Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Zechariah 1

Zechariah 1:1

Nandritra ny nanjakan'iza no naminanian'i Zakaria?

Naminany nandritra ny nanjakan'i Dariosa i Zakaria.

Iza i Zakaria?

Zanaka lahin'i Berekia i Zakaria, zanaka lahin'Ido ilay mpaminany.

Inona no nolazain'i Yaveh tompon'ny maro fa ho ataony raha miverina Aminy ny vahoaka?

Hoy i Yaveh tompon'ny maro fa raha miverina Aminy ny vahoaka, hitodika amin'ireo Izy.

Zechariah 1:4

Inona no nataon'ireo razambeny rehefa nilaza ny mba hialàn'ireo amin'ny lalan-dratsiny sy ny fampiharan-dratsiny i Yaveh?

Tsy te handre sy tsy niraharaha an'i Yaveh ireo razambeny.

Inona no nolazain'ny vahoaka rehefa nibebaka izy ireo?

Rehefa nibebaka ny vahoaka dia hoy izy ireo: "Nanao drafitra ny hitandrina amin'ny teniny sy ny asany, ary nitondra azy ireo nivoaka Izy."

Zechariah 1:7

Inona no hitan'i Zakaria rehefa tonga taminy tamin'ny alina ny tenin'i Yaveh?

Nahita lehilahy nitaingina soavaly mena teo amin'ny hazo rotra izay teo amin'ny lohasaha i Zakaria. Mena ny tao aoriany, volontany manopy mena, ary soavaly fotsy.

Zechariah 1:10

Inona ireo soavaly hitan'i Zakaria?

Ireo soavaly dia ireo izay nalefan'i Yaveh nirenireny nanerana ny tany.

Inona ireo soavaly izay nirenireny nanerana ny tany?

Ireo soavaly dia ny tany rehetra mbola mipetraka sy mitsahatra.

Zechariah 1:12

Inona ny fanontaniana ataon'ny anjelin'i Yaveh ho an'i Yaveh mahakasika an'i Jerosalema sy ny tanànan'i Joda?

Nanontany an'i Yaveh ny anjelen'i Yaveh hoe mandra-pahoviana no hanehoanao tsy fangoraham-po amin'i Jerosalema sy amin'ireo tanànan'i Joda?

Zechariah 1:16

Inona no nolazain'i Yaveh tompon'ny maro ny mahakasika an'i Jerosalema sy ireo tanànan'i Joda?

Efa niverina tao Jerosalema tamim-pamindram-po i Yaveh, fa ho voaorina ao anatiny ny tranoko ary ny famolaina dia ho henjanina amin'i Jerosalema. Hoy ihany koa Yaveh hoe ho tondraka soa indray ireo tanànany ka hampahery an'i Ziona indray i Yaveh ary hisafidy an'i Jerosalema indray Izy.

Zechariah 1:18

Inona ireo tandroka efatra hitan'i Zakaria?

Ireo izay efa nanaparitaka an'i Joda, Israely, ary Jerosalema ireo tandroka efatra.

Zechariah 1:20

Iza ireo mpanefy vy efatra izay hitan'i Zakaria ary nandeha nanao inona izy ireo?

Ireo mpanefy vy dia ireo olona izay nandeha nandroaka ary mba handrava ireo tandrok'ireo firenena izay nanandratra tandroka manohitra ny tanin'i Joda mba hanaparitaka azy.

Zechariah 2

Zechariah 2:1

Inona no nataon'ny tovolahy niaraka tamin'ny tady fandrefesana teny an-tanany?

Nandeha nandrefy an'i Jerosalema izy, hamaritra ny sakany sy ny halavany.

Zechariah 2:3

Nahoana ilay anjely faharoa no nilaza fa hipetraka amin'ny tanàna misokatra i Jerosalema?

Nilaza izany ilay anjely faharoa nohon'ny hamaroan'ny olona sy ireo biby izay ao aminy.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho tonga amin'i Jerosalema?

Nambaran'i Yaveh fa ho tonga manda afo manodidina azy Izy ary ho voninahitra eo afovoany.

Zechariah 2:6

Inona no fanambaran'i Yaveh amin'ireo izay nonina miaraka amin'ny zanakavavin'ny Babylona?

Nilaza azy ireo mba handositra an'i Ziona i Yaveh.

Zechariah 2:8

Ahoana no tokony ahafantaran'izy ireo izay nandefasan'i Yaveh tompon'ny maro ilay anjely faharoa?

Nilaza ilay anjely faharoa fa te ahafantatra an'i Yaveh izay nandefa azy rehefa naninjitra ny tanany eo amin'ireo firenena ireo izay nambabo azy ireo ary rehefa nambabo an'i Joda sy Israely ireo firenena ireo dia ho babo ho an'ireo andevony izy ireo.

