Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Isaiah 1

Isaiah 1:1

Iza Isaia?

Isaia dia zanaka lahin'i Amoza.

Mahakasika ny inona ny fahitan'Isaia?

Mahakasika an'i Joda sy Jerosalema ny fahitan'Isaia.

Oviana Isaia no nahazo io fahitany io?

Tamin'ny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia, mpanjakan'i Joda i Isaia no nahazo io fahitany io.

Isaiah 1:2

Nahoana ny lanitra no tokony handre ary ny tany no tokony hihaino?

TOkony handre ny lanitra ary tokony hihaino ny tany satria efa nitey Yaveh.

Inona no naton'i Yaveh?

Efa namahana sy nitaiza zaza Izy.

Inona no nataon'ireo zanak'i Yaveh?

Nikomy tamin'i Yaveh izy ireo.

Isaiah 1:4

Ahoana no hamaritana ny firenena?

Faritana ho toy ny mpanota, vahoaka feno heloka, taranaka mpanao ratsy sy zanaka simba toetra izy ireo.

Inona no nataon'ilay firenena?

Nahafoy an'i Yaveh izy ireo, nisaraka taminy ary nanamavo ilay Iray Masin'Israely.

Isaiah 1:7

Toy ny ahoana ny tany sy tanànan'izy ireo?

Lao ny tanin'izy ireo ary may ny tanànany.

Isaiah 1:9

Inona no navelan'i Yaveh ho azy ireo?

Sisa tavela kely dia kely no navelany ho azy ireo.

Isaiah 1:10

Inona no tsy ankasitrahan'i Yaveh?

Tsy ankasitrahany ny ràn'ombilahy sy ny zanak'omdry ary osilahy.

Isaiah 1:14

Inona no halan'i Yaveh?

Halany ny voaloham-bolan'izy ireo sy ny firavoravoana voatendriny.

Nahoana Yaveh no tsy hihaino ny fivavak'izy ireo?

Tsy hihaino Izy satria feno rà ny tanan'izy ireo.

Isaiah 1:16

Inona no asain'i Yaveh ataon'izy ireo?

Miteny azy ireo Yaveh mba hitsahatra amin'ny faharatsiana; hianatra hanao ny tsara; hikatsaka ny fahamarinana, hanampy ny ampahoriana, hanome rariny ho an'ny kamboty ary hiaro ireo mpitondratena.

Isaiah 1:19

Inona no tsy maintsy hataon'izy ireo mba hihinanany ny soa avy amin'ny tany?

Tsy maintsy vonona sy mankatoa izy ireo.

Inona no hitranga raha mandà sy mikomy izy ireo?

Handrapaka azy ireo ny sabatra.

Isaiah 1:21

Toy ny ahoana ilay tanàna mahatoky talohan'ny nahatongavany ho mpijangajanga?

Feno rariny sy fahamarinana ilay tanàna mahatoky.

Lasa feno inona ilay tanàna mahatoky?

Lasa feno mpamono olona ilay tanàna mahatoky.

Isaiah 1:24

Inona no hataon'i Yaveh?

Hamaly faty ny mpifandrafy aminy Izy.

Isaiah 1:29

Inona no hahamenatra sy hanala baraka azy ireo?

Ho menatra ny amin'ireo hazo terebinta izay niriany izy ireo ary ho menatra amin'ireo saha izay nofidiany.

Isaiah 1:31

Inona no hanjo ilay lehilahy mahery sy ny asany?

Hiaraka ho may ireo.

Isaiah 2

Isaiah 2:1

Mahakasika ny inona ny teny izay hitan'Isaia?

Mahakasika an'i Joda sy Jerosalema ny teny izay hitan'Isaia.

Inona no hitranga amin'ny andro ho avy?

Amin'ny andro ho avy dia hiorina ny tranon'i Yaveh.

Iza no ho ao an-tranon'i Yaveh?

Hikoriana amin'izany ny firenena rehetra.

Isaiah 2:3

Nahoana no hiakatra eo amin'ny tendrombohitr'i Yaveh ny olona maro?

Hiakatra eny izy ireo mba hianatra ny sasany amin'ny lalan'i Yaveh.

Isaiah 2:4

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ny firenena sy vahoaka maro?

Hitsara azy ireo sy hanapaka ny amin'izy ireo Yaveh.

Inona no tsy hataon'ireo firenena?

Tsy hifanangan-tsabatra izy ireo na hiofana ho amin'ny ady.

Isaiah 2:5

Inona no nasaina nataon'ny ankohonan'i Jakoba?

Nasaina nandeha tamin'ny fahazavan'i Yaveh izy ireo.

Inona no nataon'i Yaveh?

Nahafoy ny vahoakany Izy, dia ny ankohonan'i Jakoba.

Nahoana Yaveh no nahafoy ny ankohonan'i Jakoba?

Nafoiny izy ireo satria feno ny fomba avy any atsinanana sy mpamaky fambara tahaka ireo Filistina, ary mifandray tanana amin'ny zanak'ireo vahiny.

Isaiah 2:9

Nahoana ny ankohonan'i Jakoba no tokony hiditra any amin'ny harambato ka hiafina ao amin'ny vovoka?

Tokony hiafina izy ireo nohon'ny amin'ny horohoro an'i Yaveh sy ny voninahitry ny famirapiratany.

Inona no hanjo ny maso manjonanjona sy ny fiavonavonan'ny olona?

Hahetry ireo ary hahidina.

Iza no hasandratra amin'izany andro izany?

Yaveh ihany no hasandratra amin'izany andro izany.

Isaiah 2:17

Inona no hanjo an'ireo sampy?

Hanjavona tanteraka ireny.

Ho aiza ny olona amin'izany andro izany?

Ho any amin'ny lava-bato sy lavaka ambany tany izy ireo.

Isaiah 2:20

Nasaina nitsahatra natoky an'iza ny ankohonan'i Jakoba?

Nasaina nitsahatra ny nahatoky olona izy ireo.

Isaiah 3

Isaiah 3:1

Inona no ho esorin'i Yaveh amin'i Jerosalema sy Joda?

Ho esorin'i Yaveh ny fanohanana sy ny tehin'izy ireo.

Isaiah 3:4

Iza no hitondra an'i Joda sy Jerosalema?

Zatovo no hitarika ary ireo tanora no hanapaka azy ireo.

Iza no hampahory ny vahoaka?

Hifampahory ny vahoaka ary ny rehetra ho ampahorian'ny namany.

Isaiah 3:8

Nahoana i Jerosalema no rava ary Joda no lavo?

Rava sy lavo izy ireo satria manohitra an'i Yaveh ny teniny sy ny asany.

Inona no vavolombelona miampanga an'i Jerosalea sy Joda?

Ny endrika eny amin'ny tavany no vavolombelona miampanga azy ireo.

Isaiah 3:10

Inona no hahazo ireo olo-marina?

Tsy haninona ireo marina.

Inona no hanjo an'ireo ratsy fanahy?

Ho ratsy ny amin'ireo ratsy fanahy.

Aiza no hitondran'ireo mpitarika azy ireo?

Mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso ireo mpitarika ary mampikorontana ny lalan-kizorany.

Isaiah 3:13

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo loholona sy manam-pahefan'ny olony?

Hanambara fitsarana amin'izy ireo Yaveh.

Isaiah 3:16

Inona no hataon'ny Tompo, Yaveh amin'ny zanaka vavin'i Ziona?

Hampiforona aretina mahasola eo amin'ny lohany Yaveh.

Isaiah 3:24

Inona no hanjo an'ireo lehiahy?

Ho lavon-tsabatra ireo lehilahy.

Isaiah 4

Isaiah 4:1

Nahoana no hisambotra lehilahy iray ny vahivavy fito?

Haniry haka ny anarany izy ireo ary hanala ny fahamenarany.

Isaiah 4:3

Inona no hiantsoana an'ireo sisa velona tavela any Ziona sy Jerosalema?

Ireo sisa velona izay tavela any Ziona sy Jerosalema dia ho antsoina hoe masina.

Inona no hataon'ny Tompo amin'ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny afo mirehitra?

Hanasa ny loton'ny zanaka vavin'i Ziona ny Tompo ary handio ny tasin-drà tsy ho eo afovoan'i Jerosalema.

Isaiah 4:5

Hanao inona eo eo amin'ny tendrombohitr'i Ziona manontolo sy eo amin'ny toeran'ny fiangonana Yaveh?

Hanamboatra rahona sy setroka izy amin'ny atoandro ary afo mamiratra sy mirehitra amin'ny alina; ho sarona eo amin'ny voninahitra rehetra.

Isaiah 5

Isaiah 5:1

Te hihira ho an'iza ilay mpihira?

Te hihitra ho an'ilay malalany ilay mpihira.

Mahakasika ny inona ilay hiran'ilay mpihira?

Mahakasika ny tanim-boalobok'ilay malalany ilay hira.

Nataony inona ilay tanim-boalonoka?

Nohadiany izany, noesoriny ireo vatovato, novoleny ny voaloboka voafantina indrindra, ary nananganany tilikambo sy famiazam-boaloboka teo amin'izamy.

Naniry inona ilay tanim-boaloboka?

Naniry voalobo-dratsy ilay tanim-boaloboka.

Isaiah 5:3

Inona no tokony ho tsarain'ireo mponin'i Jerosalema sy ireo olon'i Joda?

Tokony hitsara eo amin'ilay malala sy ny tanim-boalobony izy ireo.

Isaiah 5:5

Hataon'ilay malala inona ny tanim-boalobony?

Ho esoriny ireo fefy, havadiny ho fihinanam-bilona ilay tanim-boaloboka, ary harodany ny mandany mba ho tonga faharavana izany ary tsy hisy orana hirotsaka amin'izany.

Isaiah 5:7

Iza no tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'ny Maro?

Ny ankohonan'Israely no tanim-boalobok'i Yaveh.

Inona no nandrasan'i Yaveh?

Niandry rariny sy fahamarinana Yaveh.

Inona kosa no azon'i Yaveh raha tokony ho rariny sy fahamarinana?

Famononana sy hiaka famonjena no azon'i Yaveh.

Isaiah 5:8

Inona no hanjo ireo trano maro?

Trano maro no ho foana sy tsy hisy mponina.

Isaiah 5:13

Nahoana ireo vahoakan'Israely sy Joda no lasan-ko babo?

Lasan-ko babo izy ireo satria tsy ampy fahazavan-tsaina.

Isaiah 5:15

Inona no manandratra an'i Yaveh Tompon'ny maro?

Manandratra Azy ny fahamarinan'i Yaveh.

Ahoana no ahafantarana an'Andriamanitra Iray Masina?

Fantatra amin'ny fitondrany marina Andriamanitra.

Isaiah 5:24

Nahoana no lo ny fakan'Israely, ary misidina tahaka ny vovoka ny felany?

Ho lo ny fakan'Israely, ary hisidina tahaka ny vovoka ny felany satria nandà ny lalàn'i Yaveh izy ireo ary nanamavo ny tenin'ilay Iray Masin'Israely.

Isaiah 5:26

Ahoana no hiantsoan'i Yaveh ny firenena lavitra any mba ho avy?

Hanangana faneva fanairana sy hisioka azy ireo Izy.

Ahoana no hahatongavan'izany firenen-davitra izany?

Ho avy faingana sady avy hatrany izy ireo.

Isaiah 6

Isaiah 6:1

Oviana no hitan'Isaia nipetraka teo amin'ny seza fiandriananana avo sy ambony ny Tompo?

Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitan'Isaia ny Tompo.

Inona no teo ambonin'ny Tompo?

Ireo serafima no teo ambonin'ny Tompo.

Isaiah 6:4

Inona no niseho rehefa nifampiantso ireo serafima?

Rehefa nifampiantso ireo serafima, dia nihovitrovitra ireo varavarana sy tolam-baravarana ary feno setroka ny trano.

Inona no nolazain'Isaia rehefa nahita ireo zavatra rehetra ireo izy?

Nambaran'Isaina fa voaozona izy satria nanana molotra maloto ary nitoetra teo amin'ireo olona nanana molotra maloto ary satria nahita ny Mpanjaka izy, dia Yaveh.

Isaiah 6:6

Inona no nolazain'ireo serafima rehefa nikasika ny molotr'Isaia sy ny vain'afo avy teo amin'ny alitara izy?

Hoy izy hoe: "Indro, nikasika ny molotrao ity, afaka ny helokao ary voavela ny fahotanao.''

Isaiah 6:8

Inona no nangatahin'ny Tompo izay ren'Isaia?

Hoy ny Tompo hoe: "Iza no hirahiko; iza no handeha ho antsika?''

Ahoana no navalin'Isaia izay nagatahin'ny Tompo?

Hoy Isaia hoe: "Inty aho; iraho aho."

Inona no nasain'ny Tompo nolazain'Isaia tamin'ireo vahoaka?

Nasain'ny Tompo nilaza tamin'ny vahoaka mba hihaino fa tsy hahatakatra; hijery, fa tsy hahita Isaia.

Isaiah 6:11

Mandra-pahoviana Isaia no tokony hilaza amin'ny olona ny hafatry ny Tompo?

Isaia dia tokony hilaza amin'ny olona ny hafatry ny Tompo mandra-paharavan'ny tanàna ka tsy misy mponina ary tsy misy olona ireo trano, ary ho tonga lao ny tany, ary mandra-pandefan'i Yaveh ny olona lavitra ka ho manirery ny tany.

Isaiah 7

Isaiah 7:1

Iza i Ahaza?

Ahaza ddia zanaka lahin'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'i Joda.

Tamin'ny andron'i Ahaza, iza ilay mpanjaka niakatra tany Jerosalema tao Joda mba hiady amin'izany?

Rezina mpanjakan'i Syria sy Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely no niakatra mba hiady ataminy.

Ahoana no fihetsik'i Ahaza sy ny olony rehefa ren'izy ireo fa nihavana tamin'i Efraima i Syria?

Nangovitra ny fon'i Ahaza sy ny olony rehefa ren'izy ireo izany.

Isaiah 7:3

Inona no asa nasain'i Yaveh nataon'Isaia?

Nasain'i Yaveh nivoaka hitsena an'i Ahaza niaraka tamin'ny zanany izy.

Iza hoy Yaveh no tsy tokony hatahoran'i Ahaza?

Nambaran'i Yaveh fa tsy tokony hatahotra na ho menatra amin'i Rezina sy Peka i Ahaza.

Isaiah 7:5

Inona no nokasain'i Arama, Efraima sy ny zanak'i Remalia hatao?

Niteti-dratsy hanohitra an'i Ahaza sy Joda ireo lehilahy ireo. Nikasa ny hanafika sy hampihorohoro an'i Joda izy ireo, ary hametraka ny zanak'i Tabela ho mpanjaka.

Isaiah 7:7

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Ahaza momba an'i Efraima?

Hoy Yaveh tamin'i Ahaza hoe: "Ao anatin'ny dimy amby enimpolo taona dia ho rava Efraima ary tsy ho vahoaka intsony."

Inona hoy Yaveh tamin'i Ahaza no hitranga raha tsy miorina tsara ny finoany?

Tsy hilamina i Ahaza raha tsy miorina tsara ny finoany.

Isaiah 7:10

Inona no navalin'i Ahaza rehefa nasain'ny Tompo nangataka famantarana avy amin'i Yaveh izy?

Hoy Ahaza hoe: "Tsy hangataka aho, na haka fanahy an'i Yaveh."

Isaiah 7:13

Inona hoy Isaia no nataon'i Ahaza?

Nambaran'Isaia fa tsy mitsapa ny faharetan'ny vahoaka fotsiny izy fa mitsapa ny faharetan'Andriamanitra ihany koa.

Isaiah 7:16

Iza hoy Isaia tamin'i Ahaza no ho entin'i Yaveh hanohitra azy?

Nambaran'Isaia tamin'i Ahaza fa ho entin'i Yaveh hanohitra azy sy ny vahoakany ny mpanjakan'i Asyria.

Isaiah 7:20

Inona no hataon'ny mpanjakan'i Asyria?

Ho haratan'ny mpanjakan'i Asyria ny lohan'i Ahaza, ny tongony ary ny volombavany.

Isaiah 7:23

Inona no hanjo azy ireo?

Ho feno tsilo ny tany ary ho toerana hiraofan'ny ondry sy ny biby fiompy izany.

Isaiah 8

Isaiah 8:1

Inona no nasain'Andriamanitra nataon'Isaia?

Nasainy naka vato fisaka lehibe izy ary nanoratra hoe: 'Mahera-salala-hasi-baza.'

Iza no ho vavolombelona mahatokin'i Yaveh?

Oria mpisorona sy Zakaria zanak'i Jeberikia no ho vavolombelon'i Yaveh.

Isaiah 8:3

Nahoana Yaveh no niteny tamin'Isaia mba hiantso ny anaran'ny zanany hoe 'Mahera-salala-hasi-baza'?

Ho antsoina hoe 'Mahera-salala-hasi-baza' izy satria mialohan'ny hahaizany miantso hoe 'Ry raiko' sy 'Ry neniko,' dia ho avy ny mpanjakan'i Asyria ary haka ny haren'i Damaskosy sy ireo babon'i Samaria.

Isaiah 8:11

Inona no lalan'ny olona voafaritra mazava nampitandremana mba tsy handehan'Isaia?

Nampitandremana Isaia mba tsy hiantso izay zavatra rehetra antsoin'ny olona hoe teti-dratsy ho teti-dratsy ary tsy hatahotra izay hatahoran'izy ireo na ho gaga amin'ireo zavatra ireo.

Iza no nasaina noraisin'Isaia ho masina sy tokony hatahorany?

Yaveh Tompon'ny maro no nasaina natahoran'Isaia sy ho raisiny ho masina.

Isaiah 8:14

Ho inona amin'ny ankohonan'Israely sy ny mponin'i Jerosalema Yaveh?

Ho vato izay mampianjera sy vatolampy izay mamingana ny olona Izy ho an'Israely, ary o fandrika sy tonta ho an'ny vahoakan'i Jerosalema.

Isaiah 8:16

Inona no fijoroana vavolombelon'Isaia izay homena ny mpianany?

Ny fijoroana vavolombelon'Isaia dia hiandry an'i Yaveh izy ary Isaia sy ny zanany dia nomen'i Yaveh ho famantarana sy fahagagana ao Israely.

Isaiah 8:19

Araka an'Isaia, inona no ho lazain'ny vahoakan'Israely amin'ny mpianatr'Isaia?

Ho asain'izy ireo handeha hila saina amin'ny mpisikidy sy mpanao ody ireo mpianatr'Isaia.

Iza hoy Isaia no tokony hilan'ny olona saina?

Andriamanitra no tokony hilan'ny olona saina.

Inona no nandidian'Isaia ny mpianany mba ho tandremany?

Nodidiana izy ireo mba hitandrina tsara ny lalàna sy ny vavolombelona.

Isaiah 8:21

Inona no hataon'ny vahoakan'Israely rehefa tena ory sy noana izy ireo ka zary tezitra?

Hiandrandra ambony ny tavan'izy ireo ka hanozona ny mpanjaka sy ny Andriamaniny.

Inona no hanjo ny vahoakan'Israely?

Ho entina any amin'ny tanin'ny fahamaizinana izy ireo.

Isaiah 9

Isaiah 9:1

Inona no hiseho amin'izay tao anatin'ny fangirifiriana?

Hisava ny aizim-pitony.

Iza ireo tany izay nahetrin'Andriamanitra tany aloha tany?

Nahetrin'Andriamanitra ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly.

Inona no hataon'Andriamanitra amin'i Zebolona sy Naftaly any aoriana any?

Hataony be voninahitra izy ireo.

Niamiratra tamin'iza ny fahazavana?

Niamiratra tamin'ireo izay niaina tao amin'ny tanin'ny aloky ny fahafatesana ny fahazavana.

Isaiah 9:6

Iza no anaran'ilay iray izay hitondra ny fanapahana eo an-tsorony?

Ho antsoina hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, ary Andrian'ny Fiadanana.

Ahoana no ho fanapahany?

Hanapaka amin'ny rariny sy fahamarinana Izy.

Ho mandra-pahoviana izy no hanjaka?

Hanjaka manomboka izao ka ho mandrakizay doria izy.

Isaiah 9:8

Inona no nolazain'Israely tamin'ny fieboeboana sy fo miavonavona?

Nambaran'Israely fa nirodana ireo biriky, saingy haverin'izy ireo hatsangana amin'ny vato fandraka; voakapa ireo hazo amontana, sainy ho soloin'izy ireo sedera.

Isaiah 9:11

Iza no natsangan'i Yaveh hanohitra an'Israely?

Natsangan'i Yaveh i Rezina, ireo Arameana ary ireo Filistina mba hanohitra an'Israely.

Taorian'ireo rehetra ireo ve dia nihena ny fahatezeran'i Yaveh?

Tsia, tsy nihena ny fahatezeran'i Yaveh. Mbola mihinjitra ny tanany ary hamely an'Israely.

Isaiah 9:13

Niverina tamin'i Yaveh ve ireo olona?

Tsy niverina tamin'i Yaveh na nitady Azy ny olona.

Iza no "lohany" sy "rambony" izay ho kapain'Andriamanitra ao anatin'ny iray andro?

