Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

1 Kings 1

1 Kings 1:1

Inona no olana nananan'i Davida mpanjaka nony lasa antitra izy?

Norakofan'izy ireo tamin'ny bodofotsy izy, kanefa tsy nety nahazo hafanana.

1 Kings 1:3

Na dia tsara tarehy aza i Abisaga ka nanompo ny mpanjaka ary nikarakara azy dia inona no tsy nataon'i Davida niaraka taminy?

Ny mpanjaka dia tsy mba nanao firaisana ara-nofo niaraka tamin'i Abisaga.

1 Kings 1:5

Ahoana no nanandratan'i Adonia zanaka lahin'i Hagita ny tenany?

Adonia dia naniry ny ho mpanjaka, ka nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niaraka tamin'ny lehilahy dimampolo mba handeha hialoha lalana azy izy.

Nampanara-dalàna an'i Adonia zanany lahy ve i Davida mpanjaka ary nitsara ny asany?

Tsia, Davida mpanjaka dia tsy mbola nampikorotan-tsaina an'i Adonia tamin'ny filazàna hoe: "Nahoana ianao no nahavita izao sy izao? mihitsy"

1 Kings 1:7

Iza ireo roa lahy nanaraka sy nanampy an'i Adonia?

Joaba sy Abiatara no nanampy an'i Adonia tamin'ny paik'adiny ho tonga mpanjaka.

1 Kings 1:9

Iza no tsy nasain'i Adonia tamin'ny sorony?

Adonia dia tsy nanasa an'i Natana mpaminany, sy Benaia ary ireo lehilahy mahery, na i Solomona rahalahiny.

1 Kings 1:11

Iza no nampitandrina an'i Batseba renin'i Solomona fa i Adonia dia lasa mpanjaka ary tandindomin-doza ny ainy?

Natana ilay Mpaminany no nampitandrina an'i Batseba fa ny ainy sy ny ain'i Solomona zanany lahy dia tandindomin-doza.

1 Kings 1:13

Inona no fanontaniana nasain'i Natana napetrak'i Batseba amin'i Davida mpanjaka?

Natana mpaminany dia niteny tamin'i Batseba mba hanontany an'i Davida raha nampanantena izy fa ho mpanjaka i Solomona, ary nahoana i Adonia no manjaka.

1 Kings 1:15

Inona no fampanantenana nianianan'i Davida mpanjaka tamin'i Batseba?

Davida dia nianiana tamin'i Batseba fa i Solomona no ho mpanjaka aorian'ny hahafatesan'i Davida.

1 Kings 1:18

Inona no nolazain'i Batseba tamin'i Davida fa nataon'i Adonia?

Batseba dia niteny taminy fa i Adonia dia efa lasa mpanjaka, ary tsy fantany izany, ary efa nanao sorona biby maro be izy.

1 Kings 1:20

Inona no nataharon'i Batseba hitranga rehefa maty i Davida?

Izy dia natahotra fa izy sy i Solomona zanany lahy dia ho heverina tahaka ny jiolahy.

1 Kings 1:24

Nahoana Natana mpaminany no tonga nitsidika an'i Davida mpanjaka?

Natana mpaminany dia naniry ny hanome vaovao an'i Davida mpanjaka fa i Adonia dia nanandratra azy ho mpanjaka tsy nisy fahazoan-dalàna avy amin'i Davida.

Inona no fanontaniana napetrak'i Natana mpaminany tamin'i Davida mpanjaka?

Natana dia nanontany azy raha efa nilaza i Davida fa i Adonia dia hanjaka aoriany ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny mpanjaka.

1 Kings 1:28

Inona no fianianana nataon'i Davida mpanjaka tamin'i Batseba?

Davida dia nanao fianianana iray fa i Solomona zanaka lahin'i Batseba no hanjaka handimby azy ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany eo amin'ny toeran'i Davida.

1 Kings 1:32

Inona no nolazain'i Davida mpanjaka tamin'i Zadoka, Natana, ary Benaia ho atao ho an'i Solomona zanany lahy?

Davida mpanjaka dia niteny ireo manam-boninahiny telo haka an'i Solomona ho any Gibeona eo ambonin'ny ampondran'i Davida ary hanosotra azy ho mpanjaka eo amin'Israely.

1 Kings 1:38

Ahoana no navalin'ireo olona rehefa nanosotra an'i Solomona ho mpanjaka i Zadoka?

Ny olona dia nifaly tamin'ny haravoana lehibe sady nanao hoe: "Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka!"

1 Kings 1:49

Inona no nataon'i Adonia rehefa reny ny vaovao fa i Solomona dia efa nataon'i Davida mpanjakan'Israely?

Adonia dia natahotra an'i Solomona, ary niditra tao amin'ny tempolin'Andriamanitra ary nihazona ireo tandroky ny alitara.

1 Kings 1:52

Inona no notenenin''i Solomona mpanjaka tamin'i Adonia hoe hatao rehefa nentin'izy ireo teo anatrehan'i Solomona izy?

Solomona mpanjaka dia niteny tamin'i Adonia mba handeha ho any an-tranony.

1 Kings 2

1 Kings 2:1

Inona no nolazain'i Davida mpanjaka tamin'i Solomona zanany lahy?

Davida dia niteny tamin'ny zanany lahy mba hatahotra sy hanome voninahitra an'Andriamanitra lalandava.

Inona no fampanantenan'i Yaveh tamin'i Davida?

Yaveh dia nampanantena fa i Davida dia tsy hitsahatra ny hanana lehilahy eo amin'ny seza fiandrianan'Israely.

1 Kings 2:5

Inona no nolazain'i Davida mpanjaka tamin'i Solomona mahakasika an'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia?

Davida mpanjaka dia niteny an'i Solomona mba tsy hitondra azy hidina any amin'ny fasana am-piadanana.

1 Kings 2:7

Inona no efa nataon'ny zanaka lahin'i Barzilay ho an'i Davida mpanjaka?

Ny zanaka lahin'i Barzilay dia efa tonga tao amin'i Davida rehefa nandositra avy tany amin'i Absaloma izy.

1 Kings 2:8

Inona no efa nataon'i Simey tamin'i Davida mpanjaka?

Simey dia nanozona tamin'ny herisetra an'i Davida mpanjaka.

Inona no nolazain'i Davida mpanjaka tamin'i Solomona ho atao amin'i Simey?

Davida dia niteny tamin'i Solomona mba tsy hamela an'i Simey handeha am-pahalalahana avy amin'ny famaizana, fa hitondra azy hidina any am-pasana amin'ny rà.

1 Kings 2:10

Hafiriana no nanjakan'i Davida mpanjaka teo amin'Israely?

Davida dia nanjaka nandritra ny efapolo taona.

1 Kings 2:13

Inona no nolazain'i Adonia an'i Batseba rehefa tonga tao aminy izy?

Adonia dia nilaza fa ny Israely rehetra dia nanantena azy ho lasa Mpanjaka.

1 Kings 2:16

Inona no nangatahan'i Adonia tamin'i Batseba?

Adonia dia nangataka taminy mba hiteny amin'i Solomona ny mba hanolorana an'i Abisaga ilay Sonemita mba ho vadiny.

1 Kings 2:19

Nahoana i Batseba no nandeha tany amin'i Solomona?

Batseba dia nandeha tany amin'i Solomona mba hangataka fa i Abisaga dia ho atolotra an'i Adonia ho vadiny.

1 Kings 2:22

Inona no navalin'i Solomona mpanjaka an'i Batseba?

Solomona dia nilaza fa Adonia dia efa niresaka taminy izany fangatahana izany tamin'ny vidin'ny ainy.

1 Kings 2:24

Iza no nalefan'i Solomona mpanjaka hamono an'i Adonia?

Solomona dia nandefa an'i Benaia zanaka lahin'i Joiada hamono azy.

1 Kings 2:26

Inona nolazain'i Solomona mpanjaka ho ataon'i Abiatara mpisorona?

Solomona dia niresaka tamin'i Abiatara mba hiverina any amin'ny sahany ary handroaka azy amin'ny maha-mpisorona azy.

1 Kings 2:28

Nandositra taiza i Joaba rehefa avy tany amin'i Solomona?

Joaba dia nitsoaka tany amin'ny lain'i Yaveh ary naka ireo tandroky ny alitara.

Inona no nanirahan'i Solomona an'i Benaia zanaka lahin'i Joiada?

Solomona dia naniraka azy mba hamono an'i Joaba.

1 Kings 2:30

Inona no nolazain'i Joaba tamin'i Benaia zanaka lahin'i Joiada?

Joaba dia niteny taminy fa izy dia tsy hivoaka ny tempoly ary ho faty eo amin'ny alitara.

Inona no nolazain'i Solomona Mpanjaka an'i Benaia ho atao amin'i Joaba?

Solomona dia niteny an'i Benaia mba hanao araka izay nangatahan'i Joaba.

1 Kings 2:32

Nahoana i Solomona Mpanjaka no namono an'i Joaba?

Solomona dia namono an'i Joaba satria nanafika sy namono an'i Abnera zanaka lahin'i Nera sy Amasa zanaka lahin'i Jetera tsy nisy fahazoan-dalana avy tamin'i Davida Mpanjaka i Joaba.

1 Kings 2:34

Inona no nataon'i Solomona Mpanjaka mba ho valisoan'i Benaia zanaka lahin'i Joiada?

Solomona dia nanao azy ho mpisahana ny miaramila.

1 Kings 2:36

Taiza i Simey no navelan' i Solomona mpanjaka hitoetra?

Solomona dia niteny tamin'i Simey fa izy dia afaka mitoetra ao Jerosalema.

Inona no fandraràna nataon'i Solomona Mpanjaka an'i Simey rehefa namela azy hitoertra any Jerosalema izy?

Solomona dia niteny tamin'i Simey fa rehefa miala avy ao Jerosalema handeha ho any amin'ny toeran-kafa izy, dia ho faty.

1 Kings 2:39

Nahoana i Simey no nanisy lasely ny borikiny ka niala avy tao Jerosalema mba handeha ho any Gata?

Simey dia nandeha tany Gata mba hitondra ny roa tamin'ireo mpanompony izay nandositra azy hiverina.

1 Kings 2:43

Inona no nolazain'i Solomona Mpanjaka fa efa vitan'i Simey tamin'i Yaveh?

Solomona dia niteny tamin'i Simey fa izy dia tsy nitàna ny fianianany tamin'i Yaveh, ary Yaveh dia hamerina aminy eo an-dohany ny haratsiam-panahiny.

1 Kings 2:45

Inona no nataon'i Solomona Mpanjaka rehefa avy nolazaina taminy fa i Simey dia efa niala an'i Jerosalema?

Solomona dia niteny tamin'i Benaia zanaka lahin'i Joiada mba hamono an'i Simey.

1 Kings 3

1 Kings 3:1

Ahoana no nihavanan'i Solomona tamin'i Farao mpanjakan'ny Egypta?

Solomona nanao dina tamin'i Farao mpanjakan'ny Egypta tamin'ny alalan'ny fanambadiana ny zanany vavy.

Inona no nataon'i Solomona mpanjaka izay tsy araka ny lalàn'i Yaveh?

Solomona dia nanao sorona ary nandoro zava-manitra tao amin'ireo toerana masina.

1 Kings 3:4

Taiza no nisy ilay toerana masina lehibe?

Ilay toerana masina lehibe dia tany Gibeona.

Ahoana no nisehoan'i Yaveh tamin'i Solomona mpanjaka?

Yaveh dia niseho tamin'ny nofy tamin'i Solomona ny alina.

1 Kings 3:7

Inona no nangatahan'i Solomona an'i Yaveh?

Solomona dia nangataka an'i Yaveh mba hanome azy fahazavam-po hitsaràna ny olona.

1 Kings 3:10

Tsy nampaninona an'i Tompo ve ny fanontanian'i Solomona?

Eny, ny fanontanian'i Solomona dia tsy nampaninona an'i Tompo.

Inona no nomen'Andriamanitra an'i Solomona?

Andriamanitra dia nanome fahendrena sy fahazavam-po an'i Solomona amin'izay mba tsy hisy olon-kafa ho tia azy.

1 Kings 3:13

Andriamanitra ve dia hanome zavatra izay tsy nangatahan'i Solomona?

Eny, Andriamanitra dia nanome ireo harena sy voninahitra mitambatra an'i Solomona.

Inona no hilain'i Solomona mpanjaka ho atao mba hahatonga an'Andriamanitra hanalava ny androny?

Andriamanitra nilaza fa i Izy dia hanalava ny andron'i Solomona raha manaraka ny lalàn'Andriamanitra sy ny didiny toy ny nataon'i Davida mpanjaka i Solomona.

1 Kings 3:15

Inona no nataon'i Solomona taorian'ny nifohazany tamin'ny torimaso?

Solomona dia nankany Jerosalema ary nanolotra fanatitra dorana sy fanatim-pihavanana no sady nanao fanasana ho an'ireo mpanompony.