Zechariah 2:10

Inona no hiseho raha tonga sy hitoby ao Ziona i Yaveh?

Raha miseho izany dia hiaraka amin'i Yaveh ireo firenen-dehibe ary ho tonga vahoakany ireo ao Ziona.

Zechariah 2:12

Nahoana no nilaza ny hangiana teo anatrehan'i Yaveh ny nofo rehetra?

Nilaza ny tsy hiteny eo anatrehan'Yaveh ny nofo rehetra satria efa nitsangana avy tao amin'ny lanitra i Yaveh.

Zechariah 3

Zechariah 3:1

Iza no nanakaiky an'i Josoa ilay mpisoronabe?

Nitsangana teo anoloan'i Yaveh i Josoa ary nijoro teo an-tanan-kavanany i Satana.

Inona no nataon'i Satana eo an-tanana ankavanan'i Josoa?

Niampanga an'i Josoa ho nanota i Satana.

Inona no nanaovan'i Josoa raha nitsangana teo anatrehan'ny anjely izy?

Niakanjo fitafiana maloto i Josoa.

Zechariah 3:4

Inona no notenenin'ilay anjelin'Yaveh fa efa hitan'i Josoa?

Efa nanala ny helok'i Josoa ary nampiakanjo azy ilay anjely.

Inona no niseho nahakasika ny akanjon'i Josoa?

Nodidin'ilay anjely ny hanalana ny akanjon'i Josoa maloto ary ampaikanjoana lamba madio izy; hamama madio sy ireo akanjo madio.

Zechariah 3:6

Inona no nampanantenan'i Josoa, ilay mpisoronabe, raha mandeha amin'ireo lalan'Yaveh ary nandray ny baikony izy?

Nampanantena an'i Josoa i Yavesh fa hifehy ny tranon'i Yaveh izy ary hitandrina ny didiny. Nampanantena ihany koa i Yaveh fa hamela an'i Josoa hiditra sy handeha eo amin'ireo izay mijoro manoloana an'i Yaveh Izy.

Zechariah 3:8

Inona no niantsoana ny mpanompo izay Yaveh tenany no nitondra azy?

"Ilay Rantsana" no niantsoana ny mpanompo.

Inona no ampahan-kafatra voaloha voasokitra amin'ny vato misy maso fito?

Ny ampahan-kafatra voaloha dia ny hanalan'i Yaveh ny fahotana amin'ity tany ity ao anatin'ny iray andro .

Zechariah 3:10

Araka an'i Yaveh, oviana ny olona tsirairay no hanasa ny mpiara-belona aminy mba hipetraka ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny?

Tokony hiseho "amin'izany andro izany" hoy i Yaveh.

Zechariah 4

Zechariah 4:1

Inona no hitan'i Zakaria raha notairina izy?

Nahita fanaovan-jiro vita amin'ny volamena miaraka amin'ny fitoeran-diloilo eo an-tampony i Zakaria, sy lahin-jiro fito ary ireo hazon'oliva roa eo amin'ny lovia jobo Zakaria.

Zechariah 4:4

Azon'i Zakaria ve ny dikan'ireo zavatra tamin'ny fahitana?

Tsia, nolazain'i Zakaria fa niresaka tamin'ilay anjely izy nefa tsisy azony ny dikan'ireo zavatra tamin'ny fahitany.

Zechariah 4:6

Inona no notenenin'i Yaveh tamin'i Zerobabela momban'ny hitondrana ireo zavatra vita?

Ny tenin'i Yaveh tamin'i Zerobabeladia: "Tsy amin-kery na amin'ny tanjaka, fa amin'ny Fanahiko."

Hihiaka inona izy ireo rehefa hitondra ny tendron'ny vato Zerobabela?

Hihiaka hoe: "Tsara izany! Andriamanitra anie hitahy izany!"

Zechariah 4:8

Ahoana no ahafantaran'ny olona fa nalefan'Yaveh ho azy ireo i Zakaria?

Fantatry ny olona rehefa hitan'izy ireo ny faminaniany; nametraka ny fototr'ity trano ity ny tanan'i Zerobabela ary hamita izany.

Inona no hitan'ny olona teo amin'ny tanan'i Zerobabela?

Mahita vato pilao amin'ny tanan'i Zerobabela ny olona.

Inona no dikan'ireo lahin-jiro fito?

Ireo lahin-jiro fito dia ireo mason'i Yaveh izay mijery an'izao tontolo izao.

Zechariah 4:14

Inona ireo sampana roan'oliva?

Ireo sampana roan'oliva dia ireo zanaka roa amin'ny menaka izay mitsangana manoloana ny Tompon'izao tontolo rehetra izao.

