ny nifindran'i Josefa tany amin'ny toerana vaovao nisy azy ireo?

Tanteraka ny faminaniana fa ho antsoina hoe Nazarena i Kristy.

Matthew 3

Matthew 3:1

Inona no hafatra notorian'i Jaona Mpanao Batisa tany an'efitra?

Notorian'i Jaona hoe: "Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra."

Inona no nolazain'ny faminaniana iray avy ao amin'Isaia fa niavian'i Jaona Mpanao Batisa mba hatao?

Nambaran'ilay faminaniana fa hanomana ny lalan'ny Tompo i Jaona Mpanao Batisa.

Matthew 3:4

Inona no nataon'ny olona teo am-panaovan'i Jaona batisa azy ireo?

Teo am-panaovana batisa dia niaiky ny helony izy ireo.

Matthew 3:7

Inona no nasain'i Jaona Mpanao Batisa hataon'ireo Fariseo sy Sadoseo?

Nasain'i Jaona Mpanao Batisa hamoa vokatra mendrika ny fibebahana ireo Fariseo sy Sadoseo.

Inona no nampitandreman'i Jaona Mpanao Batisa tamin'ireo Fariseo sy Sadoseo mba tsy ho heveriny eo amin'izy ireo?

Nampitandrina ireo Fariseo sy Sadoseo i Jaona mba tsy hihevitra eo amin'ny samy izy ireo fa manana an'i Abrahama ho rain'izy ireo.

Matthew 3:10

Araka an'i Jaona, inona no manjoa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara?

Ambaran'i Jaona fa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia kapaina ary atsipy any amin'ny afo.

Ahoana no fomba hanaovan'ilay iray izay avy aorian'i Jaona batisa?

Ilay iray izay avy aorian'i Jaona dia hanao batisa amin'ny Fanahy Masina sy ny afo.

Matthew 3:13

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Jaona ka nandresy lahatra azy hanao batisa an'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa mety amin'i Jaona ny manao batisa an'i Jesosy mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.

Matthew 3:16

Inona no hitan'i Jesosy rehefa niarina avy tao amin'ny rano Izy?

Rehefa niarina avy tao amin'ny rano Jesosy, dia nahita ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka niseho Taminy.

Inona no nolazain'ilay feo avy tany an-danitra rehefa avy natao batisa Jesosy?

Hoy ilay feo avy tany an-danitra hoe: "Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra."

Matthew 4

Matthew 4:1

Iza no nitondra an'i Jesosy nankany an'efitra mba halain'ny devoly fanahy?

Ny Fanahy Masina no nitondra an'i Jesosy nankany an'efitra mba halain'ny devoly fanahy.

Hafiriana no nifadian'i Jesosy hanina tany an'efitra?

Nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina tany an'efitra Jesosy.

Inona no fakam-panahy voalohany naroson'ny devoly an'i Jesosy?

Nalain'ny devoly fanahy mba hanova ny vato ho mofo Jesosy.

Inona no nasetrin'i Jesosy ilay fakam-panahy voalohany?

Nambaran'i Jesosy fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.

Matthew 4:5

Inona no fakam-panahy faharoa naroson'ny devoly an'i Jesosy?

Nalain'ny devoly fanahy hampianjera ny tenany avy eo an-tempoly Jesosy.

Matthew 4:7

Inona no nasetrin'i Jesosy ilay fakam-panahy faharoa?

Nambaran'i Jesosy fa tsy mahazo mitsapa ny Tompo Andriamanitrao ianao.

Inona no fakam-panahy fahatelo naroson'ny devoly an'i Jesosy?

Nalain'ny devoly fanahy mba hanompo azy ho takalon'ny fanjakana rehetra eto amin'izao tontolo izao Izy.

Matthew 4:10

Inona no nasetrin'i Jesosy ilay fakam-panahy fahatelo?

Nambaran'i Jesosy fa ny Tompo Andriamanitrao ihany no tsy maintsy hivavahanao sy tompoinao.

Matthew 4:14

Inona no tanteraky ny fifindran'i Jesosy nankany Kapernaomy tany Galilia?

Tanteraka ny faminanian'Isaia izay nilaza fa hahita fahazavana lehibe ny vahoaka any Galilia.

Matthew 4:17

Inona avy eo no hafatra natombok'i Jesosy notoriana?

Nitory Jesosy hoe: "Mibebaha, fa efa miha-akaiky ny fanjakan'ny lanitra."

Matthew 4:18

Inona no asa fiveloman'i Petera sy Andrea?

Mpanarato i Petera sy Andrea.

Inona no nolazain'i Jesosy fa hanaovany an'i Petera sy Andrea?

Nambaran'i Jesosy fa hataony mpanarato olona i Petera sy Andrea.

Matthew 4:21

Inona no asa fiveloman'i Jakoba sy Jaona?

Mpanarato i Jakoba sy Jaona.

Matthew 4:23

Tamin'io fotoana io, taiza Jesosy no nandeha nampianatra?

Nampianatra tao amin'ireo synagoga tany Galilia i Jesosy.

Karazan'olona toy ny ahoana no nentina teo amin'i Jesosy, ary inona no nataon'i Jesosy tamin'izy ireo?

Ireo rehetra narary sy nofehezin'ny demonia no nentina toe amin'i Jesosy, ary nositranin'i Jesosy ireo.

Firy ireo olona nanara-dia an'i Jesosy tamin'izany fotoana izany?

Vahoaka be dia be no nanaraka an'i Jesosy tamin'izany fotoana izany.

Matthew 5

Matthew 5:1

Nahoana no sambatra ireo mahantra am-panahy?

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra.

Nahoana no sambatra ireo misaona?

Sambatra ireo misaona fa hampiononina izy ireo.

Matthew 5:5

Nahoana no sambatra ireo malemy fanahy?

Sambatra ireo malemy fanahy fa izy ireo no handova ny tany.

Nahoana no sambatra ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana?

Sambatra ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho vokisana izy ireo.

Matthew 5:11

Nahoana no sambatra ireo tsiratsirain'ny olona sy enjehina nohon'ny amin'i Jesosy?

Sambatra ireo tsiratsirain'ny olona sy enjehina nohon'ny amin'i Jesosy satria lehibe ny valisoan'izy ireo any an-danitra.

Matthew 5:15

Inona no fomba ataon'ireo mpino mba hampazava ny jirony eo anatrehan'ny olona?

Amin'ny alalan'ny fanaovana asa tsara no mampazava ny jiron'ny mpino eo anatrehan'ny olona.

Matthew 5:17

Inona no nahatongavan'i Jesosy ho atao amin'ny lalàna sy ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha?

Tonga Jesosy mba hanatanteraka ny lalàna sy ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha.

Matthew 5:19

Iza no ho antsoina hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra?

Ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra ary mampianatra ireny amin'ny hafa no ho antsoina hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Matthew 5:21

Nampianarin'i Jesosy fa tsy ireo mamono olona ihany no helohina amin'ny fitsarana, fa ireo izay manao inona koa?

Nampianarin'i Jesosy fa tsy ireo mamono olona ihany, fa ireo izay tezitra amin'ny rahalahiny ihany koa dia ho helohina amin'ny fitsarana.

Matthew 5:23

Inona no nampianarin'i Jesosy fa tokony hataontsika raha manana alahelo amintsika ny rahalahintsika?

Nampianarin'i Jeosy fa tokony handeha ary hihavana amin'ny rahalahintsika isika raha manana alahelo amintsika izy.

Matthew 5:25

Inona no nampianarin'i Jesosy fa tokony hataontsika amin'ny mpiampanga antsika mialohan'ny hahatongavana eny amin'ny fampanoavana?

Nampianatra Jesosy fa tokony hiezaka ny hahita marimaritra iraisana amin'ny mpiampanga antsika isika mialohan'ny hahatongavana eny amin'ny fampanoavana.

Matthew 5:27

Nampianarin'i Jesosy fa tsy ny mijangajanga ihany no ratsy, fa ny manao inona koa?

Nampianarin'i Jesosy fa tsy ny mijangajanga ihany no ratsy, fa ny mitsiriritra vehivavy ihany koa.

Matthew 5:29

Inona no nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy ataontsika amin'ny zavatra rehetra izay mahatonga antsika hanota?

Nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy hariantsika ny zavatra rehetra izay mahatonga antsika hanota.

Matthew 5:31

Antony inona no namelan'i Jesosy ny fisaraham-panambadiana?

Nohon'ny fijangajangana no antony namelan'i Jesosy ny fisaraham-panambadiana.

Ataon'ny lehilahy hanjary ho inona ny vadiny raha toa ka sarahiny amin'ny fomba tsy mety ka miverina manambady indray izy?

Ataon'ny lehilahy hanjary ho vehivavy janga ny vadiny raha toa ka misaraka aminy amin'ny fomba tsy mety izy ary miverina manambady indray.

Matthew 5:36

Raha tokony tsy hianiana amin'ny zavatra isan-karazany ety an-tany, tokony ho toy ny ahoana kosa ny fitenintsika araka ny filazan'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa tokony ho "Eny: eny," na "Tsia: tsia," ny tenintsika fa tsy mianiana amin'ireo zavatry ny tany.

Matthew 5:38

Inona no nampianarin'i Jesosy fa tokony hataontsika manoloana ny olona izay rasty fanahy amintsika?

Nampianarin'i Jesosy fa tsy tokony hanohitra ilay iray izay ratsy fanahy amintsika isika.

Matthew 5:43

Inona no nampianarin'i Jesosy fa tokony hataontsika amin'ireo fahavalo izay manjenjika antsika?

Nampianarin'i Jesosy fa isika dia tokony hitia sy hivavaka ho an'ireo fahavalontsika sy ireo izay manenjika antsika.

Matthew 5:46

Nahoana Jesosy no milaza fa tsy tokony ireo izay tia antsika ihany no tiavintsika, fa ireo fahavalontsika koa?

Nilaza Jesosy fa raha ireo izay tia antsika ihany no tiavintsika, dia tsy mahazo valim-pitia isika satria izay ataon'ny Jentilisa ihany no ataontsika.

Matthew 6

Matthew 6:1

Inona no valim-pitian'ireo izay manao ny asa fahamarinany mba ho tazan'ny olona?

Ireo izay manao ny asa fahamarinany mba ho tazan'ny olona dia mahazo dera avy amin'ny olona ho valim-pitiany.

Matthew 6:3

Ahoana no tokony hanaovantsika ny asa fahamarinantsika mba ho valian'ny Ray fitia?

Tokony hataontsika mangingina ny asa fahamarinantsika.

Matthew 6:5

Inona no valim-pitia azon'ireo mpihatsaravelatsihy izay mivavaka mba ho tazan'ny olona?

Ireo mpiatsaravelatsihy izay mivavaka mba ho hitan'ny olona dia handray ny valim-pitiany avy amin'ny olona.

Avy amin'iza no handraisan'ireo izay mivavaka mangingina ny valim-pitia?

Ireo izay mivavaka mangingina dia handray ny valim-pitia avy amin'ny Ray.

Nahoana no tsy tokony hivavaka amin'ny famerimberenan-teny fahatany isika araka ny filazan'i Jesosy?

Ambaran'i Jesosy fa tsy tokony hamerimberina teny fahatany satria efa fantatry Ray mialohan'ny hangatahantsika aminy izay ilaintsika.

Matthew 6:8

Aiza no tokony hangatahantsika amin'ny Ray mba hahatanteraka ny sitrapony?

Tokony hangatahantsika amin'ny Ray mba hatao ety an-tany ny sitrapony, tahaka ny efa nanaovana izany tany an-danitra.

Matthew 6:14

Raha tsy mamela ny hadisoan'ny hafa tamintsika isika, inona no hataon'ny Ray?

Raha tsy mamela ny hadisoan'ny hafa tamintsika isika, dia tsy hamela ny hadisoantsika ihany koa ny Ray.

Matthew 6:16

Ahoana no tokony hifadiantsika hanina mba handraisantsika valim-pitia avy amin'ny Ray?

Tsy tokony hisehoseho amin'ny olona isika rehefa mifady, dia hamaly fitia antsika ny Ray avy eo.

Matthew 6:19

Aiza no tokony hitehirizantsika harena, ary nahoana?

Tokony any an-danitra no hitehirizantsika harena, satria tsy afaka ny ho potika na ho voaroba izany any.

Matthew 6:22

Iza ireo tompo roa tsy maintsy hisafidianantsika?

Isika dia tsy maintsy misafidy amin'Andriamanitra sy ny harena ho tompontsika.

Matthew 6:25

Nahoana isika no tsy tokony hiahiahy amin'izay hohanina, ho sotroina, ary ho tafiana?

Tsy tokony hiahiahy amin'izay hohanina, ho sotroina, ary ho tafiana satria na dia ny vorona aza dia karakarain'ny Ray, ary isika dia manan-danja lavitra noho ireo.

Matthew 6:27

Inona no ampatsiahivin'i Jesosy amintsika fa tsy haintsika hatao amin'ny fiahiahiana?

Ampatsiahivin'i Jesosy amintsika fa tsy afaka manampy hakio iray amin'ny andro hiainantsika amin'ny fanahiana isika.

Matthew 6:32

Inona no tokony ho katsahintsika voalohany, ary homena ireo filantsika eto an-tany avy eo?

Tsy maintsy mikatsaka ny fanjakana sy ny fahamarinan'ny Ray aloha isika, ary avy eo dia homena antsika izay ilaintsika ety an-tany.

Matthew 7

Matthew 7:3

Inona aloha no tokony hataontsika vao hahita mazava ka hanampy ny rahalahintsika?

Tsy maintsy mitsara ny tenantsika aloha isika ary manala ny vata-kazo eo amin'ny masontsika, izay vao afaka manampy ny rahalahintsika.

Matthew 7:6

Inona no mety hitranga raha manome ny masina ho an'ny alika ianao?

Raha omenao ny alika izay masina, dia mety hitsahiny izany ary hifotitra ka hamiravira anao ho amin'ny fahapotehana.

