Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

2 Chronicles 1

2 Chronicles 1:1

Nahoana i Solomona, zanaka lahin'i Davida, no nahery tamin'ny fanjakany?

Nahery tamin'ny fanjakany i Solomona satria nomba azy Yaveh ary nampatanjaka azy.

2 Chronicles 1:2

Inona no zavatra naseho tamin'ny fanompoana an'i Solomona nandeha tany amin'ny toerana masina izay tany Gibeona?

Nisy trano-lay fihaonana na tabernakely izay namboarin'i Mosesy tany an'efitra, ary alitara varahina izay efa namboarin'i Bezalela, siangy ny fiaran'Andriamanitra efa nalaina avy any Kiriata Jerima nankany amin'ny lay tany Jerosalema.

2 Chronicles 1:6

Inona no nataon'i Solomona talohan'ny nihavian'ny fanontanian'i Yaveh taminy hoe, 'Inona no tokony homeko anao?"

Nanompo an'i Yaveh tao amin'ny alitara varahina i Solomona tamin'ny alalan'ny fanolorana fanatitra dorana arivo.

2 Chronicles 1:8

Nahoana i Solomona no nangataka tamin'i Yaveh mba hanome azy fahendrena sy fahalalana?

Nangataka tamin'i Yaveh i Solomona mba hanome fahendrena sy fahalalana azy mba afahany mitondra ireo vahoakan'Israely izay maro an'isa.

Nahoana no nomen'Andrimanitra fahendrena sy fahalalana i Solomona?

Nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana i Solomona satria izy tsy mba nangataka ho amin'ny harena, fananana, voninahitra, ny fatin'ireo izay nankahala azy na fiainana maharitra ho an'ny tenany, fa ny fanampian'Andriamanitra nanjaka teo amin'ny olony.

2 Chronicles 1:12

Inona no nomen'Andriamanitra niaraka tamin'ny fahendrena sy fahalalana?

Nomen'Andriamanitra an'i Solomona izay nangatahany: harena, fananana, ary voninahitra eo amin'ireo mpanjaka rehetra talohany.

2 Chronicles 1:14

Tamin'ny fomba ahoana no nahitan'ny rehetra ny harenan'i Solomona.

Nanana kalesy 1.400 ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, volafotsy sy volamena tahaka ny vato, ary hazo sedara tahaka ny hazon'aviavy any amin'ny tany lonaka.

2 Chronicles 2

2 Chronicles 2:1

Nahoana i Solomona no nangataka an'i Hirama handefa hazo sedara araka izay nataony tamin'i Davida rainy?

Nangataka an'i Hirama i Solomona mba handefa aminy ireo hazo sedara afahany manangana trano ho amin'ny anaran'i Yaveh ary rova ho an'ny fanjakany.

2 Chronicles 2:4

Nahoana i Solomona no nihevitra ny hanangana trano amin'ny anaran'i Yaveh izay ho lehibe?

Nihevitra ny hanangana trano lehibe amin'ny anaran'i Yaveh i Solomona satria lehibe noho ireo andriamanin-kafa ny Andriamaniny.

2 Chronicles 2:6

Iza no nilain'i Solomona raha nanamboatra ny trano amin'ny anaran'i Yaveh izay nitaratra ny halebean'i Yaveh?

Solomona nila olona iray izay manam-pahaizana amin'ny asa volamena, volafotsy, varahina, vy, ary amin'ny volomparasy, jaky, volon'ondry manga ary izay manao ny mpanjaka rehetra amin'ny hazo voasikotra

2 Chronicles 2:8

Nahoana i Solomona no nila an'i Hirama handefa hazo sedara, fira, ary hazo algoma avy any Libanona aminy?

Nila an'i Hirama i Solomona handefa ireo hazo aminy izay mba hananganany ny trano amin'ny anaran'i Yaveh ka ho lehibe sady tsara tarehy.

2 Chronicles 2:11

Raha ny amin'i Hirama, nahoana Yaveh no nanao an'i Solomona ho mpanjaka teo amin'ireo vahoakn'Israely?

Raha ny amin'i Hirama, nataon'i Yaveh ho mpanjaka teo amin'ny Israely i Solomona satria tian'i Yaveh ny olony ary natolotra tampahamalinana sy tampahatakarana i Solomona.

2 Chronicles 2:13

Nahoana Hirama no nandefa an'i Horamaby tamin'i Solomona?

Nandefa an'i Horamaby Hirama satria izy nanam-pahaizana tamin'ny asa fanaovam-bolamena, volafotsy, varahina, vy, vato, ary amin'ny hazo, sy amin'ny volomparasy, manga, volon'ondry jaky, ary rongony fotsy tsara toy fanaovana ireo karazana sikotra rehetra.

2 Chronicles 2:15

Ahoana no nahatonga ny hazo avy any Libanona ho azon'ny Israely?

Ireo hazo avy any Libanona dia azon'Israely toy vatan-kazo tamin'ny alalan'ny ranomasina mankany Jopa ary avy eo tonga tany Jerosalema.

2 Chronicles 3

2 Chronicles 3:1

Nahoana i Solomona no nanomboka nanangana ny tranon'i Yaveh tao am-pamolonan'i Ornana Jebosita teo an-tendrombohitr'i Moria?

Nanomboka nanangana ny tranon'i Yaveh teny i Solomona satria tany no nisehoan'i Yaveh tamin'i Davida rainy.

Inona no lafiny fototra izay nametrahana an'i Solomona tamin'ny tranon'i Yaveh?

Ireo lafiny fototra tamin'ny tranon'Andriamanitra dia enim-polo hakiho ny halavany sy roapolo hakiho ny velarany, amin'ny fampiasana hakiho amin'ny endriny taloha.

2 Chronicles 3:4

Ahoana ny hahavon'ny lavarangana eo anoloan'ny tranon'i Yaveh?

Roapolo hakiho ny lavarangana.

2 Chronicles 3:8

Inona no nampiasaina hametrahana ny toerana masina indrindra?

Ilay toerana masina indrindra dia namertrahana volamena tsara.

2 Chronicles 3:13

Inona no napetrak'i Solomona teo ambony andry roa teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra?

Nanantona apongamben-danitra zato norariana i Solomona izay napetrany teo an-tampon'ireo andry.

2 Chronicles 4

2 Chronicles 4:1

Firy no lafin'ny alitara varahina?

Roapolo hakiho halavan'ny alitara varahina, roapolo hakiho ny velarany, ary folo hakiho hahavony.

Manao ahoana ny habenan'ny tavin-drano manodidina ny vy?

Folo hakiho ny molon'ny tavin-drano. Dimy hakiho ny hahavony ary telopolo hakiho ny manodidina izany.

2 Chronicles 4:4

Inona no tanjona amin'ilay tavin-drano izay namboarin'i Solomona ho an'ny tempoly?

Ilay tavin-drano dia ho an'ireo mpisorona midio amin'izany.

2 Chronicles 4:7

Ahoana no nahalalan'i Solomona ny fanovana fitoeran-jiro volamena folo?

Nanamboatra fitoeran-jiro volamena folo avy amin'ny fampianarana ny famolavolan'izy ireo.

2 Chronicles 4:11

Inona no asa vitan'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra?

Vitan'i Hirama teo amin'ny andry roa ny asa, ireo lovia, fitoeran'ny haingo makarakara, ary ampongabendanitra efa-jato.

2 Chronicles 4:14

Inona no nataon'i Hirama nanaovana ny varahina voadio ho an'i Solomona mpanjaka ho an'ny tranon'i Yaveh?

Nanamboatra tsangànana sy koveta i Horamaby, tavin-drano iray sy omby roa ambin'ny folo eo ambaniny, ary fitaovana maro.

2 Chronicles 4:17

Firy ny lanjan'ny varahina amin'ireo fanaka rehetra izay namboarin'i Solomona?

Ny lanjan'ny varahina amin'ireo fanaka rehetra namboarin'i Solomona dia tsy fantatra.

2 Chronicles 4:19

Inona no nanamboarana ireo fitoeran-jiro mbamin'ireo jiro izay novolavolaina ho dorana teo anoloana anatin'ny trano?

Ireo fitoeran-jiro mbamin'ireo jiro dia vita tamin'ny volamena tsy mifangaro.

2 Chronicles 5

2 Chronicles 5:1

Taiza no nametrahan'i Solomona ireo zavatra izay notokanan'i Davida ho an'Andriamanitra?

Napetrak'i Solomona tao amin'ny trano fitahirizan'Andriamanitra ireo zavatra rehetra anisan'izany ny volofotsy, volmena, ary ireo fanaka rehetra.

2 Chronicles 5:2

Inona no notokanan'i Solomona manaraka?

Navondron'i Solomona avokoa ireo mpitarik'Israely hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh avy any amin'ny tanànan'i Davida.

2 Chronicles 5:4

Inona no nataon'i Solomona sy ireo vondron'Israely rehetra rehefa nitondra ny fiaran'ny fanekena ireo Levita?

Ireo mpanjaka sy ny vondron'Israely rehetra tonga niaraka tamin'ny fanaovan-tsorona ondry aman'osy maro.

2 Chronicles 5:7

Taiza no nametrahan'ireo mpisorona ny fiaran'ny faneken'i Yaveh?

Tao amin'ny toerana masina indrindra ambanin'ny elatry ny Kerobima no nametrahan'ireo mpisorona ny fiaran'ny faneken'i Yaveh.

2 Chronicles 5:9

Inona no zavatra tao amin'ny fiaran'ny fanekekna?

Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fiaran'ny fanekena afa-tsy ireo vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tao tany Horeba

2 Chronicles 5:11

Inona no nataon'ireo Levita taorina'ny nahatongavan'ireo mpisorona ivelan'ny toerana masina?

Niakanjo rongony fotsy madinika ireo Levita, dia nijoro teo amin'ny farany atsinanan'ny alitara nitendry kipantsona, harpa, sy lokanga.

Ahoana ny fomba nideran'ireo mpitsoka trompetra sy mpihira an'i Yaveh?

Nanao mozika niaraka ireo mpitsoka trompetra sy mpihira, nihira hoe: "Fa tsara Izy, satria maharitra mandrakizay ny tsy fivadiham-panekeny."

Nahoana ireo mpisorona no tsy afaka nijoro mba hanompo?

Tsy afaka nijoro ireo mpisorona nohon'ny rahona, ilay voninahitr'i Yaveh, izay nameno ny tranon'i Yaveh.

2 Chronicles 6

2 Chronicles 6:1

Ahoana no fomba nanatsaran'i Solomona ilay toerana izay hitoeran'i Yaveh?

Yaveh efa nilaza ny hitoerany ao amin'ny haizim-pito, saingy Solomona nanamboatra toeram-ponenana avo ho Azy izay hiteorany mandrakizay.

2 Chronicles 6:4

Taiza i Yaveh no tapa-kevitra ny hitoetra ny farany ary izay no nosafidianay hatondra eo amin'Ysraely?

Tsy nisafidy tanàna tao amin'izay hatsangana ho tranony i Yaveh na olona ho andriana eo amin'Israely, fa nisafidy an'i Jerosalema ho tanàna ary Davida ho eo azmin'Israely.

2 Chronicles 6:7

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Davida hitazomana azy amin'ny fahafenon'ny fony?

Yaveh niteny tamin'i Davida hoe: "Tao am-ponao no hanorenana ny trano iray amin'ny anarako, nefa na izany aza ny zanakao lahy no hanangana izany."

2 Chronicles 6:10

Ahoana no fomba namoahan'i Yaveh ny teny izay efa nolazainy?

Navoakan'i Yaveh ny teny izay efa nolazainy tamin'ny alalan'ny fisian'i Solomona nitoetra teo amin'ny fiandrianan'i Davida, nanangana ny trano tamin'ny anaran'i Yaveh, ary nametraka ny fiara niaraka tamin'izany.

2 Chronicles 6:12

Ahoana ny fomba nijoroan'i Solomona teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh?

Nijoro teo amin'ny sehatra varahina i Solomona, nandohalika teo anoloan'ny fiangonan'Israely rehetra, ary naninjitra ny tanany manoloana ny lanitra.

2 Chronicles 6:14

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo mpanompo izay mandeha amin'ny fony manontolo eo anatrehany?

Yaveh mitazona ny fanekena sy ny fanekena mahatoky amin'ireo mpanompony izay mandeha eo anatrehany amin'ny fon'izy ireo manontolo.

2 Chronicles 6:16

Inona no fampanantenana nataon'i Yaveh tamin'i Davida mpanompony?

Yaveh niresaka tamin'i Davida fa tokony tsy hisy olona avy amin'ny fokony mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely raha mitandrina ny didin'i Yaveh ireo taranany.

2 Chronicles 6:18

Inona no fangatahana fototra izay nataon'i Solomona tamin'i Yaveh?

Nangataka i Solomona ny hiainoan'i Yaveh ny talahony sy ny fivavany mba hisokatra eo amin'ny tempoly andro aman'alina ny masony.

2 Chronicles 6:21

Inona no nirian'i Yaveh, Andriamanitr'Israely hataon'i Solomona, taorian'ny nihainoan'i Yaveh ny fangatahan'i Solomona sy ny vahoakan'Israley?

Nila an'i Yaveh hamindra fo azy Solomona.

2 Chronicles 6:22

Ahoana ny fomba hilazan'ny olo-marina ny tsy manan-tsiny raha nameno amin'ny fihirana manohitra ny mpiara-belona aminy izy?

Ny olo-marina dia afaka milaza ny manan-tsiny amin'ny alalan'ny fianianana voady eo anatrehan'ny alitaran'ny tranon'i Yaveh.

2 Chronicles 6:24

Inona no tian'ny vahoakan'Israely atao rehefa resin'ireo fahavalo izy ireo noho ny nanotan'izy ireo tamin'i Yaveh?

Ny vahoakan'Israely te hiverina amin'i Yaveh amin'ny alalan'ny fiain-keloka amin'ny anarany, ny fivavahana, ary fangatahana famelan-keloka eo anatrehany eo amin'ny tempoly.

2 Chronicles 6:26

Ahoana no tokony hamalian'ny vahoakan'Israely raha mikatona ny lanitra ary tsy misy orana satria efa nanota tamin'i Yaveh izy ireo?

Tokony hivavaka manoloana ny tempoly ny vahoakan'Israely, hianiana amin'ny anaran'i Yaveh, ary hiala amin'ny fahotan'izy ireo mba hilatsahan'ny orana eo amin'ny tanin'izy ireo.

2 Chronicles 6:28

Inona tamin'ireo fifanarahana sasany no nilain'ny vahoakan'Israely tamin'i Yaveh mba hiainoana ny vavak'izy ireo sy ny famelàna azy ireo tamin'ny fahotany?

Nila an'i Yaveh mba hiaino ny vavak'izy ireo ny vahoaka rehefa nisy mosary, areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga, ehefa manafika ny vavahadin'ny tanàna ireo fahavalo, na nisy areti-mandringana na faharariana.

2 Chronicles 6:32

Inona no tokony hataon'i Yaveh rehefa misy vahiny mangataka aminy raha vao tonga izy ka nivavaka teo anatrehan'ny tanon'i Yaveh?

Tokony ataon'i Yaveh izay nangatahan'ny vahiny taminy mba hafahan'ny vondron'olona rehetra eo amin'ny tany mahalala ny anaran'i Yaveh, matohtra Azy, ary mahalala ny trano izay nantsoina tamin'ny anarany.

