Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Joshua 1

Joshua 1:1

Inona no nasain'i Yaveh nataon'i Josoa taorian'ny nahafatesan'i Mosesy?

Nasain'i Yaveh niampita an'i Jordana sy nitarika ny vahoakan'Israely ho any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo i Josoa.

Joshua 1:4

Nahoana no niteny i Yaveh fa tsy hisy olona ho afa-mijoro hanohitra an'i Josoa?

Niteny i Yaveh fa tsy misy olona hahavita hanohitra an'i Josoa satria homba an'i Josoa Izy tahaka ny nombany an'i Mosesy.

Joshua 1:6

Inona ireo zavatra telo nangatahin'i Yaveh tamin'i Josoa?

Nangataka tamin'i Josoa i Yaveh mba hahery, hatanjaka, ary mba hankatò ny lalàna.

Joshua 1:8

Inona no nasain'i Yaveh hosaintsainin'i Josoa mandrakariva?

Nasain'i Yaveh nisaintsaina mandrakariva ny bokin'ny lalàna i Josoa.

Joshua 1:10

Inona no nandidian'i Josoa mba ho ataon'ireo mpitariky ny vahoaka?

Nandidy ireo mpitariky ny vahoaka i Josoa mba hibaiko ny vahoaka hikarakara vatsy ho azy ireo ihany amin'ny fiampitana an'i Jordana afaka hateloana.

Joshua 1:12

Inona ireo zavatra roa nolazain'i Josoa, nolazain'i Mosesy araka ny nandidian'i Yaveh ireo Robenita, Gadita ary ny atsasaky ny fokon'i Manase?

Ireo zavatra roa izay nolazain'i Josoa, nolazain'i Mosesy araka ny nandidian'i Yaveh ireo Robenita, Gadita ary ny atsasaky ny fokon'i Manase dia "Yaveh Andriamanitrareo no manome anareo fitsaharana, sy manome anareo ity tany ity."

Joshua 1:14

Inona no nasain'i Josoa nataon'ireo Robenita, Gadita ary ny atsasaky ny fokon'i Manase?

Nasain'i Josoa nandao ny vadiny, ny zanany ary ny biby fiompiny tao amin'ny tany izay nomen'i Mosesy azy ireo tany an-dafin'i Jordana ireo Robenita, Gadita ary ny atsasaky ny fokon'i Manase, fa ireo lehilahy mpiady kosa dia niampita an'i Jordana ary nanampy ireo rahalahin'izy ireo.

Joshua 1:16

Inona no navalin'ny vahoaka ireo baikon'i Josoa?

Namaly ireo baikon'i Josoa ny vahoaka ary niteny fa tsy hanao izay nolazainy ary tsy handeha any amin'izay nasainy aleha.

Joshua 2

Joshua 2:1

Taiza no nahita fonenana ireo mpitsikilo roa lahy avy any Sitima rehefa nirahin'i Josoa izy ireo mba hisafo ny tany?

Nahita fonenana tao an-tranon'ny mpivaro-tena iray nantsoina hoe Rahaba ireo mpitsikilo roa lahy.

Joshua 2:4

Inona no nataon'i Rahaba tamin'ireo mpitsikilo rehefa nitady azy ireo ny olon'ny mpanjaka?

Rehefa tonga nitady ireo mpitsikilo tao amin'i Rahaba ireo lehilahin'ny mpanjaka, dia nafeniny izy ireo.

Inona no nolazain'i Rahaba tamin'ireo lehilahin'ny mpanjaka?

Nilaza tamin'ireo lehilahin'ny mpanjaka i Rahaba fa efa teo ireo mpitsikilo, nefa efa lasa izy ireo.

Joshua 2:8

Nahoana i Rahaba no nilaza tamin'ireo mpitsikilo ny antony nanafenany azy ireo?

Nilaza tamin'ireo mpitsikilo ny antony nanafenany azy ireo i Rahaba satria nino izy fa efa nomen'i Yaveh azy ireo ny tany.

Joshua 2:10

Inona no nolazain'i Rahaba fa antony ninoany fa hanome ny tany an'Israely i Yaveh?

Nino izy fa efa nomen'i Yaveh an'ireo Israelita ny tany satria maina ny ranon'i Ranomasina Maty izay namela azy ireo nitsoaka avy tany Egypta, ary noringanin'izy ireo ihany koa ireo mpanjakan'i Amorita.

Joshua 2:12

Inona no nangatahin'i Rahaba mba ho ataon'ireo mpitsikilo?

Nangataka tamin'ireo mpitsikilo Rahaba mba haneho famindrampo sy famelàna amin'ny fianakaviany rehefa niverina naka ny tany izy ireo.

Joshua 2:14

Inona ny fampanantenana nataon'ireo mpitsikilo an'i Rahaba?

Nampanantena an'i Rahaba ireo mpitsikilo fa hamindra fo sy hahatoky azy izy ireo raha tsy milaza ny raharahan'izy ireo izy.

Joshua 2:18

Inona no nangatahin'ireo mpitsikilo ho ataon'i Rahaba mba ho voaharo izy?

Nasain'ireo mpitsikilo nametraka tady mena teo am-baravarankely sy nanangona ny fianakaviany tao an-tranony i Rahaba.

Joshua 2:23

Inona no notaterin'ireo mpitsikilo tany amin'i Josoa rehefa niverina avy tany amin'ny tanànan'i Rahaba izy ireo?

Nolazain'ireo mpitsikilo tamin'i Josoa izay rehetra nitranga, ary nolazain'izy ireo fa nomen'i Yaveh azy ireo ny tany.

Joshua 3

Joshua 3:2

Inona no nasain'ireo manampahefana ho arahin'ny vahoaka rehefa nilanja izany ireo Levita?

Nasain'ireo manampahefana nanaraka ny fiaran'ny fanekena ny vahoaka rehefa nilanja izany ireo Levita.

Nahoana no nasain'ireo mpisorona nijanona 2000 hakiho tao aorian'ny fiaran'ny fanekena ny vahoaka?

Nasain'ireo mpisorona nijanona tao aorian'ny fiaran'ny fanekena ny vahoaka mba hahafahan'izy ireo mahita izay lalana aleha satria tsy mbola nandeha tamin'izany lalana izany izy ireo tany aloha.

Joshua 3:5

Inona no nolazain'i Josoa fa ho ataon'i Yaveh eo amin'ny vahoaka tamin'izany andro izany?

Nilaza i Josoa fa hanao "fahagagana" eo amin'ny vahoaka i Yaveh tamin'izany andro izany.