Matthew 7:7

Inona no tsy maintsy hatontsika mba handray avy amin'ny Ray?

Tsy maintsy mangataka, mitady, ary mandondona isika mba handray avy amin'ny Ray.

Matthew 7:11

Inona no omen'ny Ray ho an'ireo izay mangataka Aminy?

Omen'Andriamanitra zava-tsoa ireo izay mangataka aminy.

Inona no ampianarin'ny lalàna sy ny mpaminany momban'ny fomba fitondrana ny hafa?

Mampianatra antsika ny lalàna sy ny mpaminany mba hanao amin'ny hafa izay tiantsika hataon'ny olona amintsika.

Matthew 7:13

Mitondra mankaiza ny lalana malalaka?

Mitondra mankany amin'ny faharavana ny lalana malalaka.

Mitondra mankaiza ny lalana tery?

Mitondra mankany amin'ny fiainana ny lalana tery.

Matthew 7:15

Ahoana no ahafantarantsika ny mpaminany sandoka?

Fantantsika amin'ny vokatry ny fiainany ireo mpaminany sandoka.

Matthew 7:21

Iza no hiditra ny fanjakan'ny lanitra?

Ireo izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no hiditra ny fanjakan'ny lanitra.

Inona no ho lazain'i Jesosy amin'ireo izay naminany, nandroaka demonia, ary nahavita fahagagana tamin'ny anarany?

Ho lazain'i Jesosy amin'izy ireo hoe: "Tsy nahafantatra anareo mihitsy Aho! Mialà lavitra Ahy, ry mpanao ratsy!''

Matthew 7:24

Iza no tahaka ilay lehilahy hendry tao amin'ny fanoharan'i Jesosy momba ireo trano anankiroa?

Izay mandre ny tenin'i Jesosy ka mankatoa izany dia tahaka ilay lehilahy hendry.

Matthew 7:26

Iza no tahaka ilay lehilahy adala tao amin'ny fanoharan'i Jesosy momba ireo trano anankiroa?

Izay mandre ny tenin'i Jesosy ka tsy mankatoa izany dia tahaka ilay lehilahy adala.

Matthew 7:28

Ahoana no fomba nampianaran'i Jesosy ny olona raha ampitahaina amin'ny fomba fampianaran'ireo mpanora-dalàna?

Jesosy dia nampianatra ny olona tahaka ny olona manana fahefana, fa tsy tahaka ny nampianaran'ireo mpanora-dalàna.

Matthew 8

Matthew 8:4

Nahoana Jesosy no nilaza fa tokony handeha ho any amin'ny mpisorona ary hanome ny fanatitra nandidian'i Mosesy ilay boka sitrana?

Nasain'i Jesosy nankany amin'ny mpisorona ilay boka mba ho vavolombelona amin'izy ireo.

Matthew 8:5

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho ataony rehefa nilaza Taminy ny momban'ny mpanompony nalemy Izy?

Nilaza Jesosy fa handeha ho any an-tranon'ilay kapiteny Izy ary hanasitrana an'ilay mpanompo.

Matthew 8:8

Nahoana ilay kapiteny no nilaza fa tsy mila mankany an-tranony Jesosy?

Nolazain'ilay kapiteny fa tsy mendrika ny hidiran'i Jesosy ao an-tranony izy, ary afaka milaza ny teny fotsiny ihany Jesosy dia hanasitrana ilay mpanompo.

Inona no fandokafana nomen'i Jesosy ilay kapiteny?

Nambaran'i Jesosy fa tsy nahita finoana lehibe tahaka ny an'ilay kapiteny Izy na dia tany Israely aza.

Matthew 8:11

Iza no nambaran'i Jesosy fa ho avy ary hipetraka eo an-databatra any amin'ny fanjakan'ny lanitra?

Nambaran'i Jesosy fa maro no ho tonga avy any antsinanana sy andrefana ary hipetraka eo an-databatra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Iza no nolazain'i Jesosy fa hatsipy any amin'ny haizina ivelany izay misy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify?

Nambaran'i Jesosy fa ireo zanaky ny fanjakana no hatsipy any amin'ny haizina ivelany.

Matthew 8:14

Iza no nositranin'i Jesosy rehefa niditra tao an-tranon'i Petera Izy?

Ny rafozam-bavin'i Petera no nositranin'i Jesosy rehefa niditra tao an-tranon'i Petera Izy.

Matthew 8:16

Inona no faminaniana tao amin'Isaia izay tanteraka rehefa nanasitrana ireo azon'ny demonia sy ireo marary rehetra Jesosy?

Tanteraka ny faminanian'Isaia hoe: "Izy tenany no naka ny rofintsika ary nitondra ny aretintsika."

Matthew 8:18

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny fiainany rehefa nangataka ny hanaraka Azy ny mpanora-dalàna?

Nambaran'i Jesosy fa tsy nanana fonenana maharitra Izy.

Matthew 8:21

Rehefa nisy mpianatra nangataka ny handeha andevina ny rainy alohan'ny hanarahana an'i Jesosy, inona no nolazain'i Jesosy?

Nasain'i Jesosy nanaraka Azy, ary mba hamela ny maty handevina ny maty ao aminy ilay mpianatra.

Matthew 8:23

Inona no nataon'i Jesosy tao amin'ny sambokely rehefa niakatra teny an-dranomasina ny tafiotra lehibe?

Natory Jesosy tamin'ny nisehoan'ilay tafiotra lehibe teo amin'ny ranomasina.

Matthew 8:26

Rehefa namoha an'i Jesosy ireo mpianany satria natahotra ny ho faty, inona no nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo?

Hoy Jesosy tamin'ireo mpianatra hoe: "Nahoana ianareo no matahotra, ry kely finoana?"

Nahoana no talanjona tamin'i Jesosy ireo mpianatra taorian'ny nahatony ny andro?

Talanjona tamin'i Jesosy ireo mpianatra satria nanaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina.

Matthew 8:28

Karazana lehilahy toy ny ahoana no nifanena tamin'i Jesosy tany amin'ny tanànan'i Gadarenesa?

Jesosy dia nifanena tamina lehilahy voafatotry ny demonia izay tena nahery setra.

Inona no ahiahin'ireo demonia niteny tamin'ny alalan'ilay lehilahy tamin'i Jesosy?

Niahiahy ireo demonia fa tonga hampahory azy ireo mialohan'ny fotoana voatendry Jesosy.

Matthew 8:30

Inona no niseho rehefa navoakan'i Jesosy ireo demonia?

Rehefa navoakan'i Jesosy ireo demonia, dia niditra tao amin'ny andian-kisoa izy ireo ary nirifatra nankany an-dranomasina ireo kisoa ka maty.

Matthew 8:33

Inona no niangavian'ny olona hataon'i Jesosy rehefa nivoaka ny tanàna mba hihaona taminy?

Niangavy an'i Jesosy ny olona mba handao ny faritr'izy ireo.

Matthew 9

Matthew 9:3

Nahoana no nihevitra ny sasany tamin'ireo mpanora-dalàna fa niteny ratsy an'Andriamanitra i Jesosy?

Nihevitra ny sasany tamin'ireo mpanora-dalàna fa niteny ratsy an'Andriamanitra i Jesosy satria nilaza tamin'ilay lehilahy mararin'ny paralysisa Jesosy fa voavela ny fahotany.

Nahoana Jesosy no nilaza tamin'ilay mararin'ny paralysisa fa voavela ny fahotany, fa tsy nilaza taminy mba hitsangana ary handeha?

Nilaza tamin'ilay mararin'ny paralysisa Jesosy fa voavela ny fahotany mba hampisehoana fa manana ny fahefana hamela heloka ety an-tany Izy.

Matthew 9:7

Nahoana ny olona no nidera an'Andriamanitra rehefa hitan'izy ireo fa voavela ny helok'ilay nararin'ny paralysisa ary sitrana ny tenany?

Sadaikatra izy ireo ka nidera an'Andriamanitra, ilay nanome fahefana tahaka izany tamin'ny olona.

Inona no asan'i Matio talohan'ny nanarahany an'i Jesosy?

Mpamory hetra Matio talohan'ny nanarahany an'i Jesosy?

Matthew 9:10

Niara-nihinana tamin'iza Jesosy sy ireo mpianany?

Niara-nihinana tamin'ireo mpamory hetra sy olona mpanota Jesosy sy ny mpianany.

Matthew 9:12

Iza no niavian'i Jesosy mba hantsoina hibebaka?

Nambaran'i Jesosy fa tonga hiantso ny mpanota mba hibebaka Izy.

Matthew 9:14

Nahoana ireo mpianany no tsy nifady hanina araka ny filazan'i Jesosy?

Nolazain'i Jesosy fa tsy nifady hanina ny mpianany satria mbola teo amin'izy ireo Izy.

Rahoviana no nolazain'i Jesosy fa tokony hifady hanina ireo mpianany?

Nambaran'i Jesosy fa hifady hanina ireo mpianany rehefa miala amin'izy ireo Izy.

Matthew 9:20

Inona no nataon'ilay vehivavy nitsi-drà, ary nahoana?

Nikasika ny moron-tongotr'akanjon'i Jesosy ilay vehivavy nitsi-drà tamin'ny fiheverana fa raha mikasika ny lambany fotsiny izy, dia ho sitrana.

Inona no nambaran'i Jesosy fa nanasitrana an'ilay vehivavy nitsi-drà?

Nambaran'i Jesosy fa ny finoany no nanasitrana an'ilay vehivavy nitsi-drà.

Matthew 9:23

Nahoana no niomehy an'i Jesosy ireo olona rehefa niditra ny tranon'ilay manam-pahefana Jesosy,

Niomehy an'i Jesosy ny olona satria nolazain'i Jesosy fa tsy maty ilay zazavavy, fa natory.

Matthew 9:25

Inona no nitranga taorian'ny nananganan'i Jesosy ilay zazavavy tamin'ny maty?

Niely nanerana ny faritra rehetra ny vaovao momban'ny nananganan'i Jesosy ilay zazavavy tamin'ny maty.

Matthew 9:27

Inona no niantsoantsoan'ireo lehilahy jamba anankiroa mafy tamin'i Jesosy?

Nihiakiaka hatrany ireo lehilahy jamba anankiroa hoe: "Mamindrà fo aminay, ry zanak'i Davida!"

Matthew 9:29

Araka ny inona no nanasitranan'i Jesosy ireo lehilahy jamba roa?

Araka ny finoan'izy ireo no nanasitranan'i Jesosy ireo lehilahy jamba roa.

Matthew 9:32

Rehefa avy nanasitrana ilay lehilahy moana Jesosy, dia inona no fiampangana nataon'ireo Fariseo nanohitra Azy?

Nampangain'ireo Fariseo ho namoaka demonia tamin'ny alalan'ny mpanapaky ny demonia i Jesosy.

Matthew 9:35

Nahoana Jesosy no nangoraka an'ireo vahoaka?

Nangoraka an'ireo vahoaka Jesosy satria niahiahy sady very hevitra izy ireo, ary tahaka ny ondry tsy nisy mpiahy.

Matthew 9:37

Inona no nasain'i Jesosy nivavahan'ireo mpianany maika?

Nasain'i Jesosy nivavaka maika ireo mpianatra mba hanirahan'ny Tompon'ny vokatra mpiasa ho ao amin'ny vokany.

Matthew 10

Matthew 10:1

Inona no fahefana nomen'i Jesosy ireo mpianany roa ambin'ny folo?

Nomen'i Jesosy fahefana hamoaka ireo fanahy maloto, ary hanasitrana ireo karazan'aretina rehetra ireo mpianany roa ambin'ny folo lahy.

Matthew 10:2

Iza no anaran'ilay mpianatra hamadika an'i Jesosy?

Jodasy Iskariota no anaran'ilay mpianatra hamadika an'i Jesosy.

Matthew 10:5

Taiza no nanirahan'i Jesosy ireo mpianany tamin'io fotoana io?

Tany amin'ireo ondry verin'Israely ihany no nandefasan'i Jesosy ireo mpianany.

Matthew 10:8

Tokony nitondra vola na akanjo fanampiny niaraka tamin'izy ireo ve ny mpianatra?

Tsia, tsy tokony nitondra vola na akanjo fanampiny niaraka tamin'izy ireo ny mpianatra.

Matthew 10:11

Aiza ireo mpianatra no tokony hitoetra rehefa mandeha mitety tanàna?

Tokony hitady olona mendrika ao amin'ny tanàna ireo mpianatra ary mitoetra ao mandra-pialan'izy ireo.

Matthew 10:14

Inona no fitsaràna hihatra amin'ireo tanàna izay tsy nandray ireo mpianatra na nihaino ny tenin'izy ireo?

Ho ratsy lavitra noho ny nitsaràna an'i Sodoma sy Gomora ny fitsarana hihatra amin'ireo tanàna izay tsy nandray ireo mpianatra na nihaino ny tenin'izy ireo.

Matthew 10:16

Inona no nolazain'i Jesosy fa hataon'ny olona amin'ireo mpianatra?

Nambaran'i Jesosy fa hanolotra ireo mpianatra any amin'ny synedriona, hikapoka azy ireo, ary hitondra azy ireo eo anatrehan'ny governora sy ny mpanjaka ny olona.

Matthew 10:19

Iza no hiteny amin'ny alalan'ireo mpianatra rehefa hatolotra izy ireo?

Ny Fanahin'ny Ray no hiteny amin'ny alalan'ireo mpianatra rehefa hatolotra izy ireo.

Matthew 10:21

Iza no nambaran'i Jesosy fa ho voavonjy amin'ny farany?

Nambaran'i Jesosy fa ireo izay maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena.

Matthew 10:24

Ahoana no fomba hitondran'ireo mpankahala an'i Jesosy ny mpianatr'i Jesosy?

Hankahala ireo mpianany ihany koa ireo mpankahala an'i Jesosy.

Matthew 10:28

Iza no nolazain'i Jesosy fa tsy tokony hatahorantsika?

