Plateau Malagasy: translationQuestions Print

Updated ? hours ago # views See on WACS

Leviticus 1

Leviticus 1:3

Karazam-biby toy inona no nasain'i Yaveh notenenin'i Mosesy tamin'ireo vahoaka mba ho entina mba hatao fanatitra dorana?

Yaveh dia naniraka an'i Mosesy mba hilaza ireo vahoaka mba hitondra fanatitra dorana avy amin'ny omby lahy izay tsy misy kilema.

Inona no nolazain'i Yaveh mba hataon'ireo olona mba hanaovana fanatitra ekena amin'ny anarany mba hanaovana fanavotana ho azy?

Yaveh dia niteny ny olona mba hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay fantaitra dorana mba hanekena izany amin'ny anarany.

Leviticus 1:5

Inona no tsy nataon'ireo mpisorona tamin'ny ràn'ilay ombilahy?

Ireo mpisorona, dia hanolotra ilay rà ary hamafy izany eo amin'ny alitara eo anolonan'ny tempoly.

Leviticus 1:7

Izao ireo mpisorona?

Ireo mpisorona dia i Arona sy ireo zanany lahy.

Inona no tsy maintsy natao tamin'ny faritra anatiny sy ny tongony mialohan'ny hametrahana azy eo ambonin'ny alitara mba ho dorana?

Ireo faritra anatiny sy ny tongony dia tsy maintsy nosasana tamin'ny rano mialohan'ny apetraka eo ambonin'ny alitara mba ho dorana.

Inona no haterak'ilay fanatitra dorana mba ho ankasitrahin'i Yaveh?

Ilay fanatitra dorana dia hiteraka hanitra mamerovero izay hankasitrahin'Yaveh.

Leviticus 1:10

Biby inona avy amin'ny biby fiompy no nasain'Yaveh notenenin'i Mosesy tamin'ireo vahoaka mba ho fanatitra dorana?

Yaveh dia niteny ireo vahoaka mba hitondra ondry lahy na osy tsy misy kilema.

Lafiny aiza eo amin'ny alitara no tsy maintsy ilay ondry lahy na osy lahy?

Ilay ondry na ilay osy dia tsy maintsy vonoina eo amin'ny lafiny avaratry ny alitara.

Aiza no tsy maintsy hamafazan'ireo zanaka lahin'i Arona ny ràn'ilay ondry na osy?

Ireo zanaka lahin'i Arona dia maintsy mamafy ny ràn'izany amin'ny lafin'ny alitara rehetra.

Leviticus 1:14

Karazam-borona toy inona no nolazain'i Yaveh ho entina mba ho fanatitra dorana?

Yaveh dia nilaza fa domoina na zana-boromailala no azo entina atao fanatitra dorana.

Leviticus 2

Leviticus 2:1

Karazana fanatitra voa toy inona no azo entina mba ho fanatitra ho an'i Yaveh?

Koba tsara toto no azo entina ho fanatitra ho an'i Yaveh.

Inona no tsy maintsy atao mba hanomanana ny koba tsara toto mialohan'ny hanolorana izany ho an'i Yaveh?

Tsy maintsy ampiana diloilo sy ditin-kazo manitra ilay koba mialohan'ny hanolorana izany ho an'i Yaveh.

Ho an'iza ireo fanatitra voa sisa tavela?

Ny fanatitra voa sisa tavela dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy.

Leviticus 2:4

Raha nandrahoina tamin'ny lasitra vy fanendasana ilay fanatitra voa, tsy maintsy inona izany?

Raha nandrahoina tamin'ny lasitra vy fanendasana ilay fanatitra voa, dia tsy maintsy koba tsara toto tsy misy lalivay voahosotra diloilo izany.

Leviticus 2:11

Inona no zavatra tsy nampiarahina tamin'ny fanatitra voa?

Ny lalivay sy tantely dia tsy nampiarahina tamin'ny fanatitra voa.

Inona no zavatra tsy maintsy ampiarahina amin'y fanatitra voa?

Tsy maintsy asiana sira ny fanatitra voa.

Leviticus 3

Leviticus 3:1

Tahaka ny inona no omby azo atolotra mba fanati-pihavanana?

Ny fanati-pihavanana avy amin'ny omby dia azo atao lahy na vavy tsy misy kilema.

Taiza no namonona any fanatin-pihavanana?

Ny fanati-pihavanana dia tsy maintsy novonoina teo ambaravaran'ny lay fihaonana.

Leviticus 3:3

Faritra aiza amin'ilay fanati-pihavanana no tsy maintsy esorina sy apetraka eo ambony alitara?

Ny sabora izay mampifandray ny taovany, ny ilan'ny atiny ary ireo ireo voa anankiroa dia tsy maintsy esorina ary apetraka eo ambony alitara.

Leviticus 3:6

Nisy fahasamihafana ve ny fanati-pihavanana izay nalaina avy tamin'ny ondry aman'osy raha tokony ho omby?

Tsia, tsy nisy fahasamihafana.

Leviticus 3:9

Inona ireo karazan-javatra tsy maintsy nesorina avy amin'ny fanati-pihavanana izay nalaina avy tamin'ny ondry aman'osy?

Ny rambo matavy manontolo izay tapahina manakaiky ny taolan-damosina dia tsy maintsy esorina raha toa ka avy amin'ny ondry aman'osy ilay fanati-pihavanana.

Leviticus 3:15

Ho an'iza ny sabora?

Ny sabora dia an'i Yaveh irery ihany.

Inona no nolazain'i Yaveh mba tsy hohanin'ny vahoaka mihitsy na aiza na aiza hipetrahan'izy ireo?

Yaveh dia niteny ireo vahoaka mba tsy hihinana sabora na rà amin'ny toerana izay hipetrahan'izy ireo.

Leviticus 4

Leviticus 4:1

Mahakasika ny karazam-panatitra inona no resahin'ny Levitikosy toko fahefatra?

Ny Levitikosy toko fahefatra dia miresaka mahakasika ny fanatitra nohon'ny ota.

Leviticus 4:6

Im-piry no tsy maintsy hamafazan'ny mpisorona ny rà avy amin'ny fanatitra nohon'ny ota eo anoloan'i Yaveh, eo anoloan'ny lamba fanakonana ny toerana masina indrindra?

Ny mpisorona dia tsy maintsy mamafy im-pito ny sasany amin'ny rà avy amin'ilay fanatitra nohon'ny ota eo anolonan'i Yaveh, eo anoloan'ny lamba fanakonana ny toerana masina indrindra.

Leviticus 4:11

Faritra aiza amin'ny ombilahy no tsy maintsy entina ivelan'ny toerana madio ho an'Adriamanitra ary araraka eo amin'ny lavenona?

Ny hoditr'ilay ombilahy sy ny ambin-kena sisa tavela rehetra, miaraka amin'ny lohany, ny tongony, ny faritra anatiny,ary ny zeziny dia tsy maintsy entina ho any amin'ny lavenona.

Leviticus 4:13

Raha nanota tsy nahy ny fiangonan'Israely rehetra, iza no tsy maintsy mametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ny fanatitra nohon'ny ota?

Ireo loholona no tsy maintsy mametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ny fanatitra nohon'ny ota raha toa ka nanota tsy nahy ny fiangonan'Israely rehetra.

Leviticus 4:20

Inona no hiseho amin'ny fiangonan'Israely raha toa ka nanaraka ny tari-dalan'ny fanatitra nohon'ny ota izy ireo?

Ho voavela izy ireo raha toa ka manaraka ny tari-dalan'ny fanatitra nohon'ny ota ny fiangonan'Israely.

Leviticus 4:22

Inona no biby tsy maintsy atolotra raha ny mpanapaka no nanota?

Raha nanota ny mpanapaka iray, dia tsy maintsy manolotra osy lay tsy misy kilema izy.

Leviticus 4:27

Inona no tsy maintsy nentin'ny olon-tsotra mba ho fanatitra raha nanota izy ireo?

Ny olon-tsotra dia tsy maintsy nitondra osy vavy tsy misy kilema mba ho fanatitra nohon'ny ota raha toa ka nanota izy ireo.