Joshua 3:7

Inona no nasain'i Yaveh ho lazain'i Josoa amin'ireo mpisorona rehefa nankany amin'ny Reniranon'i Jordana izy ireo?

Nasain'i Yaveh hilaza ireo mpisorona i Josoa mba ho tony eo amin'ny Reniranon'i Jordana.

Joshua 3:12

Inona nambaran'i Josoa tamin'ny vahoaka fa hitranga rehefa mikasika ny ranon'i Jordana ny faladian-tongotr'ireo mpisorona izay mitondra ny fiaran'i Yaveh?

Nilaza tamin'i vahoaka i Josoa fa hisaraka ny rano rehefa mikasika ny ranon'i Jordana ny faladian-tongotr'ireo mpisorona izay mitondra ny fiara.

Joshua 3:14

Taiza no niampitan'ny vahoaka ny Reniranon'i Jordana?

Teo akaikin'i Jeriko no niampitan'ny vahoaka an'i Jordana.

Joshua 3:17

Inona no nataon'ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena raha niampita ny vahoaka?

Nijanona teo amin'ny tany maina teo afovoan'ny Jordana ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena mandram-pitan'ny olon'Israely rehetra teo amin'ny tany maina.

Joshua 4

Joshua 4:1

Inona no nasain'i Yaveh ho ataon'i Josoa tamin'ireo roambin'ny folo lahy?

Niteny tamin'i Josoa i Yaveh mba handidy ireo roa ambin'ny folo lahy haka ireo vato roa ambin'ny folo avy ao afovoan'i Jordana izay ijoroan'ireo mpisorona, ka hitondra ireo eo amin'ny toerana izay nandanian'izy ireo ny alina.

Joshua 4:6

Inona no nolazain'i Josoa fa antony nitondrana ireo vato teo amin'ilay toerana izay nandanian'izy ireo ny alina?

Ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mba tsy hanadinoan'ny vahoakan'Israely mandrakizay izay efa nataon'i Yaveh.

Joshua 4:8

Taiza no nametrahan'i Josoa ireo vato roambin'ny folo?

Teo amin'ny tany maina izay nijoroan'ireo mpisorona tao amin'ny Reniranon'i Jordana no nametrahan'i Josoa ireo vato roambin'ny folo?

Joshua 4:12

Manodidina ny firy ny lehilahy voaomana hiady nandalo teo anoloan'i Yaveh ho an'ny ady any amin'ireo lemak'i Jeriko?

Manodidina ny 40.000 ireo lehilahy voaomana hiady nandalo teo anoloan'i Yaveh ho an'ny ady any amin'ireo lemak'i Jeriko.

Joshua 4:17

Inona no nitranga rehefa niakatra avy tao amin'ny Reniranon'i Jordana ireo mpisorona izay nilanja ny fiaran'ny fanekena?

Rehefa niakatra avy tao amin'ny Reniranon'i Jordana ireo mpisorona izay nilanja ny fiaran'ny fanekena, dia niverina tamin'ny laoniny ny ranon'i Jordana.

Joshua 4:19

Taiza no nametrahan'i Josoa ireo vato izay avy tany Jordana?

Tao Gilgala no nametrahan'i Josoa ireo vato izay avy tany Jordana.

Joshua 4:22

Inona no nahatonga an'i Josoa niteny tamin'ny vahoaka mba hilaza ny zanak'izy ireo izay efa nataon'i Yaveh tamin'izy ireo tany Jordana?

Niteny tamin'ny vahoaka i Josoa mba hilaza ny zanak'izy ireo izay efa nataon'i Yaveh tamin'izy ireo tany Jordana mba hahafanantaran'ny olona rehetra manerana izao tontolo izao fa mahery ny tanan'Andriamanitra.

Joshua 5

Joshua 5:2

Inona no nandidian'i Yaveh mba ho ataon'i Josoa tamin'ilay afovato?

Nandidy an'i Josoa i Yaveh mba hamora ireo lahin'Israely rehetra.

Joshua 5:6

Nahoana i Josoa no voatery hamora ireo lahin'Israely rehetra?

Voatery namora ireo lahin'Israely i Josoa satria tsy mbola voafora ireo zazalahy izay teraka nandritra ny fivenjivenjena tany an'efitra.

Joshua 5:10

Ho an'ny inona no nandraiketan'ny vahoaka ny harivan'ny fahefatra ambin'ny folon'ny volana, teo amin'ireo lemak'i Jeriko?

Ho an'ny Paska no nandraiketan'ny vahoaka ny harivan'ny fahefatra ambin'ny folon'ny volana, teo amin'ireo lemak'i Jeriko.

Joshua 5:12

Inona no nitsahatra taorian'ny nihinanan'izy ireo ny vokatry ny tany ny mana?

Nitsahatra ny mana ny andro taorian'ny nihinanan'izy ireo ny vokatry ny tany.

Joshua 5:13

Iza no itan'i Josoa nitsangana teo anoloany teo akaikin'i Jeriko?

Nahita lehilahy miaraka amin'ny sabany eny an-tanany i Josoa.

Joshua 5:14

Inona no nolazain'i Josoa tamin'ilay lehilahy nitazona sabatra?

Hoy Josoa tamin'ilay lehilahy nitazona sabatra hoe: "Momba anay ianao sa momba ny fahavalonay?"

Nilaza azy ho iza tamin'i Josoa ilay lehilahy nitàna sabatra?

Nilaza tamin'i Josoa ilay lehilahy nitàna sabatra fa lehiben'ny tafik'i Yaveh izy.

Inona no nasain'ilay lehiben'ny tafik'i Yaveh ho ataon'i Josoa?

Nasain'ilay lehiben'ny tafik'i Yaveh nanala ny kapany izy, satria eo amin'ny toerana masina izy.

Joshua 6

Joshua 6:1

Inona no nampanantenain'i Yaveh tamin'i Josoa mahakasika an'i Jeriko?

Nampanantena i Yaveh fa homeny ho eo an-tanan'i Josoa i Jeriko.

Joshua 6:3

Impiry no manao diabe manodidina ny mandan'i Jeriko ny olon'Israely mandritra ny andro enina voalohany?

Indray mandeha isan'andro mandritra ny enina andro no manao diabe manodidina ny mandan'i Jeriko ny olon'Israely.

Joshua 6:5

Inona no nasain'i Yaveh ho ataon'ny olona amin'ny andro fahafito?

