Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Acts 1

Acts 1:1

Iza no nanoratan'i Lioka ity boky ity?

Nosoratan'i Lioka ho an'i Teofilo ity boky ity.

Inona no nataon'i Jesosy nandritra ny efapolo andro taorian'ny fijaliany?

Niseho velona tamin'ireo apostoliny i Jesosy, ary nilaza zavatra momba ny fanjakan'Aandriamanitra.

Acts 1:4

Inona no nandidian'i Jesosy mba handrasan'ireo apostoly?

Nasain'i Jesosy niandry ny fampanantenan'ny Ray ireo apostoliny.

Hatao batisa amin'ny inona ireo apostoly afaka andro vitsy?

Hatao batisa amin'ny Fanahy Masina ireo apostoly.

Acts 1:6

Rehefa nanontany mahakasika ny fotoana hamerenana ny fanjakana ieo apostoly, ahoana ny fomba namalian'i Jesosy azy ireo?

Nambaran'i Jesosy tamin'izy ireo fa tsy anjaran'izy ireo ny hahalala ny fotoana.

Inona no nambaran'i Jesosy fa ho raisin'izy ireo avy amin'ny Fanahy Masina?

Nambaran'i Jesosy fa handray hery ireo apostoly.

Aiza avy hoy Jesosy ireo apostoly no ho vavolombelony?

Nambaran'i Jesosy fa ho vavolombelony any Jodia, Samaria ary any amin'ny faran'ny tany ieo apostoly.

Acts 1:9

Ahoana no nialan'i Jesosy tamin'ireo apostoly?

Nakarina Izy ary nisy rahona nanafina Azy lavitry ny mason'izy ireo.

Ahoana hoy ireo anjely ny hiverenan'i Jesosy eto an-tany indray?

Nambaran'ireo anjely fa hiverina amin'ny fomba mitovy amin'ny niakarany tany an-danitra i Jesosy.

Acts 1:12

Inona no nataon'ireo apostoly, ireo vehivavy, i Maria, ary ireo rahalahin'i Jesosy tao amin'ny efitrano ambony?

Nivavaka tamin-kafanam-po izy ireo.

Acts 1:15

Inona no tanteraka tamin'ny fiainan'i Jodasy, ilay namadika n'i Jesosy?

Tanteraka tamin'i fiainan'i Jodasy ny soratra masina.

Acts 1:17

Inona no nanjo an'i Jodasy taorian'ny nadraisany ny vola namadihany an'i Jesosy?

Nividy saha i Jodasy, lavo nohohoka, vaky nisokatra ny vatany, ary nivoaka avokoa ny tsinainy.

Acts 1:20

Ao amin'ny bokin'ny Salamo, inona no ambaran'izany fa tokony hitranga amin'ny toerana maha-mpitarika an'i Jodasy?

Ambaran'ny Salamo fa tokony ho tanterahin'olon-kafa ny toerana maha-mpitarika an'i Jodasy.

Acts 1:21

Inona no takiana amin'izay lehilahy haka ny toerana maha-mpitarika an'i Jodasy?

Izay olona handray ny toerany dia tokony ho niaraka tamin'ireo apostoly nanomboka tamin'ny fotoana nanaovan'i Jaona batisa, ary tsy maintsy vavolombelon'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty.

Acts 1:24

Ahoana ny fomba namaritan'ireo apostoly hoe iza amin'ireo mpilatsaka anankiroa no tokony haka ny toeran'i Jodasy?

Nivavaka ireo apostoly mba hampisehoan'Andriamanitra ny safidiny, ary nataon'izy ireo hatsapaka.

Iza ary no nisaina niaraka tamin'ireo apostoly iraika ambin'ny folo?

Matia no nisaina hiaraka amin'ireo apostoly iraka ambin'ny folo lahy.

Acts 2

Acts 2:1

Inona no andro firavoravoan'ny Jiosy niarahan'ireo mpianatra?

Tamin'ny andron'ny Pentekosta no niarahan'ireo mpianatra.

Rehefa tonga tao amin'ilay trano ny Fanahy Masina, inona no nanomboka nataon'ireo mpianatra?

Nanomboka niteny tamin'ny fiteny hafa ireo mpianatra.

Acts 2:5

Tany Jerosalema tamin'io fotoana io, avy aiza ireo olon'Andriamanitra Jiosy?

Nisy olon'Andriamanitra Jiosy avy tany amin'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra tany.

Nahoana no sahiran-tsaina ireo vahoaka rehefa nandre ireo mpianatra niteny?

Sahiran-tsaina ireo vahoaka satria samy nandre azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy ny olon-drehetra.

Acts 2:8

Momba ny inona no noresahin'ireo mpianatra?

Nilaza momba ireo asa mahagagan'Andriamanitra ireo mpianatra.

Acts 2:12

Inona no noheverin'ireo sasany izay nanaraby ireo mpianatra?

Ny sasany dia nanaraby azy ireo ary nihevitra azy ireo ho mamon-divay vaovao.

Acts 2:16

Inona no nambaran'i Petera fa tanteraka tamin'io fotoana io?

Nambaran'i Petera fa tanteraka ny faminanian'i Joela izay nanambara fa hampilatsaka ny Fanahiny amin'ny nofo rehetra Andrimanitra.

Acts 2:20

Ao amin'ny faminanian'i Joela, iza ireo izay voavonjy?

Izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no voavonjy.

Acts 2:22

Ahoana no fomba nanamarinan'Aandriamanitra ny asa fanompoan'i Jesosy?

Nohamarinina tamin'ny asa mahagaga sy ny fahagagana ary ireo famantarana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny alalany ny asa fanompoan'i Jesosy.

Drafitr'iza ny nanomboana an'i Jesosy?

Drafitra efa voalamin'Andriamanitra ny nanomboana an'i Jesosy.

Acts 2:25

Ao amin'ny Testamenta Taloha, inona no naminanian'i Davida Mpanjaka momba ilay Iray Masin'Andriamanitra?

Nambaran'i Davida Mpanjaka fa tsy hamela ny Iray Masiny hahita ny fahalovana Andriamanitra.

Acts 2:27

Ao amin'ny Testamenta Taloha, inona no naminanian'i Davida Mpanjaka momba ilay Iray Masin'Andriamanitra?

Nambaran'i Davida Mpanjaka fa tsy hamela ny Iray Masiny hahita ny fahalovana Andriamanitra.

Acts 2:29

Inona no fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'i Davida Mpanjaka mahakasika ireo taranany?

Nampanantenain'Andriamanitra tamin'i Davida fa hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana ny iray amin'ny taranany.

Ao amin'ny Testamenta Taloha, inona no naminanian'i Davida Mpanjaka momba ilay Iray Masin'Andriamanitra?

Nambaran'i Davida Mpanjaka fa tsy hamela ny Iray Masiny hahita ny fahalovana Andriamanitra.

Acts 2:32

Iza ilay Iray Masin'Andriamanitra izay tsy nahita fahalovana ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana?

Jesosy no Iray Masin'Andriamanitra sady Mpanjaka araka ny faminaniana.

Acts 2:34

Inona ireo fiantsoana roa nomen'Andriamanitra an'i Jesosy ka nitorian'i Petera?

Nataon'Andriamanitra Kristy sady Tompo i Jesosy.

Acts 2:37

Rehefa nandre ny fitorian'i Petera ny vahoaka, inona no nasetrin'izy ireo?

Nanontany ny amin'ny izay tokony hataon'izy ireo ny vahoaka.

Inona no nasain'i Petera nataon'izy ireo?

Nasain'i Petera nibebaka ary natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy ireo ho famelana ny helony.

Ho an'iza hoy Petera ny fampanantenan'Andriamanitra?

Nambaran'i Petera fa ho an'ireo vahoaka, ny zanak'izy ireo, ary ho an'izay lavitra ny fampanantenan'Andriamanitra.

Acts 2:40

Firy ireo olona natao batisa tamin'io andro io?

Olona telo arivo teo ho eo no natao batisa.

Nanohy tamin'ny inona ireo olona vita batisa?

Nanohy tamin'ny fampianarana sy ny fiombonan'ireo apostoly tamin'ny fanapakana ny mofo sy ny vavaka izy ireo.

Acts 2:43

Inona no nataon'ireo izay nino ho fanampiana ireo izay tao anatin'ny tsy fahampiana?

Nivaro-tany sy fananana izy ireo ary nizara izany tamin'izy rehetra, araka ny filan'ny tsirairay avy.

Acts 2:46

Taiza no niangonan'ireo mpino tamin'io fotoana io?

Niangona tao an-tempoly ireo mpino.

Iza no nanampy isa ireo voavonjy isan'andro isan'andro.

Ny Tompo no nanampy isa isan'andro isan'andro ireo izay voavonjy.

Acts 3

Acts 3:1

Iza no hitan'i Petera sy Jaona teny an-dalana ho any an-tempoly?

Nahita lehilahy nalemy hatrany am-bohoka izay nangataka teo am-baravaran'ny Tempoly i Petera sy Jaona.

Acts 3:4

Tsy nanome inona ho an'ilay lehilahy i Petera?

Tsy nanome volafotsy sy volamena ho an'ilay lehilahy i Petera.

Acts 3:7

Inona no nataon'i Petera ho an'ilay lehilahy?

Nanome fahafahana handeha ho an'ilay lehilahy i Petera.

Ahoana no fihetsika nasetrin'ilay lehilahy tamin'izay nomen'i Petera azy?

Niditra tao an-tempoly ilay lehilahy sady nandeha, nitsambikina, ary nidera an'Andriamanitra.

Acts 3:9

Ahoana no fihetsika nasetrin'ireo olona izay nahita ilay lehilahy tao an-Tempoly?

Feno fahagagana sady talanjona ireo olona.

Acts 3:15

Inona no nampatsiahivin'i Paoly tamin'ireo olona ny amin'ny nanaovan'izy ireo an'i Jesosy?

Nampatsiahy ny olona i Petera fa novonoin'izy ireo i Jesosy.

Inona hoy Petera no nahasitrana ilay lehilahy?

Nambaran'i Petera fa ny finoan'ilay lehilahy an'i Jesosy no nahasitrana azy.

Acts 3:19

Inona no nasain'i Petera nataon'ny olona?

Nasain'i Petera nibebaka izy ireo.

Acts 3:21

Mandra-pahoviana no handraisan'ny lanitra an'i Jesosy hoy Petera?

Nambaran'i Petera fa ambara-pahatongan'ny fotoana hamerenana amin'ny laoniny ny zavatra rehetra, dia ho raisina any an-danitra i Jesosy.

Inona no nambaran'i Mosesy momba an'i Jesosy?

Nambaran'i Mosesy fa hanangana mpaminany tahaka ny tenany ny Tompo Andriamanitra, izay ho henoin'ny olona.

Inona no hanjo ny olona rehetra izay tsy mihaino an'i Jesosy?

Ny olona izay tsy mihaino an'i Jesosy dia ho ringana tanteraka;

Acts 3:24

Fampanantenana velirano inona ao amin'ny Testamenta Taloha no nampatsiahivin'i Petera ny olona?

Nampatsiahivin'i Petera tamin'ny olona fa zanaky ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama izy ireo rehefa niteny Andriamanitra hoe: "Amin'ny taranakao no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany."

Toy ny ahoana no nanirian'Andriamanitra ny hitahy ny Jiosy?

Naniry ny hitahy ny Jiosy Andriamanitra tamin'ny nandefasany an'i Jesosy aloha mba hamily azy ireo hiala amin'ny faharatsiany.

Acts 4

Acts 4:1

Inona no nampianarin'i Petera sy Jaona ny olona tao an-Tempoly?

Nampianatra momba an'i Jesosy sy ny fitsanganany tamin'ny maty i Petera sy Jaona.

Ahoana no fihetsika nasetrin'ireo mpanapaka, ireo mpisorona, ary ireo Sadoseo nanoloana ny fampianaran'i Petera sy Jaona?

Nosamborin'izy ireo i Petera sy Jaona ary nalefany tany am-pigadrana.

Ahoana no fihetsika nasetrin'ny olona nanoloana ny fampianaran'i Petera sy Jaona?

Olona maro no nino, teo ho eo amin'ny dimy arivo.

Acts 4:8

Tamin'ny fahefana inona na tamin'ny anaran'iza ho Petera no nanasitranany ilay lehilahy teo an-Tempoly?

Nambaran'i Petera fa tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy no nanasitranany ilay lehilahy tao an-Tempoly.

Acts 4:11

Inona hoy Petera no hany lalana afaka hamonjena antsika?

Nambaran'i Petera fa tsy misy anarana hafa afaka hamonjena antsika afa-tsy Jesosy.

Acts 4:13

Nahoana no tsy afa-niteny na inona na inona hanohitra an'i Petera sy Jaona ireo mpitarika Jiosy?

Tsy afa-niteny na inona na inona ireo mpitarika Jiosy satria nijoro niaraka tamin'i Petera sy Jaona ilay lehilahy sitrana.

Acts 4:15

Inona no nandidian'ireo mpitarika Jiosy mba tsy hataon'i Petera sy Jaona?

Nandidy an'i Petera sy Jaona mba tsy hiteny na hampianatra momba an'i Jesosy ireo mpitarika Jiosy.

