Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Jude 1

Jude 1:1

Mpanompon'iza i Joda?

Mpanompon'i Jesosy Kristy i Joda.

Iza no rahalahin'i Joda?

Jakoba no rahalahin'i Joda.

Iza no nanoratan'i Joda?

Nanoratra ho an'ireo izay voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray, ary notehirizina ho an'i Jesosy Kristy izy.

Inona no tian'i Joda hitombo tamin'ireo izay nanoratany?

Tian'i Joda mba hitombo ny famindram-po, fiadanana, ary ny fitiavana.

Jude 1:3

Momba ny inona no tian'i Joda ho soratana voalohany?

Te hanoratra momba ny famonjena hiraisan'izy ireo aloha i Joda.

Inona no tena nosoratan'i Joda?

Momba ny tokony hiadina ho an'ny finoan'ireo olomasina no tena no nosoratan'i Joda.

Ahoana no nahatongavan'ireo voaheloka sy olona tsy araka an'Andriamanitra sasantsasany?

Tonga an-tsokosoko ireo voaheloka sy olona tsy araka an'Andriamanitra sasantsasany

Inona no nataon'ireo voaheloka sy olona tsy araka an'Andriamanitra sasantsasany?

Nanova ny fahasoavan'Andriamanittra ho fahavetavetana izy ireo ary nandà an'i Jesosy Kristy.

Jude 1:5

Avy taiza no namonjen'ny Tompo ny olona?

Novonjen'ny Tompo avy tao amin'ny tany Egypta izy ireo.

Inona no nataon'ny Tompo tamin'ireo olona izay tsy nino?

Noringanin'Andriamanitra ireo olona tsy nino ireo.

Inona no nataon'ny Tompo tamin'ireo anjely izay niala tamin'ny toeran'izy ireo manokana?

Nofatoran'Andriamanitra tamin'ny gadra vy tao amin'ny haizina ho amin'ny fitsarana izy ireo.

Jude 1:7

Inona no nataon'i Sodoma, Gomora, ary ireo tanàna manodidina azy ireo?

Nijangajanga izy ireo ary nanaraka filàna tsy araka ny voajanahary.

Tahaka an'i Sodoma, Gomora sy ireo tanàna manodidina azy, inona no nataon'ireo olo-meloka sy tsy araka an'Andriamanitra?

Nandoto ny tenan'izy ireo tamin'ny nofin'izy ireo, nandà ny fahefana, ary niteny zava-dratsy izy ireo.

Jude 1:9

Inona no nolazain'i Mikaela arkanjely tamin'ilay devoly?

Hoy i Mikaela arkanjely hoe: "Ny Tompo anie hananatra anareo."

Jude 1:12

Iza no hiahian'ireo olo-meloka sy tsy araka an'Andriamanitra tsy am-pahamenarana?

Niahy ny tenan'izy ireo tsy am-pahamenarana akory izy ireo.

Jude 1:14

Eo amin'ny toerana fahafiry eo amin'ny firazananan'i Adama i Enoka?

I Enoka no fahafito teo amin'ny firazanan'i Adama.

Amin'iza no hampiharan'ny Tompo ny fitsarana?

Amin'ny olona rehetra no hampiharan'ny Tompo ny fitsarana.

Iza ireo olona tsy araka an'Andriamanitra izay ho voaheloka?

Ireo mpimonomonona, sy mpimenomenona, ireo izay manaraka ny filan-dratsin'izy ireo, ireo mpieboebo fatratra, ireo izay mandoka ho an'ny tombontsoan'izy ireo manokana no olona tsy araka an'Andriamanitra izay ho voaheloka.

Jude 1:17

Iza no nanambara ny teny momba ireo mpaniratsira tany aloha?

Ireo Apostolin'i Jesosy Kristy Tompo no miteny momba ireo mpaniratsira tany aloha.

Inona no marina momba ireo mpaniratsira izay manaraka ny filàn-dratsin'izy ireo izay tsy araka an'Andriamanitra, ka mahatonga fizarazarana izay vetaveta?

Tsy manana ny Fanahy Masina izy ireo.

Jude 1:20

Ahoana no hanorenan'ireo malala ny tenan'izy ireo sy hivavahan'izy ireo?

Nanorina ny tenan'izy ireo tamin'ny finoan'izy ireo masina indrindra ireo malala ary nivavaka tao amin'ny Fanahy Masina.

Inona no tokony hampitoeran'ireo malala ny tenan'izy ireo sy tadiavin'izy ireo?

Tokony hampitoetra ny tenan'izy ireo ary hitady ny fitiavan'Andriamanitra, sy ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompo ireo malala.

Jude 1:22

Iza no tokony hananan'ireo malala famindram-po sy vonjen'izy ireo?

Tokony hamindra fo sy hamonjy an'ireo izay misalasala na manana fitafy voapentipetin'ny nofo, sy ireo ao amin'ny afo ireo malala.

Jude 1:24

Inona no afaka nataon'Andriamanitra Mpamonjin'izy ireo tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompon'izy ireo?

Afaka miaro azy ireo tsy ho tafintohina Andriamanitra ary mametraka azy ireo tsy misy tsiny eo amin'ny fanatrehan'ny voninahiny.

Oviana Andriamanitra no nanana voninahitra?

Efa nanana voninahitra talohan'ny fotoana rehetra, ankehitriny, ary mandrakizay doria Andriamanitra.