Leviticus 4:32

Afaka mitondra zanak'ondry vavy tsy tsy misy kilema mba ho fanatitra nohon'ny ota ve ny lahilahy iray?

Eny, Azon'ny lehilahy iray atao ny mitondra zanak'ondry vavy tsy tsy misy kilema mba ho fanatitra nohon'ny ota.

Leviticus 5

Leviticus 5:1

Inona ilay fahotana izay hihazonana ny olona iray ho tompon'andraikitra?

Raha nisy nanota noho'ny tsy fijoronana vaolombelona ny amin'ny zavatra hitany na rèny, izay nilàna ny fijoroany vavolombelona, dia ho tompon'andraikitra ny amin'izany izy.

Hambara ho inona ny olona izay nikasika ny zavatra izay efa natokan'i Yaveh ho maloto?

Raha nisy nikasika ny zavatra izay efa nambaran'i Yaveh ho maloto, izany olona izany dia hambara ho maloto sy meloka.

Leviticus 5:5

Inona ireo zavatra roa tsy maintsy ataon'ilay meloka noho'ny fahotana?

Izay meloka nohon'ny fahotana dia tsy maintsy miaiky heloka na inona na inona fahotana vitany ary tsy maintsy mitondra ny fanatitra nohon'ny heloka amin'ny Yaveh.

Inona no biby tsy maintsy entina ho an'i Yaveh mba ho fanatitra nohon'ny heloka?

Ondry vavy na osy vavy iray no tokony entina mba ho fanatitra nohon'ny heloka.

Leviticus 5:7

Raha tsy mahavidy zanak'ondry izy, inona no azony entina amin'i Yaveh mba ho fanatitra nohon'ny ota?

Raha tsy mahavidy zanak'ondry izy, azony atao ny mitondra domoina roa na voromailala vantony roa ho an'i Yaveh ma ho fanatitra nohon'ny ota.

Leviticus 5:11

Raha tsy mahavidy domoina roa na voromailala vantony roa izy, inona no azony entina mba ho fanatitra nohon'ny ota?

Raha tsy mahavidy domoina roa na voromailala vantony roa izy, dia azony atao ny mitondra koba tsara toto iray ampahafolon'efaha tsy misy diloilo na ditin-kazo manitra.

Leviticus 5:14

Inona no tsy maintsy nentina raha toa ka nisy nandika ny didy sy nanota tamin'ny alalan'ny tsy fihainoana izay notakian'i Yaveh?

Izany fanatitra izany dia tsy maintsy ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy izay mitombana volafotsy iray sekely.

Leviticus 6

Leviticus 6:1

Inona no tsy maintsy ataon'izay nanota tamin'ny mpiray vodi-rindrina aminy?

Raha nanota tamin'ny mpiray vodi-rindrina aminy ny olon airay dia tsy maintsy namerina izay nalainy na zavatra very izay hitany izy.

Leviticus 6:5

Inona tsy maintsy ataon'izay nandainga ny amin'ny zava-drehetra ?

Raha nandainga ny amin'ny zava-drehetra izy, dia tsy maintsy mamerina manontolo ary tsy maintsy manampy iray am-pahadim'izany izy.

Inona no tsy maintsy entin'ny olona eo amin'ny mpisorona mba ho fanatitra nohon'ny heloka raha toa ka meloka noho'ny fahotana etsy ambony izy?

Raha toa ka misy meloka noho'ny fahotana etsy ambony, dia tsy maintsy mitondra ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy izy.

Leviticus 6:8

Hafiriana no nijanonan'ny fanatitra dorana eo amin'ny alitra?

Ny fanatitra dorana dia nijanona teo amin'ny alitara nadritra ny alina manontoloa ka manadra-maraina.

Leviticus 6:10

Inona no tsy maintsy tafian'ny mpisorona mba hanesorana ny lavenona eo amin'ny alitara?

Ny mpisorona dia tsy maintsy miakanjo akanjo rongony fotsy sy atin'akanjo rongony fotsy mba hanala ny lavenona eo amin'ny alitara.

Inona no tsy maintsy nataon'ny mpisorona mialohan'ny hitondrana ilay lavenona mivoaka ny toby?

Ny mpisorona dia tsy maintsy manala ny akanjo rongony fotsiny ary miakanjo akanjo hafa mialohan'ny hitondrany ny lavenona miavoaka ny toby.

Leviticus 6:12

Inona no tsy maintsy tandremana lalandava?

Ny afo dia tsy maintsy tandremana mba hirehitra lalandava.

Leviticus 6:16

Inona no tsy maintsy ataon'ny mpisorona amin'ny ambin'ny fanatitra voa?

Azon'ny mpisorona hohanina ny ambin'ny fanatitra tsy misy lalivay.

Leviticus 6:19

Inona tsy maintsy nataon'ireo zanaka lahin'i Arona rehefa voahosotra ny zanaka lahin'izy ireo?

Ireo zanaka lahin'i Arona dia sy maintsy nanolotra fanatitra voa koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha, ny antsasany amin'ny maraina ary ny antsasany amin'ny hariva.

Leviticus 6:21

Ahoana no tsy maintsy haikarakarana izany fanatitra voa izany?

Izany fanatitra voa izany dia tsy maintsy atao amin'ny menaka ao anaty lasitra fandrahoana, tsy maintsy vonto-menaka, ary potipotehina.

Iza no hanolotra ny fanatitra dorany?

Ny zanaka lahin'i Arona izay tsy maintsy atao mpisoronabe no hanolotra izany fantitra voa izany.

Leviticus 6:24

Araka ny lalàn'ny fanatitra nohon'ny ota, inona no tsy maintsy nataon'ny mpisorona amin'ilay fanatitra?

Tsy maintsy nihinana ilay fantitra nohon'ny ota ny mpisorona.

Leviticus 6:27

Inona notsy maintsy natao tamin'ny vilany tanimanga izay nampangotrahana ny fitafiana misy rà?

Ny vilany tanimanga izay nampangotrahana ny fitafiana misy rà dia tsy maintsy novakiana.

Leviticus 6:29

Faritra aiza amin'ilay fanatitra nohon'ny ota no tsy azo hohanina?

Tsy misy azo hohanina ny fanatitra nohon'ny ota izay nentina tao amin'ny trano-lay fihaonana ny ràny mba hanaovana fanonerana ao amin'ny toerana masina.

Leviticus 7

Leviticus 7:7

Fanatitra inona no tahaka ny fanatitra nohon'ny heloka?

Ny fanatitra nohon'ny ota dia tahaka ny fanatitra nohn'ny heloka.

Inonan'ny fanatitra doran'ny olona no azon'ny mpisorana hazonina ho azy?

Azon'ny mpiorona atao ny mihazona ny hoditr'izany fanatitra izany ho azy.

Leviticus 7:9

Fanatitra inona no an'ny mpisorona?

Ny fanatitra voa no an'ny mpisorona.

Leviticus 7:17

Inona no tsy maintsy natao amin'ny henan'ny sorona izay tsy lany mialohan'ny andro fahatelo?

Ny henan'ny sorona izay tsy lany mialohan'ny andro fahatelo dia tsy maintsy nodorana.

Leviticus 7:25

Inona no tsy maintsy natao tamin'ny olona izay nihinana saboram-biby na ràm-borona na ràm-biby?

Izay nihinana saboram-biby na ràm-borona na ràm-biby dia tsy maintsy nesorina teo amin'ny vahoakany.

Leviticus 7:31

Inona no tsy maintsy nomena ny mpisorona aorian'ny fandorana ny sabora eo amin'ny alitara?

Aorian'ny fandorana ny sabora teo amin'ny alitara, ny feny havanana dia nomena ny mpisorona.

Leviticus 8

Leviticus 8:1

Inona no nasain'Yaveh nataon'ny Mosesy tamin'i Arona sy ireo zanany lahy?

Yaveh dia naniraka an'i Mosesy naka an'i Arona sy ireo zanany lahy, ireo fitafiana sy ny diloilo fanosorana, ny omby lahy, ny ondry lahy roa , ary ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira mba ho eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana.

Izay no nasain'i Yaveh nantsoin'i Mosesy teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana?

Yave dia naniraka an'i Mosesy mba hiantso ireo fiangonana rehetra teo ambaravaran'ny trano-lay fihaonana.