2 Chronicles 6:36

Inona ny fangatahana nataon'i Solomona tamin'i Yaveh?

Nangataka tamin'i Yaveh i Solomona ny mba hiainoany ny fianianan'ny vohoakan'Israely sy ny famelan-keloka azy ireo taorian'ny nanotan'izy ireo, efa naka ny babo tamin'ny tanin'ny fahavalon'izy ireo, ary nibebaka tamin'ireo hotany.

Inona no tian'i Solomona ataon'i Yaveh?

Ny tian'i Solomona ataon'i Yaveh dia ny hihainoana tsara ireo vavak'olona, hampitafy ireo mpisorona amin'ny famonjena, ary hamela ny fanahiny hifaly ao amin'ny hatsarany.

2 Chronicles 7

2 Chronicles 7:1

Inona no nitranga rehefa nahavita ny vavakany tamin'i Yaveh i Solomona?

Raha voa nahavita ny fivavany i Solomona, dia nidina avy any an-danitra ny afo handevona ny fanatitra dorana sy ireo sorona, ary ny voninahitr'i Yaveh nameno ny trano.

Inona no valin-tenin'ireo vahoakan'Israely rehefa nilatsaka avy any an-danitra ny afo ary nameno ny trano ny voninahitr'i Yaveh?

Nampiohoka ny tavany tamin'ny tany ireo vahoakan'Israely, nanompo, ary nanolotra fisaorana tamin'i Yaveh.

2 Chronicles 7:4

Nahoana i Solomona mpanjaka sy ireo olona no nanolotra sorona tamin'i Yaveh?

Nanolotra sorona tamin'i Yaveh i Solomona mpanjaka sy ireo olona mba hampiaingoana ny tranon'Andriamanitra.

2 Chronicles 7:7

Nahoana i Solomona no nanolotra fanatitra dorana sy tavin'ny fanati-pihavanana teo afovoan'ny kianja?

Ny fanatitra dorana sy ilay tavin'ny fanati-pihavanana dia natolotr'i Solomona teo afovoan'ny kianja satria ny alitara varahina nataony dia tsy afaka hitazomana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny sabora.

2 Chronicles 7:8

Nahoana i Solomona no afaka nandefa ireo vahoakan'Israely nody tany an-tranon'izy ireo tam-piravoravoana sy tamin-kafaliam-po taorian'ny firavoravoana.

Nalefan'i Solomona nody tam-piravoravoana sy tamin-kafaliam-po ireo olona noho ny hatsarana izay efa nasehon'i Yaveh tamin'i Davida, Solomona, ary Israely vahoakany.

2 Chronicles 7:11

Inona no navoakan'i Solomona tao an-tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana?

Nisy zavatra navoakan'i Solomona izay tonga tao am-pony ho atao amin'ny tranon'i Yaveh sy amin'ny tranony manokana.

2 Chronicles 7:13

Inona no tian'ny vahoakan'Israely ho atao mba handrenesan'i Yaveh ny vavaka, famelan-kelok'izy ireo, ary fanasitranana ny taniny?

Ireo olona izay voahantso tamin'ny alalan'ny anaran'i Yaveh dia nila fanetren-tena, vavaka, fitadiavana ny tavan'i Yaveh ary fialana amin'ny lalan'ny haratsiam-panahiny.

2 Chronicles 7:16

Nahoana i Yaveh no nisafidy sy nanokana ny tranony?

Yaveh nisafidy sy nanokana ny tranony mba hitoeran'ny anarany eo mandrakizay.

Inona no fifanarahana navoakan'i Yaveh ho an'ny vahoakan'Israely hiaonana mba ho an'ireo taranak'i Davida ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany mandrakizay?

Yaveh nilaza fa ny vahoakan'Israely dia tsy maintsy hankatò ireo rehetra izay nandidiany azy ireo ary ny hitandrina ireo didy aman-dalàny.

2 Chronicles 7:19

Inona hitranga raha tsy mankatò ireo didy aman-dalàn'i Yaveh ny vahoakan'Israely ary manompo ireo andriamanin-kafa?

Raha tsy manakatò ireo didy aman-dalan'i Yaveh ireo vahoakan'Israely ary manompo ireo andriamanin-kafa, dia hanongotra azy ireo amin'ny tany izay efa nomeny azy ireo Izy ary ny trano efa natokanany sy nampifaliany azy ireo teo amin'ireo olona rehetra.

Inona no valin-teny homena ireo olona izay nandalo teo amin'ny tempoly ka tohina tamin'izay nataon'i Yaveh tamin'ny tany sy ny tranony?

Ny valin-teny dia izay nitondran'i Yaveh izao loza rehetra eo amin'ny tany sy ny tranony izao satria tsy nankatò Azy ny olony ary nitazona andriamanin-kafa, niankohoka nanompo azy ireo.

2 Chronicles 8

2 Chronicles 8:1

Inona no nataon'i Solomona rehefa nanangana ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana izy?

Nandritry ny nanangan'i Solomona ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana, dia namerina nanangana ireo tanàna izay nomen'i Hirama azy izy ary nampitoetra ireo vahoakan'Israely tany.

2 Chronicles 8:5

Amin'ny ankapobeny taiza ary inona ny tanjona nananganan'i Solmona?

Nanangana ho an'ny fahafinaretany manokana tany Jerosalema i Solomona, tany Libanona, ary tany amin'ny tany rehetra ambany fitondrany.

2 Chronicles 8:7

Inona no niseho tamin'ny olon'ny izay tany an'Israely?

Nanery ny olona izay an'Israely tamin'ny asa mafy i Solomona.

2 Chronicles 8:9

Inona no asa natolotr'i Solomona tamin'ny vahoakan'Israely.

Nanao ireo olon'Israely ho miaramilany, mpibaikony, manam-pahefany, ary mpibaikon'ny kelsiny mahery sy ny mpitaingin-tsoavaliny i Solomona.

2 Chronicles 8:11

Nahoana no nentin'i Solomona nivoaka ny tanànan'i Davida nankany amin'ilay trano namboariny ho azy ny zanaka vavin'i Farao?

Nentin'i Solomona nivoaka ny tanànan'i Davida ho any amin'ny trano izay namboariny ho azy ny zanaka vavin'i Farao, satria ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tao amin'ny tanàna ary toerana masina izany.

2 Chronicles 8:12

Ahoana no nanoloran'i Solomona fanatitra dorana ho an'i Yaveh teo amin'ny alitara izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana?

Nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh i Solomona tahaka ny fanao mahazatra, arahin'ny toro-dalana hita tao amin'ny didin'i Mosesy.

2 Chronicles 8:14

Inona avy ny andraikitr'ireo mpisorona sy ireo Levita?

Voatendrin'i Solomona tamin'ny faritaniny ireo mpisorona sy ireo Levita mba hidera an'Andriamanitra sy hanompo eo anatrehan'ny mpisorona tahaka ny fanao mahazatra.

Fahatokiana manao ahoana no andraikitra notanterahan'ny mpiandry vavahady?

Nankatò ireo didin'ny mpanjaka tamin'ireo mpisorona ireo mpiandry vavahady ary ireo Levita mahakasika ireo raharaha rehetra.

2 Chronicles 8:16

Inona ny marika izay nahatanterahan'i Solomona ny asany rehetra tamin'ny tranon'i Yaveh?

Ny tranon'i Yaveh dia vita tanteraka ary natao ho ampiasaina.

2 Chronicles 9

2 Chronicles 9:1

Nahoana no nankany Jerosalema ny mpanajaka vavin'i Seba?

Ny mpanjaka vavin'i Seba dia nankany Jerosalema satria nahare ny lazan'i Solomona ary naniry hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra izy.

Ahoana ny navalin'i Solomona rehefa nangataka fanontaniana sarotra taminy tao am-pony izy?

Novalian'i Solomona avokoa ny fanontaniana rehetra izay napetrak'i Seba mpanjaka vavy taminy.

2 Chronicles 9:3

Inona no navalin'i Seba mpanjaka vavy rehefa nahita ny fahendren'i Solomona sy ireo trano, sakafo, ary fitafiana rehetra izy, ary ireo mpanompo nananany?

Rehefa nahita ny fananana rehetra izay nananan'i Solomona i Seba mpanjaka vavy, dia hita fa tsy nanam-panahy mihitsy izy.

2 Chronicles 9:5

Inona ny fizahana nataon'i Seba mpanjaka vavy tamin'i Solomona mpanjaka?

Seba mpanjaka vavy niresaka tamin'i Solomona mpanjaka fa ny fahendreny sy ny harenany dia mihoatra izay reny mahakasika azy.

2 Chronicles 9:7

Inona no nolazain'i Seba mpanajaka vavy tamin'i Solomona hampahatsiahivana azy ny fomba nahatonga azy teo ambony seza fiandrianan'Israely ho mpanjakan'izy ireo?

Namapahatsiahivan'i Seba mpanjaka vavy an'i Solomona izay nanaovan'i Yaveh azy ho mpanjaka teo amin'Israely ary nametraka azy teo ambony seza fiandrianana satria tian'i Yaveh Israely ary tiany hipetraka mandrakizay izany.

2 Chronicles 9:10

Inona ny vokatrin'ny dian'i Seba mpanjaka vavy hijery an'i Solomona mpanjaka?

Nomen'i Solomona mpanjaka an'i Seba mpanajaka vavy izay rehetra nangatahiny ho fanampin'izay nentiny tamin'ny mpanjaka, avy eo lasa izy ary nandeha niverina tany amin'ny taniny.

2 Chronicles 9:13

Hoatrinona ny sandan'ny volomena tonga teo amin'i Solomona tao anatin'ny heritaona?

Ny lanjam-bolamena tonga teo amin'i Solomona tao anatin'ny heritaona dia talenta 666.

Iza no nitondra ny volamena tamin'i Solomona?

Ireo mpandraharaha, ireo mpivarotra, ireo mpanjaka rehetra an'ny Arabi ary ireo governoran'ny firenena no nitondra ny volamena tamin'i Solomona

2 Chronicles 9:15

Firy ny apinga volamena namboarin'i Solomona?

Nanamboatra apinga volamena dimanjato voafantina i Solomona mpanjaka.

2 Chronicles 9:17

Inona no nanamboarana ny seza fiandrianan'i Solomona mpanjaka?

Ny seza fiandrianan'i Solomona mpanjaka dia vita tamin'ny ivory lehibe miaraka amin'ny takela-bolamena manify.

2 Chronicles 9:19

Nahoana no tsy nisy dikany ny kapaoaka fistron'i Solomona mpanajaka vita tamin'ny volafotsy?

Tsy misy dikany ny kapoaka fisotrn'i Solomona mpanjaka vita amin'ny volafotsy satria tsy noheverina manana ny maha izy azy ny volafotsy tamin'ny andron'i Solomona.

2 Chronicles 9:22

Nahoana no nitady ny fanatrehan'i Solomona ny tany tnontolo?

Nitady ny fanatrehan'i Solomona ny tany tontolo noho ireo fananany, ary mba ho re ny fahendrena izay napetrak'Andriamanitra tao am-pony.

2 Chronicles 9:25

Hatraiza ny fanjakana nanjakan'i Solomona?

Solomona mpanjaka nanjaka teo amin'ny fanjakana rehetra avy any amin'ny Reniranon'ny Efrata ka hatrany amin'ny tany Filistina, ary tany amoron'ny Egypta.

2 Chronicles 9:27

Hafiriana no nanjakan'i Solomona ho mpanjakan'ny Jerosalema teo amin'ny Israely rehetra?

Nandritry ny efapolo taona no nanjakan'i Solomona tao Jerosalema teo amin'ny Israely rehetra.

2 Chronicles 10

2 Chronicles 10:1

Nahoana no tonga tany Sekema ireo Israely rehetra?

Tonga tany Sekema ireo Israely rehetra mba hanao an'i Rehoboama ho mpanjakan'izy ireo.

Ahoana ny lalana nahatonga an'i Rehoboama ho mpanajakan'Isarely rehetra?

Ny fiverenan'i Jeroboama avy any antsesi-tany tany Egypta no lalana nahatonga an'i Rehoboama ho mpanajakan'Israely rehetra.

2 Chronicles 10:3

Inona no fangatahan'i Jeroboama sy ireo Israely rehetra hanaovana an'i Rehoboama?

Jeroboama sy ireo Israely rehetra dia nangataka an'i Rehoboama mba hanamaivana ny zioga mavesatra izay napetrak'i Solomona mpanjaka teo amin'izy ireo.

2 Chronicles 10:6

Inona no nataon'ny zokiolona, ary iza no nitsanaga teo anoloan'i Solomona, hanoro hevitra an'i Rehoboama mpanjaka raha mbola velona izy?

Nanoro hevitra an'i Rehoboama mpanjaka ny Zokiolona mba ho tsara eo amin'ny olona ary hahamendrika azy ireo amin'ny teny tsara, ka ho mpanompony mandrakizay izy ireo.

2 Chronicles 10:8

Inona no nataon'i Rehoboama rehefa tsy norarahiany ny torohevitra nomen'ny Zokiolona azy?

Naka hevitra tany amin'ny tovolahy izay niara-lehibe taminy i Rehoboama, tamin'ny fanontaniany azy ireo ny fomba hamaliana ny fanamaivanana ny ziogan'ny olona.

2 Chronicles 10:10

Inona ny torohevitra nomen'ilay tovolahy izay niara lehibe tamin'i Rehoboama mahakasika ny fanontanian'ny olona hanamaivanana ny ziogan'izy ireo?

Nanorohevitra an'i Rehoboama ilay tovolahy nilaza ny vahoaka fa ny raiko namesatra anareo tamin'ny zioga mavesatra, ka ho ampiako ny zioganareo.

2 Chronicles 10:12

Inona no nitranga rehefa tonga tamin'i Rehoboama i Jeroboama sy ireo vahoakan'Israely rehetra tamin'ny andro faha telo?

Rehoboama mpanjaka tsy niraharaha ny torohevitry ny zokiolona ary namaly tamin'ny teny mafy tamin'ny alalan'ny fanarahana ny torohevitry ny tovolahy.

2 Chronicles 10:15

Nahoana no tsy nihaino ny vahoakan'Israely i Rehoboama mpanjaka?

Ny fanapaha-kevitry ny mpanjaka tsy hiaino ny vahoakan'Israely dia ny fiverenana amin'ny zava-nisy nentina momban'ny famoahan'i Yaveh ireo teny efa nolazainy tamin'ny alalan'Ahia tamin'i Jeroboama.

2 Chronicles 10:16

Inona no namalian'ny vahoakan'Israely ny fanambaran'i Rehoboama mpanjaka izay hanaovany ny ziogan'izy ireo ho maivana?

Raha vao ren'Israely avy amin'i Rehoboama mpanjaka, fa ny vahoakan'Israely nilaza ny tsy nananan'izy ireo ny anajara ao amin'i Davida, dia niteny ny vahoakan'Isrealy handeha hiverina any amin'ny lainy, ary niteny tamin'i Rehoboama hijery ny tranony manokana.

Ahoana no navalin'ny vahoakan'Israely rehefa nandefa an'i Adomara i Rehoboama mpanjaka, izay teo amin'ny asa an-terovozona, tamin'izy ireo?

