Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Job 1

Job 1:1

Ahoana no hanoritsoritana ny toetoetran'i Joba?

Izy dia tsy manan-tsiny sy mahitsy fo, ary nanome voninahitra an'Andriamanitra sy nihodina niala tamin'ny ratsy.

Job 1:4

Taorian'ny nanaovan'ny zanaka lahina'i Joba firavoravoana niaraka tamin'ireo rahalaniny sy ireo anabaviny tao an-tranon'izy ireo, inona no nataon'i Joba?

Joba dia nanamasina azy ireo ho an'Andriamanitra, nanolotra fanatitra dorana, ary nivavaka ho azy ireo.

Job 1:6

Nahoana i Yaveh no niteny fa tokony handinika an'i Joba i Satana?

Tsy nisy toa an'i Joba teto an-tany, lehilahy tonga lafatra sy mahitsy fo, izay natahotra an'Andriamanitra sy niodina niala tamin'ny ratsy.

Job 1:9

Ahoana ny fomba nilazan'i Satana fa efa niaro an'i Joba i Yaveh?

Nanao fefy manodidina an'i Joba, manodidina ny tranony, ary manodidina izay rehetra ananany amin'ny lafiny rehetra i Yaveh.

Inona no noheverin'i Satana mba hampiala an'i Joba amin'Andriamanitra?

Ny hialan'i Joba amin'Andriamanitra ho izy dia ny fanafihan'Andriamanitra ny fananan'i Joba rehetra.

Nahoana nonomen'i Yaveh fahafahana manao izay i Satana?

Nomeny fahafahana haka ny zavatra rehetra avy amin'i Joba i Satana, fa tsy hametraka ny tanany eo amin'ny olony.

Job 1:13

Inona no nolazain'ireo mpitondra hafatra tamin'i Joba ny amin'ny zavatra nataon'ireo Sabena taminy?

Namono ireo mpanompon'i Joba tany an-tsaha rehetra izy ireo ary naka ny ombiny sy ny ampondrany rehetra.

Job 1:16

Inona no nolazain'ilay mpitondra hafatra faharoa tamin'i Joba ny amin'ny nahazo ny ondriny?

Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon'Andriamanitra ary nandoro azy ireo miaraka amin'ireo mpanompo.

Inona no nolazain'ilay mpitondra hafatra fahatelo tamin'i Joba ny amin'ny nahazo ny ramevany?

Nisy andiana mpandroba tonga ary namely azy ireo. Nangalarin'izy ireo ny rameva rehetra ary novonoiny ireo lehilahy rehetra izay nitondra izany.

Job 1:18

Inona no vaovao nentin'ilay mpitondra hafatra fahefatra tamin'i Joba?

Teo am-piravoravoana tao an-tranon'ireo rahalahiny ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'i Joba raha avy ny rivo-mahery ka namely ny trano, izay nirodana tamin'izy ireo ary maty izy ireo.

Job 1:20

Inona no nataon'i Joba rehefa voarainy avokoa ireo hafatra ireo?

Nandrovitra ny akanjo lavany i Joba, nanaratra ny loha, niondrika tamin'ny tany, ary nivavaka tamin'Andriamanitra.

Inona no nolazain'i Joba mahakasika ny zava-misy aminy taorian'ireo tranga ireo?

Nilaza izy fa nitanjaka no nihaviany avy ao an-kibon-dreniny izy ary hiverina hitanjaka.

Inona no nolazain'i Joba ny amin'ny nataon'Andriamatra taminy?

Yaveh no nanome, ary Yaveh no maka.

Ahoana no nanehoan'i Joba fa tsy lehilahy adala izy.

Joba dia tsy nanota, na nanameloka an'Andriamanitra tamim-pahadalana.

Job 2

Job 2:1

Iza no niaraka tamin'ny zanak'Andriamanitra raha niseho teo anatrehan'i Yeveh izy ireo?

Tonga ihany koa i Satana ary nampiseho ny tenany.

Inona no nolazain'i Satana tamin'i Yaveh ny amin'ny nataony?

Nilaza izy fa nandeha tetsy sy teroa teny amin'ny tany, ary nivezivezy teo amin'izany.

Job 2:3

Inona no nolazan'i Yaveh fa notohizan'i Joba taorian'ny famelezan'i Satana?

Joba dia nanao fifadian-kanina ho an'ny tsy fivadihany.

Job 2:4

Inona no tian'i Satana hatao amin'i Joba mba hanozonany anAndriamanitra

Maniry ny hikasika ny taolan'i Joba sy ny vatany mba handatrana azy i Satana.

Job 2:7

Ahoana no nampahorian'i Satana ny vatan'i Joba?

Nampahory an'i Joba tamin'ny vay ratsy hatreny am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany izy.

Inona no naton'i Joba mba hiatrehany ny fanaintainan'ny fahoriany?

Naka tavim-bilany izy ary nihaokaotra raha nipetraka teo amin'ny lavenona.

Job 2:9

Inona no tian'nhy vadin'i Joba hataony?

Ny vadin'i Joba dia naniry azy mba hanozona an'Andriamanitra ary ho faty.

Inona no fanamelohana naton'i Joba tamin'ny vadiny?

Nanameloka azy ny amin'ny fiheverany fa tokony ho ny tsara ihany no raisin'izy ireo eo an-tanan'Andriamanitra fa tsy ratsy.

Job 2:11

Inona no nataon'ireo naman'i Joba anankitelo raha nandre izay nanjo an'i Joba izy ireo?

Tonga niara-nisaona taminy izy ireo ary nankahery azy.

Job 2:12

Ahoana no nanehoan'ireo naman'i Joba telo ny alahelony raha nahita azy izy ireo?

Nanandratra ny feony izy ireo ary nitomany, nandrovitra ny akanjo lavan'izy ireo, nanisy vovoka ny lohan'izy ireo, ary nipetraka tamim-pahanginana tamin'ny tany nandritra ny fito sy fito alina.

Job 3

Job 3:1

Inona no nolazain'i Joba mahakasika ny andro nahaterahany?

Nanozona nyandro nahaterahany izy ary nangataka ny hanafoanana izany.

Job 3:4

Inona no tian'i Joba lazaina ny amin'ny andro nahaterahany?

Tiany raha lazaina amin'ny alalan'ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana izany andro izany.

Job 3:6

Inona no tian'i Joba hahazo ilay alina izay nitorotoroana azy?

Tian'i Joba raha samborin'ny haizim-pito izany alina izany.

Job 3:11

Inona no fanirian'i Joba mba hitranga raha nivoaka avy tao an-kibo izy?

Tiany raha mba maty sy mandao ny fanahiny izy.

Job 3:13

Inona no nolazain'i Joba ny amin'ny zavatra ataony ankehitriny raha mba maty teo am-piterahana izy?

Ho natory sy niala sasatra niaraka tamin'ireo mpanjaka sy ireo mapanolotsain'ny tany izy.

Job 3:17

Avy amin'ny inona no hanafahana ireo voafonja sy ireo mpanompo amin'ny fahafatesana?

Ny voafonja dia afaka amin'ireo mpampiasa azy, ary ny mpanompo dia afaka amin'ireo tompony.

Job 3:20

Iza no lazain'i Joba fa tsy hiavian'ny fahafatesana?

Izany dia tsy ho tonga amin'izay maniry ny ho faty, sy izay mitady fatratra izany noho ny mitady harena miafina.

Job 3:23

Ahoana no nanoritsoritan'i Joba ny fisentony?

Ny fisentony dia miraraka toy ny rano.

Job 3:25

Inona no zavatra atahoran'i Joba ho tonga aminy?

Izy dia tsy hitony na hangina, ary tsy hanam-pitsaharana.

Job 4

Job 4:1

Inona no zavatra tsara lazain'i Elifaza fa nataon'i Joba tamin'ny hafa?

Joba dia efa nampianatra olona maro, ary efa nampatanjaka ny tanana malemy.

Job 4:4

Inona no lazain'i Elifaza ho toky sy fanatenan'i Joba ao anatin'ny fotoan-tsarotra?

Ny fahatahoran'i Joba an'Andriamanitra no tokiny, ary ny fahitsian'ny lalany no fanatenany.

Job 4:7

Iza no maty sy levona tamin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra sy ny fahatezerany?

Ireo izay namboly heloka sy namafy olana no maty sy levona.

Job 4:10

Inona no lazain'i Elifaza fa potika?

Ny feo'ny liona masiaka sy ny nifin'ny liona tanora dia potika.

Job 4:12

Ahoana nahazoan'i Elifaza izany hafatra izany?

Nahare bitsika teo an-tsofiny sy nahita fahitana tamin'ny alina izy.

Job 4:14

Inona no tonga tamin'i Elifaza raha naharay ilay hafatra izy?

Tonga taminy ny tahotra sy ny horohoro.

Job 4:16

Inona no nanontanian'ilay feo mahakasika ny olona mety maty?

Izany dia nanontany raha afaka ny ho marina kokoa mihoatra an'Andriamanitra, sy madio mihoatra ny mpahary azy ny olona mety maty.

Job 4:18

Ahoana nonoritsoritan'i Elifaza ny olona mety maty?

Mipetraka ao anaty trano tanimanga izy ireo, izay fotaka no fototra, ary potika mialohan'ny kalalao.

Job 5

Job 5:1

Inona no lazain'i Elifaza fa hitranga amin'ny olona adala sy ny kentrina?

Ny fahatezerana nohamono ny olona adala, ary ny fialonana no hamono ilay kentrina.

Job 5:4

Inona no mitranaga amin'ny zanaky ny olona adala eo ambavahadin'ny tanàna?

Torotoro eo am-bavahadin'ny tanàna izy ireo.

Job 5:6

Avy aiza tokoa no hiavian'ny fahoriana?

Ny olombelona ihany no mahatonga ny fahoriny.

Job 5:8

Inona no omen'Andriamanitra ny tany sy ny saha?

Omeny orana ny tany ary andefasany rano ny saha.

Job 5:11

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ny tetiky ny olom-petsy?

Manafoanany tetik'izy ireo Izy mba tsy hahavita hanohy ny teti-dratsiny ny tanan'izy ireo.

Job 5:14

Novonjen'Andriamanitra tsy ho amin'inona ny olona ory sy ny olona mahantra?

Mamonjy ny olona mahantra tsy ho amin'ny sabatry ny vavan'izy ireo Izy ary manavotra ny olona ory tsy ho amin'ny tanan'ny olo-mahery.

Job 5:17

Nahoana no faly ny olona izay nahitsin'Andriamanitra sy nofaiziny?

Faly izy satria taorian'ny nandratrany azy, Andriamanitra dia namehy ny ratrany Izy, ary ny nanasitrana ny tanany.

Job 5:20

Amin'ny inona no hiomehezan'ny olona izay ahitsin'Andriamanitra?

Izy dia hiomehy ny faharavana sy ny mosary.

Job 5:23

Inona no ho hitan'ilay olona izay nahitsin'Andriamanitra rehefa mitsidika ny valan'ondriny izy?

Hahita izy fa ho ao avokoa ny zavatra rehetra.

Job 5:26

Hafiriana no hiainan'ny olona izay nahitsin'Andriamanitra?

Ho any amin'ny fasany izy rehefa voky taona.

Job 6

Job 6:1

Ahoana no hanoritsoritan'i Joba ny fangirifiriany sy ny lozany?

Ny fangirifiriany sy ny lozany dia navesatra, navesatra noho ny fasi-dranomasina ireo.

Job 6:4

Inona no nataon'ilay Tsitoha tamin'i Joba tamin'ny zana-tsipìkany?

Ny zana-tsipìkany dia tao amin'i Joba, ary misotro poizina ny fanahin'i Joba.

Inona no sakafo lazain'i Joba fa tsy misy tsirony?

Ny tapotsin'atody hoy izy dia tsy misy tsirony.

Job 6:7

Inona ilay valiny andrandrain'i Joba mba homen'Andriamanitrea azy?

Tiany mba hanorotoro sy hanala azy amin'ity fiainana ity Andriamanitra.

Job 6:10

Inona no fiononan'i Joba?

Ny fiononany dia ny tsy nandavany ny tenin'ilay Iray Masina.

Job 6:12

Inona no nesorina tamin'i Joba?

Ny fahendrena dia nesorina taminy.

Job 6:14

Tokony ho amin'iza no hanehoan'ny nanama ny fahatokiana?

Ny namana dia tokony haneho fahatokiana amin'ny olona izay efa mila ho reraka.

Ahoana no nampitahan'i Joba ireo rahalahiny tamin'ny ranotrambo any an'efitra?

Ireo dia mandalo fotsiny ihany, ireo dia manjavona rehefa levona, ary ireo dia mitsonika rehefa mafana.