Leviticus 8:6

Fitafiana inona no nampikanajpoan'i Mosesy an'i Arona?

Mosesy dia nampiankanjo an'i Aroana tamin'ny akanjo lava, hetra, ary akanjo tohitena.

Leviticus 8:8

Inona no napetak'i Mosesy teo amin'ny saro-tratra?

Mosesy dia nametaka ny Orima sy ny Tomima teo amin'ny saro-tratra.

Inona ilay diadema masina?

Ilay diadema masina dia ilay takela-bolamena.

Leviticus 8:10

Inona no nosoran'i Mosesy tamin'ilay menaka fanosorana?

Mosesy dia nanosotra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao anatin'izany amin'ilay menaka fanosorana.

Leviticus 8:12

Ahoana no nanamasinan'i Mosesy an'i Arona?

Mosesy dia nanamasina an'iArona tamin'ny alala'ny fanosorana azy tamin'ny menaka fanosorana.

Leviticus 8:14

Inona no nataon'i Mosesy tamin'ny ràn'ilay omby izay nentina mba ho sorona nohon'ny ota?

Naka ilay rà i Mosesy ary nanisy izany tamin'ny tandroky ny ny alitara tamin'ny rantsan-tanany. Ary nandraraka ny ny rà teo amin'ny fototry ny alitara izy.

Leviticus 8:18

Inona no nataon'i Mosesy tamin'ny rà avy tamin'ny ondry lahy izay nampiasaina tamin'ny fanatitra dorana?

Mosesy dia namono ilay ondry lahy ary namafy ny ràn'izany tamin'ny lafin'ny alitara rehetra.

Leviticus 8:22

Inona no nataon'i Mosesy tamin'ny ambin'ny rà avy tamin'ilay ondry lahy faharoa, ilay ondry lahin'ny fanamasinana?

Mosesy dia naka ny sasany tamin'ny ràn'ilay ondry lahin'ny fanamasinana ary nametaka izany tamin'ny tendron-tsofina havanan'i Arona, ny ankihiben-tanany havanana, ary ny ankihiben-tongony havanana.

Leviticus 8:34

Hafiriana no tsy maintsy nijanonan'ny mpisorona eo amin'ny fidirana manakao amin'nytrano-lay fihaonana?

Ny mpisorona dia tsy maintsy nijanona teo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana nandritra ny fito andro sy fito alina.

Inona no valin-tenin'i Arona sy ireo zanany lahy ny amin'ny zavatra nasain'i Yaveh nataon'izy ireo?

Nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.

Leviticus 9

Leviticus 9:1

Tamin'ny andro inona no niantsoan'i Mosesy an'i Arona sy ireo zanany lahy ary ireo loholon'Israely?

Mosesy dia niantso an'i Arona sy ireo zanany lahy ary ireo loholon'Israely tamin'ny andro fahavalo.

Inona ireo biby anankiroa izay nasain'i Mosesy nentin'i Arona sy ireo zanany lahy mba hatolotra ho an'i Yaveh?

Mosesy dia naniraka an'i Arona sy ireo zanany lahy mba hitondra zanak'omby iray avy amin'ireo omby ary ondry lahy iray tsy misy kilema.

Leviticus 9:3

Inona no biby nasain'i Mosesy notenenin'i Arona tamin'ny vahoakan'Israely mb ho entina hatolotra an'i Yaveh?

Mosesy dia naniraka an'i Arona mba hiteny ny vahoakan'Israely mba hitondra osy lahy iray, zanak'omby iray, zanak'ondry iray, omby iray, ary ondry lahy iray mba hatolotra ho an'i Yaveh.

Leviticus 9:6

Nahoana i Yaveh no nandidy azy ireo mba hanao izany?

Yaveh dia nandidy azy ireo mba hanao izany mba hisehoan'ny voninahiny amin'izy ireo.

Leviticus 9:22

Taorian'ny nanaovan'i Arona ny fanatitra araka izay nolazaini Mosesy, inona no nataon'i Arona ho an'ireo vahoaka?

Taorian'ny nanaovan'i Arona fanatitra, dia nanadratra ny tanany izy ary nitso-drano ireo vahoaka.

Inona no nitranga rehefa niseho tamin'ny vahoaka ny voninahitr'Andrimanitra?

Rehefa niseho tamin'ny vahoaka ny voninahitr'Andrimanitra, dia nisy afo nivoaka ary nandevona ny fanatitra sy ny sabora izay teo ambonin'ny alitara.

Inona no natoan'ireo vahoaka rehefa nivoaka avy tamin'i Yaveh ny afo?

Rehefa nivoaka avy tamin'i Yaveh ny afo, dia nihiaka sy nihohoka ireo vahoaka.

Leviticus 10

Leviticus 10:1

Iza no nanolotra afo tsy nekena teo amin'i Yaveh?

Nadaba sy Abiho, zanaka lahin'i Arona no nanolotra afo tsy nekena teo amin'i Yaveh.

Inona no nahazo ireo lahilahy roa ireo ho valin'izany fihetsika izany?

Nisy afo nivoaka avy tao amin'i Yaveh ary nandevona azy ireo.

Leviticus 10:3

Iza no nantsoin'i Mosesy mba hitondra ireo razana hivoaka ny tabernakely?

Misaela sy Elzafana, zanaka lahin'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona no nantsoin'i Mosesy mba hitondra ireo razana hiala.

Leviticus 10:5

Inona no nolazain'i Mosesy tamin'i Arona sy ireo zanany lahy?

Mosesy dia nilaza tamin'izy ireo fa tsy tokony mivoaka ny trano-lay izy ireo fa raha tsy izany dia ho faty.

Leviticus 10:8

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Arona sy ireo zanany lahy ny amin'ny zavatra tsy tokony sotroin'izy ireo?

Yaveh dia niteny an'i Arona sy ireo zanany lahy mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery mialohan'ny hidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana.

Leviticus 10:16

Nahoana i Mosesy no tezitra tamin'i Eleazara sy Itamara, zanaka lahin'i Arona sisa tavela?

Tezitra tamin'i Eleazara sy Itamara i Mosesy satria navelan'izy ireo ho may ny osy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota.

Leviticus 11

Leviticus 11:3

Inona amin'ny zava-manan'aina eto ambony tany no nolaizain'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona fa tsy azon'ny vahoakan'Israely hohanina?

Yaveh dia naniraka an'i Mosesy sy Arona mba hiteny amin'ny vahoakan'Israely fa tsy afaka mihinana ny biby rehetra izay mivaky kitro sy mamerin'ota izy ireo.

Moa ve navela hihinana ireo vahoaka raha toa ka mivaky kitro na mamerin'ota fotsiny ihany ny biby iray?

Rehefa misy ny iray amin'ireo toetra roa ireo fotsiny ny biby iray dia tsy navela hohanin'izy ireo.

Leviticus 11:9

Inona amin'ny biby mivelona anaty rano no azon'ny vahoakan'Israely hohanina?

Ny biby izay mivelona anaty rano ka misy vombony sy kirany no azon'ny vahoakan'Israely hohanina.

Leviticus 11:13

Karazana voromahery, ankoay, goaika toy ny inona no tsy maintsy hanakahalaina sy tsy azo hohanina?

Yaveh dia milaza fa tsy misy voromahery, ankoay, goaika azo hohanina. Tsy maintsy hankahalaina ireo.

Leviticus 11:20

Karazam-biby kely toy ny inona no azon'ny vahoaka hohanina?

Ny bibikely izay mandeha amin'ny amlin'ny alalan'ny tongotra, izay mitsambikina amin'ny tany, dia azon'ny vahoaka hohanina.

Inona no ataon'ny vahoaka amin'ny bibikely manana tongotra efatra no sady manidina?

Ny vahoaka dia tokony hankahala ny biby manana tongotra efatra no sady manidina.

Leviticus 11:29

Biby mandady amin'ny tany toy ny inona no heverina ho maloto?

Ny kionkiona, ny voalavo, ny karazana androngo lehibe rehetra, ny katsatsaka, ny anakà, ny androngo, ny androngom-pasika, ary ny tanalahy dia heverina ho maloto.