Tsy tokony hatahotra ireo izay mamono ny tena saingy tsy afaka mamono ny fanahy isika.

Iza no nolazain'i Jesosy fa tokony hatahorantsika?

Ilay sady afaka mamono ny fanahy sy ny tena any amin'ny helo no tokony hatahorantsika.

Matthew 10:32

Inona no hataon'i Jesosy ho an'ireo izay manaiky Azy eo anatrehan'ny olona?

Hanaiky azy eo anatrehan'ny Ray any an-danitra Jesosy.

Inona no hataon'i Jesosy ho an'ireo izay mandà Azy eo anatrehan'ny olona?

Handà azy eo anatrehan'ny Ray any an-danitra Jesosy.

Matthew 10:34

Inoana no fizarazarana nentin'i Jesosy tety an-tany?

Nilaza Jesosy fa tonga hitondra fizarazarana na dia eo amin'ny ankohonana aza.

Matthew 10:37

Inona no ho hitan'ny olona izay mahavery ny ainy nohon'ny amin'i Jesosy?

Ny olona izay mahavery ny ainy nohon'ny amin'i Jesosy dia hahita ny ainy.

Matthew 10:42

Inona no ho raisn'ny olona izay manome na dia rano mangatsika iray kaopy aza ho an'ny mpianatra tsy dia manan-danja?

Ny olona izay manome na dia rano mangatsika iray kaopy aza ho an'ny mpianatra tsy dia manan-danja dia handray ny valim-pitiany.

Matthew 11

Matthew 11:1

Inona no nofaranan'i Jesosy mialohan'ny nialany handeha hitory any an-tanàna?

Namarana ny fampianarany tamin'ireo mpianany roa ambin'ny folo Jesosy mialohan'ny nialany.

Inona no hafatra nalefan'i Jaona Mpanao Batisa tany amin'i Jesosy?

Nandefa hafatra Jaona Mpanao Batisa hoe: "Ianao ve ilay Iray izay ho avy, sa misy olona hafa tokony ho tadiavinay?" .

Matthew 11:4

Inona no nolazain'i Jesosy fa nitranga ho porofo fa Izy ilay Iray izay ho Avy?

Nambaran'i Jesosy fa sitrana ny marary, natsangan-ko velona ny maty, ary nilazana ny vaovao mahafaly ireo ory.

Inona no nampanantenain'i Jesosy ho an'ireo izay tsy nahita irika hanafintohinana Azy?

Nampanantena fitahiana ho an'ireo izay tsy nahita irika hanafintohinana Azy i Jesosy.

Matthew 11:9

Inona no nolazain'i Jesosy fa anjara asan'i Jaona Mpanao Batisa teo amin'ny fiainany?

Nambaran'i Jesosy fa Jaona Mpanao Batisa no iraka naminaniana izay hanomana ny lalana mialohan'ilay Iray izay ho Avy.

Matthew 11:13

Iza Jaona Mpanao Batisa araka ny filazan'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa Elia i Jaona Mpanao Batisa.

Matthew 11:18

Inona no nolazain'izany taranaka izany momban'i Jaona Mpanao Batisa izay tsy tonga nihinana mofo na nisotro divay?

Nolazain'izany taranaka izany fa nisy demonia i Jaona Mpanao Batisa.

Inona no nolazain'izany taranaka izany momban'i Jesosy izay tonga nihinana mofo sy nisotro divay?

Nolazain'izany taranaka izany fa tenda-kanina sady mpimamo, ary naman'ny mpamory hetra sy ny mpanota Jesosy.

Matthew 11:20

Inona no nambaran'i Jesosy momba ireo tanàna izay nanaovany ny asa mahagagany, kanefa tsy nibebaka?

Jesosy dia nibedy ireo tanàna izay nanaovana ny asa mahagagany, kanefa tsy nibebaka.

Matthew 11:25

Nidera ny Ray i Jesosy nohon'ny nanafenany ny fanjakan'ny lanitra tamin'iza?

Nidera ny Ray i Jesosy nohon'ny nanafenany ny fanjakan'ny lanitra tamin'ny hendry sy ny mahalala.

Nidera ny Ray i Jesosy nohon'ny nampisehoany ny fanjakan'ny lanitra tamin'iza?

Nidera ny Ray i Jesosy nohon'ny nampisehoany ny fanjakan'ny lanitra tamin'ireo izay tsy mahalala, tahaka ny ankizy kely.

Iza no nambaran'i Jesosy fa mahalala ny Ray?

Nambaran'i Jesosy fa Izy no mahalala ny Ray, sy izay rehetra iriany hampisehoana Azy.

Matthew 11:28

Iza no nampanantenain'i Jesosy fitsaharana?

Nampanantena fitsaharana ho an'izay rehetra miasa fatratra sy mavesatra entana Jesosy.

Matthew 12

Matthew 12:1

Inona no nataon'ireo mpianatr'i Jesosy ka nampitaraina ireo Fariseo Taminy?

Nitaraina ireo Fariseo fa nioty salohim-bary ary nihinana izany ireo mpianatr'i Jesosy, izay ninoan'izy ireo fa tsy ara-dalàna raha atao amin'ny Sabata.

Matthew 12:5

Iza no nambaran'i Jesosy fa lehibe noho ny tempoly?

Nambaran'i Jesosy fa lehibe noho ny tempoly Izy.

Matthew 12:7

Inona ny fahefana hananan'i Jesosy, ilay Zanak'Olona?

Jesosy, ilay Zanak'Olona no Tompon'ny Sabata.

Matthew 12:9

Inona no fanontaniana napetrak'ireo Fariseo tamin'i Jesosy teo anatrehan'ilay lehilahy maty tanana tao amin'ny synagoga?

Nanontany tamin'i Jesosy ireo Fariseo hoe: "Ara-dalàna ve ny manasitrana amin'ny Sabata.

Matthew 12:11

Inona no nolazain'i Jesosy fa ara-dalàna raha atao amin'ny Sabata?

Nambaran'i Jesosy fa ara-dalàna ny manao soa amin'ny andro Sabata.

Matthew 12:13

Rehefa hitan'ireo Fariseo nanasitrana ilay lehilahy maty tanana Jesosy, dia inona no nataon'izy ireo?

Nivoaka ireo Fariseo ary nikononkonona nanohitra Azy ary nitady ny fomba hahafahan'izy ireo mamotika Azy.

Matthew 12:18

Ao amin'ny faminanian'Isaia momban'i Jesosy, iza no handre ny fitsaràn'Andriamanitra ary hanana toky amin'Andriamanitra?

Ireo Jentilisa no handre ny fitsaràn'Aandriamanitra ary hanana toky amin'Andriamanitra.

Matthew 12:19

Ao amin'ny faminanian'Isaia momban'i Jesosy, inona no tsy hataon'i Jesosy?

Tsy hiady mafy, tsy hihiaka mafy, tsy hanapaka ny volotara torotoro, na hamono ny lahin-jiro manentona Jesosy.

Matthew 12:26

Ahoana no fomba namalian'i Jesosy ny fiampangana fa mamoaka devoly amin'ny alalan'i Belzeboba Izy?

Nambaran'i Jesosy fa raha mamoaka Satana i Satana, dia ahoana no haharetan'ny fanjakan'i Satana?

Matthew 12:28

Inona no namabaran'i Jesosy fa hitranga raha mamoaka demonia amin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra Izy?

Nambaran'i Jesosy fa tonga eo amin'izy ireo ny fanjakan'Andriamanitra raha mamoaka demonia amin'ny alalan'ny Fanahin'Andriamanitra Izy.

Matthew 12:31

Inona no fahotana nolazain'i Jesosy fa tsy ho voavela?

Nolazain'i Jesosy fa ny fitenenan-dratsy manohitra ny Fanahy dia tsy ho voavela.

Matthew 12:33

Amin'ny inona no hahafantarana ny hazo iray?

Fantatra amin'ny voany ny hazo iray.

Matthew 12:36

Amin'ny inona no hanamarinana sy hanamelohana ireo Fariseo araka ny filazan'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa amin'ny teniny no hanamarinana na hanamelohana ireo Fariseo.

Matthew 12:38

Inona no famantarana nambaran'i Jesosy fa homeny ho an'ny taranaka tamin'izany?

Nambaran'i Jesosy fa ny famantaran'i Jona no homeny ho an'io taranaka io, izay tany an-kibon'ny trondro telo andro sy telo alina.

Matthew 12:41

Iza no nambaran'i Jesosy fa lehibe noho Jona?

Nambaran'i Jesosy fa lehibe noho Jona Izy.

Nahoana no hanameloka ny vahoaka tamin'ny andron'i Jesosy ny olon'i Ninive?

Hanameloka ny vahoaka tamin'ny andron'i Jesosy ny olon'i Ninive satria nihaino ny tenin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Jona izy ireo, saingy ny olona tamin'ny andron'i Jesosy dia tsy nihaino ny Zanak'Olona izay lehibe noho Jona.

Matthew 12:42

Iza no nambaran'i Jesosy fa lehibe noho Solomona?

Nambaran'i Jesosy fa lehibe noho Solomona Izy.

Matthew 12:43

Toy ny ahoana no fitovian'ny olona tamin'ny andron'i Jesosy amin'ny olona izay nialan'ny fanahy maloto?

Ho tahaka ny olona nialan'ny fanahy maloto ny olona tamin'ny andron'i Jesosy, satria miverina miaraka amina fanahy fito hafa ilay fanahy maloto ary zary ratsy lavitra noho ny tamin'ny voalohany ny manjoa ilay lehilahy.

Matthew 12:48

Iza no nambaran'i Jesosy fa rahalahiny, anabaviny, ary reniny?

Nambaran'i Jesosy fa ireo izay manao ny sitrapon'ny Ray no rahalahiny, anabaviny, ary reniny.

Matthew 13

Matthew 13:3

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy momba ilay mpamafy, inona no nanjo ireo voa nilatsaka teny amoron-dalana?

Norapahan'ny vorona ireo voa nilatsaka teny amoron-dalana.

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy momba ilay mpamafy, inona no nanjo ireo voa nilatsaka teny amin'ny tany be vato?

Nitsiry avy hatrany ireo voa nilatsaka teny amin'ny tany be vato, saingy main'ny masoandro ary nalazo.

Matthew 13:7

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy momba ilay mpamafy, inona no nanjo ireo voa nilatsaka teny amin'ny tsilo?

Voagejan'ny tsilo ireo voa nilatsaka teny amin'ny tsilo.

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy momba ilay mpamafy, inona no nanjo ireo voa nilatsaka teny amin'ny tany tsara?

Ireo voa nilatsaka teny amin'ny tany tsara dia namokatra voa, ny sasany zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny.

Matthew 13:13

Nambaran'ny faminanian'Isaia fa handre ary hahita ny olona, saingy tsy haninona kosa?

Nambaran'ny faminanian'Isaia fa handre ny olona, saingy tsy hahazo; ary hahita izy ireo, saingy tsy hahafantatra.

Matthew 13:15

Inona no olana tamin'ireo olona izay nandre an'i Jesosy saingy tsy nahazo?

Donto fo, mafy sofina, ary nanakipy maso ireo olona izay nandre an'i Jesosy saingy tsy nahazo.

Matthew 13:18

Ao amin'ny fanoharana momban'ny mpamafy, karazan'olona tahaka ny ahoana ilay voa nafafy teny amoron-dalana?

Ilay voa nafafy teny amoron-dalana dia ny olona izay mandre ny tenin'ny fanjakana kanefa tsy mahazo izany, ary dia tonga ilay ratsy ka manongotra izay voafafy tao am-pony.

Matthew 13:20

Ao amin'ny fanoharana momban'ny mpamafy, karazan'olona tahaka ny ahoana ilay voa nafafy teny amin'ny tany be vato?

Ireo voa nafafy teny amin'ny tany be vato dia ny olona izay mandre ny teny ary mandray izany am-pifaliana avy hatrany, saingy tafintohina eo noho eo rehefa raikitra ny fanenjehana.

Matthew 13:22

Ao amin'ny fanoharana momban'ny mpamafy, karazan'olona tahaka ny ahoana ilay voa nafafy teny amin'ny tsilo?

Ireo voa nafafy teny amin'ny tsilo dia ny olona izay mandre ny teny, saingy mangeja ny teny ireo fanahian'izao tontolo izao sy fitaky ny harena.

Ao amin'ny fanoharana momban'ny mpamafy, karazan'olona tahaka ny ahoana ilay voa nafafy teny amin'ny tany tsara?

Ireo voa nafafy teny amin'ny tany tsara dia ny olona izay mandre ny teny ary mahazo izany, ka mamoa vokatra.

Matthew 13:27

Ao amin'ny fanoharana momban'ny tsiparifary, iza no namafy ireo voan-tsiparifary teny an-tsaha?

Nisy fahavalo namafy voan-tsiparifary teny an-tsaha.

Matthew 13:29

Inona no toro-lalana nomen'ilay tompon-tany tamin'ny mpanompo mahakasika ireo voa-tsiparifary sy ny vary?

Nasain'ilay tompon-tany navela hiara-haniry ireo mandra-pahatongan'ny fijinjana, ary avy eo dia hangonina ho dorana ny tsiparifary, ary ny vary kosa halefa any amin'ny fitoeram-bokatra.

Matthew 13:31

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy momban'ny voan-tsinampy, inona no nitranga tamin'ilay vaon-tsinampy kely dia kely?

Zary lasa hazo lehibe noho ireo zava-maniry eny an-tsaha ilay voan-tsinampy ka manao ny tranony eny amin'ny rantsany ireo vorona.

Matthew 13:33

Ahoana no fomba nilazan'i Jesosy ny fitovian'ny fanjakana amin'ny lalivay?

Nambaran'i Jesosy fa tahaka ny lalivay izay nafangaro lafarinina intelo famarana ny fanjakana.

