Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Psalms 1

Psalms 1:1

Aiza no tsy alehan'ny olona sambatra?

Tsy mandeha amin'ny torohevitry ny ratsy fanahy izy.

Aiza no tsy ijoroan'ny olona sambatra?

Tsy mijoro eo amin'ny lalana miaraka amin'ny mpanota izy.

Aiza no tsy itoeran'ny olona sambatra?

Tsy mipetraka ao amin'ny fiangonan'ny mpaneso izy.

Ao amin'ny inona no ankasitrahan'ny olona sambatra?

Ao amin'ny lalàn'i Yaveh no sitrany.

Isaky ny inona no misaintsaina ny lalàna ny olona sambatra?

Andro aman'alina no hisaintsainany izany.

Psalms 1:3

Tahaka ny ahoana ny olona sambatra?

Tahaka ny hazo nambolena teo akaikin'ny rano mandeha izy.

Inona no hitranga amin'izay rehetra ataon'ny olona sambatra?

Ho ambinina izy amin'izay rehetra ataony.

Psalms 1:4

Tahaka ny inona ny olona ratsy fanahy?

Tahaka ny akofa entin-drivotra izy ireo.

Inona no hitranga amin'ny olona ratsy fanahy ao amin'ny fitsarana?

Tsy hitsangana eo amin'ny fitsarana izy ireo.

Psalms 1:6

Iza no mankatoa ny lalan'ny marina?

Yaveh no manaiky ny lalan'ny marina.

Inona no hitranga amin'ny lalan'ny ratsy fanahy?

Ho levona ny lalan'ny ratsy fanahy.

Psalms 2

Psalms 2:1

Iza no anaovan'ireo mpitarika teti-dratsy"

Miteti-dratsy hanoherana an'i Yaveh izy ireo ary manohitra ny Mesiany.

Inona no tian'ireo mpitarika hoviraviraina sy hariana"

Te hamiravira ny rojovy napetrak'i Yaveh sy ny Mesiany izy ireo ka hanala ireo rojony.

Psalms 2:4

Iza no mipetraka any an-danitra ka maneso ireo firenena izay mikomy?

Ny Tompo no maneso azy ireo.

Psalms 2:6

Iza no ilay nosoran'ny Tompo?

Ny Tompo nanosotra ny mpanjakany tany Ziona, dia ilay tendrombohiny masina.

Inona no didy nomen'i Yaveh ny mpanoratra?

Hoy Yaveh hoe: "Zanako ianao! Amin'izao andro izao dia tonga rainao Aho."

Psalms 2:8

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo firenena sy ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany?

Yaveh hanome azy ireo ho lova sy fananana.

Inona no hitranga amin'ireo firenena?

Ho vaky izy ireo ary ho potipotika.

Psalms 2:10

Ahoana no fomba tokony hamalian'ireo mpanjaka sy mpanapaka ho an'ny didin'i Yaveh?

Tokony hanompo an'i Yaveh amin-tahotra izy ireo ary hifalia amim-pangovitana

Psalms 2:12

Nahoana ireo mpanjaka no tokony haneho fankatoavana amin'ny zanaka lahin'i Yaveh?

Tokony maneho fankatoavana izy ireo mba tsy hahatezitra azy ary tsy hofaty izy ireo.

Inona no mitranga amin'izay rehetra mialoka ao amin'ny zanaka lahy?

Sambatra izy ireo.

Psalms 3

Psalms 3:1

Inona no nataon'ireo fahavalony tamin'i Davida?

Nania izy ireo ka namely azy.

Psalms 3:3

Ampitahain'i Davida amin'inona i Yaveh?

Yaveh no ampinga manodidina azy, voninahitra ho azy, ary Ilay mampitraka ny lohany.

Inona no ataon'i Yaveh raha manandram-peo aminy i Davida?

Mamaly avy any amin'ny havoany masina Izy.

Psalms 3:5

Iza no tsy atahoran'i Davida satria eo ny fiarovan'Andriamanitra?

Tsy hatahotra ny olona izay nampanohitra ny tenan'izy ireo tamin'i Davida izy.

Psalms 3:7

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalon'i Davida?

Hamely ireo fahavalony rehetra eo amin'ny valanoranony Izy; hamaky ny nifin'ny ratsy fanahy Izy.

Avy amin'iza no ipoiran'ny famonjena?

Avy amin'i Yaveh ny famonjena.

Psalms 4

Psalms 4:1

Iza no angatahan'i Davida mba hamaly rehefa miantso Izy?

Mivavaka ho an'Andriamanitry ny fahamarinany i Davida mba hamaly azy rehefa miantso izy.

Psalms 4:2

Inona no ataon'ny vahoaka amin'ny voninahitr'i Davida?

Avadik'izy ireo ho henatra ny voninahiny.

Iza no atokan'i Yaveh?

Atokany ho Azy ireo masina.

Psalms 4:4

Ahoana no ilazan'i Davida mba fisaintsainana?

Hoy izy: "Saintsaino ao am-ponareo eo am-pandriana ary aoka hangina."

Sorona tahaka ny inona no lazain'i Davida fa hatolotra?

Izy miteny mba hanatitra ny soron'ny fahamarinana.

Amin'iza no lazain'i Davida fa hitokiana?

Izy miteny ny mba hitokiana amin'i Yaveh.

Psalms 4:6

Inona no holazain'ny maro?

Maro no miteny hoe: "Iza no mba hampiseho anay zava-tsoa?"

Inona no angatahan'i Davida mba hasandratr'i Yaveh?

Mangataka amin'i Yaveh izy mba hanandratana ny fahazavan'ny tavany amin'izy ireo.

Inona no nomen'i Yaveh ny fon'i Davida?

Yaveh nanome fifaliana ny fony mihoatra ny an'ny hafa rehefa mitobaka ny vary sy divay vaovaon'izy ireo.

Iza no mampahazo antoka sy miaro an'i Davida raha mandry amin'ny torimaso milamina izy?

Yaveh irery ihany no mampahazo antoka sy miaro an'i Davida.

Psalms 5

Psalms 5:1

Iza no angatahan'i Davida mba hihaino ny antsony sy hihevitra ny amin'ireo sentoko

Davida mangataka amin'i Yaveh hihaino ny antsony sy hihevitra ireo sentony.

Inona no anarana ampiasain'i Davida ho an'Ilay mihaino ny feon'ny antsony?

Davida miantso Azy: "ry Mpanjakako sy Andriamanitro."

Inona no hataon'i Davida amin'ny maraina?

Hitondra ny fiangaviany any amin'i Yaveh izy ary miandry manantena.

Psalms 5:4

Inona no tena tsy ataon'Andriamanitra?

Tsy hankatoa mihitsy ny ratsy Izy, ary tsy mba ho vahininy ny olon-dratsy.

Iza no tsy hahatsangana eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra?

Ny mpiavonavona tsy mba hijoro eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra.

Iza no ankahalain'Andriamanitra?

Andriamanitra mankahala izay mitondra tena amin-karatsiana.

Inona no hataon'Andriamanitra amin'ireo mpandainga?

Hamotika ireo mpandainga Andriamanitra.

Iza no hohamavoin'Andriamanitra?

Yaveh manamavo ireo olona maherisetra sy mpamitaka.

Psalms 5:7

Nahoana i Davida no ho tonga ao an-tranon'i Yaveh?

Ho tonga ao an-tranon'i Yaveh i Davida noho ny haben'ny famindrampon'i Yaveh.

Ahoana no fomba hiankohofan'i Davida manoloana ny tempolin'i Yaveh?

Hiankohoka amim-panajana i Davida.

Nahoana i Davida no mangataka ny Tompo hitarika azy amin'ny fahamarinana?

Davida mangataka ny Tompo hitarika azy amin'ny fahamarin'ny Tompo noho ireo fahavalon'i Davida.

Psalms 5:9

Ahoana no fomba hanoritsoritan'i Davida an'ireo fahavalony?

Davida mamaritra ireo fahavalony ho tsy misy fahamarinana eo am-bavan'izy ireo, ratsy ny atiny, fasana misokatra ny tendan'izy ireo ary malefaka izy ireo amin'ny lelany.

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra amin'ireo fahavalon'i Davida noho ny hamaroan'ny fahadisoan'izy ireo sy fikomiana tamin'Andriamanitra?

Davida managataka an'Andriamanitra hanambara fa meloka ireo fahavalony.

Psalms 5:11

Nahoana no tokony hihiaka am-pifaliana ireo izay mialoka ao amin'Andriamanitra?

Tokony hihiaka am-pifaliana izy ireo satria Andriamanitra no miaro.

Inona no ho ataon'i Yaveh ho an'ny marina?

Yaveh hitahy ny marina ka hiodidina azy ireo amim-pankasitrahana tahaka ny ampinga.

Psalms 6

Psalms 6:1

Inona no angatahan'i Davida tsy hataon'i Yaveh?

Mangataka an'i Yaveh tsy hibedy azy amin-katezerana izy na manafay azy amin'ny fahatezerany.

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh satria osa Davida?

Davida mangataka ny hanan'i Yaveh famindrampo aminy sy hanasitranana azy.

Psalms 6:3

Nahoana Yaveh no tokony hanavotra sy hamonjy an'i Davida?

Noho ny famindrampon'i Yaveh.

Inona no tsy ho tsaroana amin'ny fahafatesana?

Tsy hisy fahatsiarovana an'i Yaveh amin'ny fahafatesana.

Psalms 6:6

Inona no ataon'i Davida amin'ny fandriany satria ketraka sy misento izy?

Ny alina tontolo izy dia manakotsa ny fandriany amin'ny ranomasony.

Inona no mitranga amin'ny mason'i Davida noho ny alahelony sy noho ireo mpandrafy azy rehetra?

Miha-pahina sy reraka ny masony.

Psalms 6:8

Nahoana no tokony hiala amin'i Davida ireo izay mpanao heloka?

Satria efa nandre ny feon'ny tomaniny i Yaveh ary koa ny antsom-pamindrampony ka nanaiky ny fivavany.

Inona no hitranga amin'ireo fahavalon'i Davida?

Ho menatra sy hikorontana tanteraka ny fahavalony rehetra ary hiamboho sy ho afa-baraka tampoka.

Psalms 7

Psalms 7:1

Ao amin'iza Davida no mialoka?

Davida mialoka ao amin'i Yaveh Andriamaniny.

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh?

Davida mangataka ny hanavotan'i Yaveh azy amin'ireo izay manenjika azy, ary mba hamonjy azy.

Inona no hany azon'i Yaveh atao ho an'i Davida?

Tsy misy afa-tsy Yaveh irery ihany no afaka hitondra an'i Davida ho amin'ny fiarovana.

Psalms 7:3

Inona no nolazain'i Davida fa tsy nataony?

Davida milaza amin'i Yaveh fa tsy nanao mihitsy izay nolazain'ireo fahavalony fa nataony izy ary tsy misy tsy fahamarinana izany eo an-tanany.

Inona lazain'i Davida fa tsy mbola nataony taman'olona izay mihavana aminy na izay manohitra azy?

Davida miteny fa tsy mbola nahavita ratsy taman'olona mihavana aminy izy na namely tsy tamim-pieheverana izay manohitra azy.

Psalms 7:5

Inona no lazain'i Davida fa tokony hataon'i Yaveh aminy raha tsy milaza ny marina i Davida?

Davida miteny fa tokony hamela ny fahavalony hanenjika ny ain'i Davida i Yaveh ary hisambotra izany, hanitsakitsaka velona ny tenany amin'ny tany ary hamela azy mandry amin'ny vovoka amin-kenatra.

Psalms 7:6

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh amin'ny hetzeran'i Yaveh?

Davida mangataka ny hijoroan'i Yaveh sy hitsanganany hanohitra ireo fahavalon'i Davida.

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh noho ny amin'i Davida?

Davida mangataka ny hifohazan'i Yaveh sy hanatanterahany ny didy marina izay nandidian'i Yaveh.

Inona no tian'i Davida hataon'i Yaveh momba ireo firenena?

Davida mila an'i Yaveh haka ny toeram-pahamarinany manerana an'ireo firenena.

Psalms 7:8

Iza no tian'i Davida hotsarain'i Yaveh?

Davida maniry an'i Yaveh hitsara ireo firenena.

Inona no lazain'i Davida fa ataon'ila Andriamanitra marina?

Davida miteny fa Andriamanitra mandinika ny fo sy saina.

Psalms 7:10

Avy aiza no ipoiran'ny ampingan'i Davida?

Avy amin'Andriamanitra ny ampingan'i Davida.

Iza no avotan'Andriamanitra?

Andriamanitra manavotra ny mahitsy fo.

Ahoana no fomba hamaritan'i Davida an'Andriamanitra?

Davida mamaritra an'Andriamanitra ho mpitsara marina izay mahitsy am-po isan'andro.

Psalms 7:12

Inona no ho ataon'Andriamanitra raha tsy mibebaka ny olona iray?

Andriamanitra handranitra ny sabany ary hanomana ny tsipìkany ho amin'ny ady.

Psalms 7:14

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ny faharatsiana ao amin'izay olona tsy mibebaka?

Davida mamaritra azy ho toy ny mitondra vohoka faharatsiana, izay mamorona fikasana mandrava sy miteraka lainga mampidi-doza.

Inona no mitranga amin'ny olona ratsy fanahy izay mangady lavaka?

Izy ihany no hianjera ao amin'ny lavaka nataony.

Inona no mitranga amin'ny fikasana mandrava ataon'ny olona ratsy fanahy?

Miverina ao an-dohany ihany ireo fikasany hanimba ary ny herisetrany dia mikoriana ao an-dohany ihany.

Psalms 7:17

Noho ny inona no hisaoran'i Davida an'i Yaveh?

Hisaotra an'i Yaveh izy noho ny fahamarinany.

Amin'iza no hihiran'i Davida fiderana?

Davida hihira fiderana ho an'i Yaveh Avo Indrindra.

Psalms 8

Psalms 8:1

Ny anaran'iza no mahafinaritra manerana ny tany rehetra?

Ny anaran'i Yaveh Tompontsika no mahafinaritra indrindra.

Inona no noforonin'i Yaveh teo am-bavan'ny zazakely sy ankizy?

Yaveh namorona fiderana.

Nahoana Yaveh no namorona fiderana?

Namorona fiderana Izy mba hampangina ny fahavalo sy ny mpamalifaty.

Psalms 8:3

Inona no nandrandrain'i Davida ka nahatonga azy hieritreritra fa tsy zava-dehibe ny olombelona?

Niandrandra tany amin'ny lanitra, sy volana aman-kintana izy.

Manao ahoana ny olombelona raha ampitahaina amin'ny zava-manan'aina any an-danitra?

Yaveh nanao ny olombelona ho ambany kely noho ireo zava-manan'aina any an-danitra.

Tamin'inona no nampisatrohan'i Yaveh ny olombelona?

Nosatrohiny voninahitra sy haja izy ireo.

Psalms 8:6

Inona no nasain'i Yaveh ataon'ny zanak'olombelona?

Yaveh nanao ny zanak'olombelona hanapaka manerana ny asan-tanan'i Yaveh.

Inona ireo zavatra izay apetrak'i Yaveh ho eo ambany tongotry ny ny zanak'olombelona?

Izy nametraka ondry sy omby, eny fa na ireo bibin'ny saha aza, ny voron'ny habakabaka, sy ny trondron'ny ranomasina, ary izay rehetra mamakivaky ny ria-dranomasina ho eo ambany tongotry ny olombelona.

Psalms 8:9

Anaran'iza no lehibe indrindra amin'ny tany rehetra?

Ny anaran'i Yav eh Tompontsika no lehibe indrindra.

Psalms 9

Psalms 9:1

Ahoana no fomba hisaoran'i Davida an'i Yaveh ary inona no hambarany?

Hisaotra an'i Yaveh amin'ny fony rehetra izy ary hanambara ny amin'ny asany mahagaga rehetra.

Psalms 9:3

Inona no mitranga rehefa mihemotra ireo fahavalon'i Davida?

Tafintohina sy maty manoloana an'i Yaveh ireo fahavalo.

Inona no nataon'ny mpitsara marina tamin'i Davida?

Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany ny mpitsara marina ary niaro an'i Davida tamin'ny rariny.

Psalms 9:5

Inona no nataon'ny mpitsara marina tamin'ireo firenena sy ny ratsy fanahy?

Nampihorohoroiny tamin'ny fitomanin'ny adiny ireo firenena, noravany ny ratsy fanahy, ary nofafany mandrakizay ny fahatsiarovana azy ireo.

Inona no nitranga tamin'ny fahavalo raha nandrodana ny tanànan'izy ireo ny mpitsara marina?

Nirodana toy ny faharavana ireo fahavalo ary nanjavona ny fahatsiarovana azy ireo rehetra.

Psalms 9:7

Iza no mitoetra mandrakizay ary nampitoetra ny seza fiandrianany ho amin'ny fahitsiana?

Mitoetra mandrakizay Yaveh ary nampitoetra ny seza fiandrianany ho amin'ny fahitsiana.

Ahoana no hitsaran'i Yaveh an'izao tontolo izao ary inona no ataony ho an'ireo firenena?

Mitsara ny tany amin'ny fahamarinana Yaveh ary manao fanapahankevitra marina ho an'ireo firenena.

Psalms 9:9

Inona ho an'ireo nampahoriana i Yaveh?

Ho fiarovana mafy ho an'ny ory i Yaveh amin'ny fotoam-pahoriana.

Inona no angatahan'i Davida hataon''i Yaveh ho an'ireo izay mitady Azy?

Davida mangataka Azy mba tsy hahafoy an'ireo izay mitady Azy.

Psalms 9:11

Inona no ambaran'i Davida fa tokony ataon'ny vahoaka ho an'i Yaveh, izay manapaka ao Ziona?

Tokony hihira fiderana ho an'i Yaveh izy ireo ary hanambara izay nataon'i Yaveh amin'ireo firenena.

Inona tsy adinoin'Andriamanitra?

Tsy manadino ny fitarainan'ireo ory Izy

Psalms 9:13

Inona no angatahan'i Davida ho ataon'i Yaveh azy?

Mangataka an'i Yaveh mba hamindra fo aminy izy.

Iza no mampahory an'i Davida?

Ampahorian'ireo izay mankahala azy i Davida.

Aiza Davida no hifaly amin'ny famonjena?

Eo ambavahadin'ny zanaka vavin'i Ziona no hifalian'i Davida.

Psalms 9:15

Inona no nitranga tamin'ireo firenena?

Nilentika tao amin'ny lavaka izay nataon'izy ireo ireo firenena ary tratra tao amin'ny harato izay nafenin'izy ireo ny tongony

Iza no nampahafantatra ny tenany ka nampihatra fitsarana?

Nampahafantatra ny tenany Yaveh ary nampihatra fitsarana.

Psalms 9:17

Aiza no nandefasana ny ratsy fanahy?

Nalefa any amin'ny Fiainan-tsy hita izy ireo, izay toerana iafaran'ireo firenena izay manadino an'Andriamanitra.

Inona no tsy hitranga amin'ny mahantra sy ory?

Tsy mba ho adinoina mihitsy ny mahantra, na ny fanantenan'ny ory ho very mandrakizay.

Psalms 9:19

Inona no tian'i Davida hosorohin'i Yaveh hataon'ny lehilahy?

Davida maniry an'i Yaveh hitsangana sy tsy hamela ny lehilahy handresy azy ireo.

Inona angatahan'i Davida ho ataon'i Yaveh amin'ireo firenena?

Mangataka amin'i Yaveh izy mba hampihorohoro azy ireo sy hampahafantatra azy ireo fa olombelona ihany izy ireo.

Psalms 10

Psalms 10:1

Ahoana no fahatsapan'ny mpanoratra fa izay ataon'i Yaveh aminy?

Ny mpanoratra mahatsiaro fa mijanona lavitra Yaveh ary miafina.

Inona no angatahan'ny mpanoratra ho ataon'i Yaveh amin'ireo olona ratsy fanahy?

Ny mpanoratra mangataka an'i Yaveh hamela ny ratsy fanahy ho voafandriky ny teti-dratsiny ihany.

Psalms 10:1

Iza no asain'ny mpanoratra hihiaka am-pifaliana amin'i Yaveh?

Manasa ny tany rehetra izy mba hihiaka am-pifaliana amin'i Yaveh.

Ahoana no fomba tokony hankanesan'ny olona eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh?

Tokony ho tonga eo amin'ny fanatrehany amin'ny hiram-pifaliana izy ireo.

Psalms 10:1

Manao ahoana no fihiran'i Davida?

Hihira ny famindrampo sy fahamarinana izy.

Psalms 10:1

Inona no ivavahan'ny ory amin'i Yaveh mba tsy hataoa amin'ny fotoam-pahoriany?

Ny tsy hanafenana ny tavany aminy amin'ny fotoam-pahoriany.

Psalms 10:1

Inona no tsy tian'i Davida hadinoina?

Ireo asa tsara rehetra nataon'i Yaveh.

Psalms 10:1

Ahoana no fomba lazain'ny mpanoratra fa mitafy lamba Yaveh?

Yaveh dia mitafy famirapiratana sy voninahitra.

Amin'ny fomba ahoana no hamelaran'i Yaveh ny lanitra?

Tahaka ny famelarana lamban-day.

Psalms 10:1

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa hampahalalana ireo asan'i Yaveh?

Miantso ny olona ny mpanoratra mba hampahahalala ireo asan'i Yaveh amin'ireo firenena.

Fon'iza no anarin'ny mpanoratra mba hifaly?

Ny fon''ireo izay mitady an'i Yaveh.

Psalms 10:1

Inona no lazain'ny mpanoratra fa maharitra mandrakizay?

Ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 10:1

Hafiriana no haharetan'ny famindrampon'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny famindrampon'i Yaveh.

Avy aiza nanangonan'i Yaveh an'ireo navotany?

Nangoniny avy amin'ny tany hafa izy ireo, dia izay avy any atsinanana sy avy any andrefana, avy any avaratra sy avy any atsimo.

Psalms 10:1

Amin'inona Davida no hihira fiderana?

Davida miteny fa hihira fiderana amin'ny fony ravoravo ihany koa izy.

Psalms 10:1

Iza no lazain'i Davida fa mamely azy?

Ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka no mamely azy.

Psalms 10:2

Inona no tsy napetrak'i Davida teo ambany masony?

Ny fahadisoana.

Psalms 10:3

Inona no kisarisary iza ampiasain'ny mpanoratra hanehoana fa an'i Yaveh ny vahoaka?

Izy miteny fa an'i Yaveh ny vahoaka ary koa ondrin'ny fihinanam-bilony.

Psalms 10:3

Amin'inona no ampitahan'ny ory ny fony torotoro?

Ny ory miteny fa tahaka ny ahitra efa nalazo ny tenany.

Psalms 10:3

Amin'inona no ilazan'i Davida fa mandrakotra ny fanahiny Yaveh?

Mandrakotra ny fanahiny amin'ny famindrampo sy asam-piantrana Izy.

Psalms 10:3

Rahoviana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh mba hahatsiaro azy?

Rehefa mampiseho fitia amin'ny vahoakany Yaveh.

Inona no hahatonga ny mpanoratra hifaly?

Rehefa mahita ny fanambinan'ny vofidin'i Yaveh izy.

Psalms 10:3

Tahaka ny ahoana no haben'ny famindrampon'i Yaveh lazain'i Davida?

Lehibe ambonin'ny lanitra izany.

Psalms 10:4

Nahoana ny lehilahy ratsy fanahy no tsy mitady an'Andriamanitra?

Tsy mitady an'Andriamanitra ny lehilahy ratsy fanahy satria mirehareha loatra izy.

Psalms 10:4

Ahoana no fomba tokony hidiran'ny olona ao amin'ny vavahady sy kianjan'i Yaveh?

Tokony hiditra ao am-bavahadiny amin'ny fisaorana izy ireo ary ao an-kianjany amin'ny fiderana.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa maharitra mandrakizay?

Ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 10:4

Iza no hopotehin'i Davida?

Izay rehetra manendrikendrika ny namany mangingina.

Karazan'olona inona no tian'i Davida hipetraka eo anilany sy hanompo azy?

Ny mahatokin'ny tany no tian'i Davida hipetraka eo anilany, ary ireo izay mandeha amin'ny fahitsiana no hanompo azy.

Psalms 10:4

Inona no lazain'ny mpanoratra fa tsy hitranga mihitsy amin'ny fanambanin'ny tany izay nampitoerin'i Yaveh?

Tsy hihozongozona mihitsy ny fanambanin'ny tany.

Psalms 10:4

Impiry no tokony hitady ny fanatrehan'i Yaveh ny olona?

Lalandava.

Psalms 10:4

Inona no nataon'i Yaveh ho an'ireo navotany rehefa niantso Azy tamin'ny fahoriay izy ireo?

Namonjy azy ireo tamin'ny fahoriany Izy.

Psalms 10:4

Inona no omen'ny ratsy fanahy ho valin'ny fitiavan'i Davida?

Endrikendrika no avalin'izy ireo aminy ho solon'ny fitiavany.

Psalms 10:5

Inona no nitranga vokatry ny fisenton'ny ory lava?

Tonga ho nahia kely.

Psalms 10:5

Aiza Davida no mangataka ny voninahitr'Andriamanitra mba ho asandratra?

Manerana ny tany rehetra.

Psalms 10:6

Inona no lazain'ny lehilahy ratsy fanahy anakampo?

Ny lehilahy ratsy fanahy manao anakampo hoe: "Tsy ho lavo mandrakizay aho; tsy hahita fahoriana aho manerana ny taranaka mandimby rehetra."

Inona no mameno ny vavan'ny lehilahy ratsy fanahy?

Feno ozona sy fitaka, sy teny mampidi-doza ny vavany

Psalms 10:6

Inona no ataon'i Yaveh ho an'izay rehetra nampahoriana?

Yaveh miasa amim-pahitsiana ho an'izay rehetra nampahoriana.

Inona no ampahalalan'i Yaveh amin'ireo taranak'Israely?

Ireo asany tamin'ireo taranak'Israely.

Psalms 10:6

Inona no lazain'ny mpanoratra fa nampihemotra ny rano?

Ny fibedesan'i Yaveh no nampihemotra ny rano

Psalms 10:6

Ahoana no navalin'ireo razan'ny mpanoratra tamin'ireo asan'i Yaveh mahagaga?

Tsy nankasitraka an'ireo asan'i Yaveh mahagaga tany Egypta ireo razany.

Psalms 10:6

Inona no angatahan'i Davida mba hitranga rehefa hotsaraina ireoa fahavalony?

Mangataka i Davida fa rehefa tsaraina ny fahavalony, dia ho meloka.

Psalms 10:7

Iza no tsy havelan'i Davida hijanona ao an-tranony?

Tsy avelany hitoetra ao an-tranony ny olona mpamitaka.

Impiry Davida no miteny fa hamotika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany?

Isa-maraina isa-maraina no hamotehany ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany.

Psalms 10:7

Ahoana no fomba ampiasan'ireo izay maneso ny ory ny anarany?

ireo mpaneso ny ory mampiasa ny anarany ho fanozonana.

Psalms 10:7

Hafiriana no lazain'ny mpanoratra fa mitazona ny teny nandidiany Andriamanitra?

Hatramin'ireo taranaka an'arivony mifandimby.

Psalms 10:7

Inona no nolazain'Andriamanitra momba an'i Efraima sy Joda?

Andriamanitra niteny fa arolohany ihany koa Efraima ary tehim-piandrianany i Joda.

Psalms 10:8

Tahaka ny inona ny lehilahy ratsy fanahy raha biby?

Tahaka ny liona miafina ao amin'ny mangina anaty kirihitrala izy ary miery hikendrena ny ory.

Psalms 10:8

Nahoana ireo rano no tsy handrakotra ny tany indray?

Yaveh nametraka fefy ho an'ireny mba tsy hihoarany.

Psalms 10:8

Nahoana Yaveh no nanavotra ireo razan'ny mpanoratra?

Nanavotra azy ireo Izy noho ny amin'ny anarany mba ahafahany manambara ny heriny.

Psalms 10:8

Noho ny inona no hideran'ny olona an'i Yaveh?

Tokony hidera an'i Yaveh noho ny famindrampony sy ny amin'ireo zava-mahagaga nataony ho an'ny olombelona izy ireo.

Psalms 10:8

Inona no fangatahan'i Davida ho an'ireo zanaky ny fahavalony?

Ny mba hirenireny sy hitalaho, ka hangataka sakafo.

Psalms 10:9

Ahoana no lazain'ny ory fa efa nentina tamin'ny hatezeran'i Yaveh izy?

Ny ory miteny fa nakarin'i Yaveh izy mba handavoana azy.

Psalms 10:9

Inona no lazain'i Davida fa tsy hataon'i Yaveh mandrakariva?

Miteny izy fa tsy mikapoka mandrakariva Yaveh, ary tsy tezitra lalandava.

Davida miteny fa tsy manao antsika araka ny inona Yaveh?

Tsy manao antsika araka izay mendrika ny fahotatsika Yaveh.

Psalms 10:9

Fanekena inona no lazain'ny mpanoratra fa tsaroan'Andriamanitra?

Ilay fanekena izay nataony tamin'i Abarahama sy ny voady nataony tamin'i Isaka.

Inona no fanekena mandrakizay natain'i Yaveh tamin'Israely?

Fanekena mba hanomezana azy ireo ny tany Kanana ho anjara lovan'izy ireo.

Psalms 10:9

Hihika toy ny ahoana Andriamanitra noho i Filistia?

Andriamanitra hihiaka am-pandresena noho i Filistia.

Psalms 10:10

Inona no nitranga tamin'ireo mpandrafy an'Israely?

Nandifotra ireo mpandrafy azy ireo ny rano; tsy nisy avotra na iray aza.

Psalms 10:11

Inona no lazain'ny lehilahy ratsy fanahy anakampo momba an'Andriamanitra?

Ny lehilahy ratsy fanahy manao anakampo hoe: "Efa nanadino Andriamanitra; mandrakotra ny tavany Izy; tsy hisahirana hijery akory Izy."

Ahoana no fomba hanirian'ny mpanoratra an'i Yaveh hamaly ny lehilahy ratsy fanahy?

Tiany Yaveh hanandra-tanana ao amin'ny fitsarana ary tsy hanadino ny ory.

Psalms 10:11

Mandra-pahoviana no haharetan'ny lazan'i Yaveh?

Ho an'ny taranaka rehetra ny lazan'i Yaveh.

Psalms 10:11

Amin'ny fomba manokana toy ny inona no hananan'i Yaveh fangorahana amin'izay manaja Azy?

Yaveh manana fangorahana amin'izay manaja Azy mitovy amin'ny ray mangoraka ny zanany.

Psalms 10:11

Ahoana no hampietren'i Yaveh ny fon'ny vahoaka?

Nampietry ny fon'izy ireo tamin'ny fahasahiranana Izy.

Psalms 10:11

Famonjen'iza no lazain'i Davida fa zava-poana?

Mangata-pamonjena amin'Andriamanitra i Davida satria zava-poana ihany ny famonjen'olombelona.

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ny fandreseny miaraka amin'ny famonjen'Andriamanitra?

Davida miteny fa ny tafiny dia handresy miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra, satria Andriamanitra hanitsakitsaka an'ireo fahavalon'i Davida.

Psalms 10:11

Inona no angatahan'i Davida mba hitranga amin'ireo fananan'ny fahavalony?

Davida mangataka mba horobain'ny olon-kafa izay voaangon'ny fahavalony.

Nahoana Davida no mangataka an'i Yaveh mba hitondra azy amim-pahalemem-panahy?

Davida mangataka an'i Yaveh Tompony hampiseho hatsaram-panahy aminy ho noho ny amin'ny anaran'i Yaveh.

Psalms 10:12

Oviana no lazain'ny mpanoratra fa nanaovan'i Yaveh fanekena tamin'Israely?

FOny mbola vitsy an'isa ny Israely.

Psalms 10:13

Inona no lazain'ny lehilahy ratsy fanahy anakampo amin'Andriamanitra?

Hoy izy: "Tsy hihazona ahy ho tompon'andraikitra ianao."

Psalms 10:13

Ho an'ny inona no hahatsapan'ireo mpanompon'i Yaveh fangorahana?

Ho an'ny vovoky ny faharavan'i Ziona.

Ahoana no hanomezan'ireo mpanjakan'ny tany fanajana ho an'i Yaveh?

Hanome hanome haja ny voninahitr'i Yaveh izy ireo.

Psalms 10:13

Inona ireo zavatra telo lazain'ny mpanoratra fa vatsian'i Yaveh ho an'ny olona?

Mamatsy divay Yaveh mba hampifaliana olona, diloilo mba hampamirana ny tavany, ary hanina hihazonany ny ainy.

Psalms 10:13

Inona no nataon'ny vahoaka rehefa fatra-pila tany an'efitra izy ireo?

Nihantsy an'Andriamanitra izy ireo.

Psalms 10:14

Iza no nandraran'i Yaveh tsy hokitihan'ireo mpanjaka?

Ireo olom-boahosony.

Psalms 10:14

Karazam-bavahady sy hidiny inona no novakian'i Yaveh ho an'ny vahoakany?

Vavaahady varahina no novakiany ary nanapaka ny hidy vy.

Psalms 10:14

Inona no fangatahan'i Davida avy amin'i Yaveh amin'ny fahatsiarovana ny fahavalony?

Ny hamongoran'i Yaveh ny fahatsiarovana ny fahavalony tsy ho amin'ny tany.

Nahoana Davida no mangataka an'i Yaveh hamongotra ny fahatsiarovan'izy ireo?

Davida mivavaka mba hanaovan'i Yaveh izany satria tsy mba nanelingelina tamin'ny fampisehoana famindrampo mihitsy io lehilahy io.

Psalms 10:15

Inona no nohevernin'ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy momba ireo asa ratsy?

Nihevitra izy fa tsy hitan'Andriamanitra izy ireo.

Ahoana no amalian'i Yaveh an'ireo filàn'ny ory?

Izy mampatanjaka ny fon'izy ireo, ka mihaino ny fivavak'izy ireo, ary miaro azy ireo.

Psalms 10:16

Ahoana no fomba nanirahan'i Yaveh an'i Josefa ho lohan'Israely?

Nandefa an'i Josefa ho hialoha lalana azy ireo Izy tamin'ny fivarotana aan'i Josefa ho mpanompo.

Psalms 10:16

Inona no nataon'ny tany tamin'i Datana sy ireo mpanaradia an'i Abirama?

Nisokatra ny tany ka nitelina an'i Datana sy nandrakotra an'ireo mpanaradia azy.

Psalms 10:17

Inona no fihetsiky ny mahantra hovalian'i Yaveh?

Ny fivavaky ny mahantra.

Ahoana no fomba hampisehoan'ny mpanoratra ny halaviran'ny fiderana an'i Yaveh any amin'ny hoavy?

Manoratra izy fa olona mbola tsy teraka akory no hidera an'i Yaveh.

Psalms 10:17

Mandra-pahoviana no haharetan'ny famindrampaon'i Yaveh?

Ny famindram-pon'i Yaveh dia mandrakizay doria ho an'ireo izay manome voninahitra Azy.

Aiza no nampitoerin'i Yaveh ny seza fiandrianany?

Any an-danitra.

Psalms 10:17

Nahoana no ory ny vahoaka?

Noho ny fahotan'izy ireo.

Psalms 10:17

Inona no angatahan'i Davida satria nankahala fitahiana ny fahavalony?

Davida miteny fa satria nankahala fitahiana ny fahavalony, dia aoka tsy hisy fitahiana hanatona azy.

Psalms 10:18

Hafiriana i Josefa no voatazona tamin'ny rojovy?

Hatramin'ny fotoana nahatanterahan'ny fahitany.

Psalms 10:19

Inona no hitan'i Yaveh avy any an-danitra?

Nijery ny tany avy any an-danitra Yaveh.

Psalms 10:19

Inona no nanendren'i Yaveh fa marihan'ny volana sy ny masoandro?

Nanendry ny volana Izy hanamarihana ny vanim-potoana ary fantatry ny masoandro ny fotoana hilentehany.

Psalms 10:19

Inona no notompoin'ny vahoaka tany Horeba?

Nanao zanak'omby tao Horeba izay ireo ka nanompo sarin-javatra voasokitra.

Psalms 10:19

Avy amin'iza no angatahan'i Davida ny valisoa ho an'ireo mpiampanga azy?

Davida mangataka an'izany mba ho valisoa an'ireo mpiampanga azy avy amin'i Yaveh.

Psalms 10:20

Iza no ireo manana hery lehibe izay antsoina ,mba hisaotra an'i Yaveh sy hankatò ny teniny?>

Ireo anjeliny.

Iza no ireo mpanompo izay lazain'i Davida fa manatanteraka ny sitrapon'i Yaveh?

Ireo anjely tafik'i Yaveh rehetra.

Psalms 10:20

Inona no fiteny nampiasaina hamaritana ny mpanjaka mametraka an'i Josefa hiandraikitra ny tranony?

Napetraka mba hiandraikitra ny tranon'ny mpanjaka i Josefa ka natao ho mpanapaka ny fananan'ny mpanjaka rehetra.

Taiza Jakoba no nonina tamin'izy tonga tao Egypta?

Nonina tany amin'ny tanin'i Hama aloha Jakoba.

Psalms 10:20

Karazan-tsorona inona no tokony aterin'ny olona ho an'i Yaveh?

Tokony hanolotra fanati-pisaorana izy ireo.

Psalms 10:21

Noho ny inona no antony anangonana ireo vahoaka sy fanjakana marobe?

Mba hanompo an'i Yaveh.

Psalms 10:21

Inona no mitranga amin'ireo liona vantony rehefa miposaka ny masonadro?

Mihemotra izy ireo ka matory any an-davany.

Psalms 10:21

Amin'inona no ampitahan'i Davida ny fitontonganany?

Davida miteny fa mihena tahaka ny aloky ny hariva izy.

Psalms 10:22

Nahoana Andriamanitra no tsy nandidy ny fandringanana ny Israelita?

Mosesy ilay voafidiny, no niditra an-tsehatra niraka taminy teo amin'ny fanapahana mba hanala ny hatezeran'Andriamanitra amin'ny famotehana azy ireo.

Psalms 10:23

Inona no hiangavian'ny mpanoratra ory mba tsy hataon'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny hoe: "Andriamanitro o, aza esorina eo an'ivon'ny fiainako aho."

Psalms 10:23

Inona no hitan'ireo olona mamakivaky ranomasina amin'ny sambo sy manao raharaham-barotra any am-pitan-dranomasina amin'i Yaveh?

Nahita ireo asan'i Yaveh izy ireo ary koa ireo fahagagany teny an-dranomasina.

Psalms 10:24

Iza no nataon'Andriamanitra nakahala ny Israely vahoakany?

Ireo fahavalon'Israely.

Taiza Mosesy sy Arona no nanatanteraka ireo famantaran'Andriamanitra?

Tany amin'ireo Egyptiana.

Psalms 10:24

Inona no ataon'ireo mpiampanga rehefa mahita azy?

Rehefa hitany izy, dia mihifikifi-doha ireo mpiampanga.

Psalms 10:25

Inona no lazain'ny mpanoratra fa nataon'i Yaveh tamin'ny andro taloha?

Yaveh nampitoetra ny tany tamin'ny fitoerany.

Mandra-pahoviana no haharetan'ny taonan'i Yaveh?

Tsy manam-pahataperana izany.

Psalms 10:25

Amin'inona no hietsiketsehan'ny lalina sy ny ranomasina midadasika?

Ny ranomasina mihetsiketsika miaraka amin'ireo zava-boahary tsy voatanisa, na kely na lehibe.

Psalms 10:25

Inona no nitranga tamin'ireo lehilahy rehefa nahatratra ny lanitra ireo onja ary avy eo nianjera tamin'ny lalina?

Niempo ny fahavitrihan'ireo lehilahy noho ny lova.

Psalms 10:26

Inona no nianianan'Andriamanitra fa hataony rehefa nanangana ny tanany Izy?

Hamela azy ireo hofaty any an-tany efitra Izy, ary hanely ny taranak'izy ireo amin'ireo firenena.

Psalms 10:26

Amin'inona no angatahan'i Davida mba hanavotan'i Yaveh azy?

Davida mangataka amin'i Yaveh hanavotra azy amin'ny alalan'ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 10:27

Iza no jeren'ireo zava-boahary anaty ranomasina mba hanome hanina azy ireo?

Mijery an'i Yaveh avoko izy rehetra mba hanome sakafo amin'ny fotoany.

Psalms 10:28

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa honenan'ireo taranaky ny mpanompon'i Yaveh?

Eo amin'ny fanatrehany.

Psalms 10:28

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny rano sy trondron'ireo Egyptiana?

Andriamanitra namadika ny ranon'ny Egyptiana ho rà ary namono ny trondrony.

Psalms 10:28

Inona no nitranga tamin'Isrely rehefa nihantsy an'i Yaveh ho tezitra izy ireo?

Namely azy ireo ny areti-mandringana.

Psalms 10:28

Inona no nitranga tamin'ireo lehilahy rehefa niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo?

Nentiny niala tamin'ny fahoriany izy ireo ary nampitony ny tafiotra.

Psalms 10:28

Inona no angatahan'i Davida mba hitranga rehefa mamely azy ny mpiampanga azy?

Raha mamely an'i Davida ireo mpiampanga azy, dia ho menarina.

Psalms 10:29

Inona no mitranga amin'ireo zava-boahary raha manafina ny tavany Yaveh na manala ny ain'izy ireo?

Ory izy ireo raha manafina ny tavany Yaveh; maty izy ireo ka hody ho vovoka raha manala ny ain'izy ireo Yaveh.

Psalms 10:30

Inona no nitranga rehefa nitsangana hiditra an-tsehatra ho an'ny vahoaka i Fineasa?

Rehefa niditra an-tsehatra i Fineasa, dia nitsahatra ny areti-mandringana.

Psalms 10:30

Inona no lazain'i Davida fa hitranga rehefa mijoro eo amin'ny tanana ankavanan'ny olona ory i Yaveh?

Yaveh hanavotra ny olona ory amin'ireo izay manameloka azy.

Psalms 10:31

Inona no nalefan'Andriamanitra niaraka tamin'ny havandra sy orana tany Egypta?

Andriamanitra nandefa havandra sy orana, niaraka tamin'ny tselatra sy kotroka tamin'ny tanin'izy ireo.

Psalms 10:31

Aiza ny lona no tokony hanandratra sy hidera an'i Yaveh?

Ao amin'ny fiangonan'ny olona izy ireo no tokony hanandratra Azy ary hidera Azy ao amin'ny fiangonan'ireo loholona.

Psalms 10:32

Nahoana i Mosesy no nanota tamin'ny ranon'i Meriba?

Nampitondra ny mangidy an'i Mosesy izy ireo, ary dia niteny mavesatar izy.

Psalms 10:33

Inona no ampatanantenain'ny mpanoratra mba ho hiraina amin'ny androny sisa?

Mampanatena izy fa hihira fiderana ho an'Andriamaniny raha mbola miaina koa izy.

Psalms 10:33

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny ny tany mahavokatra noho ny faharatsian'ny olona?

Namadika ny tany mahavokatra ho tany karankaina Izy.

Psalms 10:34

Vondron'olona tahaka ny ahoana no novonoin'Andriamanitra tany Egypta?

Andriamanitra namono ny voalohan-teraka rehetra amin'ny tanin'izy ireo, ny voaloham-bokatry ny heriny rehetra.

Psalms 10:35

Inona no antenain'ny mpanoratra hitranga amin'ireo mpanota sy ny ratsy fanahy eto an-tany?

Tiany ho levona amin'ny tany ireo mpanota ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.

Psalms 10:36

Inona no novolen'ny olona tao an-tanànany.

Nanao saha sy tanim-boaloboka izy ireo.

Psalms 10:37

Nahoana Egypta no ravo rehefa nandeha ny Israelita?

Satria natahotra azy ireo ny Egyptiana.

Psalms 10:37

Inona no nitranga tamin'ny vahoaka rehefa nifangaro tamin'ireo firenena izy ireo ka nanompo ny sampiny.

Tonga fandrika ho azy ireo ny sampiny.

Psalms 10:39

Inona no nitranga tamin'ireo loholona rehefa nandraraka fanamavoana tamin'izy ireo i Yaveh?

Nahatonga azy ireo hirenireny tany an'efitra Izy, tany izay tsy misy lalana.

Psalms 10:40

Karazan-kanina inona no nomen'Andriamanitra hahafapo ny Israelita?

Andriamanitra nahafapo azy ireo tamin'ny mofo avy any an-danitra.

Inona no fampanantenana notsarovan'Andriamanitra nahakasika ny Israelita?

Ny fampanantenany izay nataony tamin'i Abrahama mpanompony.

Psalms 10:40

Inona no nitranga tamin'Israely rehefa tezitra tamin'izy ireo Yaveh ka nanome azy ireo ho eo an-tanan'ireo firenena?

Nomen'i Yaveh ho eo an-tanan'ireo izay nankahala azy ireo ary nanapaka taminy.

Psalms 10:41

Inona no hataon'ny faharatsiana rehetra rehefa mahita ny fiarovan'i Yaveh sy hifaly ny marina?

Hanakombona ny vavany ny faharatsiana rehetra.

Iza no antsoin'ny mpanoratra

Miantso an'izay rehetra mba handray an-tsoratra an'ireo zavatra ireo ary hisaintsaina an'ireo asam-pamindrampon'i Yaveh.

Psalms 10:43

Inona no navelan'Andriamanitra ny vahoaka ho alaina fananana?

Ny haren'ireo vahoaka.

Psalms 10:44

Nahoana Yaveh no nitsahatra sy nihaino an'Israely tamin'ny fahorian'izy ireo?

Nahatsiaro ny fanekeny tamin'izy ireo Izy ary nitsahatra noho ny famindrampony.

Psalms 10:47

Inona no antony tokony anangon'ni Yaveh ny Israely avy amin'ireo firenena?

Tokony hanangona azy ireo Izy mba ahafahan'izy ireo misaotra ny anarany masina sy ny voninahiny amin'ny fiderany.

Psalms 11

Psalms 11:1

Ao amin'iza Davida no mialoka?

Davida mialoka ao amin'i Yaveh.

Inona no holazain'ny vahoaka amin'i Davida momba ny fanahiny?

Hilaza azy izy ireo mba hitsoaka any an-tendrombohitra toy ny vorona.

Ahoana no fomba iomanan'ny ratsy fanahy hamelezana ny mahitsy fo?

Manomana ny tsipìkany izy ireo ary mampivonona ny zana-tsipìkany.

Psalms 11:1

Aiza no asain'i Yaveh mipetraka ny tompon'i Davida

Yaveh miteny azy mba hipetraka eo amin'ny tanana ankavanany ambara-panaony an'ireo fahavalony ho fitoeran-tongony.

Psalms 11:1

Aiza ny mpanoratra no hisaotra an'i Yaveh amin'ny fony manontolo?

Hisaotra an'i Yaveh ao amin'ny fiangonan'ny marina izy, dia ao amin'ny fivondronan'izy ireo.

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fahamarinan'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Psalms 11:1

Inona no miseho amin'ireo taranaky ny lehilahy izay mankatò an'i Yaveh sy izay mankasitraka indrindra ireo didiny?

Ho mahery amin'ny tany ireo taranany ary ho voatahy.

Psalms 11:1

Rahoviana no hisaorana ny anaran'i Yaveh?

Hisaorana ankehitriny ka ho mandrakizay mandrakizay ny anaran'i Yaveh.

Psalms 11:1

Rehefa nandao an'i Egypta ny Israely, dia lasa inona i Joda sy Israely?

Lasa fitoerana masiny i Joda, ary Israely tonga fanjakany.

Psalms 11:1

Inona no antony ivavahan'i Davida mba hanateran'i Yaveh voninahitra ho an'ny anarany?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hanatitra voninahitra ho an'ny anarany noho ny famindrampony sy ho noho ny fahamarinany.

Psalms 11:1

Inona no antony ilazan'ny mpanoratra fa tia an'i Yaveh izy?

Tia an'i Yaveh izy satria Yaveh mandre ny feony sy ny talahony famindrampo.

Psalms 11:1

Iza no antsoin'ny mpanoratra mba hidera an'i Yaveh?

Miantso ny firenena rehetra izy ary ko ny vahoaka rehetra mba hidera an'i Yaveh.

Inona no lehibe eo anatrehan'ny vahokany?

Ny famindrampon'i Yaveh no lehibe amin'ny vahoakany.

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fahamarinan'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny fahamarinan'i Yaveh.

Psalms 11:1

Inona ireo antony roa ilazan'ny mpanoratra fa tokony hisaotra an'i Yaveh ny vahoaka?

Satria tsara Yaveh ary satria maharitra mandrakizay ny famindrampony.

Psalms 11:1

Ahoana tokony hitadiavan'ny olona an'i Yaveh araka ny ambaran'ny mpanoratra?

Tokony hitady Azy amin'ny fony rehetra izy ireo.

Psalms 11:2

Inona no hanaovan'ny vahoaka raha manaraka ny tompon'i Davida izy ireo?

Manaraka azy amin'ny akanjo masina izy ireo.

Psalms 11:3

Inona no ataon'i Yaveh any an-temoly masiny?

Mijery sy mandinika ny zanak'olombelona ny masony.

Psalms 11:3

Inona no ao an-tranon'ny olona izay mankatò an'i Yaveh?

Harena sy fananana no ao an-tranony.

Hilamina ho an'iza ny zava-drehetra araka ny lazain'ny mpanoratra?

Hilamina ny zava-drehetra ho an'izay olona maneho amim-piantrana sy mampisambo-bola, izay mitondra ny raharahany amin'ny fahatsoram-po.