Nitora-bato an'i Adomara ho faty ny olon'Israely ary i Rehoboama mpanjaka nandositra tamin'ny kalesiny tany Jerosalema.

2 Chronicles 11

2 Chronicles 11:1

Nahoana no natambatr'i Rehoboama ny taranak'i Joda sy Benjamina hiady hanohitra an'Israely rehefa tonga tany Jerosalema izy?

Natambatr'i Rehoboama ny taranak'i Joda sy Benjamina mba hamerina amin'ny laoniny ny fanjakana ho azy.

2 Chronicles 11:2

Inona no hafatra avy amin'i Yaveh navoakan'i Semaia tamin'i Rehoboama sy ireo Israzely rehetra?

Ny hafatra avy amin'i Yaveh dia izay hanafihan'izy ireo na hiadivan'izy ireo amin'ireo rahalahany.

2 Chronicles 11:5

Nahoana i Rehoboama no nanangana tanàna tany Joda?

Nanangana tanàna tany Joda i Rehoboama ho fiarovana.

2 Chronicles 11:11

Inona avy ireo zava-bitan'i Rehoboama?

Nanamafy ny fiarovana i Rehoboama, nametraka mpibaiko tao amin'izy ireo, ary nametraka apinga sy lefona tany amin'ny tanàna rehetra.

2 Chronicles 11:13

Nahoana ireo Levita no nandao ireo tanim-bilony sy ny fananany mba hatongavana any Joda sy Jerosalema?

Nanadao ireo tanim-bilony sy ny fananany ireo Levita satria efa noroahin'i Jeroboama sy ireo zanaka lahiny izy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo manao ireo adidy amin'ny maha- mpisorona ho an'i Yaveh intsony.

Ahoana no nanoloan'i Jeroboama ireo mpisorona sy ireo Levita izay nifindra tany Joda?

Jeroboama dia nanendry mpisorona ho azy ho amin'ireo toerana masina ary ireo sampin'ny osy sy zanak'omby izay efa namboariny.

2 Chronicles 11:16

Inona no nataon'ny olona avy amin'ny fokon'Israely hanatanjahana an'i Rehoboama sy ny fanjankan'i Joda?

Ireo olona, izay manefy ny fony hitady an'i Yaveh, dia tonga avy amin'ny fokon'Israely rehetra tany Jerosalema hanao sorona amin'i Yaveh.

2 Chronicles 11:22

Inona ny fomba iray amin'izay nanjakan'i Rehoboama am-pahendrena?

Nanjaka am-pahendrena i Rehoboama tamin'ny alalan'ny fampiehelazana ireo zanany lahy rehetra nanerana ny tany rehetra an'ny Joda sy Benjamina tamin'ny tanàna voaharo rehetra.

2 Chronicles 12

2 Chronicles 12:1

Inona ny zavatra ratsy nataon'i Rehoboama rehefa tafapetraka ny fanjakany?

Rehoboama sy ireo Israely rehetra dia niala ny lalàn'i Yaveh.

2 Chronicles 12:2

Nahoana i Sisaka, mpanjakan'ny Egypta, no niakatra nanohitra an'i Jerosalema?

Tonga nanohitra an'i Jerosalema i Sisaka satria tsy nahatoky an'i Yaveh ny olona.

2 Chronicles 12:5

Inona no navalin'i Rehoboama sy ireo mpitarika an'i Joda rehefa niteny azy ireo i Semaiai mpaminany fa efa natolotra teo an-tananan'i Sisaka izy ireo satria efa nahafoy an'i Yaveh?

Nanetry tena i Rehoboama sy ireo mpitarika an'i Joda ary nanambara fa i Yaveh no marina.

2 Chronicles 12:7

Ahoana no navalin'i Yaveh rehefa nahita an'i Rehoboama sy ireo mpitarika an'i Joda nanetry teny izy?

Namonjy azy ireo tamin'ny fomba maro i Yaveh, saingy namela azy ireo ho lasa mpanompony eo ambanin'ny fifehezan'i Sisaka hatrany.

Nahoana i Yaveh no namela ireo mpitarik'i Joda ho lasa mpanompon'i Sisaka?

Namela azy ireo ho lasa mpanompon'i Sisaka i Yaveh ka afahan'izy ireo mahatakatra izay hanompoana azy tahaka ny fanompoana ny mpitondra any amin'ireo firenen-kafa.

2 Chronicles 12:9

Inona no nalain'i Sisaka avy any Jerosalema?

Nalain'i Sisaka avokoa ireo harena rehetra tao an-tranon'i Yaveh sy ny tranon'ny mpanjaka, toy ireo apinga volamena izay nataon'i Solomona.

2 Chronicles 12:11

Nahoana ny hatezeran'i Yaveh no niala tamin'i Rehoboama?

Niala ny hatezeran'i Yaveh satria nanetry ny tenany i Rehoboama ary mbola maro ny tsara hita tany Joda.

2 Chronicles 12:13

Nahoana no lazaina hoe "Inona no ratsy izay nataon'i Rehoboama mpanjaka"?

Nolazaina izany fa nanao izay ratsy i Rehoboama satria tsy namikitra ny fony hitady an'i Yaveh izy.

Inona no niseho taorian'ny nahafatesan'i Rehoboama sy ny nandevenana azy tany Jerosalema?

Abia zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.

2 Chronicles 13

2 Chronicles 13:1

Iza no notoherin'i Abia?

Niady nanohitra an'i Jeroboama i Abia.

2 Chronicles 13:4

Aiza ny tendrombohitr'i Zemaraima?

Ny tendrombohitr'i Zemaraima dia any amin'ny tany havoan'i Efraima.

2 Chronicles 13:6

Iza no nikambana tamin'i Jeroboama?

Ireo lehilahy tsy mendrika, ireo namana ratsy fitondran-tena, no nikambana taminy.

2 Chronicles 13:8

Raha ny amin'i Abia, iza no nilaza fa afaka nanohitra ny fitsipik'i Yaveh mahery izy?

Raha ny amin'i Abia, Jeroboama nilaza fa afaka nanohitra ny fitsipik'i Yaveh mahery izy.

2 Chronicles 13:10

Iza no tsy nahafoy an'i Yaveh?

Ny firenen'i Abia, Joda, no tsy nahafoy Azy.

2 Chronicles 13:12

Iza no tsy hahomby raha niady tamin'i Yaveh?

Ireo vahoakan'Israely no tsy hahaomby raha niady niady tamin'i Yaveh izy ireo.

2 Chronicles 13:13

Inona no tetik'i Jeroboama amin'ny ady?

Nanomana famelezana tampoka taorian'izy ireoi Jeroboama; teo anoloan'i Joda ny tafiny, ary taorian'izy ireo ny otrika.

2 Chronicles 13:16

Nahoana no naharesy ny olon'ny Joda?

Naharesy ny olon'ny Joda satria niantehitra tamin'i Yaveh izy ireo.

Ahoana no nahafatesan'i Jeroboama?

Namely azy i Yaveh, ary maty izy.

2 Chronicles 14

2 Chronicles 14:1

Inona avy ireo asan'i Asa manaporofo izay tsara sy marina nataony teo imason'i Yaveh?

Nesorin'i Asa ny alitara vahiny sy ny toerana masina, dia noravainy ireo andrim-bato, ary notapahany ireo baon'Aseraha.

2 Chronicles 14:5

Nahoana no nangina ny tany ary tsy nisy ady nandritry ny fanjakan'i Asa?

Nangina ny tany ary tsy nisy ady nandritry ny fanjakan'i Asa, satria nanome fiadanana azy i Yaveh.

2 Chronicles 14:7

Nahoana no nitetika hanangana tanàna mimanda i Asa?

Nitetika ny hanangana tanàna mimanda i Asa satria efa nomen'i Yaveh azy ireo ny tany mbamin'ireo filaminanana eo amin'ny manodidina rehetra.

2 Chronicles 14:9

Inona no navalin'i Asa rehefa tonga nanohitra ny vahoakan'Israely ny tafik'i Zera Etiopiana?

Nitalaho mafy ny fanampian'i Yaveh i Asa tamin'ny fiakena fa izy sy ny tafiny dia tonga tamin'ny anaran'i Yaveh nanohitra ny tafik'i Zera.

2 Chronicles 14:12

Iza no namely ireo Etiopiana teo anatrehan'i Asa sy Joda?

Yaveh no namely ireo Etiopiana teo anatrehan'i Asa sy Joda.

Inona no nataon'ireo tafika tamin'ireo tanàna manodidina an'i Gerara?

Noravan'ny miaramila ary nopotehiny ireo tanàna manodidina an'i Gerara.

2 Chronicles 15

2 Chronicles 15:1

Inona no hafatra avy amin'Adriamanitra navoakan'i Azaria tamin'i Asa mpanajaka?

Ny hafatra izay avy amin'i Yaveh tamin'i Asa, nandritry ny niarahan'i Asa tamin'i Yaveh, saingy i Asa nandao an'i Yaveh, dia ho laozan'i Yaveh izy.

2 Chronicles 15:3

inona no tsy nisy teo amin'Isarely nandritry ny fotoana maro?

Tsy nanana Andriamanitra marina, mpampianatra mpisorona, ary lalàna i Israely nandritry ny fotoana maro.

Tamin'izany fotoana izany, inona avy no teo amin'ny mponin'ny tany rehetra?

Tamin'izany fototana izany, fikorontanana lehibe no teo amin'ireo mponin'ny tany rehetra.

2 Chronicles 15:6

Nanao ahoana ny fikorontanan'ny mponina teo amin'ny tany?

Nokorontanin'Andriamanitra tamin'ny karazana fijaliana rehetra ny mponin'ny tany.

2 Chronicles 15:8

Inona no naverin'i Asa naorina raha vao nanahare ny hafatrin'ny mpaminany izy?

Naverin'i Asa natsangana indray ny alitaran'i Yaveh raha vao nahare ny hafatrin'ny mpaminany izy.

Nahoana no vahoaka maro an'isa no tonga teo amin'i Asa mpanjaka avy tany Efraima, Manase, ary Simeona?

Tonga izy ireo satria hitan'izy ireo fa homba an'i Asa mpanjaka i Yaveh.

2 Chronicles 15:12

Inona no fanekekna nataon'ny olona?

Nanao fanekena ny olona nitadiavana an'i Yaveh tamin'ny fo sy fanahiny rehetra.

Inona no hitranga amin'izay olona mandà ny hitady an'i Yaveh?

Ny olona izay mandà ny hitady an'i Yaveh dia hovonoina ho faty.

2 Chronicles 15:14

Inona no nomen'i Yaveh ireo olona taorian'ny nianianan'izy ireo Azy tamin'ny fony manontolo?

Nomen'i Yaveh filaminana ny manodidina azy ireo rehetra.

2 Chronicles 15:16

Inona ny fifanarahana tao am-pon'i Asa?

Nanolo-tena tanteraka tamin'i Yaveh tamin'ny androny rehetra ny fon'i Asa mpanjaka.

Inona no tsy niseho hatramin'ny fahadimy amby telo-polo taona nanjakan'i Asa?

Tsy nisy ady hatramin'ny fahadimy amby telo-polo taona nanjakan'i Asa.

2 Chronicles 16

2 Chronicles 16:1

Nahoana i Basana, mpanjakan 'Israely, naneho herisetrta nanohitra an'i Joda ary nanangana an'i Rama?

Naneho herisetra i Basana mba tsy hamelany an'izan'iza handao na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa.

2 Chronicles 16:2

Nahoana i Asa no nitondra ny volafotsy sy volamena nivoaka ny trano fitahirizana ary nandefa izany tany amin'i Benahada, mpanjakan'i Arama?

Asa nandefa ny volafotsy sy volamena tany amin'i Beni-hadada mba hamporisihina azy handrava ny fifanekeny tamin'i Basa ka nametraka fifanekena taminy.

Nahoana i Asa no nila an'i Hadada handrava ny fifanekeny tamin'i Basa?

Tian'i Asa handrava ny fifanekena i Beni-hadada hanafahan'i Basa mamela azy irery.

2 Chronicles 16:4

Inona no nitranga rehefa nijanona tamin'ny fananganana an'i Rama mba hanafika avy any Beni-hadada i Basa?

Asa sy ireo Joda rehetra nitondra ireo vato sy ireo hazo izay nampiasain'i Basa hananganana an'i Rama ary nampiasaina ireo hananganana an'i Geba sy Mizpa.

2 Chronicles 16:7

Nahoana i Hanany mpahita no nitrerona an'i Asa?

Nitrerona an'i Asa i Hanany satria niantehitra tamin'ny fifanekena niaraka tamin'ny mpnajakan'i Arama izy afa tsy ny fianteherany tamin'i Yaveh arak'izay nanoherany an'ireo Etopiana.

2 Chronicles 16:9

Nahoana ny mason'i Yaveh mandeha erak'izao rehetra izao manoloana ny tany tontolo?

Ny mason'i Yaveh mandeha erak'izao rehetra izao mampiseho ny tenany mahery amin'ireo izay manana fo tonga lafatra manoloana azy.

Inona no fihetsika nataon'i Asa tamin'i treron'i Hanany?

Tezitra tamin'i Hanany i Asa ary nandefa azy tao am-ponja.

2 Chronicles 16:11

Ahoana ny fihetsik'i Asa tamin'ny haretina mahery vaikan'ny tongony?

Tsy nitady fanampiana tamin'i Yaveh i Asa, fa tamin'ireo mpitsabo ihany.

2 Chronicles 16:13

Ahoana no nanomezana voninahitra an'i Asa taorian'ny nahafatesany?

Nataon'izy ireo teo ambony fandriana feno karazana zava-manitra i Asa ary nanao afo lehibe ho voninahiny.

2 Chronicles 17

2 Chronicles 17:1

Taiza i Josafata no napetraka?

Napetraka tao amin'ny tanàna mimandan'i Joda i Josafata.

2 Chronicles 17:3

Nahoana i Yaveh no momba an'i Josafata?

Nomba an'i Josafata i Yaveh satria nandeha tamin'ny lalana voalohan'i Davida riany izy.

Fitondran-tena toa inona no nandehan'i Josafata avy eo, satria nandeha tamin'ny didin'Andriamanitra izy?

Nandeha tamin'ny didin'Andriamanitra izy, fa tsy tamin'ny fitondran-tenan'ny Israely.

2 Chronicles 17:5

Tamin'inona no nifikiran'ny fon'i Josafata?

Ny fon'i Josafata dia nifikitra tamin'ny lalan'i Yaveh.

2 Chronicles 17:7

Inona no boky nanan'ireo manam-pahefana sy ireo Levita rehefa nanpianatra an'i Joda izy ireo?

Nampianatra tany Joda izy ireo, nisy bokin'ny lalan'i Yaveh niaraka tamin'ireo.

2 Chronicles 17:10

Inona no tsy vitan'ny fanjakana nanodidina an'i Joda satria ny horohoron'i Yaveh nirotsaka teo amin'izy ireo?

Ny horohoron'i Yaveh nirotsaka teo amin'izy ireo nanodidina an'i Joda, ka tsy vitan'izy ireo ny ady hanoherana an'i Josafata.

2 Chronicles 17:12

Inona ireo zavatra roa natsangan'i Josafata tany Joda?

Nanangana fiarovana mafy sy tanàna fitahirizana tany Joda i Josafata.

