Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Philippians 1

Philippians 1:1

Ho an'iza no nanoratan'i Paoly an'ity taratasy ity?

Paoly dia manoratra ity taratasy ity ho an'ny olona rehetra izay voatokana ho an'i Kristy Jesosy any Filipy, isan'izany ireo mpiandraikitra sy diakona.

Philippians 1:3

Nohon'ny inona no nisaoran'i Paoly an' Andriamanitra ny amin'ireo Filipiana?

Paoly dia nisaotra an'Andriamanitra ny amin'ny fiombonan'ireo Filipiana amin'ny filazantsara nanomboka tamin'ny andro voalohany ka hatramin'izao.

Inona no nahatokisan'i Paoly momban'ireo Filipiana?

Paoly dia nahatoky fa izay nanomboka asa tsara tamin'izy ireo dia hahatanteraka izany.

Philippians 1:7

Tamin'ny inona no naha-mpiara-miasa an'ireo Filipiana tamin'i Paoly?

Tamin'ny figadran'i Paoly, sy tamin'ny fiarovany ary fanamafisany ny filazantsara, dia mpiara-miasa taminy ireo Filipiana.

Philippians 1:9

Inona no nivavahan'i Paoly mba hitombo bebe kokoa eo amin'ireo Filipiana?

Paoly dia nivavaka mba hitombo bebe kokoa eo amin'ireo Filipiana ny fitiavana.

Amin'ny inona no irian'i Paoly mba hahafeno ireo Filipiana?

Paoly dia maniry mba ho feno ny vokatry ny fahamarinana ireo Filipiana.

Philippians 1:12

Ahoana no nanampandrosoan'ny figadran'i Paoly ny filazantsara?

Lasa niely be ny figadran'i Paoly ho an'i Kristy, ary ny ankamaroan'ireo rahalahy dia lasa miteny am-pahasahiana bebe kokoa ankehitriny.

Philippians 1:15

Nahoana ny sasany no mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tena sy amin'ny antony feno fiatsarambelatsihy?

Ny sasany dia mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tena sy antony feno fiatsaram-belatsihy satria mieritreritra fa hanampy ny fahorian'i Paoly any am-ponja izy ireo.

Philippians 1:18

Inona no fihetsika nasetrin'i Paoly tamin'ny fitoriana marina sy amin'ny fihatsaram-belatsihy an'i Kristy?

Nifaly Paoly fa na tamin'ny fomba inona na inona, dia notoriana Kristy.

Philippians 1:20

Inona no irian'i Paoly atao eo amin'ny fiainana na amin'ny fahafatesana?

Paoly dia naniry ny hitondra voninahitra ho an'i Kristy na amin'ny fiainana na amin'ny fahafatesana.

Paoly dia nilaza hoe maninona ny fahavelomana ary maninona ny fahafatesana?

Paoly dia nilaza fa Kristy no anton'ny ahavelomany ary ny fahafatesana no hahazoany tombony.

Philippians 1:22

Inona no safidy nisarika an'i Paoly ho amin'ny tari-dalana samihafa?

Paoly dia voasarik'ireo safidy amin'ny fiarahana amin'i Kristy amin'ny fahafatesana, na fitoerana ao amin'ny nofo mba hanohizana ny asany.

Philippians 1:25

Paoly dia nahatoky fa hitoetra miaraka amin'ireo Filipiana ho amin'ny tanjona inona?

Paoly dia natoky fa hitoetra miaraka amin'ireo Filipiana ho an'ny fandrosoan'izy ireo sy fifaliana ao amin'ny finoana.

Na miaraka amin'ireo Filipiana na lavitra azy ireo, dia inona no tian'i Paoly ho re momba ireo Filipiana?

Paoly dia te-hendre fa ireo Filipiana dia mijoro mafy amin'ny fanahy iray, amin'ny saina iray miara-miezaka ho an'ny finoana ny filazantsara.

Philippians 1:28

Tamin'ireo Filipiana tsy natahotra ireo nanohitra azy ireo, dia mariky ny inona?

Tamin'ireo Filipiana tsy natahotra, dia mariky ny fahapotehan'ireo fahavalon'izy ireo ireo izany, fa kosa mariky ny famonjena azy ireo.

Inona ireo zavatra roa izay nomena an'ireo Filipiana avy tamin'Andriamanitra?

Nomena an'ireo Filipiana ny finoana an'i Kristy, ary koa mba hijaly ho Azy izy ireo.

Philippians 2

Philippians 2:1

Inona no lazain'i Paoly fa tsy maintsy ataon'ireo Filipiana mba hameno ny hafaliany?

