Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Esther 1

Esther 1:1

Hatraiza no nanjakan'i Ahasoerosy?

Ahasoerosy dia nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, nanenika ny faritany 127.

Esther 1:3

Iza no teo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka?

Ny tafik'i Persia sy Media, ireo lehilahy manan-kaja, sy ireo governoran'ireo faritany no teo amin'ny fanatrehany.

Esther 1:5

Ho an'iza ny firavoravoana nandritra ny fito andro?

Ny firavoravoana fito andro dia ho an'ny vahoaka rehetra teo amin'ny fiarovana mafin'i Sosana, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra.

Ho an'iza no nanaovan'ny mpanjaka ny firavoravoana?

Ny firavoravoana dia natao ho an'ny vahoaka rehetra teo amin'ny fiarovana mafin'i Sosana, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra.

Esther 1:7

Nahoana no betsaka tokoa ny divaim-panjakana?

Betsaka tokoa ny divaim-panjakana nohon'ny fahalalan-tanan'ny mpanjaka.

Inona avy ireo baikon'ny mpanjaka ho an'ny mpiasa rehetra tao an-dapany?

Nanome baiko ny mpiasa rehetra tao an-dapany ny mpanjaka mba hanao izay rehetra irin'ny vahiny tsirairay.

Esther 1:9

Inona no hotenenin'ny mpanjaka amin'ireo manam-bonninahitra fito izay manompo teo anoloany?

Ny mpajaka niteny tamin'ireo manam-boninahitra fito izay nanompo teo anoloany mba hitondra ny mpanjaka vavy Vasty ho eo enoloany miaraka amin'ny satro-boninahiny.

Esther 1:13

Tamin'iza no nifandinika ny mpanjaka?

Ny mpanjaka dia nifandinika tamin'ireo lehilahy izay fantatra fa hendry, izay mahafantatra ny andro.

Esther 1:16

Arakan'i Memokana, tamin'iza i Vasty no nanao fahadisoana?

Memokana nilaza fa tsy tamin'ny mpanjaka irery ihany no nanaovan'i Vasty mpanjaka vavy fahadisoana, fa tamin'ireo manam-boninahitra sy iroe vahoaka iza manerana ny faritanin'i Ahasoerosy mpanjaka ihany koa.

Inona no nolazain'i Memokana fa ataon'ny andriambavin'i Persia sy Media mialohan'ny hiafaran'izany andro izany?

Nilaza izy fa mialohan'izany andro izany, ny andriambavy dia handà ireo manam-boninahitry ny mpanjaka.

Esther 1:19

Iza no homen'ny mpanjaka ny toerana maha-mpanjaka an'i Vasty?

Ny mpanjaka dia hanome ny toerana maha-mpanjaka an'i Vasty ho an'ireo vehivavy izay tsara noho izy.

Esther 1:21

Inona no baikon'ny mpanjaka?

Nandidy ny mpanjaka fa ny lehilahy rehetra dia ho masi-mandidy eo amin'ny tokatranony.

Esther 2

Esther 2:1

Inoa no nangatahan'ireo zatovo lahin'ny mpanajaka?

Ary ireo zatovo lahin'ny mpanjaka dia nangataka ny hisian'ny fifidianana tovovavy tsara tarehy virijiny ho an'ny mpanjaka.

Esther 2:3

Ao ambany fiahin'iza ireo virijiny no hapetraka?

Ireo virijiny dia hapetraka ao ambeny fiahin'i Hegay, tsindranolahin'ny mpanjaka, izay miandraikitra ny vehivavy.

Esther 2:5

Iza no nitondra an'i Mordekay tany Jerosalema?

Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona no nitondra an'i Mordekay avy tany Jerosalema.

Esther 2:7

Iza no anaran'i Estera hafa?

Ny anarani Estera hafa dia Hadasa.

Ahoana no nampifandraika an'i Estera tamin'i Mordekay.

Estera dia zanaka zanaka vavin'ny dadaroanay.

Esther 2:8

Tamin'ny inona no nanomezan'i Hegay an'i Estera?

Hegay dia nanome azy ireo fikoloana endrika sy ny anjara sakafony, ary nanendry mpanompo vavy fito avy tao an-dapan'ny mpanjaka ho azy izy.

Esther 2:10

Nahoana no tsy nolazain'i Estera tamin'iza na tamin'iza izay fiereny na ireo havany?