Job 6:18

Inona no nitranga tamin'ireo rodobe raha nitady rano tamin'ireo rano mikoriana ireo?

Nirenireny tany amin'ny tany ngazana izy ireo ary ringana. Diso fanantenana sy voafitaka izy ireo.

Job 6:21

Nahoana no tsinontsinona taminy ireo naman'i Joba?

Nahita zava-mahatsiravina izy ireo ary natahotra.

Job 6:24

Inona no lazain'i Joba fa ho ataony rehefa nampianatra azy ireo namany?

Hitazona ny fahanginany izy.

Job 6:26

Inona no lazain'i Joba ny amin'ny fikasan'ireo namany ho atao amin'ny teniny?

Manao tsinontsinona ny tenin'i Joba izy ireo ary mihevitra izany ho toy ny rivotra.

Job 6:28

Nahoana i Joba no milaza fa tokony hanatsahatra ny famelezan'izy ireo azy ireo namany?

Marina ny adin'i Joba.

Job 7

Job 7:1

Amin'ny inona no hampitahan'i Joba ny volan'ny fahoriany sy ny aliny feno fikorontanana?

Izy dia mampitaha ireo amin'ny andevo maniry ny alina, na ny lehilahy nokaramaina maniry ny karamany.

Job 7:4

Inona no nandrakotra ny nofon'i Joba?

Kakana sy baingan-tany no nameno ny nofony.

Job 7:6

Inona no sary nentin'i Joba namariparitany ny hafaingam-pandehan'ny androny?

Ny androny dia haingam-pandeha noho ny famahanan-tenona.

Job 7:8

Ampitahan'i Joba amin'ny inona ny olona midina any amin'ny fiainan-tsy hita?

Tahaka ny rahona izay levona sy manjavona izy.

Job 7:11

Amin'ny inona no hahafahan'i Joba milaza ny fitarainany?

Hiteny amin'ny fangirifirian'ny fanahiny sy hitaraina amin'ny fangidian'ny fanahiny izy.

Job 7:13

Inona no ataon'Andriamanitra an'i Joba raha mamonjy fandriana izy?

Andriamanitra dia mampitahotra azy amin'ny nofy sy mampihorohoro azy amin'ny fahitana.

Job 7:16

Nahoana i Joba no naniry ny hamelan'andriamanitra azy ho irery?

Nilaza i Joba fa tsy misy dikany ny androny.

Job 7:19

Inona no ataon'i Joba raha nagataka ny mba hamelan'Andriamanitra azy ho irery mandritra ny fotoana ampy izy?

Nangataka ny mba havela irery mandritra ny fotoana ampy izy mba hitelomany ny iviny.

Job 7:21

Inona no heverin'i Joba fa tsy ho ataon'Andriamanitra?

Mihevitra i Joba fa tsy hamela ny hadisoany sy tsy hanala ny helony Andriamanitra.

Job 8

Job 8:1

Amin'ny inona no ampitahan'i Bildada ny molotr'i Joba?

Nampitaha ireo tamin'ny rivotra mahery izy.

Job 8:4

Ahoana no nilazan'i Bildada fa izy dia nahalala fa nanota ireo zanak'i Joba?

Nilaza izy fa izy dia nahalala izany satria Andriamanitra no efa nitondra ireo zanak'i Joba ho eo amin'ny fahitana.

Job 8:6

Ahoana no hilazan'i Bildada fa ho namonjy azy Andriamanitra raha nadio sy nahitsy fo izy?

Ho nanome valisoa an'i Joba miaraka amin'ny trano izay azy tanteraka Izy.

Job 8:8

Amin'ny inona no ampitahan'i Bildada ny andron'izy ireo etp an-tany?

Milaza izy fa ireo dia toy ny aloka.

Job 8:11

Inona no ilain'ny zozoro sy ny volotara mba hampaniry azy?

Ny zozoro dia mila ketsaketsa, ary ny volotara dia mila rano mba hitomboana.

Job 8:13

Amin'ny inona no ampitahan'i Bildada ny fahatokisan'ny olona mpaniratsira?

Ny fahatokisan'izy ireo dia marefo tahaka ny tranon-kala.

Job 8:16

Inona no ifandraisan'ny faka amin'ny fanehoana ny olona iray izay manadino an'Andriamanitra?

Ny fakany voafono korotam-bato ary mitady toerana tsara eo amin'ny vato.

Job 8:19

Ahoana no hanavahan'Andriamanitra ny fitondrana ny olona tsy mana-tsiny sy ny mpanao ratsy?

Izy dia tsy manary ny olona tsy mana-tsiny, fa kosa tsy mandray ny tanan'ny mpanao ratsy.

Job 8:21

Amin'ny inona no hamenoan'Andriamanitra ny vava sy ny molotry ny olona tsy mana-tsiny?

Ho fenoiny fihomehezana ny vavan'izy ireo ary fenoiny fihobiana ny molotr'izy ireo.

Job 9

Job 9:1

Inona no hitranga amin'ny olona miezaka ny miady hevitra amin'Andriamanitra?

Ny olona dia tsy afaka mamaly an'Andriamanitra na dia indray mandeha amin'ny arivo aza.

Job 9:4

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ny tendrombohitra rehefa tezitra Izy?

Mamindra ny tendrombohitra tsy misy fampitandremana Izy ary mamadika azy ireo.

Job 9:7

Inona no osihosen'Andriamanitra?

Manosihosy sy mandresy ny onjan-dranomasina Izy.

Job 9:10

Mahita an'Andriamanitra ve i Joba rehefa mandalo Izy?

Andriamanitra dia mandeha eo akaikiny ary Joba dia tsy mahita na mahafantatra Azy.

Job 9:13

Na dia marina aza i Joba, ahoana no tsy maintsy niresahany tamin'Andriamanitra?

Tsy afaka mamaly Azy i Joba, fa ny mitalaho famindram-po ihany no azony natao.

Job 9:16

Nahoana i Joba no mino fa nampitombo ny feriny Andriamanitra?

Joba dia nino fa Andriamanitra dia efa nampitombo ny feriny tsy amin'antony.

Job 9:19

Afaka ny ho marina sy tonga lafatra ve i Joba?

Tsia, eny fa na dia ny vavany aza dia hiampanga azy sy hanaporofo azy ho meloka.

Job 9:21

Mihevitra ve i Joba fa mitondra ny olona marina sy ratsy fanahy amiin'ny fomba samihafa Andriamanitra?

Milaza izy fa miara-potehin'Andriamanitra ny olona tonga lafatra sy ny olona ratsy fanahy.

Job 9:25

Inona ireo zavatra telo ampitahan'i Joba ny hafaingan'ny androny?

Ireo dia haingam-pandeha mihoatra ny mpitondra hafatra mihazakazaka, ireo dia haingam-pandeha tahaka ny lakan-jozoro, sy haingam-pandeha tahaka ny fipaohan'ny voromahery.

Job 9:27

Nahoana i Joba no milaza fa ho zava-poana ny fanadinoana ny amin'ny fitarainany?

Andriamanitra dia tsy hihevitra azy ho tsy manan-tsiny, saingy Joba dia ho voaheloka.

Job 9:32

Inona no lazain'i Joba fa tsy misy mpitsara mahavita?

Tsy misy mpitsara afaka ny hametraka ny tanany eo amin'i Joba sy Andriamanitra.

Job 9:34

Inona no lazain'ny Joba fa tsy misy mpitsara hafa mahavita?

Tsy misy mpitsara hafa afaka ny haka ny tsorakazo'Andriamanitra tsy ho amin'i Joba, na hihazona ny fampihorohorohany tsy hampitahotra an'i Joba.

Job 10

Job 10:1

Nahoana i Joba no maniry ny hanehoan'Andriamanitra azy, fa tsy manameloka azy fotsiny izao?

Maniry izy ny mba hanehoan' Andriamanitra ny antony hanamelohany azy.

Job 10:4

Karaza-maso toy ny inona no anontanian'i Joba raha mba manana Andriamanitra?

Joba dia manontany Azy raha mba manana maso-nofo sy mahita toy ny fahitan'ny olona Izy.

Inona no lazain'i Joba fa karohin'Andriamanitra sy enjehiny?

Andriamanitra dia mikaroka ny helok'i Joba ary manenjika ny fahotany.

Job 10:8

Inona no nataon'ny tanan'Andriamanitra tamin'i Joba?

Ireo no efa namolavola sy efa nanamboatra an'i Joba manontolo.

Job 10:10

Tamin'ny inona no nampitafian'Andriamanitra an'i Joba?

Izy dia nampitafy an'i Joba tamin'ny hoditra sy nofo.

Job 10:12

Inona no nomen'Andriamanitra an'i Joba?

Andriamanitra dia nanome aina sy fanekena mahatoky azy.

Inona no hataon'Andriamanitra raha manota i Joba?

Andriamanitra dia hitsikaritra ny otany, ary tsy hanafaka azy amin'ny helony.

Job 10:15

Inona no ataon'Andriamanitra raha miandrandra ny lohany?

Andriamanitra dia hizaha azy tahaka ny liona.

Job 10:17

Iza no netin'Andriamanitra hanohitra an'i Joba mba hanoritsoritra ny zava-mitranga aminy?

Andriamanitra dia nitondra volombelona vaovao mba hanohitra azy.

Job 10:18

Inona no nirin'i Joba mba ho nitranga taminy?

Ho nalehony nanolotra ny fanahiny izy ka tsy nisy maso nahita azy.

Job 10:20

Aiza no halehan'i Joba, ka tsy hiverenany avy amin'izany intsony?

Izy dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky fahafatesana.

Job 11

Job 11:1

Inon no noheverin'i Zofara fa nataon'i Joba tamin'ny fampianaran'izy ireo?

Nihevitra izy fa i Joba dia nametaveta ny fampianaran'ireo namany.

Job 11:4

Inona lazain'i Zofara fa nangatahin'Andriamanitra tamin'i Joba?

Nilaza izy fa kely noho izay mendrika ny helony no nangatahin'Andriamanitra taminy.

Job 11:7

Nihevitra ve i Zofara fa afaka ny hahatakatra an'Andriamanitra i Joba?

Zofara dia nihevitra fa tsy sarotra ho an'i Joba izany satria Andriamanitra dia avo toy ny lanitra, lalina noho ny fiainan-tsy hita, lava noho ny tany, ary malalaka noho ny ranomasina.

Job 11:10

Mihevitra ve i Zofara fa misy mahavita manakana an'Andriamanitra?

Sarotra ho an'ny olona ny hanakana an'Andriamanitra satria mahalala ny olona diso sy mahita ny helony Izy.

Rahoviana no lazain'i Zofara fa hananan'ny olona adala fahatakarana?

Hanana fahatakarana izy ireo rehefa miteraka olona ny ampondr-dia.

Job 11:15

Inona no lazain'i Zofara fa hitranga amin'ny fahorian'i Joba raha manaisotra ny helony tokoa Izy?

Joba dia hanadino ny fahoriany ary ho tahaka ny rano izay efa nikoriana no ho fahatsiarovany izany.

Job 11:18

Nahoana i Joba no ho vaaro raha manaisotra ny helony Izy?

Ho voaaro izy satria hisy fanatenana.

Job 11:20

Inona no lazain'i Zofara fa hany fanatenana tokan'ny olona ratsy fanahy?

Ny hany fanantenan'izy ireo dia fialan'aina farany.

Job 12

Job 12:1

Ahoana no ampitahan'i Joba ny tenany amin'ireo namany?

Milaza izy fa manana fahazavan-tsaina ihany koa izy ary tsy ambanin'izy ireo.

Job 12:4

Inona no heverin'ireo mpiray vodi-rindrina aminy ankehitriny?

Miomehy azy izy ireo.

Job 12:7

Iza no heverin'i Joba fa afaka hampianatra ny namany?

Ny bibi-dia, ny vorona, ny tany, ary ny hazan-dranomasina no afaka hampianatra ireo namany.

Job 12:9

Inona fantatr'ireo biby rehetra ireo?

Fantatr'izy ireo fa ny tanan'Yaveh no nanome aina azy ireo.

Job 12:11

Inona lazain'ny Joba mlahakasika ny anti-dahy sy ny fahazavan-tsaina?

Ny Anti-dahy dia manana fahendrena, ary amin'ny fahalavan'ny andro ny fahazavan-tsaina.

Job 12:13

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ny rano?

Mihazona azy ireo Izy ary ritra ireo, ary mandefa izany any ivelany sy manafotra ny tany Izy.

Job 12:16

Inona no alain'Andriamanitra avy amin'ny mpanjaka?