Ireo mpanapaka sy ireo manan-kaja no lohany; ary ireo mpaminany izay mampiana-dainga no rambony.

Isaiah 9:16

Nahoana ny Tompo no tsy nangoraka ny kamboty sy ny mpitondratenan'izy ireo?

Tsy nangoraka azy ireo Izy satria mpaniratsira mpanao ratsy izy rehetra ary milaza zavatra adaladala ny vava rehetra.

Taorian'ireo rehetra ireo ve dia nihena ny fahatezeran'i Yaveh?

Tsia, tsy nihena ny fahatezeran'i Yaveh. Mbola mihinjitra ny tanany ary hamely an'Israely.

Isaiah 9:18

Inona no nitranga vokatry ny fahatezeran'i Yaveh mihoa-papana?

Nataon'i Yaveh may ny tany ary vahoaka dia tahaka ny solika handrehetana afo.

Isaiah 9:20

Inona no nanjo an'i Manase, Efraima, ary Joda?

Nifandrapaka i Manase sy Efraima ary samy nanafika an'i Joda.

Taorian'ireo rehetra ireo ve dia nihena ny fahatezeran'i Yaveh?

Tsia, tsy nihena ny fahatezeran'i Yaveh. Mbola mihinjitra ny tanany ary hamely an'Israely.

Isaiah 10

Isaiah 10:5

Iza no tsorakazon'ny fahatezeran'i Yaveh sy ny tehina izay hitondrany ny fahavinirany?

Ireo Asyriana so tsorakazon'ny fahatezerani Yaveh sy tehina izay hitondrany ny fahavinirany.

Inona no nandidian'i Yaveh hataon'ireo Asyriana?

Nandidy ireo Asyriana haka ny babo, haka ny haza ary hanitsakitsaka an'Israely tahaka ny fotaka eny an-dalana Izy.

Isaiah 10:7

Inona no saika hataon'ireo Asyriana?

Tao am-pon'ireo Asyriana ny hamotika sy handripaka firenena maro.

Isaiah 10:12

Inona hoy ny Tompo no hataony rehefa vitany ny asany eo an-tendrombohitr'i Ziona sy ao Jerosalema?

Nambaran'ny Tompo fa hanafay ny tenin'ny fo miavonavon'ny mpanjaka'i Asyria sy ny fijeriny mieboebo Izy.

Nahoana ny mpanjakan'i Asyria no nihevitra fa nahomby izy?

Nihevitra ny mpanjakan'i Asyria fa nahomby nohon'ny heriny, ny fahendreny, ary ny fahazavan-tsainy izy.

Isaiah 10:15

Inona no hataon'ny Tompo Andriamanitra eo amin'ireo mpiady sangan'i Asyria?

Handefa fahiazana eo amin'izay ireo ny Tompo Andriamanitra.

Isaiah 10:17

Inona hoy Yaveh no ho levoniny ao Asyria?

Nambaran'i Yaveh fa ho levoniny ny voninahitry ny alany sy ny tany mamokatra.

Isaiah 10:20

Hiantehitra amin'ny inona ireo sisa tavelan'Israely aorian'ny handosiran'izy ireo?

Ireo sisa tafandositra dua tsy hiantehitra amin'ilay namely azy intsony, fa hiankina amin'i Yaveh tokoa.

Isaiah 10:24

Nahoana ny Tompo Andriamanitra no niteny tamin'ny vahoaka izay nonina tao Ziona mba tsy hatahotra an'ireo Asyriana?

Noteniny izy ireo mba tsy hatahotra an'ireo Asyriana satria ao anatin'ny fotoana fohy dia fohy ny hitsahatra ny fahatezeran'ny Tompo amin'ireo izay ao Ziona ary hitodika amin'ny fandravana an'i Asyriana ny fahatezeran'ny Tompo.

Isaiah 10:26

Inona no hitranga amin'ny andro izay hitondran'i Yaveh ny karavasiny hamely an'i Asyria sy amin'ny andro hananganan'i Yaveh ny tsorakazony eo amin'ny ranomasina ka hampiakarany izany?

Amin'izany andro izany dia hiala eo an-tsorok'izy ireo ny vesatra ary hiala amin'ny vozony ny zioga.

Isaiah 11

Isaiah 11:1

Inona no ho avy amin'ny fakan'i Jese?

Hisy solofo sy sampana avy amin'ny fakan'i Jese.

Inona no hitoetra eo aminy?

Ny Fanahin'i Yaveh no hitoetra eo aminy.

Inona no homen'ny fanahin'i Yaveh azy?

Fahendrena sy fahazavan-tsaina, tolo-tsaina sy hery, fahalalana, ary tahotra an'i Yaveh no homen'ny fanahin'i Yaveh azy.

Isaiah 11:3

Inona no hampiasainy hitsarana ny mahantra sy ny manetri-tena?

Tsy hitsara araka izay hitan'ny masony izy na izay ren'ny sofiny. Hitsara amin'ny fahamarinana izy ary hanapaka ara-drariny.

Inona no hataony amin'ireo ratsy fanahy?

Havonoiny amin'ny fofonain'ny molony izy ireo.

Isaiah 11:8

Ahoana no fihetsika hafa ataon'ireo biby?

Tsy handratra na handripaka izy ireo any amin'ny tendrombohiny masina rehetra.

Nahoana ireo biby no tsy handratra na handripaka?

Tsy handratra na handripaka ireo biby satria ho feno ny fahalalana an'Andriamanitra ny tany.

Isaiah 11:10

Nahoana Yaveh no haninjitra ny tanany amin'izany andro izany?

Haninjitra ny tanany Yaveh mba hamerina ireo olony sisa tavela any Asyria, Egypta, Patora, Kosa, Elama, Sinara, Hamata, ary ireo nosin'ny ranomasina.

Isaiah 11:12

Inona no hanjo ireo izay mandrafy an'i Joda?

Ho fongorana ireo izay mandrafy an'i Joda.

Inona no hitranga eo amin'i Efraima sy Joda?

Tsy hialona an'i Joda i Efraima, ary Joda dia tsy handrafy an'i Efraima intsony.

Isaiah 11:14

Inona no hiaraka hataon'i efraima sy Joda?

Hanafika tampoka an'ireo havoan'ny Filistina any andrefana izy ireo ary handroba ny olon'ny atsinanana. Hanafika an'i Edoma sy Moaba ihany koa izy ireo.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny ranomasin'i Egypta sy ny Reniranon'i Eofrata?

Ho zarain'i Yaveh ny ranomasin'i Egypta ary ho zarazarainy ho riaka fito ny Reniranon'i Eofrata.

Nahoana Yaveh no hizara ny ranomasin'i Egypta sy hizara ny Reniranon'i Eofrata?

Ho zarainy ireo mba ho azo hiampitana amin'ny kapa.

Isaiah 12

Isaiah 12:1

Amin'izany andro izany, nahoana izy ireo no hanolotra fisaorana an'i Yaveh?

Hisaotra an'i Yaveh izy ireo satria na dia tezitra tamin'izy ireo aza Yaveh, dia namily ny fahatezerany hiala tamin'izy ireo Izy ary nampahery azy ireo.

Amin'izany andro izany, ho lazain'ny olona fa inona Yaveh amin'izy ireo?

Ho ambaran'ny olona fa Yaveh no hery, hira, ary famonjena azy ireo.

Isaiah 12:5

Nahoana ny olona no hasaina hihira ho an'i Yaveh?

Hasaina hihira ho an'i Yaveh izy ireo fa nanao zavatra mahagaga maro Izy ary mba ho fantatra maneran-tany izany.

Isaiah 13

Isaiah 13:1

Inona no hafatra voarain'Isaia tamin'i Yaveh?

Nahavoaray fanambarana momba an'i Babylona izy.

Inona no niantsoan'i Yaveh ireo lehilahy maheriny mba hatao?

Niantso azy ireo mba hanatanteraka ny fahatezerany izy.

Isaiah 13:4

Avy aiza ny tafik'i Yaveh?

Avy any an-tany lavitra izy ireo, avy any amin'ny faravodilanitra.

Inona no hataon'ireo fitaovana fitsaran'i Yaveh?

Hamotika ny tany manontolo izy ireo.

Isaiah 13:6

Inona no hataon'ny olona rehefa potika ny tany?

Hiraviravy ny tanany, ary hivalaketraka ny fony; o raiki-tahotra izy ireo; hahazo azy ireo ny fanaintainana sy ny halahelo. Hanana endrika feno fahatairana izy ireo ary hirehitra ny tavany.

Isaiah 13:9

Inona koa no hitranga amin'ny andron'i Yaveh?

Ho lao ny tany ary ho ripaka hiala amin'izany ny mpanota. Ny kintana, telonohorefy, masoandro ary volana dia tsy hanome hazavana; ho maizina ireo.

Isaiah 13:11

Ho maro ve no ho tavela?

Tsia! Hataon'i Yaveh vitsy noho ny volamena tena izy ireo.

Isaiah 13:17

Iza no ho hetsehin'i Yaveh hanafika ny Babyloniana?

Ny Mediana no ho hetsehin'i Yaveh hanafika ny Babyloniana.

Isaiah 13:19

Inona no hanjo an'i Babylona?

Hazeran'Andriamanitra tahaka an'i Sodoma sy Gomora izy ireo ary tsy hisy honina ao hatramin'ny taranaka mifandimby.

Isaiah 13:21

Inona no handry ao Babylona?

Ny bibidian'ny efitra no hitoetra ao.

rahoviana ireo zavatra ireo no hitranga amin'i Babylona?

Efa akaiky ny andron'i Babylona ary tsy hihemotra ny fotoany.

Isaiah 14

Isaiah 14:1

Inona no hataon'i Yaveh amin'Israely?

Hifidy an'Israely indray Yaveh ary hamerina azy ireo any amin'ny taniny manokana.

Hisy olon-kafa ve handeha hiaraka amin'ny Israelita hiverina any amin'ny taniny?

Hiaraka amin'izy ireo ny vahiny ary hikambana amin'ny ankohonan'i Jakoba.

Iza no hitondra an'ireo Israelita hiverina any amin'ny taniny?

Ireo firenena no hitondra azy ireo any main'ny toerany.

Inona no hataon'ny ankohonan'Israely amin'ireo firenena izay naka an'Israely ho babo?

Halain'ny ankohonan'Israely ho mpanompo vavy sy lahy izy ireo. Halain'izy ireo ho babo ireo izay nambabo azy ary hanapaka eo amin'ny mpampahory azy izy ireo.

Isaiah 14:3

Inona no hitranga amin'ny andro izay hanomezan'i Yaveh fitsaharana ho azy ireo amin'ny fahoriany, ny fijaliany, ary ny asa mafiny?

Hihira hira fanesoana amin'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.

Inona no nanjo an'ireo mpampahory?

Vita ny amin'ireo mpampahory.

Isaiah 14:5

Inona no nataon'ny mpanjakan'i Babylona?

Namely ny olona an-katezerana tamin'ny kapoka tsy misy fitsaharana izy. Nanapaka ny firenena tamin'ny fahavinirana, tamin'ny famelezana izay tsy voafehy izy.

Isaiah 14:10

Inona no ho lazain'ireo mpanjakan'ny tany efa maty amin'ny mpanjakan'i Babylona?

Hilaza izy ireo hoe: "Tonga osa tahaka anay iana..." ary "ny voninahitrao dia hampidinina any amin'ny Fiainan-tsy hita..."

Isaiah 14:12

Inona no nanjo ny zanaky ny maraina?

Nianjera avy any an-danitra izy ary nokapaina tamin'ny tany.

Inona no nolazain'ny zanaky ny maraina tao am-pony?

Nolazainy fa hanandratra ny seza fiandrianany ambonin'ny kintan'Andriamanitra izy ary hanao ny tenany ho tahaka ilay Andriamanitra Avo Indrindra.

Isaiah 14:18

Nahoana ny mpanjakan'i Babylona no tsy hiara-hilevina amin'ireo mpanjakan'ny firenena hafa amin'ny fandevenana?

Tsy hiaraka amin'izy ireo izy satria namotika ny tany ary namono ny vahoakany.

Isaiah 14:21

Inona no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro manohitra an'i Babylona?

Nambarany hoe: "Hitsangana hanohitra azy ireo Aho" ary koa "ho fongorako hiala amin'i Babylona ny anarany, ny taranany.

Isaiah 14:24

Inona no nianianan'i Yaveh Tompon'ny maro mahakasika ny Asyriana ao amin'ny tanin'i Yaveh?

Nambarany fa hamotika ny Asyriana ao amin'ny taniny Izy ary hanitsakitsaka azy ireo eny amin'ny tendrombohiny.

Isaiah 14:28

Inona no fanambarana manohitra an'i Filistia?

Nambara fa tsy hifaly i Filistia, fa hamono ny fakan'i Filistia amin'ny mosary izay hahafaty ireo sisa velon'i Filistia i Yaveh.

Isaiah 14:31

Iza no nanorina an'i Ziona?

Yaveh no nanorina an'i Ziona.

Inona no ho hitan'ireo vahoakan'i Yaveh nampahoriana ao Ziona?

Hahita fialofana ao Ziona ireo vahoakan'i Yaveh nampahoriana.

Isaiah 15

Isaiah 15:1

Momba an'iza ilay fanambarana?

Momba an'i Moaba ilay fanambarana.

Inona no hanjo an'ny Ara sy Kiran'i Moaba?

Samy ho potika izy ireo ary ho ravarava ao anatin'ny alina iray.

Isaiah 15:5

Ho aiza ireo mpitsoa-ponenan'i Moaba?

Handositra any Zoara any Eglata Selisia izy ireo.

Isaiah 15:8

Inona no nahazo ny ranon'i Dimona ary inona no nanjo an'i Dimona?

Feno rà ny ranon'i Dimona; saingy ho be lavitra no ho entin'i Yaveh amin'i Dimona.

Inona no hanjo an'ireo izay mandositra an'i Moaba sy ireo izay mitoetra ao amin'ny tany?

Hisy liona hamely ireo izay mandositra an'i Moaba sy ireo izay mitoetra ao Moaba.

Isaiah 16

Isaiah 16:1

Halefa amin'iza ireo ondrilahy?

Halefa amin'ireo mpanapaky ny tany any amin'ny tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona ireo ondrilahy.

Ampitahaina amin'ny inona ireo vehivavin'i Moaba any amin'ny rivon'ny Reniranon'i Arnona?

Tahaka ny vorona mirenireny na akany miparitaka izy ireo.

Isaiah 16:3

Inona no tokony hataon'i Joda amin'ireo mpitsoa-ponenana sy ireo mpialokalok'i Moaba?

Tokony hafenin'izy ireo ka tsy hivadihany ireo mpitsoa-ponenana ary havelan'izy ireo hitoetra eo aminy ireo mpialokaloka; mba ho toerana fiafenana amin'ny mpandringana.

Isaiah 16:5

Inona no hataon'ilay iray avy amin'ny lain'i Davida izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida?

Hitsara sy hitady rariny izy ary hanao ny marina.

Isaiah 16:11

Inona no ho tanterak'i Moaba rehefa miditra ny tempoly mba hivavaka izy?

Tsy hahatanteraka na inona na inona amin'ny fivavany izy.

Isaiah 16:13

Inona no hanjo ny voninahitr'i Moaba?

Nambaran'i Yaveh fa hanjavona ao anatin'ny telo taona ny voninahitr'i Moaba.

Firy amin'i Moaba no ho tavela?

Ho vitsy dia vitsy ireo sisa tavela amin'i Moaba ary tsy hisy dikany.

Isaiah 17

Isaiah 17:1

Inona no hanjo ny tanànan'i Damaskosy?

Tsy ho tanàna intsony izany, ho korotam-bato rava izany.

Inona no hajavona tsy ho ao Efraima?

Hanjavona tsy ho ao Efraima ireo tanàna voaaro.

Isaiah 17:4

Inona no hanjo ny voninahitr'i Jakoba amin'izany andro izany?

Hanjary ho kely ny voninahitr'i Jakoba ary ny hatavezan'ny nofony dia ho tonga mahia amin'izany andro izany.

Isaiah 17:6

Hitodika amin'iza ny olona amin'izany andro izany?

Hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona ary ny masony dia hijery ilya Iray Masin'Israely.

Isaiah 17:8

Amin'izany andro izany dia ho toy ny inona ny tanàna maherin'izy ireo?

Amin'izany andro izany dia ho toy ny tany lao feno hazoeny an-tampon-kavoana ny tanàna maherin'izy ireo.

Isaiah 17:12

Inona no hitranga rehefa mierona tahaka ny fipaokan'ny rano ireo firenena?

Hiteny mafy ireo firenena Andriamanitra ary handositra sy ho enjehina izy ireo.

Inona no anjaran'ireo izay mandroba an'Israely?

Ny anjaran'izy ireo dia ny hahita horohoro amin'ny hariva ary ho lasa mialohan'ny maraina.

Isaiah 18

Isaiah 18:1

Aiza ilay tanin'ny fikopakopahan'elatra?

Any andafin'ny reniranon'i Etiopia ilay tanin'ny fikopakopahan'elatra.

Mandefa masoivoho any amin'iza ny tanin'ny fikopakopahan'elatra?

Mandefa masoivoho any amin'ny firenena izay ranjanana sy malama, any amin'ny vahoaka atahorana, firenena matanjaka sy mandresy, izay zarain'ny renirano ny taniny izy ireo.

Isaiah 18:3

Rahoviana ny mponin'ny tany no tokony hijery sy hihaino?

Tokony hijery sy hihaino izy ireo rehefa misandratra eny amin'ny tendrombohitra ny fanairana ary rehefa tsofina ny trompetra.

Isaiah 18:4

Inona no hataon'i Yaveh mialohan'ny fijinjana, rehefa tapitra ny famelanana?

Ho tapahin'i Yaveh amin'ny fanetezam-boaloboka ireo rantsana ary ho kapainy sy ho esoriny ireo sampana mihoatra.

Isaiah 18:6

Inona no hitranga rehefa mandany ny fahavatra eo amin'ny sampany ny vorona ary mandany ny ririnina eo amin'ireo ny bibidian'ny tany?

Amin'izany fotoana izany dia hisy fanomezana ho entina eny an-tendrombohitr'i Ziona ho an'i Yaveh avy amin'ny vahoaka ranjanana sy malama.

Isaiah 19

Isaiah 19:1

Momba an'iza ny fanambarana amin'ity toko ity?

Fanambarana mahakasika an'i Egypta ity toko ity.

Iza no hamporisika ny Egyptiana?

Yaveh no hamporisika ny Egyptiana.

Hamporisihina hanohitra an'iza ireo Egyptiana?

Hamporisihitra hifanohitra ihany izy ireo.

Isaiah 19:3

Iza no hataon'i Yaveh hitarika ireo Egyptiana?

Hatolotr'i Yaveh eo an-tanan'ny tompo masiaka ireo Egyptiana, ary hisy mpanjaka mahery hanapaka eo amin'izy ireo.

Isaiah 19:5

Inona no hanjo ny ranon'i Egypta?

Ho ritra ny ranon'ny ranomasina ary ho ritra sy ho foana ny renirano.

Isaiah 19:9

Inona no hanjo an'ireo mpanao lamban'i Egypta?

Ho torotoro ireo mpanao lamba.

Isaiah 19:11

Inona no nanjo ny tolo-tsain'ny mpanolotsain'i Farao?

Zara tsy misy dikany ny tolo-tsain'izy ireo.

Isaiah 19:13

Nahoana ny tolo-tsain'ny mpanolotsain'i Farao no lasa tsy misy dikany?

Lasa tsy misy dikany ny tolo-tsain'izy ireo satria nampifangaro ny fanahin'ny fifanjevoana teo afovoan'i Egypta.

Isaiah 19:16

Ho tahaka ny inona ireo Egyptiana amin'izany andro izany?

Ho tahaka ny vehivavy ireo Egyptiana amin'izany andro izany. Hangovitra izy ireo ary hatahotra.

Isaiah 19:18

Amin'izany andro izany, inona no hataon'ireo tanàna fito ao Egypta?

Hianiana amin'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo.

Isaiah 19:19

Amin'izany andro izany dia inona no ho eo afovoan'ny tany Egypta?

Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Yaveh eo afovoan'ny tany Egypta.

Isaiah 19:23

Iza no hiara-hanompo an'i Yaveh amin'izany andro izany?

Hiara-hanompo an'i Yaveh ny Egyptiana sy ny Asyriana.

Isaiah 19:24

Iza no ho fitahiana eo afovoan'ny tany amin'izany andro izany?

Israely, Egypta ary Asyria no ho fitahiana eo afovoan'ny tany.

Isaiah 20

Isaiah 20:1

Inona no nitranga rehefa nankany amin'i Asdoda i Tartana?

Niady tamin'i Asdoda ka naka izany i Tartana.

Iza no nandefa an'i Tartana tany Asdoda?

Sargona mpanjakan'i Asyria no nandefa an'i Tartana tany Asdoda.

Inona no nasain'i Yaveh nataon'Isaia rehefa nalain'i Tartana i Asdoda?

Nasain'i Yaveh nanala ny akanjo fisaonany sy ny kapany Isaia ary nandeha niboridana sy tsy nikapa.