Psalms 11:3

Aiza no mipàka ny voninahitr'i Yaveh?

Ny voninahiny mipàka ambonin'ny lanitra.

Psalms 11:3

Inona no nataon'ireo tendrombohitra sy havoana rehefa tonga toe amin'ny tany ny Israelita?

Nifalihavanja toy ny ondrilahy ireo tendrombohitra, ireo havoana nifalihavanja tahaka ny zanak'ondry.

Psalms 11:3

Inona no lazain'i Davida fa sampin'ireo firenena?

Volafotsy sy volamena no lazainy fa sampin'ny firenena, asan-tanan'olona.

Psalms 11:3

Inona no tsapan'ny mpanoratra rehefa nihodidina azy ny tadin'ny fahafatesana ary nifanandrina tamin'ny fandriky ny Fiainan-tsy hita izy?

Nahatsiaro fangirifiriana sy alahelo izy.

Psalms 11:4

Inona no nianianan'i Yaveh ka tsy hiova?

Yaveh efa nianiana tamin'ny tompon'i Davida fa: "Ho mpisorona mandrakizay ianao."

Psalms 11:4

Inona no tsaroan'i Yaveh lalandava?

Ny fanekeny.

Ahoana no nampisehoan'i Yaveh ireo asany mahery tamin'ny vahoaka?

Izy nampiseho ireo asany mahery tamin'ny vahoaka tamin'ny fanomezana azy ireo lova an'ireo firenena.

Psalms 11:5

Iza no dinihan'i Yaveh?

Mandinika ny marina sy ny ratsy fanahy Izy.

Iza no ankahalain'i Yaveh?

Mankahala an'ireo izay tia manao heirsetra Izy.

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo ratsy fanahy?

Mandatsaka vain'afo mahamay sy solifara eo amin'izy ireo Izy ary mandraraka rivo-mandoro avy amin'ny kapoakany.

Inona no hiheveran'i Yaveh ny fahamarinana?

Tia fahamarinana Izy.

Inona no hitranga amin'ny olo-marina?

Hahita ny tavan'i Yaveh ny olo-marina.

Psalms 11:5

Inona no hataon'ny tompon'i Davida amin'ireo mpanjaka amin'ny androm-pahatezerany?

Hamono an'ireo mpanjaka izy amin'ny androm-pahatezerany.

Psalms 11:5

Aiza no fitoeran'i Yaveh?

Eny amin'ny avo no fitoerany, avy any Izy no mijery eny amin'ny lanitra sy ety an-tany.

Psalms 11:5

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa tokony hihovitra ny tany?

Tokony hihovitra eo anatrehan'ny Tompo ny tany, eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.

Psalms 11:5

Inona no tsy afaka ataon'ireo sampy?

Tsy afa-miteny, na mahita, na mandre, na manimbolo izy ireo.

Psalms 11:5

Iza no arovan'i Yaveh?

Miaro ny bado Yaveh.

Psalms 11:5

Ahoana no navalin'i Yaveh rehefa niantso Azy ny mpanoratra?

Yaveh namaly azy ka nanafaka azy.

Psalms 11:5

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hitranga raha mafy orina amin'ny fitandremana ny didin'i Yaveh izy?

Tsy ho menatra izy rehefa misaina ireo didin'i Yaveh rehetra.

Psalms 11:6

Inona no ataon'ny olona raha tokony hatahotra ny vaovao ratsy izy?

sy hatahotra ny vaovao ratsy izy; fa kosa matoky, mitoky amin'i Yaveh.

Psalms 11:7

Inona no hataon'ny tompon'i Davida aorian'ny hisotroany amin'ny lohasahan-driaka any an-dalana?

Hampitraka avo ny lohany Izy aorian'ny fandresena.

Psalms 11:7

Ahoana no fibanjinana an'ireo fampianarn'i Yaveh?

Tokony hotandremana amim-pahatokiana sy amin'ny tokony ho izy ny fampianarany rehetra.

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra ny anaran'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny: "Masina sy mahatahotra ny anarany."

Psalms 11:7

Aiza no ametrahan'i Yaveh ny ory sy ny mahantra rehefa mampitsangana azy Izy?

Yaveh mametraka azy miaraka amin'ireo andriana, miaraka amin'ireo andrian'ny vahoakany.

Psalms 11:7

Nafahana tamin'ny inona ny fanahin'ny mpanoratra?

Nafahan'i Yaveh tamin'ny fahafatesana ny fanahiny.

Psalms 11:7

Amin'inona no hisaoran'ny mpanoratra an'i Yaveh?

Misaotra an'i Yaveh amin'ny fo mahitsy izy.

Psalms 11:8

Inona no mitranga amin'ny olona masina izay manome amim-pahalalahan-tanana ireo mahantra?

Ho asandratra amim-boninahitra izy.

Psalms 11:8

Namadika ny vatolampy ho dobon-drano Izy, ny vatolampy mafy ho loharano.

Psalms 11:8

Ny mpanoratra milaza fa tsara kokoa ny mialoka ao amin'i Yaveh toy izay manao inona?

Tsara kokoa ny mialoka ao amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'olombelona.

Psalms 11:9

Inona no omen'i Yaveh ny vehivavy momba?

Manome trano fonenana ho an'ny vehivavy momba Izy, manao azy ho renin-jaza falifaly Izy.

Psalms 11:9

Nahoana ny olon-drehetra no tokony hitoky amin'i Yaveh?

Tokony hatoky an'i Yaveh izy ireo satria Izy no famonjeny sy ampingany.

Psalms 11:9

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa hanompoany an'i Yaveh?

Hanompo an'i Yaveh any amin'ny tanin'ny velona izy.

Psalms 11:9

Ahoana no fomba hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio araka ny voalazan'ny mpanoratra?

Afaka hitandrina ny lalany mba hadio ny tanora amin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh.

Psalms 11:10

Inona no fiandoham-pahendrena?

Ny fanomezan-boninahitra an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena.

Inona no ananan'ireo izay manatanteraka ny fitsipik'i Yaveh?

Manana fahazavan-tsaina tsara izy ireo.

Psalms 11:10

Inona no mitranga amin'ny olon a ratsy fanahy izay mahita ny fitahian'ny olo-marina ka tezitra?

Hihidy vazana ny olona ratsy fanahy ary hiempo.

Psalms 11:10

Lazain'ny mpanoratra fa tahaka ny inona avokoa ny firenena rehetra rehefa nanodidina azy?

Tahaka ny tantely ireo firenena izay nanodidina azy.

Psalms 11:11

Nahoana ny mpanoratra no nandrakitra ny tenin'i Yaveh tao am-pony?

Mba tsy ahafahany manota amin'i Yaveh.

Psalms 11:12

Firy taona ny olona iray no tokony hotahian'i Yaveh?

Hitahy izay manome voninahitra Azy i Yaveh; na tanora na antitra.

Psalms 11:12

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa hanatanterahany ny voadiny amin'i Yaveh?

Hanatanteraka ireo voadiny eo amin'ny fanatrehan'ny vahoakany rehetra izy.

Inona no sarobidy eo imason'i Yaveh?

Sarobidy teo imason'i Yaveh ny fahafatesan'ireo olo-masiny.

Psalms 11:13

Amin'inona ny mpanoratra no hifaly mihoatra noho ny amin'ny harena rehetra?

Amin'ny lalan'ny didim-paneken'i Yaveh.

Psalms 11:15

An'iza ny lanitra sy ny tany?

An'i Yaveh ny lanitra; fa ny tany kosa natolony ho an'ny olombelona.

Psalms 11:15

Karazana hiaka toy ny inona no re avy tao amin'ny lain'ny marina?

Hiakam-pifaliana am-pandresena no re avy ao an-dain'ny marina.

Psalms 11:15

Inona no hataon'ny mpanoratra amin'ireo fampianaran'i Yaveh?

Hisaintsaina ny fampianaran'i Yaveh izy.

Psalms 11:16

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hatolony ho an'i Yaveh noho ny nanesoran'i Yaveh ny fatorany?

Hanolotra ny sorom-pisaorana ho Azy izy.

Psalms 11:17

Mandra-pahoviana Davida no milaza fa hisaotra an'i Yaveh ny vahoaka?

Hisaotra an'i Yaveh anio ka ho mandrakizay mandrakizay izy ireo.

Psalms 11:17

Inona no tsy nataon'i Yaveh rehefa nanafay mafy ny mpanoratra Izy?

Tsy natolotr'i Yaveh ho amin'ny fahafatesana izy.

Psalms 11:17

Ahoana no hahitan'ny mpanoratra ireo zava-mahatalanjona amin'ny lalàn'i Yaveh?

Hahita zava-mahatalanjona amin'ny lalàn'i Yaveh izy rehefa manokatra ny masony i Yaveh.

Psalms 11:18

Amin'ny fanatrehan'iza no hanatanterahan'ny mpanoratra ireo voadiny amin'i Yaveh?

Hanatanteraka ireo voadiny eo amin'ny fanatrehan'ny vahoakan'i Yaveh rehetra izy.

Psalms 11:19

Inona no hataon'ny mpanoratra rehefa mamoha ny vavahadin'ny fahamarinana ho azy i Yaveh?

Hiditra amin'ny vavahadin'ny fahamarinana ny mpanoratra ka hisaotra an'i Yaveh.

Psalms 11:19

Inona no mitranga amin'ny fanahin'ny mpanoratra raha maniry fatratra ny hahalala ny lalà-marin'i Yaveh izy?

Torotoron'ny fitadiavana fatratra ny hahalala ny lalà-marin'i Yaveh ny fanahiny.

Psalms 11:21

Iza no lazain'ny mpanoratra fa voaozona sy maniasia amin'ny didin'i Yaveh?

Ny mpirehareha.

Psalms 11:22

Inona no nitranga tamin'ny vato izay nolavin'ny mpanao trano?

Ilay vato izay nolavin'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro.

Psalms 11:23

Inona no ataon'ny mpanoratra na dia manao teti-dratsy ka manendrikendrika azy aza ireo mpanapaka?

Misaintsaina ny lalàn'i Yaveh izy.

Psalms 11:24

Inona no hataon'ny vahoaka amin'ny andro izay hiasan'i Yaveh?

Hifaly izy ireo ary ho ravo amin'izany.

Psalms 11:25

Amin'ny fomba inona no angatahan'ny mpanoratra an'i Yaveh hanome fiainana azy?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hanome fiainana azy amin'ny tenin'i Yaveh.

Psalms 11:26

Inona no lazain'ny mpanoratra fa tokony hataon'ny vahoaka amin'ny sorona?

Tokony hamatotra ny sorona amin'ny tadyeo amin'ny tandroky ny alitara izy ireo.

Inona lazain'ny mpanoratra fa hataony satria Yaveh no Andriamaniny?

Hisaotra an'i Yaveh izy, ary hanandratra Azy.

Psalms 11:27

Nahoana ny mpanoratra no maniry hahatakatra ireo lalan'ny fampianaran'i Yaveh?

Mba hahafahany misaintsaina ny fampianara-mahagagan'i Yaveh.

Psalms 11:29

Amin'ny lalana inona no angatahan'ny mpanoratra hanesoran'i Yaveh ny mpanoratra?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hanaisotra azy amin'ny lalam-pitaka.

Psalms 11:35

Aiza no angatahan'ny mpanoratra hampizoran'i Yaveh ny fon'ny mpanoratra?

Mangataka izy mba hampizoran'i Yaveh ny fony amin'ny didim-panekeny sy lavitry ny harena tsy marina.

Psalms 11:37

Amin'ny inona no angatahan'ny mpanoratra an'i Yaveh hanodina ny masony?

Amin'ny fijerevana zava-poana.

Psalms 11:43

Inona no angatahan'ny mpanoratra an'i Yaveh tsy halaina eo amin'ny vavany?

Ny teny fahamarinana avy amin'ny vavany.

Psalms 11:45

Nahoana ny mpanoratra no miteny fa handeha am-pilaminana izy?

Satria izy mitady ny fampianaran'i Yaveh.

Psalms 11:47

Inona no lazain'ny mpanoratra fa lalainy fatratra?

Ny didin'i Yaveh.

Psalms 11:49

Inona no angatahan'ny mpanoratra mba hotsarovan'i Yaveh?

Ny fampanantenany tamin'ny mpanompony.

Psalms 11:51

Na dia nanesoeso azy aza ny mpirehareha, dia inona no tsy nataon'ny mpanoratra?

Tsy niala tamin'ny lalàn'i Yaveh izy.

Psalms 11:53

Ny mpanoratra milaza fa ireo didin'i Yaveh no hirahirany tao amin'ny karazan-trano inona?

Tao amin'ny trano izay onenan'ny mpanoratra vetivety foana.

Psalms 11:57

Tamin'ny inona no nitadiavan'ny mpanoratra ny sitrak'i Yaveh?

Nitady fatratra ny sitrak'i Yaveh tamin'ny fony manontolo izy.

Psalms 11:61

Inona no tsy adinon'ny mpanoratra rehefa namandrika azy ny tadin'ny ratsy fanahy?

tsy nanadino ny lalàn'i Yaveh izy.

Psalms 11:63

Naman'ny karazan'olona inona ny mpanoratra?

Naman'izay rehetra manaja an'i Yaveh izy, dia izay rehetra mitandrina ny fampianaranao.

Psalms 11:65

Nahoana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh hampianatra azy ny fahaiza-manavaka tsara sy ny fahazavan-tsaina?

Satria efa nino ny didin'i Yaveh izy.

Psalms 11:69

Inona no nataon'ny mpanoratra rehefa nanindrona azy tamin'ny lainga ny mpiavonavona?

Nitandrina ny fampianaran'i Yaveh tamin'ny fony manontolo izy.

Psalms 11:71

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa soa ny nijaliany?

Soa izy nijaly mba hahaizany ny didin'i Yaveh.

Ny mpanoratra milaza fa ny fampianarana avy amin'ny vavan'i Yaveh dia sarobidy aminy mihoatra noho ny inona?

Mihoatra noho ny volamena sy volafotsy madinika an'arivony.

Psalms 11:73

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa ireo izay manaja an'i Yaveh dia ho ravo rehefa mahita ny mpanoratra?

Ho ravo izy ireo raha mahita ny mpanoratra satria izy nahita fanantenana tamin'ny tenin'i Yaveh.

Psalms 11:75

Ahoana no fomba nampahorian'i Yaveh ny mpanoratra?

Tamin'ny fahatokiana no nampahorian'i Yaveh azy.

Psalms 11:79

Ny mpanoratra mangataka mba tsy hisy tsiny amin'ny fanajana ny lalàn'i Yaveh ny fony mba tsy hisy inona hitranga?

Mba tsy ho menatra ny mpanoratra?

Psalms 11:81

Inona no nairian'ny mason'ny mpanoratra hojerena fatratra?

maniry fatratra ny hahita ny fampanantenan'i Yaveh ny masony.

Psalms 11:85

Ahoana no fomba hanoheran'ny mpirehareha ny lalàn'i Yaveh?

Nihady lavaka ho ahy ny mpirehareha, sady nanohitra ny lalàn'i Yaveh.

Psalms 11:87

Ny mpanoratra mivavaka mba hameloman'i Yaveh azy mba hanaovan'ny mpanoratra inona?

mba hahafahan'ny mpanoratra hitandrina ny fanekeny izay nambaran'i Yaveh.

Psalms 11:89

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fahatokian'i Yaveh?

Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ny fahatokian'i Yaveh.

Psalms 11:93

Nahoana ny mpanoratra no tsy manadino ny fampianaran'i Yaveh mihitsy?

Tsy manadino ny fampianaran'i Yaveh mihitsy ny mpanoratra, fa amin'ny alalan'ireny no hameloman'i Yaveh azy.

Psalms 11:95

Inona no hany zavatra izay tsy misy fetrany?

Ny didin'i Yaveh no midadasika, mihoatra ny fetra.

Psalms 11:99

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa manana fahazavan-tsaina kokoa mihoatra an'ireo mpampianany rehetra?

Satria izy misaintsaina ny didim-paneken'i Yaveh.

Psalms 11:103

Ny mpanoratra miteny fa mamy kokoa noho ny inona ny tenin'i Yaveh?

Mamy kokoa noho ny tantely eo am-bavan'ny mpanoratra ny tenin'i Yaveh!

Psalms 11:105

Inona no zavatra iray izay nianiana sy namafisina?

Efa nianiana izy ary namafisina fa hitandrina ny lalà-marin'i Yaveh.

Psalms 11:111

Inona no ambaran'ny mpanoratra ho lovany mandrakizay ary ny fifalian'ny fony?

Izy manambara ny didim-paneken'i Yaveh ho lovany mandrakizay, fa ireny no fifalian'ny fony.

Psalms 11:113

Koa satria Yaveh no toeram-piereny sy ampingany, koa inona no andrasan'ny mpanoratra?

Miandry ny tenin'i Yaveh ny mpanoratra.

Psalms 11:117

Nahoana Yaveh no mandà an'izay rehetra maniasia amin'ny lalàny?

Satria ireny olona ireny dia mpamitaka sy tsy azo itokisana.

Psalms 11:119

Amin'ny tahotry ny inona no mampangovitra ny vatan'ny mpanoratra?

Mangovingovitry ny tahotra an'i Yaveh izy.

Psalms 11:123

Inona no andrasan'ny mpanoratra ka mandreraka ny masony?

Miandry ny famonjen'i Yaveh sy miandry ny teny marin'i Yaveh izy.

Psalms 11:125

Nahoana ny mpanoratra no mangataka fahazavan-tsaina amin'i Yaveh?

Mangataka fahazavan-tsaina izy mba ahafahany mahalala ny didim-paneken'Andriamanitra.

Psalms 11:127

Inona no halan'ny mpanoratra?

Mankahala ny lalam-pitaka rehetra izy.

Psalms 11:129

Inona no omen'ny fampiharihariana ny tenin'i Yaveh?

Ny fampiharihariana ny tenin'i Yaveh dia manome hazavana, sy fahazavan-tsaina ho an'ny tsy nampianarina.

Psalms 11:131

Inona no ataon'i Yaveh lalandava ho an'ireo izay mitia ny anarany?

Yaveh nitodika amin'izy ireo lalandava ary mamindrafo amin'izy ireo.

Psalms 11:133

Nahoana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh hamonjy azy amin'ny fampahorian'olombelona?

Mba hahafahany mitandrina ny fitsipik'i Yaveh.

Psalms 11:135

Nahoana no ranomaso mandriaka no mikoriana eo amin'ny mason'ny mpanoratra?

Satria tsy mitandrina ny lalàn'i Yaveh ny vahoaka.

Psalms 11:137

Tamin'ny fomba ahoana no nanomezan'i Yaveh ny didim-panekeny?

Yaveh nanome ny didim-panekeny tamim-pahamarinana sy fahatokiana.

Psalms 11:141

Inona no ataon'ny mpanoratra na dia tsy misy dikay sy namavoina aza izy?

Tsy manadino ny fampianaran'i Yaveh izy.

Psalms 11:143

Inona ireo didin'i Yaveh amin'ny mpanoratra, n?

Na dia nahatratra azy aza ny fahoriana sy fangirifiriana, dia mbola ny didin'i Yaveh no maminy.

Psalms 11:145

Inona no hataon'ny mpanoratra raha manavotra azy i Yaveh?

Hitandrina ny didim-paneken'i Yaveh izy.

Psalms 11:151

Inona no nianaran'ny mpanoratra tamin'ny didim-paneken'i Yaveh fahiny elabe?

Nianatra izy fa Yaveh no efa nampitoetra ny famindrampony tamin'ny fitoerany mandrakizay.

Psalms 11:153

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa Tokony hijery ny fahoriana sy hamonjy azy i Yaveh?

Tokony hamonjy azy i Yaveh satria tsy manadino ny lalàn'i Yaveh ny mpanoratra.

Psalms 11:155

Nahoana no lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena?

Satria tsy mitia ny didin'i Yaveh izy ireo.

Psalms 11:157

Nahoana feno rikoriko an'ireo mpamadika ny fijerin'ny mpanoratra?

Satria tsy mitandrina ny tenin'i Yaveh izy ireo.

Psalms 11:159

Mandra-pahoviana no haharetan'ny tsirairay aminireo didin'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny tsirairay amin'ireo didin'i Yaveh.

Psalms 11:161

Inona no hatahoran'ny mpanoratra rehefa manenjika azy tsy amin'ny antony ireo andriana?

Matahotra ny tsy hitandrina ny tenin'i Yaveh izy.

Psalms 11:163

Impiry ny mpanoratra no midera an'i Yaveh noho ny lalà-mariny?

Midera an'i Yaveh impito isan'andro izy.

Psalms 11:167

Nahoana ny mpanoratra no mitandrina ny fampianaran'i Yaveh sy ireo didiny masina?

Satria Yaveh dia mahalala ny zavatra rehetra ataon'ny mpanoratra.

Psalms 11:169

Inona no nampanantenain'i Yaveh fa hataony ao amin'ny teniny.

Yaveh nampanantena tamin'ny teniny fa hamonjy ny mpanoratra raha tonga eo anoloan'i Yaveh ny fitarainany.

Psalms 11:171

Nahoana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh hamela ny lelany hihiara momba ny tenin'i Yaveh?

Maniry ny lelany hihira momba ny tenin'i Yaveh ny lelany satria marina avokoa ireo didin'i Yaveh rehetra.

Psalms 11:175

Inona no angatahan'ny mpanoratra mba hataon'i Yaveh rehefa nirenireny tahala ny ondry very ny mpanoratra?

Mangataka amin'i Yaveh izy mba hitady ny mpanompony, satria nanadino ny didin'i Yaveh izy.

Psalms 12

Psalms 12:1

Nahoana Davida no mangataka ny famonjen'i Yaveh?

Davida mangataka ny famonjen'i Yaveh satria nanjavona ny masina ary tsy misy intsony ny mahatoky.

Psalms 12:1

Inona no nataon'i Yaveh rehefa niantso Azy tamin'ny fahoriany ny mpanoratra?

Dia namaly ny mpanoratra i Yaveh.

Inona no angatahan'ny mpanoratra mba hataon'i Yaveh ho an'ny fanahiny?

Mangataka an'i Yaveh hanavotra ny fanahiny amin'ireo izay mandainga sy mamitaka amin'ny lelany ny mpanoratra.

Psalms 12:1

Hanopy ny masony amin'ny inna ny mpanoratra?

Ny mpanoratra miteny fa hanopy ny masony any an-tendrombohitra izy.

Avy amin'iza no tonga ny famonjena nympanoratra?

Avy amin'i Yaveh ny famonjena ny mpanoratra..

Psalms 12:1

Inona no nolazain'i Davida mba hahafaly azy?

"Andeha isika ho ao an-tranon'i Yaveh." Izany no nolazain'i Davida.

Aiza no ijoroan'ny tongotry ny vahoaka?

Ao anatin'ny vavahadin'i Jerosalema.

Ahoana no fomba nanorenana an'i Jerosalema?

Naorina toa tanàna voalamina tsara i Jerosalema.

Psalms 12:1

Amin'iza no hanopazan'ny mpanoratra ny masony?

Manandratra ny masony any amin'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra ny mpanoratra.

Mandra-pahoviana ny mason'ny vahoaka no hibanjina an'i Yaveh Andriamaniny?

Ambara-pamindrany fo amin'izy ireo.

Psalms 12:1

Inona no tokony nitranga raha tsy Yaveh no teo anilan'Israely rehefa nitsangana hanohitra azy ireo ny olona?

Raha tsy Yaveh no teo anilan'Israely, dia efa nitelina velona azy ireo ny olona izay nitsangana hanohitra azy ireo.

Psalms 12:1

Tahaka ny inona ireo izay matoky an'i Yaveh?

Tahaka ny tendrombohitra Ziona izy ireo, tsy voahozongozona, maharitra mandrakizay.

Amin'ny inona no ampitahan'ny mpanoratra ny fomba izay manodidina ny vahoakany?

Ampitahainy amin'ireo tendrombohitra izay mihodidina an'i Jerosalema, ani ka ho mandrakizay izany.

Inona no tsy hanapaka ao amin'ny tanin'ny marina?

Tsy tokony hanapaka ao amin'ny tanin'ny marina ny tehim-piandrianan'ny faharatsiana.

Psalms 12:1

Toa tahaka ny inona rehefa namerina ny haren'i Ziona i Yaveh?

Fony Yaveh nampody ny haren'i Ziona, dia toy ny nanonofy izy ireo.

Psalms 12:1

Inona no mitranga raha tsy manorina ny trano sy tsy miambina ny tanàna Yaveh?

Raha tsy Yaveh no manorina ny trano, dia miasa foana izay manorina izany. Raha tsy Yaveh no miandry ny tanàna, dia miambina foana ny mpiambina.

Inona no omen'i Yaveh ho an'ny malalany?

Yaveh manome torimaso ho an'ny malalany.

Psalms 12:1

Inona no mitranga amin'ireo izay manome voninahitra an'i Yaveh sy mandeha amin'ny lalany?

Izay rehetra manome voninahitra an'i Yaveh sy mandeha amin'ny lalany dia ho sambatra.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hitranga amin'ny olona izay mankafy izay novatsian'ny tanany?

Ho sambatra sy ambinina izany olona izany.

Psalms 12:1

Hatramin'ny oviana Israely no voatafika kanefa tsy mbola resy?

Hatramin'ny fahatanorany.

Inona no nataon'ireo mpiasatany tao amin'ny lamosin'Israely?

Nohadian'ny mpiasatany ny lamosin'Israely ary nalavain'izy ireo ny vavasany.

Psalms 12:2

Ahoana no fomba iresahan'ny rehetra amin'ny namany?

Miteniteny foana amin'ny namany ny rehetra, ary miteny amin'ny molotra mandoka sy fo miroaroa.

Inona no tian'i Davida hataon'i Yaveh amin'ireo molotra mandoka?

Davida maniry an'i Yaveh hamongotra an'ireo molotra mandoka sy ny lela mpanambara zava-dehibe rehetra.

Inona no zava-mandoka nolazain'ny sasany?

Hoy ny sasany hoe: "Amin'ny lelanay no hahatonga anay handresy. Raha miteny ny molotray, iza no afaka ho mpanapaka eo aminay?"

Psalms 12:2

Inona no nameno ny vavan'ny vahoaka rehefa nampody ny haren'i Ziona i Yaveh?

Feno fiomehezana ny vavan'izy ireo ary feno fihirana ny lelany.

Psalms 12:3

Inona no lazain'ny mpanoratra amin'ny vahoaka fa hataon'i Yaveh amin'ireo izay manana lela mpamitaka?

Yaveh hitifitra azy ireo amin'ny zana-tsipìka maranitra sy nafanaina tamin'ny vainafon'anjavidy.

Psalms 12:3

Ahoana no fomba hamonjen'i Yaveh ny mpanoratra?

Yaveh tsy hamela ny tongotry ny mpanoratra hibolisatra ary hiaro azy.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa tsy ataon'ny mpiandry an'Israely mihitsy?

Tsy mba rendrehana mihitsy na matory ny mpiandry an'Israely.

Iza no mpiandrin'Israely sy ny aloka?

Yaveh no mpiandrin'Israely sy aloka eo amin'ny tanany ankavanany.

Psalms 12:3

Nahoana ny vahoaka no mangataka an'i Yaveh hamindrafo amin'izy ireo?

Feno fahafam-baraka ny vahoaka, mihoatra lavitra noho ny feno fanesoan'ny mpanivaiva sy ny fanamavoan'ny mpirehareha izy ireo.

Psalms 12:3

Inona ny lova sy valisoa avy amin'i Yaveh?

Zanaka no lova ary ny vokatry ny kibo no valisoa avy amin'i Yaveh.

Tahaka ny inona no zanaky ny hatanorana?

Tahaka ny zana-tsipìka eny an-tanan'ny mpiady ny zanaka.

Rahoviana ny olona sambatra, izay manana ny tranon-jana-tsipìkany feno zankaka, no tsy ho menatra?

Tsy ho menatra izy rehefa mifanandrina amin'ireo fahavalony eo am-bavahady.

Psalms 12:3

Tahaka ny inona no ilazan'ny mpanoratra ny vadin'ny lehilahy sambatra?

Tahaka ny voaloboka mamokatra izy.

Tahaka ny inona no ilazan'ny mpanoratra ny zanaky ny lehilahy sambatra?

Ho tahaka ny hazon'oliva ireo zanany.

Inona no hitranga amin'ny olona manome voninahitra an'i Yaveh?

Ho sambatra ny olona izay manome voninahitra an'i Yaveh.

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'i Yaveh ho an'ilay lehilahy sambatra avy any Ziona?

Ny mpanoratra mangataka mba hahitan'ilay lehilahy avy any Ziona ny fahombiazan'i Jerosalema amin'ny androm-piainany rehetra ary koa mba ahafahany miaina hahita an'ireo zanaky ny zanany.

Psalms 12:4

Nahoana ireo foko no niakatra tany Jerosalema?

Mba hisaotra ny anaran'i Yaveh.

Nahoana ireo mpitarika no mipetraka eo amin'ireo 'i Jerosalema?

Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fitsarana izy ireo ho an'ny taranak'i Davida.

Psalms 12:4

Inona no nataon'ny rano, riaka, ary rano misamboaravoara tamin'Israely?

Mety efa voafafan'ny rano izy ireo; ary nanafotra aazy ireo ny riaka. 5Avy eo ny rano misamboaravoara nahafaty azy ireo.

Psalms 12:4

Ho an'iza no angatahan'ny mpanoratra mba hanovan'i Yaveh soa?

Mangataka an'i Yaveh hanao soa ho an'ire izay mahitsy fo izy.

Inona no hitranga amin'ireo izay miala amin'ny ratsy fanaon'izy ireo?

Yaveh hitondra azy ireo lavitra an'ireo mpanao ratsy.

Psalms 12:4

Inona no fangatahan'ny mpanoratra amin'i Yaveh?

Ny hampodian'i Yaveh ny haren'izy ireo.

Inona no hitranga amin'ireo izay mamafy amin-dranomaso?

Hijinja amin'ny hikam-pifaliana izy ireo.

Inona no hitranga amin'ny olona izay mivoaka mitomany ary mitondra voa hafafy?

Hiverina indray amin'ny hiakam-pifaliana, mitondra ny amboarany miaraka aminy.

Psalms 12:4

Inona no nataon'i Yaveh marina ho an'Israely?

Yaveh nanapaka ny tadin'ny ratsy fanahy.

Inona no tian'ny mpanoratra hitranga amin'ireo izay mankahala an'i Ziona?

Maniry ho azy rehetra izy mba menatra sy hiamboho.

Psalms 12:5

Inona no ho ataon'i Yaveh ho an'ny ory sy ny mahantra?

Hitsangana Yaveh ka hamatsy filaminana izay irian'izy ireo fatratra.

Psalms 12:5

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa nonenany vetivety sy nonenany teo aloha?

Ny mpanoratra miteny fa nonina vonjimaika tany Maseka izy ary nonina tao amin'ireo lain'ny Kedarita izy teo aloha.

Inona no lazain'ny mpanoratra momba ny filaminana?

Ny mpanoratra miteny fa efa nonina naharitra niaraka tamin'ireo izay nankahala fihavanana izy ary tia filaminana izy.

Psalms 12:6

Tahaka ny inona ireo tenin'i Yaveh?

Madio tahaka ny volafotsy nodiovina voarendrika im-pito tao amin'ny lafaoro ny tenin'i Yaveh.

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh ho an'ireo olo-masina?

Mangataka amin'i Yaveh izy mba hitahiry azy ireo sy hiarovany azy ireo amin'izao taranaka ratsy izao.

Inona no mahatonga ny ratsy fanahy mandeha na aiza na aiza?

Mandeha na aiza na aiza ny ratsy rehefa asandratra amin'ny zanak'olombelona ny ratsy

Psalms 12:6

Inona no hitranga amin'ireo izay tia an'i Jerosalema?

Ho ambinina izy ireo.

Inona no tian'i Davida ho ao anaty manda sy tilikambon'i Jerosalema?

Fiadanana no ho ao anaty manda ary fanambinana no ao anaty tilikambo.

Psalms 12:6

Inona no nataon'ny vahoaka taorian'ny tsy namelan'i Yaveh azy ireo horotidrotehan'ny nifin'ireo fahavalony?

Nisaotra an'i Yaveh izy ireo.

Tahaka ny inona ny fandosiran'ny Israelita?

Tahaka ny vorona miala amin'ny fandrik'ireo mpihaza ny nandosiran'izy ireo.

Psalms 12:6

Inona no tsy tian'ny mpanoratra ho lazain'izay rehetra mandalo?

Tsy tiany izy ireo hilaza hoe: ""Aoka ho aminao ny tso-dranon'i Yaveh; mitso-drano anao amin'ny anaran'i Yaveh izahay."

Psalms 12:7

Iza no hiaro an'Israely amin'ny loza rehetra, hihazona ny fanahiny, sy hiaro azy ireo amin'izay rehetra ataony?

Yaveh no hiaro azy ireo amin'ny ratsy rehetra, hihazona ny fanahiny ary hiaro azy ireo amin'izay rehetra ataony.

Psalms 12:8

Noho ny amin'iza no ilazan'i Davida hoe: "Ho eo aminareo anie ny fiadanana."

Noho ny amin'ireo rahalahiny sy ireo namany.

Nahoana Davida no miteny fa hivavaka ho an'ny mahasoa Jerosalema izy?

Noho ny amin''ny tranon'i Yaveh.

Psalms 12:8

Avy aiza Davida no lazain'i Davida fa hiavian'ny famonjena an'Israely?

Avy amin'i Yaveh izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Psalms 13

Psalms 13:1

Inona no itaranan'ny mpanoratra amin'i Yaveh?

Mitaraina amin'ny Tompo ny mpanoratra mba handrenesany ny feony ary mba hihaino ny fitarainany.

Psalms 13:1

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ny fony sy ny masony?

Tsy mirehareha ny fony ary ny masony tsy miavonavona.

Psalms 13:1

Inona no nagtahan'ny mpanoratra mba hotsarovan'i Yaveh?

Nangataka an'i Yaveh izy mba hahatsiaro ny fahorian'i Davida, sy ny nianianany tamin'i Yaveh, ary ny nanaovany voady tamin'ilay Maherin'i Jakoba.

Psalms 13:1

Inona no lazain'i Davida momba ireo rahalahiny?

Tsara sy mahafinaritra hoy izy ny mpirahalahy miara-monina.

Psalms 13:1

Inona no tokony ataon'ny mpanompon'i Yaveh rehetra?

Tokony ho tonga izy ireo, ka hisaotra an'i Yaveh, ary hanandra-tanana any amin'ny fitoerana masina.

Psalms 13:1

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Ireo mpanompon'i Yaveh, dia ireo izay mijoro ao an-tranon'i Yaveh, sy izay ao an-kianja no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 13:1

Nahoana ny vahoaka no tokony hisaotra an'i Yaveh?

Tokony hanome fiasaorana an'i Yaveh izy ireo fa tsara Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindrampony.

Psalms 13:1

Taiza ireo babo fony nipetraka sy nitomany?

Teo amoron'ny ony Babylona izy ireo.

Psalms 13:1

Inona no nataon'i Yaveh ho zava-dehibe mihoatra ny zava-drehetra?

Nanao ny teniny sy ny anarany ho zava-dehibe mihoatra ny zavatra hafa rehetra Izy.

Psalms 13:1

Inona no takatr'i Yaveh avy eny lavitra?

Yaveh mahatakatra ny fisainan'i Davida avy eny lavitra.

Psalms 13:2

Tahaka ny inona ny fanahin'i Davida?

Nampiononina sy nampanginina tahaka ny zaza nisara-nono ny fanahiny.

Rahoviana Israely no tenenin'i Davida fa hanantena an'i Yaveh?

Ankehitriny ka ho mandrakizay.

Psalms 13:2

Tahaka ny inona no ilazan'i Davida ny firaisankinan'ireo rahalahiny?

Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha araraka eo amin'ny volombava izany, ary volombavan'i Arona, ary dia araraka amin'ny moron-tongotry ny tohitenany izany. Tahaka ny andon'i Hermona izay miraraka amin'ny tendrombohitra Ziona izany.

Taiza Yaveh no nandidy ny fitahian'ny fiainana mandrakizay?

Nandidy fiainana mandrakizay tany an-tendrombohitr'i Ziona Izy.

Psalms 13:3

Ahoana no fomba angatahan'i Davida an'i Yaveh hamaly ny fivavany?

Mangataka izy ny mba hitodihan'i Yaveh any aminy, sy hamaliany azy, ary ny hanazavana ny masony.

Inona no atahoran'i Davida hitranga aminy raha tsy mamaly azy i Yaveh?

Davida matahotra sao ho renoka ao amin'ny fahafatesana izy.

Inona no tsy tian'i Davida hotenenin'ireo fahavalony momba azy?

Tsy tiany izy ireo miteny fa noresen'izy ireo izy ary nahery teo ambonin'ny mpifanandrina tamin'izy ireo.

Inona no hitranga raha resy Davida?

Hifaly ireo fahavalony rehefa lavo izy.

Psalms 13:3

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa tokony hajaina Yaveh?

Tokony hajaina Yaveh satria misy famelàn-keloka ao aminy.

Psalms 13:3

Nivoady Davida mba tsy hidirany ao an-tranony na hatoriany mandra-panhavitany inona?

Nilaza izy fa tsy hatory mihitsy mandra-pahitany toerana ho an'i Yaveh, sy tabernakely ho an'Ilay Maherin'i Jakoba.

Psalms 13:3

Aiza no hitahian'i Yaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany, no hitahy ireo mpanompony?

Hitahy azy ireo avy any Ziona Izy.

Psalms 13:3

Nahoana ireo mpanompon'i Yaveh no tokony hidera sy hihira ho Azy?

Tokony hidera an'i Yaveh izy ireo fa tsara Izy, ary tokony hihira izy ireo fa mahafinaritra ny manao izany.

Psalms 13:3

Inona no nangatahan'ireo mpambabo ho hirain'ireo babo?

Nangataka azy ireo mba ho faly sy hihira ny fihiran'i Ziona reo mpambabo.

Psalms 13:3

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Davida rehefa niantso Azy izy?

Dia namaly azy i Yaveh, ary nampahery sy nampatanjaka ny fanahiny.

Inona no hataon'ireo mpanjakan'ny tany?

Hanome fisaorana ho an'ny tenin'i Yaveh izy ireo.

Psalms 13:3

Ahoana no avalin'i Davida amin'ny fahalalana izay ataon'i Yaveh manodidina tanteraka an'i Davida?

Ny fahalalana toy izany dia sarotra loatra ho an'i Davida, sady ambony loatra, ka tsy ho takany.

Psalms 13:4

Inona no zavatra izay tsy misy afa-tsy Yaveh no manao azy?

Yaveh irery ihany no manao fahagagana.

Psalms 13:5

Inona no nitokian'i Davida?

Matoky ny famindrampon'i Yaveh i Davida.

Amin'inona no hifalian'ny fon'i Davida?

Mifaly amin'ny famonjen'i Yaveh ny fon'i Davida.

Nahoana Davida no hihira ho ani Yaveh?

Hihira Davida satria tena nalala-tanana taminy Izy

Psalms 13:5

Iza no andrasan'ny fanahin'ny mpanoratra sy antenainy?

Miandry an'i Yaveh ny fanahiny ary ny teniny no antenainy.

Psalms 13:5

Inona no fantatry ny mpanoratra momba an'i Yaveh?

fantany fa lehibe Yaveh, ambonin'andriamanitra rehetra, ary izay rehetra irian'i Yaveh dia ataony any an-danitra, sy ety an-tany ary any an-dranomasina.

Psalms 13:5

Inona no tian'ny mpanoratra hitranga raha manadino an'i Jerosalema izy ary tsy mieritreritra an'i Yaveh intsony?

Maniry ny tanany ankavanana izy mba hanadino ny fahaizany ary ny lelany hiraikitra amin'ny lanilaniny.

Psalms 13:5

Miahy an'iza Yaveh?

Miahy ny manetry tena Izy.

Psalms 13:6

Aiza no halehan'ny vahoaka ary inona no hatain'izy ireo rehefa tonga any?

Hiditra ao amin'ny tabernakelin'Andriamanitra izy ireo ary hanompo eo amin'ny fitoeran-tongony.

Psalms 13:7

Nahoana ny mpanoratra no miteny an'Israely mba hanantena an'i Yaveh?

Yaveh dia mpamindrafo, vonona ny hamela heloka, ary hanavotra an'Israely amin'ny fahotany rehetra Izy.

Psalms 13:7

Inona no asa ataon'i Yaveh izay maneho ny fahalehibiazany?

Yaveh mitondra ny rahona, manao tseala-pahazavana miaraka amin'ny ranon'orana, ary mitondra ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany.

Psalms 13:7

Inona no tian'ny mpanoratra hotsarovan'i Yaveh momba ny Edomita?

Tiany hotsarovan'i Yaveh fa tamin'ny andro nahalavo an'i Jerosalema dia hoy ny Edomita hoe: "Potipoteho izany, ravao hatrany amin'ny fotony."

Psalms 13:7

Iza no angatahan'i Davida mba tsy hafoin'i Yaveh?

Mangataka an'i Yaveh izy mba tsy hahafoy an'ireo nataon'ny tanany.

Psalms 13:7

Aiza no tsy azon'i Davida aleha mba hiala amin'ny fanatrehan'i Yaveh, satria any Yaveh?

Tsy afaka ny hiakatra any an-danitra izy na hanao ny fandriany any amin'ny Fiainan-tsy hita, fa any Yaveh.

Psalms 13:8

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ireo Egyptiana?

Novonoiny ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby tao Egypta ary nandefa famantarana sy fahagagana hanoherana an'i Farao sy ny mpanompony Izy.

Psalms 13:8

Iza no tian'ny mpanoratra hotahiana?

Ny olona izay mamotika an'i Babylona.

Psalms 13:9

Firy ireo mpisorona nampiankanjoana sy afaka ny hihiakam-pifaliana?

Ho ampiakanjoana fahitsiana anie ireo mpisoronao; hihiaka fifaliana anie ireo mahatokin'Andriamanitra.

Amin'iza no tsy tokony hialàn'ireo mahatoky?

Tsy tokony hiala amin'ny mpanjakany voahosotra izy ireo.

Psalms 13:10

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny voalohan-terak'i Egypta?

Novonoiny ny voalohan-terak'i Egypta.

Psalms 13:11

Inona no voady nianianan'i Yaveh tamin'i Davida?

Yaveh nivoady ny ho mendri-pitokisana amin'i Davida.

Psalms 13:11

Ahoana no maha samihafa ny aizina sy hazavana amin'i Yaveh?

Amin'i Yaveh dia mitovy ny aizina sy ny hazavana.

Psalms 13:12

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny tanin'ireo firenena nasian'ny Israelita?

Nomeny ho lovan'Israely vahoakany ny tanin'izy ireo.

Psalms 13:13

Aiza ny mpanoratra no maniry hitsahatra sy hiaina mandrakizay?

Maniry ny hitsahatra sy hiaina mandrakizay ao amin'ny Ziona nofinidin'i Yaveh izy.

Psalms 13:13

Inona no natan'i Yaveh ho an'Israely rehefa nampisaraka ny ranomasina Mena Izy?

Nataony namakivaky ny afovoan'ny ranomasina Mena ny Israelita.

Psalms 13:13

Taiza Yaveh no namorona an'i Davida?

Yaveh namorona an'i Davida tao an-kibon'ny reniny.

Psalms 13:14

Tahaka ny inona ireo sampin'ny firenena?

Ny sampin'ireo firenena dia volafotsy sy volamena, manam-bava, maso, sy sofina fa tsy miteny , mahita, na mandre akory, ary tsy manam-pofonaina.

Iza no nanao ireo sampin'ny firenena?

Ny olona izay tahaka an'ireny sy mitoky amin'ireny no nanao azy ireny.

Psalms 13:15

Inona no hataon'i Yaveh amin'i Ziona?

Hitahy azy amin'ny fitahiana mahatretrika Izy, hahafpo ny mahantrany amin'ny mofo, ary hampiakanjo ireo mpisorony amin'ny famonjena.

Psalms 13:15

Oviana Yaveh no nirakitra ireo androm-piainan'i Davida?

Yaveh nandrakitra ny androm-piainan'i Davida rehetra ao amin'ny bokin'i Yaveh eny fa na dia mbola tsy nitranga akory aza ny voalohany.

Psalms 13:16

Ahoana no naha mahatoky an'i Yaveh amin'ny vahoakany?

Nentiny namakivaky ny tany efitra ny vahoakany.

Psalms 13:17

Iza no hampiakanjoan'i Yaveh henatra?

Hampiakanjoany henatra ireo fahavalony.

Psalms 13:17

Ahoana no amaritan'i Davida ny fisainan'Andriamanitra?

Sarobidy ireny ary midadasika loatra raha isaina.

Psalms 13:19

Iza no tokony hisaotra an'i Yaveh?

Ireo taranak'Israely,Arona, Levy, sy ireo izay manome voninahitra an'i Yaveh no tokony hisaotra Azy.

Psalms 13:19

Inona no tian'i Davida hataon'Andriamanitra amin'ny lehilahy ratsy fanahy sy maherisetra?

Davida maniry an'Andriamanitra hamono ny ratsy fanahy ary hanalavitra ny lehilahy maherisetra aminy.

Psalms 13:21

Inona no natan'i Yaveh tamin'ny tanin'ireo mpanjaka lehibe?

Nomeny ho lovan'Israely mpanompony ny tanin'izy ireo.

Psalms 13:23

Lalana inona no tian'i Davida hitondran'i Yaveh azy?

Davida mangataka an'Andriamanitra mba hitondra azy amin'ny lalana mandrakizay.

Psalms 13:24

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa hisaotra an'Andriamanitry ny lanitra?

Tokony hisaotra Azy ny vahoaka noho ny fahatokiany.

Psalms 14

Psalms 14:1

Inona no lazain'ny adala anakampo?

Ny adala manao anakampo hoe: "Tsy misy Andriamanitra."

Psalms 14:1

Amin'iza Davida no mila an'i Yaveh hanavotra azy?

Amin'ny ratsy fanahy mba hiarovana azy amin'ireo lehilahy maherisetra.

Tahaka ny inona no ilazan'i Davida ny ratsy fanahy?

Izy miteny fa mandratra toy ny bibilava ny lelan'izy ireo ary ny poizin'ny menarana no eo amin'ny molony.

Psalms 14:1

Inona no itarainan'i Davida amin'i Yaveh?

Mitaraina amin'i Yaveh izy mba ho tonga aingana ka hihaino azy rehefa miantso.

Tahaka ny inona ho an'i Yaveh no irian'i Davida amin'ny fivavany sy ny tanany misandratra?

Davida maniry ny fivavany ho tahaka ny ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Yaveh ary ny tanany misandratra ho toy ny sorona hariva.

Psalms 14:1

Inona no ararak'i Davida amin'i Yaveh?

Mandraraka fitarainana i Davida mba hilazana amin'i Yaveh ny fahoriany.

Psalms 14:1

Nahoana Davida no tsy maniry an'i Yaveh hiditra amin'ny fitsarana hanohitra azy?

Satria tsy misy marina eo imason'i Yaveh.

Psalms 14:1

Amin'ny inona no anazaran'i Yaveh ny tanan'i Davida sy ny rantsan-tanany?

Manazatra ny tanana sy rantsan-tanan'i Davida ho amin'ny ady Yaveh.

Psalms 14:1

Iza no hasandratr'i Yaveh sy hankalazainy?

Davida hanandratra an'Andriamaniny sy Mpanjakany, hankalaza ny anarany mandrakizay.

Impiry Davida no hankalaza an'i Yaveh?

Isan'andro Davida no hankalaza an'Andriamanitra.

Psalms 14:1

Mandra-pahoviana ny mpanoratra no hidera an'i Yaveh?

Hidera an'i Yaveh izy raha mbola miaina koa.

Psalms 14:1

Nahoana Yaveh no tokony hoderaina?

Tokony hoderaina Yaveh satria tsara izany, ary mahafinaritra sy mety.

Psalms 14:1

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Izay rehetra any an-danitra, ireo any amin'ny avo, ny anjeliny rehetra sy ireo tafiky ny anjeliny no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 14:1

Ahoana no tokony hideran'ny olon-drehetra an'i Yaveh?

Tokony hihira fihiram-baovao ho an'i Yaveh sy hihira ny fiderany ao am-piangonana ny olon-drehetra.

Psalms 14:2

Nahoana Yaveh no miondrika mijery ny zanak'olombelona?

Miondrika mijery ny zanak'olombelona Izy mba hizaha raha misy mahatakatra, izay mitady Azy.

Iza no e sy tonga ho maloto?

Efa nania avokoa olon-drehetra ary tonga maloto avokoa.

Psalms 14:2

Ahoana no fomba hamonjen'i Yaveh an'ireo mpanaradia Azy?

Yaveh manampy amin'ny fananganana an'i Jerosalema, ary mampikambana ny vahoakan'Israely niely.

Psalms 14:2

Ao amin'iza Israely no tokony hifaly?

Tokony hifaly ao amin'ilay nanao azy ireo ho firenena, sy ao amin'ny mpanjakany i Israely.

Ahoana no tokony hideran'ny olon-drehetra an'i Yaveh?

Tokony hifaly amin'ny anaran'i Yaveh amin'ny dihy sy hira fiderana Azy amin'ny ampongatapaka sy valiha ny olon-drehetra.

Psalms 14:3

Inona no tsy tian'i Davida ataon'ny fony?