Matthew 13:36

Ao amin'ny fanoharana momban'ny tsiparifary, iza no namafy ireo voa tsara, inona ilay saha, iza ireo voa tsara, iza ireo tsiparifary, ary iza no namafy ireo voan-tsiparifary?

Ny Zanak'Olona no mpamafy ireo voa tsara, izao tontolo izao no saha, ireo zanaky ny fanjakana ny voa tsara, ireo zanak'ilay ratsy ny tsiparifary, ary ny devoly no mpamafy ny voa-tsiparifary.

Ao amin'ny fanoharana momban'ny tsiparifary, iza ireo mpijinja ary maneho inona ny fijinjana?

Ireo anjely no mpijinja, ary ny fijinjana dia ny fara-andro.

Matthew 13:40

Inona no hanjo ireo izay manota amin'ny fara-andro?

Amin'ny fara-andro, ireo izay manota dia hatsipy any amin'ny farihy mirehitra afo.

Inona no hanjo ireo izay marina amin'ny fara-andro?

Amin'ny fara-andro, ireo marina dia hamiratra toy ny masoandro.

Matthew 13:44

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no nataon'ilay lehilahy izay nahita harena tao amin'ny saha, izay maneho ny fanjakan'ny lanitra?

Nivarotra ny zavatra rehetra nananany ilay lehilahy ary nividy ilay saha.

Ao amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no nataon'ilay lehilahy izay nahita ilay voahangy sarobidy, izay maneho ny fanjakan'ny lanitra?

Nivarotra izay rehetra nananany ilay lehilahy nahita voahangy sarobidy ary nividy izany.

Matthew 13:47

Ahoana no hitovian'ny harato fanjonoana amin'izay hitranga amin'ny fara-andro?

Toy ireo zavatra tsy misy dikany izay navahana tamin'ireo izay tsara ka nariana, amin'ny fara-andro koa ireo ratsy fanahy dia havahana amin'ny marina ary hatsipy any anaty afo.

Matthew 13:54

Inona no fanontaniana napetrak'ireo olona avy tany amin'ny faritaniny momban''i Jesosy rehefa nandre Azy nampianatra izy ireo?

Nanontany ireo olona hoe: "Avy aiza no nahazoan'ity lehilahy ity ny fahendreny, sy ireny fahagagana ireny?"

Matthew 13:57

Inona no nambaran'i Jesosy fa mahazo ny mpaminany ao amin'ny taniny?

Nambaran'i Jesosy fa tsy misy hajany ny mpaminany ao amin'ny taniny.

Inona no nitranga tao amin'ny faritanin'i Jesosy nohon'ny tsy finoan'ny olona?

Nohon'ny tsy finoan'ny olona, dia tsy nanao fahagagana maro tao amin'ny faritaniny ihany Jesosy.

Matthew 14

Matthew 14:1

Iza no niheveran'i Heroda an'i Jesosy?

Noheverin'i Heroda ho Jaona Mpanao Batisa nitsangana tamin'ny maty i Jesosy.

Matthew 14:3

Inona no zavatra tsy ara-dalàna nataon'i Heroda, izay nitenenan'i Jaona Mpanao Batisa azy?

Nanambady ny vadin-drahalahiny i Heroda.

Nahoana no tsy novonoin'i Heroda ho faty avy hatrany Jaona?

Tsy novonoin'i Heroda ho faty avy hatrany Jaona satria natahotra ny olona izay nandray azy ho toy ny mpaminany izy.

Matthew 14:6

Inona no nataon'i Heroda rehefa avy nandihy ho azy tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany Herodiasy?

Nianiana tamin'ny voady ny hanome izay rehetra mety ho hangatahin'i Herodiasy izy.

Matthew 14:8

Inona no nagatahin'i Herodiasy?

Nangataka ny lohan'i Jaona Mpanao Batisa teo ambony lovia Herodiasy.

Nahoana Heroda no nanome an'i Herodiasy izay nangatahiny?

Nomen'i Heroda an'i Herodiasy izay nangatahiny nohon'ny fianinanany sy ireo olona rehetra teo am-pisakafoana niaraka taminy.

Matthew 14:13

Inoana no fihetsika nataon'i Jesosy rehefa nahita ireo vahoaka be nanaraka Azy Izy?

Nangoraka azy ireo Jesosy ary nanasitrana ny rofin'izy ireo.

Matthew 14:16

Inona no namporisihan'i Jesosy hataon'ireo mpianany ho an'ireo vahoaka?

Namporisihan'i Jesosy hanome zavatra hohanina ho an'ireo vahoaka ny mpianany.

Matthew 14:19

Nataon'i Jesosy inona ireo mofo dimy sy hazandrano roa nentin'ireo mpianatra teo Aminy?

Niandrandra ny lanitra Jesosy, nisaotra sy nanapaka ireo mofo ary nanolotra izany tamin'ireo mpianatra mba homena ny vahoaka.

Olona firy no nihinana, ary toy ny ahoana ny haben'ny ambin-tsakafo?

Dimy arivo lahy teo ho eo niampy ireo vehivavy sy ny ankizy no nihianana, ary nisy ambiny roa ambin'ny folo sobika.

Matthew 14:22

Inona no nataon'i Jesosy taorian'ny nandefasany ireo vahoaka?

Nandeha niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka irery Jesosy.

Inona no nanjo ireo mpianatra teo afovoan'ny rivotra sy ny onja?

Saiky tsy hay fehezina ny sambokelin'ireo mpianatra nohon'ny rivotra sy ny onja.

Matthew 14:25

Tamin'ny fomba ahaona no nandehanan'i Jesosy nankeo amin'ireo mpianatra?

Nandeha teo ambony rano no fomba nankanesan'i Jesosy teo amin'ireo mpianatra.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany rehefa nahita Azy izy ireo?

Notenenin'i Jesosy izy ireo mba hatanja-tsaina ary tsy hatahotra.

Matthew 14:28

Inona no nasin'i Jesosy nataon'i Petera?

Nasain'i Jesosy nanatona ary nandeha teo ambony rano Petera.

Nahoana Petera no nanomboka nilentika tao anaty rano?

Nanomboka nilentika tao anaty rano Petera satria natahotra.

Matthew 14:31

Inona no nitranga rehefa niditra tao an-tsambokely i Jesosy sy Petera?

Rehefa niditra tao an-tsambokely i Jesosy sy Petera dia nitsahatra nitsoka ny rivotra.

Inona no nataon'ireo mpianatra rehefa nahita izany?

Rehefa nahita izany ireo mpianatra, dia nidera an'i Jesosy ary nilaza fa Izy no Zanak'Andriamanitra.

Matthew 14:34

Inona no nataon'ny olona rehefa tonga teny ampitan'ny ranomasina Jesosy sy ny mpianany?

Rehefa tonga teny ampitan'ny ranomasina Jesosy sy ny mpianany dia nentin'ny olona teo amin'i Jesosy avokoa ireo marary.

Matthew 15

Matthew 15:4

Inoana no ohatra nomen'i Jesosy mahakasika ny fomba nahafoanan'ireo Fariseo ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fomban'izy ireo?

Nosakanan'ireo Fariseo ny ankizy mba tsy hanampy ny ray aman-dreniny tamin'ny fakana ny vola ho "fanomezana hatolotra an'Andriamanitra."

Matthew 15:7

Inona no naminanian'Isaia momban'ny molotra sy ny fon'ireo Fariseo?

Naminany Isaia fa hanaja an'Andriamanitra amin'ny molony ireo Fariseo, fa ny fony kosa dia lavitra an'Andriamanitra.

Raha tokony hampianatra ny tenin'Andriamanitra, inona kosa no fotom-pampianarana nampianarin'ireo Fariseo?

Nataon'ireo Fariseo ho foto-pampianarana ny didin'ny olona.

Matthew 15:10

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy mandoto ny olona iray?

Nambaran'i Jesosy fa tsy mandoto ny olona iray izay hohaniny.

Inona no nolazain'i Jesosy fa mahaloto ny olona?

Nambaran'i Jesosy fa izay mivoaka avy amin'ny vavan'ny olona no mahaloto azy.

Matthew 15:12

Inona no niantsoan'i Jesosy ireo Fariseo, ary inona no nolazainy fa hanjo azy ireo?

Nantsoin'i Jesosy hoe mpitarika jamba ireo Fariseo, ary nolazainy fa hilatsaka any an-kady.

Matthew 15:18

Karazan-javatra inona izay avy amin'ny fo no mahaloto ny olona iray?

Avy amin'ny fo no iavian'ny sain-dratsy, famonoana olona, fijangajangana, fahavetavetana, halatra, vavolombelona sandoka, sy ny faniratsirana.

Matthew 15:21

Inona no nataon'i Jesosy voalohany rehefa nihiakiaka indrafo taminy ilay vehivavy Kananita?

Tsy namaly teny azy Jesosy.

Matthew 15:24

Inona no fanazavan'i Jesosy ny amin'ny tsy nanampiany ilay vehivavy Kananita?

Nazavain'i Jesosy fa any amin'ireo ondry verin'ny ankohonan'Israely ihany no nanirahana Azy.

Matthew 15:27

Rehefa nanetry tena ilay vehivavy Kananita, inona no nolazain'i Jesosy taminy sy nataony taminy?

Nambaran'i Jesosy fa nanana finoana lehibe ilay vehivavy, ary notanterahiny ny faniriany.

Matthew 15:29

Inona no nataon'i Jesosy ho an'ireo vahoaka be izay nankeo Aminy tany Galilia?

Nositranin'i Jesosy ny moana, ny mandringa, ny malemy, ary ny jamba.

Matthew 15:32

Mofo sy hazandrano firy no nananan'ireo mpianatra mba hamokisana ny vahoaka?

Nanana mofo fito sy hazandrano vitsivitsy ireo mpianatra.

Matthew 15:36

Nataon'i Jesosy inona ireo mofo sy hazandrano?

Nalain'i Jesosy ireo mofo sy hazandrano, nisaorany, notapahiny ireo mofo ary natolony tamin'ireo mpianany.

Toy ny ahoana ny haben'ny ambin-tsakafo rehefa avy nihinana ny rehetra?

Nisy ambin-tsakafo fito sobika nitafotafo rehefa avy nihinana ny rehetra.

Olona firy no nihinana sy vokin'ireo mofo sy hazandrano?

Efatra arivo lahy, niampy ny vehivavy sy ny ankizy no nihinana ka voky.

Matthew 16

Matthew 16:1

Inona no tian'ireo Fariseo sy Sadoseo ho hita avy tamin'i Jesosy mba hitsapana Azy?

Te hahita famantarana avy any an-danitra avy tamin'i Jesosy ireo Fariseo sy Sadoseo.

Matthew 16:3

Inona no nambaran'i Jesosy fa homeny ho an'ireo Fariseo sy Sadoseo?

Nambaran'i Jesosy fa ny famantaran'i Jona no homeny ireo Fariseo sy Sadoseo.

Matthew 16:5

Inona no nasain'i Jesosy nitandreman'ireo mpianatra?

Nasain'i Jesosy nitandrina tamin'ny lalivain'ny Fariseo sy ny Sadoseo ireo mpianany.

Matthew 16:11

Inona no tena noresahan'i Jesosy rehefa nilaza tamin'ireo mpianany mba hitandrina Izy?

Ny fampianaran'ireo Fariseo sy ny Sadoseo no nasain'i Jesosy notandreman'ireo mpianatra.

Matthew 16:13

Inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'ireo mpianany rehefa nankany Kaisaria-filipo?

Nanontany tamin'ireo mpianany Jesosy hoe: "Iza no filazan'ny olona ny Zanak'Olona?"

Iza no fiheveran'ny olona sasany an'i Jesosy?

Noheverin'ny olona sasany fa Jaona Mpanao Batisa, na Elia, na Jeremia, na iray tamin'ireo mpaminany Jesosy.

Inona no valin-teny nomen'i Petera ho an'ny fanontaninan'i Jesosy?

Namaly Petera hoe: "Ianao no Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra Velona."

Matthew 16:17

Ahoana no nahafantaran'i Petera ny valin'ny fanontanian'i Jesosy?

Fantatr'i Petera ny valin'ny faonontanian'i Jesosy satria ny Ray no nampiseho izany taminy.

Matthew 16:19

Inona no fahefana nomen'i Jesosy an'i Petera tety an-tany?

Nomen'i Jesosy an'i Petera ny fanalahidin'ny fanjakana, mba afahany mamatotra na mamaha ety an-tany ary ho voafatotra na voavaha any an-danitra izany.

Matthew 16:21

Tamin'izany fotoana izany, inona no nanomboka nolazain'i Jesosy am-palalahana tamin'ireo mpianany?

Nanomboka nilaza tamin'ireo mpianany Jesosy fa tsy maintsy mandeha mankany Jerosalema Izy, hiaritra zavatra maro, ho vonoina, ary hatsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Petera rehefa tsy nanaiky izay nazavain'i Jesosy fa hanjo Azy?

Hoy Jesosy tamin'i Petera hoe: "Andana any ivohoko, ry Satana!"

Matthew 16:24

Inona no tsy maintsy hataon'ireo rehetra te hanara-dia an'i Jesosy?

Izay rehetra te-hanaraka an'i Jesosy dia tsy maintsy mandà ny tenany, ary maka ny hazofijaliany.

Inona no nambaran'i Jesosy fa tsy mahasoa ny olona?

Nambaran'i Jesosy fa tsy mahasoa ny olona ny mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy.

Matthew 16:27

Ahoana ny fomba hiavian'ny Zanak'Olona araka ny filazan'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjeliny ny Zanak'Olona.

Ahoana no hamalian'i Jesosy ny olona rehetra rehefa tonga Izy?

Hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy ny Zanak'Olona rehefa tonga Izy.

Iza no nambaran'i Jesosy fa hahita ny Zanak'Olona ho tonga ao amin'ny fanjakany?

Nambaran'i Jesosy fa ny sasany tamin'ireo nijoro teo dia hahita ny Zanak'Olona ho tonga ao amin'ny fanjakany.