Manala ny rojom-pahefan'izy ireo Izy.

Job 12:19

Inona no lazain'ny Joba mahakasika ny zavatra ataon'Andriamanitra amin'ny mendri-pitokisana sy ny loholona?

Izy dia manala ny lahaten'ireo mendri-pitokisana, ary manaisotra ny fahazavan-tsain'ireo loholona.

Job 12:22

Inona no lazain'ny Joba mahakasika ny zavatra ataon'Andriamanitra amin'ireo firenena?

Mampatanjaka azy ireo Izy, ary manitatra azy ireo Izy na mitarika azy ireo toy ny voafonja.

Job 12:24

Inona no mitranga amin'ireo mpitariky ny olon'ny tany rehefa manaisotra ny fahazava-tsain'izy ireo Andriamanitra?

Mampirenireny azy ireo any an'efitra izay tsy misy lalana Izy.

Job 13

Job 13:1

Ahoana no lazain'i Joba mba hampitahany ny fahalalany amin'ny an'ny namany?

Milaza i Joba fa mahafantatra izay fantatr'izy ireo izy, ary tsy ambanin'izy ireo.

Job 13:3

Iza no tian'i Joba hiresahana fa tsy ireo namany?

Aleony miresaka amin'Andriamanitra satria maniry ny hifandahatra amin'Andriamanitra izy.

Inona no lazain'i Joba fa ataon'ireo namany amin'ny marina?

Manafotsy ny marina amin'ny lainga izy ireo.

Job 13:6

Inona no tyian'i Joba ho ren'ireo namany?

Maniry ny hiainoan'izy ireo ny fitalahoan'ny molony izy.

Job 13:9

Hanaiky ve Andriamanitra raha maneho fiangarna amin'Andriamanitra ireo naman'i Joba?

Tsia, handà azy ireo Izy raha mampiseho fiangarana aminy izy ireo.

Job 13:11

Inona no lazain'i Joba momba ny firesak'ireo namany sy ny fiarovan-tenan'izy ireo?

Milaza izy fa ny firesak'izy ireo dia ohabolana vita amin'ny lavenona, ary ny fiarovan-tenan'izy ireo dia vita amin'ny tanimanga.

Job 13:13

Inona no nangatahin'i Joba tamin'ireo namany mba hahafahany miteny?

Nangataka azy ireo mba hihazona ny fiahanginan'izy ireo sy hamelana azy ho irery i Joba.

Job 13:16

Nahoana i Joba no mihevitra fa ho afaka madiodio izy?

Tsy tonga teo anatrehan'Andriamanitra tahaka ny mpaniratsira izy.

Job 13:18

Inona no nalahatr'i Joba?

Izy dia nandahatra ny fiarovan-tenany.

Job 13:20

Inona no tian'i Joba ho esorin'Andriamanitra aminy?

Joba dia maniry ny hanesoran'Andriamanitra aminy ny tana-mampahoriny.

Job 13:23

Toy an'iza no hitondran'Andriamanitra an'i Joba?

Nitondra an'i Joba toy ny fahavalo Izy.

Job 13:26

Inoana no zavatra tsy misy ilàna azy izay lazain'i Joba fa mitovy aminy?

Izy dia toy ny zavatra mihalevona, tahaka ny akanjo izay lanin'ny kalalao.

Job 14

Job 14:1

Ahoana no ilazan'ny Joba fa ny olona dia toy ny voninkazo?

Ny olona dia mitsiry avy amin'ny tany tahaka ny voninkazo, ary voakapa.

Job 14:4

Iza no manapaka ny faharetan'ny fiainan'ny olona?

Andriamanitra no mamaritra ny androny sy ny isan'ny volany.

Job 14:7

Inona no lazain'ny Joba mahakasika ny hazo iray notapahina?

Mety hisy fanantenana ho an'ny hazo izay efa notapahina, satria mety hitsiry indray izany.

Job 14:10

Milaza ve i Joba fa afaka miverina miaina indray ny olona?

Milaza izy fa ny olona dia tsy mifoha intsony, ary tsy ho taitra amin'ny torimason'izy ireo intsony.

Job 14:13

Aiza no tian'i Joba hanafenanan'Andriamanitra azy?

Joba dia maniry ny hanafenan'Andriamanitra azy any amin'ny fiainan-tsy hita lavitry ny fahoriana.

Job 14:15

Ahoana no hanaovan'Andriamanitra ny fanadikan-dalàn'i Joba sy ny helony raha tapitra ny fahatezeran'Andriamanitra?

Andriamanitra dia hanisy tombo-kase ny fandikan-dalàn'i Joba, ary hanarona ny helok'i Joba.

Job 14:18

Inona no zava-mahagaga mety ho vitan'ny rano rehefa ela ny ela?

Afaka mandany ny vato izany.

Job 14:20

Ahoana no mampisy fiantraikany amin'ny olona maty raha omem-boninahitra na hahetry ny zanany?

Raha mahazo voninahitra izy, dia tsy fantany izany, ay raha hahetry izy, dia tsy hitany akory ny hitrangan'izany.

Job 15

Job 15:1

Inona no tsy tokony hamenoan'ny olon-kendry ny tenany?

Tsy tokony hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any antsinana izy.

Job 15:4

Ahoana no hilazan'i Elifaza fa mampietry ny voninahitr'Andriamanitra ny zava-manjo an'i Joba?

Mihevitra izy fa i Joba dia mampihena ny fanajana an'Andriamanitra, sy manakana ny fanoloran-tena aminy.

Job 15:7

Mihevitra ve i Elifaza fa mahalala zavatra hafa izay tsy fantatry ny namany i Joba.

Tsy mihevitra an'i Joba ho mahalala zavatra izay tsy fantatr'izy ireo izy, na izay fantany ka tsy takatr'izy ireo.

Job 15:10

Vahoaka iza no lazain'i Elifaza fa miombon-kevitra amin'ireo naman'i Joba?

Ireo fotsy volo sy ireo lehilahy voky taona izay antitra mihoatra noho ny rain'i Joba dia momba an'i Elifaza sy ireo namany.

Job 15:12

Inona no heverin'i Elifaza fa nataon'ny fanahin'i Joba?

Mihevitra izy fa efa nanodina ny fanahiny nanohitra an'Andriamanitra i Joba.

Job 15:15

Ahoana no fijerin'Andriamanitra ireo masiny sy ny lanitra?

Tsy mametraka ny fitokisana na dia amin'ireo masiny aza Izy, ary ny lanitra dia tsy madio eo imasony.

Job 15:17

Avy tamin'iza no nahazoan'i Elifaza ireo zavatra hambarany an'i Joba?

Ireo zavatra izay efa hitany dia ireo zavatra izay nampitain'ireo olon-kendry tamin'ireo rainy, ary ireo zavatra izay tsy nafenin'ireo razambe.

Job 15:19

Rahoviana no ho avy amin'ireo ratsy fanahy ireo mpandrava?

Ny mpandrava dia ho avy aminy rehefa ao anatin'ny fanambinany izy.

Job 15:22

Inona no miandry ny ratsy fanahy?

Ny sabatra no miandry ny ratsy fanahy.

Job 15:25

Mihazakazaka manohitra an'Andriamanitra miaraka amin'ny inona ny ratsy fanahy?

Mihazakazaka manohitra an'Andriamanitra amim-pahamafisan-katoka sy miaraka amin'ny apinga matevina izy.

Job 15:27

Inona hitranga amin'ny tanana sy ny tranon'ny ratsy fanahy?

Efa vonona ny ho korotam-bato izy ireo.

Job 15:29

Inona hahalasa ireo ratsy fanahy?

Ho lasana amin'ny fofonain'ny vavan'Andriamanitra izy.

Job 15:31

Inona no valisoa azon'ny ratsy fanahy noho ny fahatokisana ny zava-poana?

Zava-poana no ho valisoany.

Job 15:34

Inona no hitranga amin'ny antokon'ny mpaniratsira ?

Ho momba izany, ary handevona ny lain'ny kolikolin'izy ireo ny afo

Job 16

Job 16:1

Inona no lazin'i Joba ny amin'ny fampiononan'ireo namany?

Nilaza i Joba fa mpampionona mahonena mampiasa teny tsy misy dikany izy ireo.

Job 16:6

Ahoana no mampisy fiantraikany ny fitenenan'i Joba amin'ny alahelony?

Raha miteny izy, dia tsy mihena ny alahelony, ary raha tsy miteny izy, dia tsy voatahy.

Job 16:9

Ahoana no nitondran'ireo olona hafa an'i Joba raha mamely azy Andriamanitra?

Nisanasana vava tamin'i Joba izy ireo, namelaka ny takolanny tamin'ny fanomezan-tsiny, ary niara-nivondrona mba hanohitra azy.

Job 16:11

Nomen'Andriamanitra ho an'iza i Joba?

Nitondra azy ho eo an-tanan'ny olona mpaniratsira Andriamanitra, ary nanipy azy ho eo an-tanann'ny olona ratsy fanahy.

Job 16:13

Ahoana no nandratrànAndriamanitra an'i Joba?

Nanindrona ny voany sy nandraraka ny aferony tamin'ny tany Izy.

Job 16:15

Inona no nataon'i Joba tamin'ny hodiny mba hanehoany ny fahoriany?

Nanjaitra ny akanjo fisaonana teo amin'ny hodiny izy.

Job 16:18

Iza no vaolombelon'i Joba sy afaka hiantoka an'i Joba?

Ny vavolombelon'i Joba dia ny lanitra, ary any amin'ny avo no misy ilay iray izay momba azy.

Job 16:20

Amin'iza i Joba no mitodika raha maneso azy ireo namany?

Mandraraka ny ranomasony any amin'Andriamanitra i Joba.

Job 17

Job 17:1

Inona no hitan'i Joba foana?

Tsy maintsy mahita ny fihantsian'ireo mpandrabiraby izay miaraka aminy foana izy.

Inona no antoka tian'i Joba hataon'Andriamanitra aminy?

Maniry an'Andriamanitra aho antoka ho azy i Joba.

Job 17:4

Asa ratsin'iza no hahatonga ny mason'ny zanaky ny ratsy fanay ho pahina?

Ny an'ilay miampanga ny namany amin'ny valisoa no hahatonga ny mason'ny zanany ho pahina.

Job 17:6

Inona no nitranga tamin'ny mason'i Joba sy ny vatany noho ny alahelo?

Ny masony dia pahina ary ny faritry ny vatany rehetra dia mahia toy ny aloka.

Job 17:9

Nihevitra ny hahita lehilahy hendry teo amin'ireo namany ve i Joba?

Joba dia mahafantatra fa tsy hahita lehilahy hendry eo amin'izy ireo izy.

Job 17:11

Nanana fikasana ny amin'ny hoaviny ve i Joba?

Rava ny fikasan'i Joba, toy izany koa ireo fanirian'ny fony.

Job 17:13

Inona lasa rain'i Joba, reniny, ary anabaviny?

Ny lavaka no lasa rainy, ary ny kankana no lasa reniny sy anabaviny.

Job 18

Job 18:3

Ahoana no heverin'i Bildada ho fijerin'i Joba ireo namany?

Nihevitra i Bildada fa nihevitra azy ireo ho toy ny biby izy, ary nihevitra azy ireo ho adala.

Job 18:5

Inona no hitranga amin'ny fahazavan'ny olona ratsy fanahy?

Ny fahazavany dia ho vonoina, ary ny pitik'afony dia tsy hamirapiratra.

Job 18:7

Inona no hanipy ny olona ratsy fanahy ho ao anaty harato?

Ny tongony ihany no hanipy azy ho amin'ny harato, ary handeha amin'ny vela-pandrika izy.

Job 18:9

Inona no hisambotra ny olona ratsy fanahy?

Ho voasambotry ny fandrika izy.

Job 18:12

Inona no hitranga amin'ny haren'ny olona ratsy fanahy?

Ny hareny dia hivadika ho hanohanana.

Job 18:14

Aiza no tsy hipetrahan'ny olona ratsy fanahy intsony?

Ho voaviravira tsy ho amin'ny lainy izy, dia ny tranony izay nitokiana izany.

Job 18:16

Sary inona no ampiasain'i Bildada mba hanoritsoritana izay hitranga amin'ny olona ratsy fanahy?

Izy dia manoritsoritra ny ratsy fanahy toy ny fakan-kazo izay maina ao mbany tany, ary ny rantsany amony dia voarantsana.

Job 18:18

Hanana taranaka ve ny olona ratsy fanahy?

Tsy hanana zanaka na zafy eo amin'ny olony izy, na hanana sisa tavela amin'ireo fara-mandimby izay nijanonany

Ahoana no havalin'ny olona amin'izay mitranaga amin'ny olona ratsy fanahy?