Acts 4:19

Ahoana no namalian'i Petera sy Jaona ieo mpitarika Jiosy?

Nambaran'i Petera sy Jaona fa tsy misy azon'izy ireo hatao afa-tsy ny milaza momba ireo zavatra hita sy ren'izy ireo.

Acts 4:29

Inona no nangatahin'ireo mpino tamin'Andriamanitra ho setrin'ny fampitandreman'ireo mpitarika Jiosy?

Nangataka fahasahiana hilaza ny teny, ary famantarana sy fahagagana mba hatao amin'ny anaran'i Jesosy ireo mpino.

Inona no niseho rehefa avy nivavaka ireo mpino?

Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny toerana niangonan'izy ireo, feno ny Fanahy Masina izy ireo, ary nanambara ny teny amin-kasahiana.

Acts 4:32

Ahoana no nonomezana izay nilain'ireo mpino?

Nikambanan'ireo mpino ny zavatra rehetra, ary ireo izay nanana tany dia nivarotra izany ka nanome ny vola mba ho zaraina araka izay nilaina.

Acts 4:34

Ahoana no nonomezana izay nilain'ireo mpino?

Nikambanan'ireo mpino ny zavatra rehetra, ary ireo izay nanana tany dia nivarotra izany ka nanome ny vola mba ho zaraina araka izay nilaina.

Acts 4:36

Inona no anarana vaovao, izay midika hoe "Zanaky ny Fampaherezana," nomena ilay lehilahy nivarotra ny sahany ary nanome ny vola ho an'ireo apostoly?

Barnabasy no anarana nomena ilay lehilahy nantsoina hoe: "Zanaky ny Fampaherezana."

Acts 5

Acts 5:1

Inona no fahotana nataon'i Ananiasy sy Safira?

Nandainga i Ananiasy sy Safira tamin'ny nilazany fa nanome ny vidim-pananany manontolo, kanefa ampaham-bidy ihany no nomen'izy ireo.

Acts 5:3

Tamin'iza hoy Petera no nandaingan'i Ananiasy sy Safira?

Nambaran'i Petera fa nandainga tamin'ny Fanahy Masina i Ananiasy sy Safira.

Inona no fitsaran'Andriamanitra nihatra tamin'i Ananiasy?

Novonoin'Andriamanitra i Ananiasy.

Acts 5:9

Inona no fitsaran'Andriamanitra nihatra tamin'i Safira?

Novonoin'Andriamanitra i Safira.

Inona no fihetsiky ny fiangonana sy ireo rehetra nahare momba an'i Ananiasy sy Safira?

Tahotra lehibe no nanenika ny fiangonana sy ireo izay nandre ny amin'i Ananiasy sy Safira.

Acts 5:14

Inona no nataon'ny olona sasany mba hahasitrana ireo marary?

Nisy nitondra ny marary teny an-dalana mba handalovan'ny alok'i Petera, ary ny sasany dia nitondra ny marary avy any amin'ny tanàna hafa nankany Jerosalema.

Acts 5:17

Ahoana no fihetsik'ireo Sadoseo nanoloana ireo narary rehetra nositranina tao Jerosalema?

Feno fialonana ireo Sadoseo ary nandefa ny apostoly tany am-ponja.

Acts 5:19

Ahoana no fomba nivoahan'ireo apostoly tao am-ponja?

Nisy anjely tonga ary nanokatra ny varavaran'ny fonja ka namoaka azy ireo.

Acts 5:22

Inona no hitan'ireo mpiandry raharahan'ny mpisoronabe rehefa nankany amin'ny fonja izy ireo?

Hitan'izy ireo fa nihidy mafy tsara ny fonja, saingy tsy nisy olona tao.

Acts 5:26

Nahoana no tsy nentin'ireo mpiandry rahahara niverina an-keriny tany amin'ny mpisoronabe sy ny synedriona ireo apostoly?

Natahotra ireo mpiandry raharaha sao hitora-bato azy ireo ny olona;

Acts 5:29

Inona no nolazain'ireo apostoly rehefa nohadihadiana ny amin'ny antony nampianaran'izy ireo tamin'ny anaran'i Jesosy rehefa tsy nampiandraiketena izany?

Hoy ireo apostoly hoe: " Tsy maintsy mankatoa an'Andriamanitra fa tsy ny olona izahay."

Iza hoy ireo apostoly no tompon'antoka tamin'ny famonoana an'i Jesposy?

Nambaran'ireo apostoly fa ny mpisoronabe sy ireo mpikambana ao amin'ny synedriona no tompon'antoka tamin'ny famonoana an'i Jesosy.

Acts 5:33

Ahoana no fihetsik'ireo mpikambana tao amin'ny synedriona nanoloana ny filazana fa izy ireo no tompon'antoka tamin'ny famonoana an'i Jesosy?

Sosotra mafy ireo mpikambana tao amin'ny synedriona ary nitady ny hamono ireo apostoly.

Acts 5:38

Inona no torohevitr'i Gamaliela tamin'ny synedriona?

Nanoro hevitra ny synedriona i Gamaliela mba hamela irery ny apostoly.

Inona no nambaran'i Gamaliela fa mety hataon'ny synedriona ny farany raha mitady ny handavo an'ireo apostoly izy ireo?

Nampitandrina ny synedriona i Gamaliela fa mety hiady amin'Andriamanitra izy ireo ny farany.

Acts 5:40

Farany, inona no nataon'ny synedriona tamin'ireo apostoly?

Nokapohin'ny synedriona izy ireo ary nodidiany tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy, ary navelany nandeha.

Ahoana no fihetsik'ireo apostoly nanoloana ny fitondrana azon'izy ireo tamin'ny synedriona?

Nifaly izy ireo fa nisaina ho mendrika ny hiaritra fanalam-baraka nohon'ny anaran'i Jesosy.

Inona no nataon'ireo apostoly isan'andro taorian'ny fihaonan'izy ireo tamin'ny synedriona?

Nitory ary nampianatra isan'andro izy ireo fa i Jesosy no Kristy.

Acts 6

Acts 6:1

Inona no fitarainana nanomboka teo amin'ny ireo Jiosy miteny Grika hanoherana ireo Hebreo?

Nitaraina ireo Jiosy miteny Grika fa odian-tsy hita ny mpitondra-tenan'izy ireo amin'ny fizaran-tsakafo isan'andro.

Acts 6:2

Iza no nisafidy ieo olona fito hiahy ny raharaha fizaran-tsakafo?

Ireo mpianatra (rahalahy) no nisafidy ireo olona fito.

Inona no fepetra takiana mba ho voafidy ho isan'ireo olona fito?

Tokony ho tsara laza ireo olona fito, ary fenon'ny Fanahy sy fahendrena.

Hanohy amin'ny inona ireo apostoly?

Hanohy amin'ny vavaka sy asa fanompoan'ny Teny ireo apostoly.

Acts 6:5

Inona no nataon'ireo apostoly rehefa nitondra ireo olona fito ny mpino?

Nivavaka ary nametra-tanana tamin'izy ireo ny apostoly.

Acts 6:7

Inona no niseho tamin'ireo mpiantra tany Jerosalema?

Nitombo isa tokoa ireo mpianatra, ao anatin'izany ny isan'ireo mpisorona.

Acts 6:10

Iza no nandresy tamin'ny ady hevitra teo amin'ireo Jiosy tsy mpino sy Stefana?

Tsy afa-nijoro nanohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenan'i Stefana ireo Jiosy tsy mpino.

Acts 6:12

Inona no fiampangana nataon'ireo vavolombelona sandoka hanoherana an'i Stefana teo amin'ny synedriona?

Notsindrian'ireo vavolombelona sandoka fa nambaran'i Stefana hoe handrava ity toerana ity ary hanova ny fomban'i Mosesy i Jesosy.

Rehefa nijery an'i Stefana ny synedriona, inona no hitan'izy ireo?

Hitan'izy ireo fa toy ny tavan'anjely ny tavany.

Acts 7

Acts 7:1

Namerina ny tantaran'ny vahoaka Jiosy nanomboka tamin'ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'iza i Stefana?

Natombok'i Stefana tamin'ny firesahana momba ny fampanantenan'Andriamanitra tamin'i Abrahama ny tantara.

Acts 7:4

Inona no fampanantenan'Andriamanitra tamin'i Abrahama?

Nampanantena tany tamin'i Abrahama sy ireo taranany Andriamanitra.

Nahoana no toa tsy hay tanterahina ny fampanantenan'Andriamanitra tamin'i Abrahama?

Toa tsy hay atao ny fampanantenan'Andriamanitra satria tsy nanan-janaka i Abrahama.

Acts 7:6

Inona no nambaran'Andriamanitra fa hanjo ny taranak'i Aabrahama aloha mandritra ny efa-jato taona?

Nambaran'Andriamanitra fa ho andevo any an-tanin'olona mandritra ny efa-jato taona ny taranak'i Abrahama.

Inona no fanekena nomen'Andriamanitra an'i Abrahama?

Ny faneken'ny famorana no nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.

Acts 7:9

Ahoana no nahatonga an'i Josefa ho andevo tany Egypta?

Nialona azy ireo rahalahiny ary nivarotra azy tany Egypta.

Ahoana no nahatongavan'i Josefa ho governoran'i Egypta?

Nanome sitraka sy fahendrena an'i Josefa teo anatrehan'i Farao Andriamanitra.

Acts 7:11

Inona no nataon'i Jakoba rehefa nisy mosary tao Kanana?

Nandefa ireo zanany lahy tany Egypta i Jakoba satria reny fa nisy vary tany.

Acts 7:14

Nahoana no nifindra tany Egypta i Jakoba sy ireo havany?

Nirahin'i Josefa ireo rahalahiny hiteny amin'i Jakoba mba ho avy any Egypta.

Acts 7:17

Naninona ny isan'ireo zanak'Israely tany Egypta rehefa nanakaiky ny fotoana nampanantenaina tamin'i Abrahama?

Nitombo ary nihabetsaka ny isan'ireo Zanak'Israely tany Egypta.

Ahoana no fomba niezahan'ny mpanjaka vaovao hampihena ny isan'ireo Zanak'Israely?

Noteren'ny mpanjakan'ny Egypta ireo zanak'Israely hanary ny zanak'izy ireo mba tsy ho velona.

Acts 7:20

Ahoana no nahavelona an'i Mosesy izay nariana?

Nalain'ny zanaka vavin'i Farao i Mosesy ary notezainy toy ny tena zanany.

Acts 7:22

Ahoana no fomba nampianarana an'i Mosesy?

Nampianarina ireo fahendren'ny Egyptiana rehetra i Mosesy.

Rehefa efa-polo taona izy, inona no nataon'i Mosesy rehefa nahita ilay Israelita iray nampijaliana?

Niaro ilay Israelita i Mosesy ary namely an'ilay Egyptiana.

Acts 7:29

Nandositra nankaiza i Mosesy?

Nandositra nakany Midiana i Mosesy.

Rehefa valo-polo taona i Mosesy, inona no hitany?

Nahita anjely tao anaty lelafo tao amin'ny memy i Mosesy.

Acts 7:33

Taiza no nandidian'ny Tompo halehan'i Mosesy, ary inona no andeha hataon'Andriamanitra tany?

Nandidy an'i Mosesy handeha ho any Egypta ny Tompo, satria andeha hamonjy ny Zanak'Israely Andriamanitra.

Acts 7:35

Hafiriana no nitariahan'i Mosesy an'ireo Israelita tany an'efitra?

Nitarika ireo Israelita tany an'efitra nandritra ny efa-polo taona i Mosesy.

Inona no naminanian'i Mosesy tamin'ireo Israelita?

Naminany tamin'ireo Israelita i Mosesy fa hanangana mpaminany tahaka azy avy eo amin'ireo rahalahiny Andriamanitra.

Acts 7:41

Ahoana ny fomba nampitodika ny fon'ny Israelita tany Egypta indray?

Nanamboatra omby lahy kely ireo Israelita ary nanao sorona ho an'ny sampy.

Inona no nasetrin'Andriamanitra ny fihodinan'ny Israelita niala taminy?

Niala tamin'ireo Israelita Andriamanitra ary nanolotra azy ireo ho an'ny miaramilan'ny lanitra.

Acts 7:43

Aiza no nambaran'Aandriamanitra fa hitondrany ny Israelita?

Nambaran'Andriamanitra fa hitondra azy ireo any ankoatran'ny Babylona Izy.

Acts 7:44

Tany an'efitra, inona no nadidian'Andriamanitra hatsangan'ireo Israelita, izay nentin'izy ireo tany amin'ilay tany taty aoriana?

Tany an'efitra dia nanangana ny tabernakelin'ny fijoroana vavolombelona ireo Israelita.

Iza no nitondra ny firenena nialoha lalana ny Israelita?

Andriamanitra no nitondra ny firenena nialoha ireo Israelita.

Iza no nangataka hanorina toerana honenan'Andriamanitra?

Davida no nangataka hanangana toerana honenan'Andriamanitra.

Acts 7:47

Iza no tena nanorina trano ho an'Andriamanitra?

Solomona no nanorina trano ho an'Andriamanitra.

Aiza no misy ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra?

Ny lanitra no seza fiandrianan'ny Avo Indrinda.

Acts 7:51

Inona no niampangan'i Stefana ho nataon'ny olona hatrany, tahaka ny nataon'ny razamben'izy ireo?