Matthew 17

Matthew 17:1

Iza no niaraka tamin'i Jesosy niakatra tany an-tendrombohitra?

Petera, Jakoba ary Jaona no niaraka tamin'i Jesosy niakatra tany an-tendrombohitra.

Inona no niseho tamin'ny endrik'i Jesosy teny an-tendrombohitra?

Niova tarehy Jesosy hany ka namiratra toy ny masoandro ny tarehiny, ary nanjelanjelatra toy ny fahazavana ny akanjony.

Matthew 17:3

Iza no niseho ary niresaka tamin'i Jesosy?

Mosesy sy Elia no niseho ary niresaka tamin'i Jesosy.

Inona no hevitra naroson'i Petera?

Nanolo-kevitra ny hanangana lay ho an'ireo lehilahy telo Petera.

Matthew 17:5

Inona no nolazain'ilay feo avy ao amin'ny rahona?

Hoy ilay feo avy ao amin'ny rahona hoe: "Ity no Zanako malalako, izay tena sitrako; mihainoa Azy."

Matthew 17:9

Inona no nandidian'i Jesosy ny mpianany raha nandeha nidina avy any an-tendrombohitra izy ireo?

Nandidy ireo mpianany mba tsy hitatitra ny fahitan'izy ireo amin'iza na iza ambara-pitsangan'ny Zanak'Olona amin'ny maty Jesosy.

Matthew 17:11

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny fampianaran'ireo mpanora-dalàna fa Elia no tsy maintsy tonga aloha?

Nambaran'i Jesosy fa ho tonga tokoa Elia ary hamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra.

Iza no nambaran'i Jesosy fa ilay Elia izay efa tonga, ary inona no nataon'ny olona taminy?

Nambaran'i Jesosy fa Jaona Mpanao Batisa no Elia izay efa tonga, ary nanaovan'izy ireo izay tiany atao izy.

Matthew 17:14

Inona no tsy afaka nataon'ireo mpianatra tamin'ilay zaza lahy voan'ny androbe?

Tsy afaka nanasitrana ilay zaza lahy voan'ny androbe ieo mpianatra.

Matthew 17:17

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ilay zaza lahy voan'ny androbe?

Niteny mafy an'ilay demonia i Jesosy, ary sitrana tamin'izany ora izany ilay zaza lahy.

Matthew 17:19

Nahoana ireo mpianatra no tsy afaka nanasitrana ilay zaza lahy voan'ny androbe?

Nambaran'i Jesosy fa nohon'ny hakelin'ny finonan'izy ireo dia tsy afaka nanasitrana ilay zaza lahy voan'ny androbe izy ireo.

Matthew 17:22

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianatra ka nampalahelo mafy azy ireo?

Nambaran'i Jesosy fa hatolotra eo an-tananan'ny olona izay hamono Azy Izy, ary hatsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo.

Matthew 17:26

Ahoana no fomba nandoavan'i Petera sy Jesosy ny hetra atsasaka sekely?

Nasain'i Jesosy nandeha tany amin'ny ranomasina Petera, nanipy ny harato, ary naka ny trondro izay voalohany, izay hisy sekely iray ao am-bavany handoavana ny hetra.

Matthew 18

Matthew 18:1

Inona no nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy hataontsika mba hidirana ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?

Nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy mibebaka isika ary tonga tahaka ny ankizy madinika mba hidirana ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Matthew 18:4

Iza no nambaran'i Jesosy fa lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?

Nambaran'i Jesosy fa na iza na iza manetry ny tenany tahaka ny zaza madinika dia lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Inona no hanjo izay rehetra mahatonga ny mpino an'i Jesosy iray hanota?

Na iza na iza mahatonga ny kely izay mino an'i Jesosy dia tsara ho azy ny hanantonana vato fikosoham-bary eo amin'ny tendany ary halentika any an-dranomasina.

Matthew 18:7

Inona no nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy hataontsika amin'izay rehetra mahatonga antsika ho tafintohina?

Nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy hariantsika izay rehetra mahatonga antsika ho tafintohina.

Matthew 18:10

Nahoana isika no tsy mahazo manamavo ireo madinika ireo araka ny filazan'i Jesosy?

Tsy mahazo manamavo ireo madinika ireo isika satria ny anjelin'izy ireo dia mijery amin'ny tavan'ny Ray hatrany.

Matthew 18:12

Inona no hitovian'ny olona iray izay mitady ondry very iray amin'ny Ray any an-danitra?

Tsy sitraky ny Ray ihany koa ny hahaverezan'ny ankizy kely iray.

Matthew 18:15

Raha manota aminao ny rahalahinao, inona no zavatra voalohany tokony hatonao?

Voalohany dia tokony handeha ary hampiseho aminy ny hadisoany, eo aminao sy izy ihany.

Raha tsy mihaino ny rahalahinao, inona no zavatra faharoa tokony hataonao?

Faharoa, mila mitondra rahalahy iray na roa na mihoatra ho vavolombelona ianao.

Matthew 18:17

Raha mbola tsy mihaino ihany ny rahalahinao, inona no zavatra fahatelo tokony hataonao?

Fahatelo, tokony hambaranao ao amin'ny fiangonana ny raharaha.

Raha mbola tsy hihaino ihany ny rahalahinao, inona no tokony hatao?

Farany, raha tsy hihaino ny fiangonana izy, dia tokony ho entina toy ny Jentilisa sy mpamory hetra.

Matthew 18:18

Eo amin'ny olona roa na telo miara-miangona amin'ny anarany, inona no nampanantenain'i Jesosy?

Nampanantena Jesosy fa ho eo afovoan'ny olona roa na telo izay miara-mivory amin'ny anarany Izy.

Matthew 18:21

Impiry no tokony hamelantsika ny rahalahintsika araka ny filazan'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa tokony hamela ny rahalahintsika im-pitopolo im-pito isika.

Matthew 18:23

Inona no trosan'ilay mpanompo tamin'ny tompony, ary moa ve afaka namerina izany tamin'ny tompony izy?

Nananan'ny tompony talenta iray alina ilay mpanompo, izay tsy afaka naloany.

Matthew 18:26

Nahoana ilay tompo no namela ny trosan'ilay mpanompo?

Nihetsi-po tamin'ny fangorahana ilay tompo ka namela ny trosan'ilay mpanompo.

Matthew 18:30

Inona no nataon'ilay mpanompo tamin'ny mpanompo namany izay nananany denaria zato?

Tsy nanaiky ny haharitra ilay mpanompo ary nandefa ny mpanompo namany tany am-pigadrana.

Matthew 18:32

Inona no nambaran'ilay tompo fa tokony nataon'ilay mpanompo tamin'ny mpanompo namany?

Nambaran'ilay tompo tamin'ilay mpanompo fa tokony ho nanana indrafo tamin'ilay mpanompo namany izy.

Matthew 18:34

Inona ary no nataon'ilay tompo tamin'ilay manompo?

Natolotr'ilay tompo tany amin'ny mpampijaly ilay mpanompo ambara-panefany ny trosany rehetra.

Inona no nambaran'i Jesosy fa hataon'ny Ray raha tsy mamela ny rahalahintsika amin'ny fo isika?

Nambaran'i Jesosy fa ho tahaka ny nataon'ilay tompo tamin'ilay mpanompo no hataon'ny Ray amintsika raha tsy mamela ny rahalahintsika isika.

Matthew 19

Matthew 19:3

Inona no fanontaniana napetrak'ireo Fariseo tamin'i Jesosy mba hitsapana Azy?

Nanontany ireo Fariseo hoe: "Ara-dalàna ho an'ny lehilahy ve ny misaraka amin'ny vadiny noho izay mety ho antony rehetra?"

Inona no nambaran'i Jesosy fa marina hatramin'ny fiandohan'ny fahariana?

Nambaran'i Jesosy fa hatramin'ny fiandohan'ny fahariana dia nataon'Andriamanitra ho lahy sy vavy izy ireo.

Matthew 19:5

Nohon'ny fomba nanaovan'Andriamanitra azy ireo ho lahy sy vavy, inona no nambaran'i Jesosy fa tokony hataon'ny lehilahy?

Nambaran'i Jesosy fa tokony handao ny rainy sy reniny ny lehilahy ary hikambana amin'ny vadiny.

Inona no nolazain'i Jesosy fa mitranga rehefa mikambana amin'ny vadiny ny lehilahy?

Nambaran'i Jesosy fa rehefa mikambana amin'ny vadiny ny lehilahy, dia lasa nofo iray ihany izy roa.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy tokony hataon'ny olona amin'izay nakamban'Andriamanitra?

Nambaran'i Jesosy fa tsy tokony hampisaraka izay efa nakamban'Andriamanitra ny olona.

Matthew 19:7

Nahoana Mosesy no nandidy ny fanomezana taratasy fisaraham-panambadiana araka ny filazan'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa nandidy ny fanomezana taratasy fisaraham-panambadiana Mosesy nohon'ny hamafisan'ny fon'ireo Jiosy.

Iza no nolazain'i Jesosy fa mijangajanga?

Nambaran'i Jesosy fa na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fijangajangana, ka manambady olona hafa dia mijangajanga, ary izany lehilahy manambady vehivavy nisara-bady izany dia mijangajanga.

Matthew 19:10

Iza no afaka manaiky ny ho ionoka hoy Jesosy?

Nolazain'i Jesosy fa ireo izay navela hanaiky izany no afaka manaiky ny ho ionoka.

Matthew 19:13

Inona no nataon'ireo mpianatra rehefa nentina teo amin'i Jesosy ireo zaza madinika?

Rehefa nisy ankizy madinika maromaro nentina teo amin'i Jesosy dia nibedy azy ireo ny mpianatra.

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nahita ireo zaza madinika?

Notenenin'i Jesosy mba havela hanatona ny ankizy kely, fa an'ny toa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra.

Matthew 19:16

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay tovolahy fa tsy maintsy hataony mba hidirana any amin'ny fiainana mandrakizay?

Nasain'i Jesosy nitandrina ny didy ilay lehilahy mba hidirana any amin'ny fiainana mandrakizay.

Matthew 19:20

Rehefa nilaza ilay tovolahy fa efa nitandrina ireo didy, inona no nasain'i Jesosy nataony?

Rehefa nilaza ilay tovolahy fa efa nitandrina ireo didy, dia nasain'i Jesosy nivarotra izay nananany ary nanome izany ho an'ny mahantra.

Inona no nasetrin'ilay tovolahy ny didin'i Jesosy mba hivarotana izay rehetra nananany?

Nandeha tamin'ny alahelo ilay lehilahy satria nanana fananam-be.

Matthew 19:25

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny mety ho fahafahan'ny olona mpanan-karena hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?

Nambaran'i Jesosy fa raha amin'ny olona dia tsy hay atao izany, fa amin'Andriamanitra dia hay atao ny zavatra rehetra.

Matthew 19:28

Inona no valisoa nampanantenain'i Jesosy tamin'ireo mpianany izay nanaraka Azy?

Nampanantena tamin'ireo mpianany Jesosy fa amin'ny fahateraham-baovao, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo izy ireo, hitsara ny foko roa ambin'ny folon'Israely.

Matthew 19:29

Inona no nolazain'i Jesosy momba ireo izay voalohany sy ireo izay farany ankehitriny?

Nambaran'i Jesosy fa ireo izay voalohany ankehitriny dia ho farany, ary ireo izay farany ankehitriny dia ho voalohany.

Matthew 20

Matthew 20:1

Ohatrinona no nifanarahan'ilay tompon-tany homena ireo mpiasa izay nokaramainy vao maraina?

Nifanaraka ny hanome denaria iray ho karama iray andro tamin'ny mpiasa nokaramaina vao maraina ilay tompon-tany.

Matthew 20:3

Ohatrinona no nolazain'ilay tompon-tany fa haloany tamin'ireo mpiasa izay nokaramainy tamin'ny ora fahatelo?

Nolazain'ilay tompon-tany fa handoa izay marina ho azy ireo izy.

Matthew 20:8

Ohatrinona no azon'ireo izay nokaramaina tamin'ny ora faha-iraika ambin'ny folo?

Ireo mpiasa nokaramaina tamin'ny ora faha-iraika ambin'ny folo dia nandray denaria iray.

Matthew 20:11

Inona no fitarainan'ireo mpiasa izay nokaramaina vao maraina?

Nitaraina izy ireo fa niasa nandritry ny tontolo andro, saingy nandray karama mitovy tamin'ireo izay niasa nandritry ny ora iray ihany.

Matthew 20:13

Ahoana no navalin'ilay tompon-tany ny fitarainan'ireo mpiasa?

Nambaran'ilay tompon-tany fa tsy nanao ny tsy mety amin'ireo mpiasa izy ary nandoa izay azy ireo.

Matthew 20:17

Inona no tranga izay nolazain'i Jesosy mialoha tamin'ireo mpianany raha nandeha niakatra ho any Jerosalema izy ireo?

Nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany fa hatolotra any amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna Izy, ho melohana ho faty, homboana amin'ny hazofijaliana, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana indray.

Matthew 20:20

Inona no fangatahana nataon'ny renin'ireo zanak'i Zebedio tamin'i Jesosy?

Tiany Jesosy mba handidy ny hametrahana ny zanany roa lahy eo ankavanany sy eo ankaviany ao amin'ny fanjakany.

Matthew 20:22

Iza no manapaka hoe iza no mipetraka eo ankavanany sy eo ankaviany any amin'ny fanjakany hoy Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa ny Ray no nanomana ireo toerana ireo ho an'izay nofidiany.

Matthew 20:25

Ahoana hoy Jesosy no afahan'ny olona iray ho lehibe eo amin'ireo mpianany?

Nambaran'i Jesosy fa na iza na iza maniry ny ho tonga lehibe dia tsy maintsy ho mpanompo.

Nahoana hoy Jesosy no tonga Izy?

Nambaran'i Jesosy fa tonga mba hanompo sy hanolotra ny ainy ho vidim-panavotana ho an'ny maro Izy.