Ireo izay monina any andrefana dia hiorin-koditra ary ireo izay monina any atsinanana dia ho raiki-tahotra

Job 19

Job 19:1

Tamin'ny inona no lazain'i Joba fa namotehan'ireo namany azy?

Joba dia milaza fa izy ireo dia namotika azy tamin'ny teny?

Job 19:3

Impiry ireo naman'i Joba no efa nandatsa azy?

Efa nandatsa azy im-polo izy ireo.

Tokony ho fahadisoan'iza izany raha efa nania i Joba?

Joba dia milaza fa ny fahadisoana dia tokony ho fahadisoany ihany.

Job 19:5

Ahoana no nilazan'i Joba ny nitondran'Andriamanitra azy?

Joba dia milaza fa efa nanao ny tsy nety taminy Andriamanitra ary nisambotra azy tamin'ny haratony.

Job 19:7

Inona no niseho raha niantso vonjy nohon'ny nanaovany ny tsy nety i Joba?

Tsy nisy nahare izy ary tsy nahazo rariny.

Job 19:10

Ahoana no niheveran'Andriamanitra an'i Joba?

Izy dia nihevitra an'i Joba ho iray amin'ireo fahavalony.

Job 19:13

Inona no nitranga tamin'ny finakavian'i Joba sy ny namany rahetra?

Nampanalavitra azy ireo rahalahiny Izy, ireo olom-pantany dia nihafahafa taminy, ireo havany dia nahafoy azy, ary ireo namany akaiky dia efa nanadino azy.

Job 19:15

Inona no navalin'ny mpanompon'i Joba raha niantso azy izy?

Ny mpanompony dia tsy namaly azy na dia niangavy azy tamin'ny vavany aza izy.

Job 19:17

Inona no navalin'ireo tiany azy?

Ireo izay tiany dia nivadika taminy.

Job 19:20

Ahoana no niveloman'i Joba?

Ny hoditry ny nifiny ihany no nivelomany.

Job 19:23

Inona no tian'i Joba hitranga amin'ny teniny?

Tiany ireo raha mba voasoratra sy voarakitra ao anaty boky, na voasokitra amin'ny penina vy sy firaka eo amin'ny vaolampy mandrakizay.

Job 19:25

Inona no lazain'i Joba fa fantany?

Fantany fa velona ny Mpanavotra azy, ary any am-parany dia hitsangana eo amin'ny tany ny Mpanavotra azy?

Inona no lazain'i Joba fa hiseho rehefa potika ny vatany?

Ao amin'ny nofony no hahitan'i Joba Andriamanitra.

Job 19:28

Inona no entin'ny fahatezerana mafy?

Ny fahatezerana mafy dia mitondra ny fanasazian'ny sabatra.

Job 20

Job 20:1

Nahoana no namaly haingana an'i Joba i Zofara?

Namaly haingana an'i Joba izy nohon'ny fitaintainany ary nisy fanahy avy tamin'ny fahazavan-tsainy mamaly azy. Nahare ny teny mafin'i Joba izy ary milaza izany ho manala baraka azy izy.

Job 20:4

Hafiriana no faharetan'ny fifalian'ny olona mpaniratsira?

Ny fifalinan'ny olona mpaniratsira dia maharitra fotoana fohy ihany.

Job 20:6

Ahoana no hahalevonan'ny olona ratsy fanahy?

Ho levona mandrakizay toy ny malotony izy.

Job 20:8

Ahoana no hahalasànan'ny olona ratsy fanahy?

Hanidina toy ny nofy izy, ary ho enjehina toy ny fahitana amin'ny alina izy.

Job 20:10

Inona no ho ataon'ny zanaky ny olona ratsy fanahy?

Hiala tsiny amin'ny olona mahantra ireo zanany

Job 20:12

Inona no ataon'ny faharatsiana ao anatin'ny olona ratsy fanahy?

Izany dia mampivadika ny sakafo ao anaty tsinainy ho mangidy, ary ho lasa poizina avy amin'ny bibilava ao anatiny izany.

Job 20:15

Inona no hiseho amin'ny harena izay natelin'ny olona ratsy fanahy?

Handoa izany indray izy.

Job 20:17

Inona no zavatra tsy ho ankafizin'ny olona ratsy fanahy?

Izy dia tsy hanakafy ny fijerena ny renirano sy ny riakan'ny tantely sy ero-dronono

Nahoana no tsy hifaly ny olona ratsy fanahy?

Satria efa nampahory sy nanao tsinontsinona ny olona mahantra izy, ary naka an-keriny ireo trano izay tsy naoriny.

Job 20:20

Nahoana no tsy haharitra ny fanambinana ireo olona ratsy fanahy?

Tsy haharitra izany satria tsy misy zavatra izay tavela ka nolevoniny.

Job 20:23

Inona no ho ataon'Andriamanitraamin'ny olona ratsy fanahy izay efa mby eo am-pamenoana ny kibony?

Andriamanitra dia handrotsaka ny firehetan'ny fahatezerany eo aminy raha eo am-pihinanana izy.

Inona no hitranga rehefa mandositra ny fitaovam-piadiana vy ny olona ratsy fanahy?

Hahavoa azy ny tsipìka varahina

Job 20:26

Inona no hataon'ny lanitra sy ny tany hanoherana ny olona ratsy fanahy?

Hanambara ny helony ny lanitra ary hijoro vavolombelona hanohitra azy ny tany.

Job 20:28

Inona no hitranaga amin'ny olona ratsy fanahy amin'ny andron'ny fahatezeran' Andriamanitra?

Hielina ny harena ao an-tranony ary hikoriana hiala aminy ny fananany.

Job 21

Job 21:1

Inona no heverin'i Joba fa hataon'ireo namany taorian'ny fitenenany?

Nihevitra izy fa hanohy ny fanesoana azy izy ireo.

Job 21:4

Inona no havalin'ny olona rehefa mijery an'i Joba izy ireo?

Ho talanjona izy ireo ary hametraka ny tanany eo amin'ny vavan'izy ireo.

Inona no mahazo an'i Joba rehefa mieritreritra ny fijaliany izy?

Mihorohoro izy, ary tora-kovitra ny vatany.

Job 21:7

Inona no anontanian'i JOba mahakasika ny olona ratsy fanahy?

Manontany ny antony mbola mahavelona azy ireo sy mampitombo azy ireo amin'ny fahefana izy.

Job 21:10

Inona no mahazo ny omby lahy sy ny omby vavin'ny ratsy fanahy?

Mahavanona ny omby lahy raha manaraka ary tsy mamotsitra ny zanany tsy tonga volana ny omby vavy.

Job 21:13

Inona no lazain'ny olona ratsy fanahy amin'Andriamanitra?

Maniraka an'Andriamanitra hiala amin'izy ireo izy, satria tsy maniry ny hahalala ny lalanay izy ireo.

Job 21:16

Ny havalin'i Joba ny amin'ny torohevitr'ny olona ratsy fanahy?

Tsy misy hirarahiany ny torohevitry ny olona ratsy fanahy.

Job 21:19

Iza no tian'i Joba hanefa ny heloky ny olona ratsy fanahy?

Joba dia maniry ny hanefan'ireo olona ratsy fanahy ny helony ihany, fa tsy ireo zanany, mba ho fantany ny helony.

Job 21:22

Misy olona afaka mampianatra fahalalana an'Andriamanitra ve?

Tsia, satria Izy no mitsara, eny na dia ireo izay ambony aza.

Job 21:25

Inona no samy mahazo ny olona izay maty amin-kery sy izay maty amim-pangidian'ny fanahy?

Samy mandry anaty vovoka izy ireo ary samy rakotry ny kankana ny vatan'izy ireo.

Job 21:27

Inona no fantatr'i Joba momba ny eritreritry ny namany sy ny fomban'izy ireo?

Fanatany fa ny eritreritr'izy ireo sy ny fombany no irin'izy ireo handisoana azy.

Job 21:29

Inona no hitan'ny olona mapandeha lavitra mahazo ny olona ratsy fanahy?

Nahita izy ireo fa ny olona ratsy dia voaaro amin'ny andron'ny loza, ary havily lavitry ny andron'ny fahatezerana izy.

Job 21:31

Inona no hataon'ny olona amin'ny fasan'ny olona ratsy fanahy?

Hiambina ny fasan'ny olona ratsy fanahy ny olona.

Job 21:34

Amin'ny inona no lazain'i Joba fa niezahan'i Zofara nampionona azy?

Joba dia milaza nankahery azy tamin-javatra tsy misy dikany i Zofara.

Job 22

Job 22:1

Inona no anontanian'i Elifaza an'i Joba raha toa ka ilain'ny Tsitoha ny fahamarinany?

Manontany izy raha mitondra fahafinaretana ho an'ny Tsitoha ny fahamarinanan' i Joba.

Job 22:4

Ahoana no nanesoan'i Elifaza ny fanajan'i Joba an'Andriamanitra?

Milaza izany amim-panesoana izy satria Joba dia nanaja fatratra an'Andriamanitra.

Job 22:6

Inona nohanamelohan'i Elifaza an'i Joba tamin'ny nataony tamin'ireo nitanjaka?

Milaza izy fa nanendaka ny akanjon'ireo mitanjaka i Joba.

Job 22:9

Inona no hanamelohan'i Elifaza an'i Joba ny amin'ny nataony tamin'ny mpitondratena?

Mihevitra izy fa nandefa maina ny mpitondratena i Joba.

Inona no lazain'i Elifaza fa nataon'ny aizina tamin'i Joba?

Milaza izy fa misy ny aizina mba tsy hahafahan'i Joba mahita.

Job 22:12

Inona no heverin'i Elifaza ho nolazain'i Joba ny amin'ny tsy fahitan'Andriamanitra ny olona?

Hoy Joba hoe: "Rahona matevina no mandrakotra an'Andriamanitra, mba tsy hahitany ny olona."

Job 22:15

Inona no mahazo ny fototry ny ratsy fanahy?

Ny fototry ny ratsy fanahy dia voafaoky ny renirany.

Job 22:18

Ahoana no fihetsiky ny olona marina rehefa mahita ny anjarany izy ireo?

Mahita ny anjarany ireo olo-marina ary faly.

Job 22:21

Inona no hiseho raha toa ka mihavana amin'Andriamanitra i Joba?

Raha mihavana amin'Andriamanitra i Joba dia ho avy aminy ny tsara.

Job 22:23

Inona no lazain'i Elifaza fa haiseho amin'i Joba raha toa miverina amin'ilyTsitoha izy?

Raha miverina amin'ilay Tsitoha i Joba dia hiorina.

Job 22:26

Inona no hitranga raha miravoravo ao amin'ilay Tsitoha i Joba?

Raha miravoravo ao amin'ilay Tsitoha i Joba dia hanandratra ny tavany ho amin'Andriaùmanitra izy.

Job 22:29

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ny olona mirehareha?

Andriamanitra dia mampietry ny olona mirehareha.

Job 23

Job 23:1

Inona lazain'i Joba fa mavesatra noho ny fitarainana?

Joba dia nilaza fa ny fijaliany dia mavesatra noho ny fitarainany.

Job 23:3

Inona no hataon'i Joba eo anatrehan'Andriamanitra raha mahita Azy izy?

Izy dia handahatra ny adiny eo anoloany ary hameno ny vavany amin'ny fandresen-dahatra.

Job 23:6

Mihevitra ve i Joba fa Andriamanitra dia hanohitra azy amin'ny fahalehibeazan'ny fahefan'Andriamanitra, raha toa ka mijoro eo anatrehany izy?

Tsia, mihevitra izy fa hihaino azy Andriamanitra.

Job 23:8

Inona no lazain'i Joba fa ataon'Andriamanitra any atsimo?

Joba dia milaza fa Andriamanitra dia manafina ny tenany any atsimo mba tsy hahitan'i Joba Azy?

Job 23:10

Inona no valiny andrandrain'i Joba avy amin'ny fitsapan'Andriamanitra azy?

Raha misedra azy Andriamanitra dia hivoaka toy ny volamena izy.

Inona no nataon'i Joba tamin'ny tenin'ny vavan'Andriamanitra?

Joba dia nitahiry tao am-pony ny tenin'ny vavan'Andriamanitra izy.

Job 23:13

Inona no tanterahin'Andriamanitra amin'i Joba?

Andriamanitra dia manatanteraka ny lalàny amin'ny Joba.

Job 23:15

Ahoana ny fahatsapan'i Joba rehefa misaina an'Andriamanitra izy?

Rehefa misaina an'Andriamanitra i Joba, dia matahotra Azy izy.