Nampangain'i Stefana ho nanohitra ny Fanahy Masina ireo olona.

Inona no nambaran'i Stefana fa nahameloka ireo vahoaka manoloana Ilay Marina?

Nambaran'i Stefana fa namadika sy namono Ilay Marina ireo vahoaka.

Acts 7:54

Ahoana no nasetrin'ireo mpikambana tao amin'ny synedriona ny fiampangan'i Stefana?

Voatsindrona tao am-pony ireo mpikambana tao amin'ny synedriona ary nihidy vazana tamin'i Stefana.

Inona hoy Stefana no hitany raha niandrandra tany an-danitra izy?

Nambaran'i Stefana fa nahita an'i Jesosy nitsangana teo an-tanana ankavanan'Andriamanitra izy.

Acts 7:57

Inona avy eo no nataon'ny synedriona tamin'i Stefana?

Nihazakazaka nankeo aminy ny mpikambana tao amin'ny synedriona, nanipy azy nivoaka ny tanàna, ary nitora-bato azy.

Taiza no nametrahan'ireo vavolombelona ny akanjo ivelan'izy ireo nandritra ny fitoraham-bato an'i Stefana?

Napetrak'ireo vavolombelona teo an-tongotry ny tovolahy iray antsoina hoe Saoly ny ambony akanjon'izy ireo.

Acts 7:59

Inona no zavatra nagatahin'i Stefana farany mialoha ny nahafatesany?

Nangataka tamin'Andriamanitra i Stefana mba tsy hanisany izany heloka izany ho andraikitr'izy ireo.

Acts 8

Acts 8:1

Inona no hevitr'i Saoly momba ny fitoraham-bato an'i Stefana?

Nanaiky ny fahafatesan'i Stefana i Saoly.

Inona no zavatra niantomboka tamin'ny andro nitoraham-bato an'i Stefana?

Niantomboka tamin'ny andro nitoraham-bato an'i Stefana ny fanenjehana mafy ny fiangonana tany Jerosalema.

Inona no nataon'ireo mpino tany Jerosalema?

Niparitaka nanerana ireo faritr'i Jodia sy Samaria ireo mpino tao Jerosalema.

Acts 8:6

Nahoana no nihaino tsara izay nolazain'i Filipo ny vahoakan'i Samaria?

Nihaino tsara ny vahoaka rehefa nahita ireo famantarana nataon'i Filipo.

Acts 8:9

Nahoana no nihaino tsara an'i Simona ny vahoakan'i Samaria?

Nihaino tsara ny vahoaka rehefa nahita ny odiny.

Acts 8:12

Rehefa nandre ny hafatr'i Filipo i Simona, inona no nataony?

Nino ihany koa i Simona ary natao Batisa.

Acts 8:14

Inona no nitranga rehefa nametra-tanana tamin'ireo mpino tany Samaria i Petera?

Nandray ny Fanahy Masina ireo mpino tany Samaria.

Acts 8:18

Inona no tolotra nomen'i Simona ho an'ireo apostoly?

Nanolotra vola ho an'ireo apostoly i Simona ho takalon'ny hery hanomezana ny Fanahy Masina amin'ny alalan'ny fametrahan-tanana.

Acts 8:20

Taorian'ny nanaovan'i Simona io tlotra io tamin'ireo apostoly, inona no nambaran'i Petera fa toe-panahiny?

Nambaran'i Paoly fa voapoizin'ny fangidiana sy ny famatoran'ny fahotany i Simona.

Acts 8:26

Inona no nasain'ny anjely nataon'i Filipo?

Nasain'ny anjely nandeha tany atsimo ho any an-tany hay makany Gaza i Filipo.

Iza no nifanena tamin'i Filipo ary inona no nataon'izany olona izany?

Nifanena tamina ionoka iray nanana fahefana lehibe avy any Etiopia, izay nipetraka teo amin'ny kalesiny namaky ny bokin'Isaia mpaminany i Filipo.

Acts 8:29

Inona no fanontaniana napetrak'i Filipo tamin'ilay lahilahy?

Nanontany Filipo hoe: "Azonao ve izay vakianao?"

Inona no nagatahin'ilay lehilahy mba hataon'i Filipo?

Nagataka tamin'i Filipo mba hiakatra ao anaty kalesy ary hanazava izay novakiany ilay lehilahy.

Acts 8:32

Inona no nanjo ilay olona voafaritra tao amin'ny soratra masina avy tao amin'Isaia izay novakiany?

Nentina toy ny ondry ho vonoina ilay olona, saingy tsy nisoka-bava.

Acts 8:34

Inona no fanontaniana napetrak'ilay lehilahy tamin'i Filipo mahakasika izay novakiany?

Nanontany tamin'i Filipo ilay lehilahy raha miresaka momba ny tenany ihany ilay mpaminany na momba ny olon-kafa.

Iza hoy Filipo ilay olona tao amin'ny soratra masina avy ao amin'Isaia?

Nohazavain'i Filipo fa Jesosy ilay olona tao amin'ny soratra masina avy ao amin'Isaia.

Acts 8:36

Inona no naton'i Filipo tamin'ilay lehilahy?

Niara-nandeha tany amin'ny rano i Filipo sy ilay lehilahy ary nataon'i Filipo batisa izy.

Acts 8:39

Inona no nitranga tamin'i Filipo rehefa nivoaka ny rano izy?

Rehefa nivoaka ny rano i Filipo, dia nalain'ny Fanahin'ny Tompo.

Inona no nataon'ilay ionoka rehefa nivoaka ny rano?

Rehefa nivoaka ny rano izy dia nizotra tamim-pifaliana tamin'ny lalany.

Acts 9

Acts 9:1

Inona no nangatahin'i Saoly alalana tamin'ny mpisoronabe tao Jerosalema mba hatao?

Nangataka taratasy i Saoly mba hahafahany mandeha mankany Damaskosy ary hitondra miverina ary mifatotra ireo izay an'ny Lalana.

Acts 9:3

Rehefa nanakaiky an'i Damaskosy i Saoly, inona no hitany?

Rehefa nanakaiky an'i Damaskosy i Saoly dia nahita fahazavana avy any an-danitra.

Inona no nolazain'ilay feo tamin'i Saoly?

Hoy ilay feo hoe: "Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?"

Acts 9:5

Rehefa nanontany i Saoly hoe iza no niresaka taminy, inona no valiny?

Ny valiny dia hoe: "Izao no Jesosy izay enjehinao."

Acts 9:8

Rehefa tafarina tamin'ny tany i Saoly, inona no nanjo azy?

Rehefa tafarina i Saoly, dia tsy nahita na inona na inona.

Nankaiza i Saoly avy eo, ary inona no nataony?

Nandeha nankany Damaskosy i Saoly ary tsy nihinana na nisotro nandritra ny telo andro.

Acts 9:10

Inona nasain'ny Tompo nataon'i Ananiasy?

Nasain'ny Tompo nandeha ary nametra-tanana tamin'ny Saoly i Ananiasy, mba hahiratan'i Saoly.

Acts 9:13

Inona no nahakasika an'i Ananiasy nambarany tamin'ny Tompo?

Voakasika i Ananiasy satria fantany fa nandeha tany Damaskosy i Saoly mba hisambotra ny olon-drehetra izay niantso ny anaran'ny Tompo;

Inona no iraka manokana nambaran'ny Tompo fa homeny an'i Saoly amin'ny maha fitaovana voafidiny azy?

Nolazain'ny Tompo fa hitondra ny anaran'ny Tompo eo anatrehan'ireo Jentilisa, ireo mpanjaka, ary ireo taranak'Israely i Saoly.

Moa ve nolazain'ny Tompo raha ho mora na ho sarotra ny iraka hampanaovina an'i Saoly?

Nambaran'ny Tompo fa hijaly mafy i Saoly nohon'ny Anaran'ny Tompo?

Acts 9:17

Rehefa avy nametra-tanana tamin'i Saoly i Ananiasy, inona no nitranga?

Rehefa avy nametra-tanana tamin'i Saoly i Ananiasy, dia nahiratra i Saoly, natao batisa, ary nihinana.

Acts 9:20

Inona no nanomboka nataon'i Saoly voalohany?

Teo no ho eo i Saoly dia nanomboka nanambara an'i Jesosy tany amin'ny Synagoga, tamin'ny filazana fa Izy no Zanak'Andriamanitra.

Acts 9:23

Rehefa nikonokonona ny hamono an'i Saoly ny Jiosy ny farany, inona no nataony?

Rehefa nikonokonona ny hamono azy ny Jiosy, dia nitsoaka tamin'ny alalan'ny fampidinana azy tao anaty sobika avy teo amin'ny rindrina izy.

Acts 9:26

Rehefa nankany Jerosalema i Saoly, toy ny ahoana ny nandraisan'ireo mpianatra azy?

Tany Jerosalema dia natahotra an'i Saoly ireo mpianatra.

Iza ary no nitondra an'i Saoly teo amin'ireo apostoly ary nanazava izay nanjo an'i Saoly tany Damaskosy?

Barnabasy no nitondra an'i Saoly teo amin'ireo apostoly ary nanazava izay nanjo azy tany Damaskosy.

Acts 9:28

Inona no nataon'i Saoly tany Jerosalema?

Niteny tamin-kasahiana tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy i Saoly.

Acts 9:31

Rehefa avy nalefa tany Tarsosy i Saoly, toy ny ahoana no toetoetry ny fiangonana tao Jodia, Galilia, ary Samaria?

Nanam-piadanana sy niorina ary nitombo isa ny fiangonana tao Jodia, Galilia, ary Samaria;

Acts 9:33

Inona no niseho tany Lyda izay nahatonga ny olon-drehetra hitodika amin'ny Tompo?

Tao Lyda dia niresaka tamina lehilahy nalemy iray izay nositranin'i Jesosy i Petera.

Acts 9:40

Inona no niseho tany Jopa ka nahatonga ny olona maro hino ny Tompo?

Nivavaka ho an'ilay vehivavy iray nantsoina hoe Tabita izay maty, ka natsangana tamin'ny maty i Petera.

Acts 10

Acts 10:1

Karazan'olona toy ny ahoana i Kornelio?

Kornelio dia lehilahy nanolo-tena izay natahotra an'Andriamanitra, malala-tanana, ary nivavaka tamin'Andriamanitra hatrany.

Acts 10:3

Inona no namarn'ilay anjely fa nahatonga an'Aandriamanitra hahatsiaro an'i Kornelio?

Nambaran'ilay anjely fa ny vavaka sy ny fanomezan'i Kornelio ho n'ny mahantra no nahatsiarovan'Aandriamanitra an'i Kornelio.

Inona no nasain'ilay anjely nataon'i Kornelio?

Nasain'ilay anjely naniraka lehilahy ho any Jopa i Kornelio mba hitondra an'i Petera.

Acts 10:9

Ny ampitson'io, inona no hitan'i Petera raha iny izy nivavaka azon-tsindrimandry teny an-tampon-trano iny?

Nahita lamba lehibe feno ireo karazam-biby, ireo biby mandady, ary ireo vorona rehetra i Petera.

Acts 10:13

Rehefa nahita ny fahitana i Petera, inona no nambaran'ilay feo iray taminy?

Nisy feo nilaza taminy hoe: "Miarena, ry Petera, mamonoa ary mihinana."

Inona no navalin'i Petera ilay feo?

Nandà i Petera, tamin'ny nilazany fa tsy mbola nihinana na inona na inona izay fady na maloto izy.

Inona no nambaran'ilay feo tamin'i Petera taorian'izany?

Hoy ilay feo: "Izay nodiovin'Andriamanitra, aza antsoina hoe fady."

Acts 10:19

Inona no nambaran'ny Fanahy tamin'i Petera mba hatao amin'ireo lehilahy avy any amin'i Kornelio tao an-trano?

Nasain'ny Fanahy nandeha nidina ary nandeha niaraka tamin'izy ireo i Petera.

Acts 10:22

Inona no nandrasan'ireo lehilahy nirahin'i Kornelio handehanan'i Petera sy hataony ao an-tranon'i Kornelio?

Nanantena ireo lehilahy nirahin'i Kornelio fa ho avy ary hitondra hafatra ao an-tranon'i Kornelio i Petera.

Acts 10:25

Inona no nolazain'i Petera rehefa niankohoka teo an-tongotr'i Petera i Kornelio?

Nasain'i Petera nitsangana i Kornelio, fa olombelona ihany izy.

Acts 10:27

Inona no nataon'i Petera izay tsy azon'ireo Jiosy natao teo aloha, ary nahoana no nanao izany izy ankehitriny?

Niharoharo tamin'ny olona avy any amin'ny firenen-kafa i Petera, satria nasehon'Andriamanitra fa tsy tokony hiantso an'iza na iza hoe fady na maloto izy.

Acts 10:34

Iza no nambaran'i Petera fa azo ekena eo amin'Andriamanitra?

Nambaran'i Petera fa izay rehetra matahotra an'Andriamanitra sy manao asa marina dia azo ekena eo amin'Andriamanitra.

Acts 10:36

Inona no hafatra momba an'i Jesosy efa ren'ireo olona tao an-tranon'i Kornelio?

