Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Amos 1

Amos 1:1

Ahoana no nahazoan'i Amosa ireo zavatra nolazainy mahakasika ny Israely?

Nahazo ireo zavatra nolazainy mahakasika ny Israely ao amin'ny fanambarana i Amosa.

Inona no asan'i Amosa?

Mpiandry ondry i Amosa.

Amos 1:3

Nahoana i Yaveh no manambara ny famaizana hanoitra an'i Damaskosy?

Nanambara ny famaizana hanoitra an'i Damaskosy i Yaveh satria novelesin'izy ireo tamin'ireo fitaovana vy i Gileada.

Amos 1:6

Nahoana i Yaveh no nanambara ny famaizana manohitra an'i Gazza?

Nanambara ny famaizana manohitra an'i Gaza i Yaveh satria nataon'izy ireo ho babo ny vahoaka manontolo mba hanolorana azy ireo an'i Edoma.

Inona no nambaran'i Yaveh ho ataony amin'ny fiarovana mafin'i Beni-hadada, Gaza, ary Tyro?

Nanambara i Yaveh fa handevona ireo fiarovana mafin'i Bani-hadada, Gaza, ary tyro Izy.

Amos 1:9

Nahoana i Yaveh no nanambara ny famaizana hanoitra an'i Tyro?

Nanambarany famaizazna hanoitra an'i Tyro i Yaveh satria nanolotra ny vahoaka manontolo an'i Edoma izy ireo ary nandika ny fifanekem-pirahalahiany.

Amos 1:11

Nahoana i Yaveh no manambara ny famaizana manohitra an'i Edoma?

Nanambara ny famaizana manohitra an'i Edoma i Yaveh satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy.

Amos 1:13

Nahoana i Yaveh no nanambara ny famaizana manohitra an'i Amona?

Nanambara ny famaizana manohitra an'i Amona i Yaveh satria nanataka ireo vehivavy bevoka tao Gileada izy ireo.

Amos 1:14

Inona no nambaran'i Yaveh ho atao amin'ireo rindrin'i Raba?

Nanambara ny handevonana ny rindrin'i Raba i Yaveh.

Inona no nambaran'i Yaveh fa hiseho amin'ny mpanjakan'i Amona?

Nanambara i Yaveh fa ny mpanjakan'i Amona dia handeha amin'ny fahababoana.

Amos 2

Amos 2:1

Nahoana i Yaveh no nanambara ny famaizana manohitra an'i Moaba?

Nanambara ny famaizana manohitra an'i Moaba i Yaveh satria nandoro ireo taolan'ny mpanjakan'i Edoma ho sokay izy.

Amos 2:4

Nahoana i Yaveh no manambara famaizana hanoitra an'i Joda?

Nanambara famaizana hanohitra an'i Joda i Yaveh satria nanary ny lalàn'i Yaveh izy.

Inona no ambaran'i Yaveh ho ataony amin'ny fiarovana mafin'i Moaba sy i Joda?

Nanambara i Yaveh fa handevona ireo fiarovana mafin'i Moaba sy Joda Izy.

Amos 2:7

Nahoana i Yaveh no manambara ny famaizana manohitra an'i Israely?

Nanambara famaizana manohitra ny Israely i Yaveh satria nanitsaka ireo lohan'ny mahantra izy.

Amos 2:9

Ahoana no ahafan'ireo Israelita mandresy ireo Amorita?

Afaka nandresy ireo Israelita ireo Amorita satria noravan'i Yaveh teo anatrehan'ireo ireo Amorita.

Amos 2:11

Inona no nataon'ireo Israelita tamin'ireo mpaminany natsangan'i Yaveh teo aminy?

Nandidy ireo mpaminany tsy aminany ireo Israelita.

Inona no nataon'ireo Israelita tamin'ireo Nazarita natsangan'i Yaveh teo aminy?

Nandresy lahatra ireo Nazarita mba hisotro ny divay ireo Israelita.

Amos 2:13

Inona no tsy azon'ny olona kinga sy olona matanjaka?

Tsy hahita handosirana ny olona kinga ary tsy hampitombo ny heriny ny matanjaka.