Tsy tiany hitsiriritra zava-dratsy ny fony, na handray anjara amin'ny asam-pahotana miaraka amin'ny olona izay manana fitondrantena ratsy, ary tsy hihinana ny hanim-pin'izy ireo.

Psalms 14:3

Inona no fantatr'i Yaveh rehefa reraka ny fanahin'i Davida?

Yaveh mahalala ny lalan'i Davida rehefa reraka ny fanahiny.

Inona no hitan'i Davida rehefa mijery ny ankavanany izy?

Davida mahita fa tsy misy miahy ny aminy, ary tsy misy irika hitsoahany.

Iza no ilazan'i Davida an'i Yaveh?

Yaveh no fialofan'i Davida ary anjarany eny amin'ny tanin'ny velona.

Psalms 14:3

Inona no nataon'ny fahavalo tamin'i Davida?

Nanenjika ny fanahiny ny fahavalo, nanosika azy tamin'ny tany, ary nanao azy hiaina anaty aizina.

Mampitranga inona amin'ny fanahin'i Davida sy ny fony ny fahavalo?

Manao ny fanahin'i Davida hahaketraka azy ny fahavalo, ary mahatonga azy hamoy fo.

Psalms 14:3

Iza no tsinjovian'i Yaveh sy heveriny izay nahataitra an'i Davida?

Taitra i Davida fa mitsinjo ny olona i Yaveh ary mihevitra ny zanak'olona.

Psalms 14:3

Inona no tsy tokony hametrahan'ny olona fitokisana?

Tsy tokony hametraka ny fitokisany amin'ireo andriana na olombelona ny vahoaka, izay tsy manana famonjena akory.

Inona no mitranga rehefa mijanona ny fofonain'olona iray?

Rehefa mitsahatra ny fofonain'olona iray dia mody amin'ny tany izy; amin'izay andro izany dia mifarana ny fikasany.

Psalms 14:3

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Ny masoandro, volana, kintana mamiratra, ny avo indrindra amin'ny lanitra ary ny rano izay ambonin'ny habakabaka no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 14:4

Iza no tsy miantso an'i Yaveh?

Ireo izay mpanao heloka sy mihinana ny olon'i Davida tahaka ny fihinanany mofo ary tsy miantso an'i Yaveh?

Psalms 14:4

Inona no tetehan'ireo lehilahy maherisetra hatao amin'i Davida?

Mitetika ny handavo an'i Davida izy ireo.

Inona no novelarin'ny mpirehareha ho an'i Davida?

Izy ireo namelatra fandrika ho azy, namelatra harato.

Psalms 14:4

Inona no ho derain'ny taranaka rehetra sy ho ambarany amin'izay mandimby azy?

Ireo asan'Andriamanitra no hoderain'ny taranaka rehetra ary hanambara ireo asany lehibe.

Inona no hosaintsainin'i Davida?

Hisaintsaina ny lazan'ny voninahitr'Andriamanitra sy ireo asany mahagaga izy.

Psalms 14:4

Inona no ataon'i Yaveh amin'ny kintana aorian'ny hanisàny izany?

Yaveh manisa ny kintana ary manome anarana azy ireo rehetra.

Hatraiza ny halehiben'ny fahatakaran'i Yaveh?

Tsy hay refesina ny fahatakarany.

Psalms 14:4

Amin'iza Yaveh no mankamamy?

Amin'ny olony.

Iza no ankalazain'i Yaveh?

Mankalaza ny manetry tena amin'ny famonjena Izy.

Ahoana no tokony hifalian'ny olona masina?

Ny olona masina hifaly amin'ny fandresena sy hihira fifaliana.

Psalms 14:5

Nahoana ireo izay tsy miantso an'i Yaveh no tora-kovitry ny tahotra"

Tora-kovitry ny tahotra izy ireo satria Andriamanitra momba ny fiangonana marina

Iza no fialofan'ny olona mahantra?

Yaveh no fialofany.

Psalms 14:5

Ho tahaka ny inona raha misy olo-marina iray mamely ani Davida?

Raha misy olo-marina mamely azy, dia ho toy ny fahalemem-panahy izany.

Ho tahaka ny inona raha misy olo-marina iray manitsy an'i Davida?

Ho toy ny diloilo nahosotra amin'ny lohany izany.

Hanohitra an'iza no ivavahan'i Davida hatrany?

Mivavaka hatrany izy amin'ireo asan'ny olona ratsy fanahy.

Inona no hitran ga amin'ireo mpitarika ny olona ratsy fanahy?

Hatsipy avy eny an-tampon'ny hantsana ireo mpitarika azy ireo ary ho ren'izy ireo fa mahafinaritra ny tenin'i Davida.

Iza no tokony hiteny hoe:"Tahaka ny olona mamadika bainga sy mamotika bainga amin'ny saha, no efa nanapatapahana ny taolanay tany am-bavan'ny Fiainan-tsy hita."

Ny olona ratsy fanahy no tokony hietny hoe: ""Tahaka ny olona mamadika bainga sy mamotika bainga amin'ny saha, no efa nanapatapahana ny taolanay tany am-bavan'ny Fiainan-tsy hita."

Psalms 14:5

Ahoana no fombva amaritan'i Davida ny fanirian'ny fanahiny an'i Yaveh?

Mangetaheta an'i Yaveh any amin'ny tany karakaina ny fanahin'i Davida.

Psalms 14:5

Inona no mety ho ataon'ny tendrombohitra raha kasihan'i Yaveh ireo?

Yaveh mampanetroka ireo tendrombohitra raha nokasihany ireo.

Psalms 14:5

Iza no ilay olona sambatra?

Ny olona sambatra dia izay olona manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho famonjeny, izay matoky an'i Yaveh Andriamaniny.

Inona no nataon'i Yaveh?

Yaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina, sy izay rehetra ao aminy.

Psalms 14:5

Nahoana Yaveh no tokony hoderaina?

Tokony hoderaina Yaveh satria Izy no nanome didy dia niforona izay rehetra izao.

Inona no didy izay tsy hiova mihitsy?

Ny didin'i Yaveh no tsy hiova mihitsy.

Psalms 14:6

Inona no angatahan'i Davida mba henoin'i Yaveh?

Ireo fitarainany famindrampo.

Inona no ataon'i Yaveh ho an'i Davida amin'ny androm-piadiana?

Yaveh miaro ny lohan'i Davida amin'ny androm-piadiana.

Psalms 14:6

Nahoana Davida no mila an'i Yaveh hanavotra azy amin'ireo mpanenjika azy?

Satria mahery noho Davida izy ireo.

Nahoana ny marina no miangona manodidina an'i Davida?

Satria tsara aminy i Yaveh.

Psalms 14:6

Inona no ho ambaran'ny taranaka rehetra sy ho hirainy amin'izay mandimby azy?

Ny fahatsaran'i Yaveh mihoa-papana sy ny fahamarinany.

Psalms 14:6

Inona no ataon'i Yaveh amin'ny ratsy fanahy?

Yaveh mampietry ny ratsy fanahy amin'ny tany.

Psalms 14:6

Inona no tokony ho eo am-bavan'ny masina?

Ny fiderana an'Andriamanitra no tokony ho eo am-bavan'ny masina.

Inona no tanjon'ny sabatra roa lela eny an-tanan'ny masina?

Ny sabatra eny an-tanan'izy ireo dia mba hanatanterahana valifaty amin'ireo firenena sy hetsika famaizana an'ireo vahoaka.

Psalms 14:7

Inona no tian'i Davida ho tonga avy any Ziona?

Davida maniry ny famonjena an'Israely ho tonga avy any Ziona.

Rahoviana i Jakoba no hifaly ary Israely no ho ravo?

Rehefa mitondra ny vahoakany miverina avy amin'ny fahababoana Yaveh.

Psalms 14:7

Inona no mety ho mahatonga an'i Davida ho tahaka an'ireo izay midina any an-davaka?

Ho tahaka an'ireo izay midina any an-davaka i Davida raha tsy mamaly faingana Yaveh na raha tsy manafina ny tavany amin'i Davida.

Inona no tian'i Davida mba henoiny amin'ny maraina satria matoky an'i Yaveh izy?

Ny famindrampon'i Yaveh.

Inona no tian'i Davida hatao satria izy manandratra ny fanahiny amin'i Yaveh?

Mila an'i Yaveh hampiseho azy ny lalana tokony alehany izy.

Psalms 14:7

Ahoana no fomba anavotan'i Yaveh an'i Davida amin'ny tanan'ny hafa firenena?

Yaveh maninjitra ny tanany avy any ambony ka mamonjy an'i Davida amin'ny ranobe ary koa min'ny tanan'ny hafa firenena.

Psalms 14:7

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ny jamba sy izay miankohoka?

Yaveh manokatra ny mason'ny jamba, ary manangana an'ireo izay miankohoka.

Psalms 14:7

Iza no tokony hidera an'Andriamanitra avy amin'ny tany?

Ireo voaharin-dranomasina, izay rehetra ao amin'ny ranomasimbe, afo, havandra, oram-panala, rahona sy rivotra izay mameno ny teniny no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 14:8

Amin'iza ny mason'i Davida?

Amin'ny Tompo Yaveh.

Amin'inona no tian'i Davida hiarovan'i Yaveh azy?

Amin'ireo fandrika izay napetraka ho azy, ary amin'ireo fandriky ny mpanao ratsy.

Inona no tian'i Davida hitranga amin'ny ratsy fanahy?

Maniry Davida mba ho ny ratsy fanahy ihany no hianjera ao amin'ny haratony raha mandositra izy.

Psalms 14:8

Ahoana fomba hiahian'i Yaveh ny biby sy ny goaika?

Yaveh manome hanina ho an'ny biby sy ny goaika tanora raha mitaraina.

Psalms 14:8

Inona no hataon'ny masina amin'ireo mpanjaka sy olo-manan-kajan'ny firenen-kafa?

Hamaotra ny mpanjakany amin'ny rojo izy ireo ary ny manan-kaja amin'ny rojovy.

Ho an''iza ny voninahitra rehefa tanteraka ny fitsarana?

Izany dia ho voninahitra ho an'ireo mahatokiny rehetra.

Psalms 14:9

Inona no tian'i Davida mba handifotra an'ireo izay manodidina azy?

Tianay handifotra azy ireo ny sompatra eo amin'ny molony.

Inona no tian'i Davida hitranga amin'ireo izay milaza zava-dratsy momba ny hafa?

Davida maniry an'izay rehetra milaza zava-dratsy momba ny hafa mba tsy handry fahalemana ambonin'ny tany.

Psalms 14:9

Inona no tian'i Davida hitondra azy any amin'ny tanin'ny fahitsiana?

Ny fanahy tsaran'i Yaveh.

Psalms 14:9

Zavamaneno inona no hihiran'i Davida fihiram-baovao ho an'Andriamanitra?

Davida hihira fihiram-baovao ho an'Andriamanitra amin'ny valiha tory folo.

Inona no tenenin'ny vavan'ny olona hafa firenena?

Milaza lainga ny vavan'izy ireo ary fitaka ny tanany ankavanana.

Psalms 14:9

Iza no arovan'i Yaveh?

Yaveh miaro ny vahiny an-tany.

Mandra-pahoviana Yaveh no hanjaka?

Yaveh hanjaka mandrakizay, ho an'ny taranaka rehetra.

Psalms 14:9

Iza ihany koa no tokony hidera an'i Yaveh?

Ireo tendrombohitra, havoana, hazo mamoa sy sedera, bibidia sy ny voafolaka,ireo zava-manan'aina mandady ary ireo voro-manidina no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 14:10

Inona no hisaotra sy hankalaza an'i Yaveh?

Izay rehetra nataon'i Yaveh no hisaotra Azy ary ireo mahatokiny no hankalaza Azy.

Iza no hiteny ny voninahitry ny fanjakan'i Yaveh ary hanambara ny herin'i Yaveh?

Ireo mahatokin'i Yaveh no hiteny ny voninahitry ny fanjakan'i Yaveh ary koa hilaza ny heriny.

Psalms 14:10

Amin'inona Yaveh no tsy mahita fitia sy tsy mankamamy?

Tsy mahita sitraka amin'ny herin'ny soavaly i Yaveh ary tsy mankamamy amin'ny tanjaky ny tongotry ny olona.

Inona no ankasitrahan'i Yaveh?

Mankasitraka an'ireo izay manaja Azy Yaveh, dia izay manantena ny famindrampony.

Psalms 14:11

Inona no tian'i Davida hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalon'i Davida?

Mangataka an'i Yaveh i Davida mba hamongotra an'ireo fahavalony sy hamotika ireo fahavalon'ny fiainan'i Davida rehetra.

Psalms 14:12

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ireo ory sy mahantra?

Yaveh hitsara ny ory amin'ny indrafo sy hanome rariny ho an'ny mahantra.

Inona no hataon'ny olo-marina tokoa?

Azo antoka fa ny olo-marina dia hisaotra ny anaran'i Yaveh.

Inona no hitranga amin'ny olo-mahitsy?

Hiaina eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh izy ireo.

Psalms 14:12

Tian'i Davida ho tahaka ny inona ireo zanaka lahin'Israely?

Tiany ho toy ny zava-maitso izay mitombo tsara izy ireo amin'ny hatanorany.

Tian'i Davida ho toy ny inona ireo zanaka vavin'Israely?

Tiany ho toy ny vato fehizoro voasokitra, miendrika toy izany ireo izay ao an-dapa izy ireo.

Psalms 14:12

Amin'inona no nanaovan'i Yaveh ny vahoakan'Israely ho afapo?

Yaveh mahafapo azy ireo amin'ny vary tritrika tsara indrindra.

Psalms 14:13

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fanjakan'i Yaveh?

Ny fanjakan'i Yaveh dia fanjakana tsy manam-pahataperana ary maharitra manerana ny taranaka rehetra ny fanapahany.

Psalms 14:13

Nahoana Yaveh no tokony hoderaina?

Satriany anarany irery ihany no asandratra ary ny voninahiny mihitatra manerana ny tany aman-danitra.

Iza ireo mahatokin'i Yaveh?

Ny Israelita sy ny vahoaka manodidina azy no ireo mahatokin'i Yaveh.

Psalms 14:14

Iza ireo vahoaka faly lazain'i Davida eto?

Ireo vahoaka faly dia ireo izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny.

Psalms 14:14

Iza no tohanan'i Yaveh sy atsangany?

Manohana an'izay rehetra lavo Yaveh ary manangana an'izay rehetra mitanondrika.

Mason'iza no miandry an'i Yaveh ary omena sakafo amin'ny fotoana mahamety?

y mason'ny rehetra no miandry an'i Yaveh ary omena sakafo amin'ny fotoana mahamety azy.

Ahoana no fomba anomezan'i Yaveh fahafahampo ny fanirian'ny zava-manan'aina rehetra?

Yaveh mamelatra ny tanany ary mahafapo ny fanirian'ny zava-manan'aina rehetra.

Psalms 14:15

Ahoana no fomba andefasan'i Yaveh ny didiny ho ety amin'ny tany?

Yaveh mandefa ny didiny ho ety an-tany ary ny didiny mihazakazaka mafy.

Psalms 14:17

Akaiky an'iza Yaveh?

Akaikin'izay rehetra miantso Azy Yaveh, dia amin'izay rehetra miantso Azy amin'ny fahamarinana.

Psalms 14:17

Ahoana no hizarazaran'i Yaveh ny havandra?

izara ny havandra toy ny poti-javatra Yaveh.

Psalms 14:19

Tamin'iza no nanambaran'i Yaveh ny teniny sy ny ny didiny sy ireo lalà-mariny?

Nambarany tamin'i Jakoba ny teniny, ny didiny sy ireo lalà-mariny tamin'Israely.

Ho an'ny firenen-kafa inona no nanambaran'i Yaveh ny teniny, sy ireo didy aman-dalàny?

Tsy nambarana tamin'ny firenen-kafa izany.

Psalms 14:20

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ireo izay tia Azy?

Yaveh miambina an'izay rehetra tia Azy.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny ratsy fanahy rehetra?

Hamotika ny ratsy fanahy rehetra Izy.

Psalms 15

Psalms 15:1

Karazan'olona tahaka ny ahoana no mahazo mitoetra eo amin'ny tabernakelin'i Yaveh sy honina ao amin'ny havoany masina?

Ny olona izay mandeha tsy misy tsiny, manao izay marina, ary miteny fahamarinana amin'ny fony no mahazo mitoetra eo amin'ny tabernakelin'i Yaveh sy monina ao amin'ny havoany masina.

Psalms 15:1

Aiza ny olon-drehetra no tokony hidera an'Andriamanitra?

Ao amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra sy ny lanitra mahery.

Noho ny inona no tokony hideran'ny rehetra an'Andriamanitra?

Noho ireo asa maherin'Andriamaniatra ary noho ny fahalehibiazany mihoapapana.

Psalms 15:3

Inona no tsy ataon'ity olona tsy misy tsiny ity amin'ny lelany?

Tsy manendrikendrika amin'ny lelani izy.

Psalms 15:3

Miaraka amin'ny zavamaneno inona no tokony hideran'ny rehetra an'Andriamanitra?

Ny olon-drehetra tokony hidera an'Andriamanitra amin'ny anjomara, lokanga, harpa, ampongatapaka, dihy, valiha sy sodina, ary kipantsona maneno.

Psalms 15:4

Iza no hohamavoin'ity olona tsy misy tsiny ity?

Ny olon-tsy mendrika no hohamavoiny.

Iza no hajain'ity olona tsy misy tsiny ity?

Ireo izay matahotra an'i Yaveh no hajainy.

Rehefa mianiana amin'ny fahavoazany ity olona ity, dia inona no tsy hataony?

Tsy mamerina ny fampanantenany.

Rehefa mampisambom-bola izany olona tsy misy tsiny izany, dia inona no tsy hataony?

Tsy maka tombony izy.

Tsy handray kolikoly izany olona tsy misy tsiny izany mba hatao inona?

Tsy mandray kolikoly mba hijoroana vavolombelona manohitra ny tsy manan-tsiny izy.

Inona no tsy hitranga mihitsy amin'ny olona tsy misy tsiny ka manao ireo zavatra ireo?

Tsy mba hangozohozo mihitsy izy.

Psalms 15:6

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Ny zava-drehetra manam-pofonaina no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 16

Psalms 16:1

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra aminy?

Maniry an'Andriamanitra hiaro azy Davida satria mialoka ao amin'Andriamanitra.

Inona no fantatr'i Davida momba ny fifandraisany amin'i Yaveh?

Davida mahafantatra fa Yaveh no Tompo, ary tsinontsinona ny fahatsaran'i Davida raha tsy Yaveh.

Iza ireo masina eto ambonin'ny tany?

Izy ireo dia ny vahoaka izay ankasitrahan'i Davida.

Psalms 16:4

Inona no hitranga amin'ireo izay mikaroka andriamani-kafa?

Ho ampitomboina ny fahorian'ireo izay mitady andriamani-kafa

Amin'ny fomba ahona no tsy hanompoan'i Davida andriamani-kafa?

Tsy handraraka fanatitra rà ho an'ny andriamanitr'izy ireo izy, na hanandratra ny anaran'izany amin'ny molony.

Psalms 16:5

Inona no fantatr'i Davida fa ataon'i Yaveh azy?

Yaveh no mihazona ny anjarany, manome azy toerana mahafinaritra, sy lova mahafinaritra.

Psalms 16:7

Nahoana Davida no misaotra an'i Yaveh?

Davida misaotra an'i Yaveh satria manoro hevitra azy.

Psalms 16:9

Ahoana no fomba amalian'ny fon'i Davida an'i Yaveh?

Ravoravo ny fon'i Davida, ary hanandratra an'i Yaveh.

Inona no tsy ho avelan'i Yaveh hitranga amin'izay manana famindrampo?

Tsy ho avelan'i Yaveh hahita ny lavaka izy.

Psalms 16:11

Inona no tombony azon'i Davida avy amin'i Yaveh?

Yaveh mampianatra azy ny lalan'ny fiainana, manome azy fifaliana, sy fahafinaretana izay avy amin'ny fitoerana eo an-tanana ankavanan'i Yaveh mandrakizay.

Psalms 17

Psalms 17:1

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra ho azy?

Davida mangataka an'i Yaveh hihaino ny fitarainany fahamarinana, hihainoany ny antso vonjiny, ary ny hanongilanany sofina amin'ny fivavak'i Davida.

Inona ivavahan'i Davida mba ho tonga avy amin'ny fanatrehan'i Yaveh?

Davida mivavaka mba ho tonga eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ny fanamarinana azy.

Psalms 17:3

inona no hitranga amin'i Davida raha tonga eo aminy amin'ny alina Yaveh?

Hanadio azy Yaveh ary tsy hahita teti-dratsy na fahadisoana eo amin'ny vavany.

Psalms 17:4

Ahoana no fomba nitandreman'i Davida ny tenany tamin'ireo lalan'ny mpandika lalàna?

Amin'ny tenin'ny molotr'i Yaveh no nitandreman'i Davida ny tenany tamin'ny lalan'ny mpandika lalàna.

Psalms 17:6

Nahoana Davida no miantso an'i Yaveh?

Davida miantso an'Andriamanitra satria Andriamanitra mamaly azy.

Inona no angatahan'i Davida hasehon'Andriamanitra azy?

Mangataka amin'Andriamanitra izy mba hampisehoana ny famindrampony aminy amin'ny fomba mahagaga.

Iza no avotan'Andriamanitra amin'ny tanany ankavanana?

Manavotra an'ireo izay mialoka ao aminy amin'ireo fahavalony Izy.

Psalms 17:8

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ny fomba hiarovan'Andriamanitra azy amin'ireo fahavalp ratsy fanahy mamely mafy azy?

Andriamanitra hiaro an'i Davida tahaka ny andriamason'Andriamanitra amin'ny fanafenana an'i Davida eo ambany aloky ny elatr'Andriamanitra.

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ireo fahavalony?

Hoy izy fa tsy misy indrafo na amin'iza na amin'iza ireo fahavalony, ary ny vavan'izy ireo dia miteny an'avona.

Psalms 17:11

Inona ni nataon'ireo fahavalony tamin'i Davida?

Nihodidina ny diany izy ireo ary nampibanjina ny mason'izy ireo mba handavoana azy amin'ny tany.

Psalms 17:13

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalony?

Mangataka izy ny mba hitsanganan'i Yaveh, hamely an'ireo fahavalony, sy hanakapoka ny tavin'izy ireo amin'ny tany.

Amin'iza Davida no mangataka an'i Yaveh hamonjy azy amin'ny tanany?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hamonjy azy amin'ireo olon'izao tontolo izao izay amin'izao fiainana izao ihany no fananany.

Ahoana no hamatsian'i Yaveh ho an'ireo olona sarobidiny?

Yaveh hameno ny kibon'izy ireo amin'ny harena mba ho maro taranaka hametrahana ny hareny izy ireo.

Psalms 17:15

Inona no andrasan'i Davida hitranga rehefa mahita ny tavan'i Yaveh amin'ny fahamarinana izy?

Ho afapo amin'ny fahitana an'i Yaveh izy.

Psalms 18

Psalms 18:1

Fihetseham-po inona no asehon'i Davida amin'i Yaveh?

Hoy izy: "Tiako Ianao."

Psalms 18:2

Inona no hitranga rehefa miantso an'i Yaveh i Davida?

Ho avotra amin'ireo fahavalony i Davida.

Psalms 18:6

Taiza Yaveh rehefa nandre ny feon'i Davida?

Tao an-tempoly no nandrenesan'i Yaveh ny feon'i Davida.

Psalms 18:7

Nahoana no voahozongozona ny fanambanin'ireo tendrombohitra?

Voahozongozona ireo satria tezitra Andriamanitra.

Psalms 18:9

Ahoana no nataon'i Yaveh hidinana avy any an-danitra?

Nitaingina kerobima Izy dia nanidina; nisosa teny amin'ny elatry ny rivotra Izy

Psalms 18:13

Ahoana no nanelezan'i Yaveh an'ireo fahavalony?

Nandefa ny zana-tsipìkany Izy ary nampiparitaka azy ireo.

Psalms 18:15

Inona no nampiharihary ireo fanambanin'ny tany?

Ny hiakam-piadin'i Yaveh sy ny fipoaky ny vavorony.

Psalms 18:16

Avy tao anaty inona i davida no nosintonin'i Yaveh?

Nosintoniny avy tao amin'ny rano manonja i Davida.

Psalms 18:18

Nahoana no navotan'i Yavehi Davida?

Navotan'i Yaveh i Davida satria Yaveh faly taminy.

Psalms 18:27

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo olona ory?

Manavotra ny olona ory Izy.

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo manana maso mirehareha sy miandrandra?

Ahetriny ireo manana maso mirehareha sy miandrandra.

Psalms 18:30

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ny lalan'Andriamanitra?

Miteny izy fa tanteraka ny lalan'i Yaveh.

Psalms 18:37

Inona no nataon'i Davida tamin'ireo fahavalony?

Davida nanenjika ireo fahavalony sy nahatratra azy ireo.

Psalms 18:40

Inona no nitranga rehefa niantso an'i Yaveh ireo fahavalon'i Davida?

Tsy namaly azy ireo i Yaveh.

Psalms 18:43

Teo amin'inona no nametrahan'i Yaveh an'i Davida ho lohany?

Yaveh nanao an'i Davida ho lohan'ny firenena.

Psalms 18:48

Afaka tamin'iza i Davida?

Afaka tamin'ireo fahavalony izy.

Psalms 18:50

Amin'iza no ampisehoan'Andriamanitra ny fifanekem-pitokiany?

Mampiseho ny fifanekem-pitokiany amin'ilay voahosony Izy, dia amin'i Davida sy ireo taranany mandrakizay.

Psalms 19

Psalms 19:1

Inona no ambaran'ny lanitra sy ampahafantarin'ny habakabaka?

Ny lanitra manambara ny voninahitr'Andriamanitra ary ny habakabaka mampahafantatra ny asan'ny tanany.

Inona no ambaran'ny lahateny izay araraka?

Ny lahateny izay araraka dia manambara fahalalana.

Psalms 19:4

Aiza no alehan'ireo teny sy lahatenin'ny lanitra sy ny habakabaka?

Mandeha manerana ny tany rehetra ireo teniny, hatrany am-paran'ny tany.

Tahaka ny ahoana ny masoandro?

Ny masoandro dia tahaka ny mpampakatra, ary tahaka ny lehilahy mahery.

Psalms 19:7

Inona no ataon'ny lalàn'i Yaveh

Manarina fanahy ny lalàn'i Yaveh.

Inona no ataon'ny didin'i Yaveh?

Manome fahendrena ho an'ny tsy mahay ny didin'i Yaveh.

Inona no ataon'ny fampianaran'i Yaveh?

Maharavoravo fo izany.

Inona no ataon'ny fandidian'i Yaveh?

Manome fahitana ny maso izany.

Psalms 19:9

Ahoana no fomba ampitahana ny ireo didy marin'i Yaveh amin'ny volamena?

Sarobidy mihoatra ny volamena izany, eny mihoatra noho ny volamena tena tsara aza.

Psalms 19:11

Inona no ataon'ny didy marin'i Yaveh ho an'ny mpanompon'i Yaveh?

Amin'ny alalan'ireny no hampitandremana ny mpanompony, mahatonga azy hanakatoa sy hahazo valisoa lehibe ireny.

Diovina amin'inona no anagtahan'i Davida?

Mangataka izy ny mba hanadiovana azy amin'ireo heloka miafina.

Psalms 19:13

Inona no mitranga rehefa tsy mamela an'ireo ota sahisahy hanapaka aminy ny ilay mpanompo?

Ho tanteraka sy tsy manan-tsiny izy amin'ireo heloka marobe.

Inona no tian'i Davida ho mendrika eo imason'i Yaveh?

Davida maniry ireo tenin'ny vavany sy ireo fihevitry ny fony ho ekena eo imason'i Yaveh.

Psalms 20

Psalms 20:1

Avy aiza no tian'i Davida handefasan'Andriamanitra fanampiana sy fanohanana?

Mangataka izy mba handefasan'i Yaveh fanampiana avy amin'ny fitoerana masina ary fanohanana avy any Ziona.

Psalms 20:3

Inona no tian'i Davida hotsaroan'i Yaveh sy ekeny?

Davida mangataka an'i Yaveh mba hahatsiaro ireo fanatitra rehetra ary hanaiky ireo soron'izy ireo rehetra.

Psalms 20:5

Amin'inona izy ireo no lazain'i Davida fa hifaly?

Davida miteny fa hifaly amin'ny famonjen'i Yaveh izy ireo.

Iza nolazain'i Davida fa hovonjen'i Yaveh?

Fantatr'i Davida fa Yaveh hamonjy ny voahosony.

Psalms 20:7

Amin'inona ireo olona hafa no mitoky?

Misy ny mitoky amin'ny kalesy ary ny hafa kosa amin'ny soavaly.

Inona ataon'i Davida sy ny vahoakany mba hahazoana fandresena?

Miantso an'i Yaveh Andriamaniny izy ireo.

Psalms 21

Psalms 21:1

Amin'inona ny mpanjaka no mifaly?

Mifaly amin'ny herin'i Yaveh izy ary amin'ny famonjena omen'i Yaveh.

Inona no efa nataon'i Yaveh tamin'ny mpanjaka?

Yaveh nanome izay nirian'ny fon'ny mpanjaka ary tsy mba nandàny fangatahan'ny molony.

Psalms 21:3

Inona no nentin'i Yaveh ho an'ny mpanjaka ary napetrany teo amin'ny lohany?

Nitondra fitahiana be Izy ary nametraka satro-boninahitra vita amin'ny volamena madio indrindra teo amin'ny lohany.

Inona no nomen'i Yaveh ny mpanjaka taorian'ny nagatahan'ny mpanjaka izany?

Yaveh nanome fiainana sy andro lava ho an'ny mpanjaka mandrakizay doria.

Psalms 21:5

Nahoana no lehibe ny voninahitry ny mpanjaka?

Lehibe ny voninahiny noho ny fandresen'i Yaveh.

Inona no nampitoerin'i Yaveh ho an'ny mpanjaka?

Yaveh nampitoetra famirapiratana sy ny voninahitra.

Psalms 21:7

Nahoana ny mpanjaka no tsy ho voaala?

Tsy ho voaala izy satria matoky an'i Yaveh amin'ny alalan'ny famindrampon'ny Avo Indrindra.

Iza no hosamborin'ny tanan'i Yaveh?

Hisambotra ireo fahavalo izay mankahala an'i Yaveh rehetra Izy.

Psalms 21:9

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalony?

Handoro azy ireo Izy, ary ho levon'ny fahatezerany izy ireo.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo taranak'ireo fahavalony?

Hamotika ny taranak'izy ireo Izy.

Psalms 21:11

Nahoana Yaveh no hamotika ireo fahavalony?

Hamotika azy ireo Izy satria nikasa hanisy ratsy Azy.

Nahoana no tsy ho tanteraka ny teti-dratsin'ireo fahavalon'i Yaveh?

Tsy hahomby izany satria Yaveh hampiamboho azy ireo ka hamoaka ny tsipìkany amin'izy ireo.

Psalms 21:13

Ahoana no fomba hanandratan'ny olona an'i Yaveh?

Hihira sy hidera ny heriny izy ireo.

Psalms 22

Psalms 22:1

Inona no anontanian'i Davida amin'Andriamanitra?

Davida manotany hoe nahoana Andriamanitra no nahafoy azy, nahoana Izy no dia nanalavitra an'i Davida.

Inona no ataon'i Davida amin'ny andro sy amin'ny alina?

Mitomany Davida amin'ny atoandro ary tsy mangina izay amin'ny alina.

Psalms 22:3

Ahoana no hanondroan'i Davida an'Andriamanitra?

Davida manondro an'Andriamanitra ho Masina, mipetraka ho mpanjaka miaraka amin'ny fideran'Israely.

Inona no nataon'ireo razan'i Davida ary ahoana no navalin'Andriamanitra?

Natoky an'Andriamanitra izy ireo, dia novonjeny, ary tsy diso fanantenana izy ireo.

Psalms 22:6

Ahoana no fomba hamaritan'i Davida ny tenany?

Davida miteny fa kankana izy fa tsy olona, fahafam-baraka ho an'ny olombelona ary nataon'ny olona tsinontsinona

Inona no lazain'ireo olona izay miteny ratsy sy maneso an'i Davida aminy?

Hoy izy ireo: "Matoky an'i Yaveh izy; aoka Yaveh hanavotra azy."

Psalms 22:9

Hafiriana Davida no efa nitoky tamin'Andriamanitra?

Natoky an'Andriamanitra fony izy mbola teo an-tratran-dreniny ary hatramin'izy mbola tao an-kibon'ny reniny.

Psalms 22:11

Inona no angatahin'i Davida hataon'Andriamanitra ho azy?

Mangataka an'Andriamanitra izy mba tsy hanalavitra azy satria manakaiky azy ny fahoriana ary tsy misy hamonjy azy.

Inona no manodidina an'i Davida tahaka ny liona mierona?

Ombilahy matanjaka avy any Basana marobe no manodidina azy ary mampitanatana ny vavany aminy.

Psalms 22:14

Ahoana no fomba hamaritan'i Davida ny tenany?

Izy miteny fa araraka toy ny rano izy, nipitsoka avokoa ny taolany rehetra, tahaka ny savoka ny fony, maina ny heriny, miraikitra amin'ny lanilaniny ny lelany.

Psalms 22:16

Inona no nanodidina an'i Davida?

Alika no nanodidina azy ary vondron'ny mpanao ratsy no nihodidina azy, izay nandoaka ny tanany sy tongony.

Psalms 22:18

Inona no natao tamin'ireo fitafiana sy akanjo?

Nifampizarana ny fitafiana; nilokana ny akanjo.

Inona no angatahan'i Davida amin'i Yaveh?

Izy mangataka an'i Yaveh mba tsy hanalavitra azy.

Psalms 22:20

Amin'inona i Davida no te ho avotra sy voavonjy?

Tiany ho voavonjy amin'ny sabatra ny fanahiny, ary ny ainy sarobidy amin'ny rangotry ny amboadia, sy ny tandroky ny ombidia, ary ho avotra amin'ny vavan'ny liona.

Psalms 22:22

Inona no hambaran'i Davida amin'ireo rahalahiny ary aiza izy no hidera an'i Yaveh?

Hanambara ny anaran'i Yaveh amin'ireo rahalahiny izy ary hidera Azy eny an'ivon'ny fiangonana.

Iza no tokony hidera, hankalaza, sy hijoro am-pitalanjonana amin'i Yaveh?

Izay rehetra matahotra an'i Yaveh, ny taranak'i Jakoba rehetra no tokony hidera, hankalaza, sy hijoro am-pitalanjonana aminy.

Psalms 22:24

Oviana Yaveh no nandre ilay nampahoriana?

Tamin'ny nitarainany taminy no nandrenesan'i Yaveh azy.

Aiza i Davida no hidera sy hanatanteraka ny voadiny?

Hidera an'i Yaveh ao amin'ny fiangonan-dehibe izy ary hanatanteraka ny voadiny eo anatrehan'ireo izay matahotra an'i Yaveh.

Psalms 22:26

Iza no hihinana, ho afapo, ary hidera an'i Yaveh?

Ny ory hihinana ka ho afa-po ary izay mitady an'i Yaveh dia hidera Azy

Inona no hataon'ny olon-drehetra amin'ny tany ary inona no hataon'ny fianakavian'ireo firenena?

Hahatsiaro ary hiverina amin'i Yaveh ireo vahoakan'ny tany rehetra ary hiankohoka eo anatrehany ireo fianakaviana rehetra amin'ny firenena marobe.

Psalms 22:28

Manerana ny inona Yaveh no manapaka?

Manapaka manerana ireo firenena Yaveh.

Iza no hiankohoka eo anatrehan'i Yaveh?

Izay rehetra hody vovoka, dia izay tsy afaka mihazona ny fanahiny, no hiankohoka eo anatrehany.

Psalms 22:30

Inona no ho ataon'ireo taranaka hoavy?

Ho tonga izy ireo ary hanambara amin'ny olona tsy mbola teraka akory izay efa nataony.

Psalms 23

Psalms 23:1

Iza no mpiandry an'i Davida?

Yaveh no mpiandry an'i Davida.

Aiza no ampandrian'i Yaveh an'i Davida?

Yaveh mampandry an'i Davida amin'ny ahi-maitso.

Aiza no itondran'i Yaveh an'i Davida?

Yaveh mitondra an'i Davida amoron'ny rano fialan-tsasatra.

Psalms 23:3

Inona no velombelomin'i Yaveh?

Mamelombelona ny ain'i Davida Izy.

Aiza Yaveh no mitondra an'i Davida?

Mitarika an'i Davida any amin'ny lala-marina Yaveh.

Psalms 23:4

Oviana Davida no mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana, iza no momba Azy?

Yaveh no momba azy.

Psalms 23:5

Inona no omanin'i Yaveh manoloana an'i Davida?

Yaveh manomana latabatra eo amin'ny fanatrehan'ireo fahavalon'i Davida.

Inona no osoran'i Yaveh?

Yaveh manosotra diloilo ny lohan'i Davida.

Psalms 23:6

Inona no hanaraka an'i Davida mandritra ny androm-piainany?

Fahatsarana sy famindrampo no hanaraka ani Davida.

Psalms 24

Psalms 24:1

Iza no namorona ny tany?

Yaveh no namorona izany ho eo ambonin'ny ranomasina ary nampitoetra izany teo ambony ony.

Psalms 24:3

Iza no hiakatra amin'ny tendrombohitr'i Yaveh ka hijoro eo amin'ny fitoerana masin'i Yaveh?

Ireo izay manana tanana madio sy fo tsy misy pentina; izay tsy nanandratra ny fanahiny amin'ny lainga, ary izay tsy nanao fampanantenana mamitaka no hiakatra amin'ny tebndrombohitr'i Yaveh sy hijoro eo amin'ny fitoerany masina.

Psalms 24:5

Iza no handray fitahiana avy amin'i Yaveh?

Ny taranak'ireo izay mitady Azy, dia ireo izay mitady ny tavan'Andriamanitr'i Jakoba, no hahazo fitahiana.

Psalms 24:7

Nahoana ireo vavahady no tokony hiainga?

Mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.

Psalms 25

Psalms 25:1

Inona no angatahan'i Davida amin'Andrimanitra?

Davida mangataka amin'Andriamanitra mba tsy hamelany azy ho menatra, ary tsy hamelana ireo fahavalony hifaly aminy.

Psalms 25:4

Inona no angatahan'i Davida amin'i Yaveh mba hampahafantarina aminy?

Davida mangataka amin'i Yaveh mba hampahafantarina aminy ny lalan'i Yaveh.

Psalms 25:6

Inona no angatahan'i Davida mba hotsarovan'i Yaveh?

Davida mangataka an'i Yaveh hahatsiaro ireo asam-pamindrampony sy ny fangorahana, fa kosa tsy hihevitra ny amin'ireo fahotan'ny fahatanoran'i Davida ny ny fikomiany.

Psalms 25:8

Inona ataon'i Yaveh satria tsara Izy ary marina?

Mampianatra ireo mpanota ny lalana Izy, mitarika ny manetry tena amin'ny fahitsiana, ary mampianatra azy ireo ny lalany.

Psalms 25:10

Amin'inona no nanaovana ny lalan'i Yaveh?

Natao tamin'ny famindrampo sy fahamarinana ireo lalan'i Yaveh.

Nahoana Yaveh no tokony hamela an'i Davida?

Tokony hamela an'i Davida Izy noho ny amin'ny anaran'i Yaveh.

Psalms 25:12

Inona no ho ataon'i Yaveh ho an'ny lehilahy matahotra an'i Yaveh?

Ny Tompo hananatra azy amin'ny lalana tokony ho finidiny.

Psalms 25:14

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo izay manaja Azy?

Omeny azy ireo ny finamanana ary ampahafantariny azy ireo ny fanekeny.

Nahoana Davida no mibanjina mandrakariva an'i Yaveh?

Satria Yaveh hanafaka ny tongotr'i Davida amin'ny harato.

Rehefa irery sy ory Davida, dia inona no angatahiny amin'i Yaveh?

Davida mangataka an'i Yaveh hitodika any aminy sy hamindrafo aminy.

Psalms 25:17

Rehefa ory ny fon'i Davida dia inona no angatahany amin'i Yaveh?

Davida mangataka an'i Yaveh mba hijery ny fahoriany sy ny fisasarany, mba hamelana ireo fahotany, ary hijerevana ireo fahavalony mankahala azy sy lozabe aminy.

Psalms 25:20

Nahoana Davida no tsy ho menatra?

Satria izy mialoka ao amin'i Yaveh.

Psalms 25:22

Amin'inona Davida no mangataka an'Andriamanitra hamonjy an'Israely?

Izy mangataka an'Andriamanitra hamonjy an'Israely amin'ireo fahoriany rehetra.

Psalms 26

Psalms 26:1

Ahoana no anambaran'i Davida fa nandeha izy?

Davida miteny fa nandeha tamim-pahitsian izy ary natoky an'i Yaveh tsy nisy fisalasalana.

Inona no angatahin'i Davida an'i Yaveh mba hobanjinina sy hozahana?

Izy mangataka an'i Yaveh mba hizaha ny fahadiovan'ny atiny sy ny fony.

Inona no manoloana ny mason'i Davida?

Ny famindrampon'i Yaveh no manoloana ny mason'i Davida

Psalms 26:4

Amin'iza no tsy hikambanana na hifangaroan'i Davida?

Tsy mikambana amin'ireo olona mpamitaka i Davida na mifangaro amin'ireo olona tsy marina.

Inona no halan'i Davida?

Davida mankahala ny fiangonan'ny mpanao ratsy.

Amin'iza no tsy hiarahan'i Davida monina?

Tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy izy.

Psalms 26:6

Inona no ataon'i Davida raha mandehandeha eo amin'ny alitaran'i Yaveh izy?

Miventy hira fiderana mafy dia mafy izy ary mitatitra ireo asa mahagaga an'i Yaveh rehetra.

Ahoana no fahatsapan'i Davida ny amin'ny trano izay onenan'i Yaveh?

Tiany ny trano izay onenan'i Yaveh.

Psalms 26:9

Inona no angatahan'i Davida tsy ho ataon'i Yaveh.

Davida mangataka an'i Yaveh tsy handripaka ny fanahiny miaraka amin'ireo mpanota, na ny ainy miaraka amin'ireo olona lian-drà.

Psalms 26:11

Ahoana no fomba handehanan'i Davida?

Davida miteny fa handeha amim-pahitsiana izy.

Azia no hitsanganan'ny tongotr'i Davida ary aiza izy no hisaotra an'i Yaveh?

Mitsangana eo amin'ny tany marina ny tongony ary hisaotra an'i Yaveh ao amin'ny fiangonana izy.

Psalms 27

Psalms 27:1

Nahoana Davida no tokony tsy hatahotra na iza na iza?

Tsy tokony hatahotra na iza na iza Davida satria Yaveh no fahazavany, famonjena ho azy, ary fialofan'ny ainy.

Psalms 27:2

Inona no nitranga rehefa nanatona an'i Davida ireo mpano ratsy?

Tafintohina sy lavo ireo mpandrafy sy ireo fahavalony azy.

Amin'ny toe-javatra manao ahoana i Davida no tsy hatahotra fa kosa hijanona ho mahatoky?

Na dia misy tafika mitoby hanohitra azy aza ary misy ady atsangana hanohitra azy aza dia tsy hatahotra ny fony.

Psalms 27:4

Inona no nangatahan'i Davida an'i Yaveh?

Davida nangataka mba honenany ao an-tranon'i Yaveh mandritra ny androm-piainany, mba hahitany ny hatsaran'i Yaveh, ary hisantsainany ao an-tempoly.

Psalms 27:5

Inona no hataon'i Yaveh ho an'i Davida amin'ny androm-pahoriana?

Yaveh hanaloka azy ao amin'ny fialofany, ary hanarona azy ao amin'ny firakotry ny lainy, ka hampiakatra azy avo ambony vatolampy.

Ahoana no hanoloran'i Davida fanompoana ho an'i Yaveh?

Davida hanolotra fanatim-pisoronam-pifaliana, hihira, sy hanao fihirana ho an'i Yaveh.

Psalms 27:7

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh?

Davida mangataka an'i Yaveh hihaino ny feony, mba hamindrafo aminy, ary hamaly azy.

Inona no lazain'ny fon'i Davida momba an'i Yaveh?

Hoy ny fon'i Davida: "Tadiavo ny tavany!"

Psalms 27:9

Inona no angatahan'i Davida tsy hataon'i Yaveh?

Davida mangataka amin'i Yaveh mba tsy hanafenany ny tavany aminy, mba tsy hamelezany amin-katezerana ny mpanompony, na hahafoy na hahasaraka azy

Amin'ny toe-javatra tahaka ny inona Yaveh no handray an'i Davida?

Yaveh mbola handray an'i Davida na dia nahafoy azy aza ny ray sy reniny.

Psalms 27:11

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh noho ireo fahavalon'i Davida?

Davida mangataka an'i Yaveh hampianatra azy ny lalan'i Yaveh ary hitondra azy amin'ny tany marina noho ireo fahavalony.

Nahoana Davida no mangataka mba tsy hanomezan'i Yaveh ny fanahiny amin'ireo fahavalony?

Davida mangataka an'i Yaveh mba tsy hanolotra ny fanahiny ho an'ireo fahavalony satria vavolombelona tsy marina no nitsangana hanohitra azy, ary mifofofofo herisetra izy ireo.

Psalms 27:13

Inona no ninoan'i Davida fa hamonjy azy?

Nino izy fa hahita ny fahatsaran'i Yaveh any amin'ny tanin'ny velona.

Inona no ampaherezan'i Davida hataon'ny vahoaka?

Davida mampahery ny vahoaka mba hiandry an'i Yaveh, hatanjaka, ary hamela ny fon'izy ireo ho mahery.

Psalms 28

Psalms 28:1

Amin'iza Davida no mitaraina?

Mitaraina amin'i Yaveh, vatolampiny i Davida.

Inona no hitranga amin'i Davida raha tsy mamaly azy Yaveh?

Hiaraka amin'ireo izay midina any am-pasana Davida.

Iza no tian'i Davida hihaino ny feon'ny fitarainany?

Davida maniry an'i Yaveh hihaino ny feon'ny fitarainany.

Psalms 28:3

Inona no angatahan'i Davida tsy hataon'i Yaveh?

Davida mangataka an'i Yaveh tsy hanala azy miaraka amin'ny ratsy fanahy.

Inona no angatahan'i Davida homen'i Yaveh ho an'ny ratsy fanahy?

Davida mangataka an'i Yaveh hanome azy ireo izay asa mendrika azy ireo ary hamaly angatahan'ny faharatsian'izy ireo.

Inona no tsy takatry ny ratsy fanahy?

Ny ratsy fanahy tsy mahatakatra ny lalan'i Yaveh na ny asan'ny tanany.

Psalms 28:6

Inona no ren'i Yaveh?

Yaveh nandre ny feon'ny fitarainan'i Davida.

Iza no herin'i Davida sy ampingany?

Yaveh no herin'i Davida sy ampingany.

Amin'iza no itokian'ny fon'i Davida?

matoky an'i Yaveh ny fon'i Davida ka ravoravo fatratra.

Iza no herin'ny vahoakany?

Yaveh no herin'ny vahoakany.

Iza no fialofana famnjen'ilay voahosony?

Yaveh no fialofana famonjen'ilay voahosony.

Psalms 28:9

Iza no irian'i Davida ho vonjen'i Yaveh sy hotahiany?

Davida maniry an'i Yaveh hanavotra ny vahoakany ary hitahy ny lovany.

Psalms 29

Psalms 29:1

Iza no lazain'i Davida fa tokony hiaiky fa manana voninahitra sy fahefana Yaveh?

Davida miteny fa tokony hiaiky ny voninahitra sy fahefan'i Yaveh ireo zanaka lahin'ny mahery.

Inona no mendrika ny anaran'i Yaveh?

Mendrika ny anaran'i Yaveh ny haja.

Psalms 29:3

Amin'inona no ampitahain'i Davida ny feon'i Yaveh?

Ampitahainy amin'ny kotroka ny feon'i Yaveh.

Inona no potipotehan'i Yaveh?

Yaveh mamotipotika ireo sederan'i Libanona.

Psalms 29:6

Inona ampihozongozonin'i Yaveh?

Yaveh mampihozongozona ny efitr'i Kadesy.

Psalms 29:9

Inona no lazain'ny olon-drehetra ao an-tempolin'i Yaveh?

Ny olon-drehetra any an-tempoliny miteny hoe: "Voninahitra!"

Mandra-pahoviana Yaveh no hipetraka toy ny mpanjaka?

Yaveh mipetraka toy ny mpanjaka mandrakizay.

Psalms 29:11

Inona no zavatra roa omen'i Yaveh ny vahoakany?

Yaveh manome hery ny olony ary mitahy ny olony amin'ny fiadanana.

Psalms 30

Psalms 30:1

Nahoana Davida no manandratra an'i Yaveh?

Manandratra an'i Yaveh izy satria nanangana an'i Davida i Yaveh ary tsy mamela ireo fahavalon'i Davida hifaly aminy.

Inona no nataon'i Yaveh raha nitaraina famonjena Davida?

Yaveh nanasitrana an'i Davida.

Avy aiza Yaveh no nitondra ny fanahin'i Davida?

Yaveh nitondra ny fanahin'i Davida niakatra avy tany amin'ny Fiainan-tsy hita.

Psalms 30:4

Inona no nasaina ataon'ny mahatoky ho fahatsiarovana ny fahamasinan'i Yaveh?