1 Kings 3:16

Iza no tonga sy nitsangana teo anoloan'i Solomona mpanjaka?

Vehivavy roa izay mpivaro-tena no tonga sy nitsangana teo anoloan'i Solomona.

1 Kings 3:18

Inona no nataon'ilay vehivavy iray izay niteny tamin'i Solomona mpanjaka?

Ilay vehivavy iray dia niteny fa ilay vehivavy iray dia naka ilay zanany velona teo aminy ary nametraka ny fatin'ny zanan'ilay vehivavy iray teo an-tratrany rehefa natory izy.

1 Kings 3:23

Inona no baiko nomen'i Solomona mpanjaka an'ireo mpanompony?

Solomona dia nilaza ny hitondra sabatra ary hizara ireo zaza roa velona ka hanome ny antsasak'izany amin'ireo vehivavy roa.

1 Kings 3:26

Inona no nolazain'ilay vehivavy voalohany tamin'i Solomona mpanjaka?

Ilay vehivavy voalohany dia nilaza ny hanomezana ilay zaza velona amin'ilay vehivavy faha roa ka tsy hamono azy.

Inona no nolazain'i Solomona mpanjaka ho atao amin'ilay zaza velona?

Solomona dia nilaza ny hanome ilay zaza velona amin'ilay vehivavy voalohany ka tsy midika hoe hamono azy.

Inona no nataon'ny Israely rehetra rehefa ren'izy ireo ny fitsaràna izay nomen'ny mpanjaka?

Ny Israely rehetra dia natahotra ny mpanjaka satria itan'izy ireo ny fahendrena izay nomen'Andriamanitra azy amin'ny fanomezana fitsaràna.

1 Kings 4

1 Kings 4:1

Efa teo amin'ny Israely ve i Solomona mpanjaka?

Eny, Solomona mpanjaka dia efa teo amin'ny Israely rehetra.

1 Kings 4:5

Nanana manam-pahefana sy manam-boninahitra ve i Solomona mpanjaka?

Solomona mpanjaka dia nanana lehilahy maro izay manam-pahefana sy manam-boninahitra.

1 Kings 4:7

Hafiriana ireo manam-boninahin'i Solomona tsirairay no niantoka ny ankohonany?

Ny manam-pahefana tsirairay dia nanana ny tahirin-tsakafo mandritra ny iray volana ao anatin'ny taona

1 Kings 4:20

Ahoana no isan'i Joda sy Israely?

Joda sy Israely dia maro toy ny isan'ny fasika amoron-dranomasina.

Hatraiza no nanjakan'i Solomona?

Solomona dia nanjaka nanerana ny fanjakana avy eny amin'ny Renirano ka hatreny amin'ny tanin'ny Filistina mankany amin'ny sisin-tanin'ny Egypta.

Inona no tahirin-tsakafon'i Solomona mandritry ny iray andro?

Ny tahirin-tsakafon'i Solomona mandritra ny iray andro dia koba, hena, omby, ondry, serfa, gazela, kapreola, ary vorona nohatavezina.

1 Kings 4:24

Nanao ahoana no nitoeran'i Joda sy Israely nandritra ny andron'i Solmona rehetra?

Joda sy Israely, ny olona rehetra teo ambanin'ny voalobony sy ny hazo namontan dia nitoetra am-pilaminana tamin'ny andron'i Solomona rehetra.

1 Kings 4:26

Firy ny tranon-tsoavaly nanan'i Solomona ho an'ireo kalesiny?

Solomona dia nanana tranon-tsoavaly efapolo alina ho an'ireo kalesiny.

Inona no nentina ho an'ireo soavalin'i Solomona?

Vary hordea sy mololo no nentina ho an'ireo kalesin-tsoavaly sy ireo mpitaingin-tsoavaly.

1 Kings 4:29

Inona no nomen'Andriamanitra an'i Solomona?

Andriamanitra dia nanome fahendrena lehibe sy fahazavain-tsaina tahaka ny fasika eny an-dranomasina an'i Solomona.

Hatraiza ny lazan'i Solomona no hita?

Ny lazan'i Solomona dia hita nanodidina ny firenena rehetra.

1 Kings 4:32

Firy ny ohabolana sy hira nanan'i Solomona?

Nanana hira telo arivo izy ary dimy amby arivo ny ohabolana.

Hatraiza ny olona no tonga nandre ny fahendren'i Solomona?

Ny olona dia tonga avy amin'ny firenena rehetra mba handre ny fahendren'i Solomona.

1 Kings 5

1 Kings 5:1

Iza no nandefa ireo mpanompo tamin'i Solomona?

Hirama mpanjakan'i Tyro no nandefa ireo mpanompo tany amin'i Solomona.

Nahoana i Davida no tsy afaka nanangana trano amin'ny anaran'i Yaveh?

Davida dia tsy afaka nanangnana trano tamin'ny anaran'i Yaveh noho ny ady.

1 Kings 5:4

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Davida?

Hoy i Yaveh tamin'i Davida hoe: "ny zanakao izay napetrako teo amin'ny seza fiandrianana dia hanangana tempoly ho amin'ny anarako."

1 Kings 5:6

Inona no nangatahan'i Solomona tamin'i Hirama ho atao?

Solomona dia nangataka an'i Hirama mba hibaiko ireo mpanompony hanapaka ireo sedara avy any Libanona ho azy.

1 Kings 5:7

Inona no nataon'i Hirama raha vao nahare ny tenin'i Solomona izy?

Hirama dia faly be ary niteny hoe: "Hoderaina anie Yaveh anio."

Nataon'i Hirama e izay nasain'i Solomona ho ataony?

Eny, nandefa teny Hirama nanao hoe: "Ho ataoko avokoa ny hirianao rehetra momba ireo hazo sedara sy kypreso."

1 Kings 5:9

Inona no ho ataon'ireo mpanompon'i Hirama amin'ireo hazo?

Ireo mpanompon'i Hirama dia hitondra ireo hazo midina avy any Libanaona mankany amin'ny ranomasina izay nofehezin'izy ireo tanaty vatan-kazo.

Inona no nirian'i Hirama?

Hirama dia naniry izay hanomezan'i Solomona sakafo ho an'ny ankohonany.

1 Kings 5:10

Inona no sakafo nomen'i Solomona an'i Hirama?

Nomen'i Solomona varimbazaha roa alina kora sy diloilo tsy mitapoka roapolo kora isan-taona i Hirama.

Nisy fihavanana ve teo amin'i Hirama sy Solomona?

Eny, nisy fihavanana teo amin'i Hirama sy Solomona ary nanao fanekena izy roa tonta.

1 Kings 5:13

Firy ny mpiasa an-terovozona nanan'i Solomona ivelan'ny Israely?

Solomona dia nanana mpiasa an-terovozona telo alina ivelan'ny Israely.

Iza no napetrak'i Solomona teo amin'ireo mpiasa an-terovozona rehetra?

Adonirama no napetrak'i Solomona teo amin'ireo mpiasa an-terovozona rehetra.

1 Kings 5:15

Nanana lehilahy izay nanaramaso ny mpiasa rehetra ve i Solomona?

Eny, Solomona dia nanana 3.300 lehiben'ny manam-pahefana teo amin'ny asa ary nanaramaso ireo mpiasa.

1 Kings 5:17

Inona narafitr'ireo mpiasa tamin'ny fanorenanana ny tranon'i Yaveh?

Nandrafitra vato lahibe ireo mpiasa ho an'ny fanorenana ny tranon'i Yaveh.

1 Kings 6

1 Kings 6:1

Oviana i Solomona no nanomboka nanamboatra ny tempolin'i Yaveh?

Nanomboka nanangana ny tempolin'i Yaveh i Solomona tamin'ny faha 480 taona taorian'ny nialan'ny zanak'Israely tamin'ny tany Egypta.

Inona avy ireo lafinin'ny Tempoly izay naorin'i Solmona ho an'i Yaveh?

Ny tempoly izay naorin'i Solomona dia enimpolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony.

1 Kings 6:3

Nanamboatra varavaran-kely ho an'ilay trano ve i Solomona?

Eny, Solomona dia nanao firafitry ny varavaran-kely ho an'ny trano.

1 Kings 6:7

Taiza ireo vato ho an'ny trano no nomanina?

Ireo vato ho an'ny trano dia nomanina tao am-pandrafetana.

1 Kings 6:9

Inona no nampiasain'i Solomona nandrakofana ny trano?

Norakofan'i Solomona andry sy hazo sedera fisaka ilay trano.

Ahoana ny andanin'ireo efitra nampifandray ny trano?

Ireo andanin'ny efitra dia nampifandraisina tamin'ny trano tamin'ny hazo sedara.

1 Kings 6:11

Yaveh ve efa nampanantena hitoetra eo amin'ny vahoakan'Israely?

Eny, Yaveh dia efa nampanantena ny hitoetra eo amin'ny vahoakan'Israely ary tsy handao azy ireo.

1 Kings 6:14

Inonan no nampiasain'i Solomona nanamboarana ny tao anatin'ny rindrin'ny trano?

Hazo sedara no nampiasain'i Solomona nanamboarana ny tao anatin'ny rindrin'ny trano.

1 Kings 6:16

Ahoana no halavan'ny efitra lehiben'ny trano?

Ny efitra lehiben'ny trano dia mirefy efapolo hakiho ny halavany.

1 Kings 6:19

Nahoana no nanomana ilay toerana masina indrindra tao amin'ny efitrano i Solomona?

Solomona dia nanomana ilay toerana masina indrindra tao anatin'ny trano mba hametrahana ny fiaran'ny faneken'i Yaveh any.

1 Kings 6:21

Inona no nampiasain'i Solomona namenoina ny tao anatin'ny tempoly sy ny alitara ilay toerana masina indrindra?

Nofenoin'i Solomona tamin'ny volamena ny tao anatin'ny tempoly sy ny alitara manontolo ilay toerana masina indrindra.

1 Kings 6:23

Ahoana no hahavon'ny kerobima izay nataon'i Solomona ho an'ilay toerana masina indrindra?

Folo hakiho ny hahavon'ireo kerobima roa nataon'i Solomona ho an'ny toerana masina indrindra.

1 Kings 6:27

Taiza i Solomona no nametraka ny kerobima izay nataony?

Napetrak'i Solomona teo afovoan'ny trano ny kerobima.

1 Kings 6:29

Inona no nandravahan'i Solomona rindrin'ny trano?

Noravahany tamin'ireo sarin'ny kerobima, hazon-drofia, ary voninkazo mamelana ireo rindrin'ny trano.

1 Kings 6:31

Nanamboatra varavarana ho amin'ny fidiran'ny toerana masina ve i Solomona?

Eny, nanao varavarana tamin'ny hazo oliva ho amin'ny fidiran'ny toerana masina i Solomona.

1 Kings 6:37

Hafiriana i Solomona no nanamboatra ny tempoly?

Nandany fito taona i Solomona nanamboatra ny tempoly.

1 Kings 7

1 Kings 7:1

Hafiraiana i Solomona no nanamboatra ny lapany?

Telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany.

Inona no ala nampiasain'i Solomona nanamboarany ny lapany?

Solomona dia nanamboatra ny lapany avy amin'ny alan'ny Libanaona.

1 Kings 7:6

Ahoana ny hangezan'ny andrin-dapan'i Solomona?

Ny andrin-dapan'i Solomona dia mirefy dimampolo hakiho ny halavany ary telopolo hakiho ny sakany.

1 Kings 7:7

Inona no nandrakofana ny rindrin'ny fitsaràn'i Solomona?

Ny rindrin'ny fitsaràn'i Solomona dia norakofana tamin'ny sedara isaky ny rihana.

1 Kings 7:8

Inona no namboarin'i Solomona ho an'ny vadiny, ilay zanaka vavin'i Farao?

Solomona dia nanamboatra trano mitovy amin'ny azy ho an'ny zanaka vavin'i Farao, ilay vadiny.

1 Kings 7:9

Manao ahoana ny haben'ny vato fototry ny fanamboarana?

Ilay vato fototra nampiasaina ho an'ny fananganana dia valo sy folo hakiho ny habeny.

1 Kings 7:11

Firy ny isan'ny andalana vato voatapaka nanaovana ny kianja nanodidina ny lapa?

Ilay kinaja lehibe nanodidina ny lapa dia nisy andalana vato voatapaka telo .

1 Kings 7:13

Iza no tonga niasa tamin'ny varahina ho an'i Solomona mpanjaka?

Hirama no tonga avy any Tyro niaraka tamin'ny varahina hiasa ho an'i Solomona mpanjaka.

1 Kings 7:15

Andry varahina firy no nataon'i Hirama?

Hirama dia nanao andry varahina roa.

1 Kings 7:20

Inona no tafiditra teo an-tapon'ilay andry?

Nisy apongaben-danitra roan-jato tao amin'ny andalana teo an-tapon'ireo andry.

1 Kings 7:25

Omby firy no teo an-dranomasina?