2 Chronicles 17:14

Inona no natolotr'i Amasia, zanaka lahin'i Zikry antsitram-po?

Nanolotra antsitram-po ny hanompo an'i Yaveh i Amasia.

Olona manao ahoana i Eliada avy any Benjamina?

Olona feno herim-po raha i Eliada.

2 Chronicles 18

2 Chronicles 18:1

Ahoana no nampifandraisan'i Josafata ny tenany tamin'i Ahaba?

Josafata nampifandray ny tenany tamin'i Ahaba tamin'ny alalan'ny iray tamin'ny fianakaviany nanambady ny zanany vavy.

2 Chronicles 18:4

Inona no nataon'i Josafata tamin'ny mpanajakan'Israely hitadiavana ny valin-teniny?

Josafata niteny tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Endrey ny fitadiavana voalohany ny tenin'i Yaveh ho an'ny valin-teninao."

2 Chronicles 18:6

Nahoana ny mpanjakan'Israely no nankahala an'i Mikaia zanaka lahin'i Jimla?

Ny mpanjakan'Israley nankahala an'i Mikaia satria tsy mbola naminany zavatra tsara momban'ny mpanjaka izy, fa zava-tsarotra ihany.

2 Chronicles 18:9

Iza no nilaza ireo mpaminany fa nanome an'i Ramota Gileada teo an-tanan'ny mpanjaka?

Naminany izy rehetra nilaza fa Yaveh efa nanome an'i Ramota Gileada teo an-tanan'ny mpanjaka.

2 Chronicles 18:12

Inona avy ireo tenin'ny mpaminany nambara tamin'ny mpanjaka nolazain'ireo iraka tamin'i Mikaia?

Ireo iraka dia nanambara tamin'i Mikaia fa ireo tenin'ny mpaminany nanambara zavatra tsara tamin'ny mpanjaka tamin'ny feo tokana.

2 Chronicles 18:15

Tamin'inona no nampitahan'i Mikaia an'Israely rehefa nahita azy ireo niparitaka teo an-tendrombohitra?

Mikaia nilaza fa nahita ireo Israely rehetra niparitaka teo an-tendrombohitra, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry.

2 Chronicles 18:17

Oviana i Mikaia no nahita an'i Yaveh tompon'ny lanitra teo ambony seza fiandrianany?

Mikaia nahita an'i Yaveh nipetraka teo ambony seza fiandrianany, ary ny miaramilan'ny lanitra rehetra nijoro teo an-kavanany ary teo an-kaviany.

2 Chronicles 18:19

Inona no nangatahan'i Yaveh hiseho rehefa niakatra tany amin'i Ramota Gileada i Ahaba?

Nangataka olona iray hitaona an'i Ahaba mpanjakan'Israely i Yaveh, mba hiakarany ka ho lavo eo amin'i Ramota Gileada izy.

2 Chronicles 18:20

Tamin'iza ilay fanahy no lasa tonga fanahy mpandainga?

Ny fanahy nilaza fa tsy maintsy hivoaka izy ary tonga fanahy mpandainga tamin'ny vavan'ireo mpaminany rehetra an'i Ahaba.

2 Chronicles 18:22

Inona no nolazain'i Mikaia tamin'i Yaveh nandindy ho an'ny mpanjakan'Israley?

Mikaia dia nilaza fa Yaveh dia nandidy loza ho azy.

2 Chronicles 18:25

Taiza i Mikaia mandram-piverin'ny mpanjakan' Israely am-pilamainana?

Ny mpanjaka nilaza ny hametraka an'i Mikaia any am-ponja mandram-piveriny soaman-tsara.

Raha niverina soaman-tsara ny mpanjaka, inona ny dikan'ny tenin'i Mikaia?

Mikaia nilaza fa raha niverina soaman-tsara ny mpanjaka, dia tsy niresaka tamin'ny alalany Yaveh.

2 Chronicles 18:28

Iza ny mpanjakan'i Arama niteny an'ireo kapiteny hanafika?

Ny mpanjakan'i Arama nilaza ireo kapitenin'ny kalesiny tsy hanafika ireo miaramila, fa kosa, hanafika ny mpanjakan'Israely ihany.

2 Chronicles 18:31

Inona no nataon'ireo mpifehy rehefa hitan'izy ireo fa tsy mpanjakan'Israely i Josafata?

Rehefa hitan'ireo mpifehy fa tsy mpanjakan'Israely izy, dia niverina tamin'ny fanenjehana azy izy ireo.

2 Chronicles 18:33

Tamin'ny fotoan'andro toa inona i Ahaba no maty?

Tamin'ny fotoana filentehan'ny masoandro, Ahaba no maty.

2 Chronicles 19

2 Chronicles 19:1

Inona no tsara hita tao am-pon'i Josafata?

Maro ny tsara hita tao am-pon'i Jsafata, fa izy efa namikitra ny fony hitadiavana an'i Yaveh.

2 Chronicles 19:4

Taiza Josafata no nametraka ireo mpitsara?

Napetrak'i Josafata tao amin'ny tany manoloana ireo tanàna mimanda rehetra an'i Joda ireo mpitsara.

2 Chronicles 19:6

Taiza i Josafata no nilaza tamin'i Yaveh rehfa nandalo fitsaràna ireo mpitsara?

Nilaza tamin'ireo mpitsara izy fa homba azy ireo i Yaveh amin'ny asa fitsaràna.

2 Chronicles 19:8

Fo toa inona no nilazan'i Josafata ireo mpitsara tokony hanana fanajana an'i Yaveh tao Jerosalema?

Nampianatra azy ireo amin'ny fanajana an'i Yaveh, mitsara am-pahatokiana, ary amin'ny fo manontolo i Josafata.

2 Chronicles 19:10

Inona no tsy tokony hiraraka amin'izy ireo raha tsy nanota tamin'i Yaveh ny olona?

Ny olona tsy niteny hanota ny hanohitra an'i Yaveh, mba tsy hirarahan'ny haterana eo amin'izy ireo.

2 Chronicles 19:11

Tamin'iza i Josafata no nivavaka izay hitoeran'i Yaveh?

Josafata nivavaka tamin'i Yaveh mba ho homba an'ireo izay tsara.

2 Chronicles 20

2 Chronicles 20:1

Amin'inona no antony nahatongavan'ny vahoakan'i Moaba, Amona, ary ireo Monita hanoherana an'i Josafata?

Tonga nanohitra an'i Josafata izy ireo hanao ady.

2 Chronicles 20:3

Avy taiza ny vahoakan'ny Joda no nitady an'i Yaveh?

Tonga nitady an'i Yaveh avy tany amin'ny tanànan'i Joda rehetra ny olona.

2 Chronicles 20:5

Taiza i Josafata no nitsangana tao amin'ny fiangonan'ny olona?

Nitsangana tao an-tranon'i Yaveh i Josafata, teo anoloan'ny kinja vao.

2 Chronicles 20:8

Inona no toky naverin'i Yaveh an'i Josafata rehefa nitomany taminy tamin'ny fahoriany ny olona?

Josafata nilaza fa rehefa mitomany amin'i Yaveh ny fahoriany ny olona, dia hiaino azy ireo Izy ary hanavotra azy ireo.

2 Chronicles 20:10

Inona no tsy namelan'i Yaveh an'Israely atao amin'i Amona, Moaba, ary ny tendrombohitr'i Seira rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo?

Tsy namela an'Israely hitety an'ireo Yaveh raha vao nivoaka ny tany Egypta izy ireo.

2 Chronicles 20:12

Iza amin'ny olon'i Joda no nitsangana teo anoloan'i Yaveh?

Ny Joda rehetra no nitsangana teo anoloan'i Yaveh, miaraka amin'ireo zaza madinikany, ireo vadiny, ary ireo ankizy.

2 Chronicles 20:14

Nahoana i Yaveh no nilaza ny tsy hampatahotra na hanakivy amin'ny alalan'ireo miaramila manohitra azy ireo?

Yaveh nilaza ny tsy hampatahotra na hanakivy azy ireo noho ireo tafika lehibe, fa tsy azy ireo ny ady, fa ho an'Andriamanitra.

2 Chronicles 20:16

Inona no nolazin'i Yaveh fa ny olona dia hahita reha vao mitsanga eo amin'ny faritrany hatrany izy ireo?

Yaveh nilaza tamin'izy ireo hitsangana hatrany, ary hijery ny famonjen'i Yaveh amin'izy ireo.

2 Chronicles 20:18

Inona no nataon'i Joda sy ireo mponin'ny Jerosalema tamin'ny fanompoana teo anatrehan'i Yaveh?

Ny joda rehetra sy ireo mponin'ny Jerosalema niankohoka teo anantrehany, nanompo azy.

2 Chronicles 20:20

Toy ny nivoahan'ny tafika, nahoana i Josafata no nilaza ny hanome fisaorana an'i Yaveh?

Tahaka ny nivoahan'izy ireo mialohan'ny tafika, Josafata niresaka tamin'izy ireo nanao hoe: "misaora an'i Yaveh; fa maharitra mandrakizay ny fampindram-pony."

2 Chronicles 20:22

Inona no nataon'i Yaveh rehefa nanomboka nihira sy nidera ny olon'i Joda?

Rehefa nanomboko nihira sy nidera izy ireo, dia nametraka lehilahy hamely tampoka ireo fahavalony i Yaveh.

2 Chronicles 20:24

Inona no hitan'ny olon'i Joda rehefa nijery teo amin'ireo tafikin'ny fahavalo izy ireo?

Rehefa nijery teo amin'ny tafikin'ny fahavalo izy ireo, dia maty izy ireo, ary lavo tamin'ny tany.

2 Chronicles 20:25

Mandrapa hoviana izany ny olona no nanatanteraka fandrobana tamin'ny tafika?

Teo amin'ny hateloana teo no notanterahina ny fandrombana, satria nisy betsaka tamin'izany.

2 Chronicles 20:27

Nahoana i Josafata sy ireo olony no niverina an-kafaliana tany Jerosalema?

Niverina an-kafaliana tany Jerosalema izy ireo satria Yaveh efa nampifaly azy ireo teo amin'ireo fahavalony.

2 Chronicles 20:29

Inona no natolotr'Andriamanitra tamin'i Josafata izay nampangina ny fanjakany?

Nangina ny fanjakan'i Josafata, fa nanome filaminana manodidina azy manontolo ny Andriamaniny.

2 Chronicles 20:31

Inona no vitan'i Josafata teo imason'i Yaveh?

Nanao izay tsara teo imason'i Yaveh i Josafata.

2 Chronicles 20:35

Inona no faminaniana nanohitra an'i Josafata, satria nifandray tamin'i Ahazia ny tenany?

Satria Josafata nampifandray ny tenany tamin'i Ahazia, dia ho ravàn'i Yaveh ny tetikasany.

2 Chronicles 21

2 Chronicles 21:1

Nahoana i Josafata no nanolotra ny seza fiandrianana tamin'i Jehorama?

Josafata nanome ny seza fiandriananan tamin'i Jehorama satria Jehorama no lahimatoany.

2 Chronicles 21:4

Inona no nataon'i Jehorama tamin'ireo rahalahiny taorian'ny nametrahana azy ho mpanjaka?

Rehefa nametraka ny tenany ho mpanjaka i Jehorama, dia novonoiny tamin'ny sabatra avokoa ireo rahalahiny.

2 Chronicles 21:6

Nahoana i Yaveh no tsy te handrava ny tranon'i Davida?

Tsy te handrava ny tranon'i Davida i Yaveh noho ny fanekekna nataony tamin'i Davida.

2 Chronicles 21:8

Nahoana i Libna no nikomy tamin'ny herin'i Joda?

Nikomy avy amin'ny herin'i Joda izay ireo, satria i Jehorama efa nahafoy an'i Yaveh.

2 Chronicles 21:11

Inona no namboarin'i Jehorama teo an-tendrombohitr'i Joda?

Nanamboatra toerana masina teo an-tendrombohitr'i Joda i Jehorama.

2 Chronicles 21:12

Inona no nolazain'i Elia hiseho amin'ny haretin-tsinain'i Jehorama?

Hanana haretina maro mandrapaha lavon'ny tsinainy i Jehorama noho ny haretina.

2 Chronicles 21:16

Nahoana ireo Filistina sy ireo Arabiana no nanimba ny tranon'ny mpanjaka?

Nosomban'izy ireo ny fananana rehetra izay hita tao amin'ny tranon'ny mpanjaka.

2 Chronicles 21:18

Inona no nataon'ireo olona ho an'i Jehorama izay nataon'izy ireo ho an'ny razambeny?

Ny olony tsy nanao afo tamin'ny voninahiny arak'izay efa nataon'izy ireo tamin'ireo razambeny.

2 Chronicles 22

2 Chronicles 22:1

Tamin'ny fomba ahoana no nandehanan'i Azia noho ny torohevitry ny reniny?

Nandeha tamin'ny fomban'ny taranak'i Ahaba i Azia, satria ny reniny no mpanoro hevitra azy amin'ny fanaovana zava-dratsy.

2 Chronicles 22:4

Ahoana no fihetsik'i Ahazia teo imason'i Yaveh, araka ny nataon'ny taranak'i Ahaba?

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahazia, araka izay nataon'ny taranak'i Ahaba.

2 Chronicles 22:6

Nahoana i Ahazia no nandeha nitsidika an'i Jorama, zanaka lahin'i Ahaba?

Ahizia nandeha nidina tany Jezirela mba hijery azy, satria naratra i Jorama.

2 Chronicles 22:7

Inona no nentin'Andriamanitra nanoloana an'i Ahazia namangy an'i Jorama?

Ny faharavan'i Ahazia no nentin'Andriamanitra nanoloana ny famangianay tamin'i Jorama.

2 Chronicles 22:9

Inona no namapahatsiahivan'i Jeho an'ny rain'i Ahazia?

Jeho nilaza fa Ahazia dia zanaka lahin'i Josafata, ilay nitady an'i Yaveh tamin'ny fony manontolo.

2 Chronicles 22:10

Inona no nataon'ny renin'i Ahazia rehefa hitany fa maty izy?

Rehefa hitany fa maty ny zanany lahy, dia nitsangana izy ary namono ireo zanak'andriana rehetra tao amin'ny taranak'i Joda.

Hafiriana no nihafenan'i Joasa tao an-tranon'Andriamanitra nandrity ny nanjakan'i Atalia?

Niafina tao an-tranon'Andriamanitra nandrity ny enin-taona i Joasa raha mbola nanjaka teo amin'ny tany Atalia.

2 Chronicles 23

2 Chronicles 23:1

Inona no nahatonnga an'i Joiada sahy niresaka tamin'ireo mpitarika zanaka lahin'ny mpanjaka izay hanajaka?

Niteny tamin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka izay hanjaka i Joiada, araka izay nolazain'i Yaveh mahakasika an'ny taranak'i Davida.

2 Chronicles 23:4

Inona no asa voatendry amin'ireo mpisororna sy ireo Levita manao fanompoana amin'ny Sabata?

Ireo izay tonga amin'ny sabata dia ho mpiambina eo amin'ny varavarana.

2 Chronicles 23:6

Oviana ireo Levita no nilaza hijanona hiaraka amin'ny mpanjaka?

Nilaza ny hijanona hiaraka amin'ny mpanjaka izy ireo rehefa miditra sy rehefa mivoaka.