Nasain'i Yaveh nanao diabe manodidina an'i Jeriko impito ny olona amin'ny andro fahafito, ary ireo mpisorona dia tsy maintsy mitsoka mafy ny trompetran'izy ireo.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hitranga raha manao izany ny olon'Israely?

Nilaza i Yaveh fa hirodana ny manda manodidina an'i Jeriko raha manao izany ny olona sy ireo mpisorona.

Joshua 6:10

Inona no nandidian'i Josoa tsy ho ataon'ny olona mandra-pahatonga ny andro fahafito?

Nandidy ny olona tsy hihiaka i Josoa mandra-pahatonga ny andro fahafito.

Joshua 6:17

Iza no nasain'i Josoa mba ho avelan'ny vahoaka ho velona rehefa nomen'i Yaveh azy ireo ny fandresena?

Rahaba sy izay rehetra tao an-tranony no nasain'i Josoa mba ho avelan'ny vahoaka ho velona satria nanafina ireo mpitsikilo izy?

Inona ireo zavatra nolazain'i Josoa tamin'ny vahoaka fa masina ho an'i Yaveh ka tsy maintsy entina ao amin'ny fitoeran-drakitra?

Ireo zavatra vita amin'ny volafotsy, volamena, vy ary varahina no nolazain'i Josoa tamin'ny vahoaka fa masina ho an'i Yaveh ka tsy maintsy entina ao amin'ny fitoeran-drakitra.

Joshua 6:20

Inona no nataon'ny olon'Israely rehefa nirodana ireo mandan'i Jeriko?

Nogiazin'ny olon'Israely ny tanàna ary nopotehin'izy ireo tamin'ny lela-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna.

Joshua 6:22

Inona no nandidian'i Josoa ho ataon'ireo tovolahy roa izay nitsikilo tany ivelan'ny tany?

Nandidy ireo mpitsikilo roa lahy i Josoa mba ho any an-tranon'ilay mpivaro-tena ary hitondra azy sy ireo izay miaraka aminy hivoaka, araka ny nianianan'izy ireo taminy.

Joshua 6:26

Inona no nolazain'i Josoa fa hitranga amin'ny olona izay mikasa hanorina indray an'i Jeriko?

Nilaza i Josoa fa ho voaozona ny olona izay mikasa hanorina indray an'i Jeriko.

Joshua 7

Joshua 7:1

Inona ny antony nampirehitra ny fahatezeran'i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely?

Nirehitra tamin'ny vahoakan'Israely ny fahatezeran'i Yaveh satria nalain'i Akana ho azy ny zavatra izay natokana ho amin'ny fandravàna.

Joshua 7:2

Inona no notaterin'ireo mpitsikilo izay nirahin'i Josoa tany Ay tamin'i Josoa.

Nitatitra tany amin'i Josoa ireo mpitsikilo fa tafika iray ihany dia ampy haka an'i Ay satria vitsy olona any.

Joshua 7:4

Inona no nahazo ireo lehilahy miisa telo arivo izay nanafika an'i Ay?

Noroasin'ireo olon'i Ay ny tafika izay nanafika an'i Ay ary enina amby telopolo no maty.

Joshua 7:6

Inona no nataon'i Josoa rehefa nahafantara ny faharesen'ny tafiny tany Ay izy?

Rehefa nahafantara ny faharesen'ny tafiny tany Ay i Josoa, dia notriariny ny akanjony, nasiany vovoka ny lohany, ary niankohoka teo anoloan'ny fiara izy.

Joshua 7:10

Inona hoy i Yaveh ny antony naharesy ny tafik'i Josoa tany Ay?

Notenenin'i Yaveh i Josoa fa resy ny tafiny satria Israely dia nanota tamin'ny fangalarana zavatra natokana ho an'ny amin'ny fandravàna.

Joshua 7:13

Inona no nasain'i Yaveh ho ataon'i Josoa?

Nasain'i Yaveh nitsanga sy nanamasina ny olona i Josoa mba hanolotra ireo zavatra natokana ho an'ny fandravàna.

Joshua 7:14

Inona no nolazain'i Yaveh fa hanjo ny olona izay nangalatra ireo zavatra natokana ho an'ny fandravàna?

Niteny i Yaveh fa ny olona izay nangalatra ireo zavatra natokana ho an'ny fandravàna dia hodorana miaraka amin'izay rehetra ananany.

Joshua 7:19

Inona no nolazain'i Akana tamin'i Josoa fa nalainy?

Nilaza tamin'i Josoa i Akana fa naka akanjo lava tsara tarehy izy, sy volafotsy roanjato sekely, ary anjam-bolamena.

Joshua 7:24

Taiza no nakan'i Josoa sy ny Israely rehetra an'i Akana sy izay rehetra nananany?

Tany amin'ny havoan'i Akora no nakan'i Josoa sy ny Israely rehetra an'i Akana sy izay rehetra nananany.

Joshua 7:25

Naninona ny fahatezeran'i Yaveh?

Nitsahatra ny firehetan'ny fahatezeran'i Yaveh.

Joshua 8

Joshua 8:1

Inona no nasain'i Yaveh ho ataon'i Josoa mba hahazoana ny tanànan'i Ay?

Nasain'i Yaveh nalain'i Josoa ny vahoaka mpiady rehetra mba ho any Ay ary hametraka vela-pandrika any ambadiky ny tanàna.

Nataon'ny vahoaka inona ny babo avy tany Ay?

Nilaza tamin'ny vahoaka i Yaveh fa afaka maka ny babo sy ny biby fiompy ho azy ireo izy ireo.

Joshua 8:3

Oviana no nalefan'i Josoa tany Ay ireo lehilahy mahery sy be herim-po telo alina?

Ny alina no nalefan'i Josoa tany Ay ireo lehilahy mahery sy be herim-po telo alina.

Inona no nokasain'i Josoa sy ireo lehilahiny ho atao rehefa nanakaiky ny tanàna izy ireo?

Rehefa nanakaiky ny tanàna i Josoa sy ireo lehilahiny dia nivoaka ny tanàna hanafika azy ireo ny vahoakan'ny tanàna, ary nandositra toy ny teo aloha i Josoa sy ireo lehilahiny.

Joshua 8:8

Nataon'ireo lehilahin'i Josoa inona ny tanàna rehefa azon'izy ireo?

Rehefa azon'ireo lehilahy ny tanàna, dia nodoran'izy ireo izany.

Joshua 8:15

Inona no nataon'ireo olon'i Ay rehefa nandositra tany an-tany efitra ny tafik'i Josoa?