Nisy omby roa ambin'ny folo niaraka tamin'ny telo nanatrika ny avaratra, sy atsimo, ary atsianana sy andrefana.

1 Kings 7:27

Ahoana ny hahavo'ny tongotra varahina folo izay nataon'i Hirama?

Ny hahavon'ny tongotra folo tsirairay dia telo hakiho.

1 Kings 7:32

Vita amin'inona ireo kodia ambany takelaka?

Ireo kodia tao ambanin'ny takelaka dia vita tamin'ny vy avokoa.

1 Kings 7:38

Hoatrinona ny rano notahirizina isakin'ny kovetan'i Hirama?

Ny kovetan'i Hirama dia nitahiry rano efapolo bata amin'ny kovetan-drano.

1 Kings 7:40

Nahavita ny asa tao amin'ny tempolin'i Yaveh ve Hirama?

Eny, Hirama dia nahavita ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka tao amin'ny tempolin'i Yaveh

1 Kings 7:42

Apongaben-danitra firy no nataon'i Hirama ho an'ny haingon'arato?

Hirama dia nanao apongaben-danitra efa-jato ho an'ny haingon'arato.

1 Kings 7:48

Inona no nampiasain'i Solomona nanaovana ireo fanaka rehetra tao amin'ny tempolin'i Yaveh?

Solomonao dia nampiasa volomena nanaovana ireo fanaka rehetra tao amin'ny tempolin'i Yaveh.

1 Kings 7:51

Inona no nataon'i Solomona tao amin'ny efitra fitahirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh?

Napetrak'i Solomona tao amin'ny efitra fitahirizana ireo volafotsy, volamena, sy ireo fanaka rehetra izay natokan'i Davida, rainy.

1 Kings 8

1 Kings 8:1

Nahoana i Solomona no nanangona ireo mpitarik'i Israely teo anatrehany?

Solomona dia nanangona ireo mpitarik'i Israely hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh hiakatra avy any amin'ny tanànan'i Davida.

Iza no navondrona teo anatrehan'i Solomona mpanjaka tao amin'ny lanonana?

Ny lehilahin'Israely rehetra dia navondrona teo anatrehan'i Solomona mpanjaka tao amin'ny lanonana.

1 Kings 8:3

Iza no nampiakatra ny fiara?

Ireo mpisorona no nampiakatra ny fiara.

Inona no sorona natao teo anoloan'ny fiara?

Solomona mpanjaka dia nanao sorona ondry sy omby izay tsy tambo isaina teo anoloan'ny fiara.

1 Kings 8:6

Taiza no nitondran'ireo mpisorona ny fiaran'ny faneken'i Yaveh?

Nentin'ireo mpisorona tao amin'ny toerana masina indrindra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh.

1 Kings 8:9

Inona no nameno ny tranon'i Yaveh?

Ny voninahitr'i Yaveh no nameno ny tranony.

1 Kings 8:14

Inona no nataon'ny mpanjaka ho an'ireo vondron'Israely?

Nitso-drano ny vondron'Israely rehetra ny mpanjaka raha mbola nitsangana izy ireo.

1 Kings 8:17

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Davida?

Yaveh dia nilaza tamin'i Davida fa ny zanany lahy dia hanorina trano ho amin'ny anarany.

1 Kings 8:22

Inona no nataon'i Solomona teo anoloan'i alitaran'i Yaveh?

Solomona dia nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh ary namelatra ny tanany.

1 Kings 8:25

Inona no nivavahan'i Solomona sy nangatahany tamin'i Yaveh?

Solomona dia nivavaka mba ho tanteraka ny fampanantenan'i Yaveh nataony tamin'i Davida.

1 Kings 8:29

Inona no nivavahan'i Solomona ho ataon'i Yaveh?

Solomona dia nivavaka fa Yaveh dia hanokatra ny masony eo amin'ny tempoly andro aman'alina.

Aiza no hahenoan'i Yaveh izany raha vao nivavaka taminy ny Israely?

Yaveh dia haheno izany avy eny an-danidtra, eo amin'ny toerana izay hitoerany.

1 Kings 8:31

Inonan no nangatahan'i Solomona tamin'i Yaveh ho atao amin'ny olon'ny fahamarinana?

Solomona dia nangataka fa ny fahamarinana dia hanambara tsy fananan-tsiny ary namaly soa nifanaraka tamin'ny fahamarinany.

1 Kings 8:33

Oviana Israely no resin'ny fahavalo?

Israely dia resin'ny fahavalo rehefa nanota tamin'i Yaveh.

1 Kings 8:35

Nahoana no mihidy ny lanitra ka tsy misy orana?

Mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota tamin'i Yaveh ny vahoaka.

1 Kings 8:39

Nahoana i Solomona no nangataka tamin'i Yaveh hiaino avy eny an-danitra ka hamela ny fahotan'ny olona?

Solomona dia nangataka tamin'i Yaveh mba hamela heloka ny vahoaka mba hatahoran'izy ireo Azy amin'ny andro rehetra hiainan'izy ireo eto an-tany.

1 Kings 8:41

Nahoana ireo vahiny no tonga avy amin'ny firenen-davitra?

Ny vahiny dia avy any amin'ny firenen-davitra noho ny anaran'i Yaveh.

Nahoana i Solomona no nangataka an'i Yaveh hanao izay rehetra nangatahan'ny vahiny taminy ho atao?

Solomona dia nangataka an'i Yaveh hanao izay rehetra nangatahan'ny vahiny taminy ho atao mba hafan'ny vondron'olona rehetra mahalala ny anarany ka hatahotra Azy.

1 Kings 8:46

Nahoana ny fahavalo no nitarika ny Israely ho babo amin'ny tanin'izy ireo?

Ny fahavalo iray dia hitarika ny Israely ho babo satria Yaveh dia tezitra tamin'Israely ary namikitra azy ireo ho eo amin'ny fahavalony.

Inona no nolazain'ireo Israelita tao amin'ny tanin'ireo fahavalony?

Ireo Israelita dia hilaza hoe: "efa nitondra tena ratsy ary nanota. Ratsy fitondran-tena izahay"

1 Kings 8:48

Inona no ho ataon'ireo Israelita ao amin'ny tanin'ireo fahavalony?

Ireo Israelita dia hiverina amin'i Yaveh amin'ny fony sy ny fanahiny manontolo ary hivavaka manoloana azy.

1 Kings 8:49

Inona no nangatahan'i Solomona an'i Yaveh ho atao rehefa nivavaka taminy ny olony?

Solomona dia nangataka an'i Yaveh hamindra fo ny olony ary hanana fangoraham-po eo amin'izy ireo.

1 Kings 8:51

Avy aiza no nanavotan'i Yaveh ny olony?

Yaveh dia nanavotra ny olony nivoaka ny Egypta toy ny nivoahana tao amin'ny lafaoro lehibe iray.

Inona no nangatahan'i Solomona an'i Yaveh ho atao rehefa nitalaho taminy ny olony?

Solomona dia nangataka an'i Yaveh hanokatra ny masony amin'ny fangatahan'izy ireo ary hiaino azy ireo.

Nahoana i Yaveh no nampisaraka ny olony avy amin'ireo vahoakan'ny tany rehetra?

Yaveh dia nampisaraka ny olony avy amin'ireo vahoakan'ny tany rehetra mba ho Azy ary handray ny fampanantenany.

1 Kings 8:54

Inona no nataon'i Solomona taorian'ny nahavitany ny vavakany sy ny fangatahany rehetra tamin'i Yaveh?

Taorian'ny nahavitany ny vavakany, dia nitsangana i Solomona ary nitso-drano ny vondron'Israely rehetra tamin'ny feo mafy.

1 Kings 8:59

Inona no tian'i Solomona ho fantan'ny olon'ny tany rehetra?

Solomona dia naniry ny olon'ny tany hafantatra fa Yaveh no Andrimanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa.

Inona no nolazain'i Solomona ho ataon'ny olon'i Yaveh?

Solomona dia niteny azy ireo hihazona ny fony marina amin'i Yaveh ary hanaraka ny didy aman-dalàny.

1 Kings 8:62

Iza no nanolotra sorona tamin'i Yaveh?

Ny mpanjaka sy ny Israely rehetra niaraka taminy no nanolotra sorona ho an'i Yaveh.

Omby sy osy firy no sorona natolotr'i Solomona?

Solomona dia nanolotra omby 22.000 ary ondry 120.000 tamin'i Yaveh.

1 Kings 8:64

Nahoana ny mpanjaka no nanamasina ny kianja izay teo anoloan'ny tempolin'i Yaveh?

Ny mpanjaka dia nanamasina ny kianja satria ny alitara varahina teo anatrehan'i Yaveh no kely indrindra amin'ny fanatitra rehetra.

1 Kings 8:65

Oviana ny mpanjaka no nandefa ny olona niverina tany an-tranony?

Tamin'ny andro faha valo, no nandefasan'ny mpanjaka ny olona niverina tany an-tranony.

1 Kings 9

1 Kings 9:1

Taorian'ny nahavitan'i Solomona ny fananganana ny tranon'i Yaveh, dia inona no nataon'i Yaveh?

Rehefa nahavita ny tranon'i Yaveh i Solomona, dia niseho tamin'i Solomona fanindroany Izy.

1 Kings 9:3

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Solomona?

Yaveh dia nilaza tamin' i Solomona hoe: "Efa reko yn vavakao sy ny fangatahana nataonao teo anatrehako."

1 Kings 9:4

Inona no nirian'i Yaveh ho ankatoavin'i Solomona?

Yaveh dia naniry an'i Solomona hankatò ireo didy aman-dalàna rehetra izay efa nandidiany azy.

Inona no nampanantenain'i Yaveh tamin'i Davida, rain'i Solomona?

Yaveh dia nampanantena ny hametraka ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Davida eo amin'ny Israely mandrakizay.

1 Kings 9:6

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Solomona ho ataony raha tsy mitandrina ny didiny izy?

Yaveh niteny an'i Solomona fa Izy dia hanala an'Israely amin'ny tany izay efa nomeny azy ireo.

1 Kings 9:8

Inona no hanontanian'ny olona raha vao mandalo ny tempolin'i Yaveh izy ireo?

Ny olona dia hanontany hoe: "Nahoana i Yaveh no efa nahavita izao tamin'ity tany sy trano ity ?"

Nahoana i Yaveh no hitondra loza eo amin'izy ireo?

Yaveh dia hitondra loza eo amin'izy ireo satria nikomy hanohitra ny Andriamaniny izy ireo ary nanompo ireo andriamanin-kafa.

1 Kings 9:10

Inona no nitranga tamin'ny fiafaran'ny roapolo taona?

Tamin'ny faran'ny faha roapolo taona, dia nahavita ny fananganana ny tempolin'i Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka i Solomona.

Tamin'inona i Hirama mpanjakan'ny Tyro no namatsy an'i Solomona?

Hirama mpanjakan'ny Tyro dia namatsy an'i Solomona tamin'i hazo sedara, sy hazo kypreso, ary volamena.

1 Kings 9:12

Inona no nahatongavan'i Hirama hijery avy any Tyro?

Hirama dia tonga avy any Tyro mba hijery ireo tanàna izay efa nomen'i Solomona azy.

Inona no niantsoan'i Hirama ireo tanàna izay nomen'i Solomona azy?

Nantsoin'i Hirama hoe Tany Kobola ireo tanàna izay midika hoe zava-poana.

Hoatrinona ny volamena izay nalefan'i Hirama tany amin'i Solomona mpanjaka?

Hirama dia nandefa talenta volamena 120 tamin'i mpanjaka.

1 Kings 9:15

Inona no nananan'i Solomona nitsangana tany Hazora, Megido, ary Gezera?

Solomona dia nanana fiarovana nitsangana tany Hazora, Megido, ary Gezera.

Inona no nataon'i Farao mpanjaka tany Gezera?

Farao mpanjaka dia naka an'i Gezera ary nandoro izany, ary ihany koa namono ireo Kananita tao an-tanàna.

1 Kings 9:17

Inona no nataon'i Solomona tany Gezera sy Beti-horona?

Solomona dia nanangana an'i Gezera sy Beti-horona indray.

1 Kings 9:20

Inona no nataon'i Solomona niaraka tamin'ireo olon'ny tany izay tsy tany Israely?

Ireo olon'ny tany izay tsy tany Israely dia nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona.

1 Kings 9:22

Inona no nataon'i Solomona niaraka tamin'ireo vahoakan'Israely?

Solomona dia nanao ireo vahoakan'Israely ho lasa miaramila, mpanompo, manam-pahefana ary mpandidy.

1 Kings 9:23

Firy ny lehiben'ny manam-pahefana nananan'i Solomona?

Solomona dia nanana manam-pahefa lehibe 550 teo amin'ireo mpanara-maso.

1 Kings 9:25

Inona no natolotr'i Solomona in-telo isan-taona?

Solomona dia nanolotra fanatitra dorana sy fanatim-pihavanana teo amin'ny alitaran'i Yaveh in-telo isan-taona.

