Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Colossians 1

Colossians 1:1

Ahoana ny fomba nahatonga an'i Paoly ho apostolin'i Jesosy Kristy?

Lasa apostolin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra i Paoly.

Ho an'iza no nanoratan'i Paoly ny taratasy,

Nanoratra ho an'ireo voatokana ho an'Andriamanitra sy ireo rahalahy mahatoky any Kolosia I Paoly.

Colossians 1:4

Avy aiza no nandrenesan'ireo Kolosianina ny momban'ny fanantenana azo antoka izay ananan'izy ireo ankehitriny?

Nandre momba izany tamin'ny tenin'ny fahamarinana, sy ny filazantsara ireo Kolosianina.

Inona no nolaizan'i Paoly fa ataon'ny filazantsara eto amin'izao tontolo izao?

Nilaza i Paoly fa ny filazantsara dia mitondra vokatra ary mitombo eran'izao tontolo izao.

Colossians 1:7

Iza no nanolotra ny filazantsara tamin'ireo Kolosianina?

Epafra, ilay mpanompo mahatoky an'i Kristy, no nanolotra ny filazantsara tamin'ireo Kolosianina.

Colossians 1:9

Amin'ny inona no hivavahan'i Paoly mba ho tanteraka ireo Kolosianina?

Mivavaka i Paoly mba ho feno fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fahendrena sy fahalalana ara-panahy ireo Kolosianina.

Ahoana ny fomba hivavahan'i Paoly mba handehanan'ireo Kolosianina amin'ny fiainan'izy ireo?

Mivavaka i Paoly mba handehanan'ireo Kolosianina am-pahamendrehana amin'ny Tompo, hamokatra amin'ny asa soa rehetra, ary mba hitombo fahalalana an'Andriamanitra.

Colossians 1:11

Inona no niantsona olona izay voatokana ho an'Andriamanitra?

Ireo izay voatokana ho an'Andriamanitra dia nantsoina ho amin'ny fizarana anjara amin'ny lovan'ireo mpino amin'ny fahazavana.

Colossians 1:13

Avy amin'ny inona no namonjen'ny Ray an'ireo izay voatokana ho azy?

Namonjy azy ireo tamin'ny fanapahan'ny haizina sy namindra antsika ho any amin'ny fanjakan'ny Zanany lahy izy.

Ao amin'ny Kristy, no ananantsika fanavotana, izay inona?

Ao amin'ny Kristy no anantsika fanavotana, izay famelana ireo fahotana.

Colossians 1:15

Endrika iza ilay Zanaka lahy?

Ny Zanaka lahy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita maso.

Inona no nahariana tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy ho azy?

Ny zavatra rehetra dia voahary tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy ho azy.

Colossians 1:18

Ahoana ny fomba nampihavan'Andriamanitra ireo zavatra rehetra ho azy?

Nampihavan'Andriamanitra ho azy ny zavatra rehetra rehefa nanao ny fiadanana tamin'ny alalan'ny ràn'ny Zanany lahy Izy.

Colossians 1:21

Inona no fifandraisan'ireo Kolosianina tamin'Andriamanitra talohan'ny ninoan'izy ireo ny filazantsara?

Talohan'ny ninoana ny filazantsara, dia vahiny tamin'Andriamanitra ireo Kolosianina ary fahavalony.

Inona no tsy maintsy hotohizan'ireo Kolosianina?

Tsy maintsy nanohy fanorenana tam-pinoana sy sy am-pitokisana ny filazantsara izy ireo.

Colossians 1:24

Noho iza no nijalian'i Paoly, ary inona no toetrany?

Nijaly ho an'ny fiangonana i Paoly, ary faly ao amin'izany izy.

Inona ilay zava-miafina izay nafenina nandritry ny taona maro kanefa efa niseho ankehitriny?

Ilay zava-miafina izay nafenina nandritry ny taona maro kanefa efa niseho ankehitriny dia ilay Kristy ao aminareo, ny tokin'ny voninahitra.

Colossians 1:28

Inona no tanjon'ny fananarana sy ny fampianaran'i Paoly?

Ny tanjon'i Paoly dia ny fanolorany ny olona rehetra ho feno ao amin'i Kristy.

Colossians 2

Colossians 2:1

Inona no zava-miafin'Andriamanitra?

Ny zava-miafin'Andriamanitra dia i Kristy.

Inona no miafina ao amin'i Kristy?

Ny harena rehetra ny fahendrena sy ny fahalalana no miafina ao amin'i Kristy?

Colossians 2:4

Inona no mety ahiahian'i Paoly amin'ireo Kolosianina?