Nenjehin'ireo lehilahin'i Ay ny tafik'i Josoa raha nandositra tany an-tany efitra izy ireo, nandra-paha-tsy nisy tavela na dia lehilahy iray aza tao an-tanàna.

Joshua 8:18

Inona ny famantarana nolazain'i Yaveh fa homeny an'i Josoa rehefa vonona izy fa haka ny tanàna ny tafiny.

Notenin'i Yaveh i Josoa mba hanondro an'i Ay amin'ny tehina izay teny an-tanany.

Joshua 8:22

Iza no nataon'ireo lehilahin'Israely sambo-belona ary nentiny tany amin'i Josoa?

Ny mpanjakan'i Ay no nataon'ireo lehilahin'Israely sambo-belona ary nentiny tany amin'i Josoa.

Joshua 8:24

Iza no naringan'i Josoa tao amin'ny tanànan'i Ay?

Ny vahoaka no naringan'i Josoa tao amin'ny tanànan'i Ay.

Joshua 8:27

Inona no nalain'Israely tao an-tanànan'i Ay talohan'ny nandoroan'izy ireo izany?

Ny biby fiompy sy ny zavatra babo no nalain'Israely, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Josoa.

Joshua 8:29

Inona no nataon'i Josoa tamin'ny mpanjakan'i Ay?

Nahanton'i Josoa teo amin'ny hazo ny mpanjakan'i Ay ary avy eo dia natsipiny teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ny fatiny.

Joshua 9

Joshua 9:1

Inona no nataon'ireo mpanjaka izay nonina tany an-dafin'i Jordana tany amin'ny tany havoana mba hiantsiana ady an'i Josoa sy Israely?

Niray hina teo ambany fifehezana iray ireo mpanjaka izay nonina tany an-dafin'i Jordana tany amin'ny tany havoana mba handresy an'i Josoa sy Israely.

Joshua 9:3

Iza no nanao tetika an-kafetsena?

Ireo mponin'i Gibeona no nanao tetika an-kafetsena.

Ahoana ny fomba nanomanan'ireo Gibeonita "iraka" ny diany?

Nitondra kitapo tonta ireo Gibeonita ary nasampiny tamin'ny borikin'izy ireo izany. Nitondra siny hoditra tonta izy ireo ary nanao kapa tonta sy nitampina ary nanao akanjo tonta. Nitondra mofo maina sy efa bobongolo ihany koa izy ireo.

Joshua 9:6

Rehefa tonga tao amin'i Josoa tao Gilgala ireo Gibeonita, avy aiza no noteneniny fa fiavian'izy ireo?

Niteny ireo Gibeonita fa avy any amin'ny firenena lavitra tokoa izy ireo.

Inona no nirian'ireo Gibeonita ho ataon'Israely?

Ireo Gibeonita dia naniry ny mba hanaovan'ireo Israelita fifanekena amin'izy ireo.

Joshua 9:14

Inona ny fahadisoana nataon'ireo Israelita?

Tsy naka hevitra tamin'i Yaveh mba ho fitarihana izy ireo?

Inona no nampanantenain'i Josoa ny vahoakan'i Gibeona?

Namitra-pihavanana tamin'izy ireo i Josoa ary nanao fanekena mba hamela azy ireo ho velona.

Joshua 9:16

Inona no fantatr'ireo Israelita mahakasika ireo Gibeonita andro vitsy taorian'izay?

Fantatr'ireo Israelita fa hay mpifanolo-bodirindrina amin'izy ireo ireo Gibeonita ary nonina nifanakaiky teo.

Joshua 9:18

Inona ny antony tsy nanafihan'ireo Israelita ny vahoakan'i Gibeona?

Tsy nanafika ny vahoakan'i Gibeona ireo Israelita satria nanao fianianana mahakasika azy ireo teo anatrehan'i Yaveh ireo Israelita.

Joshua 9:20

Inona no nataon'ireo Gibeonita ho an'ireo Israelita?

Lasa mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ireo Israelita rehetra ireo Gibeonita.

Joshua 9:24

Inona ny antony nahatonga ireo Gibeonita namitaka an'i Josoa?

Nilaza tamin'i Josoa ireo Gibeonita fa natahotra mafy ny amin'ny ainy izy ireo?

Joshua 9:26

Inona no nitranga tamin'ireo Gibeonita?

Nesorin'i Josoa tsy ho eo ambany fifehezan'ny vahoakan'Israely izy ireo ary nataony mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiarahamonina sy ny alitaran'i Yaveh.

Joshua 10

Joshua 10:1

Inona ny antony nampatahotra vahoakan'i Jerosalema raha namitra-pihavanana tamin'Israely ny vahoakan'i Gibeona?

Natahotra ny vahoakan'i Jerosalema satria Gibeona dia tanàna lehibe, lehibe noho i Ay, ary ny lehilahiny rehetra dia mpiady mahery avokoa.

Joshua 10:3

Inona no nagatahin'ny mpanjakan'i Jerosalema mba ho ataon'ireo mpanjaka hafa?

Nangataka tamin'ireo mpanjaka hafa ny mpanjakan'i Jerosalema mba hiakatra any aminy ary hanampy azy hanafika an'i Gideona.

Joshua 10:5

Inona no nataon'ireo mpanjaka?

Niakatra niaraka tamin'ireo tafika rehetra izy ireo ary nanafika an'i Gideona.

Joshua 10:6

Inona no nataon'ny vahoakan'i Gibeona rehefa nahatazana ireo mpanjaka sy ny tafiny rehetra izy ireo?

Nandefa hafatra tany amin'i Josoa ny vahoakan'i Gibeona mba ho avy ka hamonjy azy ireo.

Joshua 10:8

Inona no nambaran'i Yaveh tamin'i Josoa?

Niteny tamin'i Josoa i Yaveh fa efa natolony eo an-tanany ireo mpanjaka.

Joshua 10:11

Ahoana ny fomba namonoan'i Yaveh ny ankamaroan'ireo fahavalo?

Nanipy vato lehibe avy eny amin'ny lanitra i Yaveh ka nahavono betsaka kokoa noho ny sabatr'ireo lehilahin'Israely izany.

Joshua 10:12

Inona no nolazain'i Josoa tamin'i Yaveh tamin'ny andro nanomezan'i Yaveh fandresena an'Israely?

Hoy i Josoa tamin'i Yaveh: "Masoandro, mijanòna ao Gibeona, ary ny volana, ao amin'ny lohasaha Aialona."