Nasaina nihira fiderana ho an'i Yaveh ireo mahatoky ary hisaotra Azy.

Mandra-pahoviana no haharetan'ny hatezerana sy fankasitrahan'i Yaveh?

Vetivety monja ny fahatezeran'i Yaveh, fa ny fankasitrahany kosa dia mandritra ny androm-piainana.

Inona no mitranga aorian'ny fahatongavan'ny fitomaniana amin'ny alina?

Tonga amin'ny maraina ny fifaliana.

Psalms 30:6

Inona no nolazain'i Davida tamim-pahatokiana?

Hoy Davida: "Tsy mba hangozohozo mihitsy aho."

Inona no nitranga tamin'i Davida raha nanafina ny tavany Yaveh?

Rehefa nanafina ny tavany Yaveh, dia ory Davida.

Inona no notadiavin'i Davida avy amin'ny Tompo?

Davida nitady sitraka avy tamin'ny Tompo.

Psalms 30:9

Inona ireo zavatra angatahan'i Davida hataon'i Yaveh ho azy?

Davida mangataka an'i Yaveh hihaino azy, ary mbva hananany famindrampo aminy, sy ho mpamonjiny.

Psalms 30:11

Inona no nataon'i Yaveh tamin'i Davida?

Yaveh namadika ny fisaonan'i Davida ho fandihizana, nanala ny akanjo fisaonany ary nampitafy azy tamin'ny fifaliana.

Inona no hataon'ny fo ravoravon'i Davida?

Hihira fiderana ho an'i Yaveh ny fo ravoravon'i Davida ka tsy hangina. Hisaotra an'i Yaveh Andriamaniny mandrakizay izy.

Psalms 31

Psalms 31:1

Ao amin'iza Davida no mialoka?

Davida mialoka ao amin'i Yaveh.

Inona no angatahan'i Davida amin'i Yaveh mba ho inony?

Izy mangataka an'i Yaveh mba ho vatolampy fialofany sy fiarovana mafy hiaro azy.

Psalms 31:3

Nahoana Davida no mangataka an'i Yaveh hitarika sy hitondra azy?

Davida mangataka an'i Yaveh hitarika sy hitondra azy noho ny amin'ny anaran'i Yaveh.

Nahoana Davida no mino fa Yaveh hanongotra azy amin'ny haraton'ireo fahavalony izay nafenina ho azy?

Yaveh hanongotra azy amin'ny harato satria Yaveh no fialofany.

Psalms 31:5

Eo amin'inona Davida no manankina ny fanahiny?

Davida manankina ny fanahiny eo an-tananan'i Yaveh.

Iza no ankahalain'i Yaveh?

Izy mankahala an'ireo izay manompo sampy zavapoana.

Nahoana Davida no ho faly sy hiravo ao amin'ny famindrampon'i Yaveh?

Ho faly sy hiravo Davida satria Yaveh efa nahita ny fampahoriana azy ary mahalala ny fahorian'ny fanahiny.

Psalms 31:8

Aiza Yaveh no mametraka ny tongotr'i Davida?

Yaveh mametraka ny tongony ho eo amin'ny tany malalaka.

Nahoana Davida no maniry an'i Yaveh hanana famindrampo aminy?

Maniry an'i Yaveh hanana famindrampo aminy izy satria anaty fahoriana izy ary miha-reraky ny alahelo ny masony.

Psalms 31:10

Nahoana ny herin'i Davida no lefy ary ny taolany mihalany?

Lefy ny heriny ary mihalany ny taolany nohon'ny fahotany.

Ahoana no navalin'ny vahoaka tamin'ny manjo an'i Davida?

Manamavo azy ny olona, ireo mpiray monina aminy rikoriko sy mivarahontsana amin'izay manjo azy, ary Izay mahita azy eny an-dalana mitsoaka avokoa.

Psalms 31:12

Mampitaha ny tenany amin'inona Davida?

Davida milaza fa adino toy ny olona maty tsy misy mpihevitra izy, ary toy ny vilany vaky.

Nahoana Davida no ory loatra?

Nandre ny bitsibitsiky ny maro, sy ireo vaovao mampahatahotra avy eny rehetra eny izy fa hoe izy ireo miray tetika hikendry haka ny ainy.

Psalms 31:14

Amin'iza Davida no mangataka an'Andriamanitra hanavotra azy?

Izy mangataka an'Andriamanitra hanavotra azy amin'ireo fahavalony ary amin'ireo izay manenjika azy.

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra ho an'ny mpanompony?

Davida mangataka an'Andriamanitra hampamirapiratra ny tavany amin'i Davida, ary mba hanavotra azy amin'ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 31:17

Inona no angatahan'i Davida tsy ho avelan'Andriamanitra hitranga amin'i Davida?

Davida mangataka an'i Yaveh tsy hamela azy ho menatra.

Nahoana no tokony hangina ny molotra mpandainga?

Ireny dia miteny hamely ny olo-marina amim-pihantsiana miaraka amin'ny fiavonavonana sy ny fanamavoana.

Psalms 31:19

Notehirizina ho an'iza ny fahatsaran'Andriamanitra?

Ny fahatsaran'i Yaveh dia notehirizina ho an'ireo izay manaja Azy.

Amin'inona no antony hanafenan'i Yaveh an'ireo izay manaja Azy?

Afeniny amin'ny teti-dratsin'ireo olona sy amin'ny herisetran'ny lela izy ireo.

Psalms 31:21

Nahoana Yaveh no hisaorana?

Yaveh nampiseho an'i Davida ny famindrampony mahagaga fony Davida tao anaty tanàna natao fahirano

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Davida na dia niteny aza Davida fa efa nofongorina tamin'ny mason'Andriamanitra izy?

Yaveh nandre ny fitarainany famonjena tamin'i Davida niantso Azy.

Psalms 31:23

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ireo mpanaradia mahatokiny?

Yaveh miaro ny mahatoky fa mamaly tanteraka ny mpiavonavona kosa.

Torohevitra tahaka ny ahoana no omen'i Davida ho an'ireo izay matoky an'i Yaveh?

Izy miteny azy ireo mba ho mahery sy matanjaka.

Psalms 32

Psalms 32:1

Ahoana no fomba hitahian'i Yaveh ny olony?

Yaveh mitahy ny olony amin'ny famelana ny fahotan'izy ireo ary amin'ny fanaronana ny helony.

Psalms 32:3

Inona no nitranga tamin'i Davida rehefa nangina izy?

niha-osa ny taolany ary nisento andro lava izy. Navesatra taminy ny tanan'Andriamanitra ary nalazo ny heriny.

Psalms 32:5

Inona no nataon'Andriamanitra rehefa niaiky ny fahotany sy tsy nanafina heloka intsony Davida?

Andriamanitra namela heloka an'i Davida.

Inona no tokony hataon'ny olona masina?

Tokony hivavaka amin'i Yaveh izy ireo amin'ny fotoan'ny fahoriambe.

Inona no hitranga amin'ireo masina izay mivavaka amin'i Yaveh amin'ny fotoan'ny fahoriambe?

Rehefa manenika ny misamboravoara, dia tsy hahatratra ireo olona ireo izany.

Psalms 32:7

Amin'inona no hiodidinan'Andriamanitra?

Andriamanitra mihodidina azy amin'ny hiram-pandresena.

Psalms 32:9

Inona no hitranga an'ilay matoky an'i Yaveh?

Hanodidina azy ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 32:11

Inona no tokony ataon'ny marina sy ny mahitsy fo ho an'i Yaveh?

Ny mahitsy fo tokony hifaly sy hihiakam-pifaliana.

Psalms 33

Psalms 33:1

Ao amin'iza ny lazain'ny mpanoratra fa tokony hifalian'ny marina?

Ny marina tokony hifaly ao amin'i Yaveh.

Amin'ny zava-maneno inona no lazain'ny mpanoratra fa hisaorana an'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny mba hisaotra an'i Yaveh amin'ny lokanga.

Psalms 33:4

Ahoana no hamaritan'ny mpanoratra ny tenin'i Yaveh sy ireo asany?

Mahitsy ny tenin'i Yaveh ary ny zava-drehetra ataony dia ara-drariny.

Inona zavatra no tian'i Yaveh?

ia fahamarinana sy rariny Yaveh.

Inona no noforonina tamin'ny tenin'i Yaveh?

Ny lanitra no noforonina tamin'ny tenin'i Yaveh.

Inona no noforonina tamin'ny fofonain'ny vavan'i Yaveh?

Ny kintana rehetra no natao tamin'ny fofonain'ny vavany

Psalms 33:7

Inona no lazain'ny mpanoratra fa ataon'i Yaveh amin'ireo ranon-dranomasina?

Izy manangona ireo ranon-dranomasina tahaka ny antontan-javatra.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa tokony ataon'ny mponina rehetra eto amin'izao tontolo izao?

Tokony hijoro am-pitalanjonana amin'i Yaveh ny mponin'ny tany rehetra.

Psalms 33:10

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fikasan'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny fanirian'i Yaveh, ny fikasan'ny fony ho an'ny taranaka rehetra.

Psalms 33:13

Amin'iza Yaveh no mijery avy eny amin'izay onenany?

Mijery ny olona rehetra miaina ambonin'ny tany avy eny amin'ny lanitra i Yaveh.

Psalms 33:18

Amin'iza ny mason'i Yaveh?

Amin'izay matahotra Azy ny mason'i Yaveh.

Psalms 33:20

Nahoana ny fontsika no tokony hifaly ao amin'i Yaveh?

Tokony hifaly ao amin'i Yaveh ny fontsika, satria isika matoky ny anarany masina.

Psalms 34

Psalms 34:1

Hafiriana Davida no hidera an'i Yaveh?

Hidera an'i Yaveh amin'ny fotoana rehetra Davida.

Psalms 34:2

Iza no tian'i Davida hihaino rehefa midera an'i Yaveh izy?

Davida maniry an'ireo nampahoriana hihaino izany ka hifaly.

Inona no angatahan'i Davida hataon'ny olona miaraka aminy?

Davida mangataka azy ireo hidera an'i Yaveh sy hiara-hanandratra ny anarany.

Psalms 34:4

Inona no nitranga rehefa nitady an'i Yaveh i Davida?

Yaveh namaly an'i Davida ary nanome azy fandresena tamin'ny tahotra rehetra.

Inona no mitranga amin'ireo izay mijery an'i Yaveh?

Mamirapiratra izy ireo ary tsy menatra ny tavan'izy ireo.

Inona no nataon'i Yaveh rehefa nandre izany lehilahy nampahoriana izany nitaraina Izy?

Yaveh nanavotra azy tamin'ny fahoriany rehetra.

Psalms 34:7

Inona no ataon'ireo anjelin'i Yaveh rehefa mitoby manodidina izay matahotra Azy Izy?

Mamonjy azy ireo ny anjelin'i Yaveh.

Iza ny olona sambatra?

Ny olona sambatra dia izay mialoka ao amin'i Yaveh.

Inona ho amin'ireo vahoaka voafidin'i Yaveh ka matahotra Azy?

Tsy hanan-java-mahory izay matahotra an'i Yaveh.

Psalms 34:10

Inona no lazain'i Davida momba ireo izay mitady an'i Yaveh?

Ireo izay mitady an'i Yaveh dia tsy mba ho ory zava-tsoa.

Inona no ambaran'i Davida amin'ireo zanaka?

Hoy Davida: "Avia, mihainoa fa hampianatra anao ny fahatahorana an'i Yaveh aho.

Psalms 34:12

Inona no ambaran'i Davida fa tokony ataon'ny olona maniry fiainana?

Davida miteny fa tokony hiala amin'ny fitenenan-dratsy izy, miambina amin'ny filazana lainga, miala amin'ny ratsy, manao ny tsara ary mitady fihavanana sy manaraka izany.

Psalms 34:15

Ahoana no avalin'i Yaveh amin'ny fitarainan'ny marina?

Ny masony mankany amin'ny marina ary ny sofiny mitongilana any amin'ny tomanin'izy ireo.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo mpanao ratsy, izay manohitra Azy?

Izy hamongorana ny fahatsiarovana azy ireo eto an-tany.

Inona no ataon'i Yaveh rehefa mitaraina ny marina?

Izy mandre sy mamonjy azy ireo amin'ny fahoriany rehetra.

Psalms 34:18

Akaikin'iza Yaveh?

Akaiky ny torotoro fo Yaveh.

Iza no avotan'i Yaveh?

Yaveh manavotra an'ireo izay torotoro fanahy

Inona no mitranga amin'ny marina izay manam-pahoriana maro?

Yaveh manome azy fandresena manerana izany rehetra izany ary miaro ny taolany rehetra.

Psalms 34:21

Inona no hitranga amin'ny ratsy fanahy?

Hamono ny ratsy fanahy ny ratsy.

Inona no hitranga amin'ireo izay mankahala ny marina?

Homelohina izy ireo.

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ny mpanompony mialoka eo aminy?

Izy manavotra ny fanahin'izy ireo ka dia tsy ho voaheloka izy ireo.

Psalms 35

Psalms 35:1

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh hoa azy?

Davida mangataka an'i Yaveh hiasa hanoherana an'ireo izay miasa hanohitra azy, ary hiady amin'ireo izay miady aminy.

Fitaovam-piadiana inona no angatahan'i Davida amin'i Yaveh hampiasaina mba hamonjena azy?

Mangataka amin'i Yaveh izy mba hampiasany ny ampinga kely sy ampinga lehibe, ny lefony, ary ny famakin'adiny.

Psalms 35:4

Inona no tian'i Davida hiseho amin'ireo izay mikasa hanisy ratsy azy?

Davida maniry azy ireo hiamboho sy ho very hevitra.

Iza no tian'i Davida handroaka ireo fahavalony?

Izy maniry ny anjelin'i Yaveh handroaka azy ireo.

Psalms 35:7

Inona no nataon'ireo fahavalon'i Davida tsy amin'ny antony?

Namelatra ny haratony sy nihady lavaka ho an'i Davida izy ireo.

Inona tian'i Davida hitranga amin'ireo fahavalony?

Davida maniry ny fahapotehana hamely tampoka azy ireo, ary mba ho izy ireo ihany no tratra anaty haratony, ary hianjera ao amin'ny faharinganany izy ireo.

Psalms 35:9

Amin'inona Davida no hifaly?

Hifaly amin'ny famonjen'i Yaveh izy.

Psalms 35:11

Nahoana Davida no maleholo mafy?

Malahelo mafy izy satria vavolombelona tsy marina no mitsangana hiampanga lainga azy, ary mamaly ratsy azy ho amin'ny soa.

Psalms 35:13

Ahoana no navaon'i Davida an'ireo fahorian'ny fahavalony?

Davida nitafy lamba fisaonana, nifady hanina ho azy ireo, nandehandeha tamin'alahelo ary nitanondrika tamim-pisaonana ho azy ireo.

Psalms 35:15

Ahoana no navalin'ireo fahavalo tamin'ny fahorian'i Davida?

Nifaly izy ireo, niangona hanohitra azy, nandrovirovitra azy, nanesoeso azy, ary nihidy vazana taminy.

Psalms 35:17

Rahoviana Davida no hisaotra an'i Yaveh ao am-piangonana?

Hisaotra an 'i Yaveh izy rehefa voavonjy amin'ireo fanafihana mandravan'izy ireo ny fanahiny.

Psalms 35:19

Inona no ataon'ireo fahavalon'i Davida raha tokony hilaza fiadanana?

Mitetika hilaza fitaka amin'izay miaina amim-piadanana izy ireo.

Psalms 35:21

Inona no tian'i Davida hataon'i Yaveh hatramin'ny nahitany fahoriana?

Izy maniry an'i Yaveh tsy hangina, mba tsy hanalavitra, ary mba hitsangana sy hifoha mba ho fiarovany.

Psalms 35:24

Nahoana Davida no milaza fa tokony hiaro azy i Yaveh?

Izy miteny fa tokony hiaro azy i Yaveh noho ny fahamarinan'i Yaveh.

Psalms 36

Psalms 36:1

Ahoana no lazain'ny fahotana ao am-pon'ny olona ratsy fanahy?

Miteny tahaka ny mpaminany ao am-pon'ny olona ratsy fanahy ny fahotana.

Ahoana no ampiononan'ny olona ratsy fanahy ny tenany?

Mihevitra izy fa tsy ho tratra sy ho ankahalaina mihitsy ny fahotany.

Psalms 36:3

Tahaka ny inona ireo tenin'ny olona ratsy fanahy?

Fahotana sy fitaka ny teniny.

Ho toy ny inona no tsy tian'ny olona ratsy fanahy?

Tsy te ho hendry sy hanao soa izy.

Inona no ataon'ny olona ratsy fanahy raha mandry eo am-pandriany izy?

Mitady fomba hanotana izy raha mandry eo am-pandriana.

Psalms 36:5

Inona no mipàka eny amin'ny lanitra sy eny amin'ny rahona?

Ny famindrampon'i Yaveh no nipàka eny amin'ny lanitra, ary ny fahatokiany mahatratra ny rahona.

Tahaka ny inona ny fahamarinan'i Yaveh?

Ny fahamarinany dia tahaka ny tendrombohitr'Andriamanitra sy ny lalim-be.

Inona no tehirizin'i Yaveh?

Yaveh mitahiry ny olombelona sy ny biby.

Psalms 36:7

Iza no mialoka ambany aloky ny elatr'Andriamanitra?

Ny olombelona no mialoka ambany aloky ny elatra'Andriamanitra.

Inona no hahafapo loatra ny olombelona?

Ny habetsahan'ny sakafo ao an-tranon'Andriamanitra no hahafapo ny olombelona.

Psalms 36:10

Ho an'iza no angatahan'i Davida ny hanitaran'Andriamanitra ny famindrampony?

Davida mangataka an'Andriamanitra hanitatra ny famindrampony feno ho an'ireo izay mahalala an'Andriamanitra.

Inona no angatahan'i Davida amin'Andriamanitra mba tsy ho avela hiseho?

Davida mangataka amin'Andriamanitra mba hamela ny tongotry ny olona mpiavonavona hanakaiky azy, ary ny tanan'ny ratsy fanahy horoahana aminy.

Inona no hitranga amin'ireo mpano ratsy izay nianjera?

Lavo izy ireo ka tsy afa-miarina.

Psalms 37

Psalms 37:1

Nahoana Davida no mandrara ny ho tsiravina noho ireo mpanao ratsy?

Davida mandrara ny ho tsiravina noho ireo mpanao ratsy satria ho maina tsy ho ela tahaka ny bozaka izy ireo ary halazo tahaka ny zava-maitso.

Psalms 37:3

Nahoana Davida no miteny ny hiravoravoana ao amin'i Yaveh?

Izy miteny ny hiravoravoana ao amin'i Yaveh mba hanomezany anao izay irian'ny fonao.

Psalms 37:5

Nahoana Davida no miteny ny hatokisana an'i Yaveh?

Izy miteny mba hatokisana an'i Yaveh mba hiasany ho anao, haharihariny tahaka ny amin'ny andro atoandro ny fahitsianao, sy ny maha tsy manan-tsiny anao tahaka ny mitatao vovonana.

Psalms 37:7

Inona no lazain'i Davida fa tokony ataontsina eo anatrehan'i Yaveh?

Izy miteny mba hitony manoloana Azy ary hiandry am-paharetana Azy, ary ny tsy mba hanahiana raha misy olona mitady hampahomby ireo fomba ratsiny.

Psalms 37:8

Nahoana Davida no mandrara ny ho tezitra sy hisafoaka na hanahy ny amin'ireo mpanao ratsy?

Ho fongotra izy ireo ka hanjavona, fa ireo izay miandry an'i Yaveh kosa handova ny tany.

Psalms 37:11

Inona no hitranga amin'ny mamlemy?

Handova ny tany izy ireo ary hifaly amin'ny fanambinan-dehibe,

Psalms 37:14

Inona no hitranga amin'ny ratsy fanahy nitady hamono an'ireo izay mahitsy?

Ny fon'izy ireo ihany no hitsatohan'ny sabany, ary ho simba ny tsipìkany.

Psalms 37:16

Nahoana no tsara kokoa ny kely ananan'ny marina toy izay ny habetsaky ny an'ireo olona ratsy fanahy?

Tsara kokoa ny kely ananan'ny marina satria hotapahana ny sandrin'ny olona ratsy fanahy, fa Yaveh kosa hanohana ny olo-marina.

Psalms 37:18

Ahoana no hamatsian'i Yaveh an'ireo tsy misy tsiny?

Tsy ho menatra ny tsy misy tsiny amin'ny faharatsian'ny fotoana, hanana amby ampy izy ireo, ary ho mandrakizay ny lovany.

Psalms 37:20

Inona no hitranga amin'ireo fahavalon'i Yaveh?

Ho tahaka ny voninahitr'ireo saha ireo fahavalon'i Yaveh izay ho levona sy hanjavona anaty setroka.

Psalms 37:22

Inona mo tombony amin'ny fananana an'i Yaveh mahatomombana ny dian'olona iray?

Na dia tafintohina aza izy, dia tsy mba ho lavo fa Yaveh no mihazona azy amin'ny tanany.

Psalms 37:25

Inona no tsy hitan'i Davida miseho amin'ny olo-marina?

Tsy mba nahita ny olo-marina nafoy na ireo zanany niangavy mofo izy.

Ahoana no fihetsiky ny olo-marina?

Miantra lalandava izy ary mampindrana.

Inona no tokony ataon'ny olona mba ho voaaro mandrakizay?

Tokony hiala amin'ny ratsy izy ireo ary manao izay marina.

Psalms 37:28

Inona no holovain'ny marina?

Handova ny tany izy ireo ary honina ao mandrakizay.

Inona no ambaran'ny vavan'ny marina?

Ny vavan'ny olo-marina dia miteny fahendrena ary mampitombo rariny.

Psalms 37:31

Inona no hitranga amin'ny olo-marina izay tadiavin'ny olona ratsy fanahy hovonoina?

Tsy hamela azy ho eo an-tanan'ny olon-dratsy Yaveh na hanameloka azy rehefa tsaraina izy

Psalms 37:34

Inona no hitranga amin'ireo izay miandry an'i Yaveh?

Hanandratra azy ireo Izy mba hananan'izy ireo ny tany.

Psalms 37:35

Inona no hitranga amin'ny ratsy fanahy sy olona mampihorohoro?

Hiely tahaka ny hazo maitso any an-taniny izy, nefa tsy ho hita izy afaka kelikeli.

Psalms 37:39

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ny marina?

Yaveh miaro azy ireo amin'ny fotoam-pahoriana, ary mamonjy sy manavotra azy ireo.

Psalms 38

Psalms 38:1

Inona no angatahan'i Davida tsy hataon'i Yaveh anaty hatezerana?

Mangataka an'i Yaveh izy mba tsy hibedy azy anaty hatezerana, na hanafay azy amin'ny fahavinirany.

Psalms 38:3

Nahoana Davida no miteny hoe: "Tsy misy fahasalamana ao amin'ny taolako?"

Miteny fa tsy misy fahasalamana ao amin'ny taolany noho ny helony.

Inona no nanenika an'i Davida?

Ny helony no nanenika azy.

Psalms 38:5

Inona no ataon'i Davida lalandava?

misaona mandrakariva izy.

Psalms 38:7

Torovan'ny inona i Davida?

Torovan'ny henatra izy.

Psalms 38:9

Inona no lazain'i Davida fa takatry ny Tompo?

Milaza izy fa takatry ny Tompo ny faniriana lalina indrindra ao am-pony.

Psalms 38:11

Nahoana no manalavitra an'i Davida ireo sakaizany sy ireo mpiara-mitory aminy?

Ireo sakaizako sy ireo mpiara-mitory amiko manalavitra ahy noho ny zava-manjo azy;

Psalms 38:15

Inona no atahoran'i Davida hataon'ireo fahavalony raha solafaka ny tongony?

Raha solafaka ny tongotr'i Davida, dia hanao zava-doza aminy ireo fahavalony.

Psalms 38:19

Ahoana no amalian'ireo fahavalo ny soa nataony tamin'izy ireo?

Mamaly ratsy an'i Davida izy ireo ho amin'ny soa mandefa fiampangana any aminy.

Psalms 38:21

Inona no anarana ampiasain'i Davida rehefa mangata-pamonena amin'i Yaveh izy?

Miantso Azy: "Yaveh", "Andriamanitra", "Tompo", ary "ny famonjena ahy" izy.

Psalms 39

Psalms 39:1

Inona no nahatapakevitra an'i Davida fa hataony?

Davida nanapakevitra ny hitandrina izay lazainy ary hamehy ny vavany raha mbola eo amin'ny fanatrehan'ny olon-dratsy.

Psalms 39:2

Inona no nitranga rehefa nangina i Davida ary tsy niteny amin'ny fitenenana zavatra tsara izy?

Nitombo vaika ny fanaintainany ary niredareda toy ny afo ny fony.

Psalms 39:4

Inona no tian'i Davida ho fantatra momba ny fiainany?

Davida te hahalala hoe rahoviana no ho tapitra ny fiainany, ny halavan'ny androny, sy ny maha mpandalo azy.

Tahaka ny inona eo anoloan'i Yaveh ny fiainan'i Davida?

Tahaka ny tsinontsinona ny fiainan'i Davida eo anatrehan'i Yaveh.

Psalms 39:6

Inona no mahamaika ny rehetra?

Maika hanangona harena ny rehetra.

Inona ihany no itokian'i Davida?

Ny Tompo irery ihany no hany fanantenan'i Davida.

Psalms 39:8

Fandresena inona no angatahan'i Davida amin'i Yaveh homena azy?

Davida mangataka an'i Yaveh mba hanome azy fandresena manerana ireo fahotany rehetra.

Amin'inona i Davida no tsy tia mba ho ventin-dresaka?

Tsy tian'i Davida ny ho ventin'ny fanamavoan'ireo adala.

Ahoana no avalin'i Davida amin'izay nataon'ny Tompo?

Mangina i Davida ary tsy misoka-bava.

Psalms 39:10

Inona no manafotra an'i Davida?

Manafotra an'i Davida ny fitsokan'ny tanan'ny Tompo.

Inona no mitranga rehefa manafay ny olona amin'ny fahotany ny Tompo?

Mandevona ny herin'izy ireo tahaka ny kalalao ny Tompo ary tsinontsinona izy ireo fa zava-poana.

Psalms 39:12

Nahoana i Davida no mangataka an'i Yaveh hihaino ny tomaniny fa tsy mody marenina aminy?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hihaino satria Davida dia tahaka ny olon-kafa aminy ary mpitsoa-ponenana toy ireo razambeny rehetra ihany.

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh mialohan'ny ahafatesan'i Davida?

Mangataka amin'i Yaveh izy mba hanesorana ny fanasaziany amin'i Davida mba hitsikian'i Davida indray.

Psalms 40

Psalms 40:1

Inona no nataon'i Yaveh taorian'ny niandrasan'i Davida tamim-paharetana Azy?

Niaino an'i Davida i Yaveh ka nandre ny tomaniny.

Inoa ihany koa no nataon'i Yaveh ho an'i Davida?

Nentin'i Yaveh avy tao amin'ny lavaka mahatsiravina Davida, avy tao amin'ny fotaka mandrevo, ka nampijoro ny tongony teo ambony vatolampy Izy.

Psalms 40:3

Inona no hataon'ny maro satria Andriamanitra nanisy fihiram-baovao ho fiderana teo imolotr'i Davida?

Maro no hahita izany ka hanome voninahitra an'i Yaveh ary hatoky an'i Yaveh.

Iza no sambatra?

Ny olona izay manao an'i Yaveh ho tokiny sy tsy manome voninahitra ny mpirehareha na izay mpivadika amin'Andriamanitra ho amin'ny lainga

Psalms 40:5

Ahoana no amaritan'i Davida an'ireo asan'Andriamanitra sy fiheviny?

Maro ireo asan'Andriamanitra mahagaga ary tsy voatanisa ny fiheviny antsika.

Psalms 40:7

Inona no voasoratra momba an'i Davida ao amin'ny horonam-boky?

Voasoratra fa mankasitraka ny hanao ny sitra-pon'Andriamanitra izy ary ny lalàn'Andriamanitra no ao am-pony.

Inona no nambaran'i Davida tamin'ny fiangonan-dehibe?

Nanambara vaovao mahafalin'ny fahamarinan'Andriamanitra tamin'ny fiangonan-dehibe izy.

Psalms 40:10

Inona no tsy nokobonin'i Davida?

Tsy nokoboniny tao am-pony ny fahamarinan'Andriamanitra na koa ny famindrampon'Andriamanitra na ny fahamendreham-pitokisana tamin'ny fiangonana lehibe.

Inona no ivavahan'i Davida mba hataon'i Yaveh aminy?

Davida mivavaka mba tsy hanakanan'i Yaveh ny asam-pamindram-pony tsy ho amin'i Davida fa kosa hamela ny famindrampo sy ny fahamarinan'i Yaveh no hiaro an'i Davida mandrakariva.

Psalms 40:12

Nahoana no manahy Davida?

Manahy izy satria fahoriana tsy tambo isaina no manodidina azy ary nahatratra azy ireo helony. Ketraka ny fony.

Inona no ivavahany mba ho ataon'i Yaveh am-pifaliana?

Mivavaka izy mba ho finaritra Yaveh mamonjy azy.

Psalms 40:14

Inona no ivavahan'i Davida mba hitranga amin'ireo izay manenjika ny ainy?

Mivavaka izy mba ho menatra sy very hevitra izy ireo, hiamboho sy ho menarina.

Psalms 40:16

Inona no ivavahan'i Davida ho an'ireo izay mitady an'Andriamanitra sy mitia ny famonjeny?

Mivavaka izy mba hifaly izy ireo ka ho ravo ao amin'Andriamanitra, ary mba hilaza lalandava hoe: "Hoderaina anie Yaveh."

Ahoana no amaritan'i Davida ny Tompo?

Mihevitra ny aminy ny Tompo, izay famonjena ho azy, ary tonga mba hamonjy an'i Davida.

Psalms 41

Psalms 41:1

Iza no lazain'i Davida fa ilay olona sambatra?

Ilay voakasika ho malemy no sambatra.

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ny olona sambatra?

Yaveh hamonjy azy, hiaro azy ary hamelona azy, ary dia ho sambatra ambonin'ny tany izy.

Inona no tsy hataon'i Yaveh amin'ny olona sambatra?

Yaveh tsy hamadika azy amin'ny sitrapon'ireo fahavalony.

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ny olona sambatra eo am-pandrian'ny fijaliana?

Yaveh hanohana azy eo amin'ny fandrian'ny fijaliana ary hanao ny fandrian'ny aretina ho fandrian'ny fanasitranana.

Psalms 41:4

Nahoana Davida no nangataka an'i Yaveh hanana famindrampo aminy?

Nangataka an'i Yaveh izy mba hamindrafo aminy satria nanota tamin'i Yaveh izy.

Inona no ratsy tenenin'ireo fahavalony amin'i Davida?

Manontany izy ireo hoe rahoviana izy no ho faty ary ny anarany ho levona.

Inona no lazain'ireo fahavalon'i Davida aminy?

Miteny zavatra tsy misy dikany ireo fahavalony.

Psalms 41:7

Inona no takoritsihan'ireo mpankahala an'i Davida sy antenain'izy ireo?

Izay mankahala an'i Davida rehetra miara-mitakoritsika mamely azy ary manantena ny handratra azy.

Inona no nataon'ny sakaizan'i Davida akaiky izay tena natokisany?

Efa nanainga ny vodin-tongony hanohitra azy ny sakaizany akaiky.

Psalms 41:10

Inona no nataon'i Yaveh tamin'i Davida?

Yaveh namindrafo azy ary nanangana azy mba ahafahany namaly an'ireo izay mankahala azy.

Ahoana no ahalalan'i Davida fa faly aminy i Yaveh?

Fantatr'i Davida izany satria tsy mandresy eo aminy ireo fahavalony.

Ahoana no fomba anohanan'i Yaveh an'i Davida?

Yaveh manohana an'i Davida amin'ny fahitsiana ary hihazona azy eo anatrehan'ny tavan'i Yaveh mandrakizay.

Psalms 41:13

Rahoviana Yaveh no tokony hoderaina?

Hoderaina rahatrizay ka ho mandrakizay anie Yaveh.

Psalms 42

Psalms 42:1

Ahoana ny hetahetan'ny fanahin'ny mpanoratra an'Andriamanitra?

Tahaka ny diera maniry rano mikoriana mafy no hetahetan'ny fanahiny an'Andriamanitra.

Inona no lazain'ny mpanoratra momba ny fanahiny?

Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiny, mangetaheta an'ilay Andriamanitra velona.

Psalms 42:3

Tonga inona aminy ny ranomason'ny mpanoratra?

Ny ranomasony no sakafony andro aman'alina.

Inona ireo zavatra tonga ao an-tsain'ny mpanoratra?

Mahatsiaro ny nandehanany niaraka tamin'ny vahoaka sy ny nitarihany azy ireo nankany amin'ny tranon'Andriamanitra tamin'ny hiakam-pifaliana sy fiderana izy.

Psalms 42:5

Inona no asain'ny mpanoratra hataon'ny fanahiny?

Asain'ny mpanoratra manantena an'Andriamanitra ny fanahiny, fa mbola hidera an'Andriamanitra izy amin'ny famonjen'ny fanatrehan'Andriamanitra.

Psalms 42:7

Inona no nanafotra ny mpanoratra?

Ireo onjanan'Andriamanitra sy ireo alon-dranony rehetra no efa nanafotra ny mpanoratra.

Inona no handidian'i Yaveh amin'ny atoandro?

Yaveh handidy ny famindrampony nony atoandro.

Inona no hitranga amin'ny alina?

Ny amin'ny alina dia homba ny mpanoratra ny hiran'Andriamanitra, vavaka iray ho an'Andriamanitry ny fiainany.

Psalms 42:9

Inona no ho anontanian'ny mpanoratra amin'Andriamanitra, vatolampiny?

Izy hanontany ny antony nanadinoin'Andriamanitra azy, ary ko nahoana izy ireo tsy maintsy hisaona noho ny fampahorian'ny fahavalo.

Amin'inona no ampitahain'ny mpanoratra ny latsan'ireo mpandrafiny?

Miteny izy fa tahaka ny ratra manorotoro ny taolany izany.

Psalms 42:11

Inona no andrasan'ny mpanoratra fa hataon'Andriamanitra?

Miandry manantena an'Andriamanitra hitahy azy izy.

Psalms 43

Psalms 43:1

Inona no angatahan'ny mpanoratra fa ho ataon'Andriamanitra aminy?

Mangataka an'Andriamanitra hitsara azy izy ary mba hiady ny adiny amin'ny firenena tsy masina.

Nahoana Andriamanitra no tokony hitsara azy sy hiady ny adiny?

Tokony hitsara azy Andriamanitra satria Izy no Andriamanitry ny heriny.

Psalms 43:3

Inona no angatahan'ny mpanoratra an'Andriamanitra hamela ny fahazavany sy ny fahamarinany hiasa?

Mangataka izy mba hamelan'Andriamanitra ny fahazavany sy ny fahamarinany hitondra sy hitarika azy any amin'ny havoana masin'Andriamanitra sy ny tabernakely.

Aiza ny mpanoratra no handeha rehefa mitondra azy ao amin'ny tabernakely Andriamanitra?

Handeha eo amin'ny alitaran'Andriamanitra izy.

Inona no hataon'ny mpanoratra amin'ny lokangany?

Hidera an'Andriamanitra amin'ny lokangany izy.

Psalms 43:5

Nahoana ny tsy tokony hitanondrika na ho ketraka ao anaty ny fanahin'ny mpanoratra?

Tokony hanantena an'Andriamanitra ny fanahiny fa mbola hidera an'Andriamanitra, izay famonjena ho azy sy Andriamaniny izy.

Psalms 44

Psalms 44:1

Inona no ren'ireo mpanoratra tamin'ny sofiny?

Nandre ny asa nataon'Andriamanitra tamin'ny androny izy ireo, tamin'ny andro fahiny.

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny tanany?

Andriamanitra nandroaka ireo firenena tamin'ny tanany ary namboly ny vahoakan'Israely.

Psalms 44:3

Ahoana no fomba nahazoan'ny Israelita ny tany ary nanavotany ny tenany?

Tsy tamin'ny sabany manokana na tamin'ny sandriny manokana no nahazoan'izy ireo ny tany ho fananany, fa tamin'ny sandrin'Andriamanitra havanana satria tsara tamin'izy ireo Andriamanitra.

Psalms 44:5

Inona no ho ataon'ny Israelita amin'ny alalan'Andriamanitra?

Hanindry ireo mpifanandrina aminy izy ireo ary amin'ny anaran'Andriamanitra no hanosihosena azy ireo.

Amin'inona no tsy hitokian'ny mpanoratra?

Tsy hitoky amin'ny tsipìkany izy, na hitoky amin'ny sabatra hanavotra azy.

Psalms 44:7

Tamin'inona no nanavotan'Andriamanitra azy ireo?

Andriamanitra nanavotra azy ireo tamin'ireo mpifanandrina aminy sy nampahamenatra an'ireo izay mankahala azy ireo.

Psalms 44:9

Inona no nataon'Andriamanitra?

Andriamanitra efa nanary azy ireo sy nitondra azy ireo tamin'ny fahafam-baraka, ary tsy niara-nivoaka tamin'ireo tafiny.

Ahoana no anaovan'Andriamanitra ny Israelita?

Andriamanitra hampiamboho azy ireo amin'ny mpandrafy.

Inona ataon'ireo izay mankahala ny Israelita?

Izay mankahala anay mambabo ny harena ho azy ireo.

Tahaka ny inona no nanaovan'Andriamanitra ny Israelita?

Andriamanitra nanao azy ireo ho tahaka ny ondry nalahatra ho fisakafo ary nanely azy ireo tamin'ireo firenena.

Psalms 44:12

Inona no ataon'Andriamanitra heveran'ireo namany an'ny Israelita?

Andriamanitra manao azy ireo ho fandatsana ho an'ireo namany, fanesoeso sy fihanihanian'ireo manodidina azy ireo.

Psalms 44:15

Nahoana no eo anoloany mandrakariva ny fahafam-barakan'ny mpanoratra?

Manoloana azy ny fahafam-baraka, ary mandrakotra azy ny henatry ny tavany noho ny feony izay miteny mafy sy maniratsira, noho ny fahavalo sy mpamalifaty.

Inona no tsy nataon'ny Israelita?

Tsy nanadino an'Andriamanitra izy ireo na tsy nankatò ny fanekem-pihavanan'Andriamanitra.

Psalms 44:18

Inona no tsy nataon'ny fon'ny Israelita sy ireo diany?

Tsy niverin-dalana ny fonay ary tsy niala tamin'ny lalan'Andriamanitra ny diany.

Inona kosa anefa no nataon'Andriamanitra?

Andriamanitra nefa mbola namotika mafy azy ireo teo amin'ny toeran'ny amboadia ary nandrakotra azy ireo tamin'ny aloky ny fahafatesana.

Inona no hotadiavin'Andriamanitra tokoa?

Andriamanitra hikaroka raha nanadino ny anaran'Andriamaniny izy ireo na namelatra ny tanany amin'andriamani-kafa.

Inona no hiheverana ny Israely noho ny amin'Andriamanitra?

Heverina ho toy ny ondry ho amin'ny famonoana izy ireo.

Psalms 44:25

Inona no nataon'ireo fanahin'ny Israelita?

Miempo anaty vovoka ny fanahin'izy ireo ary ireo nofony mifikitra amin'ny tany.

Inona no ivavahan'ny mpanoratra mba hataon'Andriamanitra?

Mivavaka izy ny mba hitsanganan'Andriamanitra ho famonjen'izy ireo ary mba hanavotra azy ireo noho ny amin'ny famindrampon'Andriamanitra.

Psalms 45

Psalms 45:1

Inona no hovakian'ny mpanoratra mafy?

Hoavakiany mafy ireo teny izay narafiny momba ny mpanjaka.

Ahoana no hamaritan'ny mpanoratra ny mpanjaka?

Mbola tsara mihoatra ny zanak'olombelona ny mpanjaka, fahasoavana no miloaka eo amin'ny molony, ary Andriamanitra no efa nitahy azy mandrakizay.

Psalms 45:3

Nahoana ny mpanjaka no mandeha amim-pandresena?

Tokony handeha amim-pandresena ny mpanjaka noho ny fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana.

Psalms 45:5

Ahoana amaritana ny zana-tsipìkan'ny mpanjaka?

Maranitra ireo zana-tsipìkany ary ao amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjaka izany.

Ahoana no amaritana ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny tehin'ny rariny?

Mandrakizay doria ny seza fiandrianany, ary tehin'ny rariny ny tehin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Inona no nkahalaina sy tian'ny mpanjaka?

Tia fahamarinana izy ary mankahala faharatsiana.

Psalms 45:8

Mamofona inona ny akanjon'ny mpanjaka rehetra?

Ny akanjony rehetra mamofona miora, vahona, ary kasia.

Aiza ireo zanaka vavy sy ny vadin'ny mpanjaka?

Ny zanaka vavin'ny mpanjaka dia isan'ireo vehivavy manan-kaja ary eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra no mijoro ny mpanjakavavy mitafy volamenan'i Ofira.

Psalms 45:12

Inona no hataon'ny mpanan-karena?

Ny mpanan-karena amin'ny olona dia hitalaho fankasitrahana.

Psalms 45:14

Aiza no hitondrana ny zanaka vavin'ny mpanjaka

Ho entina eo amin'ny mpanjaka amin'ny tohitena misy peta-kofehy izy.

Ahoana ary aiza no ho entina ireo virjiny?

Ho tarihina amim-pifaliana sy faharavoana izy ireo; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy ireo.

Psalms 45:16

Iza no ho ao an-dapan'ireo razan'ny mpanjaka?

Any amin'ny fitoeran'ireo razanao no hisy ireo zanakao, izay hataonao andriana eran'ny tany rehetra.

Inona no ho atao amin'ny anaran'ny mpanjaka?

Ho anarana natao hotsaroana amin'ny taranaka rehetra izanny.

Psalms 46

Psalms 46:1

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra ny mpanjaka?

Andriamanitra no fialofanay sy herinay, famonjena mahatoky amin'ny fahoriana.

Inona no tsy hataon'ny Israelita, na dia tokony hiova aza ny tany, na dia tokony hihovitrovitra eny afovoan-dranomasina aza ireo tendrombohitra

Noho izany, dia tsy hatahotra izy ireo.

Psalms 46:4

Inona no mahatonga ny tanànan'Andriamanitra ho faly?

Misy ony, ary ny fikorian'izany no mampifaly ny tanànan'Andriamanitra.

Inona no tsy hataon'ny tanànan'Andriamanitra?

Tsy ho tafahetsika ny tanànan'Andriamanitra.

Psalms 46:6

Inona no nitranga tamin'ny tany raha nanandratra ny feony Andriamanitra taorian'ny naha romotra an'ireo firenena sy nampihozongozona an'ireo fanjakana?

Niempo ny tany.

Aiza ary inona Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'i Jakoba?

Momba an'Israely i Yaveh tompon'ny maro, ary ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofan'izy ireo.

Psalms 46:8

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo ady?

Izy hampitsahatra ny ady hatrany am-paran'ny tany, ary mamotipotika ny tsipìka sy manapatapaka ny lefona; mandoro ny ampinga Izy.

Psalms 46:10

Inona no asain'Andriamanitra ataon'ny vahoaka?

Mitonia ary fantaro fa Izy no Andriamanitra.

Inona no hitranga amin'Andriamanitra eo amin'ireo firenena?

Ho asandratra eo amin'ireo firenena Izy ary ho asandratra ambonin'ny tany.

Inona Andriamanitr'i Jakoba ho an'Israely?

Izy no fialofan'izy ireo.

Psalms 47

Psalms 47:1

Nahoana ny rehetra no tokony an'Andriamanitra amin'ny feon'ny fandresena?

Tokony hiteha-tanana sy hihoby izy ireo satria Yaveh Avo Indrindra no mampahatahotra ary Izy no Mpanjaka lehibe manerana ny tany rehetra.

Psalms 47:3

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo olona sy ireo firenena?

Mandresy ireo olona eo amban'ny Israelita Izy ary ireo firenena ho eo ambany tongony.

Ahoana no niakaran'Andriamanitra?

Efa niakatra tamim-pihobiana Andriamanitra ary koa tamin'ny feon'ny trompetra.

Psalms 47:6

Nahoana ny rehetra no tokony hihira fiderana ho an'Andriamanitra?

Tokony hihira fiderana ho an'Andriamanitra izy ireo satria Andriamanitra no Mpanjaka manerana ny tany rehetra.

Psalms 47:8

Aiza Andriamanitra no manjaka?

Andriamanitra manjaka manerana ireo firenena maro.

Aiza Andriamanitra no mipetraka?

Andriamanitra mipetraka ambonin'ny seza fiandrianany.

Ho an'iza no niangonan'ireo andrian'ireo olona?

Niara-niangona ho an'ny vahoakan'Andriamanitr'i Abrahama.

Nahoana no niangona ho an'ny vahoakan'i Abrahama ireo andriana?

Niangona ho an'ny vahoakan'i Abrahama izy ireo satria Andriamanitra no asandratra indrindra.

Psalms 48

Psalms 48:1

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra an'i Yaveh?

Lehibe Yaveh ary tokony hoderaina indrindra.

Ahoana no amaritana ny tendrombohitra Ziona?

Avo mahafinaritra, ny fifalian'ny tany rehetra, dia ny tendrombohitra Ziona.

Ahoana no ampahafantaran'Andriamanitra ny tenany?

Andriamanitra nampahafantatra ny tenany ho fialofana.

Psalms 48:4

Inona no nitranga rehefa niangona ireo mpanjaka ka nahita ny tendrombohitra Ziona?

Talanjona izy ireo, ary nandositra faingana; nihazona mafy azy ireo tany ny fangovitana.

Psalms 48:7

Inona no hataon'Andriamanitra ho an'ny tanànan'i Yaveh tompon'ny maro?

Andriamanitra hampitoetra izany mandrakizay.

Psalms 48:9

Inona no noheverin'ny Israelita momba ny hoe eo afovoan'ny tempolin'Andriamanitra?

Nihevitra ny famindrampon'Andriamanitr izy ireo.

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra ny tanana havanan'Andriamanitra?

Feno fahamarinana ny tanany ankavanana.

Psalms 48:11

Nahoana no tokony ho ravo ny tendrombohitra Ziona ary hifaly ireo zanaka vavin'i Joda?

Tokony ho ravoravo izany ary tokony hifaly izy ireo noho noho ny didy marin'Andriamanitra.

Psalms 48:12

Nahoana ny Israelita no tokony handeha manerana ny tendrombohitra Ziona, manisa ny tilikambony, manamarina tsara ny mandany, ary mizaha ireo lapany ny Israely?

Tokony manao ireo zavatra ireo izy ireo mba hahafahan'izy ireo manambara izany amin'ny taranaka hoavy.

Psalms 48:14

Ho inona amin'ny Israelita moa Andriamanitra?

Izy no ho tari-dalana ho azy ireo hatrany amin'ny fahafatesana.

Psalms 49

Psalms 49:1

Iza no ilazan'ny mpanoratra mba hiaino sy anongilan-tsofina?

Milaza amin'ny vahoaka izy mba hanongilan-tsofina, ary amin'ny mponin'ny tany rehetra mba hihaino, na ambany na ambony, na manan-karena na mahantra miaraka.

Psalms 49:3

Inona no hotenenin'ny vavan'ny mpanoratra?

Ny vavany hilaza fahendrena.

Inona no ho fisaintsainan'ny fon'ny mpanoratra?

Ny fahazavan-tsaina no ho fisaintsainan'ny fon'ny mpanoratra.

Amin'inona no hanongilan-tsofina ny mpanoratra ary ahoana no hanombohany izany?

Hanongilan-tsofina amin'ny fanoharana izy ary hanomboka ny fanoharany amin'ny valiha.

Psalms 49:6

Inona no tsy afaka ataon'ny olona izay mitoky amin'ny hareny?

tsy misy amin'izy ireo afaka hahavonjy ny rahalahiny na hanome tambiny an'Andriamanitra ho azy.

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra ny avotr'aina?

Lafo ny avotr'aina ary tena taka-bidy tokoa.

Psalms 49:9

Iza no afa-miaina mandrakizay"

Tsy misy afa-miaina mandrakizay izany ka tsy ho lo ny vatany.

Inona no mitranga amin'ireo olon-kendry, ny adala, ary ny maherisetra?

Ireo olon-kendry ho faty; ny adala sy ny maherisetra samy ho levona sy hamela ny hareny ho an'ny hafa.

Psalms 49:12

Inona no mitranga amin'ny olombelona?

Ny olona, manana harena, dia tsy hitoetra ho velona.

Psalms 49:14

Iza no ho mpiandry ny olombelona"

Fahafatesana no ho mpiandry azy ireo.

Inona no hitranga amin'ny olombelona nony maraina?

Ny olo-marina hanapaka eo amin'izy ireo nony maraina.

Inona no hataon'Andriamanitra amin'ny mpanoratra?

Andriamanitra hanavotra ny fanahiny amin'ny fahefan'ny Fiainan-tsy hita; handray azy Izy.

Psalms 49:16

Rahoviana ny mpanoratra no miteny fa tsy hatahotra?

Tsy tokony hatahotra ny olona raha misy olona lasa mpanan-karena, raha mitombo ny voninahitry ny ankohonany.

Nahoana ny mpanoratra no miteny fa tsy tokony hatahotra?

Miteny izy fa tsy tokony hatahotra satria rehefa maty ilay mpanan-karena, dia tsy hitondra na inona na inona akory, ary tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny.