Isaiah 20:3

Nahoana Isaia no nasaina nandeha niboridana?

Izany no ho famantarana fa ho entin'ny mpanjakan'i Asyria miboridana sy tsy mikapa ireo babon'i Egypta sy ireo sesitanin'i Etiopia.

Isaiah 20:5

Inona no hanjo an'ireo izay mametraka ny fanantenany amin'i Etiopia sy Egypta?

Ho hatahotra sy ho menatra izy ireo.

Isaiah 21

Isaiah 21:1

Karazana fahitana inona no nomena an'Isaia?

Faminaniana mapahory no nomena azy.

Mahakasika ny inona ilay fahitana?

Mahakasika ny fanafihana an'i Elama sy fanaovana fahirano an'i Media ilay fahitan'Isaia.

Isaiah 21:3

Inona no fiantraikan'izany fahitana izany tamin'Isaia?

Nahatonga fanaintainana tamin'ny valahan'Isaia izany. Nidobodoboka mafy ny fony. Nangovingovitra izy.

Isaiah 21:6

Inona no nambaran'ny Tompo tamin'Isaia?

Nasain'ny Tompo nametraka mpiambina sy nanisy mpiambina nitatitra izay hitany Isaia.

Inona no tokony hataon'ilay mpaimbina rehefa mahita kalesy, mpitaingin-tsaoavaly tsiroaroa ary mpitaingina boriky sy rameva izy?

Tsy maintsy mitandrina tsara ny mpiambina ary hiambina tokoa.

Isaiah 21:8

Rehefa misy kalesy tonga, inona no hiatsoantsony?

Tokony hiantsoantso izy hoe: "efa rava Babylona, rava, ary ireo sarivongan'ny andriamaniny rehetra dia potika amin'ny tany."

Isaiah 21:13

Iza no nandany ny alina any amin'ny tany efitr'i Arabia?

Ireo mpanao rodoben'ny Dedanita no nandany ny alina tany.

Inona no nasaina nataon'ire mpanao rodoben'ny Dedanita?

Nasaina nitondra rano ho an'ny mangetaheta izy ireo.

Inona no nasaina nataon'ireo mponin'ny tanin'i Tema?

Nasaina nitsena tamin'ireo mpitsoa-ponenana tamin'ny mofo izy ireo.

Isaiah 21:16

Inona no nolazain'ny Tompo momba an'i Kedara?

Nambaran'ny Tompo tamin'Isaia fa ao anatin'ny herintaona ny voninahitr'i Kedara dia ho tapitra ary mpandefa tsipika sy mpiady vitsy ihany no ho tavela.

Isaiah 22

Isaiah 22:1

Inona no lohahevitry ny toko faha 22?

Fanambarana momba ny lohasahan'ny fahitana izany.

Nankaiza ireo vahoaka rehetra?

Nankany an-tampon-trano izy rehetra.

Inona no mitranga ao an-tanàna sy eny amin'ny vohitra?

Mikotaba ny tanàna ary feno fankalazana eny amin'ny vohitra.

Matin'ny sabatra sa maty an'ady ireo maty?

Tsia, tsy matin'ny sabatra na maty an'ady ireo maty.

Isaiah 22:3

Inona no nanjo an'ireo mpanapaka?

Niara-nandositra ireo mpanapaka ary tratra ka niara-vaoasambotra.

Nahoana Isaia no nitomany mafy?

Nitomany izy nohon'ny amin'ny faharavan'ny zanaka vavin'ny olony.

Isaiah 22:5

Iza no maka ny tranon-jana-tsipika sy ampinga hanohitra azy ireo?

Elama no maka ny tranon-jana-tsipika ary Kira no mamaha ny fonon'ampinga.

Inona no hitranga ao amin'ny lohasaha tsara indrindran'i Joda?

Ho feno kalesy ny lohasahan'izy ireo.

Isaiah 22:8

Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny fiarovan'i Jerosalema?

Nesoriny ny fiarovan'izy ireo.

Isaiah 22:12

Niantso inona Yaveh Tompon'ny maro tamin'izany andro izany?

Niantso fitomaniana sy fisaonana Izy, niantso loha voaharatra sy fanaovana akanjo fiasaonana.

Inona kosa no nataon'ny olona raha tokony hitomany sy hisaona?

Nifaly sy nankalaza ireo olona. Namono biby fiomby sy ondry izy ireo, nihinana hena sy nisotro divay.

Hamela azy ireo noho izay nasetriny ve ny Tompo?

Tsy hamela azy ireo ny Tompo na rehefa maty aza izy ireo.

Isaiah 22:15

Inona no nataon'i Sebna ho an'ny tenany?

Nanana fasana voarafitra ho azy tany anaty vatolampy mba ho toerana fitsaharana izy.

Isaiah 22:17

Inona hoy Yaveh no hataony amin'i Sebna?

Namabaran'i Yaveh fa hampianjera an'i Sebna Izy, ary hanala azy hiala amin'ny fiasany sy ny fitoerany.

Isaiah 22:20

Iza no haka ny toeram-pahefan'i Sebna?

Eliakima, zanak'i Hilkia no haka ny toeram-pahefan'i Sebna.

Isaiah 22:25

Amin'izany andro izany dia inona no hitranga amin'ilay ketoka napetraka tamin'ny toerana marina tsara?

Hilatsaka ilay ketoka, ho tapaka ary hianjera ary ho potika ilay vesatra izay teo amin'izany.

Isaiah 23

Isaiah 23:1

Fanambarana momba an'iza ny ao amin'ny toko faha 23?

Momba an'i Tyro ny fanambarana ao amin'ny toko 23.

Nahoana ny sambon'i Tarsisy no tokony hidradradradra?

Tokony hidradradradra izy ireo satria tsy manana na trano na fiantsonana.

Inona ny tanànan'i Tyro?

Tsena ho an'ny firenena i Tyro.

Isaiah 23:4

Inona no hataon'i Egypta rehefa mandre ny tatitra momba an'i Tyro?

Halahelo mafy Egypta rehefa mandre ny tatitra momba an'i Tyro.

Isaiah 23:8

Iza no nikasa izany hanoherana an'i Tyro?

Ny Tompon'ny Maro no nikasa izany hanoherana an'i Tyro.

Nahoana ny Tompon'ny Maro no nikasa izany hanoherana an'i Tyro?

Nikasa izany Izy mba hanalana baraka ny fieboeboany sy ny voninahiny rehetra, mba hahamenatra ireo olony manan-kaja rehetra eto an-tany.

Isaiah 23:15

Ho mandra-pahoviana i Tyro no ho adinoina?

Amin'izany andro izany, dia ho adinoina mandritra ny fitopolo taona i Tyro.

Isaiah 23:17

Inona no hanjo an'i Tyro aorian'ny fanadinoana azy mandritra ny fitopolo taona?

Hanampy an'i Tyro i Yaveh, ary hiverina amin'ny asany izy ary hivaro-tena amin'ireo mpanjakan'ny tany.

Inona no hahazo ny tombony sy ny fidiram-bolan'i Tyro?

Hatokana ho an'i Yaveh ny tombony sy ny fidiram-bolany.

Inona no hahazo ny entam-barotr'i Tyro?

Ho an'ireo izay miaina eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh izany, mba hohanin'izy ireo ka hananany fitafy maharitra mandrakizay.

Isaiah 24

Isaiah 24:1

Hanao inona Yaveh?

Hanafoana ny tany Izy, handravarava izany, hamotika ny velarany ary hampiely ireo mponiny.

Isaiah 24:3

Ahoana no nandotoan'ny mponiny ny tany?

Naloto ny tany satria nandika lalàna ireo mponiny, nandika ireo didy ary nivadika tamin'ny fanekena mandrakizay.

Isaiah 24:6

Inona no manjo ny mponin'ny tany?

Ho may izy ireo ary olona vitsy no ho tavela.

Isaiah 24:12

Kisarisary inona no ampiasain'Isaia mba hampisehoana hoe ho toy ny ahoana ny eto amin'ny tany manotolo eo amin'ny firenena rehetra amin'izany fotoana izany?

Ampitahainy amin'ny fanozongozonana ny oliva na ny fanangonana ny voaloboka rehefa vita ny fanotazana ny toetoetry ny tany amin'izany fotoana izany.

Isaiah 24:14

Eo afovoan'izany loza rehetra izany, inona no hataon'izy ireo?

Hanandratra ny feony izy ireo ary hihiakiaka ny famirapiratan'i Yaveh ary hihiaka am-pifaliana avy eny an-dranomasina.

Isaiah 24:16

Inona no navalin'Isaia tamin'ny hiakiaka sy ny antsoantso hanomezam-boninahitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely?

Namaly Isaia tamin'ny filazana hoe: "Efa nihaosa aho, efa nihaosa aho, indrisy! Ny mpamitaka dia nitondra am-pitaka; eny, ny mpamitaka dia tena nitondra am-pitaka tokoa."

Isaiah 24:21

Iza no ho faizin'i Yaveh amin'izany andro izany?

Hanafay an'ireo antokon'ireo avo any ambony sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany Yaveh.

Inona no ho famaizana an'ireo antokon'ny avo any ambony sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany?

Hiara-hangonina izy ireo, ho gadra anaty lavaka ary ho vaohidy any am-pigadrana ary afaka andro maro dia ho helohina izy ireo.

Nahoana ny volana no ho menatra ary ny masoandro no ho afa-baraka?

Izany dia satria hanjaka eo amin'ny tendrombohitr'i Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ireo loholony am-boninahitra Yaveh.

Isaiah 25

Isaiah 25:1

Nahoana Isaia no nanadratra sy nidera an'i Yaveh?

nanadratra sy nidera an'i Yaveh izy satria nanao zava-mahagaga Yaveh, zavatra efa nokasaina hatry ny ela, tamin'ny fahatokiana tonga lafatra.

Inona ireo zava-mahagaga nataon'i Yaveh?

Nataon'i Yaveh ho korotam-bato ny tanàna, ny tanàna voaaro ho faharavana ary ny fiarovana mafin'ny vahiny tsy ho tanàna.

Inona no ho valin'izany aorian'ny hanaovan'i Yaveh ny tanàna ho korotam-bato, sns?

Hisy vahoaka mahery hanome voninahitra an'i Yaveh ary hisy tanànan'ny lozabe hatahotra Azy.

Isaiah 25:6

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ireo vahoaka eo amin'izany tendrombohitra izany sy hataony amin'izy ireo?

Hanao firavoravoana amin'ny ny zavatra matavy ho an'ny vahoaka rehetra Izy ary hamotika ny fisaronan'ny olona rehetra, dia rakotra eo amin'ny firenena rehetra.

Inona no hatelin'i Yaveh, ho fafany ary hesoriny amin'ny olony?

Hitelina ny fahafatesana Izy, hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra ary hanala ny fahafaham-barakan'ny olony.

Isaiah 25:9

Inona no ho lazaina amin'izany andro izany?

Ho lazaina hoe: "Indro ity no Andriamanintsika, efa niandry Azy isika ary Izy hamonjy antsika. Izy no Yaveh, efa niandry Azy isika, hifaly sy hiravo amin'ny famonjeny isika."

Tahaka ny inona ny anjaran'i Moaba?

Ampitahaina amin'ny mololo izay voahitsakitsaka anaty lavaka misy zezika ny anjaran'i Moaba.

Isaiah 26

Isaiah 26:1

Aiza io hira io no hiraina amin'izany andro izany?

Any amin'ny tanin'i Joda izany no hiraina.

Ahoana no nampaherezan'Andriamanitra ny tanàna?

Nampahereziny tamin'ny fanaovana ny manda sy ny tovon-taniny ho famonjena izany.

Ho vohana ho an'iza ny vavahadin'ny tanàna?

Ho vohana ho an'ny firenena marina izay mitana ny finoana ny vavahadin'ny tanàna.

Isaiah 26:3

Amin'iza no tokony hitokiantsika ary ho mandra-pahoviana no tokony hitokiantsika?

Tokony hitoky amin'i Yaveh mandrakizay isika.

Isaiah 26:5

Inona no hanjo an'ireo izay miaina am-pieboeboana; sy ny Ho vohana ho an'iza ny vavahadin'ny tanàna voaaro?

Hahetrin'i Yaveh ireony; hataony hahitsy ho eo amin'ny vovoka ilay tanàna voaaro. Ho hitsakitsahin'ny tongotry ny mahantra sy ny fanosihosen'ny ory izany.

Isaiah 26:7

Inona no fanirian'ny fanahintsika?

Ny anarana sy ny fahatsiarovana an'i Yaveh no fanirian'ny fanahintsika.

Inona no hitranga rehefa tonga ety an-tany ny fitsarana?

Rehefa tonga ny fitsarana dia hianatra fahamarinana ny mponin'izao tontolo izao.

Isaiah 26:10

Inona no ataon'ny ratsy fanahy rehefa anehoana sitraka?

Tsy hianatra fahamarinana izy.

Isaiah 26:11

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Joda ary inona no ho entiny ho an'i Joda?

Efa nahatanteraka ny asantsika rehetra ho antsika Yaveh ary hitondra fiadanana ho an'i Joda.

Isaiah 26:13

Inona no nanjo ireo tompo hafa izay nanapaka teo amin'i Joda?

Maty izy ireo ary tsy ho velona; nody mandry izy ka tsy hitsangana. Tonga tamin'ny fitsarana Yaveh ary nandringana azy ireo.

Isaiah 26:16

Oviana Joda no nitodika tamin'i Yaveh?

Nitodika tamin'i Yaveh izy ireo rehefa tao anaty fahoriana; rehefa nanafay azy ireo Yaveh.

Isaiah 26:19

Nahoana ireo izay mitoetra any amin'ny vovoka no hifoha ka hihira fifaliana?

Hifoha sy hihira fifaliana izy ireo satria ny maty dia ho velona, hitsangana ireo.

Isaiah 26:20

Nahoana ny olona no tokony hiditra ao anaty efitranony ary hanidy ny varavarany?

Tokony hanao izay izy ireo mba hahafahan'izy ireo miafina mandra-pahalefin'ny fahatezerana.

Inona no hataon'i Yaveh?

Hivoaka avy ao amin'ny toerany Izy mba hanafay ny mponin'ny tany nohon'ny helony.

Isaiah 27

Isaiah 27:1

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny sabany amin'izany andro izany?

Hanafay an'i Leviatana bibilava Yaveh, ary hamono ilay bibidia any an-dranomasina.

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny tanim-boaloboky ny divay amin'izany andro izany?

Hiaro izany Izy, hanondraka azy isan'andro ary hiambiana izany amin'ny alina.

Isaiah 27:4

Inona no hataon'i Yaveh raha tsy mifikitra amin'ny fiarovany ka mihavana aminy ny tsilo?

Hanitsakitsaka izany Yaveh ary handoro azy.

Isaiah 27:6

Inona no hataon'i Jakoba sy Israely amin'ny andro ho avy?

Hamaka i Jakoba; hamelana Israely ary hisy kibory; ary hameno voankazo ny tany.

Isaiah 27:9

Inona no vokatra fenon'ny fanesorana ny fahotan'i Jakoba?

Hataony vato sokay voatorotoro ny vaton'ny alitara, ary tsy hisy Aseraha sy ditin-kazo manitra hiangana intsony.

Isaiah 27:10

Nahoana ny Mpahary an'Israely no tsy hangoraka azy ireo?

Satria tsy olon'ny fahazavan-tsaina izy ireo dia tsy hangoraka azy ireo Yaveh.

Isaiah 27:12

Ahoana no hanangonana ny vahoakan'Israely amin'izany andro izany?

Hangonina tsirairay avy izy ireo.

Iza no hanompo an'i Yaveh eo amin'ny tendrombohitra masina ao Jerosalema?

Ireo ho faty ao amin'ny tanin'i Asyria sy ireo voaroaka ao amin'ny tany Egypta no hanompo an'i Yaveh eo amin'ny tendrombohitra masina ao Jerosalema.

Isaiah 28

Isaiah 28:1

Ahoana no famaritana ny toetoetran'i Efraima?

Fariparitana ho mirehareha sy tahaka ny mamolava i Efraima.

Inona no manjo ny fahatsaran'i Efraima?

Mihalefy ny fahatsaran'i Efraima.

Ampitahaina amin'ny inona ilay mahery sy matanjaky ny Tompo?

Ampitahaina amin'ny avandra, tafiotra mandravarava, ora-mikija mahery vaika sady manafotra izy.

Inona no hataon'ilay mahery sy matanjaky ny Tompo?

Hamely ny tany amin'ny tanany izy.

Isaiah 28:3

Ho ampitoviana amin'ny inona ny voninkazon'ny fahatsarana be voninahitr'i Efraima izay mihalefy?

Ho tahaka ny avivavy izay masaka voalohany amin'ny fahavaratra izany, rehefa misy mahita azy, dia hataony teli-moka izay raha mbola eny an-tanany.

Isaiah 28:5

Ho inona Yaveh amin'ireo sisa tavela amin'ny olona amin'izany andro izany?

Ho satro-boninahitra tsara tarehy sy fehilohan'nny fahatsarana Yaveh, ho fanahin'ny fahamarinana ho an'izay mipetraka amin'ny fitsarana, ary hery ho an'ireo izay mampiverina ny fahavalony eo amin'ny vavahadiny.

Isaiah 28:7

Iza no adoladolan'ny divay sy mivembena nohon'ny zava-pisotro mahery?

Ireo sisa tavela amin'ny vahoakan'Andriamanitra, ny mpisorona ary ny mpaminany.

Midoladola sy mivembena amin'ny inona ireo mpisorona sy ny mpaminany?

Midoladola amin'ny fahitana izy ireo ary mivembena amin'ny fanapahan-kevitra.

Isaiah 28:11

Ahoana no firesak'i Yaveh amin'izany vahoaka izany?

Amin'ny molotra maneso sy lelan'ny vahiny no hiresahany amin'izy ireo.

Inona no nitranga tamin'ny lasa fony niresaka tamin'izy ireo Yaveh?

Tsy nihaino izy ireo.

Isaiah 28:13

Inona izao no ho vokany rehefa mandre ny tenin'i Yaveh io vahoaka io?

Handeha izy ireo ka hianjera ary ho torotoro, ho voafandrika sy ho babo.

Isaiah 28:14

Inona no nolazain'ireo mpanapaky ny vahoaka ao Jerosalema?

Nambaran'izy ireo fa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izy ireo ary fifanarahana tamin'ny Fiainan-tsy hita fa handalo amin'izany ny fitsarana ary tsy hahatratra azy ireo. Nambaran'izy ireo fa nanao ny lainga ho fialofany izy ary niafina tao amin'ny famitahany.

Isaiah 28:16

Inona no hapetraky ny Tompo Yaveh ao Ziona?

Hametraka vato fiorenana, vato voazaha toetra, vato fehizoro sarobidy, fiorenana azo antoka Yaveh.

Isaiah 28:17

Inona no hanjo ilay fialofana lainga sy ny toerana fiafenana?

Hifaoka ny fialofana lainga ny avandra ary hanafotra ilay toerana fiafenana ny tondra-drano.

Isaiah 28:18

Inona no hanjo ilay fifanekena tamin'ny fahafatesana sy ny fifanarahana tamin'ny Fiaina-tsy hita izay nataon'ireo mpanapaka tao Jerosalema?

Ho levona izany fifanekena sy fifanarahana izany ary rehefa mandalo ilay tondra-drano mehery vaika dia ho safotr'izany izy ireo.

Isaiah 28:22

Inona hoy Isaia no ho voka-dratsin'ny faniratsirana?

Mampitandrina azy ireo izy mba tsy haniratsira raha tsy izany dia ho fehezina ny fatoran'izy ireo.

Isaiah 29

Isaiah 29:1

Inona izany Ariela?

Ariela dia tanàna izay nitobian'i Davida.

Isaiah 29:3

Inona no hataon'i Yaveh amin'i Ariela?

Hanao fahirano an'i Ariela Izy ary hianjera izany.

Isaiah 29:5

Ao anatin'ny hafiriana no hianjeran'i Ariela?

Hitranga tampoka izany, ao anatin'ny fotoana fohy.

Isaiah 29:7

Iza no hiady amin'i Ariela sy ny fiarovana mafiny?

Hisy miaramilan'ny firenena rehetra hiady amin'ny Ariela.

Isaiah 29:9

Inona no nararak'i Yaveh tamin'ny Ariela?

Ny fanahin'ny torimaso lalina no narotsak'i Yaveh tamin'izy ireo.

Inona no ataon'izay fandatsahana ny fanahin'ny torimaso lalina izany amin'izy ireo?

Nanidy an'ireo mpaminany izany ary nanarona ireo mpahita.

Isaiah 29:13

Inona no fitarainan'ny Tompo ny amin'izany vahoaka izany?

Hoy ny Tompo hoe: "Manatona Ahy amin'ny vavany ireo vahoaka ireo ary mankalaza Ahy amin'ny molotr'izy ireo, kanefa lavitra Ahy ny fony. Ny fankalazan'izy ireo Ahy didy nampianarin'olona ihany."