1 Kings 9:26

Inona no nataon'i Solomona tany Eziona-gebera?

Nanamboatra andian-tsambo tao Ezion-gebera i Solomona.

Nahoana i Solomona no nandefa mpanompo tany amin'ny Ofira.

Solomona dia nandefa mpanompo tany amin'i Ofira mba hitondra volamena miverina.

1 Kings 10

1 Kings 10:1

Nahoana ny mpanjaka vavin'i Seba no tonga tany amin'i Solomona?

Ny mpanjaka vavin'i Seba dia tonga tany amin'i Solomona hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra.

Inona no nentin'ny mpanjaka vavin'i Seba tany Jerosalema?

Ny mpanjaka vavin'i Seba dia nitondra zava-manitra, volamena, ary vato sarobidy tany Jerosalema niaraka taminy.

1 Kings 10:3

Firy ny fanontanian'ny mpanjaka vavy novalian'i Solomona?

Solomona dia namaly ireo fanontanian'ny mpanjaka vavin'i Seba rehetra.

Ahoana ny fihetsikin'ny mpanjaka vavin'i Seba rehefa nahita ny fahendren'i Solomona rehetra izy?

Rehefa hitan'ny mpanjaka vavin'i Seba ny fahendren'i Solomona rehetra dia tsy nahitana fanahy intsony tao aminy.

1 Kings 10:6

Inona no nolazain'ny mpanjaka vavin'i Seba tamin'i Solomona?

Ny mpanjaka vavin'i Seba dia nilaza tamin'i Solomona hoe: "Efa noharanao ny laza izay efa nandrenesako ny mahakasika anao."

1 Kings 10:8

Nahoana ny mpanjaka vavin'i Seba no nilaza fa ny mpanompon'i Solomona dia sambatra?

Ny mpanjaka vavin'i Seba dia nilaza fa ny mpanompon'i Solomona dia sambatra satria ren'izy ireo ny fahendreny.

Ahoana ny fomba nanehoan'i Yaveh ny fitiavany tamin'ny Israely?

Yaveh dia naneho ny fitiavany tamin'ny Israely tamin'ny fanaovana an'i Solomona mpanjaka.

1 Kings 10:10

Inona no nomen'ny mpanjaka vavin'i Seba an'i Solomona?

Ny mpanjaka vavin'i Seba dia nanome talenta volamena 120, sy zava-manitra, ary vato sarobidy.

1 Kings 10:11

Inona no nentin'ireo andian-tsambon'i Hirama avy any Ofira?

Ny andian-tsambon'i Hirama dia nitondra volamena avy any Ofira.

Inona no nataon'ny mpanjaka tamin'ny tempolin'i Yaveh?

Ny mpanjaka dia nanao andry hazo almoga ho an'ny tempolin'i Yaveh.

1 Kings 10:13

Inona no nomen'i Solomona mpanjaka an'ny mpanjaka vavin'i Seba?

Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjaka vavin'i Seba izay rehetra nangatahany.

1 Kings 10:14

Firy ny lanjan'ny volmena izay tonga teo amin'i Solomona mpanjaka tao anatin'ny herintaona?

Ny lanjan'ny volamena izay tonga teo amin'i Solomona mpanjaka tao anatin'ny herintaona dia 666 talenta.

Iza no nitondra volmena sy volafotsy tany amin'i Solomona?

Ireo mpanjakan'ny Arabia sy ireo governora tao amin'i firenena no nitondra volamena sy volafotsy tany amin'i Solomona.

1 Kings 10:16

Firy ny apinga lehibe vita amin'ny volamena voatefy namboarin'i Solomona mpanjaka?

Solomona mpanjaka dia nanao ampinga lehibe roanjato vita tamin'ny volamena voatefy.

Taiza no nametrahan'i Solomona mpanjaka ny apinga telonjato vita tamin'ny volamena voatefy.

Solomona mpanjaka dia nametraka apinga telonjato vita tamin'ny volamena voatefy tao amin'ny lapa tany amin'ny alan'ny Libanaona.

1 Kings 10:18

Inona no namboarin'ny mpanjaka tamin'ny ivelan'ny ivory sy ny volamena manify indrindra?

Ny mpanjaka dia nanamboatra seza fiandrianana lehibe tamin'ny ivory sy volamena farak'izay manify.

Inona no natsangana eo amin'ny sisin'ny fametrahan-tanan'ny seza fiandrianana izay namboarin'ny mpanjaka?

Liona roa no natsangana teo amin'ny sisin'ny fametrahan-tanan'ny seza fiandrianana izay namboarin'ny mpanjaka.

Inona no nitsangana teo amin'ny sisin'ny antanan-tohatra enina teo amin'ny seza fiandrianana?

Liona roa ambin'ny folo no nitsangana teo amin'ireo antanan-tohatra enina teo amin'ny seza fiandrianana.

1 Kings 10:21

Vita amin'inona ny kaopy fisotron'ny mpanjaka ao amin'ny lapan'ny alan'ny Libanaona?

Ny kaopy fisotroana tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona dia vita tamin'ny volamena tsy misy fangarony.

Inona no nentin'ireo andian-tsambo isqky ny telo taona?

Isaky ny telo taona ireo andian-tsambon'ny mpanjaka dia nitondra volamena, volafotsy, ivory, ary rajako sy gidro.

1 Kings 10:23

Nahoana ny tany rehetra n nitady an'i Solomona?

Ny tany rehetra dia nitady an'i Solomona handre ny fahendrena nataon'Andriamanitra tao am-pony.

Inona ny fanomezana nentin'ireo mpamangy taminy?

Ireo izay nanmangy dia nitondra fanomezana toy volamena, volafotsy, akanjo, sy akanjo fiarovana, ary zava-manitra.

1 Kings 10:26

Taiza no najanon'i Solomona ireo kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny?

Solomona dia nanajanona ireo kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny tao amin'ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy tany Jerosalema.

Inona no nataon'ny mpanjaka tamin'ny hazo sedara?

Ny mpanjaka dia nanao ny hazo sedara ho lasa toy ny hazo namontana sy aviavy maro be teny amin'ny tany lemaka.

1 Kings 10:28

Avy taiza no nitondran'i Solomona ireo mpitaingin-tsoavaliny?

Ireo mpitaingin-tsoavalin'i Solomona dia nentina avy any Egypta sy Silisia.

Hoatrinona avy ny vidin'ireo kalesin'i Solomona?

Ny vidin'ireo kalesy dia sekely volafotsy eninjato isakin'ny volafotsy.

1 Kings 11

1 Kings 11:1

Iza no notiavin'i Solomona mpanjaka?

Solomona Mpanjaka dia nitia vehivavy vahiny maro.

Inona no nandidian'i Yaveh ny momba ny fanambadiana ireo vehivavy avy amin'ny firenena vahiny?

Yaveh dia nandidy an'Israely tsy hanambady ireo vehivavy avy amin'ny firenen-kafa.

1 Kings 11:3

Inona no nataon'ireo vadin'i Solomona tamin'ny fony?

Nampitodika ny fony ireo vadin'i Solomona.

Manao ahoana ny fon'i Davida mihoatra ny an'i Yaveh?

Ny fon'i Davida dia tsy tena niraikim-po tanteraka tamin'i Yaveh Andriamaniny.

1 Kings 11:5

Inona no narahan'i Solomona?

Solomona dia nanaraka an'i Astarta ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana sy Milkoma ilay Amonita.

Inona no nataon'i Solomona teo imason'i Yaveh?

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Solomona.

1 Kings 11:7

Inona no natsangan'i Solomona ho an'i Kemosy?

Nanangana toerana masina ho an'i Kemosy i Solomona, ilay sampin'i Moaba.

Inona no nataon'i Solomona tao amin'ny toerana masin'ireo vadiny vahiny.

Solomona dia nanao fanatitra dorana sy nanao sorona ho an'ireo andriamanitr'izy ireo tao amin'ireo toerana masina.

1 Kings 11:9

Impiry i Yaveh no niseho taminy?

Niseho indroa tamin'i Solomona i Yaveh.

Inona no nandidian'i Yaveh an'i Solomona?

Yaveh dia nandidy azy tsy hanaraka ireo andriamani-kafa.

1 Kings 11:11

Inona no nolazain'i Yaveh an'i Solomona izay ho ataony noho ireo andriamanin-kafa?

Yaveh dia niteny an'i Solomona ny hanesorany ny fanjakany eo aminy ary hanome izany amin'ny mpanompony.

Firy ny foko nampanantenain'i Yaveh homena ny zanaka lahin'i Solomona?

Yaveh dia nampanantena ny hanome foko iray ho an'ny zanaka lahin'i Solomona.

1 Kings 11:14

Iza no natsangan'i Yaveh ho fahavalony ho an'i Solomona?

Yaveh dia nanangana an'i Hadada ilay Edomita ho fahavalo ho an'i Solomona.

Iza no nandeha niakatra handevina ny maty izay voavono tany Edoma?

Joaba ilay lehiben'ny tafika no niakatra mba handevina ny maty izay voavono tany Edoma.

Hafiriana i Joaba sy Israely no nitoetra tany Edoma?

Nitoetra tany Edoma nandritry ny enim-bolana i Joaba sy Israely.

Taiza no nakana an'i Hadada?

Hadada dia nalaina tany Egypta.

1 Kings 11:18

Iza no natolotr'i Farao ho vady ho an'i Hadada?

Farao dia nanolotra an'i Hadada ilay i rahavavim-badin'i Tapanesa mpanjakavavy ho vadiny.

1 Kings 11:20

Iza no anaran'ny zanaka lahin'i Hadada?

Ny zanaka lahin'i Hadada dia nantsoina hoe Genobata.

Inona no nangatahin'i Hadada tamin'i Farao?

Hadada dia nangataka an'i Faraoa raha afaka manainga handeha any amin'ny fireneny izy.

1 Kings 11:23

Iza no anaran'ireo fahavalo iray izay natsangan'Andriamanitra hanohitra an'i Solomona?

Rezona zanaka lahin'i Eliada no anaran'ilay fahavalo iray natsangan'Andriamanitra hanohitra an'i Solomona.

Taiza no nandehanan'ilay lehilahin'i Rezona?

Ilay lehilahin'i Rezona dia nandeha tany Damaskosy ary nipetraka tany.

Hafiriana no naha fahavalon'ny Israely an'i Rezona?

Rezona dia fahavalon'ny Israely nandritra ny andron'i Solomona rehetra.

1 Kings 11:26

Iza no nanainga ny tanany hanohitra ny mpanjaka?

Jeroboama zanaka lahin'i Nebata no naninjitra ny tanany hanohitra ny mpanjaka.

Nahoana i Jeroboama no nanainga ny tanany hanohitra ny mpanjaka?

Jeroboama zanaka lahin'i Nebata dia nanainga ny tanany hanohitra ny mpanjaka satria izy dia nanangana an'i Milo ary nanamboatra ny mandan'ny tanànan'i Davida.

1 Kings 11:28

Inona no baiko nomen'i Solomona an'i Jeroboama eo?

Solomona dia nanome baiko an'i Jeroboama eo amin'ny asa amin'ny tranon'i Josefa.

Iza no nahita an'i Jeroboama teny amin'ny lalana raha nivoaka an'i Jerosalema izy?

Ahia mpaminany no no nahita an'i Jeroboama teny amin'ny lalana raha nivoaka an'i Jerosalema izy.

Inona no nataon'i Ahia tamin'ny akanjon'i Jeroboama vaovao?

Ahia dia nanala ny akanjo vaovaon'i Jeroboama ary norovitrovitiny nizara roa ambin'ny folo izany.

1 Kings 11:31

Inano no nolazain'i Yaveh momba ny fanjakan'i Solomona?

Yaveh dia nilaza fa Izy dia hanala ny fanjakana eo amin'ny tanan'i Solomona.

Firy ny foko hotazomin'i Solomona,

Solomona dia hitazona foko iray ho fanozongozonana an'i Davida.

1 Kings 11:34

Hafiriana i Yaveh no nanao an'i Solomona ho mpanapaka?

Solomona dia nanao an'i Solomona ho mpanapaka nandritra ny androm-piainany rehetra.

Tao amin'ny tanànan'iza no nofidian'i Yaveh hametrahany ny anarany?

Yaveh dia nifidy ny hametraka ny anarany tao amin'ny tanànan'ny Jerosalema.

1 Kings 11:37

Inona no nampanantenain'i Yaveh ho atao amin'ny Jerosalema raha manaraka ny lalany izy?

Yaveh dia nampanantena ny hanome trano azo antoka an'i Jeroboama ary anome an'Israely ho azy ihany koa raha mandeha amin'ny alalany izy.

1 Kings 11:40

Inona no nokasain'i Solomona ho atao amin'i Jeroboama?

Soomona dia nikasa ny hamono an'i Jeroboama.

1 Kings 11:41

Hafiriana no nanjakan'i Solomona tany Jerosalema?