Psalms 49:18

Rahoviana ny olona no midera olon-kafa?

Midera olon-kafa ny olona rehefa miaina ho an'ny tenany izy ireo.

Any amin'iza no handeha ny mpanan-karena?

Handeha any amin'ny taranak'ireo razany izy.

Inona no tsy ho hitan'ny mpanan-karena sy ireo razany?

Tsy hahita ny hazavana intsony izy ireo.

tahaka ny inona ny olona izay manana harena nefa tsy manana fahazavan-tsaina?

Tahaka ny biby izay ho levona izy.

Psalms 50

Psalms 50:1

Inona ireo anarana telon'Andriamanitra ampiasain'i Asafa mba hanondroa an'Andriamanitra?

Mampiasa ny anarana: "Ilay Tsitoha", "Andriamanitra', ary "Yaveh" izy.

Psalms 50:3

Nahoana Andriamanitra no m?

Miantso ny lanitra ambony sy miantso ny tany Izy mba hahafahany mitsara ny vahoakany.

Psalms 50:7

Inona no lazain'Andriamanitra amin'ny vahoakany fa tsy hanariny?

Andriamanitra milaza amin'izy ireo fa tsy hananatra azy ireo amin'ireo soron'izy ireo.

Psalms 50:9

Nahoana Andriamanitra no milaza fa tsy haka ombilahy na osilahy avy amin'ny vahoakany?

Andriamanitra milaza fa Azy avokoa ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy rehetra eny amin'ny havoana an'arivony.

Psalms 50:14

Inona no lazain'i Asafa fa tokony atolotry ny olon-drehetra sy averina amin'Andriamanitra?

Ny rehetra tokony manolotra sorom-pisaorana ho an'Andriamanitra ary hanefa ny voadin'izy ireo amin'ilay Avo Indrindra.

Psalms 50:16

Inona no lazain'Andriamanitra fa halan'ny ratsy fanahy sy arin'izy ireo?

Andriamanitra miteny fa mankahala fananarana ny ratsy fanahy ary manary ireo teniny.

Psalms 50:21

Inona no lazain'Andriamanitra fa heverin'ny ratsy fanahy momba Azy rehefa mangina Andriamanitra?

Nihevitra izy ireo fa olona tahaka azy ireo ihany Izy.

Iza no hamonjy ny ratsy fanahy rehefa mamotipotika azy ireo Andriamanitra?

Tsy hisy ho avy hamonjy azy ireo.

Psalms 50:23

Amin'iza Andriamanitra no hampiseho ny famonjeny?

Andriamanitra hampiseho ny famonjena amin'izay rehetra manolotra sorom-pisaorana sy mikasa ny lalany ho amin'ny lala-marina.

Psalms 51

Psalms 51:1

Nahoana Davida no milaza fa Andriamanitra tokony hamindrafo aminy?

Miteny izy fa Andriamanitra tokony hamindrafo aminy noho ny famindrampony.

Psalms 51:3

Tamin'iza Davida no milaza fa nanota?

Miteny izy fa efa nanota tamin'Andriamanitra, ary tamin'Andriamanitra irery ihany.

Psalms 51:5

Oviana Davida no milaza fa nanomboka nanota?

Miteny izy fa teraka tamin'ny heloka, ary raha mbola notorotoronin-dreniny izy, dia efa tamin'ny fahotana.

Psalms 51:7

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra mba ho voadio izy?

Mangataka an'Andriamanitra hanadio azy amin'ny hysopa izy mba ho madio, ary mba hanasana azy mba ho fotsy mihoatra ny oram-panala.

Psalms 51:10

Inona no angatahan'i Davida hoforonin'Andriamanitra sy havaozina ao aminy?

Izy mangataka an'Andriamanitra hamorona fo madio ao aminy, ary hanavao fanahy marina ao anatiny.

Inona no angatahan'i Davida tsy hataon'Andriamanitra aminy?

Mangataka amin'Andriamanitra izy mba tsy hanalavirana azy eo amin'ny fanatrehany, ary tsy hanesorana ny Fanahy Masin'Andriamanitra aminy.

Psalms 51:14

Fahotana inona no angatahan'i Davida ho avelan'Andriamanitra?

Mangataka an'Andriamanitra izy mba hamela heloka azy amin'ny fandatsahan-drà.

Psalms 51:17

Inona ireo soron'Andriamanitra?

Ireo soron'Andriamanitra dia fanahy torotoro. Tsy hanao tsinontsinona ny fo torotoro sy mangorakoraka Izy.

Psalms 52

Psalms 52:1

Inona no tonga avy amin'Andriamanitra isan'andro?

Ny famindrampon'Andriamanitra no tonga isan'andro.

Psalms 52:3

Inona no tian'ny lehilahy mahery mihoatra an'Andriamanitra?

Tia ratsy izy mihoatra ny tsara.

Psalms 52:4

Karazana teny inona no tian'ny lehilahy mahery?

Tia ireo teny rehetra izay mandevona ny hafa izy.

Inona no hataon'Andriamanitra amin'ny lehilahy mahery?

Andriamanitra hamotika azy mandrakizay.

Psalms 52:6

Amin'inona no nitokian'ny olona?

Nitoky tamin'ny haben'ny hareny izy.

Psalms 52:8

Amin'inona no hametrahan'i Davida ny fitokisany?

Hatoky ny famindrampon'Andriamanitra mandrakizay doria izy.

Psalms 53

Psalms 53:1

Inona no lazain'ny adala anakampo?

Hoy izy: "Tsy misy Andriamanitra."

Rehefa miondrika mijery ny zanak'olombelona Andriamanitra, moa mahita olona mahatakatra sy mitady Azy ve Izy?

Tsia, efa niova ho maloto avokoa izy rehetra, ary tsy misy iray manao ny tsara.

Psalms 53:4

Nahoana ny olona izay tsy miantso an'Andriamanitra no ho alaim-baraka?

Ho alaim-baraka izy ireo satria efa nolavin'Andriamanitra.

Psalms 53:6

Avy aiza ny famonjena an'Israely izay nantenain'i Davida ho tonga?

Nanantena izy fa avy any Ziona ny famonjena an'Israely.

Psalms 54

Psalms 54:1

Amin'ny inona no angatahan'i Davida an'Andriamanitra hanavotra azy?

Mangataka an'Andriamanitra hanavotra azy amin'ny anaran'Andriamanitra izy.

Iza no nitsangana sy nanenjika ny fanahin'i Davida?

Olona hafa firenena no nijoro hanohitra azy, ary lehilahy tsy misy indrafo no efa nanenjika ny fanahiny.

Psalms 54:4

Iza no manohana ny fanahin'i Davida?

Ny Tompo irery ihany no manohana ny fanahiny.

Inona no ho avalin'Andriamanitra an'ireo fahavalon'i Davida?

Hamaly ny ratsy nataon'izy ireo Izy.

Psalms 54:6

Nahoana Davida no hisaotra ny anaran'i Yaveh?

Hisaotra ny anarany izy fa tsara izany.

Ahoana fomba nijeren'i Davida an'ireo fahavalony?

Nijery tamim-pandresena an'ireo fahavalony izy.

Psalms 55

Psalms 55:1

Nahoana Davida no tsy manam-pitsaharana ao anatin'ny fahoriany?

Tsy manam-pitsaharana izy noho ny feon'ireo fahavalony, ary noho ny fampahorian'ny ratsy fanahy.

Psalms 55:4

Karazana horohoro inona no nilatsaka tamin'i Davida?

Ny horohorom-pahafatesana no nilatsaka taminy.

Psalms 55:6

Nahoana Davida no naniry fa raha mba nana'elatra tahaka ny voromailala?

Raha mba nana'elatra tahaka ny voromailala izy, dia afaka nanidina sy ho tamin'ny fitsaharana.

Psalms 55:8

Inona no anngatahan'i Davida hataon'ny Tompo amin'ireo fahavalon'i Davida?

Mangataka izy mba hamotehan'ny Tompo azy ireo, ary mba hampifangaroana ny fitenin'izy ireo.

Psalms 55:10

Inona no hita eo afovoan'ny tanàna?

Heloka, sompatra ary faharatsiana no eo afovoan'ny tanàna.

Psalms 55:12

Iza no nandatsa an'i Davida ary nitsangana hanohitra an'i Davida?

Ny naman'i Davida sy ny sakaizany indrindra no niteny mafy azy ary nitsangana hanohitra azy.

Psalms 55:15

Inona no tian'i Davida ho tonga tampoka amin'ireo fahavalony?

Tiana ho tonga tampoka amin'izy ireo ny fahafatesana, ary mba hidina velona any amin'ny Fiainan-tsy hita izy ireo.

Psalms 55:16

Inona no ataon'i Davida amin'ny hariva, ny maraina sy ny mitatao vovonana.

Mitaraina sy mitoloko amin'Andriamanitra izy.

Psalms 55:19

Nahoana Andriamanitra no handre sy hamaly an'ireo fahavalon'i Davida?

Handre Izy ary hamaly satria tsy miova izy ireo, ary tsy matahotra an'Andriamanitra.

Psalms 55:20

Inona no nataon'ny sakaizan'i Davida tamin'ny fanekena nataony?

Tsy nanaja ny fanekena izay nataony izy.

Psalms 55:22

Hampidina ny ratsy fanahy mankaiza Andriamanitra?

Hampidina ny ratsy fanahy any an-davaky ny faharavana Izy.

Psalms 56

Psalms 56:1

Nahoana Davida no mangataka an'Andriamanitra hamindrafo aminy?

Mangataka famindrampo amin'Andriamanitra izy satria misy olona maniry ny ny hitelina azy.

Oviana ireo fahavalon'i Davida no maniry hitelina azy?

Maniry lalandava ny hitelina an'i Davida ireo fahavalony.

Psalms 56:3

Mivoady ny hanao inona Davida rehefa matahotra?

Rehefa matahotra Davida, dia hametraka ny tokiny amin'Andriamanitra.

Inona no vokatry ny fitokian'i Davida amin'Andriamanitra?

Mametraka ny tokiny amin'Andriamanitra i Davida mba tsy hatahotra izy.

Psalms 56:5

Inona no ataon'ireo fahavalo amin'ny tenin'i Davida?

Mandika vilana ny teniny izy ireo.

Inona no fihevitr'ireo fahavalon'i Davida amin'i Davida?

Manohitra an'i Davida amin'ny fisainan-dratsy avokoa izy ireo.

Psalms 56:7

Ahoana no fomba angatahan'i Davida an'Andriamanitra hampidina ireo fahavalon'i Davida?

davida mangataka an'Andriamanitra hampietry azy ireo amin'ny hatezeran'Andriamanitra.

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra amin'ireo ranomasony?

Davida mangataka an'Andriamanitra hanao ny ranomason'i Davida ho ao anatin'ny tavoahangin'Andriamanitra.

Psalms 56:9

Rahoviana no hiamboho ireo fahavalon'i Davida?

Hiamboho ireo fahavalon'i Davida amin'ny andro izay hiantsoany an'Andriamanitra.

Psalms 56:12

Inona no anaovan'i Davida voady amin'Andriamanitra?

Davida mivoady fa hanatitra fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra.

Aiza Davida no mandeha eo anoloan'i Yaveh?

Davida mandeha eo anoloan'i Yaveh any eny amin'ny fahazavan'ny velona.

Psalms 57

Psalms 57:1

Nahoana Davida no mangataka an'Andriamanitra mba hamindrafo aminy?

Mangataka amin'Andriamanitra izy mba hamindrafo aminy, satria mialoka ao amin'Andriamanitra ny fanahiny.

Hatramin'ny oviana Davida no mialoka eo amin'i Yaveh?

Davida mialoka eo amin'i Yaveh mandra-pahatapitry ny fahoriany.

Psalms 57:2

Inona no lazain'i Davida fa ataon'Andriamanitra aminy?

Davida milaza fa manao ny zava-drehetra ho azy Andriamanitra.

Inona no lazain'i Davida fa halefan'Andriamanitra ho any aminy?

Davida miteny fa halefan'Andriamanitra any aminy ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fahamarinany.

Psalms 57:4

Eo amin'inona Davida no mandry?

Mandry eo amin'ireo izay nandrehetana afo izy.

Aiza angatahan'i Davida hamelan'Andriamanitra ny voninahiny?

Davida mangataka an'Andriamanitra hamela ny voninahiny ho ambonin'ny tany rehetra.

Psalms 57:6

Inona no nitranga tamin'ireo izay nihady lavaka teo anoloan'i Davida?

Izy ireo tenany ihany no nianjera to anatin'izany.

Psalms 57:7

Zavamaneno inona no antsoin'i Davida mba hifoha?

Davida miantso ny valiha sy lokanga mba hifoha.

Psalms 57:9

Aiza Davida no hisaotra ny Tompo?

Davida hisaotra ny Tompo eo amin'ny olo-maro.

Aiza Davida no hihira fiderana ho an'ny Tompo?

Davida hihira fiderana ho an'ny Tompo eo amin'ireo firenena.

Aiza no angatahan'i Davida mba hanandratana ny voninahitr'Andriamanitra?

Davida mangataka ny voninahitr'Andriamanitra ho asadratra manerana ny tany rehetra.

Psalms 58

Psalms 58:1

Inona no lazain'i Davida fa zarain'ireo zanak'olona amin'ny tanany manerana ny tany?

Mizara herisetra amin'ny tanany manerana ny tany izy ireo.

Psalms 58:3

Oviana davida no miteny fa maniasia ny ratsy fanahy?

Maniasia izy ireo hatramin'ny fony vao teraka.

Psalms 58:6

Inona no angatahan'i Davida hataon'i Yaveh rehefa mandefa ny zana-tsipìkany ny ratsy fanahy?

Davida mangataka an'Andriamanitra hanao ireo zana-tsipìka ho toy ny tsy misy lohany.

Psalms 58:9

Rahoviana ny marina no hifaly?

Hifaly ny marina rehefa mahita ny valifatin'Andriamanitra.

Psalms 59

Psalms 59:1

Ahoana no fomba angatahan'i Davida an'Andriamanitra hamonjy azy amin'ireo fahavalony?

Mangataka izy mba hametrahan'Andriamanitra azy avo lavitra an'ireo izay mitsangana hanohitra azy.

Psalms 59:3

Iza no miara-miangona hanohitra an'i Davida?

Ireo mpanao ratsy mahery no miangona hanohitra an'i Davida.

Psalms 59:5

Iza no angatahan'i Davida mba tsy hamindran'i Yaveh fo?

Mangataka an'i Yaveh izy mba tsy hamindrafo amin'izay mpanao meloka rehetra.

Psalms 59:10

Ahoana no iandrasan'i Davida fihaonana amin'Andriamanitra?

Andriamanitra hahita azy amin'ny alalan'ny famindrampony.

Psalms 59:12

Davida mangataka an'Andriamanitra handevona ireo fahavalony amin'ny fomba ahoana?

Izay mangataka an'Andriamanitra handevona azy ireo amin'ny fahatezerana, ary koa mba handevonana azy ireo mba tsy hisy intsony izy ireo.

Psalms 59:16

Ahoana no fihiran'i Davida momba ny herin'Andriamanitra?

Izy miteny fa Andriamanitra no efa tilikambony avo sy fialofana amin'ny androm-pahoriana.

Psalms 60

Psalms 60:1

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny Israelita?

Nofongoriny izy ireo, noravaravany, ary efa tamin'izy ireo Izy.

Psalms 60:2

Inona nataon'Andriamanitra tamin'ny ta ny?

Nampangovitany ny tany ary notriariny izany.

Inona no nasehon'Andriamanitra tamin'ny vahoaka sy nampisotroiny azy ireo?

Efa nampisehoany zava-tsarotra izy ireo ary nampisotroiny divay mampivembena.

Psalms 60:4

Iza no nomen'Andriamanitra faneva?

Nomeny faneva ireo izay manome voninahitra Azy.

Psalms 60:6

Inona no hataon'Andriamanitra an'i Sekema sy ny lohasahan'i Sokota?

Hizara an'i Sekema Izy ary hamaritra ny lohasahan'i Sokota.

Psalms 60:8

Inona no hataon'Andriamanitra amin'i Edoma?

Hanipy ny kapany manerana an'i Edoma Izy.

Psalms 60:10

Inona no nataon'Andriamanitra ho an'ny tafika?

Tsy mandeha miady miaraka amin'ny tafik'izy ireo Izy.

Ahoana no fomba ahafahan'ny Israelita handresy?

Handresy izy ireo amin'ny fanampian'Andriamanitra, fa Izy hanitsakitsaka ireo fahavalony.

Psalms 61

Psalms 61:1

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra ho azy?

Davida mangataka an'Andriamanitra hihaino ny tomaniny, ary mba hanatrika ny fivavahany.

Tahaka ny inona Andriamanitra amin'i Davida?

Andriamanitra no efa fialofana ho an'i Davida sy tilikambo mafy amin'ny fahavalo.

Psalms 61:4

Aiza Davida no honina sy hialoka?

Honina mandrakizay ao amin'ny tabernakelin'Andriamanitra i Davida ary hialoka ao amin'ny toeram-pierena ambany elatr'Andriamanitra.

Inona no nataon'Andriamanitra ho an'i Davida rehefa nandre ny voadiny Izy?

Andriamanitra nanome azy ny lovan'ireo izay manome voninahitra ny anaran'Andriamanitra.

Psalms 61:6

Inona no hataon'Andriamanitra ho an'ny fiainan'ny mpanjaka?

Andriamanitra hanalava ny fiainan'ny mpanjaka mba ho tahaka ny ny taranaka mifandimby maro ny taonany.

Psalms 61:8

Nahoana Davida no hihira fiderana ho an'ny anaran'Andriamanitra mandrakizay?

Davida hihira fiderana ho an'ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mba hahafahany manatanteraka ireo voadiny isan'andro.

Psalms 62

Psalms 62:1

Nahoana davida no miandry an'Andriamanitra irery am-pahanginana?

Davida miandry an'Andriamanitra am-pahanginana satria avy amin'Andriamanitra ny famonjena azy.

Inona no ilazan'i Davida an'Andriamanitra ho azy?

Davida miteny fa Andriamanitra irery ihany no vatolampy sy famonjena ho azy, ary tilikambony avo.

Psalms 62:3

Ahoana no itondran'izy ireo olona iray eo amin'ny amin'ny fitoerany be voninahitra?

Miresaka aminy izy ireo mba hampietry fotsiny azy, tia milaza lainga izy ireo, ary mitso-drano azy amin'ny vavany izy ireo, nefa manozona azy ao am-pony.

Psalms 62:7

Inona no asain'i Davida ataon'ny vahoaka?

Asain'i Davida matoky an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra izy ireo ary mandraraka ny fon'izy ireo eo anatrehan'i Yaveh.

Psalms 62:9

Ahoana no amaritan'i Davida an'ireo olona ambony sy ambany toerana?

Tsy misy dikany tokoa ireo olona ambany, ary lainga ireo olona ambony, raha lanjaina miaraka, dia maivana noho ny tsy misy izy ireo.

Inona no andraran'i Davida ny olona fa tsy tokony hanankinana ny fon'izy ireo?

Miteny izy fa tsy tokony hitoky amin'ny fampahoriana na fandrobana ary tsy hanantena harena tsy misy dikany, satria tsy hitondra vokatra izy ireo.

Psalms 62:11

Inona no ren'i Davida rehefa niteny Andriamanitra?

Davida nandre fa an'Andriamanitra ny fahefana.

An'iza ny famindrampo?

An'ny Tompo ny famindrampo satria ny Tompo no mamaly ny olon-drehetra amin'izay nataony.

Psalms 63

Psalms 63:1

Ahoana no fomba itadiavan'i Davida an'Andriamanitra?

Mitady fatratra an'Andriamanitra izy, mangetaheta Azy ny fanahiny, ary ny nofony maniry an'Andriamanitra.

Rehefa mitady an'Andriamanitra any amin'ny fitoerana masina i Davida, dia inona no hitany?

Mahita ny hery sy voninahitr'Andriamanitra izy.

Psalms 63:3

Inona no hataon'i Davida noho ny famindrampon'Andriamanitra?

Hidera an'Andriamanitra ny molotr'i Davida, hisaotra an'Andriamanitra izy raha mbola miaina koa, ary hanandratra ny tanany amin'ny anaran'Andriamanitra izy.

Psalms 63:5

Inona no mahafapo ny fanahin'i Davida sy mahatonga azy hidera an'Andriamanitra?

Hafapo izy ka midera rehefa mihevitra ny amin'Andriamanitra eo am-pandriany sy misaintsaina Azy amin'ny alina.

Psalms 63:7

Aiza Davida no mifaly?

Mifaly eo ambany aloky ny elatr'Andriamanitra izy.

Inona no manohana an'i Davida?

Ny tanana ankavanan'Andriamanitra no manohana an'i Davida.

Psalms 63:9

Inona no hitranga amin'ireo izay mitady hanimba ny fanahin'i Davida?

Handeha any amin'ny faritra ambany indrindran'ny tany izy ireo, hatolotra eo amin'ny fahefan'ny sabatra izy ireo, ary homena ny amboadia.

Psalms 63:11

Inona no hitranga amin'ireo izay mianiana amin'ny alalan'Andriamanitra?

Hirehareha aminy ireo izay mianiana amin'ny alalany.

Inona no hitranga amin'ireo izay milaza lainga?

Hakombona ny vavan'izay milaza lainga.

Psalms 64

Psalms 64:1

Inona no angatahan'i Davida ho henoin'Andriamanitra?

Maniry izy ny mba hihainon'Andriamanitra ny feony ary handrenesana ny fitarainany.

Amin'inona no antony angatahan'i Davida an'Andriamanitra hanafina azy?

Mangataka an'Andriamanitra izy mba hanafina azy amin'ny teti-dratsy miafin'ireo mpanao ratsy ary amin'ny tabataban'ireo mpanao heloka.

Psalms 64:3

Inona no nataon'ireo fahavalon'i Davida tamin'ny lelan'izy ireo?

Nandranitra ny lelany toy ny sabatra izy ireo.

Amin'iza ireo fahavalon'i Davida no hitifitra?

Olona tsy manan-tsiny no tifirin'izy ireo.

Psalms 64:5

Inona no lazain'ireo fahavalon'i Davida rehefa miara-miresaka manokana izy ireo mba hanomana ratsy sy hamelatra fandrika?

Hoy izy ireo hoe: "Iza no hahita antsika?"

Psalms 64:7

Ahoana no havalin'Andriamanitra an'ireo fahavalon'i Davida?

Andriamanitra hikendry azy ireo tampoka ary dia ho maratran'ireo zana-tsipìkany izy ireo.

Noho ireo asan'Andriamanitra, dia inona no hitranga amin'ny fahavalo?

Ho tafintohana ny fahavalo ary izay rehetra mahita azy ireo dia hanifikifika ny lohany.

Ahoana no havalin'ny olona rehetra rehefa mitsara an'ireo fahavalon'i Davida i Andriamanitrra?

Hatahotra ny olona rehetra, hanambara ireo asan'Andriamanitra, ary hieritreritra am-pahendrena izay efa nataon'Andriamanitra.

Psalms 64:10

Inona no hataon'ny marina rehetra sy ny mahitsy fo rehetra?

Ho faly ny amin'i Yaveh ny marina ary hialoka ao Aminy; hireharehana Aminy ny mahitsy am-po rehetra.

Psalms 65

Psalms 65:1

Amin'iza no lazain'i Davida fa hitondrana ny voadin'izy ireo?

Ho entina any amin'Andriamanitra ao Ziona ny voadin'izy ireo.

Inona nolazain'i Davida fa hataon'Andriamanitra momba ny fandikan-dalàn'izy ireo?

Miteny izy fa Andriamanitra hamela ny fahotan'izy ireo.

Psalms 65:4

Iza no lazain'i Davida fa olona sambatra?

Sambatra ny olona izay fidin'Andriamanitra hanakaiky Azy mba hahafahany mipetraka ao an-kianjany. Dia ho afa-po ny amin'ny fahatsaran'ny tranon'Andriamanitra izy.

Psalms 65:5

Ahoana no hamalian'Andriamanitry ny famonjena azy ireo ny fivavany?

Andriamanitra hamaly amim-pahamarinana amin'ny fanaovana zava-mahagaga.

Psalms 65:6

Inona no ampanginin'Andriamanitra?

Mampangiana ny firaondraonan'ireo ranomasina Izy, ny firaondraonan'ireo onjany, ary ny tabataban'ireo vahoaka.

Psalms 65:8

Iza no matahotra ny porofon'ireo asan'Andriamanitra?

Ireo izay monina any amin'ny faran'ny tany dia matahotra ny porofoireo asan'Andriamanitra.

Ahoana no ilazan'i Davida fa hamonjy ny tany Andriamanitra?

Andriamanitra manondraka izany, mampitombo izany, ary mikarakara ny tany mba hamatsiana voa ho an'ny olombelona.

Psalms 65:10

Inona no mitranga amin'ny tany aorian'ny kalesin'Andriamanitra?

Ireo sorita aorian'ny kalesinao dia mitete fahatavizana amin'ny tany.

Psalms 65:13

Rakotra inona ireo tany fihinanam-bilona, ary voarakotra inona ireo lohasaha?

Rakotra ondry aman'osy ny tany fihinanam-bilona, voarakotra voa ihany koa ireo lohasaha.

Psalms 66

Psalms 66:1

Inona no asain'ny mpanoratra ataon'ny tany rehetra?

Izy miteny ny olon-drehetra hanao hiakam-pifaliana, hihira ny voninahitry ny anarany, ary hanao ny anarany ho be voninahitra.

Psalms 66:3

Inona no mahatonga ireo fahavalon'Andriamanitra hiaiky Azy?

Hahatonga ireo fahavalony hiaiky Azy ny fahalehibiazan'ny herin'Andriamanitra.

Psalms 66:5

Zava-mahagaga inona no nataon'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona?

Namadika ny ranomasina ho tany maina Izy mba hamakivakian'ny vahoaka ny ony amin'ny tongotra.

Psalms 66:8

Inona no ataon'Andriamanitra ho an'ny olony amin'ny fiainana?

Miahy ny fanahin'izy ireo Izy ary tsy mamela ny tongotr'izy ireo hisolifatra.

Psalms 66:10

Ahoana no fomba nitsapan'Andriamanitra ny vahoakany ary taiza Izy no nitondra azy ireo?

Andriamanitra nitsapa azy ireo tahaka ny fanandramana volafotsy.

Taiza Andriamanitra no nitondra ny vahoakany?

Namoaka azy ireo ho any amin'ny toerana midadasika iIzy.

Psalms 66:13

Amin'ny inona no hidiran'ny mpanoratra ao an-tanon'Andriamanitra?

Hiditra ao an-tranonao amin'ny fanatitra dorana izy.

Inona no haterin'ny mpanoratra ho an'Andriamanitra?

hanatitra fanatitra dorana biby mifahy miaraka amin'ny hanitra ankasitrahana avy amin'ny ondrilahy, ary ombilahy sy osy.

Psalms 66:16

Inona no ho amabarn'ny mpanoratra ho an'izay rehetra matahotra an'Andriamanitra?

Hanambara izay nataon'Andriamanitra tamin'ny fanahiny izy.

Inona no hataon'ny Tompo raha mijery ny heloka ao am-pony ny mpanoratra?

Tsy handre azy ny Tompo raha mijery ny heloka ao am-pony ny mpanoratra.

Psalms 66:19

Inona no tsy nolavin'Andriamanitra?

Tsy nandà ny fivavaky ny mpanoratra sy tsy niala tamin'ny famindrampony.

Psalms 67

Psalms 67:1

Nahoana Andriamanitra no tokony hamindrafo amin'ireo vahoakany sy hitahy azy ireo?

Tokony hitahy azy ireo Izy mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny lalany, ary ny famonjeny amin'ireo firenena.

Psalms 67:3

Iza no tokony hidera an'Andriamanitra?

Ny olona rehetra no tokony hidera an'Andriamanitra.

Nahoana ireo firenena no tokony ho faly sy hihira?

Tokony ho faly sy hihira ireo firenena satria Andriamanitra hitsara ireo vahaka amin'ny fahitsiana ary hanapaka ireo firenena ambonin'ny tany.

Psalms 67:5

Nahoana ny tany no namoa ny voany?

Namoa ny voany ny tany satria Andriamanitra no efa nitahy ireo vahoaka.

Psalms 67:7

Inona no tokony mitranga satria Andriamanitra no efa nitahy an'ireo vahoaka?

Tokony hanome voninahitra Azy ireo vazan-tany rehetra.

Psalms 68

Psalms 68:1

Inona no tian'i Davida hiseho amin'ireo fahavalon'i Davida ary amin'ireo izay mankahala an'Andriamanitra?

Maniry izy mba hiely ireo fahavalon'Andriamanitra, ary ireo izay mankahala an'Andriamanitra handositra amin'ny fanatrehany.

Inona no tokony ataon'ny marina?

Tokony ho faly, hiravoravo, hihira sy ho miramirana ny marina eo anatrehan'i Yaveh.

Psalms 68:4

Inona no ataon'Andriamanitra ho an'ny irerysy ny gadra?

Mametraka ny irery ho ao amin'ny fianakaviana Izy, ary entiny mivoaka amim-kalokalo ny gadra.

Psalms 68:7

Inona no nataon'ny tany sy lanitra tamin'ny nivoahan'Andriamanitra teo anatrehan'ny vahoakany?

Nihovitra ny tany; ny lanitra ihany koa nitete orana teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra.

Psalms 68:9

Inona no nalefan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany?

Andriamanitra nandefa oram-be mba hanamafy ny lovany rehefa reraka izany.

Psalms 68:11

Inona no nambaran'ny tafika lehibe?

Nanambara ny baikon'ny Tompo ny tafika.

Inona no ataon'ny vehivavy miandry ao an-trano aorian'ny fandosiran'ireo tafiky ny mpanjaka?

Mizarazara ny entana voaroba izy ireo toy ny volafotsy sy voromailala volamena.

Psalms 68:14

Amin'inona no jeren'ny tany havoana am-pitsiriritana?

Mijery am-pitsiriritana ny tendrombohitra izay irian'Andriamanitra ho an'ny toerana izay honenany mandrakizay ny tany havoana..

Psalms 68:17

Kalesin'Andriamanitra firy isa no any?

Roa alina ireo kalesin'Anadriamanitra, an'alinalina.

Psalms 68:19

Inona no ataon'ny Tompo ho an'ny vahoakany isan'andro?

Mitondra ny enta-mavesatr'izy ireo isan'andro ny Tompo.

Psalms 68:22

Avy aiza ny Tompo no hitondra ny fahavalony hiverina?

Ny Tompo hitondra ireo fahavalony avy any Basana sy avy any amin'ireo lalin'ny ranomasina.

Psalms 68:24

Ahoana no endriky ny filaharan'Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina?

Ireo mpikalo no nandeha mialoha, nanaraka avy ao aoriana ireo mpitendry valiha, ary any afovoany no ireo zatovovavy tsy nanambady mpively amponga tapaka.

Psalms 68:26

Iza no tokony hisaotra ay hidera an'Andriamanitra eo anivon'ny fiangonana?

Ireo taranaka marin'Israely no tokony hisaotra sy hidera an'Andriamanitra.

Iza no foko kely indrindra?

Benjamina no foko kely indrindra.

Psalms 68:28

Inona no angatahan'i Davida hambaran'Andriamanitra amin'ny vahoakany?

Mangataka an'Andriamanitra izy mba hanambarana azy ireo ny fahefan'Andriamanitra tahaka ny tamin'ny taloha.

Psalms 68:30

Inona no asain'i Davida hotenenina mafy?

Davida miteny mba hitenenana mafy an'ireo bibidia anaty volotara sy ireo ombilahy sy zanak'ombin'ny olona.

Iza no hivoaka an'i Egypta?

Andriana no hivoaka avy any Egypta.

Psalms 68:32

Iza no tokony hihira ho an'Andriamanitra?

Ireo fanjakan'ny tany no tokony hihira ho an'Andriamanitra.

Psalms 68:34

Tokony ho an'iza no lazain'i Davida fa hanekena ny hery?

Davida miteny fa tokony hanaiky ny hery ho an'Andriamanitra.

Inona no omen'Andriamanitra ho an'ny vahoakany?

Manome hery sy fahefana ho an'ny vahoakany Izy.

Psalms 69

Psalms 69:1

Amin'ny inona Davida no mangataka an'Andriamanitra hanavotra azy?

Mangataka amin'Andriamanitra izy mba hanavotra azy amin'ireo rano lalina izay tonga tamin'ny fanahiny.

Psalms 69:3

Inona no mitranga amin'i Davida rha miandry an'Andriamaniny izy?

Ketraka amin'ny fitomanina izy; maina ny tendany; tsy maharitra ny masony.

firy isa ireo fahavalony mankahala an'i Davida?

Mihoatra noho ny volo eo an-dohany ireo fahavalony.

Psalms 69:5

Inona no fantatr'Andriamanitra momba an'i Davida?

Andriamanitra mahalala ny amin'ny fahadalan'i Davida sy ireo fahotana izay tsy miafina amin'Andriamanitra.

Inona tsy tian'i Davida hitranga amin'ireo izay miandry sy mitady an'i Yaveh?

Davida mangataka mba ts hampamenatra azy ireo na hitondrana azy ireo ho amin'ny fahafam-baraka noho i Davida.

Psalms 69:7

Inona no nitelina an'i Davida?

Ny fahazotoan'ny tranon'Andriamanitra no nandrapaka azy.

Psalms 69:10

Inona no nataon'i Davida ho fandatsana ny tenany?

Nitomany izy ary nibedy ny fanahiny tamin'ny fifadian-kanina.

Oviana Davida no tonga ambentin-teniny?

Nitafy lamba fisaonana izy mba ho fitafiany.

Psalms 69:13

Ahoana no fomba irian'i Davida hamalian'i Yaveh ny fivavany?

Mangataka an'i Yaveh hamaly azy amin'ny fahamarinan'ny famonjen'i Yaveh izy.

Psalms 69:16

Nahoana Yaveh no tokony hitodika any amin'i Davida?

Tokony hitodika any amin'i Davida Izy satria marobe ireo famindrampon'i Yaveh ho an'i Davida?

Psalms 69:18

Inona no tian'i Davida hataon'i Yaveh noho ireo fahavalon'i Davida?

Tiany Yaveh mba mba hanakaiky ny fanahiny sy hanavotra izany.

Psalms 69:20

Inona no nomen'ireo fahavalon'i Davida azy hohanina sy hosotroina?

Nanome azy poizina izy ireo ho sakafo ary vinaingitra ho sotroina.

Psalms 69:22

Tian'i Davida hiova ho inona ny latabatr'ireo fahavalony?

Tiany hiova ho fandrika ho azy ireo ihany ny latabatr'ireo fahavalony.

Psalms 69:24

Inona no tian'i Davida hitranga amin'ny fitoeran'ireo fahavalony?

Tiany ho foana ny toeran'izy ireo, ary tsy hisy honina ao amin'ny lainy.

Psalms 69:26

Davida maniry an'i Yaveh hiampanga ireo fahavalony amin'inona?

Tiany hiampanga azy ireo amin'ny fanaovana heloka miampy heloka Yaveh.

Psalms 69:30

Inona no ankasitrahan'Andriamanitra mihoatra ny omby sy ombilahy?

Ny fideran'i Davida ho an'ny anarany amin'ny fihirana sy fisaorana no ankasitrahan'i Yaveh.

Psalms 69:32

Ahoana no avalin'i Yaveh amin'ny ory sy ireo gadrany?

Yaveh mandre ny ory ary tsy manao tsinontsinona ny gadrany.

Psalms 69:34

Inona no lazain'i Davida fa tokony hidera an'Andriamanitra?

Ny lanitra, ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy no tokony hidera an'Andriamanitra.

Inona no hataon'Andriamanitra an'i Ziona sy ireo tanàna'i Joda?

Andriamanitra hanavotra an'i Ziona ary hanangana indray ireo tanàna'i Joda, ary onina ao ny olona ka hanao izany ho fananana.

Psalms 70

Psalms 70:1

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra?

Davida mangataka an'Andriamanitra hanavotra azy ary ho tonga faingana hamonjy azy.

Inona no tian'i Davida hataon'Andriamanitra amin'ireo izay mitadyhikendry ny ainy?

Davida maniry an'Andriamanitra hampamenatra azy ireo sy hampavery hevitra azy ireo, hampiamboho azy ireo ary hahafa-baraka azy ireo.

Psalms 70:4

Inona no tian'i Davida hataon'izay rehetra mitady an'i Yaveh?

Tiany izy ireo hifaly sy ho ravo ary hiteny hoe: "Hoderaina anie Andriamanitra."

Inona no ilain'i Davida avy amin'Andriamanitra satria izy ory sy mahantra?

Mila an'Andriamanitra hamonjy sy hanavotra azy faingana i Davida.

Psalms 71

Psalms 71:1

Inona no lazain'ny mpanoratra amin'i Yaveh fa tiany hataony?

Ny mpanoratra maniry Azy hamonjy azy, hiaro azy, hanongilan-tsofina aminy ka hanavotra azy.

Tian'ny mpanoratra ho inony Yaveh?

Ny mpanoratra maniry an'i Yaveh ho vatolampiny sy fiarovana mafiny.

Psalms 71:4

Amin'ny tanan'iza no tian'ny mpanoratra hanavotana azy?

Tiany izy ho voavonjy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy, ary amin'ny tanan'ireo tsy marina sy lozabe.

Mandra-pahoviana ny mpanoratra no matoky an'i Yaveh?

Natoky an'i Yaveh foana izy hatramin'ny fony mbola kely.

Psalms 71:6

Tonga inona ho an'ny olo-maro ny mpanoratra?

Tonga ohatra ho an'ny olo-maro ny mpanoratra.

Psalms 71:8

Inona no ataon'ny mpanoratra amin'ny vavany mandrakariva?

Mameno dera sy haja ny vavany mandrakariva izy.

Inona no angatahan'ny mpanporatra tsy ataon'Andriamanitra rehefa antitra ny mpanoratra ary ketraka ny heriny?

Mangataka izy mba tsy hanarian'i Yaveh azy na hamoizany azy.

Psalms 71:10

Inona no lazain'ireo fahavalon'ny mpanoratra raha miteti-dratsy hanohitra azy izy ireo?

Hoy izy ireo hoe: "Efa nahafoy azy Andriamanitra; enjeho izy ary alao, fa tsy misy olona hanavotra azy."

Psalms 71:12

Inona no tian'ny mpanoratra hitranga amin'ireo izay mameno fankahalana amin'ny fiainany?

Maniry azy ireo ho menarina sy holevonina izy, ary ho voarakotra latsa sy fahafam-baraka.

Psalms 71:14

Inona no hambaran'ny mpanoratra amin'ny vavany momba an'i Yaveh?

Hilaza ny fahamarinan'i Yaveh sy ny famonjeny ny vavany.

Psalms 71:17

Nahoana Yaveh no tsy tokony hahafoy ny mpanoratra?

Tsy tokony hahafoy ny mpanoratra Yaveh satria ny mpanoratra manambara ny herin'i Yaveh amin'ny taranaka mandimby, ary ny fahefany amin'ny olon-drehetra ho avy.

Psalms 71:19

Inona no lazain'ny mpanoratra fa avo loatra?

Ny fahamarinan'Andriamanitra no avo loatra.

Psalms 71:21

Noho ny inona no hisaoran'ny mpanoratra amin'ny lokangany?

Misaotra an'Andriamanitra izy noho ny fahamarinan'Andriamanitra.

Psalms 71:23

Inona no ataon'ny lelan'ny mpanoratra mandrakariva?

Hiresaka ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra mandrakariva izany.

Psalms 72

Psalms 72:1

Inona no angatahan'i Solomona amin'Andriamanitra mba homena ny mpanjaka sy ny zanany?

Mangataka an'Andriamanitra hanome ny lalàny marina ho an'ny mpanjaka i Solomona, ary mba hanome ny fahamarinan'Andriamanitra ho an'ny zanany.

Psalms 72:4

Mandra-pahoviana Solomona no maniry ny vahoaka hanome voninahitra an'Andriamanitra?

Tiany izy ireo mba hanome voninahitra an'Andriamanitra raha mbola maharitra koa ny masoandro ary raha mbola eo manerana ny taranaka rehetra ny volana.

Psalms 72:6

Tian'i Solomona ho tahaka ny inona ireo andron'ny mpanjaka?

Tiany ho tahaka ny orana eny amin'ny ahitra voatapaka, tahaka ny rotsak'orana izay manondraka ny tany izany.

Psalms 72:8

Hatraiza no ho tratran'ny fanapahan'ny mpanjaka?

Hahatratra ranomasina amin'ny ranomasina ny fanapahany, amin'ny Ony ka hatrany amin'ireo vazan-tany.

Psalms 72:11

Inona no hataon'ny mpanjaka sy firenena rehetra manoloana an'i Yaveh?

Ho lavo eo anatrehany tokoa ireo mpanjaka rehetra ka hanompo Azy.

Psalms 72:13

Ahoana no hitondran'ny mpanjaka ny ory sy ny mahantra?

Mamindra fo amin'ny mahantra sy ory izy, ary manavotra ny ain'ny olona ory.

Psalms 72:15

Inona ireo famantarana ny fitahian'Andriamanitra amin'ny mpanjaka?

Ireo famantaran'ny fitahoana dia fahabetsaham-bary, ary hamony ny olona ao an-tanàna.

Psalms 72:17

Mandra-pahoviana Solomona no mangataka mba haharitra ny anaran'ny mpanjaka?

Mangataka izy mba haharitra mandrakizay ny anaran'ny mpanjaka, ary hitohy tahaka ny masoandro.

Psalms 72:18

Inona no Yaveh irery ihany no manao azy?

Izy irery ihany no manao zava-mahagaga.

Psalms 73

Psalms 73:1

Tsara ho an'iza Andriamanitra?

Andriamanitra dia tsara ho an'Israely, ho an'ireo madio fo.

Nahoana no saika nisolifatra ny tongotr'i Asafa?

Saika nibolisatra ny tongony satria nitsiriritra ny mpirehareha izy raha nahita ny fahombiazan'ny ratsy fanahy.

Psalms 73:4

Ahoana no amaritan'i Asafa ny mpiavonavona sy ny ratsy fanahy?

Niteny izy fa tsy nijaly izy ireo, mahery sy voafahana tsara, afaka amin'ny enta-mavesatra izy ireo, ary tsy mba ory toy ny olona hafa.

Psalms 73:6

Tahalka ny inona amin'ny ratsy fanahy ny fireharehana sy ny herisetra?

Mandravaka azy ireo tahaka ny rojo eo amin'ny vozony ny fireharehana, ary herisetra no tafiany toy ny tohitena.

Inona no vokatry ny fahajamban'ny ratsy fanahy?

Avy amin'izany fahajambana izany no hivoahan'ny ota sy fisainan-dratsy.

Psalms 73:8

Zavatra inona no lazain'ny ratsy fanahy?

Maneso izy ireo, milaza zava-dratsy, mandrahona herisetra, ary miteny manohitra ny lanitra.

Psalms 73:10

Inona no lazin'ny ratsy fanahy momba an'Andriamanitra?

Hoy izy ireo hoe: "Ahoana no hahalalan'Andriamanitra? Moa Andriamanitra mahalala izay miseho?"

Psalms 73:13

Nahoana Asafa no mahatsiaro fa zava-poana ny niambenany ny fony?

Nampahoriana mandrakariva Asafa ary nofaizina isa-maraina.

Inona no hitranga raha milaza ireo zavatra ireo Asafa?

Hamadika izany taranaky ny zanak'Andriamanitra izany izy.

Psalms 73:16

Taiza Asafa no nandeha hahazoana fahazavan-tsaina amin'ireo zavatra ireo?

Nandeha tany amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra i Asafa.

Psalms 73:18

Ho tonga inona ao anatin'ny fotoana fohy ny ratsy fanahy?

Ho tonga efitra izy ireo anatin'ny fotona fohy.

Psalms 73:21

Tahaka ny inona no nilazan'i Asafa azy eo anatrehan'Andriamanitra?

Tahaka ny biby tsy misy antony izy manoloana an'Andriamanitra.

Psalms 73:23

Inona no hataon'Andriamanitra ho an'i Asafa aoarian'ny hitarihany azy amin'ny toroheviny?

Aorian'izay, Andriamanitra dia handray an'i Asafa ao amin'ny voninahitra.

Psalms 73:25

Inona no hany fanirian'i Asafa ety ambonin'ny tany?

Ny Andriamanitry ny lanitra no hany iriany.

Psalms 73:27

Iza no ho ringana?

Ireo izay lavitra an'Andriamanitra no ho ringana, ary handrava an'izay rehetra tsy mahatoky Azy Izy.

Inona ny zavatra iray izay ilain'i Asafa atao?

Ny hany tokony ataony dia ny manatona an'Andriamanitra.

Psalms 74

Psalms 74:1

Inona no angatahan'i Asafa ho tsaroan'Andriamanitra fa nataony tamin'ny vahoakany tamin'ny andro fahiny?

Andriamanitra namonjy azy ireo tamin'ny andro fahiny, ary nividy azy ireo manokana mba ho lovany.

Psalms 74:3

Inona no fandravana nataon'ny fahavalo tao amin'ny fitoerana masina?

Mametraka ny sainan'ny adiny izy ireo, nanapatapaka amin'ny famaky, namotipotika sy nandrodana ireo sokitra rehetra.

Psalms 74:7

Inona ihany koa no nataon'izy ireo tao amin'ny fitoerana masina?

Nandoro izany izy ireo, ary nanimbazimba izany tamin'ny fanjerana izany amin'ny tany,

Inona no nataon'ny fahavalo tamin'ny toerana fihaonana?

Nodoran'izy ireo avokoa ny toerana fihaonana rehetra tao amin'ny tany.

Psalms 74:9

Inona no tsy hitan'ny vahoakan'Andriamanitra intsony?

Tsy nahita famantarana intsony izy ireo; tsy misy mpaminany intsony.

Psalms 74:12

Inona ireo famantarana izay naha mpanjakan'i Asafa an'Andriamanitra hatramin'ny andro fahiny?

Andriamanitra nampisaraka ny ranomasina ary namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina.

Psalms 74:14

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny lohan'ny leviatana?

Notorotoroiny ny lohan'ireo leviatana, ary nofahanany ireo izay velona any an'efitra.

Psalms 74:16

Inona no nampitoerin'Andriamanitra?

Nampitoetra ny masoandro amam-bolana Izy, ary nampitoetra ireo vazan-tany rehetra.

Psalms 74:18

Inona no ataon'ny fahavalo izay tian'i Asafa hotsarovan'i Yaveh?

Naniratsira an'i Yaveh sy niteny ratsy ny anarany ny fahavalo.

Psalms 74:20

Nahoana Asafa no mangataka an'Andriamanitra hahatsiaro ny fanekeny?

Maniry an'i Yaveh hahatsiaro ny fanekeny izy satria feno herisetra ny tany.

Psalms 74:22

Inona no tian'i Asafa harovan'Andriamanitra?

Asafa maniry an'Andriamanitra hitsangana sy hiaro ny voninahiny.

Psalms 75

Psalms 75:1

Noho ny inona no isaoran'ny vahoaka?

Misaotra izy ireo satria Andriamanitra manambara by fanatrehany.

Inona no hataon'Andriamanitra amin'ny fotoana voatendry?

Hitsara ara-drariny Izy, ary hanamafy ny andrin'ny tany.

Psalms 75:4

Inona no andraran'i Asafa ny mpirehareha sy ratsy fanahy?

Izy miteny azy ireo ny mba tsy hireharehana na hitokiana amin'ny fandresena, ary mba tsy hilaza amin'ny lohan'izy ireo mitraka.

Psalms 75:7

Inona no lazain'i Asafa momba an'Andriamanitra?

Andriamanitra no mpitsara ary mampietry ny iray sy mampitsangana ny iray hafa.

Inona no hataon'ny ratsy fanahy amin'ny kapoakan-divay mandroatra eo an-tanan'i Yaveh?

Hisotro izany hatramin'ny fara-faikany izy ireo.

Psalms 75:9

Ahoana no fomba hideran'i Asafa ny Andriamanitr'i Jakoba?

Hilaza hatrany hatrany izay nataon'Andriamanitra izy ary hihira fiderana ho Azy.

Inona no lazain'Andriamanitra fa hataony amin'ireo tandroky ny ratsy fanahy sy ny marina?

Hamongotra ny tandroky ny ratsy fanahy Izy ary hanandratra ny tandroky ny marina.

Psalms 76

Psalms 76:1

Aiza ny oteram-ponenan'Andriamanitr'i Jakoba?

Any Ziona ny toeram-ponenany.

Psalms 76:4

Raha midina avy any an-tendrombohitra Izy, dia tahaka ny ahoana Andriamanitra?

Manazava mamirapiratra Andriamanitra ary manambara ny voninahiny.

Psalms 76:6

Inona no nitranga rehefa nibedy ireo fahavalony ny Andriamanitr'i Jakoba?

Tamin'ny fibedesany, dia samy maty avokoa na ny soavaly na ny mpitaingina.

Psalms 76:8

Inona no nitranga rehefa tonga avy any an-danitra ny fitsaran'Andriamanitra?

Rehefa tonga avy any an-danitra ny fitsaran'Andriamanitra, dia natahotra sy nangina ny tany.

Psalms 76:10

Inona no ho entin'ny fitsaran'Andriamanitra tezitra amin'ireo fahavalony?

Hitondra fiderana ho Azy tokoa ny fitsarany tezitra amin'ireo fahavalony.