Leviticus 11:34

Inona no mahazo izay zavatra mikasika biby maloto?

Ny zavatra izay mikasika biby maloto dia tonga maloto.

Leviticus 11:41

Inona no lazain'i Yaveh mahakasika ny zavatra mikisaka amin'ny tany?

Ny biby izay mikisaka amin'ny tany dia hankahalaina sy maloto.

Leviticus 11:43

Nahoana i Yaveh no nilaza fa tokony tsy maintsy masina ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia nilaza fa tsy maintsy manao masina ny vahoaka satria masina Izy.

Leviticus 12

Leviticus 12:1

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy ny amin'ireo vahivavy izay miteraka zaza lahy?

Yaveh dia nilaza tamin'i Mosesy fa ny vehivavy izay niteraka zaza lahy dia haloto madritra ny hafitoana ary amin'ny andro fahavalo dia foraina ilay zaza.

Leviticus 12:4

Inona no nampanaovina vehivavy taorian'ny fahalotoany?

Izy dia tsy maintsy asaina mandalo fanadiovana mandritra ny telo ambin'ny telopolo andro ary tsy mahazo miditra ao amin'ny tabernakely na mikasika zavatra masiana mandritra izany fotoana izany.

Inona no zavatra manokana nampanaovina ny vehivavy raha toa ka niteraka zaza vavy izy?

Raha miteraka zaza vavy ny vehivavy iray, dia tsy maintsy maloto mandritra ny roa herinandro izy ary mandalo fanadiovana mandritra ny enina amby enimpolo andro.

Leviticus 12:6

Inona no asaina ataon'ny vehivavy iray any amin'ny fiafaran'ny fanadiovana azy?

Any amin'ny fiafaran'ny fanadiovana azy, ny vehivavy iray dia asaina mitondra zanak'ondry herintaona mba ho fanatitra dorana sy voromailala iray na domoina mba ho fanatitra nohon'ny ota mankany amin'ny mpisorona.

Leviticus 12:7

Inona no atao raha tsy mahavidy zanak'ondry ny vehivavy iray nitera-dahy?

Raha tsy mahavidy zanak'ondry ny vehivavyiray, dia asaina mitondra zana-boromailala roa na domoina mba ho fanatitra dorana sy nohon'ny ota

Inona no hiseho amin'ilay vehivavy aorian'ny fanaovany ireo zavatra ireo?

Ilay vehivavy dia hadio aorian'ny fanoloran'ny mpisorona fanatitra ho fanonerana ho azy.

Leviticus 13

Leviticus 13:1

Inona no lazain'i Yaveh ho ataon'ny olona raha misy mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana amin'ny hoditry ny vatany, ka lasa mamindra izany?

Yaveh dia milaza fa raha misy olona misy aretin-koditra dia tsy maintsy mankany amin'i Arona na any amin'ny iray amin'ireo zanany, izay mpisorona.

Leviticus 13:3

Inona no tsy maintsy atao raha toa ka hitan'ny mpisorona fa mety tsy mifindra ilay mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana?

Raha toa ka hitan'ny mpisorona fa tsy mifindra ilay mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana, tsy maintsy atoka ailay mandritra ny herinandro mba olona mba hozahana indray.

Leviticus 13:5

Ahoana raha toa ka voaporofo fa tsy mifindra ilay mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana?

Raha toa ka tsy mifindra ilay mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana, ny mpisorona dia hanambara azy ho madio aorian'ny fanasany ny fitafiany.

Leviticus 13:9

Inona ireo famantarana telo mety hasehon'ilay mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana ka hanambarana izany ho mifindra?

Ireo famantarana telo izay hanambarana fa mifindra ilay mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana dia: misy mamontsina fotsy amin'ilay hoditra, mivadika fotsy ny volo, ary misy nofo mangana amin'ny mamontsina.

Raha toa ka hitan'ny mpisorona fa areti-koditra mitaiza izany, inona no tsy maintsy ataon'ilay mpisorona?

Raha toa ka hitan'ny mpisorona fa areti-koditra mitaiza izany, dia tsy maintsy manambara ilay olona ho maloto izy, saingy tsy manokana azy ilay mpisorona izy.

Leviticus 13:12

Tsy maintsy hambara ho inona ilay olona raha toa mandrakotra ny vatan'ilay olona iray manontolo ilay aretin-koditra ary miseho ilay nofo mangana?

Raha toa mandrakotra ny vatan'ilay olona iray manontolo ilay aretin-koditra ary miseho ilay nofo mangana dia tsy maintsy hambara ho maloto izy.

Leviticus 13:15

Ahoana no hampadio ilay olona maloto indray?

Ilay olona maloto dia hiverina hadio indray raha toa ka mivadika ho fotsy ilay nofo mangana ary ho ambaran'ny mpisorona ho madio izy.

Leviticus 13:18

Inona no tsy maintsy ataon'ny mpisorona raha toa ka mizaha ny olona iray nisy vay izy, ary misy mamontsina fotsy na holatra izay milentika ambanin'ny hoditra izay nisy ny vay ary niova ho fotsy ny volo?

Ilay mpisorona dia tsy maintsy manambara azy ho maloto.

Leviticus 13:29

Aretin-mifindra toy inona no mety hampaloto raha toa ka hita amin'ny loha na saoka

Raha toa ka misy aretina mangidihidy amin'ny loha na saoka ny lehilahy na vehivavy iray, dia mety hifindra sy hamapaloto ilay olona izany.

Leviticus 13:40

Hambara ho inona ny olona iray sola?

Ny olona sola dia hambara ho madio.

Leviticus 13:42

Inona no famantarana amin'ny lehilahy sola loha iray ka hanambarana azy ho maloto?

Raha toa ka misy ratra mena manopy fotsy eo amin'ny lohan'ilay lehilahy izay nataon'ny mpisorona ho areti-mifindra, dia hambara ho maloto izy.

Leviticus 13:45

Inona no tsy maintsy ataon'ny olona maloto mba hahalalan'ny hafa azy ho maloto?

Ny olona maloto dia tsy maintsy manao akanjo rovitra, misarakorako volo, ary tsy maintsy manarona ny tavany hatreo amin'ny orony izy ary miantsoantso hoe: "Maloto, maloto" rehefa eo imason'ny hafa. Tsy maintsy mitoka-monina miala ny toby ihany koa izy.

Leviticus 13:56

Inona no tsy maintsy ataon'ny mpisorona amin'ny akanjo volon'ondry na rongony fotsy madinika na hoditra na izay zavatra vita tamin'ny hoditra ka hita fa nifindran'ny maty fotsy?

Raha misy akanjo volon'ondry na izay zavatra vita tamin'ny hoditra ka nifindran'ny maty fotsy dia tsy maintsy doran'ny mpisorona izany.

Leviticus 14

Leviticus 14:3

Aiza no tsy maintsy hizahan'ny mpisorona ny olona misy aretina amin'ny andro fanadiovana azy?

Ny mpisorona dia tsy maintsy mizaha ny olona misy aretina any ivelan'ny toby mba hizahana raha toa ka azo sitranina ilay aretina?

Inona no nandidian'ny mpisorona mba hoentin'ilay olona misy aretina mba ho fanambarana ny fahadiovany?

Ny mpisorona dia nandidy azy hitondra vorona velona madio anankiroa, hazo sedera, kofehy jaky, ary hysopa.

Leviticus 14:6

Inona no ataony amin'ny vorona sisa tavela aorian'ny famafazan'ny mpisorona im-pito ny fifangaroan'ny rà, rano, hazo sedera ary hysopa eo amin'ilay olona misy aretina?

Mandefa ilay vorona sisa tavela any an-tsaha izy aorian'ny famafazan'ny mpisorona im-pito ny ilay fangaro amin'ilay olona misy aretina.

Leviticus 14:8

Inona tsy maintsy ataon'ilay olona nodiovina aorian'ny fanambaran'ny mpisorona azy ho madio?

Ilay olona nodiovina dia tsy maintsy manasa ny fitafiany, manaratra ny volony rehetra, mampandro ny tenany amin'ny rano, ary mipetraka ivelan'ny lainy mandritra ny folo andro.