Manahy i Paoly fa mety ho tratran'ny lahateny mandresy lahatra ireo Kolosianina.

Colossians 2:6

Inona no hiantsoan'i Paoly an'ireo Kolosianina ho hatao amin'izao fotoana izao fa efa nandray an'i Kristy Jesosy izy ireo?

Niantso ireo Kolosianina i Paoly mba handeha ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny fomba mitovy amin'ny nandraisan'izy ireo azy.

Colossians 2:8

Mifototra momba'ny inona ireo fitaka foana izay ahian'i Paoly?

Mifototra amin'ny fanaon'ny olona sy ny rafim-pinoana mahamenatra amin'izao fotoana izao ny fitaka foana.

Inona no miaina ao amin'i Kristy?

Ny fahatsaran'ny toetran'Andriamanitra no miaina ao amin'i Kristy.

Colossians 2:10

Iza no lohan'ny mpanapaka sy ny fahefana rehetra?

I Kristy no lohan'ny mpanapaka sy ny fahefana.

Inona no nasorona tamin'ny alalan'ny famorana an'i Kristy?

Ny nofo amin'ny vatana mahamenatra no nasorona tamin'ny alalan'ny famorana an'i Kristy.

Inona no miseho amin'ny batisa?

Olona iray no nalevina niaraka tamin'i Kristy amin'ny batisa.

Colossians 2:13

Inona no toetra maha olona ny olona iray alohan'ny anaovan'i Kristy azy ho velona?

Maty amin'ny fahotany ny olona iray alohan'ny anaovan'i Kristy azy ho velona.

Inona no ataon'i Kristy miaraka amin'ny rakitsoratrin'ny trosam-panafahana manohitra antsika?

Nofafan'i Kristy ny rakitsoratrin'ny trosam-panafahana manohitra antsika.

Inona no nataon'i Kristy tamin'ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana?

Nasoron'i Kristy ireo ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana, mampiharihary azy ireo, ary mampandresy azy ireo amin'ny fandresena.

Colossians 2:16

Inona no lazain'i Paoly ho alok'ireo zavatra ho avy?

Nilaza i Paoly fa amin'ny fihinana, fisotro, amin'ny andro fety , ary amin'ny andro Sabata no alok'ireo zavatra ho avy.

Inona no zavatra tena izy notondroin'ireo aloka?

Nanondro ireo aloka fa ny tena izy dia i Kristy.

Colossians 2:18

Ahoana ny fomba nitazonana mitambatra ny vatana manontolo?

Notazonina mitambatra tamin'ny alalan'ny loha ny vatana iray manontolo, dia i Kristy izany.

Colossians 2:20

Inona ny didy nolazain'i Paoly fa anisan'ny hinoana eto an-tany?

Ny didy tsy azo ahodina , tsy azo andramana, ary tsy kasiana no anisan'ny hinoana eto an-tany.

Manohitra inona ny lalana nataon'ny olombelona tsy manan-danja?

Ny lalana nataon'ny olombelona tsy manan-danja manohitra ny fandeferana ny filan'ny nofo.

Colossians 3

Colossians 3:1

Taiza no nanandratana an'i Kristy?

Nasandratra mba ipetraka eo amin'ny tanan'ankavanan'Andriamanitra Izy.

Inona no tokony tadiavin'ireo mpino ary inona no tsy tokony tadiavina?

Tokony hitady ireo zavatra ambony ireo mpino, fa tsy ireo zavatra eto an-tany.

Taiza no nametrahan'Andriamanitra ny fiainan'ireo mpino?

Nafenin'Andriamanitra tao amin'i Kristy ny fiainan'ireo mpino.

Inona no hiseho amin'ireo mpino rehefa naseho i Kristy?

Rehefa naseho i Kristy, dia haseho ihany koa ireo mpino miaraka amin'ny voninahiny.

Colossians 3:5

Inona no tokony vonoin'ireo mpino?

Tokony vonoin'ireo mpino ireo fanirian-dratsy eto ana-tany.

Inona no miseho amin'ireo tsy mankato an'Andriamanitra?

Ny fahatezeran'Andriamanitra dia ho tonga amin'ireo izay tsy mankato an'Andriamanitra.

Inona ireo zavatra sasany izay nolazain'i Paoly tamin'ireo mpino ka tsy maintsy ariana, izay anisan'ny zavatra taloha?

Tokony harin'ireo mpino ny fahatezerana, fahavinirana, ireo fikasan-dratsy, ireo fanevatevana, ary teny fahavetavetana avy amin'ny vavanareo.