Tsy nolazain'i Estera na tamin'iza na tamin'iza ny izay fierena na ireo havany, satria efa nanarin'i Moderkay izy mba tsy hiteny azy ireo.

Esther 2:12

Inona no nomena azy rehefa nandeha nankany amin'ny mpanjaka ny tovovavy iray?

Rehefa nandeha nankany amin'ny mpanjaka ny tovovavy iray dia nomena azy izay rehetra nilainy.

Esther 2:14

Rahoviana no hiverina any amin'ny mpanjaka ny vehivavy?

Tsy hiverina any amin'ny mpanjaka ny vehivavy raha tsy efa nahazo fifaliam-be taminy ka hiantso azy indray.

Esther 2:15

Inona no nangatahan'i Estera?

Tsy nangataka na inona na inona izy ankoatr'izay natolotr'i Hegay tsindranolahin'ny mpanjaka, izay niandraikitra ireo vehivavy, ihany ho azy.

Oavina i Estera no netina tany amin'ny mpanjaka Ahasoerosy?

Nentina tany amin'ny Ahasoerosy mpanjaka i Estera tamin'ny volana faha folo, izay volan'i Tebeta, tamin'ny fahafito taona nanjakany.

Esther 2:17

Nahoana ny mpanjaka no nampisatroka satro-boninahitra teo amin'ny lohan'i Estera ary nanao azy ho mpanjakavavy?

Tian'ny mpanjaka mihoatra noho ireo vehivavy rehetra i Estera, ary nahazo fankasitrahana sy fahatsaram-panahy teo anatrehany izy, mihoatra noho ireo virijiny rehetra, noho izany dia nosatrohiny satro-boninahitra teo amin'ny lohany ary nataony mpanjakavavy izy.

Esther 2:19

Inona no saika ataon'i Bigtana sy Taresy tamin'i Ahasoerosy mpanjaka?

Nitady hanisy ratsy an'i Ahasoerosy mpanjaka i Bigtana sy Taresy.

Esther 2:22

Inona no nahazo an'i Bigtana sy Taresy?

Nahantona tamin'ny hazo izy mirahalahy.

Esther 3

Esther 3:1

Iza no nandohalika sy niankohoka teo amin'i Hamana?

Ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay tao am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka tamin'i Hamana.

Esther 3:3

Inona no nolavin'i Mordekay tsy hatao?

Nandà ny hanatanteraka ny fangatahan'ireo mpanompon'ny mpanjaka i Mordekay.

Esther 3:5

Iza no nirian'i Hamana hovonoina?

Naniry ny hamono an'i Mordekay i Hamana sy ny Jiosy rehetra.

Esther 3:8

Tamin'izy ireo nanao loka izy ireo, volana inona no nosafidiany?

Tamin'izy ireo nanao loka, dia nisafidy ny volana faha roambin'ny folo izy ireo (volan'ny Adara)

Vola ohatrinona no nataon'i Hamana tao amin'ny fandatsahan-drakitry ny mpanjaka raha nanome baiko mba hamono ireo Jiosy ny mpanjaka?

Vonona handoa talenta volafotsy iray alina ao amin'ny fandatsahan-drakitry ny mpanjaka i Hamana raha manome baiko mba hamono ireo Jiosy ny mpanjaka.

Esther 3:12

Ahoana no nizarana ireo antontan-taratasy ho an'ny mpanjakan'ireo faritany rehetra?

Natolo-tanana tamin'ny alalan'ireo iraka tany amin'ny faritanin'ny mpanjaka rehetra ireo antontan-taratasy.

Esther 3:14

Ahoana no namalian'i Sosana ny lalàna?

Ny tanànan'i Sosana dia tao anaty korontana.

Esther 4

Esther 4:1

Hatraiza no nalehan'i Mordekay? Nahoana?

Tonga lavitra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka fotsiny izy, satria tsy nisy olona nahazo alalana andeha eo amin'izany miaraka amin'ny akanjo fisaonana.

Esther 4:4

Ahoana no navalin'i Mordeakay, rehefa nandefa fitafy hampiakanjona azy i Estera?

Rehefa nandefa fitafy hampiakanjona an'i Mordekay izy, dia tsy nanaiKy ireo izy.

Esther 4:6

Inona no nolazain'i Mordekay tamin'i Hakàta?