Inona no manarona ny tavan'i Joba?

Ny aizim-pito no manarona ny tavan'i Joba.

Job 24

Job 24:1

Inona no fotoana heverin'i Joba ho tsy nataon'Andriamanitra?

Joba dia manontany ny antony tsy nanaovan'Andriamanitra ny fotoana fitsarana ny olona ratsy fanahy?

Job 24:2

Inona no ataon'ny ratsy fanahy amin'ny borikin'ireo kamboty?

Mandroaka ny boriki'ireo kamboty izy ieo.

Job 24:5

Inona no antenain'ireo olona mahantra mba homen' i Araba?

Manantena izy ireo fa i Araba dia hanome sakafo ho an'ny zanak'izy ireo.

Inona no tsy hananan'ny mahantra amin'ny hatsiaka?

Tsy manana firakofana izy ireo amin'ny hatsiaka.

Job 24:8

Inona no fihinin'ny olona mahantra nohon'ny tsy fananan-kialofana?

Mamihina vato izy ireo nohon'ny tsy fananan-kialofana.

Inona no ataon'ireo mahantra ho an'ny hafa na dia mandeha noana aza izy ireo.

Na dia mandeha noana aza izy ireo dia mbola milanja ny amboaram-barin'ny hafa ihany.

Job 24:11

Inona no ataon'ny olona mahantra ho an'ny hafa na dia mijalin'ny hetaheta aza izy ireo?

Manitsakitsaka ao amin'ny famiazan-divain'ny olona ratsy fanahy izy ireo, saingy mijalin'ny hetaheta.

Job 24:13

Tahaka ny inona ny mpamono olona amin'ny alina?

Amin'ny alina, ny mpamono olona dia toy ny mpangalatra.

Job 24:15

Nahoana no mangina ny olona ratsy fanahy amin'ny atoandro?

Ny ratsy fanahy dia tsy miraharaha ny hazavana.

Amin'ny fampihorohorohan'ny inona no mampahazo aina ny ratsy fanahy ?

Izy ireo dia mahazo aina amin'ny fampihorohoroan'ny aizim-pito.

Job 24:18

Iza no levonin'ny Fiainan-tsy hita?

Ny Fiainan-tsy hita dia mandevona ireo izay nanota.

Job 24:20

Iza no harapaky ny ratsy fanahy?

Ny ratsy fanahy dia mandrapaka ny vehivavy momba izay tsy nitera.

Job 24:22

Iza no tarihin'Andriamanitra?

Andriamanitra dia mitarika ny olona mahery amin'ny alalan'ny heriny

Job 24:24

Inona no hahazo ireo olona mahery ao anatin'ny fotoana fohy?

Ao anatin'ny fotoana fohy ihany, dia ho lasa ireo olona mahery.

Job 25

Job 25:1

Aiza Andriamanitra no mandamina ?

Andriamanitra dia mandamina any amin'ny fitoerany avo any an-danitra.

Job 25:4

Iza no anontanian'i Bildada raha afaka ny hadio sy ho eken'Andriamanitra izy ireo?

Manontany izy raha afaka ny hadio sy ho eken'Andriamanitra izay natera-behivavy.

Amin'inona no ampitahan'i Bildada ny zanak'olombelona?

Milaza izy fa ny zanak'olombelona dia kankana.

Job 26

Job 26:1

Nihevitra i Joba fa i Bildada ihany no niteny ny teniny?

Tsia, Joba dia maniry ny hahafantatra izay nanampy an'i Bildada tamin'ny fitenenany ny teniny.

Job 26:5

Inona no tsy misy fanaronana eo anatrehan'Andriamanitra?

Ny faharavana mihintsy no tsy misy fanaronana hoherana an'Andriamanitra.

Job 26:7

Aiza no hanambaran'Andfriamanitra ny rano?

Manambatra ny rano ao amin'ny raho-mateviny Izy.

Job 26:9

Inona no ahelin'Andriamanitra eny amin'ny faritry ny volana?

Izy dia mamono ny faritry ny volana sy mampiely ny rahony amin'izany.

Job 26:11

Inona no nampitonian'Andriamanitra tamin'ny heriny?

Nampitony ny ranomasina tamin'ny heriny Izy.

Job 26:13

Tamin'ny inona no nanadiovan'Andriamanitra ny kotroky ny lanitra?

Tamin'ny alalan'ny fofonainy no nanadiovany ny kotroky ny lanitra.

Ampahafiriny amin'ny feon'Andriamanitra no rèntsika?

Mahare isika saingy bitsika malefaka ihany.

Job 27

Job 27:1

Inona no lazain'i Joba fa nesorin'Andriamanitra taminy?

Andriamanitra dia nanaisotra ny rariny ho azy.

Job 27:4

Inona no nivoadian'ny molotr'i Joba tsy ho lazaina?

Joba dia mivoady fa tsy hiteny fitaka mihitsy ny molony.

Job 27:6

Hafiriana no tsy handatsan'ny eritreritr'i Joba azy?

Ny eritreriny dia tsy handatsa azy raha mbola velona koa izy.

Job 27:8

Inona no lazain'i Joba fa ataon'Andriamanitra rehefa mandringana ny aoin'ny olona mpaniratsira Izy?

Rehefa mandringana ny ainy Andriamanitra, dia hanaisotra ny fanahiny Izy.

Job 27:11

Inon'ilay Tsitoha no lazain'i Joba fa tsy ho afeniny?

Joba dia nilaza fa tsy hanafina ny eritreritr'ilay Tsitoha izy.

Job 27:13

Inona no tsy ho ampy amin'ny taranaky ny olona ratsy fanahy?

Ny taranany dia tsy hanana sakafo ampy mihitsy.

Job 27:15

Inona no tsy ho ataon'ny vady navelan'ny olona ratsy fanahy azy?

Ny vady navelany dia tsy hitomany ho azy.

Inona no hahazo ny volafotsin'ny olona ratsy fanahy?

Ny tsy manan-tsiny dia hizara ny volafotsiny eo amin'izy ireo.

Job 27:18

Inona no hitan'ny olona ratsy rehefa manokatra ny masony aorian'ny fandriany amin'ny fananan-karena izy?

Manokatra ny masony izy, ary lasa avokoa ny zava-drehetra.

Job 27:20

Inona no ataon'ny rivotra avy any atsinanana raha mitondra ny olona ratsy fanahy izy?

Mitondra azy ny rivotra avy any atsinanana, ary mamafa azy tsy ho eo amin'ny toerany izany.

Job 27:22

Inona no ezahin'ny olona ratsy fanahy atao rehefa tsy mety mitsahatra ny rivotra avy any atsinanana?

Miezaka ny mitsoaka miala ny tanany izy.

Job 28

Job 28:1

Avy amin'ny inona no ampitsonihana ny varahina?

Ny varahina dia mitsonika miala avy amin'ny vato

Job 28:3

Inona no tadiavin'ny olona any amin'ny fetra lavitra indrindra?

Ny olona dia mitady, amin'ny fetra lavitra indrindra, ny vato any anaty aizina sy aizin-kitroka.

Aiza no hihadian'ny olona lavaka?

Mihady lavaka miala ny toerana honenan'ny olona izy

Job 28:5

Misy inona ny vovoky ny tany?

Ny vovoky ny tany dia misy volamena.

Job 28:7

Inona no tsy mandalo eo amin'ny lalana misy ny lavaky ny olona?

Ny bibidia matanjaka dia tsy nandia ny lalana tahaka izany, na liona masiaka ka nandalo teo

Job 28:9

Inona no hitan'ny olona amin'ny fantsona tapahiny eo amin'ny vatolampy?

Mahita ny zava-tsarobidy rehetra ao ny masony.

Job 28:12

Aiza no tsy hahitana ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina?

Ireo dia samy tsy hita any amin'ny tanin'ny velona.

Job 28:15

Inona no tsy azo ampitahaina amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina?

Ny volamena sy ny vato krystaly dia tsy azo ampitahaina amin'ireo ny lanjany.

Job 28:18

Mihoatra noho ny vidin'ny ruby ve ny vidim-pahendrena?

Ny vidin'ny fahendrena dia mihoatra noho ny ruby

Job 28:20

Miafina amin'ny mason'iza ny fahendrena?

Ny fahendrena dia miafina amin'ny mason'ny zava-manan'aina rehetra.

Job 28:23

Iza no mahalala ny toeran'ny fahendrena?

Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany ary fantany ny toeran'izany.

Inona no nofaritan'Andriamanitra araka ny refiny?

Namaritra ny rano araka ny refiny Izy.

Job 28:26

Ho an'ny inona no nanaovan'Andriamanitra didy?

Nanao didy ho an'ny orana Izy.

Inona no lazain'Andriamanitra amin'ny olona fa fahendrena?

Hoy Andriamanitra tamin'ny olona hoe: "Indro, ny fahatahorana ny Tompo—izany no fahendrena

Job 29

Job 29:1

Tsaroan'i Joba ve ny fotoana nikarakaran'Andriamanitra azy?

Tsaroan'i Joba fa tamin'ireny volana lasa, Andriamanitra dia nikarakara azy.

Job 29:4

Inona no tao an-dain'i Joba tamin'ny andron'ny fatoizan'ny androny?

Tsaroan'i Joba ny fatoizan'ny androny, fony tao an-dainy ny fisakaizan'Andriamanitra.

Inona no narotsaky ny vato ho an'i Joba tany aloha?

Fony niaraka tamin'i Joba Andriamanitra, dia nandrotsaka rian-diloilo ho azy ny vato.

Job 29:7

Ahoana no nanehoan'ireo tovolahy fanajana an'i Joba teo an-kianjan'ny tanàna?

Nahita an'i Joba izy ireo ary nijanona lavitra azy tamim-panajana.

Job 29:9

Inona no nataon'ireo andriandahy tany aloha rehefa tonga i Joba?

Nampitsahatra ny resany izy ireo rehefa tonga izy.

Inona no nahazo ny lelan'ireo olo-manan-kaja rehefa tonga i Joba?

Niraikitra tamin'ny lanilaniny ny lelan'izy ireo.

Job 29:11

Inona no nataon'ireo olo-manan-kaja taorian'ny nahitan'izy ireo an'i Joba?

Nijoro vavolombelona ho azy izy ireo ary nanaiky azy.

Inona no nampanaovin'i Joba ny fon'ireo mpitondratena?

Nampihira fifaliana ny fon'izy ireo izy.

Job 29:14

Inona no nataon'i Joba, eny na dia tamin'ny olona tsy fantany akory aza?

Nandinika ny ady izy na dia ny an'ny olona izay tsy fantany akory aza.

Job 29:17

Iza no nongotan'i Joba avy teo amin'ny nifin'ny tsy marina?

Nanongotra ny niharam-boina avy teo amin'ny nifin'ny tsy marina izy.

Job 29:20

Inona no lazain'i Joba fa vaovao lalandava eo an-tanany?

Ny tsipìkan'ny heriny dia vaovao lalandava eo an-tanany.

Job 29:23

Inona no nandrasan'ny olona ho sotroina toy ny orana avy amin'i Joba?

Nampisanasana ny vavany izy ireo mba hisotro ny teniny, tahaka izay hataon'izy ireo amin'ny fara-orana.

Job 29:25

Amin'inona no ampitahan'i Joba ny tenany amin'ny fandevenana?

Milaza izy fa izy dia toy ny mampionona ireo mpisaona amin'ny fandevenana.

Job 30

Job 30:1

Iza no tsy manana afa-tsy fanesoana ho an'i Joba?

Ireo izay tanora noho i Joba dia tsy manana na inona na inona afa-tsy fanesoana ho azy.

Inona no nampahia ny rain'ireo zatovo lahy?

Nahia nohon'ny fahantrana sy ny hanoanana izy ireo.

Job 30:4

Avy taiza no nandroahana ny rain'ireo zatovo lahy?

Ny rain'izy ireo dia noroahina avy teo amin'ireo vahoaka.

Job 30:7

Taranak'iza no hilazan'i Joba ny rain'ireo zatovo lahy?

Joba dia milaza fa izy ireo dia taranaky ny adala, eny tokoa, taranaky ny olona tsy manan-kaja.

Job 30:9

Lasa inon'ireo zanaky ny olona tsy mana-kaja i Joba?

Joba dia lasa lasa hira fanesoana ho an'ireo.

Inon'ireo olona no very eo anatrehan'i Joba?

Ireo olona ireo dia tsy nanana ny fahafehezan-tenany teo anatrehan'i Joba instony.

Job 30:12

Nahoana ireo lehilahy ireo no mahavita manosika ny loza ho eo amin'i Joba?