2 Chronicles 23:8

Ahoana no nanarahan'ireo Levita sy ny Joda rehetra tanteraka ny didn'i Joiada?

Nabompo tamin'ny fomba maro tao amin'ny raharaha izay nandidian'i Joiada mpisorona izy ireo.

2 Chronicles 23:10

Inona no natolotr'izy ireo tamin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka rehefa nametraka ny satro-boninahitra teo aminy izy ireo?

Nentin'izy ireo nivoaka ilay zanaka lahin'ny mpanjaka, nopetahan'izy ireo ilay satro-boninahitra, ary nomeny didim-panekena izy.

2 Chronicles 23:12

Inona no tabataba natao no nanatona ny olona i Atalia tao amin'ny tranon'i Yaveh?

Raha vao nahare ny tabataban'ny olona nihazakazaka sy nanompo ny mpanjaka izy, dia nanatona ny olona tao an-tranon'i Yaveh.

Inona no nataon'i Atalia rehefa nihiaka mafy hoe "Mpamadika!"?

Nandriatra ny akanjony izy ary nihiaka hoe, "Mpamadika!"

2 Chronicles 23:14

Inona no nandidian'i Joiada ho vitan'ny olona izay nanaraka an'i Atalia?

Joiada nilaza ny hamela ny olona izay nanaraka azy ho tsatohina amin'ny sabatra.

2 Chronicles 23:16

Inona ny fanekena nataon'i Joiada tamin'ny tenany, ny olona, ary ny mpanjaka?

Joiada nanao fanekena tamin'ny tenany, ny olona rehetra, ary ny mpanjaka, fa tokony ho olon'i Yaveh izy ireo.

2 Chronicles 23:18

Iza no nampitazomin'i Joiada teo amin'ny fidiran'ny tranon'i Yaveh tamin'ny alalan'ny fametrahana mpiambina teo am-bavahady?

Nametraka mpiambina teo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh i Joiada, mba tsy hisy na iray izay naloto tamin'ny fomba maro tokony hiditra.

2 Chronicles 23:20

Taiza no nametrahan'i Joiada sy ireo olona ny mpanjaka taorian'ny fahatongavana manoloana ny vavahady ambony?

Tonga nanoloana ny vavahady ambony tamin'ny tranon'ny mpanjaka ny olona ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny fiandrianam-panjakana.

2 Chronicles 24

2 Chronicles 24:1

Hafiriana i Joasa no nanao izay tsara teo imason'i Yaveh?

Nanao izay tsara teo imason'i Yaveh i Joiada tamin'ny andron'i Joiada rehetra, ilay mpisorona.

2 Chronicles 24:4

Tamin'inona no asa nandefasan'i Joiada ireo mpisorona sy ireo Levita hanangonana vola avy amin'ny Israely rehetra?

Joasa nandefa azy ireo hanangona vola avy any Isrely rehetra hanorenana indray ny tranon'Andriamanitr'izy ireo.

2 Chronicles 24:6

Inona no nalain'ny zanaka lahin'i Atalia avy ao amin'ny tranon'i Yaveh ka nomeny an'ireo Bala?

Izy ireo dia nanome ny fanaka voahaingo rehetran'ny tranon'i Yaveh ho an'ireo Bala.

2 Chronicles 24:8

Taiza ilay vata nandidian'ny mpanjaka ho fitoerana?

Ny mpanjaka dia nandidy, ka nanao vata izy ireo ary nametraka izany ivelan'ny fidirana tamin'ny tranon'i Yaveh.

Iza tamin'ireo olona nifaly no nitondra vola hatao amin'ilay vata?

Ireo mpifehy rehetra sy ireo olona nifaly rehetra no nitondra vola ary nametraka izany tao anatin'ilay vata.

2 Chronicles 24:11

Araka ny nanafoanan'ny manam-pahefana ny vata isan'andro dia inona no nangonin'izy ireo?

Nofoanan'izy ireo isan'andro ny vata, ho fanangonam-bola be.

2 Chronicles 24:13

Ahoana no nametrahan'ny mpiasa ny tranon'Andriamanitra araka ny nanorenan'izy ireo azy?

Napetrakin'ny mpiasa araka ny firafiny tena izy ny tranon'Andriamanitra ary namafisina izany.

2 Chronicles 24:15

Nahoana i Joiada no nalevina teo amin'ireo mpanjaka tao amin'ny tanànan'i Davida?

Nalevin'izy ireo tao an-tanànan'i Davida teo amin'ireo mpanjaka izy, satria efa nanao ny tsara teo amin'Israely, manoloana an'Andriamanitra, sy ny tranon'Andriamanitra.

2 Chronicles 24:17

Inona no nataon'ireo olona rehefa nandefa mpaminany hijoro vavolombelona hanohitra azy ireo Yaveh?

Yaveh nandefa mpaminany izay nijoro vavolomobelona nanohitra ireo olona, siangy nandà ny hiaino izy ireo.

2 Chronicles 24:20

Nahoana i Zakaria no nilaza tamin'ny olona fa nahafoy azy ireo Yaveh?

Zakaria nilaza tamin'ny olona fa hatramin'izay nahafoizan'izy ireo an'i Yaveh, dia nafoin'i Yaveh ihany koa izy ireo.

Ahoana no fomba tsy norarahian'i Joasa ny hatsarana izay vitan'ny rain'i Zakaria taminy?

Amin'ity raharaha ity, i Joasa mpanjaka, tsy niraharaha ny hatsarana vitan'i Joiada, rain'i Zakaria, taminy. Fa kosa, namono ny zanaka lahin'i Joiada izy.

2 Chronicles 24:23

Inona no nomen'i Yaveh ireo tafika kelin'ireo Arameanina satria efa nahafoy azy i Joda?

Tonga niaraka tamin'ireo tafika kely ireo Arameanina, nefa nomen'i Yaveh an'ireo tafika lehibe ny fandresena, satria Joda efa nahafoy an'i Yaveh.

2 Chronicles 24:25

Nahoana ireo mpanompon'i Joasa no nitetika hanohitra azy?

Nitetika ny hanohitra azy manokana i Joasa noho ny famonoana ireo zanaka lahin'i Joiada, mpisorona.

2 Chronicles 25

2 Chronicles 25:1

Firy taona i Amazia no nanomboka nanjaka ary hafiriana no nanjakàny?

Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka ary nanjaka sivy amby roapolo taona izy.

Inona no fifanarahana tao am-pon'i Amazia?

Tsy nanolo-tena fatratra tamin'i Yaveh ny fon'i Amazia.

2 Chronicles 25:3

Nahoana no tsy novonoin'i Amazia ireo zanakin'ny mpanompo izay namono ny rainy, mpanjaka?

Tsy namono ireo zanakin'ny mpanompo izay namono ny rainy i Amazia satria ny lalàna ao amin'ny bokin'i Mosesy dia milaza fa tsy azo vonoina ho an'ny rainy ny zaza, fa ny olona rehetra dia tsy maintsy ho faty noho ny fahotany manokana.

2 Chronicles 25:5

Ahoana no fomba nanampian'i Amazia an'ireo 300.00 lahy voafidy avy amin'ny Joda sy Benjamina izay nanohitra ny taranakin'ny razambeny?

Nanakarama lehilahy mpiady 100.000 avy any Israely i Amazia hanampy an'ireo 300.00 lehilahy voasafidy avy any Joda.

2 Chronicles 25:7

Nahoana no nilaza tamin'ny mpanjaka ny lehilahin'Andriamanitra fa tokony tsy hamela ny tafik'Israely hiaraka aminy izy?

Ny lehilahin'Andriamanitra nilaza tamin'ny mpanjaka fa ny tafik'Israely tokony tsy hiaraka aminy satria Yaveh tsy homba an'Israely.

Inona no nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra izay hitranga na dia natanjan-tsaina sy nahery aza i Amazia tamin'ny ady?

Ilay lehilahin'Andriamanitra dia nilaza fa Andriamanitra dia hanipy azy eo anoloan'ny fahavalo.

2 Chronicles 25:9

Ahoana ny fomba namalian'ilay lehilahin'Andriamanitra ny fanontanian'i Amazia mahakasika izay ataony momba ireo talenta zato izay efa nomeny an'ny tafik'Israely?

Ilay lehilahin'Andriamanitra dia nilaza an'i Amazia fa Yaveh afaka manome mihoatra lavitra noho izany azy.

Nahoana ny hatezeran'ireo tafika avany Efraima no nirehitra tamin'ny Joda?

Ny hatezeran'izy ireo nirehitra tamin'i Joda satria nosarahin'i Amazia ny tafika ary nalefany nody izy ireo.

2 Chronicles 25:11

Inona no nitranga tamin'ireo lehilahin'i Seira iray alina rehefa nentin'i Amazia nivoaka ny Lohasahan-tsira ny olony?

Nentin'i Amazia nivoaka ny Lohasahan-tsira ny olony ary nandresy ireo lehilahin'i Seira iray alina izy.

Inona no nataon'ireo tafik'i Joda tamin'ny fanampin'ireo lehilahin'i Seira iray alina izay mbola novonoin'izy ireo?

Natsipin'ny tafik'i Joda avy eo an-tampon'ny hantsana ireo lehilahin'i Seira.

2 Chronicles 25:13

Inona no nataon'ireo tafik'Isarely tamin'ny tanànan'i Joda avy any Samaria ka hatrany Beti-horona?

Ny tafik'Israely dia nanafika ireo tanàna, nandavo olona telo arivo sy naka babo maro.

2 Chronicles 25:14

Inona no nataon'i Amazia tamin'ireo andriamanitra izay nentiny avy any amin'ny vahoakan'i Seira?

Nataon'i Amazia ho lasa andriamaniny manokana ireo andriamanitra, niankohoko teo anolon'ireo, ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo.

Inona no nangatahinan'ireo mpaminany nalefan'i Yaveh tamin'i Amazia momba ireo andriamanitrin'ny vahoakan'i Seira?

Ireo mpaminany dia nangataka an'i Amazia ny antony nitadiavany ireo andriamanitrin'ny vahoaka izay andriamanitra tsy mahavonjy ireo olony avy amin'ny tain'i Amazia akory.

2 Chronicles 25:16

Inona no nolazain'ny mpaminany izay hevitr'Andriamanitra amin'ny fanakapahan-keviny hamotehina an'i Amazia?

Raha ny hevitr'Andriamanitra dia tapa-kevitra ny hamotika an'i Amazia izay efa nanaovan'i Amazia ireo asa sy tsy nihanoany ny torohevitrin'ny mpaminany.

2 Chronicles 25:17

Inona no hafatra izay nalefan'i Amazia tamin'i Johaza mpanjakan'Israely?

Nandefa hafatra fangatahana an'i Johaza i Amazia hoavy sy hiaona hifanatri-tava aminy amin'ny ady.

2 Chronicles 25:18

Nahoana ireo mpitodra hafatr'i Johaza no nilaza tamin'i Amazia izay tokony hijanonany ao an-trano?

Ireo mpitondra hafatr'i Johaza niteny tamin'i Amazia ny hijanona ao an-trano satria ho lavo miaraka i Joda sy Amazia.

2 Chronicles 25:20

Nahaona ny tanan'Andriamanitra no ho eo amin'ny vahoakan'i Joda eo an-tanan'ireo fahavalony?

Hitazona azy ireo an-tanan'ireo fahavalony Andriamanitra satria efa nitady torohevitra avy amin'ireo andriamanitry Edoma izy ireo.

Inona no niseho rehefa nihaona nifanatri-tava tany Beti-semesy i Johasa mpanjakan'Israely, sy i Amazia mpanjakan'i Joda?

Ny vokany dia lavo teo anatrehan'Israely i Joda ary nandositra nody ny lehilahy rehetra.

2 Chronicles 25:23

Tamin'ny toerana toy inona no niverenan'i Johasa taorian'ny nandrodanany ny mandan'ny Jerosalema ka naka zava-tsarobidy maro avy amin'ny tempoly sy ny rova, mbamin'ireo takalon'aina izy?

Niverina tany Samaria Johasa taorian'ny nandàvony ny mandan'ny Jerosalema ary naka ireo zava-tsarobidy maro sy takalon'aina izy.

2 Chronicles 25:25

Nandritrin'ny firy taona i Amazia mpanjakan'ny Joda, no niaina taorian'ny nahafatesan'i Johasa mpanjakan'Israely?

Niaina nandritry ny dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Johasa i Amazia.

Taiza ireo raharaha hafa voasoratra nahakasika an'i Amazia?

Ireo raharaha hafa mahakasika an'i Amazia dia voasoratra tao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy Israley.

2 Chronicles 25:27

Inona no nanomboka nanohitra an'i Amazia taorian'ny nialany tamin'ny fanarahana an'i Yaveh?

Taorian'ny nialan'i Amazia tamin'ny fanarahana an'i Yaveh, dia tetika iray no nanomboka nanohitra azy.

Taiza i Amazia no nilevina taorian'ny namonoana azy tany Lakisa?

Nilevina niaraka tamin'ireo razambeny tany amin'ny tanànan'i Joda Amazia.

2 Chronicles 26

2 Chronicles 26:1

Iza no nanao an'i Ozia ho mpanjaka taorian'ny nahafatesan'i Amazia rainy?

Ny vahoakan'ny Joda no naka an'i Ozia ary nanao azy ho mpanjakan'ny rovan'i Amazia rainy.

Inona no nataon'i Ozia tamin'ny tanànan'i Elota taorian'ny nahalasany mpanjaka?

Ozia namerina nanangana an'i Elota ary namerina tamin'ny laoniny izany tamin'ny Joda.

2 Chronicles 26:4

Ahoana no nanarahan'i Ozia ny fanoharan'ny rainy tamin'ny fifandraisany tamin'i Yaveh?

Ozia nanao izay tsara teo imason'i Yaveh ary nanokana ny tenany hitady an'Andriamanitra.

Inona no nitranga tamin'i Ozia raha nitady an'i Yaveh izy?

Raha nitady an'i Yaveh i Ozia, dia nambinin'Andriamanitra izy.

2 Chronicles 26:6

Inona no vokatry ny fanampian'Andriamanitra an'i Ozia araka izay nanoherany ny fahavalony?

Namonjy an'i Ozia hanohitra an'ireo fahavalony Andriamanitra, ary nihely ren'ny tany ny lazany, ka lasa nahery izy.

2 Chronicles 26:9

Inona no natsangan'Ozia teo ambavahady tany Jerosalema sy tany an'efitra?

Nanangana tilikambo teo an-joron'ny vavahadin'ny Jerosalema sy teo amin'ny fiolanan'ny manda izy. Nanangana tilikambo fiambenana tany an'efitra ihany koa izy.

Nahoana i Ozia no nanangana tilikambo fiambenana, ary nadavaka fitoeran-drano tany an'efitra?

Nanangana tilikambo fiambenana sy nandavaka fitoeran-drano tany an'efitra i Ozia satria nanana biby fiompy sy olona namboly ary tia fambolena izy.

2 Chronicles 26:11

Ahoana no fomba nanaovan'ny tafik'i Ozia ady?

Nanao ady tamin-kery lehibe hanampiana ny mpanjaka hanohitra ireo fahavalo ny tafik'i Ozia.

2 Chronicles 26:14

Inona no voaforona tamin'ny olona manam-pahaizana tany Jerosalema arak'izay nampitaovan'i Ozia ny tafiny?