Zechariah 5

Zechariah 5:1

Ahoana ny habean'ny horonan-taratasy hitan'i Zakaria?

Roapolo hakiho ny halavany ary folo hakiho ny sakan'ilay horonan-taratasy.

Zechariah 5:3

Inona no nolazain'ny anjely fa ilay horonan-taratasy manidina?

Nilaza ilay anjely fa ilay horonan-taratasy manidina dia ozona izay mivoaka manerana izao tontolo izao.

Ho an'iza ilay horonan-taratasy manidina?

Ilay horonan-taratasy dia ozona ho an'ny mpangalatra rehetra sy ireo izay mifototra amin'ny fianianana diso.

Inona ny ozona natao tamin'ny mpangalatra sy ilay olona izay mianiana diso eo amin'i Yaveh?

Hiditra ao amin'ireo tranony ny ozona ary sy hanimba ny hazony sy ireo vatony.

Zechariah 5:5

Inona no tao anaty harona izay hitan'i Zakaria ary inona no nilazan'ilay anjely azy?

Efaha no tao anaty harona izazy tazan'i Zakaria, ary hoy ilay anjely ny efaha "dia ny helok'izy ireo tamin'ny tany manontolo."

Zechariah 5:8

Inona no notenenin'ilay anjely fa ao amin'ny haron'ilay vehivavy?

Nambaran'ilay anjely fa "Faharatsiana ity!" no tao amin'ny haron'ilay vehivavy.

Inona no nataon'ireo vehivavy roa, izay nanana elatra tahaka ny elatr'ireo vano, natao tamin'ny harona?

Nampisandratra ny harona teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ireo vehivavy roa.

Zechariah 5:10

Nentin'ilay vehivavy nankaiza ny harona ary inona no tanjony?

Nentin'ilay vehivavy hanorenana tempoly any amin'ny Sinara izany, ka rehefa vonona ny tempoly, dia hampitoerina any eo amin'ny fototra voahomana ho azy ilay harona.

Zechariah 6

Zechariah 6:1

Inona no hitan'i Zakaria nivoaka avy teo anelanelan'ireo tendrombohitra roa?

Nahatazana kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa i Zakaria.

Inona avy ny lokon'ireo soavaly isaky ny kalesy?

Ny kalesy voalohany dia nanana soavaly mena, ny kalesy faharoa nanana soavaly mainty, ny kalesy fahatelo nanana soavaly fotsy ary ny kalesy fahefatra dia nanana soavaly sada fotsy.

Zechariah 6:5

Inona no nolazain'ilay anjely fa ireo kalesy?

Hoy ilay anjely hoe ireo kalesy ireo dia ireo rivotra efatry ny lanitra.

Natao inona ireo ireo kalesy efatra ireo?

Nitsanganan'izy ireo teo anoloan'ilay Tompon'ny tany rehetra ireo kalesy efatra ireo.

Taiza no nandehanan'ireo kalesy telo niaraka tamin'ny soavaly mainty, fotsy ary ilay sada fotsy?

Ilay kalesy miaraka amin'ny soavaly mainty dia mivoaka mankany amin'ny firenena avaratra. Ilay kalesy miaraka amin'ny soavaly fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena andrefana. Ilay kalesy miaraka amin'ny soavaly sada fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena atsimo.

Zechariah 6:7

Inona no nandehanan'ilay kalesy miaraka amin'ny soavaly mainty ho vitaina any amin'ny firenena avaratra?

Nandeha mba hampitony ny fanahin'ilay anjely mahakasika ny firenena avaratra ny kalesy miaraka amin'ny soavaly mainty.

Zechariah 6:9

Inona no novinavinaina ho ataon'i Zakaria amin'ny fanatitra nalainy avy any Helday, Tobia, ary Jedaia?

Notenenina i Zakaria mba haka ny fanatitra ao an-tranon'i Josia, zanaka lahin'i Zefania. Haka ny volafotsy sy volamena, manao satro-boninahitra ary apetraka eo amin'ny lohan'i Josoa zanaka lahin'i Jozadaka, ilay mpisoronabe izany.

Zechariah 6:12

Inona no notenenin'i Yaveh tompon'ny maro ho hataon'i Josoa zanaka lahin'i Jozadaka, ilay mpisoronabe?

Hitombo eo amin'ny misy azy i Josoa sady hanorina ny tempolin'i Yaveh, hanangana avo ny famirapiratan' izany, dia hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany no nolazain'Yaveh.

Zechariah 6:14

Nahoana no tokony apetraka eo a-tempolin'Yaveh ilay satro-boninahitra?

Napetraka eo amin'ny tempolin'i Yaveh ny satro-boninahitra mba ho an'i Helema, Tobia, sy Jedaia ary ho fahatsiarovana ny hatsaram-panahin'ny zanaka lahin'i Zefania.