Nanjaka tao Jerosalema nandritra ny efapolo taona i Solomona.

Iza no lasa mpanjaka teo amin'ny teoran'i Solomona?

Rehoboama no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.

1 Kings 12

1 Kings 12:1

Nahoana i Rehoboama no nandeha tany Sekema?

Rehoboama dia nandeha tany Sekema satria tonga tany avokoa ny Israely rehetra nanao azy ho mpanjaka.

1 Kings 12:3

Iza no tonga niaraka tamin'ireo fiangonan'Israely niresaka tamin'i Rehoboama?

Jeroboama zanaka lahin'i Nebata no tonga niaraka tamin'ny fiangonan'Israely niresaka tamin'i Rehoboama.

Inona no nangatahan'Israely tamin'i Rehoboama?

Ny Israely rehetra dia nangataka ny hanazavan'i Rehoboama ny zioga mavesatra napetraky ny rainy teo amin'izy ireo.

Nandritry ny firy andro Rehoboama no nandefa ny olona?

Rehoboama dia nandefa ny olona nandritry ny telo andro.

1 Kings 12:6

Tamin'iza i Rehoboama no naka hevitra?

Naka hevitra tamin'ireo lehilahy zokiolona izay nanatrika an'i Solomona rainy i Rehoboama.

Inona no nolazain'ireo lahilahy zokiolona tamin'i Rehoboama?

Ireo lahilahy zokiolona nilaza fa i Rehoboama dia hilaza teny tsara amin'ny vahoakan'Israely.

1 Kings 12:8

Inona no nataon'i Rehoboama tamin'ny torohevitra nomen'ireo lehilahy zokiolona azy?

Rehoboama dia tsy niraraha ny torohevitra izay nomen'ny zokiolona azy.

1 Kings 12:10

Inona no nolazain'ireo zatovolahy an'i Rehoboama ho lazaina amin'ny vahoaka?

Ireo zatovolahy dia nilaza tamin'i Rehoboama nanao hoe: "Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko."

Inona no nolazain'i Rehoboama hampiasainy hamaizana ny olona?

Rehoboama dia nilaza ny hampiasa maingoka hamaizana ny olona.

1 Kings 12:12

Inona no nampianarin'ny mpanjaka ny olona ho atao?

Ny mpanjaka dia nampianatra ny olona hiverina amin'ny andro faha telo.

Ahoana no navalin'ny mpanjaka ny olona?

Ny mpanjaka dia namaly ny olona tamin'ny teny mafy.

Inona no nolazain'ny mpanjaka ho atao amin'ny zioga eo amin'ny olona?

Ny mpanjaka dia nilaza ny hanampy ny zioga eo amin'ny olona.

1 Kings 12:15

Iza no nitondra ireo zava-nisy ireo?

Ireo zav-nisy ireo dia nentina tamin'ny alalan'i Yaveh.

1 Kings 12:16

Inona no nolazain'ny Israely rehetra rehefa hitan'izy ireo fa tsy nihaino azy ireo ny mpanjaka?

Hoy ny Israely rehetra: "Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay; mandosira ny lainareo."

Teo amin'ny olona inona i Rehoboama no lasa mpanjaka?

Rehoboama dia lasa mpanjaka teo amin'ny olon'Israely izay nitoetra tao an-tanànan'i Joda.

1 Kings 12:18

Inona no nataon'Israely tamin'i Adorama?

Ny Israely rehetra dia nitora-bato an'i Adorama mba ho maty amin'ny vato.

1 Kings 12:20

Iza no nanaraka ny fianakavian'i Davida?

Ny fokon'ny Joda ihany no nanaraka ny fianakavian'i Davida.

1 Kings 12:21

Nahoana no navorin'i Rehoboama ny taranak'i Joda tany Jerosalema?

Rehoboama dia namory ireo taranak'i Joda hiady hanohitra ny taranak'Israely.

1 Kings 12:22

Tamin'iza no nahatongavan'ny tenin'Andriamanitra?

Tamin'i Semaia ilay lehilahin'Andriamanitra no nahatongavan'ny tenin'Andriamanitra.

Inona no nolazain'i Yaveh?

Hoy i Yaveh: "Aza manafika na miady amin'ny rahalahinao vahoakan'i Israely ianao."

1 Kings 12:25

Taiza no nanorenan'i Jeroboama an'i Sekema?

Jeroboama nanorina an'i Sekema teo amin'ny tany havoan'i Efraima.

Inona no noheritreretin'i Jeroboama tao am-pony?

Jeroboama nanao anakam-po hoe: "Hiverina ho an'ny taranak'i Davida ny fanjakana ankehitriny."

Inona no nolazain'i Jeroboama momba ny fanatitry ny olona tao amin'ny tempolin'i Yaveh?

Hoy i Jeroboama: "Raha manolotra sorona ao amin'ny tempolin'i Yevah ireo olona ireo, dia hamono ahy izy ireo ary hiverina any amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda."

1 Kings 12:28

Inona no namboarin'i Jeroboama mpanjaka?

Jeroboama mpanjaka dia nanamboatra zanak'omby volamena roa.

Taiza i Jeroboama no nametraka ireo zanak'omby volamena roa?

Jeroboama mpanjaka dia nametraka zanak'omby iray tany Betela ary ny iray tany Dana.

1 Kings 12:31

Olona inona no nataon'i Jeroboama ho mpisorona?

Jeroboama dia nanao mpisorona amin'ny olona izay tsy teo amin'ireo zanaka lahin'i Levy.

Inona no nataon'i Jeroboama tany Betela?

Jeroboama dia nanendry andro firavoravoana tany Betela.

1 Kings 12:33

Inona no nataon'i Jeroboama tao amin'ny alitaran'i Betela?

Jeroboama dia niakatra tany amin'ny alitara nandoro zava-manitra.

1 Kings 13

1 Kings 13:1

Iza no tonga avy any Joda tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh?

Ilay lehilahin'Andriamanitra no tonga avy any Joda tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh.

Inona no nihikian'ilay lehilahin'Andriamanitra nanoherana ny alitara tany Betela?

Ilay lahilahin'Andraiamanitra nihiaka nanohitra ny alitara, "Handoro taolan'olombelona eo aminao izy ireo."

Inona no marika nomen'ilay lehilahin'Andriamanitra momba ny alitara?

Ilay lehilahin'Andriamanitra dia nanome marika nanao hoe: "hiparitaka ny alitara ary hiraraka ny lavenona eo aminy.'"

1 Kings 13:4

Inona no nitranga tamin'ny tanan'i Jeroboama rehefa naninjitra ny tanany teo amin'ny alitara izy?

Rehefa naninjitra ny tanany izy teo amin'ny alitara izy, dia maina ny tanany ka tsy afaka namerina izany tamin'ny tenany izy.

Inona no nitranga tamin'ny alitara?

Ny alitara dia niparitaka ary ny lavenona dia niraraka araka ny namaritan'ilay lehilahin'Andrianiatra azy.

1 Kings 13:6

Inona no nitranga rehefa nivavaka tamin'i Yaveh momba ny tanan'i Jeroboama ilay lehilahin'Andriamaniatra?

Rehefa nivavaka tamin'i Yaveh ilay lehilahin'Andriamanitra; dia niverina tamin'ny laoniny ny tanan'ny mpanjaka ary lasa toy ny tamin'ny teo aloha.

Inona no nolazain'ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra?

Ny mpanjaka dia nilaza tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Andao hody miaraka amiko dia homeko valisoa ianao."

1 Kings 13:8

Inona no notenen'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka?

Ilay lehilahin'Andriamanitra dia nilaza tamin'ny mpanjaka hoe: "Tsy andeha iaraka aminao aho"

Inona no nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra taorian'ny resany tamin'ny mpanjaka?

Taorian'ny resany tamin'ny mpanjaka, niverina nody tamin'ny lalana samihafa noho nandehanany tany Betela ilay lehilahin'Andriamanitra.

1 Kings 13:11

Taiza no nitoetra ilay mpaminany antitra?

Ilay mpaminany antitra iray nitoetra tany Betela.

Iza no nahita ny lalana izay nandehanan'ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Betela?

Ilay zanaka lahin'ny mpaminany antitra no nahita ny lalana izay nandehanan'ilay lehilahinAndriamanitra tany Betela.

Taiza ilay mpaminany antitra no nahita ialy lehilahin'Andriamanitra?

Ilay mpaminany antitra dia nahita ilay lehilahin'Andriamanitra nipetraka teo ambany hazo terebima.

1 Kings 13:14

Inona no nolazain'ilay mpaminany antitra tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra?

Ilay mpaminany antitra dia nilaza tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Andao hiaraka amiko any an-trano ary hihinan-kanina."

Inona no navalin'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ilay mpaminany antitra?

Namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Tsy handeha hiverina hiaraka aminao aho na hiditra hiaraka aminao."

Inona no navalin'ilay mpaminany antitra tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra?

Ilay mpaminany antitra dia nandainga tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra ary namaly hoe: "Nisy anjely iray niteny tamin'ny alalan'i Yaveh nanao hoe: 'Ento miverina any an-tranonao izy."

1 Kings 13:18

Taiza no nandehanan'ilay lehilahin'Andriamanitra taorian'ilay mpaminany antitra nandainga taminy?

Ilay lehilahin'Andriamanitra dia niverina ary nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.

1 Kings 13:20

Inona no tonga tamin'ilay mpaminany antitra rehefa nipetraka teo an-databatra izy ireo?

Tonga tamin'ilay mpaminany antitra ny tenin'i Yaveh rehefa nipetraka teo an-databatra izy ireo.

Inona no nolazain'ny tenin'i Yaveh tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra?

Hoy ny tenin'i Yaveh: "Satria efa niverina ianao ary nihinana sy nisotro rano dia tsy ho alevina ao am-pasan'ny rainao ny vatanao."

1 Kings 13:23

Inona no nataon'ilay mpaminany antitra taorian'ny ninanan'izy ireo?

Taorian'ny ninanan'izy ireo, ilay mpaminany antitra dia nanisy lasely ny borikin'ilay lehilahin'Andriamanitra ho azy.

Inona no nitranga taorian'ny nandehanan'ilay lehilahin'Andriamanitra?

Taorian'ny nandehanan'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ary namono azy.

Inona no nataon'ny olona rehefa hitan'izy ireo ny vatan'ialy lehilahin'Andriamanitra nitsirara teo an-dalana?

Rehefa hitan'ny olona ny vatan'ilay lehilahin'Andriamanitra nitsirara teo an-dalana, dia niverina izy ireo ary niteny izany tany amin'ny tanànan'ilay mpaminany antitra.

1 Kings 13:26

Inona no navalin'ilay mpaminany antitra tamin'ireo olona?

Namaly ilay mpaminany antitra hoe: "Ity ilay lehilahin'Andriamanitrai zay tsy nankatò ny tenin'i Yaveh."

Inona no nataon'ilay mpaminany antitra taorian'ny nandrenesany ireo olona?

Ilay mpaminany antitra dia niresaka tamin'ireo zanany lahy mba hametaka lasely ny borikiny dia nandeha ary nijery ilay vatana teny an-dalana.

1 Kings 13:29

Inona no nataon'ilay mpaminany antitra tamin'ny vatan'ilay lehilahin'Andriamanitra?

Nentin'ilay mpaminany antitra ny vatan'ilay lehilahin'Andriamanitra ka naleviny tao amin'ny fasany.

1 Kings 13:31

Inona no nolazain'ilay mpaminany antitra tamin'ireo zanany lahy momba ny fandevenany?

Ilay mpaminany antitra dia nilaza tamin'ireo zanany lahy hoe: "Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin'ny fasana izay nandevenana an'ilay lehilahin'Andriamanitra."

1 Kings 13:33

Zavatra inona no lasa fahotàna tamin'ny fianakavian'i Jeroboama ka nahatonga izany potika teo anatrehan'ny tany?

Jeroboama dia tsy niala tamin'ny ratsy ary nanamasina toy ireo mpisorona izay naha mpisorona azy, izany zavatra izany dia lasa fahotàna tamin'ny fianakavian'i Jeroboama.

1 Kings 14

1 Kings 14:1

Inona no nitranga tamin'i Abia zanaka lahin'i Jeroboama?

Narary mafy i Abia zanaka lahin'i Jeroboama.

Inona no nangatahin'i Jeroboama ho ataon'ny vadiny?

Jeroboama dia nangataka ny vadiny hanova endrika ary handeha any amin'i Ahia any Silo.

Nahoana i Jeroboama no nangataka ny vadiny handeha any amin'i Ahia mpaminany?

Jeroboama dia nangataka ny vadiny handeha any amin'i Ahia mpaminany hijery izay zava-nitranga tamin'ilay zanany lahy narary.

1 Kings 14:4

Inona no ratsy teo amin'ny mason'i Ahia?

Hatramin'ny nahanteran'i Ahia dia jamba izy ary tsy afaka mahita ny masony.