Leviticus 14:10

Amin'ny andro fahavalo, inona no biby tokony hoentin'ilay olona nodiovina raha toa ka mahavidy izany izy?

Amin'ny andro fahavalo, ilay olona nodiovina dia tokony hitondra zanak'ondry lahy tsy misy kilema roa izy, zanak'ondry vavy iray herintaona tsy misy kilema, sy koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny diloilo, ary diloilo iray loga, raha toa ka mahavidy ireo izy.

Leviticus 14:21

Raha toa ka mahantra ilay olona nodiovina ary tsy mahavidy ireo sorona ireo, inona no azony entina?

Raha toa ka mahantra ilay olona nodiovina ary tsy mahavidy ireo zanak'ondry, dia azony atao ny mitondra zanak'ondry lahy iray, koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny menaka, diloilo iray loga, ary domoina roa na zana-boromailala roa.

Leviticus 14:43

Inona no mety mahatonga ny trano iray ho ambaran'ny mpisorona ho maloto?

Ny trano iray dia azon'ny mpisorona ambara ho maloto raha toa ka tsy mety mijanona ilay maty fotsy.

Leviticus 14:45

Inona no mety hahazo ilay trano raha toa ka miparitaka sy tsy mety mijanona ilay maty fotsy?

Ilay trano dia azo arodana raha toa ka miparitaka sy tsy mety mitsahatra ilay maty fotsy.

Leviticus 14:52

Ahoana no hanambarana ilay trano ho madio raha toa ka mitsahatra ilay mary fotsy?

Ilay trano dia azon'ny mpisorona ambara ho madio amin'ny alalan'ny famafazana ny fifangaroan'ny ràm-borona sy rano, hazo sedera, hysopa, ary kofehy jaky.

Leviticus 15

Leviticus 15:1

Inona no famantarana nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny lehilahy mamoaka tsiranoka?

Yaveh dia nilaza tamin'i Mosesy sy Arona fa ny lehilahy izay misy tsiranoka misy aretina mivoaka avy amin'ny vatany dia maloto.

Leviticus 15:6

Inona no mahazo ny olona mikasika ny olona maloto nohon'ny tsiranoka misy aretina?

Ny olona izay mikasika ny olona maloto dia haloto ary mila mampandro ny tenany, manasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

Leviticus 15:13

Amin'ny rano toy inona no tsy maintsy handroan'ny olona diovina amin'ny tsiranoka misy aretina?

Ny olona diovina amin'ny tsiranoka misy aretina dia tsy maintsy mandro amin'ny rano mandeha.

Inona no tsy maintsy hatolotr'ilay olona maloto ho amin'ny mpisorona mba ho fanatitra nohon'ny ota sy fanatitra dorana?

Ilay olona maloto dia tsy maintsy manolotra domoina roa na zana-boromailala roa mba ho fanatitra nohon'ny ota sy fanatitra dorana.

Leviticus 15:16

Inona no fepetra momba ny zavatra na olona nikasika tamina tsirinain'ny lehilahy?

Tsy maintsy ampandroina amin'ny rano izy ireo ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

Leviticus 15:19

Hafiriana no hampaloto ny vehivavy aorian'ny fandimbolany?

Haloto mandritra ny hafitoana izy.

Leviticus 15:24

Hafiriana no hampaloto ny lehilahy iray raha toa ka niara-nandry tamin'ny vehivavy ao anaty fadimbolana izy ary voakasiky ny tsiranoka avy aminy?

Haloto mandritra ny hafitoana izy.

Leviticus 15:28

Inona no hoentin'ny vehivavy mba ho sorona amin'ny andro fahavalo aorian'ny fahataperan'ny tsiranoka avy aminy?

Hitondra domoina roa na zana-boromailala roa izy.

Leviticus 16

Leviticus 16:1

Inona no nasain'i Yaveh nampitandreman'i Mosesy an'i Arona mba tsy hatao rehefa miditra ao amin'ny toerana masina indrindra ao anatin'ny lamba fanakonana?

Yaveh dia niteny an'i Mosesy mba hampitandrina an'i Arona mba tsy ho tonga ao amin'ny toerana masina indrindra ao anatin'ny lamba fanakonana amin'ny fotoana rehetra.

Leviticus 16:3

Inona no tsy maintsy entin'i Arona miaraka aminy rehefa miditra ny toerana masina indrindra izy?

Arona dia tsy maintsy mitondra vantotr'omby lahy iray mba ho fanatitra nohon'ny ota sy ondry lahy iray ho fanatitra dorana.

Inona no tsy maintsy ataon'i Arona mialohan'ny hiakanjoany ny akanjo maha-pisorona azy?

Arona dia tsy maintsy mampandro ny tenany amin'ny rano mialohan'ny hiakanjoany ny akanjo maha-pisorona azy.

Iza no tsy maintsy manome osy lahy roa sy ondry lahy iray

Ny fiangonan'Israely no tsy maintsy manome osy lahy roa sy ondry lahy iray ho an'i Arona.

Leviticus 16:8

Nahoana i Arona no miloka an'ireo osy?

Arona dia miloka ho an'ireo osy mba hisafidianana izay hatolotra ho an'i Yaveh sy izay alefa mba ho azazela.

Inona no mahazo ilay osy izay nianjeran'ny loka ho azazela?

Ny osy izay nianjeran'ny loka ho azazela dia hatolotra eo anatrehan'i Yaveh mba ho fanavotana ary aleha manakany an'efitra

Leviticus 16:11

Ho an'iza no hanoloran'i Arona ny omby lahy?

Arona dia manolotra ny omby ho fanatitra nohon'ny ota ho azy sy ho an'ny fianakaviany.

Leviticus 16:12

Inona no tsy mandraotra ny rakotra fanaovam-panavotana izay eo amin'ny didim-panekena mba tsy ho faty i Arona?

Setroky ny dintin-kazo manitra no tsy maintsy mandrakotra ny rakotra fanaovam-panavotana mba tsy ho faty i Arona.

Leviticus 16:17

Iza ihany koa no tsy maintsy miaraka amin'i Arona rehefa manao fanavotana ao amin'ny toerana masina indrindra izy?

Tsy misy olon-kafa mahazo miaraka amin'i Arona ao anatin'ny lay rehefa manao fanavotana ao amin'ny toerana masina indrindra izy.

Leviticus 16:20

Inona no tsy maintsy ataon'i Arona rehefa mametraka ny tanany eo amin'ilay azazela izy?

Arona dia tsy maintsy miaiky ny faharatsian'ny vahoakan'Israely rehetra, ny fikomian'izy ireo, ary ny fahotany rehetra eo amin'ilay azazela.

Leviticus 16:23

Inona no tsy maintsy ataon'i Arona amin'ny akanjo maha-mpisorona azy?

Arona dia tsy maintsy manala ny akanjo maha-mpisorona azy ary mamela izany ao amin'ny trano-lay fihaonana.

Leviticus 16:29

Oviana no nolazain'i Yaveh fa tokony hanaovana ny andro fanavotana isan-taona?

Amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito, no hanaovana ny fanavotana isan-taona.

Leviticus 17

Leviticus 17:1

Raha toa ka misy lehilahy mamono omby, zanak'ondry, na osy ka tsy mitondra izany eo amin'ny fidirana mankao amin'ny lain'ny fiangonana mba hanolotra izany ho sorona ho an'i Yaveh, inona no fahotana manameloka azy?

Ny lehilahy mamono omby, zanak'ondry, na osy ka tsy mitondra izany eo amin'ny fidirana mankao amin'ny lain'ny fiangonana mba hanolotra izany ho sorona ho an'i Yaveh dia meloka nohon'ny fandatsahan-drà ary tsy maintsy esorina eo amin'ny vahoakany.

Leviticus 17:5

Inona no tanjon'izany didy izany?

Ny tanjon'izany didy izany dia ny mba hanaovan'ny olona ny soron'izy ireo ho an'i Yaveh eo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana fa tsy eny an-kalamanjana.

Leviticus 17:7

Inona no faranan'izany lalàna izany?

Izany lalàna izany dia hampitsahatra ny olona amin'ny fanaovana sorona amin'ny sampy osy.

Leviticus 17:10

Inona no lazain'i Yaveh fa manao fanavotana?

