Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Malachi 1

Malachi 1:1

Tamin'ny alalan'iza no nahatongavan'ny tenin'i Yaveh tamin'Israely?

Ny tenin'i Yaveh dia tonga tamin'ny alalan'i Malakia.

Iza no tian'i Yaveh, ary iza no nankahalainy?

Isarely sy Jakoba no tian'i Yaveh, ary Esao kosa no halany.

Malachi 1:4

Ahoana no navalin'Israely rehefa handrava ny natsangan'i Edoma efa rava i Yaveh?

Israely dia hamaly amin'ny fitenenana hoe: "Yaveh dia lehibe mihoatra ny faritanin'Israely".

Malachi 1:6

Araka ny rain'Israely sy ireo tompo, inona no nangatahan'i Yaveh tamin'ireo mpisorona?

Yaveh nangataka ireo mpisorona izay nankatò sy nananome haja ny anarany, sy ny antony nanaovan'izy ireo tsinontsinona ny anarany sy ny latabany.

Malachi 1:8

Ahoana no havalin'i Yaveh amin'ireo fanatitr'i jamba, sy kilemaina, ary ireo biby marary?

Yaveh dia tsy hanaiky ny fanatitrin'ny jamba, sy kilemaina, ary ny marary, na haneho ny maha izy azy sy ny voninahiny amin'Israely ho azy ireo, na handray an'Israely amin'ny fanolorana azy ireo.

Malachi 1:10

Nahoana i Yaveh no misafidy iray amin'ireo Israelita hanidy ny vavahadin'ny tempoly hampitandremana azy ireo amin'ny fandrehetana afo eo amin'ny alitarany amin'ny tsy misy dikany?

Satria ny anaran'i Yaveh dia nomem-boninahitra teo amin'ireo firenena, ary tamin'ny toerana rehetra ny firenena dia nandeha nanolotra fanatitra madio tsy tahaka ireo fanatitra avy amin'ny tanan'Israelita.

Malachi 1:13

Ahoana no fahitan'ireo mpisorona ny asan'i Yaveh?

Izy ireo dia nijery izany ho mandreraka, ary niherona nanambany tamin'izany.

Nahoana ny Tompo no nanozona ireo mpamitaka izay nivoady hanamasina biby lahy tao amin'ny biby fiompiny ary koa nanome biby misy kilema?

Satria Yaveh dia mpanjaka lehibe, ary ny anarany dia nampiorohoro teo amin'ireo firenena.

Malachi 2

Malachi 2:3

Amin'inona no halalan'ireo mpisorona fa Yaveh dia nandidy azy ireo handray izany tamin'ny fo hanomezana voninahitra amin'ny anarany?

Ho fantan'izy ireo amin'ny alalan'ny hozon'i Yaveh eo amin'ny fitahian'izy ireo, ary amin'ny alalany no famendrahana zezika eo amin'ny tavan'izy ireo.

Malachi 2:5

Nahoana ireo Levy no nanome voninahitra an'i Yaveh, talanjona tamin'ny anaran'i Yaveh, nanana fampianarana marina teo ambavany toy izay tsy fahamarinana, nandeha am-piadanana sy fahamarinana niaraka tamin'i Yaveh, ary niala tamin'ny fahotana?

Satria ireo mpisorona dia tokony hiambina am-pahatakarana araka ny irak'i Yaveh.

Malachi 2:8

Ahoana no nanimban'ireo mpisorona ny fanekem-pihavan'i Levy ary tsy nitandrina ny lalan'i Yaveh?

Dia nataon'ireo Levita tamin'ny alalan'ny fampisehoana ny fanavakavahana tamin'ny fampianaran'izy ireo izany.

Malachi 2:10

Iza no hoesorin'i Yaveh ao amin'ny lain'i Jakoba?

Yaveh dia hanala ny olona rehetra izay nanao fivadiahana nanohitra ny rahalahiny na izay nanambady ny zanaka vavin'ny andriamanin-kafa, ary dia nitondra fanatitra tamin'i Yaveh.

Malachi 2:14

Nahoana i Yaveh no tsy nanaiky ny fanatitr'Israely?

Satria Israely dia kely finoana ka nanohitra ny vadiny tamin'ny fahatanoràny.

Nahoana i Yaveh no nandidy ireo Israelita hiambina ny tenany tamin'ny fanahiny ka tsy kely finoana?

Satria Yaveh efa nanao an'Israely sy ny vadiny ho iray mba hanana taranaka arakan'andriamanitra, ary satria Yaveh nankahala azy sy ny fisaraham-bady izay manarona ny fitafiany amin'ny herisetra.