Nanamboatra milina izay noforonon'ny olona manam-pahaizana i Ozia, tany Jerosalema.

Hatraiza ny halaviran'ny lazan'i Ozia rehefa nampian'i Yaveh tanteraka izy, ambaram-pahatongany tena nahery?

Nihely eran'ny tany ny lazan'i Ozia.

2 Chronicles 26:16

Ahoana no nanaovan'i Ozia fahadisoana tamin'i Yaveh, Andriamaniny, rehefa lasa nahery izy?

Nanao fahadiadsoana tamin'i Yaveh Ozia rehefa niditra tao an-tranon'i Yaveh nandoro ditin-kazo manitra teo ambony alitara.

Nahoana i Azaria sy ireo mpisorona valo no nandeha taorian'i Ozia, ary nahoana i Azaria no nilaza fa Ozia nanao fahadisoana rehefa nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny fitoerana masina?

Niteny tamin'i Ozia ireo mpisorona fa ireo mpisorona irery ihany, sy ireo zanaka lahin'i Arona, no nanao sorona nandoro didin-kazo manitra tao amin'ny toerana masina, ka nanao fahadisoana i Ozia rehefa nandoro zava-manitra tamin'i Yaveh.

2 Chronicles 26:19

Inona no nitranga tamin'i Ozia araka ny nitazonany zava-manitra tamin'ny tanany handorona didin-kazo manitra, ary oviana izy no tezitra tamin'ireo mpisorona?

Raha mbola nitazona ilay zava-manitra i Ozia, ary rehefa lasa tezitra tamin'ireo mpisoroana izy, dia vaky teo amin'ny handriny ny habokàna.

Nahoana no vaky teo amin'ny handriny ny habokàna?

Ny habokàna vaky teo amin'ny handrin'i Ozia satria namely azy i Yaveh.

2 Chronicles 26:21

Nahoana i Ozia no nipetraka tao amin'ny fonenana mitokana nandra pahatongan'ny andro nahafatesany?

Nitoetra tao amin'ny trano voatokana i Ozia satria boka izy ary nesorina tao amin'ny tranon'i Yaveh

2 Chronicles 26:22

Iza no mpanjaka taorian'ny nahafatesan'i Ozia ka nalevina niaraka tamin'ireo razambeny izy?

Jotama, zanaka lahin'i Ozia, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.

2 Chronicles 27

2 Chronicles 27:1

Firy taona i Jotama rehefa lasa mpanjakan'ny Joda ary hafiriana ny fanjakany?

Dimy amby roapolo taona i Jotama no lasa mpanjaka ary nanjaka nandritry ny enina ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy.

Ahoana no fomba fitondran-tenan'ny olon'ny Joda nadia nanao izay tsara teo imason'i Yaveh aza i Jotama?

Nanao fitondran-tena tamin'ny ratsy hatrany ny olon'ny Joda, na dia nanao izay tsara teo imason'i Yaveh aza i Jotama.

2 Chronicles 27:3

Inona no natsangan'i Jotama tany Jerosalema?

Nanao ny vavahady ambonin'ny tranon'i Yaveh i Jotama, ary nanamboatra betsaka teo amin'ny havoan'i Ofela izy.

Inona no naorin'i Jotama teo amin'ny havoana sy ny alan'ny Joda?

Nanamboatra tanàna tany amin'ny tany havoana i Jotama, ary nanamboatra rova sy tilikambo tany amin'ireo ala izy.

2 Chronicles 27:5

Nahoana no nanolotra volafotsy, vary tritrika, ary vary hordea tamin'i Jotama ny olon'i Amona?

Ny olon'i Amona dia nanolotra volafotsy, vary tritrika, ary vary hordea tamin'i Jotama satria niady tamin'izy ireo izy ary nandresy azy ireo.

2 Chronicles 27:6

Nahoana i Jotamana no lasa nahery?

Lasa nahery i Jotama satria nandeha mafy teo anatrehan'i Yaveh Andriamaniny izy.

2 Chronicles 27:8

Taiza i Jotama no nilevina rehefa maty izy?

Nilevina tao amin'ny tanàn'i Davida i Jotama.

Iza no mpanjakan'i Joda taorian'ny nahafatesan'i Jotama?

Ahaza, zanaka lahin'i Jotama, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.

2 Chronicles 28

2 Chronicles 28:1

Inona no tsy nataon'i Ahaza araka izay nataon'i Davida razambeny?

Tsy nanao izay marina teo imason'i Yaveh i Ahaza, araka izay nataon'i Davida razambeny.

Inona no nataon'i Ahaza araka ny nandehanany tamin'ny fomban'ny mpanjakan'Israely?

Nanamboatra sarin-javatra araraka ho an'ireo Bala izy.

2 Chronicles 28:3

Inona no nataon'i Ahaza tamin'ireo zanany fanampin'ny fanamboarana sarin-javatra ho an'ireo Bala, fanolorana zava-manitra, ary fanarahana ny haratsiam-panahin'ny vondron'olona avy aoriana izay noroahin'i Yaveh teo anatrehan'Israely?

Ahazia nanao ny zanany anaty afo ho fanatitra dorana.

2 Chronicles 28:5

Inona no antony faharesen'i Ahaza teo an-tanan'ireo Arameana ary koa teo an-tanan'ny mpanjakan'Israely?

Resy tamin'ny alalan'ireo Arameanina sy ny mpanjakan'Israely Ahaza satria izy sy ireo vahoakany efa nahafoy an'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny razamben'izy ireo.

2 Chronicles 28:7

Inona no nesorin'ny tafik'Israely tany amin'i Samaria?

Ny tafik'Israely naka babo avy amin'ireo havany akaiky, ary naka babo maro izay nentin'izy ireo tany amin'i Samaria.

2 Chronicles 28:9

Iza no nivoaka hitsena ny tafika izay tonga avy any Samaria?

Obeda, mpaminanin'i Yaveh, no nivoaka hitsena ny tafika.

Inona no fiampangana izay nentin'i Obeda anoherana ny tafika?

Obeda no nahatonga ny tafikin'ny famonoana ny olon'Israely tamim-pahatezerana izay nahatakatra ny lanitra.

Inona no nolazain'i Obeda an'ny tafik'Israely atao amin'ireo gadra nalain'izy ireo ho andevo avy any Jerosalema?

Obeda niresaka tamin'ireo tafika handefa ireo gadra miverina, satria afom-pahatezeran'i Yaveh nirehitra tamin'izy ireo.

2 Chronicles 28:12

Inona no nolazain'ireo mpitarika ny olon'i Efraima ny antony tokony tsy hitondran'izy ireo ireo gadra tany amin'i Samaria?

Ireo mpitarika dia nilaza ny tokony hanampiana ny hotan'izy ireo manohitra an'i Yaveh ka mitondra ny afom-pahatezeran'i Yaveh hanohitra an'Israely.

2 Chronicles 28:14

Inona no nataon'ireo mpitarika tamin'ireo gadra rehefa mandao ireo gadra teo anoloan'izy ireo ny lehilahy mitam-piadiana?

Nampiakanjo azy ireo ny mpitarika, nanome kapa azy ireo, nanome sakafo hoanina sy rano azy ireo, nitsabo ny ratrany, nametraka ireo malemy teo ambony boriky, ary nitondra azy ireo niverina tany amin'ny fianakaviany tany Jeriko.

2 Chronicles 28:16

Inona no nilavàna izany ho an'ny mpanjakan'i Ahaza handefasana ireo mpitondra hafatra any amin'ny mpanjakan'i Asiria ho fangatahana fanampiana?

Nilàna ho an'i Ahaza hangatahana ny mpanjakan'i Asiria ho fanampiana izany satria ireo Edomita efa nanafika an'i Joda sy ireo Filistina nitety ny tanànan'ireo tany lemaka sy ny an'i Negeva ao Joda

2 Chronicles 28:19

Inona no nataon'i Ahaza izay nahatonga an'i Joda nahetrin'i Yaveh?

Nihetry i Joda satria Ahaza efa nanao asa ratsy ary efa nanao hota tena mavesatra tamin'i Yaveh.

Nahoana i Ahaza no nambabo ny tranon'i Yaveh sy ny tranon'ny mpanjaka ary ireo mpitarika?

Ahaza nambabo ny tranon'i Yaveh sy ny tranon'ny mpanjaka ary ireo mpitarika mba hanome zava-tsarobidy ho an'ireo mpanjakan'i Asyria.

2 Chronicles 28:22

Inona no anton'ny faharavana teo amin'i Ahaza sy ny Israely rehetra?

Nanota tamin'i Yaveh i Ahaza ary nanao sorona tamin'ireo andriamanitr'i Damaskosy.

2 Chronicles 28:24

Inona no nataon'i Ahaza tamin'ireo fanakin'ny tranon'Andriamanitra?

Nokapain'i Ahaza ireo fanaka ary nakatony ny varavaran'ny tranon'Andriamanitra.

Inona no vokakatrin'ny fanaovan'i Ahaza ny alitara ho an'ny tenany erakin'ny zoron'ny Jerosalema, sy ny fanaovana toerana masina handoroana sorona amin'ireo andriamanin-kafa erakin'ny tanànan'ny Joda?

Ny vokatrin'ny asan'i Ahaza dia niteraka ny hatezeran'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny razambeny.

2 Chronicles 28:26

Aiza ny ambin'ny asan'iAhazia no voasoratra?

Ny ambin'ny asan'i Ahazia dia voasoratra voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy Israely.

Iza no lasa mpanjaka taorian'ny nahafatesan'i Ahaza ka nalevina tany Jerosalema?

Hezekia, zanaka lahin'i Ahaza, no lasa mpanjaka tamin'ny toerany.

2 Chronicles 29

2 Chronicles 29:1

Inona no fanoharana narahin'i Hezekia rehefa nanomboka hanjaka tamin'ny taona fahadimy amby roapolo izy?

Nanaraka ny fanoharan'ny razambeny Davida i Hezekia ary nanao izay marina teo imason'i Yaveh.

2 Chronicles 29:3

Inona no nolazain'i Hezekia an'ireo Levita ho atao taorian'ny nanokafany ireo varavaran'ny tranon'i Yaveh ka nanamboatra ireo?

Hezekia nilaza tamin'ireo Levita hanamasina ny tenany, hanamasina ny tranon'i Yaveh, ary hanala ny loto amin'ny fitoerana masina.

2 Chronicles 29:6

Inona no nolazain'i Hezekia izay vitan'ireo razambeny teo imason'i Yaveh?

Hezekia dia nilaza fa nanao fahadisoana ireo razambeny ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamaniny.

Inona no tsy nataon'ireo razambeny tao amin'ny toerana izay nonenan'i Yaveh?

Ireo razambeny dia tsy nandoro zava-manitra na nanolotra fanatitra dorana tao amin'ny toerana masina tamin'ilay Andriamanitr'Israely.

2 Chronicles 29:8

Inona no vokatrin'ny hatezeran'i Yaveh nilatsaka tamin'ny Joda sy Jerosalema?

Nanaon'i Yaveh toy ny zavatra fampihorohoroana, fampitahorana, sy fanalam-baraka i Joda sy Jerosalema.

Inona no nitranga tamin'ireo rainy, ireo zanany lahy, ireo zanany vavy, ary ireo vadiny noho ny hatezeran'i Yaveh?

Ny rain'izy ireo dia lavo tamin'ny sabatra, ary ireo zanany lahy, ireo zanany vavy, sy ireo vadiny dia nentina tao amin'ny fahababoana noho ny hatezeran'i Yaveh.

2 Chronicles 29:10

Inona no hevitra natolon'i Hezekia ho atao mba hialan'ny afom-pahatezeran'i Yaveh amin'izy ireo?

Nanolo-kevitra Hezekia ny hanaovan'izy ireo fifanekena amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.

2 Chronicles 29:15

Inona no nataon'ireo Levita taorian'ny namoriana ireo rahalahiny?

Ireo Levita sy ireo rahalahiny, dia nanamasina ny tenany tamin'i Yaveh, ary nandeha nanadio ny tranon'i Yaveh.

Inona no nataon'ireo mpisorona tamin'ireo loto rehetra izay hitan'izy ireo tao amin'ny tempolin'i Yaveh araka izay nandiovany izany?

Nalain'ireo mpisorona ireo loto rehetra ary nentina tany an-dohasahan-driakan'i Kidrona izany.

Hafiriana no nandraisan'ireo mpisorona hanamasinana ny tranon'i Yaveh?

Natombok'ireo mpisorona tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folon'ny volana voalohany no vitan'izy ireo.

2 Chronicles 29:18

Inona no nolazain'ireo mpisorona an'i Hezekia fa niomana sy nanamasina ho fanampin'ny fanadiovana ny tranon'i Yaveh rehetra izy ireo?

Ho fanampin'ny fanadiovana ny tranon'i Yaveh rehetra, ireo mpisorona dia niomana sy nanamasina ny fitaovana rehetra izay narian'i Ahaza mpanjaka fony izy nanao fahadisoana nandritry ny fanjanakany.

2 Chronicles 29:20

Inona no nandidian'i Hezekia ireo mpisorona ho atao amin'ireo biby nentin'izy ireo ho fanatim-pahotàna ho an'ny Joda?

Hezekia niresaka tamin'ireo mpisorona hanolotra ireo biby eo amin'ny alitaran'i Yaveh.

2 Chronicles 29:22

Nahoana ireo mpisorona no namono ireo biby ary nanosotra ny ràny teo amin'ny alitara?

Namono ireo biby sy nanosotra ny ràn'ireo teo amin'ny alitara ireo mpisorona mba hanavotana an'Israely rehetra. Ilay fanatitra dorana sy fanatitra noho ny hota dia natao ho an'israely.

2 Chronicles 29:25

Avy amin'iza no nihavian'ny didy ho fandaminana ireo Levita sy ireo zava-manenony tao an-tranon'i Yaveh?

Avy amin'iYaveh no nihavian'ny didy tamin'ny alalan'ny mpaminaniny.

2 Chronicles 29:27

Hafiriana ireo hira sy lalao mozika no nitohy araka ny nanompoan'ny fiangonana rehetra sy nonombohan'ny fanatitra dorana?

Ireo hira sy mozika dia nitohy hatramin'ny nahavitan'ny fanatitra dorana.

2 Chronicles 29:29

Inona no toe-tsain'ireo Levita raha nihira fiderana tamin'i Yaveh nampiasa ireo tenin'i Davida sy Asafa izy ireo?

Ireo Levita dia nihira fiderana tamim-pifaliana ary niankohoka sy nidera.

2 Chronicles 29:31

Inona no nentin'ny fiangonana tao an-tranon'i Yaveh?

Nentin'ny fiangonana ireo sorona sy ireo fanati-pisaorana, ary ireo rehetra izay nanana fo feno finiavana dia nitondra fanatitra dorana.

2 Chronicles 29:32

Karazam-biby toa inona no nentin'ny fiangonana ho ampiasaina ho fanatitra dorana?

Ny fiangonana dia nitondra omby lahy, ondry lahy, zanak'ondry, omby, ary ondry nampiasaina ho fanatitra dorana.

2 Chronicles 29:34

Nahoana ireo mpisorona no voatery hangataka ireo Levita hanampiana ny hoditry ny fanatitra dorana?