Inona marina no tokony ho atao amin'ireo hetsika faminaniana?

Hoy i Yaveh hoe hipoitra izan hetsika izany "raha tena mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo!"

Zechariah 7

Zechariah 7:1

Nahoana no nandefa an'i Serezera sy Regema-meleka ary ireo olony ny vahoakan'i Betela?

Nandefa azy ireo mba hiangavy ny fanampian'Yaveh ny vahoakan'i Betela.

Inona no nanontanian'ny mpisorona sy ireo mpaminany an'i Serezera sy Meleka ary ireo olony?

Nanontany izy ireo fa: "Tokony hisaona amin'ny alalan'ny fifadian-kanina ve aho amin'ny volana fahadimy, tahaka izay efa nataoko taona maro ireny?"

Zechariah 7:4

Inona no fanontaniana roa napetrak'Yaveh tamin'ny mponin'ny tany sy amin'ireo mpisorona tamin'i Zakaria mahakasika ny fifadian-kanina, fihinana sy fisotroana?

Ny fanontaniana voalohany napetrak'i Yaveh dia: "Raha nifady hanina sy nisaona tamin'ny volana fahadimy sy fahafito ianareo nandritr'izay fito taona izay, moa ve nifady hanina ho Ahy marina ianareo?" Ny fanontaniana faharoa dia: "Ary raha nihinana sy nisotro ianareo, moa ve tsy nihinana sy nisotro ho an'ny tenanareo ianareo?"

Raha hatao fohifohy, inona no fanontanian'Yaveh farany tamin'ireo mpisorona sy ny mponin'ny tany?

Raha hatao fohifohy, nanontany i Yaveh raha tsy mitovy amin'ireo tenin'i Yaveh nilaza amin'ny vahoaka raha mbola nonina tao Jerosalema, ireo tanàna nanodidina, ny Negeva, ary ireo lemaka amoron-tsiraka any andrefana."

Zechariah 7:8

Inona no notenenin'i Yaveh tamin'ny alalan'i Zakaria ho hatao amin'ny vahoaka?

Mitsarà amin'ny fitsarana marina, fanekena mahatoky, ary famindram-po. Aza mampahory ny mpitondratena, ny kamboty, ny vahiny, na ny olona mahantra ary aza manao ratsy ny hafa na dia iray aza hoy i Yaveh.

Zechariah 7:11

Inona ny valin-tenin'ny vahoaka tamin'ireo toro-marik'i Yaveh?

Nandà ny tsy hiraharaha ireo tenin'i Yaveh ny vahoaka.

Zechariah 7:13

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho hataony amin'ireo raha nandà ny hihaino ny antso mafin'ireo taloha i Yaveh?

Nilaza i Yaveh fa tsy hihaino azy ireo ary koa, hampiely ireo vahoaka amin'ny tadio any amin'ireo firenena rehetra izay mbola tsy hitan'izy ireo.

Zechariah 8

Zechariah 8:1

Ahoana no nanambaran'i Yaveh ny hasarota-piarony amin'i Ziona?

Tia fatratra an'i Ziona amin'ny zotom-po lehibe sy ny hatezerana lehibe i Yaveh

Inona no niantsoana an'i Jerosalema sy ny tendrombohitr'i Yaveh rehefa niverina nonina teo afovoan'ny Jerosalema i Yaveh?

Nantsoina hoe: "Tanànan'ny Fahamarinana" i Jerosalema ary nantsoina hoe: "Ilay Tendrombohitra Masina" ny tendrombohitr'i Yaveh rehefa niverina nonina teo afovoan'i Jerosalema Izy.

Zechariah 8:4

Iza indray no ho eny an-dalam-ben'i Jerosalema?

Lahy antitra sy vavy antitra no ho eny an-dalam-be ary ho feno tovolahy sy tovovavy milalao eny amin'ireo lalam-be.

Zechariah 8:6

Taiza no nandehanan'i Yaveh namonjy ny olony?

Nandeha namonjy ny olony avy amin'ny tanin'ny fiposahan'ny masoandro ary eo amin'ny tany filentehan'ny masoandro i Yaveh.

Zechariah 8:9

Inona no tian'i Yaveh ho hamafisina amin'ireo tanàn'ny vahoaka?

Tian'i Yaveh hatanjaka ireo tanàn'ny vahoaka mba ahafahana manangana indray ny tempoly.

Inona no niseho talohan'ireo andro izay napetraka hanorenana ny tranon'i Yaveh?

Amin'ireo andro ireo, tsy nisy vokatra voaangon'ny olona, tsy nisy tombony, ary tsy nisy fiadanana ho an'ireo fahavalo. Efa nametraka ny olona tsirairay hanohitra ny mpiara-moniny i Yaveh.