Ireo Filipiana dia tsy maintsy amin'ny fisainana mitovy, manana fitiavana mitovy, ary amin'ny firaisaina am-panahy sy fisainana.

Philippians 2:3

Ahoana no tokony hifampiankinan'ireo Filipiana hoy Paoly?

Ireo Filipiana dia tokony hihevitra ny hafa mihoatra noho ny tenan'izy ireo.

Philippians 2:5

Fisainan'iza no lazain'i Paoly fa tokony hananantsika?

Paoly dia milaza fa mila manana ny fisainan'i Kristy Jesosy isika.

Amin'ny endrika inona no nisian'i Jesosy?

Kristy Jesosy dia nisy araka ny endrik' Andriamanitra.

Endrika inona no nalain'i Jesosy avy eo?

Avy eo i Kristy Jesosy dia naka ny endriky mpanompo, niseho tahaka ny olombelona.

Ahoana no nanetren'i Jesosy ny tenany?

Jesosy dia nanetri-tena tamin'ny fankatoavana hatramin'ny fahafatesana eo amin'ny hazofijaliana.

Philippians 2:9

Inona no nataon'Andriamanitra ho an'i Kristy avy eo?

Andriamanitra dia nanandratra avo an'i Jesosy ary nanome Azy ny anarana ambonin'ny anarana rehetra.

Inona no ho eken'ny lela rehetra?

Ny lela rehetra dia hanaiky fa Jesosy Kristy no Tompo.

Philippians 2:12

Ahoana no tokony hampisehoan'ireo Filipiana ny famonjena azy ireo?

Ireo Filipiana dia tokony hampiseho ny famonjena azy ireo amin'ny tahotra sy hovitra.

Inona no iasan'Andriamanitra mba ho ataon'ireo mpino?

Andriamanitra dia miasa ao amin'ireo mpino mba ho vonon-kanao no sady hiasa ho an'ny fifaliany.

Philippians 2:14

Amin'ny inona no tsy tokony hanaovana ny zavatra rehetra?

Ny zavatra rehetra dia tsy tokony atao am-pitarainana sy fiadian-kevitra.

Philippians 2:17

Ho amin'ny tanjona inona no hampidinana ny fiainanan'i Paoly?

Paoly dia mampidina ny fiainany eo amin'ny sorona sy fanompoana ny finoan'ireo Filipiana.

Inona no toe-tsaina ananan'i Paoly, izay tiany hananan'ireo Filipiana ihany koa?

Paoly dia nifaly tamin'ny hafaliana lehibe.

Philippians 2:19

Nahoana Timoty no mpanampy tokana ho an'i Paoly?

Tokana Timoty satria izy tena miahy marina an'ireo Filipiana fa tsy ho an'ny tombontsoany manokana.

Philippians 2:22

Manantena ny hahita an'ireo Filipiana ve Paoly?

Eny, manantena ny hahita tsy ho ela an'ireo Filipiana i Paoly.

Philippians 2:28

Tamin'ny inona no saika nahafaty an'i Epafrodito?

Epafrodito dia saika maty tamin'ny fanaovana ny asan'i Kristy, fanompoana an'i Paoly sy fanomezana izay ilain'i Paoly.

Philippians 3

Philippians 3:1

Iza no nampitandreman'i Paoly an'ireo mpino?

Paoly dia nampitandrina an'ireo mpino mba hitandrina amin'ireo amboa, ireo mpanao ratsy, ary ireo mpanapaka rantsam-batana.

Iza no lazain'i Paoly fa voafora marina?

Paoly dia milaza fa ireo izay mivavaka amin'ny Fanahin'Andriamanitra, voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy, ary tsy mitoky amin'ny nofo no voafora marina.

Philippians 3:6

Ahoana no hamaritan'i Paoly ny fitondran-tenany teo aloha amin'ny fanajana ny fahamarinan'ny lalàna?

Paoly dia mamaritra ny fitondran-tenany teo aloha ho tsy manan-tsiny amin'ny fanajana ny fahamarinan'ny lalàna.

Ahoana ankehitriny no fahitan'i Paoly ny fitokiany tamin'ny nofo teo aloha?

Ankehitriny Paoly dia mandray ny fitokiany rehetra tamin'ny nofo teo aloha ho toy ny tsy misy dikany nohon'ny amin'i Kristy.

Philippians 3:8

Ho amin'ny tanjona inona no andraisan'i Paoly ireo zavatra rehetra teo aloha ho toy ny fako ankehitriny?

Paoly dia mandray ny zavatra rehetra teo aloha ho toy ny fako mba hahazoany an'i Kristy.

Inona ankehitriny no fahamarinana ananan'i Paoly?

Ankehitriny Paoly dia manana ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izay avy amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy.