Satria ny fon'izy ireo dia lavitra ny Tompo ary tsy manaja Azy rahateo izy ireo, dia inona no hataon'ny Tompo amin'izy ireo?

Ho levoniny ny fahendren'ireo olon-kendry ary ny fahazavan-tsain'ny manan-tsaina dia hanjavona.

Isaiah 29:17

Inona no hanjo an'i Libanona ao anatin'ny fotoana fohy monja?

Havadika ho saha i Libanona ary ho lasa ala ilay saha.

Inona no hataon'ny jamba sy ny marenina amin'izany andro izany?

Handre ny tenin'ny boky ny marenina ary ny jamba dia hahita avy ao amin'ny aizina lalina.

Inona no hataon'ireo nampahoriana sy ireo mahantra eo amin'ny olona?

Hifaly amin'i Yaveh Iray Masin'Israely izy ireo.

Isaiah 29:20

Inona no hanjo an'ireo izay tia manao ratsy?

Haripaka izy ireo.

Isaiah 29:22

Rahoviana ny ankohonan'i Jakoba no hanome voninahitra ny anaran'i Yaveh?

Hanome voninahitra ny anaran'i Yaveh izy ireo rehefa mahita ny zanany eo afovoany izy, dia ny asan'ny tanan'i Yaveh.

Inona no hahazo ireo mpitaraina sy ireo izay mivily fanahy?

Hianatra fahalalana ireo mpitaraina ary ireo izay mivily fanahy dia hahazo fahazavan-tsaina.

Isaiah 30

Isaiah 30:1

Inona hoy Yaveh no ataon'ireo zaza mpikomy?

Nambarany fa manao fikasana izy ireo nefa tsy avy aminy ary manao fanekena nefa tsy amin'ny fanahiny, fa manapy ota amin'ny ota izy ireo.

Iza no tadiavin'ireo zaza mpikomy hiaro azy ireo?

Mitady fiarovana avy amin'i farao izy ireo ary mialokaloka ao amin'ny alok'i Egypta.

Isaiah 30:3

Ho inona ny fiarovan'i Farao sy ny alok'i Egypta amin'ireo zaza mpikomy?

Ny fiarovan'i Farao no ho henatr'izy ireo ary ny alok'i Egypta no ho fahafaham-barakany.

Isaiah 30:6

Toy ny ahoana no hasarobin'ny fanampian'i Egypta amin'ireo zaza mpikomy?

Tsy misy vidiny ny fanampian'i Egypta.

Isaiah 30:8

Nahoana no tian'i Yaveh ho soratan'Isaia eo anatrehan'izy ireo ao amin'ny vato fisaka izany, ary raketiny ao anaty horonan-taratasy?

Tian'i Yaveh ho tehirizina ho amin'ny fotoana ho avy mba ho fijoroana vavolombelona izany.

Inona no tsy ren'ireo vahoaka mpikomy?

Tsy handre ny fampianaran'i yaveh Izy ireo.

Isaiah 30:10

Inona no tian'ireo zaza mpikomy ho re?

Te handre zavatra malama sy faminaniana mamitaka izy ireo.

Isaiah 30:15

Ahoana hoy Yaveh no hahafahan'ireo zaza mpikomy hatanjaka sy ho voavonjy?

Ambaran'i Yaveh fa amin'ny fiverenana sy fijanonana no ahafahan'izy ireo ho voavonjy, ary amin'ny fahanginana sy fatokiana no ho herin'izy ireo.

Inona no navalin'i Yaveh ny fanambaran'ireo zaza mpikomy momba ny fandosirana amin'ny soavaly sy fitaingenana soavaly haingam-pandeha?

Novalian'i Yaveh tamin'ny filazana tamin'ireo zaza mpikomy izany fa handositra izy ireo ary ho haingam-pandeha ireo izay manenjika azy.

Isaiah 30:17

Firy hoy Yaveh no handositra ny fandrahonan'ny olona iray?

Nambaran'i Yaveh fa arivo no handositra ny fandrahonan'ny olona iray.

Isaiah 30:18

Inona no andrasan'i Yaveh sy mahavonona Azy?

Miandry ny ho tsara fanahy amin'ireo zaza mpikomy Izy ary hamindra fo amin'izy ireo.

Inona no mitranga amin'ireo rehetra izany miandry an'i Yaveh?

Ho tahiana izy ireo.

Isaiah 30:20

Na dia manome ny mofon'ny ady sarotra sy ny ranon'ny fampahoriana azy ireo aza Yaveh dia inona no tsy hataon'ny mpampianatr'izy ireo intsony?

Tsy hiafina intsony ny mpampianatr'izy ireo, fa ho hitan'izy ireo amin'ny masony mihitsy.

Isaiah 30:22

Inona no hataon'ireo zaza mpikomy amin'ireo sary sokiny sy ireo sary an'idiny volamena?

Ho lotoiny ireo ary hariany.

Isaiah 30:25

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny vahoakany aorian'ny andron'ny famonoana rehefa mianjera ny tilikambo?

Hamehy ny fahavakisan'ny olony izy ary hanasitrana ny fery izay nandratrany azy ireo.

Isaiah 30:30

Ahoana no anehoan'i Yaveh ny famirapiratan'ny feony sy ampisehoany ny fihofahofan'ny tanany?

Amin'ny tafiotran'ny fahatezerana sy lela afo no anehoany izany, amin'ny tafio-drivotra, oram-baratra sy avandra.

Isaiah 30:31

Ho amin'iza ny feon'i Yaveh sy ny fihofahofan'ny tanany?

Ho amin'i Asyria izany. Fa hirodana amin'ny feon'i Yaveh i Asyria; hamely azy ireo amin'ny tehina Izy.

Inona no hiaraka amin'ny kapoky ny tsorakazo voatendry rehetra izay hataon'i Yaveh aminy?

Ny feon'ny amponga tapaka sy ny harpa no hiaraka amin'ny kapoka rehetra rehefa mitolona sy miady amin'i Asyria i Yaveh.

Isaiah 30:33

Inona no efa nomanina ho an'ny mpanjakan'i Asyria?

Misy toerana fandorana efa nomanina ho an'ny mpanjakan'i Asyria.

Inona sa iza no handrehitra ny afo nomanina ho an'ny mpanjakan'i Asyria?

Ny fofonain'i Yaveh no handrehitra izany.

Isaiah 31

Isaiah 31:1

Nahoana no tononina ho an'ireo izay midina ho any Egypta hitady fanampiana ny loza?

tononina amin'izy ireo ny loza satria mitoky amin'ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly izy ireo fa tsy miraharaha ny Iray Masin'Israely, na mitady an'i Yaveh.

Hitsangana hanohita an'iza Yaveh?

Hitsangana hanohitra ny ankohonana ratsy Izy ary hanohitra ireo mpanampy an'ireo izay manota.

Isaiah 31:3

Inona no hanjo an'izay manampy sy izay ampiana?

Samy ho faty izy ireo.

Isaiah 31:5

Inona no hataon'i Yaveh ho an'i Jerosalema?

Hiaro, hanafaka ary hitahiry azy Izy.

Inona no asain'Isaia ataon'ny vahoakan'Israely?

Asainy miverina amin'i Yaveh izy ireo, izay nihodinan'izy ireo lavitra.

Aorian'ny fahalavoan'i Asyria amin'ny sabatra, inona no ho terena hataon'ireo tovolahiny?

Ho terena hanao asa mafy ireo tovolahin'i Asyria.

Isaiah 32

Isaiah 32:1

Ho tahaka ny ahoana mpanjaka marina sy ny andriana marina?

Ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra izy ireo ary fiarovana amin'ny tafiotra, tahaka ny rano mandriaka eo amin'ny tany maina, tahaka ny alokaloky ny vatolampy lehibe eny amin'ny tanin'ny faharerahana.

Isaiah 32:4

Inona no hataon'izay maimaika sy miboredidredika rehefa misy mpanjaka manjaka amin'ny fahamarinana sy andriana manapaka amin'ny rariny?

Hisaina tsara amin'ny fahazavan-tsaina ny maimaika, ary ny miboredidredika dia hiteny mazava sy am-pahalalahana. Tsy ho antsoina intsony ho manan-kaja ny adala, na ho antsoina hoe ara-dalàna ny mpamitaka.

Inona no ataon'ny adala?

Miteny fahadalana izy, mikasa asa ratsy feno fanratsirana ny fony ary miteny manohitra an'i Yaveh izy.

Isaiah 32:7

Inona no ataon'ny mpamitaka?

Mampiasa fomba ratsy izy. Misaintsaina teti-dratsy hamotehana ny mahantra amin'ny lainga izy.

Inona no hahazo ny olona mendri-kaja?

Hijoro nohon'ny amin'ny asa mendri-kajany ny olona mendri-kaja.

Isaiah 32:9

Nahoana ireo vehiavy izay nahatsiaro ho metimety no nasaina nihaino ny feon'Isaia?

Nasaina nihaino ny feon'Isaia izy ireo satria ao anatin'ny herintaona mihoatra kely dia ho rava ny tokin'izy ireo, tsy hahavanona ny fijinjam-boaloboka, ary ny tsy ho avy ny fanangonana.

Isaiah 32:14

Inona no hanjo ny lapa sy ilay tanàna hipoka olona?

Ho afoy ny lapa ary ho foana ilay tanàna hipoka olona.

Haharitra mandra-pahoviana ny fandravana?

Haharitra izany mandra-pandatsahana ny Fanahy avy any amin'ny avo ka ho tonga saha mahavokatra ny tany efitra ary ny saha mahavokatra dia raisina ho toy ny ala.

Isaiah 32:16

Inona no asa sy vokatry ny fahamarinana?

Ny asan'ny fahamarinana dia fiadanana ary ny vokany dia filaminana sy fatokiana mandrakizay.

Isaiah 32:19

Iza no ho tahiana?

Ho tahiana ireo izay mamafy eny akaikin'ny riaka ary mandefa ny ombiny sy ny ampondrany mba hiraoka.

Isaiah 33

Isaiah 33:1

Inona no hanjo ny mpandrava sy ny mpamadika rehefa mitsahatra amin'ny fandravana sy fivadihana izy ireo?

Ho rava ny mpandrava ary ho vadihana izay mpamadika.

Isaiah 33:3

Inona no mitranga rehefa mitsangana Yaveh?

Miparitaka ireo firenena.

Isaiah 33:5

Ho fenoin'i Yaveh amin'ny inona i Ziona?

Ho fenoiny amin'ny rariny sy fahamarinana i Ziona.

Ho inona Yaveh amin'ny andron'izy ireo?

Amin'ny andron'izy ireo dia ho fahamarinan-toerana, ho famonjena mitobatobaka ary fahalalana ny fahendrena Izy.

Isaiah 33:7

Nahoana ireo irany no nitaraina ary ny mpitondra teniny no mitomany mafy?

Nitaraina sy nitomany izy ireo satria faona ny lalam-beny; tsy nisy mpandeha intsony. Voadika ny fifanekena, amavoina ny vavolombelona ary tsy hajaina ireo tanàna.

Isaiah 33:10

Inona no ho vokany rehefa mitsangana Yaveh?

Hisandratra Yaveh ary ho asandratra.

Inona no hanjo an'ireo izay akofa no torotoroniny, ary mololo no aterany ao Ziona?

Ny fofonainy dia afo izay mandevona azy ireo. Ho may ho lasa sokay irei vahoaka.

Isaiah 33:13

Inona no asetrin'ireo mpanota ao Ziona?

Matahotra ireo mpanota ao Ziona; nahazo ireo mpaniratsirany ny hovitrovitra.

Isaiah 33:15

Iza amin'ireo ao Ziona no afaka hitoetra ao amin'ny afo mandevona sy ny firehetana mandrakizay?

Ireo izay afaka mitoetra ao io afo sy firehetana io dia ireo izay mandeha am-pahamarinana sy miteny amin-kitsim-po; izay manamavo ny tombony avy amin'ny fampahoriana, izay mandà tsy handray tsolotra, izay tsy mitetika heloka feno herisetra ary tsy mijery ny ratsy.

Aiza no hanao ny fonenany izay mandeha am-pahamarinana sy miteny amin-kitsim-po?

Izay mandeha am-pahamarinana sy miteny amin-kitsim-po dia hanao ny fonenany eny amin'ny avo.

Isaiah 33:22

Iza Yaveh ary inona no hataony?

Yaveh no mpitsara antsika, ilay mpanome lalàna sy mpanjakantsika; hamonjy antsika Izy.

Isaiah 33:23

Rehefa zaraina ny babo lehibe dia iza no isan'ireo izay hahazo izany?

Na dia ny mandringa aza dia hahazo babo.

Isaiah 34

Isaiah 34:1

Iza no tokony hanatona, hihaino ary hitandrina?

Ireo firenena, ny tany sy izay rehetra mameno izany, izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra izay avy amin'izany no tsy maintsy hanatona, hihaino ary hitandrina.

Nahoana ireo firenena, ny tany sy izay rehetra mameno izany, izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra izay avy amin'izany no tsy maintsy hanatona, hihaino ary hitandrina?

Tsy maintsy manao izany izy ireo satria tezitra amin'ny firenena rehetra Yaveh ary vinitra amin'ny tafiny rehetra.

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ireo firenena sy ny tafiny?

Nopotehiny tanteraka ireo. Natolony ho amin'ny famonoana izy ireo.

Isaiah 34:3

Inona no hanjo ny kintana sy ny lanitra?

Ny kitan'ny lanitra rehetra dia ho levona ary ny lanitra dia haorina tahaka ny horonan-taratasy; ary dia hanjavona ny kintany rehetra.

Isaiah 34:5

Inona no hataon'i Yaveh rehefa mamo tanteraka any an-danitra ny sabany?

Dia hidina amin'ny fitsarana eo amin'i Edoma ny sabany ary eo amin'ny vahoaka voatendriny.

Manana inona ao Bozra sy Edoma i Yaveh?

Manana sorona lehibe ao Bozra i Yaveh ary famonoana lehibe ao amin'ny tanin'i Edoma.

Isaiah 34:8

Inona no hanjo ny tanin'i Edoma?

Ny reniranony dia havadika ho dity ary ny vovon-taniny dia ho solifara. Ho lasa dity mirehitra izy. Ho tany lao izany; tsy hisy handalo amin'izany.

Isaiah 34:11

Amin'ny ankapobeny dia inona no hitoetra ao Edoma?

Ny bibidia sy ny vorona no hitoetra ao Edoma.

Isaiah 34:16

Ho mandra-pahoviana i Edoma no ho an'ny vorona sy ny biby?

Ho azy mandrakizay izany; ny taranaka mifandimby dia honina any.

Isaiah 35

Isaiah 35:1

Inona no hahazo ny tany efitra?

Hiravoravo izany ka hamelana tahaka ny raozy.

Inona no homena ny tany efitra?

Homena azy ny voninahitr'i Libanona, ny famirapiratan'i Karmela sy Saràna.

Inona no ho hitan'ny tany efitra, ny Araba ary ny tany hay?

Hahita ny voninahitr'i Yaveh izy ireo, ary ny famirapiratan'ny Andriamanintsika.

Isaiah 35:3

Nahoana ireo izay manana fo feno tahotra no tokony hatanjaka ka tsy hatahotra?

Satria ho avy amin'ny valifaty ny Andriamanitr'izy ireo, miaraka amin'ny famalian'Andriamanitra. Ho avy ka hamonjy azy ireo Izy.

Isaiah 35:5

Inona ireo zavatra sasany hitranga izay hitranga rehefa tonga ny Andriamanitra'izy ireo?

Hahiratra ny Jamba. Handre ny maty. Hitsambikina ny mandringa. Hihira ny moana. Hisy rano ao Arabaha ary hisy renirano any an'efitra. Ho lasa farihy ny fasika mahamay ary ny tany mangentana ho loharano. Hisy volotara sy zozoro eo amin'izay nandrian'ny amboahaolo taoha.

Isaiah 35:8

Inona no anaran'ilay lalam-be izay hipoitra amin'izany fotoana izany?

Hisy lalam-be antsoina hoe Lalan'ny Fahamasinana any.

Iza no ho eo amin'ilay lalam-be ary iza no tsy ho eo?

Ireo maloto no tsy handeha amin'izany ary tsy hisy adala handia eo. Tsy hisy liona na biby masiaka ho eo amin'izany. Ho an'izay mandeha amin'ny lalan'ny fahamasinana ilay lalam-be. Ireo navotana no handeha eo.

Isaiah 35:10

Inona no hahazo an'ireo izay vaosolo-vaikan'i Yaveh rehefa miverina izy ireo?

Hisy fifaliana mandrakizay eo an-dohan'izy ireo; haravoana sy fifaliana no hahazo azy ireo; handositra lavitra ny alahelo sy ny sentosento.

Isaiah 36

Isaiah 36:1

Inona no nitranga tamin'ny taona fahefatra amby efapolo nanjakan'i Hezekia mpanjaka?

Nandeha nanohitra ny tanàna voaaro rehetran'i Joda ary nambabo azy ireo i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria.

Iza no nirahin'ny mpanjakan'i Asyria avy any Lakisy ho any Jerosalema hankany amin'i Hezekia?

Rabsake ino nirahin'ny mpanjakan'i Asyria.

Taiza i Rabsake no nijanona?

Nijanona teo amin'ny fantson'ny dobon-drano ambony izy, teo amin'ny lalam-ben'ny sahan'ireo mpanasa lamba.

Iza no nivoaka hitsena an'i Rabsake?

Eliakima zanak'i Hilkia, Sebna mpanora-dalàna ary Joa mpiraki-draharaha, zanak'i Asafa no nivoaka hitsena an'i Rabsake.

Isaiah 36:6

Iza hoy Rabsake i Farao, mpanjakan'i Egypta, tamin'izay rehetra nitoky taminy?

Nambaran'i Rebsake fa volotara tapaka i Farao ka raha ampiasaina ho hazo fitehenana dia hanindrona ny tananao.

Isaiah 36:8

Inona ho i Rabsake no hataon'ny mpanjakan'i Asyria raha hanao fifanarahana amin'ny mpanjakan'i Asyria i Hezekia?

Nambaran'i Rabsake fa hanome soavaly roa arivo ho an'i Hezekia ny mpanjakan'i Asyria.

Isaiah 36:9

Iza ho i Rabsake no niteny taminy mba handeha hanohitra an'i Joda ka handringana izany?

Nambaran'i Rabsake fa Yaveh no niteny taminy mba handeha hanohitra an'i Joda ka handringana izany.

Isaiah 36:11

Nahoana i Eliakima, Sebna ary Joa no nangataka tamin'i Rabsake mba hiresaka amin'izy ireo amin'ny fiteny Aramaika?

Tsy tian'izy ireo handre na hahalala izay voalaza ny olona teo amin'ny manda.

Isaiah 36:13

Ahoana no nasetrin'i Rabsake ny fangatahana mba hiresahany amin'i Eliakima, Sebna ary Joa amin'ny fiteny Aramaika?

Novaliany tamin'ny fijoroana sy fitabatabana tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy izany.

Laza fohifohy hoe inona hoy Rabsake ireo tenin'ny mpanjakan'i Asyria manoloana an'i Ezekia?

Niteny izy mba tsy hamelana an'i Ezekia hamitaka azy ireo satria tsy ho afaka hamonjy azy ireo Ezekia ary niteny izy mba tsy hitokiana amin'i Yaveh.

Isaiah 36:16

Inona hoy ny mpanjakan'ny Asyria no hitranga raha mihavana aminy ka mivoaka hankeo aminy ireo Jiosy?

Nambarany fa hihinana amin'ny voalobok'izy ireo ihany izy ireo ary amin'ny aviaviny ihany, ary hisotro ny rano avy amin'ny famorian-dranony ihany, mandra-panhatongavany ka hakany an'ireo Jiosy ho any amin'ny tany tahaka ny tanin'izy ireo ihany, dia tany feno voa sy divay vaovao, tany feno mofo sy tanim-boaloboka.

Isaiah 36:21

Inona no nasetriny ny tenin'i Rabsake?

Nangina izy ireo ary tsy namaly, fa ny baikon'ny mpanjaka dia hoe: "Aza mamaly azy."

Inona no nataon'i Eliakima, Sebna ary Joa taorian'ny tenin'i Rabsake?

Nankany amin'i Hezekia izy ireo niaraka tamin;ny akanjo rovitra ary nitatitra taminy ny tenin'i Rabsake.

Isaiah 37

Isaiah 37:1

Inona no nataon'i Hezekia rehefa reny ny tatitra avy amin'i Eliakima, Sebna ary Joa?

Nandrovitra ny akanjony i Hezekia, nanarona ny tenany tamin'ny lamba fisaonana ary nankao amin'ny tranon'i Yaveh. Naniraka an'i Eliakima, Sebna ary ireo loholon'ny mpisorona tany amin'Isaia mpaminany ihany koa izy.

Isaiah 37:3

Inona no nangatahin'i Hezekia mba hataon'Isaia?

Nangataka an'Isaia mba hivavaka amin'i Yaveh ho an'ireo sisa tavela izay mbola ho tadiavina tany izy.

Isaiah 37:5

Inona no hafatra nomen'Isaia ny mpanomon'i Hezekia mba haverina any amin'i Hezekia?