Yaveh dia milaza fa ny rà n manao fanavotana.

Leviticus 17:12

Inona no lazain'i Yaveh fa tsy maintsy atao amin'ny biby izay novonoina mba ho hanin'ny vahoakan'Israely na ny vahiny izay mipetraka eo amin'izy ireo?

Yaveh dia milaza fa ny vahoakan'Israely na ny vahiny izay mipetraka eo amin'izy ireo ka mamono biby na vorona mba hohanina dia tsy maintsy mandraraka ny rà avy amin'izany ary manototra tany ilay rà.

Leviticus 17:15

Inona no tsy maintsy ataon'ny olona nihinana biby maty na noviravirain'ny bibi-dia?

Ny olona nihinana biby maty na noviravirain'ny bibi-dia dia tsy maintsy manasa ny fitafiany sy mampandrony tenany amin'ny rano ary mijanona ho maloto mandra-paharivan'ny andro.

Inona no tsy maintsy ataony raha tsy manasa ny fitafiany sy tsy mampandro ny tenany amin'ny rano izy?

Tsy maintsy mizaka ny helony izy raha tsy manasa ny fitafiany sy tsy mampandro ny tenany amin'ny rano izy.

Leviticus 18

Leviticus 18:1

Aiza ireo toerana roa izay nolazain'i Yaveh fa tsy tokony hanao ny tahaka ny mponina ao izy ireo?

Yaveh dia nilaza fa ny mponina izay tsy tokony halain'izy ireo tahaka dia ny mponin'i Egypta na i Kanana.

Leviticus 18:6

Inona ireo vondron'olona izay nandraran'i Yaveh mba tsy hanaovana firaisana?

Yaveh dia nilaza tamin'ireo vahoaka fa izy ireo dia tsy mahazo manao firaisana amin'ny havana akaiky.

Leviticus 18:19

Nahoana ny lehilahy iray no tsy mahazo miray ara-nofo amin'ny vehivavy mandritra ny fanimbolany?

Ny lehilahy iray dia tsy mahazo miray ara-nofo amin'ny vehivavy mandritra ny fanimbolany satria maloto izy mandritra izany fotoana izany.

Leviticus 18:21

Inona tsy azon'ny vahoaka atao sorona ho an'ny Moloka?

Tsy azon'ny vahoaka atao ny manao sorona ny zanany ho an'i Moloka.

Leviticus 18:22

FInona ireo firaisana ara-nofo anankiroa raràn'ny andininy faha 22 sy 23?

Ny andininy faha 22 sy 23 dia mandrara ny fanaovana firaisana amin'ny lehilahy hafa na biby.

Leviticus 18:26

Inona no nahazo ny olona nonina tao talohan'ny vahoakan'Israely?

Ny olona nonina tao talohan'ny vahoakan'Israely dia nandoto ny tany ary nandoa azy ireo ny tany.

Leviticus 18:29

Inona no hahazo ny olona na ny vahiny izay mipetraka eo amin'izy ireo ka manao ireo zava-mahatsiravina ireo?

Ny olona na ny vahiny izay mipetraka eo amin'izy ireo ka manao ireo zava-mahatsiravina ireo dia ho esorina tsy ho eo amin'ny vahoakany.

Leviticus 19

Leviticus 19:1

Inona ireo zavatra roa nolazain'i Yaveh fa tsy maintsy ataon'ireo vahoaka?

Yaveh dia nilaza tamin'ireo vahoaka fa tsy maintsy manaja ny ray sy reniny izy ireo ary tsy maintsy mitandrina ny Sabatany.

Leviticus 19:9

Nahoana i Yaveh no niteny tamin'ireo vahoaka ny mba hamelan'izy ireo ny zoron'ny saha tsy voajinjan'izy ireo sy mba hamelan'izy ireo ny sasany amin'ny voalobok'izy ireo na ireo izay niraraka amin'ny tany?

Ireo voa sy voaloboka tsy voajinja dia tsy maintsy havela ho an'ny mahantra sy ny vahiny.

Leviticus 19:15

Amin'iza no tsy tokony hanehoan'ny vahoaka fiangarana?

Ny vahoaka dia tsy tokony haneho fiangarana amin'ny olona nohon'ny fahatrany na ny fanany harena, fa kosa mitsara ny mpiara-monina aminy araka ny rariny.

Leviticus 19:17

Inona no tokony hataon'ny olona raha tokony ho valifaty na fitazonana lolom-mpo

Raha tokony ho valifaty na fitazonana lolom-po, ny olona dia tokony hitia ny mpiara-monina aminy tahaka ny tenany.

Leviticus 19:19

Inona no tsy maintsy ataon'ny olona rehefa mamboly eny an-tsaha?

Rehefa mamboly eny amin'ny tanimboly, dia tsy azon'ny olona atao ny mamboly voa samihafa amin'ny tanimboly iray.

Leviticus 19:23

Hafiriana no tsy maintsy andrasan'ny mpamboly voankazo mialohan'ny hahafahany mihinana ny voan'izany?

Ny mpamboly voankazo dia tsy maintsy miandry mandra-pahatongan'ny taona fahadimy mialohan'ny hahafahany mihinana ny voan'ilay hazo.

Leviticus 19:26

Inona no fahazaran'ny mpanompo sampy izay nolazaina tamin'ireo vahoaka mba tsy harahiny?

Ny fahazaran'ny mpanompo sampy izay nolazaina tamin'ireo vahoaka mba tsy harahiny dia ny fanaratana ny sisin'ny loha sy ny fanongotana ny sisiny amin'ny volom-bava.

Leviticus 19:32

Eo anolon'iza no nolazain'i Yaveh fa hitsanganan'ny olona sy homena vononahitra?

Yaveh dia niteny ny vahoaka mba hitsangana eo anolon'ny olona fotsy volo sy hanome voninahitra ny olona antitra.

Leviticus 19:33

Nahoana i Yaveh no niteny fa tokony hitia ny vahiny tahaka ny hitiavan'izy ireo ny tenany ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia niteny ireo vahoakan'Israely mba hitia ny vahiny satria ny vahoakan'Israely dia efa vahiny ihany koa tany amin'ny tany Egypta.

Leviticus 20

Leviticus 20:1

Inono no hiseho amin'ireo vahoakan'Israely izay manome ny zanany ho an'i Moloka?

Izay manome ny zanany ho an'i Moloka dia ho vonoina.

Leviticus 20:3

Inona no hataon'i Yaveh amin'ilay olona raha toa ka tsy mamono azy ny vahoaka?

Yaveh dia milaza fa ho esoriny eo amin'ny olony izany olona izany raha toa ka tsy mamono azy ny vahoaka.

Leviticus 20:6

Amin'iza no nolazain'i Yaveh mba tsy hiodinan'ny vahoaka?

Yaveh dia niteny ireo vahoaka mba tsy hiresaka amin'ireo izay mirasaka amin'ny faty na ny fanahy.

Leviticus 20:13

Inona no vokatry ny fiarahan'ny lehilahy iray ara-nofo amin'ny lehilahy hafa?

Ny lehilahy miray ara-nofo amin'ny lehilahy hafa ka nahavita ireo zava-mahatsiravina ireo dia samy ho vonoina.

Leviticus 20:15

Raha misy lehilahy na vehivavy miray ara-nofo amin'ny biby, inona no hatao amin'izy ireo?

Ilay lehilahy, ilay vehivavy, ary ilay biby dia samy ho vonoina.

Leviticus 20:24

Ahoana no nanoritsoritan'i Yaveh ny tany izay nomena ny vahoakan'Israely?

Yaveh dia niantso izany tany izany hoe "tany tondra-dronono sy tantely"

Leviticus 21

Leviticus 21:1

Amin'ny fahatesan'iza no hamelàna ny mpisorona handoto ny tenan'izy ireo?

Ny mpisorona dia havela handoto ny tenany nohon'ny amin'ny fahafatesan'ny havany akaiky.

Leviticus 21:4

Inona no namerana ny mpisorona mahakasika ny lohany sy ny volom-bavany?

Ny mpisorona dia tsy navela hanaratra ny lohany na ny zoron'ny volom-bavany.