Zechariah 8:11

Inona no nolazain'i Yaveh fa tokony nandritra ny fotoan'i Zakaria?

Fa hoy i Yaveh hoe tsy ho toy ny tamin'ny andro fahiny izany. Nilaza ny hamafy ny voan'ny fiadanana Izy. Hanome ny voany ny hazom-boaloboka, ary ny tany hanome ny vokam-pamboleny. Hanome ny andony ny lanitra. Hampandovain'i Yaveh ireo zavatra rehetra ireo ny sisa amin'ity vahoaka ity.

Zechariah 8:16

Fitondra-tena inona no nodidian'i Yaveh ho an'ny vahoaka ary nahoana?

Tokony hilaza ny marina rehetra amin'ny mpiara-monina aminy ny vahoaka, ary mitsara amin'ny marina, rariny, ary fiadanana eo amin'ireo vavahadiny hoy i Yaveh. Hoy koa Izy hoe aza mamela olona hikasa ratsy ao am-ponareo hanoitra ireo mpiara-monina na hisintona anareo amin'ny fiainan-diso. Nandidy ireo zavatra ireo i Yaveh satria ireo no zavatra halany indrindra.

Zechariah 8:18

Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra, volana fahadimy, volana fahafito, ary ny volana fahafolo dia ho lasa fotoanan'ny fifaliana, firavoravoana, ary fotoana mahafinaritra ho an'ny tarakan'i Joda, Inona no notenenina ho ataon'izy ireo avy amin'i Yaveh?

Notenenina ho tia ny marina sy fiadanana izy ireo.

Zechariah 8:20

Iza no nolazan'i Yaveh fa ho tonga hitady Azy sy hiangavy ny fankasitrahany?

Vahoaka maro avy amin'ireo tanàna maro isan-karazany ary firenena maro no tonga hitady an'i Yaveh sy hiangavy fankasitrahana Aminy hoy Izy.

Zechariah 8:23

Amin'ireo andro ireo, nahoana no lehilahy folo avy amin'ny fiteny sy firenena samy hafa no notenenina handeha any Jerosalema miaraka ny vahoakan'i Yaveh?

Notendrena handeha ho any Jerosalema miaraka amin'ny vahoakan'i Yaveh izy ireo rehefa nandre fa momba azy ireo Andriamanitra.

Zechariah 9

Zechariah 9:1

Mahakasika ny inona ny fanambaran'i Yaveh?

Mahakasika ny tanin'i Hadraka sy Damaskosy, ary Tyro sy Sidona ny fanambaran'i Yaveh.

Zechariah 9:3

Inona no notenenin'i Yaveh fa ho hataon'ny Tompo an'i Tyro?

"Hanafoana azy ny Tompo ary hanimba ny tanjany an-dranomasina, mba ho levon'ny afo izy" hoy i Yaveh.

Zechariah 9:5

Inona no notenenin'i Yaveh fa ho hataony amin'ireo Filistina ary inona no ho tonga amin'azy ireo?

Hanafoana ny fireharehan'ireo Filistina Izy hoy i Yaveh. Nilaza ihany koa i Yaveh fa ho lasa sisa ho an'Andriamanitra tahaka ny foko any Joda ihany koa izy ireo.

Zechariah 9:8

Inona no antony iray hanomezan'i Yaveh toby manodidina ny taniny?

Hitoby manodidina ny taniko Aho mba hanohitra ireo miaramilan'ny fahavalo ka tsy hisy na iray aza afaka mandroso na miverina, fa tsy hisy mpampahory handalo eo amin'izany intsony hoy i Yaveh.

Zechariah 9:9

Nahoana ny zanaka vavin'i Ziona no niresaka fihobiana tamin'ny firavoam-be ary ny zanaka vavin'i Jerosalema niresaka fihobiana tamin'ny hafaliana?

Niresaka ny hanao izany izy ireo satria tonga teo aminy miaraka amin'ny fahamarinana sy manavotra azy ireo ireo manjakany.

Ahoana no nahatongavan'ireo mpanjakany teo aminy?

Manetry tena sy mitaingina eo ambonin'ny boriky, eo ambonin'ny zana-boriky ireo mpanjaka.

Inona no nolazain'ity mpanjaka tamin'ireo firenena?

Niteny fiadanana tamin'ireo firenena ilay mpanjaka.

Inona no andrasana amin'ny fanapahan'ilay mpanjaka?

Ny fanapahan'izany mpanjaka izany dia ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravazan-tany.

Zechariah 9:11

Nahoana no nametraka fahafahana ireo gadrany amin'ny lavaka tsy misy rano i Yaveh?

Nanao izany Izy nohon'ny ràn'ny fanekeny ao aminareo hoy i Yaveh.