Ny hafatr'Isaia tamin'i Hezekia dia ny mba tsy hatahorany ny tenin'ny mpanompon'ny mpanjakan'Asyria, Rabsake. Hametraka fanahy ao amin'ny mpanjakan'i Asyria i Yaveh, ary handre tatitra izy ary hiverina any amin'ny taniny ihany ka ho fatin'ny sabatra any.

Isaiah 37:8

Taorian'ny nandrenesan'ny mpanjakan'i Asyria fa Tirkana, mpanjakan'i Etiopia, dia ho avy hiady aminy, dia inona no hafatra nalefan'ny mpanjakan'i Asyria tamin'i Ezekia?

Niteny tamin'i Hezekia tao anaty taratasy ny mpanjakan'i Asyria mba tsy hamela an'Andriamanitra hamitaka an'i Hezekia amin'ny filazana fa, tsy ho atolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema.

Isaiah 37:14

Inona no nataon'i Hezekia taorian'ny nandraisiny taratasy avy amin'ny mpanjakan'ny Asyria ka namakiany izany?

Niakatra tany an-tranon'i Yaveh i Hezekia ary namelatra ny taratasy ary nivavaka tamin'i Yaveh.

Isaiah 37:17

Inona no nivavahan'i Hezekia mba hataon'i Yaveh?

Voalohany, Hezekia dia nangataka tamin'i Yaveh mba handre sy hihaino ary hanokatra ny masony ka hahita ny teny rehetra tao amin'ny taratasin'i Sankeriba. Faharoa, Hezekia dia nangataka tamin'i Yaveh mba hamonjy an'i Jerosalema amin'ny tanan'i Sankeriba.

Isaiah 37:19

Inona no nivavahan'i Hezekia mba hataon'i Yaveh?

Voalohany, Hezekia dia nangataka tamin'i Yaveh mba handre sy hihaino ary hanokatra ny masony ka hahita ny teny rehetra tao amin'ny taratasin'i Sankeriba. Faharoa, Hezekia dia nangataka tamin'i Yaveh mba hamonjy an'i Jerosalema amin'ny tanan'i Sankeriba.

Inona no antony nomen'i Hezekia ho fanosehana an'Andriamanitra hamonjy an'i Jerosalema amin'ny tanan'i Sankeriba?

Tian'i Hezekia Andriamanitra mba hamonjy an'i Jerosalema amin'ny tanan'i Sankeriba mba hahafantaran'ny fanjakan'ny tany rehetra fa Yaveh irery ihany no Andriamanitra.

Isaiah 37:21

Ahoana no navalin'i Yaveh ny vavak'i Hezekia?

Novalian'i Yaveh tamin'ny fandefasana iraka ho any amin'i Ezekia tamin'ny alalan'Isaia izany.

Tao amin'ny hafatr'i Yaveh ho an'i Hezekia, inona hoy Yaveh no tsy nety nataon'i Sankeriba?

Nambaran'i Yaveh fa i Sankeriba dia nihantsy, niteny ratsy, nanandra-peo ary nanadratra ny masony hanohitra ny Iray Masin'Israely.

Isaiah 37:26

Inona no efa notendren'i Yaveh hatry ny ela ary nokasainy tamin'ny andro taloha?

Efa notendreny sy nokasainyfa i Sankeriba dia hamadika ny tanàna tsy mahery ho korotam-bato faharavana i Sankeriba.

Isaiah 37:28

Inona ihany koa no fantatr'i Yaveh momba an'i Sankeriba?

Fantatr'i Yaveh i Sankeriba rehefa nipetraka, nivoaka, niditra, ary ny fahasosorany amin'i Yaveh.

Inona no vokatry ny fahasosoran'i Sankeriba amin'i Yaveh?

Naverin'i Yaveh tamin'ny lalana izay niaviany i Sankeriba.

Isaiah 37:33

Inona no nolazain'i Yaveh momba ny mpanjakan'i Asyria mahakasika an'i Jerosalema?

Nambaran'i Yaveh fa tsy hiditra an'i Jerosalema na hitifitra tsipika any ny mpanjakan'ny Asyria ary tsy hiady amin'izany amin'ny ampinga na hanao fahirano izany izy.

Isaiah 37:35

Inona hoy Yaveh no antony hiarovana sy hamonjena an'i Jerosalema?

Nambarany fa hiaro sy hamonjy an'i Jerosalema Izy nohon'ny aminy ihany ary ho an'ny davida mpanompony.

Isaiah 37:36

Inona no nataon'ilay anjelin'i Yaveh?

Nivoaka izy ary namely antoko 185.000 tao amin'ny tobin'ny Asyriana.

Isaiah 37:38

Inona no nanjo an'i Sankeriba taorian'ny nialany sy nodiany tany Ninive?

Raha mbola nanompo tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia namely an'i Saankeriba tamin'ny sabatra i Adrameleka zanany lahy sy Sarezera.

Isaiah 38

Isaiah 38:1

Inona no nanjo an'i Hezekia amin'izany andro izany?

Narary mafy izy ka efa akaiky ho faty.

Inona no nolazain'Isaia tamin'i Joiakima?

Hoy Isaia tamin'i Hezekia hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Alamino ny tranonao, fa ho faty ianao fatsy ho sitrana."'

Inona no nataon'i Hezekia taorian'ny nandraisany ny hafatr'i Yaveh tamin'ny alalan'Isaia?

Nivavaka tamin'i Yaveh izy ary nangataka taminy mba hahatsiaro ny nandehanany am-pahatokiana teo anatrehany tamin'ny fony manontolo sy ny nanaovany soa teo imason'i Yaveh. Ary nitomany mafy i Hezekia.

Isaiah 38:4

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'Isaia mba ho lazaina amin'i Hezekia?

Nasainy nolazaina tamin'i Hezekia fa efa nandre ny fivavany sy ny ranomasony Yaveh. Nambaran'i Yaveh tamin'i Hezekia fa hanampy dimy ambin'ny folo taona amin'ny fiainan'i Hezekia izy ary ho fanampin'izany dia hanavotra an'i Hezekia amin'ny mpanjakan'ny Asyria Izy ary hiaro an'i Jerosalema.

Isaiah 38:7

Inona no famantarana nambaran'i Yaveh fa homeny mba hahafantaran'i Hezekia fa hanao izay nolazainy Yaveh?

Nambarany fa hampiverina ny aloka eo amin'ny tohatr'i Ahaza ho folo dingana Izy.

Isaiah 38:9

Tao amin'ny vavak'i Hezekia an-tsoratra, inona hoy Hezekia no hitranga eo antenantenan'ny androm-pianany?

Nambarany fa hiditra ny vavahadin'ny Fiainan-tsy hita izy.

Teo amin'ny fanombohan'ny vavaka an-tsoratr'i Hezekia, inona no nambarany mahakasika an'i Yaveh?

Nambaran'i Hezekia fa tsy hahita an'i Yaveh ao amin'ny tanin'ny velona intsony izy.

Isaiah 38:16

Inona no nolazain'i Hezekia tamin'ny Tompo mahakasika ny fijaliany sy ny alahelony?

Nambaran'i Hezekia fany fijaliana izay nalefan'ny Tompo dia tsara ho azy ary nahasoa an'i Hezekia ny niaina alahelo tahaka izany.

Inona hoy Hezekia no nataon'ny Tompo tamin'ny fahotany?

Nambaran'i Hezekia fa narian'ny tany ivohony Tompo avokoa ny fahotany rehetra.

Isaiah 38:20

Ahoana no hankalazan'i Hezekia ny famonjen'i Yaveh azy?

Nambaran'i Hezekia fa hankalaza amin'ny mozika mandritra ny andro-tokom-piainany ao an-tranon'i Yaveh izy.

Isaiah 38:21

Inona no nasain'Isaia natao mba ho sitrana i Hezekia?

Nolazainy hoe: "Aoka izy ireo haka ampempan'aviavy ka hametraka izany eo amin'ny vay dia ho sitrana izy."

Isaiah 39

Isaiah 39:1

Iza no nandefa taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia?

Merodaka-baladana zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona no nandefa taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia.

Inona no nasehon'i Hezekia tamin'ireo izay nitondra ny taratasy sy fanomezana avy amin'i Merodaka-baladana?

Nasehon'i Hezekia azy ireo ny rakiny—ny volafotsy, ny volamena, ireo zava-manitra, ireo menaka sarobidy, ny trano fitehirizany ny fiadiany, ary izay rehetra hita tao amin'ny trano fitehirizany. Nasehon'i Hezekia tamin'izy ireo ny zavatra rehetra tao an-tranony sy ny fanjakany.

Isaiah 39:3

Inona no nanontanian'Isaia tamin'i Hezekia?

Nanotany izy ny amin'izany nolazain'ireo lehilahy taminy, izay niaviany, ary izay hitan'izy ireo tao an-tranon'i Hezekia.

Isaiah 39:5

Inona no zavatra nambaran'Isaia tamin'i Hezekia ho ho entina any Babylona.

Nambaran'Isaia tamin'i Hazekia fa izay rehetra nagoniny sy ny razambeny hatramin'izany andro izany dia ho entina any Babylona.

Isaiah 39:7

Nahoana i Hezekia no nihevitra fa tsara ny tenin'i Yaveh izay nolazain'Isaia?

Noheveriny fa tsara izany satria nihevitra izy fa hisy fihavanana sy fandriana fahizay amin'ny androny.

Isaiah 40

Isaiah 40:1

Ahoana no fitenin'i Yaveh mba hampaherezana ny olony?

Mba hampaherezana azy ireo dia miteny amin'ny firesahana amin'ny halemem-panahy amin'i Jerosalema Izy, amin'ny filazana aminy fa tapitra ny adiny ary voavela ny helony ary efa nandray indroa heny avy amin'i Yaveh izy noho ny fahotany.

Isaiah 40:3

Inona iantsoantsoan'ny feo iray?

Miantsoantso izany hoe: "Omano ny lalan'i Yaveh any an'efita; manaova lalam-be mahitsy any amin'ny tany foana ho an'ny Andriamanitsika."

Inona no hahazo ny tany ao Israely?

Hisandratra ny lohasaha rehetra, hahitsy ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, ireo tany mikitoantoana hahitsy ary ireo toerana miolakolaka hatao lemaka.

Haseho amin'iza ny voninahitr'i Yaveh?

Ho hitan'ny olona rehetra ny voninahitr'i Yaveh.

Isaiah 40:6

Inona no haharitra mandrakizay?

Ny tenin'i Yaveh no haharitra mandrakizay.

Isaiah 40:9

Inona no vaovao mahafaly ho toriana amin'i Jerosalema sy ny tanànan'i Joda?

Ilay vaovao mahafaly dia hoe: "Injany Andriamanitra!"

Toy ny ahoana no hiavian'ny Tompo Yaveh?

Ho avy tahaka ny mpiady mandresy Izy.

Inona no entin'Andriamanitra miaraka aminy rehefa tonga Izy?

Mitondra ny valisoany Izy ny famaliany dia mandeha mialoha Azy.

Isaiah 40:15

Tahaka ny inona ireo firenena amin'i Yaveh?

Tahaka ny rano indray mitete ao anaty siny ireo firenena amin'i Yaveh ary raisina toy ny vovoka eo amin'ny mizana.

Isaiah 40:21

Aiza Yaveh no mipetraka?

Mipetraka eo ambonin'ny faravodilanitry ny tany Andriamanitra.

Isaiah 40:23

Inona no ataon'Andriamanitra amin'ireo mpanapaka?

Havadik'Andriamanitra ho tsinontsinona ireo mpanapaka ary ho tsy misy dikany ny mpanapaky ny tany.

Isaiah 40:25

Ataon'i Yaveh inona ireo kintana?

Izy no namoaka ny fiforonany ary miantso azy ireo amin'ny anarany ary amin'ny fahalebiazan'ny heriny sy ny tanjaky ny heriny, ary tsy misy adino ireny na iray aza.

Isaiah 40:27

Iza Yaveh, ary toy ny inona Izy?

Yaveh ilay Andriamanitra mandrakizay, ilay mpahary ny faran'ny tany. Tsy mba sasatra na reraka Izy ary tsy misy fetra ny fahalalany.

Isaiah 40:29

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ireo reraka sy sasatra?

Manome hery ny reraka Yaveh ary manavao ny herin'izay sasatra.

Inona no hahazo an'ireo izay miandry an'i Yaveh?

Hanavao ny heriny ireo izay miandry an'i Yaveh; hanidina amin'ny elatra tahaka ny voromahery izy; hihazakazaka izy fa tsy ho reraka; handeha izy nefa tsy ho sasatra.

Isaiah 41

Isaiah 41:1

Inona no natony nilazan'i Yaveh hoe "aoka isika hiaraka hifanakaiky"?

Nilaza izany Izy mba hanakaikezan'izy ireo ka hifandaharan'izy ireo amin'ny ady.

Isaiah 41:3

Iza no efa niantso ny taranaka hatramin'ny vaolohany?

Yaveh no nanao izany.

Isaiah 41:5

Inona no nasetrin'ireo nosy izay nahita sy natahotra ary ny faran'ny tany izay nihovitrovitra?

Nanatona ary nandeha no nasetrin'izy ireo ary nifamporisika hanamboatra sampy izy ireo.

Isaiah 41:8

Ahoana no iantsoan'i Yaveh an'Israely?

Mpanompony no iantsoan'i Yaveh an'Israely, taranak'i Abrahama sakaizany ary antsoiny ihany koa hoe ilay voafidiny izy.

Inona hy Yaveh no ataony ho an'Israely?

Ambaran'i Yaveh fa mamerina an'Israely avy any amin'ny faran'ny tany Izy.

Isaiah 41:10

Inona no tsy avelan'i Yaveh ataon'Israely ary nahoana?

Tsy avelan'i Yaveh hatahotra Israely satria momba azy ireo Yaveh ary mba tsy hiahiahy izy ireo satria Izy no Andriamaniny.

Inona ihany koa no ambaran'i Yaveh fa hataony ho an'Israely?

Ambaran'i Yaveh fa hampatanjaka sy hanampy azy ireo Izy ary hihazona azy ireo amin'ny tanana ankavanan'ny fandreseny.

Isaiah 41:11

Inona no hanjo an'ireo izay tezitra sy manohitra an'Israely?

Ho menatra sy ho afa-baraka ireny ary ho tsy misy dikany ka ho faty.

Isaiah 41:16

Inona no hataon'Israely rehefa mikororoka ireo izay miady aminy ary mifanehitra aminy izy?

Hifaly amin'i Yaveh, Ilay Iray Masin'Israely izy.

Isaiah 41:17

Inona no hataon'i Yaveh rehefa mitady rano ireo ampahoriana sy ireo ory?

Ambaran'i Yaveh fa hamaly ny vavak'izy ireo Izy amin'ny fampikorianana renirano eo amin'ny hantsana ary fampisiana loharano eny afovoan'ny lohasaha, amin'ny fanaovana ny tany efitra ho tonga farihin-drano ary ny tany hay ho loharano miboiboika. Tsy hahafoy azy ireo Izy.

Isaiah 41:21

Inona no lazain'i Yaveh amin'ireo izay manaraka sampy?

Asainy mitondra ny adiny, hitondra ny fandaharany tsara indrindra ny amin'ireo sampiny izy ireo.

Inona hoy Yaveh no porofo tokony entin'ireo izay manaraka sampy mba hahafantarana raha azo inoana izy ireo na tsia?

Ho porofo, dia asain'i Yaveh milaza izay hitranga izy ireo, ary milaza faminaniana mba hahafahana mitaratra amin'izy ireo sy hahafantarana fa tanteraka izy ireo.

Isaiah 41:23

Inona tombatomban'i Yaveh momba ireo sampy sy ireo olona nisafidy azy?

Ambaran'i Yaveh fa tsy misy dikany ireo sampy ary ny asany dia tsinontsinona; izay misafidy izany dia maharikoriko.

Isaiah 41:25

Iza amin'ireo izay manompo sampy no namoaka na nanambara fa hisy olona ho tonga avy any avaratra ary hanitsakitsaka ireo mpanapaka tahaka ny fotaka, tahaka ny mpanao vilany manosihosy tanimanga?

Tsy nisy tamin'ireo mpanompo sampy no namoaka izany ary tsy nisy nandre azy ireo nilaza na inona na inona.

Isaiah 41:27

Inona no nambaran'i Yaveh mahakasika ilay iray izay natsangany avy any avaratra?

Hoy aloha Izy tamin'i Ziona: 'Indreny izy ireo;' Nandefa fanambarana tany Jerosalema Izy.

Ato amin'ity toko ity, inona ireo tenin'i Yaveh farany momba ireo izay manaraka sampy?

Indreto ny teniny: "Rehefa mijery Aho, dia tsy misy na iza na iza, na ny iray amin'izy ireo aza ka afaka manome torohevitra tsara, izay, afaka hamaly teny rehefa manontany Aho. Indro tsy misy dikany izy rehetra, ary tsy misy dikany ny asan'izy ireo; rivotra sy zava-poana ny sary an'idin'izy ireo."

Isaiah 42

Isaiah 42:1

Inona hoy Yaveh no nataony ho an'ny mpanompony?

Ambaran'i Yaveh fa efa nifidy ny mpanompony Izy, ary sitrany izy ary nofidiany hametrahany ny fanahiny.

Inona hoy Yaveh no ho entin'ny mpanompony ho an'ny firenena?

Ambaran'i Yaveh fa hitondra ny rariny ho an'ireo firenena ny mpanompony.

Isaiah 42:3

Inona no tsy hataon'ny mpanompon'i Yaveh amin'ny volotara torotoro sy ny lahin-jiro manentona?

Ambarany fa tsy hamotika volotara torotoro ny mpanompony na hamono ny lahin-jiro manentona.

Isaiah 42:5

Ahoana no hamaritan'i Yaveh ny tenany?

Faritany ho ilay iray izay nahary ny lanitra ary namelatra izany Izy; Izy no namelatra ny tany ary nanome aina izany; izay manome fofonaina ny olona eto an-tany ary aina ho an'izay monina eo aminy.

Isaiah 42:7

Inona no tian'i Yaveh ataon'ny mpanompony ho an'ireo olona jamba sy gadra?

Tian'i Yaveh ny mpanompony mba hampahiratra ny mason'ny jamba, hanafaka ny gadra ao an-trano maizina, ary hanala ireo ao amin'ny aizina tsy ho ao an-trano famatorana.

Isaiah 42:8

Inono hoy Yaveh no tsy ho zarainy?

Ambarany fa tsy hizara ny voninahiny amin'ny hafa izy na ny fiderana Azy amin'ny sampy voasokitra.

Ahoana no ampifanoheran'i Yaveh ny tenany amin'ny sampy voasokitra?

Mifanohitra amin'ny sampy voasokitra, nisy ny zavatra rehefa Yaveh no manambara izany.

Inona hoy Yaveh no hataony mba hanambarana ny voninahiny?

Nambarany fa hanambara tranga vaovao Izy. Hilaza momba izany mialohan'ny hitrangany Izy.

Isaiah 42:12

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny fahavalony?

Hanehoany ny heriny izy ireo.

Isaiah 42:16

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ireo Jamba?

Hitondra ny jamba ho eo amin'ny lalana izay tsy fantany Izy. Havadiny ho fahazavana eo anoloan'izy ireo ny aizina ary hataony mahitsy ireo toerana mikitaontaona ary tsy handao azy ireo Izy.

Isaiah 42:17

Inona no hanjo an'ireo izany mitoky amin'ny sampy ary milaza amin'ireo sary an'idina hoe: "andriamanitra ianao"?

Hiverina izy ireo ary halana baraka tanteraka.

Isaiah 42:18

Inona no didiana ataon'ny marenina sy ny jamba?

Didiana ireo marenina mba hihaino ary ny jamba mba hijery mba hahitan'izy ireo.

Isaiah 42:20

Nahoana Yaveh no mandidy azy ireo hihaino sy hahita?

Mandidy azy ireo hihaino sy hahita Izy satria na dia mahita zavatra maro aza izy ireo, dia tsy hahatakatra; misokatra ny sofiny kanefa tsy tena mandre.

Isaiah 42:22

Manao ahoana ireo vahoaka hoy Yaveh?

Nambaran'i Yaveh fa voaroba ireo vahoaka; voafandrika anaty lavaka izy ireo, voababo any am-pigadrana; lasa babo tsy misy mpanafaka izy ireo.

Isaiah 42:23

Iza no nanolotra an'i Jakoba teo amin'ireo mpandroba, ary Israely teo amin'ireo mpamabo?

Yaveh no nanolotra azy ireo.

Nahoana Yaveh no nanolotra an'i Jakoba teo amin'ireo mpandroba, ary Israely teo amin'ireo mpamabo?

Nanolotra azy ireo Yaveh satria nanota taminy izy ireo, ary nandà tsy handeha tamin'ny lalany, ary nandà tsy hankatoa ny lalàny.

Isaiah 42:25

Fantatr'Israely ve ho iza no nampahory azy ireo tamin'ny fandravaravan'ny ady ary nahoana no nanao izany izy?

Tsia! Nirehitra nanodidina azy izany, kanefa tsy hitany akory; nandoro azy izany, saingy tsy noraisiny am-po.