Leviticus 21:7

Inona no hiseho amin'ny zanaka vavin'ny mpisorona izay nandoto ny tenany tamin'ny fahalasanana ho mpivarotan-tena?

Ny zanaka vavin'ny mpisorna izay nandoto ny tenany tamin'ny fahalasanana ho mpivarotan-tena dia ho dorana.

Leviticus 21:10

Inona no tsy maintsy sorohan'ny mpioronabe na dia ny rainy na ny reniny aza izany?

Ny mpisoronabe dia tsy mahazo mandeha any amin'ny toerana izay misy fatin'olona, eny na dia ny rainy na ny reniny aza izany.

Leviticus 21:13

Vehivavy toy inona no tsy azon'ny mpisorona alaina vady?

Ny mpisorona dia tsy mahazo manambady mpitondratena, vehivavy nisara-bady, na vehivavy mpivarotena.

Leviticus 21:18

Olona toy inona no tsy tian'i Yaveh hanakaiky azy mba hanao fanatitra?

Yaveh dia tsy maniry ny olona manan-kilema hanakaiky azy.

Leviticus 22

Leviticus 22:1

Inona lazain'i Yaveh fa hanimbazimba ny anarany masina?

Yaveh dia milaza fa izay maloto amin'ny antony rehetra sy manakaiky ny zavatra masina dia hanimbazimba ny anarany masina.

Leviticus 22:4

Inona no tsy maintsy ataon'ny mpisorona raha toa ka mikasika zavatra izay mampaloto azy izy?

Tsy maintsy mandro amin'ny rano izy ary mijanona ho maloto mandra-paharivan'ny andro.

Leviticus 22:7

Inona no mety hahazo ny mpisorona izay tsy manaraka ny fampianaran'i Yaveh?

Izy ireo dia ho meloky ny fahotana ary ho faty nohon'ny fanimbazimbana an'i Yaveh.

Leviticus 22:10

Iza no olona hany afaka mihinana ny zavatra masina?

Ny olona hany afaka mihinana zavatra masina dia ny mpisorna sy ny fianakaviany, ary ireo andevo izay mety ho novidiany.

Leviticus 22:12

Afaka mihinana ny sakafo masina ve ny zanaka vavin'ny mpisorona izay nanambady olona tsy mpisorona?

Tsia, raha tsy hoe misara-bady na mananotena ka mody ao an-tranon-drainy indray izy.

Leviticus 22:14

Inona no tsy maintsy ataon'ny olona mihinana tsy amim-pahafantarana ny sakafo masina?

Raha mihinana tsy tamim-pahafantarana ny sakafo masina ny olona iray dia tsy maintsy manefa amin'ny mpisorona izy ary manampy iray ampahadimy amin'izany.

Leviticus 22:17

Biby inona no ho ekena ho fanatitra?

Tsy maintsy biby tsy misy kilema avy amin'ny biby fiompy , ondry, na osy izany.

Leviticus 22:20

Inona no zavatra tena takiana amin'ny biby izay hatao sorona ho an'i Yaveh?

Ny biby izay hatao sorona ho an'iYaveh dia tsy maintsy tomady ara-batana.

Leviticus 22:26

Tsy maintsy firy taona ny zanak'omby, ondry, na osy hatolotra ho sorona ho an'i Yaveh?

Ny zanak'omby, ondry, na osy hatolotra ho sorona ho an'i Yaveh dia ampy valo ndro farafahakeliny.

Leviticus 22:28

Oviana no tsy maintsy hohanina ny fanati-pisaorana?

Izany dia tsy maintsy hohanina amin'ny andro hanaovana sorona izany ihany.

Leviticus 23

Leviticus 23:3

Inona no lazin'i Yaveh mahakasika ny asa sy ny Sabata?

Yaveh dia milaza fa ny olona dia afaka miasa mandritra ny enina andro, fa ny andro fahafito kosa, izay Sabata, dia ho andro fitsaharana.

Leviticus 23:4

Firavoravoana inona no hankalazaina amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany?

Ny Pasakan'i Yaveh no hankalazaina amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany.

Inona no firavoravona manaraka ny Paska amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana voalohany?

Ny Firavoravoan'ny Mofo tsy Misy Masirasira no manaraka ny Paska amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana voalohany.

Leviticus 23:9

Inona amin'ny tany izay homen'i Yaveh azy ireo no tsy maintsy entin'ny vahoaka mankany amin'ny mpisorona?

Ny vahoaka dia tsy maintsy mitondra ny amboaran'ny voaloham-bokatra ho any amin'ny mpisorona aorian'ny fijinjana voalohany amin'ny tany izay homen'i Yaveh azy ireo.

Leviticus 23:26

Inona no daty napetrak'i Yaveh ho Andron'ny Fanavotana?

Yaveh dia nanao ny andro fahafolon'ny volana fahafito ho Andron'ny Fanavotana.

Leviticus 23:30

Inona no tsy azon'ny vahoaka atao amin'ny Andron'ny Fanavotana?

Ny vahoaka dia tsy mahazo manao asa na inona na inona amin'ny Andron'ny Fanavotana.

Leviticus 23:33

Firavoravoana inona no nolazain'i Yaveh fa hatao amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito?

Yaveh dia nilaza fa ny Firavoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh dia hatao amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito.

Leviticus 23:40

Inona no tsy maintsy ampiasain'ny vahoaka mba hifaliana mandritra ny Firavoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh?

Ny vahoaka dia tsy maintsy mampiasa ny voa tsara indrinra avy amin'ny hazo, sampan-drofia, sy ratsan-kazo midoroboka, ary hazomalahelo avy eny an-doharano mba hifaliana eo anatrehan'i Yaveh.

Leviticus 23:42

Taiza no nipetrahan'ny vahoakan'israely mandritra ny Firavoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh?

Ny vahoakan'Israely dia nipetraka tao anaty filofana kely mandritra ny fito andro mandritra ny Firavoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh.

Leviticus 24

Leviticus 24:3

Inona no tsy maintsy ataon'i Arona amin'ireo diloilo izay entin'ny olona eo aminy?

Arona dia tsy maintsy mitandrina ny jiro mba hirehitra hatrany eo anoloan'ny didim-panekena ao amin'ny lain'ny fiangonana, manomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro.

Leviticus 24:7

Iza no afaka mihinana ny fanatitra mofo roa ambin'ny folo?

Arona sy ireo zanany lahy no hihinana izany ao amin'ny toerana masina.

Leviticus 24:13

Nasaina nataon'ny vahoakan'Israely inona ny olona lehilahy izay naniratsitra an'i Yaveh?

Yaveh dia niteny ny vahoakan'Israely mba hamoaka izany lehilahy izany ho any ivelan'ny toby, hametraka ny tanan'izy ireo eo aminy, ary hitora-bato azy.

Leviticus 24:17

Inona no maintsy hahazo ny olona mamono olona?

Tsy maintsy ho vonoina tokoa izy.

Leviticus 24:19

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy maintsy atao amin'ny olona izay nahafaty na nandratra olona hafa?

Yaveh dia nilaza fa tokony hatao aminy koa izay nataony tamin'ilay olona; maso solon'ny maso, nify solon'ny nify.

Leviticus 25

Leviticus 25:3

Inona no nolazain'i Yaveh fa tokony hatao amin'ny saha rehefa avy nambolena sy norantsanana, ary notazana nandritra ny enin-taona?

Yaveh dia nilaza fa aorian'ny enina-taona nambolena, nandrantsanana, ary nihotazana ny saha sy ny voaloboka, ny andro fahafito dia tokony ho Sabatan'ny fitsaharana ho an'ny saha sy ny tanim-boaloboka.

Leviticus 25:8

Inona no tsymaintsy atao amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito amin'ny fahasivy amby efapolon'ny taona?

Feon'anjomara mafy ny tsy maintsy tsofina eny rehetra eny mandritra ny andro fahafolon'ny volana fahafito amin'ny fahasivy amby efapolon'ny taona

Leviticus 25:10

Inona no niantsoana ny fahadimampolo taona?

Ny fahadimampolo taona dia nantsoina hoe taon-jobily.

Inona no tranga manamarika ny taon-jobily?