Nolazain'i Mordekay taminy izay rehetra nitranga taminy, sy ny fitambaran'ny volafotsy izay nampanantenain'i Hamana haloa sy hapetraka ao amin'ny trano fitehirizan'ny mpanjaka mba hamonoana ireo Jiosy.

Nahoana no nomen'i Mordekay dika mitovy amin'ny lalàna izay navoaka tany Sosana ny amin'ny fanapotehana ny Jiosy?

Nataon'i Mordekay izany mba ahafahan'i Hatàka mampiseho izany amin'i Estera, sy mba hanomezan'i Hatàka azy andraikitra amin'ny fandehanana any amin'ny mpanjaka mba hitalaho ny fankasitrahany, ary hitalaho aminy amin'ny anaran'ny vahoakany.

Esther 4:9

Inona no hitranga raha misy lehilehy na vehivavy mankany amin'ny mpanjaka ao anatin'ny kianja nefa tsy nampanantsoina?

Raha misy lehilahy na vehivavy mankany amin'ny mpanjaka ao anatin'ny kianja nefa tsy nampanantsoina dia misy lalàna izay fotsiny: dia ny hamonoana aza ho faty—ankoatr'izay tondroin'ny mpanjaka amin'ilay tehim-bolamena mba afahany ho velona.

Esther 4:13

Inona no lazain'i Mordekay fa hiseho raha mangina i Estera amin'izany fotoana izany?

Raha mangina i Estera amin'izany fotoana izany, dia hisy fanafahana sy famonjena hiseho amin'ireo Jiosy any amin'ny toerana hafa, fa izy sy ny tranony rainy ksa ho ringana.

Esther 4:15

Inona no nasain'i Estera ataon'i Mordekay?

Nasain'i Estera nanangona miaraka ny Jiosy rehetra izay monina any Sosana i Mordekay, ary hifady hanina ho azy mandritra ny telo andro.

Esther 5

Esther 5:1

Taiza ny tao anatin'ny kianjan'ny lapan'ny mpanjaka?

Ny tao anatin'ny kianjan'ny lapan'ny mpanjaka dia teo anoloa'ny tranon'ny mpanjaka.

Oviana no nahita an'i Estera mpanjaka nitsangana teo an-kianja ny mpanjaka ary nahoana no notondroiny tamin'ny tehim-bolamena izy?

Nahazo sitraka teo imasony i Estera, ka ,notondroiny tamin'ny tehim-bolamena teny an-tanany izy.

Esther 5:3

Inona no nagatahan'i Estera tamin'ny mpanjaka?

Nnagataka izy mba ho avy amin'ny fanasana izay nomaniny ho azy ny mpanjaka sy i Hamana.

Esther 5:7

Inona no fangataha fanindroany nataon'i Estera tamin'ny mpanjaka?

Nangataka izy mba ho avy amin'ny fanasana izay nomaniny ho azy ireo ny mpanjaka sy i Hamana.

Esther 5:9

Inona no naverin'i Hamana notanisaina tamin'ny fianakaviany?

Naverin'i Hamana notanisaina tamin'izy ireo ny famirapiratan'ireo hareny sy ireo zanany lahy maro, ary ny fomba nandrosoany teo amin'ireo manamboninahitra sy ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra.

Esther 5:12

Nahoana i Hamana no nahatsapa fa rehefa voaasa amin'ny fanasana dia tsy mendrika na inona na inona ho azy?

Rehefa voaasa amin'ny fanasana dia tsy mendrika na inona na inona ho azy raha mbola mahita an'i Mordekay ilay Jiosy eo am-bavahadin'ny mpanjaka izy.

Esther 6

Esther 6:1

Nahoana ny mpanjaka no nandidy ny mpanompony mba hitondra ny boky fitehirizana tantara tamin'ny fotoana nitondrany?

Tsy nahita tory ny mpanjaka tamin'izany alina izany, koa nandidy ny mpanompony izy mba hitondra ny boky fitehirizana tantara tamin'ny fotoana nitondrany.

Inona moa no efa mba natao mba nanomezana voninahitra na fankatoavana an'i Mordekay tamin'ny filazany ny momba an'i Bigtana sy Taresy?

Tsy nisy natao mba nanomezana voninahitra na fankatoavana an'i Mordekay tamin'ny filazany tamn'ny mpanjaka ny momba an'i Bigtana sy Taresy.

Esther 6:4

Momba ny inona no noheverin'i Hamana fa noresahan'ny mpanjaka, rehefa nanontany azy ny tokony atao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra i Hamana?