Hanohitra an'iza no nanairan'i Yaveh ireo zanakalahin'i Ziona?

Nanaitra ireo zanaka lahin'i Ziona hanohitra ireo zanaka lahin'i Grisia i Yaveh.

Inona no nataon'i Yaveh tahaka an'i Ziona?

Nataon'i Yaveh tahaka ny sabatry ny mpiady i Ziona.

Zechariah 9:16

Hatao inona i Ziona amin'izany andro izany rehefa Yaveh, Andriamaniny, no hamonjy azy ireo?

Amin'izany andro izany, dia ho firavaky ny satro-boninahitra ka hisandratra eo amin'ny tanin'i Yaveh i Ziona.

Zechariah 10

Zechariah 10:1

Inona no ho hataon'i Yaveh ho an'i Ziona?

Handefa orana mivatravatra ho an'i Ziona rehefa mangataka Aminy izy ireo, sy zava-maitso eny an-tsaha i Yaveh.

Inona no antony mampirenireny ny vahoaka tahaka ny ondry ary ny mampijaly azy?

mirenireny toy ny ondry ary mijaly noho ireo sampy ao an-tokatrano izay milaza lainga, ny mpisikidy manao sary an-tsaina lainga, miteny nofy fitaka izy ireo ary manome fampiononana foana. Tsy manana mpiandry ihany koa ny vahoaka.

Zechariah 10:3

Iza no nolazain'i Yaveh fa ho saziany?

Nilaza ny hanasazy ireo osilahy - ireo mpitarika i Yaveh.

Zechariah 10:4

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho tonga avy amin'ny taranak'i Joda?

Ho tonga avy amin'ny taranak'i Joda ny vato fehizoro, ny fihantonan-javatry ny trano-lay, ny tsipìka fiadiana, ary ny mpitarika rehetra hoy i Yaveh.

Zechariah 10:6

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho hataony amin'ireo taranak'i Joda sy Josefa?

Hampahery ny taranak'i Joda ary hamonjy ny taranak'i Josefa Izy hoy i Yaveh. Hamerina azy ireo amin'ny laoniny izy ka hamindra fo amin'izy ireo hoy i Yaveh.

Zechariah 10:8

Inona no nataon'i Joda sy Efraima raha nahatsiaro an'i Yaveh tany amin'ireo firenena lavitra izay nanangonan'i Yaveh azy ireo izy ireo?

Nonina ary niverina izy ireo sy ireo zanany rehefa nahatsiaro an'i Yaveh tany amin'ireo firenena lavitra izay nanangonany azy ireo.

Zechariah 10:11

Inona no nolazain'i Yaveh ho ataony an'i Egypta sy Asyria tao aorian'ny nanangonany ireo ankohonan'i Joda avy amin'ireo toerana ireo?

Hanetry ny voninahitr'i Asyria ary hanala ny tehim-panjakan'i Egypta amin'ireo Egyptiana Izy hoy i Yaveh.

Zechariah 11

Zechariah 11:1

Nahoana no midradradradra ireo mpiandry ondry?

Midradradradra ireo mpiandry ondry satria efa rava ny voninahitr'izy ireo.

Zechariah 11:4

Inona no notenenin'i Yaveh fa ho ataon'i Zakaria?

Notenenin'i Yaveh i Zakaria hoe: "Endraso ny ondry izay natao ho vonoina!"

Inona no notenenin'i Yaveh ho ataony amin'ireo mponin'i Joda?

Tsy hiantra azy ireo intsony Izy fa handavo ny olona rehetra eo an-tanan'ny namany sy eo an-tanan'ny mpanjakany, ary handrava ny tany izy ireo hoy i Yaveh.

Zechariah 11:7

Inona no anaran'ireo tehina roa izay nampiasain'i Zakaria tamin'ny fiandrasana ny ondry izay ho vonoina?

Ny anaran'ireo tehina roa dia "ahasoavana" sy "fikambanana."

Nahoana i Zakaria no namono ireo mpiandry ondry telo tao anatin'ny iray volana?

Nanao izany i Zakaria satria tsy naharitra tamin'ireo mpiandry ondry izy ary nankahala azy koa ireo.

Zechariah 11:10

Nahoana no notapahin'i Zakaria ny tehiny "Fahasoavana"?

Notapahiny izany mba hanafoanana ny fanekena izay nataony tamin'ireo fokony rehetra.

Ohatrinona ny karaman'i Zakaria?

Nandoavana sekely volafotsy telopolo i Zakaria.

Zechariah 11:13

Inona no notenenin'i Yaveh ho ataon'i Zakaria tamin'ilay sekely volafotsy telopolony?

Notenenina mba hametraka ny volafotsy ao amin'ny fitoeran-drakitra i Zakaria.