Mandritra ny taon-jobily, ny fananana sy ny andevo dia hiverina any amin'ny fianakaviany.

Leviticus 25:11

Inona no tokony hohanina amin'ny taon-jobily?

Ny zavatra maniry ho azy no tokony hohanina mandritra ny taon-jobily.

Leviticus 25:15

Inona no tokony tsaroan'ny olona rehefa mividy na mivarotra tany?

Ny olona dia tokony hihevitra ny isan'ny taona mialohan'ny taon-jobily manaraka. Arakaraka ny hamaron'ny taona ho mampitombo ny lanjan'ny tany.

Leviticus 25:20

Ahoana no hikarakaran'i Yaveh ny vahoakany mandritra ny taona fahafito, taona Sabata, raha mbola tsy miakatra ny vokatra?

Yaveh dia nilaza tamin'ireo vahoaka fa ny vokatra amin'ny taona fahenina dia hihoatra avo telo heny noho ny vokatra mahazatra, koa dia hisy sakafo mandritra ny fito taona noho izany.

Leviticus 25:23

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'ireo vahoaka ny amin'ny fananana ny tany maharitra?

Yaveh dia nilaza ny mba tsy hivarotana ny tany maharitra amin'ny tompo vaovao satria ny tany dia Azy.

Leviticus 25:29

Inona no fanana tsy haverina amin'ny taon-jobily?

Ny trano novidiana ao anaty tanàna mimanda dia ho fananana maharitra ho an'ny olona izay nividy izany aorian'ny herintaona.

Leviticus 25:35

Ahoana no tsy maintsy hitondran'ny vahoaka ny mpiray fihaviana aminy izay lasa mahyantra sy tsy afaka mamahana ny tenany intsony?

Ny vahoaka dia tsy maintsy manampy azy, fa tsy maka tombony aminy, na miezaka manararaotra azy amin'ny fomba rehetra.

Leviticus 25:39

Ahoana no tokony hitondran'ny vahoaka ny mpiray fihaviana aminy izay nivarotra ny tenany ho andevo?

Ny vahoaka dia tokony hitondra mpiray fihaviana aminy izay nivarotra ny tenany ho andevo mba ho mpanompo karamaina; fa tsy mampiasa azy toy ny andevo.

Leviticus 26

Leviticus 26:1

Inona no lazain'i Yaveh amin'ireo vahoaka fa tokony hataon'izy ireo?

Yaveh dia milaza amin'izy ireo fa tsy tokony hanambotra sampy izy ireo.

Leviticus 26:3

Inona no tsy maintsy ataon'ny vahoaka mba ho antoka fa handatsaka orana sy vokatra i Yaveh?

Yaveh dia milaza fa ny vahoaka dia tsy maintsy mandeha amin'ny lalàny ary mitandrina ny didiny, ary manaktò azy ireo mba hahazoan'izy ireo orana sy vokatra.

Leviticus 26:5

Inona no hataon'i Yaveh mba ho antoka fa ho voaaro ireo vahoaka?

Yaveh dia hanala ny biby mandoza ary tsy hamapandalo ny sabatra eo amin'ny tanàna.

Leviticus 26:11

Inona no nampanantenain'i Yaveh ho atao amin'ireo vahoaka raha toa ka manao izay ampanaovin'i Yaveh azy izy ireo?

Raha toa ka manao izay ampanaovin'i Yaveh ireo vahoaka, dia mampanantena ny handeha eo amin'izy ireo izy, ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakany.

Leviticus 26:16

Aretina sy tazo toy inona no lazain'i Yaveh fa halefany amin'ny Israely raha toa ka tsy mankatò ny didiny izy ireo?

Yaveh dia milaza fa handefa aretina sy tazo izay handringana ny mason'izy ireo sy hanimba ny ain'izy ireo Izy raha toa ka tsy mankatò ny didiny izy ireo.

Leviticus 26:18

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataony raha toa ka tsy mankatò ny didy aman-dalàny ireo vahoaka?

Yaveh dia milaza ho voasazy im-pito tahaka ny fahotan'ireo vahoaka Izy raha toa ka tsy mankatò ny didy aman-dalàny izy ireo.

Inona no lazain'i Yaveh fa ho ataony amin'ny toetr'andro raha toa ka tsy mankatò ny didiny i Israely?

Yaveh dia milaza fa hanao ny lanitra eo ambonin'izy ireo ho toy ny vy Izy (hain-tany).

Leviticus 26:21

Yaveh dia nilaza fa raha tsy mihaino i Israely dia handefa biby mandoza eo amin'izy ireo Izy. Inona no nolazain'i Yaveh fa ho ataon'ireo biby ireo?

Yaveh dia milaza fa ireo biby ireo dia hangalatra ny zanak'izy ireo, handringana ny biby fiompin'izy ireo ary hampihena isa azy ireo.

Leviticus 26:40

Raha tsy mankato an'i Yaveh ireo vahoaka, moa ve foana avokoa ve ny fanantenan'izy ireo?

Yaveh dia milaza fa raha toa ka miaiky ny helony, ny heloky ny razambeny, ny fitaka nataon'izy ireo tamin'Andriamanitra ireo vahoaka ary manetry tena ny ho saziana, dia hahatsiaro ny fanekena izay nataony tamin'i Jakoba, Isaka, ary Abrahama Izy.

Leviticus 26:44

Na teo aza ny fahotan'izy ireo, inona no hampanantenain'i Yaveh?

Yaveh dia mampanantena fa tsy handà na hankahala azy ireo na ihany koa handringana azy ireo tanteraka azy ireo fa hanao ny fanekena izay nataony tamin'izy ireo, ka dia ho Andriamanitr'izy ireo Izy.

Leviticus 27

Leviticus 27:1

Inona no tanjon'ny fenitry ny tombana?

Rehefa hatokana ho an'i Yaveh ny olona iray, dia manao voady manokana izay mitaky hampiasa azy ny fenitry ny tombana izy.

Leviticus 27:3

Inona no fenitry ny tomban'ny lehilahy eo anelanelan'ny telopolo sy enimpolo taona?

Ny lehilahy eo anelanelan'ny telopolo sy enimpolo taona dia mitombana sekely volafotsy dimampolo.

Inona no fenitry ny tomban'ny vehivavy eo anelanelan'ny telopolo sy enimpolo taona?

Ny vehivavy eo anelanelan'ny telopolo sy enimpolo taona dia mitombana sekely volafotsy telopolo.

Leviticus 27:7

Ahoana raha toa ka tsy mahavidy ny fenitry ny tomban'ny olona hatokany ilay manao voady?

Raha toa ka tsy mahavidy ny fenitry ny tomban'ny olona hatokany ilay manao voady, dia miseho amin'ny mpisorona izy ary ny mpisorona no hanombana izany olona izany araka izay takatr'ilay olona manao voady.

Leviticus 27:11

Inona ireo zavatra hafa izay azon'ny mpisorona tombanana ka hatolotra ho an'i Yaveh?

Azon'ny mpisorona atao ihany koa ny manombana biby mba hatolotra ho sorona, tranon'olona, na ny sasany amin'ny taniny.

Leviticus 27:14

Inona no zavatra hafa azon'ny mpisorona tombanana mba hatolotra ho an'i Yaveh?

Azon'ny mpisorona atao ihany koa ny manaombana biby mba ho sorona, tranon'olona, na sasany amin'ny taniny.

Leviticus 27:16

Inona no zavatra hafa azon'ny mpisorona tombanana mba hatolotra ho an'i Yaveh?

Azon'ny mpisorona atao ihany koa ny manaombana biby mba ho sorona, tranon'olona, na sasany amin'ny taniny.

Leviticus 27:26

Inona amin'ny biby no an'i Yaveh?

Ny voalohan-teraky ny biby rehetra dia an'i Yaveh irery ihany.

Leviticus 27:28

Inona amin'ny zavatra natokana ho an'i Yaveh no azo amidy na avotana?

Tsy misy amin'ny zavatra natokana ho an'i Yaveh ka azo amidy na avotana.

Leviticus 27:30

Raha misy olona manavotra ny ampahafolom-bokany, inona no tsy maintsy hatovany?

Raha misy olona manavotra ny ampahafolom-bokany, dia tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tomban'izany izy.