Isaiah 43

Isaiah 43:1

Amin'ny ankapobeny, inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Jakoba, Israely mba hataony?

Nilaza tamin'i Jakoba, Israely Izy mba tsy hatahotra.

Isaiah 43:2

Inona hoy Yaveh no hataony ho an'Israely mba hiarovana azy ireo?

Nambaran'i Yaveh fa tsy hanafotra an'Israely ny renirano ary tsy haninona na handroro azy ireo ny afo na lela afo.

Inona no nomen'i Yaveh ho solo-vaika sy ho solon'Israely?

Egypta no nomeny ho solo-vaika ary Etiopia sy Seba no nomeny ho solon'Israely.

Isaiah 43:4

Inona hoy Yaveh no hataony amin'ny taranak'Israely?

Nambaran'i Yaveh fa hitondra azy ireo avy any atsinanana Izy ary hanangona azy ireo avy any andrefana.

Isaiah 43:10

Nahoana Yaveh no nilaza mialoha ny fanangonana ny zanany lahy sy vavy avy any atsinanana sy andrefana ary nanambara tranga mialoha tamin'izy ireo?

Nanao izany Yaveh mba hahafantaran'izy ireo Azy, hinoany Azy ary hahafantarany fa Izy no Andriamanitra.

Misy andriamanitra sy mpamonjy hafa ankoatra an'i Yaveh ve?

Tsy nisy andriamanitra niforona talohan'i Yaveh ary tsy hisy aoriany. Izy no Yaveh ary tsy misy mpamonjy ankoatra Azy.

Isaiah 43:12

Iza no afaka hanafaka antsika amin'ny tanan'Andriamanitra?

Tsy misy afaka hanafaka antsika amin'ny tanan'Andriamanitra.

Isaiah 43:14

Ho an'iza no nandefasan'i Yaveh azy ireo tany Babylona sy nitondrany azy ireo nidina ho mpitsoa-ponenana, ka nahatonga ny endrika fifalian'ny Babyloniana ho hira fitomaniana?

Nanao izany ho an'Israely Izy.

Isaiah 43:16

Inona ireo zavatra teo aloha izay nataon'i Yaveh izay milaza amin'izy ireo mba tsy hahatsiaro na hihevitra?

Nanokatra lalana avy teo amin'ny ranomasina Yaveh ary lalana teo amin'rano mahery. Nitondra ny kalesy sy ny soavaly nivoaka Izy, ny tafika sy ny miaramila mahery. Niara lavo izy ireo ary tsy tafarina intsony. Lany tamingana izy ireo, maty tahaka ny mololo mirehitra.

Isaiah 43:18

Inona no zavatra vaovao ambaran'i Yaveh fa hataony any an'efitra sy any amin'ny tany hay?

Nambaran'i Yaveh fa hanao lalana any an'efitra izy ary loharano miboiboika any an-tany hay.

Isaiah 43:22

Inona no tsy nataon'Israely olony izay noforonin'i Yaveh ho Azy?

Tsy niantso an'i Yaveh i Israely. Tsy nitondra ondry na fanatitra dorana izy ireo ary tsy nanome voninahitra Azy tamin'ny sorony.

Isaiah 43:24

Inona no nataon'Israely tamin'i Yaveh?

Nanavesatra an'i Yaveh tamin'ny fahotany sy nanasatra Azy tamin'ny asa ratsiny izy ireo.

Isaiah 43:25

Nahoana Yaveh no namono ny fahadisoan'Israely sy tsy nahatsiaro ny fahotany?

Nanao izany ho an'ny tenany ihany Yaveh.

Isaiah 43:27

Nahoana Yaveh no handoto ireo manam-boninahitry ny toerana masina; hanolotra an'i Jakoba ho eo amin'ny fandringanana ary Israely ho amin'ny latsa?

Hanao izany Yaveh satria nanota ny razamben'izy ireo ary ny mpitondra-teniny dia nanao heloka tamin'i Yaveh.

Isaiah 44

Isaiah 44:3

Inona hoy Yaveh tamin'i Jakoba no harotsany amin'ny taranak'i Jakoba?

Nambaran'i Yaveh fa handrotsaka ny fanahiny amin'ny taranany Izy.

Isaiah 44:7

Ahoana no hanaporofoin'ny olona amin'i Yaveh fa misy olona tahaka Azy; hoe andriamanitra hafa?

Mba hanaporofoina izany amin'i Yaveh dia tsy maintsy manazava ireo tranga izy niseho hatramin'ny nanorenan'i Yaveh ny olony fahizay ianao ary tsy maintsy hanambara izay tranga mbola ho avy.

Isaiah 44:9

Inona no ambaran'i Yaveh mahakasika ireo izay manamboatra sampy?

Ambaran'i Yaveh fa tsinontsinona izy ireo ary ny zavatra izay hifalian'izy ireo dia tsy misy dikany ary ho alaina baraka izy ireo.

Isaiah 44:11

Inona no hanjo an'ireo mpanao asa-tanana sy ny namany izay manamboatra andriamanitra na sary an'idina na sampy?

Halana baraka ireo mpanao asa-tanana sy ny namany izay manamboatra andriamanitra na sary an'idina na sampy.

Isaiah 44:14

Ahoana no fanombohan'ny mpandrafitra amin'ny fanaovana sampy?

Manapaka hazo sedera izy, na mifantina hazo kypreso na hazo terbinta.

Isaiah 44:15

Inona no ataon'ilay olona amin'ny hazo izay nokapainy?

Mampiasa ny ampahany amin'izany ilay olona ary mitanina afo amin'izany, mahandro mofo amin'izany ary manendy ny henany, amin'ny ampahany amin'izany no hanaovany sampy, andriamanitra, ary miankohoka amin'izany izy.

Isaiah 44:19

Satria tsy misy fahazavan-tsaina na fahalalana ireo izay manao sy manompo sampy ary ny masony dia jamba ary ny fony dia tsy mahalala, inona ary ireo fanontaniana roa izay tsy mba hapetrany amin'ny tenany?

Voalohany, tsy manontani-tena izy ireo raha tokony hanao zavatra marokoriko hafa ho tompoina amin'ny ampahany hafa amin'ilay ahazo. Faharoa, tsy manontani-tena izy ireo raha mety ny miankohoka amin'ny tsangam-bato na hazo.

Isaiah 44:21

Nahoana i Jakoba sy Israely no asaina mihevitra momba an'i Yaveh ho tahaka ny Andriamanitra tokana ary ny sampy ho tsinontsinona?

Mila tsaroan'izy ireo fa izany zavatra izany satria Yaveh no nanao azy ireo, mpanompony izy ireo ary tsy hanadino azy ireo Izy. Ary koa, efa namono ny fahotany sy ny asa feno ditrany Yaveh.

Isaiah 44:23

Nahoana ny lanitra, ny tendrombohitra, ny ala ary ny hazo rehetra no didiana mba hihira?

Didiana mba hihira izy ireo satria namonjy an'i Jakoba i Yaveh ary hampiseho ny voninahiny amin'Israely.

Isaiah 44:24

Inona no ataon'i Yaveh amin'ireo fambara sy ireo izay mamaky izany?

Asavorovoron'i Yaveh ireo fambaran'ny mpiteniteny foana ary halainy baraka ireo izay mamaly fambara.

Isaiah 44:26

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ny mpanompony sy ny irany?

Mahatanteraka ny fanambaran'ny mpanompony Yaveh ary ataony to ny tolo-tsain'ireo irany.

Inona no nambaran'i Yaveh momba an'i Jerosalema sy ireo tanànan'i Joda?

Ambarany amin'i Jerosalema fa hisy mponina izy ary amin'ireo tanànan'i Joda fa hatsangana indray izy ary hanarina ireo faharavany Izy.

Isaiah 44:28

Inona no nambaran'i Yaveh momba an'i Kyrosy ary inona no hataony?

Hoy Yaveh amin'i Kyrosy hoe: "Izy no mpandry ondriko, izy no hanao ny faniriako rehetra—handidy ny amin'i Jerosalema izy hoe: 'Hatsangana indray izy," ary ny amin'ny tempoly hoe: 'Aoko hapetraka ny fototrao."'

Isaiah 45

Isaiah 45:1

Ato amin'ity toko ity, iza ilay voahosotry ny Tompo?

Ato amin'ity toko ity, ambaran'i Yaveh fa Kyrosy ilay voahosony.

Nahoana Yaveh no mihazona ny tanan'i Kyrosy?

Mihazona ny tanan'i Kyrosy i Yaveh mba handresena ireo firenena eo anatrehany, mba hampilavo lefona ireo mpanjaka, ary mba hanokatra lalana eo anoloany, mba hisokatra hatrany ireo vavahady.

Isaiah 45:2

Nahoana Yaveh no handeha eo anoloan'i Kyrosy ary hampahitsy ny tendrombohitra, hamotipotika ireo varavarana varahina, hanataptapaka ny bara viny ary hanome azy ny haren'ny aizina sy harena miafina?

Hanao ireo zavatra ireo Yaveh mba hahafantaran'i Kyrosy fa Yaveh ilay Andriamanitr'Israely izay niantso azy.

Isaiah 45:4

Ho an'iza no niantsoan'i Yaveh an'i Kyrosy tamin'ny anarany?

Nanao izany ho an'i Jakoba mpanompony sy Israely voafidiny izy.

Nahalala an'i Yaveh ve i Kyrosy?

Tsia, tsy nahalala an'i Yaveh i Kyrosy.

Misy andriamanitra hafa ankoatra an'i Yaveh ve?

Tsia, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Yaveh.

Isaiah 45:7

Iza no nanao ny mazava sy nahary ny aizina ary iza no nitondra fiadanana sy nahary ny loza?

Yaveh no nanao izany rehetra izany.

Iza no nanao ny famonjena?

Yaveh no nanao ny famonjena.

Isaiah 45:9

Ampitahain'i Yaveh amin'ny inona ny olona izay miady amin'ny Mpanao azy?

Ampitahainy amin'ny tanimanga izay miteny amin'ny mpanefy vilany hoe: "Inona ity ataonao?" na "Inona izato namboarinao—tsy nanana tanana ve ianao fony nanao azy?' ny olona izay miady amin'ny Mpanao azy.

Isaiah 45:13

Inona no hataon'i Kyrosy ho an'i Yaveh?

Hanangana ny tanànan'i Yaveh izy; hamela ireo voasesi-tanin'i Yaveh hody izy ary tsy amin'ny vola na tsolotra izany.

Isaiah 45:14

Misy andriamanitra hafa ankoatra an'i Yaveh ve?

Tsia, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Yaveh.

Isaiah 45:16

Iza no handeha amin'ny fahafaham-baraka?

Ireo izay manao sampy sary sokitra no handeha amin'ny fahafaham-baraka.

Haharitra mandra-pahoviana ny famonjena an'Israely?

Hamonjy an'Israely amin'ny famonjena mandrakizay Yaveh.

Isaiah 45:18

Misy andriamanitra hafa ankoatra an'i Yaveh ve?

Tsia, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Yaveh.

Nahoana Yaveh no nanao ny tany?

Nataony izay mba honenana.

Isaiah 45:20

Iza no tsy manam-pahalalana?

Ireo izay mitondra sary sokitra ary mivavaka amin'ny andriamanitra izay tsy afa-mamonjy no tsy manam-pahalalana.

Isaiah 45:21

Misy andriamanitra hafa ankoatra an'i Yaveh ve?

Tsia, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Yaveh.

Isaiah 45:22

Tsia, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Yaveh.

Tsia, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Yaveh.

Mianiana amin'iza Yaveh?

Mianiana amin'ny tenany Yaveh.

Isaiah 45:24

Inona no hianianan'ny lela rehetra?

Hianiana ny lela rehetra hilaza hoe: "Ao amin'i Yaveh irery ihany no misy fanafahana sy hery."

Inona no hitranga amin'ireo taranak'Israely rehetra?

Ho hamarinina ao amin'i Yaveh avokoa ireo taranak'Israely; hirehareha aminy izy ireo.

Isaiah 46

Isaiah 46:1

Inona i Bela sy Nebo?

Sampy ireo.

Iza no mitondra an'i Bela sy Nebo?

Biby no mitondra an'i Bela sy Nebo.

Isaiah 46:3

Iza no nitondra ny ankohonan'i Jakoba?

Yaveh no nitondra ny ankohonan'i Jakoba.

hafiriana no nitrotroan'i Yaveh ny ankohonan'i Jakoba ary ho mandra-pahoviana Izy no hitrotro azy?

Mialohan'ny nahaterahany no efa nitrotroan'i Yaveh azy ireo ary hitrotro azy ireo mandra-pahafotsy ny volony Izy.

Isaiah 46:5

Inona no ataon'ny olona amin'ny volamena sy volafotsy?

Manakarama mpanefy vy ny olona ary halainy ny volamena sy volafotsiny ary amboariny ho andriamanitra.

Isaiah 46:7

Afaka mamaly na mamonjy azy ireo ve izany andriamanitra izany?

Tsia, tsy afaka mamaly na mamonjy azy ireo amin'ny fahoriana izany.

Isaiah 46:8

Amin'ny inona no azo ampitahana an'i Yaveh? Iza no tahaka Azy?

Yaveh ihany no Andriamanitra ary tsy misy hafa. Tsy misy tahaka Azy.

Isaiah 46:10

Inona no manasaraka an'i Yaveh Andriamanitra lavitra an'ireo sampy?

Mitokana Yaveh nohon'ny fanambarany ny farany hatramin'ny voalohany, ary ny fanambarany mialoha izay tsy mbola nitranga akory.

Isaiah 46:12

Inona no ataon'i Yaveh ho an'ireo vahoaka mafy loha, izay lavitra ny fanaovana ny marina?

Efa ampanakaikezin'Andriamanitra ny fahamarinany. Hanome fanafahana ho an'i Ziona izy ary ny fahatsarany ho an'Israely.

Isaiah 47

Isaiah 47:1

Iza no tsy ho antsoina intsony hoe fy sy mahafinaritra?

Ny zanaka vavy virijinin'i Babylona, ny zanaka vavin'ny Kaldeana no tsy ho antsoina intsony hoe fy sy mahafinaritra.

Isaiah 47:3

Tsy ho antsoina hoe inona intsony ny zanaka vavin'ny Kaldeana?

Tsy ho antsoina hoe Mpanjaka vavin'ny Fanjakana intsony ny zanaka vavin'ny Kaldeana.

Isaiah 47:6

Nahoana Yaveh no tezitra tamin'ireo Kaldeana?

Tezitra tamin'ireo Kaldeana i Yaveh satria na dia nanolotra ny olony teo an-tanan'ny Kaldeana aza Izy, dia tsy naneho famindrampo tamin'ny vahoakan'i Yaveh izy ireo ary nametraka zioga mavesa-be teo amin'ny zokiolona.

Isaiah 47:8

Inona no hanjo ny zanaka vavin'ny Kaldeana ao anatin'ny fotoana fohy ao anatin'ny iray andro?

Hijalin'ny fahaverezan-janaka ireo zanaka vavin'ny Kaldeana ary ho mpitondra-tena vetivety monja ao anatin'ny iray andro.

Isaiah 47:10

Inona no nitokian'ireo zanaka vavin'ny Kaldeana?

Ny faharatsiany no nitokian'ireo zanaka vavin'ny Kaldeana.

Inona no tsy nampitandrina ny amin'ny loza sy faharavana izay ho avy amin'ny zanaka vavin'ny Kaldeana?

Ny tenitenin'ny zanaka vavin'ny Kaldena dia tsy afaka nampitandrina azy ny amin'ny loza sy faharavana izay ho avy amin'izy ireo.

Isaiah 47:14

Inona no hanjo an'ireo izay mamantatra ny lanitra sy mandinika ny kintana, ireo izay manambara ny volana vaovao?

Ireo izay mamantatra ny lanitra sy mandinika ny kintana, ireo izay manambara ny volana vaovao dia ho tahaka ny mololo. Handoro azy ireo ny afo.

Iza no hamonjy ny zanaka vavin'ny Kaldeana?

Tsy hisy hamonjy azy ireo.

Isaiah 48

Isaiah 48:1

Inona no iantsoana ny Ankohonan'i Jakoba ary avy amin'iza izy ireo?

Antsoina hoe Israely izy ireo ary avy amin'i Joda.

Inona no ataon'Israely tsy am-pahamarinana sy amin-kitsim-po?

Mianiana amin'ny anaran'i Yaveh izy ary manonona ny Andriamanitr'Israely tsy amin'ny hitsim-po sy tsy am-pahamarinana.

Isaiah 48:3

Inona no nataon'i Yaveh, tamin'ny fahafantarana fa Israely dia mafy loha?

Nanambara zavatra hatry fony ela Izy ary nampahafantara azy ireo izany, nataony tampoka izay ary nitranga.

Tamin'ny fanambarana ireo zavatra ireo tamin'Israely mialohan'ny fotoana, dia inona no nantenain'i Yaveh ho sorohana?

Te hisoroka ny fitenenan'Israely hoe: "Ny sampiko no nahavita izany," na "ny sary sokitro, na ny sary an'idiko no nampisy ireo zavatra ireo," Yaveh.

Isaiah 48:9

Nahoana Yaveh no hampihemotra ny fahatezerany ary tsy handringana an'Israely?

Hanao izay Izy ho an'ny anarany ihany.

Ahoana no nanadiovan'i Yaveh an'Israely?

Tamin'ny fatan'ny fampahoriana no nanadiovany azy.

Isaiah 48:14

Iza no nampiantsoan'i Yaveh ary inona no antony?

Nampiantso ny namany izy mba hanatanteraka ny tanjony hanohitra an'i Babylona.

Isaiah 48:20

Inona no fanambarana izay halefa any amin'ny faran'ny tany?

Izao ilay fanambarana: "Efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony Yaveh."

Isaiah 48:21

Iza hoy Yaveh no tsy hahazo fiadanana?

Nambaran'i Yaveh fa tsy hisy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy.

Isaiah 49

Isaiah 49:1

Inona no nataon'i Yaveh ho an'Israely mpanompony?

Niantso azy tamin'ny anarany hatrany am-bohoka Izy. Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavan'Israely ary nafeniny tao amin'ny aloky ny tanany izy; nataony lefona voalambolambo Israely; tao amin'ny tranon-jana-tsipikany no nanafenan'i Yaveh azy.

Isaiah 49:3

Inona no hataon'i Yaveh amin'ny alalan'Israely?

Hampiseho ny voninahiny amin'ny alalan'Israely i Yaveh.

Nahoana Israely no mitoky amin'i Yaveh?

Ambaran'Israely fa amin'i Yaveh ny rariny ho azy ary ny valisoany dia amin'ny Andriamaniny.

Isaiah 49:5

Inona no asan'Israely amin'ny maha-mpanompon'i Yaveh azy?

Ny asany dia ny mamerina an'i Jakoba amin'i Yaveh indray ary manangona an'Israely ho eo aminy.

Inona no zavatra kely loatra ho an'ny mpanompon'i Yaveh?

Zavatra kely loatra ho an'ny mpanompon'i Yaveh ny mamerina mametraka ny fokon'i Jakoba indray, ary ny hamerina ireo sisa velon'Israely.

Inona koa no hataon'i Yaveh ho an'ny mpanompony?

Hataony fahazavana ho an'ny Jentilisa ny mpanompony mba ho famonjen'i Yaveh hatrany amin'ny faran'ny tany izy.

Isaiah 49:7

Inona no hanjo an'izay namavoina, nankahalain'ny firenena, ary andevon'ny mpanapaka?

Hahita azy ireo mpanjaka ka hitsangana, ary ireo andriana dia hahita azy ka hiankohoka.

Isaiah 49:8

Rahoviana Yaveh no hanampy sy hamaly ny mpanompony?

Amin'ny fotoana izay hanapahan'i Yaveh hevitra ny hampiseho ny fankasitrahany dia hamaly ny mpanompony Izy, ary amin'ny andron'ny famonjena no hiaro ny mpanompony Izy.

Inona no antony hanomezana ny mpanompon'i Yaveh ho fanekena ho an'ny olona?

Omena ho fanekena ho an'ny olona izy mba hanorenana ny tany indray, ba hanendrena ny lova efa lao.

Isaiah 49:10

Iza no hitarika ireo gadra?

Ilay manana famindrampo amin'ny gadra no hitarika azy ireo.

Isaiah 49:12

Nahoana ny lanitra, ny tany ary ny tendrombohitra no tokony hihira sy hifaly?

Tokony hihira sy hifaly izy ireo satria mampahery ny olony Yaveh, ary hangoraka an'ireo nampahoriana.

Isaiah 49:14

Inona no navalin'i Yaveh an'i Ziona tamin'ny nitarainany hoe: "Nahafoy ahy Yaveh, ary nanadino ahy ny Tompo."?

Novalian'i Yaveh tamin'i Ziona hoe: "Moa ve ny reny mahavita manadino ny zanany, izay minono eo an-tratrany, ka tsy hanana fangoraham-po amin'ny zanaka izay naterany? Eny, mety hanadino izy, fa Izaho tsy mba hanadino anao."