Joshua 10:15

Inona no nahazo ireo mpanjaka dimy?

Niafina tao an-dava-bato tao Makeda ireo mpanjaka dimy.

Joshua 10:20

Inona no nahazo ny tafik'ireo mpanjaka?

Naringan'ireo Israelita ny ankamaroan'izy ireo. Vitsy dia vitsy tamin'ireo sisa velona no tafa-tsoaka.

Joshua 10:26

Inona no nanjo ireo mpanjaka dimy niafina tao anaty lava-bato tao Makeda?

Nentina tany amin'i Josoa ireo mpanjaka dimy niafina tao anaty lava-bato, novonoina, nahantona tamin'ny hazo dimy izy ireo mandra-piletiky ny masoandro, ary avy eo dia natsipy tao anaty lava-bato.

Joshua 10:40

Inona no nataon'i Josoa sy ny tafik'Israely tamin'ny tany havoana, Negeva, ireo tany iva, ary ireo fototr'havoana?

Nandresy ireo mpanjaka rehetra i Josoa sy ny tafik'Israely ary nataony tsy nisy tafavoaka velona na dia ny izay tamin'izy ireo aza.

Joshua 10:42

Inona ny antony nampahomby ny fisamboran'i Josoa ireo mpanjaka rehetra sy ny taniny?

Nahomby ny fisamboran'i Josoa ireo mpanjaka ireo sy ny taniny satria Yaveh, Andriamanitr'Israely, no niady ho an'Israely.

Joshua 11

Joshua 11:1

Inona nataon'i Jabina, mpanjakan'i Hazora rehefa nahare mahakasika ny fandresen'ireo Israelita tany Gibeona izy?

Nandefa hafatra avy any amin'ny faritra tany amin'ireo mpanjaka maro izy.

Joshua 11:4

Inona ny no navalan'ireo mpanjaka ny hafatr'i Jabina?

Ho valin'ny hafatr'i Jabina dia nivoaka niaraka tamin'izy ireo avokoa ny tafik'izy ireo rehetra ary nihaona tamin'ny ora voatondro izy ireo, ary nitoby teo amin'ny ranon'i Meroma mba hiantsy ady amin'Israely.

Toy ny ahoana ny isan'izy ireo?

Toy ny fasika eny amoron-dranomasina.

Joshua 11:6

Inona no notenen'i Yaveh fa tokony ho ataon'i Josoa aorian'ny ady?

Nasain'i Yaveh nodorana ny sovalin'izy ireo sy ny kalesiny.

Joshua 11:10

Inona no nataon'i Josoa tamin'i Hazora sy ireo mpanjakany?

Nodoran'i Josoa ny tanàna ary novonoiny tamin'ny sabatra ny mpanjaka.

Joshua 11:12

Inona no nataon'i Josoa tamin'ireo mpanjaka sy ny tanàna izay nanetsika ady tamin'Israely?

Nosamborin'i Josoa ireo mpanjaka ary nirangany izy ireo, nefa tsy nandoro ireo tanàna izy.

Joshua 11:14

Inona no nandidian'i Mosesy ho ataon'i Josoa?

Nandidy an'i Josoa i Mosesy mba hamono ny olom-belona rehetra.

Nanao izay nandidian'i Mosesy azy ve i Josoa?

Eny. Nanao izay rehetra nandidian'i Mosesy azy i Josoa.

Joshua 11:18

Iza ilay tanàna tokana mba nihavana tamin'Israely?

Gideona ilay tanàna tokana mba nihavana tamin'Israely.

Joshua 12

Joshua 12:1

Inona no nataon'Israely tany amin'ilay tany tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana?

Nalain'izy ireo ho fananana ilay tany tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana.

Joshua 12:6

Iza no nitarika ny vahoakan'Israely raha nandresy ny vahoaka tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana izy ireo?

Mosesy, mpamompon'i Yaveh no nitarika ny vahoakan'Israely raha nandresy ny vahoaka tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana izy ireo.

Joshua 12:7

Iza no nitarika ny vahoakan'Israely raha nandresy ny vahoaka tany amin'ny ilany andrefan'i Jordana izy ireo?

Josoa no nitarika ny vahoakan'Israely raha nandresy ny vahoaka tany amin'ny ilany andrefan'i Jordana izy ireo.

Joshua 12:21

Firy ny isan'ireo mpanjaka resin'i Josoa sy ireo Israelita tao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo?

Iraika amby telopolo ny isan'ireo mpanjaka resin'i Josoa sy ireo Israelita tao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo.

Joshua 13

Joshua 13:1

Nahoana Yaveh no niteny tamin'i Josoa fa mbola maro dia maro ireo tany halain'izy ireo?

Niteny tamin'i Josoa i Yaveh fa mbola maro dia maro ireo tany halain'izy ireo satria efa antitra sy lava andro iainana i Josoa.

Joshua 13:6

Inona no nolazain'i Yaveh mba ho ataon'i Josoa taorian'ny nandroahany ireo mponina teo anatrehan'ny tafik'Isealy?

Nasain'i Yaveh nanendry ny tanin'Israely ho lova i Josoa, araka ny ny nandidian'i Yaveh.

Tamin'iza no nozaraina ny tany?

Tamin'ireo foko sivy sy ny atsasaky ny fokon'i Manase no nozaraina ny tany.

Joshua 13:8

Taiza ny toerana azon'ireo atsasaky ny fokon'i Manase, ireo Reobenita sy ireo Gadita ho lova?

Tany atsinanan'i Jordana ny toerana azon'ireo atsasaky ny fokon'i Manase, ireo Reobenita sy ireo Gadita ho lova.

Joshua 13:14

Iza ilay foko iray tsy nomen'i Mosesy lova?

Ny fokon'i Levy no tsy nomen'i Mosesy lova.

Inona no nomen'i Mosesy ho lovan'ny fokon'i Levy?

"Ireo fanatitr'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, vita tamin'ny afo" no nomen'i Mosesy ho lovan'ny fokon'i Levy.

Joshua 13:22

Taiza ny sisin-tanin'ny fokon'i Robena?

Tany amin'ny reniranon'i Jordana ny sisin-tanin'ny fokon'i Robena?

Joshua 14

Joshua 14:2

Iza ireo foko roa izay hita fokon'i Josefa?

Ny fokon'i Manase sy Efraima no hita ao amin'ny fokon'i Josefa.

Joshua 14:6

Tamin'ny fahafiry taonany i Kaleba no nalefan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh hisafo ny tany?