Matthew 20:29

Inona no nataon'ireo lehilahy jamba roa nipetraka teo amoron-dalana rehefa nandalo Jesosy?

Nitabataba hoe: "Tompo, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminay" ireo lehilahy jamba roa.

Matthew 20:32

Nahoana no nositranin'i Jesosy ireo lehilahy jamba roa?

Nositranin'i Jesosy ireo lehilahy jamba roa satria nangoraka azy ireo Izy.

Matthew 21

Matthew 21:1

Inona hoy Jesosy no ho hitan'ireo mpianany anankiroa any amin'ny tanàna ampitan'izy ireo?

Nolazain'i Jesosy fa hahita boriky mifatotra izy ireo, ary zana-boriky miaraka aminy.

Matthew 21:4

Inona no naminanian'ny mpaminany iray momba io tranga io?

Nisy mpaminany naminany fa ho avy eo ambony boriky ny Mpanjaka, ary eo ambony zana-boriky.

Matthew 21:6

Inona no nataon'ny vahoaka teo amin'ny lalana niditra tao Jerosalema izay nandehanan'i Jesosy?

Novelarin'ny olona teo ny lamban'izy ireo ary nametraka sampan-kazo teo amin'ny lalana izy ireo.

Matthew 21:9

Inona no nihiakan'ny vahoaka raha iny nandeha iny Jesosy?

Nihiakiaha hoe: "Hosana ho an'ny Zanak'i Davida, deraina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo, hosana ho amin'ny avo indrindra."

Matthew 21:12

Inona no nataon'i Jesosy rehefa niditra tao an-tempolin'Andriamanitra Izy?

Noroahin'i Jesosy avokoa ireo izay nividy sy nivarotra tao an-tempoly, ary nazerany ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo izay nivarotra voromailala.

Nataon'ireo mpivarotra inona ny tempoly araka ny filazan'i Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa nataon'ireo mpivarotra zohy fieren'ny jiolahy ny tempoly.

Matthew 21:15

Rehefa nanohitra izay niantsoantsoan'ny ankizy momban'i Jesosy ireo lohan'ny mpiorona sy ny mpanora-dalàna, inona no nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo?

Naka ny tenin'ny mpaminany iray Jesosy, izay nilaza fa avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nandavorarian'Andriamanitra ny fiderana.

Matthew 21:18

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ilay hazon'aviavy, ary nahoana?

Nataon'i Jesosy maina ilay aviavy satria tsy ny voany.

Matthew 21:20

Inona no nampianarin'i Jesosy tamin'ireo mpianany momban'ny vavaka nanoloana ilay aviavy maina?

Nampianarin'i Jesosy fa raha mangataka am-bavaka amin'ny finoana izy ireo dia handray izany.

Matthew 21:23

Raha teo am-pampianarana Jesosy, mahakasika ny inona ny fanontaniana napetrak'ireo lohan'ny mpisorona Taminy?

Te-hahafantatra ireo lohan'ny mpisorona hoe fahefana inona no nanaovan'i Jesosy ireo zavatra ireo.

Matthew 21:25

Inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'ireo lohan'ny mpisorona ho setrin'izany?

Nanontany tamin'izy ireo Jesosy ny amin'ny hevitr'izy ireo raha avy an-danitra na avy amin'ny olona ny batisan'i Jaona Mpanao Batisa.

Nahoana no tsy te-hamaly ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna fa avy any an-danitra ny batisan'i Jaona?

Fantatr'izy ireo fa hanontany azy ireo indray Jesosy hoe nahoana izy ireo no tsy nino an'i Jaona.

Nahoana ireo lohan'ny mpisorona no tsy te-hamaly fa avy amin'ny olona ny batisan'i Jaona?

Natahotra ny vahoaka izy ireo, izay nihevitra an'i Jaona ho mpaminany.

Matthew 21:28

Ao amin'ny tantaran'i Jesosy momba ireo zanaka roa lahy, inona no nataon'ilay lahimatoa rehefa nasaina niasa tany amin'ny tanim-boaloboka?

Nilaza ilay lahimatoa fa tsy handeha, saingy niova hevitra ka nandeha ihany.

Inona no nataon'ilay faralahy rehefa nasaina niasa tany amin'ny tanim-boaloboka?

Nilaza fa handeha ilay faralahy, saingy tsy nandeha avy eo.

Matthew 21:31

Iza tamin'ireo zanaka roa lahy no nanao ny sitrapon'ny rainy?

Ilay lahimatoa.

Nahoana no nolazain'i Jesosy fa ireo mpamory hetra sy ny mpivaro-tena no hiditra ny fanjakan'Andriamanitra alohan'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna?

Nambaran'i Jesosy fa hiditra ny fanjakana izy ireo satria nino an'i Jaona, fa ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna kosa tsy mba nino an'i Jaona.

Matthew 21:35

Inona no nataon'ireo mpamboly voaloboka tamin'ireo mpanompo izay nirahin'ny tompony haka ny voalobony?

Nikapoka, namono, ary nitora-bato an'ireo mpanompo ireo mpamboly voaloboka.

Ny farany, iza no nalefan'ilay tompo tany amin'ireo mpamboly voaloboka?

Ny farany dia ny zanany lahy mihitsy no nalefany.

Matthew 21:38

Inona no nataon'ireo mpamboly voaloboka tamin'ilay olona izay nalefan'ny tompony farany?

Novonoin'ireo mpamboly voaloboka ny zanaka lahin'ilay tompo.

Matthew 21:40

Inona ary no nolazain'ireo olona fa tokony hataon'ilay tompony?

Nolazain'ireo olona fa tokony handringana ireo mpamboly voaloboka voalohany ilay tompo ary avy eo dia hampanofa izany ho an'ny mpamboly hafa izay hanome ho azy.

Matthew 21:42

Ao amin'ny soratra masina izay nalain'i Jesosy taorian'izany, inona no nahazo an'ireo vato nolavin'ny mpanao trano?

Ny vato nolavin'ny mpanori-trano no natao vato fehizoro.

Matthew 21:43

Mifototra amin'ilay soratra masina izay notsongain'i Jesosy ihany, inona no nolazainy fa hitranga?

Nambaran'i Jesosy fa ny fanjakan'Andriamanitra dia ho esorina amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ary homena ny firenena izay mamokatra ny voany.

Matthew 21:45

Nahoana no tsy nosamborin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo avy hatrany Jesosy?

Natahotra ny vahoaka izy ireo, satria noraisin'ny olona ho toy ny mpaminany Jesosy.

Matthew 22

Matthew 22:5

Inona no nataon'ireo olona nasaina tamin'ny lanonan'ny mpanjaka rehefa nitondra ny fanasana ireo mpanompo?

Tsy nandray ny fanasana am-pahamatorana ny sasany ka nandeha nanohy ny raharahany manokana, ary ny sasany nisambotra ny mpanompon'ny mpanjaka ary namono azy ireo.

Inona no nataon'ny mpanajaka tamin'ireo izay nasaina voalohany tamin'ny lanonam-panambadiana?

Naniraka ny miaramilany ny mpanjaka, namono ireo mpamono olona ireo, ary nandoro ny tanànany.

Matthew 22:8

Iza ary no nasain'ny mpanjaka tamin'ny lanonam-panambadiana?

Nanasa olona maro araka izay hitan'ireo mpanompony ny mpanjaka, na tsara na ratsy.

Matthew 22:13

Inona no nataon'ilay mpanjaka tamin'ilay lehilahy izay tonga tao amin'ny lanonam-panambadiana tsy nanao akanjo fitondra amin'ny fanasana?

Nasain'ny mpanjaka nafatotra izy ary nalefa tany amin'ny haizina tany ivelany.

Matthew 22:15

Inona no notadiavin'ireo Fariseo natao tamin'i Jesosy?

Nitady ny hamandrika an'i Jesosy tamin'ny teniny ihany ireo Fariseo.

Matthew 22:20

Inona no namalian'i Jesosy ny fanontaniana avy tamin'ireo mpianatry ny Fariseo?

Nasain'i Jesosy nomena an'i Kaisara ny zavatra izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra ny zavatra izay an'Andriamanitra.

Matthew 22:23

Inona no finoan'ireo Sadoseo momban'ny fitsanganana amin'ny maty?

Nino ireo Sadoseo fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty.

Matthew 22:25

Tao amin'ny tantaran'ny Sadoseo, firy ny vadin'ilay vehivavy iray?

Nanana vady fito ilay vehivavy.

Matthew 22:29

Inona no zavatra roa izay nambaran'i Jesosy fa tsy fantatr'ireo Sadoseo?

Nambaran'i Jesosy fa tsy fantatr'ireo Sadoseo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.

Inona no tenin'i Jesosy momban'ny fanambadiana amin'ny fitsanganana amin'ny maty?

Nambaran'i Jesosy fa amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy fampakaram-bady.

Matthew 22:31

Ahoana ny fomba nampisehoan'i Jesosy tamin'ny Soratra Masina fa misy ny fitsanganana amin'ny maty?

Jeosy dia nampiasa ny Soratra Masina izay nilazan'Andriamanitra fa Izy no Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba - ilay Andriamanitry ny velona.

Matthew 22:34

Inona no fanontaniana napetrak'ilay Fariseo mpisolo vava tamin'i Jesosy?

Nanontany an'i Jesosy ilay mpisolo vava ny amin'ny didy lehibe indrindra ao amin'ny lalàna.

Matthew 22:37

Inona no nambaran'i Jesosy fa didy lehibe sady voalohany?

Nambaran'i Jesosy fa ny mitia ny Tompo amin'ny fonao, amin'ny fanahinao, ary amin'ny sainao rehetra no didy lehibe sady voalohany.

Matthew 22:39

Inona hoy Jesosy no didy faharoa?

Nambaran'i Jesosy fa ny mitia ny namanao tahaka ny tenanao no didy faharoa.

Matthew 22:41

Inona no fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'ireo Fariseo?

Nanontany azy ireo Jesosy hoe zanak'iza Kristy.

Inona no valin-teny nomen'ireo Fariseo an'i Jesosy?

Nilaza ireo Fariseo fa Kristy dia zanak'i Davida.

Matthew 22:45

Inona indray no fanontaniana faharoa napetrak'i Jesosy tamin'ireo Fariseo?

Avy eo Jesosy dia nanontany azy ireo ny fahafahan'i Davida miantso an'i Kristy Tompo ho Zanany.

Inona no valin-teny nomen'ireo Fariseo an'i Jesosy?

Tsy nahavita namaly teny an'i Jesosy ireo Fariseo.

Matthew 23

Matthew 23:1

Satria nipetraka teo amin'ny sezan'i Mosesy ny mpanora-dalàna, inona no nasain'i Jesosy nataon'ny olona tamin'ny fampianaran'izy ireo?

Nasain'i Jesosy nampihatra ary nandinika ireo zavatra nampianarin'ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna teo amin'ny sezan'i Mosesy ny olona.

Nahoana hoy Jesosy no tsy tokony haka tahaka ny asan'ireo mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny olona?

Nolazain'i Jesosy fa tsy tokony haka tahaka ny asan'izy ireo ny olona satria izy ireo dia milaza zavatra kanefa tsy manao izany avy eo.

Matthew 23:4

Inona no antony nanaovan'ireo mpanora-dalàna sy ny Fariseo ireo asany rehetra?

Nanao ny asan'izy ireo rehetra ny mpanora-dalàna sy ny mpisorona mba ho hitan'ny olona.

Matthew 23:8

Iza no nambaran'i Jesosy fa ilay hany Raintsika, sy ilay hany mpampianatra antsika?

Nambaran'i Jesosy fa ny hany Raintsika dia ilay any an-danitra, ary ny hany mpampianatra antsika dia Kristy.

Matthew 23:11

Inona no hataon'Andriamanitra amin'ny olona izay manandra-tena, ary amin'izay manetri-tena?

Hanetry izay manandra-tena Andriamanitra, ary hanandratra izay manetri-tena.

Matthew 23:13

Inona no anarana naverimberin'i Jesosy niantsoana ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay namaritra ny toetran'izy ireo?

Jesosy dia niantso ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hoe mpihatsaravelatsihy hatrany

Rehefa mampiova fo olona iray ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, zanak'iza io?

Rehefa mampiova fo olona iray ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, dia zanaky ny helo indroa avo henin'ny teo aloha izy.

Matthew 23:16

Manoloana ny fifatorana amin'ny voady, inona no nolazain'i Jesosy momba ireo fampianaran'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo?

Nambaran'i Jesosy fa mpitarika jamba sady jamba adala ireo mpanora-dalàna sy Fariseo.

Matthew 23:23

Na dia nandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina aza izy ireo, inona no tsy vitan'ireo Fariseo sy ny mpanora-dalàna?

Tsy nahavita nanao ny raharahan'ny lalàna mavesa-danja kokoa ireo mpanora-dalàna sy ny Fariseo _ dia ny rariny, ny indrafo, ary ny finoana.

Matthew 23:25

Inona no tsy vitan'ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ny nanadio azy?

Tsy vitan'ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ny nanadio ny anatin'ny kaopiny, mba hampadio ny eo ivelany ihany koa.

Matthew 23:27

Inona no nameno ny tao anatin'ireo Fariseo sy mpanora-dalàna?

Feno famoretana, fihoaram-pefy, fihatsarambelatsihy, ary fahotana ireo mpanora-dalàna sy ny Fariseo.

Matthew 23:29

Inona no nataon'ireo razan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo tamin'ireo mpaminanin'Andriamanitra?

Novonoin'ireo razan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ireo mpaminanin'Andriamanitra.

Matthew 23:32

Inona no fitsarana andeha hatrehan'ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

Hiatrika ny fitsaran'ny helo ireo mpanora-dalàna sy Fariseo.

Matthew 23:34

Inona hoy Jesosy no hataon'ireo Fariseo sy mpanora-dalàna amin'ireo mpaminany, ireo olon-kendry, ary ireo mpanora-dalàna izay hirahiny any amin'izy ireo?