Manosika ny loza ho eo amin'i Joba izy ireo, satria tsy misy mahasakana azy ireo.

Job 30:14

Inona no lazain'i Joba fa notsofina toy ny entin'ny rivotra?

Ny voninahiny no notsofina toy ny entin'ny rivotra .

Job 30:16

Inona no nihazona an'i Joba raha nivoaka avy ao anatiny ny ainy?

Androm-pijaliana maro no nihazona azy.

Job 30:18

Inona no lazain'i Joba fa naka ny fitafiany?

Ny herin'Andriamanitra lehibe no naka ny fitafiany.

Job 30:20

Ahoana no lazain'i Joba ny amin'ny nanenjehan'Andriamanitra azy raha lasa lozabe izy?

Niova Andriamanitra ary lasa lozabe taminy; amin'ny herin'ny tanany no anenjehan'Andriamanitra azy.

Job 30:22

Inona no fantatr'i Joba fa voatokana ho an'ny zava-miaina rehetra?

Fantany fa hitondra azy ho amin'ny fahafatesana Andriamanitra, ho amin'ny trano izay voalahatra ho an'ny zava-manan'aina rehetra.

Job 30:24

Inona no tonga raha niandry fahazavana i Joba?

Raha niandry ny hazavana izy, dia ny aizina indray no tonga.

Job 30:27

Taiza no nijoroan'i Joba mba hiantsoana vonjy?

Nijoro teo amin'ny fiagonana izy ary niantso vonjy.

Job 30:30

Amin'ny karazan-kira toy ny inona no mampaneno ny lokangan'i Joba?

Joba dia milaza fa maneno ho an'ny hira fisaonana ny lokangany.

Job 31

Job 31:1

Inona no faniriana lazain'i Joba fa maharesy ny fanekena nataony tamin'ny masony?

Efa nanao fanekena ny tsy ny hijery ombam-pitsiriritana ny virijiny tamin'ny masony izy.

Job 31:3

Ho an'iza no noheverin'i Joba fa nanokanana ny loza?

Nieritreritra foana i Joba fa ny loza dia ho an'ny olona tsy marina.

Job 31:5

Inona no angatahin'i Joba mba ho atao mba hahalalan'Andriamanitra ny fahitsiany?

Nangataka ny mba ho lanjaina amin'ny mizana izy, mba hahalalan'Andriamanitra ny fahitsiany.

Job 31:7

Inona no angatahin'ny Joba mba hitranga amin'ny vokatra, raha miala amin'ny fomba tsara izy?

Milaza izy fa aoka ho fongorana amin'ny sahany ny vokatra.

Job 31:9

Inona no lazain'i Joba tokony ho fitsarana raha voasariky ny vehivavy hafa izy?

Joba dia milaza fa aoka ny vadiny hitoto vary ho an'ny lehilahy hafa.

Job 31:11

Karazan'afo toy ny inona no lazain'i Joba fa mitovy amin'ny heloka bevava?

Joba dia milaza fa izany dia afo izay mandevona ny zavatra rehetra ho an'ny Fianinan-tsy hita.

Job 31:13

Inona no naton'Andriamanitra na tamin'ireo mpanompo na tamin'i Joba?

Andriamanitra dia nanao sy namolavola azy rehetra tao am-bohoka.

Job 31:16

Ahoana no ilazan'i Joba ny nitondrany ireo kamboty tamin'ny andron'ny fahatanorany?

Ireo kamboty dia lazainy fa nihalehibe niaraka taminy toy ny niaraka tamin'ny ray.

Job 31:19

Inona no tokony omena mba hanafanana ny ory tsy manam-pitafiana?

Tokony nafanaina tamin'ny volon'ny ondriny izy ireo.

Job 31:22

Inona amin'ny faritry ny vatany no lazain'i Joba fa tokony hiala raha tsy nahazo famindram-po izy?

Joba dia milaza fa aoka ny sorony hianjera hiala amin'ny taolan-tsorony.

Job 31:24

Inona no vitan'ny olona nolazaina tamin'ny volamena madio?

Nahavita niteny tamin'ny volamena madio nanao hoe: "Ianao no tokiko" izy ireo.

Job 31:26

Iza no nolavin'i Joba raha nanompo ny masoandro na ny volana izy?

Raha nanompo ireo izy dia ho nandà an'Andriamanitra izay ao ambony izy.

Job 31:29

Ahoana no tsy nampahorian'i Joba ny vavany tamin'ny ota?

Joba dia tsy nampahory ny vavany tamin'ny alalan'ny fangatahana ozona ho an'ny ain'ireo izay mankahala azy.

Job 31:31

Inona no nataon'i Joba hatrany ho an'ny mpandeha lavitra?

Nanokatra ny varavarany ho an'ny mpandeha foana izy.

Job 31:33

Ahoana no lazain'i Joba fa hanafenan'ny olombelona ny fahotany?

Nanafina ny otany tamin'ny alalan'ny fanafenana ny helony tao anaty akanjo lavany izy.

Job 31:35

Inona no irin'i Joba mba hosoratan'ny mpanohitra azy?

Joba dia naniry ny fiampangana izay nosoratan'ny mpanohitra azy.

Ahoana no hiakaran'i Joba any amin'ny mpanohitra azy raha manana ny fiampangana azy ireo izy?

Hiakatra any amin'izy ireo tahaka ny andriandahy mahatoky izy.

Job 31:38

Raha nahatonga ireo tompon'ny tany hamoy ny ainy i Joba, inona no antsoiny mba haniry raha tokony ho ny vokatra?

Joba dia nilaza ny hamelàna ny tsilo haniry fa tsy vary ary tsimparifary fa tsy vary ordea.

Job 32

Job 32:1

Inona no nataon'ireo namany Joba anankitelo raha tsy naharesy dohika an'i Joba izay nanaovany zavatra tsy mety izy?

Nitsahatra tsy namaly an'i Joba izy ireo.

Inona no fihetsem-po nirehitra tao amin'i Eliho raha mbola nanohy ny fanamarinan-tena mihoatra an'Andriamanitra i Joba?

Nirehitra tamin'i Joba ny fahatezeran'i Eliho.

Job 32:3

Nahoana no nirehitra tamin'ireo naman'i Joba anakitelo ny fahatezeran'i Eliho?

Tezitra tamin'ireo naman'i Joba telo lahy izy satria tsy nahita teny havaly an'i Joba izy ireo, ary mbola nomelohin'izy ireo ihany i Joba.

Job 32:6

Nahoana i Eliho no menatra sy natahotra ny hilaza amin'i Joba sy ireo namany anankitelo izay noeritreretiny?

Eliho dia zandry ary ireo hafa dia efa tena zoky sy tokony hahavita hampianatra fahendrena.

Job 32:8

Iza no lazain'i Elifaza fa manome fahazavan-tsaina ny olona?

Ny fofonain'ilay Tsitoha no manome fahazavan-tsaina ny olona.

Nahoana i Eliho no milaza fa tokony hiaino sy hamela azy hanambara izay fantany ireo hafa?

Tsy izay olona lehibe ihany no hendry, ary tsy ireo olona nahazo taona ihany no mahatakatra ny rariny.

Job 32:11

Inona no zavatra tsy vitan'ireo naman'i Joba na dia niandry ny fitenenana'izy ireo sy nihaino tsara azy ireo aza i Eliho?

Ireo naman'i Joba dia tsy afaka nandresy lahatra an'i Joba na namaly ireo teniny.

Job 32:13

Iza no lazain'i Eliho ho tsy maintsy handresy lahatra an'i Joba rehefa tsy nahavita izany ireo namany anankitelo, izay nihevitra azy ireo ho hendry?

Andriamanitra no tsy maintsy handresy lahatra an'i Joba.

Job 32:15

Inona no fanapahan-kevitr'i Eliho ho atao satria tsy nahaloa-bava sy tsy nahavaly an'i Joba ireo namana anankitelo?

Eliho dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry intsony izy satria ireo namana dia tsy nanana teny maro ho lazaina.

Job 32:17

Inona no manery an'i Eliho hizara ny fahalalany amin'i Joba?

Ny fanahy no manery an'i Eliho hizara ny fahalalany.

Inona no lazain'i Eliho fa toa tsapany ao an-tratrany?

Milaza izy fa tsapany ho tahaka ny siny hoditra vaovao, izay efa hitriatra ny tratrany.

Job 32:20

Inona no lazain'i Eliho ho nataon'ny Mpahary azy ho atao raha milaza sy manome fiantsoana mihaja na amin'iza na amin'iza izy?

Eliho dia milaza fa haka azy tsy ho ela ny Mpahary azy.

Job 33

Job 33:1

Nahoana i Eliho no niangavy an'i Joba mba hiaino ny teny izay ho resahiny?

Niangavy an'i Joba mba hiaino ny teny izay ho resahiny i Eliho satria hiresaka ny fahitsian'ny fony izy.

Job 33:4

Iza no nanao an'i Eliho ary iza no nanome aina azy?

Ny Fanahin'Andriamanitra no nanao azy ary ilay Tsitoha no nanome aina azy.

Inona no nangatahin'i Eliho mba ho ataon'i Joba raha mba azony atao ny mamaly azy?

Mangataka an'i Joba mba handahatra ny teniny sy hitsangana eo anatrehany i Eliho.

Job 33:6

Inona no antony nomen'i Eliho an'i Joba ka mba tsy hatahorany na hahatsapany fanerena avy amin'i Eliho?

Eliho dia milaza fa mitovy ihany izay ireo eo imason'Andriamanitra ary samy namboarina avy tamin'ny tanimanga.

Job 33:8

Inona no rèn'i Eliho nolazain'i Joba?

Eliho dia nahare an'i Joba nilaza fa izy dia madio, tsy misy heloka, tsy manan-tsiny ary tsy misy ota ao aminy.

Job 33:10

Iza no melohin'i Joba ny amin'ny fitadiavana tombony amin'ny famelezana azy, sy ny fiheverana azy ho fahavalo?

Joba dia manameloka an'Andriamanitra ny amin'ny fanaovana ireo zavatra ireo.

Ahoana no ampitahan'i Eliho an'Andriamanitra amin'ny olona?

Eliho dia milaza fa Andriamanitra dia lehibe noho ny olona.

Job 33:13

Nahoana i Eliho no milaza fa tsy ilaina ny miady amin'Andriamanitra?

Andriamanitra dia tsy manisa na inona na inona amin'izay ataony.

Ahoana no ilazan'i Eliho fa Andriamanitra dia miresaka amin'ny olona?

Andriamanitra dia miresaka ao amin'ny nofy sy ao amin'ny fahitana mandritra ny alina rehefa matory ny olona.

Job 33:16

Nahoana Andriamanitra no manokatra ny sofin'ny olona sy mampitahotra azy ireo amin'ny horohoro?

Andriamanitra dia manao izany mba hisintonana ny olona hiala amin'ny tanjony feno fahotana, sy hanalavirana azy ny fieboeboana.

Job 33:19

Inona no lazain'i Eliho ho antony mampisy fanaintainana ny olona eo ambony fandrianany, fangirifiriana ao amin'ny taolany, ary tsy faniriana hanina na hanim-py?

Eliho dia milaza fa izany dia nohon'ny sazy mahazo ny olona.

Job 33:21

Inona no lazain'i Eliho fa hitranga amin'ny olona rehefa sazian'Andriamanitra ny olona iray?

Ny nofon'ny olona dia levona, ny taolany dia miraikitra ary ny fanahiny dia mizotra manakaiky ny lavaka.

Job 33:23

Inona no azon'ny anjely mpanelanelana iray lazaina amin'Andriamanitra mba hanavotana ny olona iray mba tsy hivarina any an-davaka?

Afaka milaza amin'Andriamanitra ilay anjely hoe: "efa nahita vidim-panavotana ho azy aho."

Job 33:25

Inona no hitranga amin'ny nofo'ny olona izay voavonjy tsy hivarina any an-davaka?

Ny nofony dia ho vaovao noho ny an'y zaza.

Job 33:27

Inona no hitranga amin'ny fiainan'ny olona iray izay manaiky ny helony sy voavoanjin'Andriamanitra tsy hivarina any an-davaka?

Izany olona izany dia hahita fahazavana hatrany.

Job 33:29

Nahoana i Eliho no milaza fa Andriamanitra dia mamonjy ny olona tsy ho amin'ny lavaka?

Andriamanitra dia manao izany mba ho hazavaina amin'ny fahazavan'ny fiainana ny olona iray.

Job 33:31

Inona no tian'i Eliho hampianarina an'i Joba raha hifantoka sy hihaino ary hangina i Joba?

Eliho dia maniry ny hampianatra fahendrena an'i Joba.