Paoly dia manana fiombonana amin'i Kristy amin'ny inona?

Paoly dia manana ny fiombonana amin'ireo fijalian'i Kristy.

Philippians 3:12

Na dia tsy mbola tanteraka aza izy, dia manohy manao inona Paoly?

Paoly dia manohy manao ezaka hatrany.

Hanatratra tanjona inona no hanaovan'i Paoly ezaka?

Paoly dia miezaka manatratra ny tanjona ny hahazoana ny lokan'ny antso avy any ambony avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.

Philippians 3:17

Inona no nasain'i Paoly ataon'ireo Filipiana momban'ny ohatra nasehony?

Paoly dia nilaza an'ireo Filipiana mba hanatona sy haka tahaka azy amin'ny fandehany?

Inona no hiafaran'ireo izay ny andriamaniny no kibon'izy ireo sy izay mieritreritra momban'ireo zavatrin'ny tany?

Ireo izay ny andriamaniny no kibon'izy ireo sy izay mieritreritra momba ny zavatry ny tany dia hiafara amin'ny fandringanana

Philippians 3:20

Aiza no lazain'i Paoly fa misy ny fanjakan'ireo mpino?

Paoly dia milaza fa any an-danitra ny fanjakan'ireo mpino.

Inona no ho ataon'i Kristy amin'ny vatan'ireo mpino rehefa tonga any an-danitra Izy?

Kristy dia hanova ny vatantsika izay malemy ho vatana manahaka ny vatany feno voninahitra.

Philippians 4

Philippians 4:1

Inona no tian'i Paoly ataon'ireo namana malalany any Filipy?

Tian'i Paoly ireo Filipiana mba hijoro mafy ao amin'ny Tompo.

Inona no irian'i Paoly ho hita hitranga amin'i Eodia sy Syntyke?

Paoly dia maniry hahita an'i Eodia sy Syntyke hanana fisainana mitovy ao amin'ny Tompo.

Philippians 4:4

Inona no nasain'i Paoly ataon'ireo Filipiana mandrakariva?

Paoly dia nilaza azy ireo mba hifaly mandrakariva ao amin'ny Tompo.

Mba tsy hiahiahy, dia inona no nasain'i Poaly hatao?

Paoly nilaza fa mba tsy hiahiahy, dia lazao amin'Andriamanitra amin'ny vavaka izay ilaintsika, ary misaora Azy.

Raha manao izany isika, dia inona no hiaro ny fo sy fisainantsika?

Raha manao izany isika, dia ny fiadanan'Andriamanitra no hiaro ny fo sy fisainantsika.

Philippians 4:8

Karazan-javatra inona no lazain'i Paoly mba heverina?

Paoly dia milaza mba hihevitra an'ireo zavatra izay manan-kaja, ara-drariny, madio, mahafinaritra, nolazaina fa tsara, tena tsara, ary tokony ho deraina.

Philippians 4:10

Inona no afaka havaozin'ireo Filipiana ankehitriny?

Ireo Filipiana dia afaka manavao ny fiheveran'izy ireo an'i Paoly ankehitriny.

Inona no tsiambaratelo nianaran'i Paoly momba ny fiainana amin'ny toe-javatra miseho samihafa?

Paoly dia nianatra ny tsiambaratelon'ny fiainana am-pifaliana amin'ny fananam-be sy anatin'ny tsy fahampiana.

Amin'ny alalan'ny hery inona no afahan'i Paoly miaina am-pifaliana?

Paoly dia afaka miaina am-pifaliana ny toe-java-miseho rehetra amin'ny alalan'i Kristy izay nampahery azy.

Philippians 4:14

Inona no katsahin'i Paoly ho an'ireo Filipiana amin'ny fanomezan'izy ireo mba hamatsiana ny zavatra ilainy?

Paoly dia mitady ny vokatra izay mampitombo ny voninahitr'ireo Filipiana.

Philippians 4:18

Ahoana ny fahitan'Andriamanitra ny fanomezana avy amin'ireo Filipiana ho an'i Paoly?

Faly Andriamanitra tamin'ny sorona izay nataon'ireo Filipiana ho an'i Paoly.

Inona no lazain'i Paoly fa ho ataon'Andriamanitra ho an'ireo Filipiana?

Paoly dia milaza fa hanome izay rehetra ilain'ireo Filipiana Andriamanitra araka ny haren'ny voninahiny ao amin'i Kristy Jesosy.

Philippians 4:21

Ireo avy amin'ny ankohonan'iza no lazain'i Paoly fa manao veloma an'ireo Filipiana?

Ireo avy amin'ny ankohonan'i Kaisara dia manao veloma an'ireo Filipiana.