Iza no niteny an'i Ahia hoe: "Ny vadin'i Jeroboama dia tonga hijery anao."?

Yaveh dia niteny an'i Ahia hoe: "Ho avy hijery anao ny vadin'i Jeroboama mba hitady toro-hevitra mahakasika ny zanany lahy."

1 Kings 14:6

Inona no nolazain'i Ahia tamin'ny vadin'i Jeroboama?

Rehefa ren'i Ahia ny nahatongavany teo ambaravarana dia hoy izy taminy: "Nahoana ianao no misandoka manao olona izay tsy ianao akory?"

Inona no nolazain'i Andriamanitr'i Israely mahakasika an'i Jeroboama?

Ilay Andriamnitr'Israely dia nilaza tamin'i Jeroboama hoe: "Ianao dia tsy tahaka an'i Davida mpanompoko izay nitandrina ny didiko."

1 Kings 14:9

Inona no nataon'i Jeroboama mba hahatonga an'i Yaveh ho tezitra?

Jeroboama dia nanao sarin-javatra an-idina mba hampatezitra an'i Yaveh.

Inona no loza hoentin'i Yaveh eo amin'i Jeroboama?

Yaveh dia nilaza fa Izy dia handringana ny zaza lahin'Israely rehetra.

1 Kings 14:11

Inona no hitranga amin'ny olon'ny fianakavian'i Jeroboama izay maty tao an-tanàna?

Na iza na iza an'ny fianakavian'i Jeroboama no maty tao an-tanàna dia ho lanin'ny amboa.

Inona no ho atao'ny Israely rehetra ho an'ny zanak'i Jeroboama?

Hisaona sy handevona ny zanak'i Jeroboama ny Israely rehetra.

1 Kings 14:14

Hatraiza i Yaveh no nitreny izay hanelezany ny Israely?

Yaveh dia niteny fa Izy dia hanely ny Israely any an-dafin'ny onin'i Efrata

Inona no nolazain'i Yaveh raha nitarika an'Israely tamin'ny nataony i Jeroboama?

Yaveh dia nilaza fa Jeroboama dia nitarika ny Israely hanota.

1 Kings 14:17

Inona no nitranga rehefa tonga teo an-tokonam-baravaran'ny trano ny vadin'i Jeroboama?

Rehefa tonga teo an-tokonam-baravaran'ny trano ny vadin'i Jeroboama dia maty ilay zaza.

Inona no nataon'ny Israely rehetra taorian'ny nahafatesan'ilay zaza?

Ny Israely rehetra dia nisaona ary nandevina azy.

1 Kings 14:19

Taiza ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama no voasoratra?

Ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama dia voasoratra tao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely.

Firy taoana i Jeroboama no nanjaka talohan'izy nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny?

Jeroboama dia nanjaka nandritry ny roa amby roapolo taona ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny.

1 Kings 14:21

Iza no nanjaka tany Joda?

Rehoboama zanak'i Solomona no nanjaka tao Joda.

Inona no nataon'i Joda nahatonga an'i Yaveh ho saropiaro?

Joda nahatonga an'i Yaveh ho saropiaro amin'ny fahotàna nataon'izy ireo.

1 Kings 14:23

Inona no namborain'i Joda nanerana ny havoana avo sy ny teny ambany hazo maintso?

Nanorina toerana masina sy baon'Aseraha manerana ny tendrombohitra sy teny ambany hazo maitso.

Inona ireo zavatra ratsy nataon'ireo firenena?

Ireo firenena dia nanana lehilahy janga tao amin'ny tany.

1 Kings 14:25

Tamin'ny taona inona i Sisaka no niakatra nanohitra an'ny Jerosalema?

Tamin'ny fahadimy taona nanjakan'i Rehoboama mpanjaka no tonga nanafika an'i Jerosalema i Sisaka.

Inona no apinga nalain'i Sisaka avy any Jerosalema?

Sisiaka dia naka ireo apinga volamena izay namboarin'i Solomona.

1 Kings 14:27

Inona no nataon'i Rehoboama mpanjaka tamin'ireo apinga varahina izay namboariny?

Rehoboama Mpanjaka dia nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina

Oviana ireo mpiambina no nitondra ireo apinga varahina?

Na oviana na oviana ireo mpiambina no niditra tao an-tranon'i Yaveh dia nentin'ireo mpiambina ireo apinga.

1 Kings 14:29

Taiza ireo zavatra hafa an'i Rehoboama mpanjaka no voasoratra?

Ireo zavatra hafa an'i Rehoboama mpanjaka dia voasoratra tao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda.

Iza no lasa mpanjaka nandimby ny toeran'i Rehoboama?

Abia, zanaka lahin'i Rehoboama no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.

1 Kings 15

1 Kings 15:1

Oviana i Abia no nanomboka nanjaka te amin'ny Joda?

Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama no nanomboka nanjaka i Abia teo amin'ny Joda.

Hafiriana i Abia no nanapaka tany Jerosalema?

Abia dia nanapaka nandritry ny telo taona tao Jerosalema.

Nanokana ny fony tamin'i Yaveh Andriamaniny ve Abia?

Ny fon'i Abia dia tsy mba voatokana tamin'i Yaveh Andriamaniny.

1 Kings 15:4

Nahoana i Yaveh no nanangana ilay zaza lahy ho an'i Abia tany Jerosalem?

Yaveh dia nanangina ilay zaza lahy ho an'i Abia mba hampatanjaka an'i Jerosalema.

Tamin'ny zavatra inona no nivadihan'i Davida avy tamin'i Yaveh?

Davida dia nivadiaka avy amin'i Yaveh tamin'ireo zavatr'i Oria liay Hitita.

Inona no nitranga tamin'ny androm-piainan'i Abia rehetra?

Nisy ady teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainan'i Abia rehetra

1 Kings 15:7

Rehefa nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Abia dia iza no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany?

Rehefa nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Abia dia i Asa no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.

1 Kings 15:9

Oviana i Asa no nanomboka nanjaka teo amin'ny Joda?

Tamin'ny taona faha roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'ny Israely no nanomboka nanjaka teo amin'ny Joda i Asa.

Firy taoana i Asa no nanjaka tany Jerosalema?

Asa dia nanjaka raika amby efapolo taona tao Jerosalema.

Inona no nataon'i Asa teo imason'i Yaveh?

Nanao ny marina teo imason'i Yaveh i Asa toy ny nataon'i Davida.

1 Kings 15:12

Inona no nataon'i Asa tao amin'ny tany?

Noroahiny ireo lehilahy janga sy ireo sampy nataon'ny razambeny teo amin'ny tany.

Iza no nesorin'i Asa tmain'ny maha mpanjaka vavy azy?

Nesorin'i Asa tamin'ny maha-mpanjaka vavy azy koa i Maka ny renibeny.

1 Kings 15:14

Inona no nifanarahan'ny fon'i Asa tamin'i Yaveh?

Ny fon'i Asa dia voatokana ho an'i Yaveh tanteraka nandritra ny androny rehetra.

Inona no nentin'i Asa tao an-tranon'i Yaveh?

Asa dia nitondra ireo zavatra voahasina tao an-tranon'i Yaveh.

1 Kings 15:16

Iza no niaraka tamin'i Asa tamin'ny ady?

Basa mpanjakan'Israely no niaraka tamin'i Asa tamin'y ady tamin'ny andro rehetra.

Nahoana i Basa no nanangana an'i Rama?

Asa dia nanangana an'i Rama mba tsy hisy na iray hiditra na hivoaka ny tanin'i Asa.

1 Kings 15:18

Inona no nataon'i Asa tamin'ireo volafotsy sy volamena tao an-trano fitehirizan'i Yaveh?

Asa dia nandefa ireo volafotsy sy volmena tany amin'i Bena-hadada ilay nitoetra tany Damaskosy.

Inona no nolazain'i Bena-hadada?

Hoy asa tamin'i Bena-hadada: "Aoka hisy fifanarahana eo amiko sy aminao, toy ny teo amin'ny raiko sy ny rainao."

1 Kings 15:20

Inona no naton'i Bena-hadada taorian'ny nihainoany an'i Asa?

Taoriany ny nihainoany an'i Asa, Bena-hadada dia nandefa ireo miaramila hanafika ireo tanàn'Israely.

Inona no nataon'i Basa rehefa reny ny momba izany?

Rehefa ren'i Basa ny momba ilay fanafihana, dia nijanona tamin'ny fananganana an'i Rama izy.

Inona no nataon'i Asa tamin'ireo fitaovana izay nampiasaina nananganana an'i Rama?

Nalain'i Asa ireo fitaovana izay nampiasaina hananganana an'i Rama ary nampiasaina hananganana an'i Geba sy Mizpa ireo.

1 Kings 15:23

Taiza no voasoratra ireo raharahan'i Asa rehetra?

Ireo raharahan'i Asa rehetra dia voasoratra tao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda.

Taorian'i Asa nodimandry niaraka tmain'ireo razambeny, dia iza no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany?

Taorian'i Asa nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny, ny zanany lahy Josafata no lasa mpanajaka teo amin'ny teorany.

1 Kings 15:25

Iza no nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa?

Nadaba zanaka lahin'i Jeroboama nanomboka nanjaka tamin'ny Israely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa.

Ahoana ny fomba nandehanan'i Nadaba teo imason'i Yaveh?

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Nadaba ary nandeha tamin'ny lalan-drainy.

1 Kings 15:27

Inona no nataon'i Basa zanaka lahin'i Ahia tany Gibetona?

Basa ilay zanaka lahin'i Ahia dia namono an'i Nadaba tany Gibetona.

1 Kings 15:29

Inona no nataon'i Basa rehefa lasa mpanjaka izy?

Rehefa lasa mpanjaka i Basa, dia novonoiny avokoa ny fianakavian'i Jeroboama rehetra.

1 Kings 15:31

Hafiriana ireo ady teo amin'i Asa sy Basa?

Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely tamin'ny andron'izy ireo rehetra.

1 Kings 15:33

Hafiriana i Basa no nanjaka tany Tizra?

Basa dia nanjaka tany Tizra nandritry ny efatra amby roapolo taona.

Ahoana ny niainan'i Basa?

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Basa ary nanaraka ny fomban'i Jeroboama.

1 Kings 16

1 Kings 16:1

Niala ny inona no nanadratan'i Yaveh an'i Basa?

Yaveh dia nanandratra azy niala ny vovoka

1 Kings 16:3

Inona no hihinana ny olon'i Basa izay maty tany an-tanàna?

Hohanin'ireo amboa ny olon'i Basa izay maty ao an-tanàna.

1 Kings 16:7

Nahoana ny tenin'i Yaveh no nanohitra an'i Basa sy ny fianakaviany?

Ny tenin'i Yaveh dia nanohitra an'i Basa sy ny fianakaviany, noho ny ratsy izay nataony teo imason'i Yaveh ary koa namonoa ny fianakavian'i Jeroboama rehetra izy.

1 Kings 16:8

Inona no nataon'i Ela rehefa namono azy Zimry?

Ela dia nampimamo ny tenany ao an-tranon'i Arza rehefa namono azy Zimry.

1 Kings 16:11

Oviana Zimri no namono ny fianakavian'i Basa rehetra?

Rehefa nanomboka nanjaka Zimry, ka mbola nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, dia namono ny fianakavian'i Basa rehetra izy.

1 Kings 16:15

An'iza i Gibetona?

Gibetona dia an'ireo Filistina.

1 Kings 16:18

Taiza Zimry no namono tena?

Zimry dia namono tena tany amin'ny fiarovana mafy niraikitra teo amin'ny lapan'ny mpanjaka.

1 Kings 16:21

Tamin'ny alalan'inona ireo mpitarika roa no nizara ny vahoakan'Israely ho antoko roa?

Ny vahoakan'Israely dia nizara ho antoko roa tamin'ny alalan'i Tibny zanaka lahin'i Ginata sy Omry.

1 Kings 16:23

Nahoana i Omry no niantso ny anaran'ny tanàna hoe Samaria?

Omry dia niantso ny anaran'ny tanàna hoe Samaria, taorian'ny anarana Semera, ilay tompon'ny havoana taloha.

1 Kings 16:27

Iza no lasa mpanjaka nandimby an'i Omry?

Ahaba no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.

1 Kings 16:31

Iza no nanamboatra ny tranon'i Bala?

Ahaba no nanamboatra ny tranon'i Bala tany Samaria.

1 Kings 16:34

Inona no nahavery an'i Hiela zanaka lahin'i Abirama?

Namerina nanorina an'i Jeriko i Hiela, nahatonga ny fahaverezan'i Abirama.

1 Kings 17

1 Kings 17:1

Inona no hafatra fandrahonana nomen'i Elia an'i Ahaba?

Elia dia niteny an'i Ahaba araka izay nitoeran'i Yaveh, tsy hisy ando na orana raha tsy hoe nilaza izy.

1 Kings 17:2

Iza no nodidian'i Yaveh hamelona an'i Elia raha mbola tao amin'ny lohasahan-driaka Kerita i Elia?