Rehefa nanontany an'i Hamana izay tokony atao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra ny mpanjaka, dia nihevitra i Hamana fa momba azy no noresahin'ny mpanjaka.

Esther 6:7

Iza no hampiakanjo ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra, ary iza no hitarika azy hitety ny lalan'ny tanàna amin'ilay soavaly?

Iray amin'ireo manamboninahitra mendri-kaja indrindra no hampiakanjo ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra, ary hitarika azy hitety ny lalan'ny tanàna amin'ilay soavaly.

Esther 6:10

Iza no nampiakanjo an'i Mordekay sy nitarika azy hitety ny lalan'ny tanàna amin'ny soavaly?

Hamana no nampiakanjo an'i Mordekay sy nitarika azy hitety ny lalan'ny tanàna amin'ny soavaly.

Esther 6:12

Momba ny inona no nampitandreman'ny olon-kendrin'i Hamana sy ny vadiny azy?

Ny olon-kendriny sy ny vadiny dia niteny taminy fa raha Mordekay no Jiosy, dia tsy hahatratra azy mintsy i Hamana, fa dia ho lavo eo anatrehany tokoa izy.

Esther 7

Esther 7:3

Inona no fangatahan'i Estera?

Ny fangatahany dia ny hanomezana azy ny ainy sy ny ain'ny vahoakany.

Inona no nolazain'i Estera fa nataony raha namidy ho amin'ny fanandevozana fotsiny ny vahoakany?

Raha ny vahoakany ihany mantsy no namidy tamin'ny fanandevozana, dia nilaza izy fa hangina.

Esther 7:6

Iza no nosoritsoritin'i Estera hoe :"Ilay lehilahy rafy, izany fahavalo izany..."?

Izany no nanoritsoritan'i Estera an'i Hamana.

Inona no nataon'i Hamana rehefa nitsangana tamin-katezerana avy teo amin'ny fisotroan-divay ny mpanjaka?

Rehefa nitsangana tamin-katezerana avy teo amin'ny fisotroan-divay ny mpanjaka, dia nijanona mba hitalaho ny amin'ny ainy tamin'i Estera Mpanjaka i Hamana.

Esther 7:8

Inona no noheverin'ny mpanjaka fa nataon'i Hamana, taorian'ny nianjerany teo amin'ny seza lava nisy an'i Etera?

Taorian'ny nianjeran'i Hamana teo amin'ny seza lava nisy an'i Estera, dia nihevitra ny mpanjaka fa hamely ny mpanjaka vavy eo anatrehan'ny mpanjaka i Hamana.

Esther 7:9

Taiza no nasain'ny mpanjaka nanantonana an'i Hamana?

Nilaza ny mpanjaka mba hanantonana an'i Hamana sy ny ankohonany eo amin'ilay hazo fanantonana izay napetrak'i Hamana ho an'i Mordekay.

Esther 8

Esther 8:1

Nahoana i Mordekay no nanomboka nanompo teo anatrehan'ny mpanjaka?

Nanomboka nanompo teo anatrehan'ny mpanjaka i Mordekay, fa nolazain'i Estera tamin'ny mpanjaka ny fomba nifandraisan'i Mordekay taminy.

Nahoana i Mordekay no miandraikitra ny fananan'i Hamana?

Satria notendren'i Estera ho mpiandraikitra ny fananan'i Hamana i Mordekay.

Esther 8:3

Inona no nataon'ny mpanjaka ka nahafahan'i Estera niarina sy nijoro manoloana azy?

Nanondro an'i Estera tamin'ny tehina volamena ny mpanjaka, dia niarina izy ary nijoro nanoloana ny mpanjaka.

Esther 8:5

Taratasy inona no nosoratan'i Hamana?

Taratasy momba ny hamonoana ireo Jiosy izay any amin'ireo faritanin'ny mpanjaka rehetra no nosoratan'i Hamana.

Esther 8:7

Nahoana i Estera no nanoratra didy hafa ho an'ireo Jiosy amin'ny anaran'ny mpanjaka?

Mila manoratra didy hafa ho an'ireo Jiosy amin'ny anaran'ny mpanjaka i Estera, satria ny didy voalohany izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka ary voatomboka tamin'ny peratry ny mpanjaka dia tsy afaka foanana.

Esther 8:9

Oavina no voaantso ireo mpanora-dalànan'ny mpanjaka?