Amos 2:15

Inona no nambaran'i Yaveh mahakasika ny mpandefa tsipìka, ny mpihazakazaka aingam-pandeha, ny mpitaingin-tsoavaly, ary ny mpiady be herim-po amin'izany andro izany?

Nambaran'i Yaveh fa tsy ahajoro ny mpandefa tsipìka, tsy ho afa-mandositra ny mpihazakazaka aingam-pandeha; tsy hahavonjy ny tenany ny mpitaingin-tsoavaly, ary ny mpiady be herim-po aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany.

Amos 3

Amos 3:3

Inona no ataon'ireo olona roa miara-mandeha?

Nanaiky ny hiara-handeha ireo olona roa.

Amos 3:5

Fa tonga ao amin'ny tanàna ny loza, iza no handefa izany?

Fa tonga ao amin'ny tanàna ny loza, Yaveh no nandefa izany.

Amos 3:7

Inona no ataon'i Yaveh alohan'ny hiasany?

Manambara ny fikasany amin'ireo mpaminany mialohan'ny hiasany i Yaveh.

Amos 3:9

Inona no tian'ny Egypta ho fantatra raha nahita ny nanjo an'i Samaria izy ireo?

Te ahafantatra ireo fifanjevoana be sy ireo fahoriana ao Samaria i Egypta.

Inona no notehirizin'ny Israely tao amin'ny fiarovana mafiny?

Nitahiry herisetra sy faharavana tao amin'ireo fiarovana mafiny i Israely.

Amos 3:11

Inona no famaizana nambaran'i Yaveh fa hanohitra an'i Isrely?

Nambaran'i Yaveh fa ho ravan'ny fahavalo ireo fiarovana mafin'i Israely.

Iza no afaka miery ny fanasazian'i Yavseh?

Ny olom-bitsy ihany no afaka miery ny fanasazian'i Yaveh.

Amos 3:13

Tamin'ny amdro nanasazian'i Yaveh ireo fahotan'ireo Israely, iza ihany koa ny nosaziany?

Nosazian'i Yaveh ihany koa ireo alitaran'i Betela, amin'ny tranon'i Jakoba.

Amos 4

Amos 4:1

Inona no anarana nomen'i Yaveh ireo vehivavin'ny manan-karena izay monina ao Samaria?

"Ireo ombivavin'i Basana no" no niantsoan'i Yaveh ireo vehivavin'ny manan-karena.

Inona no ataon'ireo vahivavin'ny manan-karena ao Samaria amin'ny mahantra?

Mampahory sy manorotoro ny ory ireo vahivavin'ny manan-karena.

Inona no nambaran'i Yaveh fa hanjo ireto vehivavin'ny manan-karena ao Samaria ireto?

Nambaran'i Yaveh fa ho alaina amin'ny farango sy ho entina hivoaka ny tanàna ireo vehivavy ireo.

Amos 4:4

Inona no tian'ireo vahoakan'Israely?

Ny tian'ireo vahoakan'Israely dia ny hanotana ao Betela ary hampitombo ny ota ao Gilgala, mitondra ireo fanatitra ary ireo fahafolon-karena, manolotra fanati-pisaorana, ary manambara ireo fanati-tsitrapo.

Amos 4:6

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ny orana fa tsy niverina Aminy ny vahoakan'Isaraely?

Niaro orana avy amin'ny Israely i Yaveh kanefa tian'ny vahoakan'ny Israely hiverina aminy izany.

Amos 4:8

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ireo saha, ireo tanim-boaloboka, ary ireo hazo fa tsy niverina Aminy ny vahoakan'Israely?

Mampahory ireo saha, ireo tanim-boaloboka, sy ireo hazo miaraka amin'ny fahamainana sy bobongolo, ary handevona azy ireo amin'ireo valala.

Amos 4:10

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ireo zatovolahy nefa tsy niverina Aminy ny vahoakan'ny Israely?

Novonoin'i Yaveh tamin'ny sabatra ireo zatovolahy fa mbola tsy niverina Aminy ihany ny vahoakan'Israely.