Tamin'ny fahefapolo taonany i Kaleba no nalefan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh hisafo ny tany.

Joshua 14:8

Inona no nianianan'i Mosesy fa homeny an'i Kaleba?

Nianiana i Mosesy fa hanome an'i Kaleba ny tany izay nodiavin'ny tongony ho lovany sy ho an'ny zanany mandrakizay.

Joshua 14:10

Tamin'ny fahafiry taonany i Kaleba nankany amin'i Josoa?

Tamin'ny fahadimy amby valopolo taonany i Kaleba no nankany amin'i Josoa?

Joshua 14:12

Inona no ngatahin'i Kaleba tamin'i Josoa?

Nangataka tamin'i Josoa ny mba hanomezany azy ny tany havoana ho lova i Kaleba.

Joshua 15

Joshua 15:1

Mihitatra hatraiza ny fefy lavitra indrindra any atsimo?

Mihitatra hatrany Sina ny fefy lavitra any atsimo.

Joshua 15:5

Ahoana no niantsoana ny faritany atsinanan'ny tanin'i Joda?

Ranomasin-tsira no niantsoana ny faritany atsinanan'ny tanin'i Joda.

Joshua 15:7

Iza no anaran'ny tanànan'i Jebosita?

Jerosalema no anaran'ny tanànan'i Jebosita.

Joshua 15:11

Ahoana no niantsoana ny faritany andrefan'ny tanin'i Joda?

Ranomasina Lehibe sy ny morony no niantsoana ny faritany andrefan'ny tanin'i Joda.

Joshua 15:19

Inona no nomen'i Kaleba ny zanany vavy, Aksa, rehefa nangaka izany izy?

Ireo loharano ambony sy loharano ambany no nomen'i Kaleba ny zanany vavy, Aksa, rehefa nangaka izany izy.

Joshua 15:63

Iza no tsy azon'ny fokon'i Joda roasina miala ao Jerosalema?

Ireo Jebosita no tsy azon'ny fokon'i Joda roasina miala ao Jerosalema.

Joshua 16

Joshua 16:3

Iza avy ireo foko roa an'i Josefa izay niara-nahazo ny lovany?

Ireo fokon'i Josefa sy Efraima taranak'i Josefa.

Joshua 16:10

Iza ny olona tsy noroasin'ny fokon'i Efraima tao Gezera?

Ireo Kananita no tsy azon'ny fokon'i Efraima roasina tao Gezera.

Joshua 17

Joshua 17:1

Iza no lahimatoan'i Josefa?

Manase no lahimatoan'i Josefa.

Iza i Makira?

Lahimatoan'i Manase ary rain'i Gileada i Makira.

Joshua 17:3

Inona ny antony nanatonan'ireo zanaka vavin'i Zelofada an'i Eleazara, Josoa, ary ireo mpitarika?

Nanatona an'i Eleazara, Josoa, ary ireo mpitarika ireo zanaka vavin'i Zelofada satria tsy nanana anadahy mba hahazo lova izy ireo.

Inona no nataon'i Josoa ho an'ireo zanaka vavin'i Zelofada?

Nanome lova ireo zanaka vavin'i Zelofada teo amin'ireo rahalahin-drain'izy ireo i Josoa?

Joshua 17:13

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely tamin'ireo Kananita rehefa niha-natanjaka ireo Israelita.

Rehefa niha-natanjaka ny vahoakan'Israely, dia nataon'izy ireo nanao asa an-terivozona ireo Kananita.

Joshua 17:14

Inona no nolazain'ireo taranak'i Josefa tamin'i Josoa?

Nilaza tamin'i Josoa ireo taranak'i Josefa fa tsy ampy ho azy ireo ny tany havoana.

Inona no nolazain'i Josoa tamin'ireo taranak'i Josefa?

Nilaza tamin'ireo taranak'i Josefa i Josoa mba hiakatra any an'ala ary hanadio ny tany any amin'ny tanin'ireo Perizita sy Refaima.

Joshua 18

Joshua 18:1

Rehefa nivory tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely, firy ireo foko teo amin'ny vahoakan'Israely no mbola tsy nahazo loza?

Rehefa nivory tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely, dia nisy fito ny foko teo amin'ny vahoakan'Israely no mbola tsy nahazo loza.

Joshua 18:3

Iza no nirahin'i Josoa hiambina ny tany manontolo?

Naniraka lehilahy telo isaky ny foko fito i Josoa mba hiambina ny tany manontolo.

Inona no notaterin'ireo lehilahy telo isaky ny foko tsirairay tany amin'i Josoa?

Nosoratan'ireo ireo lehilahy telo isaky ny foko tsirairay ny fanoritsoritana ny tany izay tian'izy ireo ho lovany, ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo avy eo.

Joshua 18:10

Inona no nataon'i Josoa rehefa tafaverina tao aminy ireo lehilahy avy nanao ny fandrefesana?

Nanao antsapaka ho azy ireo tao Silo teo anatrehan'i Yaveh i Josoa rehefa tafaverina tao aminy ireo lehilahy avy nanao ny fandrefesana

Joshua 18:11

Teo anelanelan'ireo foko iza sy iza no nanendrena ny lovan'ny fokon'i Benjamina?

Teo anelanelan'ireo taranak'i Joda sy ireo taranak'i Josefa no nanendrena ny lovan'ny fokon'i Benjamina.

Joshua 19

Joshua 19:1

Iza no nahazo ny antsapaka faharoa?

Ny antsapaka faharoa dia azon'i Simeona.

Joshua 19:8

Avy amin'ny faritanin'iza no nakana ny lovan'i Simeona?

Avy tao amin'ny faritanin'ny fokon'i Joda no nakana ny lovan'i Simeona.

Nahoana no tao amin'ny faritanin'i Joda no nakana ny lovan'i Simeona?

Tao amin'ny faritanin'i Joda no nakana ny lovan'i Simeona satria lehibe dia lehibe ny faritanin'i Joda.

Joshua 19:10

Iza no nahazo ny antsapaka fahatelo?

Ny antsapaka fahatelo dia azon'ny fokon'i Zebolona.

Joshua 19:17

Iza no nahazo ny antsapaka fahefatra?

Ny antsapaka fahefatra dia azon'i Isakara.

Joshua 19:24

Iza no nahazo ny antsapaka fahadimy?

Ny antsapaka fahadimy dia lasan'ny fokon'i Asera.

Joshua 19:32

Iza no nahazo ny antsapaka fahenina?