Job 34

Job 34:1

Iza no tian'i Eliho hihaino ny teniny sy hahare azy?

Eliho dia maniry ny olon-kendry sy ireo manana fahalalana mba hihaino azy.

Job 34:4

Inona no tian'i Eliho ho safidian'ireo olona hafa sy ho fantarin'izy ireo?

Eliho dia maniry azy ireo hisafidy izay marina sy hamantatra izay tsara.

Inona no lazain'i Joba fa nalain'Andriamanitra taminy na dia tsy nisy heloka sy ny ratra izay tsy azo sitranina azy izy?

Joba dia milaza fa Andriamanitra dia nanala ny zony.

Job 34:7

Amin'ny antokon'iza no lazain'i Eliho fa iarahan'Andriamanitra mandehandeha?

Izy dia milaza fa Andriamanitra dia miara-mandehandeha amin'ny antokon'ireoizay manao ratsy.

Job 34:10

Inona no lazain'i Eliho amin'ireo lehilahy ny amin'y fahazavan-tsaina izay tsy ataon'Andriamanitra?

Andriamanitra dia tsy manao ratsy, manota, na mamadika ny rariny.

Job 34:13

Inona no lazain'i Eliho fa hiseho raha mamerina manambatra ny fanahiny sy ny ainy aminy indray Andriamanitra?

Ny nofo rehetra dia hanjavona ary ny olombelona rehetra dia hody ho vovoka indray.

Job 34:16

Iza no tian'i Eliho ho lazaina fa melohin'i Joba?

Izy dia milaza ankolaka fa i Joba dia manameloka an'Andriamanitra izay marina sy mahery.

Job 34:18

Iza no lazain'i Eliho fa asan'ny tanan'Andriamanitra?

Ireo mpitarika, ny mpanan-karena sy ny mahantra, dia samy asan'ny tanan'Andriamanitra avokoa.

Job 34:21

Inona no lazain'i Eliho fa hitan'Andriamanitra?

Eliho dia milaza fa Andriamanitra dia mahita ny lalan'ny olona sy ireo dingana ataony rehetra.

Job 34:24

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ireo olona mahery amin'ny alina izay fanatany lalana sy fanatany toetra?

Andriamanitra dia mandrava ireo olona ireo amin'ny alina ary dia ringana izy ireo.

Job 34:26

Inona no ho ataon'Andriamanitra amin'ireo asa ratsy toy ny heloka be vava sy fampitomanina ny mahantra mba ho avy eo aminy?

Andriamanitra dia hamono azy ireo eo imason'ny hafa.

Job 34:29

Eo amin'iza no hanapahan'Andriamanitra?

Andriamanitra dia manapaka eo amin'ny firenena sy ny tsirairay.

Job 34:31

Inona no tolo-kevitr'i Eliho ny amin'ny tokony ekeny amin'Andriamanitra?

Eliho dia manome soso-kevitra fa i Joba dia tokony manaiky fa meloka izy ary efa nanota, ary tsy hanao izany intsony.

Job 34:34

Inona no holazain'ireo olon'ny fahazavan-tsaina mahakasika an'i Joba?

Izy ireo dia hilaza fa i Joba dia miresaka tsy amim-pahalalana sy tsy amim-pahendrena.

Job 34:36

Inona no lazain'i Eliho fa anampian'i Joba ny fahotany nohon'ny firesahana toy ny olona ratsy fanahy?

Izy dia milaza fa i Joba dia manampy fikomiana ny fahotany.

Job 35

Job 35:1

Ahoana no tian'i Eliho lazaina an-kolaka ny amin'ny fampitahan'i Joba ny tenany amin'Andriamanitra?

Eliho dia milaza an-kolaka fa i Joba dia mihevitra azy ho tsy manan-tsiny, sy mihevitra azy ho marina noho ny Tompo.

Job 35:4

Inona no asain'i Eliho andrandraina sy jeren'i Joba sy ireo namany?

Eliho dia maniraka azy ireo hiandrandra sy hijery ny lanitra.

Job 35:6

Inona no mety ho vokatry ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinan'i Joba amin'ny olon-kafa?

Ny faharatsian'i Joba dia mety handratra olona ary ny tsy fahamarinany dia mety hahasoa ny zanaky ny hafa.

Job 35:9

Nahoana ny olona no mila vonjy amin'ny sandrin'ireo olona mahery?

Mila vonjy nohon'ny asa fampahoriana maro izy ireo.

Inona no zavatra lazain'i Eliho fa azon'Andriamanitra atao amin'ny olona na dia tsy mahatsapa izany aza izy ireo?

Andriamanitra dia manome hira amin'ny alina, mampianatra antsika, ary mampahendry antsika.

Job 35:12

Nahoana i Eliho no milaza fa Andriamanitra dia tsy mamaly rehefa mila vonjy aminy ny olona?

Eliho dia milaza fa, nohon'ny fieboebon'ny olon-dratsy, Andriamanitra dia tsy mamaly rehefa mila vony ny olona.

Inona no zavatra tsy ho henonAndriamanitra tokoa?

Izy dia tsy hahare ny fitarainan'ny adala tokoa.

Job 35:15

Inona no anamelohan'i Eliho an'i Joba rehefa manokatra ny vavany izy?

Izy dia milaza fa i Joba dia manokatra ny vavany mba hiteny fahadalana sy manangona teny tsy amim-pahalalana.

Job 36

Job 36:1

Amin'iza no eken'i Eliho fa misy ny fahamarinana?

Eliho dia miaiky fa ny fahamarinana dia an'ilay Mpahary.

Job 36:6

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ireo izay mijaly?

Izy dia manao ny rariny amin'ireo izay mijaly.

Inona no ataon'Andriamankira amin'ireo marina?

Izy dia mametraka azy ireo mandrakizay amin'ny seza fiandrianana toy ny mpanjaka, ary dia misandratra izy ireo.

Job 36:8

Inona no ampahafantarin'Andriamanitra an'ireo izay voanafatotra amin'ny rojo sy voafandriky ny tadin'ny fijaliana?

Izy dia mampahafantatra azy ireo izay nataony, helony ary ny fieboebon'izy ireo.

Job 36:10

Inona no hitranga raha mihaino sy manompo an'Andriamanitra izy ireo?

Izy ireo dia handany ny andron'izy ireo amin'ny fanambinana, sy ny taonan'izy ireo amin'ny fifaliana.

Inona no hitranga amin'ireo olona izay tsy mihaino an'Andriamanitra?

Izy ireo dia ho vonoina amin-tsabatra ary ho faty izy ireo satria tsy manam-pahalalana.

Job 36:13

Inonano hitranga amin'ireo olona mpaniratsira izay mitahiry fahatezerana sy tsy mila vonjy amin'Anriamanitra?

Ho faty eo amin'ny fahatanorany izy ireo ary ny ain'izy ireo dia ho tapitra ao anaty fahafaham-baraka.

Job 36:15

Ahoana no hilazan'i Eliho ny fampiasan'Andriamanitra fampahoriana sy fampijaliana?

Andriamanitra dia mampiasa fampahoriana mba hanavotana ireo nampahoriana ary mampiasa fampijaliana mba hanokafana ny sofin'izy ireo.

Inona no lazain'i Eliho fa tian'Andriamanitra ho atao amin'i Joba?

Andriamanitra dia te-hanala an'i Joba tsy ho amin'ny fahoriany ho any amin'ny toerana malalaka izay tsy misy zava-tsarotra.

Job 36:17

Inona no nameno an'i Joba?

Izy dia feno fitsaràna ny olona ratsy fanahy.

Inona no zavatra mety hitondra an'i Joba ho amin'ny fahadisoam-panantenana sy amin'ny fihodinana amin'ny rariny?

Ny harena no mety hitondra an'i Joba ho amin'ny fahadisoam-panantenana ary ny kolikoly no hanodina azy tsy ho amin'ny fahamarinana.

Job 36:19

Inona no zavatra tsy hahavonjy an'i Joba amin'ny fahoriany?

Ny haren'i Joba sy ny herin'ny tanjany dia tsy hanampy azy amin'ny fahoriany.

Nahoana i Eliho no milaza fa i Joba dia sedraina amin'ny alalan'ny fijaliana?

Joba dia sedraina amin'ny alalan'ny fijaliana mba hipetrahany lavitra ny fahotana.

Job 36:22

Inona no tsy azon'iza n'iza lazaina mahakasika an'Andriamanitra?

Tsy misy afaka milaza fa Andriamanitra dia nanao fahadisoana.

Job 36:25

Inona mahakasika an'Andriamanitra no tsy azontsika isaina?

Tsy azontsika isaina ny isan'ny taonany.

Job 36:27

Ahoana no handatsahan'Andriamanitra ny orana?

Manala ireo rano mitete izay mitsiaka ho orana avy amin'ny entony Izy, izay arotsaky ny rahona sy atondrany amin'ny olombelona.

Job 36:30

Nahoana i Eliho no milaza fa Andriamanitra dia manaparitaka tselatra sy mandrakotra ny ranomasina amin'ny aizina?

Izy dia manaparitaka ny tselany manodidina Azy ary mandrakotra ny ranomasina amin'ny aizina mba hamahanana sy hanomezana sakafo maro ho an'ny olona.

Job 36:32

Inona no lazain'ny olona sy ny biby fiompy ny amin'ny fihavin'ny tafio-drivotra?

Ny fitabataban'ny tselatra mamely izay kendreny dia manambara amin'ny olona sy ny biby fiompy ny fihavian'ny tafio-drivotra.

Job 37

Job 37:1

Inona no mampihorohoro ny fon'i Eliho?

Ny fikotaban'ny feon'Andriamanitra sy ny feo avy aminny vavany no mahatonga ny fon'i Eliho hihorohoro.

Job 37:4

Inona no asain'Andriamanitra ataon'ny oram-panala sy orana?

Izy dia maniraka ny oram-panala mba hilatsaka amin'ny tany, ary ny orana ho lasa orambe mivatravatra.

Job 37:7

Nahoana Andriamanitra no mampitsahatra ny tanan'ny lehilahy tsirairay amin'ny asany?

Mampitsahatra azy ireo Andriamanitra mba hahitan'ny olona rehetra ny asany.

Nohon'ny antony inona no hidiran'ny bibi-dia any amin'ny fiafenany sy hamitsahany ao an-johiny?

Miafina sy mamitsaka ao an-johiny izy ireo nohon'ny tafio-drivotra izay avy.

Job 37:10

Inona no omen'ny fofonain'Andriamanitra?

Amin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra no mampisy ny ranamandry.

Job 37:12

Antony inona no hanamezan'Andriamanitra fitarihana ny rahona sy mahatatonga azy ireo manao izay handidiany ho atao?

Mampisy izany mba ho fanitsiana indraindray, indraindray ho an'ny taniny, ary indraindray ho ny asan'ny fanekena mahatoky.

Job 37:14

Mahakasika ny inona no tian'i Eliho hijanonan'i Joba ka ho saintsaininy?

Maniry ny hijanonan'i Joba ka hisaintsaina ny momba ireo asa mahagagan'Andriamanitra izy.

Inona no mitranga rehefa manery ny sitrpony amin'ny rahona Andriamanitra?

Andriamanitra dia mampitselatra ny tsela-pahazavana amin'ny rahona.

Job 37:18

Sary inona no ampiasain'i Eliho mba hanoritsoritana ny habakabaka?

Izy dia milaza fa ny habakabaka dia mafy toy ny fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika.

Nahoana i Eliho no milaza fa izy sy ireo hafa dia tsy mahavita manadahatra ny tohan-kevitr'izy ireo eo anatrehan'Andriamanitra?

Tsy mahavita mandahatra ireo tohan-keviny nohon'ny fahamaizinan'ny fisainany izy ireo.

Job 37:21

Inona no tsy azon'ny olona jerena rehefa madio ny lanitra?

Ny olona dia tsy afaka mijery ny masoandro rehefa mamiratra eny amin'ny habakabaka izany.

Job 37:23

Inona no lazain'i Eliho fa tsy ataon'ilay Tsitoha amin'ny olona?

Ilay Tsitoha dia tsy mampahory ny olona.

Iza no lazain'i Eliho fa tsy henoin'ilay Tsitoha?

Ilay Tsitoha dia tsy mihaino ireo izay mihevi-tena ho hendry.

Job 38

Job 38:1

Avy ao amin'ny inona no niresahan'Andriamanitra tamin'i Joba?

Yaveh dia niresaka tamin'i Joba avy tao amin'ny tafi-drivotra mahery.

Tamin'ny fomba inona no nitondran'ny olona fahamaizinana tamin'ny fikasan'i Yaveh?