Malachi 2:17

Nahoana ireo Israelita no nadreraka an'i Yaveh tamin'ny tenin'izy ireo?

Norerahan'izy ireo tamin'ny teniny i Yaveh tamin'ny filazana fa ny ratsy ataony dia tsara eo imason'i Yaveh ary izy dia nanaiky azy ireo, sy tamin'ny fangatahana ny fahamarinan'Andriamanitra.

Malachi 3

Malachi 3:1

Inona no nitranga taorian'ny nandefasan'i Yaveh iraky ny fanekeny izay hanomana ny lalany?

Ilay Tompo, izay notadiavin'ny Israely dia ho avy tampoka ao amin'ny tempoliny.

Rahoviana ny fanatitr'i Joda sy Jerosalema no ataolotra an'i Yaveh?

Izany dia hankasitrahan'i Yaveh aorian'ny fanadiovana ireo zanaka lahin'i Levy, rehefa narendrik'izy ireo tahaka ny volamena sy volafotsy.

Malachi 3:4

Taorian'ny fanatitr'i Joda sy Jerosalema izay nankasitrahana tamin'i Yaveh manoloana ny fanadiovana ireo zanaka lahin'i Levy, dia hanao izany ve i Yaveh?

Izy dia hampanakaiky an'Israely amin'ny fahamariana ary ho vavolombelona miovaova manohitra ireo izay tsy nanome voninahitra Azy.

Malachi 3:6

Na dia nivadika tamin'i didin'i Yaveh aza ny olon'i Jakoba, nahoana izy ireo no tsy levona?

Tsy mbola levona izy ireo satria tsy mbola niova i Yaveh.

Ahoana ny fomba nivadihan'Israely tamin'i Yaveh?

Nivadika tamin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny tsy fitandremana ny didiny izy ireo.

Malachi 3:8

Ahoana no nandroban'Israely an'Andriamanitra?

Izy ireo dia nandroba an'Andriamanitra tamin'ny ampahafolon-karena sy ireo fanatitra.

Malachi 3:10

Inona no nampanantenain'i Yaveh hiseho raha nitondra ny amapahafolon-karena feno tao amin'ny trano fitahirizana Israely?

Yaveh dia nampanantena fa Izy dia hiteny mahery an'ireo izay mandrava anareo, ary ireo firenena rehetra dia hiantso an'Israely hoe sambatra.

Malachi 3:13

Ahoana no fomba nilazan'ny Israelita ny hanoherana an'i Yaveh?

Izy ireo dia nilaza fa ny fanompoana an'Andriamanitra dia tsy misy dikany satria ireo mpirehareha sy ireo mpanao ratsy dia hambinina na dia naka fanahy Azy aza izy ireo.

Malachi 3:17

Iza no nolazain'i Yaveh fa azy ka namindrany fo?

Yaveh dia nilaza fa ireo izay natahotra an'i Yaveh sy nanaja ny anarany dia ho Azy ary hamindrany fo.

Amin'ny andro hiasan'i Yaveh, dia inona no hitranga?

Ireo Israelita dia ho avahana amin'ny fahamarinana sy faharatsiana indray, eo amin'izay manompo an'Andriamanitra sy ireo izay tsy manompo Azy.

Malachi 4

Malachi 4:1

Inona no hitranga amin'ireo mpirehareha sy mpanao ratsy rehefa ho avy ny andro mandoro toy ny fatana?

Ireo mpirehareha sy ireo mpanao ratsy dia lasa mololo, may tanteraka.

Ho amin'iza no hiposahan'ny masoandron'ny fahamarinana?

Ny masoandron'ny fahamarianana dia hiposaka ho an'ireo izay matahotra ny anaran'i yaveh.

Inona no ho ataon'ireo izay natahotra ny anaran'i Yaveh amin'ny andro izay hiasan'i Yaveh?

Izy ireo dia handeha hivoaka, ary hitsambikina toy ny zanak'omby avy ao amin'ny fihinanam-bilona ary handia ny ratsy.

Malachi 4:4

Inona no nandidian'i Yaveh ho ataon'ireo Israely rehetra?

Izy dia nandidy azy ireo hanaraka ny lalàn'ny mpanompony.

Inona no ho ataon'i Yaveh mialoha ny androny?

Handefa an'i Elia hamadika ny fon-dray amin'ny zanaka, sy ny fon-janaka amin'ny ray Izy, mba tsy hanozonan'i Yaveh ny tany.