Nambaran'i Jesosy fa hamono sy hanombo ny sasany izy ireo, ny sasany ho kapohiny, ary ataony haza-lambo isan-tanàna.

Vokatry ny toetran'izy ireo, inona no fahamelohana ho tonga amin'ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?

Ho meloka ny amin'ny ràn'ny marina latsaka tety an-tany ny mpanora-dalàna sy Fariseo.

Amin'ny taranaka iza no hisehoan'ireo zavatra ireo hoy Jesosy?

Nambaran'i Jesosy fa amin'ity taranaka ity no hisehoan'ireo zavatra ireo.

Matthew 23:37

Inona no nirian'i Jesosy ho an'ny zanak'i Jerosalema, ary nahoana izany no tsy tanteraka?

Naniry ny hanangona ny zanak'i Jerosalema ho iray Jesosy, saingy tsy nanaiky izy ireo.

Havela ho toy ny ahoana ny tranon'i Jerosalema ankehitriny?

Havela ho lao ny tranon'i Jerosalema.

Matthew 24

Matthew 24:1

Inona no naminanian'i Jesosy mahakasika an'i Jerosalema?

Naminany Jesosy fa tsy avela hisy vaton'ny tempoly hifampitaingina ka tsy ho ravana.

Matthew 24:3

Rehefa avy nandre ny faminaniana momban'ny tempoly, inona no nanontanian'ireo mpianatra tamin'i Jesosy?

Nanontany ny amin'ny fotoana hitrangan'ireo zavatra ireo tamin'i Jesosy ireo mpianatra, ary ny amin'ny famantarana ny fiaviany amin'ny fiafaran'izao tontolo izao.

Karazan'olona toy ny ahoana hoy Jesosy no hamily lalana ny maro?

Nambaran'i Jesosy fa maro no ho avy hilaza fa izy ireo no Kristy, hitarika ny maro hivily lalana.

Matthew 24:6

Inona no tranga nolazain'i Jesosy fa ho fiandohan'ny fanaintainan'ny fiterahana?

Nambaran'i Jesosy fa ady, mosary, ary horohoron-tany no ho fiandohan'ny fanaintainan'ny fiterahana.

Matthew 24:9

Inona hoy Jesosy no hitranga eo amin'ireo mpino amin'izany fotoana izany?

Nambaran'i Jesosy fa hiaritra fahoriana ireo mpino ary ny sasany dia ho lavo ary hifamadika.

Matthew 24:12

Iza no nambaran'i Jesosy fa ho vonjena?

Nambaran'i Jesosy fa izay maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena.

Inona no hitranga amin'ny filazantsara mialohan'ny fahatongavan'ny farany?

Ho toriana manerana izao tontolo izao ny filazantsara mialohan'ny fahatongavan'ny farany.

Matthew 24:15

Inona no nambaran'i Jesosy fa tokony hataon'ny mpino rehefa hitan'izy ireo mitsangana eo amin'ny fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana? (24:15)

Nolazain'i Jesosy fa tokony handositra any an-tendrombohitra ny mpino.

Matthew 24:19

Ho toy ny ahoana ny halehiben'ny fahoriana amin'izany andro izany?

Amin'izany andro izany, ho lehibe tokoa ny fahoriana, ho lehibe mihoatra izay rehetra talohan'ny fiandohan'izao tontolo izao.

Matthew 24:23

Amin'ny fomba ahoana no hamilian'ireo Kristy sandoka sy mpaminany sandoka lalana ny maro?

Hampiseho famantarana sy fahagagana lehibe ireo Kristy sandoka sy mpaminany sandoka mba hampivily lalana ny maro.

Matthew 24:26

Ho toy ny ahoana ny endriky ny fiavian'ny Zanak'Olona?

Ho tahaka ny varatra mitselatra avy any antsinanana mankany andrefana ny fiavian'ny Zanak'Olona.

Matthew 24:29

Inona no hitranga amin'ny masoandro, ny volana, sy ny kintana aorian'ny fahoriana amin'izany andro izany?

Hamaizinina ny masoandro sy ny volana, ary ny kintana hilatsaka avy any an-danitra.

Matthew 24:30

Inona no hataon'ireo foko eo amin'izao tontolo izao rehefa hitan'izy ireo tonga amin'ny hery sy voninahitra lehibe ny Zanak'Olona?

Hiteha-tratra ireo foko eto an-tany.

Inona no feo ho re amin'ny fotoana handefasan'ny Zanak'Olona ireo anjeliny mba hanangona ireo voafidy?

Hisy feon-trompetra mafy ho re rehefa manangona ireo voafidy ny anjely.

Matthew 24:34

Inona no nambaran'i Jesosy fa tsy lany ritra ambara-pisehon'ireo zavatra ireo?

Nambaran'i Jesosy fa tsy ho lany ritra ity taranaka ity ambara-pisehon'ireo zavatra rehetra ireo.

Inona hoy Jesosy no ho levona, ary inona no tsy mba ho levona mandrakizay?

Nambaran'i Jesosy fa ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniny kosa tsy mba ho levona mandrakizay.

Matthew 24:36

Iza no mahalala ny fotoana hisehoan'ireo tranga ireo?

Ny Ray ihany no mahalala ny fotoana hisehoan'ireo zavatra ireo.

Matthew 24:37

Ahoana no mampitovy ny fiavian'ny Zanak'Olona amin'ny andron'i Noa talohan'ny Safo-drano?

Hihinana sy hisotro ny olona, hanambady sy hamoaka ny ampakarina, amin'ny tsy fahafantarana na inona na inona momban'ny fiavian'ny fitsarana izay handringana azy ireo.

Matthew 24:40

Inona no toetra nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy hazonin'ireo mpino Azy manoloana ny fiaviany, ary nahoana?

Nambaran'i Jesosy fa tsy maintsy vonona hatrany ny mpino Azy, satria tsy fantatr'izy ireo ny andro hiavian'ny Tompo.

Matthew 24:45

Inona no ataon'ny mpanompo mahatoky sady hendry raha mbola lavitra ny tompony?

Mikarakara ny tokatranon'ny tompony ny mpanompo mahatoky sy hendry raha mbola lavitra ny tompony.

Inona no hataon'ny tompony ho an'ilay mpanompo mahatoky sady hendry rehefa miverina izy?

Rehefa miverina, dia hametraka ny zava-drehetra izay hananany amin'ilay mpanompo mahatoky sy hendry ny tompony.

Matthew 24:48

Inona no ataon'ny mpanompo ratsy fanahy raha mbola lavitra ny tompony?

Mikapoka ny mpanompo namany ary mihinana sy misotro miaraka amin'nireo mpimamo ny mpanompo ratsy fanahy rehefa lavitra ny tompony.

Inona no hataon'ny tompony ho an'ilay mpanompo rasty fanahy rehefa miverina izy?

Rehefa miverina, dia hikapakapa izany mpanompo ratsy fanahy izany ary handefa azy any amin'izay misy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify ny tompony.

Matthew 25

Matthew 25:1

Inona no tsy nataon'ireo virijiny adala rehefa nandeha nihaona tamin'ny mpampakatra?

Ireo virijiny adala dia tsy nitondra solika fitaiza niaraka tamin'ny jiron'izy ireo.

Inona no nataon'ireo virijiny hendry rehefa nandeha nihaona tamin'ny mpampakatra?

Ireo virijiny hendry dia nitondra fitoeran-tsolika niaraka tamin'izy ireo.

Matthew 25:5

Oviana no tonga ny mpampakatra, tamin'ny fotoana nandrasana ve izany?

Tonga tamin'ny sasak'alina ny mpampakatra, izay taraiky kokoa mihoatra ny fotoana nandrasana.

Matthew 25:10

Inona no nitranga tamin'ireo virijiny hendry rehefa tonga ny mpampakatra?

Nandeha niaraka tamin'ny mpampakatra nankany amin'ny lanonam-pampakarana ireo virijiny hendry.

Inona no nitranga tamin'ireo virijiny adala rehefa tonga ny mpampakatra?

Tsy maintsy nandeha nividy solika ireo virijiny adala, ary rehefa niverina izy ireo dia nihidy tamin'izy ireo ny varavarana nankao amin'ny fanasana.

Inona hoy Jesosy no tiany hianaran'ireo mpino avy amin'ilay fanoharana momba ireo virijiny?

Nambaran'i Jesosy fa tokony hiambina ny mpino, fa tsy fantatr'izy ireo ny andro na ny ora.

Matthew 25:14

Inona no nataon'ireo mpanompo nanana talenta dimy sy roa tamin'ny talentany rehefa nandeha nanao ny diany ny mpanompon'izy ireo?

Nahazo talenta dimy hafa ilay nanana talenta dimy, ary nahazo roa ilay nanana talenta roa.

Matthew 25:17

Inona no nataon'ilay mpanompo nanana talenta iray tamin'ny talentany rehefa nandeha nanao ny diany ny mpanompony?

Nihady lavaka ilay mpanompo nanana talenta iray ka nanafina ny volan'ny tompony.

Matthew 25:19

Hafiriana no nandehanan'ilay tompo tany amin'ny diany?

Nandeha lavitra nandritry ny fotoana ela ilay tompo.

Rehefa niverina izy, inona no nataon'ilay tompo tamin'ireo mpanompo nomena talenta dimy sy roa?

Hoy ilay tompo hoe: "Tsara, ry mpanompo tsara sy mahatoky!" ka notendreny hiandraikitra zavatra maro izy ireo.

Matthew 25:26

Rehefa niverina izy, inona no nataon'ilay tompo tamin'ilay mpanompo nomena talenta iray?

Hoy ilay tompo hoe: "Ianao ry mpanompo ratsy fanahy sady kamo," dia nalainy taminy ilay talenta iray, ary natsipiny tany amin'ny haizina tany ivelany izy.

Matthew 25:31

Inona no hataon'ny Zanak'Olona rehefa tonga Izy ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny?

Hanangona ny firenena rehetra ny Zanak'Olona ary hanavaka ny vahoaka iray amin'ny hafa.

Matthew 25:34

Inona no ho raisin'ireo izay eo an-tanana ankavanan'ny Mpanjaka?

Handray ny fanjakana izay nomanina ho azy ireo hatramin'ny fanorenana izao tontolo izao ireo izay eo an-tanana ankavanan'ny Mpanjaka.

Inona no nataon'ireo izay eo an-tanana ankavanan'ny Mpanjaka tamin'ny fahavelon'izy ireo?

Nanome sakafo ho an'ireo noana, rano ho an'ireo nangetaheta, nampiantrano vahiny, nampitafy ireo nitanjaka, nikarakara ireo marary, ary namangy ireo voafonja ireo izay eo an-tanana ankavanan'ny Mpanjaka.

Matthew 25:41

Handray inona ireo izay eo an-tanana ankavian'ny Mpanjaka?

Handray ny afo mandrakizay izay nomanina ho an'ny devoly sy ny anjeliny ireo izay eo an-tanana ankavian'ny Mpanjaka.

Inona no nataon'ireo izay eo an-tanana ankavian'ny Mpanjaka tamin'ny fahavelon'izy ireo?

Tsy mba nanome sakafo ho an'ireo noana, rano ho an'ireo nangetaheta, nampiantrano vahiny, nampitafy ireo nitanjaka, nikarakara ireo marary, ary namangy ireo voafonja ireo izay eo an-tanana ankavian'ny Mpanjaka.

Matthew 26

Matthew 26:1

Firavoravoana Jiosy inona no nolazain'i Jesosy fa ho avy afaka roa andro?

Nambaran'i Jesosy fa ho avy afaka roa andro ny Paska.

Matthew 26:3

Inona no nokonokononin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao amin'ny lapan'ny lohan'ny mpisorona?

Nikonokonona ny hisambotra an'i Jesosy moramora izy ireo ary hamono Azy.

Inona no natahoran'ireo lohan'ny mpisorona sy ny loholona?

Natahotra izy ireo fa mety hikomy ny vahoaka raha mamono an'i Jesosy mandritra ny firavoravoana izy ireo.

Matthew 26:6

Inona no fihetsika nasetrin'ireo mpianatra rehefa nandraraka menaka lafo vidy teo amin'ny lohan'i Jesosy ilay vehivavy?

Tezitra ireo mpianatra ary te-hahafantatra ny antony tsy nivarotana ilay menaka ka nanomezana ny vola ho an'ny mahantra.

Matthew 26:12

Nahoana hoy Jesosy no nandraraka ilay menaka teo Aminy ilay vehivavy?

Nambaran'i Jesosy fa nandraraka ilay menaka teo Aminy ilay vehivavy mba ho amin'ny fandevenana Azy.

Matthew 26:14

Nokaramaina inona Jodasy Iskariota mba hanolorany an'i Jesosy eo an-tanan'ireo lohan'ny mpisorona?

Nokaramaina volafotsy madinika telopolo Jodasy mba hanolorany an'i Jesosy eo an-tanan'ireo lohan'ny mpisorona.

Matthew 26:20

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny iray tamin'ireo mpianany teo am-pisakafoana hariva?

Nambaran'i Jesosy fa hamadika Azy ny iray tamin'ireo mpianany.

Matthew 26:23

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny ho avin'ilay iray izay hamadika Azy?

Nambaran'i Jesosy fa tsara ho an'izany lehilahy hamadika Azy izany raha tsy mba teraka izy.

Ahoana no navalin'i Jesosy rehefa nanontany taminy Jodasy raha izy ilay iray izay hamadika Azy?

Namaly Jesosy hoe: "Voalazanao."

Matthew 26:26

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nandray ny mofo, nanamasina, nanapaka ary nanolotra izany ho an'ireo mpianatra?

Hoy Jesosy: "Raiso, hano. Ity no Tenako."

Matthew 26:27

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny kapoaka izay natolony ho an'ireo mpianatra?

Nambaran'i Jesosy fa ny kapoaka dia ràn'ny fanekeny izay halatsaka ho an'ny maro ho famelana ny fahotana.