Inona no namakiana ilay tehina faharoa "Fikambanana"?

Novakiana ilay tehina faharoa mba hamotehana ny firahalahiana eo amin'i Joda sy Israely.

Zechariah 11:15

Hoy i Yaveh hoe hanangana mpiandry ondry eo amin'ny tany Izy. Inona no ho hataon'ilay mpiandry ondry?

Tsy hikarakara ilay ondry ilay mpiandry ondry. Tsy hiraharaha ny ondry izay efa maty izy, na tsy hitady ny ondry izay lasa any amin'ny lalan-diso, na hanasitrana ny ondry mandringa izy. Tsy hamahana ny ondry izay salama, fa hihinana ny ondry matavy ary hamiravira ny kitron'ireo izy.

Zechariah 11:17

Inona ny ozona nolazaina fa hiseho amin'ny mpiandry ondry tsy mendrika izay mahafoy ny ondriny?

Izao ilay ozona: "Hamely ny sandriny sy ny masony an-kavanana anie ny sabatra! Halazo anie ny sandriny an-kavanana ary ho jamba ny masony an-kavanana!"

Zechariah 12

Zechariah 12:1

Iza i Yaveh izay manao ilay fanambarana mahakasika an'i Isrely?

Yaveh dia ilay iray izay nanandratra ireo habakabaka sy nametraka ny fototry ny tany, izay mamolavola ny fanahin'olombelona ao anatiny.

Iza no handeha hiangona hanohitra an'i Jerosalema?

Ireo firenena rehetra amin'ny tany no handeha hiangona hanohitra an'i Jerosalema.

Zechariah 12:4

Amin'ny andro izay hiangonan'ireo firenena rehetra hanoitra an'i Joda, inona ireo zavatra miavaka nolazain'i Yaveh ho hataony amin'ireo soavaly ary ireo miaramila fahavalo mpitaingi-tsoavaly?

Hoy i Yaveh hoe hamely ny soavaly tsirairay amin'ny horohoro Izy ary amin'ny fahaverezan-tsaina ny an'ny mpitaingi-tsoavaly. Nilaza ihany koa i Yaveh fa hamely ny soavalin'ireo miaramila tsirairay amin'ny fahajambana Izy.

Zechariah 12:6

Amin'izany andro izany, ho tahakan'ny inona ireo mpitarika ny Joda?

Amin'izany andro izany, ireo mpitarika dia hatao tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo ary tahaka ny fanilo eny amin'ny amboara.

Zechariah 12:7

Nahoana no novonjen'i Yaveh ireo trano-lain'i Joda voalohany?

Hamonjy ireo trano-lain'i Joda voalohany noho ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitr'ireo izay monina ao Jerosalema mba tsy ho lehibe noho ny sisa tavela amin'i Joda.

Inona ny fanampan-kevitr'i Yaveh amin'izany andro izany?

Nilaza i Yaveh fa amin'izany andro izany dia anapa-kevitra ny hanimba ireo firenena rehetra izay tonga hanohitra an'i Jerosalema Izy.

Zechariah 12:10

Amin'izany andro izany, inona haidin'i Yaveh amin'ny taranak'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema?

Hampidina ny fanahy amin'ny fangoraham-po sy fifonana i Yaveh.

Inona no ho hataon'ny taranak'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema mba hitodihan'izy ireo Aminy izay nolefonin'izy ireo?

Mba hitodihan'izy ireo Aminy izay nolefonin'izy ireo, hisaona izy ireo ka hisaona tahaka ilay iray izay misaona ary ireo izay misaona ny zanaka lahitokana na amin'ny fahafatesan'ny voalohan-janaka.

Zechariah 12:12

Ahoana no hisaon'ny tany amin'izany andro izany?

Amin'izany andro izany, ny fianakaviana tsirairay dia hisaona mitokana amin'ireo fianakaviana hafa ary hisaona mitokana amin'ny fianakaviana tsirairay izy ireo, hitokana amin'ny lehilahy ireo vadiny.

Zechariah 13

Zechariah 13:1

Fa amin'ny inona no nisokafan'ny loharano amin'ny taranak'i Davida amin'izany andro izany?

Ho amin'ny fahotany sy ny tsy fahadiovany ilay loharano.

Inona no hofoanan'i Yaveh amin'ny tany ary nahoana?

Ho foanan'i Yaveh ireo anaran'ireo sampy avy amin'ny tany mba tsy hisy hahatsiaro azy ireo intsony izy ireo.

Inona no lazain'i Yaveh fa ho havoakany amin'ny tany?

Milaza ny hamoaka ireo mpaminany tsy marina sy ny fanahy maloto i Yaveh.

Zechariah 13:3

Raha misy olona manohy maminany, hanao inona azy ny rainy sy reniny?