Ireo mpisorona dia nangataka ireo Levita hanampy azy ireo hanoditra ny fanatitra dorana satria somary vitsy ny tenan'ireo mpisorona hanao ny asa.

2 Chronicles 29:35

Inona no nataon'i Hezekia sy ireo olona rehetra rehefa nilamina tsara ny fanompoana tao an- tranon'i Yaveh?

Nifaly i Hezekia sy ireo olona rehetra.

2 Chronicles 30

2 Chronicles 30:1

Nandefa ireo iraka taiza i Hezekia ary iza no nanoratany taratasy?

Hezekia nandefa ireo iraka tany amin'ny Israely rehetra sy Joda, ary nanoratra taratasy tany amin'i Efraima sy Manase.

Inona no nolazain'ny hafatr'i Hezekia tamin'izy ireo?

Ny hafatr'i Hezekia nilaza tamin'izy ireo ny tokony hatongavan'izy ireo any Jerosalema ao amin'ny tranon'i Yaveh mba hankalaza ny Paska.

Iza avy ireo izay niara-nihevitra, hankalaza ny Paska amin'ny volana faharoa?

Izy ireo dia mpanjaka, ny mpitariny, ary ny fiangonan'ny Jerosalema rehetra.

Nahoana no tsy afaka nankalaza izany teo no ho eo anefa izy ireo?

Tsy afaka nankalaza izany teo no ho eo anefa izy ireo, satria tsy ampy ny isan'ireo mpisorona voamasina, na ny olona izay nivory tany Jerosalema.

2 Chronicles 30:4

Ahoana ny fomba nisehoan'izany drafitra izany tamin'ny mpanjaka sy ny fiangoanana rehetra?

Niseho ny drafitra mba ho marina eo imason'izy ireo.

Inonan no napetraka sy nataon'ny mpanjaka ary ny fiangoanana?

Nametraka lalàna izy ireo ary nanao fanambarana.

Taiza no niantefan'ny fanambarana?

Nanoloana ny Israely rehetra no niantefa ny fanambarana, avy any Beriseba ka hatrany Dana.

Inona no nolazain'ny fanambarana?

Ny fanambarana dia nilaza ny tokony hiakaran'ny olona hankalaza ny Paska an'i Yaveh tany Jerosalema.

2 Chronicles 30:6

Tamin'ny alalan'ny inona no niantefan'ny fanambarana?

Ny fanambarana dia niantefa tamin'ireo iraka tamin'ny alalan'ny taratasy avy any amin'ny mpanjaka sy ireo mpitariny ho an'ny Israely rehetra sy Joda.

2 Chronicles 30:7

Inona no nolazain'ny fanambarana hitranga raha mivadika amin'i Yaveh ny olona?

Ireo rahalahy sy ireo zaza dia hitady fangoraham-po eo anatrehan'ireo izay naka azy ireo ho gadra, ka hiverina any Israely.

2 Chronicles 30:10

Taiza no nandehanan'ireo iraka ary ahoana no navalin'ny olona?

lasa ireo iraka nandeha isan-tanàna nanerana ny faritr'i Efraima sy Manase, ny lalana rehetra nankany Zebolona, saingy ny olona namaly azy ireo tamin'ny fihomehezana sy fanesoana.

Iza no nanetry ny tenan'izy ireo ary inona no nataony?

Ny sasany tamin'ny lehilahin'i Aseraha, Manase, ary Zebolona dia nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.

Inona no nataon'ny tanan'Andriamanitra ary inona no nitranga?

Tonga teo amin'i Joda ny tanan'Andriamanitra ary fo tokana no nanan'izy ireo hanatanteraka ny didy.

2 Chronicles 30:13

Firy no nivondrona tany Jerosalema hankalaza ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira tamin'ny volana faharoa

Vahoaka maro, fiangonana lehibe tokoa, no tafangona tany Jerosalema.

Inona no nataon'ireo izay nivondrona tany Jerosalema?

Nalain'izy ireo ireo alitara, ireo alitara rehetra ho an'ny ditin-kazo manitra, ary natsipin'izy ireo tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona izany. Avy eo dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa.

Inona no nataon'ireo mpisorona sy ireo Levita izay menatra?

Nananamasina ny tenany izy ireo ary nitondra fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh.

2 Chronicles 30:16

Ahoana ny fomba nijoroan'izy ireo ary inona no nataon'ireo mpisorona?

Nijoro teny amin'ny toerany avy araka ny fizaràna manaraka ny lalàna'i Mosesy izay ireo, ary ireo mpisorona dia namafy rà.

Nohoana ireo mpisorona no namafy rà ka noraisin'izy ireo avy amin'ireo Levita?

Satria maro no tsy nanamasina ny tenany, ireo Levita namono ny zanak'ondrin'ny Paska, ary ireo mpisorona nandray izany avy amin'izy ireo mba hamafy.

2 Chronicles 30:18

Nahoana i Hezekia no nivavaka ho an'ireo vahoakan'i Efraima, Manase, Isakara, sy Zebolona, ary tamin'inona no nivavahany?

Vahoaka maro no tsy nanadio ny tenany ary nihinana ny sakafon'ny Paska nanohitra fampianarana voasoratra. Dia nivavaka tamin'i Yaveh i Hezekia mba hamela ireo izay manefy ny fony hitady an'Andriamanitra, na tsy naloto tamin'ny alalan'ny fenitry ny toerana masina aza izy ireo.

Inona nataon'i Yaveh tamin'ny famaliana ilay vavaka?

Nanao an-disitra tamin' i Hezekia i Yaveh ary nanasitrana ny olona.

2 Chronicles 30:21

Inona no nataon'ireo vahoakan'Israely, ireo Levita, ary ireo mpisorona?

Ny olona dia nitandrina ny firavoravoana nandritry ny fito andro tamin'ny hafaliana lehibe. Ireo Levita sy ireo mpisorona nidera an'i Yaveh tamin'ny hira sy zava-maneno mafy.

Ahoana no fomba niresahan'i Hezekia tamin'ireo Levita izay nahatakatra ny asan'i Yaveh, dia inona no nataon'izy ireo?

Hezekia nankahery azy ireo ary nihinana nanoloana nandritry ny fito andro, nanolotra ireo sorona ho fanati-pihombonana, ary nanao fianianana tamin'i Yaveh.

2 Chronicles 30:23

Inona no tapakin'ny fiangonana manontolo ho atao rehefa nom'i Hezekia ombilahy arivo sy ondry fito arivo ny fiangonana, ary ireo mpitarika nanome ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina?

Ny fiangonana manontolo dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny fito andro hafa, ary nataon'izy ireo tam-pifaliana.

2 Chronicles 30:25

Iza avy ireo nifaly tao amin'ny firavoravoana?

Ny fiangonanan'ny Joda rehetra, ireo mpisorona, ireo Levita, ary ireo olona rehetra izay niara-tonga avany Israely, ireo vahiny izay tonga avany Israely ary ireo izay nitoetra tany Jody ka nifaly.

Ahoana ny famaritana ny fnakalazana?

Izany dia hafaliana lehiba tany Jerosalema, ary hatramin'ny fotoan'i Solomona, dia tsy mbola nisy zavatra tahaka izany tany Jerosalema.

Inona no nataon'ireo mpisorona sy ireo Levita nanaraka ny fankalazana?

Nitsodrano ireo olona izy ireo ka re ny feony ary niakatra any an-danitra ny vavak'izy ireo.

2 Chronicles 31

2 Chronicles 31:1

Inona no nataon'ireo Israelita taorian'ny fankalazana ny firavoravoana ny mofo tsy misy masirasira?

Nivoaka ireo tanànan'i Joda ireo olon'Israley, nandrava ny ireo andrim-bato, nanapaka ireo baon'Aseraha, nandrava ireo toerana masina sy alitara tany Joda, Benjamina, Efraima sy Manase, ambarapaha ravin'izy ireo azy rehetra.

Taiza no nandehanan'ny vahoakan'Israely taorian'ny nanaovan'izy ireo izany?

Niverina tany amin'ny taniny sy ny tanànany izy ireo.

2 Chronicles 31:2

Inona no notendren'i Hezekia ireo mpisorona sy ireo Levita ho atao taorian'izy nandrindra azy ireo tamin'ny fizarazàrany?

Hezekia dia nanendry azy ireo hanao fanatitra dorana, fanatim-piombonana, mba hanompo, mba hanolotra fisaorana, ary mba hidera eo amin'ireo vavahadin'ny tempolin'i Yaveh.

Inona no fizaràna notendren'i Hezekia rehefa voatolotra izany?

Ny fizaràna dia ho fizaràn'ny mpanjaka avy amin'ireo harenany manokana, ary ireo fanatitra dorana dia ho amin'ny maraina, hariva, ny andro Sabata, volana vaovao, sy ny andro firavoravoana voatendry.

2 Chronicles 31:4

Inona no nandidian'i Hezekia ho ataon'ireo vahoakan'ny Jerosalema mba hifantohan'ireo mpisorona sy ireo Levita amin'ny fankatoavana ny lalàn'i Yaveh?

Ny vahoaka dia homena anjara iray amin'ireo mpisorona sy ireo Levita.

Inona no nitranga rehefa nivoaka tamin'ny olona ny didy?

Nomen'ny vahoakan'Israely ireo voaloham-bokatry ny vary, divay vaovao, diloilo, tantely, sy ny avy amin'ireo vokatra tany an-tsaha tamin'ny habetsany rehetra. Nomen'izy ireo ihany koa ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.

2 Chronicles 31:6

Inona no nataon'ireo vahoakan'ny tanànan'ny Joda mahakasika ny didy?

Ny vahoaka tao an-tanànan'ny Joda dia nitondra ampahafolon'ny omby, ondry, ary ny amapahafolon'ireo zavatra izay namasinina tamin'i Yaveh, napetraka ho atotan-javatra ireo.

Inona ny volana izay nametrahan'ny olona ny korotan-javatra?

Ny fanombohan'ny volana fahatelono nametrahan'ny olona ireo atotan-javatra ary ny nofaranana ny aton-javatra tamin'ny volana fahafito.

Iza no nisaotra an'i Yaveh sy ireo olona rehefa nahita ny atotan-javatra izy ireo?

Hezekia sy ireo mpitarika no nisaotra an'i Yaveh sy ny olona.

2 Chronicles 31:9

Ahoana no namalian'i Azaria mpisoronabe an'i Hezekia rehefa nantany ireo mpisorona sy ireo Levita mahakasika ireo atotan-javatra izy?

Namaly Azaria fa ny olona dia nitondra ny ampahafolony ary nametraka ireo tao amin'ny atotan-javatra lehibe. Niresaka tamin'i Hezekia izy fa efa nihinana betsaka izy ireo, ary ireo atotan-javatra ireo dia nisy ambiny satria Yaveh efa nitaha ny olona.

Inona no nandidian'i Hezekia ho voahomana ary inona no nataon'ny olona?

Hezekia dia nandidy ny trano fitahirizana voahomana tao an-tranon'i Yaveh. Dia nanomana ireo ny olona ary nitondra ireo tamin'ny fanatitra, tamin'ny ampahafolo, ary nanamasina ireo zavatra.

Iza no notendren'i Hezekia sy Azaria ho mpitantana mifehy ny trano fitahirizana?

Hezekia sy Azaria dia nanendry an'i Konania mpitantana amin'ny fifehezana miaraka amin'ny rahalahin'i Konania, Simey, ho mpitantana faha roa amin'ny fifehezana.

2 Chronicles 31:16

Tamin'iza i Kora sy ireo izay niaraka taminy no nizara ireo fanatitra?

Izy ireo dia nizara tamin'ireo lehilaly telo taona no miakatra, isakin'ny fizaram-paritra, izay voahisa tao amin'ny tetiarana niditra tao an-tranon'i Yaveh izay nanaovan'izy ireo ny asa tamin'ny faritrany.

2 Chronicles 31:17

Iza no voahisa manaraka handray ireo fanatitra?

Nomen'izy ireo an'ireo Levita roapolo taona no miakatra izay nameno isakin'ny anjara faritr'izy ireo.

Inona no efa vitan'ireo olona talohan'ny fandraisana ireo fanatitra avy amin'i Kora sy ireo izay niaraka taminy?

Ireo olona dia efa nanamasina ny tenany talohan'ny fizarana tamin'ireo zaza madinikany rehetra, ireo vadiny, ary ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo, izay voahisa tao amin'ny tetiaran'izy ireo.

Inona no natao ho an'ireo mpisorona izay voahisa tao amin'ny tetiarana ho eo amin'ireo Levita?

Nisy lehilahy voatendry hanome anjara tamin'ireo lehilahy rehetra izay tany an-tsaha tany amin'ireo zana-bohitra izay an'ireo tanàna na ny tanàna rehetra.

2 Chronicles 31:20

Taiza i Hezekia no nahatanteraka izany ary ahoana no nahavitan'izany?

Nahatanteraka izany i Hezekia nanoloana ny Joda rehetra ary vita tsara, marina, ary am-pitokiana teo anatrehan'i Yaveh izany.

Tamin'ny fomba ahoana no nanatsaran'i Hezekia ny tetikasa tsirairay, ary inona no vokany?

Natsarain'i Hezekia tamin'ny fony avokoa ny teikasa rehetra, ary nahaomby izy.

2 Chronicles 32

2 Chronicles 32:1

Inona no nataon'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria tamin'i Joda?

Niditra tao Joda izy nanafika ireo tanàna.

2 Chronicles 32:2

Tamin'inona i Hezekia no nagataka ireo mpitariny mba hanampy?

Izy dia nangataka azy ireo hampitsahatra ireo loharano rehetra sy rano mikoriana mba tsy hahitan'ny mpanjakan'i Asyria rano.

2 Chronicles 32:5

Inona no nataon'i Hezekia hiambenana ny fanafihan'ny fahavalo?

Nanangana manda izy sady nanao fitaovam-piadiana maro be.

2 Chronicles 32:6

Inona no teny fankaherezana nomen'i Hezekia an'ireo olona?

Niteny azy ireo izy mba hahery, amin'ny finiavana tsara, ary tsy hatahotra satria Yaveh, ilay lehibe noho ireo fahavalo, hanampy azy ireo hiady.

2 Chronicles 32:9

Nahoana i Sankeriba no nandefa ireo mpanompony tany Jerosalema?

Izy dia te hafantatra izay niandrakinan'i Hezekia tamin'ny fanderseny.

2 Chronicles 32:11

Ahoana no ombaz nadresen'i Sankeriba lahatra ny olona fa Hezekia dia namitaka azy ireo?

Izy dia niteny fa mety ho fatin'ny hanohanana sy ny hetaheta izy ireo ary koa fanontaniana na hamonjy azy ireo aza Yaveh.

2 Chronicles 32:13

Inona no nataon'i Sankeriba sy ireo razambeny tamin'ireo olon-kafa tamin'ny tanin'izy ireo?

Rava tanteraka izy ireo, satria tsy afaka hanampy azy ireo ny andrimaniny.

Nahoana i Sankeriba no nilaza fa ireo Israelita dia tokony tsy hino an'i Hezekia?

Sankeriba dia te hamadika ireo olona tamim-pinoana fa Andriamanitra tsy hamonjy azy ireo amin'ny herin'ny tanany.

2 Chronicles 32:16

Inona no nataon'i Sankeriba mba hanesoana an'i Yaveh?