Inona no nataon'i Yaveh tamin'ireo tanàna fa mbola tsy niverina Aminy ny vahoakan'Israely?

Nanjera ireo tanàna i Yaveh fa mbola tsy niverina Aminy ny vahoakan'Israely.

Ahoana no namalian'ny vahoakan'Israely ny andran'i Yaveh mba hamerenana azy ireo?

Tsy niverina tamin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.

Amos 5

Amos 5:1

Iza no lavo tamin'ny fitarainana?

Ny virijinin'i Israely no lavo tamin'ny fitarainana.

Amos 5:4

Inona no nolazain'i Yaveh ho atao amin'ny ankohonan'ny Israely?

Nilaza ireo ankohonan'ny Israely mba hitady Azy mba ho velona i Yaveh

Amos 5:8

Inona no nentin'i Yaveh eo amin'ny matanjaka?

Nitondra faharinganana tampoka amin'ny matanjaka i Yaveh.

Amos 5:10

Iza no tsy tian'ny matanjaka sy halany?

Tsy tia ireo izay manitsy azy ny matanjaka, ary mankahala ny olona izay milaza ny marina.

Inona no hataon'ny matanjaka no hanasazian'i Yaveh azy?

Nanitsaka ny mahantra ny matanjaka, izany no nanasazian'i Yaveh azy ireo.

Amos 5:12

Inona no ataon'ny olona malina tamin'ny fotoana ratsy?

Nangina tahaka izany ny olona malina tamin'ny fotoana ratsy.

Amos 5:14

Inona no tokony ho ataon'ny olona fa mahitsy amin'izy ireo i Yaveh?

Tokony hitady ny marina fa tsy ny ratsy ny olona, fa mahitsy ami'izy ireo i Yaveh.

Amos 5:16

Inona no re eny amin'ireo lalana rehefa mandalo eo afovoan'ny vahoaka i Yaveh?

Fidradradradrana sy loza no re eny amin'ireo lalana rehefa mandalo eo afovoan'ny vahoaka i Yaveh.

Amos 5:18

Toa inona ny andron'i Yaveh?

Ny andron'i Yaveh dia fahamaizinana sy aizim-pito.

Amos 5:21

Inona no neritreretin'i Yaveh momban'ireo fivondronanareo manetriketriky ny vahoaka?

Tsy maka maminy amin'ireo fivondronanareo manetriketriky ny vahoaka i Yaveh.

Amos 5:23

Inona no tian'i Yaveh ho hita mikoriana amin'ny vahoaka?

Te ahita rariny sy fahamarinana mikoriana amin'ny vahoaka i Yaveh.

Amos 5:25

Inona no nataon'ny vahoaka ho an'ny tenany?

Nanao sampy ho an'ny tenany ny vahoaka.

Amos 5:27

Nalefan'i Yaveh taiza ny vahoaka?

Halefan'i Yaveh sesitany mihoatra an'i Damaskosy ny vahoaka.

Amos 6

Amos 6:1

Tamin'iza no nanambaran'i Yaveh ny loza?

Nambaran'i Yaveh tamin'ireo nahazo aina tao Ziona, ary ho an'ireo milamina ao Samaria ilay loza.

Amos 6:5

Inona no nataon'ireo nandray ny loza avy amin'i Yaveh tamin'ny fotoany?

Nampiasa ny zava-manenony, nanao fety, nihira , ary nisotra tamin'ny fotoany ireo nandray ny lozan'i Yaveh.

Inona no tsy nantaon'ireo nandray ny lozan'i Yaveh tamin'ny fotoany?

Tsy nampiasa ny fotoany amin'ny alahelo tamin'ny faharavan'i Josefa ireo nandray ny lozan'Yaveh.

Amos 6:7

Handeha ho aiza ireo nandray ny lozan'Yaveh ankehitriny?

Nandeha sesitany ireo nandray ny lozazn'i Yaveh ankehitriny.

Inona no halan'i Yaveh amin'ireo vahoakan'i Jakoba?

Halan'i Yavseh ny fieboeboana sy ny fiarovana mafin'ireo vahoakan'i Jakoba.