Efa ren'ireo olona fa Jesosy dia voahosotry ny Fanahy Masina sady tamin'ny fahefana, ary nanasitrana ireo rehetra nampahoriana Izy satria niaraka taminy Andriamanitra.

Acts 10:39

Inona no nambaran'i Petera fa nahazo an'i Jesosy taorian'ny fahafatesany, ary ahoana no nahalalan'i Petera izany?

Nambaran'i Petera fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny andro fahatelo i Jesosy, ary niara-nihinana tamin'i Jesosy i Petera taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty;

Acts 10:42

Inona hoy Petera no nandidian'i Jesosy azy ireo ho toriana amin'ny olona?

Nandidy azy ireo i Jesosy mba hitory fa voafidin'Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty Izy.

Inona hoy Petera no ho raisin'ny olona rehetra izay mino an'i Jesosy?

Nambaran'i Petera fa izay rehetra mino an'i Jesosy dia handray famelan-keloka.

Acts 10:44

Inona no nahazo an'ireo olona nihaino an'i Petera raha mbola teo am-pitenenana izy?

Nilatsaka tamin'ireo izay nihaino an'i Petera ny Fanahy Masina.

Nahoana no gaga ireo mpino izay tao anatin'ny vondron'ny voafora?

Gaga ireo mpino izay tao anatin'ny vondron'ny voafora satria nalatsaka teo amin'ireo Jentilisa ihany koa ny fanomezan'ny Fanahy Masina.

Acts 10:46

Inona no nataon'ireo vahoaka ka nampiharihary fa nilatsaka teo amin'izy ireo ny Fanahy Masina?

Niteny tamin'ny fiteny hafa ireo olona ary nidera an'Andriamanitra, izay nampiharihary fa nilatsaka teo amin'izy ireo ny Fanahy Masina.

Rehefa avy nahita fa nandray ny Fanahy Masina ny olona, inona no nodidian'i Petera mba hatao amin'izy ireo?

Nandidy i Petera ny hanaovana batisa ny olona amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.

Acts 11

Acts 11:1

Inona no vaovao ren'ireo apostoly sy rahalahy tany Jodia?

Ren'ireo apostoly sy rahalahy tany Jodia fa nandray ny tenin'Andriamanitra ihany koa ireo Jentilisa.

Inona no fitsikerana nataon'ireo vondron'ny voafora tany Jerosalema tamin'i Petera?

Nitsikera an'i Petera nohon'ny fihinana niaraka tamin'ny Jentilisa ireo vondron'ny voafora tany Jerosalema.

Acts 11:15

Inona no porofo natolotr'i Petera hampisehoana fa nanaiky an'ireo Jentilisa Andriamanitra?

Nasehon'i Petera ny zava-misy fa tonga tamin'ireo Jentilisa ny Fanahy Masina.

Acts 11:17

Inona no fehin-kevitr'ireo tao amin'ny fivondronan'ny voafora rehefa nandre ny fanazavan'i Petera izy ireo?

Nidera an'Andriamanitra izy ireo ary naka tsoa-kevitra fa nanome fibebahana ho fiainana ho an'ireo Jentilisa ihany koa Andriamanitra.

Acts 11:19

Inona no nataon'ny ankamaroan'ireo mpino izay niparitaka taorian'ny nahafatesan'i Stefana?

Nilaza ny hafatra momba an'i Jesosy tamin'ny Jiosy ihany ny ankamaroan'ireo mpino izay niparitaka.

Inona no nitranga rehefa nitory an'i Jesosy tany amin'ireo Grika ny ankamaroan'ireo mpino izay niparitaka?

Rehefa nitory an'ny Tompo Jesosy tamin'ireo Grika izy ireo, dia maro be no nino.

Acts 11:22

Inona no nolazain'i Barnabasy avy any Jerosalema tamin'ireo Grika tao Aantioka?

Namporisika ireo Grika mba hitoetra ao amin'ny Tompo amin'ny fony rehetra i Barnabasy.

Acts 11:25

Iza no nitoetra heritaona ngarangidina tany Antioka?

Nitoetra heritaona ngarangidina tany Antioka i Barnabasy sy Saoly.

Inona no anarana voalohany azon'ireo mpianatra tany Antioka?

Tany Antioka no niantsoana voalohany an'ireo mpianatra hoe Kristiana.

Acts 11:27

Inona no naminanian'i Agabo mpaminany fa hitranga?

Naminany i Agabo fa hisy mosary lehibe hiseho manerana izao tontolo izao.

Acts 11:29

Inona no nasetrin'ny mpianatra ny faminanian'i Agabo?

Nandefa fanampiana tany amin'ireo rahalahy tany Jodia tamin'y alalan'ny tanan'i Barnabasy sy Saoly ireo mpianatra.

Acts 12

Acts 12:1

Inona no nataon'i Heroda mpanjaka tamin'i Jakoba rahalahin'i Jaona?

Novonoin'i Heroda mpanjaka tamin'ny sabatra i Jakoba rahalahin'i Jaona.

Acts 12:3

Inona no nataon'i Heroda mpanjaka tamin'i Petera?

Nosamborin'i Heroda i Petera ary nalefany tany am-ponja, tamin'ny fiheverana ny hitondra azy teo amin'ny vahoaka taorian'ny Paska.

Acts 12:5

Inona no nataon'ny fivondronan'ny mpino ho an'i Petra?

Nivavaka tamin'ny hafanam-po ho an'ny Petera ny fivondronan'ny mpino.

Acts 12:9

Ahoana no nilefan'i Petera teo amin'ny mpiambina voalohany sy faharoa ary nivoaka ny vavahadin'ny fonja?

Nanaraka anjely iray i Petera ary nilefa teo amin'ireo mpiambina, ary avy eo dia nisokatra ho azy ny vavahady.

Acts 12:13

Rehefa tonga teo amin'ny trano izay nivavahan'ireo mpino i Petera, iza no namaly teo am-baravarana ary inona no nataony?

Roda mpanompo vavy no namaly teo am-baravarana ary nitatitra fa mijoro ao am-baravarana i Petera, kanefa tsy nosokafany ny varavarana.

Ahoana no fihetsik'ireo mpino voalohany nanoloana ny tatitra nataony?

Nihevitra izy ireo aloha fa very saina i Roda.

Acts 12:16

Taorian'ny nilazany izay nanjo azy tamin'ireo mpino, inona no nasain'i Petera nataon'izy ireo?

Nasain'i Petera nitatitra ireo zavatra ireo tany amin'i Jakoba sy ireo rahalahy izy ireo.

Acts 12:18

Inona no nahazo an'ireo lehilahy izy niambina an'i Petera?

Nanadihady an'ireo mpiambina i Heroda ary namono azy ireo avy eo.

Acts 12:22

Inona no nitabataban'ireo vahoaka teo am-panaovan'i Heroda ny kabariny?

Nihiakika ny vahoaka hoe: "Feon'andriamanitra izany, fa tsy an'olona!"

Inona no nahazo an'i Heroda taorian'ny kabariny, ary nahoana?

Satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra i Heroda, dia nisy anjely namely azy ary lanin'ny kankana izy ka maty.

Acts 12:24

Naninona ny tenin'Andriamanitra tamin'izany fotoana izany?

Nitombo ary nihabetsaka ny tenin'Andriamanitra tamin'izany fotoana izany.

Iza no nentin'i Barnabasy sy Saoly niaraka tamin'izy ireo?

Nentin'i Barnabasy sy Saoly niaraka tamin'izy ireo i Jaona Marka.

Acts 13

Acts 13:1

Inona no nataon'ny fivondronan'ny mpino tany Antioka rehefa niteny tamin'izy ireo ny Fanahy?

Nidera ny Tompo ary nifady hanina ny fivondronan'ny mpino tany Antioka rehefa niteny tamin'izy ireo ny Fanahy Masina.

Inona no nasain'ny Fanahy Masina nataon'izy ireo?

Nasain'ny Fanahy Masina nanokana an'i Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay niantsoan'ny Fanahy azy ireo izy ireo.

Inona no nataon'ny fivondronan'ny mpino rehefa nandre avy tamin'ny Fanahy Masina?

Nifady hanina, nivavaka, nametra-tanana tamin'i Barnabasy sy Saoly ny fivondronan'ny mpino, ary nandefa azy ireo.

Acts 13:4

Rehefa nandeha tany Sipra i Barnabasy sy Saoly, iza ihany koa no niaraka tamin'izy ireo?

Tany Sipra dia niaraka tamin'izy ireo ho mpanampy azy ireo i Jaona Marka.

Acts 13:6

Iza i Bara-Jesosy?

Bara-Jesosy dia mpaminany sandoka Jiosy izay nikambana tamin'ny governora.

Nahoana no nampiantso an'i Baranabasy sy Saoly ny Governora?

Nampiantso an'i Baranabasy sy Saoly ny Governora satria te handre ny tenin'Andriamanitra izy.

Acts 13:9

Inona no anarana iray hafa nahafantarana an'i Saoly?

Fantatra tamin'ny hoe Paoly ihany koa i Saoly.

Acts 13:11

Inona no nambaran'i Paoly fa hanjo an'i Bara-Jesosy satria nitady ny hampiodina ny governora hanohitra ny finoana izy?

Nambaran'i Paoly tamin'i Bara-Jesosy fa ho jamba mandritra ny fotoana voafaritra izy.

Ahoana no fihetsika nasetrin'ny governora rehefa nahita izay nanjo an'i Bara-Jesosy izy?

Nino ny governora.

Acts 13:13

Inona no nataon'i Jaona Marka rehefa niantsambo ho any Perga i Paoly sy ireo namany?

Nandao an'i Paoly sy ny namany i Jaona Marka ary niverina tany Jerosalema.

Taiza tany Antiokan'i Pisidia no nangatahin'i Paoly ho resahina?

Tany Antiokan'i Pisidia dia nangataka ny hiresaka tao amin'ny synagoga Jiosy i Paoly.

Acts 13:16

Tamin'ny tenin'i Paoly, iza no nambarany fa nofidian'Andriamanitra tany aloha?

Tamin'ny tenin'i Paoly dia nambarany fa nifidy an'Israely Andriamanitra.

Acts 13:23

Avy tamin'iza no nitondran'Andriamanitra Mpamonjy ho an'Israely?

Avy tamin'i Davida Mpanjaka no nitondran'Andriamanitra Mpamonjy ho an'Israely.

Iza hoy Paoly no nanomana ny lalana ho an'ny fiavian'ny Mpamonjy?

Nambaran'i Paoly fa i Jaona Mpanao Batisa no nanomana ny lalana ho an'ny fiavian'ny Mpamonjy.

Acts 13:26

Ahoana ny fomba nahatanterahan'ny olona sy ireo mpanapaka tao Jerosalema ny hafatry ny mpaminany?

Tanteraky ny olona sy ireo mpanapaka tao Jerosalema tamin'ny fanamelohana an'i Jesosy ho faty ny hafatr'ireo mpaminany.

Acts 13:30

Iza no vavolombelon'i Jesosy eo amin'ny olona ankehitriny?

Ireo olona izay nahita an'i Jesosy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty no vavolombelony ankehitriny.

Acts 13:32

Ahoana ny fomba nampisehoan'Andriamanitra fa nitana ny fampanantenana nataony tamin'ny Jiosy Izy?

Nasehon'Andriamanitra fa nitana ny fampanantenana nataony tamin'ny Jiosy Izy tamin'ny nananganany an'i Jesosy tamin'ny maty.

Acts 13:35

Inona no nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny Iray Masina ao amin'ny salamo?

Nampanantena Aandriamanitra fa tsy mba hahita fahalovana ny Iray Masina.

Acts 13:38

Inona no nambaran'i Paoly ho an'ny olon-drehetra izay mino an'i Jesosy?

Nanambara ny famelana ny heloky ny olona rehetra izay mino an'i Jesosy i Paoly.

Acts 13:40

Inona ihany koa ny fampitandremana izay nomen'i Paoly ireo mpihaino azy?

Nampitandrina ireo mpihaino azy i Paoly mba tsy hitovy amin'ireo voalaza ao amin'ny mpaminany izay mandre ny fanambarana momba ny asan'Andriamanitra, kanefa tsy mino.

Acts 13:44

Tany Antioka, iza no tonga mba handre ny tenin'ny Tompo ny Sabata manaraka?

Saika ny tanàna manontolo no tonga hihaino ny tenin'ny Tompo ny Sabata manaraka.

Ahoana no fihetsik'ireo Jiosy rehefa nahita ny vahoaka?

Heniky ny fialonana ireo Jiosy ary niteny nanohitra ny hafatr'i Paoly, nanaraby azy.

Acts 13:46

Inona hoy Paoly no nanaovan'ireo Jiosy ny tenin'Andriamanitra nambara tamin'izy ireo?

Nolazain'i Paoly fa nanositosika ny tenin'Andriamanitra nambara tamin'izy ireo ny Jiosy.

Acts 13:48

Ahoana no fihetsik'ireo Jentilisa rehefa ren'izy ireo fa nitodika tamin'izy ireo i Paoly?

Faly ireo Jentilisa ary nidera ny tenin'ny Tompo.

Jentilisa firy no nino?

Izay rehetra voatendry ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.

Acts 13:50

Inona ary no nataon'ireo Jiosy tamin'i Paoly sy Barnabasy?