Izy dia nanoratra taratasy miresaka ny fanoherana an'i Yaveh, mba hampahatsiahivana ny vahoakan'ny Jerosalema taloha, fa ny Andriamanitr'i Hezekia dia tsy hanavotra azy ireo.

2 Chronicles 32:18

Nahoana ny mpanompon'i Sankeriba no niantso tamin'ny fitenin'ny jiosy tamin'ny olon'ny Jerosalema?

Ny mpanompo dia te hampiorohoro ny olona ka mety hambabo ny tanàna izy ireo.

2 Chronicles 32:20

Ahoana no navalin'i Yaveh rehefa nivavaka sy niantso mafy tany an-danitra i Hezekia sy Izaia?

Nandefa anjely izy, hamono ireo lehilahy mpiady ary ireo manam-pahefana.

Inona no nitranga tamin'i Sankeriba taorian'ireo anjely namono ny tafiny?

Niverina tamin-kenatra tany an-taniny i Sankeriba, tany no namonan'ny zanany azy.

2 Chronicles 32:22

Ahoana no nisandratan'i Hezekia?

Yaveh dia namonjy an'i Hezekia avy amin'i Sankeriba sy ireo hafa. Fanomezana sarobidy maro no nentina tamin'i Yaveh sy Hezekia.

2 Chronicles 32:24

Inona no nitranga tamin'i Hezekia rehefa tsy nanome fisaroana tamin'i Yaveh izy raha toa ka narary mafy efa ho faty izy?

Ny hatezeran'Andriamanitra tonga taminy, sy Joda ary Jerosalema. Taorian'ny fanetre-tenany sy ireo olon'ny Jerosalema, ny hatezeran'Andriamanitra tsy tonga teo amin'izy ireo nandritry ny androm-piainan'i Hezekia.

2 Chronicles 32:27

Taorian'ny fanetre-tenan'i Hezekia dia inona no nomen'Andriamanitra azy?

Nitahy azy feno tamin'ny vato sarobidy, vokatra maro, biby maro, ary tanàna maro Andriamanitra.

2 Chronicles 32:30

Nahoana Andriamanitra no nandao an'i Hezekia taorian'ny nahombiazan'i Hezekia tamin'ireo tetikasany rehetra?

Andriamanitra dia te hitsapa azy ary te hafantatra izay tao am-pony.

2 Chronicles 32:32

Taiza no voasoratra ireo asa tsaran'i Hezekia?

Ireo dia voasoratra tao amin'ny Fahitan'i Izaia Mpaminany ary tao amin'ny Bokin'ny Mpanjakan'ny Joda sy Israely.

2 Chronicles 33

2 Chronicles 33:1

Mpanajaka toa inona i Manase nandritry ny dimy amby dimam-polo taona?

Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, nanao sampy izay efa noravan'i Hezekia indray, ary nanompo ireo kitan'ny lanitra.

2 Chronicles 33:4

Inona no nataony ka niteraka ny hatezeran'Andriamanitra?

Manase dia nanolotra ny zanany ho fanatitra dorana, nanao famosaviana, ary naka hevitra tamin'ireo izay niresaka tamin'i maty.

2 Chronicles 33:7

Inona no nataon'i Manase hitarihana ireo vahoakan'ny Joda sy Jerosalema hanao ratsy?

Nandrava ireo didy tamin'ny fanoloana ny sary sikotra tao an-tranon'Andriamanitra izy.

2 Chronicles 33:10

Inona no nitranga tamin'i Manase rehefa niresaka taminy sy ny vahoaka i Yaveh?

Satria fa tsy niraharaha izy ireo, Yaveh dia nanana ny tafikin'ny mpanjakan'i Asyria namatotra an'i Manase tamin'ny rojo sy naka azy ho any Babilona.

2 Chronicles 33:12

Inona no nataon'i Manase ny mba hitondran'Andriamanitra azy miverina any Jerosalema?

Nanetry tena izy, nivavaka, ary nitalaho tamin'Andriamanitra.

2 Chronicles 33:14

Taorian'ny nivavahan'i Manase, inona no asa noraisiny hampisehoany ny neniny?

Nanangana manda avo nanodidina an'i Joda izy ary nanala ireo andriamani-kafa, ireo sampy izay napetrany tao an-tranon'Andrimanitra, ary ireo alitara izay naoriny.

2 Chronicles 33:16

Tamin'iza no nanoloran'ny olona sorona tao amin'ny fitoerana masina?

Yaveh ihany no notoloran'izay ireo sorona tao amin'ny fitoerana masiana.

2 Chronicles 33:18

Nanao ahoana ny vavak'i Manase sy ireo asa manan-danja rehetra voaharo?

Ireo asa manan-danjan'i Manase, ny vavaka, ary ireo tenin'ireo mpahita dia voasoratra tamin'ireo asan'ny mpanjakan'Israely.

2 Chronicles 33:21

Mpanjaka toa inona i Amona nandritra ny roa taona nitondrany?

Feno haratsiana noho ny rainy izy, nanompo sary sikotra izy, ary tsy mba nanetry tena teo anatrehan'i Yaveh.

2 Chronicles 33:24

Taorian'ny namonoan'ireo mpisorona azy, inona no nataon'ireo vahoakan'ny tany tamin'ireo izay namono azy?

Ny vahoakan'ny tany rehetra dia namono ireo mpanompo rehetra izay nahafaty an'i Amona.

2 Chronicles 34

2 Chronicles 34:1

Na dia valo taona aza i Josia mpanjaka no nanomboka nanjaka, inona no nataony nandritra ny najakany dia tian'i Yaveh?

Nitady an'Andriamanitra izy, nanomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema tamin'ireo fitoerana masina, sampy, ary sary sikotra izy.

2 Chronicles 34:4

Ahoana no nanadiovan'i Josia an'i Joda sy Jerosalema?

Noravainy ireo alitara, notorotoroiny ireo baon'Aseraha, sary sikotra, sy ireo sarin-javatra vita tamin'ny vy ary ireo vovoka nahely teo ambon'ireo vato. Ny taolan'ireo mpisorona nodorany teo ambony alitara.

2 Chronicles 34:6

Inona no nataon'i Josia tao amin'ny tanin'Israely talohan'ny niverenany tany Jerosalema?

Namerina nanadio izay nataony tany Joda sy Jerosalema izy.

2 Chronicles 34:8

Avy aiza niavian'ny vola izay nampiasaina hanorenana ny tranon'i Yaveh?

Ny vola dia efa voahangona avy amin'ny vahoakan'ny Jerosalema ary nankinina tamin'ny mpisoronabe.

2 Chronicles 34:10

Tamin'iza no nizarana ny vola ary tamin'inona no nampiasaina izany?

Tamin'ireo mpandrafitra sy ireo mpanangana nitondra vato sy hazo no nanorenana ny tempoly.

2 Chronicles 34:12

Inona avy ireo andraikitra sahanin'ireo Levita hanorenana ny tempoly?

Ny sasany dia mpanara-maso, mpitahan-tsoratra, mpandrindra, ary mpiandry vavahady; ny sasany dia mpitendry zava-maneno mahay sady nanoro ny fahatokian'ny mpiasa.

2 Chronicles 34:14

Inona no notadiavin'ireo mpisorona rehefa nentiny nivoaka tao an-tranon'i Yaveh ny vola?

Ireo mpisorona dia nitady ny bokin'ny lalàn'i Yaveh izay efa nomena an'i Mosesy.

2 Chronicles 34:17

Inona no nataon'ny mpanjaka taorian'ny nahenoany ireo tenin'ny lalàna?

Josia mpanjaka dia nandrovitra ny akanjony.

2 Chronicles 34:23

Nahoana ny hatezeran'Andriamanitra no hiraraka eo amin'ny olona ary tsy hitsahatra?

Izy ireo dia efa nahafoy Azy tamin'ny fanompoana ireo andriamanin-kafa araka izay efa nataon'ireo razambeny.

2 Chronicles 34:26

Satria ny fon'i Josia dia malemy, inona no nitranga rehefa nanetry tena taorin'ny fandrenesana ny tenin'Andriamanitra izy?

Andriamanitra dia nilaza ny hanome fiadanana azy, ary izy dia tsy hahita ny loza rehetra izay hoentin'Andriamanitra eo amin'ny olona sy ny tany.

2 Chronicles 34:29

Nahoana i Josia no nanana ireo olona rehetra, lehibe sy kely, nangonina miaraka?

Novakian'i Josia tamin'izy ireo ny bokin'ny Fanekena.

2 Chronicles 34:31

Inona no fanekena nataon'i Josia tamin'i Yaveh?

Nanao fanekena teo anatrehan'i Yaveh izy mba hitandremana ny didiny.

2 Chronicles 34:33

Inona no nataon'ny vahoakan'Israley hankatoavana an'i Josia?

Nanompo an'i Yaveh izy ireo ary tsy nivadika taminy.

2 Chronicles 35

2 Chronicles 35:1

Ahoana no nitandremana ny Paska tany Jerosalema?

Nanomo ondrin'ny Paska izy ary ary nametraka ireo mpisorona teo amin'ny fitoerany avy tao an-tranon'i Yaveh.

2 Chronicles 35:3

Taiza i Josia no niteny ireo olona hametraka ny fiara masina afa-tsy ny fitondrana izany eo an-tsorok'izy ireo?

Izy ireo dia nilaza ny hametraka ny fiara masina ao an-trano izay naorin'i Solomona.

2 Chronicles 35:5

Ahoana no nanan'ny olona fahavononana amin'ny Paska?

Ny olona dia namono ondrin'ny Paska ary nanamasina ny tenany amin'ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra.

2 Chronicles 35:10

Ahoana no nanoloran'ny vahoakan'Israely ireo sorony tamin'i Yaveh?

Namono ondrin'ny Paska izy ireo, namendraka ny rà, nanoditra ny ondry, ary nanolotra ny fanatitra dorana tamin'i Yaveh, araka ny voasoratra tamin'ny bokin'i Yaveh.

2 Chronicles 35:16

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely taorian'ny fankalazana ny Paska?

Nankalaza ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira nandritry ny fito andro.izy ireo.

2 Chronicles 35:18

Nahoana izany fankalazana ny Paska izany no niavaka?

Niavaka izany satria izany no andro voalohany izay notazonin'Israely atramin'ny andron'i Samoela.

2 Chronicles 35:20

Inona ny hafatra izay nentin'ny mpanjakan'ny Egypta tamin'i Josia?

Nilaza izy fa Andriamanitra efa nandidy azy hanohitra ireo Karkemisy ary tsy tokony hiditra i Josia.

2 Chronicles 35:22

Inona no fihetsik'i Josia tamin'ny hafatra avy amin'ny mpanjakan'ny Egypta?

Tsy nihaino ny tenin'ny mpanjaka izy, nefa kosa, nanafin-tava i Josia mba hafahany niady.

2 Chronicles 35:23

Inona no nitranga tamin'i Josia teo amin'ny sahan'ady?

Notifirin'ny mpandefa zana-tsipìka izy dia naka azy tany Jerosalema ny mpisorony, izay nahatara ny nahafatesany.

2 Chronicles 35:25

Inona ireo hira fisaonana izay lasa fomban'Israely?

Ireo dia hira izay nohiràna tamin'ny fisaonana ho an'i Josia ary mbola hiràna hatrany.

Voasoratra aiza ireo raharahan'i Josia sy ireo asa tsarany?

Ireo dia ao amin'ny Bokin'ny Mpanjakan' ny Joda sy Israely.

2 Chronicles 36

2 Chronicles 36:1

Taorian'ny nahafatesan'i Josia, iza no lasa mpanjakan'ny Jerosalema?

Ny olon'ny tany no nanao an'i Joahaza zanaka lahin'i Josia, mpanjaka ary nanjaka nandritry ny telo volana izy.

2 Chronicles 36:3

Ahoana no nahatonga an'i Eliakima mpanjakan'ny Joda sy Jerosalema?

Ny rahalahiny, mpanjakan'ny Egypta, no nanala an'i Joahaza taorian'ny telo volana ary nanao an'i Eliakima mpanjaka, nanova ny anarany ho Joiakima.

2 Chronicles 36:5

Inona no karazana fitondrana an'i Joiakima tamin'ny iraika ambin'ny folo taonan'ny fanjakany?

Joiakima dia ratsy teo imason'i Yaveh.

Inona no nataon'i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babilona tamin'ny mpanjakan'ny Joda?

Nanafika azy izy, namatotra azy tamin'ny rojo, ary naka azy ho any Babilona.

Inona no nataon'i Nebokadnezara tamin'ny tranon'i Yaveh?

Nentiny ny sasany tamin'ireo fanaka tao an-tranon'i Yaveh nankany Babilona, ary nametraka ireo tamin'ny toerany izy.

2 Chronicles 36:8

Iza no lasa mpanjaka taorian'i Joiakima?

Ny zanany lahy, Joiakina no lasa mpanjaka taoriany.

2 Chronicles 36:9

Karazana mpanjaka toa inona i Joiakina?

Tamin'ny fanjakany fohy, dia nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy.

Ahoana no nitondran'i Nebokadnezara mpanjaka izany Joiakina izany?

Nitondra an'i Joiakina tany Babilona niaraka tamin'ireo zava-tsarobidy maro avy amin'ny tranon'i Yaveh izy.

2 Chronicles 36:11

Ahoana no namalian'i Zedekia an'i Yaveh?

Nanao ratsy teo imason'i Yaveh izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany ,izay niteny tamin'ny vavan'i Yaveh izy.

2 Chronicles 36:13

Ahoana no fomba nikomian'i Zedekia hanoherana an'i Nebokadnezara mpanjaka?

Nanamafy ny fony hanohitra an'i Yaveh izy ary nivadika tamin'i Nebokadnezara mpanjaka.

2 Chronicles 36:15

Ahoana no namalian'ny olona ny fangoraham-po izay notohizan'i Yaveh haseho azy ireo?

Naneso ireo irak'Andriamanitra izy ireo, naniratsira ny teniny, ary naneso tamin'ny faminaniany.

2 Chronicles 36:17

Ahoana no nifarahan'Andriamanitra tamin'ireo mpaneso?

Namono ilay tovolahy tamin'ny alalan'ny mpanjakan'ny Kaldeanina izy, ary ireo ambiny rehetra dia natolotra tamin'ny mpanjaka.

2 Chronicles 36:18

Inona no nataon'ny mpanjakan'ny Babylonianina tamin'ny Jerosalema ary inona no nalainy tany Babilona?

Nandrava ny tranon'Andriamanitra izy, ireo mandan'ny Jerosalema tamin'ny toerany rehetra, ary ireo zavatra mahafinaritra rehetra tamin'izany. Ary dia nalainy ireo fanaka rehetra sy ireo harena tany Babilona.

2 Chronicles 36:20

Inona no nitranga tamin'ireo izay nandositra tamin'ny famonoana?

Izy ireo dia lasa mpanompo ho an'ny mpanjaka sy ireo zanany lahy, izay nameno ny tenin'i Yaveh tamin'i Jeremia.

2 Chronicles 36:22

Inona no nambarana'i Kyrosy mpanjakan'ny Persia, ka natao fanoratana?

Izy dia nilaza fa Yaveh efa nandidy azy hanorina ilay tranon'Andriamanitra any Jeroslema ary izany Andriamanitra izany dia homba azy ireo rehefa hiakatra ny tany izy ireo.