Colossians 3:9

Amin'ny endrik'iza no nahariana ny tena vaovaon'ireo mpino?

Nohariana tamin'ny endrik'i Kristy ny endrika vaovaon'ireo mpino.

Colossians 3:12

Inona ireo zavatra tsara izay nolazain'i Paoly fa tokony hataon'ireo mpino , izay anisan'ny endrika vaovao?

Ireo mpino dia tsy mametraka famindram-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary faharetana.

Amin'ny fomba ahoana no hamelan'ireo mpino?

Tokony hamela amin'ny fomba mitovy ireo mpino tahaka ny namelan'ny Tompo azy.

Inona no mamatotra fahatanterahana eo amin'ireo mpino?

Ny fitiavana no mamatotra ny fahatanterahana

Colossians 3:15

Inona no tokony hanapaka eo amin'ny fon'ireo mpino?

Ny fiadanan'i Kristy no tokony manapaka eo amin'ny fon'ireo mpino.

Inona no tokony homen'ny mpino an'Andriamanitra amin'ny toetrany, hirany, teniny sy ny asany?

Ao amin'ny toetrany: feony, teniny, sy ny asa tsara dia tokony manome fisaorana an'Andriamanitra ireo mpino.

Inona no tokony hiaina betsaka ao amin'ny mpino?

Ny tenin'i Kristy no tokony hiainan'ny mpino.

Colossians 3:22

Avy amin'iza no hiasan'ireo mpino amin'izay rehetra ataon'izy ireo?

Miasa ho an'ny Tompo ireo mpino amin'izay rehetra ataony.

Inonao no ataon'ireo izay mandray ny fanompoana ny Tompo amin'izay rehetra ataon'izy ireo?

Ireo izay manompo ny Tompo amin'izay rehetra ataon'izy ireo dia handray ny valisoan'ny lova.

Inona no ataon'ireo izay mandray ny tsy fahamarinana?

Ireo izay manao ny tsy fahamarinana dia handray ny sazy amin'izay nataon'izy ireo.

Colossians 4

Colossians 4:1

Inona no fampatsiahivan'i Paoly an'ireo tompo any an-danitra izay hananan'izy ireo ihany koa?

Mampatsiahy ireo tompo any an-danitra i Paoly fa manana tompo iray any an-danitra ihany koa izy ireo.

Colossians 4:2

Inona no tian'i Paoly hataon'ireo Kolosiana ho tohizin'ireo mandrakariva?

Tian'i Paoly ho tohizan'ireo Kolosiana mandrakariva ny vavaka.

Inona no tian'i Paoly hivavahan'ireo Kolosiana ?

Tian'i Paoly hivavaka ireo Kolosiana fa manana varavarana misokatra hiresahana amin'ny teny izy, ilay zava-miafin'i Kristy.

Colossians 4:5

Ahoana ny fomba ampianaran'i Paoly an'ireo Kolosianina mba hitondrana ireo izay any ivelany?

Mampianatra azy ireo i Paoly mba hiaina am-pahendrena, sy hiteny amin'ny fahasoavana manoloana ireo izay any ivelany.

Colossians 4:7

Inona no asa nomen'i Paoly an'i Tykyko sy Onesimosy?

Nanome azy ireo ny asa amin'ny fanaovana ny zavatra rehetra ho fantatra momba azy tamin'ireo Kolosiana izy.

Colossians 4:10

Inona no torolalana nomen'i Paoly mahakasika an'i Marka, havan'i Barnabasy?

Nilaza tamin'ireo Kolosiana i Paoly mba handray an'i Marka, raha tonga izy ireo.

Colossians 4:12

Amin'ny inona no hivavahan'i Epafra tamin'ireo Kolosiana?

Nivavaka izy mba hijoro tsara sy hanome antoka tanteraka ao amin'ny sitrapon'Andriamanitra rehetra izy.

Iza no anaran'ilay mpitsabo izay niaraka tamin'i Paoly?

I Lioka no anaran'ilay mpitsabo.

Colossians 4:15

Karazan-toerana toy ny ahoana no nihaon'ny fiangonana any Laodikiana?

Nihaona tao amin'ny trano iray ny fiangonan'ny Laodikiana.

Ho an'ny fiangonana inona no nanoratan'i Paoly ny taratasy?

Nanoratra ny taratasy ho an'ny fiangonana any Laodikiana ihany koa i Paoly

Colossians 4:18

Ahoana no nanehoan'i Paoly fa avy aminy ity taratasy ity?

Nanoratra ny anarany tamin'ny tanany manokana i Paoly tany amin'ny faran'ny taratasy.