Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 Thessalonians 1

2 Thessalonians 1:3

Zavatra roa inona ao amin'ny fiangonana any Tesaloniana no nanomezan'i Paoly fisaorana an'Andriamanitra?

Manome fisaorana an'Andriamanitra i Paoly noho ny fitomboan'ny finoan'izy ireo sy ny fitiavany eo amin'ny tsirairay.

Inona no toe-javatra nisy niaretan'ireo mpino tany Tesaloniana?

Niaritra fanenjehana sy fitsarana ireo mpino.

Inona no vokatra tsara amin'ny toe-javatra izay hiainan'ireo Mpino?

Horaisina ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra ireo mpino.

2 Thessalonians 1:6

Inona no ataon'Andriamanitra an'ireo izay mitsara ireo mpino?

Hotsarain'Andriamanitra ireo izay mitsara ny mpino, saziana amin'ny afo miredareda izy ireo.

Rahoviana no ho voavonjy amin'ny fitsarana ireo mpino?

Ireo mpino dia ho voavonjy rehefa voavonjy amin'ny lanitra i Jesosy Kristy

2 Thessalonians 1:9

Haharitra hafiriana ny fanasaziana an'ireo izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra?

Ho mandrakizay ny fanasaziana ireo izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra.

Avy amin'ny inona ireo izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra no nosarahana amin'ny ampahan'ny saziny?

Ireo izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra dia sarahana amin'ny fanatrehana ny Tompo amin'ny ampahan'ny fanasaziana.

Inona no ataon'ireo mpino rehefa tonga amin'izany andro izany i Kristy?

Higagan'ireo mpino i Kristy rehefa tonga amin'izany andro izany.

2 Thessalonians 1:11

Inona no vokatrin'ny asa tsaran'ireo mpino amin'ny finoana vita amin'ny herin'Andriamanitra?

Ny vokatrin'ny asa tsaran'izy ireo dia ny fanomezam-boninahitra ny anaran'ny Tompo Jesosy Kristy

2 Thessalonians 2

2 Thessalonians 2:1

Zava-nisy momba ny inona no nolazain'i Paoly fa hosoratany ankehitriny?

Nilaza i Paoly fa hanoratra momban'ny fahatongavan'ny Tompo Jesosy Kristy izy.

Inona no nolazain'i Paoly azy ireo fa tsy tokony hinoany?

Nilaza azy ireo i Paoly tsy hino fa ny andron'ny Tompo dia efa tonga.

2 Thessalonians 2:3

Inona no nolazain'i Paoly fa tokony ho tonga alohan'ny andron'ny Tompo?

Ny fianjerana sy ny fampahafantarana ny olona mpandika lalàna no tonga alohan'ny andron'ny Tompo.

Inona no ataon'ilay olon'ny mpandika lalàna?

Manohitra sy manandratra ny tenany eo anatrehan'Andriamanitra ilay olona mpandika lalàna, mipetraka ao amin'ny tempolin'Andriamanitra ary mampiseho ny tenany ho toy ny Andriamanitra.

2 Thessalonians 2:5

Rahoviana ny olona mpandika lalàna no haseho?

Haseho ny olona mpandika lalàna rehefa tonga ny fotoana, rehefa nasorina teo amin'ny ilay iray iray izay mitana azy.

2 Thessalonians 2:8

Inona no ataon'i Jesosy amin'ilay olona mpandika lalàna rehefa haseho i Jesosy?

Rehefa haseho i Jesosy, dia hamono ilay olona mpandika lalàna izy.

Iza no miara miasa amin'ilay olona mpandika lalàna ka manome azy ny hery, ireo famantarana, ary fahagagana tsy marina?

Miara-miasa amin'i Satana ilay olona mpandika lalàna mba hanome azy ny hery, ireo famantarana, ary fahagagana tsy marina.

Nahoana no voafitak'ilay olona mpandika lalàna ny sasany ary very?

Voafitaka ny sasany satria tsy nahazo ny fitiavana ny fahamarinana izay mety hahavonjy azy ireo izy ireo.

2 Thessalonians 2:11

Avy amin'ny inona ireo izay voafitaka sy very no maka fahafinaretana?

Maka fahafinaretana amin'ny tsy fahamarinana ireo izay voafitaka sy very.

2 Thessalonians 2:13

Inona no nosafidin'Andriamanitra ho an'ireo Tesaloniana mba hahazahoana amin'ny alalan'ny filazantsara?

Nifidy ho an'ny Tesaloniana Andriamanitra mba hahazahoana ny voninahitry ny Tompo Jesosy Kristy amin'ny alalan'ny filazantsara.

Inona no niantson'i Paoly an'ireo Tesaloniana fa hatao ankehitriny fa nandray ny filazantsara izy ireo?

Niantso ireo Tesaloniana i Paoly mba hijoro mafy ary hihazona fahamarinana izay nampianarina azy ireo.

2 Thessalonians 2:16

Inona no nirian'i Paoly hiorina tao am-pon'ireo Tesaloniana?

Naniry i Paoly mba hiorina amin'ny asa sy teny tsara ireo Tesaloniana.

2 Thessalonians 3

2 Thessalonians 3:1

Ho amin'ny inona no nirian'i Paoly hivavahan'ireo Tesaloniana momba ny tenin'ny Tompo?

Tian'i Paoly hivavaka ireo Tesaloniana mba hanaparitahana faingana ny teny sy ny voninahitry ny Tompo.

Amin'iza i Paoly no maniry ho afaka?

Naniry ny ho afaka amin'ny ratsy fanahy sy olon-dratsy izay tsy manam-pinoana i Paoly.

2 Thessalonians 3:4

Inona no nolazain'i Paoly tamin'ireo Tesaloniana fa tokony ho tohizana?

Nilaza tamin'ireo Tesaloniana i Paoly mba hanohy ireo zavatra izay nandidiany azy ireo.

2 Thessalonians 3:6

Inona no ataon'ireo mpino miaraka amin'ny ireo rahalahy rehetra izay miaina ao anatin'ny hakamoana?

Tokony miala amin'ireo rahalahy rehetra miaina ao amin'ny hakamoana ireo mpino.

Inona no ohatra nataon'i Paoly tamin'ireo Tesaloniana momba ny asany sy ny fanohanany?

Miasa andro aman'alina i Paoly, miantoka ny sakafony, ary tsy ho enta-mavesatra amin'iza na iza.

2 Thessalonians 3:10

Inona no nataon'i Paoly tamin''ireo izay tsy te hiasa?

Nilaza i Paoly fa tsy tokony misakafo ireo izay tsy miasa.

Raha tokony ho kamo, dia inona no nasain'i Paoly hataon'ny olona toy izany?

Nandidy ireo olona i Paoly mba hiasa am-pahanginana ary hihinana ny sakafon'izy ireo manokana.

2 Thessalonians 3:13

Inona no nataon'ireo rahalahy tamin'ireo izay tsy nankato ny torolalan'i Paoly tao amin'ny taratasy?

Tsy tokony hanana fikambanana miaraka amin'ireo izay tsy mankato ny torolalan'i Paoly ao amin'ny taratasy ireo rahalahy.

2 Thessalonians 3:16

Inona no nirian'i Paoly fa homen'ny Tompo an'ireo Tesaloniana?

I Paoly dia naniry ny Tompo hanome fiadanana an'ireo Tesalonianina amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny fomba rehetra.

Ahoana ny fomba nampisehoan'i Paoly fa izy no nanoratra ity boky Ity?

Nanoratra ny fanaovam-beloma tamin'ny tanany manokana i Paoly toy ny famantarana fa izy no nanoratra ny boky.