Ny rainy sy reniny izay niteraka azy no handefona azy rehefa maminany izy.

Zechariah 13:4

Nahoana izy izay maminany no tsy hanao lamba voloina min'izany andro izany?

Izy izay maminany dia tsy hanao lamba voloina izay mety mamitaka olona.

Zechariah 13:7

Iza ilay mpiandry ondry?

Ilay mpiandry ondry dia "ilay lehilahy izay mitsangana eto akaikiko."

Inona no hanjo ny ondry rehefa novonoina ny mpiandry ondry?

Rehefa novonoina ilay mpiandry ondry dia hiparitaka ny ondry.

Zechariah 13:8

Inona no hambaran'i Yaveh fa hiseho manerana ny tany rehetra?

Ambaran'i Yaveh fa ampahany roa amin'izany no hofoanana. Ho levona izy ireo; ny ampahatelony ihany no mitoetra eo.

Inona no hanjo ny ampahatelo izay mitoetra eo?

Ny ampahatelo izay mitoetra eo dia ho entina amin'ny afo, nodiovina ary nozahana.

Inona no holazain'ny ampahatelo izay mitoetra eo?

"Yaveh no Andriamanitro!" no notenenin'ilay ampahatelo izay mitoetra eo.

Zechariah 14

Zechariah 14:1

Nahoana no nozaraina teo afovoany ireo tamin'ny fandrobana an'i Jerosalema?

Ho zaraina teo afovoany tamin'ny fandrobana i Jerosalema satria hanangona ny firenena rehera hanohitra an'i Jerosalema amin'ny ady i Yaveh, ary ho voababo ilay tanàna. Voaroba ireo trano.

Zechariah 14:3

Inona no hanjo ireo firenena izay hiady hanohitra an'i Jerosalema?

Hivoaka ary hiady hanohitra ireo firenena i Yaveh rehefa miady amin'ny andron'ny ady Izy.

Inona no hiseho eo amin'ny tendrombohitr'i Oliva rehefa nitsangana teo i Yaveh?

Ireo tendrombohitr'i Oliva dia hitresaka roa ka sasahan'ny lohasaha lehibe eo amin'ny ampahany roa.

Zechariah 14:5

Oviana no ho tonga i Yaveh sy ireo olona masina?

Hotonga aorian'ireo mponin'i Jerosalema izay nandositra ny lohasaha eo anelanelan'ireo tendrombohitr'i Yaveh i Yaveh sy ireo olona masina.

Zechariah 14:6

Hikoriana hivoaka ho aiza ilay loharano avy any Jerosalema?

Ny antsasaky ny rano dia hikoriana amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hikoriana ka hihazo ny ranomasina andrefana.

Zechariah 14:9

Iza no ho mpanjaka eo amin'ny tany rehetra?

Ho mpanjaka amin'ny tany rehetra i Yaveh.

Handrava an'i Jerosalema tokoa ve Andriamanitra?

Tsy hisy faharavana tanteraka avy amin'Andriamanitra hanohitra azy ireo intsony, hiaina tsy amin'ahiahy i Jerosalema.

Zechariah 14:12

Amin'ny inona no hamelezan'i Yaveh ireo vahoaka rehetra izay niady nanohitra an'i Jerosalema?

Amin'ny nofo, ireo maso, ary ny lelan'ny vahoaka rehetra no namelezany izay niady nanohitra an'i Jerosalema ho lo.

Inona no hitranga raha tonga amin'ireo ny tahotra lehibe avy amin'i Yaveh?

Hihazona ny tanan'ny mpiara-monina aminy nny olona tsirairay; hisandratra hamely ny tanan'ny mpiara-monina aminy ny tanan'ny tsiraairay.

Zechariah 14:16

Hanao inona izay rehetra tavela amin'ireo firenena izay tonga hanohitra an'i Jerosalema?

Ireo rehetra izay tavela amin'ireo firenena ireo dia hiakatra isan-taona isan-taona mba hidera ny mpanjaka, Yaveh tompon'ny maro, ary hitandrina ny Firavoravoana amin'ireo Fialofana.

Inona no hiseho raha ny olona avy amin'ireo firenena rehetran'ny tany no tsy hiakatra any Jerosalema mba hidera ny mpanjaka, Yaveh tompon'ny maro?

Raha tsy niakatra any Jerosalema ny olona, tsy hitondra orana amin'izy ireo i Yaveh. Areti-mandringana avy amin'i Yaveh no hanafika ireo firenena izay tsy miakatra mba hitàna ny Firavoravoana amin'ireo Fialofana.

Zechariah 14:20

Iza no tsy hiditra ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro amin'izany andro izany?

Tsy hiditra ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro ireo mpivarotra amin'izany andro izany.