Yaveh dia nandidy ireo goaika hamelona an'i Elia tao amin'ny lohasahan-driaka Kerita.

1 Kings 17:5

Inona no nitranga rehefa tsy nisy orana intsony ny tany?

Maina ny lohasahan-driaka rehefa tsy nisy orana intsony ny tany.

1 Kings 17:8

Taiza no nandehanan'i Elia taorian'ny naha maina ny lohasahan-driaka?

Yaveh dia nandefa an'i Elia tany amin'ilay mpitondratena tany Zarefata.

1 Kings 17:11

Nahoana ireo mpitondratena no nanangona tapa-kazo roa?

Nanangona tapa-kazo roa aho mba hahafahako miditraao dia mahandro izany ho ahy sy ho an'ny zanako, mba hihinananay izany, ary ho faty.

1 Kings 17:14

Mandritra ny hafiriana ny sinin-tsakafo sy ny tavoaran'ny menak'ilay mpitondratena no ho feno?

Ireo dia ho feno mandrapaha tonga ny andro izay andefasan'i Yaveh orana eo amin'ny tany.

1 Kings 17:17

Ahoana no namparary ny zanaka lahin'ilay vehivavy?

Ny aretin'ilay zanaka lahin'ilay vehivavy dia nahery vaika ka niala tanteraka taminy ny fofon'ainy.

1 Kings 17:19

Inona no nataon'i Elia hamonjena ilay zaza?

Naninjitra ny tenany intelo teo amin'ilay zaza i Elia; nihiaka mafy tamin'i Yaveh izy ary niteny hoe: "Yaveh Andriamanitro o, mitalaho Aminao aho, avelao re hiverina ao aminy ny ain'ity zaza ity."

1 Kings 17:22

Ahoana no nahafantaran'ilay vehivavy fa i Elia dia lehilahin'Andriamanitra?

Ilay vehivavy dia nahafantatra fa Elia dia lehilahin'Andriamanitra rehefa velona ny zanany lahy, ary nalain'i Elia ilay zaza ary nentiny nivoaka ny efitra izy nidina nankany an-trano.

1 Kings 18

1 Kings 18:1

Inona ny hafatra nangatahan'i Yaveh an'i Elia homena an'i Ahaba nandritra ny mosary nahery vaika?

Yaveh nangataka an'i Elia hilaza an'i Ahaba ny handefasany orana eo amin'ny tany.

1 Kings 18:3

Ahoana no nankatoavan'i Obadia an'i Yaveh rehefa namono ireo mpaminanin'i Yaveh i Jezebela?

Obadia dia nanome voninahitra an'i Yaveh tamin'ny alalan'ny fanafenana ny iray tamin'ireo mpaminany zato tamin'ireo isan-dimampolo tao an-davabato ary namahana azy ireo tamin'ny mofo sy rano.

1 Kings 18:5

Nahoana i Ahaba sy Obadia no nandeha tamin'ny tany tamin'ny loharano sy lohasahan-driaka?

Ahaba sy Obadia dia nitady rano sy ahitra mba tsy hanary ireo soavaly sy apondra izy ireo.

1 Kings 18:7

Inona no hafatra ratsy nangatahan'i Elia an'i Obadia ho lazaina amin'i Ahaba?

Elia dia nangataka an'i Obadia hilaza amin'i Ahaba fa "i Elia dia eto."

1 Kings 18:9

Nahoana i Obadia no nisalasala hilaza an'i Ahaba fa "i Elia dia eto."?

Obadia dia nisalasala nilaza tamin'i Ahaba hoe: "Elia dia eto." satria ny firenena nifanakaiky rehetra dia efa nanao fianianana fa Elia dia tsy tany."

1 Kings 18:12

Inona no noheverin'i Obadia fa hitranga raha vanatany vao lasa i Elia?

Obadia dia nihevitra fa ny Fanahin'i Yaveh no hitondra an'i Elia any amin'ny toerana izay tsy fantatr'i Obadia.

1 Kings 18:14

Inona no nolazain'i Elia fa hampitony nytahotr'i Obadia?

Elia dia niteny an'i Obadia fa raha mbola velona koa i Yaveh, dia haneho ny tenany amin'i Ahaba izy amin'izany andro izany

1 Kings 18:16

Iza no niantsoan'i Ahaba an'i Elia raha nahita azy izy?

Ahaba dia niantso an'i Elia hoe "Mpanankorontana" raha nahita azy.

1 Kings 18:18

Inona no navalin'i Elia an'i Ahaba tamin'ny niantsoany azy hoe "mpanakorotana"?

Elia dia niteny tamin'i Ahaba fa izy sy ny fianakaviany no mpanakorontana satria nandao ny didin'i Yaveh izy ireo ary nanaraka ny sampin'i Bala.

Iza no nasain'i Elia nivory teny an-Tendrombohitra Karmela?

Elia naniraka ny vahoak'Israely rehetra miaraka amin'ireo mpaminan'i Bala 450 ary ireo mpaminan'i Aseraha efatra arivo izay mihinana eo an-databatr'i Jezebela mba hivory.

1 Kings 18:20

Iza no nolazain'i Elia tamin'ireo vahoaka fa tokony ho arahin'izy ireo?

Elia dia nilaza tamin'ireo vahoaka mba hanaraka an'i Yaveh raha toa ka Izy no Andriamanitra na i Bala raha toa ka izy no Andriamanitra.

1 Kings 18:22

Inona no tolo-kevitra nentin'i Elia teo anatrehan'ireo vahoaka?

Elia dia nilaza fa ny mpaminan'i Bala sy ny tenany dia samy hiantso ny andriamanitr'izy ireo mba hihinana ny soron-ombilahy natao tamin'ny afo mba hanoporofoana izay tena andriamanitra.

1 Kings 18:25

Hafiriana no niantsoan'ireo mpaminan'i Bala an'i Bala?

Niantso an'i Bala nanomboka maraina ka hatramin'ny mitataovovonana ireo mpaminan'i Bala.

1 Kings 18:27

Inona no nataon'ireo mpaminan'i Bala taorian'ny nanesoan'i Elia azy ireo tamin'ny mitataovovonana?

Nihiaka mafy dia mafy ireo mpaminan'i Bala ary nandrasarasa ny tenany tamin'ny sabatra sy lefona.

Hafiriana no mbola nisafoahan'ireo mpaminan'i Bala?

Ireo mpaminanin'i Bala dia nisafoaka ambara-pahatongan'ny fanatitra hariva.

1 Kings 18:30

Inona no nataon'i Elia tamin'ny alitara potik'i Yaveh?

Elia dia nanamboatra ny alitaran'i Yaveh tamin'ny vato roa ambin'ny folo.

Inona no nataon'i Elia nanodidina ny alitaran'i Yaveh?

Elia dia nihady lavaka nanodidina ny alitaran'i Yaveh.

1 Kings 18:33

Inona no nandidian'i Elia ho tsy maintsy ataon'ireo vahoaka amin'ireo kitay sy ilay ombilahy ho an'ny fanatitra dorana?

Nandidian'i Elia an'ireo vahoaka mba hameno rano ny siny efatra in-telo miantaona ary hararaka amin'ireo fanatitra dorana sy ireo kitay izany.

1 Kings 18:38

Ahoana no navalin'ny vahoakan'Israely raha nilatsaka sy nandevona ny sorona sy izay rehetra nanodidina izany ny afon'i Yaveh?

Ireo vahoakan'Israely dia nampiondrika ny tavany tamin'ny tany ary nanao hoe: "Yaveh, Izy no Andriamanitra!, Yaveh, Izy no Andriamanitra!"

Inona no nataon'i Elia tamin'ireo mpaminan'i Bala?

Elia dia nitondra ireo mpaminan'i Bala nankany amin'ny lohasahan-driaka'i Kisona ary namono azy ireo.

1 Kings 18:43

Inona no hitan'ireo mpanompon'i Elia taorian'ny nijeren'izy ireo tany amin'ny ranomasina im-pito miantaona?

Taorian'ny im-pito miantaona, ireo mpanompon'i Elia dia nahita rahona kely tahaka ny tanan'olona.

Inona no nasain'i Elia nolazain'ireo mpanompony tamin'i Ahaba?

Elia dia naniraka ireo mpanompony mba hilaza amin'i Ahaba ny mba hanomanany ny kalesiny ka handehanany mialohan'ny hanakanan'ny orana azy.

1 Kings 18:45

Inona no nataon'ny Elia raha nitaingina ny kalesiny ka nankany Jezebela i Ahaba?

Namoritra ny akanjony teo amin'ny fehin-kibony i Elia ary nihazakazaka nialoha an'i Ahaba teo amin'ny fidirana manakao Jezirela.

1 Kings 19

1 Kings 19:1

Inona no didy nataon'i Jezebela tamin'i Elia?

Jezebela dia niteny tamin'i Elia fa hataony ho isan'ireo mpaminany ho vonoina ny herinandro manaraka izy

Inona no navalin'i Elia ny didy avy tamin'i Jezebela?

Nandositra namonjy ny ainy nankany Beri-sheba izy.

1 Kings 19:4

Nahoana i Elia no nangataka ny ho faty?

Elia dia nangataka ny ho faty satria nahatsiaro ho tsy tsara mihoatra noho ireo razambeny izy.

Inona no notranga raha natory teo ambany kifafambohitra i Elia?

Nisy anjely nikaiska an'i Elia ary nanao taminy hoe: "Mifohaza ka misakafoana."

Inona no nataony sy hitan'i Elia taorian'ny nikasihan'ny anjely azy?

Nahita mofo nandrahoina tamin'ny vain'afo sy rano iray tavoara. Nihinana sy nistro i Elia ary niverina natory indray.

1 Kings 19:7

Hafiriana no nandehanan'i Elia tany Horeba, ilay tendrombihtr'Andriamanitra?

Efapolo andro sy efapolo alina no nandehanan'i Elia tany Horeba.

1 Kings 19:9

Ahoana no navalin'i Elia raha nanontany azy ny zavatra nataony tao anaty zohy i Yaveh?

Elia dia niteny tamin'i Yaveh fa tena be zotom-po ho an'i Yaveh izy, saingy nahafoy ny fanekeny ny vahoakan'Israely, namotika ny alitarany, sy namono ny mpaminaniny, ary izy sisa no tavela.

1 Kings 19:15

Inona no nasain'i Yaveh nataon'i Elia?

Yaveh dia naniraka an'i Elia mba hiverina any an'efitra ka hanosotra an'i Hazaela mba ho mpanjaka eo amin'ny Syria, Jeho ho mpanjaka eo amin'Israely, ary Elisa ho mpaminany eo amin'ny toerany.

1 Kings 19:17

Ahoana no navalin'i Yaveh an'i Elia tamin'ny fiheverany fa izy irery no mpaminany sisa tavela teo amon'ny tany?

Yaveh dia niteny tamin'i Elia fa nisy vahoaka fito arivo avy amin'i Israely nahatoky taminy.

1 Kings 19:19

Inona no nangatahin'i Elisa tamin'i Elia taorian'ny nanaronany ny lambany taminy?

Nangataka an'i Elia mba hamela azy hanoroka ny reniny sy ny rainy i Elisa mialohan'ny hanarahany azy.

1 Kings 20

1 Kings 20:1

Inona no hafatra izay noraisin'i Ahaba avy amin'i Bena-hadada rehefa teo ambany fahirano ny tanàna?

Bena-hadada nilaza an'i Ahaba fa ny volafotsy sy volamenany dia tahaka ny vadiny sy ny zanany izay harenan'i Bena-hadada.

1 Kings 20:4

Ahoana no navalin'i Bena-hadada tamin'ny finiavan'i Ahaba hanome azy ireo volafotsiny, volamenany, ny vadiny, ary ny zanany?

Bena-hadada dia nanome vaovao an'i Ahaba fa izy dia nanome ireo mpanompony ny andro manaraka, ary hisambotra amin'ny tanany izy ireo ka haka izay rehetra mafinaritra ny mason'izy ireo.

1 Kings 20:7

Inona ny torohevitra izay noraisin'Israely avy amin'ireo loholon'ny tany sy ny vahoaka?

Ireo loholon'ny tany sy ny vahoaka dia niteny tamin'ny mpanjaka tsy hiaino na hanaiky ny fangatahan'i Bena-hadada satria olana ihany no tadiaviny.

1 Kings 20:9

Inona no hafatra naverin'i Ahaba tamin'i Bena-hadada?

Ahaba dia niteny tamin'i Bena-hadada fa izy dia nanaiky ny fangatahana voalohany, saingy tsy afaka ny hanaiky ny fangatahana faharoa.

Inona no navalin'i Bena-hadada tamin'ny hafatr'i Ahaba?

Bena-hadada dia nanao fianianana fa izy dia nanao an'ny Samaria ho lavenona.

1 Kings 20:11

Inona no nolazain'i Bena-hadada rehefa niresaka taminy ny mpanjakan'Israely fa izy tsy nirehareha na teo aza ny ady?