Matthew 26:30

Teo an-Tendrombohitr'Oliva, inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianatra fa ho ataon'izy rehetra amin'izany alina izany?

Nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany fa handao Azy avokoa izy ireo amin'izany alina izany.

Matthew 26:33

Rehafa niteny Petera fa tsy mba handao Azy mandrakizay, inona no nolazain'i Jesosy fa hataony amin'izany alina izany?

Nambaran'i Jesosy fa handà an'i Jesosy intelo Petera mialohan'ny hanenoan'ny akoho.

Matthew 26:36

Inona no nangatahin'i Jesosy mba hataon'i Petera sy ireo Zanak'i Zebedio raha mbola nivavaka Izy?

Nangataka azy ireo mba hijanona teo ary hiara-hiambina taminy Jesosy.

Matthew 26:39

Inona no fangatahana nataon'i Jesosy tamin'ny Rainy tao amin'ny vavaka nataony?

Nangataka ny hanesorana aminy io kapoaka io Jesosy, raha azo atao?

Inona no nataon'ireo mpianatra rehefa niverina avy nivavaka Jesosy?

Natory ireo mpianatra rehefa niverina avy nivavaka Jesosy.

Matthew 26:42

Inona no nivavahan'i Jesosy mba hatao, tsy am-pijerena ny sitrapon'i Jesosy manokana?

Nivavaka Jesosy mba hatao ny sitrapon'ny Ray, na inona na inona sitrapon'i Jesosy manokana.

Matthew 26:47

Inona no famantarana nomen'i Jodasy tamin'ireo vahoaka mba hampahafantarana fa Jesosy ilay iray izay tokony ho samborina?

Nanoroka an'i Jesosy i Jodasy mba ho famantarana ho an'ny vahoaka fa Jesosy ilay iray izay tokony ho samborina.

Matthew 26:51

Inona no nataon'ireo mpianatr'i Jesosy rehefa nosamborina Jesosy?

Namoaka sabatra ny iray tamin'ny mpianatr'i Jesosy ary nanapaka ny sofin'ny mpanompon'ny mpisoronabe.

Inona no nolazain'i Jesosy fa afaka nataony raha naniry ny hiaro ny tenany Izy?

Nambaran'i Jesosy fa afaka niantso ny Ray Izy, izay afaka nandefa tafik'anjely roa ambin'ny folo.

Inona no nambaran'i Jesosy fa tanterak'ireo tranga ireo?

Nambaran'i Jesosy fa tanteraka tamin'ireo tranga ireo ny Soratra Masina.

Matthew 26:55

Inona indray no nataon'ireo mpianatra rehetra?

Nandao Azy ireo mpianatra rehetra ary vaky nandositra.

Matthew 26:59

Inona no notadiavin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra mba afahana mamono an'i Jesosy?

Nitady vavolombelona sandoka nanohitra an'i Jesosy izy ireo mba hamonona Azy.

Matthew 26:62

Inona no didy nomen'ny mpisoronabe an'i Jesosy?

Nandidy an'i Jesosy ny mpisoronabe mba hilaza amin'izy ireo raha Izy no Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra, na tsia.

Inona no navalin'i Jesosy ny didin'ny mpisoronabe?

Hoy Jesosy hoe: "Voalazanao."

Inona no nambaran'i Jesosy fa ho hitan'ny mpisoronabe?

Nambaran'i Jesosy fa hahita ny Zanak'Olona mipetraka eo an-tanana ankavanan'ny Hery ary tonga eny amin'ny rahon'ny lanitra ny mpisoronabe.

Matthew 26:65

Inona no fiampangana nomen'ny mpisoronabe hanohitra an'i Jesosy?

Nampangain'ny mpisoronabe ho nanao blasfemia Jesosy.

Matthew 26:67

Inona no nataon'izy ireo tamin'i Jesosy rehefa avy niampanga Azy?

Nandrora ny tavan'i Jesosy izy ireo, nikapoka Azy, ary namely Azy tamin'ny felan-tanan'izy ireo.

Matthew 26:73

Inona no navalin'i Petera tamin'ny nanontanian'ny olona azy intelo raha nahafantatra an'i Jesosy?

Namaly Petera fa tsy nahafantatra an'i Jesosy.

Inona no niseho vantany vao namaly fanintelony Petera?

Raha vao namaly fanintelony Petera dia nisy akoho naneno.

Inona no tsaroan'i Petera taorian'ny valin-teniny fahatelo?

Tsaroan'i Petera ilay Jesosy niteny fa alohan'ny hanenoan'ny akoho, dia handà an'i Jesosy intelo izy.

Matthew 27

Matthew 27:1

Ny maraina, taiza no nakan'ireo lohan'ny mpisorona sy ny loholona an'i Jesosy?

Ny maraina dia nalain'izy ireo tany amin'ny governora Pilato Izy.

Matthew 27:3

Inona no nataon'i Jodasy Iskariota rehefa nahita fa voaheloka Jesosy.

Nibebaka nohon'ny famadihany rà marina Jodasy, namerina ireo volafotsy, nandeha nivoaka, ary nananton-tena.

Matthew 27:6

Nataon'ireo lohan'ny mpisorona inona ireo volafotsy madinika telopolo?

Nividianan'izy ireo ilay Sahan'ny Mpanao vilany handevenana ireo vahiny izany.

Matthew 27:9

Faminanin'iza no tanterak'ireo tranga ireo?

Ireo tranga ireo no nanatanteraka ny faminanian'i Jeremia.

Matthew 27:11

Inona no fanontaniana napetrak'i Pilato tamin'i Jesosy, ary inona no navalin'i Jesosy?

Nanontany tamin'i Jesosy i Pilato raha Izy no Mpanjakan'ny Jiosy, ary namaly Jesosy hoe: "Voalazanao."

Inona no navalin'i Jesosy ny fiampangan'ireo lohan'ny mpisorona sy ny loholona rehetra?

Tsy namaly na dia teny iray aza Jesosy.

Matthew 27:15

Inona no nirian'i Pilato hatao ho an'i Jesosy, araka ny fombafomba amin'ny firavoravoan'ny Paska?

Naniry ny hamotsotra an'i Jesosy i Pilato, araka ny fombafomba amin'ny firavoravoana.

Matthew 27:17

Inona no hafatra nalefan'ny vadin'i Pilato taminy raha mbola nipetraka teo amin'ny seza fitsarana izy?

Niteny tamin'i Pilato izy mba tsy hanana raharaha amin'io olo-marina io.

Matthew 27:20

Nahoana no Barabasy, fa tsy Jesosy no navotsotra araka ny fomba amin'ny firavoravoana?

Nandresy lahatra an'ireo vahoaka ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona mba hangataka ny hamotsorana an'i Barabasy fa tsy Jesosy.

Inona no notabatabain'ny vahoaka mba hatao amin'i Jesosy?

Nihiakiaka mafy ny vahoaka fa tian'izy ireo homboana Jesosy.

Matthew 27:23

Rehefa hitan'i Pilato fa nanomboka nisy fikomiana, inona no nataony?

Nanasa ny tanany Pilato, nilaza fa tsy meloka ny amin'ny ràn'io tsy manan-tsiny io, ary nanolotra an'i Jesosy ho an'ny vahoaka.

Matthew 27:25

Inona no nolazain'ny vahoaka rehefa natolotr'i Pilato tamin'izy ireo Jesosy?

Hoy ny vahoaka hoe: "Ho aminay sy ny taranakay anie ny ràny."

Matthew 27:27

Inona no napetrak'ireo miaramilan'ny governora tamin'i Jesosy?

Nampanaovin'izy ireo lamba jaky Izy ary nasiany fehiloha tsilo teo amin'ny lohany.

Matthew 27:32

Inona no noterena hataon'i Simona avy any Syrena?

Noterana hilanja ny hazofijalian'i Jesosy i Simona.

Taiza no nalehan'izy ireo mba hanomboana an'i Jesosy?

Nandeha tany Golgota izy ireo, izay midika hoe "Toeran'ny Karandoha."

Matthew 27:35

Inona no nataon'ireo miaramila rehefa avy nanombo an'i Jesosy?

Nanao hankitsapaka izy ireo mba hizarana ny lamban'i Jesosy ary dia nipetraka sady nitazana Azy.

Inona no soratra napetrak'izy ireo teo ambonin'ny lohan'i Jesosy?

Nosoratan'izy ireo hoe: "ITY NO JESOSY MPANJAKAN'NY JIOSY."

Matthew 27:38

Iza no niara-nomboana tamin'i Jesosy?

Nisy jiolahy roa nomboana niaraka tamin'i Jesosy, ny iray teo ankavanany ary ny iray teo ankaviany.

Matthew 27:41

Inona no nihantsian'ireo vahoaka, ireo lohan'ny mpisorona, ary ireo loholona an'i Jesosy mba hataony?

Nihantsy an'i Jesosy mba hamonjy ny tenany sy hidina avy teo amin'ny hazofijaliana izy ireo.

Matthew 27:45

Inona no nitranga nanomboka tamin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy?

Tonga nanarona ny tany manontolo ny haizina nanomboka tamin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy.

Inona no nihiakan'i Jesosy tamin'ny ora fahasivy?

Nihiaka Jesosy hoe: "Andriamanitro o, nahoana Ianao no nahafoy Ahy?".

Matthew 27:48

Inona no nitranga rehefa avy nihiaka tamini'ny feo mafy indray Jesosy?

Nanolotra ny fanahiny Jesosy.

Matthew 27:51

Inona no nitranga tao an-tempoly taorian'ny nahafatesan'i Jesosy?

Nizara roa avy eny ambony ka hatreny ambany ny lamba tao an-tempoly taorian'ny nahafatesan'i Jesosy.

Inona no niseho tany am-pasana taorian'ny nahafatesan'i Jesosy?

Olo-masina maro izay resin-tory no nitsangana ary niseho tamin'ny maro taorian'ny nahafatesan'i Jesosy.

Matthew 27:54

Teo am-pahiatana ireo tranga ireo, inona no fijoroana vavolombelon'ilay kapiteny?

Niaiky ilay kapiteny hoe: "Zanak'Andriamanitra tokoa ity lehilahy ity."

Matthew 27:57

Taorian'ny nanomboana an'i Jesosy, inona no nahazo ny fatin'i Kristy?

Nisy mpianatr'i Jesosy nana-karena izay, atao hoe Josefa, nangataka ny fatin'i Jesosy tany amin'i Pilato, namono izany tamin'ny lamba rongony, ary nametraka izany tany amin'ny fasany vaovao.

Matthew 27:59

Inona no napetraka teo amin'ny varavaram-pasana izay nisy ny fatin'i Jesosy?

Nasiana vato lehibe nanakana ny varavaram-pasana izay nametrahana ny fatin'i Jesosy.

Matthew 27:62

Nahoana ireo lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo no nivory niaraka tamin'i Pilato ny ampitson'io?

Te-hahazo antoka ireo lohan'ny mmpisorona sy Fariseo fa voaaro ny fasan'i Jesosy mba tsy hisy hangalatra ny faty.

Matthew 27:65

Inona no nanomezan'i Pilato alalana ho ataon'izy ireo tany am-pasana?

Nanome alalana azy ireo mba hanisy fitomboka ny vato ary hametraka mpiambina eo am-pasana Pilato.

Matthew 28

Matthew 28:1

Andro inona sy fotoana inona no nandehanan'i Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa tany amin'ny fasan'i Jesosy?

Vao mangiran-dratsy tamin'ny andro voalohan'ny herinandro no nandeha tany amin'ny fasan'i Jesosy izy ireo.

Ahoana no fomba nampikodia ilay vato hiala teo amin'ny fasan'i Jesosy?

Nisy anjelin'ny Tompo nidina ary nanakodia ilay vato.

Matthew 28:3

Inona no nataon'ireo mpiambiana rehefa nahita ilay anjely?

Nihovitrovitry ny tahotra ireo mpiambina ka nanjary toy ny maty rehefa nahita ilay anjely.

Matthew 28:5

Inona no nambaran'ilay anjely tamin'ireo vehivavy roa momban'i Jesosy?

Nambaran'ilay anjely fa efa nitsangana Jesosy ary nandeha nialoha lalana azy ireo nankany Galilia.

Matthew 28:8

Inona no nanjo ireo vehivavy roa teny an-dalana handeha hitantara tamin'ireo mpianatra?

Nifanena tamin'i Jesosy ireo vehivavy, ary nikasika ny tongony ka nihoby Azy.

Matthew 28:11

Rehefa nitantara tamin'ireo lohan'ny mpisorona izay niseho tany am-pasana ireo mpiambina, inona no nataon'ny lohan'ny mpisorona?

Nokaramain'ireo lohan'ny mpisorona vola be ireo miaramila ary nasain'izy ireo nilaza fa nangalarin'ny mpianatr'i Jesosy ny fatiny.

Matthew 28:16

Inona no nataon'ireo mpianatra rehefa nahita an'i Jesosy tany Galilia?

Nihoby an'i Jesosy ireo mpianatra, saingy nisalasala kosa ny sasany.

Matthew 28:18

Inona no fahefana nambaran'i Jesosy fa efa nomena Azy?

Nambaran'i Jesosy fa nomena Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Inona no nodidian'i Jesosy hataon'ireo mpianatra?

Nandidy ireo mpianatra mba handeha ka hanao mpianatra, ary hanao batisa azy ireo Jesosy.

Amin'ny anaran'iza no nasain'i Jesosy nanaovan'ireo mpianatra batisa?

Nasain'i Jesosy nanao batisa amin'ny anaran'ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina ireo mpianatra.

Matthew 28:20

Inona no nandidian'i Jesosy mba hampianarin'ireo mpianatra?

Nandidy ireo mpianany Jesosy mba hampianatra ireo firenena hitandrina ny zavatra rehetra izay nandidiany.

Inona no fampanantenana farany nomen'i Jesosy ireo mpianany?

Nampanantena ny hiaraka amin'izy ireo, eny na hatramin'ny fiafaran'izao tontolo aza Jesosy.