Amos 6:11

Inona no hanjo ireo tranon'ireo vahoakan'i Jakoba?

Ho torotoro ka ho potipotika ireo tranony.

Amos 6:12

Inona nataon'ireo vahoakan'i Jakoba tamin'ny rariny sy ny fahamarinana?

Navadik'ireo vahoakan'i Jakoba ho poizina ny rariny ary ny fahamarinana ho fangidiana.

Amos 6:14

Inona no nambaran'i Yaveh fa ho ataony hanohitra ny taranak'Israely?

Hanangana firenena hanohitra ny taranak'Israely ny fanambaran'i Yaveh.

Inona ho ataon'ity firenena ity hanoitra ny taranak'Israely?

Hampahory ny taranak'Israely ity firenena ity.

Amos 7

Amos 7:1

Tamin'ny fahitana, inona no hitan'i Amosa noforonin'i Yaveh tamin'ny lohataona?

Nahita an'i Yaveh namorona valala ho amin'ny lohataona mba hihinana ny vokatry ny tany i Amosa.

Rehafa niangavy an'i Yaveh mba hamela an'i Jakoba ary tsy hampitondra loza ho azy ireo i Amosa, inona no navalin'i Yaveh?

Namaly i Yaveh fa tsy hitranga izany loza izany.

Amos 7:4

Tamin'ny fahitany, inona no hitan'i Amosa nantsoin'i Yaveh?

Nahita an'i Yaveh niantso ny fitsaran'ny afo i Amosa.

Rehafa niangavy an'i Yaveh mba hamela an'i Jakoba ary tsy hampitondra loza ho azy ireo i Amosa, inona no navalin'i Yaveh?

Namaly i Yaveh fa tsy hitranga ihany koa izany loza izany.

Amos 7:7

Tamin'ny fahitany, taiza no nitsanganan'ny Tompo ary nanao inona Izy no hitan'i Amosa?

Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin'ny rindrina niaraka tamin'ny vato pilao teny an-tanany i Amosa.

Inona no nolazain'ny Tompo fa dikan'ny vato pilao?

Ny dikan'ny vato pilao dia hoe tsy hamindra fo amin'ny Israely intsony hoy ny Tompo.

Amos 7:9

Inona no nambaran'i Yaveh fa tokony ho ataon'ny Israely?

Nambaran'i Yaveh fa hanimba ireo toerana avo sy masin'ireo Israely Izy.

Amos 7:10

Fa inona no niapangan'i Amazia, mpisoron'i Betela an'i Amosa?

Voapanga niteti-dratsy hanohitra an'i Jeroboama, mpanjakan'ny Israely i Amosa.

Inona no faminanian'i Amosa momban'i Jeroboama?

Novinanian'i Amosa ho faty amin'ny sabatra i Jeroboama.

Amos 7:12

Ho aiza no notenenina tamin'i Amosa hiverenany haminany?

Notenenina ny hiverina any amin'ny tanin'i Joda ary hanminany any i Amosa.

Amos 7:14

Inona no asan'i Amosa talohan'ny nakan'i Yaveh azy mba haminany?

Mpiandry ondry sy mpikarakara hazo amontana ary ireo aviavy i Amosa.

Amos 7:16

Inona no ambaran'i Yaveh fa hanohitra an'i Amzazia, mpisoron'i Betela?

Nanambara i Yaveh fa ho faty any amin'ny tany maloto i Amazia, ho lasa mpivaro-tena ao an-tanàna ny vadiny, ireo zanakalahinareo sy ireo zanakavavinareo dia ho faty, ary ny taniny hozarazaraina.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny Israely?

Nambaran'i Yaveh fa halefa sesi-tany hiala ao amin'ny taniny ny Israely.

Amos 8

Amos 8:1

Inona no nasehon'i Yaveh an'i Amosa?

Nasehon'i Yaveh an'i Amosa ilay harona misy voankazon'ny fahavaratra.

Inona nolazain'i Yaveh fa ho tonga amin'ny vahoakan'ny Israeliny?

Nilaza ny fahatongavan'ny faran'ny vahoakan'ny Israeliny i Yaveh.

