Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Ruth 1

Ruth 1:1

Nandritra ny fotoana manao ahoana tamin'ny tantaran'ny Jiosy no nitrangan'ny tantaran'i Rota?

Izany dia nitranga tamin'ny andro izay nanjakan'ny fitsaràna.

Nahoana i Elimeleka no nanala an'i Moaba tamin'ny fianakavian?

Nanala azy izy satria nisy mosary tany Joda

Ruth 1:3

Inona no nitranga tamin'ny fianakavian'i Naoma tany Moaba?

Ny vadiny sy ireo zanany roalahy dia maty, nandao ireo vinanto vaviny roa.

Ruth 1:6

Nahoana i Naoma no nanapa-kevitra hiverina tamin'i Joda?

Izy dia naheno fa Yaveh efa nanome sakafo ny olon'ny Joda.

Ruth 1:8

Inona no tian'i Naomy ho ataon'ireo vinanto vaviny roa?

Izy dia naniry azy ireo hiverina amin'ny tranon-dreniny ary hitady vady hafa.

Ruth 1:11

Iza no ninoan'i Naomy tamin'ny loharanon'ny olany?

Izy dia nino fa Yaveh no loharanon'ny olany.

Ruth 1:16

Oviana Rota no nijanona niaraka tamin'i Naomy, ary inona no fapanantenana nataony tamin'i Naomy?

Hoy izy: "Izay halehanao, dia alehako; ary izay hitoeranao, dia hitoerako; ny vahoakanao dia vahoakako, ary ny Andriamanitrao dia ho Andriamanitro: izay hafatesanao, dia hafatesako."

Ruth 1:19

Taiza ny tanàna niverenan'i Naomy?

Niverina tany Betlehema izy.

Inona no anarana tian'i Naomy ho antsoina ary nahoana?

Nangataka ny antsoina hoe: "Mara" izy, satria nino izy fa Yaveh efa nampitondra azy ny mangidy indrindra.

Ruth 1:22

Ftotoana inona ao anatin'ny taona no nahatongavan'i Naomy sy Rota tany Betlehema?

Izany dia tamin'ny fiandohan'ny fijinjam-bary.

Ruth 2

Ruth 2:1

Inona no fifandrasiana teo amin'ny fahafatersan'ny vadin'i Noamy sy Boaza?

Izy ireo dia mpihavana akaiky.

Iza no nolazain'i Rota izay ho arahiny rehefa fanangonam-bary, araka ny nandehanany nivoaka hitsimpona tamin'ny fotoana voalohany?

Izy dia hanaraka olona iray eo imason'izay nahitany sitraka.

Ruth 2:3

Inona no fifandraisana teo amin'ny fahafatesan'ny vadin'i Naomy sy Boaza?

Izy ireo dia mpihavana akaiky

Inona no fiarahabana nataon'i Boaza nomeny ireo mpiasany?

Hoy izy: "Homba anareo anie Yaveh."

Ruth 2:5

Inona no tian'i Boaza ho fantatra mahakasika an'i Rota?

Izy dia te hafantatra izay lehilahy ho azy.

Ruth 2:8

Inona no fampianarana nataon'i Boaza homena an'i Rota momban'ny fanangonam-bariny?

Hoy izy: "Mijanona ka miasà ao amin'ny sahako miaraka amin'ireo mpiasa vaviko."

Ruth 2:10

Taorian'ny fandraisana ireo fampianarana tsara, inona no fanontaniana napetrak'i Rota tamin'i Boaza?

Hoy izy: "Nahoana aho no hitady sitraka eo imasonao?"

Inona no asa tsaran'i Rota ren'i Boaza?

Nahare izy fa nandao ny tranony i Rota nanaraka an'i Naomy.

Teo ambany helatr'iza no nilazan'i Boaza ny nahitan'i Rota fiarovana?

Rota dia nahita fiarovana teo ambany helatr'i Yaveh.

Ruth 2:15

Inona no sitraka fanampiny nasehon'i Boaza tamin'i Rota rehefa niverina niasa taorian'ny fotoana fisakafoana izy ireo?

Namela an'i Rota hitsimpona eo amin'ireo amboara izy, ary nandidy ireo mpijinja hanongotra ireo amboara ho azy amin'ny fanangonana.

Ruth 2:19

Oviana i Naomy no nahita ilay vary be izay nentin'i Rota niverina, dia inona no fanontaniana napetrany tamin'i Rota?

Nanontany izy hoe: "Taiza ianao no nanangona androany?"

Inona no fifandraisana teo amin'ny fahafatesan'ny vadin'i Naomy sy Boaza?

Izy ireo mpihavana akaiky.

Inona no nirian'i Naomy an'i Boaza raha vao reny fa i Boaza dia nanampy an'i Rota?

Hoy izy: "Ho tahian'i Yaveh anie izy"

Tamin'iza Naomy no nilaza ireo zavatra tsara izay mitranga aminy amin'izao?

Izy dia nilaza azy ireo tamin'i Yaveh.

Ruth 2:21

Nahoana i Naomy no niheritreritra fa tsara ho an'i Rota izany mba hiasàna miaraka amin'ireo mpiasa vavin'i Boaza?

Rota dia tsy ho avy hanaratsy any amin'ireo saha hafa, amin'ny fanaovana izany.

Ruth 2:23

Inona no nataon'i Rota tamin'ireo ambin'ny vary hordea?

Nanangona niaraka tamin'ireo mpiasan'i Boaza izy ary nitoetra niaraka tamin'i Naomy.