Psalms 76:11

Inona no tokony ataon'ny vahoaka momba ireo voady nataony amin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo?

Tokony hitàna ny voadiny izy ireo.

Ahoana no avalin'ireo andriana sy mpanjaka amin'i Yaveh?

Mampietry ny fanahin'ireo andriana Izy, ary atahoran'ireo mpanjaka.

Psalms 77

Psalms 77:2

Inonano nataon'i Asafa tamin'ny androm-pahoriany?

Nitady ny Tompo izy, nivavaka alina tontolo, ary naninjitra ny tanany.

Psalms 77:4

Inona no noeritreretin'i Asafa rehefa tsy afaka natory izy amin'ny alina?

Nieritreritra ireo andro fahiny izy, dia ireo fotoana maro lasa.

Psalms 77:6

Inona no tsiahivin'i Asafa mandritra ny alina?

Nitamberina tao an-tsany ilay hira nohirainy indray andro.

Psalms 77:10

Inona no alahelon'i Asafa?

Ny alahelony dia ny fiovan'ny tanana ankavanan'ilay Avo Indrindra mankany amin'ny vahoakany.

Psalms 77:11

Asan'i Yaveh inona no heverin'i Asafa?

Mihevitra ny amin'ireo asa mahagaga tamin'ny andro fahiny izy.

Psalms 77:13

Ahoana no maha hafa mihitsy an'Andriamanitra amin'ireo andriamani-kafa rehetra?

Andriamanitradia mahagaga, manao zava-mahagaga, manambara ny heriny, ary manome fandresena ho an'ny vahoakany.

Psalms 77:16

Ahoana no fihetsiky ny voahary amin'Andriamanitra?

Raiki-tahotra sy tora-kovitra ny tany. Nandraraka ranon'orana ny rahona ary nikotroka ny lanitra.

Psalms 77:18

Nankaiza ny lalan'Andriamanitra?

Nandeha namakivaky ny ranomaina ny lalany, ary koa namakivaky ny rano manonja, nefa tsy hita ny dian-tongony.

Psalms 78

Psalms 78:1

Ahoana no hampianaran'i Asafa ny olona?

Hanokatra ny vavany amin'ny fanoharana sy hihira momba ireo zavatra tamin'ny lasa i Asafa.

Psalms 78:3

Inona no hafindran'i Asafa amin'ny taranaka manaraka?

Asafa hilaza ny amin'ny asan'i Yaveh mendri-piderana, ny herriny sy ireo zava-mahagaga nataony amin'ny taranaka mandimby.

Psalms 78:5

Nahoana Yaveh no nandidy an'ireo razan'i Asafa mba hampianatra ireo didin'i Yaveh amin'ny zanak'izy ireo?

Yaveh nandidy izany mba hahalalan'ny taranaka mandimby ho avy ny didiny mba hampitan'ny taranaka mbola tsy teraka akory amin'ireo zananay indray.

Psalms 78:7

Inona no naha zava-dehibe ny nampianaran'ireo razan'i Asafa ny didin'i Yaveh amin'ireo zanany?

Zava-dehibe ho azy ireo ny mampianatra ny didin'i Yaveh amin'ireo zanany mba tsy ho tahaka ireo razan'izy ireo izay taranaka mafiloha sy mpikomy izy ireo.

Psalms 78:9

Ahoana no nanaovan'Israely izay ratsy teo imason'Andriamanitra?

Tsy nitandrina ny fanekena tamin'Andriamanitra izy ireo, ary nandà ny hankatò ny lalàny.

Psalms 78:12

Ahoana no nitondran'i Yaveh an'Israely?

Rahona no nitarihany azy ireo nony andro, ary tamin'ny afo mazava nony alina.

Psalms 78:17

Ahoana no nihantsian'Israely an'Andriamanitra?

Nihantsy an'Andriamanitra tamin'ny fangatahana hanina mba hahavoky azy ireo tamin'ny fony izy ireo.

Psalms 78:19

Inona no lazain'Israely manohitra an'Andriamanitra?

Niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Afaka mamelatra latabatra ho anay any an'efitra tokoa ve Andriamanitra?"

Psalms 78:21

Nahoana Yaveh no tonga tezitra sy namelyan'Israely tamin-katezerana?

Tonga tezitra tamin'Israely i Yaveh satria tsy nino sy natoky Azy tamin'ny famonjeny izy ireo.

Psalms 78:23

Ahoana no namatsian'Andriamanitra an'Israely na dia tsy nino azy aza izy ireo?

Andriamanitra namatsy azy ireo tamin'ny fandrotsahana mana sy hena betsaka hohanin'izy ireo ka ho voky.

Psalms 78:31

Inona no nataon'Andriamanitra tamin-katezerana tamin'Israely?

Namely sy namono an'ireo mahery indrindran'izy ireo Izy, ary nandavo ireo zatovolahiny.

Psalms 78:33

Ahoana no navalin'ny vahoakan'Israely isaky ny nampahorin'Andriamanitra izy ireo?

Nanombokoa nitady Azy izy ireo, ary nitady fatratra Azy indray.

Psalms 78:35

Inona no nanjo ny fon'Israely manoloana an'Andriamanitra?

Tsy mbola nifikitra tanteraka tamin'Andriamanitra ny fon'izy ireo, ary tsy natoky ny fanekeny.

Psalms 78:38

Ahoana no nanehoan'Andriamanitra famindrampo tamin'ny vahoakan'Israely?

Namela ny helok'izy ireo Izy ary tsy namotika azy ireo satria nahatsiaro Izy fa vita tamin'ny nofo izy ireo.

Psalms 78:44

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny onin'i Egypta?

Navadiny ho rà ny onin'i Egypta mba tsy hahafahan'izy ireo misotro eo amin'ny reniranony.

Psalms 78:50

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny voalohan-teraky ny Egyptiana?

Namono ny lahimatoa rehetra tao Egypta Izy, ny voalohan-teraky ny herin'izy ireo.

Psalms 78:52

Ahoana no nitaraihan'Andriamanitra ny vahoakany?

Nitondra ny olony nivoaka tahaka ny ondry Izy ary nitarika azy ireo tany an'efitra tahaka ny ondry aman'osy.

Psalms 78:54

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ireo firenena?

Nandroaka ireo firenena teo anoloan'izy ireo Izy ary nanendry ireny ho lovany.

Psalms 78:56

Ahoana ny vahoakan'Israely no manao fihetsika tahaka ireo razany?

Tsy natoky izy ireo ary nivadika tahaka ireo razany.

Psalms 78:58

Tamin'inona Israely no nampatezitra an'Andriamanitra?

Izy ireo nampatezitra an'Andriamanitra tamin'ny fitoerana avon'izy ireo ary nihantsy ny hasarotam-piarony tamin'ireo sampy.

Psalms 78:62

Tamin'inona Andriamanitra no nanolotra ny vahoakany?

Nanolotra ny olony ho amin'ny sabatra Izy, ary ny afo nandevona ny zatovolahin'izy ireo.

Psalms 78:67

Foko iza avy amin'Israely no nofidian'Andriamanitra?

Andriamanitra nifidy ny fokon'i Joda sy ny tendrombohitra Ziona tiany.

Psalms 78:70

Iza no nofidian'Andriamanitra ho mpiandry ny Israely?

Nifidy an'i Davida mpanompony Izy, ary naka azy hanao valan'ondry.

Psalms 79

Psalms 79:1

Inona no nitranga rehefa tonga tao Israely ireo firenen-kafa?

Nandoto ny tempoly izy ireo, namadika an'Israely ho antontam-pandravana izy ireo.

Psalms 79:4

Tonga inona tamin'ireo namany i Israely?

Tonga latsa ho an'ireo namany izy ireo, fanesoana sy fihomehezana ho an'izay manodidina azy.

Psalms 79:6

Eo amin'iza no angatahan'i Asafa handrarahan'Andriamanitra ny hatezerany?

Mangataka izy mba handrarahan'Andriamanitra ny hatezerany amin'ireo firenena izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy amin'ireo fanjakana tsy manao ny fiantsoana amin'ny anarany.

Psalms 79:8

Inona no tsy tian'i Asafa hazonin'Andriamanitra hanohitra an'Israely?

Maniry izy mba tsy hihazonan'Andriamanitra ny fahotan'ireo razamben'izy ireo hanohitra azy ireo.

Psalms 79:10

Inona no tsy tian'i Asafa lazain'ireo firenena?

Tsy tiany ireo firenena hiteny hoe: "Aiza izay Andriamanitr'izy ireo?"

Psalms 79:12

Inona no lazain'i Asafa fa amin'Andriamanitra ny Israely?

Miteny izy fa vahoakan'Andriamanitra izy ireo ary ondrin'ny fihinanam-bilony.

Psalms 80

Psalms 80:1

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'ny Mpiandry ondrin'Israely?

Ny mpanoratra mangataka Azy hihaino sy hamirapiratra amin'izy ireo.

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'ny Mpiandry ondrin'Israely eo imason'i Efraima sy Benjamina ary Manase?

Mangataka ny Mpiandry ondrin'Israely izy mba hampihatra nyb fahefany sy ho tonga hanavotra azy ireo.

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'Andriamanitra?

Mangataka amin'Andriamanitra izy mba hampody azy ireo, hamirapiratra amin'izy ireo dia ho voavonjy izy ireo.

Psalms 80:4

Inona no navalin'i Yaveh rehefa nivavaka ny vahoaka?

Tezitra tamin'ny vahoakany izy raha nivavaka izy ireo.

Inona no nomen'i Yaveh hohanina sy hosotroin'izy ireo?

Nofahanany ranomaso izay ire ary nomeny ranomaso hosotroiny.

Inonoa no ataon'ireo namana sy fahavalon'Israely amin'izy ireo?

Mifanditra amin'izy ireo ny namany ary miihomehy amin'izy ireo ny fahavalony.

Psalms 80:7

Inona no hitranga rehefa mampody azy ireo sy mamirapiratra amin'izy ireo ny tavan'Andriamanitra tompon'ny maro?

Ho voavonjy izy ireo.

Inona no nataon'Andriamanitra tompon'ny maro tamin'ny voaloboka nentiny avy Egypta?

Noroahiny ireo firenena ary namboleny izany.

Psalms 80:9

Inona no nataon'Andriamanitra mba hanomanana ny fambolena ny voaloboka?

Andriamanitra nanadio ny tany ho an'izany.

Inona no rakofan'ny sampan'izany?

Nandrakotra ny tendrombohitra sy ny sedera avo indrindra ilay voaloboka.

Hatraiza no nandefasan'ny voalobokoa ireo sampany sy ny sakeliny?

Naparitany hatrany amin'ny ranomasina ny sampany ary ny sakeliny tamin'ny Ony Eofrata.

Psalms 80:12

Inona no hitranga satria nirodana ireo mandan'ilay voaloboka?

Hanongotra ny voany izay rehetra mandalo.

Inona no hataon'ny lambo sy ny bibin'ny saha amin'ny voaloboka?

Ny lambo manimba izany, ary ny bibin'ny saha mihinana amin'izany.

Psalms 80:14

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'Andriamanitra tompon'ny maro ho an'ny voaloboka?

Mangataka an'Andriamanitra tompon'ny maro izy mba hiverina, hitsinjo avy any an-danitra, hihevitra sy hiahy ity voaloboka ity.

Iza no namboly ny fototry ny voaloboka ary nampitombo ny sakeliny?

Ny tanana ankavanan'Andriamanitra no namboly ny fotony sy nampitombo ny sakeliny.

Inona no mitranga amin'ilay voaloboka?

May sy voatapaka ilay voaloboka.

Inona no tian'ny mpanoratra hitranga amin'ireo fahavalon'Andriamanitra tompon'ny maro?

Maniry ny hahalevona an'ireo fahavalon'Andriamanitra tompon'ny maro ny mpanoratra noho ny fitenenany mafy.

Psalms 80:17

Inona no tian'ny mpanoratra hataon'Andriamanitra amin'ny lehilahin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra?

Maniry ny tanan'Andriamanitra mba ho amin'izany lehilahy izany ny mpanoratra.

Inona no nataon'Andriamanitra ho an'ny zanak'olona?

Andriamanitra nampatanjaka azy.

Inona no hataon'ny vahoaka raha mamelona azy indray Andriamanitra?

Hiantso ny anaran'Andriamanitra izy ireo.

Psalms 80:19

Inona no hitranga raha mamirapiratra amin'ny vahoaka ny tavan'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro?

Ho avotra izy ireo, arha mamirapiratra amin'izy ireo ny tavain'i Yaveh.

Psalms 81

Psalms 81:1

Inona no asain'ny mpanoratra ataon'ny rehetra amin'Andriamanitra?

Asainy mihira mafy sy mihiakam-pifaliana izy ireo.

Zavamaneno inona no asain'ny mpanoratra lalaovin'ny olona raha mihira izy ireo?

Tokony hively ampongatapaka sy hitendry lokanga mahafinaritra miaraka amin'ny valiha ny olona.

Rahoviana ny olona no tokony hitsoka ny anjomaran'osilahy?

Tokony hitsoka anjomara izy ireo amin'ny andron'ny volana vaovao, dia ilay andron'ny fenomanana, rehefa manomboka ny andro firavoravoan'izy ireo.

Psalms 81:4

Iza no nanome ny didy aman-dalàna ho an'Israely?

Ny Andriamanitr'i Jakoba no nanome an'ireo ho an'Israely.

Nahoana no namoaka didy aman-dalàna ho an'Israely ny Andriamanitr'i Jakoba?

Namoaka izany Izy ho fitsipika ao amin'i Josefa.

Psalms 81:6

Inona no nesorin'Andriamanitra teo an-tsorky ny vahoaka?

Andriamanitra nanaisotra ny enta-mavesatra.

Inona no nitranga rehefa niantso tamin'ny fahoriany ny vahoaka?

Andriamanitra nanampy azy ireo, ary namaly azy ireo sy nitsapa azy ireo.

Psalms 81:8

Inona no lazain'Andriamanitra momba ireo andriamani-kafa?

Andriamanitra niteny fa tsy tokony hisy andriamani-kafa amin'Israely ary tsy mahazo manompo andriamani-kafa izy ireo.

Inona no lazain'i Yaveh fa nataony ho an'Israely?

Nentiny nivoaka an'i Egypta izy ireo.

Nahoana no nasain'Andriamanitra hampitanatana vava ny Israelita?

Nasainy nosokafan'izy ireo izany mba hamenoany izany.

Psalms 81:11

Inona no tsy nataon'ny vahoakan'i Yaveh, dia Israely?

Tsy nihaino ny tenin'i Yaveh izy ireo na nankatoa Azy.

Nahoana Yaveh no nanolotra ny vahoakany ho amin'ny hamafisan-dohan'izy ireo ihany?

Natolony izy ireo mba hanaovan'izy ireo izay hitany fa mety.

Psalms 81:13

Inona no nirian'i Yaveh fatratra hataon'ny vahoakany?

Yaveh maniry ny vahoakany mba hihaino Azy sy handeha amin'ny lalany.

Inona no nataon'i Yaveh raha nihaino Azy sy nandeha tamin'ny lalany ny vahoakany?

Dia naringany faingana ny fahavalon'izy ireo ary namadika ny tanany ho amin'ny mpampahory azy ireo.

Psalms 81:15

Inona no tian'ny mpanoratra hitranga amin'ireo izay mankahala an'i Yaveh?

Maniry azy ireo hiankohoka amin-tahotra sy ho afa-baraka mandrakizay izy.

Inona no lazain'i Yaveh fa hataony ho an'Israely?

Yaveh hamahana azy ireo amin'ny vary tritrka tsara indrindra ary hahafapo azy ireo amin'ny tantely avy amin'ny vatolampy.

Psalms 82

Psalms 82:1

Aiza Andriamanitra no mijoro mba hanome fitsarana?

Mijoro ao amin'ny fiangonana masina Izy ary eo afovoan'ireo andriamanitra.

Inona no anontanian'i Asafa amin'Andriamanitra?

Manontany izy hoe mandra-pahoviana Andriamanitra no hitsara tsy ara-drariny sy haneho fiandaniana amin'ny ratsy fanahy.

Psalms 82:3

Inona no angatahan'i Asafa hataon'Andriamanitra amin'ny mahantra sy kamboty ary ny ory sy ny malahelo?

Mangataka an'Andriamanitra hiaro azy ireny sy hihazona ny fahamarinany izy.

Inona no angatahan'i Asafa hataon'Andriamanitra amin'ny ory sy mahantra?

Mangataka izy mba hamonjen'Andriamanitra azy ireny sy hanalana azy ireo eny an-tanan'ny ratsy fanahy.

Psalms 82:5

Aiza ireo izay tsy mahalala sy tsy mahatakatra no mirenireny?

Mirenireny ao anaty aizina izy ireo.

Psalms 82:6

Ahoana hahafatesan'ireo zanaky ny Avo Indrindra araka ny lazain'i Asafa?

Ho faty tahaka ny lehilahy izy ireo ary lavo tahaka ny an'ny andriana.

Psalms 82:8

Nahoana Asafa no mangataka an'Andriamanitra hitsanga sy hitsara ny tany?

Mangataka an'Andriamanitra hitsara izy satria handova ireo firenena rehetra izy.

Psalms 83

Psalms 83:1

Inona no ataon'ireo fahavalon'Andriamanitra?

Manao fikomiana izy ireo, ary nampitraka ny lohany.

Psalms 83:3

Iza no anaovan'ireo fahavalon'Andriamanitra teti-dratsy sy fikasan-dratsy?

Miteti-dratsy amin'ny vahoakan'Andriamanitra izy ireo ary mikasa hanohitra an'ireo arovan'Andriamanitra.

Inona no lazain'ireo fahavalon'Andriamanitra fa hataon'izy ireo amibn'Israely?

Hoy izy ireo: "Avia, ary andeha isika hamotika azy ireo toy ny firenena iray."

Inona no nitranga tamin'ny anaran'Israely raha toa ka namotika azy Andriamanitra?

Tsy ho tsarovana intsony Israely.

Hanohitra an'iza no nanaovan'ireo fahavalon'Andriamanitra teti-dratsy?

Nikambana izy ireo ka niteti-dratsy hanohitra an'Andriamanitra.

Psalms 83:9

Inona no angatahan'i Asafa hataon'Andriamanitra amin'ireo fahavaloy, tahaka ny nataony tamin'i Midiana, Sisera ary Jabina?

Mangataka izy mba ho ringana ao Eendoro izy ireo ka ho tonga tahaka ny zezika ho an'ny tany.

Psalms 83:11

Inona no nolazain'ireo manankaja sy andrian'ireo fahavalo momba an'Israely?

Hoy izy ireo hoe: "Andeha alaintsika ho antsika ny tany fihinanam-bilon'Andriamanitra."

Psalms 83:13

Zavatra tahaka ny inona no tian'i Asafa hanaovan'Andriamanitra an'ireo fahavalony?

Tiany Andriamanitra hanao azy ireo ho tahaka ny tadio, akofa eo anoloan'ny rivotra, afo izay mandoro ny ala, ary lelan'afo izay mampirehitra ireo tendrombohitra.

Ahoana no hihazana sy hampihorohoroan'Andriamanitra an'ireo fahavalony araka ny iriran'i Asafa?

Tiany Andriamanitra hihaza azy ireo amin'ny tsio-drivo-maherin'Andriamanitra ary mampihorohoro azy ireo amin'ny tafio-drivotr'Andriamanitra.

Psalms 83:16

Nahoana Asafa no mangataka amin'i Yaveh mba hameno henatra amin'ny tavan'ireo fahavalo?

Mangataka any hamenoan'Andriamanitra henatra aminireo fahavalo mba hahafahan'izy ireo hitady ny anaran'i Yaveh.

Inona no irian'i Asafa hitranga amin'ireo fahavalon'Andriamanitra?

Maniry izy mba ho menarina izy ireo, hampihorohoroana mandrakizay ary ho levona amin'ny fahafam-baraka.

Psalms 83:18

inona no ho fantatr'ireo fahavalon'Andriamanitra momba an'i Yaveh?

Ho fatatr'izy ireo fa Yaveh irery ihany no ilay Avo Indrindra manerana ny tany rehetra.

Psalms 84

Psalms 84:1

Inona no lazain'ny mpanoratra momba ny toerana izay onenan'i Yaveh tompon'ny maro?

Izy miteny ny toeram-ponenan'i Yaveh tompon'ny maro ho kanto.

Inonoa no irian'ny mpanoratra fatratra?

Maniry fatratra ny kianjan'i Yaveh izy.

Iza no antsoin'ny fo sy fanahy manontolon'ny mpanoratra?

Ny fony sy ny momba azy rehetra miantso mafy an'Andriamanitra velona.

Psalms 84:3

Aiza ny fody no nahita fonenana ary ny tsikirity nahita akany izay ahafahany nampandry ireo zanany?

Nahita ny fonenany sy ny akaniny teo akaikin'ny alitaran'i Yaveh tompon'ny maro izy ireo.

Inona no anarana hafa ampiasain'ny mpanoratra ho an'i Yaveh tompon'ny maro?

Mampiasa ny anarana hoe Mpanjakako na Andriamanitro izy.

Inona no mitranga amin'ireo izay monina ao an-tranon'i Yaveh?

Sambatra izy ireo ary midera an'i Yaveh lalandava.

Psalms 84:5

Inona no mitranga amin'ny olona izay ao amin'i Yaveh ny heriny?

Samabatra ny olona izay manan-kery ao amin'i Yaveh.

Aiza no ahitan'ny sambatra loharano hosotroina?

mahita loharano sotroina izy ireo raha mamakivaky ny Lohasahan-dRanomaso.

Psalms 84:7

Aiza no miseho ireo olona sambatra?

Miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy ireo.

Iza no tian'ny mmpanoratra hihaino ny fivavany?

Maniry an'i Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro izy mba hihaino ny fivavany.

Iza no tian'ny mpanoratra hihaino izay lazainy?

Andriamanitr'i Jakoba no tiany hihaino izay lazainy.

Inona n tian'ny mpanoratra hambenon'Andriamanitra ary ho an'iza no tiany hampisehoana ny fiahian'Andriamanitra?

Tiany hiambina ny ampingan'izy ireo Andriamanitra ary hampiseho ny fiahiana ho an'ny voahosotr'Andriamanitra.

Tsara kokoa noho ny inona ny indray andro ao an-kianjan'Andriamanitra?

Ny andro iray ao an-kianjanao dia lehibe mihoatra ny arivo any an-kafa.

Inona no tian'ny mpanoratra kokoa ao an-tranon'Andriamaniny mihoatra ny monina ao an-dain'ny ratsy fanahy?

Aleony kokoa mpiambina vavahady ao an-tranon'Andriamaniny.

Psalms 84:11

Inona amin'ny mpanoratra moa Yaveh Andriamanitra?

Yaveh Andriamanitra no masoandro sy ampingan'izy ireo.

Inona no homen'i Yaveh?

Yaveh hanome fahasoavana sy voninahitra.

Inona no tsy hazonin'i amin'ireo izay mandeha amim-pahitsiana?

Yaveh tsy mihazona zava-tsoa amin'ireo izay mandeha amim-pahitsiana.

Inona no mitranga amin'izay olona matoky an'i Yaveh tompon'ny maro?

Samabatra izay olona matoky an'i Yaveh.

Psalms 85

Psalms 85:1

Inona no nataon'i Yaveh ho an'ny tenan'i Jakoba?

Yaveh nampiseho sitraka tamin'ny tanin'izy ireo ary nampody ny tenan'i Jakoba.

Inona no nataon'i Yaveh momba ireo fahotan'ny vahoakany?

Navelany heloka ny vahoakany ary nosaronany ny fahotan'izy ireo rehetra.

Psalms 85:3

Inona no nataon'i Yaveh tamin-katezerany sy ny fahavinirany mirehitra?

Nesoriny ny fahavinirany rehetra ary niala tamin'ny hatezerany mahamay izy.

Inona no angatahan'ny mpanoratra amin'Andriamanitra mba hesorina?

mangataka an'Andriamanitra izy mba hamela ny tsy fahafaliany amin'ny vahoakany.

Psalms 85:6

Inona no hataon'ny vahoakan'Andriamanitra raha mamelona azy ireo indray Andriamanitra?

Hifaly ao amin'Andriamanitra ny olony.

Inona no angatahan'ny mpanoratra hasehoan'Andriamanitra sy tanterahina amin'ny vahoakany?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hampiseho ny famindrampony sy hanatanteraka ny famonjeny.

Psalms 85:8

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hitranga rehefa mihaino izay lazain'i Yaveh Andriamanitra izy?

Andriamanitra hihavana amin'ny olony, dia ireo mpanaradia mahatokiny.

Inona no tsy maintsy ataon'ny olona mba hihavana amin'nAndriamanitra?

Aoka izy ireo tsy hiverina amin'ny lalan'ny fahadalàna indray.

Inona no hijanona ety an-tany rehefa akaiky an'ireo izay matahotra Azy ny famonjen'Andriamanitra?

Voninahitra no hijanona eo amin'ny tany.

Psalms 85:10

Inona no nihaona sy nifanoroka?

Nihaona ny fanekena mahatoky sy faha mendreham-pitokisana; efa nifanoroka ny fahamarinana sy fiadanana.

Inona no hitsimoka amin'ny tany ary inona no hijery midina avy eny amin'ny lanitra?

Fahamendreham-pitokisana no hitsimoka ary fandresena no hijery.

Psalms 85:12

Inona no hitranga rehefa manome ny fitahiany soa Yaveh?

Hamoa ny voany ny tanin'izy ireo.

Inona no hialoha lalana an'i Yaveh ary hanao lalana ho an'ny diany?

Fahamarinana no hialoha lalana ani Yaveh.

Psalms 86

Psalms 86:1

Nahoana Davida no mangataka an'i Yaveh hihaino sy hamaly azy?

Satria mahantra sy mijaly Davuda.

Inona no angatahan'i Davida hataon'Andriamanitra ho azy rehefa mahitsy sy matoky an'Andriamanitra izy?

Davida mangataka an'Andriamanitra hiaro azy sy hanavotra azy.

Psalms 86:3

Inona no angatahan'i Davida rehefa mitaraina amin'ny Tompo izy?

Mangataka ny Tompo mba hamindrafo aminy i Davida.

Rehefa manandratra ny fanahiny amin'ny Tompo i Davida, dia inona no angatahiny amin'ny Tompo?

Mangataka amin'ny Tompo i Davida mba hampifaly ny mpanompony.

Psalms 86:5

Inona no mitranga amin'izay rehetra mitaraina amin'ny Tompo tsara?

Ny Tompo dia vonona hamela heloka sy haneho famindrampo lehibe amin'izy ireo.

Iza no angatahan'i Davida hihaino ny fivavany ary handre ny feon'ny fitarainany?

Mangataka an'i Yaveh hihaino sy handre i Davida.

Inona no hataon'i Yaveh rehefa miantso Azy i Davida amin'ny androm-pahoriany?

Yaveh hamaly an'i Davida.

Psalms 86:8

Iza no mampitaha ny Tompo amin'andriamani-kafa?

Tsy misy mitaha amin'ny Tompo.

Inona no hataon'ireo firenena rehetra manoloana an'i Yaveh?

Ho tonga sy hiankohoka eo anatrehan'ny Tompo ny firenena rehetra azy hanome voninahitra ny anarany.

Psalms 86:10

Iza ireery ihany no manao zava-dehibe sy mahatalanjona?

Andriamanitra irery ihany no manao zava-dehibe sy mahatalanjona.

Inona no angatahan'i Davida hampianarin'i Yaveh azy?

Mangataka any hampianarin'i Yaveh ny lalany i Davida.

Inona no hitranga rehefa mampianatra an'i Davida i Yaveh?

Handeha amin'ny fahamarinan'i Yaveh i Davida.

Inona no lazain'i Davida amin'Andriamanitra fa hataony?

Davida hidera an'Andriamanitra ary hanome voninahitra ny anarany mandrakizay.

Psalms 86:13

Inona no famindrampon'Andriamanitra natao tamin'i Davida lazainy eto?

Andriamanitra namonjy ny fanahin'i Davida tamin'ny lalin'ny Fiainan-tsy hita.

Inona no lazain'i Davida fa nataon'ny olona mpiavonavona sy maherisetra?

Efa nitsangana hanohitra an'i Davida izy ireo, nisoko ny ainy ary tsy mba mihevitra an'Andriamanitra.

Psalms 86:15

Ahoana no hamaritan'i Davida ny Tompo?

mpamindrafo ny Tompo ary miantra, mahari-po,sady be famindrampo sy fahamarinana.

Inona no angatahan'i Davida hataon'ny Tompo aminy?

Mba hitodihan'ny Tompo any aminy, hananany famindrampo aminy, hanome hery sy hanavotra azy.

Inona no hitranga rehefa mampiseho famantarana fankasitrahana amin'i Davida i Yaveh?

Ireo izay mankahala an'i Davida dia hahita ny sitrak'Andriamanitra ary dia ho menatra izy ireo.

Inona no lazain'i Davida fa nataon'i Yaveh taminy?

Yaveh namonjy an'i Davida sy nankahery azy.

Psalms 87

Psalms 87:1

Aiza no natsangana ny tanàn'ny Tompo?

Eny an-tendrombohitra masina no mitsangana izany.

Hatraiza ny fitiavan'i Yaveh an'i Ziona?

Tiany mihoatra lavotra an'ireo lain'i Joda izany.

zavatra inon no voalaza amin'ny tanàn'Andriamanitra?

zavatra be voninahitra no voalaza amin'ny tanàn'Andriamanitra.

Psalms 87:4

Ho iza no nanononan'ny mpanoratra an'i Rahaba sy Babylona?

Notononiny ho mpanaradia azy izany.

Psalms 87:5

Inona no hataon'ny Avo Indrindra ho an'i Ziona?

Ny Avo Indrindra mihitsy no hanorina izany.

Inona no raisin'i Yaveh naoty raha mandrakitra anaran'ny olony izy?

Soratany hoe: "Teraka tany ilay ity."

Psalms 87:7

Inona no lazain'ireo mpandihy sy mpikalo?

Hoy izy ireo: "Ao aminao ny loharanoko rehetra."

Psalms 88

Psalms 88:1

Rahoviana ny mpanoratra no mitaraina amin'i Yaveh, ilay Andriamantry ny famonjena azy?

Mitaraina andro aman'alina amin'i Yaveh ny mpanoratra.

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'i Yaveh aminy?

Mangataka an'i Yaveh hiaino ny fivavany izy ary hihevitra ny tomaniny.

Psalms 88:3

Inona no olona amin'ny fanahy sy ain'ny mpanoratra?

Feno fahoriana ny fanahiny ary manakaiky ny Fiainan-tsy hita ny ainy.

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra ny tenany rehefa mitondra azy toy hoe midina mankany anaty lavaka izy?

Tahaka ny lehilahy tsy manan-kery izy.

Psalms 88:5

Inona no lazain'ny mpanoratra fa mitranga aminy rehefa tahaka ny maty mandry ao am-pasana izy?

Izy milaza fa Yaveh tsy miahy ny maty intsony satria fongotra tamin'ny fahefan'i Yaveh izy ireny.

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa nametrahan'i Yaveh azy?

Lazainy fa napetrak'i Yaveh tany amin'ny farany ambanin'ny lavaka izy.

Psalms 88:7

Inona no manavesatra ny mpanoratra?

Ny fahatezeran'i Yaveh no manavesatra ny mpanoratra.

Psalms 88:8

Inona no natao mba hampandositra an'ireo akaiky ny mpanoratra aminy?

Yaveh nanao ny mpanoratra ho manafintohina ny fijerin'izy ireo.

Psalms 88:9

Inona no mahareraka ny mason'ny mpanoratra?

Ny fahoriana no mahareraka ny mason'ny mpanoratra.

Inona no fanontaniana apetraky ny mpanoratra amin'i Yaveh momba ny maty sy izay efa maty?

Manontany izy raha hanao fahagagana ho an'ny maty Izy, ary raha hitsangana izy ireo ka hidera an'i Yaveh.

Psalms 88:11

Inona no anontanin'ny Mpanoratra amin'i Yaveh momba ny famindrampony, fahitsiana, asa mahagaga ary fahamarinana?

Manontany ny mpanoratra raha ho ambara ao am-pasana ireny, any amin'ny fitoeran'ny maty, any amin'ny aizina ary toeran'ny fanadinoina.

Psalms 88:13

Rahviana no tonga eo anatrehan'i Yaveh ny vavaky ny mpanoratra?

Tonga eo anatrehan'i Yaveh amin'ny maraina ny fivavany.

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny mpanoratra?

Nolavin'i Yaveh ny mpanoratra ary nafeniny azy ny tavany.

Psalms 88:15

Mandra-pahoviana ny mpanoratra no nampahoriana ary saika tamin'ny fahafatesana?

Hatramin'ny fahatanorany.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa nataon'ny asan'i Yaveh tezitra sy ny asany mampihorohoro?

Nandalo teo ambony ireo asan'i Yaveh ary nandringana ny mpanoratra ny asany.

Psalms 88:17

Inona no nataon'ireo asan'i Yaveh tamin'ny mpanoratra lalandava?

Nihodidina ny mpanoratra tahaka ny rano manodidina ireny.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hany akaiky azy?

Ny aizina.

Psalms 89

Psalms 89:1

Inona no ho hirahirain'ny mpanoratra mandrakizay?

Ny famindrampon'i Yaveh.

Inona no hambaran'ny mpanoratra amin'ireo taranaka hoavy?b

Ny fahamarinan'i Yaveh.

Taiza no nampitoerina ny fahamarinan'i Yaveh?

Tany an-danitra.

Psalms 89:3

Tamin'iza no natao ny fanekena sy ny voady?

Tamin'ilay voafidy no natao ny fanekena ary ho an'i Davida no nanaovana ny voady.

Mandra-pahoviana no ho mitoetra ireo taranaka mandimby sy ny seza fiandrianana?

Hitoetra mandrakizay ireo taranaka ary manerana ny taranaka rehetra ny seza fiandrianana.

Psalms 89:5

Noho ny inona no hderan'ny lanitra an'i Yaveh?

Noho ireo fahagagany.

Noho ny inona no hideran'ny fiangonan'ny masina an'i Yaveh?

Noho ny fahamarinany.

Psalms 89:7

Ahoana no fomba ampitahaina an'Andriamanitra amin'ireo izay manodidina azy?

Mahatalanjona mihoatra lavitra an'izay manodidina Azy Izy.

Inona no lazain'ny mpanoratra momba ny fahamarinan'i Yaveh?

Mihodidina an'i Yaveh izany.

Psalms 89:9

Inona no lazain'ny mpanoratra momba ny fanapahan'i Yaveh ny ranomasina misafoaka?

Izy miteny fa rehefa misamboaravoara ny onja, dia mampitony an'izany Yaveh.

Inona no nataon'i Yaveh tamin'i Rahaba?

Notorotoroiny tahaka ny novonoina.

Inona no nampiasain'i Yaveh hanelezana ireo fahavalony?

Nampiasa ny sandriny mahery izy.

Psalms 89:11

Inona no an'i Yaveh izay nanao izao tonotolo izao sy izay rehetra misy ao?

Ny tany sy ny lanitra no an'i Yaveh.

Inona no noforonin'i Yaveh?

Noforoniny ny avaratra sy ny atsimo.

Psalms 89:13

Inona ni lazain'ny mpanoratra momba ny sandrin'i Yaveh sy ny tanany?

Manana sandry mahery Yaveh ary tanana mafy, avo ny tanany ankavanana.

Inona no fiorenan'ny seza fiandrianan'i Yaveh?

Fahamarinana sy fahitsiana.

Inona no tonga eo anatrehan'i Yaveh?

Famindrampo sy fahamarinana.

Psalms 89:15

Inona no mitranga amin'ny olona izay manompo an'i Yaveh?

Sambatra izy ireo ary mandeha amin'ny fahazavan'ny tavan'i Yaveh, mifaly amin'ny anaran'i Yaveh, ary asandratra amin'ny fahamarinan'i Yaveh izy ireo.

Psalms 89:17

Ahoana no mampahazo tombony ho an'ny olona amin'ny voninahitry ny herin'i Yaveh?

Mpandresy ny olona.

Inona no an'i Yaveh ary inona no iantsoina Azy?

Ny ampingan'ny olona no an'i Yaveh ary antsoina hoe Ilay Masin'Israely.

Psalms 89:19

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny fahitana tamin'ireo mahatokiny?

Nilaza Izy fa nametraka satro-boninahitra teo amin'ilay mahery ary nanangana voafidy iray avy amin'ny vahoaka.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony ho an'i davida mpanompo voafidiny?

Nilaza Izy fa efa nanosotra azy, dia hanohana azy, ary hampatanjaka azy.

Psalms 89:24

Inona no homba an'i Davida ary ahoana no maha mpandresy azy?

Ny fahamarinan'i Yaveh sy ny famindrampony no homba an'i Davida ary amin'ny alalan'ny anaran'i Yaveh no haha mpandresy an'i Davida.

Inona no hantsoin'i Davida an'i Yaveh?

Hiantso an'i Yaveh ho Rainy izy, ANdriamaniny, ary vattolampy famonjeny.

Psalms 89:27

Inona no hataon'i Yaveh ho an'i Davida izay apetrany ho lahimatoany ary asandratra indrindra amin'ireo mpanjakan'ny tany?

Yaveh hanitatra sy hiaro ny famindrampony ho an'i Davida mandrakizay.

Mandra-pahoviana no haharetan'ireo tarank'i Davida sy ny seza fiandrianana?

Haharitra mandrakizay ireo taranany ary ny seza fiandrianany hitoetra raha mbola eo ambony eo ny lanitra.

Psalms 89:30

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo zanak'i Davida raha mahafoy ny lalàn'i Yaveh izy ireo, tsy mankatò ny didiny, mandika ny fitsipiny ary tsy mitandrina ny didiny?

Hanafay ny fikomin'izy ireo amin'ny tsorakazo Yaveh ary ny helony amin'ny kapoka.

Psalms 89:33

Fampanantenana inona no ataon'i Yaveh amin'i Davida?

Yaveh mampanantena ny tsy hanala ny famindrampony na tsy hahatoky amin'ny fampanantenany. Tsy handika ny fanekeny na hanova ireo tenin'ny molony Izy.

Psalms 89:35

Amin'inona no hianianan'i Yaveh indray mandeha tsy miverina?

Amin'ny fahamasinany.

Psalms 89:38

Inona no lazain'ny mpanoratra momba ny fombva hitondran'i Yaveh an'i Davida?

Tsy nanaiky sy nandà ary tezitra tamin'ilay voahosony Yaveh.

Psalms 89:41

Inona no lazain'ny mpanoratra fa mitranga amin'ilay mpanjaka voahosotra?

Norobaina izy ary tonga fitaovana maharikoriko amin'ireo namany.

Inona no nataon'ireo fahavalon'ny mpanjaka voahosotra?

Nanangana ny tanany ankavanana izy ireo ary natao hifaly.

Inona no nitranga rehefa nandeha niady ny mpanjaka voahosotra?

Navadika ny lelan-tsabatry ny mpanjaka ary natao ho tsy afa-nijoro tanay ady izy.

Psalms 89:44

Inona no nitranga tamin'ny famirapiratan'ny Mpanjaka sy ny seza fiandrianana?

Nofaranana ny famirapiratany; nampidinina tamin'ny tany ny seza fiandrianany.

Inona no nitranga tamin'ny andron'ny mpanjaka voahosotra?

Nafohezina ny andron'ny fahatanorany ary norakofana henatra izy.

Psalms 89:46

Inona no anontanin'ny mpanoratra noho ny amin'ny hatezeran'i Yaveh?

Manontany izy hoe hafiriana no hanafenan'i Yaveh ny tenany ary y hatezerany hirehitra tahaka ny afo.

Inona no angatahan'ny mpanoratra mba hosainin'i Yaveh?

Mangataka izy mba hosainin'i Yaveh ny maha fohy ny fotoany ary ny maha tsy misy antony ny namoronan'i Yaveh ny zanak'olombelona.

Psalms 89:49

Inona no anontanian'ny mpanoratra amin'ny Tompo momba ireo asam-pamindrampoany taloha ?

Ny mpanoratra manontany hoe: "Aiza ireo asam-pamindramponao taloha?"

Inona no lazain'ny mpanoratra mba hotsaroan'ny Tompo?

Miteny amin'ny Tompo izy mba hahatsiaro fa manipy faniratsirana sy maneso ny dian-tongotry ny voahosotr'i Yaveh ireo fahavalony.

Psalms 89:52

Mandra-pahoviana no lazain'ny mpanoratra fa ho deraina Yaveh?

Mandrakizay no hiderana an'i Yaveh.

Psalms 90

Psalms 90:1

Mandra-pahoviana no efa fialofana ho an'i Mosesy sy ny vahoakany ny Tompo?

Manerana ny taranaka rehetra.

Psalms 90:3

Inona no hampodian'ny Tompo ny olona?

Ampodiany ho vovoka ny olona.

Inona eo imasaon'ny Tompo ny arivo taona?

Toy ny omaly ireny rehefa lasa, ary fotoana toy ny fiambenana amin'ny alina

Psalms 90:5

Tahaka ny inona ireo taranak'olombelona?

Tahaka ny ahitra mitsiry izy ireo, mamelana sy mitombo, ary avy eo malazo sy maina.

Psalms 90:7

Nahoana no levona anaty hatezeran'ny tompo sy mihorohoro amin'ny fahavinirany ny olombelona?

Levona sy mihorohoro izy ireo satria ny Tompo nametraka ny helok'izy ireo teo anoloany, ary ireo fahotana miafin'izy ireo teo amin'ny fahazavan'ny fanatrehany.

Psalms 90:9

Firy ny taonan'ny olombelona raha tahiany ka salama izy ireo?

Fitopolo, na valopolo taona izy ireo raha salama.

Psalms 90:11

Inona no angatahan'i Mosesy amin'ny Tompo mba hampianarana ny olombelona?

Mangataka amin'ny Tompo izy mba hampianatra ny olombelona hihevitra ny fiainan'izy ireo, mba hiainany amim-pahendrena.

Psalms 90:14

Amin'inona Mosesy no maniry ny Tompo hahafapo ny olombelona amin'ny maraina?

Maniry ny Tompo izy mba hahafapo ny olombelona amin'ny famindrampon'ny Tompo, mba ahafahan'izy ireo mifaly sy ho ravo amin'ny androny rehetra.

Inona no tian'i Mosesy avelan'ny Tompo ho hitan'ireo mpanompony?

Tiany ny Tompo hamela ireo mpanompony hahita ny asany ary ireo zanany hahita ny voninahiny.

Psalms 90:17

Ahoana no fomba ampisehoan'ny Tompo sitraka amin'ny olombelona?

Manambina ny asan'ny tanan'izy ireo Izy.

Psalms 91

Psalms 91:1

Inona no ilazain'ny mpanoratra an'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny: "Izy no fialofako sy fiarovana mafy ho Ahy, Andriamanitro, Izay hitokiako."

Psalms 91:3

Inona no hataon'i Yaveh ho an'izay matoky Azy?

Yaveh hamonjy azy amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'ny areti-mandoza mahafaty ary handrakotra azy amin'ny elany Izy.

Psalms 91:5

Inona no ilaina tsy hatahoran'ilay matoky an'i Yaveh?

Tsy hatahotra ny horohoron'ny alina izay matoky an'i Yaveh, na ny zana-tsipìka izay manidina amin'ny andro, na ny areti-mandringana izay mirenireny amin'ny maizina, na ny aretina izay tonga amin'ny mitataovovonana.

Psalms 91:8

Inona amin'ny mpanoratra moa Yaveh?

Yaveh no fialofana ho an'ny mpanoratra.

Psalms 91:10

Nahoana no tsy hisy ratsy hahazo na fampahoriana hanakaiky ny fonenan'izay mitoky amin'i Yaveh?

Tsy hisy ratsy hahazo an'izay matoky an'i Yaveh; tsy hisy fahoriana hanakaiky ny fonenany. 11Fa hitarika ireo anjeliny Yaveh mba hiaro azy ary hiambina azy amin'izay lalany rehetra.

Psalms 91:12

Ahoana no hiarovan'ireo anjely sy hiambenany an'izay matoky an'i Yaveh?

Ireo anjely hanandratra azy amin'ny tanan'izy ireo mba tsy hisolifatra izy ka ho voan'ny vato ny tongony.

Psalms 91:14

Inona no ataon'i Yaveh ho an'izay manoka-tena ho Azy?

Yaveh hamonjy azy, hiaro azy, hamaly azy rehefa miantso izy, hanome fandresena sy voninahitra azy rehefa anaty fahoriana izy, hahafapo azy amin'ny fiainana lava, ary hampiseho azy ny famonjen'i Yaveh.

Psalms 92

Psalms 92:1

Inona no heverin'ny mpanoratra ho zava-tsoa?

Fa zava-tsoa ny manome fisaorana an'i Yaveh sy ny mihira fiderana ho an'ny anarany.

Rahoviana ny mpanoratra no milaza fa hanambara ny famindrampon'i Yaveh sy ny fahamarinany?

Amin'ny maraina izy no hanambara ny famindrampon'i Yaveh ary isan'alina ny fahamarinany.

Psalms 92:4

Ahoana no navalin'ny mpanoratra tamin'ireo asa lehiben'i Yaveh?

Nahafaly azy ny asa lehiben'i Yaveh mba hihirany fifaliana.

Psalms 92:6

Karazan'olona toy ny inona no tsy mahalala na mahatakatra hafaliana toy izany?

Tsy mahalala hafaliana toy izao ny olon-kentrina, na ny adala hahatakatra.

Inona no lahatra ho an'ny ratsy fanahy izay mitsiry tahaka ny ahitra sy ireo mpanao ratsy rehetra izay miroborobo.

Ny ratsy fanahy izay mitsiry tahaka ny ahitra sy ireo mpanao ratsy rehetra izay miroborobo dia mbola hiafara any amin'ny fahapotehana mandrakizay.

Psalms 92:8

Nahoana no miely ireo mpanao ratsy fahavalon'i Yaveh rehetra?

Miely ireo mpanao ratsy rehetra satria Yaveh dia hanjaka mandrakizay.

Psalms 92:10

Ahoana no fomba hanandratan'i Yaveh ny tandroky ny mpanoratra sy nanosorany azy tamin'ny diloilo vaovao?

Yaveh nanandratra sy nanosotra ny mpanoratra tamin'ny famelana azy hahita ny fahalavoan'ireo fahavalony sy nandre ny fara-andron'ireo fahavalo ratsy.

Psalms 92:12

Taizo no novolena ny marina?

Tao an-tranon'i Yaveh.

Psalms 92:14

Inona no ataon'ny marina mba hanambarana fa marina Yaveh?

Mamoa voa ny marina rehefa antitra izy ireo ary hojanona no vao sy maitso.

Nahoana no Yaveh no vatolampin'ny mpanoratra?

Yaveh no vatolampiny satria tsy misy tsy fahamarinana ao amin'i Yaveh.

Psalms 93

Psalms 93:1

Amin'inona no nampitafiana sy nampiakanjoana an'i Yaveh?

Mitafy voninahitra Yaveh ary niakanjo hery izay anaovany toy ny sikina.

Psalms 93:3

Ahoana no fomba nanandratan'ireo ranomasimbe ny feony?

Mitsangana ireo ranomasimbe ka mikapokapoka sy mierona ny onjany.

Iza no ambonin'ny fianjeran'ny onja maro ary ilay mpanapaka maherin'ny ranomasina?

Yaveh any ambony no mahery ary ambonin'ny fianjeran'ny onja maro ary ilay mpanapaka maherin'ny ranomasina.

Psalms 93:5

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra ny fandidian'i Yaveh sy ny fahamasinany?

Ny mpanoratra miteny fa tena mendri-pitokisana ny didin'i Yaveh ary mandravaka ny tranon'i Yaveh mandrakizay ny fahamasinana.

Psalms 94

Psalms 94:1

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'i Yaveh Andriamanitra?

Ny mpanoratra mangataka an'i Yaveh Andriamanitra hamirapiratra amin'ny olony ary hanome ny mpirehareha izay mendrika azy.

Psalms 94:3

Ahoana no fomba hifalian'ny ratsy fanahy amin'izay lazainy?

Mifaly amin'ny fandrarahana avonavona ny ratsy fanahy, lahateny mihantsy sy mirehareha.

Psalms 94:5

Ahoana no fitondran-tenan'ny ratsy fanahy?

Manorotoro ny vahoakan'i Yaveh ny ratsy fanahy ary mamono ny mpitondratena, sy ny vahiny ary ny kamboty.

Inona no lazain'ny ratsy fanahy?

Ny ratsy fanahy milaza fa tsy hahita na hijery izay ataon'izy ireo akory Yaveh.

Psalms 94:8

Inona ilay fanontaniana apetraky ny mpanoratra amin'ny adala?

Manontany azy ireo izy: "Rahoviana ianareo no mba hianatra?"

Psalms 94:10

Inona no fantatr'i Yaveh mombba ny fihevitry ny olona?

Yaveh mahalala ny sain'ny olona, fa zava-poana izy ireo.

Psalms 94:12

Inona no ataon'i Yaveh ho an'izay sambatra?

Yaveh mampianatra ny lalàny ary manome fitsaharana amin'ny fotoam-pahoriana ho an'izay sambatra.

Psalms 94:14

Fampanatenana inona no omen'ny mpanoratra ho an'ny vahoakan'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny fa tsy hahafoy ny vahoakany na handao ny lovany izany Yaveh.

Inona no vokatry ny fampanantenan'i Yaveh?

Ny vokatry ny fampanantenan'i Yaveh dia ny fahitsiana handresy ary hanaraka izany ny mahitsy rehetra.