Joba dia nitondra fahamaizinana tamin'ny fikasan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny teny tsy misy fahalalana.

Inona no asain'Yaveh tsy maintsy ataon'i Joba rehefa manontany azy i Izy?

Joba dia tsy maintsy mampisikina ny valahany tahaka ny lehilahy ary mamaly ny fanontanian'i Yaveh.

Job 38:6

Inona no nniara-nihira ary iza no nihiaka fifaliana rehefa nametraka ny vato fehizoro tamin'ny tany Andriamanitra?

Niara-nihira ny kintan'ny maraina ary nihiaka fifaliana ireo zanak'Andriamanitra rehetra rehefa voapetraka ny vato fehizoro.

Job 38:8

Amin'ny inona no ampitahan'i Yaveh ny fivakisan'ny ranomasina aorian'ny fanakatonana izany amin'ny varavarana?

Andriamanitra dia mampitaha ny fivakisan'ny ranomasina amin'ny varavarana amin'ny fivoahana avy ao an-kibo.

Job 38:10

Inona no napetrak'i Yaveh mba hanamarihana ny faritry ny ranomasina mba ho tonga hatreo ihany izy fa tsy hihoatra izany?

Yaveh dia nanisy hidy sy varavarana mba hanaovana faritra ho an'ny ranomasina.

Job 38:14

Ahoana no mampiova ny endriky ny tany toy ny tanimanga ambanin'ny tombo-kase?

Ny fahazavan'ny mangiran-dratsy dia manova ny tany mba hazava tsara toy ny fivalon'ny lamba avokoa ny zavatra rehetra eo aminy.

Job 38:19

Inona no lazain'i Yaveh mba hanesona an'i Joba ny amin'ny tsy fanany fahalalany momba ny hankanesana any amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana sy ny aizina?

Yaveh dia maneso an'i Joba amin'ny alalan'ny filazana fa tsy misy hisalasalana ny tokony hahalalan'i Joba izany satria maro ny isan'ny andron'i Joba.

Job 38:22

Noho ny antony inona no hilazan'i Yaveh fa efa nitandrina ireo trano fitehirizana ho an'ny oram-panal sy ny havandra Izy?

Yaveh dia nitandrina ireo trano fitehirizana ireo ho an'ny fotoam-pahoriana sy ho an'ny andron'ny ady.

Job 38:25

Nahoana i Yaveh no mampilatsaka ny orana any an'efitra izay ty mosy olona?

Mampilatsaka ny orana Izy mba hahitan'ny momba sy ireo faritra mitoka-monina izay ilainy sy ary mba hampitsimoka ny ahi-maitso.

Job 38:31

Inona no anontanian'i Yaveh an'i Joba raha vitany atao amin'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy?

Manontany Izy raha mahavita mamehy rojo ny Ikotokelimiadilaona na mamaha ny tadin'ny Telonohorefy i Joba.

Job 38:36

Inona no mitranga amin'ny vovoka sy ny baingan-tany rehefa mandraraka rano amin'izy ireo Andriamanitra?

Mitambatra ho fotaka lehibe ny vovoka ary miraikitra ireo bainga-tany.

Job 38:39

Aiza no hiandrasan'ireo zanaka liona tanora ny sakafony?

Mamitsaka ao amin'ny fitoerany sy manotrika ao amin'ny kirihitra izy ireo.

Job 38:41

Nahoana ireo zana-goiaka no mivembena?

Mivembena nohon'ny tsy fahampian-tsakafo izy ireo.

Job 39

Job 39:3

Inona no mitranga amin'ireo zana-diera aorian'ny fitombon'izy ireo any amin'ny saha lehibe?

Mivoaka izy ireo ary tsy miverina intsony.

Job 39:5

Aiza no nanovan'i Yaveh ny tranom-boriky?

Nanao ny fonenany tany Araba Izy, ary ny tranony any amin'ny tany sira

Job 39:7

Aiza no hahitan'ny ampondra-dia sakafo?

Mirenireny eny an-tendrombohitra izay fitadiavany ahi-maitso hohanina izy.

Job 39:9

Inona no asain'i Yaveh ataon'i Joba amin'ny ombi-dia miaraka amin'ny tady?

Manontany an'i Joba Izy raha mahavita mampamadika bainga ny ombi-dia, na mampandravona lohasaha ho azy izy.

Job 39:13

Inona no akopakopaky ny ostritsa am-pireharehana?

Ny elatry ny ostritsa no mikopakopaka am-pireharehana.

Inona no ataon'ny ostritsa amin'ireo atodiny?

Mandao ireo atodiny eny amin'ny tany izy, ary avelany hafana ao amin'ny vovoka izany.

Job 39:16

Nahoana ny ostritsa no tsy matahotra ny asany ho very maina?

Yaveh dia efa nanala ny fahendreny ary tsy nanome fahalalana azy.

Inona no lazain'i Yaveh fa ataon'ny ostritsa rehefa mihazakazaka?

Miomehy am-panesoana ny soavaly sy ny mpitaingina azy izy.

Job 39:19

Inona mampitafy ny vozon'ny soavaly?

Ny volo mihofahofa no mampiakanajo ny vozony.

Job 39:21

Ahoana no fihetsiky ny soavaly manoloana ny sabatra?

Tsy mihemotra amin'ny sabatra izy.

Job 39:24

Inona no tsy vitan'ny soavaly rehefa maneno ny anjomara?

Tsy mahavita mijanona toerana iray izy.

Job 39:27

Aiza no hanaovan'ny voromahery ny akaniny sy ny fonenany?

Manamboatra ny akaniny amin'ny toerana avo izy, ary ny fonenany eo amin'ny tendron'ny harambato.

Job 40

Job 40:3

Ahoana no nataon'i Joba mba hanehoana fa izy dia tsy misy dikany raha hamaly an'i Yaveh?

Nametraka ny tanany teo amin'ny vavany izy.

Job 40:6

Avy amin'ny inona no hamalian'i Yaveh an'i Joba?

Yaveh dia mamaly azy avy ao amin'ny tafio-drivotra

Inona nasain'i Yaveh homanin'i Joba mba hamaliany Azy?

Nasainy nampisikina ny valahany tahaka ny lehilahy izy.

Job 40:8

Nahoana i Yaveh no nilaza fa i Joba dia nanameloka Azy?

Izy dia nilaza fa nanameloka Azy i Joba mba hiheverany fa marina izy.

Job 40:10

Tamin'ny inona no nihantsian'i Yaveh an'i Joba mba hampitafiany ny tenany?

Izy dia mihantsy an'i Joba mba hampitafy ny tenany amin'ny voninahitra, fahamendrehana, haja, ary fahalehibeazana.

Job 40:12

Inona no asain'i Yaveh ataon'i Joba amin'ireo olona ratsy fanahy?

Yaveh dia maniraka an'i Joba mba hanitsakitsaka azy ireo eo amin'izay hitsanganany.

Job 40:15

Inona no hohanin'ny behemota?

Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.

Job 40:17

Tahaka ny inona ny rambon'ny benemota?

Tahaka ny sedera ny rambony.

Job 40:19

Iza no maharesy ny benemota?

Andriamanitra irery ihany no maharesy ny benemota.

Aiza no hipetrahan'ny benemota?

Mipetraka ao ambanin'ny voahirana, ao anaty volotara izy.

Job 40:22

Inona no eritreritry ny benemota rehafa tondraka ny renirano ary misamboaravara i Joradana?

Izy dia tsy mangovitra sy mahatoky.

Job 41

Job 41:1

Amin'ny inona no nanontanian'i Yaveh an'i Joba raha hahavitany misintona ny leviatana?

Yaveh dia manontany an'i Joba raha mahavitra misintona leviatana amin'ny fintana izy.

Job 41:4

Inona no anontanian'i Yaveh an'i Joba ho ataon'ireo mpanarato amin'ilay leviatana ireo mpanarato?

Izy dia manontany an'i Joba raha hiady varotra ilay leviatana ireo mpanarato na hifampizara izany mba ho amidy.

Job 41:7

Inona no hiseho raha misy olona mametraka ny tanany eo amin'ny leviatana?

Raha misy mametraka ny tanany eo amin'ny leviatana indray mandeha, dia ho tsaroany ny ady ary tsy hamerina izany intsony izy.

Job 41:10

Satria tsy misy olona feno fahatezerana ka sahy hihantsy leviatana, moa ve misy misy afaka mijoro eo anatrehan'i Yaveh?

Tsy misy olona feno hatezerana ka sahy hihantsy Leviatana, koa tsy misy afaka mitsangana anatrehako noho izany.

Job 41:13

Akory ny hamaron'ny fanoritsoritan'Andriamanitra ny vavan'ny leviatana?

Izy dia milaza fa izany no varavaran'ny tavany izay voahodidin'ireo nifiny, izay horohoro.

Job 41:16

Ahoana elanelan'ny kirany ao an-damosin'ny leviatana?

Ny iray dia tena mifanakaiky amin'ny iray hafa hany ka tsy misy rivotra afaka miditra eo anelanelan'ireo.

Ahoana no hanoritsoritan'i Yaveh ny mason'ny leviatana?

Ny masony dia tahaka ny hodimason'ny vao mangiran-dratsy.

Job 41:19

Inona no mivoaka avy ao anaty vavan'ny leviatana?

Misy fanilo mirehitra no mivoaka ny vavany, ary miparitaka ny pitik'afo.

Tahaka ny inona ny setroka avy amin'ny vavorin'ny leviatana?

Izany dia toy ny zavatra mangotraka ao anaty vilany eo ambony afo izay nokopahana ho tena mahamay.

Job 41:22

Tahaka ny inona ny fon'ny leviatana?

Ny fony dia mafy toy ny fikosoham-bary.

Job 41:25

Inona no ataon'ireo andriamanitra rehefa manandratra ny tenany ny leviatana?

Lasa matahotra izy ireo ary mihemotra.

Inona ny miseho raha mamely ny leviatana ny sabatra, ny lefona, na rehefa fitaovam-piadiana maranitra?

Tsy misy dikany amin'y ireo.

Inona no hiheveran'ny leviatana ny vy sy ny varahina?

Mihevitra ny vy ho toy ny mololo izy ary, ny varahina ho toy ny hazo lò.

Job 41:28

Dian-kitsaka tahaka ny inona no avelan'ny leviatana?

Mamela dian-kitsaka eo amin'ny fotaka tahaka ny kodiaram-by fikosoham-bary izy.

Job 41:31

Inona no ampanaoviny ny lalina?

Ataony mamory toy ny rano mangotraka ao anaty vilany ny lalina.

Job 41:33

Nahoana ny leviatana no tsy manam-paharoa eto ambony tany?

Noforonina mba hiaina tsy misy tahotra izy.

Job 42

Job 42:1

Inona no neken'i Joba fa noteneniny?

Niteny ny zavatra izay tsy fantany izy, zavatra izay sarotra aminy ny hahatakatra azy, izay tsy fantany akory ny mombamomba azy.

Job 42:4

Ahoana no namalian'i Joba an'i Yaveh taorian'ny nahitan'ny masony Azy?

Nanamavo ny tenany i Joba ary nihosina tamin'ny vovoka sy lavenona.

Job 42:7

Inona no zavatra ratsy nolazain'i Yaveh fa nataon'i Elifaza sy ireo namany?

Tsy niteny zava-marina mahakasika an'i Yaveh toy ny nataon'i Joba izy ireo.

Inona no nasain'i Yaveh nomen'i Elifaza mba ho fanatitra?

Niteny azy mba haka omby lahy fito sy ondry lahy fito ho an'ny tenan'izy ireo ho fanatitra dorana Izy.

Vavak'iza no lazain'i Yaveh fa ho ekeny?

Yaveh dia nilaza fa Izy dia hanaiky ny vavak'i Joba.

Job 42:10

Inona no niseho taorian'ny nivavahan'i Joba ho an'ireo namany?

Namerina ny hareny tamin'ny laoniny i Yaveh, ary nanome azy avo roa heny mihoatra izay nananany teo aloha.

Job 42:12

Ahoana no nitahian'i Yaveh an'i Joba tamin'ny faran'ny fiainany?

Nitahy an'i Joba mihoatra noho ny tamin'ny fiainany tany aloha i Yaveh.

Zanaka lahy sy zanaka vavy firy no nomen'i Yaveh azy?

Nanana zanaka lahy fito sy zanaka vavy telo izy.

Job 42:15

Inona no tsy nanam-paharoa mahakasika ny zanaka vavin'i Joba?

Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanaka vavin'i Joba teo an-tanana, ary nanome lova maro azy ireo niaraka tamin'ny anadihin'izy ireo i Joba.