Nampihetsika fanenjehana nanohitra an'i Paoly sy Barnabasy ary nanipy azy ireo nivoaka ny tanàna ireo Jiosy.

Inona no nataon'i Paoly sy Baranabasy alohan'ny nanohizan'izy ireo ny dia nankany Ikonioma?

Nanitsana ny vovoka hiala tamin'ny tongotr'izy ireo hanohitra ny tanànan'ny Antioka izay nandroaka azy ireo i Paoly sy Barnabasy.

Acts 14

Acts 14:1

Inona no nataon'ireo Jiosy tsy mpino tao Ikonioma rehefa nino ny fitorian'i Paoly sy Barnabasy ny vahoaka?

Nampisahotaka ny sain'ireo Jentilisa ireo Jiosy tsy mpino ary nahatonga azy ireo hanohitra ireo rahalahy.

Acts 14:3

Ahoana no nanomezan'Andriamanitra porofo momba ny hafatry ny fahasoavany?

Nanome porofo ny hafatry ny fahasoavany Andriamanitra tamin'ny fanomezany famantarana sy fahagagana mba hatao amin'ny alalan'ny tanan'i Paoly sy Barnabasy.

Acts 14:5

Nahoana i Paoly sy Barnabasy no nandao an'Ikonioma?

Nisy Jentilisa sy Jiosy sasany nitady ny handresy lahatra ny mpitarik'izy ireo mba hanao hampahory sy hitora-bato an'i Paoly sy Barnabasy.

Acts 14:8

Inona no nataon'i Paoly ka nahatonga tabataba tao Lystra?

Nanasitrana lehilahy iray izay nalemy tongotra hantrany am-bohoka i Paoly.

Acts 14:14

Ahoana no navalin'i Paoly sy Barnabasy izay tian'ny olona natao tamin'izy ireo?

Nandrovitra ny lamban'izy ireo i Paoly sy Barnabasy, nankeo amin'ny vahoaka, ary nihiakiaka mafy nilaza fa tokony hiala amin'ireo zavatra tsy misy dikany ireo ho any amin'Andriamanitra ny olona.

Acts 14:17

Ahoana no fomba tsy namelan'Andriamanitra ny tenany tsy hisy vavolombelona tamin'ny lasa?

Nanome orana sy vanimpotoana mamokatra ho an'ireo firenena Andriamanitra, ary nameno hanina sy fifaliana ny fon'izy ireo.

Inona no tian'ireo olona tany Lystra natao ho an'i Paoly sy Barnabasy?

Te hanolotra sorona tamin'ny alalan'i mpisorona ho an'i Paoly sy Barnabasy ny olona.

Acts 14:19

Inona no nataon'ireo vahoaka tao Lystra tamin'i Paoly taty aoriana?

Taty aoriana dia nitora-bato an'i Paoly ny vahoaka tao Lystra ary nitaritarika azy hivoaka ny tanàna.

Inona no nataon'i Paoly raha nitsangana nanodidina azy ireo mpianatra?

Nitsangana i Paoly ary niditra ny tanàna.

Acts 14:21

Amin'ny alalan'ny inona hoy Paoly no tsy maintsy hidiran'ireo mpianatra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra?

Amin'ny fijaliana maro no nambaran'i Paoly fa tsy maintsy hidiran'ireo mpianatra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Acts 14:23

Inona no nataon'i Paoly sy Barnabasy tany amin'ireo fivondronan'ny mpino rehetra mialohan'ny nialan'izy ireo?

Tany amin'ny fivondronan'ny mpino rehetra dia nanendry loholona, nivavaka sy nifady hanina, ary nanankina ny mpino tamin'ny Tompo i Paoly sy Barnabasy.

Acts 14:27

Inona no nataon'i Paoly sy Barnabasy rehefa niverina tany Antioka izy ireo?

Rehefa niverina tany Antioka izy ireo dia nitatitra ny zavatra rehetra izay vitan'Andriamanitra tamin'izy ireo, sy ny fomba nanokafany varavaran'ny finoana ho an'ireo Jentilisa.

Acts 15

Acts 15:1

Inona no nalehan'ireo lehilahy sasany avy any Jodia sy nampianariny an'ireo rahalahy?

Nampianatra ireo lehilahy sasany avy any Jodia fa raha tsy foraina ireo rahalahy dia tsy afaka ny ho voavonjy.

Ahoana ny fomba nanapahan'ireo rahalahy hevitra ny amin'ny tokony hamahana io raharaha io?

Nanapa-kevitra ireo rahalahy fa tokony handeha ho any Jerosalema any amin'ireo apostoly sy ireo loholona i Paoly, Barnabasy ary ny sasany.

Acts 15:3

Raha nandalo an'i Foinika sy Samaria, inona no vaovao nambaran'i Paoly sy ireo namany?

Nanambara ny fiovam-pon'ny Jentilisa i Paoly sy ny namany.

Acts 15:5

Vondrona inona eo amin'ireo mpino no nihevitra fa tsy maintsy foraina ny Jentilisa ary tsy maintsy mitandrina ny lalàn'ny Mosesy?

Ny vondron'ny Fariseo no nino fa tsy maintsy foraina ny Jentilisa ary tsy maintsy mitandrina ny lalàn'ny Mosesy.

Acts 15:7

Inona hoy Petera no nomen'Andriamanitra sy nataony ho an'ireo Jentilisa?

Nambaran'i Petera fa nanome ny Fanahy Masina ho an'ireo Jentilisa Andriamanitra ary nanadio ny fon'izy ireo tamin'ny finoana.

Acts 15:10

Ahoana hoy Petera ny hamonjena ny Jiosy sy ny Jentilisa?

Nambaran'i Petera fa samy vonjena amin'ny alalan'ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy ny Jiosy sy ny Jentilisa.

Acts 15:12

Inona no notaterin'i Paoly sy Barnabasy teo amin'ny fivondronan'ny mpino?

Notaterin'i Paoly sy Barnabasy ireo famantarana sy fahagagana izay nataon'Andriamanitra teo amin'ireo Jentilisa.

Acts 15:15

Inona no nambaran'ilay faminaniana notsongain'i Jakoba fa haorin'Andriamanitra indray, ary iza avy no tafiditra amin'izany?

Nambaran'ilay faminaniana fa hanangana ny trano-lay ravan'i Davida Andriamanitra, ary ao anatin'izay ny Jentilisa.

Acts 15:19

Inona no didy naroson'i Jakoba homena ireo Jentilisa niova fo?

Nandroso hevitra i Jakoba ny handidiana ireo Jentilisa niova-fo mba hiala amin'ny sampy, amin'ny fijangajangana, amin'izay biby nokendaina, ary amin'ny rà.

Acts 15:27

Ao amin'ny taratasy nosoratana ho an'ny Jentilisa, iza no nambara fa nanaiky ny fehin-kevitra ny hanomezana didy vitsivitsy izay tena ilaina ihany ho an'ireo Jentilisa?

Ny mpanoratra ny taratasy sy ny Fanahy Masina no nambara fa nanaiky io fehin-kevitra io.

Acts 15:30

Inona no navalin'ireo Jentilisa rehefa nandre ny taratasy avy tany Jerosalema izy ireo?

Nifaly ireo Jentilisa nohon'ny fampaherezana tao amin'ny taratasy.

Acts 15:33

Inona no nataon'i Paoly sy Barnabasy raha mbola nitoetra tany Antioka?

Nampianatra sy nitory ny tenin'Andriamanitra i Paoly sy Barnabasy.

Acts 15:36

Inona hoy Paoly tamin'i Barnabasy no tiany hatao?

Nambaran'i Paoly tamin'i Barnabasy fa te hiveina ary hamangy ireo rahalahy any amin'ny tanàna nitorian'izy ireo ny Tompo izy.

Acts 15:39

Nahoana no nisaraka i Paoly sy Barnabasy ary nandeha tamin'ny lalana samihafa?

Nisy tsy fifankazoana mafy teo amin'izy ireo, koa dia nisaraka izy roa.

Acts 16

Acts 16:1

Inona no nataon'i Paoly tamin'i Timoty mialohan'ny niarahan'izy ireo nandeha, ary nahoana?

Noforain'i Paoly i Timoty satria fantatr'ireo Jiosy teo amin'ireo faritra ireo fa Grika ny rain'i Timoty.

Acts 16:4

Inona no toro-lalana nalefan'i Paoly tany amin'ireo fiangonana nandalovan'izy ireo?

Nandefa toro-lalana izay nosoratan'ireo apostoly sy loholona tany Jerosalema i Paoly.

Acts 16:9

Ahoana no nahafantaran'i Paoly fa niantso azy hitory ny filazantsara any Makedonia Andriamanitra?

Nahita fahitana momba ana lehilahy iray avy any Makedonia niantso azy ho avy ka hanampy azy ireo i Paoly.

Acts 16:11

Ny Sabata, nahoana i Paoly no nandeha nankany amin'ny renirano ivelan'ny vavahadin'i Filipia?

Nihevitra i Paoly fa hisy toerana hivavahana tany.

Acts 16:14

Inona no nataon'ny Tompo ho an'i Lydia raha mbola niteny i Paoly?

Nanokatra ny fon'i Lydia ny Tompo mba hitandrina tsara ireo zavatra nambaran'i Paoly.

Iza no natao batisa rehefa avy niteny teo akaikin'ny renirano i Paoly?

Lydia sy ny ankohonany no natao batisa taorian'ny nitenenan'i Paoly.

Acts 16:16

Ahoana no fomba nahazoan'ilay vehivavy vola ho an'ireo tompony?

Nahazo vola ho an'ireo tompony tamin'ny sikidy izy.

Inona no nataon'i Paoly taorian'ny nanarahan'ilay vehivavy azy nandritra ny andro maro?

Nitodika i Paoly ary nandidy ny fanahy, tamin'ny anaran'i Jesosy, mba hiala aminy.

Acts 16:19

Inona no fiampanagana nataon'ireo tompon'ilay vehivavy tamin'i Paoly sy Silasy?

Nampangain'izy ireo i Paoly sy Silasy ho nampianatra zavatra izay tsy ara-dalàna ho an'ny Romana ny mandray na mandinika izany.

Acts 16:22

Inona no famaizana azon'i Paoly sy Silasy avy tamin'ny mpitsara?

Nokapohina tamin'ny hazo izy ireo, nalefa tany am-ponja, ary nalefa nofatorana teo amin'ny hazo.

Acts 16:25

Inona no nataon'i Paoly sy Silasy tao am-ponja manodidina ny tamin'ny sasak'alina?

Nivavaka izy ireo ary nihira fiderana ho an'Andriamanitra.

Inona no niseho ka nahatonga ny mpiambina ny fonja hivonona ny hamono tena?

Nisy horohoron-tany teo, dia nivoha ny varavaran'ny fonja, ary nivaha avokoa ny gadran'ny olon-drehetra.

Acts 16:29

Inona no fanontaniana napetrak'ilay mpiambina ny fonja tamin'i Paoly sy Silasy?

Nanontany tamin'i Paoly sy Silasy ny mpiandry fonja hoe: "Tompoko, inona no tokony hataoko mba havoavonjy ahy?"

Inona no valin-teny nomen'i Paoly sy Silasy an'ilay mpiandry fonja?

Namaly i Paoly sy Silasy hoe: "Minoa ny Tompo Jesosy, dia ho voavonjy ianao, eny ianao sy ny ankohonanao."

Acts 16:32

Iza no nato batisa tamin'io alina io?

Natao batisa ilay mpiandry fonja sy ny ankohonany tamin'io alina io.

Acts 16:37

Inona no nahatonga ireo mpitsara hatahotra taorian'ny nandefasan'izy ireo hafatra mba hamoahana an'i Paoly sy Silasy?

Natahotra ireo mpitsara satria fantatr'izy ireo fa nikapoka olona Romana tsy meloka roa ampahibemaso izy ireo.

Acts 16:40

Rehefa avy nangataka azy ireo hiala ny tanàna ny mpitsara, inona no nataon'i Paoly sy Silasy?

Nandeha nakany an-tranon'i Lydia i Paoly sy Silasy, nampahery ireo rahalahy, ary avy eo dia niala tao Filipia.

Acts 17

Acts 17:1

Rehefa tonga tany Tesalonika, taiza no nalehan'i Paoly voalohany mba hilaza momba an'i Jesosy avy ao amin'ny Soratra Masina ?

Nandeha tao amin'ny synagogan'ny Jiosy aloha i Paoly mba hilaza momba an'i Jesosy avy ao amin'ny Soratra Masina .

Acts 17:3

Inona no nasehon'i Paoly ho zava-dehibe avy tao amin'ny Soratra Masina?

Nasehon'i Paoly fa zava-dehibe ho an'i Kristy ny nijaly ary ny nitsangana tamin'ny maty;

Acts 17:5

Inona no fiampangana natao tamin'i Paoly sy Silasy teo amin'ireo manam-pahefana teo amin'ny tanàna?

Nampangaina ho nanao asa nanohitra ny didin'i Kaisara i Paoly sy Silasy, tamin'ny nilazany fa nisy mpanjaka hafa - dia i Jesosy.

Acts 17:10

Nankaiza i Paoly sy Silasy rehefa tonga tany Beria?

Nankany amin'ny Synagogan'ny Jiosy i Paoly sy Silasy.