Amos 8:4

Inona ny fahotana nataon'ny vahoakan'ny Israely?

Nanitsaka ny ory ary nanilika ny mahantran'ny tany ny vahoakan'ny Israely.

Nahoana no tsy mahandry ny volana vaovao sy ny fahataperan'ny andro Sabata ireo vahoaka?

Tsy nahandry ireo vahoaka satria te hivarotra ny voa indray sy hamitaka ny mahantra izy ireo.

Amos 8:7

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy ho ataony amin'ireo vahoaka?

Nilaza i Yaveh fa tsy hanadino ireo nataon'ireo vahoaka Izy.

Amos 8:9

Amin'izany andro izany, inona no notenenin'i Yaveh fa ho ataony amin'ny masoandro?

Amin'izany andro izany, Niteny i Yaveh fa hanamaizina ny masoandro amin'ny atoandro Izy.

Inona no hanaovan'ny olona amin'izany andro izany?

Hanao akanjo fisaonana ny vahoaka amin'izany andro izany.

Amos 8:11

Fa maninona no handefa mosary amin'ny tany i Yaveh?

Handefa mosary amin'ny tany mba handrenesana ireo tenin'i Yaveh i Yaveh.

Amos 8:13

Amin'izany andro izany, iza no ketraky ny hetaheta?

Amin'izany andro izany, ireo virijiny sy ireo tovolahy no ho ketraky ny hetaheta.

Iza ireo nolazain'i Yaveh fa tsy hitsangana intsony?

Ireo izay nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria dia ho lavo ary tsy hitsangana intsony.

Amos 9

Amos 9:1

Iza no afaka miery ny fitsaran'ny Tompo amin'ny Israely?

Tsy misy na dia iray aza afaka miery ny fitsaran'ny Tompo.

Amos 9:3

Inona no ho ataon'ny Tompo amin'ireo izay miafina any ambanin'ny ranomasina?

Nanome baiko ny bibilava mba hanaikitra azy ireo ny Tompo.

Fa iniona no tanjonn'ny Tompo amin'ny fijerena ny Israely amin'ny masony?

Hijery an'ny Israely foana ny mason'ny Tompo mba hanimba azy ireo.

Amos 9:5

Inona no ho ataon'ny olona rehefa nikasika ny tany mba ho karakaina i Yaveh?

Malahelo ny olona rehefa mikasika ny tany mba ho karakaina i Yaveh.

Amos 9:7

Avy aiza no nitondran'i Yaveh ny Israely?

Nentin'i Yavseh avy any amin'ny tanin'i Egypta ny Israely.

Avy aiza no nitondran'i Yaveh ireo Falistina?

Nentin'i Yaveh avy any Kreta ireo Filistina.

Nilazany hanimba tanteraka ny vahoakan'ny Israely ve i Yaveh?

Tsia, niteny ny tsy handrava tanteraka ny vahoakan'ny Israely ve i Yaveh.

Amos 9:9

Inona no lazaina fa otan'ireo Israely, ireo izay ho vonoin'i Yaveh?

Ny filazana fa tsy hanantona azy ireo ny loza no fahotan'ireo.

Amos 9:11

Amin'izany andro izany, inona no nolazain'i Yaveh fa ho hatsangany?

Amin'izany andro izany, hanangana ny trano-lain'i Davida izay nianjera i Yaveh.

Amos 9:13

Fa inona no nolazan'i Yaveh fa hiboiboika avy amin'ny tendrombohitra ary hikoriana avy amin'ny havoana amin'izany andro izany?

Amin'izany andro izany, hiboiboika avy amin'ny tendrombohitra ary hikoriana avy amin'ny havoana ny divay mamy.

Amos 9:14

Fa inona no nampanantenan'i Yaveh fa hoentina hiverina any amin'ny Israely?

Nampanantena ny hitondra ny Israely avy any amin'ny fahababoana i Yaveh.

Tao aorian'ny namerenan'i Yaveh ny Israely, hafiriana no hitoeran'ny Israely amin'ny tany?

Tao aorian'ny namerenan'i Yaveh ny Israely, hitoetra ao amin'ny tany mandrakizay i Israely.