Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 John 1

2 John 1:1

Inona ny fiantsoana ampidiran'i Jaona ny tenany ao amin'ity taratasy ity?

Nampiditra ny tenany ho toy ny loholona izy.

Ho an'iza no nanoratana ity taratasy ity?

Ny taratasy dia nosoratana tamin'ireo vehivavy voafidy sy ireo zanany.

Ho an'iza no nilazan'i Jaona, fahasoavana, famindram-po, ary fiadanana ho tonga?

Nilaza fahasoavana, famindram-po, sy fiadanana tonga avy amin'Andriamanitra ilay Ray sy avy amin'i Jesosy Kristy Zanany i Jaona.

2 John 1:4

Nahoana i Jaona no faly?

Faly i Jaona satria nahita ny zanak'ireo vehivavy sasantsasany izy mandeha amin'ny fahamarinana.

Inona no didy no nolazain'i Jaona fa nananan'izy ireo hatramin'ny fiandohana?

Nilaza i Jaona fa nanana ny didy mba hitia ny tsirairay hatramin'ny fiandohana izy ireo.

Inona no nolazain'i Jaona fa fitiavana?

Nilaza i Jaona fa ny fitiavana dia ny fanarahana ny didin'Andriamanitra.

2 John 1:7

Inona no hiantson' i Jaona ireo izay tsy mibebaka fa i Jesosy Kristy dia ho avy ara-nofo?

Nantsoin'i Jaona ho mpamitaka sy antiKristy ireo izay tsy mibebaka fa i Jesosy Kristy dia ho avy ara-nofo.

Inona no nolazain'i Jaona fa tokony hotandremana tsy hataon'ireo mpino?

Nilaza an'ireo mpino i Jaona hitandrina mba tsy hahavery ireo zavatra izay efa vitan'izy ireo rehetra.

2 John 1:9

Inona no nolazain'i Jaona fa tokony hataon'ireo mpino amin'ny olona izay tsy mitondra ny fampianarana marina momban'i Kristy?

Nilaza ireo mpino i Jaona mba tsy handray na iza na iza izay tsy mitondra ny fampianarana marina momban'i Kristy.

Inona no hilazana ny mpino fa meloka raha mandray olona tsy mitondra ny fampianarana momba ny Kristy?

Ny mpino dia meloka amin'ny fandraisana anjara amin'ny asa ratsin'ilay iray izay tsy mitondra ny fahamarinana momban'i Kristy.

2 John 1:12

Inona no hirin'i Jaona hatao any aoriana any?

I Jaona dia naniry ny hiresaka mivantana amin'ireo rahavavy voafidy.