Isaiah 49:16

Inona no atolotr'i Yaveh ho porofon'ny fiahiany ny amin'i Ziona?

Toy izao manaraka izao no anambaran'i Yaveh ny porofony: "Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ny anaranao; eo anoloako mandrakariva ny mandanao. Miverina faingana ny zanakao, raha mbola miala aminao ireo izay nandringana anao. Jereo ny manodidina ka mijere, miangona manodidina anao izy rehetra ary manatona anao."

Isaiah 49:19

Inona no ho lazain'ireo zaza teraka amin'ny fotoana nampahoriana an'i Ziona?

Hilaza izy ireo hoe: "Tery loatra ho anay ity toerana ity, omeo toerana izahay, mba hahafahanay mitoetra eto."

Isaiah 49:21

Inona no hanontanian'i Ziona amin'ny tenany?

Hanontany izy ireo: "Iza no niteraka an'ireo zaza ireo ho ahy?" ary "Iza no nitaiza ireo zaza ireo?" Ary farany hoe: "... avy aiza ireo?"

Isaiah 49:22

Iza no hitondra ny zanaka lahin'i Ziona sy ny zanaka vaviny hiverina?

Ny vahoakan'ny firenena no hitondra azy ireo hiverina.

Isaiah 49:24

Azo alaina amin'ireo mpiady ve ireo babo na vonjena amin'ireo mpanao jadona ireo voababo?

Eny, ho alaina amin'ireo mpiady ireo voababo ary ireo babo dia ho voavonjy; fa hanohitra ny rafin'i Ziona ary hamonjy ny zanany Yaveh.

Isaiah 49:26

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo mpampahory an'i Ziona?

Hamahana azy ireo amin'ny nofony ihany Izy.

Inona no ho fantatry ny zanak'olombelona rehetra?

Ho fantatr'izy ireo fa Yaveh no mpamonjy an'i Ziona sy moanavotra azy, dia ilay maherin'i Jakoba.

Isaiah 50

Isaiah 50:1

Nahoana i Ziona no namidy ary ny reniny no noroahina?

Namidy nohon'ny otany i Ziona, ary nohon'ny ditrany dia noroahina ny reniny.

Isaiah 50:2

Inona no mitranga manoloana ny fibedesan'i Yaveh?

Ritra ny ranomasina ary ataony tany hay ny renirano. Manarona ny lanitra Yaveh ary mandrakotra izany amin'ny lamba fisaonana.

Isaiah 50:4

Inona no nomen'i Yaveh ho an'ny mpanompony?

Nomeny lela tahaka ny iray amin'ireo izay hari-fahaizana ny mpanompony.

Inona no nataon'ny mpanompon'i Yaveh tamin'ny lela izay nomen'i Yaveh azy?

Nanambara teny manohana ny reraka ilay mpanompon'i Yaveh.

Isaiah 50:5

Satria tsy nikomy izy ary tsy nandositra niverina, dia inona no nataon'ny mpanompon'i Yaveh?

Nanome lamosina an'ireo izay nikapoka azy ilay mpanompon'i Yaveh ary ny takolany ho an'ireo izay nanongotra ny volombavany. Tsy nanafina ny tavany tamin'ireo asa mahamenatra sy fandrorana izy.

Isaiah 50:7

Nahoana ny mpanompon'i Yaveh no milaza fa tsy afa-baraka?

Milaza ilay mpanompon'i Yaveh fa tsy afa-baraka satria hanampy azy ny Tompo Yaveh.

Isaiah 50:8

Inona no hanjo an'ireo izay miampanga ny mpanompon'i Yaveh sy manambara azy ho meloka?

Ho tonta tahaka ny akanjo ireo mpiampanga azy; ary hihinana azy ireo ny kadradraka.

Isaiah 50:10

Inona no tokony hataon'izay matahotra an'i Yaveh, izay mankatoa ny feon'ny mpanompony ary izay mandeha amin'ny aizina lalina tsy misy fahazavana?

Tokony hatoky ny anaran'i Yaveh ka hiantehitra amin'ny Andriamaniny izy.

Isaiah 50:11

Inona no hataon'ny mpanompon'i Yaveh amin'izay rehetra mandrehitra afo, izay mifehy lela afo?

Hahatonga azy ireo hipetraka amin'ny toeran'ny fijaliana ny mpanompon'i Yaveh.

Isaiah 51

Isaiah 51:1

Inona hoy Yaveh no tokony ho jeren'ireo izay mitady fahamarinana?

Ambaran'i Yaveh fa tokony hijery ny vatolampy izay nakana azy sy ny ati-lavaka izay nihadiana azy izy.

Isaiah 51:2

Inona no nataon'i Yaveh tamin'i Abrahama?

Niantso azy Yaveh, nitahy azy ary nahamaro azy.

Isaiah 51:6

Inona no hitranga amin'ny lanitra, ny tany, ary ny mponina ao aminy?

Hanjavona tahaka ny setroka ny lanitra, ho lo tahaka ny akanjo ny tany, ary ny mponiny dia ho faty tahaka ny lalitra.

Inona no hitohy mandrakizay ary tsy hitsahatra hiasa?

Ny fahamarinan'i Yaveh no hitohy mandrakizay ary ny fahamarinany dia tsy hitsahatra.

Isaiah 51:7

Natao ho an'iza ity fanambarana ity: "Aza matahotra ny faniratsiran'ny olona, na kivy amin'ny fanararaotany..."?

Natao ho an'ireo izay mahalala ny marina sy ireo olona izay manana ny lalàn'i Yaveh ao am-pony izany fanambarana izany.

Isaiah 51:9

Iza no nanorotoro ny bibidian-dranomasina, nanamaina ny ranomasina ary nahatonga ny halalin'ny ranomasina ho lalana hiampitan'ireo voaavotra?

Ny sandrin'i Yaveh no nanao ireo.

Isaiah 51:11

Inona no hahazo ary inona no handositra an'ireo voasolo vaikan'i Yaveh rehefa miverina izy ireo ka tonga ao Ziona?

Fifaliana no hahazo azy ireo ary alahelo sy fisaonana no handositra lavitra azy ireo.

Isaiah 51:14

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ilay iray izay mitanondrika?

Hanafaka azy faingana Yaveh.

Isaiah 51:17

Inona no nosotroin'i Jerosalema tamin'ny tanan'i Yaveh?

Ny kapoaky ny fahatezeran'i Yaveh no nosotroiny; ary ny lovian'ny fivembenana.

Iza amin'ireo zanak'i Jerosalema rehetra no teraka mba hitari-dalana azy?

Tsy misy amin'ireo zanak'i Jerosalema no teraka mba hitari-dalana azy.

Isaiah 51:23

Aorian'ny hanesoran'i Yaveh ny kapoaky ny fivembenana amin'i Jerosalema dia iza no homeny izany?

Hapetrany eo an-tanan'ireo mpampahory an'i Jerosalema izany.

Isaiah 52

Isaiah 52:1

Inona no tsy hitranga amin'i Jerosalema intsony?

Tsy hiditra an'i Jerosalema intsony ny tsy voafora na ny maloto.

Isaiah 52:4

Iza no nampahory an'i Jerosalema voa tsy ela?

Asyria no nampahory an'i Jerosalema voa tsy ela.

Isaiah 52:5

Amin'izany andro izany dia nahoana ny vahoakan'i Yaveh no hahalala ny anarany?

Hahala ny anaran'i Yaveh izy ireo satria alaina baraka isan'andro ny anarany.

Isaiah 52:7

Iza no hahita ny fiverenan'i Yaveh any Ziona?

Ny mason'ireo mpiambin'i Ziona rehetra no hahita ny fiverenan'i Yaveh any Ziona.

Isaiah 52:9

Nahoana ireo faharavan'i Jerosalema hamelona fihirana fifaliana?

Hanao izany ireo satria nampahery ny olony Yaveh; nanavotra an'i Jerosalema Izy. Nampiseho ny sandriny masina teo imason'ireo firenena rehetra Yaveh.

Isaiah 52:11

Inona no tokony hataon'ireo izay mitondra ny fanak'i Yaveh?

Tokony hiala, tsy hikasika na inona na inona izay maloto ary hanadio ny tenany izy ireo.

Nahoana ny vahoakan'i Yaveh no tsy mila maimaika na ho raiki-tahotra rehefa miala?

Tsy mila maimaika na ho raiki-tahotra izy ireo rehefa miala satria Yaveh no hialoha lalana azy ireo ary ny Andriamanitr'Israely no ho vodi-lalany.

Isaiah 52:13

Inona no hataon'ny mpanompon'i Yaveh?

Hitondra amin'ny fahendrena sy am-pahombiazana izy; hasandrandra izy ary hisandratra avo, ary tena hisandratra tokoa.

Inona no nahazo ny endrik'ilay mpanompon'i Yaveh?

Niova endrika hafa amin'ny endrik'olombelona ny tarehiny.

Isaiah 52:15

Inona no hataon'ireo mpanjaka nohon'ny amin'ny mpanompon'i Yaveh?

Hanakombom-bava ireo mpanjaka nohon'ny aminy.

Isaiah 53

Isaiah 53:1

Ahoana no nitomboan'ny mpanompon'i Yaveh?

Nitombo teo anatrehan'i Yaveh tahaka ny zana-kazo izy, ary tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karakaina.

Toy ny inona ny endrik'ilay mpanompon'i Yaveh?

Tsy mba nanana endrika mahavariana na mamirapiratra izy; rehefa hita izy, dia tsy nisy hatsarana izay nanintona teny aminy.

Isaiah 53:3

Ahoana no nandraisan'ny olona ny mpanompon'i Yaveh?

Namavoina sy nahilikiliky ny olona izy ary natao tsinontsinona.

Isaiah 53:4

Inona no nataon'ny mpanompon'i Yaveh ho antsika?

Nitondra ny rofintsika sy nizaka ny alahelontsika izy.

Isaiah 53:5

Nahoana ilay mpanompon'i Yaveh no nolefonina sy notorotoroina?

Nolefonina izy nohon'ny ditrantsika ary notorotoroina nohon'ny fahotantsika.

Inona no nentin'ny famaizana sy ny ratran'ilay mpanompon'i Yaveh amintsika?

Ny famaizana azy no nitondra fiadanana ho antsika ary ny ratrany no nanasitrana antsika.

Isaiah 53:6

Ahoana no hitovizantsika amin'ny ondry?

Tahaka ny ondry isika satria efa samy naniasia; efa samy nivily lalana avokoa.

Isaiah 53:8

Inona ireo fomba nampiasaina hanamelohana ny mpanompon'i Yaveh?

Fampijaliana sy fitsarana no fomba nampiasaina hanamelohana azy.

Nahoana ilay mpanompon'i Yaveh no nofongorana teo amin'ny tanin'ny velona?

Nofongorana izy nohon'ny fahadisoan'ny olony.

Mba nanao izay tsy nety ve ilay mpanompon'i Yaveh?

Tsia. Tsy nanao herisetra na nisy fitaka teo amin'ny vavany.

Isaiah 53:10

Nahoana no sitrak'Andriamanitra ny hanorotoroana ny mpanompony?

Sitrak'i Yaveh izany mba hahatanteraka ny tanjon'i Yaveh amin'ny alalany.

Isaiah 53:12

Nahoana Yaveh no hanome ny anjarany ho an'ny mpanompony teo amin'ireo vahoaka?

Homen'i Yaveh ny mpanompony ny anjarany satria izy no nampidina ny fanahiny ho any amin'ny fahafatesana ary natao ho isan'ireo mpanota. Nitondra ny fahotan'ny maro izy ary nifona ho an'izany heloka izay.

Isaiah 54

Isaiah 54:1

Nahoana Yaveh no milaza fa tokony hihira ny vehivavy momba?

Milaza Izy fa tokony hihira izy, satria ny zanaky ny momba dia mihoatra lavitra noho ny zanaky ny vehivavy manambady.

Isaiah 54:2

Inona no hataon'ireo taranak'i Ziona?

Handresy ireo firenena izy ary hipetraka amin'ny tanàna lao indray.

Isaiah 54:5

Iza no vadin'i Ziona?

Yaveh Tompon'ny maro, ilay mpahary an'i Ziona no vadiny.

Isaiah 54:7

Inona no nataon'i Yaveh tamin'Israely?

Nahafoy azy tao anatin'ny fotoana fohy monja Izy.

Inona no hataon'i Yaveh amin'Israely?

Amin'ny fangorahana lehibe no hanangonany azy ireo.

Isaiah 54:9

Inona no nianianan'i Yaveh mahakasika an'Israely?

Nianiana Izy fa tsy ho tezitra aminy intsony na hibedy azy ireo.

Inona no tsy hiozongozona ary inona no tsy hiala amin'Israely?

Ny fanekem-piavanan'i Yaveh amin'Israely no tsy hiozongozona ary ny fanekeny mahatoky no tsy hiala aminy.

Isaiah 54:13

Inona no tsy hiainan'Israely intsony?

Tsy hiaina fanenjehana intsony Israely.

Isaiah 54:15

Inona no hanjo ny olona rehetra izay manetsika ady amin'Israely?

Izay rehetra manetsika ady amin'Israely dia ho lavo amin'ny faharesena.

Isaiah 54:17

Inona no hanjo ny rehetra izay miampanga an'Israely?

Hanameloka azy ireo Israely?

Isaiah 55

Isaiah 55:1

Inona no asaina vidian'ireo tsy manam-bola?

Asaina mividy divay sy ronono tsy amin'ny vola na amin'ny harena izy ireo.

Isaiah 55:2

Inona no asaina hohanin'ireo mangetaheta?

Asaina mihinana izay zava-tsoa izy ireo.

Isaiah 55:3

Iza no napetrak'i Yaveh ho vavolombelona amin'ireo firenena ary mpitarika sy mpifehy eo amin'ny olona?

Davida no napetrak'i Yaveh tamin'izany toerana izany.

Isaiah 55:5

Nahoana ny firenena izay tsy nahalala an'Israely no hihazakazaka any amin'izy ireo?

Hihazakazaka any Israely izy ireo satria Yaveh Andriamaniny, Ilay Iray Masin'Israely dia nanome voninahitra azy.

Isaiah 55:6

Rahoviana Israely no tokony hitady sy hiantso an'i Yaveh?

Tokony hitady Azy izy ireo dieny mbola hita Izy, ary hiantso Azy dieny mbola akaiky.

Inona no tokony hataon'ireo ratsy fanahy sy ny olon'ny fahotana?

Aoka ireo ratsy fanahy hiala amin'ny lalany, ary ny olon'ny fahotana hiala amin'ny fiheviny.

Inona no hataon'i Yaveh amin'izay miverina aminy?

Hangoraka azy Yaveh ary hitobatobaka ny famelany azy.

Isaiah 55:8

Nahoana ny fihevitr'i Yaveh sy ny lalany no tsy fihevitra sy lalan'Israely?

Izany dia satria tahaka ny lanitra izay avo noho ny tany dia toy izany, ny lalan'i Yaveh koa dia avo noho ny lalan'izy ireo ary ny fiheviny dia tsy avo noho ny an'Israely.

Isaiah 55:10

Inona no hahazo ny teny izay avy amin'ny vavan'i Yaveh?

Hahatanteraka izay irian'i Yaveh ireo ary hahomby amin'izay nandefasany izany.

Isaiah 55:12

Inona no ho famantarana mandrakizay izay tsy ho fongorana?

Ilay famantarana dia izao: Hivoaka am-pifaliana ary ho tarihina am-piadanana Israely. Hihikam-pifaliana eo anoloan'izy ireo ny tendrombohitra sy ny havoana. Ny hazon'ny saha rehetra dia hiteha-tanana. Hazo maitso mavana no haniry ho solon'ny tsilo, ary haniry ny voaroy hazo.

Isaiah 56

Isaiah 56:1

Nahoana Yaveh no niteny mba handinihina ny marina sy ny rariny?

Nilaza izany Izy satria efa akaiky ny fanafahany ary ny fanamarinany dia efa hiseho.

Isaiah 56:3

Inona no tsy tokony ho lazain'ireo vahiny sy ionoka izay lasa mpanara-dia an'i Yaveh?

Tsy tokony hilaza ny vahiny hoe: "Hanala ahy ao amin'ireo vahoakany tokoa Yaveh." ary ny ionoka dia tsy tokony hilaza hoe: "Indro, hazo maina aho."

Isaiah 56:4

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo ionoka izay mitandrina ny sabatan'i Yaveh, mifidy ny hampifaly Azy, ary mihazona mafy ny fanekeny?

Hametraka tsangambato ho azy Yaveh, ao an-tranon'i Yaveh sy ao amin'ny mandany, izay tsara noho ny an'ireo zanaka vavy sy zanaka lahy.

Isaiah 56:6

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo vahiny izay mikambana amin'i Yaveh mba hanompo Azy, izay mivavaka aminy ary mitia ny anarany, izay mitandrina ny sabata ary mifady tsy handoto izany, ary mihazona mafy ny fanekeny?

Hitondra azy ireo any amin'ny tendrombohiny masina Yaveh ary hamifaly azy ireo ao amin'ny trano fivavahana; ho ankasitrahana eo amin'ny alitaran'i Yaveh ny fanatitra dorany sy ny sorony.

Isaiah 56:9

Iza no ampitahaina amin'ny alika moana?

Ny mpiambin'izy ireo no ampitahaina amin'ny alika moana.

Isaiah 56:11

Inona no nataon'ireo mpiambina sy mpiandry ondriny?

Nivily tamin'ny lalany ihany izy ireo, ary samy nitsiriritra fihariana tsy marina.

Isaiah 57

Isaiah 57:1

Inona no tsy misy mihevitra na mahatakatra mahakasika ny olo-marina rehefa maty?

Tsy mihevitra izy ireo na mahatakatra fa angonina lavitra ny ratsy ireo olo-marina ary hiditra ho amin'ny fiadanana.

Isaiah 57:3

Iza no falifaly maneso ary misanasana vava ka mitranga lela?

Ny zanaky ny mpamosavy, ny zanaky ny mpijangajanga ary ny vehivavy izay nivaro-tena no manao izany.

Isaiah 57:5

Inona ihany koa no nataon'ireo izay nantsoina hoe zanaky ny fikomiana sy zanaky ny fitaka?

Nanao firaisana tao ambanin'ny hazo terebinta izy ireo, tao ambanin'ny hazo mavana rehetra. Namono ny zanany tany amin'ny fandrian-drano ritra izy ireo, tany ambany hantsana feno vato.

Isaiah 57:6

Inona no ireo zavatra hanoavan'izy ireo fivavahana?

Ny sasany tamin'ireo zavatra malama tany an-dreniranon'ny lohasaha no zavatra nivavahan'izy ireo.

Isaiah 57:7

Inona no nataon'ireo mpikomy sy mpamitaka ireo mahakasika an'i Yaveh?

Nandao an'i Yaveh izy ireo.

Isaiah 57:13

Inona no holazain'i Yaveh amin'ireo ratsy fanahy sy mpikomy rehefa mitaraina izy ireo?

Hiteny amin'izy ireo Yaveh mba hamela ny sampiny hanafaka azy ireo.

Inona no hanjo an'ireo ratsy fanahy sy mpikomy ireo?

Ho entin'ny rivotra izy ireo, ary hisy fofonaina hitondra azy ireo lavitra.

Inona no hahazo an'ireo izay mialoka amin'i Yaveh?

Handova ny tany izy ireo ary hahazo ny tendrombohitra masin'i Yaveh ho fananana.

Isaiah 57:14

Iza no hitoetra miaraka amin'i Yaveh ao amin'ny toerany misandratra sy masina?

Ireo izay manana fanahy torotoro sy mihetry no hitoetra miaraka amin'i Yaveh any.

Isaiah 57:16

Inona no hitranga raha miampanaga ny olona mandrakizay Yaveh?

Ho ketraka eo anatrehan'i ny fanahin'ny olona.

Nahoana Yaveh no tezitra amin'ny olona?

Tezitra amin'ny olona Izy nohon'ny fihariany feno herisetra.

Isaiah 57:18

Na dia nahita ny lalan'ny olona azy Yaveh, inona no hataony ho an'ny olona?

Nambarany fa hanasitra azy ireo Izy.

Isaiah 57:20

Iza no tsy mba manam-piadanana?

Ny ratsy fanahy no tsy mba manam-piadanana.

Isaiah 58

Isaiah 58:1

Inona no nodidian'i Yaveh mba hatrehin'ny ankohonan'i Jakoba?

Nandidy ny ankohonan'i Jakoba mba hiatrika ny fikomiany sy ny fahotany Yaveh.

Ahoana no nitadiavan'ny ankohonan'i Jakoba an'i Yaveh?

Nitady azy tahaka ny firenena izay nanao ny marina sy tsy nahafoy ny lalàn'ny Anriamaniny izy ireo.

Isaiah 58:3

Inona no fitarainana nataon'ny ankohonan'i Jakoba tamin'i Yaveh mahakasika ny fanetren'izy ireo tena sy fifadian-kaniny?

Nitaraina izy ireo fa fony nifady hanina sy nanetr-tena izay ireo dia tsy nahita na nahatsikaritra izay Yaveh.

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ny ankohonan'i Jakoba tamin'ny andro fifadian-kanin'izy ireo?