Bena-hadada dia niresaka tamin'ireo miaramilany mba hilahatra amin'ny faritra hiomanana amin'ny ady.

1 Kings 20:13

Iza no nolazain'i Yaveh tokony handresy amin'ny ady fa ny Israely dia hanohitra ireo tafika lehiben'ny Arameanina?

Yaveh dia niteny tamin'i Ahaba fa ilay manam-pahefana tanora izay nanompo ireo governoran'ny distrika dia handresy amin'ny ady ho an'ny Israely.

1 Kings 20:16

Oviana ilay manam-pahefana tanora izay nanompo ny governoran'ny distrika no nandeha nandroso nialoha fa i Bena-hadada sy ireo mpanjaka kely roa amby telopolo dia nanohana azy?

Bena-hadada sy ireo mpanjaka kely roa amby telopolo dia nampimamo ny tenany ka mamo.

1 Kings 20:20

Inona no nitranga tamin'i Bena-hadada sy ireo Arameanina?

Bena-hadada dia nitsoaka teo amin'ny soavaly niaraka tamin'ireo mpitaingin-tsoavaly sasany sady maro na ireo Arameanina dia voavono tao amin'ny famonoana lehibe.

1 Kings 20:22

Inona no hafatra nentin'ireo mpaminany tamin'ny mpanjakan'Iseraely?

Ny mpaminany dia niteny tamin'ny mpanjakan'Israely fa ny mpanjakan'i Arama dia hiverina hanohitra azy ireo indray, ka hamapatanjaka ny tenany ny Israely ary hitetika izay ho ataon'izy ireo.

Inona no nomen'ireo mpanompon'ny mpanjakan'i Arama ho antony ho an'ny herin'ny Israely tao amin'ny ady noho ireo Arameanina?

Ireo mpanompon'ny mpanjakan'i Arama dia niresaka taminy fa Israely dia nahery noho ireo Arameanina, satria ny andriamanitr'izy ireo dia andriamanitr'ireo havoana.

1 Kings 20:26

Inona no nataon'i Bena-hadada taorian'ny fiatombohan'ny taona vaovao?

Bena-hadada dia namono ireo Arameanina ary niakatra tany Afeka hiady hanohitra ny Israely.

1 Kings 20:28

Inona no nolazain'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjakan'Israely mahakasika ireo Arameanina?

Niteny ilay lehilahin'Andriamanitra satria ireo Arameanina dia niteny an'Andriamanitra ho andriamanitr'ireo havoana ary tsy andriamanitrin'ny lohasaha, Andriamanitra dia nandeha tamin'ny toeran'ireo tafiky ny Arameanina teo an-tanan'ny mpanjakan'Israely.

1 Kings 20:29

Inona no vokatrin'ny ady teo amin'ireo tafika?

Namono Syriana mpandeha an-tongotra 100.000 ny vahoakan'Israely tanatin'ny iray andro. Ny sisa nitsoaka tany Afeka, tao amin'ny tanàna, ary nianjera tamin'ireo lehilahy fito arivo sy roa alina izay tavela ny manda ary i Beni-hadada dia nitsoaka ka nankany amin'ny tanàna, tanaty efitrano iray.

1 Kings 20:31

Inona no nataon'ireo mpanompon'i Bena-hadada ho an'ny Bena-hadada?

Ny mpanompon'i Bena-hadada dia nametaka lamba fisaonana teo am-balahany ary tady nanodidina lohany dia nandeha tany amin'ny mpanjakan'Israely ary nitalaho tamin'ny mpanjakan'Israely mba hamela an'i Bena-hadada ho velona.

1 Kings 20:33

Inona no tolo-kevitra nataon'i Bena-hadada tamin'i Ahaba rehefa nitantso mba hihaona aminy tao amin'ny kalesy izy?

Bena-hadada dia niteny an'i Ahaba fa izy dia hamerina azy amin'ny laoniny ireo tanàna izay nalaina avy amin'ny Israely raha hitondra azy handeha i Ahaba.

1 Kings 20:35

Nahoana ny iray tamin'ire mpaminany no matin'ny liona?

Iray tamin'ireo mpaminany dia matin'ny liona satria tsy nankatò ny feon'i Yaveh tamin'ny alalan'ny famelezana ilay mpaminany namany.

1 Kings 20:37

Ahoana ny fomba nanovan'ilay mpaminany ny tenany tamin'ny mpanjaka taorian'ny namelezany azy sy nandratràny azy?

Nanova ny endriny tamin'ny mpanjaka niaraka amin'ny fatotra teo amin'ny masony ilay mpaminany.

1 Kings 20:39

Nahoana ilay mpaminany no niteny tantara iray tamin'ny mpanjakan'Israely?

Ilay mpaminany dia niteny tantara iray tamin'ny mpanjakan'Israely mba hamitahana azy, ka dia nanao fanapahana iray ny mpanjaka izay ho vokatrin'ny fijaliana amin'ny fiainan'ny mpanjaka.

1 Kings 20:41

Inona no fanambaràna sahy nataon'ny mpaminany tamin'ny mpanjakan'Israely?

Ny mpaminany dia niteny an'ny mpanjaka fa izy dia hanary ny fiainany satria izy efa namela ilay lehilahin'Andriamanitra araka ny nandidian'i Yaveh azy ho faty.

1 Kings 21

1 Kings 21:1

Inona no tadiavin'i Ahaba mpanjakan'i Samaria avy amin'i Nabota ilay Jezirelita?

Ahaba, mpanjakan'i Samaria, dia mitady ny tanim-boaloboka avy amin'i Nabota, izay eo akaikin'ny lapany.

Inona no nataon'i Ahaba takalon'ny tanim-boalobok'i Nabota?

Ahaba dia hanolotra tanim-boaloboka tsaratsara kokoa na hanome vola azy.

1 Kings 21:3

Nahoana i Nabota no nandà hanome ny tanim-boalobony ho an'i Ahaba?

Nandà ny hanome ny tanim-boalobony ho an'i Ahaba i Nabota satria lovany avy amin'ny razambeny izany.

Inona no nataon'i Ahaba rehefa nandà ny hanome ny tanim-boalobony i Nabota?

Nalahelo sy tezitra i Ahaba, nandeha natory, ary nandà nihinan-kanina.

1 Kings 21:5

Iza no niteny tamin'i Ahaba mba hitsangana avy teo am-pandriana, hihinan-kanina, ary hifaly?

Jezebela, ny vadin'i Ahaba, no niteny taminy mba hiala avy teo am-pandriana, hihinan-kanina, ary hifaly.

1 Kings 21:8

Inona no nataon'i Jezebela mba hahazoana antoka fa ho azon'i Ahaba ny tanim-boalobok'i Nabota?

Naniraka lehilahy sandoka roa mba hiampanga an'i Nabota amin'ny faniratsirana manohitra an'Andriamanitra sy ny mpanjaka nandritra ny fifadian-kanina iombonana i Jezebela.

Inona no fanamelohana ho an'ny faniratsiran'i Nabota?

Horoahina sy hotoraham-bato ho faty i Nabota.

1 Kings 21:17

Iza no nalefan'i Yaveh tany amin'ny tanim-boaloboka mba hihaona amin'i Ahaba?

Yaveh dia nandefa an'i Elia ilay Tisbita ho any amin'ny tanim-boaloboka.

Inona no nataon'i Ahaba rehefa niteny taminy i Jezebela fa maty i Nabota?

Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia nankany amin'ny tanim-boaloboka izy mba haka izany ho fananana.

1 Kings 21:19

Inona no nolazain'i Elia tamin'i Ahaba fa hiseho aminy nohon'ny fahotany?

Elia dia niteny tamin'i Ahaba fa ny alika no hilelaka ny ràny eny amin'izay nilelafan'izy ireo ny ràn'i Nabota.

1 Kings 21:21

Inona no hafatra avy tamin'i Yaveh nampitain'i Elia tamin'i Ahaba?

Elia dia niteny tamin'i Ahaba fa Yaveh dia nilaza fa ho voafongotra eo amin'ny zazalahy rehetra sy ny andevo ary ny olona afak'Israely izy satria namela an'i Israely hanota.

1 Kings 21:23

Inona no hitranga amin'i Jezebela?

Ny alika no hihinana an'i Jezebela eo akaikin'ny mandan'i Jezirela.

1 Kings 21:27

Inona no nataon'i Ahaba rehefa nandre ireo teny ireo izy?

Nandrovitra ny akanjony izy, nanao akanjo fisaonana, ary nifady hanina.

Inona no nataon'i Yaveh rehefa nanetry ny tenany teo anatrehany i Ahaba?

Yaveh dia nilaza fa tsy hitondra izany loza izany amin'ny andron'i Ahaba Izy, fa hanao izany amin'ny andron'ireo zanany lahy.

1 Kings 22

1 Kings 22:1

Hafiriana no tsy nisian'ny ady teo amin'i Arama sy Israely?

Nandritra ny telo taona no tsy nisy ady teo amin'i Arama sy Israely.

Iza no mpanjakan'i Joda?

Josafata no mpanjakan'i Joda.

1 Kings 22:3

Inona no nangatahan'ny mpanjakan'i Israely ho ataon'i Josafata aminy?

Ny mpanjakan'i Israely dia nangataka an'i Josafata mba handeha ho any Ramota-gileada ary hiady amin'ny mpanjakan'i Arama.

1 Kings 22:5

Iza no nantsoin'ny mpanjakan'Israely miaraka mba hikatsaka ny sitrapon'i Yaveh amin'ity tranga ity?

Ny mpanjakan'Israely dia nampivory ireo mpaminany, lehilahy 400, ary nanontany azy ireo momban'ny fananganana ady amin'i Arama.

1 Kings 22:7

Tamin'ny mpaminany hafa iza ihany koa ny mpanjakan'Israely no nitady hevitra?

Ny mpanjakan'i Israely dia niantso an'i Mikaia zanaka lahin'i Jimia.

1 Kings 22:10

Samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo anatrehan'ireo mpaminany ve i Ahaba mpanjakan'Israely sy i Josafata, inona no faminaniana ren'izy ireo?

Koa satria nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany i Ahaba mpanjakan'Israely sy i Josafata, dia nilaza ireo mpaminany rehetra fa tokony hanafika an'i Ramota izy ireo ay handresy.

1 Kings 22:13

Niray hevitra tamin'ireo mpaminany hafa rehetra ve i Mikaia?

Eny, niray hevitra tamin'ireo mpaminany hafa rehetra i Mikaia.

1 Kings 22:16

Inona no vaovao ratsy nolazain'i Mikaia tamin'ny mpanjakan'Israely?

Mikaia dia nilaza tamin'ny mpanjakan'i Israely fa izy ireo dia tsy hanana mpiandry ondry ary ho aparitaka.

1 Kings 22:21

Ahoana no nilazan'i Mikaia tamin'i mpanjakan'Israely fa izy dia ho voataona handeha ho any Ramota Gileada?

Mikaia dia nilaza tamin'ny mpanjakan'Israely fa amin'ny alalan'ny lainga izay ho lazain'ireo mpaminaniny azy no hahavoataona azy ho any Ramota Gilada.

1 Kings 22:26

Inona no nodidian'ny mpanjakan'Israely ho atao amin'i Mikaia?

Ny mpanjakan'Israely dia nandidy fa i Mikaia dia hosamborina ary ho atao an-tranomaizina sy ho fahanana amin'ny mofo kely sy rano kely fotsiny ihany mandra-piverin'ny mpanjakan'Israely soa aman-tsara.

1 Kings 22:29

Inona no nataon'ny mpanjakan'Israely mba hisorohana ny fahababoana an'ady ao Ramota Gileada?

Ny mpanjakan'Israely dia nody ho olon-kafa mba hisorohana ny fahababoana an'ady ao Ramota Gileada.

1 Kings 22:34

Ahoana no nahazoan'i Ahaba ratra be tamin'ny ady tany Ramota Gileada?

Nisy miaramilan'i Syria iray nandefa kisendrasendra ny zana-tsipìkany ary nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ireo fiarovan-tratrany izany.

1 Kings 22:37

Taiza i Ahaba no nalevina?

Tao Samaria i Ahaba no nalevina.

1 Kings 22:39

Iza no lasa mpanjaka tamin'ny nahalasàna an'i Araba?

I Ahazia zanany lahy no lasa mpanjakan'Israely.

1 Kings 22:41

Hafiriana no nanjakan'i Josafata tao Jerosalema?

Josafata dia nanjaka dimy amby roapolo tao Jerosalema.

1 Kings 22:43

Inona no voalaza mahakasika ny fanjakan'i Josafata?

Voalaza fa i Josafata dia tsy nanao ny marina teo imason'i Yaveh.

1 Kings 22:51

Inona no voalaza mahakasika ny fanjakan'i Ahaba?

Voalaza fa i Ahaba dia nanao ny ratsy teo imason'i Yaveh.