Ruth 3

Ruth 3:1

Inona no nolazain'i Noamy fa ny faniriany dia hoan'i Rota?

Izy dia naniry izay hananan'i Rota toerana fitsaharana, sy izay hampizotra tsara ireo zavatra ho azy.

Ruth 3:3

Inona no noresahan'i Naomy ho ataon'i Rota talohan'ny fandehanana nidina tany am-pamoloana?

Izy dia nilaza taminy mba hidio, hanisy zava-manitra, ary hanova akanjo.

Inona no nataon'i Rota rehefa nandeha tany amin'izay toerana nandrian'i Boaza izy?

Nanala ny lamba teo amin'ny tongony izy ary nandry teo.

Inona no toe-tsain'i Rota tamin'ny fampianaran'i Naomy?

Efa vonona ny hanaraka ny fampianaran'i Naomy rehetra izy.

Ruth 3:8

Tamin'ny misasakalina, inona no nahataitra an'i Boaza hitady?

Izy dia taitra mba hitady izay vehivavy nandry tamin'ny tongony.

Inona no fangatahan'i Rota tamin'i Boaza?

Hoy izy: "Ahelezo eo amin'ny mpanomponao ny lambanao, fa ho mpiahavana akaiky ianareo."

Ruth 3:10

Nahoana Boaza no nangataka fitahiana tamin'i Yaveh ho an'i Rota?

Satria i Boaza no narahan'i Rota fa tsy ireo tovolahy.

Inona no nolazain'i Boaza izay hanaovany momba ny fangatahan'i Rota?

Izy dia nilaza izay ho ataony amin'ireo rehetra nangatahiny.

Ruth 3:12

Inona no sakana hisoroan'i Boaza avy amin'ny fanaovana ny anjara maha mpihavana avy hatrany ho an'i Rota?

Tsy nisy havana akaiky hafa mihoatra an'i Boaza.

Ahoana no nandehanan'i Boaza namaritra izay hiasa tahaka ny havana ho an'i Rota?

Raha efa vonona ilay havana akaiky, dia hanao anjaram-pihavanana izy, fa raha tsy vonona izy, dia Boaza no ho havana akaiky.

Ruth 3:14

Nahoana Rota no nandao ny famoloana tany am-boalohany talohan'ny nahafantaran'ny olona azy?

Satria Boaza efa niteny fa tsy tokony ho fantatra izay nahatongavany tao am-pamoloana.

Inona no fanomezana nomen'i Boaza an'i Rota talohan'ny nandaozany ny famoloana?

Izy dia nanome vary hordea inenin'ny famarana azy.

Ruth 3:16

Azon'i Naomy antoka fa hamaha olana amin'ny fotoana inona Boaza?

Hamaha izany amin'ny faran'ny andro mitovy izy.

Ruth 4

Ruth 4:1

Taiza i Boaza no nandeha namahana ny olan'izay ho havana akaiky ho an'i Rota?

Nandeha tany amin'ny vavahadin'ny tanàna izy.

Iza no nangatahan'i Boaza hijanona ho vavolombelona?

Nangataka lehilahy folo tamin'ireo mpitariky ny tanàna izy.

Ruth 4:3

Inona no nangatahan'i Boaza voalohany tamin'ireo havana akaiky hafa hanavotana raha ny faniriany?

Nangataka azy izy mba hanavotra ny vondron-tany nanana tamin'ny alalan'i Elimeleka.

Inona no navalin'ireo havana akaiky hafa?

Hoy izy hoe: "Hanavotra izany aho."

Ruth 4:5

Fanampin'ny fangatahana momba ny inona no nolazain'i Boaza tamin'ireo havana akaiky hafa?

Izy dia nilaza taminy fa haka an'i Rota ihany koa izy mba hitoizan'ny anaran'i Elimeleka amin'ny lovany.

Taorian'izany, inona no navalin'ireo havana akaiky hafa?

Hoy izy: "Tsy afaka hanavotra izany aho."

Nahoana ireo havana akaiky hafa no nilaza fa tsy ho mpanavotra izy ireo?

Satria dia hampisy fahavoazana ny lovany manokana izany.

Ruth 4:7

Inona no nataon'ireo havana akaiky hafa hampisehoana izay naneken'i Boaza ny tokony ho mpanavotra?

Izy dia nanala ny kirarony ary nanome izany an'i Boaza.

Ruth 4:9

Nampatsiaro ireo loholona izay nijoroan'izy ireo vavolombelona an'ilay fifanarahana roa ve Boaza?

Efa nijoro vavolombelona izy ireo fa i Boaza efa nividy manontolo izay an'i Elimeleka, sy izay nahazahoany an'i Rota ho vadiny.

Ruth 4:11

Inona no fitahiana nirian'ny olona ho an'i Boaza?

Naniry zanaka tamin'i Rota ho azy ny olona.

Ruth 4:13

Nahoana ireo vehivavy no nilaza fa i Rota dia tsara ho an'i Naomy mihoatra noho ireo zanaka lahy fito?

Noho ny fitiavan'i Rota an'i Naomy, ary satria Rota efa nanome anaka tamin'ny zafikeliny ho an'i Naomy.

Ruth 4:16

Inona no fifandraisan'i Naomy tamin'ny zanaka lahin'i Rota?

Lasa mpiambiny i Naomy.

Iza no anaran'ny zanaka lahin'i Rota?

Obeda no anarany.

Ray sy raibe an'iza i Obeda?

Obeda no rain'i Jese ary raiben'i Davida.