Psalms 94:17

Famatsiana inona avy tamin'i Yaveh no famonjena ho an'ny mpanoratra?

Ny famindrampo no famatsiana iza nihazona ny mpanoratra rehefa niteny izy hoe: "mibolisatra ny tongotro."

Psalms 94:20

Ahoana no fomba hanorenan'ireo mpanapaka ratsy fanahy tsy fahamarinana amin'ny alalan'ny lalàna?

Mamorona ny tsy rariny amin'ny alalan'ny lalàna ny ratsy fanahy amin'ny fiaraha-manao teti-dratsy ho an'ny marina ary manameloka hofaty ny tsy manan-tsiny.

Psalms 94:22

Ahoana no fomba ampaherezan'i Yaveh ny mpanoratra?

Yaveh mampahery ny mpanoratra amin'ny maha tilikambo avony sy vatolampy fialofany.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo mpanapaka ratsy fanahy?

Yaveh hanatitra ny helok'izy ireo any aminy ary hamongotra azy ireo ho amin'ny faharatsiany.

Psalms 95

Psalms 95:1

Ahoana no fomba ampaherezan'ny mpanoratra ny olon-drehetra mba hiditra?

Ny mpanoratra mampahery ny rehetra mba hiditra ao amin'ny fanatrehan'i Yaveh amin'ny fisaorana.

Ohatra ny ahoana Yaveh ampitahaina amin'andriamanitra hafa?

Yaveh no Andriamanitra lehibe ary Mpanjaka lehibe ambonin'andriamanitra rehetra.

Psalms 95:4

Ahoana no maha ambonin'andriamanitra rehetra an'i Yaveh?

ambonin'andriamanitra rehetra Yaveh satria Azy ny fitoerana avon'ny tendrombohitra sy ny ranomasina nataony ary ny tanany no nahary ny tany maina.

Psalms 95:6

Nahoana ny rehetra no t?

Tokony hanompo amin'ny fiankohofana sy fandohalihana eo anatrehan'i Yaveh ny rehetra satria Izy no Andriamaniny ary vahoakan'ny fihinanam-bilony sy ondrin'ny tanany izy ireo.

Psalms 95:8

Ahoana no navalin'ireo razan'Isrely tamin'i Yaveh?

Nifanamby tamin'ny fahefany izy ireo ary nitsapatsapa ny faharetany, na dia efa nahita ny asany aza izy ireo.

Psalms 95:10

Ahoana no namaritan'i Yaveh an'ireo vahoaka izay nihantsy ny fahefany?

Hoy Yaveh: "Ity dia vahoaka manana fo mania; tsy mahalala ny lalako izy ireo."

Inona no nanaovan'i Yaveh voady tamin-katezerana?

Nivoady tamin-katezerana Yaveh fa izay olona mihantsy ny fahefany dia tsy mba hiditra ao amin'ny toeram-pitsaharany mihitsy."

Psalms 96

Psalms 96:1

Inona no ampaherezan'ny mpanoratra ny rehetra mba hambara?

Ny famonjen'i Yaveh isan'andro isan'andro.

Psalms 96:3

Nahoana ni rehetra no tokony hanambara amin'ireo firenena ny voninahitr'i Yaveh sy ny ireo asany mahagaga ?

Satria lehibe Yaveh,a ry mendrika hoderaina indrindra, ary tokony hatahorana ambonin'andriamani-kafa rehetra.

Psalms 96:5

Inona avy ireo toetra o amin'ny fanatrehan'i Yaveh?

Famirapiratana, voninahitram hery ary hatsarana.

Psalms 96:7

Inona no tokony ataon'ny rehetra mba hanomezana an'i Yaveh ny voninahitra mendrika ny anarany?

tokony hitondra fanatitra sy hankeo an-kianjany ny rehetra.

Psalms 96:9

Inona no nampaherezan'ny mpanoratra holazzaina amin'ireo firenena?

Nampahery ny rehetra ny mpanoratra mba hilaza hoe: "Manjaka Yaveh."

Ahoana no fomba hitsaran'i Yaveh ny olona?

Mitsara ara-drariny ny olona i Yaveh.

Psalms 96:11

Nahoana ny lanitra no tokony ho faly ary ny tany ho ravo?

Satria tonga Yaveh.

Inona no hataon'i Yaveh rehefa tonga Izy?

Rehefa tonga Yaveh dia hitsara ny tany, izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, ary ny vahoaka amin'ny fahatokiana.

Psalms 97

Psalms 97:1

Inona no firenan'ny seza fiandrianan'i Yaveh?

Fahamarinana sy fahitsiana.

Psalms 97:3

Inona no vokatry ny afo izay mandalo eo anolon'i Yaveh?

Mandevona an'ireo mpifanandrina aminy amin'ny lafiny rehetra.

Inona no mitranga amin'ny fanatrehan'i Yavej?

Manazava izao tontolo izao ny tselatr'i Yaveh; mahita izany ny tany dia mihorohoro ary miempo tahaka ny savoka ireo tendrombohitra eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh.

Psalms 97:6

Inona no manambara ny fahitsiana sy voninahitr'i Yaveh?

Ny habakabaka manambara ny fahitsian'i Yaveh ary ireo firenen-drehetra mahita ny voninahiny.

Iza no ho menatra noho Yaveh?

Izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy mirehareha amin'ny sampy tsy misy dikany.

Nahoana Ziona no nandre ary ny ireo tanànan'i Joda nifaly?

Naheno Ziona ka dia faly ary ireo tanànan'i Joda nifaly noho ny didy marin'i Yaveh.

Psalms 97:9

Inona no lazain'ny mpanoratra momba an'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny fa Yaveh no Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra ary asandratra avo ambonin'andriamanitra rehetra.

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ireo masiny?

Yaveh miaro ny ain'ireo masiny ary manaisotr azy ireo amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.

Psalms 97:12

Inona no ampaherezan'ny mpanoratra mba hataon'ny marina?

Mampahery ny marina ny mpanoratra mba ho faly ao amin'i Yaveh ary hisaotra ny anarany masina.

Psalms 98

Psalms 98:1

Inona no nanome fandresena ho an'ny vahoakan'i Yaveh?

Ny tanana ankavanan'i yaveh sy ny sandriny masina.

Inona no nasehon'i Yaveh malalaka tamin'ireo firenen-drehetra?

Ny fahitsiany.

Psalms 98:3

Inona no tsaroan'i Yaveh?

Ny fahamarinany sy ny famindrampony ho an'ny taranak'Israely.

Iza no hahita ny fandresen'Andriamanitr'Israely?

Ireo vazan-tany rehetra.

Inona no tokony ho avalin'ny rehetra amin'ny famatsian'i Yaveh?

Tokony hihiaka fifaliana sy hamelona kalo, hihira fiderana ho an'i Yaveh ny rehetra.

Psalms 98:5

Zavamaneno inona no tokony ampiasain'ny taranak'Israely mba hihirana fiderana sy hanaovana feom-pifaliana manolona an'i Yaveh?

Tokony hampiasa valiha, trompetra, ary ny feon'ny anjomara ny taranak'Israely.

Psalms 98:7

Ahoana no fomba ampaherezan'ny mpanoratra an'ireo voaharin'i Yaveh mba hamaliana ny fahatongavany?

Ny mpanoratra miteny fa tokony hihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy sy izao tontolo izao sy izay rehetra monina ao aminy, ary ny renirano hiteha-tanana, ary ny tendrombohitra hihiaka fifaliana.

Ahoana fomba no hitsaran'i Yaveh izao tonotolo izao?

Amin'ny fahamarinana no hitsaran'i Yaveh an'izao tonotolo izao ary ara-drariny ny an'ireo firenena.

Psalms 99

Psalms 99:1

Ahoana no tokony avalin'ireo firenena amin'ny fanjakan'i Yaveh?

Tokony hangovitra ireo firenena.

Nahoana no mihorohoro ny tany?

Satria mipetraka amin'ny seza fiandrianana eo ambonin'ny kerobima Yaveh.

Nahoana no asandratra ambonin'ireo firenena rehetra Yaveh?

Satria lehibe any Ziona Yaveh.

Nahoana ireo firenena no tokony hidera ny anaran'i Yaveh lehibe sy mahatahotra?

Satria masina Izy.

Psalms 99:4

Ahoana no fomba amaritan'ny mpanoratra ny mpanjaka?

Ny mpanoratra milaza fa mahery ny mpanjaka ary tia fahamarinana.

Ahoana no lazain'ny mpanoratra fa tokony hamaly an'i Yaveh ireo firenena.

Ny mpanoratra miteny fa tokony hidera sy hankalaza an'i Yaveh eo amin'ny fitoeran-tongony ireo firenena satria masina Izy.

Psalms 99:6

Nisy tamin'ireo lehilahy nivavaka tamin'i Yaveh ka novaliany izy ireo, iza izy ireo?

Mosesy sy Arona ary Samoela.

Ahoana no navalin'ireo lehilahy nivavaka tamin'i Yaveh tamin'izay nolazainy?

Nitandrina ny didy masin'i Yaveh ireo lehilahy izay nivavaka sy ny lalàna izay efa nomeny ho azy ireo.

Psalms 99:8

Inona no nataon'i Yaveh ho an'ireo lehilahy izay nivavaka taminy?

Yaveh namela heloka azy ireo na dia nanafay ny asam-pahotan'izy ireo aza Izy.

Inona no ampaherezin'ny mpanoratra fa hataon'ny rehetra?

Ny mpanoratra miteny mba hidera an'i Yaveh sy hanompo ao amin'ny havoany masina satria masina Izy.

Psalms 100

Psalms 100:1

Iza no asain'ny mpanoratra hihiaka am-pifaliana amin'i Yaveh?

Manasa ny tany rehetra izy mba hihiaka am-pifaliana amin'i Yaveh.

Ahoana no fomba tokony hankanesan'ny olona eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh?

Tokony ho tonga eo amin'ny fanatrehany amin'ny hiram-pifaliana izy ireo.

Psalms 100:3

Inona no kisarisary iza ampiasain'ny mpanoratra hanehoana fa an'i Yaveh ny vahoaka?

Izy miteny fa an'i Yaveh ny vahoaka ary koa ondrin'ny fihinanam-bilony.

Psalms 100:4

Ahoana no fomba tokony hidiran'ny olona ao amin'ny vavahady sy kianjan'i Yaveh?

Tokony hiditra ao am-bavahadiny amin'ny fisaorana izy ireo ary ao an-kianjany amin'ny fiderana.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa maharitra mandrakizay?

Ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 101

Psalms 101:1

Manao ahoana no fihiran'i Davida?

Hihira ny famindrampo sy fahamarinana izy.

Psalms 101:2

Inona no tsy napetrak'i Davida teo ambany masony?

Ny fahadisoana.

Psalms 101:4

Iza no hopotehin'i Davida?

Izay rehetra manendrikendrika ny namany mangingina.

Karazan'olona inona no tian'i Davida hipetraka eo anilany sy hanompo azy?

Ny mahatokin'ny tany no tian'i Davida hipetraka eo anilany, ary ireo izay mandeha amin'ny fahitsiana no hanompo azy.

Psalms 101:7

Iza no tsy havelan'i Davida hijanona ao an-tranony?

Tsy avelany hitoetra ao an-tranony ny olona mpamitaka.

Impiry Davida no miteny fa hamotika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany?

Isa-maraina isa-maraina no hamotehany ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany.

Psalms 102

Psalms 102:1

Inona no ivavahan'ny ory amin'i Yaveh mba tsy hataoa amin'ny fotoam-pahoriany?

Ny tsy hanafenana ny tavany aminy amin'ny fotoam-pahoriany.

Psalms 102:3

Amin'inona no ampitahan'ny ory ny fony torotoro?

Ny ory miteny fa tahaka ny ahitra efa nalazo ny tenany.

Psalms 102:5

Inona no nitranga vokatry ny fisenton'ny ory lava?

Tonga ho nahia kely.

Psalms 102:7

Ahoana no fomba ampiasan'ireo izay maneso ny ory ny anarany?

ireo mpaneso ny ory mampiasa ny anarany ho fanozonana.

Psalms 102:9

Ahoana no lazain'ny ory fa efa nentina tamin'ny hatezeran'i Yaveh izy?

Ny ory miteny fa nakarin'i Yaveh izy mba handavoana azy.

Psalms 102:11

Mandra-pahoviana no haharetan'ny lazan'i Yaveh?

Ho an'ny taranaka rehetra ny lazan'i Yaveh.

Psalms 102:13

Ho an'ny inona no hahatsapan'ireo mpanompon'i Yaveh fangorahana?

Ho an'ny vovoky ny faharavan'i Ziona.

Ahoana no hanomezan'ireo mpanjakan'ny tany fanajana ho an'i Yaveh?

Hanome hanome haja ny voninahitr'i Yaveh izy ireo.

Psalms 102:17

Inona no fihetsiky ny mahantra hovalian'i Yaveh?

Ny fivavaky ny mahantra.

Ahoana no fomba hampisehoan'ny mpanoratra ny halaviran'ny fiderana an'i Yaveh any amin'ny hoavy?

Manoratra izy fa olona mbola tsy teraka akory no hidera an'i Yaveh.

Psalms 102:19

Inona no hitan'i Yaveh avy any an-danitra?

Nijery ny tany avy any an-danitra Yaveh.

Psalms 102:21

Noho ny inona no antony anangonana ireo vahoaka sy fanjakana marobe?

Mba hanompo an'i Yaveh.

Psalms 102:23

Inona no hiangavian'ny mpanoratra ory mba tsy hataon'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny hoe: "Andriamanitro o, aza esorina eo an'ivon'ny fiainako aho."

Psalms 102:25

Inona no lazain'ny mpanoratra fa nataon'i Yaveh tamin'ny andro taloha?

Yaveh nampitoetra ny tany tamin'ny fitoerany.

Mandra-pahoviana no haharetan'ny taonan'i Yaveh?

Tsy manam-pahataperana izany.

Psalms 102:28

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa honenan'ireo taranaky ny mpanompon'i Yaveh?

Eo amin'ny fanatrehany.

Psalms 103

Psalms 103:1

Inona no tsy tian'i Davida hadinoina?

Ireo asa tsara rehetra nataon'i Yaveh.

Psalms 103:3

Amin'inona no ilazan'i Davida fa mandrakotra ny fanahiny Yaveh?

Mandrakotra ny fanahiny amin'ny famindrampo sy asam-piantrana Izy.

Psalms 103:6

Inona no ataon'i Yaveh ho an'izay rehetra nampahoriana?

Yaveh miasa amim-pahitsiana ho an'izay rehetra nampahoriana.

Inona no ampahalalan'i Yaveh amin'ireo taranak'Israely?

Ireo asany tamin'ireo taranak'Israely.

Psalms 103:9

Inona no lazain'i Davida fa tsy hataon'i Yaveh mandrakariva?

Miteny izy fa tsy mikapoka mandrakariva Yaveh, ary tsy tezitra lalandava.

Davida miteny fa tsy manao antsika araka ny inona Yaveh?

Tsy manao antsika araka izay mendrika ny fahotatsika Yaveh.

Psalms 103:11

Amin'ny fomba manokana toy ny inona no hananan'i Yaveh fangorahana amin'izay manaja Azy?

Yaveh manana fangorahana amin'izay manaja Azy mitovy amin'ny ray mangoraka ny zanany.

Psalms 103:17

Mandra-pahoviana no haharetan'ny famindrampaon'i Yaveh?

Ny famindram-pon'i Yaveh dia mandrakizay doria ho an'ireo izay manome voninahitra Azy.

Aiza no nampitoerin'i Yaveh ny seza fiandrianany?

Any an-danitra.

Psalms 103:20

Iza no ireo manana hery lehibe izay antsoina ,mba hisaotra an'i Yaveh sy hankatò ny teniny?>

Ireo anjeliny.

Iza no ireo mpanompo izay lazain'i Davida fa manatanteraka ny sitrapon'i Yaveh?

Ireo anjely tafik'i Yaveh rehetra.

Psalms 104

Psalms 104:1

Ahoana no fomba lazain'ny mpanoratra fa mitafy lamba Yaveh?

Yaveh dia mitafy famirapiratana sy voninahitra.

Amin'ny fomba ahoana no hamelaran'i Yaveh ny lanitra?

Tahaka ny famelarana lamban-day.

Psalms 104:4

Inona no lazain'ny mpanoratra fa tsy hitranga mihitsy amin'ny fanambanin'ny tany izay nampitoerin'i Yaveh?

Tsy hihozongozona mihitsy ny fanambanin'ny tany.

Psalms 104:6

Inona no lazain'ny mpanoratra fa nampihemotra ny rano?

Ny fibedesan'i Yaveh no nampihemotra ny rano

Psalms 104:8

Nahoana ireo rano no tsy handrakotra ny tany indray?

Yaveh nametraka fefy ho an'ireny mba tsy hihoarany.

Psalms 104:13

Inona ireo zavatra telo lazain'ny mpanoratra fa vatsian'i Yaveh ho an'ny olona?

Mamatsy divay Yaveh mba hampifaliana olona, diloilo mba hampamirana ny tavany, ary hanina hihazonany ny ainy.

Psalms 104:19

Inona no nanendren'i Yaveh fa marihan'ny volana sy ny masoandro?

Nanendry ny volana Izy hanamarihana ny vanim-potoana ary fantatry ny masoandro ny fotoana hilentehany.

Psalms 104:21

Inona no mitranga amin'ireo liona vantony rehefa miposaka ny masonadro?

Mihemotra izy ireo ka matory any an-davany.

Psalms 104:25

Amin'inona no hietsiketsehan'ny lalina sy ny ranomasina midadasika?

Ny ranomasina mihetsiketsika miaraka amin'ireo zava-boahary tsy voatanisa, na kely na lehibe.

Psalms 104:27

Iza no jeren'ireo zava-boahary anaty ranomasina mba hanome hanina azy ireo?

Mijery an'i Yaveh avoko izy rehetra mba hanome sakafo amin'ny fotoany.

Psalms 104:29

Inona no mitranga amin'ireo zava-boahary raha manafina ny tavany Yaveh na manala ny ain'izy ireo?

Ory izy ireo raha manafina ny tavany Yaveh; maty izy ireo ka hody ho vovoka raha manala ny ain'izy ireo Yaveh.

Psalms 104:33

Inona no ampatanantenain'ny mpanoratra mba ho hiraina amin'ny androny sisa?

Mampanatena izy fa hihira fiderana ho an'Andriamaniny raha mbola miaina koa izy.

Psalms 104:35

Inona no antenain'ny mpanoratra hitranga amin'ireo mpanota sy ny ratsy fanahy eto an-tany?

Tiany ho levona amin'ny tany ireo mpanota ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.

Psalms 105

Psalms 105:1

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa hampahalalana ireo asan'i Yaveh?

Miantso ny olona ny mpanoratra mba hampahahalala ireo asan'i Yaveh amin'ireo firenena.

Fon'iza no anarin'ny mpanoratra mba hifaly?

Ny fon''ireo izay mitady an'i Yaveh.

Psalms 105:4

Impiry no tokony hitady ny fanatrehan'i Yaveh ny olona?

Lalandava.

Psalms 105:7

Hafiriana no lazain'ny mpanoratra fa mitazona ny teny nandidiany Andriamanitra?

Hatramin'ireo taranaka an'arivony mifandimby.

Psalms 105:9

Fanekena inona no lazain'ny mpanoratra fa tsaroan'Andriamanitra?

Ilay fanekena izay nataony tamin'i Abarahama sy ny voady nataony tamin'i Isaka.

Inona no fanekena mandrakizay natain'i Yaveh tamin'Israely?

Fanekena mba hanomezana azy ireo ny tany Kanana ho anjara lovan'izy ireo.

Psalms 105:12

Oviana no lazain'ny mpanoratra fa nanaovan'i Yaveh fanekena tamin'Israely?

FOny mbola vitsy an'isa ny Israely.

Psalms 105:14

Iza no nandraran'i Yaveh tsy hokitihan'ireo mpanjaka?

Ireo olom-boahosony.

Psalms 105:16

Ahoana no fomba nanirahan'i Yaveh an'i Josefa ho lohan'Israely?

Nandefa an'i Josefa ho hialoha lalana azy ireo Izy tamin'ny fivarotana aan'i Josefa ho mpanompo.

Psalms 105:18

Hafiriana i Josefa no voatazona tamin'ny rojovy?

Hatramin'ny fotoana nahatanterahan'ny fahitany.

Psalms 105:20

Inona no fiteny nampiasaina hamaritana ny mpanjaka mametraka an'i Josefa hiandraikitra ny tranony?

Napetraka mba hiandraikitra ny tranon'ny mpanjaka i Josefa ka natao ho mpanapaka ny fananan'ny mpanjaka rehetra.

Taiza Jakoba no nonina tamin'izy tonga tao Egypta?

Nonina tany amin'ny tanin'i Hama aloha Jakoba.

Psalms 105:24

Iza no nataon'Andriamanitra nakahala ny Israely vahoakany?

Ireo fahavalon'Israely.

Taiza Mosesy sy Arona no nanatanteraka ireo famantaran'Andriamanitra?

Tany amin'ireo Egyptiana.

Psalms 105:28

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny rano sy trondron'ireo Egyptiana?

Andriamanitra namadika ny ranon'ny Egyptiana ho rà ary namono ny trondrony.

Psalms 105:31

Inona no nalefan'Andriamanitra niaraka tamin'ny havandra sy orana tany Egypta?

Andriamanitra nandefa havandra sy orana, niaraka tamin'ny tselatra sy kotroka tamin'ny tanin'izy ireo.

Psalms 105:34

Vondron'olona tahaka ny ahoana no novonoin'Andriamanitra tany Egypta?

Andriamanitra namono ny voalohan-teraka rehetra amin'ny tanin'izy ireo, ny voaloham-bokatry ny heriny rehetra.

Psalms 105:37

Nahoana Egypta no ravo rehefa nandeha ny Israelita?

Satria natahotra azy ireo ny Egyptiana.

Psalms 105:40

Karazan-kanina inona no nomen'Andriamanitra hahafapo ny Israelita?

Andriamanitra nahafapo azy ireo tamin'ny mofo avy any an-danitra.

Inona no fampanantenana notsarovan'Andriamanitra nahakasika ny Israelita?

Ny fampanantenany izay nataony tamin'i Abrahama mpanompony.

Psalms 105:43

Inona no navelan'Andriamanitra ny vahoaka ho alaina fananana?

Ny haren'ireo vahoaka.

Psalms 106

Psalms 106:1

Inona no lazain'ny mpanoratra fa maharitra mandrakizay?

Ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 106:3

Rahoviana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh mba hahatsiaro azy?

Rehefa mampiseho fitia amin'ny vahoakany Yaveh.

Inona no hahatonga ny mpanoratra hifaly?

Rehefa mahita ny fanambinan'ny vofidin'i Yaveh izy.

Psalms 106:6

Ahoana no navalin'ireo razan'ny mpanoratra tamin'ireo asan'i Yaveh mahagaga?

Tsy nankasitraka an'ireo asan'i Yaveh mahagaga tany Egypta ireo razany.

Psalms 106:8

Nahoana Yaveh no nanavotra ireo razan'ny mpanoratra?

Nanavotra azy ireo Izy noho ny amin'ny anarany mba ahafahany manambara ny heriny.

Psalms 106:10

Inona no nitranga tamin'ireo mpandrafy an'Israely?

Nandifotra ireo mpandrafy azy ireo ny rano; tsy nisy avotra na iray aza.

Psalms 106:13

Inona no nataon'ny vahoaka rehefa fatra-pila tany an'efitra izy ireo?

Nihantsy an'Andriamanitra izy ireo.

Psalms 106:16

Inona no nataon'ny tany tamin'i Datana sy ireo mpanaradia an'i Abirama?

Nisokatra ny tany ka nitelina an'i Datana sy nandrakotra an'ireo mpanaradia azy.

Psalms 106:19

Inona no notompoin'ny vahoaka tany Horeba?

Nanao zanak'omby tao Horeba izay ireo ka nanompo sarin-javatra voasokitra.

Psalms 106:22

Nahoana Andriamanitra no tsy nandidy ny fandringanana ny Israelita?

Mosesy ilay voafidiny, no niditra an-tsehatra niraka taminy teo amin'ny fanapahana mba hanala ny hatezeran'Andriamanitra amin'ny famotehana azy ireo.

Psalms 106:26

Inona no nianianan'Andriamanitra fa hataony rehefa nanangana ny tanany Izy?

Hamela azy ireo hofaty any an-tany efitra Izy, ary hanely ny taranak'izy ireo amin'ireo firenena.

Psalms 106:28

Inona no nitranga tamin'Isrely rehefa nihantsy an'i Yaveh ho tezitra izy ireo?

Namely azy ireo ny areti-mandringana.

Psalms 106:30

Inona no nitranga rehefa nitsangana hiditra an-tsehatra ho an'ny vahoaka i Fineasa?

Rehefa niditra an-tsehatra i Fineasa, dia nitsahatra ny areti-mandringana.

Psalms 106:32

Nahoana i Mosesy no nanota tamin'ny ranon'i Meriba?

Nampitondra ny mangidy an'i Mosesy izy ireo, ary dia niteny mavesatar izy.

Psalms 106:37

Inona no nitranga tamin'ny vahoaka rehefa nifangaro tamin'ireo firenena izy ireo ka nanompo ny sampiny.

Tonga fandrika ho azy ireo ny sampiny.

Psalms 106:40

Inona no nitranga tamin'Israely rehefa tezitra tamin'izy ireo Yaveh ka nanome azy ireo ho eo an-tanan'ireo firenena?

Nomen'i Yaveh ho eo an-tanan'ireo izay nankahala azy ireo ary nanapaka taminy.

Psalms 106:44

Nahoana Yaveh no nitsahatra sy nihaino an'Israely tamin'ny fahorian'izy ireo?

Nahatsiaro ny fanekeny tamin'izy ireo Izy ary nitsahatra noho ny famindrampony.

Psalms 106:47

Inona no antony tokony anangon'ni Yaveh ny Israely avy amin'ireo firenena?

Tokony hanangona azy ireo Izy mba ahafahan'izy ireo misaotra ny anarany masina sy ny voninahiny amin'ny fiderany.

Psalms 107

Psalms 107:1

Hafiriana no haharetan'ny famindrampon'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny famindrampon'i Yaveh.

Avy aiza nanangonan'i Yaveh an'ireo navotany?

Nangoniny avy amin'ny tany hafa izy ireo, dia izay avy any atsinanana sy avy any andrefana, avy any avaratra sy avy any atsimo.

Psalms 107:4

Inona no nataon'i Yaveh ho an'ireo navotany rehefa niantso Azy tamin'ny fahoriay izy ireo?

Namonjy azy ireo tamin'ny fahoriany Izy.

Psalms 107:8

Noho ny inona no hideran'ny olona an'i Yaveh?

Tokony hidera an'i Yaveh noho ny famindrampony sy ny amin'ireo zava-mahagaga nataony ho an'ny olombelona izy ireo.

Psalms 107:11

Ahoana no hampietren'i Yaveh ny fon'ny vahoaka?

Nampietry ny fon'izy ireo tamin'ny fahasahiranana Izy.

Psalms 107:14

Karazam-bavahady sy hidiny inona no novakian'i Yaveh ho an'ny vahoakany?

Vavaahady varahina no novakiany ary nanapaka ny hidy vy.

Psalms 107:17

Nahoana no ory ny vahoaka?

Noho ny fahotan'izy ireo.

Psalms 107:20

Karazan-tsorona inona no tokony aterin'ny olona ho an'i Yaveh?

Tokony hanolotra fanati-pisaorana izy ireo.

Psalms 107:23

Inona no hitan'ireo olona mamakivaky ranomasina amin'ny sambo sy manao raharaham-barotra any am-pitan-dranomasina amin'i Yaveh?

Nahita ireo asan'i Yaveh izy ireo ary koa ireo fahagagany teny an-dranomasina.

Psalms 107:25

Inona no nitranga tamin'ireo lehilahy rehefa nahatratra ny lanitra ireo onja ary avy eo nianjera tamin'ny lalina?

Niempo ny fahavitrihan'ireo lehilahy noho ny lova.

Psalms 107:28

Inona no nitranga tamin'ireo lehilahy rehefa niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo?

Nentiny niala tamin'ny fahoriany izy ireo ary nampitony ny tafiotra.

Psalms 107:31

Aiza ny lona no tokony hanandratra sy hidera an'i Yaveh?

Ao amin'ny fiangonan'ny olona izy ireo no tokony hanandratra Azy ary hidera Azy ao amin'ny fiangonan'ireo loholona.

Psalms 107:33

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny ny tany mahavokatra noho ny faharatsian'ny olona?

Namadika ny tany mahavokatra ho tany karankaina Izy.

Psalms 107:36

Inona no novolen'ny olona tao an-tanànany.

Nanao saha sy tanim-boaloboka izy ireo.

Psalms 107:39

Inona no nitranga tamin'ireo loholona rehefa nandraraka fanamavoana tamin'izy ireo i Yaveh?

Nahatonga azy ireo hirenireny tany an'efitra Izy, tany izay tsy misy lalana.

Psalms 107:41

Inona no hataon'ny faharatsiana rehetra rehefa mahita ny fiarovan'i Yaveh sy hifaly ny marina?

Hanakombona ny vavany ny faharatsiana rehetra.

Iza no antsoin'ny mpanoratra

Miantso an'izay rehetra mba handray an-tsoratra an'ireo zavatra ireo ary hisaintsaina an'ireo asam-pamindrampon'i Yaveh.

Psalms 108

Psalms 108:1

Amin'inona Davida no hihira fiderana?

Davida miteny fa hihira fiderana amin'ny fony ravoravo ihany koa izy.

Psalms 108:3

Tahaka ny ahoana no haben'ny famindrampon'i Yaveh lazain'i Davida?

Lehibe ambonin'ny lanitra izany.

Psalms 108:5

Aiza Davida no mangataka ny voninahitr'Andriamanitra mba ho asandratra?

Manerana ny tany rehetra.

Psalms 108:7

Inona no nolazain'Andriamanitra momba an'i Efraima sy Joda?

Andriamanitra niteny fa arolohany ihany koa Efraima ary tehim-piandrianany i Joda.

Psalms 108:9

Hihika toy ny ahoana Andriamanitra noho i Filistia?

Andriamanitra hihiaka am-pandresena noho i Filistia.

Psalms 108:11

Famonjen'iza no lazain'i Davida fa zava-poana?

Mangata-pamonjena amin'Andriamanitra i Davida satria zava-poana ihany ny famonjen'olombelona.

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ny fandreseny miaraka amin'ny famonjen'Andriamanitra?

Davida miteny fa ny tafiny dia handresy miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra, satria Andriamanitra hanitsakitsaka an'ireo fahavalon'i Davida.

Psalms 109

Psalms 109:1

Iza no lazain'i Davida fa mamely azy?

Ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka no mamely azy.

Psalms 109:4

Inona no omen'ny ratsy fanahy ho valin'ny fitiavan'i Davida?

Endrikendrika no avalin'izy ireo aminy ho solon'ny fitiavany.

Psalms 109:6

Inona no angatahan'i Davida mba hitranga rehefa hotsaraina ireoa fahavalony?

Mangataka i Davida fa rehefa tsaraina ny fahavalony, dia ho meloka.

Psalms 109:8

Inona no fangatahan'i Davida ho an'ireo zanaky ny fahavalony?

Ny mba hirenireny sy hitalaho, ka hangataka sakafo.

Psalms 109:11

Inona no angatahan'i Davida mba hitranga amin'ireo fananan'ny fahavalony?

Davida mangataka mba horobain'ny olon-kafa izay voaangon'ny fahavalony.

Nahoana Davida no mangataka an'i Yaveh mba hitondra azy amim-pahalemem-panahy?

Davida mangataka an'i Yaveh Tompony hampiseho hatsaram-panahy aminy ho noho ny amin'ny anaran'i Yaveh.

Psalms 109:14

Inona no fangatahan'i Davida avy amin'i Yaveh amin'ny fahatsiarovana ny fahavalony?

Ny hamongoran'i Yaveh ny fahatsiarovana ny fahavalony tsy ho amin'ny tany.

Nahoana Davida no mangataka an'i Yaveh hamongotra ny fahatsiarovan'izy ireo?

Davida mivavaka mba hanaovan'i Yaveh izany satria tsy mba nanelingelina tamin'ny fampisehoana famindrampo mihitsy io lehilahy io.

Psalms 109:17

Inona no angatahan'i Davida satria nankahala fitahiana ny fahavalony?

Davida miteny fa satria nankahala fitahiana ny fahavalony, dia aoka tsy hisy fitahiana hanatona azy.

Psalms 109:19

Avy amin'iza no angatahan'i Davida ny valisoa ho an'ireo mpiampanga azy?

Davida mangataka an'izany mba ho valisoa an'ireo mpiampanga azy avy amin'i Yaveh.

Psalms 109:21

Amin'inona no ampitahan'i Davida ny fitontonganany?

Davida miteny fa mihena tahaka ny aloky ny hariva izy.

Psalms 109:24

Inona no ataon'ireo mpiampanga rehefa mahita azy?

Rehefa hitany izy, dia mihifikifi-doha ireo mpiampanga.

Psalms 109:26

Amin'inona no angatahan'i Davida mba hanavotan'i Yaveh azy?

Davida mangataka amin'i Yaveh hanavotra azy amin'ny alalan'ny famindrampon'i Yaveh.

Psalms 109:28

Inona no angatahan'i Davida mba hitranga rehefa mamely azy ny mpiampanga azy?

Raha mamely an'i Davida ireo mpiampanga azy, dia ho menarina.

Psalms 109:30

Inona no lazain'i Davida fa hitranga rehefa mijoro eo amin'ny tanana ankavanan'ny olona ory i Yaveh?

Yaveh hanavotra ny olona ory amin'ireo izay manameloka azy.

Psalms 110

Psalms 110:1

Aiza no asain'i Yaveh mipetraka ny tompon'i Davida

Yaveh miteny azy mba hipetraka eo amin'ny tanana ankavanany ambara-panaony an'ireo fahavalony ho fitoeran-tongony.

Psalms 110:2

Inona no hanaovan'ny vahoaka raha manaraka ny tompon'i Davida izy ireo?

Manaraka azy amin'ny akanjo masina izy ireo.

Psalms 110:4

Inona no nianianan'i Yaveh ka tsy hiova?

Yaveh efa nianiana tamin'ny tompon'i Davida fa: "Ho mpisorona mandrakizay ianao."

Psalms 110:5

Inona no hataon'ny tompon'i Davida amin'ireo mpanjaka amin'ny androm-pahatezerany?

Hamono an'ireo mpanjaka izy amin'ny androm-pahatezerany.

Psalms 110:7

Inona no hataon'ny tompon'i Davida aorian'ny hisotroany amin'ny lohasahan-driaka any an-dalana?

Hampitraka avo ny lohany Izy aorian'ny fandresena.

Psalms 111

Psalms 111:1

Aiza ny mpanoratra no hisaotra an'i Yaveh amin'ny fony manontolo?

Hisaotra an'i Yaveh ao amin'ny fiangonan'ny marina izy, dia ao amin'ny fivondronan'izy ireo.

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fahamarinan'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Psalms 111:4

Inona no tsaroan'i Yaveh lalandava?

Ny fanekeny.

Ahoana no nampisehoan'i Yaveh ireo asany mahery tamin'ny vahoaka?

Izy nampiseho ireo asany mahery tamin'ny vahoaka tamin'ny fanomezana azy ireo lova an'ireo firenena.

Psalms 111:7

Ahoana no fibanjinana an'ireo fampianarn'i Yaveh?

Tokony hotandremana amim-pahatokiana sy amin'ny tokony ho izy ny fampianarany rehetra.

Ahoana no amaritan'ny mpanoratra ny anaran'i Yaveh?

Ny mpanoratra miteny: "Masina sy mahatahotra ny anarany."

Psalms 111:10

Inona no fiandoham-pahendrena?

Ny fanomezan-boninahitra an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena.

Inona no ananan'ireo izay manatanteraka ny fitsipik'i Yaveh?

Manana fahazavan-tsaina tsara izy ireo.

Psalms 112

Psalms 112:1

Inona no miseho amin'ireo taranaky ny lehilahy izay mankatò an'i Yaveh sy izay mankasitraka indrindra ireo didiny?

Ho mahery amin'ny tany ireo taranany ary ho voatahy.

Psalms 112:3

Inona no ao an-tranon'ny olona izay mankatò an'i Yaveh?

Harena sy fananana no ao an-tranony.

Hilamina ho an'iza ny zava-drehetra araka ny lazain'ny mpanoratra?

Hilamina ny zava-drehetra ho an'izay olona maneho amim-piantrana sy mampisambo-bola, izay mitondra ny raharahany amin'ny fahatsoram-po.

Psalms 112:6

Inona no ataon'ny olona raha tokony hatahotra ny vaovao ratsy izy?

sy hatahotra ny vaovao ratsy izy; fa kosa matoky, mitoky amin'i Yaveh.

Psalms 112:8

Inona no mitranga amin'ny olona masina izay manome amim-pahalalahan-tanana ireo mahantra?

Ho asandratra amim-boninahitra izy.

Psalms 112:10

Inona no mitranga amin'ny olon a ratsy fanahy izay mahita ny fitahian'ny olo-marina ka tezitra?

Hihidy vazana ny olona ratsy fanahy ary hiempo.

Psalms 113

Psalms 113:1

Rahoviana no hisaorana ny anaran'i Yaveh?

Hisaorana ankehitriny ka ho mandrakizay mandrakizay ny anaran'i Yaveh.

Psalms 113:3

Aiza no mipàka ny voninahitr'i Yaveh?

Ny voninahiny mipàka ambonin'ny lanitra.

Psalms 113:5

Aiza no fitoeran'i Yaveh?

Eny amin'ny avo no fitoerany, avy any Izy no mijery eny amin'ny lanitra sy ety an-tany.

Psalms 113:7

Aiza no ametrahan'i Yaveh ny ory sy ny mahantra rehefa mampitsangana azy Izy?

Yaveh mametraka azy miaraka amin'ireo andriana, miaraka amin'ireo andrian'ny vahoakany.

Psalms 113:9

Inona no omen'i Yaveh ny vehivavy momba?

Manome trano fonenana ho an'ny vehivavy momba Izy, manao azy ho renin-jaza falifaly Izy.

Psalms 114

Psalms 114:1

Rehefa nandao an'i Egypta ny Israely, dia lasa inona i Joda sy Israely?

Lasa fitoerana masiny i Joda, ary Israely tonga fanjakany.

Psalms 114:3

Inona no nataon'ireo tendrombohitra sy havoana rehefa tonga toe amin'ny tany ny Israelita?

Nifalihavanja toy ny ondrilahy ireo tendrombohitra, ireo havoana nifalihavanja tahaka ny zanak'ondry.

Psalms 114:5

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa tokony hihovitra ny tany?

Tokony hihovitra eo anatrehan'ny Tompo ny tany, eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.

Psalms 114:8

Namadika ny vatolampy ho dobon-drano Izy, ny vatolampy mafy ho loharano.

Psalms 115

Psalms 115:1

Inona no antony ivavahan'i Davida mba hanateran'i Yaveh voninahitra ho an'ny anarany?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hanatitra voninahitra ho an'ny anarany noho ny famindrampony sy ho noho ny fahamarinany.

Psalms 115:3

Inona no lazain'i Davida fa sampin'ireo firenena?

Volafotsy sy volamena no lazainy fa sampin'ny firenena, asan-tanan'olona.

Psalms 115:5

Inona no tsy afaka ataon'ireo sampy?

Tsy afa-miteny, na mahita, na mandre, na manimbolo izy ireo.

Psalms 115:9

Nahoana ny olon-drehetra no tokony hitoky amin'i Yaveh?

Tokony hatoky an'i Yaveh izy ireo satria Izy no famonjeny sy ampingany.

Psalms 115:12

Firy taona ny olona iray no tokony hotahian'i Yaveh?

Hitahy izay manome voninahitra Azy i Yaveh; na tanora na antitra.

Psalms 115:15

An'iza ny lanitra sy ny tany?

An'i Yaveh ny lanitra; fa ny tany kosa natolony ho an'ny olombelona.

Psalms 115:17

Mandra-pahoviana Davida no milaza fa hisaotra an'i Yaveh ny vahoaka?

Hisaotra an'i Yaveh anio ka ho mandrakizay mandrakizay izy ireo.

Psalms 116

Psalms 116:1

Inona no antony ilazan'ny mpanoratra fa tia an'i Yaveh izy?

Tia an'i Yaveh izy satria Yaveh mandre ny feony sy ny talahony famindrampo.

Psalms 116:3

Inona no tsapan'ny mpanoratra rehefa nihodidina azy ny tadin'ny fahafatesana ary nifanandrina tamin'ny fandriky ny Fiainan-tsy hita izy?

Nahatsiaro fangirifiriana sy alahelo izy.

Psalms 116:5

Iza no arovan'i Yaveh?

Miaro ny bado Yaveh.

Psalms 116:7

Nafahana tamin'ny inona ny fanahin'ny mpanoratra?

Nafahan'i Yaveh tamin'ny fahafatesana ny fanahiny.

Psalms 116:9

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa hanompoany an'i Yaveh?

Hanompo an'i Yaveh any amin'ny tanin'ny velona izy.

Psalms 116:12

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa hanatanterahany ny voadiny amin'i Yaveh?

Hanatanteraka ireo voadiny eo amin'ny fanatrehan'ny vahoakany rehetra izy.

Inona no sarobidy eo imason'i Yaveh?

Sarobidy teo imason'i Yaveh ny fahafatesan'ireo olo-masiny.

Psalms 116:16

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hatolony ho an'i Yaveh noho ny nanesoran'i Yaveh ny fatorany?

Hanolotra ny sorom-pisaorana ho Azy izy.

Psalms 116:18

Amin'ny fanatrehan'iza no hanatanterahan'ny mpanoratra ireo voadiny amin'i Yaveh?

Hanatanteraka ireo voadiny eo amin'ny fanatrehan'ny vahoakan'i Yaveh rehetra izy.

Psalms 117

Psalms 117:1

Iza no antsoin'ny mpanoratra mba hidera an'i Yaveh?

Miantso ny firenena rehetra izy ary ko ny vahoaka rehetra mba hidera an'i Yaveh.

Inona no lehibe eo anatrehan'ny vahokany?

Ny famindrampon'i Yaveh no lehibe amin'ny vahoakany.

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fahamarinan'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny fahamarinan'i Yaveh.

Psalms 118

Psalms 118:1

Inona ireo antony roa ilazan'ny mpanoratra fa tokony hisaotra an'i Yaveh ny vahoaka?

Satria tsara Yaveh ary satria maharitra mandrakizay ny famindrampony.

Psalms 118:5

Ahoana no navalin'i Yaveh rehefa niantso Azy ny mpanoratra?

Yaveh namaly azy ka nanafaka azy.

Psalms 118:8

Ny mpanoratra milaza fa tsara kokoa ny mialoka ao amin'i Yaveh toy izay manao inona?

Tsara kokoa ny mialoka ao amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'olombelona.

Psalms 118:10

Lazain'ny mpanoratra fa tahaka ny inona avokoa ny firenena rehetra rehefa nanodidina azy?

Tahaka ny tantely ireo firenena izay nanodidina azy.

Psalms 118:15

Karazana hiaka toy ny inona no re avy tao amin'ny lain'ny marina?

Hiakam-pifaliana am-pandresena no re avy ao an-dain'ny marina.

Psalms 118:17

Inona no tsy nataon'i Yaveh rehefa nanafay mafy ny mpanoratra Izy?

Tsy natolotr'i Yaveh ho amin'ny fahafatesana izy.

Psalms 118:19

Inona no hataon'ny mpanoratra rehefa mamoha ny vavahadin'ny fahamarinana ho azy i Yaveh?

Hiditra amin'ny vavahadin'ny fahamarinana ny mpanoratra ka hisaotra an'i Yaveh.

Psalms 118:22

Inona no nitranga tamin'ny vato izay nolavin'ny mpanao trano?

Ilay vato izay nolavin'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro.

Psalms 118:24

Inona no hataon'ny vahoaka amin'ny andro izay hiasan'i Yaveh?

Hifaly izy ireo ary ho ravo amin'izany.

Psalms 118:26

Inona no lazain'ny mpanoratra fa tokony hataon'ny vahoaka amin'ny sorona?

Tokony hamatotra ny sorona amin'ny tadyeo amin'ny tandroky ny alitara izy ireo.

Inona lazain'ny mpanoratra fa hataony satria Yaveh no Andriamaniny?

Hisaotra an'i Yaveh izy, ary hanandratra Azy.

Psalms 119

Psalms 119:1

Ahoana tokony hitadiavan'ny olona an'i Yaveh araka ny ambaran'ny mpanoratra?

Tokony hitady Azy amin'ny fony rehetra izy ireo.

Psalms 119:5

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hitranga raha mafy orina amin'ny fitandremana ny didin'i Yaveh izy?

Tsy ho menatra izy rehefa misaina ireo didin'i Yaveh rehetra.

Psalms 119:7

Amin'inona no hisaoran'ny mpanoratra an'i Yaveh?

Misaotra an'i Yaveh amin'ny fo mahitsy izy.

Psalms 119:9

Ahoana no fomba hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio araka ny voalazan'ny mpanoratra?

Afaka hitandrina ny lalany mba hadio ny tanora amin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh.

Psalms 119:11

Nahoana ny mpanoratra no nandrakitra ny tenin'i Yaveh tao am-pony?

Mba tsy ahafahany manota amin'i Yaveh.

Psalms 119:13

Amin'inona ny mpanoratra no hifaly mihoatra noho ny amin'ny harena rehetra?

Amin'ny lalan'ny didim-paneken'i Yaveh.

Psalms 119:15

Inona no hataon'ny mpanoratra amin'ireo fampianaran'i Yaveh?

Hisaintsaina ny fampianaran'i Yaveh izy.

Psalms 119:17

Ahoana no hahitan'ny mpanoratra ireo zava-mahatalanjona amin'ny lalàn'i Yaveh?

Hahita zava-mahatalanjona amin'ny lalàn'i Yaveh izy rehefa manokatra ny masony i Yaveh.

Psalms 119:19

Inona no mitranga amin'ny fanahin'ny mpanoratra raha maniry fatratra ny hahalala ny lalà-marin'i Yaveh izy?

Torotoron'ny fitadiavana fatratra ny hahalala ny lalà-marin'i Yaveh ny fanahiny.

Psalms 119:21

Iza no lazain'ny mpanoratra fa voaozona sy maniasia amin'ny didin'i Yaveh?

Ny mpirehareha.

Psalms 119:23

Inona no ataon'ny mpanoratra na dia manao teti-dratsy ka manendrikendrika azy aza ireo mpanapaka?

Misaintsaina ny lalàn'i Yaveh izy.

Psalms 119:25

Amin'ny fomba inona no angatahan'ny mpanoratra an'i Yaveh hanome fiainana azy?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hanome fiainana azy amin'ny tenin'i Yaveh.

Psalms 119:27

Nahoana ny mpanoratra no maniry hahatakatra ireo lalan'ny fampianaran'i Yaveh?

Mba hahafahany misaintsaina ny fampianara-mahagagan'i Yaveh.

Psalms 119:29

Amin'ny lalana inona no angatahan'ny mpanoratra hanesoran'i Yaveh ny mpanoratra?

Mangataka an'i Yaveh izy mba hanaisotra azy amin'ny lalam-pitaka.

Psalms 119:35

Aiza no angatahan'ny mpanoratra hampizoran'i Yaveh ny fon'ny mpanoratra?

Mangataka izy mba hampizoran'i Yaveh ny fony amin'ny didim-panekeny sy lavitry ny harena tsy marina.

Psalms 119:37

Amin'ny inona no angatahan'ny mpanoratra an'i Yaveh hanodina ny masony?

Amin'ny fijerevana zava-poana.

Psalms 119:43

Inona no angatahan'ny mpanoratra an'i Yaveh tsy halaina eo amin'ny vavany?

Ny teny fahamarinana avy amin'ny vavany.

Psalms 119:45

Nahoana ny mpanoratra no miteny fa handeha am-pilaminana izy?

Satria izy mitady ny fampianaran'i Yaveh.

Psalms 119:47

Inona no lazain'ny mpanoratra fa lalainy fatratra?

Ny didin'i Yaveh.

Psalms 119:49

Inona no angatahan'ny mpanoratra mba hotsarovan'i Yaveh?

Ny fampanantenany tamin'ny mpanompony.

Psalms 119:51

Na dia nanesoeso azy aza ny mpirehareha, dia inona no tsy nataon'ny mpanoratra?

Tsy niala tamin'ny lalàn'i Yaveh izy.

Psalms 119:53

Ny mpanoratra milaza fa ireo didin'i Yaveh no hirahirany tao amin'ny karazan-trano inona?

Tao amin'ny trano izay onenan'ny mpanoratra vetivety foana.

Psalms 119:57

Tamin'ny inona no nitadiavan'ny mpanoratra ny sitrak'i Yaveh?

Nitady fatratra ny sitrak'i Yaveh tamin'ny fony manontolo izy.

Psalms 119:61

Inona no tsy adinon'ny mpanoratra rehefa namandrika azy ny tadin'ny ratsy fanahy?

tsy nanadino ny lalàn'i Yaveh izy.

Psalms 119:63

Naman'ny karazan'olona inona ny mpanoratra?

Naman'izay rehetra manaja an'i Yaveh izy, dia izay rehetra mitandrina ny fampianaranao.