Ny antsapaka fahenina dia azon'ny fokon'i Naftaly.

Joshua 19:38

Ahitana tanàna firy ao amin'ny fokon'i Naftaly?

Ahitana tanàna sivy ambin'ny folo ao amin'ny fokon'i Naftaly.

Joshua 19:40

Iza no nahazo ny antsapaka fahafito?

Ny antsapaka fahafito dia azon'ny fokon'i Dana.

Joshua 19:49

Inona ny lova nomen'ny vahoakan'Israely an'i Josoa rehefa nahavita ny fizarana ny tany izy ireo?

Araka ny nandidian'Yaveh dia nomen'ny vahoakan'Israely an'i Josoa ny tanàna izay nagatahiny, dia i Timna-sera izany.

Joshua 20

Joshua 20:1

Inona no nasain'i Yaveh ho tenenin'i Josoa tamin'ny vahoaka?

Niteny tamin'i Josoa i Yaveh mba hilaza amin'ny vahoaka fa tokony hanendry ireo tanàna fialofana izy ireo.

Inona no atao hoe tanàna fialofana?

Ny tanàna fialofana dia tanàna ahafahan'ny olona iray namono olona iray hafa tsy nahy mandositra ireo izay mitady hamaly faty ny ràn'ny olona izay novonoina.

Joshua 20:4

Amin'iza ary aiza no hanazavan'ilay olona namono olona iray hafa ny tranga nahazo azy?

Hijoro eo amin'ny fidiran'ny vavahadin'ny tanàna ilay olona namono olona iray hafa ary hanazava ny tranga nahazo azy amin'ireo loholon'ny tanàna.

Joshua 20:5

Rehefa tafatsoaka any amin'ny tanàna fialofana ilay olona ary mijoro eo anoloan'ny vondrona mpitsara, dia inona ihany koa no tsy maintsy hitranga alohan'ny hamelana azy hody.

Tsy mahazo mandao ny tanàna izy ary tsy mahazo mody mandra-pahafatin'ilay mpisoronabe.

Joshua 20:9

Inona no tokony hataon'ilay olona voampanga ao amin'ny tanàna fialofana mba tsy hamonoan'ilay olona izay nikasa hamaly faty ny rà nalatsaka?

Tokony hijoro eo anatrehan'ny vondron'olona mpitsara ilay olona voampanga.

Joshua 21

Joshua 21:1

Iza no nangataka tamin'ny vahoakan'Israely mba hanome tanàna honenana sy tany fihinanam-bilona ho an'ny biby fiompin'izy ireo?

Ny fokon'ireo Levita no nangataka tamin'ny vahoakan'Israely mba hanome tanàna honenana sy tany fihinanam-bilona ho an'ny biby fiompin'izy ireo.

Joshua 21:8

Ahoana ny fomba namaritan'ny vahoakan'Israely ireo tanàna sy ireo tany fihinanam-bilona izay homena ireo Levita?

Tamin'ny antsapaka no namaritan'ny vahoakan'Israely ireo tanàna sy ireo tany fihinanam-bilona izay homena ireo Levita, araka izay efa nandidian'i Yaveh.

Joshua 21:17

Firy ny tanàna nomena ireo taranak'i Arona?

Telo ambin'ny folo raha atambatra ny tanàna nomena ireo taranak'i Arona.

Joshua 21:25

Firy ny tanàna nomena ny ankohonan'i Kehata?

Raha atambatra dia tanàna folo no azon'ny ankohonan'i Kehata.

Joshua 21:32

Firy ny tanàna nomena ny fokon'i Gersona?

Tanàna telo ambin'ny folo raha atambatra no azon'ny fokon'i Gersona.

Joshua 21:39

Firy ny tanàna nomena ny fokon'i Gersona?

Roa ambin'ny folo ny fitambaran'ny tanàna azon'ny fokon'i Merary.

Joshua 21:41

Firy ny tanàna nomena ireo Levita manontolo avy ao afovoan'ny tany izay an'Israely?

Tanàna miisa valo amby efapolo, tafiditra ao amin'izany ny tanim-bilona no nomena ireo Levita manontolo avy ao afovoan'ny tany izay an'Israely.

Joshua 21:43

Inona no nianianan'i Yaveh tamin'ireo razamben'Israely?

Nianiana i Yaveh fa hanome azy ireo ny tany izay an'ny razan'izy ireo, ary hanome fitsaharana manodidina azy ireo.

Joshua 22

Joshua 22:1

Inona ny teny fankasitrahana nomen'i Josoa ireo Robenita, Gadita ,ary ny antsasa-pokon'i Manase?

Nidera azy ireo i Josoa tamin'ny filazana fa nataon'izy ireo izay nandidian'i Mosesy sy Josoa azy ireo ary tsy nandao ireo rahalahiny izy ireo fa nitandrina fatratra ary nankatò an'i Yaveh Andriamanitri'izy ireo.

Joshua 22:4

Inona no nasain'i Josoa notandreman'ireo foko fatratra rehefa niverina tany an-dainy izy ireo?

Niteny ireo foko i Josoa mba hitandrina fatratra ireo didy sy lalàna izay nandidian'i Mosesy azy ireo.

Joshua 22:7

Inona no nasain'i Josoa nozarain'ny antsasaky ny fokon'i Manase teo amin'ireo lahalahin'izy ireo?

Nilaza tamin'i antsasaky ny fokon'i Manase i Josoa mba hizara ny babo eo amin'ireo rahalahin'izy ireo.

Joshua 22:10

Inona no nataon'ny Robenita sy ny Gadita ary ny atsasa-pokon'i Manase teo akaikin'i Jordana ka nahatezitra ny vahoakan'Israely tany amin'ny tany Kanana?

Nanorina alitara lehibe tany amin'ny faritr'i Jordana izay an'ny vahoakan'Israely ny Robenita sy ny Gadita ary ny atsasa-pokon'i Manase.

Joshua 22:12

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely rehefa nandre mahakasika ilay alitara izy ireo?

Rehefa nandre mahakasika ilay alitara ny vahoakan'Israely dia niara-niangona tao Silo izy ireo mba hiakatra hiady amin'ireo foko ireo.

Joshua 22:13

Iza ny mpitondra hafatra nalefan'ny vahoakan'Israely tany amin'ny Robenita, ny Gadita, ary ny antsasa-pokon'ny Manase?

Fineasy, zanak'i Eleazara sy mpitarika folo no nalefan'ny vahoakan'Israely ho mpitondra hafatrany tany amin'ny Robenita, ny Gadita, ary ny antsasa-pokon'ny Manase.