Nambaran'i Yaveh fa tamin'ny andro fifadian-kanin'izy ireo dia nahita fahafinaretana manokana izy ireo ary nampahory an'ireo mpiasa.

Isaiah 58:4

Inona hoy Yaveh no antony nifadian'ny ankohonan'i Jakoba hanina?

Nambaran'i Yaveh fa tsy nifady hanina ny ankohonan'i Jakoba mba handrenesana ny feony any ambony.

Isaiah 58:6

Inona ny fifadian-kanina tian'i Yaveh?

Ny fifadian-kanina tian'i Yaveh dia ny hanafaka ny fatoran'ny ratsy fanahy, ny hamaha ny tadin'ny zioga, ny hanafaka ny torotoro, ny hanapaka ny zioga rehetra, ny hizara ny mofo amin'ny noana, ny hampiantrano ny mahantra sy ny tsy manan-kialofana, ny hampitafy ny mitanjaka ary tsy hiafina amin'ny havana.

Isaiah 58:9

Inona no hataon'i Yaveh raha manala ny zioga, ny rantsan-tanana mpiampanga, ny teny faharatsiana tsy ho eo amin'izy ireo ny ankohonan'i Jakoba, ary raha manome ho an'ny noana ary manatanteraka ny filan'ny ory izy?

Raha manao izany izy ireo dia hiposaka ao amin'ny aizina ny fahazavana, ary ny fahamaizinan'izy ireo dia ho tahaka ny amin'ny mitataovovonana.

Isaiah 59

Isaiah 59:1

Afaka mamonjy antsika ve Yaveh? Mandre antsika ve Izy?

Ny tanan'ny Yaveh tsy fohy ka hoe tsy ahavonjy; ary ny sofiny tsy lalondalovana ka hoe tsy handre.

Inona no antony Yaveh no tsy nihaino na namonjy ny ankohinan'i Jakoba?

Ny asa ratsiny no nanasaraka azy ireo tamin'ny Andriamaniny ary ny fahotany no nampiafina ny tavan'i Yaveh tamin'izy ireo ary tsy hihaino azy ireo?

Isaiah 59:3

Inona ireo otan'ny ankohonan'i Jakoba izay nataony ka nampisaraka azy tamin'i Yaveh?

Ireto ny sasany amin'ireo ota izay nanasaraka azy ireo tamin'i Yaveh: Nanasy ny tanany tamin'ny rà izy ireo. Nandainga izy ireo ary nametsifetsy. Manambaka izy ireo ary tsy marina. Korontana no torotoroniny.

Isaiah 59:7

Inona no manjo an'ireo izay mandeha amin'ny lalan-diso?

Ireo izay mandeha amin'ny lalan-diso dia tsy manam-piadanana.

Isaiah 59:14

Inona no mahazo an'izay miala amin'ny ratsy?

Ny tenany ihany no nataony lasibatra.

Inona no tsy nahafaly an'i Yaveh?

Tsy nahafaly an'i Yaveh ny tsy nahitany fahamarinana.

Isaiah 59:16

Inona no nataon'i Yaveh rehefa tsy mba nahita na iza na iza nihetsika Izy?

Rehefa hitan'i Yaveh fa tsy nisy olona mba nihetsika, dia ny sandriny ihany no nitondra famonjena ho azy.

Isaiah 59:17

Inona no nataon'i Yaveh avy eo?

Nitafy fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy ary nanao aro-loha famonjena teo amin'ny lohany. Nampiakanjo ny tenany tamin'ny akanjo famaliana faty izy ary nanao ny fahazotoana ho lamba fitafy. Namaly azy ireo araka izay nataony Izy, dia nanao fitsarana feno fahatezerana teo amin'ny rafiny, famaliana faty tamin'ny fahavalony, ary famaizana araka ny valin'ny nataony ho an'ireo nosy.

Isaiah 59:19

Inona no ho vokatry ny famalian'i Yaveh azy ireo araka izay nataony?

Hatahotra ny anaran'i Yaveh avy any avaratra izy ireo, ary ny voninahiny avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.

Ho eo amin'iza ny mpamonjy?

Hisy mpamonjy ho avy ao Ziona sy any amin'ireo izay miala amin'ny asa feno ditrany ao Jakoba.

Isaiah 59:21

Inona no faneken'i Yaveh tamin'izy ireo?

Izao no faneken'i Yaveh: Ny fanahin'i Yaveh izay eo aminareo, ary ny teniko izay napetrako teo am-bavanareo, dia tsy handao anareo, na hiala amin'ny vavan'ny zanakareo, na hiala amin'ny vavan'ny zafinareo manomboka izao ka ho mandrakizay.

Isaiah 60

Isaiah 60:2

Na dia handrakotra ny tany aza ny aizina, dia inona no hataon'i Yaveh ho an'Israely?

Hitsangana eo amin'izy ireo Yaveh ary ho hita eo amin'izy ireo ny voninahiny.

Iza no ho eo amin'ny fahazavan'Israely?

Ny firenena sy ireo mpanjaka no ho eo amin'ny fahazavan'Israely.

Isaiah 60:4

Nahoana Israely no hijery ka hamirapiratra ary hiboibika fifaliana ny fony?

Izany dia satria ny fitobahan'ny ranomasina dia hiraraka eo amin'izy ireo, ary ny haren'ireo firenena dia ho eo amin'izy ireo.

Isaiah 60:8

Iza no hitarika ny fitondrana ny zanak'Israely avy lavitra?

Ny sambon'i Tarsisy no hitarika.

Isaiah 60:10

Iza no hamerina hanangana ny Yaveh ary iza no hanompo azy ireo?

Zanaka lahin'ny vahiny no hanorina ny mandanízy ireo ary mpanjaka no hanompo azy ireo.

Nahoana no hijanona hivoha lalandava ireo vavahadin'ny tanàna?

Hijanona hivoha ireo mba ahafahana mampiditra ny hareníreo firenena ao anatiny.

Isaiah 60:12

Inona no hitranga amin'ireny firenena sy fanjakana izay tsy hanompo azy ireo ireny?

Hanjavona ireny firenena sy fanjakana ireny; ho ringana tanteraka ireny.

Isaiah 60:15

Ho inona no hanaovan'i Yaveh ny tanàna'i Yaveh?

Hataony zava-pireherehavana mandrakizay izy, fifaliana ho an'ny taranaka mifandimby.

Isaiah 60:17

Inona no tsy ho re intsony ao amin'ny tanin'i Ziona?

Tsy ho re intsony ao an-taniny ny herisetra, na fandravana na fanorotoroina eny amin'ny sisin-tanin'izy ireo.

Isaiah 60:19

Inona no hanome hazavana ho an'ny tany?

Yaveh no ho fahazavana tsy manam-petra ho azy ireo.

Isaiah 60:21

Mandra-pahoviana ny vahoakan'i Yaveh no ho tompon'ny tany?

Haka fanana ny tany amin'ny fotoana rehetra izy ireo.

Hafiriana Yaveh no hanatanteraka an'ireo zavatra ireo?

Yaveh hanatanteraka an'ireo zavatra ireo faingana rehefa tonga ny fotoana.

Isaiah 61

Isaiah 61:1

Nahoana no eo aminy ny fanahin'ny Tompo Yaveh?

Eo aminy ny fanahy satria Yaveh no efa nanosotra azy.

Nanosotra azy mba hanao inona Yaveh?

Yaveh nanosotra azy mba hanambara vaovao mahafaly amin'ny manetry tena.

Inona ireo zavatra telo voalohany nanirahan'i Yaveh azy?

Yaveh naniraka azy mba hanasitrana ny maratra fo, mba hanambara fahafahana amin'ireo babo, mba hanokatra ny fonja ho an'ireo izay voafatotra.

Isaiah 61:4

Inona no ho ataon'ireo hafa firenena any Ziona?

Hijoro izy ireo ary hamahana ny ondry aman'osin'ireo izay ao Ziona ary hiasa ny saha sy tanim-boalobok'izy ireo ny zanaka lahin'ireo hafa firenena ireo.

Isaiah 61:6

Inona no hiantsoana an'ireo izay any Ziona?

Ho antsoina hoe mpisoron'i Yaveh izy ireo; mpanompon'Andriamanitra.

Isaiah 61:8

Inona no tian'i Yaveh ary inona no tsy tiany?

Yaveh tia rariny ary mankahala fandrobana sy tsy rariny.

Isaiah 61:10

Inona no nataon'i Yaveh ho azy?

Yaveh nampitafy azy tamin'ny ankanjom-pamonjena sy tamin'ny tohitenam-pahamarinana.

Inona no hampitsirian'i Yaveh eo anoloan'ny firenen-drehetra?

Izy hahatonga ny fahamarinana sy fiderana hitsiry eo anoloan'ny firenena rehetra.

Isaiah 62

Isaiah 62:1

Iza no hahita ny fahamarinan'i Ziona sy ny voninahiny?

Hahita ny fahamarinan'i Ziona ireo firenena ary ny mpanjaka rehetra no hahita ny voninahiny.

Isaiah 62:3

Inona no tsy ho voalaza amin'i Ziona sy ny taniny intsony?

Tsy holazaina "nafoy" intsony i Ziona ary tsy ho antsoina "lao" intsony ny taniny.

Nahoana Ziona no antsoina "Ao aminy ny sitrako" ary ny tanin'i Ziona "Nampakarina'?

Ho antsoina an'ireo izy satria Yaveh .mankamamy aminy ary ho ampakarina ny taniny.

Isaiah 62:6

Nahoana no nasiana lehilahy mpiambina tamin'ny mandan'i Jerosalema?

Napetra teny izy ireo mba hahatsiaro an'i Yaveh hatrany, mba tsy hamelana Azy hijanona mandra-pampodiany an'i Jerosalema ary hanao izany ho dera eto amin'ny tany.

Isaiah 62:8

Inona no nianianan'i Yaveh tamin'ny tanany ankavanana sy tamin'ny sandrin'ny heriny?

Nivoady Izy mba tsy hanome ny varin'i Jerosalema ho sakafon'ireo fahavalony intsony, ary tsy hisotro ny divay vaovaony intsony ireo hafa firenena.

Isaiah 62:11

Inona no ambaran'i Yaveh amin'ireo vazan-tany?

Izao no fanambaran'i Yaveh: "Lazao ny zanaka vavin'i Ziona hoe: 'Indro, tonga ny mpanavotra anao! Indro, miaraka aminy ny valisoa, ary mandeha eo anoloany ny valisoany.'"

Isaiah 63

Isaiah 63:1

Inona no itafian'ilay tonga avy any Edoma ary ahoana no fomba hatongavany?

Mitafy ankanjo maha mpanjaka mena Izy ary mandeha amim-pahatokiana Izy.

Nahoana ilay avy any Edoma no mandeha amim-pahatokiana tanteraka?

Mandeha amim-pahatokiana tanteraka Izy noho ny haben'ny heriny.

Inona no lazain'ity avy any Edoma ity momba ny tenany?

Izy milaza fa miteny fahamarinana Izy ary koa afaka manavotra tokoa Izy.

Isaiah 63:3

Inona no niandrasan'ity avy any Edoma ity?

Niandry ny andron'ny valifaty Izy, ary efa tonga ny taonan'ny fanavotany.

Isaiah 63:5

Nisy olona nanampy an'ity avy any Edoma ity ve tany?

Tsia. Nizaha Izy saingy tsy nisy nanampy.

Inona no nataon'ity avy any Edoma ity mba hamonjy ireo vahoaka?

Nanitsakitsaka an'ireo vahoaka tamim-pahatezerany Izy ary nampimamo azy ireo tamin'ny fahavinirany ka nafafiny tamin'ny tany ny ràn'izy ireo.

Isaiah 63:7

Nahoana ary ahoana no fomba nanehoan'i Yaveh fangorahana tamin'ny taranak'Israely?

Naneho fangorahana tamin'izy ireo Izy noho ny famindrampony ary tamin'ireo asam-pamindrampo maro.

Isaiah 63:9

Inona no nitranga tamin'ny andro fahiny rehefa nijaly ny vahoakan'i Yaveh?

Rehefa nijaly ny taranak'Israely, dia nijaly Yaveh.

Tamin'ny andro fahiny, dia iza no nanavotra an'Israely?

Ny iraky ny fanatrehany no nanavotra azy ireo tamin'ny andro fahiny.

Isaiah 63:10

Nahoana Izy no tonga fahavalon'izy ireo?

Tonga fahavalon'izy ireo Izy satria nikomy sy nalahelo ny Fanahy Masiny izy ireo.

Isaiah 63:15

Inona no anaran'i Yaveh tamin'ny andro fahiny?

Ny anarany tamin'ny andro fahiny dia "Ilay Mpamonjy anay".

Isaiah 63:17

Inona no fitarainana na fanontanian'ny taranak'Israely tamin'i Yaveh?

Ny fanontaniana sy fitarainan'izy ireo dia: "Yaveh o, nahoana Ianao no dia mampaniasia anay amin'ny lalanao ary manamafy ny fonay, mba tsy hankatoavanay Anao?"

Isaiah 64

Isaiah 64:1

Inona no mety nitranga raha fantatry ny mpandrafy Azy ny anarany?

Nangovitra teo amin'ny fanatrehany ireo firenena.

Isaiah 64:3

Hatramin'ny taloha dia tsy mbola nahare na nahafantatra Andriamanitra afa-tsy Yaveh, dia iza no manao zavatra ho an'ireo izay miandry Azy?

Tsy nisy efa nahare na nahafantatra Andriamanitra hafa izay manao zavatra ho an'ireo izay miandry azy izany.

Isaiah 64:6

Tahaka ny inona ireo asa marin'Israely rehetra?

Tahaka ny vorodamban'ny fadimbolana izy ireo.

Nahoana no tsy nisy nantsoina tamin'ny anaran'i Yaveh, izay nanao ezaka mba hifikitra taminy?

Izany dia satria Yaveh nanafina ny tavany tamin'izy ireo ary nanolotra azy ireo ho amin'ny fahotany.

Isaiah 64:8

Inona no ampitahan'ny mpanoratra an'i Yaveh sy ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia ampitahaina amin'ny mpanefy tanimanga ary ny vahoakan'Israely ampitahaina amin'ny tanimanga.

Isaiah 64:10

Niova ho inona ny tanàna masin'i Yaveh?

Niova ho tany efitra ny tanàna masin'i Yaveh ary Jerosalema niova ho lao.

Inona ireo fanontaniana roa napetraky ny mpanoratra ho an'i Yaveh?

Ireo fanontaniana roa dia: "Ahoana Ianao no mbola mahatsindry fo, ry Yaveh o?" sy "Ahoana Ianao no mbola mangina sy manohy mampamenatra anay?"

Isaiah 65

Isaiah 65:1

Inona no nirian'i Yaveh avy amin'ireo izay tsy nangataka sy tsy nitady?

Tiany mba hotadiavina sy ho hitan'ireo izay tsy nangataka sy tsy nitady Izy.

Inona no narahan'ireto olona mafiloha ireto?

Nandeha nanaraka ny fihevitr'izy ireo sy ny fikasany ihany izy ireo.

Isaiah 65:3

Inona avy ireo fomba sasany izay nahatonga an'ireo vahoaka ireo ho fahadisoana ho an'i Yaveh lalandava?

Izy ireo dia fahadisoana lalandava amin'i Yaveh satria izy ireo dia manao sorona ao amin'ny saha ary mandoro ditin-kazo manitra eo ambony biriky. Mipetraka eny amin'ny fasana izy ireo ary miambina foana ny alina manontolo ka mihinana kisoa amin'ny ron-kena maloto eo ambony loviany.

Isaiah 65:6

Inona no nataon'i Yaveh ary inona no ho ataon'i Yaveh amin'ireo vahoaka mafiloha ireo?

Efa novaliany izy ireo ary mbola hamaly azy ireo noho ny helony ary koa ny helok'ireo razany.

Isaiah 65:9

Inona no hataon'i Yaveh ho an'ireo voafidiny?

Haka ny tany ho fananany izy ireo.

Isaiah 65:12

Inona no hataon'i Yaveh amin'ireo izay mahafoy an'i Yaveh?

Izy hanao azy ireo ho an'ny sabatra ary dia hiankohoka eo amin'ny famonoana izy ireo.

Isaiah 65:13

Inona no hitranga amin'ireo mpanompon'i Yaveh?

Hihinana izy ireo, hisotro, sy hifaly izy ireo ka hihiakam-pifaliana.

Inona ihany koa no hitranga amin'ireo izay mahafoy an'i Yaveh?

Ho noana sy mangetaheta izy ireo. Ho menarina izy ireo ka hitaraina noho ny fanaintainan'ny fo ary hitaraina noho ny fahatorotoron'ny fanahy.

Isaiah 65:17

Inona no andeha hoforonin'i Yaveh?

Yaveh andeha hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao.

Inona no ho valintenin'ireo mpanompon'i Yaveh amin'ireo lanitra sy tany vaovao?

Ho ravo izy ireo ary hifaly mandrakizay amin'izay hoforonin'i Yaveh.

Isaiah 65:20

Inona no hataon'ny vahoaka ao amin'i Jerosalema vaovao?

Hanangana trano sy izy ireo ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ireo ka hihinana ny voany.

Isaiah 65:22

Firy andro ny vahoaka no hiaina?

Hiaina andro maro tahaka ny andron'ireo hazo izy ireo.

Isaiah 65:24

Ao amin'ny lanitra vaovao sy tany vaovao, rahoviana Yaveh no handre ka hamaly ny olony?

Raha mbola miteny izy ireo dia handre azy i Yaveh, ary raha mbola tsy miantso izy ireo dia hamaly azy i Yaveh?

Inona no hampiavaka an'ireo biby any an-tendrombohitra masin'i Yaveh?

Tsy haratra na ho ringana intsony ireo biby. Hiaran-komana ny amboadia sy ny zanak'ondry, ary hihinana mololo tahaka ny omby ny liona.

Isaiah 66

Isaiah 66:2

Iza no nanao ny lanitra sy ny tany?

Yaveh no nanao an'ireo zavatra rehetra ireo tamin'ny tanany.

Karazan'olona inona no ankatoavin'i Yaveh?

Yaveh manaiky an'ireo olona izay torotoro sy manenina amin'ny fanahiny ka mangovitra amin'ny teniny.

Isaiah 66:3

Inona no ohatra omen'i Isaia mba hanehoana ny fiatsarambelantsihin'olona?

Yaveh miteny fa ny olona iray izay mamono omby dia mamono olona. Izay manao sorona zanak'ondry dia mamolaka ny vozon'amboa. Izy izay manolotra fanatitra hohanina dia manolotra ràn-kisoa ary izy izay manolotra ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia misaotra faharatsiana.

Isaiah 66:5

Inona no ataon'ireo rahalahin'ireo izay mangovitra amin'ny tenin'i Yaveh aminy?

Ankahalain'ireo rahalahiny ary roahiny ireo izay mangovitra amin'ny tenin'i Yaveh.

Isaiah 66:6

Inona ny feo izay avy amin'ny tanàna sy ny tempoly?

Ny feon'ny tabataban'ny ady avy amin'ny tanàna, ny feon'i Yaveh mamaly an'ireo fahavalony.

Isaiah 66:10

Nahoana izay rehetra tia an'i Jerosalema no tokony hifaly aminy sy ho ravo aminy?

Tokony hifaly amin'i Jerosalema sy ho ravo aminy izahay, satria ianao hotezainy ka ho afapo; amin'ny nonony ianao no ho tohanana; fa ianao hisotra ny feno ka hankamamy amin'ny haben'ny voninahiny.

Isaiah 66:12

Inona no mby haelin'i Yaveh manerana an'i Jerosalema?

Yaveh efa mby hanely fanambinana manerana an'i Jerosalema toy ny ony, ary ny haren'ireo firenena tahaka ny rano mikoriana manenika ny tany.

Isaiah 66:15

Inona no ho ampiasain'i Yaveh mba hanatanterahina fitsarana amin'olombelona?

Hampiasa afo sy hampiasa ny sabany Izy.

Isaiah 66:18

Nahoana Yaveh no hanangona ny firenena rehetra sy ny fiteny rehetra?

Yaveh hanangona an'ireo firenena rehetra sy fiteny rehetra mba hahafahan'izy ireo tonga ka hahita ny voninahiny ary koa mba hahafahan'ireo izay tafavoaka velona hiverina amin'ny fireneny mba hanambarany ny voninahitr'i Yaveh amin'ireo firenena.

Isaiah 66:20

Iza no hatolotra ho fanatitra ho an'i Yaveh?

Ireo rahalahin'Israely avy amin'ireo firenena rehetra no hatolotra ho fanatitra ho an'i Yaveh.

Isaiah 66:22

Inona no hataon'ny vahoaka isam-bolana isam-bolana sy isaka sabata?

Ho tonga ny vahoaka rehetra ka hiankohoka eo amin'i Yaveh isam-bolana isam-bolana sy isaka sabata isaka sabata.

Isaiah 66:24

Inona no hitranga amin'ny vatan'ireo olona efa maty izay nikomy tamin'i Yaveh?

Kankana no hihinana azy ireny ary afo no handevona azy ireny.