Inona no nataon'ireo Beriana rehefa nandre ny hafatr'i Paoly?

Nandray ny teny ireo Beriana ary nandinika ny Soratra Masina mba hahitana raha izany tokoa ny nolazain'i Paoly.

Acts 17:13

Nahoana no tsy maintsy nandao an'i Beria i Paoly, ary taiza no nalehany?

Tsy maintsy nandao an'i Beria i Paoly satria nanakorontana ny vahoaka tao Beria ireo Jiosy avy any Tesalonika, koa dia nandeha nakany Atena i Paoly.

Acts 17:16

Taiza no nalehan'i Paoly rehefa tonga tany Atena?

Nandeha tany amin'ny synagogan'ireo Jiosy sy teny an-tsena i Paoly mba hiady hevitra avy amin'ny Soratra Masina.

Acts 17:19

Taiza no nitondrana an'i Paoly mba hanazava ny fampianarany misimisy kokoa?

Nentina tao amin'ny Areopago i Paoly mba hanazava ny fampianarany misimisy kokoa.

Acts 17:22

Alitara inona tao Atena no hitan'i Paoly, izay niriany hazavaina amin'ny olona?

Nahita alitara i Paoly izay nisy soratra hoe: HO AN'ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA, izay tiany nazavaina tamin'ireo olona.

Acts 17:24

Inona hoy Paoly no omen'ilay Andriamanitra nanao ny zavatra rehetra ho an'ny olona?

Nambaran'i Paoly fa manome fiainana sy aina ary ny zavatra hafa rehetra ny Andriamanitra izay nanao ny zavatra rehetra.

Acts 17:26

Avy amin'ny inona no nanaovan'Andriamanitra ny ferenen'ny olona rehetra?

Avy amin'ny olona iray no nanaovan'Andriamanitra ny firenen'ny olona rehetra.

Hatraiza hoy Paoly ny halaviran'Andriamanitra amin'ny olona?

Nambaran'i Paoly fa tsy lavitra ny olon-drehetra Andriamanitra.

Acts 17:28

Tsy tokony hihevitra an'Andriamanitra ho inona isika araka ny filazan'i Paoly?

Nambaran'i Paoly fa tsy tokony hihevitra an'Andriamanitra ho tahaka ny volamena, volafotsy, na vato voasokitry ny olona isika.

Acts 17:30

Inona no iantsoan'Andriamanitra mba hataon'ny olona na aiza na aiza ankehitriny?

Miantso ny olona na aiza na aiza Andriamanitra mba hibebaka.

Ho amin'ny inona no nanendren'Andriamanitra ilay andro iray?

Nanendry andro iray izay hitsaran'i Jesosy am-pahamarinana izao tontolo izao Andriamanitra.

Inona no porofo nomen'Andriamanitra fa voafidy ho mpitsaran'izao tontolo izao i Jesosy?

Noporofoin'Andriamanitra tamin'ny fanaganany Azy tamin'ny maty fa voafidy ho mpitsaran'izao tontolo izao i Jesosy.

Acts 17:32

Inona no nataon'ny sasany rehefa nandre an'i Paoly nilaza momba ny fitsanganan'ny maty?

Ny sasany dia nanaraby an'i Paoly rehefa nandre azy nilaza momba ny fitsnganan'ny maty.

Moa ve nisy nino izay nolazain'i Paoly?

Eny, nisy olona sasany nino an'i Paoly, ary ny hafa ihany koa.

Acts 18

Acts 18:1

Inona no asa nataon'i Paoly mba hanohanana ny tenany?

Nanao mpanamboatra lay i Paoly mba hanohanana ny tenany.

Acts 18:4

Inona no nijoroan'i Paoly vavolombelona tamin'ireo Jiosy tany Korinto?

Nijoro vavolombelona i Paoly fa Jesosy no Kristy.

Rehefa nandà an'i Paoly ireo Jiosy, inona no nataony?

Nambaran'i Paoly tamin'ireo Jiosy fa ho eo amin'ny lohan'izy ireo ihany ny ràn'izy ireo, ary nakany amin'ireo Jentilisa izy avy eo.

Acts 18:9

Inona no fampaherezana noraisin'i Paoly avy tamin'ny Tompo tany Korinto?

Nasain'ny Tompo nanohy niteny i Paoly, fa tsy hisy haninona azy.

Acts 18:12

Inona no fiampangana nentin'ireo Jiosy teo amin'ny governora hanoherana an'i Paoly?

Nampangain'ny Jiosy ho nampianatra ny olona hivavaka amin'ny fomba mifanohitra amin'ny lalàna i Paoly.

Acts 18:14

Inona no navalin'ny governora ny fiampangan'ny Jiosy nanohitra an'i Paoly?

Nambaran'ny governora fa tsy te ho mpitsara ny raharaha mahakasika ny lalàn'ny Jiosy izy.

Acts 18:18

Iza ireo mpivady nandeha niaraka tamin'i Paoly nankany Efesosy?

Akolia sy Prisila no nandeha niaraka tamin'i Paoly ho any Efesosy.

Acts 18:22

Inona ireo toerana roa voalohany nandehanan'i Paoly rehefa avy niala tany Efesosy izy?

Rehefa avy niala tao Eesosy i Paoly dia nandeha tany Jerosalema sy tany Antioka.

Acts 18:24

Inona no fampianarana azon'i Apolosy tsara, ary fampianarana inona no nilainy fampianarana kokoa?

Azon'i Apolosy tsara ireo zavatra momba an'i Jesosy, fa ny fanaovam-batisan'i Jaona ihany no fantany.

Inona no nataon'i Akoila sy Prisila ho an'i Apolosy?

Lasa mpinamana tamin'i Apolosy i Akoila sy Prisila ary nanazava taminy bebe kokoa ny lalan'Andriamanitra.

Acts 18:27

Inona no afaka nataon'i Apolosy tamin'ny lahateniny tsara rindra sy ny fahalalany ny Soratra Masina?

Afaka nandresy ampahibemaso ny Jiosy i Apolosy, tamin'ny fampisehoana fa Jesosy no Kristy.

Acts 19

Acts 19:1

Inona no tsy ren'ireo mpianatra nifanena tamin'i Paoly tany Efesosy tamin'ny ninoan'izy ireo?

Tsy nandre momba ny Fanahy Masina ireo mpianatra.

Acts 19:3

Batisan'ny inona ny batisan'i Jaona?

Batisan'ny fibebahana ny batisan'i Jaona.

Iza no nasain'i Jaona ninoan'ny olona?

Nasain'i Jaona nino an'ilay Iray izay ho avy aoriany ny olona.

Acts 19:5

Tamin'ny anaran'iza no nanaovan'i Paoly batisa an'ireo mpianatra avy tany Efesosy?

Nataon'i Paoly batisa tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy izy ireo.

Inona no nahazo an'ireo olona taorian'ny nanaovana batisa sy ny nametrahan'i Paoly tanana tamin'izy ireo?

Nidina teo amin'izy ireo ny Fanahy Masina ary niteny tamin'ny fiteny hafa izy ireo ka naminany.

Acts 19:8

Inona no nataon'i Paoly rehefa nanomboka niteny ratsy momba ny lalan'ny Tompo ireo Jiosy tao Efesosy?

Niara niala tamin'ireo mpino i Paoly ary nanomboka niteny tao amin'ny efitrano fampianaran'ny Tiraniana.

Acts 19:11

Inona no fahagagana manokana nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny tanan'i Paoly?

Rehefa nosintonina avy tamin'i Paoly ireo mosoara sy ireo aron'akanjo, dia nahasitrana ireo marary ary namoaka ireo fanahy ratsy izany.

Acts 19:15

Inona no nitranga rehefa niezaka ny handroaka fanahy ratsy tamin'ny anaran'i Jesosy ireo mpanala devoly Jiosy fito?

Namely ireo mpanala devoly ilay fanahy ratsy ary nandositra niboridana sady naratra izy ireo.

Acts 19:18

Tany Efesosy, inona no nataon'ireo olona maro izay nilalao ody?

Maro tamin'ireo nilalao ody tany Efesosy no nandoro ny bokin'izy ireo teo imason'ny olon-drehetra.

Acts 19:21

Aiza hoy Paoly no halehany rehefa avy nankany Jerosalema izy?

Nambaran'i Paoly fa handeha ho any Roma izy rehefa avy nandeha tany Jerosalema.

Acts 19:26

Inona no fanahian'i Demetrio mpanefy volafotsy nasehony tamin'ireo mpiasa hafa?

Nanahy i Demetrio fa nampianatra ny olona i Paoly ny amin'ny tsy fisian'ny andriamanitra vita amin'ny tanana, ka mety ho raisina ho tsy misy dikany i Diana andriamanitra vavy.

Acts 19:28

Ahoana no nasetrin'ny olona ny fanahian'i Demetrio?

Nanjary tezitra ny olona ary nihikakiaka nilaza fa lehibe i Diana, ka nahafeno fifanjevona teo amin'ny tanàna.

Acts 19:30

Nahoana i Paoly no tsy niresaka tamin'ny vahoaka, na dia naniry ny hanao izany aza izy?

Tsy namela an'i Paoly hiresaka tamin'ny vahoaka iro mpianatra sy ny sasany tamin'ireo manam-pahefana teo an-toerana.

Acts 19:38

Nasain'ny lehiben'ny tanàna nanao inona kosa ireo olona raha tokony hikomy?

Nasain'ny lehiben'ny tanàna nitondra ny fiampangan'izy ireo tany amin'ny fitsarana ny olona.

Inona no loza manambana ireo olona hoy ny lehiben'ny tanàna?

Nambaran'ny lehiben'ny tanàna fa am-bava lozan'ny ho voapanga ho mampikorontana ny olona, ary tsy hisy fanazavana ho an'izany.

Acts 20

Acts 20:1

Inona no nahatonga an'i Paoly nanova ny fikasany ary niverina namakivaky an'i Makedonia fa tsy niantsambo nakany Syria?

Niova ny fikasan'i Paoly satria nanao fikonokononana nanohitra azy ny Jiosy raha iny izy handeha hiantsambo ho any Syria iny.

Acts 20:7

Andro inona tamin'ny herinandro no niangonan'i Paoly sy ireo mpino hanapaka ny mofo?

Tamin'ny andro voalohany tamin'ny herinandro i Paoly sy ireo mpino no niangona hanapaka ny mofo.

Acts 20:9

Inona no nanjo ilay tovolahy nianjera avy teny amin'nyvaravaran-kely raha mbola niteny i Paoly?

Nianjera avy teny amin'ny rihana fahatelo ilay tovolahy ka noraisina maty, saingy naninjitra ny tenany teo aminy i Paoly ary velona indray izy.

Acts 20:15

Nahoana i Paoly no nandeha faingana ho any Jerosalema?

Nandeha faingana nanakany Jerosalema i Paoly mba ho any rehefa amin'ny andron'ny Pentekosta.

Acts 20:17

Momba ny inona hoy Paoly no nampitandremany ny Jiosy sy ny Grika hatramin'ny andro voalohany nanitsahany an'i Asia?

Nambaran'i Paoly fa nampitandrina ny Jiosy sy ny Grika ny amin'ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana ny Tompo Jesosy izy.

Acts 20:22

Momba ny inona no nijoroan'ny Fanahy Masina vavolombelona tamin'i Paoly tany amin'ny tanàna rehetra rehefa raha nankany Jerosalema izy?

Nijoro vavolombelona tamin'i Paoly ny Fanahy Masina fa gadra vy sy fijaliana no miandry azy.

Inona no asa fanompoana noraisin'i Paoly avy tamin'ny Tompo Jesosy?

Ny asa fanompoan'i Paoly dia ny ho vavolombelon'ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Acts 20:25

Nahoana no nolazain'i Paoly fa tsy manan-tsiny ny amin'ny ràn'iza na iza izy?

Nambaran'i Paoly fa tsy manan-tsiny ny amin'ny ràn'izy ireo izy satria efa nambarany tamin'izy ireo ny sitrapon'Andriamanitra rehetra.

Acts 20:28

Inona no nandidian'i Paoly ireo loholona Efesiana mba ho tandremany tsara aorian'ny fialany?

Nandidy ireo loholona mba hiandry tsara ny ondry i Paoly.

Inona hoy Paoly no hitranga eo amin'ireo Efesiana aorian'ny fialany?

Nambaran'i Paoly fa hisy sasany amin'ireo loholona no hilaza zavatra manova ny marina mba hitarika ireo mpianatra hanaraka azy ireo.

Acts 20:31

Tamin'iza no nanankinan'i Paoly an'ireo loholona Efesiana?

Nankinin'i Paoly tamin'Andriamanitra ireo loholona Efesisana.

Acts 20:33

Inona no ohatra nasehon'i Paoly tamin'ireo Efesiana mahakasika ny asa?

Niasa ho an'ny filany manokana sy ny filan'ireo izay niaraka taminy i Paoly, ary nanampy ireo osa.

Acts 20:36

Inona no tena nampalahelo indrindra ireo loholona Efesiana?

Nampalahelo ireo loholona Efesiana indrindra ny nanamabaran'i Paoly fa tsy hahita ny tavany intsony izy ireo.