Joshua 22:15

Inona no nolazain'ireo mpitondra hafatry ny vahoakan'Israely tamin'ny vahoakan'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase?

Hoy ireo mpitondra hafatry ny vahoakan'Israely tamin'ny vahoakan'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase: "'Inona izao fivadiham-pitokisana nataonareo tamin'i Andriamanitr'Israely izao... ?

Joshua 22:17

Inona ny nampanahy ny vahoakan'Israely raha nikomy tamin'i Yaveh ny vahoakan'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase?

Nanahy ny vahoakan'Israely fa ho tezitra amin'ny fiangonan'Israely manontolo i Yaveh raha nikomy tamin'i Yaveh ny vahoakan'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase.

Joshua 22:26

Inona no nolazain'ireo fokon'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase tamin'ireo mpitondra hafatry ny vahoakan'Israely?

Nolazain'ireo fokon'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase tamin'ireo mpitondra hafatry ny vahoakan'Israely fa nanorina alitara izy ireo, izay tsy natao ho an'ny fanatitra dorana na sorona, fa ho vavolombelona eo amin'izy ireo sy ny vahoakan'Israely ary hanatanteraka ny fanompoana an'i Yaveh izy ireo ho an'ny taranaka faramandimby.

Joshua 22:30

Inona no nolazain'i Fineasy mpisorona sy ireo mpitondra hafatra hafa mahakasika ireo teny izay ren'izy ireo tamin'ireo Robenita, Gadita, ary ny antsasa-pokon'i Manase?

Nilaza i Fineasy mpisorona sy ireo mpitondra hafatra hafa fa tsara teo imasony ny teny izay nolazain'ireo Robenita, Gadita, ary ny antsasa-pokon'i Manase.

Joshua 22:32

Inona no nataon'ny vahoakan'Israely rehefa nitatitra tany amin'izy ireo i Fineasy sy ireo mpitondra hafatra?

Nisaotra an'i Yaveh izy ireo ary tsy niresaka momba ny ady intsony.

Joshua 22:34

Inona no nataon'ireo Robenita sy Gadita ilay alitara?

"Vavolombelona" no nataon'ny Robenita sy ny Gadita anaran'ilay alitara.

Joshua 23

Joshua 23:1

Inona no nataon'i Josoa rehefa nomen'i Yaveh fitsaharana tamin'ireo fahavalony i Israely?

Rehefa nomen'i Yaveh fitsaharana tamin'ireo fahavalony i Israely, dia nampiantso ny Israely rehetra Josoa.

Iza no nolazain'i Josoa fa niady ho azy ireo?

Nilaza i Josoa fa i Yaveh ho niady ho azy ireo?

Joshua 23:6

Inona no notenen'i Josoa fa tsy tokony ho tononon'ny vahoaka?

Niteny tamin'ny vahoaka i Josoa fa izy ireo dia tsy tokony hanonona ny anaran'ireo andriamanitr'ireo firenena izay nijanona teo amin'izy ireo.

Joshua 23:12

Inona no nolazain'i Josoa fa ho ataon'i Yaveh raha mifanambady amin'ireo sisa velon'ireo firenena izay nijanona teo aminareo?

Nilaza tamin'ny vahoaka i Josoa fa handringana azy ireo eo amin'ny tany izay nomeny azy ireo i Yaveh raha toa izy ireo ka mifanambady amin'ireo sisa velon'ireo firenena izay nijanona teo amin'izy ireo.

Joshua 23:14

Inona no nolazain'i Josoa fa hitranga aminy?

Nilaza i Josoa fa handeha amin'ny lalan'ny tany rehetra izy.

Joshua 23:16

Inona no nolazain'i Josoa fa ho entin'i Yaveh eo amin'ny vahoakan'Israely?

Nilaza i Josoa fa hitondra zava-dratsy eo amin'Israely i Yaveh raha mandrava ny faneken'i Yaveh izy ireo.

Joshua 24

Joshua 24:1

Niresaka tamin'iza i Josoa ary taiza izy no niresaka tamin'izy ireo?

Nampivorian'i Josoa tao Sekema ny fokon'Israely rehetra ary niresaka tamin'ireo loholon'Israely, ireo mpitarika, mpitsara, ary ireo manampahefan'izy ireo izy.

Joshua 24:13

Inona no nolazain'i Yaeh fa efa nomeny ny vahoakan'Israely?

Nilaza i Yaveh fa efa nomeny ny vahoakan'Israely ny tany izay tsy nasain'izy ireo, ireo tanàna izay tsy naorin'izy ireo, ary ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nambolen'izy ireo.

Joshua 24:14

Inona no nolazain'i Josoa mahakasika azy sy ny ankohonany?

Nilaza i Josoa fa izy sy ny ankohonany dia hanompo an'i Yaveh.

Joshua 24:16

Inona no navalin'ny vahoakan'Israely an'i Josoa?

Namaly an'i Josoa ny vahoakan'Israely tamin'ny filazana fa hanompo an'i Yaveh ihany koa izy ireo.

Joshua 24:19

Inona no navalin'i Josoa an'ny vahoakan'Israel?

Nilaza tamin'ny vahoakan'Israely i Josoa fa tsy afaka manompo an'i Yaveh izy ireo nohon'ny fandikàn-dalàna sy ny fahotan'izy ireo.

Joshua 24:21

Inona no nolazain'ny vahoakan'Israely tamin'i Josoa tamin'ny farany?

Tamin'ny farany dia hoy ny vahoakan'Israely tamin'i Josoa: "Tsia, hanompo an'i Yaveh izahay."

Joshua 24:24

Inona no nataon'i Josoa mba hanamarihana ny fanekena izay nataony tamin'ny vahoaka?

Nanoratra ireo teny tao amin'ny bokin'ny lalànan'Andriamanitra i Josoa ary nametraka vato lehibe teo ambanin'ny hazo terebinta teo akikin'ny toerana masin'i Yaveh.

Joshua 24:27

Inona no nolazain'i Josoa fa ho antony nametrahany ilay vato?

Nilaza i Josoa fa ho vavolombelona manohitra azy ireo ilay vato satria ren'izany avokoa ny teny izay nolazain'i Yaveh sy ny vahoakan'Israely.

Joshua 24:32

Taolambalon'iza no nentin'ny vahoakan'Israely nivoaka an'i Egypta?

Taolambalon'i Josefa no nentin'ny vahoakan'Israely nivoaka an'i Egypta.