Psalms 119:65

Nahoana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh hampianatra azy ny fahaiza-manavaka tsara sy ny fahazavan-tsaina?

Satria efa nino ny didin'i Yaveh izy.

Psalms 119:69

Inona no nataon'ny mpanoratra rehefa nanindrona azy tamin'ny lainga ny mpiavonavona?

Nitandrina ny fampianaran'i Yaveh tamin'ny fony manontolo izy.

Psalms 119:71

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa soa ny nijaliany?

Soa izy nijaly mba hahaizany ny didin'i Yaveh.

Ny mpanoratra milaza fa ny fampianarana avy amin'ny vavan'i Yaveh dia sarobidy aminy mihoatra noho ny inona?

Mihoatra noho ny volamena sy volafotsy madinika an'arivony.

Psalms 119:73

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa ireo izay manaja an'i Yaveh dia ho ravo rehefa mahita ny mpanoratra?

Ho ravo izy ireo raha mahita ny mpanoratra satria izy nahita fanantenana tamin'ny tenin'i Yaveh.

Psalms 119:75

Ahoana no fomba nampahorian'i Yaveh ny mpanoratra?

Tamin'ny fahatokiana no nampahorian'i Yaveh azy.

Psalms 119:79

Ny mpanoratra mangataka mba tsy hisy tsiny amin'ny fanajana ny lalàn'i Yaveh ny fony mba tsy hisy inona hitranga?

Mba tsy ho menatra ny mpanoratra?

Psalms 119:81

Inona no nairian'ny mason'ny mpanoratra hojerena fatratra?

maniry fatratra ny hahita ny fampanantenan'i Yaveh ny masony.

Psalms 119:85

Ahoana no fomba hanoheran'ny mpirehareha ny lalàn'i Yaveh?

Nihady lavaka ho ahy ny mpirehareha, sady nanohitra ny lalàn'i Yaveh.

Psalms 119:87

Ny mpanoratra mivavaka mba hameloman'i Yaveh azy mba hanaovan'ny mpanoratra inona?

mba hahafahan'ny mpanoratra hitandrina ny fanekeny izay nambaran'i Yaveh.

Psalms 119:89

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fahatokian'i Yaveh?

Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ny fahatokian'i Yaveh.

Psalms 119:93

Nahoana ny mpanoratra no tsy manadino ny fampianaran'i Yaveh mihitsy?

Tsy manadino ny fampianaran'i Yaveh mihitsy ny mpanoratra, fa amin'ny alalan'ireny no hameloman'i Yaveh azy.

Psalms 119:95

Inona no hany zavatra izay tsy misy fetrany?

Ny didin'i Yaveh no midadasika, mihoatra ny fetra.

Psalms 119:99

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa manana fahazavan-tsaina kokoa mihoatra an'ireo mpampianany rehetra?

Satria izy misaintsaina ny didim-paneken'i Yaveh.

Psalms 119:103

Ny mpanoratra miteny fa mamy kokoa noho ny inona ny tenin'i Yaveh?

Mamy kokoa noho ny tantely eo am-bavan'ny mpanoratra ny tenin'i Yaveh!

Psalms 119:105

Inona no zavatra iray izay nianiana sy namafisina?

Efa nianiana izy ary namafisina fa hitandrina ny lalà-marin'i Yaveh.

Psalms 119:111

Inona no ambaran'ny mpanoratra ho lovany mandrakizay ary ny fifalian'ny fony?

Izy manambara ny didim-paneken'i Yaveh ho lovany mandrakizay, fa ireny no fifalian'ny fony.

Psalms 119:113

Koa satria Yaveh no toeram-piereny sy ampingany, koa inona no andrasan'ny mpanoratra?

Miandry ny tenin'i Yaveh ny mpanoratra.

Psalms 119:117

Nahoana Yaveh no mandà an'izay rehetra maniasia amin'ny lalàny?

Satria ireny olona ireny dia mpamitaka sy tsy azo itokisana.

Psalms 119:119

Amin'ny tahotry ny inona no mampangovitra ny vatan'ny mpanoratra?

Mangovingovitry ny tahotra an'i Yaveh izy.

Psalms 119:123

Inona no andrasan'ny mpanoratra ka mandreraka ny masony?

Miandry ny famonjen'i Yaveh sy miandry ny teny marin'i Yaveh izy.

Psalms 119:125

Nahoana ny mpanoratra no mangataka fahazavan-tsaina amin'i Yaveh?

Mangataka fahazavan-tsaina izy mba ahafahany mahalala ny didim-paneken'Andriamanitra.

Psalms 119:127

Inona no halan'ny mpanoratra?

Mankahala ny lalam-pitaka rehetra izy.

Psalms 119:129

Inona no omen'ny fampiharihariana ny tenin'i Yaveh?

Ny fampiharihariana ny tenin'i Yaveh dia manome hazavana, sy fahazavan-tsaina ho an'ny tsy nampianarina.

Psalms 119:131

Inona no ataon'i Yaveh lalandava ho an'ireo izay mitia ny anarany?

Yaveh nitodika amin'izy ireo lalandava ary mamindrafo amin'izy ireo.

Psalms 119:133

Nahoana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh hamonjy azy amin'ny fampahorian'olombelona?

Mba hahafahany mitandrina ny fitsipik'i Yaveh.

Psalms 119:135

Nahoana no ranomaso mandriaka no mikoriana eo amin'ny mason'ny mpanoratra?

Satria tsy mitandrina ny lalàn'i Yaveh ny vahoaka.

Psalms 119:137

Tamin'ny fomba ahoana no nanomezan'i Yaveh ny didim-panekeny?

Yaveh nanome ny didim-panekeny tamim-pahamarinana sy fahatokiana.

Psalms 119:141

Inona no ataon'ny mpanoratra na dia tsy misy dikay sy namavoina aza izy?

Tsy manadino ny fampianaran'i Yaveh izy.

Psalms 119:143

Inona ireo didin'i Yaveh amin'ny mpanoratra, n?

Na dia nahatratra azy aza ny fahoriana sy fangirifiriana, dia mbola ny didin'i Yaveh no maminy.

Psalms 119:145

Inona no hataon'ny mpanoratra raha manavotra azy i Yaveh?

Hitandrina ny didim-paneken'i Yaveh izy.

Psalms 119:151

Inona no nianaran'ny mpanoratra tamin'ny didim-paneken'i Yaveh fahiny elabe?

Nianatra izy fa Yaveh no efa nampitoetra ny famindrampony tamin'ny fitoerany mandrakizay.

Psalms 119:153

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa Tokony hijery ny fahoriana sy hamonjy azy i Yaveh?

Tokony hamonjy azy i Yaveh satria tsy manadino ny lalàn'i Yaveh ny mpanoratra.

Psalms 119:155

Nahoana no lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena?

Satria tsy mitia ny didin'i Yaveh izy ireo.

Psalms 119:157

Nahoana feno rikoriko an'ireo mpamadika ny fijerin'ny mpanoratra?

Satria tsy mitandrina ny tenin'i Yaveh izy ireo.

Psalms 119:159

Mandra-pahoviana no haharetan'ny tsirairay aminireo didin'i Yaveh?

Maharitra mandrakizay ny tsirairay amin'ireo didin'i Yaveh.

Psalms 119:161

Inona no hatahoran'ny mpanoratra rehefa manenjika azy tsy amin'ny antony ireo andriana?

Matahotra ny tsy hitandrina ny tenin'i Yaveh izy.

Psalms 119:163

Impiry ny mpanoratra no midera an'i Yaveh noho ny lalà-mariny?

Midera an'i Yaveh impito isan'andro izy.

Psalms 119:167

Nahoana ny mpanoratra no mitandrina ny fampianaran'i Yaveh sy ireo didiny masina?

Satria Yaveh dia mahalala ny zavatra rehetra ataon'ny mpanoratra.

Psalms 119:169

Inona no nampanantenain'i Yaveh fa hataony ao amin'ny teniny.

Yaveh nampanantena tamin'ny teniny fa hamonjy ny mpanoratra raha tonga eo anoloan'i Yaveh ny fitarainany.

Psalms 119:171

Nahoana ny mpanoratra no mangataka an'i Yaveh hamela ny lelany hihiara momba ny tenin'i Yaveh?

Maniry ny lelany hihira momba ny tenin'i Yaveh ny lelany satria marina avokoa ireo didin'i Yaveh rehetra.

Psalms 119:175

Inona no angatahan'ny mpanoratra mba hataon'i Yaveh rehefa nirenireny tahala ny ondry very ny mpanoratra?

Mangataka amin'i Yaveh izy mba hitady ny mpanompony, satria nanadino ny didin'i Yaveh izy.

Psalms 120

Psalms 120:1

Inona no nataon'i Yaveh rehefa niantso Azy tamin'ny fahoriany ny mpanoratra?

Dia namaly ny mpanoratra i Yaveh.

Inona no angatahan'ny mpanoratra mba hataon'i Yaveh ho an'ny fanahiny?

Mangataka an'i Yaveh hanavotra ny fanahiny amin'ireo izay mandainga sy mamitaka amin'ny lelany ny mpanoratra.

Psalms 120:3

Inona no lazain'ny mpanoratra amin'ny vahoaka fa hataon'i Yaveh amin'ireo izay manana lela mpamitaka?

Yaveh hitifitra azy ireo amin'ny zana-tsipìka maranitra sy nafanaina tamin'ny vainafon'anjavidy.

Psalms 120:5

Aiza no lazain'ny mpanoratra fa nonenany vetivety sy nonenany teo aloha?

Ny mpanoratra miteny fa nonina vonjimaika tany Maseka izy ary nonina tao amin'ireo lain'ny Kedarita izy teo aloha.

Inona no lazain'ny mpanoratra momba ny filaminana?

Ny mpanoratra miteny fa efa nonina naharitra niaraka tamin'ireo izay nankahala fihavanana izy ary tia filaminana izy.

Psalms 121

Psalms 121:1

Hanopy ny masony amin'ny inna ny mpanoratra?

Ny mpanoratra miteny fa hanopy ny masony any an-tendrombohitra izy.

Avy amin'iza no tonga ny famonjena nympanoratra?

Avy amin'i Yaveh ny famonjena ny mpanoratra..

Psalms 121:3

Ahoana no fomba hamonjen'i Yaveh ny mpanoratra?

Yaveh tsy hamela ny tongotry ny mpanoratra hibolisatra ary hiaro azy.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa tsy ataon'ny mpiandry an'Israely mihitsy?

Tsy mba rendrehana mihitsy na matory ny mpiandry an'Israely.

Iza no mpiandrin'Israely sy ny aloka?

Yaveh no mpiandrin'Israely sy aloka eo amin'ny tanany ankavanany.

Psalms 121:7

Iza no hiaro an'Israely amin'ny loza rehetra, hihazona ny fanahiny, sy hiaro azy ireo amin'izay rehetra ataony?

Yaveh no hiaro azy ireo amin'ny ratsy rehetra, hihazona ny fanahiny ary hiaro azy ireo amin'izay rehetra ataony.

Psalms 122

Psalms 122:1

Inona no nolazain'i Davida mba hahafaly azy?

"Andeha isika ho ao an-tranon'i Yaveh." Izany no nolazain'i Davida.

Aiza no ijoroan'ny tongotry ny vahoaka?

Ao anatin'ny vavahadin'i Jerosalema.

Ahoana no fomba nanorenana an'i Jerosalema?

Naorina toa tanàna voalamina tsara i Jerosalema.

Psalms 122:4

Nahoana ireo foko no niakatra tany Jerosalema?

Mba hisaotra ny anaran'i Yaveh.

Nahoana ireo mpitarika no mipetraka eo amin'ireo 'i Jerosalema?

Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fitsarana izy ireo ho an'ny taranak'i Davida.

Psalms 122:6

Inona no hitranga amin'ireo izay tia an'i Jerosalema?

Ho ambinina izy ireo.

Inona no tian'i Davida ho ao anaty manda sy tilikambon'i Jerosalema?

Fiadanana no ho ao anaty manda ary fanambinana no ao anaty tilikambo.

Psalms 122:8

Noho ny amin'iza no ilazan'i Davida hoe: "Ho eo aminareo anie ny fiadanana."

Noho ny amin'ireo rahalahiny sy ireo namany.

Nahoana Davida no miteny fa hivavaka ho an'ny mahasoa Jerosalema izy?

Noho ny amin''ny tranon'i Yaveh.

Psalms 123

Psalms 123:1

Amin'iza no hanopazan'ny mpanoratra ny masony?

Manandratra ny masony any amin'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra ny mpanoratra.

Mandra-pahoviana ny mason'ny vahoaka no hibanjina an'i Yaveh Andriamaniny?

Ambara-pamindrany fo amin'izy ireo.

Psalms 123:3

Nahoana ny vahoaka no mangataka an'i Yaveh hamindrafo amin'izy ireo?

Feno fahafam-baraka ny vahoaka, mihoatra lavitra noho ny feno fanesoan'ny mpanivaiva sy ny fanamavoan'ny mpirehareha izy ireo.

Psalms 124

Psalms 124:1

Inona no tokony nitranga raha tsy Yaveh no teo anilan'Israely rehefa nitsangana hanohitra azy ireo ny olona?

Raha tsy Yaveh no teo anilan'Israely, dia efa nitelina velona azy ireo ny olona izay nitsangana hanohitra azy ireo.

Psalms 124:4

Inona no nataon'ny rano, riaka, ary rano misamboaravoara tamin'Israely?

Mety efa voafafan'ny rano izy ireo; ary nanafotra aazy ireo ny riaka. 5Avy eo ny rano misamboaravoara nahafaty azy ireo.

Psalms 124:6

Inona no nataon'ny vahoaka taorian'ny tsy namelan'i Yaveh azy ireo horotidrotehan'ny nifin'ireo fahavalony?

Nisaotra an'i Yaveh izy ireo.

Tahaka ny inona ny fandosiran'ny Israelita?

Tahaka ny vorona miala amin'ny fandrik'ireo mpihaza ny nandosiran'izy ireo.

Psalms 124:8

Avy aiza Davida no lazain'i Davida fa hiavian'ny famonjena an'Israely?

Avy amin'i Yaveh izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Psalms 125

Psalms 125:1

Tahaka ny inona ireo izay matoky an'i Yaveh?

Tahaka ny tendrombohitra Ziona izy ireo, tsy voahozongozona, maharitra mandrakizay.

Amin'ny inona no ampitahan'ny mpanoratra ny fomba izay manodidina ny vahoakany?

Ampitahainy amin'ireo tendrombohitra izay mihodidina an'i Jerosalema, ani ka ho mandrakizay izany.

Inona no tsy hanapaka ao amin'ny tanin'ny marina?

Tsy tokony hanapaka ao amin'ny tanin'ny marina ny tehim-piandrianan'ny faharatsiana.

Psalms 125:4

Ho an'iza no angatahan'ny mpanoratra mba hanovan'i Yaveh soa?

Mangataka an'i Yaveh hanao soa ho an'ire izay mahitsy fo izy.

Inona no hitranga amin'ireo izay miala amin'ny ratsy fanaon'izy ireo?

Yaveh hitondra azy ireo lavitra an'ireo mpanao ratsy.

Psalms 126

Psalms 126:1

Toa tahaka ny inona rehefa namerina ny haren'i Ziona i Yaveh?

Fony Yaveh nampody ny haren'i Ziona, dia toy ny nanonofy izy ireo.

Psalms 126:2

Inona no nameno ny vavan'ny vahoaka rehefa nampody ny haren'i Ziona i Yaveh?

Feno fiomehezana ny vavan'izy ireo ary feno fihirana ny lelany.

Psalms 126:4

Inona no fangatahan'ny mpanoratra amin'i Yaveh?

Ny hampodian'i Yaveh ny haren'izy ireo.

Inona no hitranga amin'ireo izay mamafy amin-dranomaso?

Hijinja amin'ny hikam-pifaliana izy ireo.

Inona no hitranga amin'ny olona izay mivoaka mitomany ary mitondra voa hafafy?

Hiverina indray amin'ny hiakam-pifaliana, mitondra ny amboarany miaraka aminy.

Psalms 127

Psalms 127:1

Inona no mitranga raha tsy manorina ny trano sy tsy miambina ny tanàna Yaveh?

Raha tsy Yaveh no manorina ny trano, dia miasa foana izay manorina izany. Raha tsy Yaveh no miandry ny tanàna, dia miambina foana ny mpiambina.

Inona no omen'i Yaveh ho an'ny malalany?

Yaveh manome torimaso ho an'ny malalany.

Psalms 127:3

Inona ny lova sy valisoa avy amin'i Yaveh?

Zanaka no lova ary ny vokatry ny kibo no valisoa avy amin'i Yaveh.

Tahaka ny inona no zanaky ny hatanorana?

Tahaka ny zana-tsipìka eny an-tanan'ny mpiady ny zanaka.

Rahoviana ny olona sambatra, izay manana ny tranon-jana-tsipìkany feno zankaka, no tsy ho menatra?

Tsy ho menatra izy rehefa mifanandrina amin'ireo fahavalony eo am-bavahady.

Psalms 128

Psalms 128:1

Inona no mitranga amin'ireo izay manome voninahitra an'i Yaveh sy mandeha amin'ny lalany?

Izay rehetra manome voninahitra an'i Yaveh sy mandeha amin'ny lalany dia ho sambatra.

Inona no lazain'ny mpanoratra fa hitranga amin'ny olona izay mankafy izay novatsian'ny tanany?

Ho sambatra sy ambinina izany olona izany.

Psalms 128:3

Tahaka ny inona no ilazan'ny mpanoratra ny vadin'ny lehilahy sambatra?

Tahaka ny voaloboka mamokatra izy.

Tahaka ny inona no ilazan'ny mpanoratra ny zanaky ny lehilahy sambatra?

Ho tahaka ny hazon'oliva ireo zanany.

Inona no hitranga amin'ny olona manome voninahitra an'i Yaveh?

Ho sambatra ny olona izay manome voninahitra an'i Yaveh.

Inona no angatahan'ny mpanoratra hataon'i Yaveh ho an'ilay lehilahy sambatra avy any Ziona?

Ny mpanoratra mangataka mba hahitan'ilay lehilahy avy any Ziona ny fahombiazan'i Jerosalema amin'ny androm-piainany rehetra ary koa mba ahafahany miaina hahita an'ireo zanaky ny zanany.

Psalms 129

Psalms 129:1

Hatramin'ny oviana Israely no voatafika kanefa tsy mbola resy?

Hatramin'ny fahatanorany.

Inona no nataon'ireo mpiasatany tao amin'ny lamosin'Israely?

Nohadian'ny mpiasatany ny lamosin'Israely ary nalavain'izy ireo ny vavasany.

Psalms 129:4

Inona no nataon'i Yaveh marina ho an'Israely?

Yaveh nanapaka ny tadin'ny ratsy fanahy.

Inona no tian'ny mpanoratra hitranga amin'ireo izay mankahala an'i Ziona?

Maniry ho azy rehetra izy mba menatra sy hiamboho.

Psalms 129:6

Inona no tsy tian'ny mpanoratra ho lazain'izay rehetra mandalo?

Tsy tiany izy ireo hilaza hoe: ""Aoka ho aminao ny tso-dranon'i Yaveh; mitso-drano anao amin'ny anaran'i Yaveh izahay."

Psalms 130

Psalms 130:1

Inona no itaranan'ny mpanoratra amin'i Yaveh?

Mitaraina amin'ny Tompo ny mpanoratra mba handrenesany ny feony ary mba hihaino ny fitarainany.

Psalms 130:3

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa tokony hajaina Yaveh?

Tokony hajaina Yaveh satria misy famelàn-keloka ao aminy.

Psalms 130:5

Iza no andrasan'ny fanahin'ny mpanoratra sy antenainy?

Miandry an'i Yaveh ny fanahiny ary ny teniny no antenainy.

Psalms 130:7

Nahoana ny mpanoratra no miteny an'Israely mba hanantena an'i Yaveh?

Yaveh dia mpamindrafo, vonona ny hamela heloka, ary hanavotra an'Israely amin'ny fahotany rehetra Izy.

Psalms 131

Psalms 131:1

Ahoana no fomba amaritan'i Davida ny fony sy ny masony?

Tsy mirehareha ny fony ary ny masony tsy miavonavona.

Psalms 131:2

Tahaka ny inona ny fanahin'i Davida?

Nampiononina sy nampanginina tahaka ny zaza nisara-nono ny fanahiny.

Rahoviana Israely no tenenin'i Davida fa hanantena an'i Yaveh?

Ankehitriny ka ho mandrakizay.

Psalms 132

Psalms 132:1

Inona no nagtahan'ny mpanoratra mba hotsarovan'i Yaveh?

Nangataka an'i Yaveh izy mba hahatsiaro ny fahorian'i Davida, sy ny nianianany tamin'i Yaveh, ary ny nanaovany voady tamin'ilay Maherin'i Jakoba.

Psalms 132:3

Nivoady Davida mba tsy hidirany ao an-tranony na hatoriany mandra-panhavitany inona?

Nilaza izy fa tsy hatory mihitsy mandra-pahitany toerana ho an'i Yaveh, sy tabernakely ho an'Ilay Maherin'i Jakoba.

Psalms 132:6

Aiza no halehan'ny vahoaka ary inona no hatain'izy ireo rehefa tonga any?

Hiditra ao amin'ny tabernakelin'Andriamanitra izy ireo ary hanompo eo amin'ny fitoeran-tongony.

Psalms 132:9

Firy ireo mpisorona nampiankanjoana sy afaka ny hihiakam-pifaliana?

Ho ampiakanjoana fahitsiana anie ireo mpisoronao; hihiaka fifaliana anie ireo mahatokin'Andriamanitra.

Amin'iza no tsy tokony hialàn'ireo mahatoky?

Tsy tokony hiala amin'ny mpanjakany voahosotra izy ireo.

Psalms 132:11

Inona no voady nianianan'i Yaveh tamin'i Davida?

Yaveh nivoady ny ho mendri-pitokisana amin'i Davida.

Psalms 132:13

Aiza ny mpanoratra no maniry hitsahatra sy hiaina mandrakizay?

Maniry ny hitsahatra sy hiaina mandrakizay ao amin'ny Ziona nofinidin'i Yaveh izy.

Psalms 132:15

Inona no hataon'i Yaveh amin'i Ziona?

Hitahy azy amin'ny fitahiana mahatretrika Izy, hahafpo ny mahantrany amin'ny mofo, ary hampiakanjo ireo mpisorony amin'ny famonjena.

Psalms 132:17

Iza no hampiakanjoan'i Yaveh henatra?

Hampiakanjoany henatra ireo fahavalony.

Psalms 133

Psalms 133:1

Inona no lazain'i Davida momba ireo rahalahiny?

Tsara sy mahafinaritra hoy izy ny mpirahalahy miara-monina.

Psalms 133:2

Tahaka ny inona no ilazan'i Davida ny firaisankinan'ireo rahalahiny?

Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha araraka eo amin'ny volombava izany, ary volombavan'i Arona, ary dia araraka amin'ny moron-tongotry ny tohitenany izany. Tahaka ny andon'i Hermona izay miraraka amin'ny tendrombohitra Ziona izany.

Taiza Yaveh no nandidy ny fitahian'ny fiainana mandrakizay?

Nandidy fiainana mandrakizay tany an-tendrombohitr'i Ziona Izy.

Psalms 134

Psalms 134:1

Inona no tokony ataon'ny mpanompon'i Yaveh rehetra?

Tokony ho tonga izy ireo, ka hisaotra an'i Yaveh, ary hanandra-tanana any amin'ny fitoerana masina.

Psalms 134:3

Aiza no hitahian'i Yaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany, no hitahy ireo mpanompony?

Hitahy azy ireo avy any Ziona Izy.

Psalms 135

Psalms 135:1

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Ireo mpanompon'i Yaveh, dia ireo izay mijoro ao an-tranon'i Yaveh, sy izay ao an-kianja no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 135:3

Nahoana ireo mpanompon'i Yaveh no tokony hidera sy hihira ho Azy?

Tokony hidera an'i Yaveh izy ireo fa tsara Izy, ary tokony hihira izy ireo fa mahafinaritra ny manao izany.

Psalms 135:5

Inona no fantatry ny mpanoratra momba an'i Yaveh?

fantany fa lehibe Yaveh, ambonin'andriamanitra rehetra, ary izay rehetra irian'i Yaveh dia ataony any an-danitra, sy ety an-tany ary any an-dranomasina.

Psalms 135:7

Inona no asa ataon'i Yaveh izay maneho ny fahalehibiazany?

Yaveh mitondra ny rahona, manao tseala-pahazavana miaraka amin'ny ranon'orana, ary mitondra ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany.

Psalms 135:8

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ireo Egyptiana?

Novonoiny ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby tao Egypta ary nandefa famantarana sy fahagagana hanoherana an'i Farao sy ny mpanompony Izy.

Psalms 135:12

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny tanin'ireo firenena nasian'ny Israelita?

Nomeny ho lovan'Israely vahoakany ny tanin'izy ireo.

Psalms 135:14

Tahaka ny inona ireo sampin'ny firenena?

Ny sampin'ireo firenena dia volafotsy sy volamena, manam-bava, maso, sy sofina fa tsy miteny , mahita, na mandre akory, ary tsy manam-pofonaina.

Iza no nanao ireo sampin'ny firenena?

Ny olona izay tahaka an'ireny sy mitoky amin'ireny no nanao azy ireny.

Psalms 135:19

Iza no tokony hisaotra an'i Yaveh?

Ireo taranak'Israely,Arona, Levy, sy ireo izay manome voninahitra an'i Yaveh no tokony hisaotra Azy.

Psalms 136

Psalms 136:1

Nahoana ny vahoaka no tokony hisaotra an'i Yaveh?

Tokony hanome fiasaorana an'i Yaveh izy ireo fa tsara Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindrampony.

Psalms 136:4

Inona no zavatra izay tsy misy afa-tsy Yaveh no manao azy?

Yaveh irery ihany no manao fahagagana.

Psalms 136:10

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny voalohan-terak'i Egypta?

Novonoiny ny voalohan-terak'i Egypta.

Psalms 136:13

Inona no natan'i Yaveh ho an'Israely rehefa nampisaraka ny ranomasina Mena Izy?

Nataony namakivaky ny afovoan'ny ranomasina Mena ny Israelita.

Psalms 136:16

Ahoana no naha mahatoky an'i Yaveh amin'ny vahoakany?

Nentiny namakivaky ny tany efitra ny vahoakany.

Psalms 136:21

Inona no natan'i Yaveh tamin'ny tanin'ireo mpanjaka lehibe?

Nomeny ho lovan'Israely mpanompony ny tanin'izy ireo.

Psalms 136:24

Nahoana ny mpanoratra no milaza fa hisaotra an'Andriamanitry ny lanitra?

Tokony hisaotra Azy ny vahoaka noho ny fahatokiany.

Psalms 137

Psalms 137:1

Taiza ireo babo fony nipetraka sy nitomany?

Teo amoron'ny ony Babylona izy ireo.

Psalms 137:3

Inona no nangatahan'ireo mpambabo ho hirain'ireo babo?

Nangataka azy ireo mba ho faly sy hihira ny fihiran'i Ziona reo mpambabo.

Psalms 137:5

Inona no tian'ny mpanoratra hitranga raha manadino an'i Jerosalema izy ary tsy mieritreritra an'i Yaveh intsony?

Maniry ny tanany ankavanana izy mba hanadino ny fahaizany ary ny lelany hiraikitra amin'ny lanilaniny.

Psalms 137:7

Inona no tian'ny mpanoratra hotsarovan'i Yaveh momba ny Edomita?

Tiany hotsarovan'i Yaveh fa tamin'ny andro nahalavo an'i Jerosalema dia hoy ny Edomita hoe: "Potipoteho izany, ravao hatrany amin'ny fotony."

Psalms 137:8

Iza no tian'ny mpanoratra hotahiana?

Ny olona izay mamotika an'i Babylona.

Psalms 138

Psalms 138:1

Inona no nataon'i Yaveh ho zava-dehibe mihoatra ny zava-drehetra?

Nanao ny teniny sy ny anarany ho zava-dehibe mihoatra ny zavatra hafa rehetra Izy.

Psalms 138:3

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Davida rehefa niantso Azy izy?

Dia namaly azy i Yaveh, ary nampahery sy nampatanjaka ny fanahiny.

Inona no hataon'ireo mpanjakan'ny tany?

Hanome fisaorana ho an'ny tenin'i Yaveh izy ireo.

Psalms 138:5

Miahy an'iza Yaveh?

Miahy ny manetry tena Izy.

Psalms 138:7

Iza no angatahan'i Davida mba tsy hafoin'i Yaveh?

Mangataka an'i Yaveh izy mba tsy hahafoy an'ireo nataon'ny tanany.

Psalms 139

Psalms 139:1

Inona no takatr'i Yaveh avy eny lavitra?

Yaveh mahatakatra ny fisainan'i Davida avy eny lavitra.

Psalms 139:3

Ahoana no avalin'i Davida amin'ny fahalalana izay ataon'i Yaveh manodidina tanteraka an'i Davida?

Ny fahalalana toy izany dia sarotra loatra ho an'i Davida, sady ambony loatra, ka tsy ho takany.

Psalms 139:7

Aiza no tsy azon'i Davida aleha mba hiala amin'ny fanatrehan'i Yaveh, satria any Yaveh?

Tsy afaka ny hiakatra any an-danitra izy na hanao ny fandriany any amin'ny Fiainan-tsy hita, fa any Yaveh.

Psalms 139:11

Ahoana no maha samihafa ny aizina sy hazavana amin'i Yaveh?

Amin'i Yaveh dia mitovy ny aizina sy ny hazavana.

Psalms 139:13

Taiza Yaveh no namorona an'i Davida?

Yaveh namorona an'i Davida tao an-kibon'ny reniny.

Psalms 139:15

Oviana Yaveh no nirakitra ireo androm-piainan'i Davida?

Yaveh nandrakitra ny androm-piainan'i Davida rehetra ao amin'ny bokin'i Yaveh eny fa na dia mbola tsy nitranga akory aza ny voalohany.

Psalms 139:17

Ahoana no amaritan'i Davida ny fisainan'Andriamanitra?

Sarobidy ireny ary midadasika loatra raha isaina.

Psalms 139:19

Inona no tian'i Davida hataon'Andriamanitra amin'ny lehilahy ratsy fanahy sy maherisetra?

Davida maniry an'Andriamanitra hamono ny ratsy fanahy ary hanalavitra ny lehilahy maherisetra aminy.

Psalms 139:23

Lalana inona no tian'i Davida hitondran'i Yaveh azy?

Davida mangataka an'Andriamanitra mba hitondra azy amin'ny lalana mandrakizay.

Psalms 140

Psalms 140:1

Amin'iza Davida no mila an'i Yaveh hanavotra azy?

Amin'ny ratsy fanahy mba hiarovana azy amin'ireo lehilahy maherisetra.

Tahaka ny inona no ilazan'i Davida ny ratsy fanahy?

Izy miteny fa mandratra toy ny bibilava ny lelan'izy ireo ary ny poizin'ny menarana no eo amin'ny molony.

Psalms 140:4

Inona no tetehan'ireo lehilahy maherisetra hatao amin'i Davida?

Mitetika ny handavo an'i Davida izy ireo.

Inona no novelarin'ny mpirehareha ho an'i Davida?

Izy ireo namelatra fandrika ho azy, namelatra harato.

Psalms 140:6

Inona no angatahan'i Davida mba henoin'i Yaveh?

Ireo fitarainany famindrampo.

Inona no ataon'i Yaveh ho an'i Davida amin'ny androm-piadiana?

Yaveh miaro ny lohan'i Davida amin'ny androm-piadiana.

Psalms 140:9

Inona no tian'i Davida mba handifotra an'ireo izay manodidina azy?

Tianay handifotra azy ireo ny sompatra eo amin'ny molony.

Inona no tian'i Davida hitranga amin'ireo izay milaza zava-dratsy momba ny hafa?

Davida maniry an'izay rehetra milaza zava-dratsy momba ny hafa mba tsy handry fahalemana ambonin'ny tany.

Psalms 140:12

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ireo ory sy mahantra?

Yaveh hitsara ny ory amin'ny indrafo sy hanome rariny ho an'ny mahantra.

Inona no hataon'ny olo-marina tokoa?

Azo antoka fa ny olo-marina dia hisaotra ny anaran'i Yaveh.

Inona no hitranga amin'ny olo-mahitsy?

Hiaina eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh izy ireo.

Psalms 141

Psalms 141:1

Inona no itarainan'i Davida amin'i Yaveh?

Mitaraina amin'i Yaveh izy mba ho tonga aingana ka hihaino azy rehefa miantso.

Tahaka ny inona ho an'i Yaveh no irian'i Davida amin'ny fivavany sy ny tanany misandratra?

Davida maniry ny fivavany ho tahaka ny ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Yaveh ary ny tanany misandratra ho toy ny sorona hariva.

Psalms 141:3

Inona no tsy tian'i Davida ataon'ny fony?

Tsy tiany hitsiriritra zava-dratsy ny fony, na handray anjara amin'ny asam-pahotana miaraka amin'ny olona izay manana fitondrantena ratsy, ary tsy hihinana ny hanim-pin'izy ireo.

Psalms 141:5

Ho tahaka ny inona raha misy olo-marina iray mamely ani Davida?

Raha misy olo-marina mamely azy, dia ho toy ny fahalemem-panahy izany.

Ho tahaka ny inona raha misy olo-marina iray manitsy an'i Davida?

Ho toy ny diloilo nahosotra amin'ny lohany izany.

Hanohitra an'iza no ivavahan'i Davida hatrany?

Mivavaka hatrany izy amin'ireo asan'ny olona ratsy fanahy.

Inona no hitran ga amin'ireo mpitarika ny olona ratsy fanahy?

Hatsipy avy eny an-tampon'ny hantsana ireo mpitarika azy ireo ary ho ren'izy ireo fa mahafinaritra ny tenin'i Davida.

Iza no tokony hiteny hoe:"Tahaka ny olona mamadika bainga sy mamotika bainga amin'ny saha, no efa nanapatapahana ny taolanay tany am-bavan'ny Fiainan-tsy hita."

Ny olona ratsy fanahy no tokony hietny hoe: ""Tahaka ny olona mamadika bainga sy mamotika bainga amin'ny saha, no efa nanapatapahana ny taolanay tany am-bavan'ny Fiainan-tsy hita."

Psalms 141:8

Amin'iza ny mason'i Davida?

Amin'ny Tompo Yaveh.

Amin'inona no tian'i Davida hiarovan'i Yaveh azy?

Amin'ireo fandrika izay napetraka ho azy, ary amin'ireo fandriky ny mpanao ratsy.

Inona no tian'i Davida hitranga amin'ny ratsy fanahy?

Maniry Davida mba ho ny ratsy fanahy ihany no hianjera ao amin'ny haratony raha mandositra izy.

Psalms 142

Psalms 142:1

Inona no ararak'i Davida amin'i Yaveh?

Mandraraka fitarainana i Davida mba hilazana amin'i Yaveh ny fahoriany.

Psalms 142:3

Inona no fantatr'i Yaveh rehefa reraka ny fanahin'i Davida?

Yaveh mahalala ny lalan'i Davida rehefa reraka ny fanahiny.

Inona no hitan'i Davida rehefa mijery ny ankavanany izy?

Davida mahita fa tsy misy miahy ny aminy, ary tsy misy irika hitsoahany.

Iza no ilazan'i Davida an'i Yaveh?

Yaveh no fialofan'i Davida ary anjarany eny amin'ny tanin'ny velona.

Psalms 142:6

Nahoana Davida no mila an'i Yaveh hanavotra azy amin'ireo mpanenjika azy?

Satria mahery noho Davida izy ireo.

Nahoana ny marina no miangona manodidina an'i Davida?

Satria tsara aminy i Yaveh.

Psalms 143

Psalms 143:1

Nahoana Davida no tsy maniry an'i Yaveh hiditra amin'ny fitsarana hanohitra azy?

Satria tsy misy marina eo imason'i Yaveh.

Psalms 143:3

Inona no nataon'ny fahavalo tamin'i Davida?

Nanenjika ny fanahiny ny fahavalo, nanosika azy tamin'ny tany, ary nanao azy hiaina anaty aizina.

Mampitranga inona amin'ny fanahin'i Davida sy ny fony ny fahavalo?

Manao ny fanahin'i Davida hahaketraka azy ny fahavalo, ary mahatonga azy hamoy fo.

Psalms 143:5

Ahoana no fombva amaritan'i Davida ny fanirian'ny fanahiny an'i Yaveh?

Mangetaheta an'i Yaveh any amin'ny tany karakaina ny fanahin'i Davida.

Psalms 143:7

Inona no mety ho mahatonga an'i Davida ho tahaka an'ireo izay midina any an-davaka?

Ho tahaka an'ireo izay midina any an-davaka i Davida raha tsy mamaly faingana Yaveh na raha tsy manafina ny tavany amin'i Davida.

Inona no tian'i Davida mba henoiny amin'ny maraina satria matoky an'i Yaveh izy?

Ny famindrampon'i Yaveh.

Inona no tian'i Davida hatao satria izy manandratra ny fanahiny amin'i Yaveh?

Mila an'i Yaveh hampiseho azy ny lalana tokony alehany izy.

Psalms 143:9

Inona no tian'i Davida hitondra azy any amin'ny tanin'ny fahitsiana?

Ny fanahy tsaran'i Yaveh.

Psalms 143:11

Inona no tian'i Davida hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalon'i Davida?

Mangataka an'i Yaveh i Davida mba hamongotra an'ireo fahavalony sy hamotika ireo fahavalon'ny fiainan'i Davida rehetra.

Psalms 144

Psalms 144:1

Amin'ny inona no anazaran'i Yaveh ny tanan'i Davida sy ny rantsan-tanany?

Manazatra ny tanana sy rantsan-tanan'i Davida ho amin'ny ady Yaveh.

Psalms 144:3

Iza no tsinjovian'i Yaveh sy heveriny izay nahataitra an'i Davida?

Taitra i Davida fa mitsinjo ny olona i Yaveh ary mihevitra ny zanak'olona.

Psalms 144:5

Inona no mety ho ataon'ny tendrombohitra raha kasihan'i Yaveh ireo?

Yaveh mampanetroka ireo tendrombohitra raha nokasihany ireo.

Psalms 144:7

Ahoana no fomba anavotan'i Yaveh an'i Davida amin'ny tanan'ny hafa firenena?

Yaveh maninjitra ny tanany avy any ambony ka mamonjy an'i Davida amin'ny ranobe ary koa min'ny tanan'ny hafa firenena.

Psalms 144:9

Zavamaneno inona no hihiran'i Davida fihiram-baovao ho an'Andriamanitra?

Davida hihira fihiram-baovao ho an'Andriamanitra amin'ny valiha tory folo.

Inona no tenenin'ny vavan'ny olona hafa firenena?

Milaza lainga ny vavan'izy ireo ary fitaka ny tanany ankavanana.

Psalms 144:12

Tian'i Davida ho tahaka ny inona ireo zanaka lahin'Israely?

Tiany ho toy ny zava-maitso izay mitombo tsara izy ireo amin'ny hatanorany.

Tian'i Davida ho toy ny inona ireo zanaka vavin'Israely?

Tiany ho toy ny vato fehizoro voasokitra, miendrika toy izany ireo izay ao an-dapa izy ireo.

Psalms 144:14

Iza ireo vahoaka faly lazain'i Davida eto?

Ireo vahoaka faly dia ireo izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny.

Psalms 145

Psalms 145:1

Iza no hasandratr'i Yaveh sy hankalazainy?

Davida hanandratra an'Andriamaniny sy Mpanjakany, hankalaza ny anarany mandrakizay.

Impiry Davida no hankalaza an'i Yaveh?

Isan'andro Davida no hankalaza an'Andriamanitra.

Psalms 145:4

Inona no ho derain'ny taranaka rehetra sy ho ambarany amin'izay mandimby azy?

Ireo asan'Andriamanitra no hoderain'ny taranaka rehetra ary hanambara ireo asany lehibe.

Inona no hosaintsainin'i Davida?

Hisaintsaina ny lazan'ny voninahitr'Andriamanitra sy ireo asany mahagaga izy.

Psalms 145:6

Inona no ho ambaran'ny taranaka rehetra sy ho hirainy amin'izay mandimby azy?

Ny fahatsaran'i Yaveh mihoa-papana sy ny fahamarinany.

Psalms 145:10

Inona no hisaotra sy hankalaza an'i Yaveh?

Izay rehetra nataon'i Yaveh no hisaotra Azy ary ireo mahatokiny no hankalaza Azy.

Iza no hiteny ny voninahitry ny fanjakan'i Yaveh ary hanambara ny herin'i Yaveh?

Ireo mahatokin'i Yaveh no hiteny ny voninahitry ny fanjakan'i Yaveh ary koa hilaza ny heriny.

Psalms 145:13

Mandra-pahoviana no haharetan'ny fanjakan'i Yaveh?

Ny fanjakan'i Yaveh dia fanjakana tsy manam-pahataperana ary maharitra manerana ny taranaka rehetra ny fanapahany.

Psalms 145:14

Iza no tohanan'i Yaveh sy atsangany?

Manohana an'izay rehetra lavo Yaveh ary manangana an'izay rehetra mitanondrika.

Mason'iza no miandry an'i Yaveh ary omena sakafo amin'ny fotoana mahamety?

y mason'ny rehetra no miandry an'i Yaveh ary omena sakafo amin'ny fotoana mahamety azy.

Ahoana no fomba anomezan'i Yaveh fahafahampo ny fanirian'ny zava-manan'aina rehetra?

Yaveh mamelatra ny tanany ary mahafapo ny fanirian'ny zava-manan'aina rehetra.

Psalms 145:17

Akaiky an'iza Yaveh?

Akaikin'izay rehetra miantso Azy Yaveh, dia amin'izay rehetra miantso Azy amin'ny fahamarinana.

Psalms 145:20

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ireo izay tia Azy?

Yaveh miambina an'izay rehetra tia Azy.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny ratsy fanahy rehetra?

Hamotika ny ratsy fanahy rehetra Izy.

Psalms 146

Psalms 146:1

Mandra-pahoviana ny mpanoratra no hidera an'i Yaveh?

Hidera an'i Yaveh izy raha mbola miaina koa.

Psalms 146:3

Inona no tsy tokony hametrahan'ny olona fitokisana?

Tsy tokony hametraka ny fitokisany amin'ireo andriana na olombelona ny vahoaka, izay tsy manana famonjena akory.

Inona no mitranga rehefa mijanona ny fofonain'olona iray?

Rehefa mitsahatra ny fofonain'olona iray dia mody amin'ny tany izy; amin'izay andro izany dia mifarana ny fikasany.

Psalms 146:5

Iza no ilay olona sambatra?

Ny olona sambatra dia izay olona manana an'Andriamanitr'i Jakoba ho famonjeny, izay matoky an'i Yaveh Andriamaniny.

Inona no nataon'i Yaveh?

Yaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina, sy izay rehetra ao aminy.

Psalms 146:7

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ny jamba sy izay miankohoka?

Yaveh manokatra ny mason'ny jamba, ary manangana an'ireo izay miankohoka.

Psalms 146:9

Iza no arovan'i Yaveh?

Yaveh miaro ny vahiny an-tany.

Mandra-pahoviana Yaveh no hanjaka?

Yaveh hanjaka mandrakizay, ho an'ny taranaka rehetra.

Psalms 147

Psalms 147:1

Nahoana Yaveh no tokony hoderaina?

Tokony hoderaina Yaveh satria tsara izany, ary mahafinaritra sy mety.

Psalms 147:2

Ahoana no fomba hamonjen'i Yaveh an'ireo mpanaradia Azy?

Yaveh manampy amin'ny fananganana an'i Jerosalema, ary mampikambana ny vahoakan'Israely niely.

Psalms 147:4

Inona no ataon'i Yaveh amin'ny kintana aorian'ny hanisàny izany?

Yaveh manisa ny kintana ary manome anarana azy ireo rehetra.

Hatraiza ny halehiben'ny fahatakaran'i Yaveh?

Tsy hay refesina ny fahatakarany.

Psalms 147:6

Inona no ataon'i Yaveh amin'ny ratsy fanahy?

Yaveh mampietry ny ratsy fanahy amin'ny tany.

Psalms 147:8

Ahoana fomba hiahian'i Yaveh ny biby sy ny goaika?

Yaveh manome hanina ho an'ny biby sy ny goaika tanora raha mitaraina.

Psalms 147:10

Amin'inona Yaveh no tsy mahita fitia sy tsy mankamamy?

Tsy mahita sitraka amin'ny herin'ny soavaly i Yaveh ary tsy mankamamy amin'ny tanjaky ny tongotry ny olona.

Inona no ankasitrahan'i Yaveh?

Mankasitraka an'ireo izay manaja Azy Yaveh, dia izay manantena ny famindrampony.

Psalms 147:12

Amin'inona no nanaovan'i Yaveh ny vahoakan'Israely ho afapo?

Yaveh mahafapo azy ireo amin'ny vary tritrika tsara indrindra.

Psalms 147:15

Ahoana no fomba andefasan'i Yaveh ny didiny ho ety amin'ny tany?

Yaveh mandefa ny didiny ho ety an-tany ary ny didiny mihazakazaka mafy.

Psalms 147:17

Ahoana no hizarazaran'i Yaveh ny havandra?

izara ny havandra toy ny poti-javatra Yaveh.

Psalms 147:19

Tamin'iza no nanambaran'i Yaveh ny teniny sy ny ny didiny sy ireo lalà-mariny?

Nambarany tamin'i Jakoba ny teniny, ny didiny sy ireo lalà-mariny tamin'Israely.

Ho an'ny firenen-kafa inona no nanambaran'i Yaveh ny teniny, sy ireo didy aman-dalàny?

Tsy nambarana tamin'ny firenen-kafa izany.

Psalms 148

Psalms 148:1

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Izay rehetra any an-danitra, ireo any amin'ny avo, ny anjeliny rehetra sy ireo tafiky ny anjeliny no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 148:3

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Ny masoandro, volana, kintana mamiratra, ny avo indrindra amin'ny lanitra ary ny rano izay ambonin'ny habakabaka no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 148:5

Nahoana Yaveh no tokony hoderaina?

Tokony hoderaina Yaveh satria Izy no nanome didy dia niforona izay rehetra izao.

Inona no didy izay tsy hiova mihitsy?

Ny didin'i Yaveh no tsy hiova mihitsy.

Psalms 148:7

Iza no tokony hidera an'Andriamanitra avy amin'ny tany?

Ireo voaharin-dranomasina, izay rehetra ao amin'ny ranomasimbe, afo, havandra, oram-panala, rahona sy rivotra izay mameno ny teniny no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 148:9

Iza ihany koa no tokony hidera an'i Yaveh?

Ireo tendrombohitra, havoana, hazo mamoa sy sedera, bibidia sy ny voafolaka,ireo zava-manan'aina mandady ary ireo voro-manidina no tokony hidera an'i Yaveh.

Psalms 148:13

Nahoana Yaveh no tokony hoderaina?

Satriany anarany irery ihany no asandratra ary ny voninahiny mihitatra manerana ny tany aman-danitra.

Iza ireo mahatokin'i Yaveh?

Ny Israelita sy ny vahoaka manodidina azy no ireo mahatokin'i Yaveh.

Psalms 149

Psalms 149:1

Ahoana no tokony hideran'ny olon-drehetra an'i Yaveh?

Tokony hihira fihiram-baovao ho an'i Yaveh sy hihira ny fiderany ao am-piangonana ny olon-drehetra.

Psalms 149:2

Ao amin'iza Israely no tokony hifaly?

Tokony hifaly ao amin'ilay nanao azy ireo ho firenena, sy ao amin'ny mpanjakany i Israely.

Ahoana no tokony hideran'ny olon-drehetra an'i Yaveh?

Tokony hifaly amin'ny anaran'i Yaveh amin'ny dihy sy hira fiderana Azy amin'ny ampongatapaka sy valiha ny olon-drehetra.

Psalms 149:4

Amin'iza Yaveh no mankamamy?

Amin'ny olony.

Iza no ankalazain'i Yaveh?

Mankalaza ny manetry tena amin'ny famonjena Izy.

Ahoana no tokony hifalian'ny olona masina?

Ny olona masina hifaly amin'ny fandresena sy hihira fifaliana.

Psalms 149:6

Inona no tokony ho eo am-bavan'ny masina?

Ny fiderana an'Andriamanitra no tokony ho eo am-bavan'ny masina.

Inona no tanjon'ny sabatra roa lela eny an-tanan'ny masina?

Ny sabatra eny an-tanan'izy ireo dia mba hanatanterahana valifaty amin'ireo firenena sy hetsika famaizana an'ireo vahoaka.

Psalms 149:8

Inona no hataon'ny masina amin'ireo mpanjaka sy olo-manan-kajan'ny firenen-kafa?

Hamaotra ny mpanjakany amin'ny rojo izy ireo ary ny manan-kaja amin'ny rojovy.

Ho an''iza ny voninahitra rehefa tanteraka ny fitsarana?

Izany dia ho voninahitra ho an'ireo mahatokiny rehetra.

Psalms 150

Psalms 150:1

Aiza ny olon-drehetra no tokony hidera an'Andriamanitra?

Ao amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra sy ny lanitra mahery.

Noho ny inona no tokony hideran'ny rehetra an'Andriamanitra?

Noho ireo asa maherin'Andriamaniatra ary noho ny fahalehibiazany mihoapapana.

Psalms 150:3

Psalms 150:6

Iza no tokony hidera an'i Yaveh?

Ny zava-drehetra manam-pofonaina no tokony hidera an'i Yaveh.