Acts 21

Acts 21:3

Inona no nolazain'ireo mpianatra tany Tyra tamin'i Paoly tamin'ny alalany'ny Fanahy?

Nambaran'ireo mpianatra tamin'ny Paoly tamin'ny alalan'ny Fanahy fa tokony tsy handeha ho any Jerosalema izy.

Acts 21:7

Inona no fantatsika momba ireo zanak'i Filipo mpitory?

Nanana zanaka vavy virijiny efatra izay naminany i Filipo.

Acts 21:10

Inona no nolazain'i Agabo mpaminany tamin'i Paoly?

Nambaran'i Agabo tamin'i Paoly fa hamatotra azy ary hanolotra azy eo amin'ny Jentilisa ireo Jiosy ao Jerosalema.

Acts 21:12

Inona no nolazain'i Paoly rehefa niangavy azy tsy handeha hiakatra ho any Jerosalema ny olon-drehetra?

Nilaza i Paoly fa vonona ny ho fatorana ary ho faty any Jerosalema nohon'ny anaran'ny Tompo Jesosy.

Acts 21:17

Nihaona niaraka tamin'iza i Paoly rehefa tonga tany Jerosalema?

Nihaona niaraka tamin'i Jakoba sy ireo loholona i Paoly.

Acts 21:20

Inona no fiampangana nataon'ireo Jiosy tamin'i Paoly?

Nampangain'ireo Jiosy ho nampianatra an'ireo Jiosy izay niaina teo amin'ireo Jentilisa hahafoy an'i Mosesy i Paoly.

Acts 21:22

Nahoana no tian'i Jakoba sy ireo loholona hanadio ny tenany miaraka amin'ireo lehilahy efatra nanao voady i Paoly?

Tian'izy ireo ho fantatry ny olona fa i Paoly ihany koa dia velona mba hitandrina ny lalàna amin'ny maha Jiosy azy.

Acts 21:25

Inona no nolazain'i Jakoba fa tokony hataon'ireo Jentilisa izay nino?

Nambaran'i Jakoba fa tokony hanalavitra ny tenany amin'ny zavatra natao sorona ho an'ny sampy, amin'ny rà, amin'izay nokendaina, ary amin'ny fijangajangana ireo Jentilisa.

Acts 21:27

Inona no fiampangana nataon'ireo Jiosy avy any Asia tamin'i Paoly tao an-tempoly?

Nampangain'ireo Jiosy ho nampianatra nanohitra ny lalàna sy nandoto ny tempoly tamin'ny fitondrana ireo Grika ho ao i Paoly.

Acts 21:30

Taorian'ny nanaovana ireo fiampangana ireo, inona nataon'ireo Jiosy tamin'i Paoly?

Notaritarihan'ireo Jiosy nivoaka ny Tempoly i Paoly ary nokasainy ho vonoina.

Acts 21:32

Inona no nataon'ilay kapiteny mpitarika ny mpiambina rehefa reny fa tao anatin'ny sahotaka i Jerosalema?

Nisambotra an'i Paoly ny kapiteny mpitarika ary namatotra azy tamin'ny gadra roa, ary nanontany taminy ny amin'izay nataony.

Acts 21:34

Inona no nihorakorahan'ny olona rehefa nitondra an'i Paoly ho any amin'ny rova ireo miaramila?

Nihorakoraka ny vahoaka hoe: "Vonoy izy!"

Acts 21:39

Inona no fangatahana nataon'i Paoly tamin'ilay kapiteny mpitarika?

Nangataka ny mba hamelana azy hiresaka amin'ny vahoaka i Paoly.

Tamin'ny fiteny inona no niresahan'i Paoly tamin'ny vahoakan'i Jerosalema?

Niteny Hebreo tamin'ireo vahoakan'i Jerosalema i Paoly.

Acts 22

Acts 22:1

Rehefa naheno an'i Paoly niteny Hebreo ny vahoaka, inona no nataon'izy ireo?

Rehefa naheno an'i Paoly niteny Hebreo ny vahoaka, dia nangina izy ireo.

Acts 22:3

Taiza no nampianarana an'i Paoly, ary iza no mpampianatra azy?

Tany Jerosalema no nampianarana an'i Paoly, ary Gamaliela no mpampianatra azy.

Ahoana no fitondran'i Paoly an'ireo izay nanaraka ny Lalana?

Nenjehan'i Paoly ho faty ireo nanaraka ny Lalana, ary nalefany tany am-ponja izy ireo.

Acts 22:6

Inona no nambaran'ilay feo avy tany an-danitra tamin'i Paoly rehefa nanakaiky an'i Damaskosy izy?

Hoy ilay feo avy any an-danitra: "Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?"

Iza no nenjehin'i Paoly?

Nanenjika an'i Jesosy avy any Nazareta i Paoly.

Acts 22:9

Nahoana no tsy afaka nahita intsony i Paoly,

Tsy afa-nahita intsony i Paoly noho ny hazavan'ilay fahazavana hitany rehefa nanakaiky an'i Damaskosy?

Acts 22:12

Ahoana ny fomba namerenana ny fahitan'i Paoly?

Nisy lehilahy mpivavaka iray antsoina hoe Aananiasy tonga ary nijoro teo anilan'i Paoly ka niteny hoe: "Ry rahalahy Saoly, mahirata."

Acts 22:14

Inona no nasain'i Ananiasy niarenan'i Paoly ary nataony, ary nahoana?

Nasain'i Ananiasy niarina i Paoly ary natao batisa mba hanadiovana ny fahotany.

Acts 22:17

Rehefa niresaka tamin'i Paoly tao an-tempoly i Jesosy, ahoana hoy Izy no hasetrin'ireo Jiosy ny fijoroana vavolombelon'i Paoly momba Azy?

Nambaran'i Jesosy fa tsy hanaiky ny fijoroana vavolombelon'i Paoly momba Azy ireo Jiosy.

Acts 22:19

Tany amin'iza ary no nanirahan'i Jesosy an'i Paoly?

Nalefan'i Jesosy tany amin'ireo Jentilisa i Paoly.

Acts 22:22

Ahoana no fihetsik'ireo olona rehefa nandre an'i Paoly niresaka tamin'ireo Jentilisa?

Nihorakoraka ireo vahoaka ka nanipy ny lamban'izy ireo, ary nanipy vovoka teny amin'ny rivotra.

Acts 22:25

Inona no fanontaniana napetrak'i Paoly tamin'ny kapiteny talohan'ny nivelesana karavasy azy?

Nanontany i Paoly raha ara-dalàna ho azy ny ho voavely karavasy amin'ny maha mponina Romana mbola tsy voatsara azy.

Acts 22:27

Ahoana no nahatonga an'i Paoly ho mponina Romana?

Efa teraka Romana i Paoly.

Acts 22:30

Inona no nataon'ilay kapiteny mpitarika rehefa fantany fa mponina Romana i Paoly?

Novahan'ilay kapiteny mpitarika ny fatoran'i Paoly, ary nibaiko ny lohan'ny mpisorona sy ny synedriona rehetra izy mba hivory, ka napetrany teo afovoan'izy ireo i Paoly.

Acts 23

Acts 23:1

Nahoana ny mpisoronabe no nandidy an'ireo izay nijoro teo akaikin'i Paoly mba hamely azy eo amin'ny molony?

Tezitra ny mpisoronabe satria nilaza i Paoly fa velona teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara rehetra izy.

Acts 23:6

Inona no antony nambaran'i Paoly fa nitsarana azy teo anatrehan'ny synedriona?

Nambaran'i Paoly fa notsaraina nohon'ny tokiny amin'ny fitsanganna amin'ny maty izy.

Nahoana no nisy fifandirana nanomboka teo amin'ny synedriona rehefa nanome ny antony nitsarana azy i Paoly?

Nanomboka nisy fifandirana teo satria nilaza ireo Fariseo fa misy ny fitsanganana amin'ny maty, saingy nilaza kosa ireo Sadoseo fa tsy misy izany.

Acts 23:9

Nahoana no nalain'ny Kapiteny mpitarika niala teo amin'ny synedriona nankany amin'ny rova i Paoly?

Natahotra ny kapiteny mpitarika sao ho torotoron'ireo mpikambana tao amin'ny synedriona i Paoly.

Acts 23:11

Inona no fampanantenana nomen'ny Tompo tamin'i Paoly ny alina manaraka io?

Nilaza tamin'i Paoly ny Tompo mba tsy hatahotra satria ho vavolombelona hanambara Azy any Jerosalema sy Roma izy.

Acts 23:12

Inona no marimaritra iraisana nataon'ireo Jisoy sasany mahakasika an'i Paoly?

Olona Jiosy efa-polo teo ho eo no nanao marimaritra iraisana fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonoan'izy ireo an'i Paoly.

Acts 23:14

Inona no tetika naroson'ireo olona Jiosy teo amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny loholona?

Nangataka tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ny hitondrana an'i Paoly teo amin'ny synedriona izy ireo mba hahafahan'izy ireo mamono an'i Paoly alohan'ny fahatongavany.

Acts 23:16

Ahoana ny nahafantaran'i Paoly ny tetik'ireo olona Jiosy efa-polo?

Ren'ny zanaka lahin'ny anabavin'i Paoly ilay tetika ary nambarany tamin'i Paoly.

Acts 23:22

Ahoana no nasetrin'ny kapiteny mpitarika rehefa nahafantatra ny tetik'ieo lehilahy Jiosy efa-polo izy?

Nibaiko mipambina maro ny kapiteny mpitarika mba hitondra an'i Paoly ary hiaro azy ho any amin'i Feliksa governora tamin'ny ora fahatelon'ny alina.

Acts 23:28

Tao amin'ny taratasiny ho an'i Feliksa governora, inona ny nolazain'ny kapiteny mpitarika momba ny fiampangana an'i Paoly?

Nambaran'ny kapiteny mpitarika fa tsy mendrika fahafatesana na fanagadrana i Paoly, kanefa ny fiampangana azy dia resaka mikasika ny lalàn'ny Jiosy.

Acts 23:34

Oviana i Feliksa governora no nilaza fa hihaino ny raharaha momba an'i Paoly?

Nambaran'i Feliksa fa hihaino ny raharaha momba an'i Paoly izy rehefa tonga ireo mpiampanga an'i Paoly?

Taiza no nitazonana an'i Paoly mandra-pahatonga ny fampanoavana azy?

Notazonina tao amin'ny lapan'i Heroda i Paoly mandra-pahatonga ny fampanoavana azy.

Acts 24

Acts 24:4

Inona no fiampangana nataon'i Tertylo mpikabary tamin'i Paoly?

Nampangain'i Tertylo ho nanao izay hahatonga ny Jiosy hikomy ary nanota fady ny tempoly i Paoly.

Inona no sekta nolazain'i Tertylo fa notarihin'i Paoly?

Nambaran'i Tertylo fa miptarika sekta tao amin'ny fiangonana Nazarena i Paoly.

Acts 24:10

Inona no nambaran'i Paoly fa nataony tao amin'ny tempoly, ny synagoga ary ny tanàna?

Nambaran'i Paoly fa tsy niady hevitra tamin'iza na iza izy ary tsy nampikorontana vahoaka.

Acts 24:14

Nahatoky tamin'ny inona i Paoly araka ny filazany?

Nambaran'i Paoly fa nahatoky tamin'ny rehetra tao amin'ny lalàna sy izay nosoratan'ireo mpaminany izy.

Inona no fanantenana niraisan'i Paoly tamin'ireo Jiosy niampanga azy?

Niray toky tamin'Andriamanitra ny amin'ny fiavian'ny fitsanganan'ny marina sy ny tsy marina amin'ny maty izy ireo.

Acts 24:17

Nahoana hoy Paoly no nandeha tany Jerosalema izy?

Nambaran'i Paoly fa nankany izy mba hitondra fanampiana ho an'ny fireneny ary fanomezam-bola.

Inona hoy Paoly no nataony tao an-tempoly rehefa hitan'ilay Jiosy iray avy any Asia izy?

Nambaran'i Paoly fa teo am-panaovana ny fomba fanadiovana izy no hitany.

Acts 24:22

Momba ny inona no nananan'i Feliksa fampahalalana tsara?

Nahalala tsara ny momba ny Lalana i Feliksa governora?

Aiza hoy Feliksa no hanapahany hevitra momba ny raharahan'i Paoly?

Nambaran'i Feliksa fa hanapa-kevitra momba ny raharahan'i Paoly izy rehefa tonga avy any Jerosalema i Lysia mpandidy.

Acts 24:24

Andro vitsivitsy taty aoriana, inona no noresahin'i Paoly tamin'i Feliksa?

Niresaka tamin'i Feliksa momba ny finoana an'i Kristy Jesosy, ny fifehezan-tena, ary ny fitsarana ho avy i Paoly.

Ahoana no fihetsik'i Feliksa taorian'ny nahenoiny an'i Paoly?

Nanjary heniky ny tahotra i Feliksa ary nangataka tamin'i Paoly mba handeha aloha.

Acts 24:26

Roa taona taty aoriana, nahoana i Feliksa no namela an'i Paoly ho ambenana rehefa tonga ny governora vaovao?

Navelan'i Feliksa ho ambenana i Paoly satria te hahazo sitraka teo amin'ireo Jiosy izy.

Acts 25

Acts 25:1

Inona no fiangaviana nataon'ny lohan'ny mpisorona sy ireo Jiosy manan-kaja tamin'i Festosy?