Ireo mpanora-dalànan'ny mpanjaka dia voaantso tamin'ny volana fahatelo, izay vola'ny Sivàna, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polon'ny volana.

Esther 8:10

Inona no fahefana nomen'ny mpanjaka ireo Jiosy?

Ny mpanjaka dia nanome fahefana ireo Jiosy mba hiara-hivory sy hiady mba hiarovana ny ain'izy ireo; mba hamonoana, ary mba hamotehana izay herim-piadina avy amin'ireo vahoaka na faritany izay mety hanafika azy ireo, ao anatin'izany ireo zaza amam-behivavy, na handroba ny fananan'izy ireo.

Esther 8:15

Nahoana no maro tami'ireo karazan'olona tamin'ny tany no lasa Jiosy?

Maro tamin'ireo karazan'olona tamin'ny tany no lasa Jiosy, satria nilatsaka teo amin'izy ireo ny tahotr'ireo Jiosy.

Esther 9

Esther 9:1

Nahoana no tsy nisy afaka mijoro hanohitra ireo Jiosy?

Tsy nisy afaka nijoro hanohitra azy ireo, satria efa nilatsaka tamin'ireo vahoaka rehetra ny tahotra azy ireo.

Esther 9:3

Inona no nataon'ireo Jiosy tamin'ireo fahavalony?

Ireo Jiosy dia namely ireo fahavalony tamin'ny sabatra ny, namono sy nandringana azy ireo, ary nanao arak'izay sitrak'izy ireo tamin'ireo izay nankahala azy.

Esther 9:13

Inona no nahazo ireo fatin'ny zanank'i Hamana folo lahy?

Ireo fatin'ny zanak'i Hamana folo lahy dia nahantona tamin'ny hazo fanantonana.

Esther 9:15

Olona firy no matin'ireo Jiosy tamin'ny zndro faha-efatra ambin'ny folon'ny volan'i Adara?

Tamin'ny andro faha-efatra ambin'ny folon'ny volan'i Adara, dia nahafaty olona telonjato fanampiny tao Sosana ireo Jiosy.

Esther 9:17

Nahoana ireo Jiosy no nihevitra fa ny andro fahaefatra ambin'ny folon'ny volana Adara dia ho andro fanasana sy firavoravoana?

Ireo Jiosy tao amin'ireo zana-bohitra dia nihevitra fa ny andro fahaefatra ambin'ny folon'ny volana Adara dia ho andro fanasana sy firavoravoana satria andro nitsaharana tamin'ny famonoana, ary nitsahatra izy ireo ka nanao izany andro izany ho andro fanasana sy firavoravoana.

Esther 9:20

Hafiriana no nandidian'i Mordekay ireo Jiosy mba hitandrina ny andro fahaefatra ambin'ny folo sy daha dimy ambin'ny folon'ny volana Adara?

Nandidy azy ireo hitandrina ny andro fahaefatra ambin'ny folo sy faha dimy ambin'ny folon'ny volana Adara isan-taona i Mordekay.

Esther 9:23

Inona no dikan'ny Pora?

Pora dia midika hoe: "Loka".

Esther 9:26

Nahoana ireo Jiosy sy ny taranany no tsy hitsahatra ny hitandrina am-pahatokiana ireo andron'ny Porima?

Ireo Jiosy ireo sy ny taranany dia tsy hitsahatra ny hitandrina am-pahatokiana ireo andron'ny Porima ireo, mba tsy hanadinoin'izy ireo izany mihitsy.

Esther 10

Esther 10:1

Taiza ireo zava-bitan'i Ahasoerosy mpanjaka rehetra nohon'ny heriny sy ny fahefany no voasoratra?

Ny zava-bitany rehetra nohon'ny heriny sy ny fahefany dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persi.

Esther 10:3

Fahafiry ny laharan'i Mordekay ilay Jiosy?

Mordekay ilay Jiosy no mpanjaka laharana faharoa taorian'i Ahasoerosy mpanjaka.

Nahoana i Mordekay no lehibe teo amin'ireo Jiosy ary nalaza teo amin'ireo rahalahiny Jiosy maro?

Lehibe teo amin'ireo Jiosy izy ary nalaza teo amin'ireo rahalahin'ny jiosy maro, satria nitady ny hanampiana ny vahoakany izy ary nanonona fiadanana tamin'ny vahoakany rehetra.