Nangataka tamin'i Festosy izy ireo mba hiantso an'i Paoly ho any Jerosalema mba hahafahan'izy ireo mamono an'i Paoly eny an-dalana.

Acts 25:4

Inona no nasain'i Festosy nataon'ny lohan'ny mpisorona sy ireo Jiosy manan-kaja?

Nasain'i Festosy nandeha tany Kaisaria izy ireo, izay nalehan'i Festosy ihany, ary afaka ny hanameloka an'i Paoly any izy ireo.

Acts 25:9

Teo am-pitsarana ny raharahan'i Paoly tany Kaisaria, inona ny fanontaniana napetrak'i Festosy tamin'i Paoly?

Nanontany an'i Paoly i Festsoy raha naniry ny handeha ho any Jerosalema izy ka ho tsaraina any.

Nahoana i Festosy no nametraka izany fanontaniana izany?

Nanontany izany fanontaniana izany tamin'i Paoly i Festosy mba hahazoany sitraka eo amin'ireo Jiosy.

Inona no navalin'i Paoly ny fanontanian'i Festosy?

Nambaran'i Paoly fa nijoro teo anoloan'ny seza fitsaran'i Kaisara izay tsy maintsy hitsarana azy izy.

Acts 25:11

Inona ny hevitra tapak'i Festosy fa hatao amin'ny raharahan'i Paoly?

Nanapa-kevitra i Festosy fa satria niantso an'i Kaisara i Paoly, dia handeha ho any amin'i Kaisara izy.

Acts 25:13

Inona no nambaran'i Festosy fa fomba ara-dalàna teo amin'ny Romana manoloana ny olona izay voapanga nohon'ny heloka bevava?

Nambaran'i Paoly fa nanome fahafahana ho an'ny olona izay voapanga hiatrika ny mpiampanga azy ny Romana mba hiarovany tena manolona ireo fiampangana.

Acts 25:17

Inona no fiampangana nolazain'i Festosy fa nentin'ireo Jiosy hanoherana an'i Paoly?

Nambaran'i Festosy fa tao anatin'ireo fiampangana azy ny fifandirana momba ny fivavahan'izy ireo, ary momba ilay olona atao hoe Jesosy izay efa maty, kanefa nolazain'i Paoly fa velona.

Acts 25:25

Nahona i Festosy no nitondra an'i Paoly hiteny teo anatrehan'i Agripa Mpanjaka?

Tian'i Festosy hanampy azy hanoratra zavatra mitombina momba ny raharahan'i Paoly any amin'ny amperora i Agripa mpanjaka.

Inona no nambaran'i Festosy fa tsy azo heverina ho azy ny manao izany raha teo am-pandefasana an'i Paoly tany amin'ny amperora izy?

Nolazain'i Festosy fa tsy azony heverina ny handefa an'i Paoly any amin'i amperora raha tsy nilaza ny fiampangana natao taminy.

Acts 26

Acts 26:1

Nahoana no faly i Paoly fa afaka naneho ny fiarovan-tenany teo anatrehan'i Agripa Mpanjaka?

Faly i Paoly fa afaka ny hanao ny fiarovan-tenany teo anatrehan'i Agripa Mpanjaka, satria Agripa dia nanam-pahaizana tamin'ireo fomba sy raharaha Jiosy rehetra.

Acts 26:4

Ahoana no fomba fiainan'i Paoly tany Jerosalema hatramin'ny fahatanorany?

Niaina tahaka ny Fariseo i Paoly, ary hentitra indrindra tamin'ny antokom-pivavahana Jiosy.

Acts 26:6

Inona no fampanantenana nolazain'i Paoly fa samy antenainy sy ireo Jiosy ho azo?

Nambaran'i Paoly fa manantena ny hahazo ny fampanantenana ny fitsanganana amin'ny maty izy sy ireo Jiosy.

Acts 26:9

Talohan'ny fiovam-pony, inona no nataon'i Paoly hanoherana an'i Jesosy avy any Nazareta?

Nanidy ireo olo-masina maro tany am-pigadrana i Paoly, nanaiky ny famonoana azy ireo, ary nanao haza-lambo azy ireo tany amin'ny tanàna tany ivelany.

Acts 26:12

Inona no hitan'i Paoly teny an-dalana ho any Damaskosy?

Nahita fahazavana avy any an-danitra izay namiratra noho ny masoandro i Paoly.

Inona no ren'i Paoly teny an-dalana ho any Damaskosy?

Nandre feo i Paoly izay nilaza hoe: "Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?"

Acts 26:15

Iza no niresaka tamin'i Paoly teny an-dalana ho any Damaskosy?

Jesosy no niresaka tamin'i Paoly teny an-dalana ho any Damaskosy.

Notendren'i Jesosy ho inona i Paoly?

Notendren'i Jesosy ho mpanompo sy vavolombelona teo amin'ireo Jentilisa i Paoly.

Inona no nambaran'i Jesosy fa tiany ho raisin'ireo Jentilisa?

Nambaran'i Jesosy fa tiany handray ny famelan-keloka sy ny lova avy amin'Andriamanitra ireo Jentilisa.

Acts 26:19

Inona ireo zavatra anankiroa nolazain'i Paoly fa notoriany na taiza na taiza nalehany?

Nambaran'i Paoly fa nitory ny amin'ny tokony hibebahan'ny olona sy hitodihany amin'Andriamanitra, amin'ny fanaovana asa mendrika ny fibebahana izy.

Acts 26:22

Inona no nambaran'ireo mpaminany sy Mosesy fa hitranga?

Nambaran'ireo mpaminany sy Mosesy fa tsy maintsy hijaly i Kristy, hitsangana amin'ny maty, ary hanambara fahazavana amin'ireo vahoaka Jiosy sy Jentilisa.

Acts 26:24

Inona no fihevitr'i Festosy an'i Paoly taorian'ny nandrenesany ny fiarovan-tenany?

Noheverin'i Festosy fa very saina i Paoly.

Acts 26:27

Inona no fanirian'i Paoly ho an'i Agripa Mpanjaka?

Naniry i Paoly mba ho lasa Kristiana i Agripa Mpanjaka.

Acts 26:30

Inona no tsoa-kevitra noraisin'i Agripa, Festosy, ary Berenika nanoloana ny fiampangana nanohitra an'i Paoly?

Nifanaiky izy ireo fa tsy nanao na inona na inona izay mendrika fahafatesana na famatorana i Paoly, ary tokony ho nafahana izy raha niantso an'i Kaisara?

Acts 27

Acts 27:3

Ahoana ny fomba nitondran'i Jolio kapiteny an'i Paoly tany am-piandohan'ny diany nankany Roma?

Nitondra an'i Paoly tamin'ny hatsaram-panahy i Jolio ary namela azy handeha ho any amin'ireo namany ka handray ny fikarakaran'izy ireo.

Acts 27:7

Niantsambo tam-pahasahiranana teo amin'ny nosy inona ny sambon'i Paoly?

Niantsambo nanodidina ny nosin'i Kreta tam-pasahiranana ilay sambo.

Acts 27:9

Naninona no tsy nanaraka ny fampitandreman'i Paoly momba ny fahalozan'ny fanohizana miantsambo i Jolio?

Tsy nanaraka ny fampitandreman'i Paoly i Jolio satria ny tompon'ny sambo no nohenoiny kokoa.

Acts 27:19

Andro maro taty aoriana, inona no fanantenana very teo amin'ireo tantsambo?

Andro maro taty aorina, very fanantenana ny amin'ny mety hahavoavonjy azy ireo ny tantsambo.

Acts 27:23

Inona no hafatra nomen'ny anjley iray an'i Paoly mahakasika ny olona tamin'ny diany?

Nambaran'ilay anjely tamin'i Paoly fa ho velona izy sy ireo mpiantsambo.

Acts 27:27

Ny sasak'alina tamin'ny alina faha-efatra ambin'ny folo, inona noheverin'ireo tantsambo fa nahazo ilay sambo?

Nihevitra ireo tantsambo fa nanakaiky tanety ny sambo.

Acts 27:30

Inona no fomba notadiavin'ireo tantsambo hatao?

Nitady fomba handaozana ny sambo ireo tantsambo.

Inona no nolazain'i Paoly tamin'ny kapiteny sy ireo miaramila momba ireo tantsambo?

Nambaran'i Paoly tamin'ny kapiteny sy ireo miaramila fa raha tsy mijanona ao anaty sambo ireo tantsambo, dia tsy ho avotra ny kapiteny sy ireo miaramila.

Acts 27:33

Rehefa tonga ny fahazavan'ny andro, inona no namporisihan'i Paoly ho ataon'ny olon-drehetra?

Namporisika ny olon-drehetra haka sakafo i Paoly.

Acts 27:42

Inona no andeha hataon'ireo miaramila tamin'ireo gadra tamin'io fotoana io?

Saika andeha hamono ireo gadra ireo miaramila mba tsy hisy afaka ny handositra.

Nahoana no natsahatry ny kapiteny ny tetik'ireo miaramila?

Natsahatry ny kapiteny ny tetik'ireo miaramila satria te hamonjy an'i Paoly izy.

Ahoana no fomba nahatogavan'ny olona rehetra soa aman-tsara teny an-tanety?

Ireo izay afaka nilomano no nitsambikina avy tao amin'ny sambo voalohany, ary ny sisa dia nanaraka teo ambonin'ny hazo fisaka na zavatra hafa avy tao amin'ny sambo.

Acts 28

Acts 28:1

Ahoana ny fomba nitondran'ireo teratany tao amin'ny nosin'i Malta an'i Paoly sy ireo mpiantsambo?

Nitondra azy ireo tam-pahatsoara araka ny mahazatra izy ireo.

Acts 28:3

Inona no noheverin'ireo olona rehefa nahita ny menarana nihantona teo amin'ny tanan'i Paoly?

Nihevitra izy ireo fa mpamono olona tsy navelan'ny fitsarana ho velona i Paoly.

Acts 28:5

Inona no noeritreretin'ny olona rehefa hitan'izy ireo fa tsy matin'ilay menarana i Paoly?

Nihevitra ireo olona fa andriamanitra i Paoly.

Acts 28:7

Inona no nitranga taorian'ny nanasitranan'i Paoly ny rain'i Poplio, ilay lehiben'ny nosy?

Tamy ihany koa ireo olona sisa izay narary tao amin'ilay nosy ary sitrana.

Acts 28:11

Hafiriana no nijanon'i Paoly sy ireo mpiantsambo tao amin'ny nosin'i Malta?

Nijanona tao amin'ny nosin'i Malta nandritra ny telo volana i Paoly sy ireo mpiantsambo.

Acts 28:13

Inona no nataon'i Paoly rehefa nahita ireo rahalahy avy any Roma izay tonga hihaona taminy?

Rehefa nahita ireo rahalahy, dia nisaotra an'Andriamanitra ary naka hery i Paoly.

Acts 28:16

Inona no fifampiraharana momba ny fiainan'i Paoly amin'ny maha-gadra azy tany Roma?

Navela niaina irery niaraka tamina miaramila iray niambina azy i Paoly.

Acts 28:19

Inona no antony nolazain'i Paoly tamin'ireo mpitarika Jiosy tao Roma fa namatorana azy?

Nohon'ny fatokian'Israely no nambaran'i Paoly tamin'ireo mpitarika Jiosy tao Romana fa namatorana azy.

Acts 28:21

Inona no fantatr'ireo mpitarika Jiosy tao Roma momba ny antokon'ireo Kristiana?

Fantatr'ireo mpitarika Jiosy tao Roma fa toherina na aiza na aiza ny antokon'ny Kristiana.

Acts 28:23

Rehefa tonga tany amin'ny toeram-ponenan'i Paoly indray ireo mpitarika Jiosy, inona no niezahin'i Paoly natao nanomboka ny maraina ka hatramin'ny hariva?

Niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an'i Jesosy i Paoly, tamin'ny lalàn'i Mosesy sy avy tamin'ireo mpaminany.

Iona no navalin'ireo mpitarika Jiosy ny hevitra nasehon'i Paoly?

Resy lahatra ny sasany tamin'ireo mpitarika Jiosy, raha tsy nino kosa ny hafa.

Acts 28:25

Inona no nambaran'ny soratra masina farany notsongain'i Paoly momba ireo mpitarika Jiosy tsy nino?

Nambaran'ny soratra masina farany notsongain'i Paoly fa ireo mpitarika Jiosy tsy nino dia tsy hahazo na hahalala izay re na hitan'izy ireo.

Acts 28:28

Taiza hoy Paoly no nalefa ny hafatry ny famonjen'Andriamanitra, ary inona no ho valin'izany?

Nambaran'i Paoly fa nalefa tany amin'ireo Jentilisa ny hafatry ny famonjen'Andriamanitra, ary hihaino izy ireo.

Acts 28:30

Inona no nataon'i Paoly raha mbola gadra tany Roma?

Nitory ny fanjakan'Andriamanitra i Paoly ary nampianatra momba ny Tompo Jesosy tamin'ny fahasahiana rehetra.

Iza no nanakana an'i Paoly tsy hitory sy hampianatra raha mbola gadra tany Roma nandritra ny roa taona izy?

Tsy nisy nanakana azy.